Académique Documents
Professionnel Documents
Culture Documents
Fanoroam-pejy
Teny fisaorana.................................................................................2
Sasin-teny........................................................................................3
Teny fampidirana............................................................................4
Ny aretina varoazy.........................................................................5
Mombamomba ankapobeny...................................................................... 5
Fisehonny aretina varoazy.......................................................................... 5
Fifindranny kongonny renitantely............................................................ 6
Famantarana ny fahavoazanny andian-tantely................................... 6
Hampahomby ny paika..................................................................13
Ny fampiasana fanafody............................................................................. 13
Ny habetsahanny akora ampiasaina......................................... 13
Fotoana ampiasana ny fanafody ? ............................................ 14
Fanaraha-maso ny fahombiazanny fanafody....................................... 14
Fijerena mivantana ny renitantely na ny sakivy......................... 14
Fijerena aminny santionana renintantely............................................... 14
Fitsirihana miverimberina ny varoa........................................... 14
Fitsirihana mitohy ny varoa....................................................... 15
Tahanny aretina............................................................................................. 15
Fanamarihana ankapobeny....................................................................... 16
Teny famaranana............................................................................17
Fanazavan-teny..............................................................................17
Bibliografia......................................................................................18
Teny fisaorana
Isaorana ireo rehetra nandray anjara taminny fanatontosana ity bokikely ity.
Voalohany aminizany ireo mpiompy tantely eto aminny faritra Analamanga,
nanatontosa ny andrana sy nanaiky nizara izany ka novelabelarina ato anatinity bokikely ity.
Ireo teknisianina sy ny manam-pahaizana manokana, tao ny mpahay ny zavamaniry, ny tantely, ny bibikely, sns., izay nandray anjara taminny fanamafisana ny jery ara-teknika ho anireo andrana natao sy nanome ny antotam-pahalalana momba ireo akora nampiasaina.
Ny fandaharanasa SAHA, Sahanasa Hampandrosoana ny Ambanivohitra,
nanao tan-tsoroka ara-teknika ny tetikasa fanadihadiana niaraka taminny
CITE.
Sy ireo maro tsy voatanisa nandray anjara taminny fikaroham-baha-olana
aminny ady aminny kongonny tantely.
Sasin-teny
Anisanny Faritra mpamokatra tantely eto Madagasikara Analamanga. Mpiompy, mpanelanelana, mpanodina manodidina ny 2 000 no voakasiky ny sehapihariana eto aminny Faritra.Taminny taona 2007 dia nahatratra 166 Taonina
ny vokatra avy eto Analamanga izay nametraka azy taminny laharana faha-7
raha ny seha-piharana tantely eto Madagasikara no resahana.
Olana iray lehibe sedrainny seha-pihariana Tantely eto Analamanga ankehitriny ny fisianny aretina varoazy, aretina vaovao, hita teto aminny faritra
taminny taona 2009. Mandripaka ny tantely ny varoazy ary mahatonga ny
fitotongananny vokatra. Maro noho izany ireo mpiompy voatery nitsahatra
taminny fiompiana tantely.
Manoloana io zava-misy io dia napetraky ny FERAM, vovonam-pikambanananny mpiompy tantely eto Analamanga, ho laharam-pahamehana ny fikatsahana fiaraha-miasa aminireo rafitra mpanohana mba hitadiavana vahaolana
mahomby hiadiana aminny varoazy. Vaindohan-draharahanny fikatsahana
fiaraha-miasa aminireo rafitra mpanohana.
Ny tetikasa Fanomezana lanja sy fampiroboroboana ny fikarohana nataonireo
mpiompy tantely mahakasika ny ady aminny varoazy dia notanterahina tao
anatinny fiaraha-miasanny federasiona taminny Fandaharanasa SAHA. Ity
tahirin-kevitra ity dia vokatrizany fiaraha-miasa izany izay marihina fa nahazo
ny tohana ara-teknika avy aminny ONG CITE.
Teny fampidirana
Mirakitra ireo fikarohana nataonny mpiompy tantely tao aminny distrikani
Manjakandriana ity tahirin-kevitra ity.
Mizara 3 lehibe ny tahirin-kevitra. Ny fizarana voalohany dia manome angombaovao mahakasika ny varoazy sy ny fihitarany teto aminny Faritra Analamanga. Ao aminny fizarana faharoa kosa no itrandrahana ireo fikarohana nataonny mpiompy. Ny fizarana fahatelo dia manome toro-hevitra ho anireo
mpiompy sy ireo rehetra te-hiroso lalindalina aminny fikarohana.
