Vous êtes sur la page 1sur 1

Titre de la chanson : Vary amin'anana

Nom de l'artiste : Tana in love


Post par le 01/01/1970

Eto anatrehan' Andriamanitra sy ny lanitra
Manaiky anao!Manaiky anao ho vadiko aho,
Manaiky anao aho!
Ireo koa ny ambanin' ny lanitra,mahita izao
fotoana izao
Manaiky anao ho vadiko aho!Manaiky anao !
Fa n'inoninona mety hanjo na hijaly aho na ho faly
koa,
Tiako ianao !... Tiako ianao !
Ka hatramin' izao fotoana izao
Na ho mandrakizay, raha toa tianao,
Tiako ianao ! Tiako ianao...

Tsy omaly intsony ny fianako anio
Tsy angano na nofy intsony satria
Nifanena indray ny lalantsika roa
Tsikitsiky tsy nisy firy taloha
Ny fanantenana tsy re feo intsony
Nitobaka indray nameno ny fo
Nanaraka ahy hatrany am-pandriana nody
Ilay feonao nihira hafaliana fa tia ;
Tena tia no sady tiana
Tia mihoatra noho ny taloha
Velon-kira koa ny foko noho ianao !
Tsy omaly - - > fo
Ny fontsika roa hitambatra iray
Ny feontsika koa hanandratra hira
Tsy toy ny taloha fa ho mandrakizay (3x)

Tonga izao ilay ora nandrasantsika ela izay
Androtsika roa izay nanambatra ho iray
Ny aiko sy ny ainao
Ilay bitsiky ny foko nandrotsirotsy ahy taloha
Indro tonga hira nampifoha
Ny hamamintsika roa
Manomboka izao
Dia tsy ho irery intsony ianao
Fo sy saina iray no entitsika hamakivaky
Ny fiainana ety, ity fiainana ity
Ho foiko manontolo
Izay hahasoa sy hahasambatra anao
Mahazo mahatoky ahy ianao
F'izay mamy indrindra izao
No efa foiko ho anao
Ny androko rehetra foiko omena anao
Tsy hasiako fetra mba hanjakanao
Lazao zay sitrakao, izay tianao hambarao
Omeko anao satria tiako ianao

Omeko anao tsisy fetra ny fitiavako rehetra
Ny masonao ny tsikinao mahababo ahy tokoa
Raiso re raha sitrakao fa atsy hanenenanao
Omeko anao ny fiainako tontolo
Omeko anao avokoa zay mety ho vokatry ny fo
Ny masonao ny tsikinao mahababo ahy tokoa
Omeko anao fitiavana zay rehetra irinao
Raiso re fa vokatry ny fo.
Zay sitrakao(zay sitrakao) dia manjary tiako koa
Satria ianao(satria ianao) mandray an-kira ny foko
Zay maminao(zay maminao) no hany mamiko
Omeko anao, omeko anao ny fiainako

Andro soa tsy manam-paharoa
Ry mpivady ny andro anio ka tadidio
Mpifankatia vonona hiara-dia
Ka hamakivaky ny onjan'ny fitia
Mikasa sy mivoady ny ho doria
Ka tsy hivadika na hiova sanatria
Tanteraka eto anio ny voadin'olon-droa
Ho mpivady hifanoa
Hifampiahy hifanasoa
Zanahary ampio ary koa tahio
Ny tokatrano izay
Rarina ho mandrakizay

Vous aimerez peut-être aussi