Vous êtes sur la page 1sur 293

Mandraisa Soa

Sekolin’ny Fanompoana
avy Amin’ny
Sekolin’ny Fanompoana

be-MG
INONA NO FIANARANA
NAVELAN’NY
Mpanompon’i
Jehovah Fahiny?
Mosesy: niahotra aloha, vao nanaiky
hampiasain’Andriamanitra
Paoly: nahay nandrindra hevitra sy nandresy lahatra

Filipo: mpitory be zotom-po

Apolosy: mpandahateny
nahay, nefa azo notoroana
hevitra

be-MG
Ankizivavy isiraelita: tsy natahotra
naneho ny finoany

Nahay nanohina ny fon’i Davida


Mpanjaka i Natana

Naneho fihetseham-po i Petera rehefa nitory

Naneho fanajana lehibe i Estera Niteny tamim-patokisana


i Jeremia
Mandraisa Soa
avy Amin’ny
Sekolin’ny Fanompoana

“Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra


anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny
`
lalana tokony halehanao.”—Isaia 48:17.

ˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇ

(Anaranao)
Loha Hevitra ato Anatiny
Pejy

Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 5


`
Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . 9
“Tandremo ny Fihainonareo” . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 13
Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 17
Milofosa Amin’ny Famakian-teny . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 21
Mitondra Valisoa ny Fianarana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 27
Fomba Fanaovana Fikarohana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 33
Fanomanana Drafitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 39
Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 43
Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 47
Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 52
Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 56
Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 62
Fantaro Izay Tokony Havalinao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 66
Fifandraisana An-taratasy . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 71
Mandrosoa Hatrany . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 74
Fandaharana mba Hianarana ny Fahaizana Miteny sy Mampianatra . . 78
Taratasin-torohevitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 79
Ovaovay ny Faritra Ampiasainao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 82
Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 272
Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 282
Fanondroana Teny . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 286

5 2002
WATCH TOWER BIBLE AND TRACT SOCIETY OF PENNSYLVANIA
Tsy azo adika na alain-tahaka
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Mpampanonta
WATCHTOWER BIBLE AND TRACT SOCIETY OF NEW YORK, INC.
Brooklyn, New York, U.S.A.
Pirinty natao tamin’ny 2012
Tsy natao hamidy ity boky ity. Ny famoahana azy ity dia anisan’ny asa fampianarana
Baiboly maneran-tany tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo.
Raha tsy misy fanamarihana manokana, ireo andinin-tenin’ny Baiboly
dia nalaina avy ao amin’ny Fandikan-teny Malagasy (1997).
Benefit From Theocratic Ministry School Education Malagasy (be-MG)
Made in Japan
Natao tany Japon
Fanatsarana ny Fahaizana Miteny sy Mampianatra
Lesona Pejy Lesona Pejy

1 Vakiteny Tsy Misy Diso . . . . . . . . . . . . 83 29 Toetran’ny Feo . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 181


2 Teny Voatonona Mazava Tsara . . . . . . 86 30 Fiheverana ny Hafa . . . . . . . . . . . . . . . . 186
3 Fanononana Mety Tsara . . . . . . . . . . . 89 31 Fanajana ny Hafa . . . . . . . . . . . . . . . . . . 190
4 Fitenenana Misosa Tsara . . . . . . . . . . . 93 32 Fitenenana Amim-patokisana . . . . . . . 194
5 Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy . . . 97 33 Mahay Mandanjalanja,
6 Fanamafisan-kevitra Mety Tsara . . . . 101 Nefa Hentitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 197
7 Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra . . 105 34 Mahay Mampahery sy
8 Hamafin’ny Feo Antonony Tsara . . . 107 Mijery Lafy Tsaran-javatra . . . . . . . . 202
9 Fanovaovam-peo . . . . . . . . . . . . . . . . . . 111 35 Famerimberenana ho
Fanamafisana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 206
10 Hafanam-po . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 115
36 Fahaiza-mamelabelatra
11 Hatsaram-panahy sy
ny Foto-kevitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . 209
Fihetseham-po . . . . . . . . . . . . . . . . . . 118
37 Fanasongadinana
12 Fihetsehana sy Izay Asehon’ny Ireo Hevi-dehibe . . . . . . . . . . . . . . . . . 212
Endrika . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 121
38 Fampidiran-dresaka Mahaliana . . . . . 215
13 Fijerena ny Mpihaino eo
39 Famaranan-teny Mandaitra . . . . . . . . . 220
Amin’ny Masony . . . . . . . . . . . . . . . . 124
40 Filazana Zavatra Marina . . . . . . . . . . . . 223
14 Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina 128
41 Mora Azon’ny Hafa . . . . . . . . . . . . . . . . 226
15 Fisehoana Ivelany Tsara . . . . . . . . . . . . 131
42 Mampiana-javatra ny Mpihaino . . . . 230
16 Fahatoniana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 135
ˆ 43 Mampiasa Izay
17 Fampiasana Mikro . . . . . . . . . . . . . . . . . 139 Asaina Velabelarina . . . . . . . . . . . . . . 234
18 Fampiasana Baiboly mba 44 Fahaiza-mampiasa Fanontaniana . . . 236
Hamaliana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 143
45 Fanoharana sy Ohatra
19 Fampirisihana Hampiasa Baiboly . . . 145 Hoenti-mampianatra . . . . . . . . . . . . 240
20 Fahaizana Mampiditra Andininy . . . . 147 46 Fanoharana avy Amin-javatra
21 Famakiana Andininy Misy Mahazatra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 244
Teny Hamafisina Tsara . . . . . . . . . . . 150 47 Fahaiza-mampiasa Zavatra
22 Fampiharana Tsara ny Hita Maso . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 247
Andinin-teny . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 153 48 Fahaizana Manjohy Hevitra . . . . . . . . 251
23 Fanasongadinana ny Hevitra 49 Porofo Marim-pototra . . . . . . . . . . . . . 255
Hampiharina . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 157 50 Fiezahana Hanohina ny Fo . . . . . . . . . 258
24 Fahaiza-mifidy Teny . . . . . . . . . . . . . . . 160 51 Vita Ara-potoana sy
25 Fampiasana Drafitra . . . . . . . . . . . . . . . 166 Voatsinjara Tsara . . . . . . . . . . . . . . . . 263
26 Famelabelarana Mirindra Tsara . . . . . 170 52 Fananarana Mandaitra . . . . . . . . . . . . . 265
27 Fitenenana Tsy An-kijery Soratra . . . . 174 53 Fampaherezana sy Fanatanjahana
28 Toy ny Miresaka Andavanandro . . . . 179 ny Mpihaino . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 268
Tonga Soa ato Amin’ny
Sekolin’ny Fanompoana
ANY amin’ny tany maherin’ny 200, dia misy mpianatra an-tapitrisany
maro mandray soa isan-kerinandro avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoa-
na. Toerana an’aliny maro no anaovana an’io sekoly io. Na aiza na aiza
onenanao, dia hahita izany fampianarana izany ianao. Afaka mandray io
fampianarana avy amin’Andriamanitra io maimaim-poana ny olona re-
hetra na firy taona izy na firy taona, na inona na inona foko niaviany, na
firy na firy fianarana vitany.
Fony natomboka tao amin’ireo Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’
i Jehovah io sekoly io tamin’ny 1943, dia nambara toy izao ny zava-ke-
ndreny: “Mba hanomanana ny ‘lehilahy mahatoky’ rehetra, dia ireo na-
ndre ny Tenin’Andriamanitra ka nanaporofo ny finoany azy io, mba ‘ho
afaka hampianatra ny hafa’ ... ka ny tanjona dia ny hahatonga ny tsirai-
ray ... hahay kokoa hampiseho ampahibemaso ny fanantenany.” (Fianara-
na ny Fanompoana Kristianina, frantsay, p. 4)
Tsy niova fa mbola izany ihany no zava-ke-
ndren’ilay sekoly mandraka ankehitriny.
Inona moa, raha ny tena izy, no zava-
tra tsara indrindra azontsika ampia-
sana ny fitenenana, izay fanome-
zana avy amin’Andriamanitra?
Mamaly toy izao ny Baiboly:
“Aoka izay rehetra manam-po-
fonaina samy hidera an’i Jeho-
vah.” (Sal. 150:6) Mampifaly ny
fon’ilay Raintsika any an-danitra
isika, rehefa manao izany. Aseho-
ntsika aminy fa velom-pankasi-
trahana ny fontsika, noho ny ha-
tsaram-pony sy ny fitiavany. Tsy
mahagaga raha ampirisihina “ha-
natitra ny fanati-piderana ... ho
an’Andriamanitra mandrakariva
[ny Kristianina], dia ny vokatry
ny molotra izay manaiky ny ana-
rany”! (Heb. 13:15) Miarahaba
6 Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

anao izahay tonga soa ato amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, izay hana-
mpy anao hanatsara ny fahaizanao mampiasa ireo fanomezana nomen’
Andriamanitra anao mba hiderana azy.
Ny famakian-teny ampahibemaso sy ny fahaizana miteny sy mampia-
natra no tena ifantohana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tsy izay
ihany anefa no zavatra tsara ianarana ao. Rehefa mandray anjara amin’
izy io ianao, dia hampiana mba hahazo fahaizana tena sarobidy toy ny fa-
makian-teny, ny fihainoana sy ny fitadidiana, ny fanaovana fianarana, ny
fanaovana fikarohana, ny fahaiza-mamakafaka sy mandamina hevitra, ny
fahaiza-miresaka, ny famaliana fanontaniana, ary ny fanoratana izay he-
vitrao. Ny Baiboly sy ny boky miorina amin’ny Baiboly no ho fototry ny
fianarana sy ny fanazavana ary ny anjara ao amin’ilay sekoly. Rehefa feno
an’ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny sai-
nao, dia hianatra hanana ny fihevitr’Andriamanitra ianao. Tena hitondra
soa ho anao, eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao, tokoa izany!
Hoy ny nosoratan’i William Lyon Phelps, mpampianatry ny oniversite ta-
min’ny taonjato faha-20: “Tena azo antsoina hoe nahita fianarana izay re-
hetra manana fahalalana lalina momba ny Baiboly. ... Amiko, ny fahalala-
na ny Baiboly tsy arahin’ny fianarana ambony dia sarobidy
kokoa noho ny fianarana ambony tsy arahin’ny fahalalana
ZAVATRA MAMPIAVAKA ny Baiboly.”
ILAY SEKOLY Ny fomba handraisan-tsoa feno
Mazava ho azy fa mba handraisan-tsoa feno avy amin’ny
˙ Famakian-teny sy fampianarana omena ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana,
fianarana ary fikarohana dia tsy maintsy manao ezaka ianao mpianatra. Nampirisika
miorina amin’ny Baiboly, an’i Timoty, namany kristianina, toy izao ny apostoly Paoly:
isan-kerinandro
“Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fa-
˙ Fampianarana momba ny tratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fa-
famakian-teny
ndrosoanao.” (1 Tim. 4:15) Ezaka inona avy no azonao atao?
ampahibemaso sy ny
fahaizana miteny sy Raha mbola azo atao koa, dia manatreha ny Sekolin’ny Fa-
mampianatra nompoana isan-kerinandro. Ampiasao amim-pahendrena
˙ Fandraisana anjara ity boky hoe Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fano-
amin’ny fiaraha-midinika mpoana ity. Soraty eo amin’ilay toerana natao ho amin’iza-
˙ Fanaovana famelabelarana ny eo amin’ny pejy voalohany ny anaranao. Ento foana ity
eo anoloan’ny fiangonana boky ity, rehefa manatrika ilay sekoly ianao. Toy ny kahie
˙ Fanampiana anao koa izy ity. Rehefa mahita hevi-dehibe heverinao fa hana-
manokana mba mpy anao ianao, dia tsipiho ilay izy. Ampiasao ireo sisim-
handrosoanao pejy malalaka mba hanoratana ireo hevitra ianaranao ma-
ndritra ireo anjara samihafa ao amin’ilay sekoly.
Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 7

Ny taratasy fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana dia homena


mitokana. Hisy tsipiriany momba ny fomba hitarihana ilay sekoly koa io
fandaharana io. Avelao ato anatin’ity boky ity ilay izy, mba ho mora hita
sy ho mora raisina.
Rehefa manomana ilay sekoly isan-kerinandro ianao, dia tadidio fa ny
Baiboly no boky fianarana lehibe indrindra ampiasaintsika. Ataovy loha
laharana ny famakiana izay tapany ao amin’ny Baiboly asaina vakina
amin’ilay herinandro. Tena hanampy be dia be koa ny famakiana mialo-
ha ny fanazavana ho an’ireo anjara samihafa, raha vitanao.
Mandritra ilay sekoly, dia mety hisy fahafahana hanomezan’ny mpana-
trika valin-teny. Hararaoty tsara ireny. Hanampy anao hitadidy izay renao
sy hampihatra azy eo amin’ny fiainanao ny fandraisanao anjara amin’ire-
ny fiaraha-midinika ireny.
Mazava ho azy fa hanana fahafahana hanao lahateny na fampisehoana
eo anoloan’ny fiangonana ny mpianatra rehetra. Ampiasao tsara ny tsi-
rairay amin’ireny fahafahana ireny. Miezaha mafy hanatsara izay toetra
takina aminao, raha ny amin’ny fahaiza-miteny. Homena torohevitra ia-
nao, mba hitohizan’ny fandrosoanao. Raiso an-tanan-droa izany fana-
mpiana omena anao manokana izany. Soraty ato amin’ny bokinao izay
fanoloran-kevitra natao mba hihatsaranao. Koa satria ny hafa no mahita
anao tsara kokoa noho ny tenanao, ireo fanoloran-kevitra sy torohevitra
miorina amin’ny Baiboly omena anao amim-pitiavana dia
tena hanampy anao hanao fandrosoana. Marina izany, na dia
efa mpianatra ao amin’ilay sekoly hatramin’ny taona maro ZAVATRA
aza ianao.—Ohab. 1:5. AMPIANARINA
Tianao ve ny hanao fandrosoana haingana kokoa? Afaka
manao izany ianao, raha ny tenanao mihitsy no manao zava- ˙ Fihainoana sy fitadidiana
tra voalohany. Ianaro mialoha ny fanazavana horesahin’ny
˙ Vakiteny ataon’ny tena
mpianatra tsirairay. Amin’izay, raha misy mpisolo toerana ta- manokana
diavina, dia ho afaka hanolo-tena ianao, ary ho za-draharaha
˙ Fanaovana fianarana
kokoa. Rehefa manao ny anjarany ny hafa, dia henoy tsara ny
fomba amelabelarany azy. Maka fianarana avy amin’ny hafa ˙ Fanaovana fikarohana
daholo isika rehetra. ˙ Fahaiza-mamakafaka sy
Fanampin’izany, dia hanafaingana ny fandrosoanao ianao, mandamina hevitra
raha afaka mianatra mialoha ity boky ity. Rehefa avy niana- ˙ Fahaiza-miresaka
tra tsara ny fanazavana ao amin’ireo lesona 15 manaraka ˙ Famaliana fanontaniana
ianao, dia tohizo ihany ny fianaranao mba hahafaoka ilay ˙ Fanoratana izay hevitrao
“Fandaharana mba Hianarana ny Fahaizana Miteny sy Ma-
mpianatra”, manomboka eo amin’ny pejy faha-78. Ianaro
aloha ny lesona tsirairay, ary ataovy ireo fanazaran-tena
8 Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

mifandray aminy. Ampiharo eo amin’ny fanompoanao izay ianaranao.


Tena hanampy anao hahay hiteny sy hampianatra ny Tenin’Andriamani-
tra izany.
Hanampy anao hiomana ho amin’ilay zavatra lehibe indrindra eo
amin’ny fiainana ny fianarana azonao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoa-
na. Koa satria noho ny sitrapon’Andriamanitra no mahavelona antsika,
ny zava-kendren’ny fiainantsika dia ny hidera azy. Mendrika ny hahazo
ny fiderana tsara indrindra i Jehovah Andriamanitra. (Apok. 4:11) Fomba
iray hanatanterahana izany ny fianarana azontsika ao amin’ilay sekoly.
Ao isika dia mianatra ny hisaina amin’ny fomba mazava, sy hitondra tena
amim-pahendrena ary hampita tsara ireo fahamarinana mahatalanjona
avy amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.

FOTOTRA HANORENANA

Tena fahaizana ny mampita hevitra. Tsy maherin’ny in-40 ireo Filazantsara. Zavatra be
ny rehetra no mahay manao izany tsara. Boky dia be no azontsika ianarana avy aminy, mo-
maro no efa nosoratana mba hanampiana ny mba ny fahaizana miteny sy mampianatra.
olona amin’io lafiny io. Mahalala zavatra betsa- Tantarain’ny Baiboly koa ny fomba na-
ka kokoa momba ny fitenenana sy ny mpiasan’i Jehovah Andriamanitra lehilahy sy
fampianarana, noho izay manam-pahaizana re- vehivavy avy tamin’ny fiaviana samihafa, mba
hetra anefa, ny Mpamorona, Ilay nanome ny hanatanterahana ny sitrapony. Nampita hafa-
olombelona ny fahaizana miteny. Niara-niasa tra fohy nefa nahery ny sasany tamin’izy
taminy ny Zanany lahitokana, ilay Mpiasa ireny. Maro no tsy niteny teo anoloan’ny
Faran’izay Mahay, mba hanamboatra ny atido- mpanatrika maro be, nefa nanao fanambarana
han’ny olombelona sy ny taovam-pitenenana tamim-pahatokiana momba ilay Andriamanitra
ary ny zavatra noforonina hafa rehetra. marina sy ny fikasany. Toa tsy mpandahateny
Rehefa noforonina ny anjely, ary avy eo ny nalama vava ny ankamaroan’izy ireny, nefa no-
olombelona, dia io Zanaka io no Tenin’Andria- tahin’Andriamanitra ny ezaka nataony. Afaka
manitra, Ilay nampiasain’Andriamanitra mianatra avy amin’izay lazain’ny Baiboly
voalohany indrindra mba hampita toromarika momba ny nanaovany ny fanompoany isika.
tamin’izy ireo. (Ohab. 8:30; Jaona 1:1-3) To- —Sal. 68:11.
nga Jesosy Kristy Tompo io Zanaka io, rehefa Mazava ho azy fa tsy boky fianarana momba
`
nirahina ho ety an-tany. Hoy ny Baiboly momba ny fitenenana ampahibemaso ny Baiboly. Ireo
azy: “Talanjona ny vahoaka noho ny fampia- mahay mamaky sy mahazo azy tsara anefa dia
narany.” Ary nanamarina izany toy izao ireo hahita hevitra sarobidy momba ny fahaizana
nandre azy: “Tsy mbola nisy olona niteny taha- miteny sy mampianatra. Miezaka hanorina eo
ka izany.” (Matio 7:28; Jaona 7:46) Misy antony ambonin’io fototra io ny boky Mandraisa Soa
matoa miantso an’i Jesosy hoe Mpampianatra avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
`
Mahita Fifaliana ao Amin’ny
Tenin’Andriamanitra
`
“SAMBATRA ny olona izay ... ny lalan’i Jehovah no sitrany.” Ny olona toy iza-
ny dia mamaky ny Tenin’Andriamanitra “andro aman-alina.” (Sal. 1:1, 2) Ma-
hatsapa izany fahasambarana izany ve ianao? Ahoana no ahafahanao mampi-
tombo ilay fifaliana entin’ny Tenin’Andriamanitra ho anao?
Mihainoa rehefa miteny i Jehovah
Aza mamaky teny tsirairay fotsiny. Ataovy hita an’eritreritra ireo fisehoan-
javatra vakinao. Alao sary an-tsaina ny feon’ireo miteny. Rehefa mamaky ireo
toko voalohany amin’ny Baiboly ianao, dia ataovy toy ny renao i Jehovah ma-
mpahafantatra tsikelikely, izay ataony mba hanomanana ny tany hipetrahan’
ny olombelona. Henoy ny filazany amin’ny Zanany, ilay Mpiasa Faran’izay
Mahay, hoe tonga ny fotoana hamoronana ny olombelona voalohany. Alao
sary an-tsaina ilay tarehin-javatra: Mikomy i Adama sy i Eva, mamoaka di-
dim-pitsarana momba azy ireo Andriamanitra, ka avy eo dia mandroaka azy
avy ao amin’ny Paradisa. (Genesisy, toko 1-3) Ataovy toy ny renao, ka ma-
mpahatahotra anao, ilay feo avy any an-danitra mampahafantatra an’i Jeso-
sy Kristy ho ny Zanaka malalan’Andriamanitra, ilay nirahiny mba hanome
ny ainy ho an’ny olombelona. (Matio 3:16, 17) Ataovy toy ny hitanao ny fi-
hetsiky ny apostoly Jaona mahare an’i Jehovah milaza hoe: “Indro, havaozi-
ko ny zavatra rehetra.” (Apok. 21:5) Tena mitondra fahafinaretana tokoa ny
famakiana ny Tenin’Andriamanitra amin’izany fomba izany!
Manohiza mamaky ny teny ara-tsindrimandry, dia hanjary hahafantatra
an’i Jehovah ho Andriamanitra tena misy sy heni-kaja ary mahatahotra ia-
nao. Ho voasintona mafy ianao hanatona Azy, satria tia antsika Izy, mami-
ndra fo amintsika, manampy antsika raha manao ny sitrapony amim-pane-
tren-tena foana isika, ary manampy antsika hahita soa amin’izay rehetra
ataontsika.—Josoa 1:8; Sal. 8:1; Isaia 41:10.
Arakaraka ny andanianao fotoana hamakiana ny Baiboly no hitomboan’ny
fahafaham-ponao, satria mihamitombo ny fahalalanao ny sitrapon’Andria-
manitra momba anao. Tsy izay ihany anefa no fahafinaretana ho tsapanao.
Rehefa manampy anao handamina zava-manahirana amim-pahendrena ny
famakianao Baiboly, dia hilaza toy ilay mpanao salamo ianao hoe: “Mahaga-
ga ny teni-vavolombelonao, ka dia mitandrina azy ny fanahiko.” (Sal.
119:129) Ho faly koa ianao rehefa hitanao avy ao amin’ny Soratra Masina
ireo toro lalana izay hanampy anao hamolavola ny fisainanao sy ny faniria-
nao hifanaraka amin’izay tian’Andriamanitra.—Isaia 55:8, 9.

9
`
10 Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra

Manome tari-dalana ara-pitondran-tena miaro antsika ny Baiboly, ary ma-


mpiseho amintsika ny lalana tsara. Eo am-pamakiantsika azy io, dia tsapantsi-
ka fa tena Ray tokoa i Jehovah, izay mahafantatra ireo voka-dratsy ho hitan’
ny olona iray manaiky ho resin’ny filan’ny nofo mpanota. Tsy tiany hizaka ny
vokatra mahatsiravina tsy maintsy hateraky ny tsy firaharahana ny fitsipiny
ara-pitondran-tena isika. Tiany isika ary tiany hanana ny fomba fiaina tsara
indrindra. Ny famakiantsika ny Teniny dia manampy antsika hahatakatra tsa-
ra kokoa fa fitahiana ny manana azy ho Andriamanitra sady Ray.
Mamakia Baiboly isan’andro
Hoy ny mpanao salamo momba ny olona mamaky ny Tenin’Andriamani-
tra isan’andro: “Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Sal. 1:3) Tsy
tanteraka isika, miaina eo anivon’ny tontolo ratsin’i Satana, ary miezaka ha-
ndrapaka antsika ny Devoly. Na izany aza anefa, raha mamaky sy mampihatra
tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho tomombana ny asa rehetra
ataontsika ka mahakasika ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.
Be dia be ny fanerena hitantsika avy amin’ity tontolo tranainy ity. Hahazo
tanjaka anefa isika, raha mifantoka amin’ireo hevitry ny Mpamorona, na dia
vetivety monja isan’andro aza. Ny sasany izay nampidirina an-tranomaizina
noho ny finoany dia tsy nanana afa-tsy andinin-teny sendra hitany tetsy sy te-
roa, tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro. Nohetezany izy ireny, nianara-
ny tsianjery, ary nosaintsaininy. Nitahy ny ezaka nataony i Jehovah, satria na-
nao izay azony natao izy ireny, teo amin’ny toerana nisy azy, mba handraisana
fahalalana avy tamin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 5:3) Ny ankamaroantsi-
ka anefa manana fahalalahana lehibe lavitra noho izy ireny. Tsy tokony hihe-
vitra isika fa hiteraka vokatra mahagaga eo amintsika ny famakiana haingana
andinin-teny iray indray mandeha isan’andro. Hahazo fitahiana kosa anefa
isika, raha manova ireo zavatra omentsika ny toerana voalohany, mba hama-
kiana ampahany iray ao amin’ny Baiboly isan’andro, sy hieritreretana mo-
mba azy, ary hampiharana azy eo amin’ny fiainantsika.
Azo ampoizina anefa fa ho voakorontana na dia ny fandaharam-potoana
tsara indrindra aza. Rehefa mitranga izany, dia hanome ny toerana voaloha-
ny ho an’izay tena zava-dehibe isika. Tsy hinia tsy hisotro rano mandritra ny
`
iray na roa andro isika, ohatra. Koa na inona na inona ary mipoitra eo amin’
ny fiainantsika andavanandro, dia tokony haka fotoana foana isika hamelo-
mbeloman-tena amin’ny ranon’ny fahamarinana.—Asa. 17:11.
Vakio ny Tenin’Andriamanitra manontolo
Efa namaky ny Baiboly manontolo ve ianao? Misy kivy rehefa hoe hamaky
manomboka eo amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Noho izany,
dia maro tamin’ireo naniry hamaky ny Baiboly manontolo no nanomboka ta-
min’ny famakiana ny Soratra Grika Kristianina. Nahoana? Angamba satria
hitany fa mahakasika azy kokoa ireo bokin’ny Baiboly ireo, noho izy te hana-
`
Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra 11

ra-dia an’i Kristy. Na angamba satria toa tsy be loatra ny tokony hovakina
amin’ireo Soratra Grika Kristianina: mahery kelin’ny ampahefatry ny Baibo-
ly monja. Rehefa avy namaky ireo boky 27 ireo anefa izy, dia niverina tany
amin’ireo boky 39 amin’ny Soratra Hebreo, ka nanomboka namaky sy nanka-
fy azy ireo. Rehefa vitany ny Soratra Hebreo, dia efa nahazo fahazarana ma-
maky Baiboly tsy tapaka izy ireo, ka nanohy izany, tamin’ny famakiana ny So-
ratra Grika Kristianina fanindroany, ary tsy nijanona intsony. Enga anie ianao
hanao ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra ho fahazarana eo amin’ny fiai-
nanao manontolo toy izany koa.
Misy olona tsy mahay mamaky teny ve ao amin’ny fianakavianao na eo
amin’ireo mpiara-manompo aminao? Nahoana raha manipy hevitra ny ha-
maky ny Baiboly tsy tapaka ho an’izany olona izany? Samy handray soa avy
amin’izany na ianao na izy, rehefa misaintsaina sy mampihatra izay renareo.
—Apok. 1:3.
Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety ho te hanao zavatra manokana sasa-
ny mifandray amin’ny famakianao ny Baiboly ianao. Hanampy anao izany ha-
hita ny fifandraisana misy eo amin’ireo tapany samihafa ao amin’ny Baiboly.

ATAOVY FAHAZARANA NY FAMAKIANA NY BAIBOLY ISAN’ANDRO

Tapany lehibe iray amin’ny fampianarana ny Baiboly isan’andro ny famakian’ny fianakavia-


atolotry ny Sekolin’ny Fanompoana ny fandaha- na Baiboly miaraka.
rana famakiana Baiboly. Mampirisika anao hana- Mila mamola-tena ianao mba hamakiana ny
raka azy io izahay. Baiboly isan’andro. Tsy teraka nanana io faniria-
Misy ampahany kely ao amin’ny Baiboly na io ianao. Mila ‘maniry’ ny Tenin’Andriamani-
asaina vakin’ny tsirairay manokana, ary hodinihi- tra ianao. (1 Pet. 2:2) Arakaraka ny ambolenao io
na ao amin’ny sekoly, isan-kerinandro. Ho voava- fahazarana io no itomboan’ny fanirianao hanina
kinao manontolo ny Baiboly, raha arahinao ara-panahy koa. Avy eo dia mety ho tianao ny ha-
miandalana izany. nitatra ny fianarana ataonao, amin’ny fanaova-
Mba hahatonga ny famakianao Baiboly na zavatra manokana sasany mifandray amin’ny
` famakianao sy ny fianaranao ny Baiboly. Hihalali-
isan’andro ho anisan’ny fiainanao, dia manokana
fotoana tsy tapaka hanaovana azy—angamba vao na kokoa amin’izay ny fahatakaranao sy ny fanka-
maraina, na ny antoandro, na amin’ny fotoan’ny sitrahanao ireo harena ara-panahy nomen’i
sakafo hariva, na alohan’ny hatoriana. Tsy ho lasa Jehovah antsika.
fahazarana tsy tapaka ilay izy, raha tapatapany `
Eo am-pamakianao ny Baiboly, dia maka
kely fotsiny no vakinao, rehefa sendra mahita fotoana hisaintsainana momba ny hevitr’izay
fotoana fotsiny ianao. vakinao—izay lazainy aminao momba an’i Jeho-
Raha loham-pianakaviana ianao, dia ampio ny vah, sy ny vokatra tsara haterany eo amin’ny
mpianakavinao hamboly fahazarana tsara. Mety fiainanao, ary ny fomba hampiasanao azy mba
handrisika ny tsirairay hanohy hamaky samirery hanampiana ny hafa.
`
12 Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra

Raha manondro andinin-teny hafa ny andininy sasany ao amin’ny Baiboli-


nao, izy ireny dia mety hanome anao tsipiriany ara-tantara sy fitantarana hafa
mifanitsy aminy. Mety hanampy anao hahafantatra ny toe-javatra nitarika ho
amin’ny fanoratana ireo salamo samihafa sy ireo taratasy nosoratan’ny apo-
stolin’i Jesosy Kristy, izy ireny. Ireo boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra
Masina (frantsay) dia misy fanazavana ara-tantara be dia be momba ireo olo-
na sy toerana ary toetra tsara voalaza ao amin’ny Baiboly. Misy tabilao ao ma-
mpiseho ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly, sy milaza izay mpa-
njaka sy mpaminany niara-belona, ary manome daty mety ho nitrangan’ny
zavatra maro tantarain’ny Baiboly.
Rehefa misaintsaina momba izay ianaranao ianao, dia ho takatrao ny
anton’ny fisehoan-javatra sasany teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ho
azonao koa ny antony nanaovan’i Jehovah zavatra toy izao na toy izao tamin’
ny vahoakany. Ho hitanao ny fomba fijerin’i Jehovah momba ny zavatra
ataon’ireo fitondram-panjakana sy vahoaka ary isam-batan’olona. Hanampy
anao izany hahatakatra tsara kokoa ny fomba fisainany.
Hanjary hahaliana anao kokoa ireo tantara ara-baiboly, rehefa mahita an’
eritreritra ny toerana nisehoany ianao. Mampahafantatra ny toetoetran’ireo
toerana sy ireo elanelan-tany ny sarin’ireo tany voalaza ao amin’ny Baiboly.
Tamin’ny toerana taiza ho aiza, ohatra, no nitan’ny Isiraelita ny Ranomasina
Mena? Nanao ahoana ny haben’ny Tany Nampanantenaina? Tonga hatraiza
ny dian’i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany? Inona avy no zavatra
hitan’i Paoly nandritra ireo dia misionerany? Manome tsipirian-javatra izay
hahatonga ny vakiteninao ho velombelona ireo sarintany sy fanazavana ara-
jeografia. Aiza no hahitanao sarin’ireo tany voalaza ao amin’ny Baiboly? Misy
sasany ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ao
amin’ny Baiboly malagasy sasany. Misy sarintany 70 eo ho eo ao amin’ireo
boky Fahatakarana, ary misy fanondroana sarintany any amin’ny faran’ilay
boky voalohany. Ampiasao ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah
mba hahafantarana izay misy sarintany hafa. Raha tsy manana ireo zavatra
ireo ianao, dia ampiasao ireo sarintany avoaka ao amin’ny Tilikambo Fiambe-
nana mba hanampiana anao eo amin’ny famakianao ny Baiboly.
Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia mankalaza an’i Jehovah i Davida Mpanjaka
ˆ
hoe: “Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra o! Ako-
ry ny hamaron’ny isany!” (Sal. 139:17) Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina,
dia midera an’i Jehovah ny apostoly Paoly, satria “nampahazava ny fonay ho
amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny
tavan’i Jesosy Kristy” Izy. (2 Kor. 4:6) Nisy an-jatony taona maro nampisara-
ka ny fotoana niainan’i Davida sy i Paoly; kanefa, samy nahita fahafinaretana
avy tamin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Ho toy izany koa ianao, raha maka
fotoana hamakiana izay rehetra nomen’i Jehovah anao ao amin’ireo pejin’ny
Teniny ara-tsindrimandry.
“Tandremo ny Fihainonareo”
TAPANY lehibe iray amin’ny fianarana ny fihainoana. Miankina amin’izy
io koa ny fahafahan’ny olona iray ho tafita velona. Nanome toromarika an’
i Mosesy i Jehovah, rehefa niomana hanafaka ny vahoakany avy tamin’ny
fahababoana tany Ejipta izy. I Mosesy indray kosa nilaza tamin’ireo anti-
panahin’ny Isiraely ny zavatra tsy maintsy nataon’izy ireo mba hamonje-
na ny lahimatoany tsy ho voavonon’ilay anjely. (Eks. 12:21-23) Avy eo dia
nampita ilay fanazavana tamin’ny ankohonana tsirairay ireo anti-panahy.
Am-bava no nanaovana izany rehetra izany. Tsy maintsy nihaino tsara ilay
vahoaka. Nanao ahoana ny fihetsiny? Hoy ny Baiboly hoe: “Nataon’ny Za-
nak’Isiraely rehetra izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy
Arona no nataony.” (Eks. 12:28, 50, 51) Ho vokany, dia nafahana tamin’ny
fomba nahazendana ny Isiraely.
Ankehitriny, dia manomana antsika ho amin’ny fanafahana
lehibe lavitra noho izany i Jehovah. Koa tena mendrika ny ho- TOROHEVITRA MBA
` HIHAINOANA TSARA
henointsika tsara ary ny toromarika omeny. Any amin’ireo
fivoriantsika kristianina no anomezana izany toromarika iza-
ny. Mandray soa feno avy amin’ireny fiaraha-mivory ireny ve
ianao? Miankina be dia be amin’ny fomba ihainoanao izany. ˙ Mivavaha mba hifantoka
amin’ny fandaharana
Mahatadidy ireo hevi-dehibe amin’ilay fampianarana ome-
na any am-pivoriana ve ianao? Fahazaranao isan-kerinandro ˙ Jereo tsara ilay
mpandahateny
ve ny mitady fomba hampiharana ilay fampianarana azonao,
na fomba hizarana azy amin’ny hafa? ˙ Zahao ao amin’ny Baiboly
ny andinin-teny tononina,
Ampiomano ny fonao ary araho ny
Mila mampiomana ny fontsika isika mba handraisana soa famakiana azy
feno avy amin’ilay fampianarana omena any amin’ireo fivo- ˙ Fantaro ny zava-kendren’
riana kristianina. Zava-dehibe izany, araka ny asehon’izay ni- ny lahateny
tranga nandritra ny fanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda. ˙ Valio an-tsaina ny
Nahery fo izy niandany tamin’ny fivavahana marina. “Nora- fanontaniana apetraka;
vany tsy ho eo amin’ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha”, henoy tsara ny
` valin-tenin’ny hafa
ary nasainy nampianatra ny Lalan’i Jehovah tamin’ny olona
` ˙ Mandraisa an-tsoratra
tany amin’ny tanana rehetran’ny Joda ny mpanapaka sy ny
Levita ary ny mpisorona. Na izany aza, dia mbola teo ihany fohy
ireo fitoerana avo. (2 Tant. 17:6-9; 20:33) Niorim-paka tokoa ˙ Singano ireo hevitra
ny fivavahana tamin’ny andriamani-diso sy ny fivavahan-diso tianao hampiharina
natolotra ho an’i Jehovah tany amin’ireo fitoerana avon’ny
mpanompo sampy, hany ka tsy voafongotra.
13
14 “Tandremo ny Fihainonareo”

