Vous êtes sur la page 1sur 17

Raha mila faoazavaoa faoamPioy d' ,

", la maoatooa ao amio'oy:



Dlrectloo de I Educatio/J FO/Jd .

Mi/Jistere de l'Educatio/J N n arnlentale et PreSCOlaire,

P a IO/Ja e, Aoosy

Orte 410,412. BP: 267. Tel. : i261} 202630268 UNICEF

Maiso/J COmmu/Je des Natio/Js U/Jie Z

Bp 732. Tel. : i261} 202330092 s, o/Je GalaXy AOdraharo

~ I

~

o

"



lantohantsika ho an'ny zanantsika ny fiaingana tonga lafatra eo amin'ny fiainana.

Fototra hanorenana ny maha-olona ny fahazazana eo anelanelan'ny 0 ka hatramin'ny 6 taona.

Ny Minisiteran'ny Fanabeazam-Pirenena miaraka amin'ny UNICEF dia namolavola fitaovana entina manamora ny fampandehanana ny sahanasa faharoa, izany hoe, ny fanentanana rayaman-dreny.

Tsy ny fidirana an-tsekoly akory no fiandohan'ny fivelaran-tsaina. Ahazoana vokatra tsara ny fanabeazana mandritra ny fahazazana, vokatra hita maso eo amin'ny fampianarana ambaratonga voalohany ka mandrapahalehibe ny zaza. 10 no vanim-potoana tsara ifehezan'ny zaza ny fahaiza-manao ahatomombana ny fianarana sy ny fiainany any aoriana.

Ny ray aman-dreny tokoa mantsy no tompon' andraikitra voalohany amin'ny zaza. Raha tiana ho tomombana ny fampivelarana ny zaza ary mba ho tsara fototra ny fiainany, dia ny fanatsarana hatrany ny fahaizamanaon'ny ray aman-dreny no antoka lehibe amin' izany. Manana anjara lehibe eo amin'io sehatra io ihany koa ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

Miroso amin'ny MAP ny governemanta mba ampivoarana misimisy kokoa ny fahazazana.

Ao amin'ny teny ifanomezana fahatelo : "Fanovana ny fanabeazana", fanamby voalohany "omena ny zaza ny fitaovana ilainy eo amin'ny fampivelarana azy mialoha ny tena fidirana an-tsekoly" dia sahan'asa roa lehibe no voafaritra :

Araka izany, ny tantsoroka ampitain'ny mpanentana ho an'ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina dia haompana amin'ny fanatsarana ny fahaizana amampahalalan' izy ireo, ho entiny mikolo sy manabe ny zaza mba hirosoana any amin'ny fiaingana tonga lafatra ho an'ny zaza Malagasy tsy ankanavaka.

1- 20% ny zaza no hisitraka ny fibeazana fototra amin'ny 2012.

2- 100% ny kaominina no manao sahan'asa fanentanana ny ray aman-dreny.

----

Ny fitaovana entina manentana ny ray aman-dreny.

Ry mpanentana,

Tsy ho ampiasaintsika ny fiteny hoe fanabeazana ray aman-dreny satria toa midika izany fa tsy mahalala ny tokony ataony ny ray aman-dreny. Ny fanentanana ny ray aman-dreny no asolontsika azy.

Fitaovam-panentanana mahomby sy fampiasa ho fanentanana ny tsirairay na mpiofana vitsy an'isa (olona 6 eo ho eo).

Eo amin'ny pejy ankavia, tahirin-kevitra antsipirihany ho an'ny mpanentana ary eo amin'ny pejy ankavanana torolalana ho an'ny ray aman-dreny.

Fitaovana telo karazana no ampiasaina ho entina manentana ny ray aman-dreny. Mifameno izy ireo ary azo ampiasaina miaraka na tsia arakaraka ny tanjona tiana ho tratrarina.

Fitaovam-panentanana manome ny torolalana amin' ny fampiasana peta-drindrina sy kahie misy hafatra sy kisary ary torolalana voalaza eo ambony.

Fitaovam-panentanana mahomby sy fampiasa rehefa mara ny mpiofana. Azo apetaka amin'ny rindrina na ahantona amin'ny hazo

Tsy asarotina ny fampiasana ny fitaovana. Miankina amin'ireo ampitana ny hafatra sy ny safidinao mpanentana izany. Azonao atao tari-dalana ho an'ny adi-hevitra ny kisary, ka asaina hazavaina ny zava-misy sy ny antonantony. Avy eo afaka mametraka fanontaniana ianao miainga amin'ireo torolalana sy fanontaniana eo amin'ny pejy ankavanan'ny kahie misy hafatra sy kisary ary torolalana,

Eo an-kavia no misy ny hafatra sy ny kisary.

Eo ankavanana no misy ny torolalana ho amin'ny adi-hevitra iarahana amin'ny ray aman-dreny.

Tsara raha toa ka karazam-panentanana manintona ny ray aman-dreny no atao ary zavatra manavanana azy no itarihana ny resaka.

