Vous êtes sur la page 1sur 3

IREO FANAFODY VALO

ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO : io no tarigetra

1/FIALAN-TSASATRA:
« Ny fialantsasatra dia tsy ny fijanona amin’ny asa sy fatoriana ihany fa anisany koa ny fotoana fialamboly (temps de
recréation)
A- TORIMASO
Ny torimaso no crème de beauté tsara indrindra eto an-tany. Maha-tanora lalandava ny fahazoana torimaso tsara.
Faharetan’ny torimaso : 7 – 8 ora, isan’andro.
Rehefa mahatsiaro te-hatory dia matoria,
Miovaova arakaraky ny taona:
Zazakely : 16 -20 ora,
Tanora : 8 -9 ora,
Lehibe : 6-7 ora,
Olona 60 taona: 20 taona natoriana,
2/3 ny fotoanantsika ihetsehana,
1/3 atoriana,
Ilaina omanina ny torimaso : Torohevitra 10 ahazoana torimaso tsara :
1-Mahazo rivotra tsara ny trano atoriana,
2-Fahamaizinana,
3-Atao ara-dalana tsara ny fomba atoriana,
4-Ara-dalana tsara ny hafanan’ny trano,
5-Ny sakafo hariva adiny telo alohan’ny fotoana atoriana,
6-Tsy mihinana excitants, (kafe, thé, coca…)
7-Mandeha tongotra antsasak’adiny amin’ny hariva,
8-Aza mijery film misy herisetra,
9-Mandro amin’ny rano matimaty,
10-Mivavaka : fahatokiana an’Andriamanitra.
B - SIESTE
Eo amin’ny folo minitra eo
D – VACANCES
Indray mandeha isan-taona, telo ka hatramin’ny efatra herinandro,
Ny tsy fananam-bola dia tokony tsy hanakana anao tsy hanao io fialantsasatra io,
Manaova plana : tsy haitraitra ny vacances fa tena ilain’ny vatana.
FAMINTINANA
Isan’andro:
Manaova fiatoana, 5 minitra isaky ny adiny roa,
Torimaso adiny 8,
Sieste : 10 minitra
Isan-kerin’andro:
Andro iray,
Isan-taona: Vacances,
3 – 4 herinandro

2/NY SAKAFO ARA-DALANA


Inona no tokony hohanina ?
Fotoana inona no tsara hihinana ?
Ny fatran’ny sakafo tokony hohanina ?
Ny tsy tokony hohanina :
Hena atono (masikita), na kitoza, (mety hahavoan’ny homamiadana amin’ny lalan-kanina. Ny tono-kena 1 kilao dia misy
benzopyrène mitovy amin’ny sigara 600. Ny voalavo novelomina tamin’ny hena misy benzopyrène dia tratran’ny
homamiadan’ny vavony sy leucémie. Miteraka homamiadana ny benzopyrène.
Pickles (sakafo alona amin’ny vinaigre), ohatra tongolo, na concombre,
Hena matavy be, mampiakatra ny cholestérol mitarika amin’ny artériosclérose,
Tamenak’atody: tamenak’atody iray misy 340 mgr cholestérol, 2 isan-kerinandro ihany no azo hanina,
Ny charcuterie sy ny sakafo am-bifotsy
Ny sakafo tokony hohanina,
Ireo voan-javatra ( grains complets) sy vodin-javatra (tubercules)
Vary, katsaka, varim-bazaha, pâtes, mangahazo, saonjo, vomanga,
Mitondra glucides sy fibres végétales
Ireo fianakavian’ny voamanaina sy voalena,
Tsaramaso, soja, lentilles, voanjobory, petits pois, kabaro, trondro, hena, vorona, ronono,
Mitondra protides
Ohatry ny sakafo feno: vary + tsaramaso
Ireo fianakavian’ny zavamaniry :
Anana, laisoa, chou fleur : miady amin’ny cancer
Tongolo, tongolo gasy: antibiotique,
Épinard : be vy,
Voatabia, karaoty, poivron : misy carotène na vitamine A: miady amin’ny fiforonan’ny homamiadana,
Salade, céleri, concombre: mitondra vitamines, singa mineraly, fibres végétales
Ny voankazo: ahazoana vitamines, singa mineraly. Miaro amin’ny fahanterana (antioxydants: vitamines E)
Intelo isan’andro
Tsy mihinana anelanelam-potoana
Ny sakafo hariva dia adiny 3 alohan’ny hatoriana,
Faharetan’ny fandevonan-kanina: adiny 4 sy sasany
Amin’ny maraina, mihinana sahala ny mpanjaka
Amin’ny antoandro, mihinana sahala amin’ny zanaka mpanjaka
Amin’ny hariva, mihinana sahala amin’ny mpangataka,
Sokajy voalohany:
Azo hanina betsaka araka izay ilain’ny tena
Voankazo, voan-javatra, vodin-javatra, légumes lena (karaoty, poireau, voalena)
Sokajy faharoa: feperana ny habetsahany hohanina
Voamaina, voanjo, ronono sy zavatra azo avy aminy, trondro, hena,
Sokajy fahatelo:
Atao kely dia kely ny fihinana azy, raha azo atao dia ajanona mihitsy
Menaka (graisse: cholestérol), siramamy (drogue douce)
Aoka ny sakafonao no ho fanafodinao, ary aoka ny fanafodinao no ho sakafonao. Hippocrate, dokotera grika
90 % ny aretina, ankoatry ny areti-mifindra sy ny loza (accidents) dia misy ifandraisany amin’ny sakafo hanintsika. Docteur
Osler, dokotera malaza avy any Canada.
Amin’ny nifinao no ihadianao ny fasanao
Any Amerika dia misy fomba fitenena amin’ny renim-pianakaviana manao hoe: fomba ahoana no hamonoanao ny
fianakavianao ? Valiny : amin’ny sakafo arosonao azy.
Aoka tsy ho ekena ny fialan-tsiny

