Vous êtes sur la page 1sur 13

TARATASIN’I PAOLY APOSTOLY

HO AN’NY KRISTIANINA TAO LAÔDISEA


voaray avy amin’ny feo ao anaty
ary noraiketina an-tsoratra
tamin’ny alàlan’i JACOB LORBER

TENY FANOLORANA

Voalaza ao anatin’ny Epistily ho an’ny Kristianina tao Kôlôsy ny taratasin’i Paoly Apôtstôly
ho an’ny Kristianina tao Laôdisea, izay mitondra hafatra lehibe ihany koa ho an’ireo Kristianina tao
Kôlôsy. « Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity taratasy ity, dia asaivo vakiana ao amin'ny Eglizy ao
Laôdisea koa ; ary vakionareo kosa ilay avy any Laôdisea. » (Kôlôsianina 4 :16)

Kanefa dia very maina ireo ezaka mitady an’io taratasin’i Paoly ho an’ny Kristianina tao Laôdisea
io ao anatin’ny Testamenta Vaovao. Mandraka ankehitriny, na dia nisy hatrany aza ireo fikarohana
tsy tapaka momba izany, dia tsy maintsy noheverina ho toy ny very io taratasy io. Noezahina ihany
ny nampifandraika ny Epistily ho an’ny Kristianina tao Efezy tamin’io taratasy ho an’ny
Kristianina tao Laôdisea efa very io, kanefa tsy mitombona mihitsy izany petra-kevitra izany satria
“tsy afaka azavaina na amin’ny fomba ahoana na ahoana ny nanjavonan’ny adiresy hoe Laôdisea,
ka nanjary niova teny an-dalàna ho taratasy ho an’ireo Efesianina.” (P. Feine, Introduction au
Nouveau Testament)

Io taratasin’i Paoly izay very io, dia noraiketin’i Jacob Lorber tamin’ny taona 1844 tamin’ny
alàlan’ny feo ao anaty. Mpaminany voatsodranon’ny Tompo i Lorber, mifanaraka amin’ny
tantaran’ireo Mpaminany tamin’ny Fifanekena taloha sy ireo zava-miafina misy any amin’ny
firenena tandrefana.

Mahaliana ny mampitaha ny dikasoratran’ny taratasy ho an’ny Laôdiseanina naverina


nomena izao sy ireo taratasin’i Paoly Apôstôly voarakitra ao amin’ny Testamenta vaovao raha
dinihana ny fitovian’ny fomba fiteny. Raha jerena amin’ny fo tsy miangatra izany, dia tsy maintsy
hiaiky ireo mpanenjika izay nandà an’i Lorber fa mitoetra ao anatin’izao Taratasy izao ny afom-
panahin’i Paoly izay mirehitra amin’ny fara-firehetany sy tsy misy hosoka.

Amin’ny alàlan’ny fandinihana vitsivitsy, dia mety hazava ao an-tsaina ny antony nanilihan’ireo
mpampianatry ny Eglizy sy ireo Pàpa tamin’ny fiantombohan’ny « Moyen-Age » izao taratasy izao
tsy ho anisan’ireo soratra masina ao anaty Baiboly. Mitovy amin’ireo Kôlôsianina, ireo
Laôdiseanina ihany koa dia nivadika tamin’ny maha-Kristianina tena izy notarihin’ny Fanahy azy,
ho amin’ny fombafomba maha-Kristianina nataon’ny Eglizy, izay notoherin’i Paoly mafy tao
anatin’ny taratasiny. Ny Eglizy tamin’ny fiatombohan’ny « Moyen-Age » dia mety nahatsapa ho
fanamelohana ireo fironany manokana hanaraka ny toetrandro izao taratasy izao, ary noho izany dia
mety nahiliny avy hatrany izy io.

Tsy azo atao tsinotsinona mihitsy izao taratasy efa tsy hita nandritry ny taonjato maro izao,
ary atolotra feno ho an’ny olona indray, amin’ny fomba tsotra ary mifanaraka amin’izao
vaninandro mialoha ny fiposahan’ny masoandro vaovao izao. Enga anie mba hipariaka betsaka sy
hanampy ny fihavaozan’ny fiainam-pivavahana manerana izao tontolo izao amin’ny ankehitriny
izy io. « Avy ny andro, ary efa amin’izao ankehitriny izao izany hideran’ireo izay tena tia Azy ny
Ray amin’ny alàlan’ny fanahiny sy am-pahamarinana, satria te-hanana mpitia Azy toy izany ny
Ray. » Jaona 4 : 23

Otto Zluhan
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 1 amin’ny 13
TOKO VOALOHANY

1 Paoly, Apôstôlin’i Jesoa-Kristy noho ny sitrapo sy ny fahasoavan’Andriamanitra, ary ny


rahalahy Timoty,

2 ho an’ny vondrona masina ao Laôdisea sy ho an’ireo rahalahy rehetra mino an’i Jesoa-Kristy
ao am-pony sady ao anatin’ny fahendrena noho ny Fanahin’ny Tompo. Ny fahasoavana sy ny
fiadanana marina ao amin’ny Tompo Raintsika, anie, hitoetra ho aminareo amin’ny alàlan’i Jesoa-
Kristy Tompo !

3 Tsy mitsahatra ny misaotra sy midera ary mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa-Kristy


Tompontsika izahay. Manahy mafy ny aminareo ary mivavaka tsy an-kiato amin’ny Tompo ho
anareo.

4 Satria fantatray noho ny Fanahin’ny Tompo, tamin’ny alàlan’i Epafrasy sy Nimfasy fa


solafaka amin’ny zavatra maro ianareo,

5 fa nifampifidy eveka sy klerje ianareo, mikasa hanao an’i Kristy ho sampy, ary nanangana
tranovato sy andro iray manokana ary fitafy marevaka,

6 tahaka ny sasany amin’ireo mpanompo sampy sy jiosy tamin’ny andro mbola nanan-danja teo
imason’Andriamanitra ny famoràna ny nofo izay nampanaoviny tamin’ny andron’i Abrahama ho
famantarana hita maso ny famoràna ny fanahy amin’ny alàlan’i Jesoa-Kristy ao anatinareo.

7 Ampahafantariko anareo ankehitriny izany mba hahatakaranareo ny ady tsy maintsy iaretako
noho ianareo izay efa nahita na mbola tsy nahita ahy mivantana,

8 mba hisitaka mafy ao anatin’ny fonareo ianareo ka mba ho afaka handray an-tànana indray ny
fitiavanareo izay itoeran’ny harena avy amin’ny fahendrena azo antoka ho fahafantarana ny
tsiambaratelo lehiben’Andriamanitra, ilay Raintsika, amin’ny alàlan’i Jesoa-Kristy,

9 Izy, ilay mitahiry miafina amin’ny Fanahy ireo harena rehetra avy amin’ny fahendrena sy ny
fahalalana velona.

10 Miantso anareo aho noho izany mba tsy hisy olona hahasarika anareo amin’ny lahateny
mahasondriana sy tsara rindra ary ny fandinihan’ireo mpanompo sampy.

