Vous êtes sur la page 1sur 6

NY RENALANI MADAGASIKARA (Les Baobabs de Madagascar)

Ny renala na reniala dia teny Malagasy entina iantsoana hazo mankadiry iray fantatra aminny anarana koa hoe baobab. Ny teny hoe baobab dia teny senegaly nalaina avy aminny teny arabo hoe bu hibab izay midika hoe voankazo maro vihy, an-jatony mantsy ny isanny vihy ao anatinny voanny renala iray. Ny Malagasy kosa niantso azy hoe renala na reniala satria toy ny izy no reninireo hazo rehetra izay misy noho izy tena lehibe tokoa. Ao anatinny fianakaviamben-ny andasonia no misy ny renala. Miisa valo ny karazana reniala eran-tany ary toerana telo ihany no ahitana izany dia Afrika, Aostralia ary Madagasikara. Ny fito aminizany dia eto Madagasikara avokoa. Ny ankapobeny momba ny renalanI Madagasikara no andeha horesahina voalohany. Ho hitantsika ao aminny tapany faharoa kosa ireo soa azo avy aminny reniala.

I.

Ireo renialanI Madagasikara.

Fito no isanny sokajinny renala eto Madagasikara ka ny enina aminireo dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara irery ihany. 1. Adansonia grandidieri: 30 ka hatraminny 40m ny haavony(hauteur),ary 3m ny savaivony(diametre).Any Morondava faritra andrefanny nosy no misy azy. Fotsy miendrika lakolosy ny voniny, ary boribory ny voany.

2. Adansonia suarezensis, araka ny anarany dia any Diego Suarez, faritaninAntsiranana, no ahitana azy. Mitovy aminny grandidieri ny voniny saingy lehibebe kokoa.

3.

Adansonia perrieri: mety hahatratra 30m ny haavony, hita any aminny faritra avaratrI Madagasikara. Lavalava ny voa avoakany.

4. Adansonia rubrostipa na koa hoe fony : izy no anisanny reniala kely indrindra satria tsy mihoatra ny 5m ny haavony. Miendrika tavohangy ny fotony. Mivonimboasary(orange) ny felany(ptale) sy ny lahimboniny(htamine), manopy volomparasy kosa ny vavimbony(pistil). Boribory ny voany. Ny baobab amoureux ao Belo-sur-Tsiribihina dia anisanny rubrostipa.

5. Adansonia madagascariensis iizay hita any aminny faritanini Mahajanga dia mamelana mena matsoraka mitovy halava aminny lahimbony vonimboasary sy vavimbony mena. Boribory kosa ny voany.

6. Adansonia za: mety ho tonga 30m ny haavony, ny sasany koa nefa tsy mihoatra ny 5m.Sahala aminnny anny rubrostipa ny voniny, lavalava kosa ny voany. Ny renala lehibe indrindra eto Madagasikara izay hita any Ampanihy (Faritany Toliara) dia karazany za, 23,38m ny manodidina ny fotony(circonfrence), ary mananika ny 2000 ny taonany.

7. Adansonia digitata : izy ty dia mitovy aminireo karazany hita any Afrika. Somary lavalava ny voany. Ilay hitantsika ao aminny renivohitri Maahajanga izay 21,70m ny manodidina azy, ary efa hahatratra 800 taona.

8. Adansonia gibbosa no tokana tsy hita eto Madagasikara fa any Astralia no misy azy.

Marihina fa mitombo ny habenny fotonny renala rehefa aminny vanim-potoananny orana. Telo ka hatraminny enim-bolana isan-taona ihany no ahitana raviny, ary tsy misy afa-tsy iray volana aminizay no mamelana izy. Mamoa mandritra ny volana maro kosa nefa izy, maitso ny lokonny voa tanora ary miha-volontany(marron) izany rehefa mihamatoy, voloina ny hodiny. Volana novambra na janoary no mamony ny renala eto Madaagasikara. Miovaova araka ny endriky ny voniny ny fomba fitsirianny renala(reproduction), raha mihoaka toy ny anny digitata ny voniny dia ny fanihy(chauvesouris) no mampitsiry azy, raha mitraka kosa ny voniny dia ny gidro(lmurien) na ny lolo mpivoaka aminny alina(papillon nocturne) no miantoka ny fitsiriany. Mandritra ny alina mantsy ny famoninny renala, manomboka misokatra ny voninkazony amin ny faranny tolakandro ary mihintsana rehefa ho tonga ny maraina. Mety ho velona hatraminny 5000 taona ny renala iray.

II. Ny soa azo avy aminny reniala. Azo ampiasaina avokoa ny faritra rehetra aminny renala. Mety hahazoana sakafo toy ny tantely, holatra(champignon), ravintoto. Na koa akna akora fanaovana fanaka sy fitaovana isan-karazany na atao fanafody koa. Santionany amminizany ihany no andeha hotanisaintsika. 1. Ny fotony(tronc): ny hodi-kazo nototoina dia mahatsara hoditra rehefa ahosotra. Ataonny olona tafo koa izany na kikisana hanjary tady. Ny any aminny faritra maina toy ny any atsimo dia misy ny mandoaka ny fotony mba hahazoana rano. Mitahiry rano 300 hatraminny 500 taonina ny fototra renala lehibe iray. Rehefa kikisana ny hodin-kazo dia hahazoana seva(sve) hanaovana rihitra(pte) fanamboarana taratasy. 2. Ny raviny(feuille) dia misy manao ravintoto. Ao koa ny mampangotraka azy mba hahazoana tambavy noho ny ravinybe vitamina A, prteina, sira mineraly toy ny kalisima, manezima,

vy, ptasima, manganezy, fsfro, zinc. Azo atao sakafo ho anny omby koa aminny fotoananny hain-tany. Any afrika dia afangaronny olona aminny lasaosy isan-karazany na koa aminny cereales ny raviny nohamainina. 3. Ny voniny(fleur), faknny tantely maminy hahazoana tantely tena tsara karazana. 4. Ny voany(fruit), azo hanaovana ranom-boankazo sady manala hetaheta no mahasalama. Ny nofony dia be kira(fibre) sy vitamin ary sira mineral sy fsifro, ary mitahiry kalisima in-telo avo heny noho ny ronononomby. Misy manao menaka koa ny voany. 5. Ny vihiny(graine) izay betsaka vitamina E dia azo hanina maina toy ny voanjo na atono atao solon-kafe. Misy koa ny manodina (transformer) azy ho savony. Ary tena zezika tsara ho anny zava-maniry koa ny vihiny. Mety tsy dia heverintsika koa nefa tena zava-dehibe ho anny hafa ny fialokalofana eo ambaniny sy ny finoanny sasany ny vintana ateraky ny baobab amoureux ho anireo mpifankatia.

Eto am-pamaranana dia tsaara ny mampatsiahy fa noho ny fiovanny tontolo iainana erantany ary indrindra ny fanimbana ny ala misy eto Madagasikara dia anisanny zava-maniry miha-lany tamingana ny reniala. Raha ny voka-pikarohana nataonny manam-pahaizana dia tsy nisy zanaka reniala naniry intsony ny faritra maro eto Madagasikara tao anatinny 300 na 400 taona. Adidintsika tanora Malagasy ankehitriny no mitady vahaolana iarovantsika ity harem-pirenentsika ity.

Vous aimerez peut-être aussi