3/FAMPIASAM-BATANA
Fiainana tsy misahirana fa miankina amin’ny milina
Taloha ampy ny fampiasam-batana
Ankehitriny tsy misy mihitsy ny fampiasam-batana, ny fampiasan-tsaina no tena misy
Ohatra : télécommande ho an’ny Télé, brosse à dent électrique, ny fiarakodia
Misy foana ny fialan-tsiny:
Be ny resy lahatra fa tsy manao
Mihinana = matory = manao fampiasam-batana
Ny zava-manan’aina rehetra dia mila mihetsika
Misy tombontsoa be dia be amin’ny fahasalamana ny fampiasam-batana:
Miteraka aretina ny tsy fanaovana fampiasam-batana (infarctus)
Tsara lavitra noho ny fanafody ny fampiasam-batana (affection cardiaque, arthrite, diabète, HTA)
Ohatran’ny fampiasam-batana:
Mandeha tongotra haingana 30-45 minitra isan’andro,
Lomano
Mitaingina bisikileta, sns
Misy ohabolana sinoa manao hoe: Manana dokotera anankiroa isika dia ny tongontsika havia sy tongontsika havanana

4/TARATRY NY MASOANDRO
I – VITAMINE D: vitaminan’ny masoandro
Vitamine D3 (cholécalciférol)
Atanin’andro 15 minitra isan’andro ny tarehy dia azo ny ilaina amin’ny vitamine D
Tsy ilaina ny fihinana vitamine D
II-NY ASAN’NY MASOANDRO EO AMIN’NY SAKAFO
Ny angovon’ny masoandro no ahazoana protéines, glucides, menaka, ary vitamines
Tsara ny voankazo na zavamaniry azon’andro tsara
III-NY MASOANDRO: FAHAVALON’NY OTRIKARETINA
Voahodidina otrikaretina isika : eo amin’ny hoditra, akanjo, rindrina, tany,
Mihoatra ny isan’ny mponina eto an-tany ny isan’ireo otrikaretina ireo
Fampiharana: trano, fanahazan-damba
IV- MAMPAVITRIVITRIKA
Miteraka fahavitribitrihana eo amin’ny zavamanan’aina ny taratry ny masoandro, manatsara ny rivotra.

5/NY RANO
 Be dia be ireo olona mpananika tendrombohitra (alpiniste) te ho tonga voalohany teny amin’ny Mont Everest
 Indrisy fa fahafatesana no vokany na dia teo aza ny finiavana sy ny herim-po
 Hilary sy Tensing no nahatratra ny tanjona. Ny tsiambaratelony : nisotro rano 12 vera tsy tapaka isan’andro
 Ireo andian’olona maty tsy nahatratra ny tanjona dia indroa ny vera isan’andro monja ny rano nosotroiny
1. NY FATRAN’NY RANO ILAIN’NY VATANA ISAN’ANDRO:
1. 2,5 – 3 litres = 10 vera
2. 1 litre = azo avy amin’ny sakafo
3. 1,5 litre = 5 – 6 vera ( tokony hosotroina)= 2 vera maraina, 2 vera antoandro, 2 vera hariva.
2. Ny hetaheta eo amin’ny olona dia tsy fambara azo antoka ny amin’izay filan’ny tenany. Ny ankamaroan’ny biby
dia tsy mijanona raha tsy voasolo tanteraka ny rano very. Fa raha ny olona kosa dia 2/3 ihany dia efa mahatsiaro
afa-po izy. Somary atao an-tery izany ny fanoloana an’io 1/3 tavela io.
3. Misy fiantraikany ratsy ao amin’ireo sela ao amin’ny ati-doha ny tsy fahampian’ny rano ka mitarika fahakiviana.
Ny rano izany dia fomba iray iadiana amin’ny fahakiviana

2. FOTOANA TOKONY HISOTROANA RANO:


Tsy eo ampisakafoanana : ny fisotroana rano eo am-pisakafoanana dia mampiadana ny fandevonan-kanina
Adiny iray alohan’ny sakafo
Adiny 3,5 – 4,5 aorian’ny sakafo
3- INONA NY RANO TOKONY HOSOTROINA:
 Tsy maintsy madio
 Raha misy mampiahiahy ny fahadiovany dia:
1. Tantavanina
2. Ampangotrahina
3. Ampidirana oxygène : fandrarahana ny rano amin’ny zinga iray ho amin’ny zinga iray hafa
4-. FANDROANA