11 Eny, ny biby ihany koa dia mba manana ny fiheviny izay mitovy amin’ny fandinihan’ny
mpanompo sampy, ireo izay manao sorona ho an’ireo sampy maty !-

12 Voavidy tamin’ny fahafatesan’ilay Tokana ianareo mba ho amin’ny fiainana maharitra


mandrakizay ao amin’Andriamanitra Ray ; koa ahoana no ahafahanareo indray mampitodika ny
fonareo amin’ny fanahin’ireo maty, ny fonareo izay efa lasa fonenan’ny Fanahy masina ?!

13 Raha tsy miaraka aminareo aho araka ny nofo, dia miaraka aminareo lalandava kosa araka ny
fanahy amin’ny alàlan’ny herin’i Kristy ato amiko ka mahita ny finoanareo sy ny asanareo.

14 Noho izany antony izany no tiako hisintonana sy hanoroana indrindra anareo, ry rahalahy
isany, amin’ny fomba naha-latsaka ny sasany aminareo ao anatin’ny hadalana lehibe. Fantatro ireo
antony ivelany nahatonga izany ary fantatro izay tadiavin’izy ireo.

15 Tazomy hatrany i Jesoa-Kristy araka izay noraisinareo sy nekenareo avy amiko, dia handeha
araka ny Evanjely izay notoriako anareo ianareo,

16 hanana fototra matanjaka ao amin’izany ianareo ka tsy ho azo hozongozonina ao amin’ny


finoana araka izay nampianarako anareo tamin’ny alàlan’ny fanahin’ny Jesoa-Kristy Tompontsika,
ilay zanak’Andriamanitra velona sy manjaka eo ankavanan’ny Ray ho amin’ny mandrakizay.
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 2 amin’ny 13
17 Araka ny tadiavinareo ankehitriny sy izay notadiavinareo taloha, dia manjary fahavalon’i
Kristy sy ny Tenin’Andriamanitra ianareo !-

18 Inona àry no tadiavinareo ? Tianareo ve ny hiverina ho andevo sy ho mpanompo be fahatany


ny lalàna sy ny ota ary ny fahafatesana izay nanafahana antsika tamin’ny alàlan’i Jesoa-Kristy ?

19 Henoy aho ! Efa nolazaiko taminareo : Mitandrema fatratra ianareo sao voasarika sy
voarombaky ny fahendren’izao tontolo izao ary ny fampianarana tsy ahazoam-bokany, avy amin’ny
sasany aminareo izay matahotra kokoa ireo romanina sy jiosy jamba, mihoatra noho ny Tompo
mpanjaka izay nanafaka antsika ary namorona antsika sy ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra
rehetra !

20 Nandritra ny fotoana naha-teo ahy niaraka taminareo, dia nanontany ahy ireo Hendry izay
mandeha araka ny hevitr’izao tontolo izao, ny zavatra maha-samihafa misy eo amin’Andriamanitra
sy ny zanany dia i Jesoa-Kristy. – Dia nandray fitenenana aho ary nolazaiko azy ireo :

21 « Henoy ry rahalahy isany ! Andriamanitra dia tokana ary i Kristy dia tokana. Eny, raha
tokana Andriamanitra, dia Kristy tokana ihany koa no misy. Inona no maha-samihafa
an’Andriamanitra sy i Kristy, hoy ianareo ? – Andriamanitra no Fitiavana ary i Kristy no fahendrena
ao amin’Andriamanitra, na koa ny hoe fahazavana, ny fahamarinana, ny làlana ary ny fiainana
maharitra mandrakizay !

22 Mitoetra manontolo ara-batana ao amin’i Kristy ny fahafenoana amin’ny maha-Andriamanitra


rehetra ary lavorary isika ao Aminy ; Izy no fototra sy lohan’ny hatsarana rehetra sy ny tanjaka
rehetra sy ny hery rehetra ary ny fahefana rehetra ety an-tany, ary Izy no andriana amin’ny
fiandrianana rehetra eto an-tany. »

23 Raha izaho, Paoly, no milaza izany aminareo noho ny fanahy sy ny fahamarinana, ahoana no
hanekenareo ho voafitaky ny fampianaran’olombelona sy ny fitsipik’izao tontolo izao ?!

24 Noforaina ianareo, tsy tamin’ny tànana na zava-maranitra, fa tamin’ny Fanahy masina satria
nilaozanareo ny fiainanareo feno fahotana izay nifaka mafy tao anatin’ny nofon’ny vatanareo ! Izany
tanterakareo izany no famoràna tena izy sy velona amin’ny alàlan’i Kristy !

25 Eny, ho an’izao tontolo izao, dia efa nalevina niaraka tamin’i Kristy ianareo tao anatin’ny
nofo mpanotanareo noho ny batemy tamin’ny Fanahy masina, ka nitsanga-ko velona ho olom-
baovao taorian’izany, noho i Kristy tamin’ny alàlan’ny finoana velona sy ny fitiavana Azy.

26 Inona àry no mbola tadiavinareo any amin’ny famoràna efa tonta sy efa nilaozana ? Inona no
tadiavinareo ao anatin’ireo fombafomba efa tsy misy lanjany intsony? Taloha i Kristy no tao, fa
nitsanga-ko velona kosa Izy ary noho Izy dia nitsanga-ko velona ihany koa Isika. Inona no
tadiavinareo amin’ny Sabata raha toa ka niasa isan’andro i Kristy sady mbola manohy izany ary
nanao ny andro rehetra ho andron’Andriamanitra ka tsy nankalaza ny Sabata !?

27 Fantatro ianareo, ka lazaiko anareo izao : i Kristy, araka ny maha-Kristy azy, dia te hahantra
ety an-tany, nefa ianareo kosa dia mitady volamena ! Izany no mahatonga anareo maniry hanana
tranom-pivavahana, sy andro fety iray manokana ary fitafy marevaka !

28 Milaza toy izao ianareo : Tamin’ny alàlan’i Kristy zanany, dia tsy nanafoana velively ireo
lalàn’i Moïzy Andriamanitra fa vao mainka aza nanamafy orina azy ireo tamin’ilay fanasana indray
hariva farany : ka ilaina noho izany ny fanatanterahana ny fombafomba fanaovana sorona.

29 Kanefa, izaho Paoly, izay apôstôly marina ao amin’ny Tompo, voafidin’Andriamanitra, ary
feno ny fanahin’Andriamanitra ! Nahoana àry no tsy natoron’ny Fanahin’Andriamanitra ahy izany,
kanefa taloha aho dia andevo sy mpanompon’ny Tempoly nahafatra-po lavitra noho ianareo ?!

30 Fa tiako hotenenina anareo ankehitriny : tamin’ny fotoana namohazan’ny


Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 3 amin’ny 13
Fanahin’Andriamanitra ahy, nony teny an-dàlana ho any Damasy aho mba hanenjika ireo vondrona
vaovaon’i Kristy, dia nahatsinjo mialoha an’izao – tao anatin’ny fahajambako ihany – fa ny Tompo
dia te ho ankalazaina sy ho tiavina amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ary na ohaviana na ohaviana
tsy ho amin’ny fomba-pankalazana mandrakizay !