Nahoana no tsy nisy vokany naharitra ilay fampianarana nalamin’i Josa-


fata? Hoy ny tohin’ilay fitantarana: “Ny olona tsy mbola nampiomana ny
fony hitady an’Andriamanitry ny razany.” Nandre izy ireo, saingy tsy na-
nao araka izay zavatra reny. Angamba izy ireo nihevitra fa nanahirana ny
nandeha hanolotra fanatitra tany amin’ny tempoly tany Jerosalema. Na
ahoana na ahoana, dia tsy voatosiky ny finoana ny fon’izy ireo.
Mba tsy ho voataona hiverina any amin’ny fanaon’ny tontolon’i Satana,
dia tsy maintsy mampiomana ny fontsika handray ilay fampianarana
omen’i Jehovah amin’izao andro izao isika. Amin’ny fomba ahoana? Fo-
mba iray lehibe ny vavaka. Tokony hangataka amim-bavaka mba handray
ny fampianaran’Andriamanitra amim-pankasitrahana isika. (Sal. 27:4;
95:2) Hanampy antsika izany hankasitraka ny ezaka ataon’ireo rahalahi-
ntsika tsy lavorary nefa manaiky hampiasain’i Jehovah hampianatra ny va-
hoakany. Hanosika antsika hisaotra an’i Jehovah izany, tsy noho ireo
zava-baovao ianarantsika fotsiny, fa noho isika afaka mampitombo ny fa-
nkasitrahantsika ireo zavatra efa nianarantsika taloha koa. Maniry hanao
ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fomba feno isika, ka mivavaka hoe:
` ˆ
“Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah o, ... ampiraiso ny foko hatahotra ny
anaranao.”—Sal. 86:11.
Ampifantohy ny sainao
Be dia be ny vato misakana ny fihainoantsika tsara. Mety ho feno fana-
hiana ny saintsika. Mety hanelingelina antsika ny tabataba sy ny fihetsi-
ketsehana eo amin’ny mpanatrika na any ivelan’ilay toeram-pivoriana.
Mety ho sarotra amintsika ny mifantoka, raha tsy mahazo aina tsara
isika ao amin’ilay toeram-pivoriana. Matetika ireo manan-janaka kely no
voahelingelina. Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny fandaha-
rana?
Misy heriny lehibe eo amin’izay ifantohan’ny saintsika ny masontsika.
Jereo tsara ilay mpandahateny, mba hahafahanao hifantoka. Rehefa mano-
nona andinin-teny iray izy, na dia andinin-teny efa fantatrao tsara aza, dia
tadiavo ilay izy, ary araho ny famakiany azy. Tohero ny fakam-panahy hi-
todika isaky ny misy tabataba na fihetsiketsehana. Raha be loatra ny zava-
tra manelingelina ampidirin’ny masonao ao an-tsainao, dia ho be dia be
ny zavatra lazaina avy eny amin’ny lampihazo tsy ho renao.
Raha misy “ahiahy” manasarotra ny fifantohanao amin’ny fandaharana,
dia mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana saina sy fo tony izay ilaina
mba hifantohana. (Sal. 94:19; Fil. 4:6, 7) Ataovy imbetsaka izany, raha ilai-
na. (Matio 7:7, 8) Fanomezana avy amin’i Jehovah ho an’ny vahoakany
ireo fivoriana. Afaka matoky ianao fa tiany handray soa avy amin’izy ireny
ianao.—1 Jaona 5:14, 15.
“Tandremo ny Fihainonareo” 15

Rehefa mihaino lahateny


Azo inoana fa mahatsiaro hevitra sasany tena tianao, izay renao tamin’ny
lahateny, ianao. Tsy mba hitadidiana hevitra manaitra sasany fotsiny anefa
no antony hihainoana lahateny iray. Azo ampitahaina amin’ny fanaovana
dia iray ny lahateny. Na dia mety hisy zavatra mahaliana sy tsara hojerena
aza eny an-dalana, ny zava-dehibe dia ny toerana haleha, ny tanjona. Mety
ho ny hitarika ny mpanatrika hanatsoaka hevitra iray na hanosika azy ireo
hanao zavatra iray no tanjon’ilay mpandahateny.
Diniho ilay lahateny nataon’i Josoa tamin’ny firenen’ny Isiraely, hita ao
amin’ny Josoa 24:1-15. Ny tanjony tamin’izay dia ny hanosika ilay vahoaka
hiandany mazava tsara tamin’ny fivavahana marina, ka hihataka tanteraka
tamin’ny fanompoan-tsampin’ireo firenena nanodidina. Nahoana izany no
tena zava-dehibe? Satria fandrahonana lehibe ho an’ilay firenena ny fiele-
zan’ny fivavahan-diso, ka nety ho nampiala azy tamin’i Jehovah. Namaly ny
fiangavian’i Josoa toy izao ilay vahoaka: “Sanatria raha hahafoy an’i Jehovah
izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. ... Izahay koa dia mba hanompo
an’i Jehovah.” Ary nanao izany tokoa izy ireo!—Josoa 24:16, 18, 31.
Rehefa mihaino lahateny iray ianao, dia miezaha hahita ny zava-kendren’
ilay izy. Diniho ny fomba ifandraisan’ireo hevitra avoakan’ilay mpandahate-
ny amin’izany zava-kendrena izany. Manontania tena hoe mitaky ny hanao-
vanao inona ilay fanazavana.

Rehefa mihaino mandritra ireo fiaraha-midinika


Fiaraha-mandinika lahatsoratra ara-baiboly amin’ny alalan’ny fanonta-
niana sy valiny ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, sy ny Fianarana
Boky, ary ny anjara sasany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana.
Misy itoviana amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka iray ny fihai-
noana mandritra ny fiaraha-midinika iray. Mihainoa tsara mba handraisa-
na soa feno. Jereo ny fandehan’ilay resaka. Mariho ny fanantitranteran’ilay
mpitarika ny loha hevitra sy ireo hevi-dehibe. Valio an-tsaina ireo fanonta-
niany. Henoy ny hafa, rehefa manazava sy milaza ny fampiharana ireo he-
vitra izy ireo. Rehefa mandre ny hevitry ny hafa momba ny foto-kevitra iray
efa fantatrao ianao, dia angamba hanana fomba fijery vaovao azy io. Ma-
ndraisa anjara amin’ilay fifanakalozan-kevitra, ka lazao izay tena inoanao.
—Rom. 1:12.
Hanampy anao hifantoka tanteraka amin’ilay fiaraha-midinika sy hanara-
ka ny valin-tenin’ny hafa ny fianarana ilay lesona mialoha. Raha sarotra ami-
nao ny mianatra ilay lesona amin’ny fomba lalina, noho ny toe-javatra misy
`
anao, dia maka minitra vitsivitsy, fara faharatsiny, mba hijerena ny hevitra
ambangovangony amin’ilay lesona, alohan’ilay fivoriana. Handray soa bebe
kokoa avy amin’ilay fiaraha-midinika ianao, raha manao izany.
16 “Tandremo ny Fihainonareo”

Rehefa mihaino any amin’ny fivoriambe


Azo inoana fa betsaka kokoa noho ny any am-pivoriana ny fanelingele-
nana any amin’ireo fivoriambe. Sarotra kokoa ny fihainoana any. Inona no
hanampy antsika?
Fanampiana iray lehibe ny torimaso ampy tsara. Alohan’ny hanombo-
han’ny fandaharana isan’andro, dia tadidio tsara ny loha hevitra. Jereo ny
lohatenin’ny lahateny tsirairay, ary eritrereto mialoha izay holazaina.
Ampiasao tsara ny Baibolinao. Olona maro no mahita fa manampy azy
hifantoka amin’ny fandaharana ny fakana an-tsoratra fohy ireo hevi-dehi-
be. Raiso an-tsoratra izay toromarika tianao hampiharina eo amin’ny
fiainanao na ny fanompoanao. Miresaha momba ny hevitra sasantsasany,
rehefa eny an-dalana ho any amin’ny fivoriambe na avy any, isan’andro.
Hanampy anao hitadidy ilay fanazavana izany.
Ampiofano ny ankizy hihaino
Ny ray aman-dreny kristianina dia afaka manampy ny zanany—na dia ny
mbola zazakely aza—mba ‘ho hendry ho amin’ny famonjena’, amin’ny fi-
tondrana azy any amin’ny fivoriana sy ny fivoriambe. (2 Tim. 3:15) Tsy
maintsy manampy ireo zanany hianatra hihaino tsara ny ray aman-dreni-
ny satria miovaova ny toe-pon’ny ankizy sy ny fotoana ifantohan’ny sainy.
Mety hanampy anao ireto fanoloran-kevitra ireto.
`
Any an-trano, dia mandamına fotoana mba hipetrahan’ireo zanakao kely
tsara sy hamakiany ireo bokintsika na hijereny sary ao. Any am-pivoriana,
dia aza omena kilalao izy ireo mba hipetrahany tsara. Toy ny teo amin’ny
Isiraely fahiny, ny ankizy kely amin’izao andro izao koa dia mamonjy fivo-
riana mba “hihainoany sy hianarany.” (Deot. 31:12) Misy ray aman-dreny
manome iray amin’ilay zavatra ianarana, na dia ho an’ireo zanany mbola
kely aza, isaky ny azo atao. Rehefa lehibe kokoa izy ireo, dia ampio hio-
mana handray anjara amin’ireo fandaharana misy fahafahana hanao
izany.
Asehon’ny Soratra Masina fa mifandray akaiky ny fihainoana an’i Jeho-
vah sy ny fankatoavana azy. Hita izany amin’ireto tenin’i Mosesy tamin’ny
firenen’ny Isiraely ireto: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavo-
lombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny faha-
fatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, ...
dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ... ka hihaino ny feony sy
hifikitra aminy.” (Deot. 30:19, 20) Tena ilaina ankehitriny ny fihainoana
ny fampianarana omen’i Jehovah, arahin’ny fankatoavana sy ny fampiha-
rana izay ianarana, raha maniry ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fiainana
`
mandrakizay isika. Tena iankinan’ny aina ary ny hanarahantsika ny toro-
hevitr’i Jesosy hoe: “Tandremo ny fihainonareo”!—Lioka 8:18.
Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao
NAMORONA ny atidohan’ny olombelona mba hahafahan’izy io hitadi-
dy, i Jehovah Andriamanitra. Izy io dia nataony ho toy ny fitahirizan-ja-
vatra izay tsy misy banga ny zava-tsoa nampidirina tao, na dia akana foa-
na aza. Mifanaraka tsara amin’ny fikasan’Andriamanitra ny hiainan’ny
olombelona mandrakizay ny fomba nanaovana ny atidoha.—Sal. 139:14;
Jaona 17:3.
Mety hihevitra anefa ianao hoe be dia be loatra amin’izay ampidirinao
ao an-tsainao no very. Toy ny hoe tsy ao ilay izy, rehefa ilainao. Inona no
azonao atao mba hanatsarana ny fitadidianao?
Manehoa fahalianana
Tena ilaina mba hanatsarana ny fitadidianao ny fahalianana. Raha mia-
natra hahay handinika sy hihevitra ny olona sy izay mitranga manodidi-
na antsika isika, dia handrisika ny saintsika hiasa izany. Ho mora kokoa
amintsika amin’izay ny haneho fahalianana toy izany koa, rehefa mama-
ky na mandre zava-dehibe isika.
Olona maro no hita fa sahirana vao mahatadidy anaran’
olon-kafa. Mahafantatra anefa isika Kristianina fa zava-dehi- NY FOMBA
be ny olona: ny namantsika kristianina, sy ny olona itoria- HITADIDIANA IZAY
ntsika, ary ny hafa mifandray amintsika eo amin’ny fiainana VAKINAO
andavanandro. Inona no hanampy antsika hitadidy ireo ana-
rana tena tokony hotadidintsika? Ny apostoly Paoly dia ni- ˙ Rehefa avy mamaky
tanisa anaran’olona 26, anisan’ny fiangonana iray nanorata- ampahany amin’ny
ny taratasy. Nanam-piheverana an’ireo olona ireo izy, araka lahatsoratra iray ianao,
ny hita amin’ny fahafantarany ny anaran’izy ireo avy, sy dia manontania tena hoe:
amin’ny fanononany zavatra kely manokana momba ny ‘Inona no hevi-dehibe
tamin’izay novakiko teo?’
maro taminy. (Rom. 16:3-16) Ny mpiandraikitra mpitety fa- Raha tsy tadidinao ilay
ritany sasany eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehi- hevitra fototra, dia
triny koa dia mahay mitadidy anaran’olona, na dia fiangona- tadiavo indray
na samy hafa aza no tsidihiny isan-kerinandro. Inona no ˙ Rehefa avy namaky toko
manampy azy ireo? Angamba mizatra mampiasa imbetsaka na lahatsoratra iray
ny anaran’ny olona iray izy ireo, rehefa miresaka aminy voa- ianao, dia tsapao indray
lohany. Miezaka mampifandray ny anaran’ilay olona amin’ ny fitadidianao. Tanisao
ny tarehiny izy ireo. Fanampin’izany, dia mandany fotoana daholo ny hevi-dehibe.
Raha tsy tadidinao avy
miaraka amin’ny olona maro samihafa izy ireo, eny amin’ny hatrany izy ireo, dia jereo
fanompoana na amin’ny fotoan’ny sakafo. Rehefa mahita indray izay novakinao
`
olona iray ianao, ho tadidinao ve ny anarany? Manana aloha
17
18 Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao

antony tsara hitadidiana ilay anarana; avy eo dia andramo ny sasany


amin’ireo fanoloran-kevitra voalaza teo ireo.
Zava-dehibe koa ny hitadidianao izay vakinao. Inona no hanampy anao
hanatsara izany? Ny fahalianana sy ny fahazoana ny hevitr’izay vakinao.
Tokony ho liana amin’izay vakinao ianao, vao afaka mifantoka tsara
amin’ilay izy. Tsy hisy hevitra ho tadidinao, raha miezaka hamaky teny
ianao, nefa tsy ao ny sainao. Ho azonao kokoa ny hevitr’izay vakinao, re-
hefa mampifandray ilay fanazavana amin’ny zavatra efa mahazatra anao
na amin’ny fahalalana efa anananao ianao. Manontania tena hoe: ‘Ahoa-
na ary rahoviana no ahafahako mampihatra ity fanazavana ity eo amin’
ny fiainako? Ahoana no ahafahako mampiasa azy ity mba hanampiako
olon-kafa?’ Raha teny maromaro no indray vakinao, fa tsy teny tsirairay,
dia hahazo kokoa ny hevitr’izay vakinao ianao. Hahazo hevitra haingana
kokoa ianao, ary hamantatra mora foana ireo hevi-dehibe, ka ho mora ko-
koa ny mitadidy azy ireo.
`
Maka fotoana hanaovana famerenana
Milaza ireo manam-pahaizana momba ny fampianarana fa tena mana-
mpy ny fanaovana famerenana. Nanao fandinihana ny iray taminy, ka na-
mpiseho fa ny iray minitra lany anaovana famerenana avy hatrany dia ha-
mpitombo avo roa heny ny habetsahan’ny zavatra tadidy. Koa raha vao
nahavita ny vakiteninao ianao, na ampahany lehibe taminy, dia avereno
ao an-tsainao ireo hevi-dehibe, mba hampiraiketana azy ao an-tsainao.
Eritrereto ny fomba hanazavanao amin’ny fomba fiteninao izay hevi-bao-
vao nianaranao. Raha mampiasa ny fitadidianao avy hatrany ianao, rehe-
fa avy namaky hevitra iray, dia hanalava ilay fotoana hahafahanao hita-
didy azy.
Avy eo, mandritra ireo andro manaraka, dia ataovy izay hiresahanao
amin’olon-kafa momba ilay zavatra novakinao. Mety ho mpianakavy iray
izany, olona iray ao am-pivoriana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpi-
fanila trano, na olona hitanao eny amin’ny fanompoana. Tsy ireo hevitra
fototra ihany iezahana tadidina, fa ny fanjohian-kevitra araka ny Baiboly
manohana azy ireo koa. Tsy ny tenanao ihany no handray soa avy amin’
izany fa ny hafa koa, satria hitadidy zava-dehibe amin’ny fomba mahari-
tra ianao.
Saintsaino ireo zava-dehibe
Ankoatra ny fanaovana famerenana sy ny firesahana amin’ny hafa mo-
mba izay novakinao, dia ho hitanao fa hanampy anao koa ny misaintsai-
na momba ireo zava-dehibe vao nianaranao. Nanao izany i Asafa sy i
Davida, izay samy mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Hoy i Asafa: “Hampa-
Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao 19

hatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao


fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny natao-
nao.” (Sal. 77:11, 12) I Davida kosa nanoratra hoe: “Mieritreritra Anao
amin’ny fiambenan-alina [aho]”, sy hoe: “Mahatsiaro ny andro fahiny
aho ary misaina ny asanao rehetra.” (Sal. 63:6; 143:5) Manao izany ve ia-
nao?
Tsy vitan’ny hoe hitadidy hevitra fotsiny ianao, rehefa misaintsaina la-
lina sy maharitra toy izany momba ny asan’i Jehovah sy ny toetrany ary
ny sitrapony. Handraikitra zavatra faran’izay lehibe ao am-ponao koa ia-
nao, raha mizatra misaintsaina toy izany. Hamolavola ny maha ianao
anao izany. Hampiseho ireo eritreritrao lalina indrindra ny zavatra tadi-
dinao.—Sal. 119:16.
Ny anjara asan’ny fanahin’Andriamanitra
Rehefa miezaka hitadidy ireo asa nataon’i Jehovah sy ny zavatra nola-
zain’i Jesosy Kristy isika, dia tsy voatery hanao izany irery. Hoy i Jesosy ta-
min’ireo mpanara-dia azy, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Izany teny
izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny
anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro
anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:25, 26)
Nanatrika teo i Matio sy i Jaona tamin’io. Nananatra, na nanampy, azy
`
ireo ve ny fanahy masina? Eny tokoa! Tokony ho valo taona taty aoriana,
dia vitan’i Matio ny fanoratany ilay fitantarana voalohany momba ny fiai-
nan’i Kristy. Anisan’ireo zavatra sarobidy tsaroany ka nampidiriny tao ny
Toriteny teo An-tendrombohitra sy ny famantarana ny fanatrehan’i Kri-
sty sy ny fifaranan’ity tontolo ity. Dimy amby enimpolo taona taorian’ny
nahafatesan’i Jesosy, dia nanoratra ny Filazantsarany ny apostoly Jaona,
anisan’izany ireo zavatra maro be nolazain’i Jesosy tamin’ilay alina fara-
ny niarahan’ireo apostoly tamin’ny Tompo, talohan’ny nanomezany ny
ainy. Azo antoka fa na i Matio na i Jaona dia samy nahatadidy mazava tsa-
ra ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony, fony izy ireo niaraka taminy.
Kanefa tsy azo lavina ny anjara asan’ny fanahy masina, izay nanampy azy
ireo hitadidy tsipirian-javatra lehibe tian’i Jehovah ho voarakitra ao
amin’ny Teniny.
Mbola manampy ny mpanompon’Andriamanitra toy izany ihany ve ny
fanahy masina ankehitriny? Eny tokoa! Mazava ho azy fa tsy hametraka
ao an-tsaintsika zavatra mbola tsy rentsika mihitsy ny fanahy masina.
Hanampy kosa izy amin’ny famerenana ao an-tsaintsika zava-dehibe nia-
narantsika tamin’ny lasa. (Lioka 11:13; 1 Jaona 5:14) Avy eo, amin’ny
20 Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao

fotoana ilana azy, ny fahaizantsika misaina dia voataona ‘hahatsiaro ny


teny voalazan’ny mpaminany masina sy ny didin’ny Tompo sady Mpa-
monjy.’—2 Pet. 3:1, 2.
‘Tsy tokony hanadino ianareo’
Namerimberina nampitandrina ny Isiraely i Jehovah hoe: ‘Tsy tokony
hanadino ianareo.’ Tsy nantenaina hitadidy ny zavatra rehetra tamin’ny
an-tsipiriany akory izy ireo. Tsy tokony ho revo loatra tamin’ny raharaha-
ny manokana kosa anefa izy ireo, ka hanadino ireo zavatra nataon’i Jeho-
vah. Nasaina notadidin’izy ireo mazava tsara tao an-tsainy ny namonjen’i
Jehovah azy, fony ny anjeliny namono ny lahimatoan’i Ejipta rehetra, sy
fony izy nanokatra ny Ranomasina Mena ary namerina azy avy eo, ka na-
hafaty an-drano an’i Farao sy ny tafiny. Nasaina notsarovan’ny Isiraelita
`
fa nanome azy ireo ny Lalany teo amin’ny Tendrombohitra Sinay Andri-
amanitra, ary nitarika azy ireo hamakivaky ny efitra sy hiditra tao amin’
ny Tany Nampanantenaina. Tsy tokony hanadino izy ireo, amin’ny hevi-
ny hoe tokony hitohy foana ny fitadidiany ireny zavatra ireny, mba hisy
vokany lalina foana eo amin’ny fiainany andavanandro.—Deot. 4:9, 10; 8:
10-18; Eks. 12:24-27; Sal. 136:15.
Tsy maintsy miezaka ny tsy hanadino koa isika. Rehefa miatrika ireo fa-
nerena eo amin’ny fiainana isika, dia mila mahatsiaro an’i Jehovah. Mila
mitadidy ireo toetran’Andriamanitra isika, sy ny halehiben’ny fitiavany
tamin’ny nanomezany ny Zanany, izay hahazoantsika fanavotana amin’
ny fahotantsika ary koa fiainana lavorary mandrakizay. (Sal. 103:2, 8; 106:
7, 13; Jaona 3:16; Rom. 6:23) Hampiraikitra ireny fahamarinana sarobidy
ireny ao amintsika ny famakiana Baiboly tsy tapaka sy ny fandraisana
anjara amin-jotom-po amin’ny fivoriana sy ny fanompoana.
Rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ianao, na lehibe izany
na kely, dia tsarovy ireny fahamarinana tena lehibe ireny, ary avelao ha-
nan-kery eo amin’ny fomba fisainanao. Aza manadino. Mitodiha any
amin’i Jehovah mba hahazoana tari-dalana. Aza mijery zavatra araka ny
fomba fijery ara-nofo fotsiny, na hoe hitoky amin’ny fientanan’ny fonao
tsy lavorary, fa manontania tena hoe: ‘Torohevitra na toro lalana inona
avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no tokony hanampy ahy amin’izao
fanapahan-kevitra izao?’ (Ohab. 3:5-7; 28:26) Tsy afaka mitadidy zavatra
mbola tsy novakinao na renao ianao. Rehefa mihamahazo fahalalana ma-
rina sy mihatia an’i Jehovah anefa ianao, dia hitatra ny tahirim-pahala-
lana ho tadidinao noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. Ho
voatosika hanao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany ianao re-
hefa mitombo ny fitiavanao an’i Jehovah.
Milofosa Amin’ny Famakian-teny
TSY afaka manao izao ataonao izao ny biby. Ny olombelona indray, dia
1 ao anatin’ny 6 no tsy nianatra namaky teny, matetika noho izy tsy afa-
ka nankany an-tsekoly. Maro amin’ireo nianatra no tsy mazoto mamaky
teny. Kanefa noho ny fahaizanao mamaky teny, ireo soratra vakinao dia
hitondra anao any an-tany hafa, sy hampifankahalala anao amin’olona
manana fiainana mahaliana sy mampahery, ary hanome anao fahalala-
na izay hanampy anao hizaka ireo fanahiana eo amin’ny fiainana.
Miankina amin’ny fahaizany mamaky teny ny vokatra ho azon’ny
ankizy iray avy amin’ny fianarany. Rehefa hitady asa izy, ilay karazan’asa
ho azony sy ny isan’ny ora tsy maintsy hiasany mba hameloman-tena
dia mety hiankina amin’ny fahaizany mamaky teny. Hahay hikaraka-
ra kokoa ny fianakaviany ny vehivavy mahay mamaky teny tsara,
satria afaka mianatra manome azy sakafo mahavelona, sy
mitandro ny fahadiovana ary misoroka aretina. Mety hisy MAHAFAOKA
heviny tsara eo amin’ny fitomboana ara-tsain’ny zanany ny INONA AVY NY
fahaizan’ny reny mamaky teny tsara. FANDAHARAM-
Mazava ho azy fa ny soa lehibe indrindra azo avy amin’ny PAMAKIAN-TENINAO?
famakian-teny dia noho izy io mahatonga anao ‘hahita ny
fahalalana an’Andriamanitra.’ (Ohab. 2:5) Miankina amin’ ˙ Ny Baiboly ve no loha
lisitra?
ny fahaizana mamaky teny ny lafiny maro amin’ny fano-
mpoantsika an’Andriamanitra. Mamaky Baiboly sy boky ˙ Mamaky Ny Tilikambo
Fiambenana sy ny
ara-baiboly isika any am-pivoriana. Miankina be dia be
Mifohaza! tsy tapaka
amin’ny fomba famakianao teny ny vokatra azonao eny ve ianao?
amin’ny fanompoana. Mitaky famakian-teny ny fanomana-
˙ Mamaky avy hatrany ireo
na ireo zavatra roa ireo. Noho izany, dia miankina be dia be boky vaovao ve ianao?
amin’ny fahazaranao mamaky teny ny fitomboanao ara-pa-
˙ Rehefa mahazo Ny
nahy. Fanompoantsika Ilay
Hararaoty tsara ny fahafahana anananao Fanjakana ianao, vakinao
ve ireo torohevitra
Voafetra ny fianarana hitan’ny sasany amin’ireo mianatra momba ny fanompoana?
momba ny lalan’Andriamanitra. Mety hila ny hampianarina
˙ Firy amin’ireo boky
hamaky teny izy ireo, mba hanatsarana ny fandrosoany ara- tranainy kokoa an’ny
panahy. Na mety hila fanampiana manokana izy mba hana- Vavolombelon’i Jehovah
tsarana ny fahaizany mamaky teny. Any amin’izay ilana no efa novakinao?
izany, dia mandamina kilasy fianarana mamaky teny sy
manoratra, ampiasana ny boky Miezaha Mamaky Teny sy
21
Manohiza milofo amin’ny famakian-teny
ampahibemaso

Mamolavola ny toetran’ny zanakao


ny zavatra vakinao aminy

Misy vokany eo
amin’ny fitomboanao
ara-panahy ny
fahazaranao
mamaky teny

Mianara maneho fihetseham-po


rehefa mamaky teny ampahibemaso
Milofosa Amin’ny Famakian-teny 23

Manoratra, ireo fiangonantsika. Olona an’arivony maro no efa nandray


soa be dia be avy tamin’io fandaharana io. Tena ilaina ny mahay mama-
ky teny tsara, hany ka misy fiangonana manao ilay kilasy fianarana ma-
maky teny miaraka amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Na dia tsy misy
izany kilasy izany aza eo amin’ny misy azy, dia afaka mandroso tsara
ihany ny olona iray, raha maka fotoana hamakian-teny amin’ny feo
avo isan’andro sy manatrika ny sekoly tsy tapaka ary mandray anjara
aminy.
Mampalahelo fa nahatonga olona maro tsy hamaky teny firy ireo boky
feno sary sy ny televiziona. Ny fijerena televiziona sy ny tsy famakian-
teny firy dia mety hanakantsakana ny fiezahan’ny olona iray hahay ha-
maky teny tsara, sy hisaina mazava ary hilaza tsara ny heviny.
Ny boky sy gazety omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”
no hanampy antsika hahazo ny hevitry ny Baiboly. Tondraka ny fanaza-
vana momba ny raharaha ara-panahy tena lehibe ao anatin’izy ireny.
(Matio 24:45; 1 Kor. 2:12, 13) Manampy antsika haharaka ireo vaovao
lehibe maneran-tany sy hahazo ny heviny koa izy ireny, sy mampahafa-
ntatra antsika tsara kokoa momba ny zavaboary, ary mampianatra antsi-
ka hizaka ireo fanahiana mahazo antsika. Ny fomba hanompoana an’
Andriamanitra amin’ny fomba azony ekena sy hahazoana ny fankasitra-
hany anefa no tena antitranteriny. Hanampy anao ho tonga olona araka
ny fanahy ny vakiteny madio toy izany.
Mazava ho azy fa tsy ilay fahaizana mamaky teny fotsiny akory no za-
vatra tsara. Ilaina hampiasaina araka ny tokony ho izy io fahaizana io.
Toy ny fihinanana, ny famakian-teny dia tsy maintsy omban’ny fahaiza-
mifantina. Nahoana ianao no hihinana sakafo tsy tena mahavelona na
mety hanapoizina anao mihitsy aza? Toy izany koa, nahoana ianao no
hamaky lahatsoratra hanimba ny sainao sy ny fonao, eny fa na dia vaki-
na sendrasendra fotsiny aza? Tokony hanampy antsika hamaritra izay za-
vatra fidintsika hovakina ireo toro lalan’ny Baiboly. Alohan’ny hanapa-
hanao hevitra hoe inona no hovakinao, dia tadidio ireto andinin-teny
ireto: Mpitoriteny 12:12, 13; Efesiana 4:22-24; 5:3, 4; Filipiana 4:8; Kolo-
siana 2:8; 1 Jaona 2:15-17; ary 2 Jaona 10.
`
Manana antony tsara hamakian-teny
Rehefa mamaky ireo Filazantsara isika, dia hitantsika mazava fa zava-
dehibe ny manana antony tsara hamakian-teny. Ohatra, ao amin’ny
Filazantsaran’i Matio isika dia mamaky momba an’i Jesosy nametra-pa-
nontaniana toy ny hoe “Tsy mbola novakinareo va?”, talohan’ny nano-
mezany valiny araka ny Soratra Masina an’ireo mpitondra fivavahana
24 Milofosa Amin’ny Famakian-teny

nahay Baiboly nefa feno hafetsen-dratsy. (Matio 12:3, 5; 19:4; 21:16, 42;
22:31) Ny lesona tsoahintsika avy amin’izany dia hoe: Raha tsy tsara ny
antony manosika antsika hamaky teny, dia hanatsoaka hevitra diso isi-
ka, na tsy hahazo ilay hevitra lazaina mihitsy. Namaky ny Soratra Masina
ireo Fariseo, satria nataony fa izany no hahazoany ny fiainana mandra-
kizay. Nasehon’i Jesosy mazava fa tsy omena an’ireo tsy tia an’Andriama-
nitra sy tsy manaiky ny fomba famonjeny io valisoa io. (Jaona 5:39-43)
Feno fitiavan-tena ireo Fariseo, ka maro tamin’ireo fanatsoahan-keviny
no diso.
Ny fitiavana an’i Jehovah no antony madio indrindra hamakiantsika
ny Teniny. Mandrisika antsika hianatra ny sitrapon’Andriamanitra izany
fitiavana izany, satria ny fitiavana “miara-mifaly amin’ny fahamarina-
na.” (1 Kor. 13:6) Na dia tsy tia namaky teny aza isika taloha, ny fitiava-
ntsika an’i Jehovah amin’ny ‘saintsika rehetra’ dia hanosika antsika
hampiasa mafy ny saintsika mba hianarana ny fahalalana an’Andri-
amanitra. (Matio 22:37) Manaitra fahalianana ny fitiavana, ary ny faha-
lianana kosa mandrisika hianatra.
Ny hafainganan’ny famakian-teny
Mifanindran-dalana amin’ny famantarana teny ny famakian-teny. Na
dia amin’izao ianao mamaky teny izao aza, dia mahay mamantatra
ireo teny sy mahatadidy ny heviny avy, ianao. Afaka mampitombo
Mifanatona kokoa ny mpianakavy miara-mamaky teny ny hafainganan’ny famakianao
teny ianao, raha mampitombo
ny isan’ny teny hainao fantari-
na avy hatrany. Aza mijanona
hijery teny tsirairay, fa miezaha
hahita teny maromaro indray
miaraka. Rehefa mihamitombo
io fahaizana io, dia ho mora
azonao kokoa izay vakinao.
Rehefa foto-kevitra lalina ko-
koa anefa no vakinao, dia mety
hitombo ny voka-tsoa horaisi-
nao, raha mampiasa fomba iray
hafa ianao. Nanome an’i Josoa
izao torohevitra izao momba ny
famakiany ny Soratra Masina i
Jehovah: “Aoka tsy hiala amin’
`
ny vavanao ity bokin’ny lalana
Milofosa Amin’ny Famakian-teny 25