Araka izany, miantefa aminny sokajinolona 2 miavaka tsara ny tahirin-kevitra :
(i) ireo mpiompy izay hahazo fahalalana sy toro-hevitra iadiana aminny varoazy; (ii) ireo mpikaroka izay afaka mitrandraka ireo voka-pikarohanny mpiompy
aminny asa fikarohana izay ataony.
Ny aretina varoazy
Mombamomba ankapobeny
Ny varoa dia bibikely mpanimba tafiditra teto amintsika taona vitsy izao. Efa
tany aminny taona 1950 no nahitana ny varoa, antsoina hoe Varroa Desrtructor tany aminny kaotinanta Azia. Ny taona 1966 no nambara ofisialy ny
maha biby manimba azy sy ny loza aterany. Rehefa niparitaka tany Eoropa
izy ny taona 1970 dia tonga teto amintsika ny taona 2010.
Bibikely mivelona aminny ranny renitantely ny varoa, ary manatody sy mitombo haingana mihoatra ny fitombonny renitantely. Azo lazaina ho toy ny karazana kongona na hao izy io, miloko mena matroka manompy volontany,
mirefy 1,1 hatraminny 1,2 mm ny halavany ary 1,5 hatraminny 1,6 mm ny
sakany, izany hoe toy ny loha-paingotra ny habeny. Rakotra volo madinika
ny vatany ka ireo no hahafahany miraikitra aminny vatanny renitantely.
Hatraminizao dia mbola tsy hita izay fanafody tena mahomby hamonoana ity
bibikely mpanimba ity.
Kongona na hao no azo ilazana ny varoa, miloko mena matroka manompy volontany, ary
mirefy 1,1 hatraminny 1,2 mm ny halavany ary 1,5 hatraminny 1,6 mm ny sakany, izany
hoe toy ny loha-paingotra ny habeny.
ary rava ireo andiany. Ho anny sakivy sy ny olitra tantely kosa dia maty ankaranany ny ankamaroanizy ireo ary izay foy dia matetika ahitana fahasamponana.
Ny fiparitaky ny Varroa
Nosintonina avy taminny sarin-tany nataoni James D. Ellis sy C.M. Zettel Nalen, Oniversite Florida, ary nampiana ani Madagasikara, 2010
Efa nisy ny drafitra fiarovana izay namoahana lalna hifehezana ny fiparitahanny aretina any aminireo faritra hafa , indrindra fa any aminireo toerana
heverina hamokarana tantely haondrana.
Fiantraikanny aretina
Tsy mbola nisy antontanisa mazava navoaka taorianny nidiranny aretina varoazy, saingy ny taham-pahafatesana ambony dia ambony hita teo aminny
renitantely teto aminny faritra sy ny vokatra azonireo mpiompy dia nahafahana nilaza fa nitotongana ny habetsaky ny vokatra ary nihena nanaraka izany
ny vola niditra taminireo mpiompy. Ireto avy no voka-dratsy misongadina :
Mihena ny vokatra tantely avy aminny faritra mpamokatra, ka hanaraka
anizany koa ny vokatra ankapobeny,
Ireo mpiompy madinika dia ho voa mafy tokoa satria dia fotoana fohy
ihany dia ripaky ny varoa ireo andian-tantely vitsy sy mivangongo aminny
toerana iray,
Sarotra ny famatsiana andian-tantely satria efa tsapa aminizao fotoana
izao fa ireo tantely anala dia efa voa ihany koa,
Eo aminny tsena dia hiakatra ny vidinny mamintantely,
Mila fanaraha-maso entitra kokoa ny fiompiana vao mety hahomby,
Aminny ankapobeny dia hisy fiovana lalina ny seha-piharina fiompiana tantely.
Varahina
(Macaranga madagascariensis)
Ampangandrano
(Mammea Madagascariensis)
Voandelaka
(Melia azedarach Linn.)