31 Eny, tao anatin’ireo izay antsoin’Andriamanitra ho amin’ny asany, dia tsy nisy hafa navariny
ho jamba toa ahy, fa nilaina ho jamba aho aloha mba ho very izay rehetra azoko avy amin’izao
tontolo izao ka ho tonga kely indrindra amin’ny mpanompony aorian’izany irery ihany !

32 Inona no antony tsy maintsy nahatonga ahy ho jamba aloha ? Satria ny tenako iray manontolo
dia efa tototra tao anatin’ireo fitaovana nampiasaina tamin’ny asan’ny Tempoly ka tsy maintsy
nohadiana hivoaka tao ny tenako noho izany !

33 Raha toa ka tao anatin’ny fahajambako dia nantsoin’Andriamanitra tsy nampiasainy


fombabomba toy izany aho, amin’ny fomba ahoana moa no hanaovako ny sakafo hariva ho
fankalazana manokana ?!

34 Moa tsy toy izany va no nampianaran’ny Fanahin’Andriamanitra ahy mandrakariva ?! Ireo


izay manana ny fahazavan’ny fijery anefa dia mitazana ny fomba-pankalazan’izao tontolo izao ka
faly noho izany ;

35 fa ho an’ny jamba kosa, izao tontolo izao sy ny fombafombany sy ny fankalazana efa tonta
ataon’ny tempoly ary ireo fitafy marevaka rehetra, dia efa nihelina avokoa !

36 Araka izany, dia hijanona ho fahamarinana mandrakizay ny tsy fiantsoan’Andriamanitra ahy


ho amin’ny fananganana fomba-pankalazana vaovao, fa ho amin’ny fanalàna alahelo kosa (izany
hoe ho fampitrakana) ny fo, izay nanefen’i Satana rojo mavesatra hatry ny aman’arivo taona ;

37 mba hitory amin’ny olona tsirairay ny fahafahana sy ny fiadanan’ny fanahy, ary mba ho
tapaka amin’ny alàlan’i Kristy, Tompo, ny tady nampijaly sy namatotra taloha tamin’ny
fahafatesana.

38 Fa inona moa no ilaivanareo sy ilaivako ny fampianarana, inona no ilaivana ny


Evanjelin’Andriamanitra raha toa ka ianareo izay efa olona afaka no hizotra any amin’ny
fahafatesana taloha indray ?

39 Noho ny fiainana mandrakizay ho anareo, dia mangataka anareo aho mba handaozanareo izay
rehetra nampitondrain’ny fahababoana taloha tany Babela an’ireo jiosy toy ny lova mavesatra !

40 Jereonareo : Ny Tompo dia nanafoana an’i Babela, ilay mpivaro-tenan’izao tontolo izao, satria
izy no nitondra ny fahafatesana tamin’ny firenena maro ! Koa inona no tombony ho anareo raha toa
ka tianareo ho atao Babela vaovao indray i Laôdisea ?! Noho izany, dia ilaozy izay mety hitarika
anareo indray any amin’ny fahavetavetana noho ny fanimbazimbana – araka izay nolazain’i Daniela
(Daniela 11 : 31) tamin’ny fotoana naha-tao amin’ny fitoerana masina azy !

41 I Kristy dia nanangana anareo ho velona raha toa ka maty ianareo noho ny fahotanareo sy ny
loha-tsintsin’ny nofonareo ; navelany ireo ota rehetra vitanareo noho ny tempoly toy ny loha-tsintsy.

42 Nofafainy ny soratra natao tamin’ny rà izay nanameloka antsika rehetra, teraka noho ireo
fitsipik’izao tontolo izao, ka nofantsihany teo amin’ny hazofijaliana ny anarantsika raha toa ka
voasoratra tao amin’ny bokin’izao tontolo izao sy ny bokin’ny fitsarana ary ny bokin’ny
fahafatesana izany teo aloha.

43 Nahoana indray àry ianareo izao no te-handray izany soratra natao tamin’ny rà izany, izay efa
nofafan’Andriamanitra Izy tenany mihitsy ka nofantsihany teo amin’ny hazon’ny fitsarana,
hazon’ny henatra sy ny ozona ary ny fahafatesana ? Nahoana no tianareo hatakalo amin’ilay anarana
taloha nosoratana tamin’ny rà tao amin’ny bokin’ny fitsarana ilay anaranareo vaovao ao amin’i
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 4 amin’ny 13
Kristy ?

44 He ! Izato ianareo ry adala sy jamba izay mahavita ny karazana hadalana rehetra ! Tonga
olona afaka ianareo noho i Kristy kanefa te-hiverina ho andevo sy ho mpanompon’ny ota sy ny
fitsarana ary ny fahafatesana ! Tsy renareo angaha fa voaozona izay voafantsika eo amin’ny
hazofijaliana ?!-

45 I Kristy dia nandray ho amin’ny tenany ny asanareo mamoafady, ny zava-mahamenatra


vitanareo, ny otanareo sy ny fitsarana natao ho anareo ary ny fahafatesanareo. Toy ny olo-meloka,
dia nanaiky ny hofantsihana teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanolorana ho an’ny rehetra ny
fahafahana feno eo anatrehan’Andriamanitra ary mba hizorantsika ao anatin’ny voninahitra, ka
nalainy teo amin’ny hazofijaliana avokoa ireo zava-mahamenatra sy mamoafady vitanareo.

46 He ! Inona no nahasodoka anareo, ianareo izay tonga olona afaka noho i Kristy, kanefa mitady
hiverina amin’ny fahafatesana indray ankehitriny ?!

47 Amin’inona no afaka hanoharako anareo ka ahafajhako mikasika ny fonareo toy ny tifitra


mahitsy mahatratra ny tanjony ?- Eny, mitovy amin’ny mpivaro-tena eny an-tokontany izay
mipetraka eny an-tanàna ianareo, kanefa dia zanakavavy tsara fiaviana.

48 Henoy aho ary ampidiro ao an-tsainareo izany ! Inona no ilaivana ny fiaviana tsara ho an’ny
mpivaro-tena raha toa ka mientanentana toy ny osivavy ho atavezina ny nofony ?

49 Moa tsy hihazakazaka eraky ny efitraony va izy noho ny fanjaitra manindrona ny nofony, moa
tsy hanondrika ny antsasaky ny vatany indraindray eny amin’ny varavarakely iray, indraindray eny
amin’ny varavarakely hafa va izy, ka moa tsy hiraikiraiky etsy sy eroa va ny fijeriny mba hitazanany
izay nandrehitra sy nampientanentana toy izany ny nofony ?!

50 Ary nony tazany izany olona izany, dia ho asehony amin’ny alàlan’ny hafananan’ny fijery
izay zavatra tadiaviny, ka ao anatin’ny filàn-dratsiny dia hanota miaraka amin’io lehilahy io izy
impolo mihoatra noho ny mpivaro-tena miaraka amin’ny tandapa ao amin’ny fandrianan’ny henatra.