ity, fa saintsaino.” (Josoa 1:8) Rehefa misaintsaina ny olona iray, dia mie-
ritreritra lalina; tsy maimaika izy. Manjary miraikitra mafy kokoa ao an-
tsaina sy ao am-po ny Tenin’Andriamanitra, rehefa vakina sady sai-
ntsainina. Ny Baiboly dia misy faminaniana, torohevitra, ohabolana,
tononkalo, didim-pitsaran’Andriamanitra, tsipiriany momba ny fikasan’i
Jehovah, ary ohatr’olona tena nisy maro be—samy sarobidy avokoa ireo
ho an’izay maniry handeha eo amin’ny lalan’i Jehovah. Tena mitondra
soa tokoa ny famakiana ny Baiboly amin’ny fomba izay hampiraikitra
azy lalina ao an-tsainao sy ao am-ponao!
Mianara mifantoka
Rehefa mamaky teny ianao, dia ampidiro ao amin’ilay tarehin-javatra
vakinao ny tenanao. Miezaha hahita ireo olona amin’ny mason’ny sai-
nao, sy hahatsapa ny fihetseham-pony. Toa mora ny manao izany, rehe-
fa mamaky fitantarana toy ilay momba an’i Davida sy i Goliata, hita ao
amin’ny 1 Samoela toko faha-17. Na dia ireo tsipirian-javatra ao amin’ny
Eksodosy sy Levitikosy momba ny fanorenana ny tabernakely na ny fi-
soronana koa aza anefa dia hanjary ho toy ny tena misy, rehefa hitanao
an’eritreritra ireo refy sy fitaovana voalaza, na rehefa alainao sary an-tsai-
na ny fofon’ilay emboka manitra sy ilay lango ary ireo biby natolotra ho
fanatitra dorana. Eritrereto ny fahatahorana niharo fanajana tsy maintsy
ho tsapan’izay niantsoroka ny asan’ny fisoronana! (Lioka 1:8-10) Raha
ampiasainao toy izany ny fihetseham-ponao sy ny fahaizanao mahatsa-
pa sy mahita ary mandre zavatra, dia hahazo ny hevitr’izay vakinao ia-
nao, no sady hahatadidy azy.
Raha tsy mitandrina anefa ianao, dia mety hiriorio ny sainao rehefa
mamaky teny ianao. Mety hijery ilay pejy ny masonao, nefa ny eritreri-
trao mety ho any an-kafa. Misy mozika mandeha ve? Mandeha ve ny te-
leviziona? Miresaka ve ny mpianakavy hafa? Raha azo atao, dia ny ma-
maky teny ao amin’ny toerana mangina no tsara indrindra. Kanefa, mety
ho avy amin’ny tenanao ihany ny fanelingelenana. Angamba be dia be
`
ny zavatra nataonao nandritra ny andro. Mora ery ny mamerina azy ire-
ny indray ao an-tsainao! Tsara ny manao izany, saingy tsy mandritra ny
famakianao teny. Angamba mifantoka tsara ny sainao amin’ny voaloha-
ny, na mety hivavaka mihitsy aza ianao alohan’ny hamakianao teny. Eny
am-pamakiana anefa, dia manomboka mibirioka ny sainao. Andramo
indray. Mianara mamola-tena, mba hifantohan’ny sainao amin’izay va-
kinao. Hahita fihatsarana miandalana ianao.
Inona no ataonao, rehefa mahita teny tsy azonao ianao? Angamba ha-
zavaina na resahina ao amin’ilay lahatsoratra ny teny tsy mahazatra
26 Milofosa Amin’ny Famakian-teny

sasany. Na mety hahatakatra ny heviny avy amin’ny teny manodidina


`
azy ianao. Raha tsy izany, dia maka fotoana hijerena ilay teny ao amin’
ny diksionera, raha misy, na mariho ilay izy, ary anontanio amin’ny
olon-kafa ny heviny any aoriana. Hampitombo ny voambolanao izany
sady hanatsara ny fahazoanao ny hevitr’izay vakinao.
Ny famakian-teny ampahibemaso
Rehefa nasain’ny apostoly Paoly nanohy nilofo tamin’ny famakian-
teny i Timoty, dia ny famakian-teny ho an’ny hafa no tena tiany horesa-
hina. (1 Tim. 4:13) Tsy famakian-teny amin’ny feo avo fotsiny akory no
atao hoe famakian-teny ampahibemaso mandaitra. Mila ny mahazo ny
hevitr’ireo teny sy izay tian’izy ireo holazaina ilay mpamaky teny. Rehe-
fa manao izany ihany izy vao afaka mampita tsara ireo hevitra sy maneho
tsara ireo fihetseham-po. Mazava ho azy fa mitaky fanomanana sy fana-
zaran-tena amim-pitandremana izany. Noho izany, dia nampirisika i Pao-
ly hoe: “Tandremo ny famakian-teny.” Hahazo fampiofanana sarobidy
momba izany ianao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
`
Maka fotoana hamakian-teny
“Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; fa ny maimaika rehe-
tra dia halahelo ihany.” (Ohab. 21:5) Tena marina izany, raha ny amin’
ny faniriantsika hamaky teny! Raha te ‘hanankarena’ isika, dia tsy toko-
ny ho maimaika, fa mila mihevitra ny hanao fandaharana mialoha, mba
tsy hisy zavatra hafa haka ny toeran’ny famakiantsika teny.
Amin’ny fotoana toy inona ianao no mamaky teny? Andraisanao soa
ve ny famakianao teny vao maraina? Sa matsilo kokoa ny sainao, aoria-
na kokoa amin’ny andro? Raha afaka manokana na dia 15 na 20 minitra
isan’andro monja aza ianao mba hamakian-teny, dia ho talanjona hahi-
ta ny habetsahan’izay vitanao. Ny fanaovana azy tsy tapatapaka no tena
ilaina.
Nahoana i Jehovah no nifidy ny hampanoratra ny fikasany lehibe ao
amin’ny boky iray? Mba hahafahan’ny olona haka hevitra ao amin’ny
Teniny voasoratra. Afaka mianatra momba ireo asa mahatalanjon’i Jeho-
vah izy ireo, sy milaza azy ireny amin’ny zanany, ary mitadidy ireo fomba
fanaovan’Andriamanitra zavatra. (Sal. 78:5-7) Ny fomba tsara indrindra
hanehoantsika ny fankasitrahantsika ny fahalalahan-tanan’i Jehovah
amin’io lafiny io, dia ny filofosantsika hamaky ny Teniny izay manome
aina.
Mitondra Valisoa ny Fianarana
EFA nandinika olona nifidy voankazo ve ianao? Ny ankamaroany mijery ny
lokony sy ny habeny, mba hamantarana raha masaka ilay izy. Ny sasany mio-
roka ny fofon’ilay voankazo. Ny hafa mikasika azy, manapotsipotsitra azy mi-
hitsy aza. Ny hafa koa mitsapa ny havesatr’ilay izy, amin’ny fampifandanja-
na azy amin’ny tanana roa, mba hamantarana izay be ranony kokoa. Inona
no eritreretin’ireo olona ireo? Mamakafaka tsipirian-javatra izy ireo, mano-
mbantombana ireo fahasamihafana, mitadidy ireo safidy nataony taloha, ary
mampitaha izay hitany izao amin’izay efa fantany. Voankazo mamy no vali-
soa azony noho ny fanehoany fitandremana.
Mazava ho azy fa lehibe lavitra noho izany ny valisoa entin’ny fianarana
ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainantsi-
ka ny fianarana, dia mihamatanjaka ny finoantsika, mihalalina ny fitiavantsi-
ka, manjary misy vokany ny fanompoantsika ary hita amin’ny fanapa-
han-kevitra raisintsika fa mahay manava-javatra sy manana ny
fahendren’Andriamanitra isika. Hoy ny Ohabolana 3:15, mo-
mba ireo valisoa ireo: “Izay rehetra irinao tsy misy azo ampita- MBA HIJINJANA IREO
haina aminy.” Efa nahatsapa izany ve ianao? Mety hiankina VALISOA LEHIBE
amin’ny fomba fianatrao izany.—Kol. 1:9, 10. INDRINDRA, DIA
Inona no atao hoe mianatra? Tsy manao vakiteny ambango-
vangony fotsiny akory izany. Mampiasa ny sainao ianao, mba ˙ Ampiomano ny fonao
handinihana tsara sy lalina ny foto-kevitra iray. Mamakafaka ˙ Jereo mialoha ilay zavatra
izay vakinao ianao, mampitaha azy amin’izay efa fantatrao, ary hianarana
manamarika ireo antony ilazana zavatra sasany. Rehefa miana- ˙ Avaho tsara ireo
tra ianao, dia mieritrereta lalina momba izay hevitra mety ho fanazavana lehibe
vaovao aminao. Diniho koa ny fomba azon’ny tenanao ampiha- ˙ Diniho ny antony
rana tsara kokoa ny torohevitry ny Baiboly. Vavolombelon’i Je- ara-baiboly ilazana
hovah ianao, ka tokony hieritreritra momba ireo fahafahana ha- zavatra sasany
mpiasa ilay fanazavana mba hanampiana ny hafa koa. Mazava ˙ Anaovy famerenana ireo
ho azy fa mila misaintsaina ianao rehefa mianatra. hevi-dehibe
Fananana ny toe-tsaina mety, rehefa hianatra ˙ Saintsaino ny ho
Rehefa miomana hianatra ianao, dia mamoaka zavatra toy ny vokatr’izay ianaranao
Baibolinao, ireo boky kasainao hampiasaina, stylo na fanorata- eo amin’ny fiainanao
na hafa, ary angamba kahie iray. Manomana ny fonao koa ve ˙ Mitadiava fahafahana
anefa ianao? Milaza amintsika ny Baiboly fa i “Ezra nampioma- hampiasa ilay fanazavana
` ` mba hanampiana ny hafa
na ny fony hitady ny lalan’i Jehovah ka hankato izany ary ha-
mpianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10) Inona no
atao mba hampiomanana ny fo?

27
28 Mitondra Valisoa ny Fianarana

Manampy antsika hanana ny fihetsika tsara ilaina ny vavaka, rehefa hande-


ha hianatra ny Tenin’Andriamanitra isika. Tiantsika ny fontsika ho vonon-ka-
ndray ny fampianaran’i Jehovah. Isaky ny hianatra ianao, dia mangataha ny
fanampian’ny fanahin’i Jehovah. (Lioka 11:13) Angataho izy hanampy anao
hahatakatra ny hevitr’izay hianaranao, ny fomba ifandraisan’ilay izy amin’
ny fikasany, ny fomba anampian’ilay izy anao hahay hanavaka ny tsara sy ny
ratsy. Angataho koa izy hanampy anao hahita ny fomba tokony hampihara-
nao ny toro lalany eo amin’ny fiainanao, ary ny tokony ho vokatr’ilay fana-
zavana eo amin’ny fifandraisanao aminy. (Ohab. 9:10) ‘Mangataha fahe-
ndrena amin’Andriamanitra’ mandritra ilay fianarana. (Jak. 1:5) Aorian’ny
fianaranao, dia mandiniha tena amim-pahatsorana, rehefa mitady ny fana-
mpian’i Jehovah mba hialana amin’ny hevi-diso na ny fanirian-dratsy ianao.
`
‘Midera an’i Jehovah’ foana noho ireo zavatra ampahafantariny. (Sal. 147:7)
Manjary manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika, rehefa ampiara-
hintsika amin’ny vavaka ny fianarantsika. Voatosika hidera azy isika, rehefa
miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny izy.—Sal. 145:18.
Mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’ny olona hafa izany fihetsika vo-
non-kandray izany. Eo amin’ireo tsy tia an’Andriamanitra, dia fanaon’ny olo-
na ny misalasala sy manohitra izay zavatra voasoratra. Tsy izany anefa no fi-
hetsitsika. Mitoky amin’i Jehovah isika. (Ohab. 3:5-7) Raha misy zavatra tsy
azontsika, dia tsy hiana-kendry isika ka hanatsoaka hevitra hoe ilay izy no tsy
maintsy diso. Sady mikaroka sy mandalina mba hahazoana valiny isika, no
miandry an’i Jehovah. (Mika 7:7) Sahala amin’i Ezra, dia ny hampihatra sy
hampianatra izay ianarantsika no zava-kendrentsika. Ho tondraka ny valisoa
ho azontsika avy amin’ny fianarantsika, raha manana izany faniriana izany
ny fontsika.
NY FOMBA Ny fomba fianatra
ANDINIHANA MIALOHA Aza tonga dia asesy avy hatrany ny fehintsoratra rehetra, ha-
ILAY ZAVATRA `
treo amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, fa maka aloha
HIANARANA
fotoana hijerena mialoha ilay lahatsoratra na ilay toko mano-
˙ Fakafakao ireo teny ao ntolo. Ireo teny ao amin’ilay lohateny no fakafakao voalohany.
amin’ilay lohateny Io no loha hevitr’ilay zavatra hianaranao. Avy eo, dia diniho
˙ Diniho ny ifandraisan’ny tsara ny fomba ifandraisan’ireo lohatenikely amin’io loha he-
lohatenikely tsirairay vitra io. Jereo ireo sary, tabilao, na faritra voafefy miaraka
amin’ilay lohateny amin’ilay lahatsoratra. Manontania tena hoe: ‘Araka izay fandi-
˙ Jereo ireo sary, tabilao, nihana mialoha izay, inona no hianarako ato? Fianarana saro-
na faritra voafefy bidy inona no ho azoko avy amin’izy ity?’ Hamaritra ny ho
zava-kendren’ilay fianarana hataonao izany.
`
Atombohy ary ilay fianarana. Misy fanontaniana ireo laha-
tsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny
Mitondra Valisoa ny Fianarana 29

boky sasany. Rehefa mamaky ny fehintsoratra tsirairay ianao, dia hanampy


anao ny fanipihana ireo valiny. Na dia tsy misy fanontaniana aza ilay laha-
tsoratra, dia mbola mety hanipika ireo hevi-dehibe tianao hotadidina ihany
ianao. Raha vaovao aminao ny hevitra iray, dia andanio fotoana kely fana-
mpiny mba hahazoanao antoka fa takatrao tsara ilay izy. Jereo manokana izay
fanoharana na fanjohian-kevitra hanampy anao eo amin’ny fanompoana eny
amin’ny saha, na ho azo ampidirina ao amin’ny lahateny na anjara iray any
aoriana. Eritrereto izay olona azonao ampitana ilay zavatra nianaranao, ka ho
afaka hanatanjaka ny finoany avy amin’ilay izy. Tsipiho ireo hevitra tianao
hampiasaina, ary ivereno rehefa vita ilay fianaranao.
Eo am-pandinihana ilay lahatsoratra, dia jereo ireo andinin-teny voatono-
na ao. Fakafakao ny ifandraisan’ny andinin-teny tsirairay amin’ny zava-ke-
ndrena ankapoben’ilay fehintsoratra.
Mety hahita hevitra tsy azonao avy hatrany na tianao hanaovana fikaroha-
na lalina kokoa, ianao. Aza variana amin’ireny, fa mariho fotsiny izy ireny
mba hodinihinao any aoriana. Matetika no hazavaina ao amin’ny tohin’ilay
zavatra ianarana izy ireny. Raha tsy izany, dia afaka manao fikarohana fana-
mpiny ianao. Zavatra inona avy no azo marihina manokana toy izany? Anga-
mba misy andinin-teny iray tsy azonao tsara. Na mety ho tsy hitanao avy ha-
trany ny ifandraisany amin’ilay foto-kevitra resahina. Na angamba ianao
mihevitra fa azonao ny hevitra iray ao amin’ilay lahatsoratra, saingy tsy tena
mazava tsara aminao ka tsy hainao hazavaina amin’olon-kafa. Aza lalovana
fotsiny ireny, fa mety ho fahendrena ny hanaovana fikarohana momba azy
ireny, rehefa vitanao ilay fianarana natombokao.
Rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Kristianina hebreo ny apostoly
Paoly, dia niato teny antenatenany, ka nilaza hoe: “Izao no fotony.” (Heb. 8:1)
Mampahatsiahy ny tenanao toy izany ve ianao indraindray? Diniho ny anto-
ny nanaovan’i Paoly izany. Tao amin’ireo toko teo aloha, dia efa nasehony fa
efa niditra tany an-danitra i Kristy, mba ho Mpisoronaben’Andriamanitra.
(Heb. 4:14–5:10; 6:20) Kanefa navahany tsara sy noantitranteriny io hevi-de-
hibe io eo am-piandohan’ny toko faha-8. Izany dia mba hampiomanana ny
sain’ny mpamaky azy hieritreritra lalina momba ny nifandraisan’ilay izy ta-
min’ny fiainan’izy ireo. Nasehony fa efa niseho teo anoloan’Andriamanitra
ho azy ireo i Kristy, ary nanokatra ny lalana hidiran’izy ireo tao amin’io “fi-
toerana masina” any an-danitra io. (Heb. 9:24; 10:19-22) Azo antoka ny fana-
ntenan’izy ireo, ka nanosika azy ireo hampihatra ireo torohevitra hafa mo-
mba ny finoana sy ny fiaretana ary ny fitondran-tena kristianina, nomen’i
Paoly tao amin’ny taratasiny. Toy izany koa, rehefa mianatra isika, dia hifa-
ntoka amin’ireo hevi-dehibe. Hanampy antsika hahita ny fizotran’ny fanaza-
vana ilay loha hevitra izany, ary hampiaiky antsika momba ireo antony tsara
hampiharana azy io.
Aza hadinoina
ny mijery ireo
andinin-teny

Mba handraisana soa be indrindra


avy amin’ny fianarana ataonao,
dia ampiomano ny fonao

`
Maka fotoana
hisaintsainana
Fantaro ireo fitaovana fanaovana
fikarohana misy amin’ny fiteninao
Mitondra Valisoa ny Fianarana 31

Hanosika anao hampihatra izay ianaranao ve ny fianarana manokana atao-


nao? Fanontaniana tena lehibe izany. Rehefa mianatra zavatra iray ianao, dia
manontania tena hoe: ‘Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fihetsiko
sy ny zava-kendreko eo amin’ny fiainana? Ahoana no ahafahako mampiha-
tra ity fanazavana ity mba handaminako zava-manahirana iray, handraisako
fanapahan-kevitra iray, na hahatratrarako zava-kendrena iray? Ahoana no
ahafahako mampiasa azy ity ao amin’ny fianakaviako, eo amin’ny fanompoa-
na, eo amin’ny fiangonana?’ Diniho amim-bavaka ireo fanontaniana ireo,
ary mieritrereta tarehin-javatra tena misy, izay azonao ampiharana ny faha-
lalanao.
`
Rehefa nahavita toko iray na lahatsoratra iray ianao, dia maka fotoana ha-
naovana famerenana fohy. Jereo raha afaka mitadidy ireo hevi-dehibe sy ny
porofo nanohana ny tsirairay aminy, ianao. Hanampy anao hitadidy ilay fa-
nazavana izany.
Izay zavatra hianarana
Be zavatra ianarana isika vahoakan’i Jehovah. Inona anefa no tokony hia-
narantsika voalohany? Tsara ny hianarantsika isan’andro ny andinin-teny sy
ny fanazavana azy ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Ma-
natrika ireo fivoriana isika isan-kerinandro, ary hanampy antsika handray soa
bebe kokoa ny fianarana ataontsika ho fanomanana azy ireo. Fanampin’iza-
ny, dia misy manokana fotoana hianarana ny sasany amin’ireo bokintsika ni-
voaka talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Ny hafa mifidy tapany iray
amin’ny fandaharana famakiana Baiboly isan-kerinandro, izay anaovany fia-
narana lalina kokoa.
Ahoana raha tsy afaka mianatra tsara izay zavatra rehetra hodinihina any
amin’ireo fivoriana ianao, noho ny toe-javatra misy anao? Halaviro ilay fa-
ndrika hianatra ilay lahatsoratra maimaika mba hahavitana azy fotsiny, na
ilay fandrika ratsy kokoa tsy hianatra azy mihitsy, satria hoe tsy ho vitanao
tsinona ilay izy manontolo. Farito kosa izay ho vitanao, ary ataovy tsara ny
fianaranao azy. Ataovy isan-kerinandro izany. Arakaraka ny fandehan’ny fo-
toana, dia miezaha hampitombo ny isan’ny fivoriana omaninao.
‘Ampioreno ny ankohonanao’
Takatr’i Jehovah fa tsy maintsy miasa mafy ireo loham-pianakaviana mba
hamelomana ny vady aman-janany. “Amboary ny asanao any ivelany”, hoy
ny Ohabolana 24:27, “ary ataovy lavorary ny any an-tsaha.” Kanefa tsy azo
atao tsirambina ny zavatra ara-panahy ilain’ny fianakavianao. Noho izany,
dia hoy ny tohin’io andinin-teny io: “Rehefa vita izany, dia mahazo manao
ny tranonao hianao.” Ahoana no ahafahan’ireo loham-pianakaviana manao
izany? Hoy ny Ohabolana 24:3: “Fahalalinan-tsaina no mampaharitra” ny
ankohonana iray.
32 Mitondra Valisoa ny Fianarana

Ahoana no hanampian’ny fahalalinan-tsaina ny ankohonanao? Ny fahala-


linan-tsaina dia ny fahaizana mijery any ambadik’izay miseho miharihary.
Tena mety ilay filazan’ny olona hoe raha tianao handaitra ny fianaram-pia-
nakavianao, dia diniho aloha ny fianakavianao. Manao ahoana ny fandrosoa-
na ara-panahin’ny mpianakavinao? Mihainoa tsara rehefa mifampiresaka
aminy ianao. Misy toe-tsaina tia mitaraina na tsy faly ve eo amin’izy ireo? Ny
zavatra ara-nofo ve no zava-dehibe aminy? Rehefa miaraka amin’ny zanakao
eny amin’ny fanompoana ianao, tsy mampaninona azy ireo ve ny ho fanta-
try ny mpiara-mianatra aminy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany? Tiany
ve ny famakiana sy fianarana ny Baiboly ataon’ny fianakavianareo? Tena
ataony fomba fiainany tokoa ve ny lalan’Andriamanitra? Ny fandinihana tsa-
ra toy izany dia hampiharihary izay ilainao loham-pianakaviana, hatao, mba
hananan’ny mpianakavinao tsirairay toetra tsara.
Mitadiava lahatsoratra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mi-
fohaza! momba ny zavatra manokana ilainareo. Avy eo, dia ampahafantaro
mialoha amin’ny fianakavianao izay hianarana, mba hieritreretan’izy ireo
momba ilay izy. Aoka hanjakan’ny fitiavana foana ilay fianarana. Aza mibedy
na mamasoka na iza na iza, fa ny maha zava-dehibe ilay zavatra dinihinareo
kosa no asongadino, ka ampiharo amin’izay ilain’ny fianakavianareo mano-
kana. Ampandraiso anjara ny mpianakavy rehetra. Ampio ny tsirairay hahita
fa “tonga lafatra” ny Tenin’i Jehovah, satria izay ilaina mihitsy no omeny.
—Sal. 19:7.
Ireo valisoa hojinjaina
Ny olona mahay mandini-javatra nefa tsy mahataka-javatra ara-panahy dia
mianatra momba izao tontolo izao sy ny zava-miseho maneran-tany ary ny
tenany mihitsy aza, saingy tsy mahatakatra ny tena hevitr’izay hitany. Etsy
an-danin’izany kosa, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, ny olo-
na mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia mahita ao amin’ireo za-
vatra ireo ny asa tanan’Andriamanitra, sy ny fahatanterahan’ny faminaniana
ara-baiboly ary ny fizotran’ny fikasan’Andriamanitra mba hitahiana ny olo-
`
mbelona mpankato.—Marka 13:4-29; Rom. 1:20; Apok. 12:12.
Na dia mahafinaritra aza izany rehetra izany, dia tsy tokony hahatonga
antsika hiavonavona. Manampy antsika hanetry tena foana kosa ny fandini-
hantsika ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. (Deot. 17:18-20) Miaro antsika
amin’ny “famitahan’ny ota” koa izany, satria raha velona ao am-pontsika ny
Tenin’Andriamanitra, dia ho afaka hanohitra ny ota foana isika, na dia ma-
nintona toy inona aza izy io. (Heb. 2:1; 3:13; Kol. 3:5-10) Noho izany, dia ‘ha-
ndeha mendrika an’i Jehovah isika, ka hanao ny sitrapony amin’ny zavatra
rehetra, ary hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra.’ (Kol. 1:10) Ny hanao
izany no zava-kendrentsika rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny fa-
havitantsika izany no valisoa lehibe indrindra.
Fomba Fanaovana Fikarohana
I SOLOMONA MPANJAKA dia “nandinika sy nieritreritra ary nandahatra oha-
bolana maro.” Nahoana? Satria naniry hanoratra ‘tenin’ny fahamarinana
izay mahitsy’ izy. (Mpit. 12:9, 10) I Lioka dia ‘namotopototra tsara ny zavatra
rehetra hatramin’ny niandohany’, mba hitantarana araka ny filaharany ireo
zava-niseho teo amin’ny fiainan’i Kristy. (Lioka 1:3) Samy nanao fikarohana
ireo mpanompon’Andriamanitra roa ireo.
Inona no atao hoe fikarohana? Mitady fanazavana amim-pitandremana
momba ny foto-kevitra iray ny hoe manao fikarohana. Mamaky teny ianao
amin’izany, ary manaraka ireo fitsipika fampiasa amin’ny fianarana. Mety ha-
metraka fanontaniana amin’olona koa ianao amin’izany.
Nahoana ianao no manao fikarohana? Indreto misy ohatra sasantsasany.
Rehefa manao fianarana manokana na mamaky Baiboly ianao, dia mety hisy
fanontaniana hipoitra, izay heverinao ho zava-dehibe. Mety ha-
metraka fanontaniana ny olona iray itorianao, ka tianao ny ha-
nana fanazavana voafaritra tsara mba hamaliana azy. Mety ha- IZA AMIN’IRETO
saina hanao anjara na lahateny iray ianao. FITAOVANA IRETO
Aoka ity farany no horaisintsika. Mety ho fanazavana ankapo- NO ANANANAO?
be no asaina velabelarinao. Ahoana no ampiharanao azy io
amin’izay ilaina eo an-toerana? Manaova fikarohana mba hivoa-
˙ Soratra Masina
han’ny hevitra tsara. Mety ho efa mazava be ny hevitra iray; nefa —Fandikan-tenin’ny
rehefa manome antontan’isa iray na roa na ohatra iray mifane- Tontolo Vaovao
ntana amin’ny foto-kevitrao sy mahakasika ny fiainan’ny mpi-
˙ Ny Tilikambo Fiambenana
haino anao ianao, dia manjary hahitana fianarana ilay hevitra, sy Mifohaza!
na hanosika hanao zavatra mihitsy aza. Mety ho natao ho an’ny
˙ Ny Fomba
mpamaky maneran-tany ilay lahatsoratra asaina velabelarinao, Fanjohian-kevitra avy
nefa mila manazava azy io kokoa ianao, sy manome ohatra, ary Amin’ny Soratra Masina
mampihatra ireo hevitra amin’ny fiangonana na amin’ny olona
˙ Diarin’ny Vavolombelon’i
iray. Ahoana no tokony hanaovanao izany? Jehovah
Aza tonga dia mihazakazaka hanao fikarohana, fa diniho aloha
˙ Manontany ny Tanora
hoe iza no ho mpihaino anao. Inona no efa fantatr’izy ireo? Ino- —Valiny Mandaitra
na no ilainy ho fantatra? Avy eo, dia fantaro ny zava-kendrenao.
˙ Fanondroana Bokin’ny
Ny hanazava ve? Ny handresy lahatra ve? Ny hanaporofo ny faha- Vavolombelon’i Jehovah
disoan’ny hevitra iray ve? Sa ny hanosika ny hafa hanao zavatra?
Ny hoe manazava dia manome fanazavana fanampiny, mba
hazava kokoa ny hevitra iray. Angamba efa mazava ireo hevitra
fototra, nefa mety hilainao hovelabelarina kokoa ny hoe rahovia-
na na ny hoe ahoana no hanaovana ilay zavatra voalaza. Ny hoe

33
34 Fomba Fanaovana Fikarohana

mandresy lahatra dia manome porofo hoe nahoana no toy izao na izao ny za-
vatra iray. Ny hoe manaporofo ny fahadisoan’ny hevitra iray dia mitaky fahala-
lana feno ny andaniny roa amin’ny raharaha iray ary koa famakafakana tsara
ny porofo ampiasaina. Mazava ho azy fa tsy mitady fanaporofoan-kevi-
tra mafonja fotsiny isika, fa mitady koa fomba hanomezana fanazavana amin-
katsaram-panahy. Ny hoe manosika ny hafa hanao zavatra dia manohina ny
fony; izany hoe mandrisika ny mpihaino sy mampitombo ny faniriany hanao
zavatra mifanaraka amin’ilay resahina. Afaka manohina ny fon’ny mpihaino
ny fitantarana momba ny olona izay tena nanao ilay zavatra resahina, na dia
tao anatin’ny zava-tsarotra aza.
Vonona hanomboka hanao fikarohana amin’izay ve ianao izao? Tsy mbola.
Eritrereto hoe firy ny fanazavana ilainao. Mety hiankina be dia be amin’ny fo-
toana izany. Raha hanao izany eo anoloan’ny olon-kafa ianao, firy minitra no
hanananao? Dimy minitra ve? Sa 45 minitra? Voafetra ve ilay fotoana, toy ny
any amin’ny fivoriana, sa azo halavaina na hafohezina, toy ny amin’ny fa-
mpianarana Baiboly na ny fitsidihan’ny mpiandry?
Farany, fitaovana inona avy no misy eo aminao? Ankoatra izay anananao
ao an-trano, misy hafa koa ve ao amin’ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fa-
njakana? Moa ve ireo rahalahy nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona
maro hamela anao hampiasa ny fitaovany? Misy tranombokim-panjakana
ahafahanao mijery boky ve eo amin’ny misy anao, raha ilaina?
Ilay fitaovantsika voalohany indrindra—Ny Baiboly
Raha ny hevitry ny andinin-teny iray no tianao hanaovana fikarohana, dia
atombohy amin’ny Baiboly avy hatrany.
Diniho ny teny manodidina. Manontania tena hoe: ‘Iza no ivantanan’ity
andinin-teny ity? Inona no asehon’ireo andinin-teny manodidina momba ny
toe-javatra nitarika ho amin’io teny io na momba ny fihetsik’ireo olona resa-
hiny?’ Hanampy anao hahazo ny hevitry ny andinin-teny iray ny tsipirian-ja-
vatra toy izany, no sady hahavelombelona ilay lahateny hampiasanao azy.
Tononina matetika, ohatra, ny Hebreo 4:12 mba hampisehoana ny herin’ny
Tenin’Andriamanitra hanohina ny fontsika sy ny vokany eo amin’ny fiaina-
ntsika. Mampitombo ny fahatakarantsika ny hevitr’izany ny teny manodidi-
na. Miresaka momba ny zavatra niainan’ny Isiraely fony izy ireo tany an’
efitra nandritra ireo 40 taona nialoha ny nidirany tao amin’ilay tany na-
mpanantenain’i Jehovah an’i Abrahama, ireo teny ireo. (Heb. 3:7–4:13) Tsy
maty “ny tenin’Andriamanitra”, izany hoe ny fampanantenany hitondra azy
ireo tao amin’ny toeram-pitsaharana iray, araka ny fanekena nifanaovany ta-
min’i Abrahama; velona izy io ary nandroso ho amin’ny fahatanterahany. Na-
nana ny antony rehetra hanehoana finoana azy io ny Isiraelita. Niverimberi-
na tsy naneho finoana anefa izy ireo, fony nitarika azy ireo avy tany Ejipta
hatrany amin’ny Tendrombohitra Sinay ka hatrany amin’ny Tany Nampana-
Fomba Fanaovana Fikarohana 35

ntenaina i Jehovah. Araka izany, ny fihetsiny nanoloana ny fomba nanatante-


rahan’Andriamanitra ny teniny, dia nampiharihary izay tao am-pony. Toy iza-
ny koa amin’izao androntsika izao fa mampiharihary izay ao am-pon’ny
olona ny teny fampanantenan’Andriamanitra.
Jereo ireo andininy hafa tondroina. Misy fanondroana andinin-teny hafa ny
Baiboly sasany. Ny anao koa ve? Raha eny, dia mety hanampy anao izy ireny.
Mariho ny ohatra iray ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo
Vaovao. Milaza ny 1 Petera 3:6 fa ohatra mendri-kotahafin’ny vehivavy kristia-
nina manambady i Saraha. Manamafy izany ny fanondroana ny Genesisy
18:12, izay mampahafantatra fa niantso an’i Abrahama “anakampo” hoe ito-
mpokolahy i Saraha. Araka izany, dia avy tao am-pony ny fanekeny ny vadi-
ny. Ankoatra ny fanazavana lalina toy izany, dia mety ho ny fahatanterahan’
`
ny faminaniana iray na ny modely iray tao amin’ny faneken’ny Lalana, no
omen’ny fanondroana andinin-teny hafa. Misy anefa fanondroana andinin-
teny hafa tsy natao hanomezana fanazavana toy izany. Mety hanondro hevi-
tra mitovy na filazana ara-tantara na ara-jeografia fotsiny izy ireny.
Ampiasao ny fizahan-teny ara-baiboly. Ny fizahan-teny ara-baiboly dia lisi-
tra araka ny abidy mitanisa ireo teny ampiasaina ao amin’ny Baiboly sy ny
andininy misy azy. Hanampy anao hahita andinin-teny mifandray amin’ilay
foto-kevitra anaovanao fikarohana izy io. Rehefa manadihady ireny andinin-
teny ireny ianao, dia hianatra tsipirian-javatra hafa izay hanampy anao. Ha-
hita porofon’ny “mariky” ny fahamarinana aseho ao amin’ny Tenin’Andria-
manitra, ianao. (2 Tim. 1:13) Misy fanondroana ireo teny fototra ao amin’ny
Baiboly ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mirakitra teny betsaka lavitra
aza ny lisitra ao amin’ny Fizahan-teny Feno (frantsay). Mety hanampy anao
hanao fikarohana koa ilay boky amin’ny teny malagasy hoe Konkordansa na
Fizahan-teny Amin’ny Baiboly.
Mianara mampiasa ireo fitaovana fanaovana fikarohana hafa
Mitanisa fitaovana hafa navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-
tsaina” ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-33. (Matio 24:45-47) Maro
amin’izy ireo no misy fanondroam-pejy any aloha, ary maro aminy no misy
fanondroana teny na andininy any amin’ny farany, izay natao hanampy anao
hahita fanazavana voafaritra tsara sasany. Isaky ny faran’ny taona, dia misy
fanondroana foto-kevitra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mi-
fohaza! ho an’ireo lahatsoratra rehetra tamin’iny taona iny.
Handeha haingana kokoa ny fikarohana ataonao, raha fantatrao tsara ny ka-
razana fanazavana ao amin’ireny boky fianarana Baiboly ireny. Aoka hatao
hoe te hahafantatra momba ny faminaniana, na foto-pampianarana, na fito-
ndran-tena kristianina, na fampiharana fitsipika iray ao amin’ny Baiboly ia-
nao. Azo inoana fa hisy ilay zavatra tadiavinao Ny Tilikambo Fiambena-
na. Ny Mifohaza! kosa dia miresaka momba ny vaovao vao haingana, ny
36 Fomba Fanaovana Fikarohana