Ohatra : ho fanentanana ny daholobe dia azonao iaingana ny hafatra fototra ary trandrahana ny saribakoly ahetsika na ny tantara an-tsehatra. Afaka mitady fanampiana amin'ny mpiara-monina ianao ary izay no ahafahanao manentana sy misarika ny ray amandreny handray andraikitra.

Ahitana hafatra fototra ireo fitaovana natokana hanentanana ny ray aman-dreny ireo.

Misokajy ho roa izany :

1- Hafatra miisa 13 ho fampivelarana ireo zaza o ka hatramin'ny 3 taona.

2- Hafatra miisa 12 ho fampivelarana sy ho fanomanana ny fidirana an-tsekoly ireo zaza 4 sy 5 taona.

Ho fampivoarana ny sehapivelarana samihafa eo amin'ny zaza dia ireto avy ny lohahevitra raiketin'ny hafatra hampitaina amin'ireo sokajy roa ireo.

1- Fivelarana ara-batana.

2- Fivelarana ara-tsaina.

3- Fivelarana ara-piarahamonina syara-moraly.

Ampirisiho ny fandraisana anjaran'ireo sampan'asa toy ny fahasalamana, fampanjariana ara-tsakafo, fanabeazana, fiarovana ary fanaovana sora-piankohonana. Ezaho ny fampifandraisana azy rehetra ireo. Ohatra, ho fampitana ny hafatra mahakasika ny fahasalamana, miaraha miasa amin'ireo mpanentana ara-pahasalamana. Raha misy zaza tsy manana sora-piankohonana, manatona ny sefom-pokontany.

4- Fivelarana ara-pihetseham-po.

5- Fanomanana ho amin'ny fidirana an-tsekoly.

Torolalana ho fanentanana ny ray aman-dreny.

Fandrafetana ny fomba fiasanao

Paikady

Zava-dehibe ny fametrahana lamina amin'ny fomba fiasa. Izany no atao dia ahatratrarana ny tanjona kendrena ka tokony ho voafaritra mazava ny fotoana, ny fitaovana, ny olona hoentanina ary ny ara-bola.

Fomba fanadihadiana miainga amin'ny traikefa efa ananana.

Aompana amin'ireto lohahevitra ireto izany :

Efa manana fahalalana marobe momba ny zaza madinika ny ray aman-dreny sy ny mpiara-monina. Tokony hasongadina sy hatsaraina izany. Fadio ny mihambo ho "tompon'ny fahalalana". Aza kianina ny ray amandreny sy ny fihetsika mahazatra azy.

Tolory sitraka izy ireo amin'ny hevitra arosony ary tariho hiroso ho amin'ny tsaratsara kokoa.

Inona ny fiovana tianao hisongadina ?

Inona no hevitra tianao hamafisina ?

Karazana olona toa inona no tianao hiantefan'ny hafatra?

Firy ny isany ?

Fiarahana miombona antoka sy fiaraha-miasa

Tsy misy afaka hiasa irery : miaraha miasa amin'ireo olona miandraikitra sehatra samihafa eo anivon'ny fiaraha-monina.

Rahoviana, aiza ary impiry ianao no hanao fanentanana ?

Ho an'iza ?

Inona no paikady safidiana ?

Ahoana no fampiharana azy ?

Iza no afaka hanampy anao ?

Eo amin'ity tranga ity, tsara raha raiketina an-tsoratra ao anaty kahie ny tiana ampitaina rehetra.

lIaina izany eo amin'ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tombana ny sahan'asa.

Ny fanentanana :

Fitaovana hafa azo ampiasaina :

• boky kely

• sary maneho torolalana

• sarimihetsika

Fomba fampitana ny hafatra

• Fitsidihana tokantrano, resadresaka eny an-tsena na an-dalam-be, na eo ampanasan-damba.

• Adi-hevitra eo amin'ny vondron'olona.

• Fampisehoana an-tsehatra.

• Fampiharana / fampisehoana / fandrafetana

kilalao / fanorenana lalao / hira gasy / kabary / saribakoly ahetsika.

• Fitsanganana ho vavolombelona eo anivon'ny fiarahamonina noho ny fahombiazana azo.

Fandaminana :

• Isambatan'olona

• Vondrona kely (olona 2 - 10)

• Vondrona lehibe (olona 10 no mihoatra)

Eo amin'ny fanentanana isambatan'olona dia azonao atao ny misafidy fianakaviana vitsivitsy izay tena mitaky fanampiana (ohatra : tena farahidiny, ray aman-dreny tena sahirana , irery na nisaraka, ray aman-dreny tanora na ray aman-dreny tsy hita matetika rehefa misy ny fanentanana).

Eo amin'ny fanentanana ny daholobe dia ho hita ao ny rehetra ka paika ady manintona ny rehetra no ampiharina , ohatra : teatra-saribakoly ahetsika-hira gasy.

Fanamarihana :

Tsy ho voasarika avokoa ny karazan'olona rehetra. Mety ahomby ihany koa ny fanentanana olona iray amin'ny alalan'ny resadresaka tsotsotra ifanakalozana.