51 He jereonareo, ry Laôdiseanina, torak’izany ianareo raha atao sarisary !- Fa mba fantatrareo


moa izay ho ataon’ny mpampiakatra te hangataka amin’ny fo madio ny mpivaro-tena toy izany ho
vadiny, amin’ny fotoana handalovany manoloana ny tranony ka ho tazany izany fientanam-po
mamoafady izany?

52 Ho aloany avy ao am-pony sy avy amin’ny vavany izany vehivavy izany, tsy hojereny intsony
hanomboka hatreo ka hanjary ho tafalatsaka ao anatin’ny fahoriana lehibe indrindra !

53 Toy izany koa no ataon’ny Tompo ho anareo ; eny, nanangana tempoly velona vaovao izay
tokony hiandrasanareo Azy ao am-ponareo Izy, kanefa dia nataonareo tsinotsinona izany tempoly
izany, ilay efitranony, ary atosiky ny fientanam-po mafy ho an’izao tontolo izao ianareo ka
mihazakazaka eny am-baravarankelin’ny fitsarana ary maniry ny hijangajanga miaraka amin’izao
tontolo izao noho ny volamena, ny fiseho ivelany sy ny fitiavam-pahefana izay irianareo fatratra !

54 Lazaiko ho anareo izao : ny Tompo dia hiala aminareo ka hamela anareo ho lavo ao anatin’ny
fivarotan-tena isan-karazany sy ny fitsarana taloha ary ny fahafatesana taloha, raha toa ka tsy
mihemotra dieny izao ianareo ka miala tanteraka amin’ireo olom-piangonana nosafidinareo
samirery, amin’ny tempolinareo sy amin’ny andro fankalazanareo ary amin’ireo fitafinareo
marevaka. Eny, eo anatrehan’ny Tompo dia fahavetavetana avokoa izany, toy ny mpivaro-tena ratsy
fitondran-tena ka ratsy indrindra ao am-pony noho ny mpivaro-tena folon’i Babela. -

Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 5 amin’ny 13


TOKO FAHAROA

1 Manaraka izany, dia aza manaiky ho fitahin’iza na iza ianareo, na eveka izany na pretra tsy
voaantson’Andriamanitra, na ho amin’ny androm-pankalazana, na ho amin’ny sabata taloha, na koa
ho amin’ny fankalazana ny tsinam-bolana taloha,

2 na ho amin’ny tempoly, na ho amin’ny fomba-pankalazana ny sorona sy ireo fitafy marevaka,


na ho amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro !

3 Ataovy ho amin’ny antonony ny fisotro sy ny fihinanana, - tsara ho an’ny fanahy (esprit) sy


ny ambiroa (âme) ary ho an’ny vatanareo izany, sady mahafinaritra ny Tompo ihany koa ;

4 fa raha misy olona milaza sy mananatra ary manambara aminareo toy izao hoe : « Izao sakafo
izao sy izao dia tsy tokony hohanina satria maloto araky ny lalàn’i Moïzy ! »

5 dia toy izao no havaliko ho anareo : Moïzy sy ireo mpaminany dia nolavorariana sy
nohafahana tamin’ny alàlan’i Kristy ; ny Tompo dia tsy nandrara antsika sakafo na inona na inona
satria na Izy aza niaraka nihinana sy nisotro niaraka tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra

6 ary nanambara toy izao Izy : « Tsy izay hohaninareo no mandoto anareo fa izay mivoaka avy
ao am-ponareo, - toy ny teny ratsy, ny fanirian-dratsy, ny fitiavam-bola, ny fialonana, ny
famonoan’olona, ny fahatezerana, ny fihinana mihoatra sy ny fahatendana, ny fandehanana amin’ny
filàn-dratsy sy ny fijangajangana ary ny zavatra rehetra mitovy amin’ireo, - izany mandrakariva no
mandoto ny olombelona. » (Marka 7 : 14-23)

7 Koa satria naharay Evanjely toy izany isika avy amin’Andriamanitra tokana sy tompon’ny
voninahitra rehetra, dia impiry indray moa isika no hanampatra ny hadalantsika ka hanaiky be
fahatany hitondra ilay zioga taloha sarotra entina ?!

8 Aiza izao ho antsika izay efa efa lasa tena iray miaraka sy noho ny amin’i Kristy, ny alok’ilay
fanambaràna ny faminanina noraisina avy tamin’i Moïzy mahakasika ireo zava-nitranga teo ambany
masontsika ?!

9 Angatahiko ary ambarako aminareo aza izao : Aza manaiky teren’iza na iza ny tanjona aroso
avy amin’ny safidy an-tery, na dia miaraka amin’ny fanetre-tena sy ny toem-panahin’ny anjely any
an-danitra aza, avy amin’ny olona izay mbola tsy nahita na nandre akory ny zavatra mahakasika
izany ! Hipoky ny fihetseham-pon’ny nofony ho amin’izay manahirana azy fotsiny izy ;

10 tsy mijanona eo amin’ny loha izay andraisan’ny vatana iray manontolo ny heriny amin’ny
alàlan’ny rantsam-batana sy ny vanin-taolana ary ny fitohizam-batana, sady mampitazona sy
mampitombo hatrany amin’ny halehiben’ny maha-Andriamanitra izany olona izany ;

11 mijanona amin’ny fihetseham-pony fotsiny ihany izy, no feno fahalotoana sy fako, feno
fitiavan-tena, fitaka sy lainga, feno fitiavam-pahefana tsy refesi-mandidy, fitiavam-bola sy
fialonana !

12 Toy izany ny amin’ny olona izay te hanjakazaka eo aminareo ka mitondra tena toy ny hoe
voaantso avy amin’ny Tompo sy avy amiko, ka nosafidinareo ihany koa !

13 Lazaiko aminareo rehetra izao : manana ny fanahin’ny devoly ao aminy izany olona izany ka
mankany aminareo toy ny ambodia mitafy hodi-janakondry sy toy ny liona noana sy mierona, ka
mahavita mandrapaka anareo ao anatin’ny indray mipimaso !

14 Noho izany, dia roahy izao dia izao any amin’ny toerana tokony hisy azy izany olona izany ka
mitodiha indray any amin’i Nimfasy ianareo fa ny tranony dia miombona marina amin’i Kristy !

15 Eny, noho ianareo miaraka amin’i Kristy, dia efa maty ianareo ho an’izao tontolo izao sy ireo
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 6 amin’ny 13
fanjakany, koa inona indray no antony hitadiavanareo ny ho voatazon’ny fanjakan’izao tontolo izao
tahaka ny hoe mbola miaina ao aminy ianareo ?!

16 Ny tranon’ny rahalahy Nimfasy malalako dia nijanona mahatoky amin’ny fahafahana araka
izay fahasoavana nomeko azy tamin’ny alàlan’i Kristy, ilay Tompon’ny mandrakizay.