zava-manahirana ankehitriny, ny fivavahana, ny siansa ary ny olona any


amin’ny tany samihafa. Ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
dia manazava ny fitantarana tsirairay ao amin’ireo Filazantsara, nalahatra ara-
ka ny fotoana nisehoany. Samy misy famakafakana ny andininy tsirairay ao
amin’ilay bokin’ny Baiboly hazavainy, ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny
Fiafarany Malaza!, sy ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, ary ireo boky
roa amin’ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra.
Ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina ia-
nao dia hahita valiny mahafa-po ho an’ny fanontaniana ara-baiboly an-jato-
ny maro, izay fandre eny amin’ny fanompoana. Jereo ny boky Manontany ny
Tanora—Valiny mandaitra mba hahafantarana ny olana mahazo ny tanora sy
ny vahaolana. Manome fanazavana momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i
Jehovah amin’ny andro ankehitriny ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah
—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jeho-
vah farany raha te hahafantatra ny fizotran’ny fitoriana ny vaovao tsara ma-
neran-tany ankehitriny ianao. Ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra
Masina dia sady rakipahalalana no bokin-tsarintany ara-baiboly. Raha mila
tsipirian-javatra momba ny olona, ny toerana, ny zavatra, ny fiteny na ny zava-
niseho ara-tantara nifandray tamin’ny Baiboly ianao, dia io no boky faran’
izay tsara ho amin’izany.
“Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Io Fanondroana io, izay
mivoaka amin’ny fiteny maherin’ny 20, no hanoro anao ireo bokintsika maro
isan-karazany. Voazara ho fanondroana foto-kevitra sy fanondroana andininy
izy io. Mba hampiasana ny fanondroana foto-kevitra, dia teny iray mampise-
ho ilay foto-kevitra tianao hofakafakaina no tadiavo. Mba hampiasana ny fa-
nondroana andininy kosa, dia tadiavo ao amin’ny lisitr’ireo andinin-teny ilay
tianao hazava kokoa. Raha misy zavatra navoaka tamin’ny fiteninao momba
io foto-kevitra io na io andinin-teny io tao anatin’ireo taona voafaoka ao
amin’ilay Fanondroana, dia hahita lisitry ny boky azonao jerena ianao. Ampia-
sao ny fanazavana ao amin’ny pejy any aloha amin’ny Fanondroana, mba ha-
hafantarana ireo fanafohezana ny anaran’ireo boky voatonona ao. (Izany,
ohatra, no hahafantaranao fa ny hoe w 1/3/99 15 dia midika hoe Ny Tilikambo
Fiambenana tamin’ny 1 Martsa 1999, pejy faha-15.) Ny lohateny lehibe toy
ny hoe “Fitantarana Fanandraman-javatra” na “Fitantarana” sy ny hoe “Fita-
ntarana Fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah” na “Tantaram-piainana”, dia
manampy indrindra mba hanomanana anjara na lahateny hanosika ny fia-
ngonana hanao zavatra.
Koa satria maharevo tanteraka indraindray ny fanaovana fikarohana, dia
mitandrema sao hadinonao ny zava-kendrenao. Mifantoha foana amin’ny fi-
karohana ny fanazavana ilainao ho an’ilay foto-kevitrao. Mankanesa any
amin’ilay (ireo) pejy ao amin’ilay boky natoron’ilay Fanondroana anao. Avy
eo dia jereo ireo lohatenikely sy fehezanteny voalohan’ireo fehintsoratra, mba
Fomba Fanaovana Fikarohana 37

hitarihana anao any amin’ilay fanazavana ilainao. Raha mikaroka ny hevitry


ny andinin-teny iray ianao, dia tadiavo eo amin’ilay pejy natoro anao aloha
ilay andinin-teny. Avy eo dia diniho ireo fanazavana manodidina azy.
“Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah” amin’ny CD-ROM (frantsay). Raha afa-
ka mampiasa ordinatera ianao, dia mety hanampy anao ny fampiasana ny Bo-
kin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM, izay mirakitra be dia be
amin’ireo bokintsika. Manampy anao io fitaovana mora ampiasaina io mba
hitady teny, fitambaran-teny, na andinin-teny ao amin’ny boky rehetra ao
amin’ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia tsy misy amin’ny fiteninao
aza io fitaovana io, dia mety handraisanao soa ihany satria mety hisy ho hai-
nao ireo fiteny iraisam-pirenena ivoahany.
Boky kristianina hafa
Tao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry faharoa ho an’i Timoty, i Paoly
dia nangataka azy hitondra “ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra”, tany
aminy tany Roma. (2 Tim. 4:13) Sarobidy tamin’i Paoly ny soratra sasany, ka
notahiriziny. Afaka manao izany koa ianao. Moa ve ianao mitahiry ny anao
manokana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary Ny Fanompoa-
ntsika Ilay Fanjakana, na dia efa nianarana tany amin’ny fivoriana aza izy ire-
ny? Raha eny, dia ho azonao ampiasaina ho fitaovana fanaovana fikarohana
izy ireny, ankoatra ireo bokintsika hafa efa anananao. Ahitana fitahirizam-
boky misy ny boky kristianina ny ankamaroan’ireo Efitrano Fanjakana. Natao
ho an’ny fiangonana manontolo ireo, mba hampiasainy ao amin’ny Efitrano
Fanjakana.
`
Manana fitahirizan-taratasy anao manokana
Mariho tsara ireo fanazavana mahaliana, izay azonao ampiasaina rehefa
mandaha-teny sy mampianatra. Raha mahita vaovao, na antontan’isa, na oha-
tra iray tao amin’ny gazety ianao ka azonao ampiasaina eo amin’ny fanompo-
anao, dia hetezo ilay izy na ataovy kopia. Soraty koa ny daty sy ny lohatenin’
ilay gazety ary angamba ny anaran’ilay mpanoratra na mpampanonta. Any
am-pivoriana, dia raiso an-tsoratra izay fanjohian-kevitra sy fanoharana mety
hanampy anao hanazava ny fahamarinana amin’ny hafa. Efa mba nieritreri-
tra fanoharana tsara iray ve ianao, nefa tsy nanana fahafahana nampiasa azy
avy hatrany? Raiso an-tsoratra ilay izy, ary ampirimo ao amin’ny fitahirizan-
taratasinao. Raha efa elaela no nandraisanao anjara tamin’ny Sekolin’ny Fa-
nompoana, dia efa maromaro ny anjara nomaninao. Aza ariana ny taratasy
nanaovanao ireny anjara ireny, fa tahirizo. Mety mbola hilainao any aoriana
ny fikarohana nataonao.
Miresaha amin’ny olona
Ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Rehefa nandahatra ny fitantarany ao
amin’ny Filazantsara i Lioka, dia tsy maintsy ho nahazo hevitra be dia be
38 Fomba Fanaovana Fikarohana

tamin’ny fanontaniana vavolombelona nanatri-maso. (Lioka 1:1-4) Angamba


mahay manazava kokoa ny foto-kevitra iray efa niezahanao nanaovana fika-
rohana ny Kristianina iray hafa. Araka ny Efesiana 4:8, 11-16, dia nampiasa ‘le-
hilahy izay fanomezana’ i Kristy, mba hanampiana antsika hampitombo ‘ny
fahalalantsika araka ny marina ny Zanak’Andriamanitra.’ Mety hahazoana he-
vitra mahasoa maro ny fanontaniana ireo nanompo an’Andriamanitra hatra-
min’ny ela. Mety hampahafantatra izay eritreretin’ny olona koa ny firesahana
aminy, ka hanampy anao hanomana fanazavana tena ho azo ampiharina.
Tombano ireo vokatra azonao
Ilaina hesorina avy ao anaty akotry ny fotsim-bary rehefa avy nojinjaina ny
vary. Toy izany koa ny vokatry ny fikarohana nataonao. Mbola tsy vonona ny
hampiasaina ilay izy, raha tsy avahanao amin’izay tsy ilaina aloha izay tena
ilainao.
Raha lahateny no tianao hampiasana hevitra iray, dia manontania tena hoe:
‘Tena hanohana tsara ny famelabelarako an’ilay foto-kevitra ve ity hevitra ity?
Sa hampihataka ny sain’ny mpihaino amin’ilay foto-kevitra ilay izy, na dia
mahaliana aza?’ Raha mikasa hampiasa zava-niseho vao haingana ianao, na
vaovao iray ara-tsiansa na ara-pitsaboana izay miovaova lava, dia ataovy azo
antoka fa ny fanazavana farany ilay izy. Fantaro koa fa mety ho efa nahitsy ny
`
hevitra sasany ao amin’ireo bokintsika tranainy kokoa. Koa jereo ary izay fa-
nazavana farany indrindra navoaka momba ilay foto-kevitra.
Mila mitandrina indrindra ianao, raha mifidy ny haka fanazavana avy
amin’ny boky tsy ara-pivavahana. Aza hadinoina na oviana na oviana fa ny
Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. (Jaona 17:17) I Jesosy no manana
ny anjara asa lehibe indrindra eo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’
Andriamanitra. Noho izany, dia hoy ny Kolosiana 2:3: “[Izy no] iafenan’ny
rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” Tombano araka izany ireo
vokatry ny fikarohana nataonao. Manontania tena toy izao momba ny fi-
karohana ao amin’ny boky tsy ara-pivavahana: ‘Sao dia nitarina ve ity fa-
nazavana ity na tombantombana fotsiny na tsy mitsinjo ny lavitra? Nisy fi-
tiavan-tena na fitadiavana tombom-barotra ve ny antony nanoratana azy
ity? Miombon-kevitra aminy ve ny boky hafa mendri-pitokisana? Ambo-
nin’ny zavatra rehetra, mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Bai-
boly ve izy ity?’
Mampirisika antsika ny Ohabolana 2:1-5 mba tsy hitsahatra hikaroka faha-
lalana sy fahendrena, ‘toy ny fitady volafotsy sy harena afenina.’ Ezaka mafy
nefa koa valisoa tondraka no dikan’izany. Mitaky ezaka ny fanaovana fika-
rohana, nefa hanampy anao hahita ny hevitr’Andriamanitra, sy hanitsy
hevi-diso ary hampiorina mafy ny fahatakaranao ny hevitry ny fahamarina-
na. Izany koa dia hampisy heviny sy aina kokoa ny famelabelaranao, ka ho fa-
hafinaretana ny manolotra azy sy ny mihaino azy.
Fanomanana Drafitra
`
OLONA maro, rehefa asaina manao anjara na lahateny, no somokotra ery
manoratra ny zavatra rehetra, hatramin’ny teny fampidirana ka hatra-
min’ny teny famaranana. Mety ho taratasy andrana be dia be no efa no-
maniny, vao vita tanteraka ilay izy. Mety ho ora maro no laniny amin’
izany.
Izany ve no fomba fanomananao ny anjaranao? Tianao ve ny hianatra
fomba iray mora kokoa? Mianara manomana drafitra, dia tsy hila hano-
ratra ny teny rehetra intsony ianao. Hanam-potoana kokoa hanaovana
famerenana ilay anjara na lahateny ianao amin’izay. Ho mora velabela-
rina ilay izy sady hahaliana kokoa ny mpihaino sy handrisika azy hanao
zavatra.
Mazava ho azy fa efa misy drafitra natao ho an’ireo lahateny ho an’ny
besinimaro ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy toy izany anefa ny anka-
maroan’ny anjara hafa rehetra. Mety ho foto-kevitra iray na loha hevitra
iray fotsiny no omena anao. Na mety hangatahina hanao famelabelara-
na miorina amin’ny lahatsoratra iray ianao. Indraindray dia mety ho
toromarika sasantsasany fotsiny no omena anao. Mila manomana ny
drafitrao manokana ianao amin’ny anjara toy ireo.
Manampy anao hanomana drafitra fohy ilay modely eo amin’ny pejy
faha-41. Mariho fa manomboka eo amin’ny sisiny havia ny hevi-dehibe
tsirairay, ary amin’ny sora-baventy. Eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay,
ireo hevitra manohana azy. Eo ambanin’ireo kosa ny hevitra fanampiny
izay natao mba hamelabelarana azy ireo, ary mihataka kely avy eo amin’
ny sisiny havia. Diniho tsara io drafitra io. Mariho fa mifandray miva-
ntana amin’ilay loha hevitra ireo hevi-dehibe roa. Mariho koa fa tsy he-
vitra mahaliana fotsiny akory ireo zana-kevitra, fa samy manohana ilay
hevi-dehibe voasoratra eo amboniny avy.
Rehefa manomana drafitra ianao, dia mety tsy hitovy tanteraka amin’
io modely io ilay izy. Raha azonao tsara anefa ireo tari-dalana nomena
ireo, dia hanampy anao izany handamina ny fanazavanao, sy hanoma-
na anjara na lahateny tsara ao anatin’ny fe-potoana antonony. Ahoana
`
ary no tokony hanaovanao ny fanomananao?
Fakafakao sy fanteno ary alamino
Mila loha hevitra iray ianao. Tsy foto-kevitra ankapobe fotsiny, izay
mety ho voalazan’ny teny tokana, akory ny loha hevitrao. Izy io no
39
40 Fanomanana Drafitra

hevitra fototra tianao hampitaina, ary mampiseho ny endriny iray tianao


hasongadina amin’ny foto-kevitrao. Raha omena loha hevitra ianao, dia
fakafakao tsara ny teny lehibe tsirairay ao aminy. Raha asaina mamela-
belatra ilay loha hevitra amin’ny alalan’ny lahatsoratra iray ianao, dia
fakafakao io lahatsoratra io, ka tadidio foana ilay loha hevitra. Raha foto-
kevitra fotsiny no omena anao, dia anjaranao ny mifidy loha hevitra. Alo-
han’ny hanaovana izany anefa, dia mety hanampy anao ny fanaovana
fikarohana. Aoka ho mailo ny sainao, mba hahita hevitra vaovao.
Eo am-panarahanao ireo dingana ireo, dia manontania tena hoe: ‘Na-
hoana no zava-dehibe amin’ny mpihaino ahy ity fanazavana ity? Inona
no zava-kendreko?’ Tsy tokony ho filazana ilay fanazavana fotsiny, na ho
fanaovana lahateny mahafinaritra fotsiny ny zava-kendrenao, fa ho fa-
mpitana zavatra hahasoa ny mpihaino anao. Rehefa voafaritrao tsara ny
zava-kendrenao, dia soraty. Tadidio foana izy io, eo am-panaovanao fa-
nomanana.
Efa hitanao izao ny zava-kendrenao sy ilay loha hevitra
FOMBA FANOMANANA hifanaraka aminy (na ny ifandraisan’ilay zava-kendrenao
DRAFITRA amin’ilay loha hevitra nomena anao). Afaka manao fika-
rohana voafaritra tsara amin’izay ianao. Mitadiava fanaza-
˙ Farito ny zava-kendrenao vana sahaza indrindra ny mpihaino anao. Aza mianina
sy ny antony hilan’ny amin’ny hevitra ambangovangony, fa mikaroha kosa he-
mpihaino ilay foto-kevitrao
vitra voafaritra tsara izay tena hahazoana fahalalana sy
˙ Mifantena loha hevitra iray; fanampiana. Manehoa fitandremana eo amin’ny habe-
raha nomena anao ilay izy,
dia fakafakao tsahan’ny fikarohana ataonao. Amin’ny ankabeazan’ny
`
˙ Manangona fanazavana
fotoana, vetivety foana ianao dia hahangona fanazavana
izay hahazoana fahalalana betsaka kokoa noho izay azonao ampiasaina. Koa mahaiza
sy fanampiana `
ary mifantina.
˙ Fantaro ireo Fantaro ireo hevi-dehibe ilainao horesahina mba hame-
hevi-dehibenao labelarana ny loha hevitrao sy hanatanterahana ny zava-
˙ Alamino ireo fanazavanao; kendrenao. Ireo no ho drafitra fototry ny lahateninao. Firy
ny tsara indrindra ihany no
`
hazony
ny hevi-dehibe tokony ho ao? Angamba roa dia ho ampy
`
` ho an’ny famelabelarana fohy iray, ary dimy mazana ho
˙ Manomana teny
fampidirana manaitra an’ny lahateny maharitra adiny iray. Arakaraka ny havi-
fahalianana tsian’ireo hevi-dehibe, no hitadidian’ny mpihaino azy.
`
˙ Manomana teny Raha vao azonao tsara ao an-tsaina ny loha hevitrao sy
famaranana mandrisika ireo hevi-dehibe, dia alamino ireo fanazavana nanaovanao
hanao zavatra
fikarohana. Farito hoe inona no mifandray mivantana
˙ Diniho indray ilay
amin’ireo hevi-dehibenao. Izay hevitra hanome endriny
anjaranao ary hatsarao
vaovao ny famelabelaranao no fidio. Rehefa mifidy andi-
Fanomanana Drafitra 41

nin-teny hanohanana ireo hevi-dehibe ianao, dia ampiasao tsara ireo he-
vitra ao anatiny mba hanaovana fanjohian-kevitra. Apetraho eo amba-
nin’ilay hevi-dehibe tokony hisy azy izay zavatra rehetra miaraka aminy.
Raha misy hevitra tsy mifanentana amin’ireo hevi-dehibenao, dia aza
raisina (na dia tena mahaliana aza ilay izy) fa tahirizo ao amin’ny anto-
ntan-taratasy iray mba hampiasainao amin’ny anjara hafa. Ny hevitra
tsara indrindra ihany hazonina. Raha mitady hamelabelatra zavatra be
loatra ianao, dia ho voatery hiteny haingana be, ary tsy ho lalina ny fa-
`
melabelaranao. Tsara kokoa ary ny mampita hevitra vitsivitsy, izay tena
ho sahaza ny mpihaino, sy ny manao izany tsara. Aza mihoatra ny fotoa-
na nomena anao.
Eto, raha mbola tsy nataonao teo aloha, dia alaharo mba hirindra tsa-
ra ireo fanazavanao. Nanao izany i Lioka, mpanoratra Filazantsara. Rehe-
fa avy nanangona fanazavana be dia be nifandray tamin’ny foto-keviny
izy, dia nanoratra azy ireo “araka ny filaharany.” (Lioka 1:3) Mety ho
tianao ny handahatra ireo fanazavana azonao, araka ny fotoana nisehoa-
ny, na araka ny foto-kevitra, na koa
amin’ny fanomezana ny anton-javatra
iray sy ny vokany, na ny olana iray
sy ny vahaolana aminy, arakaraka izay INONA NO FIKASAN’ANDRIAMANITRA
HO AN’NY TANY?
mety indrindra mba hanatratrarana ny
NY HAHATONGA NY TANY HO PARADISA
zava-kendrenao. Tsy tokony hisy fio- NO FIKASAN’ANDRIAMANITRA
van’ny hevitra tampoka. Tokony hifi- Nanomboka nanao paradisa tao Edena
ndra mora foana avy amin’ny hevitra Andriamanitra (Gen. 2:8, 15)
Tokony ho nanitatra ny Paradisa naneran-tany
iray ho amin’ny manaraka ianao, ka tsy i Adama sy i Eva ary ny taranany (Gen. 1:28)
ho sahirana ny mpihaino hameno izay
TSY NAFOIN’ANDRIAMANITRA NY FIKASANY
banga eo anelanelany. Tokony hitarika HANAO NY TANY HO PARADISA
ny mpihaino ho amin’ny fanatsoahan- Tsy nanova ny fikasany Andriamanitra, rehefa
`
nandika lalana ny olombelona voalohany, izay
kevitra mirindra tsara ny porofo ome- notaomin’i Satana
nao. Eo am-pandaharanao ireo hevi- Amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra,
trao, dia eritrereto ny ho vokatry ny dia horinganiny ny ratsy fanahy (Ohab. 2:22)
Hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa
famelabelaranao eo amin’ireo hihaino i Satana (Apok. 20:1-3)
anao. Ho azony arahina mora foana Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny
tany i Kristy, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona
ve ny fanjohian-kevitrao? Ho voatosika
Tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana
hampihatra izay reny ve izy, mifanara- (Apok. 21:3, 4)
ka amin’ilay zava-kendrenao? Hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany
` ny maty
Avy eo, dia manomana teny fampi- Eo ambanin’ilay fanapahana any an-danitra, dia
dirana izay hanaitra ny fahalianan’ny hanova ny tany manontolo ho paradisa ny
mpihaino amin’ny foto-kevitrao, ary olombelona mahatoky (Isaia 65:17, 21-25)
42 Fanomanana Drafitra

hampiseho aminy fa tena ho sahaza azy ny zavatra horesahinao. Mety


hanampy anao ny fanoratana ireo fehezanteny voalohany holazainao.
`
Farany, dia manomana teny famaranana mandrisika hanao zavatra sy
mifanaraka amin’ny zava-kendrenao.
Omano aloha be ny drafitrao. Amin’izay ianao dia hanam-potoana ha-
natsarana azy, alohan’ny hanaovana ny anjaranao eo anoloan’ny mpi-
haino. Mety hila ny hanaporofo hevitra sasany amin’ny alalan’ny anto-
ntan’isa na ohatra na fitantarana iray, ianao. Ampiasao ny zava-niseho
vao haingana, na ny zava-nahaliana iray teo an-toerana, izay mety hana-
mpy ny mpihaino anao hahita haingana kokoa fa azo ampiharina ilay
fanazavana. Rehefa mamerina mijery ilay anjaranao ianao, dia mety ha-
hita fomba hafa azo ampiharana ilay fanazavana amin’ny mpihaino
anao. Tena ilaina izany famakafakana sy fanatsarana izany, raha tiana ho
tonga fampisehoana na lahateny mandaitra ireo fanazavana nanaovana
fikarohana.
Mety hila hanoratra teny betsaka kokoa noho ny hafa ny mpandaha-
teny sasany. Tsy hila ny hanoratra ny teny rehetra anefa ianao, arakara-
ka ny anarahanao ireto dingana voalaza teo aloha ireto: Hevi-dehibe vi-
tsivitsy monja soratana, esory izay hevitra tsy tena manohana ireo
hevi-dehibe ireo, alaharo mba hirindra tsara ny hevitrao rehetra. Tena
hanampy anao hitsitsy fotoana izany! Ary hihatsara koa ireo anjara na
lahateny hataonao. Hiharihary fa tena mandray soa avy amin’ny fampia-
narana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana tokoa ianao.
Fanomanana Anjara
ao Amin’ny Sekoly
MANOME fahafahana hanao fandrosoana ny anjara tsirairay ao amin’ny
sekoly. Ataovy tsara izy ireny, dia hiharihary miandalana ny fandrosoa-
nao, ka ho hitan’ny tenanao sy ny hafa. (1 Tim. 4:15) Hanampy anao ha-
natsara kokoa ireo fahaizana efa anananao ny sekoly.
Matahotahotra ve ianao rehefa hiteny eo anoloan’ny fiangonana? Ara-
`
dalana izany, na dia efa mpianatra ao amin’ilay sekoly hatramin’ny elae-
la aza ianao. Misy zavatra sasany hanampy anao hampihena ny tahotrao
`
anefa. Any an-trano, dia mizara mamaky teny amin’ny feo avo matetika.
Any am-pivoriana, dia manomeza valin-teny matetika, ary mandraisa
anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana raha mpitory ianao. Hahatonga
anao ho zatra miteny eo anoloan’olon-kafa izany. Ambonin’izany, dia
omano aloha be ireo anjaranao, ary averimbereno amin’ny feo avo. Tadi-
dio fa ho eo anoloan’ny mpihaino tsara fanahy no hitenenanao. Miva-
vaha amin’i Jehovah isaky ny handeha hanao anjara na lahateny eo ano-
loan’ny mpihaino ianao. Faly izy hanome ny fanahy masina an’ireo
mpanompony mangataka izany aminy.—Lioka 11:13; Fil. 4:6, 7.
Aza manantena zavatra tafahoatra. Mila fotoana ny fahatongavana ho
mpandahateny za-draharaha sy ho mpampianatra mahita vokatra. (Mika
6:8) Aza manantena ny hanao anjara tonga lafatra avy hatrany raha mpia-
natra vaovao ao amin’ilay sekoly ianao. Zavatra hotandremana iray isa-
ky ny anjara kosa no ifantohy. Ianaro ilay fanazavana momba azy io ato
amin’ity boky ity. Ataovy ilay fanazaran-tena omena ao, raha mety.
Amin’izay ianao dia ho zatra amin’ireo hevitra mifandray amin’ilay la-
fin-javatra asaina tandremanao, alohan’ny hanaovanao ny anjaranao ao
amin’ny Efitrano Fanjakana. Hanao fandrosoana ianao amin’izay.
Ny fomba anomanana anjara famakian-teny
Tsy fahaizana milaza ireo teny ao amin’ilay zavatra asaina vakina fotsi-
ny no tafiditra ao amin’ny fanomanana ny famakian-teny ampahibema-
so. Takaro tsara ny hevitr’ilay zavatra vakinao. Ataovy zava-kendrena iza-
ny, raha vao mahazo anjara ianao ka mamaky azy io. Ataovy azo tsara ny
hevitry ny fehezanteny tsirairay sy ny hevitra ao amin’ny fehintsoratra
tsirairay, mba hahafahanao hilaza izany araka ny marina sy amin’ny fi-
hetseham-po mety. Anontanio an’ireo mahay tsara ilay fiteny ny fomba
43
44 Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly

fanonona mety an’ireo teny tsy mahazatra. Fantaro tsara ilay zavatra ho-
vakinao. Mety hila hanampy ny zanany kely amin’izany, ireo ray aman-
dreny.
Voatendry hamaky tapany iray ao amin’ny Baiboly ve ianao, na anga-
mba ireo fehintsoratry ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fia-
mbenana? Raha misy amin’ny fiteninao ny kasety nandraisana feo
an’ilay zavatra hovakinao, dia henoy ka mariho ireto manaraka ireto: ny
fanononana, ny fomba fizarana fehezanteny, ny fanamafisana ary ny fio-
vam-peo. Avy eo, dia miezaha hampiasa azy ireo ao amin’ny vakiteninao.
Ianaro tsara aloha ny lesona momba ilay lafin-javatra asaina tandrema-
nao rehefa hanomana ny anjaranao ianao. Raha mety, dia jereo indray
izy io, rehefa avy namerimberina namaky tamin’ny feo avo ilay zavatra
asaina vakinao ianao. Ampiharo tsara araka izay azonao atao, io torohe-
vitra voasoratra io.
Tena hanampy anao eo amin’ny fanompoanao io fampiofanana io.
Mety hanana fahafahana maro hamaky teny amin’ny hafa ianao eny
amin’ny fanompoana. Koa satria manana ny hery hanova fiainan’olona
ny Tenin’Andriamanitra, dia zava-dehibe ny hamakianao azy io tsara.
(Heb. 4:12) Aza manantena ny hahafehy tsara ny lafiny rehetra amin’ny
famakian-teny mandaitra, rehefa avy nanao anjara iray na roa. Hoy ny
nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ny anti-panahy kristianina iray efa
za-draharaha hatramin’ny taona maro: “Mandra-pihaviko, tandremo ny
famakian-teny.”—1 Tim. 4:13.
Fanomanana anjara misy fifampiresahan’ny olona roa
Rehefa fifampiresahan’ny olona roa no anjara asaina ataonao, ahoana
no tokony hanaovanao ny fanomananao?
Zava-dehibe telo no ilainao hodinihina: 1) ilay foto-kevitra asaina ve-
labelarinao, sy 2) ny faritra hanaovanao azy sy ilay olona hiresahanao,
ary 3) ilay lafin-javatra asaina tandremanao.
Mila mitady fanazavana momba ilay foto-kevitra asaina velabelarinao
ianao. Eritrereto tsara anefa aloha ny faritra hanaovanao azy sy ilay olo-
na hiresahanao vao tena miditra lalina amin’izany ianao. Hiankina
amin’ireo zavatra roa ireo ilay karazana fanazavana horesahinao sy ny fo-
mba hampisehoanao azy. Inona no faritra hofidinao? Filazana ny vao-
vao tsara amin’ny olona iray efa fantatrao ve? Sa firesahana voalohany
amin’ny olona iray vao hitanao? Be taona kokoa sa tanora kokoa noho
ianao ilay olona? Hanao ahoana ny mety ho fihetsiny eo anoloan’ilay
foto-kevitra tianao horesahina? Betsaka ve ny zavatra mety ho efa fanta-
Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly 45

ny momba ilay izy? Inona no zava-kendrena tianao hotratrarina amin’


ny firesahana aminy? Tena zava-dehibe ireo, satria hitari-dalana anao, eo
amin’ny fanomananao.
Aiza no hahitanao fanazavana momba ilay foto-kevitra asaina velabe-
larinao? Misy firesahana momba ny “Fomba Fanaovana Fikarohana” eo
amin’ny pejy faha-33 ka hatramin’ny faha-38 amin’ity boky ity. Vakio
izy io, ary ampiasao ireo fitaovana fanaovana fikarohana anananao.
Amin’ny ankabeazan’ny fotoana, vetivety foana ianao dia hahita fanaza-
vana betsaka kokoa noho izay azonao ampiasaina. Mamakia fanazavana
ampy tsara mba hahafantarana izay rehetra azonao ampiasaina. Eo am-
panaovana izany anefa, dia tadidio ilay faritra hampiasanao azy sy ilay
olona hiresahanao. Mariho ireo hevitra azo ampiasaina.
`
Maka fotoana hamakiana ny fanazavana momba ilay lafin-javatra asai-
na tandremanao, vao mandamina ny famelabelaranao sy mifidy izay he-
vitra hampiasainao. Ny mba hampiharanao azy io no iray amin’ireo
antony lehibe indrindra nanomezana anao ilay anjara.
Raha vitanao ao anatin’ny fotoana nomena anao ny anjaranao, dia ho
faly ianao afaka manao ny teny famarananao alohan’ny famantarana ny
fahataperan’ny fotoana. Tsy teren’ny fotoana foana kosa ianao eny amin’
`
ny fanompoana. Koa rehefa manao fanomanana ary ianao, dia asio fihe-
verana ny fotoana homena anao, nefa ny hampianatra amin’ny fomba
mandaitra no tena ifantohy.
Teny kely momba ny faritra. Jereo ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny
pejy faha-82, ary fidio izay ho azo ampiharina eo amin’ny fanompoanao
ka hamela anao hampiasa toy ny amin’ny tena izy ilay fanazavana asai-
na velabelarinao. Na dia efa nanao sekoly hatramin’ny elaela aza ianao,
dia hevero ho toy ny fahafahana hanao tsaratsara kokoa hatrany sy ha-
mboly fahaizana hafa ho an’ny fanompoanao izany.
Raha ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana no manome ilay
faritra, dia ekeo ilay izy. Fitoriana ny ankamaroan’ireo faritra. Raha mbo-
`
la tsy nitory tao anatin’ireo toe-javatra tanisaina ireo ianao, dia maka he-
vitra amin’ny mpitory hafa efa nanao izany. Andramo resahina ao ana-
tin’ny faritra mitovy amin’ilay hampiasainao amin’ny anjaranao ilay
foto-kevitrao raha mety. Hanampy anao izany hanatsara ny fanompoa-
nao, izay anisan’ny zava-kendren’ny fiofananao.
Fanomanana lahateny amin’ny sekoly
Raha rahalahy ianao, dia mety hotendrena hanao lahateny fohy
eo anoloan’ny fiangonana. Ny torohevitra nomena an’ireo mpianatra
46 Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly

manao anjara misy fifampiresahana ihany no ampiharo rehefa manoma-


na lahateny toy izany. Ny mpihaino sy ny endrika anolorana ilay fana-
zavana no tsy itovian’ireo anjara roa ireo.
Ataovy ho an’ny mpihaino rehetra ny fanazavanao. Efa mahafantatra
ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny mpa-
natrika. Mety hahafantatra tsara ilay foto-kevitra asaina resahinao izy
ireo. Hevero izay efa fantany momba ny foto-kevitrao. Miezaha hampita
zavatra hanampy azy. Manontania tena hoe: ‘Ahoana no ahafahako ma-
mpiasa ny foto-kevitro mba hahatonga ahy sy ny mpihaino ahy hanka-
sitraka bebe kokoa an’i Jehovah? Inona ato amin’ity fanazavana ity no
hanampy anay hahita ny sitrapon’Andriamanitra? Ahoana no hana-
mpian’ity fanazavana ity anay handray fanapahan-kevitra tsara, eo amin’
ity tontolo fehezin’ny filan’ny nofo ity?’ (Efes. 2:3) Mila manao fikaro-
hana ianao mba hahazoana valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana
ireo. Aza mamaky andininy fotsiny, rehefa mampiasa Baiboly. Manjohia
hevitra momba ireo andinin-teny ampiasainao, ary asehoy ny fomba azo
anatsoahana hevitra avy aminy. (Asa. 17:2, 3) Aza mitady hanazava zava-
tra be loatra. Asehoy amin’ny fomba ahazoana mitadidy azy mora foana
ny fanazavanao.
Tokony ho anisan’ny zavatra omaninao koa ny fomba fanononanao
ilay anjaranao. Aza hamaivanina izany. Averimbereno amin’ny feo avo
ny anjaranao. Ianaro ary ampiharo ny torohevitra momba ireo lafin-ja-
vatra samihafa asaina tandremanao, dia hanao fandrosoana ianao. Mio-
`
mana tsara, na mpandahateny vaovao ianao na efa za-draharaha. Hane-
ho fatokisan-tena sy fihetseham-po mifanentana amin’ny fanazavana
atolotrao ianao amin’izay. Isaky ny manao anjara ao amin’ny sekoly ia-
nao, dia tadidio ny zava-kendrenao: ny hampiasa ny fitenenana, izay fa-
nomezana avy amin’Andriamanitra ho anao, mba hanomezam-boni-
nahitra an’i Jehovah.—Sal. 150:6.
Fanomanana Lahateny
ho An’ny Fiangonana
NOMANINA mba hahasoa ny fiangonana manontolo ny fandaharan’ny
Sekolin’ny Fanompoana. Manome fampianarana sarobidy koa anefa
ireo fivoriana hafa sy ireo fivoriambe. Raha nomena anjara any amin’ny
iray amin’ireo ianao, dia andraikitra mavesa-danja no nankinina tami-
nao. Nampirisika an’i Timoty, mpiandraikitra kristianina, ny apostoly
Paoly mba hitandrina hatrany ny fampianarany. (1 Tim. 4:16) Ireo to-
nga amin’ny fivoriana kristianina dia nanokana fotoana sarobidy—ny
sasany aza nanao ezaka mafy dia mafy—mba ho eo ka hahazo fa-
mpianarana momba izay rehetra mahakasika ny fifandraisany amin’
Andriamanitra. Tena tombontsoa tsy manam-paharoa tokoa ny mano-
me izany fampianarana izany ho azy ireo! Ahoana no ahafahanao
miantsoroka azy io tsara?
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Baiboly
Miorina amin’ny tapany ao amin’ny Baiboly asaina vakina amin’ny
herinandro io lafiny iray amin’ny sekoly io. Tokony hoantitranterina ny
hoe: Amin’ny ahoana izy io no mahakasika antsika amin’izao andro
izao? Milaza ny Nehemia 8:8 fa namaky ampahibemaso ny Tenin’Andri-
amanitra i Ezra sy ireo namany, ary ‘nanazava tsara ny heviny’ no sady
nanampy ny olona hahazo tsara izay nolazaina. Manome anao fahafa-
hana hanao izany koa ny famelabelaranao ireo hevitra misongadina ao
amin’ny Baiboly.
Ahoana no tokony hanomananao io anjara io? Raha mety, dia vakio
herinandro mialoha, na mahery, ilay tapany ao amin’ny Baiboly asaina
vakina. Eritrereto avy eo ny amin’ireo mpanatrika fivoriana sy ny zava-
tra ilainy. Mivavaha momba ilay izy. Inona no torohevitra, na ohatra, na
toro lalana hitanao ao amin’io tapany ao amin’ny Tenin’Andriamani-
tra io, ka mifanaraka amin’izany zavatra ilaina izany?
Tena ilaina ny fanaovana fikarohana. Misy ny Fanondroana Bokin’ny
Vavolombelon’i Jehovah ve amin’ny fiteninao? Raha eny, dia ampiasao
tsara izy io. Rehefa mikaroka ny fanazavana efa navoaka momba ireo
andinin-teny nofidinao hifantohana ianao, dia mety hianatra momba
ny zava-nitranga ara-tantara, ny fahatanterahan’ny faminaniana, ny fa-
makafakana momba ny toetran’i Jehovah, na fanazavana toro lalana. Aza
47
48 Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana

mitady hanazava hevitra be loatra. Andininy vitsivitsy monja no ifanto-


hy, satria tsara kokoa raha vitsivitsy izy ireo, nefa voazava tsara.
Mety hasaina hangataka ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny avy ta-
min’ny famakiana Baiboly tamin’io herinandro io koa ianao, amin’io
anjara io. Inona no hitany fa hahasoa azy eo amin’ny fianarany mano-
kana sy ny fianaram-pianakaviany, na eo amin’ny fanompoany, na koa
eo amin’ny fomba fiainany? Toetran’i Jehovah inona avy no nihariha-
ry, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny vahoakany sy ny firenena hafa?
Inona no hitan’ny mpanatrika fa nanatanjaka ny finoany sy nanamafy
ny fankasitrahany an’i Jehovah? Aza mandany fotoana be loatra amin’
ny tsipirian-javatra. Ny hevitr’ireo zavatra nofidinao sy ny fomba azo
ampiharana azy no antitrantero.
Lahateny Fampianarana
Izy io dia miorina amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo
Fiambenana na ny Mifohaza!, na angamba amin’ny tapany iray ao
`
amin’ny boky iray. Mazana izy io no lava raha oharina amin’ny fotoa-
na omena anao. Ahoana no tokony hanaovanao io anjaranao io? Toy
ny ataon’ny mpampianatra, fa tsy toy ny ataon’ny olona iray mamaky
lahatsoratra fotsiny. Tsy maintsy “mahay mampianatra” ny mpiandrai-
kitra.—1 Tim. 3:2.
Atombohy amin’ny fandinihana ilay lahatsoratra ny fanomananao.
Jereo ireo andinin-teny. Saintsaino ireo hevitra. Iezaho hatao aloha
ben’ilay daty hanaovanao ny anjaranao izany. Tadidio fa ampirisihina
hamaky mialoha ilay lahatsoratra hiorenan’ny anjaranao ireo rahalahy.
`
Tsy famerenana na famintinana ilay lahatsoratra ary no asaina ataonao,
fa fampisehoana kosa ny fomba hampiharana azy. Mifidiana tapany
amin’ilay lahatsoratra, izay azonao ampiharina mba hanampiana ilay
fiangonana.
Samy manana ny toetra mampiavaka azy ny fiangonana tsirairay, tsy
misy hafa amin’ny ankizy samy manana ny toetrany avy. Tsy mameri-
mberina fitsipika amin’ny zanany fotsiny ny ray na reny iray mahay
mampianatra. Miara-manjohy hevitra amin’ny zanany izy. Manisy fihe-
verana ny toetran’ilay zaza sy ireo zava-manahirana mahazo azy, izy.
Toy izany koa fa miezaka hanome ny fanampiana ilain’ilay antokon’
olona iresahany ireo mpampianatra ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy
hampiasa ohatra mety hahasanganehana ny mpanatrika iray anefa ny
mpampianatra mahay iray. Hisarika ny saina ho amin’ireo tombontsoa
efa noraisina noho ny fanarahana ny lalan’i Jehovah izy. Ary raha ma-
Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana 49

nana olana ireo anisan’ny fiangonana, dia hanasongadina izay torohe-


vitry ny Soratra Masina hanampy azy hamaha izany tsara izy.
Manohina ny fon’ny mpanatrika ny fampianarana amin’ny fomba
tsara. Ny fampianarana toy izany akory tsy filazana zava-misy fotsiny,
fa fahaiza-manosika ny mpihaino hankasitraka ny hevitra asehon’ireny
zava-misy ireny koa. Mitaky fiheverana amim-pahatsorana an’ireo izay
ampianarina izany. Tokony hahafantatra an’ilay andian’ondry ny mpia-
ndry ondry ara-panahy. Raha manam-pitiavana izy ka mitadidy ny
zava-manahirana ny tsirairay avy aminy, dia hahay hampahery rehefa
miteny, hahazo ny fihevitry ny hafa, hiombom-pihetseham-po aminy
ary haneho fangoraham-po.
Fantatry ny mpampianatra mahay fa tsy maintsy manana zava-ke-
ndrena mazava tsara ny lahateny iray. Tokony hisongadina ao ireo he-
vitra fototra, mba hahafahana hitadidy azy. Tokony hisy hevitra azo
ampiharina ho voarain’ny mpihaino, ka hisy vokany eo amin’ny fiai-
nany.
Fivoriana Momba ny Fanompoana
Somary hafa noho izany ny fanaovana anjara miorina amin’ny laha-
tsoratra iray ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Matetika ianao
no hasaina hampita ilay fanazavana manontolo amin’ny mpanatrika, fa
tsy hifantina izay mifanentana indrindra aminy. Ampio izy ireo hanjo-
hy hevitra momba ireo andinin-teny iorenan’ny torohevitra omena ao
`
amin’ilay lahatsoratra. (Tit. 1:9) Voafetra ny fotoana, ka mazana no tsy
ahafahanao mampiditra fanazavana fanampiny.
Mety hasaina hamelabelatra fanazavana tsy miorina amin’ny Fano-
mpoantsika Ilay Fanjakana koa ianao. Mety hanondro lahatsoratra iray
ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ilay toromarika, na mety ho teny fa-
namarihana vitsivitsy monja. Anjaranao mpampianatra ny mandinika
ny zavatra ilain’ireo mpiara-manompo aminao, mifandray amin’ilay
anjaranao. Mety hila hampiasa fanoharana iray fohy sady mazava ianao,
na hitantara zava-nitranga mifanentana amin’ilay anjaranao. Tadidio fa
tsy ny hiresaka momba ilay foto-kevitra fotsiny akory no ilaina amin’io
anjara io, fa ny hanampy ireo mpiara-manompo aminao hanao ilay asa
asain’ny Tenin’Andriamanitra atao sy hahita fifaliana eo am-panaovana
azy.—Asa. 20:20, 21.
Rehefa manomana ny anjaranao ianao, dia eritrereto ny toe-javatra
misy an’ireo mpiara-manompo aminao. Anaovy teny fiderana izy ireo,
noho izay efa ataony. Ahoana no mety hitomboan’ny vokatra hitany sy
50 Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana

ny fifaliany eo amin’ny fanompoana, raha ampihariny ireo fanipazan-


kevitra ao amin’ilay fanazavana?
Misy fampisehoana na fanadinadinana ve ny anjaranao? Raha eny, dia
tokony homanina aloha be izany. Mety halaim-panahy hangataka olon-
kafa handamina izany ianao, nefa tsy ahazoana vokatra tsara indrindra
foana izany. Raha mbola azo atao koa, dia anaovy famerenana ilay fa-
mpisehoana na fanadinadinana, alohan’ny andro hanaovana ilay fivo-
riana. Ataovy azo antoka fa tena hanatsara ilay fampianaranao io tapany
amin’ny anjaranao io.
Fivoriambe
Mety homena anjara amin’ny fandaharan’ny fivoriambe ireo rahala-
hy mamboly toetra ara-panahy tsara dia tsara, ary tonga mpandahateny
sy mpampianatra mahay. Manome fahafahana manokana hampita ny
fampianaran’Andriamanitra ny fivoriambe. Mety ho lahateny vakina no
anaovana izany, na drafitra, na toromarika ho an’ny fampisehoana ta-
ntara ara-baiboly ampiharina amin’ny andro ankehitriny, na koa fehi-
ntsoratra iray misy toromarika fotsiny. Raha mahazo tombontsoa toy
izany ianao, dia fakafakao tsara ilay fanazavana asaina velabelarinao,
mandra-pahatakatrao tsara ny maha zava-dehibe azy.
Ireo voatendry hanao lahateny vakina dia tokony hamaky azy io ara-
bakiteny. Tsy manova ny firafitry ny fehezanteny na ny fanazavana ao
izy. Fakafakainy tsara ilay izy, mba hahitany mazava tsara ireo hevi-de-
hibe sy ny fomba amelabelarana azy. Mamerimberina mamaky azy
amin’ny feo avo izy, mandra-pahainy manonona ilay lahateny amin’ny
fanamafisana tsara ireo hevitra, sy amin’ny fanehoana hafanam-po, fi-
tiavana, fihetseham-po, fahamaotinana, ary fatokisan-tena, kanefa koa
amin’ny feo mafy sy mahery, mifanentana amin’ny mpanatrika be
dia be.
Ireo rahalahy tendrena hanao lahateny miorina amin’ny drafitra dia
manana andraikitra hamelabelatra ilay fanazavana, amin’ny fanarahana
akaiky ilay drafitra. Tsy hamaky ilay drafitra fotsiny izy mandritra ny la-
hateniny. Tsy hanova azy ho tonga lahateny vakina koa izy, rehe-
fa manomana azy. Tokony hamelabelatra ilay fanazavana, tsy an-kijery
soratra, sy avy amin’ny fo, kosa izy. Tena ilaina ny manaraka tsara ny fo-
toana voalaza ao amin’ilay drafitra, mba hamelabelarana amin’ny fomba
mazava ny hevi-dehibe tsirairay aseho ao. Tokony hampiasa tsara ireo
hevitra sy andinin-teny voatanisa eo ambanin’ireo hevi-dehibe ilay
mpandahateny. Tsy tokony hanala hevitra ao amin’ilay drafitra izy mba
Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana 51

hahafahany hampiditra hevitra fanampiny izay tiany manokana. Ny Te-


nin’Andriamanitra, mazava ho azy, no iorenan’ilay fampianarana. Ny
‘hitory ny teny’ no andraikitry ny anti-panahy kristianina. (2 Tim. 4:
1, 2) Koa tokony hihevitra manokana an’ireo andinin-teny ao amin’ilay
`
drafitra ary ny mpandahateny, hanjohy hevitra momba azy ireo sy ha-
nao fampiharana azy ireo.
Aza mangataka andro lava
Manana fahafahana hanao anjara na lahateny matetika ve ianao?
Ahoana no ahafahanao manao azy rehetra araka ny tokony ho izy? Aza
andrasana ho efa am-poto-moty vao manomana ireo anjaranao.
Ilaina hoeritreretina tsara mialoha izay lahateny tena hahasoa ireo
`
mpiara-manompo aminao. Aoka ary ianao hizatra hamaky avy hatrany
ilay zavatra asaina hazavainao, isaky ny mahazo anjara. Amin’izay, dia
afaka mieritreritra momba azy io foana ianao eo am-panaovana zavatra
hafa. Mety handre tenin’olona hanampy anao hahita ny fomba tsara
indrindra hampiharana ilay fanazavana ianao mandritra ny andro na he-
rinandro vitsivitsy mialoha ny famelabelaranao ny anjaranao. Mety hisy
tarehin-javatra hipoitra, izay hampiseho fa tonga amin’ny fotoana ilana
azy ilay lahateny. Ilana fotoana ny mamaky sy mieritreritra momba ny
anjaranao raha vantany vao voarainao ilay izy, nefa tsy very maina foa-
na izany fotoana izany. Rehefa mipetraka hanao ilay drafitrao amin’izay
ianao, dia ho hitanao fa hanampy anao be dia be ilay nieritreretanao
momba azy ela be mialoha. Tsy hatahotahotra ianao raha manomana
ny anjaranao toy izany, ary ho afaka hampiseho ilay fanazavana mba ho
azo ampiharina sy hanohina ny fon’ireo mpiara-manompo aminao ma-
natrika eo.
Ankasitraho ilay fahaizana nankinina taminao, mifandray amin’ny fa-
ndaharam-pampianarana nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany, dia ha-
nome voninahitra azy ianao ary ho fitahiana ho an’ireo tia azy.—Isaia
54:13; Rom. 12:6-8.
Fanomanana Lahateny
ho An’ny Besinimaro
ISAN-KERINANDRO, ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jeho-
vah dia mandamina lahateny ho an’ny besinimaro momba ny foto-kevitra
ara-baiboly iray. Raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ia-
nao, moa ve ny olona mahita anao ho mpandahateny mahay, izany hoe mpa-
mpianatra? Raha eny, dia mety hasaina hanao lahateny ho an’ny besinimaro
ianao. Nanampy rahalahy an’aliny maro handroso ka hahazo io tombo-
ntsoam-panompoana io ny Sekolin’ny Fanompoana. Rehefa tendrena hanao
lahateny ho an’ny besinimaro ianao, aiza no tokony hanombohanao?
Fakafakao tsara ilay drafitra
Alohan’ny hanaovanao fikarohana, dia vakio aloha ilay drafitra ary sai-
ntsaino mandra-pahazonao ny heviny. Tadidio ao an-tsaina ny loha hevitra
raketin’ny lohatenin’ilay lahateny. Inona ilay zavatra tokony hampianarinao
ny mpihaino anao? Inona no zava-kendrenao?
Fantaro tsara ireo lohatenikely. Ireo no hevi-dehibe amin’ny lahateninao.
Fakafakao tsara izy ireo. Ahoana no ifandraisan’ny tsirairay aminy amin’ilay
loha hevitra? Misy zana-kevitra eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay. Voata-
nisa eo ambanin’ny zana-kevitra tsirairay ny hevitra manohana azy. Jereo ireo
fizarana ao amin’ilay drafitra. Diniho ny fomba iankinan’ny tsirairay aminy
amin’ilay eo alohany, sy itarihany ho amin’ilay manaraka ary anatratrarany
ny zava-kendren’ilay lahateny. Raha vao takatrao ilay loha hevitra, sy ny zava-
kendren’ilay lahateny ary ny fomba ifandraisan’ireo hevi-dehibe amin’
io zava-kendrena io, dia vonona hamelabelatra ireo hevitra amin’izay ia-
nao.
Amin’ny voalohany, dia mety hanampy anao ny mizara ny lahateninao ho
lahateny kely efatra na dimy, izay misy hevi-dehibe iray avy. Omano tsirairay
izy ireo.
Fitaovana fanaovana fanomanana fotsiny ny drafitra omena ny mpanda-
hateny. Tsy izy io akory no soratra hovakinao eny amin’ny lampihazo. Rafi-
tra ihany izy io, toy ny karana iray: tsy maintsy rakofanao nofo sy asianao fo
ary omenao aina.
Fampiasana andinin-teny
Nanorina ny fampianarany tamin’ny Soratra Masina i Jesosy Kristy sy ny
mpianany. (Lioka 4:16-21; 24:27; Asa. 17:2, 3) Afaka manao izany koa ianao.
Ny Soratra Masina no tokony hiorenan’ny lahateninao. Aza manazava sy ma-
mpihatra fotsiny ireo fehezanteny ao amin’ilay drafitra, fa fantaro tsara kosa

52
Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro 53

ny antony ara-baiboly ilazana azy ireny. Avy eo dia ampiasao ny Soratra Ma-
sina mba hampianarana.
Jereo ny andinin-teny tsirairay voatonona ao amin’ilay drafitra, rehefa ma-
nomana lahateny. Mariho ny teny manodidina azy. Mety ho ny toe-javatra
`
nanoratana azy fotsiny no omen’ny andinin-teny sasany. Tsy izy rehetra ary
no ilaina hovakina na hohazavaina mandritra ny lahateninao. Fanteno izay
tsara indrindra ho an’ny mpihaino. Raha ireo andinin-teny voatonona ao
amin’ilay drafitra no ifantohanao, dia mety tsy hila ny hampiasa andinin-
teny fanampiny ianao.
Tsy miankina amin’ny habetsahan’ny andinin-teny ampiasaina akory ny
fahombiazan’ny lahateninao, fa amin’ny hatsaran’ny fampianaranao. Rehe-
fa hamaky andinin-teny iray ianao, dia asehoy ny antony ampiasanao azy.
`
Maka fotoana hanaovana fampiharana azy. Rehefa avy mamaky andinin-teny
`
iray ianao, dia hazony hisokatra ny Baibolinao, eo am-panazavanao azy. Ha-
nao izany koa ny mpihaino anao. Maniry hanaitra ny fahalianan’ny mpihai-
no anao, sy hanampy azy handray soa bebe kokoa avy amin’ny Tenin’Andri-
amanitra ve ianao? (Neh. 8:8, 12) Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny
fanazavana sy ny fanoharana ary ny fampiharana.
Fanazavana. Manontania tena toy izao, rehefa manomana ny fanazavana
andinin-teny fototra: ‘Inona no tian’izy ity holazaina? Nahoana aho no ma-
mpiasa azy ity ao amin’ny lahateniko? Inona no mety hanitikitika ny sain’ny
mpihaino amin’ity andinin-teny ity?’ Mety hila ny hamakafaka ny teny ma-
nodidina azy io ianao, ny zava-nitranga ara-tantara, ny toe-javatra nanorata-
na azy, ny herin’ireo teny ao anatiny, ny zava-nokendren’ilay mpanoratra
`
nahazo tsindrimandry. Manaova ary fikarohana. Hahita fanazavana tsara be
dia be ianao ao amin’ireo boky omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-
tsaina.” (Matio 24:45-47) Aza mitady hanazava ny zavatra rehetra momba ilay
andinin-teny, fa hazavao kosa ny antony nangatahanao ny mpihaino hama-
ky azy, sy ny ifandraisany amin’ilay hevitra resahina.
Fanoharana. Ampiasaina ny fanoharana mba hitarihana ny mpihaino ha-
hazo hevitra lalina kokoa, na hanampiana azy hitadidy hevitra na toro lalana
iray noresahinao. Ny fanoharana dia manampy ny olona hahazo izay lazai-
nao sy hampifandray azy io amin’ny zavatra efa fantany. Izany no nataon’i Je-
sosy tao amin’ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra. Ny hoe “voro-
manidina”, “vonin-kazo any an-tsaha”, ‘lalana tery’, ‘trano eo ambonin’ny
vatolampy’, sy ny teny maro toy izany dia nahatonga ny fampianarany ha-
nan-kery sy hazava ary tsy ho hay hadinoina.—Matio toko 5–7.
Fampiharana. Mampita fahalalana ny fanazavana andinin-teny iray sy ny
fampiasana fanoharana, fa ny fampiharana izany fahalalana izany kosa no
mitondra vokatra. Marina fa andraikitr’ireo mihaino anao ny manao zavatra
mifanaraka amin’ny hafatry ny Baiboly, nefa afaka manampy azy ireo hahita
54 Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro

ilay fampiharana hilainy hatao ianao. Ataovy azo antoka fa azon’ny mpihai-
no ny tian’ilay andinin-teny holazaina sy ny ifandraisan’ilay izy amin’ny he-
`
vitra tianao hampitaina. Avy eo, dia maka fotoana ampy tsara hampisehoa-
na amin’izy ireo ny tokony ho vokatr’ilay andinin-teny eo amin’ny zavatra
inoany sy ny fitondran-tenany. Asongadino ireo soa azo, rehefa ialana ny
hevi-diso na ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ilay fahamarinana haza-
vainao.
Tadidio rehefa mieritreritra ny fomba hampiharana andinin-teny ianao, fa
avy amin’ny fiaviana maro sy misetra toe-javatra maro samihafa, ny mpihai-
no anao. Mety hisy vaovao, tanora, be taona, ary koa olona miady amin’ny
zava-manahirana maro samihafa, ao. Ataovy ho azo ampiharina sy mifandray
amin’ny zavatra tena misy ny lahateninao. Aza manome torohevitra maha-
tonga hihevitra fa olona sasantsasany fotsiny no kendrenao.
Ny fanapahan-kevitra horaisin’ny mpandahateny
Efa vita mialoha ny fanapahan-kevitra sasany momba ny lahateninao. Efa
aseho mazava tsara ny hevi-dehibe ary efa voatondro ny fotoana tokony ha-
nazavanao ny hevi-dehibe tsirairay. Misy fanapahan-kevitra hafa tokony ho-
raisin’ny tenanao anefa. Mety ho tianao ny handany fotoana bebe kokoa
amin’ny zana-kevitra sasany, fa fotoana kely kokoa kosa amin’ny hafa. Aza
mieritreritra hoe tsy maintsy antitranterina daholo ny zana-kevitra rehetra.
Mety hahatonga anao hiteny haingana be izany, ka tsy ho araky ny mpihaino
`
anao. Ahoana ary no hamantaranao izay hovelabelarina misimisy kokoa, sy
izay holazaina vetivety fotsiny, na hoe homarihina kely fotsiny? Manontania
tena hoe: ‘Hevitra iza avy no hanampy ahy hampita tsara ny foto-kevitr’ilay
lahateny? Hevitra iza avy no tena hanampy ny mpihaino ahy? Hihena ve ny
herin’ilay fanaporofoan-kevitra aroso, raha tsy ampiasaiko ny andinin-teny
voatonona sy ilay hevitra mifandray aminy?’
Mitandrema mafy tsy hampiditra tombantombana na fomba fihevitra ma-
nokana. Na i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, aza dia nilaza hoe: “Ny teny
izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko.” (Jaona 14:10) Mariho fa matoa to-
nga amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona, dia mba handre
fanazavana momba ny Baiboly. Raha manjary fantatra ho mpandahateny ma-
hay ianao, dia satria ataonao ho fahazarana ny misarika ny sain’ny hafa, tsy
ho amin’ny tenanao, fa ho amin’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany no
ankasitrahana ireo lahateninao.—Fil. 1:10, 11.
Efa rakotra fanazavana misy ventiny momba ny Soratra Masina izao ilay
drafitra toy ny karana maina teo. Mila manao famerenana ny lahateninao
amin’izay ianao. Tena manampy ny fanaovana izany amin’ny feo avo. Ny ha-
mpazava tsara ao an-tsainao ny hevitra rehetra no zava-dehibe. Tokony hahay
hanao ny lahateninao amin’ny fonao rehetra ianao, sy hampiseho ireo fana-
zavana amin’ny fomba velombelona, ary hanazava ny fahamarinana amin-
Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro 55

kafanam-po. Alohan’ny hanaovanao ilay lahateninao, dia manontania tena


hoe: ‘Inona no antenaiko hotanterahina? Misongadina tsara ve ireo hevi-de-
hibe? Tena nataoko niorina tamin’ny Soratra Masina tokoa ve ny lahateniko?
Moa ve ny hevi-dehibe tsirairay mitarika mora foana ho amin’ilay manaraka?
Manosika ny mpihaino hankasitraka an’i Jehovah sy ireo fanomezana natao-
ny ve ilay lahateny? Moa ve ny teny famaranana mifandray mivantana amin’
ilay loha hevitra, sy mampiseho amin’ny mpihaino izay tokony hataony, ary
manosika azy hampihatra izay reny?’ Raha eny ny valin-teninao amin’ireo fa-
nontaniana ireo, dia tena manao soa amin’ny alalan’ny fahalalana ianao. Ha-
hasoa ireo mpiara-manompo aminao izany, ary ho fiderana an’i Jehovah!
—Ohab. 15:2.

REHEFA ILAINA HADIKA NY LAHATENINAO

Matetika no misy fiteny hafa maro ampiasaina fiteny eo an-toerana sy ny ao amin’ny Baiboli-
ao amin’ny tany iray, hany ka mety hangatahina nao. Asehoy amin’ilay mpandika teny ireo teny
hanao lahateny ara-baiboly amin’ny alalan’ny hoantitranterinao na hohazavainao, ao amin’ireo
mpandika teny iray ianao. Raha asaina hanao la- andinin-teny.
hateny toy izany ianao, dia hanampy anao sy ilay ˙ Tapaho ny hevitra raha hovakina amin’ireo fite-
handika ny teninao ireto toro lalana manaraka ny roa ny andinin-teny, na amin’ny fiteny iray
ireto. ihany. Mety ho ampy ny mamaky azy amin’ilay
˙ Hiankina be dia be amin’ny zavatra ataon’ilay fitenin’ny mpanatrika.
mpandika teny ny fahombiazan’ny lahateninao.
˙ Ho sahirana ilay mpandika teny raha lazainao
Na ny mpandika teny efa za-draharaha aza dia
haingana ireo daty sy isa ary andinin-teny. Mia-
mbola afaka manatsara ny fandikan-teniny, raha
toa kely mba hanampiana azy, ary boriborio ny
ampianao hanao fanomanana.
antontan’isa lazainao.
˙ Amin’ny ankapobeny, dia tsy maintsy manala
ny ampahatelon’ny lahateninao ianao, mba hisy ˙ Resaho izay fanoharana sy fomba fiteny ary
fotoana ho an’ilay fandikan-teny. (Tsy toy izany teny tsy mahazatra kasainao hampiasaina. Ha-
ny amin’ny baiko moana, satria mila ho tafaraka marino raha azon’ilay handika ny teninao izy
ilay lahateny sy ny fandikana azy.) ireny, ary azo ampitaina amin’ilay fiteny eo an-
toerana ny hevitra raketiny.
˙ Alohan’ny hanaovana azy, dia jereo miaraka `
amin’ilay mpandika teny ny ambangovangon’ny ˙ Mampiasa fehezanteny fohy, rehefa miteny.
lahateninao sy ny zava-kendreny. Raha lahate- Hevitra feno lazaina, alohan’ny hiatoanao mba
ny vakina any amin’ny fivoriamben’ny vondrom- handikan’ilay mpandika teny azy. (Hevitra no
paritra ny anjaranao, dia tokony hahita kopian’ ampitainy, fa tsy voatery ho teny tsirairay.) Omeo
ilay izy aloha be ilay mpandika teny. fotoana izy hamitany ny teniny, vao manohy ia-
˙ Resaho miaraka amin’ilay mpandika teny ny nao.
andinin-teny hampiasainao. Hamarino sao tsy ˙ Miantehitra amin’ny hamafin’ny feonao sy ny
mitovy ny hevitra avoakan’ny Baiboly amin’ilay hatsaran’ny fanononanao ilay mpandika teny.
Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra
INONA no tanjonao, rehefa mampianatra? Raha vao haingana ianao no to-
nga mpitory dia azo antoka fa maniry hianatra ny fomba itarihana fampia-
narana Baiboly, satria asain’i Jesosy manao mpianatra ny mpanara-dia azy.
(Matio 28:19, 20) Raha efa zatra manao io asa io kosa ianao, dia angamba
ny hahay hanohina kokoa ny fon’ireo tadiavinao hampiana no tanjonao.
Raha ray na reny ianao, dia maniry ny hahay handrisika ny zanakao hano-
lotra ny fiainany ho an’Andriamanitra. (3 Jaona 4) Raha anti-panahy ianao,
na miezaka ho tonga anti-panahy, angamba ianao maniry ny ho mpanda-
hateny mahay manampy ny mpihaino anao hanana fankasitrahana lalina
kokoa an’i Jehovah sy ny lalany. Ahoana no ahafahanareo mahatratra ireo
tanjona ireo?
`
Maka lesona avy amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Faran’izay Ma-
hay. (Lioka 6:40) Na niteny tamin’ny vahoaka teny an-tendrombohitra i
Jesosy, na tamin’olona vitsivitsy monja teny an-dalana, dia namela soritra
naharitra izay nolazainy sy ny fomba nilazany azy. Nandrisika ny saina sy
ny fon’ireo nihaino azy i Jesosy, ary nanao fampiharana mora takatr’izy
ireo. Afaka manao izany koa ve ianao?
Miantehera amin’i Jehovah
Ny fifandraisany akaiky tamin’ilay Rainy any an-danitra sy ny fanampian’
ny fanahin’Andriamanitra no nanatsara ny fahaizan’i Jesosy nampianatra.
Mivavaka mafy amin’i Jehovah ve ianao mba hitarihana fampianarana Bai-
boly mandaitra? Raha ray na reny ianao, mivavaka tsy tapaka ve ianao mba
hahazoana ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fampianarana ny zana-
kao? Manolotra vavaka avy amin’ny fo ve ianao, rehefa miomana hanao
lahateny na hitarika fivoriana? Hanampy anao ho tonga mpampianatra ma-
hay kokoa ny fianteherana amim-bavaka amin’i Jehovah toy izany.
Hita koa fa miankina amin’i Jehovah ianao, raha miantehitra amin’ny Te-
niny, ny Baiboly. Hoy i Jesosy, tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ilay
hariva farany niainany teto an-tany: “Efa nomeko azy ny teninao.” (Jaona
17:14) Tsy niteny araka ny fiheviny manokana mihitsy i Jesosy, na dia na-
hay zavatra be dia be aza. Nilaza izay nampianarin’ny Rainy azy foana izy,
ka namela ohatra harahintsika. (Jaona 12:49, 50) Ny tenin’Andriamanitra
voarakitra ao amin’ny Baiboly dia manan-kery eo amin’ny olona—eo amin’
ny zavatra ataony, sy ny eritreriny lalina indrindra, ary ny fihetseham-pony.
(Heb. 4:12) Rehefa mitombo ny fahalalanao ny Tenin’Andriamanitra, ka
mianatra hampiasa azy io tsara eo amin’ny fanompoana ianao, dia hanana
56
Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra 57

ilay fahaiza-mampianatra izay misarika ny olona ho amin’Andriamanitra.


—2 Tim. 3:16, 17.
Manomeza voninahitra an’i Jehovah
Ny hoe manahaka an’i Kristy eo amin’ny fomba fampianatra akory tsy
midika hoe mahay manao lahateny mahaliana fotsiny. Marina fa talanjona
noho “ny tenin’ny fahasoavana” nolazain’i Jesosy ny olona. (Lioka 4:22)
Inona anefa no zava-nokendren’i Jesosy, tamin’ny fitenenana tsara toy iza-
ny? Ny hanome voninahitra an’i Jehovah, fa tsy ny hisarika ny saina ho
amin’ny tenany akory. (Jaona 7:16-18) Ary nampirisika ny mpanara-dia azy
toy izao izy: “Aoka hazava eo imason’ny olona ... ny fahazavanareo, mba
hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-da-
nitra.” (Matio 5:16) Tokony hanan-kery eo amin’ny fomba fampianatsika
io torohevitra io. Aza mamela na inona na inona hampiala ny saina amin’
io zava-kendrena io. Koa rehefa manomana izay holazaintsika na ny fomba
`
hilazantsika azy ary isika, dia tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Moa ve
ity hampitombo ny fankasitrahan’ny olona an’i Jehovah, sa hisarika ny sai-
na ho amin’ny tenako?’
Ohatra, azo atao tsara ny mampiasa fanoharana sy ohatra tena nisy mba
hampianarana. Mety ho very anefa ilay hevitra tiana hampianarina rehefa
lava loatra ilay fanoharana, na tantaraina amin’ny tsipiriany rehetra ilay ta-
ntara. Toy izany koa fa mampiala ny saina amin’ny zava-kendren’ny fano-
mpoantsika ny fitantarana zavatra mba hampifaliana ny olona fotsiny. Mi-
sarika ny saina ho amin’ny tenany ilay mpampianatra amin’izay, fa tsy
mahatratra ilay tena zava-kendren’ny fampianaran’Andriamanitra noresa-
hintsika teo am-piandohana.
‘Mahaiza manavaka’
Mba hahatonga ny olona iray ho tena mpianatra tokoa, dia tsy maintsy
mahatakatra mazava tsara izay ampianarina azy izy. Tsy maintsy mandre ny
fahamarinana sy mahita ny fahasamihafany amin’ny finoana hafa izy. Ha-
nampy amin’izany ny fampifanoheran-javatra.
Nampirisika ny vahoakany imbetsaka mba ‘hahay hanavaka’ ny madio
sy ny tsy madio i Jehovah. (Lev. 10:9-11) Nilaza izy fa hampianatra ny olo-
na “ny tsi-fitovian’ny masina sy ny tsy masina” ireo izay hanompo ao amin’
ny tempoliny ara-panahy lehibe. (Ezek. 44:23) Ny bokin’ny Ohabolana dia
feno teny mampifanohitra ny fahamarinana sy ny faharatsiana, ny fahe-
ndrena sy ny hadalana. Na ny zavatra roa tsy mifanohitra aza dia azo ava-
hana. Ny apostoly Paoly, ohatra, dia nampifanohitra ny olona marina ta-
min’ny olona nanao ny soa, ao amin’ny Romana 5:7. Nasehony ao amin’ny
bokin’ny Hebreo, fa ambony noho ilay nataon’i Arona ny fanompoan’ny
58 Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra

mpisoronabe ataon’i Kristy. Nanoratra toy izao i Comenius, mpampianatra


tamin’ny taonjato faha-17: “Tsy inona akory ny hoe mampianatra fa fampi-
sehoana ny tsy fitovian’ny zavatra samy hafa, raha ny amin’ny zava-kendre-
ny sy ny endrika isehoany ary ny fiaviany. ... Noho izany, izay mahay
mampiseho ny fahasamihafan-javatra dia mahay mampianatra.”
Ohatra, aoka hatao hoe mampianatra olona iray momba ny Fanjakan’
Andriamanitra ianao. Mety tsy hahafantatra momba azy io ilay olona. Ha-
zavao fa mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ilay hevitra hoe ao am-
pon’ny olona fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra. Na asehoy fa hafa noho
ny fitondram-panjakan’olombelona izy io. Kanefa, hanome tsipiriany bebe
kokoa ianao amin’ny olona efa mahafantatra ireo fahamarinana fototra
ireo. Asehoy, ohatra, fa ilay Fanjakan’ny Mesia dia tsy mitovy amin’ny fa-
njakan’i Jehovah manerana izao rehetra izao, voalaza ao amin’ny Salamo
103:19, na amin’ny “fanjakan’ny Zanany malalany”, hita ao amin’ny Kolo-
siana 1:13, na amin’ilay “fitondrana”, resahina ao amin’ny Efesiana 1:10.
Hazava tsara amin’ny mpihaino anao io fampianarana ara-baiboly lehibe
io raha mampiasa fifanoheran-javatra ianao.
Nampiasa io fomba fampianatra io imbetsaka i Jesosy. Nampifanoheriny
` `
ny fomba fahazoan’ny olona ny Lalan’i Mosesy sy ny tena hevitry ny Lala-
na. (Matio 5:21-48) Nasehony ny fahasamihafana teo amin’ny tena fifiki-
rana amin’Andriamanitra sy ny fihatsarambelatsihin’ny Fariseo. (Matio
6:1-18) Nampifanoheriny ny toe-tsain’ireo ‘nampanompo’ ny hafa sy ny fa-
hafoizan-tena hasehon’ny mpanara-dia azy. (Matio 20:25-28) Nisy fotoana
koa, araka ny Matio 21:28-32, nanasan’i Jesosy ny mpihaino azy mba ha-
mpifanohitra ny fiheveran-tena ho marina sy ny tena fibebahana. Mito-
ndra antsika ho amin’ny lafiny lehibe iray hafa amin’ny fahaiza-mampia-
natra izany.
Ampirisiho hieritreritra ny mpihaino
Ao amin’ny Matio 21:28, talohan’ny nilazan’i Jesosy ny fampitahany, dia
nanontany izy aloha hoe: “Ahoana kosa no hevitrareo?” Tsy milaza zavatra
na mamaly fanontaniana fotsiny akory ny mpampianatra mahay. Mampi-
risika ny mpihaino azy hahay hisaina kosa izy. (Ohab. 3:21; Rom. 12:1) Fo-
mba iray anaovana izany ny fametrahana fanontaniana. Nanontany toy
izao i Jesosy ao amin’ny Matio 17:25: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy
`
amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka ety an-tany fadintseranana sy vola
hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’ny olon-kafa?” Ireo fanontania-
na mampisaintsaina napetrak’i Jesosy ireo dia nanampy an’i Petera hana-
tsoaka hevitra marina samirery, momba ny fandoavana ny hetran’ny te-
mpoly. Toy izany koa, mba hamaliana an’ilay lehilahy nanontany hoe: “Iza
ary no namako?”, dia nampifanohitra ny zavatra nataon’ny mpisorona iray
Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra 59