Fanentanana

Dingana faharoa : mandritra ny tena fanentanana

Ny mpiaraha-miasa aminao :

Dingana voalohany : Fanomanana

Ny chef ZAP sy ny CISCO no mpiara-miasa aminao mivantana.

1- Fiarahabana / fanolorana : iza ianao ? Fanazavana ny votoatiny - ny lohahevitra - ny faharetany.

Mba hampahomby ny fanentanana dia tokony homanina ireto manaraka ireto :

Ny sefom-pokontany.

2- Fanentanana : tsy mivaona amin'ny lohahevitra ary ampandraisina anjara ny rehetra amin'ny alalan'ny fanontaniana - adi-hevitra - fifanakalozankevitra - fandraisam-pitenenana - fanohanana hevitra.

Ny mpitondra fivavahana.

Tsara fantarina ireo iantefan'ny hafatra :

Ny olo-manan-kaja eo an-toerana.

• Taona-Iahy / vavy-fari-pahalalana-fahazarana / fombafomba-filana.

3- Famintinana : fintinina ny hafatra tiana ampitaina - Inona no voarain'ny mpandray anjara ? Inona no nanintona azy ?

Ny kaominina sy ny sampan-draharahan'ny fahasalamana.

• Tsara omanina ny votoatin'ny hafatra tiana ampitaina (voafehy tsara ny foto-kevitra).

• Faritana tsara ny paikady : ampifandimbiasina mba tsy hahamonamonaina.

4- Fisaorana : ny mpiofana, atolotra ny lohahevitra ho amin'ny manaraka

Ny mpanentana amin'ny sehatra hafa ...

• Omanina tsara ny fitaovana ampiasaina

Dingana fahatelo : ao aorian'ny fanentanana

• Arafitra tsara ny fizotry ny fanentanana : fanolorana - votoatiny - famintinana - fisaorana.

• Fidiana tsara ny toerana sy ny fotoana anaovana ny fanentanana : ohatra : ho an'ny daholobe, fotoana ahafahan'ny rehetra ary toerana afaka mandray olona marc. Anontaniana dieny mialoha ny lohahevitra tiany ho dinihina.

• Ampahafantarina dieny mialoha ireo mpiofana ary ampahatsiahivina azy ny fotoana.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Manaraha fisafoana in-efatra mandritry ny fitondrana vohoka

2. Araho tsara ny toromariky ny mpitsabo amin'izany

3. Fantaro ireo fambara loza mandritry ny fitondrana vohoka ka mandehana haingana eny amin'ny toeram-pitsaboana raha misy ahiana

4. Aoka ho sakafo misy otrikaina sy miovaova no hohanin'ny vehivavy bevohoka

5. Mila fialantsasatra, filaminan-tsaina, fitiavana ary fahatoniana ny vehivavy bevohoka

6. Aza misotro toaka na mifoka sigara na manakaiky zava-mampidi-doza ianao raha bevohoka

7. Matoria anaty lay misy ody moka isorohana ny tazomoka

8. Mahatsapa zavatra ny zaza any am-bohoka : safosafoy izy, iresaho izy, anaovy hira izy

9. Mandehana amin'ny toeram-pitsaboana rehefa hiteraka na farafaharatsiny aoka hatrehan'olona voaofana amin'izany ny fiterahana

10. Tohizo ny fizaham-pahasalamana aorian'ny fiterahana

11. Mila sakafo ara-pahasalamana sy miovaova ny vehivavy tera-bao

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona no tokony hataon'ny vehivavy iray raha vao fantany fa bevohoka izy?

• Inona ireo fepetra raisina hiarovana ny fahasalamany sy ny zanany ao an-kibo ?

• Misy anjara andraikitry ny raim-pianakaviana sy ny manodidina ve mba tsy hieren-doza sy hizotra an-tsakany sy an-davany ny vohoka ?

• Ahoana ny fomba ifandraisana amin'ny zaza raha mbola any an-kibon-dreniny izy ?

MIANKINA AMIN'NY FAHASAlAMAN'NY RENY SY NY FAHAlAVORARIAN'NY FIAINANY NO MAHATSARA NY FIVElARAN'NY ZAZA AO AM-BOHOKA. NA DIA MBOlA ANY AM-BOHOKA AZA NY ZAZA DIA EFA MilA FITIAVANA.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Mila mivelatra amin'ny lafiny rehetra ny zaza alohan'ny hidirany an-tsekoly :

Ara-batana (salama, madio : mahay manasa tanana, mahay mifehy ny fihetsika : mahay mihazakazaka, mitsambikina, mihanika, milalao baolina, manao kisarisary, manipika, mamatotra tady ... )

... Ara-piaraha-monina sy ara-pihetseham-po (mahay mifandray amin'ny hafa, mahay maka namana sy mampaharitra izany, miteny tsy amin-tahotra, manomboka zavatra iray ary mamita izany, mahay mandray andraikitra sahaza ny taonany mandamina lovia sy sotro ... )

, Ara-pitenenana: miteny mazava, mametraka fanontaniana, mamaly fanontaniana, mahay mihaino tantara, maneho fa liana amin'ny tantara, mahay mamantatra isa, mahay mandika izany.

t Ara-tsaina: tia karokaroka, mametraka fanontaniana, mahalala zavatra amin'ny alalan'ny fitsapana, ny fanamboloana, ny fihainoana, mahay mampitaha zavatra samy hafa, mahay mampiasa ny teny marina entina manazava zavatra iray, mahay mifantoka, mahay manaja fitsipika.