17 Nahafantatra ilay ambodia i Nimfasy araka ny nahafantarako izany ihany koa tamin’ny
alàlan’ny fanahin’Andriamanitra izay ato amiko sy manohana ahy mandrakariva, ary manosika sy
mampianatra ahy amin’ny zavatra maro ihany koa noho ny fahendrena tokana sy marina eo
anatrehan’Andriamanitra, ary mitovy amin’izany ihany koa ny mahakasika ny rahalahy Nimfasy.

18 Izany no antony amporisihako anareo mba handeha ho any amin’i Nimfasy amin’ny herin’ny
zotom-po tena mitodika ao amin’i Kristy Tompo, ka ho fiombonana miaraka amin’ny tranony indray
ianareo.

19 Aza henoina ireo mody tia fivavahana ka miteny aminareo hoe : « Aza mikasika, na
manandrana, na maka, na koa manao izao sy izao ! » - ho levona eny an-tànana mandrakariva izany
rehetra izany ka mijanona ho fepetra tsy ahazoam-bokany avy amin’ny olombelona

20 fa henoy kosa izay lazaiko avy amin’ny fanahin’i Kristy izay ao anatiko ho anareo, mba
ahafahanareo ho lasa olona afaka indray ary mba hanjary ho mpiray lova ny
Fanjakan’Andriamanitra velona ao anatinareo miaraka amin’i Jesoa-Kristy ianareo !

21 Ô ry rahalahy, mihevera hoe inona no zavatra tian’ireo izay miseho ho hendry sy manetry tena
mba ho ampiasaina any aminareo, izy ireo anefa dia manana toem-panahy sandoka sy
mpihatsaravelatsihy ary nifampifidy izy ireo samirery ihany,

22 ary miteny izy ireo manao hoe : « Raha vao mijery vehivavy ianao, dia efa manota ; raha
mihinana sakafo maloto noraràn’i Moïzy dia haloto handritry ny andro tontolo ; raha mikasoka
mpanompo sampy sy mifanakalo teny mihoatra ny telo aminy ianao dia tokony hilaza izany amin’ny
pretra ao an-tempoly mba hanadiovan’izy ireo anao eo anatrehan’Andriamanitra. »-

23 Ny tena marina dia ny hoe feno fako, fitiavam-bola sy filàn-dratsy izy ireo ; manana
fifandraisana miafina amin’ireo mpanompo sampy izy ireo ka manao izay mampety rehetra mba tsy
hanariana ny finamanana miafina hatrizay tamin’izy ireo ?!

24 Izao no teneniko anareo : Toy ny fanahy dia manana ny zavatra ilainy ihany koa ny vatana,
manana ny ilainy sy ny tsy azo ihodivirany izy. Izany no antony tsy maintsy hanomezanareo ihany
koa izay ilainy amin’ny antonony sy araka ny fepetra nomen’Andriamanitra ; ary hanandramanareo
izay rehetra misy eny an-tsena. Eny, mila fikarakarana ny vatana toy ny fanahy izay mila
fahafahana. Noho izany dia meteza ho olona afaka fa tsy ho andevon’ny hadalana jamba an’izao
tontolo izao !

25 Inona no fiderana tena afaka ataon’ny olona amin’ny tenany manokana raha nifady hanina ny
kibony kanefa ny fony feno eritreritra sy fitsiriritana ary filàn-dratsy ?!

26 Tsy malina kokoa ve ny mampifady hanina ny fo noho ny kibo ?! Nahoana ianareo no


manampatra ny hadalanareo ka voasarika hino hoe mahafinaritra kokoa ho an’Andriamanitra ny
fihinananareo trondro voalona ao anaty menaka noho ny fihinana nofom-biby mafana rà miaraka
amin’ny taviny ?!

27 Izaho no lazaiko aminareo : Mihinàna amin’ny antonony izay rehetra tianareo ary am-
piheverana ny fahasalaman’ny vatanareo : misotroa divay miharo rano araka izay ataoko rehefa
afaka mahazo amin’izany aho ary aza atao mampiasa saina anareo rehefa manao toy izany ianareo!

28 Eny, tsy mahazo fifaliana amin’ny fifadian-kanin’ny kibo ny Tompo, fa ny marina dia ho
an’ny fo irery ihany, koa mifadia hanina andro aman’alina amin’ny alàlan’ny fo dia hifady hanina
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 7 amin’ny 13
araka ny fanahy sy ny fahamarinana ianareo !

29 Ahoana no ahavitanareo mifady hanina araka ny fampianarana mihatsaravelatsihin’ireo izay


mitondra tena eo anatrehanareo sahala amin’ny hoe tsy mandia tany intsony ny tongony fa toy ny
hoe any an-danitra avokoa ny sisa tenany ! Raha izany no izy dia mba mifady hanina ihany koa ireo
mpanompo sampy, mandritry ny andro fetiny, rehefa mihinana ireo sakafo mihaja indrindra ary
mientanentana mihoatra noho ny isan’andro ihinanany ny sakafo mahazatra azy andavanandro.

30 Ianareo dia efa nitsanga-ko velona niaraka tamin’i Kristy, koa inona indray no mbola
mampanahy anareo amin’ny zavatra ambany ety an-tany ary inona no tadiavinareo amin’ny
fanomezana fahafaham-pon’ny didin’izao tontolo izao izay asa-tànan’ny olombelona ?!

31 Tadiavo izay any ambony, izay any amin’ny misy ny fiandrianan’i Kristy eo ankavanan’ny
Ray, - mampety anareo kokoa izany noho ny hadalana rehetra tsy misy lanjany an’izao tontolo izao!

32 Nofohazina tamin’ny Fanahy ianareo ary natsangana ho velona tamin’ny alàlan’i Kristy, koa
avy any ambony ianareo noho izany fa tsy avy any ambany ! Koa katsaho araka izany izay avy any
ambony fa tsy izay ambany ety an-tany !

33 Eny, maty ianareo ho an’izao tontolo izao fa ny fiainanareo kosa dia miafina miaraka amin’i
Kristy ao amin’Andriamanitra.

34 Amin’ny fotoana hisehoan’i Kristy, izay efa lasa fiainanareo ankehitriny, dia hiseho amim-
boninahitra miaraka Aminy koa ianareo !

35 Noho izany, vonoy indray izao tontolo izao ao anatinareo izay mitoetra toy ny rantsam-batana
maro ambonin’ny tany sy toy ny rantsam-batana ahafahanareo mirona any amin’ny filàn-dratsy, ny
fandikàn-dalàna, ny fitiavan-dratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ny filàna diso tafahoatra sy ny fialonana
ary ny fitiavam-bola. Mahakasika izany rehetra izany mandrakariva ny fanompoan-tsampin’ny tsy
mpino.

36 Farany, fadio alohan’ny rehetra ny lainga satria izany no sakaiza akaiky indrindra an’i
Satana ! Alao aminareo ilay olona taloha ka mitafia ilay vaovao ao amin’i Kristy izay hanavao ny
fahalalan’Ilay namorona Azy araka ny halehibeany !

Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 8 amin’ny 13


TOKO FAHATELO

1 Izaho nilaza taminareo : « Fadio ny lainga, ilay sakaiza akaiky indrindra an’i Satana ! », satria,
- araka ny nahafantarako izany tamin’i Nimfasy, ary mitovy lanja amin’ny nafantarako izany
tamin’ny alàlan’ny Fanahin’i Kristy ato amiko, - dia nitodika tany amin’ny fitsipiky ny olombelona
ny ankabeazanareo.

2 Inona tokoa ny tempoly afa-tsy fitsipiky ny olombelona sy asa-tànana maty vita


tànan’olombelona, toy ny asa very maina ao amin’ny tontolon’ny nofy ka manjavona raha vao
mifoha amin’ny torimasony ny maso ?!

3 Sao ianareo mihevitra fa manome voninahitra an’Andriamanitra ny fanaovana izany fomba


izany, kanefa lainga izoranareo mba handainganareo sy hamitahanareo ny tenanareo ihany izany ;
ary mandainga amin’Andriamanitra mihitsy aza ianareo raha mihevitra fa amin’ny alàlan’izany no
anolorana asa fanompoana ho sorona ilaina marina.

4 He izato ianareo ry tsy misaina ! Asa fanompoana inona no tianareo ho averina amin’ilay
Mahery indrindra izay nanangana ny lanitra sy ny tany mialohan’ny namoronany anareo ?! Inona no
anananareo izay mbola tsy noraisinareo aloha ?! Ary raha nandray ianareo, dia nahoana no ataonareo
ho toy ny tsy nandray ?

5 Angaha ianareo mihevitra hoe manolotra asa fanompoana mahafinaritra an’Andriamanitra,


rehefa midera Azy ao amin’ny tempoly vita tànan’ny olombelona, sy amin’ny alàlan’ny fomba-
pankalazana sy ny emboka manitra ary ny vavabava-poana lava na fohy ?!

6 He jereo impiry moa ianareo no sodoky ny apôstôlin’i Satana ! Moa ve tsy efa nanameloka ho
faty noho ny Tempoly i Krisy izay itoeran’ny fahafenoan’Andriamanitra ao anatiny, ary moa ve tsy
ny tenany mivantana no nilaza mialoha ny faharavan’ny Tempoly tanteraka !

7 Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’i Kristy hisintona fahafaham-po amin’izany rahefa


nampitandrina ny mpianany rehetra Izy ny amin’izany, ary ny tenako ihany koa aza dia efa
nampitandremany tamin’ny alàlan’ny fanahy, raha nilazany hoe : “Alaviro ny lalivain’ny Farisianina
sy ny an’ireo lehiben’ny Pretra” (Marka 8 :15) ?! Kanefa ankehitriny ianareo dia te hanao ilay
« tranon’ny fitsarana » izay nanjary zava-mahatsiravina eo anatrehan’Andriamanitra, ho fonenan’ny
Tompo, mba ahafahana mamono Azy imbetsaka ao amin’io toerana io !

8 Jamba tokoa ianareo ary mitodika amin’izao tontolo izao tokoa matoa tsy hitanareo ao
anatin’ny indray mipi-maso izany !

9 Moa va tsy ampy anareo ny nahafatesan’ i Kristy indray mandeha tsy miverina, ary isika
rehetra miaraka Aminy mba hitsanganantsika ho velona miaraka Aminy ao anatin’ny nofontsika,
mba ho amin’ny fahalalana tena izy ny Fanahiny ao anatintsika ary mba ho fahalalana ny Ray izay
nitia antsika mialohan’ny nisian’izao tontolo izao ?!

10 Mbola impiry no tianareo hovonoina i Kristy, Izy, ilay tokana Velona mandrakizay, izay
nampifoha antsika rehetra avy amin’ny fahafatesana ho any amin’ny fiainana mandrakizay noho ny
fitsanganan-ko velony feno voninahitra ?!

11 Izaho, Paoly, dia milaza aminareo toy izao : Mandehana ary ravao ny tempoly, fafao ao anaty
tetiandro ireo andro fety voadidy, aongàno ny eveka sandoka sy ireo mpanompony, izay mitovy
amin’ireo tao Jerosalema, ka te hanatavy tena amin’ny asan’ny tànanareo ary mampanao vata lehibe
vita amin’ny varahina mba handraisana ny volamena sy ny volafotsy nangoninareo ho anareo,

12 dory ireo fitafy marevaka izay nanjary zava-mahatsiravina eo anatrehan’ny Tompo


ankehitriny !- Amin’ny fanatanterahana izany tokoa ianareo no hanolotra ho an’ny Tompo
fanompoana mahafinaritra kokoa noho ny hoe hamono tena mandritry ny arivo taona ao amin’izany
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 9 amin’ny 13
tempoly voalaza izany !

13 Moa tianareo marina va ny hisian’ny fonenana mahafinaritra ho an’Andriamanitra any


aminareo ? Manorena àry tobim-pahasalamana ho an’ny marary, ny malemy, ny kilemaina, ny
jamba sy ny marenina ; sy trano ho an’ireo vehivavy maty vady mahantra sy ho an’ireo kamboty ;
ary trano ho an’ireo vahiny niharam-boina, tsy ankanavaka, na iza izy na iza !

14 Raiso am-pitiava-namana sy amin’ny fo mangoraka izy ireo, zarao amin’izy ireo ny tsodrano
azonareo rehetra araka ny nanaovan’i Jesoa-Kristy Tompo izany tamintsika indroa mihataon, rahefa
namoky ireo noana aman’arivony Izy noho ny fahafenoam-pitsimbinany. Noho izany sy ho
famonjena anareo, dia hanolotra asa fanompoana tena mahafinatra Aminy, ilay hany Mpamonjy,
ianareo.

15 Eny, Izy mihitsy no nanambara toy izao tamin’ny alàlan’ny teniny masina manao hoe : « Izay
ataonareo amin’ny kely indrindra amin’ireny mahantra ireny, dia Amiko no anaovanareo izany ! »
(Matio 25 :45)

16 Raha toa ka Izy tenany mihitsy no efa naneho imbetsaka ny fomba fanompoana tena
mahafinaritra Azy indrindra, dia nahoana indray no itadiavanareo anolorana Azy fanompoana toy
izao anareo izao, izay zava-mahatsiravina sy maharikoriko ary mamofona ratsy eo Anatrehany ?!

17 Ny fo feno fitiavana no hany tempoly velona mahafinaritra an’Andriamanitra ilay Tompo


amin’ny alàlan’i Kristy, ary ho Azy dia ny fo toy izany no iriany kokoa noho izao tontolo izao feno
tempoly izay maty avokoa, satria ny fo tokoa dia velona ka afaka mitia an’Andriamanitra sy ireo
rahalahy rehetra ! Noho izany àry, dia aoreno vaovao indray izany tempoly ao anatinareo izany,
araka ny fanahy ary manaova lalandava sorona amin’ny fomba velona ho an’ny Tompo ao
anatin’izany tempoly izany !

