Vous êtes sur la page 1sur 3

Ny fon- dreny tsy mitanila, fa tena afaka !

HAINY DIA HAINY NY MANEHO NY ANGOTINY.

Zahay mianakavy dia maniry, Anao ho sambatra!

Zahay mianakavy tsy hivilivily; ary koa hivavaka

Ny fon- dreny tsy mampifila, fitia miraradraraka!

Ny fon- dreny dia manakaiky, iza no tsy hanahaka..

Raha tsy izany ve tsy ho taraiky, lay vady aman- janaka!

Ka saro- piaro ny Dadanay!!!!

He zany sainy, masiaka sady sarotiny!!!!

Zaho mahatsiaro fa hoe tena milay!!!!!

Zahay mianakavy mampahery mirary soa Anao!!!!

NY TOMPO TSY HAMELA HO IRERY AMIN IZAY REHETRA ATAO.

KIBO NIFONOSANA

O! ry kibo nifonosana, zary dobo nilomanosana !

Tao aho no nitombo ..sy niha lehibe !

Notahafiko hatramin ny tarehy !

Ny ranao no rako tamin ny zay ,

Nifaningatra aina tena iray..

Zay mahatsara ahy no tsy maintsy atao!

Niova hatramin ny fombafombanao

Tsy mba volana iray na roa !!!!!

No nitondranao ny mavesatra!!!!

Alina maraina vao mifoha !!!!!


Zao foana no ambetin- dresaka:

Ity zanako ity hanao ahoana moa?

Ity zanako hanao ahoana moa ?

Ity zanako ity, hanao ahoana moa?

Ity zanako hanao ahoana moa

Vita ihany ny sivy volana ,

Tonga ny ora hanolorana

Tsy fantatro akory ny fahorianao

Inona no havaliko izao !!!!!

Eny ady farany ity:

OH ampio ry TOMPO BE FITIA!!!!!!

Tsy fantatro akory; ny fahorianao

Inona no havaliko izao!!!!!

Dia nisaotra an ANDRIAMANITRA!!!!!

Tody soa isika mianaka!!!!!

Nefa ny asa masinao tsy niato teo,

Fa mitohy indray teo noho eo!!!!

Fa hitrotro sy hitantana

Hanabe ny tena ,fo, fanahy!

Na dia loa- jafy tsy hisy farany ,

Manasoa ireo taranany!!!!!

IZA NO TSY HITENY!

Iza no tsy hiteny hoe : tsy misy zava- banona !

Raha vao tsy eo kely I Neny! Sa tsy izany ry anona!

Firy no efa nilaza ; nilaza tsy anontaniana

Koa ndeha hiara hankalaza! Fa I neny anie lay tena tiana.


NENY LOHARANO IPOIRANA

IZY NO MIKARAKARA SY TENA SAHIRANA

NENY!!!! TSY HAIKO VALIANA

REO ROTSY SY TAMBITAMBY

FAMPATORIANA

Na I DADA aza mitady ka miantso hoe NENY

Tsy sahy manitatra ady, soa dia tsy omeny

Omeny tsikim- pitia, toky, tambitamby!!!!!

Manahy sao sanatria ,hoe: mampamangy.

Vous aimerez peut-être aussi