sy ny Levita iray tamin’ny an’ny Samaritanina iray, i Jesosy. Nanontany izy


avy eo hoe: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny
jiolahy?” (Lioka 10:29-36) Teo indray koa, dia tsy nisalovana i Jesosy fa ilay
nihaino azy ihany no nampisaintsaininy ka nasainy namaly ny fanontania-
ny.—Lioka 7:41-43.
Miezaha manohina ny fon’ny mpihaino
Takatry ny mpampianatra mahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra fa
tsy fitadidiana zavatra sasantsasany, na fanarahana fitsipika sasany, fotsiny
akory no atao hoe fivavahana marina. Miorina amin’ny fifandraisana tsara
amin’i Jehovah sy amin’ny fankasitrahana ny lalany, izy io. Ny fo no tafi-
ditra amin’izany fanompoana izany. (Deot. 10:12, 13; Lioka 10:25-27) Ao
amin’ny Soratra Masina, matetika ny teny hoe “fo” no manondro ilay olo-
na anaty, ka voafaoka amin’izany ny faniriany, ny fitiavany, ny fihetseham-
pony ary ny antony manosika azy hanao zavatra.
Fantatr’i Jesosy fa, raha mijery ny fisehoana ivelany ny olombelona,
Andriamanitra kosa mijery ny fo. (1 Sam. 16:7) Ny fanompoantsika an’
Andriamanitra dia tokony hatosiky ny fitiavantsika azy, fa tsy ny fitadiavana
hanaitra olona. (Matio 6:5-8) Nanao zavatra maro ho fisehosehoana kosa
anefa ny Fariseo. Nantitranterin’izy ireo be ny fanarahana ireo tsipirian’ny
`
Lalana sy ny fankatoavana ireo fitsipiky ny tenany manokana. Tsy nasehon’
izy ireo teo amin’ny fiainany anefa ireo toetra tsara izay ho nampahafanta-
tra azy ho tena mpanompon’ilay Andriamanitra nolazainy fa nivavahany.
(Matio 9:13; Lioka 11:42) Nampianatra i Jesosy fa tsy ny fankatoavana ny
zavatra takin’Andriamanitra fotsiny no zava-dehibe, fa izay ao am-po koa.
(Matio 15:7-9; Marka 7:20-23; Jaona 3:36) Handaitra indrindra ny fampia-
narantsika, raha manahaka ny ohatr’i Jesosy isika. Zava-dehibe ny hana-
mpiantsika ny olona hianatra izay takin’Andriamanitra aminy. Zava-dehibe
koa anefa ny hahafantarany sy hitiavany an’i Jehovah, satria amin’izay, dia
ho hita taratra eo amin’ny fitondran-tenany fa sarobidy aminy ny fifandrai-
sana tsara amin’ilay Andriamanitra marina.
Mazava ho azy fa raha te handray soa avy amin’izany fampianarana iza-
ny ny olona, dia tsy maintsy miaiky ny amin’izay ahariharin’izy io momba
izay ao am-pony. Nampirisika ny olona hamakafaka ny antony manosika
azy hanao zavatra sy ny fihetseham-pony i Jesosy. Mba hanitsiana fomba fi-
hevitra diso iray, dia nanontany ny mpihaino azy izy hoe nahoana izy ireo
no nieritreritra, niteny na nanao zavatra toy izao na izao. Kanefa tsy niani-
na tamin’izany i Jesosy. Narahiny teny iray, fanoharana iray, na fanaovan-
javatra iray, ny fanontaniany, mba hanampiana azy ireo hanana ny fomba
fihevitra mety. (Marka 2:8; 4:40; 8:17; Lioka 6:41, 46) Afaka manampy ny
mpihaino antsika toy izany koa isika, amin’ny fampirisihana azy hanontany
60 Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra

tena hoe: ‘Nahoana no manintona ahy izao fitondran-tena izao? Nahoana


aho no manana izao fihetsika izao?’ Avy eo, dia ampirisiho izy hijery zava-
tra araka ny fomba fijerin’i Jehovah.
Manaova fampiharana
Fantatry ny mpampianatra mahay fa ‘ny fahazoana fahendrena no voa-
loham-pahendrena.’ (Ohab. 4:7) Ny fahendrena dia ny fahaizana mampi-
hatra ny fahalalana mba handaminana zava-manahirana, handosirana loza,
hahatratrarana zava-kendrena, hanampiana ny hafa. Ny manampy ny mpia-
nany hianatra hanao izany no andraikitry ny mpampianatra, fa tsy ny
handray ny fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany. Ampio ilay mpianatra
hanjohy hevitra, rehefa miresaka toro lalan’ny Baiboly samihafa. Zava-mi-
tranga eo amin’ny fiainana andavanandro resahina. Avy eo dia anontanio
ilay mpianatra raha afaka manampy azy ilay toro lalana vao avy nianarana-
reo, raha ao anatin’izany tarehin-javatra izany ny tenany.—Heb. 5:14.
Tao amin’ilay lahateniny tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ny apostoly Pe-
tera dia nanome ohatra ny amin’ny fanaovana fampiharana, izay nahaka-
sika ny fiainan’ny olona. (Asa. 2:14-36) Niresaka momba ny faminaniana
telo nolazain’ilay vahoaka fa ninoany i Petera. Avy eo izy dia nampiasa ireo
zava-niseho vao hitan’izy rehetra teo, mba hanaovana fampiharana an’ireo
andinin-teny ireo. Ho vokany, dia tsapan’ilay vahoaka fa nila nanao zava-
tra nifanaraka tamin’izay reny izy. Misy vokany toy izany eo amin’ny olo-
na ve ny fampianaranao? Mianina amin’ny filazana zavatra fotsiny ve ianao,
sa manampy ny olona hahatakatra ireo anton-javatra koa? Mampirisika azy
handinika ny tokony ho vokatr’izay ianarany eo amin’ny fiainany ve ianao?
Mety tsy hihiaka izy hoe: “Inona no hataonay?”, toy ny nataon’ilay vahoa-
ka tamin’ny Pentekosta. Nefa raha nahay nanao fampiharana ireo andinin-
teny ianao, dia ho voatosika hieritreritra ny hampihatra izay nohazavainao
izy.—Asa. 2:37.
Rehefa miara-mamaky ny Baiboly amin’ny zanakareo ianareo ray aman-
dreny, dia afaka mampiofana azy hieritreritra momba ny fampiharana ireo
toro lalan’ny Baiboly. (Efes. 6:4) Ohatra, mifidiana andinin-teny sasantsa-
sany avy amin’ny famakiana Baiboly ho an’ny herinandro, resaho izay tian’
izy ireo holazaina, ary avy eo dia manontania hoe: ‘Inona no tari-dalana
azontsika avy amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ampiasantsika azy ireo
eo amin’ny fanompoana? Inona no asehon’izy ireo momba an’i Jehovah sy
ny fomba fanaovany zavatra, ary ahoana no anampian’izy ireo antsika ha-
nkasitraka azy?’ Ampirisiho ny fianakavianao hanome valin-teny momba
ireo zavatra noresahinareo ireo mandritra ny fandinihana ireo hevitra mi-
songadina ao amin’ny Baiboly any amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Ireo
andinin-teny anomezany valin-teny no azo inoana fa ho tadidiny indrindra.
Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra 61

Manomeza ohatra tsara


Tsy amin’izay lazainao ihany ianao no mampianatra, fa amin’izay atao-
nao koa. Hitan’ny hafa eo amin’ny zavatra ataonao ny fomba hampiharana
ireo zavatra lazainao. Izany no fomba ianaran’ny ankizy. Rehefa manahaka
ny ray aman-dreniny ny ankizy, dia manome porofo fa maniry ny hitovy
amin’ny ray aman-dreniny izy. Tiany ho fantatra izany hoe manao zavatra
sahala amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny izany. Toy izany koa, rehefa ‘ma-
nahaka anao, tahaka ny anahafanao an’i Kristy’, ireo izay ampianarinao, dia
hahazo ireo fitahiana entin’ny fanarahana ny lalan’i Jehovah. (1 Kor. 11:1)
Ho hitan’ny tenany manokana fa mifandray aminy koa Andriamanitra.
Tena mampieritreritra izany fampahatsiahivana ny amin’ny maha zava-
dehibe ny fanomezana ohatra tsara izany. Ny fananantsika “fitondrantena
masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” dia tena hanome an’ireo
izay ampianarintsika, porofo velon’ny fampiharana ireo toro
lalan’ny Baiboly. (2 Pet. 3:11) Raha mampirisika ny mpianatra
Baiboly iray hamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka ianao,
MBA HO
MPAMPIANATRA
dia aoka ny tenanao hazoto hanao izany famakiana izany. Raha
MAHAY, DIA
tianao hianatra hampihatra ireo toro lalan’ny Baiboly ny zana-
kao, dia ataovy hitany fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andria-
˙ Miantehera amin’i Jehovah,
manitra ny zavatra ataonao. Raha mampianatra ny fiango- fa tsy amin’ny fahaizanao
nana ho be zotom-po eo amin’ny fanompoana ianao, dia ˙ Ankasitraho ny herin’ny
mandraisa anjara feno amin’io asa io. Tsara toerana kokoa ha- Tenin’Andriamanitra, ary
ndrisika ny hafa ianao, rehefa mampihatra izay ampianarinao. ampiasao tsara izy io
—Rom. 2:21-23. ˙ I Jehovah no omeo
voninahitra, fa tsy ny
Mba hanatsarana ny fampianaranao, dia manontania tena
tenanao
hoe: ‘Rehefa mampianatra aho, moa ve ny fomba fampianatro `
˙ Mampiasa
hahatonga ireo izay mandre ahy hanova ny fihetsiny, ny fomba fifanoheran-javatra, mba
fiteniny, na ny zavatra ataony? Mba hampahazava zavatra, moa hampahazava tsara ireo
ve aho mampifanohitra hevitra na fitondran-tena iray amin’ny hevitra
iray hafa? Inona no ataoko mba hanampiako ny mpianatro, ny ˙ Ampirisiho hieritreritra ny
zanako, na ny mpihaino ahy any amin’ny fivoriana, hitadidy mpihaino
izay lazaiko? Mampiseho mazava tsara amin’ny mpihaino ˙ Ampirisiho ny hafa
handinika ny
ahy ny fomba hampiharana izay ianarany ve aho? Hitany eo fihetseham-pony sy izay
amin’ny ohatra omeko ve izany? Takany ve fa misy fiantraika- manosika azy hanao zavatra
ny eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah ny fihetsiny eo ˙ Ampirisiho ny mpihaino
anoloan’ilay zavatra resahina?’ (Ohab. 9:10) Eritrereto foana handinika ny ho vokatry ny
ireo zavatra ireo, eo am-piezahanao manatsara ny fahaizanao fahalalany ny Baiboly eo
amin’ny fiainany
mampianatra. “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka
˙ Aoka ianao ho ohatra
mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamo-
mendri-kotahafina
njy ny tenanao sy izay mihaino anao.”—1 Tim. 4:16.
Fomba Fanatsarana
ny Fahaiza-miresaka
MORA aminao ve amin’ny ankapobeny ny miresaka amin’ny hafa? Amin’
ny olona maro, ny hoe hanombo-dresaka amin’ny hafa fotsiny, indrindra
fa amin’olona tsy fantany, dia efa mampivarahontsana azy. Mety ho saro-
kenatra ny olona toy izany. Mety hanontany tena izy ireo hoe: ‘Inona no
tokony horesahiko? Ahoana no hanombohako resaka? Ahoana no hanohi-
zako azy?’ Ny olona matoky tena sy sariaka kosa dia mety hibodo ny resa-
ka. Sarotra amin’izy ireo ny hampiteny ny hafa sy ny hianatra ny hihaino
`
izay lazaina. Ilaintsika rehetra ary ny mianatra ny fahaiza-miresaka, na saro-
kenatra isika na sariaka.
Atombohy ao an-tokantrano
Mba hanatsarana ny fahaizanao miresaka, nahoana raha manomboka ao
an-tokantrano? Tena hampitombo ny fahasambaran’ny fianakaviana ny re-
saka mampahery.
Ny fifampiahiana lalina no fanalahidy voalohany indrindra amin’izany.
(Deot. 6:6, 7; Ohab. 4:1-4) Miahy ny hafa isika raha miresaka aminy ary mi-
haino azy rehefa milaza zavatra izy. Lafin-javatra iray lehibe hafa ny fana-
nana zavatra mendrika holazaina. Raha mamaky sy mianatra ny Baiboly tsy
tapaka isika, dia hanan-javatra be dia be horesahina amin’ny hafa. Hitari-
ka ho amin’ny fifampiresahana koa ny fampiasantsika tsara ny bokikely Fa-
ndinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Na angamba isika nahita zavatra
nahafinaritra teny amin’ny fanompoana. Nety ho nisy zavatra nianarantsi-
ka na nampihomehy antsika tao amin’ny boky na gazety iray novakintsika.
Tokony hataontsika ho fahazarana ny miresaka momba ireny zavatra ireny
amin’ny mpianakavintsika. Hanampy antsika hiresaka amin’ny olona ive-
lan’ny fianakaviantsika koa izany.
Firesahana amin’ny olona tsy fantatra
Olona maro no miahotra rehefa hoe hanombo-dresaka amin’ny olona tsy
fantany. Noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny namany anefa, dia mie-
zaka ny Vavolombelon’i Jehovah hianatra ny fomba firesaka mba hampa-
hafantarana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa. Inona no hana-
mpy anao hihatsara amin’io lafiny io?
Manampy be dia be ny toro lalana ao amin’ny Filipiana 2:4. Ampirisihina
isika ao mba tsy ‘samy hihevitra ny antsika ihany, fa samy hihevitra ny an’
ny namantsika koa.’ Izao eritreretina: Raha mbola tsy nahita ilay olona mi-
hitsy ianao taloha, dia raisiny ho toy ny olon-tsy fantatra ianao. Ahoana no

62
Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka 63

hanampianao azy tsy ho saikatsaikatra? Amin’ny fitsikiana amim-pisakai-


zana sy amin’ny fiarahabana azy amin-katsaram-panahy. Misy zavatra hafa
tokony hoheverina anefa.
Mety ho nanapaka ny eritreriny ianao. Raha tsy manisy fiheverana izay
ao an-tsainy ianao, fa mitady hanery azy hiresaka momba izay ao an-tsai-
nao, moa ve ho tsara ny fihetsiny? Inona no nataon’i Jesosy, fony izy nahi-
ta vehivavy iray teo am-pantsakana iray tany Samaria? Ny hantsaka rano no
tao an-tsain’ilay vehivavy. Nampiasa izany i Jesosy mba hanombohan-dre-
saka, ary vetivety dia navadiny ho resaka velombelona momba ny zavatra
ara-panahy ilay izy.—Jaona 4:7-26.
Hahay hamantatra izay mety hoeritreretin’ny olona koa ianao, raha ma-
hay mandinika. Falifaly sa malahelo ny fahitanao azy? Zokiolona ve izy, efa
osa angamba? Mahamarika ve ianao fa misy ankizy ao amin’ilay trano? Hi-
tanao ve fa olona manana ilay tompon-trano, sa miady mafy amin’ny fiai-
nana kosa? Mampahafantatra anao ny amin’ny fivavahany ve ny haingon-
tranony na ny firavaka anaovany? Raha manisy fiheverana an’ireo ianao ao
amin’ny teny fiarahabana ataonao, dia mety ho hitan’ilay olona fa manan-
javatra iombonana ianareo.
Raha tsy mifanatri-tava amin’ilay olona ianao, fa mahare ny feony avy ao
ambadiky ny varavarana mihidy lakile fotsiny, mety hilaza inona aminao
moa izany? Mety hiaina ao anatin’ny tahotra ilay olona. Azonao ampiasai-
`
na mba hanombohan-dresaka avy aty ambadiky ny varavarana ve izany?
Any amin’ny toerana sasany, dia afaka misarika ny olona iray hiresaka ia-
nao, amin’ny filazana aminy zavatra momba ny tenanao hoe: avy aiza
ianao, nahoana ianao no eo am-baravarany, nahoana ianao no mino an’
Andriamanitra, nahoana ianao no nanomboka nianatra ny Baiboly, ary
ahoana no nanampian’ny Baiboly anao. (Asa. 26:4-23) Mazava
ho azy fa mila ny ho malina sy hanan-java-kendrena mazava
ao an-tsaina ianao, rehefa manao izany. Mety hanosika ilay FANOMBOHAN-
olona hilaza zavatra momba ny tenany sy ny fomba fijeriny za- DRESAKA
vatra koa izany.
Anisan’ny fomba amam-panao ny fahaiza-mandray vahiny,
˙ Araho ny fomba
any amin’ny tany sasany. Mety hampandroso anao avy hatra- amam-panao eo
ny sy hanasa anao hipetraka ny olona. Rehefa tafapetraka ia- an-toerana
nao, ka manontany amim-pahalalam-pomba ny amin’ny faha- ˙ Manaova teny fiderana
salaman’ilay fianakaviana, ary mihaino amim-pahatsorana ny avy amin’ny fo
valiny, dia mety hanao toa anao koa ilay tompon-trano, ka hi- `
˙ Milaza zava-mahaliana
haino izay lazainao. Mihoatra noho izany aza any amin’ny iombonana
tany hafa, ny fahalianan’ny olona amin’izay tonga mitsidika ˙ Anontanio izay heviny
azy, ka mety haharitra ny fifampiarahabana. Mety ho hitany,
64 Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka

mandritra izany, fa manan-javatra iombonana aminao izy. Hitarika ho


amin’ny resaka mahasoa momba ny zavatra ara-panahy izany.
Ahoana raha misy olona maro miteny amin’ny fiteny hafa eo amin’ny
misy anao? Ahoana no ahafahanao miresaka amin’izy ireny? Raha miana-
tra na dia fiarahabana tsotra amin’ireo fiteny ireo fotsiny aza ianao, dia ho
hitan’izy ireny fa manam-piheverana azy ianao. Mety hanokatra ny lalana
hifampiresahana bebe kokoa izany.
Ny fomba anohizana ny resaka
Aoka ianao ho liana amin’ny hevitr’ilay olona iresahanao mba hitohizan’
ny resaka. Ampirisiho hilaza ny heviny izy, raha vonona ny hanao izany.
Mametraha fanontaniana voafidy tsara. Ny fanontaniana momba ny hevi-
`
ny no tsara indrindra, satria mazana no tsy hoe “eny” na “tsia” fotsiny no
valin-teny ho azonao. Ohatra, rehefa avy nanonona zava-manahirana iray
teo an-toerana ianao, dia mety hanontany hoe: “Inona no heverinao fa na-
hatonga io tarehin-javatra io?”, na hoe: “Inona no heverinao fa ho fanafo-
diny?”
Rehefa mametraka fanontaniana ianao, dia henoy tsara ny valiny. Asehoy
amin’ny alalan’ny teny kely, ny fihatokatohan-doha kely, na ny fihetseha-
na kely, fa tena liana ianao. Aza tapahina ny teniny. Raha malala-tsaina ia-
nao, dia hihevitra izay lazain’ilay olona. ‘Aoka ianao halady hihaino, ho
malai-miteny.’ (Jak. 1:19) Rehefa mamaly ianao, dia asehoy fa tena nihai-
no izay nolazainy ianao.
Fantaro anefa fa tsy ny rehetra no hamaly ny fanontanianao. Mety hike-
trona na hitsiky fotsiny ny sasany. Ny hafa mety hilaza hoe “eny” na “tsia”
fotsiny. Aza kivy. Manehoa faharetana. Aza mitady hanery ilay olona hire-
saka. Raha vonona ny hihaino izy, dia hararaoty izany mba hilazana aminy
hevitra ara-baiboly mampahery. Mety handray anao ho toy ny namana izy,
amin’ny farany. Amin’izay angamba izy tsy hisalasala sy ho vonona kokoa
hilaza ny heviny.
Rehefa miresaka amin’ny olona ianao, dia eritrereto mialoha ny fitsidi-
hana manaraka. Raha mametraka fanontaniana maromaro ny olona iray,
`
dia valio ny sasany, nefa mamela iray na roa horesahina amin’ny manaraka.
Lazao fa hanao fikarohana ianao, ary avy eo dia resaho aminy ny valiny.
Raha tsy mametraka fanontaniana izy, dia ianao no afaka mamarana ny
resakareo amin’ny fanontaniana iray, izay heverinao fa hahaliana azy. La-
zao fa hiresaka momba azy io ianareo amin’ny fitsidihanao manaraka. Misy
hevitra be dia be ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’
ny Soratra Masina, sy ao amin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra
Amintsika?, ary ao amin’ireo nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambe-
nana sy ny Mifohaza!
Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka 65

Rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana


Rehefa mifankahita voalohany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa
ianao, moa ve ianao manao ny dingana voalohany mba hifankahalalana
aminy? Sa ianao mijoro sy mangina fotsiny? Tokony hanosika antsika ha-
niry hifankahalala aminy ny fitiavantsika an’ireo rahalahintsika. (Jao-
na 13:35) Ahoana no hanombohanao izany? Azonao atao fotsiny ny
milaza ny anaranao sy manontany ny azy. Anontanio azy ny fomba niana-
rany ny fahamarinana, ary dia resaka mahaliana no ho tohin’izany. Hana-
mpy anareo hifankahalala koa izany. Na dia toa tsy misosa tsara aza ny fi-
lazanao zavatra, ny ezaka ataonao dia mampiseho amin’ilay olona fa
miahy azy ianao, ary izany no zava-dehibe.
Inona no hanampy anao hanao resaka mampahery amin’ny iray amin’
ny mpiara-manompo aminao? Manehoa fiheverana amim-pahatsorana
an’ilay olona sy ny fianakaviany. Vao avy nifarana ve ny fivoriana? Miresa-
ha momba ny hevitra voalaza tao ka hitanao fa hanampy anareo. Hahasoa
ny andaniny sy ny ankilany izany. Azo atao anton-dresaka ny hevi-
tra mahaliana iray ao amin’ny nomerao farany amin’ny Tilikambo Fia-
mbenana na ny Mifohaza! Tsy tokony hatao mba hisehosehoana na mba
hitsapana fahalalan’olona anefa izany, fa mba hilazana zavatra iray hita-
nao fa tena nahafinaritra. Azo ifanakalozana hevitra koa ny anjaran’ny iray
aminareo amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, sy ny fomba azo anaovana
azy. Azonao atao koa ny mitantara zavatra hita teny amin’ny fano-
mpoana.
Mazava ho azy fa rehefa manam-piheverana ny olona isika, dia miresa-
ka momba ny olona, ny zavatra lazainy sy ataony. Mety ho anisan’ny resa-
ka ataontsika koa ny vazivazy. Hampahery ve ny zavatra holazaintsika
amin’ny resaka toy izany? Raha mandray am-po ny torohevitry ny Tenin’
Andriamanitra isika, ka voatosiky ny fitiavana araka an’Andriamanitra, dia
tena hampahery ny resaka ataontsika.—Ohab. 16:27, 28; Efes. 4:25, 29; 5:
3, 4; Jak. 1:26.
Miomana isika, alohan’ny hanombohantsika ny fanompoa- TOETRA TSARA
na eny amin’ny saha. Nahoana koa isika raha manomana zava- HANANANA
mahaliana horesahina amin’ny namantsika? Mariho ireo hevi-
tra tianao horesahina amin’ny hafa, rehefa mamaky sy mahare ˙ Fihetsika falifaly
zavatra mahaliana ianao. Hanan-javatra be dia be ho azonao
˙ Hatsaram-panahy sy
isafidianana ianao amin’ny farany. Raha manao izany ianao, fahatsoram-po
dia tsy hianina amin’ny firesahana momba ny zavatra andava-
˙ Fanehoana fiheverana
nandro fotsiny. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia enga anie ny
teninao hanome porofo fa sarobidy aminao ny Tenin’Andria-
manitra!—Sal. 139:17.
Fantaro Izay Tokony Havalinao
`
TOY ny lava-drano ny fanontaniana sasany. Tsy ny miseho ety ivelany no
tena zava-dehibe, fa ilay rano tsy hita any anaty tany. Toy izany koa fa tsy
ilay fanontaniana loatra matetika no tena zava-dehibe, fa ilay antony ao
ambadika.
Na dia may hahazo ny valiny aza ilay manontany, raha mahay ny fomba
famaliana ianao, dia hamaritra ny habetsahan’izay holazainao sy izay tia-
nao hasongadina amin’ilay foto-kevitra. (Jaona 16:12) Araka ny nasehon’i
Jesosy tamin’ny apostoliny, indraindray dia mety hisy olona hanontany za-
vatra izay tsy tokony ho fantany na tena tsy hitondra soa ho azy.—Asa. 1:6, 7.
Hoy ny Soratra Masina: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana
mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo
ny olona rehetra.” (Kol. 4:6) Araka izany, alohan’ny hamaliantsika, dia mila
mieritreritra isika, tsy izay holazaintsika ihany, fa ny fomba hilazantsika azy
koa.
Takaro ny fomba fihevitr’ilay manontany
Nitady hamandrika an’i Jesosy ireo Sadoseo, tamin’ny fanontaniana azy
momba izay hitranga rehefa hitsangana amin’ny maty ny vehivavy iray na-
nambady imbetsaka. Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy nino ny fitsanganana
amin’ny maty akory izy ireo. Ny fomba namaliany ny fanontanian’izy ireo
`
ary dia nanaporofo ny fahadisoan’ilay fomba fihevitra tao ambadik’io fa-
nontaniana io. Nanjohy hevitra tamim-pahakingana i Jesosy no sady na-
mpiasa fitantarana ara-baiboly fantatry ny olona, mba hampisehoana zava-
tra tsy noheverin’izy ireo teo aloha: ny porofo mazava fa tena hanangana ny
maty tokoa Andriamanitra. Tena talanjona noho ny valin-tenin’i Jesosy ireo
mpanohitra azy, ka tsy sahy nanontany azy intsony.—Lioka 20:27-40.
Mba hahaizana ny fomba tokony hamalianao, dia tsy maintsy mahataka-
tra ny fomba fihevitr’ireo manontany anao koa ianao. Ohatra, mety hano-
ntany anao ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa iray hoe nahoana ianao
no tsy mankalaza ny Krismasy. Nahoana moa izy no manontany izany?
Tena ilay antony tokoa ve no tiany ho fantatra, sa izy manontany tena fo-
tsiny raha mahazo mifalifaly ianao? Mba hahafantaranao izany, dia anonta-
nio izy hoe inona no nahatonga azy hametraka ilay fanontaniana. Avy eo,
dia valio araka ny valin-teniny ilay izy. Azonao hararaotina koa izany mba
hampisehoana fa ho voaro amin’ny fahakiviana sy ny enta-mavesatra ate-
raky ny fanao mifandray amin’io fety io isika, raha manaraka ny tari-dalan’
ny Baiboly.
66
Fantaro Izay Tokony Havalinao 67

Aoka hatao hoe asaina hiteny momba ny Vavolombelon’i Jehovah eo ana-


trehan’ny mpianatra maromaro ianao. Mety hametraka fanontaniana izy
ireo rehefa vita ny famelabelaranao. Raha tsapanao fa avy amin’ny fo sy mi-
vantana izy ireny, dia valiny tsotra sy tsy miolakolaka koa no ho tsara indri-
ndra. Indraindray kosa dia ahitana taratry ny fitsarana an-tendrony manjaka
eo amin’ny antokon’olona iray, ireo fanontaniana. Tsara kokoa amin’izay,
raha miresaka vetivety momba ny antony inoan’ny olona izany zavatra iza-
ny sy ny antony anarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsipiky ny Bai-
boly, aloha ianao. Matetika no tsara ny hiheverana fa fanontaniana tena
manitikitika ny sainy tokoa ilay izy, fa tsy fihantsiana—na dia mety ho toy
`
izany aza no fisehony. Ny valin-teninao ary dia manampy an’ireo mihaino
anao hanana fomba fihevitra mivelatra kokoa, sy hahazo fanazavana araka
ny marina, ary hahita ny antony ara-baiboly iorenan’ny zava-
tra inoantsika.
Ahoana kosa no ho fihetsikao, rehefa tsy mety manome anao ALOHAN’NY
andro hanatrehana fivoriambe ny mpampiasa anao? Voaloha- HAMALIANAO,
ny aloha, dia mijere zavatra araka ny fomba fijeriny. Raha la- DIA HEVERO
zainao fa hanao ora fanampiny amin’ny fotoana hafa ianao,
mety hanampy ve izany? Raha hazavainao aminy fa manampy ˙ Ny antony nametrahana
antsika ho mpiasa manao ny marina sy mendri-pitokisana ny ilay fanontaniana
fampianarana omena any amin’ireo fivoriambentsika, moa ve ˙ Izay fanazavana
izany mety hampiova hevitra azy? Raha asehonao fa asianao homena mialoha, mba
vidiny izay zava-dehibe aminy, dia angamba koa izy hanisy vi- hampahazava ilay
diny an’izay ho hitany fa zava-dehibe aminao. Ahoana anefa valin-teny
raha asainy milaza na manao ny tsy marina ianao? Raha lazai- ˙ Ny fanazavana ny toerana
nao mazava tsara ny fandavanao, sady ampiarahinao amin’ny tananao, sy ny fiheverana
hevitra iray avy ao amin’ny Baiboly, dia ho fantany tsara ny izay zava-dehibe amin’ilay
olona
toerana tananao. Tsy ho tsara kokoa ve anefa, raha miara-ma-
njohy hevitra aminy aloha ianao hoe ny olona iray vonona ny ˙ Ny filazana hevitra
amin-katsaram-panahy sy
handainga na hangalatra ho an’ny lehibeny, dia mety handai-
amim-patokisan-tena
nga aminy na hangalatra ny zavany koa?
˙ Izay tokony
Etsy an-danin’izany, angamba ianao mpianatra tsy maniry homenao: Valin-teny
handray anjara amin’ny zavatra sasany melohin’ny Baiboly mivantana sa toro lalana
atao any am-pianarana. Tadidio fa mety tsy hitovy hevitra ami- sy ohatra ara-baiboly
nao ilay mpampianatra, ary andraikiny ny hampihatra fitsipi- mba hahitan’ilay olona
` samirery izay tokony
pifehezana ao an-dakilasy. Ny zavatra tsy maintsy ataonao ary
hataony
dia 1) ny hanaja izay heveriny ho zava-dehibe, sy 2) ny hana-
zava amim-panajana ny toerana tananao, ary 3) ny ho henti-
tra raha ny amin’izay fantatrao fa hampifaly an’i Jehovah.
Mety ho tsy ampy ny filazana tsotra sy mivantana ny zavatra
68 Fantaro Izay Tokony Havalinao

inoanao, raha te hahazo ny vokatra tsara indrindra ianao. (Ohab. 15:28)


Raha mbola kely ianao, dia tsy isalasalana fa hanampy anao hanomana izay
holazainao ny rainao na ny reninao.
Mety hila ny hamaly ny fiampangana nataon’ny manam-pahefana ianao
indraindray. Mety hisy polisy na mpiasam-panjakana na mpitsara hibaiko
`
anao hamaly fanontaniana momba ny fankatoavana lalana iray, na ny anto-
ny tsy anaovanao ny raharahan’izao tontolo izao, na ny fihetsikao momba
ny fanehoana fitiavan-tanindrazana. Ahoana no tokony hamalianao azy?
“Amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”, hoy ny torohevitry ny Bai-
boly. (1 Pet. 3:15) Ambonin’izany, dia manontania tena hoe nahoana ireo
raharaha ireo no zava-dehibe aminy, ary ekeo amim-panajana izany fana-
hiany izany. Ary avy eo? Sahala amin’ny apostoly Paoly nanonona ireo zo
`
narovan’ny lalana romanina, dia azonao atao koa ny manonona ireo zo ara-
`
dalana azo ampiharina aminao. (Asa. 22:25-29) Angamba hivelatra kokoa
ny fomba fihevitr’ilay manam-pahefana, raha fantany ny toerana notanan’
ireo Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.
` `
Na azonao lazaina fa manosika ny olona hankato kokoa ireo lalan’olombe-
lona azo ekena ny fanekena ny fahefan’Andriamanitra. (Rom. 13:1-14) Raha
izany no ataonao, dia mety horaisina tsara ny fanazavanao ireo antony ara-
baiboly iorenan’ny toerana tananao.
Ny fomba fihevitr’ilay manontany, momba ny Soratra Masina
Rehefa manapa-kevitra ny amin’ny fomba hamaliana ianao, dia eritrere-
to koa ny fomba fihevitr’ilay manontany, momba ny Soratra Masina. Na-
nao izany i Jesosy, rehefa namaly ny fanontanian’ny Sadoseo momba ny fi-
tsanganan’ny maty. Fantany fa tsy nanaiky afa-tsy ireo soratra nataon’i
Mosesy izy ireo, ka nanjohy hevitra momba ny fitantarana iray ao amin’ny
Pentateuque izy, tamin’ny fanombohana ny teniny tamin’ny hoe: “Ary Mo-
sesy aza nanambara ... fa hatsangana ny maty.” (Lioka 20:37) Mety ho hita-
nao koa fa hanampy ny fakana teny avy amin’ny Baiboly eken’ilay mihai-
no anao sady fantany tsara.
Ahoana raha tsy manaiky ny fahefan’ny Baiboly ilay mihaino anao? Ma-
riho izay nataon’ny apostoly Paoly tao amin’ny toriteniny teo amin’ny
Areopago, voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:22-31. Fahamarina-
na ara-baiboly no nambarany, na dia tsy notononiny mivantana avy tao aza.
Afaka manao izany koa ianao, rehefa ilaina. Any amin’ny toerana sasany,
dia mety ho tsy maintsy miresaka imbetsaka amin’ny olona iray ianao, vao
ho afaka haka teny mivantana avy ao amin’ny Baiboly. Rehefa tena ma-
ndray ny Baiboly ianao, dia mety ho tsara ny manazava aloha hoe nahoana
izy io no mendri-kodinihina, fa tsy hanizingizina mafy fotsiny hoe Tenin’
Andriamanitra izy io. Ny hanao fanambarana mazava momba ny fikasan’
Fantaro Izay Tokony Havalinao 69