18 Na ny tempoly na ny fomba-pankalazana, na ireo pretra na ireo eveka, na izaho Paoly na ireo


mpianany, na ny jiosy na ny grika, na ny loha-tsintsy sy ny famoran’ny jiosy na ny tempolin’i
Salomona ; ary araka izany na ny grika tany am-boalohany ihany koa, na ny Syta, na ny mpanompo
sampy, na ny olona afaka, na ny andevo, na ny Sabata, na ny tsinam-bolana, na ny taon-jaobily dia
tsinotsinona avokoa eo anatrehan’Andriamanitra ; i Kristy irery ihany no manontolo ao anatin’ny
manontolo !

19 Noho izany, araka ny maha-olom-boafidin’Andriamanitra anareo, olomasiny sady malalany,


dia i Kristy irery ihany no tafio amin’ny alàlan’ny fitiavana, ny fo mangoraka sy malemy fanahy ho
an’ireo rahalahinareo, sy amin’ny alàlan’ny fitiava-namana sy ny fitsimbinana sy ny fanetre-tena sy
ny halemem-panahy ary ny faharetana.

20 Amin’ny zavatra rehetra, mifandefera ary mifamelà amin’ny fo madio amin’izay fifandirana
misy eo aminareo samy ianareo, dia hamela anareo aho sy ny Tompo araka ny fifamelanareo !

21 Aza mifampitaraina aminareo samy ianareo toy ireo mpanompo sampy izay manana ny
fitsarany manokana, fa mahaiza mampiombona sy mifandefitra, vahao avy amin’ny fo ny olanareo
dia hiasa tsara kokoa eo anatrehan’Andriamanitra ianareo noho ny hanajanareo ny antsipirian’ny
fitsipika rehetra avy amin’ny lalàn’i Moïzy, izay sarotra ny manaraka azy ary mbola sarotra kokoa
ny mitazona azy ; eny, ny Tompo dia tsy misintona fahafaham-po, na dia kely aza, avy amin’ireo
fitsipikan’i Moïzy, fa avy amin’ny fo madio izay tia marina an’Andriamanitra sy ny rahalahiny irery
ihany.

22 Noho izany, mialohan’ny zavatra rehetra dia mitoera ao amin’ny Fitiavana ianareo satria Izy
irery ihany no mendrika eo anatrehan’Andriamanitra ary Izy irery ihany no maha ho izay amin’ny
fahatanterahana rehetra sy ny fahalavorariana rehetra !

23 Ao anatin’ny fitiavana sy amin’ny alàlan’ny fitiavana no manjaka ny filaminana marina sy


lavorary avy amin’Andriamanitra izay ao anatin’ny fonareo, izany filaminana izany no iantsoana
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 10 amin’ny 13
anareo ho vatana iray ao amin’i Kristy Tompontsika ! Ary rehefa hisaotra Azy ny amin’izany
ianareo, dia misaora Azy mandrakariva sy mandrakizay amin’ny fanahy sy ny fahamarinana,

24 fa tsy ao amin’ny tempoly maty izay tsinotsinona eo anatrehan’Andriamanitra, ilay Mpibaiko


sy Mpanome ny fiainana, Izy izay tsy mijery afa-tsy ny fo sy ny fiadanana ao amin’izany irery
ihany !

25 Amin’ny fitiavana tanteraka sy ao anatin’ny fahendrena tena izy sy lavorary mipariaka avy
Aminy, dia avelao hanjaka betsaka ao aminareo ny teny velon’i Kristy ! Mibeaza ianareo,
mamporisiha tena ary mifananara amin’ny zavatra maro karazana sy ny fiheverana ny ara-panahy,

26 amin’ny alàlan’ny salamom-pitiavana sy ny antsa-piderana ary ny faneva ara-panahy ; mihirà


amin’ny fo ary aza manandratra hiakiaka fahatany avy amin’ny vava ; amin’ny fanatanterahana
izany dia hahafinaritra kokoa an’Andriamanitra ianareo noho ireo farisianina sy jiosy ary mpanompo
sampy miaraka amin’ireo hiakiakany fahatany izay hasandrany amin’ny molotra noho ny volamena,
kanefa ny fon’izy ireo dia mangatsiaka mihoatra noho ny vy !

27 Izay rehetra ho ataonareo, - na teny io, na asa – dia ataovy mandrakariva amin’ny anaran’i
Jesoa-Kristy Tompo, ary amin’ny zavatra rehetra dia isaory Andriamanitra Ray amin’ny alàlan’i
Kristy, satria Izy no mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra, - ary ao anatin’ny fony no mitoetra
ny fahafenoan’ny Ray !

28 Henoy ihany koa ry vehivavy ao Laôdisea : ny Tompo, ilay Andriamanitsika mandrakizay dia
maniry ny hileferanareo tanteraka amin’ny vadinareo ao amin’i Kristy Tompontsika, satria ao
anatin’ny lehilahy no anananareo ny lohan’i Kristy.

29 Ianareo, lehilahy, tiavo ao anatin’ny fandanjalanjana marina ny vadinareo ary aza enjana
aminy ; kanefa aza atao mihoa-pefy ny fitiavanareo ny vadinareo mba tsy hanadinoinareo ny Tompo
noho ny aminy ; eny, noho ny fitiavana ho an’ny Tompo dia tokony miohatra amin’ny hoe tsy
manambady ianareo.

30 Ianareo zanaka kosa, amin’ny zavatra rehetra dia ekeo tanteraka ny tenin-draiamandreninareo
izay tsy mifanohitra amin’i Kristy, satria izany no sitrapony sady mahafinaritra Azy.

31 Ianareo, raiamandreny, aza ovainareo hangidy noho ny teny enjana sy ny fitondrana ratsy azy
ireo ny fanahin-janakareo, mba tsy ho lasa mpampitahotra manoloana anareo izy ireo ary ho lasa
kanosa saro-tahotra sy mpihatsaravelatsihy hanaraka izay ; eny, ny fizaràna fitiavana no ahafahana
manova ny fanahy iray mafiloha ho azo volavolaina, - fa ny zanaka mpihatsaravelatsihy sy
mpandoka kosa dia tsy afaka ahitsy.

32 Ho anareo andevo sy mpanompo dia toy izao teneniko ho anareo : Meteza baikoana amin’ny
zavatra rehetra izay tsy mifanohitra amin’i Kristy, - tsy amin’ny fitompotompoana mba hahafinaritra
ny tomponareo fa amin’ny fahatsoram-po tena izy sy amin’ny fatahorana lalandava
an’Andriamanitra.

33 Izay rehetra hotanterahinareo ho an’ny tomponareo dia tanteraho sahala amin’ny hoe
manompo an’i Kristy Tompontsika ianareo, miaraka amin’ny fo azo atokisana tanteraka, - fa tsy
sahala amin’ny manompo olombelona – ka indray andro dia handray ny karaman’ny voninahitra
ianareo.