Borona
(Sapium melanosticum)
10
Vahona
Ampangabe
(Aloe macroclada)
Zava-maniry ampiasaina aminny fit- Tsy mbola misy tahirin-kevitra mahakasika azy.
saboana ny vavony
Consoude
Ranomena ( )
(Symphytum officinale)
Ny ranomena dia efa nampiasaina
Ampiasaina aminny famonoana bibihatraminizay hamonoana bibikely.
kely mpanimba ny voly
Thym
Tongolo lay
(Thymus vulgaris)
4
1. Mokaranana
2. Consoude
3. Ampangandrano
(Allium sativum)
(Nicotiana tabacum)
6
4. Thym
5. Voandelaka
6. Vahona
11
Vahimaimbo + mokaranana
Ampangandrano
Sevavavy
Vahona
Lohamenaka Thym
Ampangabe + consoude
10
11
Ady Gasy N1
Voandelaka, Mokaranana, Varahina
Ravina voandelaka fehezana 20 sm
Mokaranana fehezany 20 sm, halavany 20 sm
Totoina miaraka ny ravina voandelaka sy mokaranana
Tapohana rano 1 litatra ny fangaro
Avela hilona eo aminny adinny iray eo ho eo
Afafy anatinny tohotra ka haparitaka manaraka ny kadira
12
Ady Gasy N2
Sevavavy
Esorina ny saronny kadira
Asisika ao ny ravina seva vavy (efa somary antitrantitra ) ka rehefa mikasoka aminio ravina io ny tantely dia mihitsana ny varoa mamikotra aminy
Atao indray mandeha isan-kerinandro mandritra ny 21 andro
Asiana takelaka misy menaka miraikitra aty ambany mba hitatazana ireo
varoa sy tsy ahafahany mihetsika intsony rehefa latsaka
Traitement Flash, izany hoe atao manelanelana ireo fampiasana fanafody
hafa.
Izay samy nanao azy daholy ireo tantsaha :
Guy RAJAONARISON
Samoelina RAKOTOMANGA
Ady Gasy N3
Thym, Tongolo gasy
Maka ranona thym atsasaky ny sotro
Afangaro aminny ranona tongolo gasy atsasaky ny sotro
Maka baoritra kely dia atete aminizany ny fangaro
Apetraka any aminny fanambaninny tohotra na ambony ny kadira ny
baoritra kely misy ilay fangaro
Soloina isaky ny 15 andro
Samoelina RAKOTOMANGA
Mpiompy tantely
Anjepy, Manjakandriana
Mpikambana ao aminny Union Tantely Mamy
033 04 122 27
13
Ady Gasy N4
Paraky gasy (tsy misy laro), Diloilo coco, Savoka tantely
Maka diloilo coco 450 g
Ampiana savoka 170 g
Ampangotrahana dia andrasana mangatsiaka ny fangaro
Avela hangatsiaka
Rehefa mangatsiaka ny fangaro dia araraka ny paraky roa sotro lehibe sy
tapany
Maka baoritra kely 15 sm x 3,5 sm dia hosorana aminny andaniny roa
Atsofoka anelanelanny kadira
Tolotra RAKOTONDRASOA
Mpiompy Tantely sady mpampianatra mpikaroka
Mipetraka ao Anjanahary Antananarivo 101
032 42 687 28
Hampahomby ny paika
Ny fampiasana fanafody
Toy ny fitsaboana rehetra, ny fahombiazanny fiadiana aminny kongonny tantely dia miankina : aminireo singa ao anatinny akora - ny fatranny fanafody
ampiasaina - ny faharetanny fampiasana ny fanafody - ny fotoana hampiasana azy. Ity fizarana farany ity dia torolalana ho anireo mpiompy-mpanandrana
mba hahatsara ny fampiarana.
14
15
Tahanny aretina
Isanny varoa miohatra aminny isanny renintantely :
Tahanny aretina = Isanny varoa Isanny renintantely
16
Fanamarihana ankapobeny
Rehefa tafiditra anaty ny tohotra ny varoa dia tsy voaala intsony ! Izany dia
satria tsy maintsy hisy vanim-potoana tsy anaovana ny famonoana ny varoa,
indrindra mandritra ny famenoanny tantely mamin-tantely, izay fotoana koa
mampitombo isa ny kongona.
Ny zava-dehibe dia ny fahafahanny tantely miaina miaraka aminny varoazy,
noho izany dia misy ny taha farany ambany aminny isanny varoa anaty tohotra iray (mihoatra ny 5 % fa arakaraka ny tanjaky ny andian-tantely sy ny
fahabetsahanny sakafo).
Arakizany dia tsara raha manaraka toro-llana tsotsotra isika mpiompy mpanao fanandramana :
Tokony havaozina isaky ny telo taona faranny ela ny mpanjakany. Ny antony dia mihena ny isanny zana-tantely ateraky ny mpanjaka manomboka eo aminny faha-telo taona ka .
Tsinjovina ny sakafonny tantely mandritra ny fotoana tsy fisianny vovombony. Azo atao ny mamahana azy mamintantely na ranon-tsiramamy mba
hampantanjaka azy.