Andriamanitra anefa no tokony ho zava-kendrenao. Tokony hasehonao an’


ilay mihaino anao izay tena voalaza ao amin’ny Baiboly mivantana, rehefa
mandeha ny fotoana. Mandresy lahatra kokoa noho izay rehetra mety ho-
lazain’ny tenantsika ny Baiboly.—Heb. 4:12.
‘Teny soa mandrakariva’
Tena mety ny fanasan’i Jehovah, ilay Andriamanitra miantra, ny mpano-
mpony mba hanao teny ‘soa sy mamy sira mandrakariva’! (Kol. 4:6; Eks.
34:6) Milaza izany fa tokony hiteny amin-katsaram-panahy isika, na dia
mety ho toa tsy mendrika izany aza ilay iresahantsika. Tokony hahafinari-
tra foana ny tenintsika, fa tsy ho henjana na hoe hivantambantana.
Olona maro no ao anatin’ny fanerena faran’izay mafy, ary iharan’ny fi-
tenenan-dratsy isan’andro. Rehefa mitsidika olona toy izany isika, dia mety
hanao teny masiaka amintsika izy. Ahoana no tokony havalintsika? Hoy ny
Baiboly: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” Afa-
ka mampitony olona iray manohitra ny fomba fihevitsika koa ny valin-teny
toy izany. (Ohab. 15:1; 25:15) Ny olona entina amin-kerisetra isan’andro dia
ho voasinton’ny fihetsika sy ny feo maneho hatsaram-panahy, ka mety hi-
haino ilay vaovao tsara entintsika.
Tsy maniry hifamaly amin’ireo izay tsy tia na tsy manaja ny fahamarina-
na isika. Irintsika kosa ny hiara-manjohy hevitra avy amin’ny Soratra Ma-
sina amin’izay olona hamela antsika hanao izany. Na manao ahoana na ma-
nao ahoana tarehin-javatra hitantsika, dia tadidintsika foana fa tokony
hamaly amin-katsaram-panahy isika. Tokony hasehontsika amin’ny valin-
tenintsika koa fa matoky ireo fampanantenana sarobidy nataon’Andriama-
nitra isika.—1 Tes. 1:5.
Fanapahan-kevitra manokana sy mahakasika
ny feon’ny fieritreretana
Rehefa manontany anao izay tokony hataony ao anatin’ny tarehin-java-
tra iray ny mpianatra Baiboly iray na ny mpiray finoana iray, inona no to-
kony havalinao? Mety ho fantatrao izay hataonao. Ny tsirairay anefa no tsy
maintsy tompon’andraikitra ny amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny tena-
ny manokana. (Gal. 6:5) Nohazavain’ny apostoly Paoly fa nampirisika ny
olona nitoriany mba ‘hanaiky noho ny finoana’ izy. (Rom. 16:26) Ohatra
tsara dia tsara tokony harahintsika izany. Ny olona iray mandray fanapa-
han-kevitra mba hampifaly ilay mampianatra azy ny Baiboly na ny olon-
kafa iray fotsiny, dia manompo olona, fa tsy miaina araka ny finoana. (Gal.
`
1:10) Koa tsy hanampy ny olona toy izany ary ny fanomezana azy valin-teny
tsotra sy mivantana.
`
Ahoana ary no azonao anomezana valin-teny mifanaraka amin’izay ato-
ron’ny Baiboly? Mampisehoa toro lalana sy ohatra mifanentana tsara avy
70 Fantaro Izay Tokony Havalinao

ao amin’ny Baiboly. Azonao aseho aminy ihany amin’ny toe-javatra sasany


ny fomba fanaovana fikarohana, mba hahitany samirery an’ireo toro lala-
na sy ohatra ireo. Azonao resahina mihitsy aza ireny toro lalana ireny sy ny
fianarana azo avy amin’ireny ohatra ireny, saingy aza ampiharina amin’ilay
tarehin-javatra. Anontanio ilay olona raha mahita zavatra mety hanampy
azy handray fanapahan-kevitra maneho fahendrena izy, ao amin’izy ireny.
Ampirisiho izy hijery raha manampy azy hahita ilay lalana hampifaly an’i
Jehovah ireny toro lalana sy ohatra ireny. Raha manao izany ianao, dia ha-
nampy azy ‘hizatra hampiasa tsara ny sainy, mba hahay hanavaka ny tsara
sy ny ratsy.’—Heb. 5:14.
Fanomezana valin-teny any amin’ny fivorian’ny fiangonana
Matetika ireo fivoriana kristianina no manome antsika fahafahana ha-
nao fanambarana ampahibemaso momba ny finoantsika.
Fomba iray anaovantsika izany ny fanomezana valin-teny.
FANOMEZANA Ahoana no tokony hanaovantsika izany? Amin’ny faniriana
VALIN-TENY ANY
ny hidera an’i Jehovah, na hanao teny tsara momba azy. Iza-
AM-PIVORIANA
ny no nataon’i Davida, mpanao salamo, teo anivon’olona
maro be tafangona. (Sal. 26:12) Tokony hampahery ireo
˙ Raha tondroina voalohany
mpiray finoana amintsika koa ny valin-tenintsika, ka ha-
ianao, dia valin-teny
tsotra sy mivantana ndrisika azy ireo ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara”,
omena araka ny nampirisihan’ny apostoly Paoly. (Heb. 10:23-25)
˙ Amin’ny valin-teny
Afaka manampy antsika hanao izany ny fanomanana ilay
fanampiny, dia 1) asehoy fianarana mialoha.
ny ifandraisan’ny Ataovy tsotra sy mazava ary fohy ny fanazavanao, rehefa
andinin-teny voatonona voatondro hamaly ianao. Aza miresaka momba ilay fehi-
iray amin’ilay hevitra, na ntsoratra manontolo, fa hevitra iray monja resahina. Raha
2) lazao ny ifandraisan’
tsy manome afa-tsy tapany iray amin’ilay valin-teny ianao,
ilay fanazavana amin’ny
fiainantsika, na dia ho afaka hanome fanazavana fanampiny ny hafa. Tena
3) hazavao ny tsara raha asongadina ireo andinin-teny voatonona. Rehefa
fampiharana ilay manao izany ianao, dia sariho ny saina ho amin’ilay tapany
fanazavana, na amin’ilay andinin-teny izay mihatra amin’ilay zavatra resa-
`
4) mitantara zavatra fohy hina. Mianara manome valin-teny amin’ny fomba fiteni-
iray izay hanasongadina
nao, fa tsy hamaky izay ao amin’ilay fehintsoratra. Aza soso-
hevi-dehibe iray
tra raha tsy tafavoaka tsara ilay valin-teninao. Mitranga
˙ Henoy tsara ny
tsindraindray amin’ny olona rehetra ny toy izany.
valin-tenin’ny hafa, mba
hahafantarana izay mbola Miharihary fa tsy ny fahalalana ny valiny fotsiny no tafi-
azonao lazaina ditra amin’ny fahaizana ny fomba tokony hamaliantsika.
˙ Manomeza valin-teny Mitaky fahaiza-manavaka izany. Tena afa-po anefa ianao, re-
amin’ny fomba fiteninao hefa manome valin-teny avy amin’ny fonao sy manohina
ny fon’ny hafa!—Ohab. 15:23.
Fifandraisana An-taratasy
NAHATONGA ny fiainana sy ny fitondran-tenan’ny olona an-tapitrisany
maro ho tsara kokoa ny taratasy. Taratasy ny ankamaroan’ireo boky ao
amin’ny Soratra Grika Kristianina, tany am-boalohany. Manoratra taratasy
isika amin’izao andro izao, noho ny antony maro: hilazana sy hahazoana
vaovao amin’ny namana, hampaherezana ireo vao tonga mpino na ireo ra-
halahy sy anabavy vao nahazo andraikitra manokana, sy hanatanjahana
ireo izay misetra zava-tsarotra, ary hampitana fanazavana ilain’ny fiango-
nana.—1 Tes. 1:1-7; 5:27; 2 Pet. 3:1, 2.
Fomba fitoriana mandaitra koa ny fanoratana taratasy. Any amin’ny toe-
`
rana sasany, dia mety hisy trano be tsy azo idirana na tanana kely sarotra
aleha, ka tsy ahafahantsika mitory. Tsy ao an-tranony ny olona sasany amin’
ny ankabeazan’ny fotoana, ka tsy hitantsika, rehefa mitory isan-trano isika.
Ny hafa mipetraka any amin’ny toerana mitokana.
Mety ho voatery hijanona ao an-trano ianao indraindray noho ny areti-
na, ny andro ratsy na ny antony hafa. Mety ho afaka hanoratra taratasy ve
ianao amin’izay, mba hanohizana ny fitoriana nataonao tamin’ny havana
iray na ny olona iray nanaovana fitoriana tsy ara-potoana? Nifindra trano
ve ny iray tamin’ireo olona nampianarinao ny Baiboly? Angamba taratasy
iray avy aminao no hany ilainy mba hihazonana ny fahalianany ara-pana-
hy. Na angamba koa ianao afaka mandefa taratasy misy teny ara-baiboly ho
an’ireo izay vao nanambady, niteraka na namoy hava-malala.
Fitoriana an-taratasy
Rehefa manoratra mba hitory amin’ny olona mbola tsy hitanao ianao,
dia ampahafantaro aloha ny tenanao. Hazavao fa manao asa an-tsitrapo
atao maneran-tany ianao. Lazao fa Vavolombelon’i Jehovah ianao, raha
hitanao fa mety. Ampahafantaro an’ilay olona hoe nahoana ianao no ma-
noratra fa tsy mandeha mitsidika azy. Manorata toy ny hoe mifanatri-tava
amin’ilay olona ianao. Na izany aza, araka ilay toromarika hoe “hendre
`
tahaka ny menarana, ary mora tahaka ny voromahailala”, dia eritrereto
tsara ny habetsahan’ny zavatra hampahafantarinao momba ny tenanao.
—Matio 10:16.
Soraty ao amin’ilay taratasy izay ho nolazainao tamin’ilay olona, raha afa-
ka nitsidika azy ianao. Azonao ampiasaina ny fampidiran-dresaka iray ao
amin’ny boky Fanjohian-kevitra, na ny fomba fampiseho hevitra ara-baibo-
ly iray tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana vao haingana. Afaka
mametraka fanontaniana iray ianao, sy mampirisika ilay olona hieritreritra
71
72 Fifandraisana An-taratasy

momba azy. Ny mpitory sasany dia manazava fotsiny fa manana fandaha-


rana maimaim-poana hamaliana fanontaniana ara-baiboly isika, ary avy eo
izy dia manonona ny lohateny sasany ao amin’ny iray amin’ireo boky fia-
narantsika. Misy taratasy fanaovana fitoriana omena ho modely eo amin’
ny pejy faha-73. Mety hanome hevitra anao izy io, nefa tsara raha ovaova-
na izay raketiny. Raha tsy izany, dia mety hahazo taratasy mitovy foana ny
olona.
Misy olona tsy tia mamaky taratasy lava avy amin’ny olona tsy fantany.
`
Koa mety ho fahendrena ary ny manoratra taratasy fohy. Aza atao lava loatra
ny taratasinao, sao hamizana ilay andefasanao azy. Tsara raha ampiarahi-
nao amin’ny taratasy fanasana ho amin’ireo fivoriana any amin’ny Efitrano
Fanjakana ny taratasinao. Raha heverinao fa mety, dia mandefasa taratasy
mivalona, bokikely, na Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! iray, ary ha-
zavao fa afaka mahazo azy ireo tsy tapaka izy, raha tiany. Na anontanio izy
raha azo atao ny mitsidika azy any an-tranony, mba hiresahana aminy mi-
simisy kokoa.
Teny kely momba ny fanoratana taratasy
Jereo ilay taratasy modely. Mariho izao manaraka izao: 1) Madio sy mila-
mina izy io, fa tsy mikorontana. 2) Na dia very aza ilay valopy, dia mbola
manana ny anarana sy ny adiresin’ilay mpandefa ihany ilay andefasana.
3) Voalaza amin’ny fomba tsotra sy mivantana ao amin’ny fehintsoratra
voalohany ny anton’ilay taratasy. 4) Hazavaina ao amin’ny fehintsoratra
iray miavaka ny hevi-dehibe tsirairay avy. 5) Rehefa heverina ny anton’ilay
taratasy, dia tsy fomba fiteny eo amin’ny olona mifankazatra be, na fomba
fiteny fatra-panaja be, no ampiasaina.
Ny taratasy ofisialy kokoa, toy ny taratasy alefan’ny mpitan-tsoratry ny
fiangonana ho an’ny biraon’ny sampana, dia tokony hisy ny anaran’ilay fia-
ngonana, ary koa ny anaran’ilay mpitan-tsoratra sy ny adiresiny, ary ny
daty. Tokony hatao ao koa ny anarana sy ny adiresin’ilay olona na fikamba-
nana anoratana. Arahina teny fiarahabana mifanentana amin’ny anton’ilay
taratasy izany. Ho famaranana ilay taratasy, amin’ny fiteny sasany, dia misy
teny fanehoana fanajana na firarian-tsoa, alohan’ny sonia. Tokony hatao
sora-tanana ilay sonia.
Ao amin’ny taratasy rehetra, na inona izany na inona, dia hamarino fa tsy
misy diso ny tsipelina, ny fitsipi-panoratana, ny mari-piatoana, ary koa ma-
dio sy milamina ilay izy. Hahatonga ny taratasinao sy ny hafatra raketiny
ho mendrika izany.
Aza hadinoina mihitsy ny manisy adiresin’ny mpandefa eo amin’ny va-
lopy, ny adiresinao no tsara indrindra. Raha heverinao fa tsy ho fahendrena
ny hanomezana ny adiresinao, rehefa mitory an-taratasy amin’ny olona
Fifandraisana An-taratasy 73

tsy fantatrao ianao, dia anontanio ireo anti-panahy raha hekeny ny


hampiasanao ny adiresin’ilay anti-panahy fandefasana ny taratasin’ny fia-
ngonanareo. Tsy tokony hampiasaina amin’izany na oviana na oviana ny
adiresin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izany dia haha-
tonga hevi-diso hoe ny biraon’ny Fikambanana no nandefa ny taratasinao,
ary hiteraka fisafotofotoana. Raha tsy misy adiresin’ny mpandefa, nefa misy
boky na gazety ao anatin’ilay valopy, izany koa dia mety hahatonga hevi-
diso hoe ny Fikambanana no nandefa azy.
Aza hadinoina ny manisy hajia ampy vidy tsara, indrindra fa raha asia-
nao boky na gazety ilay valopy. Tadidio fa any amin’ny tany maro, dia lafo
kokoa noho ny amin’ny taratasy tsotra ny hajia tsy maintsy aloa, rehefa asia-
na bokikely na gazety ilay valopy.
Ny fomba fiteny tsara
Raha vao vitanao ny taratasi- Rajaonadaba Maria
nao, dia vakio mba hanamarinana Lot 124, Lalana Fanjakana
izay nosoratanao. Manao ahoana Paradisa
ny famakianao azy? Maneho hatsa- 101 Antananarivo
ram-panahy sy fahaiza-manaja ve 1 Jona 20—
ilay izy? Ny fitiavana sy ny ha-
tsaram-panahy no anisan’ny toetra Ho an-dRamatoa Ratsarafanahy,
iezahantsika haseho, rehefa mifa-
ndray amin’ny hafa isika. (Gal. 5: Izaho sy ny vadiko, tompoko, dia mipetraka eto
amin’ny faritra misy anao koa. Tsy nanana fahafaha-
22, 23) Koa raha voamarikao fa misy
na hiresaka taminao izahay, nefa manana vaovao
fomba fiteny tsy dia mahafinaritra lehibe tianay hampitaina aminao. Ho hitanao ao
na maneho tsy fahafaliana, dia ahi- amin’ilay taratasy mivalona ampiarahiko amin’ity
tsio ilay fomba filazanao zavatra. taratasy ity izany.
Tonga any amin’ny toerana tsy Mandray anjara amin’ny asa iray ataon’ny mpiasa
tonganao ny taratasy. Izany fotsi- an-tsitrapo any amin’ny tany maherin’ny 200, iza-
hay. Any amin’ireo tany rehetra ireo, dia asainay
ny dia efa mahatonga azy io ho
ny olona hanaraka fandaharana izay manampy azy
fitaovana manan-danja eo amin’ hahafantatra ny valiny ara-baiboly ho an’ny fano-
ny fanompoana. Koa satria misolo ntaniana lehibe toy ny hoe: Nahoana isika no miha-
tena anao sy ny zavatra misy vidi- ntitra sy maty? Inona no zava-kendren’ny fiainana?
ny aminao ny taratasinao, dia asio Ahoana no hahitantsika tena fahasambarana?
fiheverana izay lazainy, sy ny fiseho- Manao io asa io izahay, satria tena miahy ny mpia-
ra-belona aminay. Tsy asa ara-barotra akory izy io.
ny ary ny fihetseham-po ampitainy.
Manantena izahay fa ho afaka hihaona sy hiresaka
Mety ho izy io no hany ilaina aminao any aoriana kely. Aza misalasala koa ny hifa-
mba hitondrana olona iray ho eo ndray aminay amin’ilay adiresy etsy ambony.
amin’ny lalan’ny fiainana, na mba Mirary soa ho anao sy ny fianakavianao izahay.
hanatanjahana na hampaherezana
azy. [Sonia]
Mandrosoa Hatrany
REHEFA nianatra hampihatra voalohany ireo toro lalan’ny Baiboly ianao,
dia nanomboka niova tsikelikely ireo fomba fisaina sy fiteny ary fitondran-
tena raiki-tampisaka tao aminao. Be dia be tamin’izany fiovana izany no
efa nataonao, na dia talohan’ny nisoratanao anarana tamin’ny Sekolin’ny
Fanompoana aza. Tsy maintsy ho efa tonga hatramin’ny fanolorana ny fiai-
nanao ho an’i Jehovah ianao izao. Midika ve izany fa afaka mijanona tsy
mandroso intsony ianao? Tsia. Vao fiandohana fotsiny ny batisanao.
Efa anti-panahy kristianina i Timoty mpianatra, fony izy nasain’i Paoly
‘nisaintsaina’ ny torohevitra nomena azy sy ireo tombontsoam-pano-
mpoana nankinina taminy—na hoe ‘nifantoka tanteraka’ tamin’ireo zava-
tra ireo—mba ‘hiseho tamin’ny olona rehetra ny fandrosoany.’ (1 Tim. 4:
12-15) Na vao nanomboka nanaraka ny lalan’ny fahamarinana ianao, na
efa za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina, dia tokony haniry
hanao fandrosoana.
Fahalalana sy fiovana
Mamaky isika ao amin’ny Efesiana 3:14-19 fa nivavaka ny apostoly Pao-
ly mba hahaizan’ny mpiray finoana taminy ‘hahafantatra tsara izay saka-
ny sy lavany ary hahavony sy halalin’ny’ fahamarinana. Noho izany, dia
nanolotra lehilahy ho fanomezana i Jesosy, mba hampianatra sy hanitsy
ary hampiorina ny fiangonana. Hanampy antsika “hitombo” ara-panahy
ny fisaintsainana tsy tapaka ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamani-
tra, miaraka amin’ny tari-dalan’ny mpampianatra za-draharaha.—Efes. 4:
11-15.
Mitombo ara-panahy ianao, rehefa ‘nohavaozina tamin’ny fanahin’ny
sainao.’ Ny hevitr’izany dia hoe manjary manana toe-tsaina matanjaka,
mifanaraka amin’ny an’Andriamanitra sy i Kristy. Mitaky fifampikasohana
tsy tapaka amin’ny fomba fisainan’izy ireo izany, mba hahafahana ‘hitafy
ny toetra vaovao.’ (Efes. 4:23, 24) Rehefa mianatra ireo Filazantsara ianao,
moa ve ianao mahita ireo fitantarana momba ny fiainan’i Kristy ireo ho
toy ny modely tokony harahinao? Moa ve ianao miezaka hahita ireo lafin-
toetra samihafa nasehon’i Jesosy, ary avy eo dia tena manao ezaka mba
hanahafana azy ireo?—1 Pet. 2:21.
Lafiny iray azo amantarana ny halehiben’ny fandrosoana vitanao ny za-
vatra ataonao anton-dresaka. Tsy mampiasa lainga, teny ratsy, teny vetave-
ta, na teny tsy mampahery, ireo efa nitafy ny toetra vaovao. Ny tenin’izy
ireo kosa dia “tsara ho fampandrosoana, ... mba hahazoan’ny mihaino fa-
74
Mandrosoa Hatrany 75

hasoavana.” (Efes. 4:25, 26, 29, 31; 5:3, 4; Joda 16) Hita avy amin’ny resaka
sy ny teny ataony amin’olona sy any am-pivoriana fa manova ny fiainany
ny fahamarinana.
Manome porofo iray hafa ny amin’ny fandrosoanao ianao, raha tsy “ahi-
langilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa
rehetra” intsony. (Efes. 4:14) Manao ahoana, ohatra, ny fihetsikao, rehefa
manototra anao amin’ny hevi-baovao, fomba fihevitra vaovao, na fialam-
boly vaovao, ity tontolo ity? Moa ve ianao alaim-panahy hanao ireo zava-
tra ireo amin’ny fotoana tokony hatokanao ho amin’ny adidinao ara-pa-
nahy? Tena hisakana ny fandrosoanao ara-panahy izany. Ho fahendrena
kokoa ny maka fotoana mba hikatsahana zavatra ara-panahy!—Efes. 5:
15, 16.
Lafiny iray amantarana ny fandrosoanao ara-panahy koa ny fomba ito-
ndranao ny hafa. Nianatra ny ‘hiantra sy hamela ny helok’ireo’ rahalahi-
nao sy anabavinao ve ianao?—Efes. 4:32.
Tokony hiharihary any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ao an-trano ny fa-
ndrosoanao eo amin’ny fanaovan-javatra araka ny fomban’i Jehovah. To-
kony ho hita koa izany, rehefa any am-pianarana sy eo anatrehan’ny besi-
nimaro ary any am-piasana ianao. (Efes. 5:21–6:9) Raha maneho toetra
araka an’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa ianao amin’ireo toe-
javatra rehetra ireo, dia tena hiharihary ny fandrosoanao.
Ampiasao ny talentanao
Nanankinan’i Jehovah fahaizana sy talenta ny tsirairay amintsika. Mana-
ntena ny hampiasantsika azy ireo mba hanasoavana ny hafa izy. Ampiasai-
ny toy izany isika, mba hanehoana ny hatsaram-panahiny tsy manam-
paharoa. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera momba izany: “Samia
mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia taha-
ka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana ... izay an’Andriamanitra.” (1 Pet.
`
4:10) Ahoana ary no itandremanao io zavatra nankinina taminao io?
Nanohy ny teniny i Petera hoe: “Raha misy olona miteny, dia aoka izy
hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Io andinin-teny io
dia manantitrantitra ny andraikitra hiteny mifanaraka tanteraka amin’ny
Tenin’Andriamanitra, mba hanomezam-boninahitra azy. Tokony hanome
voninahitra an’i Jehovah koa ny fomba itenenana. Ny fampiofanana azo-
nao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana dia hanampy anao hampiasa
toy izany ny talentanao, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra
`
amin’ny fomba anampianao ny hafa. Raha izany ary no tanjonao, dia
ahoana no tokony hamaritanao ny fandrosoanao ao amin’ilay sekoly?
Aza ny isan’ireo lafin-javatra efa notandremanao eo amin’ny taratasin-
torohevitrao, na ny karazana anjara nomena anao, no jerena, fa ny
76 Mandrosoa Hatrany

fanampiana azonao mba hanatsarana ny fanati-piderana ataonao. Ma-


mpiofana antsika hahita vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana ilay seko-
`
ly. Koa manontania tena ary hoe: ‘Tena manomana izay holazaiko eny
amin’ny fanompoana ve aho? Nianatra ny haneho fiheverana an’ireo ito-
riako ve aho? Moa ve aho mametraka fototra hiverenana hitsidika ny
olona, amin’ny fametrahana fanontaniana iray aminy, mba horesahina
amin’ny manaraka? Raha mampianatra ny Baiboly ny olona iray aho, moa
ve aho miezaka mba ho mpampianatra mahay kokoa, izay mahay mano-
hina ny fon’ny olona?’
Aza ny tombontsoam-panompoana omena anao fotsiny no anombana-
na ny fandrosoana vitanao. Tsy ny anjara azonao no ahitana ny fandrosoa-
nao, fa izay ataonao amin’io anjara io. Raha nomena anjara iray misy
fampianarana ianao, dia manontania tena hoe: ‘Tena nampihatra ny fahai-
za-mampianatra ve aho? Nanampy ny mpihaino hitondra fiovana eo amin’
ny fiainany ve ny fomba nanaovako iny anjarako iny?’
Milaza fahasahiana hanombo-javatra ilay fampirisihana anao hampiasa
ny talentanao. Sahy manatona ny hafa mba hiara-miasa aminy eo amin’ny
fanompoana ve ianao? Mitady fahafahana hanampy mpikambana vaovao,
tanora na osa anisan’ny fiangonanao ve ianao? Manolo-tena hanadio ny
Efitrano Fanjakana na hanampy amin’ny fomba maro hafa any amin’ny fi-
voriambe ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpa-
nampy tsindraindray ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava la-
lana maharitra, na manampy any amin’ny faritany mila fanampiana ve
ianao? Raha rahalahy ianao, miezaka ve ianao mba hahafeno ireo fepetra
ara-baiboly takina amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana sy ny anti-
panahy? Anisan’ny famantarana ny fandrosoanao ny fahavononanao ha-
nolotra fanampiana sy hanaiky andraikitra.—Sal. 110:3.
Ny fianarana azo avy amin’ny zavatra niainana
Raha mahatsiaro ianao fa voafetra ny mety ho vitanao, noho ianao mbo-
la tsy za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina, dia mahereza. Ma-
hahendry ny tsy za-draharaha ny Tenin’Andriamanitra. (Sal. 19:7; 119:130;
Ohab. 1:1-4) Mandray soa avy amin’ny fahendrena tonga lafatr’i Jehovah
isika, rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Sarobidy lavitra noho
izay fianarana azontsika avy amin’ny zavatra niainantsika fotsiny izany. Na
izany aza, rehefa mandroso eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah isi-
ka, dia tena manjary za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina.
Ahoana no ahafahantsika mampiasa izany tsara?
Rehefa avy niatrika toe-javatra maro isan-karazany teo amin’ny fiainana
ny olona iray, dia mety halaim-panahy hieritreritra hoe: ‘Efa niainako io
Mandrosoa Hatrany 77

toe-javatra io taloha. Fantatro izay tokony hatao.’ Fahendrena ve izany?


Hoy ny fampitandreman’ny Ohabolana 3:7: “Aza manao anao ho hendry.”
Ireo zavatra efa niainantsika dia tena hampivelatra ny fomba fijerintsika
ireo lafin-javatra tokony hoheverina, rehefa misetra zava-tsarotra isika.
Raha mandroso ara-panahy anefa isika, izany zavatra niainantsika izany
dia vao mainka tokony hampiaiky antsika, ao an-tsaintsika sy ao am-po-
`
ntsika, fa mila ny fitahian’i Jehovah isika. Ny fandrosoantsika ary dia mi-
harihary, tsy noho isika feno fatokisan-tena rehefa misetra zava-tsarotra,
fa noho isika mitodika avy hatrany any amin’i Jehovah, mba hahazoana
tari-dalana. Miseho ny fandrosoantsika rehefa matoky isika fa tsy hisy na
inona na inona hitranga raha tsy avelany. Miseho koa izany rehefa miha-
zona fifandraisana amin’ilay Raintsika any an-danitra, izay itokisantsi-
ka sady tiantsika, isika.
Manohiza miezaka hahatratra izay eo aloha
Na dia efa Kristianina voahosotra sy matotra ara-panahy aza ny aposto-
ly Paoly, dia nanaiky fa nila nanohy ‘niezaka hahatratra izay eo aloha’ ny
tenany. (Fil. 3:13-16) Manana izany fomba fijery izany koa ve ianao?
Efa tonga hatraiza ny fandrosoana vitanao? Mba hahafantaranao izany,
dia diniho ny fitafianao ny toetra vaovao, sy ny fanekenao ny fitondran’i
Jehovah, ary ny fampiasanao ireo talentanao mba hiderana an’i Jehovah.
Rehefa mandray soa avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Sekolin’ny Fa-
nompoana ianao, dia tokony hiharihary tsikelikely eo amin’ny fomba
fiteninao sy fampianatrao ireo toetra tsara asongadin’ny Tenin’Andriama-
nitra. Tadidio tsara ao an-tsaina ny fitomboanao tamin’ireo lafiny ireo.
Eny, mifalia noho ireo, ary dia hiharihary ny fandrosoanao.

INONA AVY IREO TANJONAO ARA-PANAHY?

Tanjona azo tratrarina inona avy no tokony ho vitanao amin’ny taona ho avy?
1.
2.

Tanjona lavitra ezaka inona avy no sarobidy aminao, ka mahatapa-kevitra anao hiezaka
mafy hahatratra azy?
1.
2.
3.
Fandaharana mba Hianarana ny
Fahaizana Miteny sy Mampianatra

NA TANORA ianao na efa be taona, na lahy ianao na vavy, io fandahara-


na io dia hanampy anao hanatsara ny fahaizanao milaza hevitra sy ma-
mpianatra ny Tenin’Andriamanitra.
Ny mpiandraikitra ny sekoly no hanapa-kevitra ny amin’ny anjara ha-
taon’ireo misoratra anarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Ho hita-
nao eo amin’ireo pejy telo manaraka ny taratasin-torohevitrao mano-
kana. Ireo tarehimarika eo alohan’ny zavatra hotandremana tsirairay dia
mifanitsy amin’ny laharan’ireo lesona hita ao amin’ireo pejy manaraka.
Haseho ao amin’ireo lesona ireo izay tokony hataonao mba hianarana ireo
lafiny samihafa amin’ny fahaiza-miteny sy mampianatra ireo, sy ny maha
zava-dehibe ny tsirairay aminy. Ho hitanao ao koa ny fomba hampihara-
na ny torohevitra omena ao.
Ireo loko samy hafa eo amin’ilay taratasin-torohevitra dia mampahafa-
ntatra hoe iza amin’ireo zavatra hotandremana no mihatra 1) amin’ny fa-
makian-teny, 2) amin’ny fifampiresahan’ny olona roa na mahery, na
3) amin’ny lahateny. Ny mpiandraikitra ny sekoly no hifidy ny zavatra to-
kony hotandremanao. Tsara kokoa raha zavatra iray isaky ny anjara no ta-
ndremana. Hanampy anao ny fanaovana ireo fanazaran-tena eo amin’ny
faran’ny lesona manazava ilay zavatra hotandremanao. Raha hita fa na-
mpiharinao tsara ilay torohevitra ao amin’ilay lesona voatondro, dia hifi-
dy zavatra iray hafa ilay mpanome torohevitra anao.
Raha tokony ho fifampiresahana ny anjaranao, dia hila faritra ianao.
Misy faritra maromaro voatanisa eo amin’ny pejy faha-82, nefa tsy voafe-
tra io lisitra io. Mety hamela anao hifidy faritra iray ilay mpanome torohe-
vitra, na hanondro iray ho anao, mba ho za-draharaha amin’izy io ianao.
Vakio ity boky ity, ary ataovy ireo fanazaran-tena omena ato, na dia tsy
manana anjara amin’ny sekoly aza ianao. Tena hanampy anao handroso
izany. Angamba ianao afaka mianatra lesona iray isan-kerinandro eo
ho eo.
Mbola afaka mihatsara foana ianao, na hafiriana na hafiriana no nanao
sekoly na nandray anjara tamin’ny fanompoana. Enga anie ianao handray
soa feno avy amin’ny fampianarana omen’ny Sekolin’ny Fanompoana.

78
RAN-TENA
FANAZA-
TARATASIN-TOROHEVITRA
DATY DATY
(Lesona No.) NANENDRENA O NAHAVITANA

1 Vakiteny tsy misy diso


LAHATENY
FAMAKIAN-TENY
FIFAMPIRESAHANA

2 Teny voatonona mazava tsara

3 Fanononana mety tsara

4 Fitenenana misosa tsara

5 Fiatoana araka ny tokony ho izy

6 Fanamafisan-kevitra mety tsara

7 Fanamafisana ireo hevitra fototra

8 Hamafin’ny feo antonony tsara

9 Fanovaovam-peo

10 Hafanam-po

11 Hatsaram-panahy sy fihetseham-po

12 Fihetsehana sy izay asehon’ny endrika

13 Fijerena ny mpihaino eo amin’ny masony

14 Fiteny tsotra, tsy amboamboarina

15 Fisehoana ivelany tsara

16 Fahatoniana

ˆ
17 Fampiasana mikro

18 Fampiasana Baiboly mba hamaliana

79
RAN-TENA
FANAZA-
TARATASIN-TOROHEVITRA
DATY DATY
(Lesona No.) NANENDRENA O NAHAVITANA

19 Fampirisihana hampiasa Baiboly


LAHATENY
FIFAMPIRESAHANA

20 Fahaizana mampiditra andininy

Famakiana andininy misy teny


21
hamafisina tsara

22 Fampiharana tsara ny andinin-teny

23 Fanasongadinana ny hevitra hampiharina

24 Fahaiza-mifidy teny

25 Fampiasana drafitra

26 Famelabelarana mirindra tsara

27 Fitenenana tsy an-kijery soratra

28 Toy ny miresaka andavanandro

29 Toetran’ny feo

30 Fiheverana ny hafa

31 Fanajana ny hafa

32 Fitenenana amim-patokisana

33 Mahay mandanjalanja, nefa hentitra


Mahay mampahery sy mijery lafy
34 tsaran-javatra

35 Famerimberenana ho fanamafisana

36 Fahaiza-mamelabelatra ny foto-kevitra

80
RAN-TENA
FANAZA-
TARATASIN-TOROHEVITRA
DATY DATY
(Lesona No.) NANENDRENA O NAHAVITANA

37 Fanasongadinana ireo hevi-dehibe


FIFAMPIRESAHANA

LAHATENY

38 Fampidiran-dresaka mahaliana

39 Famaranan-teny mandaitra

40 Filazana zavatra marina

41 Mora azon’ny hafa

42 Mampiana-javatra ny mpihaino

43 Mampiasa izay asaina velabelarina

44 Fahaiza-mampiasa fanontaniana

45 Fanoharana sy ohatra hoenti-mampianatra

46 Fanoharana avy amin-javatra mahazatra

47 Fahaiza-mampiasa zavatra hita maso

48 Fahaizana manjohy hevitra

49 Porofo marim-pototra

50 Fiezahana hanohina ny fo

51 Vita ara-potoana sy voatsinjara tsara

52 Fananarana mandaitra
Fampaherezana sy fanatanjahana
53 ny mpihaino

81
Ovaovay ny Faritra Ampiasainao
Azonao atao ny mampiasa ireto faritra ireto ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, araka ny filahara-
na tianao, rehefa tokony ho fifampiresahana ny anjaranao. Raha mbola azo atao koa, dia aza mampia-
sa faritra iray mihoatra ny indroa, raha tsy efa nampiasainao daholo aloha ny faritra hafa rehetra mifa-
nentana amin’ny faritaninareo. Soraty eo amin’ny banga eo alohan’ny faritra tsirairay ny daty
nampiasanao azy.
Daty Nampiasana
  1. Fitoriana isan-trano
  2. Famaliana fanoherana
  3. Fiverenana mitsidika voalohany ny olona liana iray
  4. Fampisehoana ny fomba fianarana Baiboly, amin’ny firesahana voalohany
  5. Fampianarana Baiboly amin’olona tsy mahay mamaky teny tsara
  6. Fampianarana Baiboly amin’olona efa mandroso
  7. Fampirisihana mpianatra Baiboly hanatrika fivoriana
  8. Fandrisihana mpianatra Baiboly hampihatra torohevitra ara-baiboly iray
  9. Fiaraha-manao fanazaran-tena amin’ny mpitory tsy vita batisa
  10. Fampirisihana hamaky Baiboly: fampisehoana ny fanaovana azy
na ny famakiana mandaitra ny boky iray ao amin’ny Baiboly
  11. Fitoriana amin’ny telefaonina
  12. Fitoriana eny an-dalana
  13. Fitoriana eny an-tsena na eny amin’ny toeram-pivarotana hafa
  14. Fitoriana tsy ara-potoana ao amin’ny efitra fiandrasana iray
  15. Fitoriana tsy ara-potoana ao anaty fitateram-bahoaka
  16. Fitoriana ao anatin’ny toe-javatra fahita eo an-toerana
`
  17. Fitoriana amin’ny mpiray tanana
  18. Fanazavana ny zavatra inoanao amin’ny havana tsy Vavolombelona
  19. Fanazavana ny zavatra inoanao amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra
  20. Fitoriana amin’ny mpampianatra, mpampiasa, na manam-pahefana
  21. Fitoriana amin’ny dokotera, mpisolovava, na ny toy izany
  22. Fitoriana amin’olona tsy mahay tsara ny fiteninao
  23. Firesahana amin’olona tsy mino an’Andriamanitra
  24. Fitoriana amin’ny Hindoa, Jiosy, Katolika, mpivavaka amin’ny razana,
Protestanta, Silamo, na mpivavaka hafa eo an-toerana
  25. Fiaraha-miasa ao amin’ny fandaharana Manampy ny Hafa
Ireo Mpisava Lalana
  26. Reny miara-manjohy hevitra amin’ny zanany, na tanora miara-manjohy
hevitra amin’ny iray tam-po aminy
  27. Fampaherezana olona marary amin’ny alalan’ny Baiboly
  28. Fampiononana olona nidonam-pahoriana na ketraka, eny am-pitoriana,
amin’ny alalan’ny Baiboly
  29. Olona be taona kokoa manome torohevitra ny tanora iray
  30. Faritra hafa mifanentana amin’ny faritaninareo
82
VAKITENY TSY MISY DISO

1

Inona no ilainao hatao?