34 Izay aminareo manao ny tsy rariny noho ny fahefany dia manao izany amin’Andriamanitra
ihany koa ; saria ny Tompo dia tsy mijery hoe tompo na mpanompo ny olona iray fa ny asa sy ny
antony anaovany ny asa ihany.

35 Noho izany, izay manao ratsy, indray andro any, dia ny Tompo no hanome ny karama
mendrika azy. Afaka mamitaka ny olombelona ianareo fa ny Tompo kosa dia tsy hanaiky ny ho
fitahinareo satria ny fonareo dia misokatra mandrakariva eo anatrehany.
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 11 amin’ny 13
36 Ho anareo, tompo izay mpanome baiko koa, dia milaza aminareo aho ny mba hiheveranareo
tsara fa ny mpanomponareo sy ny andevonareo dia rahalinareo ihany koa eo
anatrehan’Andriamanitra ; noho izany dia tolory azy ireo mandrakariva izay marina eo
anatrehan’Andriamanitra ! Omeo azy ireo amin’ny fotoana tokony ho izy sy am-pitiavana ao amin’i
Kristy ny karama mendrika azy ireo ary hevero tsara hoe isika rehetra dia manana Tompo any an-
danitra ary tsy iza izany fa i Kristy, ilay Masin’Andriamanitra mandrakizay !

37 Aza alavirina ny vavaka fa mivavaha tsy an-kiato ao anatin’ny asa-panasoavana, - tsy amin’ny
molotra fa amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ao anatin’ny fahatsoram-po tanteraka sy ny
fitodihana marina amin’ny fitiavana ho an’i Kristy, ilay Tompontsika !

38 Mivavaha ihany koa ho ahy mba hetezan’ny Tompo hanokatra mandrakariva ho ahy ny
varavaran’ny Teny velona, ka hahafahako manambara, eo anatrehanareo sy eo anatrehan’ireo
rahalahy ao amin’i Kristy, ny Mistery lehibe sy ny Fanjakan’i Kristy. Eny, izaho ihany koa, dia
mbola miray amin’izao tontolo izao ary olombelona mitovy amin’ny rehetra ihany, ka tsy afaka
mitory raha tsy ny Tompo no manokatra ilay varavaran’ny Famindrampony.

39 Aoka ny fitondran-tenanareo ho tsotra sady hendry manoloana sy ho amin’ny olona tsirairay


avy, - ary koa ho an’ireo vahiny any ivelany – sy ho an’ny jiosy ary ny mpanompo sampy ! Tsy
tokony hitsara na iza na iza ianareo, - na Syta io, na mpanompo sampy, na jiosy, na grika na tsy
grika – ampifanaraho am-pahendrena amin’ny fotoana sy amin’ny toe-java-misy ny tenanareo !

40 Aoka ny teninareo hisy fitiavana mandrakariva ho an’ny olona tsirairay avy ka ho feno ny
hasin’ny fahendrena marina mipariaka avy amin’Andriamanitra ; trandraho lalandava izany
fahendrena izany rehefa hiresaka amin’ny olona ianareo mba hahatakarany hoe hatraiza no
mahasamihafa ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahendren’ireo hendrin’izao tontolo izao.

41 Izaho, Paoly, dia mieritreritra fa tsy misy adinoko ny nampiseho anareo izay rehetra eo
afovoanareo sy ny momba ny ahidratsy misy poizina, eny, hazo misy poizina farak’izay mahery
vaika, ka manempotra ny rehetra ny fifohana azy. Rehefa afak’izay dia tsy misy intsony ny tokony
holazaina manameloka anareo !

42 Na izany aza, ry rahalahy malala, aoka ho fankalazana tena izy mandrakariva ho eo aminareo
samy ianareo ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ho an’ny Ray ao anatin’ny zanaka, ao
amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, ny fitiavana mandrakariva Azy mihoatra noho ny rehetra, sy ao
anatin’ny Zanany izay maty teo amin’ny hazofijaliana tamin’ny fitiavana ho antsika rehetra, ary mba
hanomezana antsika indray ny fahatsaran’ny maha-zanak’Andriamanitra izay very niaraka
tamin’ireo raintsika rehetra hatrany amin’i Adama.

43 Noho ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, mangataka anareo aho mba hitondranareo voa


mendrika avy amin’ny fialàna tanteraka amin’ireo fanompoan-tsampinareo vaovao, hiala ao
anatin’ny Eglizy velon’Andriamanitra izay monina ao anatinareo fa tsy ho ao amin’ny tempoly, na
ho amin’ny fitafy na ho amin’ny fomba-pankalazana manokana.

44 Ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahasoavan’i Jesoa-Kristy Tompontsika anie ho aminareo,


mandrakiva sy ho amin’ny Mandrakizay !

45 Raha ny momba ahy aty Roma, dia hanome vaovao ho anareo ny rahalahy Titrika, izay
irahiko ankehitriny, ho any aminareo sy ho any amin’ireo Kôlôsianina, izay toa anareo sy tamin’ny
fomba mitovy, dia nanaiky nosodokan’i Satana.

46 Ampitao ho an’ireo rahalahy malala rehetra sy i Nimfasy ary koa ho an’ireo olona rehetra
mahatoky miombona ao an-tranony, ny fiarahabako azy ireo ; eny, mijoro vavolombelona ho an’i
Nimfasy aho fa marina izy ary mifanaraka lalandava amin’izay ivavahako amin’Andriamanitra ho
anareo izy.

47 Ampitao ho an’ireo olona ao Kôlôsy ihany koa ny fiarahabako rehefa ho any ianareo ; misy
Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 12 amin’ny 13
sasany amin’izy ireo no efa fantatrareo ; mijanona ho marina sy mahatoky ao anatin’ny finoana ary
ny fitiavana an’Andriamanitra ireo.

48 Rahefa ho voavakin’ny olona ao Kôlôsy ny taratasy ho azy ireo, dia mba vakio ihany koa
izany taratasiny izany sahala amin’ny angatahako mba hamakian’izy ireo ihany koa ny taratasinareo
noho ny fitiavan’Andriamanitra !

49 Eny, toa anareo dia ilain’izy ireo ihany koa ny mamaky izany. Eto am-pamaranana dia
mamporisika anareo ny tenako amin’ny alàlan’izao taratasy soratako izao – sy araka izay hizaran’i
Titrika vaovao am-bava ho anareo – mba ho voavaky amin’ireo vondrona izay misy rehetra any
aminareo sy any amin’ireo Kôlôsianina izao taratasy izao.

50 Toy izao ny arahaba izay hevero toy ny amin’ny tànako mihitsy : Tadidionareo ny amin’ny
fitiavako !- Ny fahasoavan’ny Jesoa-Kristy Tompo anie homba anareo !

Nosoratana taty Roma avy amin’i Titrika sy i Onezima sakaizany izay samy nirahina ho any
aminareo sy ho any amin’ny Kôlôsianina.

Facebook : @Fiainam-panahy anaty, febroary 2019 Pejy faha- 13 amin’ny 13

Vous aimerez peut-être aussi