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Ahoana no fomba hahatonga ny zaza ho olom pirenena feno ?

• L azao ny fizotran'nv fivelaran'ny zaza ?

• Inona no rnahazava-dehlbe ny fikarakaran'ny ray aman-dreny ny zananv ara-batana sy ara-tsaina ?

• Iarusao rreo fahaizana rlarn'nv zaza alohan'ny hrdrranv an tsekoly ?

MilA MIVElATRA AMIN'NY lAFINY REHETRA NY ANKIZY MBA HO TAFITA AMIN'NY FIANARANA SY AMIN'NY F-IAINANY MANON roi,o.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Omeo sakafo mifanaraka amin'ny taonany ny zaza : nonon-dreny ihany hatramin'ny fahaenimbolan'ny zaza, mana dia miampy sakafo miovaova sy ara-pahasalamana ary tohizina ny fampinonoana hatramin'ny 2 taona

2. Lanjao isam-bolana eny amin'ny tobim-pahasalamana ny zaza 0-1 taona, ary isan-telo volana ny zaza 1-3 taona

3. Ataovy ireo andiam-baksiny 5 alohan'ny fahaherintaonany miaro amin'ny raboka (BCG), ny lefakozatra (Polio), ny difteria, tetanosy, koha-dava-

reny, aretin'aty B, meninzita sy pnemonia (DTCoq hepB hib) ary ny kitrotro (BCG, DTCoq)

4. Omeo vitamine A sy fanalana kakana isaky ny enim-bolana

5. Ento eny amin'ny tobim-pahasalamana farafahakeliny indray mandeha isan-taona hanao fizaham-pahasalaman'ny maso sy sofina ary nify

6. Ento haingana eny amin'ny tobim-pahasalamana izy raha vao misy soritr'aretina (fanaviana, kohaka, fivalanana ... )

7. Raha toa ka mivalana izy dia omeo rano betsaka (nonon-dreny, rano nampangotrahina, iray sy valo) mba hiverenan'ny rano very satria haingana ny fahaverezan-drano ho an'ny zaza ary omeo sakafo betsaka

8. Mba hiarovana azy amin'ny aretina dia tokony hotandrovana ny fahadiovan'ny vatany, ny sakafony, ny kilalaony, ny rano sotroiny ary ny manodidina azy. Ampangotrahy ny rano hanalana ny otrik'aretina ao aminy.

9. Zaro hanao maloto amin'ny po izy manomboka amin'ny fahaerintaonany ary ario any amin'ny lava-piringa ny maloto. Ampianaro hanasa tanana amin'ny savony na lavenona izy isaky ny avy manao maloto

10. Ampandrio anaty lay misy ody moka izy hisorohana nytazomoka

11. Aza avela irery mihitsy ny zaza indrindra ao an-dakozia misy afo mirehitra, ny zavatra mety mampidi-doza na zava-maranitra (antsy) dia ampanalavirina azy mba hisorohana ny loza isan-karazany

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona ny karazan-tsakafon'ny zaza 0-6 volana ?

• Inona ny karazan-tsakafon'ny zaza manomboka 6 volana ?

• Milaza fomba azo antoka indrindra hisorohana ny aretina

• Inona no tokony hatao raha marary ny zaza ?

• Lazao ireo fomba hisorohana ny loza mety hitranga amin'ny zaza ?

MILA SAKAFO SY FIKOLOKOLOANA SAHAZA AZY NY ZAZA MBA HAMPIVELATRA AZY ARA-BATANA SY ARA-TSAINA. ZAVA-DEHIBE NY FISOROHANA MIALOHA SATRIA NY ZAZA VOAKARAKARA TSARA DIA SAROTRA HANDAIRANA ARETINA.

/ /

./

/ ,/

/

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Mba hampitombo ny zaza sy hampivelatra azy ara-pihetseham-po, dia :

1. Trotroy izy ary safosafoy moramora dieny vao teraka

2. Tambatambazo izy, iresaho, anaovy hira, anaovy tantara

3. Omeo toky izy amin'ny filazanao fa tia azy ianao

4. Aza avela ela loatra amin'izay nametrahana azy izy ary tsy avela irery koa

5. Ezaho ny fitenenana azy moramora na dia sahirana aza ianao eny fa na dia tezitra aza

6. Jereo izy ary ataovy mifanatrika amin'ny masonao

7. Milalaova miaraka aminy

8. Ampaherezo sy ankasitraho izy

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona no ilain'ny zaza ankoatry ny sakafo sy ny fitsaboana ara-dalana mba hampivelatra azy ?