Tsara raha misy ilay fanambaniny afaka miala ka voasarona vy makarakara madinika (grillage) aminny tohotra. Ny renintantely dia manilika araboajanahary aminny hetsika ataony sy aminny elany ireo kongona manelingelina azy ka ny karakara vy dia manakana ireo tantely tsy hidina any
aminny fanambaninny tohotra ka hitondra ny varoa hiverina.
Rehefa ireto fepetra ireto no tanteraka dia azo lazaina fa mahomby ny andrana:
Miasa tsara ireo renin-tantely , tsy mihena be ny vokatra azo ;
Maro ireo sakivy foy ara- dalana, tsy maty an-karanany ;
Miverina aminny toetrany teo aloha ny tantely, ohatra miverina masiaka
izy ;
Tsy ahitana tsy fahatomombanana ireo zanan-tantely foy, ohatra elatra
fohy na kibony mihafohy, ireo toetra ireo koa dia mety hita aminny renintantely .
17
Teny famaranana
Maro tokoa ireo antontam-pahalalana momba ny kongonny renitantely noho
izy efa ela no niparitaka maneran-tany. Saingy ilaina ny fahafantarana ny mampiavaka ny varoa rehefa nizatra ny toe-tany sy ny toetoetranny tantely eto
Madagasikara izy ireo.
Mandraka ankehitriny mantsy dia mbola tsisy nahita fanafany tena mahomby
tanteraka. Noho izany, hatreto, dia tsy misy hafa tsy ny fahalalana sy fifehezana ny rindram-piainanny renitantely, ny fahafantarana ny kongonny tantely,
ary ny fifampiankinanireo, no hany hitsimbinana ny fiompiana.
Ity boky kely ity dia anjara-biriky kely dia kely entina nanaitra sy niantso ireo
mpisehatra aminity seha-pihariana iray ity.
18
Fanazavan-teny
Andian-tantely
(colonie)
Kadira
(cadre)
Lahin-tantely
(faux bourdon)
Mamin-tantely
(miel)
Mpiremby
(ouvrire)
Papin-tantely
(Gteau de miel)
Renin-tantely
(abeille)
Sakivy
(couvain opercul)
Tohotra
(ruche)
Varoa
(varroa)
Varoazy
(varroase)
19
Bibliografia
Charrire Jean Daniel et Imdorf Anton, Centre Suisse de Rechrches Apicoles, 2003,
Mthodes de lutte alternative contre le varroa.
Frdric & Eshter RANDRIAMAMONJY, Anaranny biby sy zavamaniry fahita andavanandro, Edisiona SALOHY, 1977, 262 p.
Institut de recherche de lagriculture biologique (FiBL), 2010, Matriser la varroase en
apiculture biologique, n comm. 1531, Edition Suisse.
Jean Paul FAUCON, 2003, La varroase, Revue lLa sant des abeilles n194.
Mamisoa Raymond, Contribution ltude physico-chimique de la plante Buddleia
Madagascariensis (logagniaceae), Facult des Sciences, Universit dAntananarivo,
2005, 71 p.
Ranakolona Julien, Randriamananoro Jean Joseph, Ndeh hamokatra sy hivarotra
mamintantely manara-penitra, CITE, 2004, 29p.
Ricodeau Michel, 2008, Traitement de la varroase
Sania Mahamodo, Contribution ltude chimique des feuilles de Mammea Madagascariensis DC. (clusiaceae), Facult des Sciences, Universit dAntananarivo, 2007,
88 p.
Sebastien, Lucien, Paul WENDLING, 2012, Varroa destructor, un acarien ectoparasite de labeille domestique Apis mellifera Linnaeus, 1758. Revue bibliographique et
contribution ltude de sa reproduction
Solofoniaina Marcellin, Etude chimique et cytotoxique de Macaranga sp. (euphorbiaceae), Ecole Suprieur Polytechnique, Universit dAntananarivo, 2011, 62 p.
Wendling Sbastien, Revue bibliographique et contribution ltude de sa (varroa
destructor) reproduction, Fac. Mdecine de Crteil, 2012, 189 p.
Yvon Cabanis, Lucette Chabouis et Francis Chabouis, 1969, 1970, Les vgtaux et
groupements vgtaux de Madgascar et des Mascareignes, Tomes 1, 2, 3, 4.
Zafirobson Michael Aymard, Contribution ltude chimique et biologique de Melia
Azedarach L. (meliaceae), Facult des Sciences, Universit dAntananarivo, 2008,
69 p.