6/NY RIVOTRA
-Tsy zatra miaina lalina isika = respiration superficielle = fahazaran-dratsy
-Ny ‘’fisefoana lalina’’ dia fahazarana tsara tokony hovolena eo amintsika
-Ny zava-tsoa azo avy amin’ny ‘’fisefoana lalina’’ : mahatony, mampazoto homana, mampatory tsara.
-Fadio ny miaina amin’ny vava
-Tena zava-dehibe ny fizarana ‘’miaina lalina’’
-Ny varavarana, ny varavaran-kely ao amin’ny tranontsika dia tokony hamela ny tahirin-drivotra hifamoivoy, manampy
amin’ny famonoana ireo otrik’aretina ireo rivotra ionisé.
-AVOAHY ANY IVELANY NY ZAVA-MANIRY AMIN’NY ALINA
-Ataovy lavitry ny ‘’lalam-pirenena’’ be fifamoivoizana ny trano fonenana
-Ny loto ateraky ny fiarakodia :
-Mandany oxygène, mamoaka CO2, CO (gaz carbonique, monoxyde de carbone)
-Poti-javatra (vy, fingotra, plastika) vokatry ny fiasan’ny moteur, ny fahalanian’ny pneus sy ny freins
-Fiara iray 100 milliards poti-javatra isan-tsegondra
-Mihoatra ny 200 tapitrisa amin’ireo poti-javatra ireo no mitsingevaheva eny amin’ny habakabaka tamin’ny taona 2000

7/FIFADIANANA IREO ZAVATRA MANAPOIZINA NY TENA


-Ny olombelona no zavamananaina izay manimba antsitrapo ny fahasalamany amin’ny ireo zavatra manapoizina ny tena
-Mazava tsy takona afenina toy ny masoandro be lohataona ny faharatsian’ny CAFE, ny TOAKA sy ny SIGARA ary
ny ZAVAMAHADOMELINA.
-Raha ta-hanana saina kinga sy salama isika dia tokony hifady an’ireo.
-Ny poizina hita amin’ireo zavatra dia ny caféine, ny nicotine, ny alcool, ary ny cocaïne, sns… Ireo poieina ireo dia
manery ny vatantsika hiasa an-terisetra. Vokatr’izany dia miteraka aretina sy fahanterana tsy fidiny (tonga aloha, tsy
antioxydants)
-Ny mpanamory sambondanitra izay manao fanoman-tena tsy miato dia tsy maintsy mifady toaka, café, ary sigara. Fa
inona ary no anton’izany fifadiana izan ?
-Valiny : mba ho tonga lafatra ny asan’ny vatana sy ny saina
-Ny fifadiana ireo zavatra ireo dia miantoka ny fahombiazanao ara-tsosialy, ara-pianakaviana ary arak’asa.
-Ny fandraisanao fanapahan-kevitra tsy hikasika ireo zavatra ireo dia hitondra fahasalamana sy fahasambarana ho anao.

8/TOE-TSAINA MIJERY NY LAFITSARAM-PIAINANA


-Ataovy ho fahazarana ny fananana fahatoniana eo anolon’ny toe-javatra sarotra, aza be fanahiana.
-Mitsikia amim-pahatokiana eo anoloan’ny olana
-Vokadratsin’ny fiainana moderina ny stress ( ny tebiteby, ny ahiahy, ny faneriterena isan-karazany : ‘’tension’’)
-Misy dingana 3 lalovan’ ny stress
-Dingana FANAIRANA : misy taova sasany mihena ny asany, ohatra: fandevonan-kanina, malain-komana
-Dingana faha-2 : FIARETANA : misy taova miasa be, ohatra : fitepon’ny fo, (résistance)
-Dingana faha-3 : FAHARERAHANA (épuisement)
-Ny toe-tsaina ijerena ny lafiratsin’ny fiainana (pensées négatives) dia mitarika STRESS : miakatra ny tosidra, mitepo
haingana ny fo, very tadidy, mora tezitra, kivy, tsy mahavita tsara ny asa, ratsy ny fifandraisana amin’ny hafa
NY FOMBA IADIANA @ NY STRESS
- Fananana toe-tsaina mijery ny lafitsaran’ny fiainana (pensées positives)
- Ialana ny firotorotoana be eo amin’ny fiainana (nécessité de diminuer le rythme de la vie)
- Mianatra ny milaza hoe :TSIA amin’ny zavatra 1 rehefa tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoananao.
- Asio laharam-pahamehana ireo zavatra atao (priorisation)
- Tsy afaka hamaha ny olana rehtra miseho avy hatrany ianao.
- Famakiana ny Baiboly,
- Fivavahana,
- Finoana an’Andriamanitra sy fahatokiana Azy dia manampy antsika hanana toe-tsaina mijery ny lafitsarampiainana.

Vous aimerez peut-être aussi