• Ahoana no fomba hampandrisihana ny fivelarana ara-pihetseham-pon'ny zaza iray ?

• Samy hafa ve ny fikarakarana andrasan'ny zazalahy sy zazavavy eo amin'ny lafiny ara-pihetseham-po?

"MANANA ANJARA TOERANA lEHIBE EO AMIN'NY FIVElARAN'NY ZAZA NY FIKOlOKOlOANA SY NY FITIAVANA AZONY RAHA MBOlA ZAZA IZY. HO SAMBATRA SY HllAMINA KOKOA MANDRITRA NY FIAINAN-KO AVINY NY ZAZA HENIKA FITIAVANA SY FIHEVERANA."

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Diniho tsara isan'andro isan'andro ny zanakao dia ho fantatrao tsikelikely ny antony mampitomany azy

2. Aza avela hitomany tsy misy fikarakarana izy

3. Aza avela hitomany tsy misy npihaino ny zanakao

4. Raiso an-tanana izy ary ezaho omena fahafaham-po araka izay tiany ambara

5. Ny zavatra voalohany tokony hatao dia ny fandraisana azy sy ny fanambatambazana azy

6. Raha toa ka tsy fantatrao ny antony mampitomany azy dia iresaho izy ary hazavao aminy fa tsy fantatrao ny antony mampitomany azy.

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Nahoana no mitomany ny zaza ?

• Inona no atao raha mitomany ny zaza ?

"TSY MITOMANY FOTSINY AMIN'IZAO NY ZAZA FA MISY ZAVATRA TIANY HAMBARA. AZA AVELA HITOMANY MAHARITRA IZY FA TAMBATAMBAZO ARY FANTARO NY ANTON'IZANY ARY KARAKARAO HAINGANA IZY. II

-- -

-

-_

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Rehefa mibadabada ny zaza dia avereno izay nataony ka jereo ny fihetsiny manoloana izany

2. Iresaho hatrany ny zanakao, mihlra ho azy, anaovy tantara izy, na amakio tantara izy

3. Manaova fihetsika iray mba itarihana azy hiteny

4. Manaova tanisa an-kira mampiasa rantsa-tanana, tanana ary tongotra

5. Lazao azy izay fihetsika rehetra ataonao na ny ataony na izay ataonao miaraka aminy : "mangatsiaka ialahy (na indry) izany. "Ao

mirakotra an !" "Noana angaha ialahy (na indry) no mandray vilia !"

6. Ampisehoy zavatra maromaro samihafa izy ary tonony tsirairay ny anarany

7. Ataovy veloma izy ary ahofahofaho ny tananao isarihana azy hanao torak'izany koa

8. Tonony ny anaran'ireo faritra amin'ny tenany rehefa mampandro azy ianao

9. Ento mitsangantsangana mijery zava-boahary izy ka tondroy sady lazao ny anaran'ny zavatra hitany, ny lokony, ny bikany, ny habeny (ohatra : Ampisehoy vorona izy sady rnlhira hoe "Iny hono izy Ravorona. Ento manaraka anao. Raha mitomany ampangino. Rehefa mangina avereno")

10. Valio lreo fanontaniany rehetra apetrany ary ametraho fanontaniana koa izy

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona no tokony hataon'ny vehivavy mandritra ny hitondrany vohoka mba hampivelatra ny zaza ara-pitenenana ?

• Inona no fomba tsara indrindra hampianarana ny zaza hiteny ?

• Mitanisa zavatra vitsivitsy azon'ny ray aman-dreny atao hampianarana ny zanany hiteny

NY FIRESAHANA AMIN'NY NY ZAZA MANOMBOKA ANY AM-BOHOKA, NY FIHAINOANA SY FAMALIANA AZY NO FOMBA AZO ANTOKA INDRINDRA FA HANAMPY AZY AMIN'NY FITENENANY.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Vao teraka ka hatramin'ny telo volana ny zanakao dia :

• Azonao hetsiketsehana eo anoloan'ny masony ny zavatra misy lake mba hanarahany izany

• Anaovy hira na ampihenoy feo samy hafa

• Ampio izy hanarina ny lohany amin'ny fampiasana korintsana eo ambony lohany

• Andramo apetraka izy, sintony moramora amin'ny tanany ary ataovy toy ny mivoy bisikileta ny tongony

3-6 volana:

• Ovaovana ny fomba fatoriany ao am-pandriana

• Atombina izy indraindray sady hazonina

• Anaovana hira izy na ampihenoina radio, atreho izy dia resaho

• Asehoy azy ny hafalianao manoloana ny fibadabadany

6 volana-1 taona :

• Avela izy hipetraka

• Manokima fotoana hikasikasihana azy, hiresahana aminy, hilalaovana aminy (mitehafa, agorisao any aminy ny baolina)

• Tondroina ny zavatra samy hafa ary omeo kilalao azony hetsehana izy (ahontsakotsano ny boaty misy voan-java-madinika ohatra mba hamoaka feo).

Tandremo fa tian'ny zaza ny manao zavatra am-bava ka zavatra madio sy tsy mampidi-doza no omena azy holalaoviny ary aoka ho lehibe noho ny vavany mba tsy ho voateliny.

1-2 taona :

• Omena kilalao, baolina, goba

• Tenenina izy hanampy anao amin'ny lahasa tsotsotra

• Zarina hanao maloto anaty po izy ary hanasa tanana avy eo

• Ampianarina fihetsika mirindra izy tahaka ny mandihy na mihanikanika

2-3 taona :

• Ampanaovina sary amin'ny pensilihazo izy, ampilalaovina fasika na rano madio

• Entina mijery zava-boahary, arabe, tanana

• Manaova fangalampiery miaraka aminy. Ampialalaovy miaraka amin'ny ankizy hafa izy

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Firy taona ny zaza no manomboka mianatra zavatra ?

• Iza no afaka manampy ny zaza hivelatra ?

• Mitanisa asa azon'ny ray aman-dreny handrisihana ny fivelaran'ny zaza isaky ny dingana lalovany ?

TSY MISY FITSAHARANY NY FAMPIASAN'NY ZAZA NY FITAOVAM-PANDRENESANY. TSY MAINTSY AMPORISIHINA ARY AMPIANA IZY AMIN'IZANY ARAKA NY TAONANY.

1.

• 2.

3.

4.

5.

6.


7.


~}
8.

9. TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Omeo asa tsotra izy hampitomboana ny fahakingany (mandamina fitaovana vita amin'ny plastika) ary m Ampio izy fa aza soloina tena

Rehefa mahavita zavatra iray izy dia ankasitraho, omeo tehaka, ampisehoy aminy fa faly ianao noho ny ezaka vitany. Raha misy fahadisoana ataony dia ampio izy hanitsy ny tenany fa aza bedesina na esoina na kapohina Raha misy olona tsy fantany ka matahotra izy dia trotroy ary resaho moramora Alaviro azy ireo ny fitaovana na ny zavatra mety hampidi-doza

Raha misy dia alehanao dia hazavao azy ny anton-dianao ary amin'ny firy ianao no

• Ahoana no hanehoanareo fa mahatoky sy faly amin'ny zavatra ataon'ny zanakareo ianareo?

• Inona no ataonareo hanampiana azy tsy hanana tebiteby ?

• Inona no vahaolana entiny mandresy ny fahatahorany olona tsy fantany?

• Inona no vahaolana entiny mandresy ny tebitebiny rehefa tsy eo ianareo ?

• Ahoana no hiarovana ny zaza amin'ny herisetra ?

hiverina haka azy

Aza apetraka ny zaza raha tsy amin'ny olona fantany sy atokisany Ampianaro hanao "tsia" izy ary hahalala fa tsy misy olona afaka hanao ratsy azy na hanery azy hanaraka izany olona izany

10. Aza avela irery mihitsy izy

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DR

TOKONY HATOKY TENA NY ZAZA HAHAFAHANY MANDROSO SY MIVELATRA AMIN'NY FIAINAN-KO AVINY. MILA FAHARETANA SY FAMPAHEREZANA AVY AMIN'NY RAY AMAN-DRENINY IZY HAMANTARANY NY TONTOLO. TSY TOKONY HITEBITEBY IZY KA OMEO TOKY ARY AZA AVELA IRERY MIHITSY.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Apetraho mazava ny fitsipika ary hazavao aminy izany (lltsy mianika tohatra ialahy (na indry) satria mamp haratra ialahy (na indry) raha mianjera eo."

2. Omeo ohatra tsara izy ka ianareo no ilaina manaja izany voalohany (manasa tanana alohan'ny hisakafoana, ... )

3. Manana faharetana ary averimbereno ny fitsipika, tsy tokony hampiaka-peo na haneso na hikapoka azy ianao mandritra izany

4. Raha manasazy azy dia aza atao amin-kerisetra ary aoka ho fotoana fohy, azavao aminy moramora ny antony ( "asaiko mijoro eto an-joron-trano ianao satria nisintona ny volon-jandrinao kanefa izaho efa niteny taminao matetika fa tsy azo atao izany satria marary azy)

5. Omeo sitraka izy rehefa mahay mitondra tena tsara

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona no antony hametrahana fitsipika eo amin'ny zaza ?

• Inona ireo fomba mahomby hahatonga ny zaza hanaja fitsipika ?

• Inona ireo fomba mety hahatonga ny zaza tsy hanaja fitsipika ?

TSY MAHAFANTATRA NY LOZA METY HANJO AZY NA IZAY AZONY ATAO SY TSY AZONY ATAO NY ZAZA NA NY ANKIZY. ILAINA NY MAMETRAKA AMINY IREO FEPETRA ARY ILAINA FAHARETANA SY FAHATONIANA NY MANAZAVA AMINY IREO FANDRARANA.

_'\...'l'

,. ,

J

~\. "Iu~

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Ataovy izay hifandraisany matetika amin'olon-kafa ( fianakaviana, fiaraha-monina) mba hampivelatra azy

2. Afaka manampy ny ray aman-dreny ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina raha ilaina ohatra amin'ny fiambenana ny zaza rehefa tsy eo ny ray aman-dreniny, na ihany koa amin'ny fitondrana azy eny amin'ny toeram-pitsaboana

3. Tokony hiaro ny zaza amin'ny herisetra sy ny loza ny olon-drehetra (tsy azo avela irery eo amoron-drano na akaikin'ny toerana misy rano na afo na fatsakana ny zaza ... )

4. Afaka milalao aminy avokoa ny olon-drehetra, afaka mitantara angano aminy ihany koa

5. Ny olon-drehetra dia afaka manampy ny ray aman-dreny mikarakara ny zaza (mandrisika azy lreo hitondra ny zanany hatao vakisiny, hanoratra ny fahaterahan'ny zaza, tsy hikapoka ny zaza .. )

6. Ny tsirairay dia olona azon'ny zaza alain-tahaka ka tsy tokony hanana fitondran-tena tsy mendrika eo imason'ny zaza (fisotroana toaka na fifohana sigara, na fihetsika mahery setra ... )

7. Andraikitry ny fokonolona ny manorina tontolo iainana tsara hivelaran'ny zaza (manangana toeram-pibeazana sy toeram-pialam-boly ... )

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona no andraikitry ny fianakaviana eo amin'ny fampivelarana ny zaza ?

• Iza ao amin'ny fianakavianao no mikarakara ny zanakao ?

• Ahoana no fomba fikarakarany azy ?

• Inona kosa no azon'ny mpiara-monina atao hampivelatra ny zaza ?

• Ahoana no fomba fandrasain'ny mpiara-monina aminareo anjara eo amin'ny fampivelarana ny zanakareo ?

TOMPON'ANDRAIKITRA AMIN'NY FAMPIVELARANA NY ZAZA NY TSIRAIRAY EO ANIVON'NY FIANAKAVIANA SY NY FIARAHA-MONINA.

-~

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Ry raim-pianakaviana, milalaova miaraka amin'ny zanakao, anaovy tantara izy, ento mitsangantsagana miaraka aminao izy

2. Iresaho izy ary henoy

3. Trotroy izy ary anehoy fitiavana, manana faharetana aminy

4. Anehoy fitiavana sy fanajana ny reny ary ampio izy amin'ny raharaha ao an-tokantrano mba tsy handreraka azy

5. Karakarao hatrany ny zanakao na dia efa nisaraka aza ianao sy ny reniny

6. Mandraisa anjara miaraka amin'ny reniny amin'ny fanabeazana azy

7. Tanteraho hatrany ny fanomezana ireo zavatra ilain'ny fianakaviana

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona no adidin'ny ray niteraka amin'ny zanany ?

• Inona no azon'ny rain-mpianakaviana atao hanehoany fitiavana amin'ny zanany ?

• Ahoana no fomba hanampiany an'i neny ?

TSY NATAO HO AN'NY RENY IRERY IHANY NY FIKARAKARANA NY ZANAKA. TOKONY HIKARAKARA SY HANDRAY ANJARA AMIN'NY FIVELARANA SY FITOMBOAN'NY ZAZA NY RAY.

. I

I

- .. _ ......

....-

_-

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Karakarao ohatra ny zaza rehetra ny zaza misy fahasembanana

2. Raha manan-janaka manana fahasembanana ianao dia soraty ny fahaterahany, omeo sakafo izy, omeo fikarakarana izy, omeo fitiavana sy fitandremana manokana araka izay ilainy

3. Mila anao bebe kokoa ny zaza misy fahasembanana, mila ny fitiavanao sy ny fikarakaranao mihoatra noho ny zaza hafa

4. Aza hidina aman-trano izy fa zaro ifanerasera matetika amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina

5. Araho maso tsara ny fivelaran'ny zanakao. Raha mahatsikaritra fahasembanana amin'ny zanakao ianao dia ento haingana any amin'ny dokotera na mpitsabo voaofana izy

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona avy ireo zon'ny zaza manana fahasembanana ?

• Inona no fikarakarana manokana ilain'ny zaza manana fahasembanana ?

• Inona no fepetra raisina raha misy fahatarana eo amin'ny fivelaran'ny zanakao ?

TSY NATAO HO AN'NY RENY IRERY IHANY NY FIKARAKARANA NY ZANAKA. TOKONY HIKARAKARA SY HANDRAY ANJARA AMIN'NY FIVELARANA SY FITOMBOAN'NY ZAZA NY RAY.





TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Karazana lalao iarahana atao amin'ny zaza : 1-3 volana :

o Mipetraha eo ankavian'ny zaza ary iresaho mora mora izy mba hampiherika azy. Avereno izany fa mipetraha kosa indray amin'ny ilany ankavanana.

o Ahetsiketseho eo anoloany ny korintsana na zava-mitovy amin'izany mamoaka feo hanairana azy mba hisarika azy hijery

o Rehefa feno 3 volana izy dia hampanaovy fanazarana ara-batana: sintony moramora amin'ny tanany izy, atao mifanindry eo ambony tratrany ny tanany dia velaro avy eo, hetseho toy ny mivoy bisikileta ny tongony.

3-6 volana:

o Omeo zavatra kely pilasitika izy (sotrokely, korintsana ... ) hotazoniny sy hotsetsafiny

o Manaova fiaramanidina : raiso eo amin'ny valahiny izy ary aingao moramora no sady jereo no itsikio

o Ampofoy mifanatrika aminao izy ary hanaovy tanisa an-kira izy

6-9 volana:

o Milalaova ny hoe "aizo 0 1"(Tapeno ny tarehinao ary asehoy avy eo no sady miteny hoe "io 0 IH) Mitehafa ary ampianaro azy izany avy eo

o Milalaova fangalampiery miaraka aminy. Miafena ao ambadiky ny varavarana ary asehoy ny lohanao ary mitenena hoe "aizo 0 1".

oManafena zavatra iray dia miara-mitady ilay izy aminy

o Apetraho matetika eo ambony lamba na bodofotsy amin'ny tany ny zanakao miaraha-milalao zavatra miaraka aminy (boaty, goba ... )

o Apetraho eo anoloan'ny fitaratra izy asehoy azy ny sariny sy ny sarinao dia iresaho izy

o Apetraho eo amin'ny lohalikao izy ary tazony izy dia hatsambikimbikino

9-12 volana :

o Omeo boaty sy goba ary kaopy izy ianarany mitazona

o asaivo omeny anao tsirairay ireo zavatra ireo no sady tononinao ny anaran'ilay zavatra

o Akodiavo makany aminy ny baolina ary asaivo akodiany miverina indray avy eo

o Tondroy no sady lazao ny anaran'ireo faritra amin'n va1MI¥, avy eo ny anaran'ireo zavatra hitany na biby ihany koa

o Manaova tanisa an-kira mampihetsika tanana na ny ratsam-batana

o Ataovy veloma amin'ny tanana izy ary asaivo averiny

1 taona-18 volana :

o Milalaova baolina miaraka aminy

o Omeo pensilihazo sy taratasy izy (na baoritra na izay misy eo am-pelantananao) hanombohany manoratra

o Omeo zinga tsy mitovy habe izy hamindrafindrany rano

o Omeo zavatra toy ny boaty, goba, lovia pilasitika izy izay mety halatsany sy horaofiny avy eo

o Rehefa manomboka mandeha izy dia omeo zavatra na kilalao azony taritina amin'ny tady toy ny fiarakodia kely

18 volana-2 taona :

o Milalaova fangalampiery miaraka aminy ka mifandimby mitady izay miafina

o Tondroy amin'ny anarany ireo zavatra manodidina azy ary hasaivo tononiny avy eo

o Anaovy hira izy ary ampianaro manao dihy tsotra

2 taona-3D volana :

o Raha mety dia ampisehoy boky na gazety boky na petadrindrina izy ary ampahafantaro azy ny sary

o Amakio na anaovy tantara izy

o Tondroy lreo faritra amin'ny vatana dia tonony tsirairay ny anarany

o Omeo pensilihazo miloko izy ary ampanaovy sary, asaivo arahany amin'ny lake ny bikan-javatra na sary tsotra toy ny voninkazo, masoandro

3D volana-3 taona :

o Omeo akanjo tonta na vorodamba izy hanovany bika ka hangalany tahaka olona iray

o Ampianaro izy hanao tanisa an-kira miaraka amin'ny fihetsika

o Omeo zinga izy na sio kely hofenoiny rano na fasika

o Ampianaro hahay ny lehibe sy ny kely ary ny lake izy amin'ny fampiasana zavatra tsy mitovy halava sy tsy mitovy lake (boaty, sotro).

o Apetraho amin'ny toerana samihafa izy ary ampianaro azy ny hoe "ao arnbonv" sy ny "ao ambany

FANONTANIANA ITARIHANA DINIDINIKA MIARAKA AMIN'NY RAY AMAN-DRENY

• Inona no maha zava-dehibe ny lalao eo amin'ny fampivelarana ny zaza sy ny ankizy kely ?

• Karazan-dalao inona no efa nataonao sy ny zanakao ?

• Mltanlsa karazan-dalalao dimy izay azonao atao miaraka aminy ?

ZO FOTOTRY NY ANKIZY NY MILALAO. EO AM-PILALAOVANA NY ZAZA DIA MANDRANTO FAHALALANA ARY MIVELATRA AMIN'NY LAFINY REHETRA: ARA- PIHETSEHAM-PO, ARA-PAHALALANA, ARA-PIHETSIKA SY ARA-PIARAHAMONINA.

Vous aimerez peut-être aussi