Mamaky amin’ny feo avo izay tena voasoratra eo amin’ilay pejy.
Tsy mandingana teny na tapany amin’ny teny, na manolo teny
iray amin’ny iray hafa. Manonona ireo teny amin’ny fomba
mety. Manaja tsara ireo mari-piatoana sy mari-tsindrimpeo.

MILAZA ny Soratra Masina fa ny hahatongavan’ny karazan’olona rehetra


“amin’ny fahalalana ny marina” no sitrapon’Andriamanitra. (1 Tim. 2:4)
Mifanaraka amin’izany, rehefa mamaky Baiboly amin’ny feo avo isika, dia
tokony hiseho eo amin’ny fomba famakintsika ny faniriantsika hampita fa-
halalana marina.
Mila mahay mamaky amin’ny feo avo ny Baiboly sy ny boky manazava
ny Baiboly na ny tanora na ny antitra. Ary isika Vavolombelon’
i Jehovah dia manana andraikitra hizara ny fahalalana an’i Je-
NAHOANA IZANY
hovah sy ny lalany amin’ny hafa. Matetika no mila mamaky
NO TENA ILAINA?
teny amin’olon-kafa isika amin’izany. Mamaky teny koa isika
Ny vakiteny atao amim-pita-
eo anivon’ny fianakaviana. Ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoa- ndremana sy tsy misy diso dia
na, dia mandray torohevitra mba hanatsarana ny famakiany tena ilaina mba hampitana
teny amin’ny feo avo ny rehetra, na rahalahy na anabavy, na fahalalana marina momba ny
antitra na tanora. fahamarinana ara-baiboly.
Tokony horaisina ho zava-dehibe ny famakiana ny Baiboly
ampahibemaso, atao amin’olona mitokana, na amin’ny fiangonana mano-
ntolo. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Fanampin’izany, dia
“velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ..., ka mahay mamantatra ny eri-
treritra sy ny fisainan’ny fo.” (Heb. 4:12) Mirakitra fahalalana sarobidy tsy
hita any an-toeran-kafa ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manampy ny olona
iray hahafantatra ilay hany Andriamanitra marina sy hifandray tsara ami-
ny ary handamina ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, izy io. Mana-
zava ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vao-
`
vaon’Andriamanitra izy io. Ny zava-kendrentsika ary dia ny hamaky ny
Baiboly amin’ny fomba tsara araka izay azontsika atao.—Sal. 119:140; Jer.
26:2.
Ny fomba hamakian-teny tsy misy diso. Misy lafiny maro ny fahaiza-
na mamaky teny tsara, fa ny fanaovana izany tsy misy diso no dingana voa-
lohany. Ny dikan’izany dia hoe miezaka hamaky izay tena voasoratra eo
amin’ilay pejy. Mitandrema mba tsy handingana teny na faran-teny, na ha-
ndiso ny famakiana teny iray noho izy mitovitovy amin’ny teny hafa.

83
84 Vakiteny Tsy Misy Diso

Mba hamakiana ireo teny araka ny tokony ho izy, dia mila mahazo ny
hevitry ny teny manodidina azy ianao. Mitaky fanomanana tsara izany. Hi-
hatsara ny fahaizanao mamaky teny tsy misy diso any aoriana, rehefa mi-
hamahay ianao ka mahita mialoha ny fizotran’ireo hevitra.
Tena ilaina ny mari-piatoana sy ny mari-tsindrimpeo eo amin’ny soratra.
Ny mari-piatoana dia mety hanondro ny toerana tokony hiatoana, sy ny fa-
haretan’ilay fiatoana, ary angamba ny tokony ho fiovan’ny feo hidina na
hiakatra. Amin’ny fiteny sasany, dia mety ho lasa filazana tsotra ny fano-
ntaniana, na mety hiova tanteraka ny heviny raha tsy ovana araka izay ta-
kin’ny mari-piatoana ny feo. Ny fitsipi-panoratana indraindray no mitaky
ny mari-piatoana. Amin’ny fiteny maro, dia tsy marina ny vakiteny atao
raha tsy arahina tsara ireo mari-tsindrimpeo, na ireo voasoratra izany na
ireo atoron’ny hevitry ny teny manodidina. Manova ny feon’ilay litera misy
azy ny mari-tsindrimpeo. Fantaro tsara ny fomba fampiasa ny mari-piatoa-
na sy ny mari-tsindrimpeo amin’ny fiteninao. Izany no fanalahidy iray ha-
naovana vakiteny misy heviny. Tadidio fa ny hampita hevitra no tokony ho
zava-kendrenao, fa tsy hanonona teny fotsiny.
Ilaina ny manao fanazaran-tena, raha tianao ny hianatra hamaky teny tsy
misy diso. Fehintsoratra iray ihany aloha vakina, ary averimbereno vakina
`
ilay izy avy eo, mandra-pamakinao azy tsy misy diso. Avy eo, dia mifindra
ho eo amin’ny fehintsoratra manaraka. Ary farany, dia miezaha hamaky
pejy maromaro, ka tsy handingana, na hamerina, na handiso ny famakia-

MARI-PIATOANA

Teboka (.) manondro fijanonana hamaranana fe- Farango (sosona “ ”, na tokana ‘ ’) milaza fa toko-
hezanteny. ny havahana amin’ny alalan’ny fiatoana ireo teny
Faingo (,) milaza fiatoana kely, satria mbola tsy ta- ao anatiny (fiatoana kely raha tapany amin’ny fehe-
pitra ny fehezanteny. zanteny iray ireo teny ireo; maharitra kokoa, raha
mahaforona fehezanteny feno izy ireo).
Teboka amam-paingo (;) milaza fiatoana fohy ko-
koa noho ny teboka, nefa maharitra kokoa noho ny Tsipika lava ao anaty fehezanteny (—), manavaka
faingo. teny sasany, ary mitaky fiovana kely eo amin’ny feo
na ny hafainganam-piteny.
Teboka roa (:) mialoha fitanisan-javatra na tenin’
olona averina; mitaky fiatoana, saingy tsy midina Fononteny ( ) sy fononteny mahitsy [ ] mampi-
ny feo. tokana teny hovakina amin’ny feo somary midina
kely. Tsy ilaina hovakina ireo anaram-boky ao ana-
Tsoraka (!) maneho fiontanana na fihetseham-po. ty fononteny, ary tsy mitaky fiovan’ny feo ireo teny
Baraingo (?) mitaky ny hamakiana ilay fehezante- ao anaty fononteny mahitsy, izay nampidirina mba
ny amin’ny feo somary ambony kokoa na miakatra. ho feno ny hevitr’izay vakina.
Vakiteny Tsy Misy Diso 85

nao ireo teny. Rehefa avy nanao ireo dingana ireo ianao, dia mangataha olo-
na iray hihaino ny vakiteninao sy hilaza izay diso mety hataonao.
Manasarotra ny famakian-teny, ny maso tsy mahita tsara sy ny jiro tsy ma-
zava, any amin’ny tany sasany. Asio fanamboarana ireo zavatra ireo raha azo
atao, dia ho azo antoka fa hihatsara ny vakiteninao.
Mety hasaina hamaky ampahibemaso ny fehintsoratra amin’ny Fianara-
na Boky sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ireo raha-
lahy mahay mamaky teny tsara. Tsy fahaizana manonona ireo
NY FOMBA
teny amin’ny fomba mety fotsiny anefa no ilaina amin’izany.
HAHATONGAVANA
Mba hahatongavana ho mpamaky teny ampahibemaso mahay AMIN’IZANY
any am-pivoriana, dia mila mamboly fahazarana tsara eo amin’
Fanazaran-tena amin’ny feo
ny vakiteny ataonao manokana ianao. Iray amin’izany ny faha- avo no fanalahidiny!
takaranao fa samy manana ny asany ny teny tsirairay ao anatin’
Mangataha olona hihaino ny
ny fehezanteny iray. Tsy afaka mandingana ny sasany amin’izy vakiteninao sy hilaza izay diso
ireny ianao, ka mbola hahazo tsara ihany ny hevitr’izay lazai- hataonao.
na. Raha diso ny famakianao teny iray, na dia rehefa mamaky Rehefa manao fianarana
samirery aza ianao, dia ho voaolana ny hevitr’ilay fehezanteny. manokana, dia mahaiza
Ny teny nodisoina dia mety ho avy amin’ny tsy fahitana ireo mamola-tena hamaky teny
mari-tsindrimpeo na avy amin’ny tsy fahazoana ny hevitry ny amim-pitandremana.
teny manodidina. Miezaha hahazo ny hevitry ny teny tsirairay Mianara mamaky fitambaran-
eo anivon’ireo teny manodidina azy. Mariho koa fa miankina teny, fa tsy teny tsirairay
fotsiny.
amin’ny mari-piatoana ny hevitry ny fehezanteny. Tadidio fa
`
mazana no teny maromaro miaraka no mampita hevitra. Fanta-
ro izy ireny, satria amin’izay, rehefa hamaky amin’ny feo avo ianao, dia ha-
maky fitambaran-teny, fa tsy teny tsirairay. Raha azonao mazava tsara ny
hevitr’izay vakinao, dia tena hanampy anao hampita fahalalana marina
amin’ny hafa izany, rehefa mamaky teny ampahibemaso ianao.
Anti-panahy kristianina efa za-draharaha no nanoratan’ny apostoly Pao-
ly hoe: “Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny.” (1 Tim. 4:13) Ma-
zava fa afaka manatsara ny vakiteny ataontsika daholo isika rehetra.

FANAZARAN-TENA:
Rehefa avy nanomana tsara ianao, dia mangataha namana na mpianakavy
iray hanaraka ao amin’ny Baiboly, ny famakianao ny tapany iray amin’ny Ma-
tio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Asaivo ajanony ianao isaky ny misy
1) teny voadingana, 2) teny diso famaky na mifamadika, na 3) mari-tsindri-
mpeo iray na mari-piatoana iray milaza fiatoana na fiovan’ny feo hidina na
hiakatra, nefa tsy hitanao. Tsara raha atao mandritra ny folo minitra, fara faha-
keliny, indroa na intelo, izany.
2 TENY VOATONONA MAZAVA TSARA

Inona no ilainao hatao?


Manonona ireo teny mba ho azon’ny mpihaino mora foana.
Tafiditra amin’izany 1) ny fahaizana mampiasa ny taovam-pite-
nenana sy 2) ny fahatakarana tsara ny firafitry ny teny tsirairay.

MBA hahafahanao hampita hevitra, dia tsy maintsy miteny mazava tsara
ianao. Mety hahaliana ilay zavatra tianao holazaina, mety ho zava-dehibe
mihitsy aza, nefa ho very maina foana izany, raha tsy mora azo ny teny la-
zainao.
Tsy voatosika hanao zavatra ny olona, raha tsy tena azony ny teny lazai-
na aminy. Na dia mafy sy mora re aza ny feon’ny olona iray, dia tsy hano-
sika ny hafa hampihatra izay lazainy ny teniny, raha mibore-
dika izy. Toy ny hoe miteny amin’ny teny vahiny tsy azon’ilay
NAHOANA IZANY
mihaino azy, izy. (Jer. 5:15) Mampahatsiahy antsika toy izao
NO TENA ILAINA?
ny Baiboly: “Raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no
Ho azon’ny hafa izay
hiomana hiady? Dia toy izany koa hianareo: raha tsy mazava
lazainao rehefa manonona
tsara ianao. Horaisiny ho ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra
zava-dehibe ny teny izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin’ny rivotra
voatonona mazava tsara. hianareo.”—1 Kor. 14:8, 9.
Inona no mahatonga ny teny tsy hazava? Tsy mazava ny
teny, raha tsy misokatra tsara ny vava. Raha henjana koa ireo
hozatry ny valanorano ary tsy mihetsika firy ny molotra, dia mety ho feo
tsy mazava tsara no ho re.
Mety tsy ho mora azo koa ny tenin’ny olona miteny haingana loatra.
Mitovy amin’ny teny noraisim-peo alefa haingana kokoa noho ny tena
izy izany. Eo daholo ireo teny, saingy tsy misy hevitra firy azo avy
aminy.
Misy olona manana kilema eo amin’ny taovam-pitenenany, ka tsy ma-
zava ny teniny. Afaka manatsara ny fitenenany koa anefa izy ireo, raha ma-
naraka ireo fanoloran-kevitra omena ato amin’ity lesona ity.
Matetika anefa no tsy mazava ny tenin’ny olona iray satria miboredika
izy, izany hoe miteny an-kisesy, ka tsy azo izay lazainy. Angamba izy mite-
lina litera na vaninteny lehibe na faran-teny sasany. Rehefa manonona
teny maro miaraka an-kisesy ny olona iray, dia mety hahazo hevitra sy
teny sasantsasany ihany ny mpihaino azy, fa voatery haminany ny hevitry
`
ny teny hafa kosa. Raha tsy mazava ary ny fanononan’ny olona iray, dia
tsy hisy vokany firy ny fampianarany.
86
Teny Voatonona Mazava Tsara 87

Ny fomba hitenenana mazava. Mba hanononana mazava tsara ireo


teny, dia tsy maintsy azonao tsara ny firafitry ny teny tsirairay amin’ny fi-
teninao. Voaforona vaninteny maromaro ny teny tsirairay, amin’ny anka-
maroan’ny fiteny. Ny vaninteny kosa voaforona litera iray na mihoatra,
`
izay tononina miaraka. Amin’ireo fiteny ireo, dia miavaka tsara mazana
ny fanononana ny vaninteny tsirairay, na dia tsy mitovy aza ny tsindri-
mpeo amin’izy rehetra. Raha tianao hazava kokoa ny fomba
fiteninao, dia mitenena miadana kokoa ary miezaha mafy ha-
nonona ny vaninteny tsirairay. Mety ho toa tafahoatra, amin’ NY FOMBA
ny voalohany, ny fanasaratsarahana ireo vaninteny toy iza- HANAOVANA AZY
ny, nefa arakaraka ny anaovanao azy no hampisosa tsara Lazao sy vakio mazava tsara
ny teny tsirairay, izany hoe
indray ny fiteninao. Te hiteny misosa tsara ianao indraindray, `
tonony araka ny tokony ho
ka mety hilaza teny sasany tsy an-kiato. Tokony hohalavirina izy, ataovy mafy tsara ary tsy
anefa izany, raha tsy mampahazava ny hevitr’ireo teny. haingana na miadana loatra.
Teny kely fampitandremana: Mba hanatsarana ny fanono- Aza miboredika na manono-
nanao, dia ataovy tafahoatra ny fanasaratsarahana ireo vani- na teny maro miaraka tsy
nteny, rehefa mizatra miteny sy mamaky teny ianao. Aza an-kiato, ka tsy ho azon’ny
avela ho tonga fomba fiteninao anefa izany, satria tsy fomba mpihaino anao ny heviny.
`
fiteny tsotra no ho fandrenesana izany, fa amboamboarina. Mitraka foana, ary sokafy tsa-
Raha somary tsy mafy tsara ny teninao, dia mianara ma- ra ny vavanao rehefa miteny.
`
mpitraka loha foana, ary ampanalaviro ny tratranao ny sao- Mizara tsy hampihenjana ny
` hozatry ny hatoka, valanora-
kanao. Rehefa hamaky andinin-teny ianao, dia hazony ho
no, molotra, tarehy ary ny
ambony ny Baiboly. Topy maso midina kely fotsiny amin’izay hozatry ny tenda.
no hilainao, rehefa avy mijery ny mpanatrika ianao. Tsy ho
voasakantsakana ny teny aloaky ny vavanao amin’izay.
Afaka manatsara ny fitenenanao koa ianao, raha mianatra manafoana
ny fihenjanana. Iaraha-mahalala fa misy vokany ratsy eo amin’ny fomba
hitenenana ny fihenjanan’ny hozatry ny tarehy sy ny hozatra mibaiko ny
fifohana rivotra. Izany fihenjanana izany dia manelingelina ny fiaraha-
miasa tsaran’ny saina sy ny taova famoaham-peo ary ny fifohana rivotra;
fiaraha-miasa izay tokony handeha ho azy, tsy misy fanakantsakanana.
Aza henjanina ireo hozatry ny valanorano, mba hankatoavany mora
foana ny baiko avy amin’ny atidoha. Aza henjanina koa ny molotra. To-
kony ho afaka hitatra sy hikainkona haingana izy ireo, mba ho afaka ha-
marana tsara ireo feo mivoaka avy any amin’ny vava sy ny tenda. Raha
henjana ny valanorano sy ny molotra, dia tsy hisokatra tsara ny vava, ary
ho voatery hivoaka avy eo anelanelan’ny nify ny feo. Ho toy ny farina ny
feo amin’izay, tsy ho mafy tsara no sady tsy hazava. Rehefa miezaka tsy
hampihenjana ny valanoranonao sy ny molotrao anefa ianao, izany ako-
ry tsy midika hoe tsy miraharaha ny fomba fanononao ianao. Sady
88 Teny Voatonona Mazava Tsara

miezaka tsy hampihenjana ireo hozatra ireo ianao, no mizatra manono-


na feo mba hazava tsara.
Mety hanampy anao ny famakiana teny amin’ny feo avo, rehefa mama-
kafaka ny fomba fiteninao ianao. Jereo tsara ny fomba fampiasanao ireo
taovam-pitenenanao. Sokafanao tsara ve ny vavanao, mba tsy ho voasa-
kantsakana ny fivoahan’ireo feo? Tadidio fa tsy ny lela ihany no hany tao-
vam-pitenenana, na dia izy io aza no anisan’ny miasa indrindra. Samy
mandray anjara avokoa ny hatoka, ny valanorano ambany, ny molotra,
ny hozatry ny tarehy ary ny hozatry ny tenda. Toa tsy mihontsina mihitsy
ve ny tarehinao, rehefa miteny ianao? Raha izany no izy, dia azo antoka
fa tsy mazava ny teninao.
Raha afaka mampiasa fandraisam-peo ianao, dia raiso feo ny resaka tso-
tra ataonao andavanandro, toy ny firesakao amin’ny olona eny amin’ny
fanompoana. Resaka mandritra ny minitra maromaro no raiso feo. Ho
afaka hamaritra tsara izay olana eo amin’ny fanononanao teny sasany ia-
nao, rehefa mihaino izany resaka noraisim-peo izany. Mariho tsara rehe-
fa niboredika ianao, tsy niteny mafy tsara, na nitelina teny, ary tadiavo
`
ny antony. Mazana no azo ahitsy ilay fahalemena, rehefa arahina ireo he-
vitra noresahina teo aloha.
Manana kilema mahatonga anao tsy hahay hiteny tsara ve ianao? Mi-
`
zara manokatra ny vavanao mihoatra noho ny mahazatra, ary miezaha
hanonona teny amim-pitandremana kokoa. Fenoy ny havokavokao rehe-
fa mifoka rivotra, ary mitenena miadana. Olona maro tsy afaka niteny tsa-
ra taloha no nanjary nahay niteny mazava kokoa, rehefa nanao izany.
Raha sarotra aminao ny manonona litera sasany, toy ny tr sy ny dr, izay
tononinao hoe ts sy j, dia tandremo ny fipetraky ny lelanao, rehefa mite-
ny. Na dia mety ho tsy afaka tanteraka aza ilay kilema, dia aza kivy. Tadi-
dio fa nifidy an’i Mosesy, izay nety ho nanana kilema nahatonga azy tsy
hahay hiteny tsara, i Jehovah, mba hampita hafatra lehibe tamin’ny
vahoakan’ny Isiraely sy tamin’i Faraon’i Ejipta. (Eks. 4:10-12) Raha feno
fahavononana ianao, dia hampiasa anao koa izy, ary hitahy ny fanompoa-
nao.

FANAZARAN-TENA:
Mitenena amin’ny fomba mahazatra anao. Misokatra tsara ve ny vavanao?
Moa ve ianao mila manokatra azy kokoa sy manetsika kokoa ireo hozatry ny
`
tarehinao? Mizara manao izany, eo am-pamakiana ny Matio 8:23-27. Atrakao
foana ny loha ary miezaha tsy hampihenjana ireo hozatry ny valanoranonao.
FANONONANA METY TSARA

3

Inona no ilainao hatao?


Milaza ny teny tsirairay tsy misy diso. Ny hevitr’izany dia hoe
1) mamoaka tsara ireo feo, rehefa miteny, sy 2) manisy ny tsi-
ndrimpeo eo amin’ny tokony hisy azy, ary 3) amin’ny fiteny
maro, dia manaja tsara ireo mari-tsindrimpeo.

TSY ny Kristianina rehetra no nianatra nandritra ny taona maro. Ny


`
apostoly Petera sy Jaona aza dia nolazaina fa “tsy mba mpahay lalana
na nampianarina.” (Asa. 4:13) Na izany aza, dia tsy tokony ho diso ny
fanononanao ireo teny, satria lasa tsy mifantoka amin’ny fanazavanao
ny Baiboly ny sain’ny mpihaino anao.
Lafin-javatra tokony hodinihina. Tsy misy fitsipi-pa-
nononana tokana azo ampiharina amin’ny fiteny rehetra.
Fiteny maro no soratana amin’ny literan’ny abidy latinina, NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA?
toy ilay ampiasaina amin’ny teny malagasy. Ankoatra io
Mampitombo ny faha-
abidy io, dia eo koa ny abidy arabo, grika, hebreo, ary rosia-
mendrehan’ilay hafatra
nina. Ny teny sinoa dia tsy manana abidy, fa soratana torintsika ny fanononana
kosa amin’ny tarehintsoratra voaforon-javatra maromaro. marina. Hifantoka amin’ilay
` hafatra entintsika koa ny
Mazana ireo tarehintsoratra ireo no manondro teny iray na
tapany amin’ny teny iray. Na dia mampiasa tarehintsoratra mpihaino amin’izay, fa tsy
amin’izay teny tsy voatono-
sinoa aza ny teny japoney sy koreanina, dia mety ho feo ntsika tsara.
hafa tanteraka no hanononana azy ireny, ary mety hilaza
hevitra hafa izy ireny.
Amin’ireo fiteny mampiasa abidy, dia lazaina hoe mahay manonona
teny ny olona iray, raha mampiasa ilay feo mifanentana tsara amin’ny
litera tsirairay na amin’ny litera maromaro miaraka. Tsy sarotra tono-
nina ny fiteny toy izany rehefa manaraka fitsipika tsy miovaova, toy ny
fahita amin’ny teny grika sy espaniola ary zoloa. Raha tafiditry ny fi-
teny vahiny anefa ny fiteny iray, dia mety hampiova ny fomba fanono-
na azy io ny fomba fanonona ilay teny vahiny. Noho izany, dia mety
ho azo tononina amin’ny fomba maro ny litera iray na ny litera maro-
maro miaraka, na mety tsy hotononina mihitsy aza indraindray. Mety
hila ny hanao tsianjery ireo teny maningana, sy hampiasa azy ireo ma-
tetika ianao, rehefa miteny. Amin’ny teny sinoa, raha te hanonona tsa-
ra ireo teny ny olona, dia mila manao tsianjery tarehintsoratra an’ari-
vony maro. Amin’ny fiteny sasany, dia miova arakaraka ny fanovana
89
90 Fanononana Mety Tsara

ny feo hidina na hiakatra ny hevitry ny teny iray, hany ka hampita he-


vitra diso ny olona, raha tsy manaraka io fitsipika io.
Raha voaforona vaninteny ireo teny ao amin’ny fiteny iray, dia tena
ilaina ny mametraka ny tsindrimpeo lehibe indrindra eo amin’ilay
vaninteny tokony hisy azy. Toa tsy dia miovaova firy ny fomba fame-
trahana ny tsindrimpeo, amin’ny fiteny maro manaraka izany rafitra
izany. Izay teny maningana amin’izany no mety hisy mari-tsindri-
mpeo, rehefa soratana. Manamora ny tokony ho fanononana azy iza-
ny. Raha miovaova anefa fa tsy mitovy foana ny fomba fametrahana
ny tsindrimpeo amin’ny fiteny iray, dia sarotra kokoa ny fanononana
ireo teny. Tsy maintsy manao tsianjery teny be dia be ny olona amin’
izany.
Amin’ny fiteny sasany, dia tena ilaina ireo marika eo ambony na eo
` ´ ˆ ˜ ¯ ˘ ˇ ¨
ambanin’ny litera sasany, toy ireto: e, e, o, n, o, u, c, o, ç. Mety ho efa
voasoratra izy ireo, na ilay mpamaky teny no antenaina hanonona azy,
arakaraka ny teny manodidina ilay teny mila azy. Amin’io toe-javatra
farany io, dia mila manao fanomanana tsara ianao, rehefa tendrena ha-
maky teny ampahibemaso.
Misy fandrika sasany tsy maintsy halavirina, raha ny amin’ny fano-
nonana. Raha ataonao marina loatra ny fomba fanononao teny, dia
hoheverin’ny olona ho manamboamboatra fiteny ianao, ho matin-ka-
mbo mihitsy aza. Marina koa izany, raha manonona teny amin’ny
fomba fanonona tsy fampiasan’ny besinimaro intsony ny olona iray.
Hisarika ny saina ho amin’ny tenany fotsiny izy amin’izany. Etsy an-
danin’izany kosa, dia halaviro ilay mifanohitra amin’izany, izany hoe
ny tsy fitandremana, rehefa miteny na manonona teny. Efa noresahi-
na tao amin’ny hoe “Teny Voatonona Mazava Tsara” ny sasany amin’
ireo torohevitra ireo.
Mety hiova araka ny tany, ary araka ny faritany ao amin’ny tany iray
mihitsy aza, ny fomba fanonona teny. Mety hiteny ilay fiteny eo an-
toerana araka ny fomba fanonony manokana ny vahiny iray. Ary amin’
ny fiteny sasany, ny diksionera dia mety hanome fomba fanonona
maro samy azo ekena, ho an’ny teny iray ihany. Ahoana raha tsy nahi-
ta fianarana firy ny olona iray, na raha tsy fitenin-drazany ilay fiteny
ampiasainy izao? Amin’izay izy dia tokony hihaino tsara an’ireo ma-
hay miteny tsara ilay fiteny eo an-toerana, ka hanahaka ny fomba fa-
nonon’izy ireo. Isika Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hampiasa fo-
mba fiteny izay hampahamendrika ilay hafatra torintsika sy ho mora
azon’ny olona.
Fanononana Mety Tsara 91

Teny fantatrao tsara ampiasaina, eo amin’ny resaka ataonao isan’


andro. Tsy zava-manahirana ny fanononana, eo amin’ny resaka anda-
vanandro. Mety hahita teny tsy fampiasanao andavanandro anefa
ianao, rehefa mamaky teny amin’ny feo avo. Ary ny Vavolombelon’i
Jehovah dia mamaky teny amin’ny feo avo imbetsaka. Mamaky ny Bai-
boly amin’ny olona isika, rehefa mitory aminy. Tendrena hamaky ireo
fehintsoratra mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fia-
mbenana na amin’ny Fianarana Boky ny rahalahy sasany.
FOMBA FANATSARANA
Tena ilaina ny hamakiantsika teny araka ny marina, ka tsy NY FANONONANA
ho diso fanonona teny, mba tsy hampiala ny sain’ny olona Raha misy fomba fanonona
amin’ilay hafatra. ireo teny ny diksionera
Sarotra aminao ve ny manonona anarana sy teny sasany amin’ny fiteninao, dia
ampiasao tsara.
ao amin’ny Baiboly? Amin’ny teny malagasy, ny mari-tsi-
ndrimpeo eo amin’ny zanatsoratra iray dia milaza fa izy io Mangataha olona mahay
mamaky teny tsara, mba
no tokony hahazo ny tsindrimpeo. Ohatra tsara amin’ hihaino anao sy hanome
`
izany ny teny hoe “ary” sy “ary” sy ny hoe “ety” sy torohevitra.
`
“ety.” Mariho ny fomba fanonon’
Fomba hanatsarana ny fanononana. Maro amin’ireo ireo mahay miteny tsara;
tsy mahay manonona no tsy mahalala izany akory. Raha ampitahao amin’ny azy ny
anao.
milaza aminao izay zavatra tokony hohatsarainao eo amin’
ny fanononanao ny mpiandraikitra ny sekoly, dia ankasi-
traho izany fanehoany hatsaram-panahy izany. Raha vao fantatrao
`
ary fa misy tsy mety ny fanononanao, ahoana no hanatsaranao
azy?
Voalohany aloha, rehefa tendrena hamaky teny amin’ny feo avo ia-
nao, dia mety hanampy anao ny fijerena diksionera. Jereo ireo teny tsy
fantatrao. Raha tsy zatra mampiasa diksionera ianao, dia vakio ireo fa-
nazavana eo amin’ireo pejiny voalohany, na mangataha olona hanaza-
va azy ireo aminao. Averimbereno amin’ny feo avo izay teny rehetra
avy nojerenao.
Ny fomba faharoa azo anatsarana ny fanononana dia ny famakiana
teny amin’olon-kafa, izay mahay manonona tsara, sy ny fangatahana
azy hanitsy ny diso nataonao.
Ny fomba fahatelo hanatsarana ny fanononana dia ny fihainoana
tsara an’ireo mahay miteny tsara. Raha misy kasety nandraisana feo ny
Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao na ny gazety Ny Tilikambo Fiambe-
nana sy Mifohaza! amin’ilay fiteny ampiasainao na ianaranao, dia ma-
haiza manararaotra azy ireny. Rehefa mihaino azy ireny ianao, dia
92 Fanononana Mety Tsara

mariho ireo teny tononina amin’ny fomba hafa noho ny anao. Raiso
an-tsoratra izy ireny, ary averimbereno amin’ny feo avo. Tsy ho diso
fanonona ireo teny intsony ianao amin’ny farany, ary tena hihatsara
ny fomba fiteninao.

FANAZARAN-TENA:
Fantaro ny tokony ho fanonona izay teny tsy mahazatra anao ao amin’ny Sa-
lamo faha-83, na ny tapany iray ao amin’ny Baiboly izay tena manahirana
anao. Manontania olona mahay tsara ilay fiteny. Mariho izay vaninteny toko-
ny hasiana tsindrimpeo ao amin’ireo anarana hitanao ao; lazao amin’ny feo
avo ny tsirairay aminy. Avy eo, dia vakio amin’ny feo avo ireo andinin-teny ireo.

Mila mizatra manonona tsara ireto teny ireto aho


FITENENANA MISOSA TSARA

4

Inona no ilainao hatao?


Mamaky sy miteny mba hisosa tsara ny filazana ny teny sy ny
hevitra. Tsy miahotrahotra na miadam-piteny be ny olona mi-
teny misosa tsara. Tsy misy teny na hevitra mampiakanakana
azy.

REHEFA mamaky teny amin’ny feo avo ianao, mampiakanakana anao ve


ny teny sasany? Na, rehefa manao lahateny eo anoloan’ny mpanatrika
ianao, voamarikao ve fa matetika ianao no mitady izay teny holazaina?
Raha izany no izy, dia mety tsy hisosa tsara ny fitenenanao. Mivoaka tsa-
ra, toa tsy misy misakantsakana, ny teny sy ny hevitry ny olona iray mi-
teny sy mamaky teny misosa tsara. Tsy midika akory izany
hoe tsy mitsaha-miteny izy, miteny haingana be, na hoe mi-
teny tsy amim-pieritreretana. Mahafinaritra kosa ny mihaino NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA?
ny fomba fiteniny. Asiana fiheverana manokana ny fitenena-
Rehefa tsy misosa tsara ny
na misosa tsara ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
fomba fitenin’ny mpandaha-
Mety hisy antony samihafa mahatonga ny olona tsy hite- teny iray, dia mety hiriorio
ny misosa tsara. Diniho raha misy mahakasika anao ireto ta- ny sain’ny mpihaino; hevi-
nisaina manaraka ireto: 1) Ny tsy fahafantarana ny teny sa- tra diso no mety ho azon’izy
sany, rehefa mamaky teny ho an’ny hafa. 2) Ny fiatoana kely ireo; ary mety tsy hampiaiky
azy ireo izay lazaina.
matetika loatra. 3) Ny tsy fanaovana fanomanana. 4) Ny fa-
nazavana tsy mirindra tsara, mandritra ny fanaovana lahate-
ny. 5) Ny tsy fananana voambolana ampy. 6) Ny fanamafisana teny be-
tsaka loatra. 7) Ny tsy fahafantarana ny fitsipi-pitenenana.
Tsy hivoaka ny Efitrano Fanjakana ara-bakiteny akory ny mpanatrika
raha tsy misosa tsara ny fitenenanao, saingy mety hiriorio ny sainy. Ho
vokany, dia mety ho very maina ny ankabeazan’izay lazainao.
Tsy maintsy mitandrina kosa anefa ianao sao ilay fitenenana tianao ha-
neho fatokisan-tena sy hisosa tsara iny ka manjary mandidindidy, eny,
mahasanganehana ny mpihaino mihitsy aza. Raha heverin’ny olona ho
mivantambantana na tsy misy fahatsoram-po ny fiteninao, noho izy ireo
tsy mitovy kolontsaina sy fiaviana aminao, dia tsy hanohina ny fony ia-
nao. Mpandahateny za-draharaha, ohatra, ny apostoly Paoly. Na izany
aza, dia nanatona ny Korintianina tamin’ny “fahalemena sy ny fahata-
horana ary ny fangovitana be” izy, mba tsy hisarihana ny sain’izy ireo
ho amin’ny tenany, tsy amin’ny antony.—1 Kor. 2:3.
93
94 Fitenenana Misosa Tsara

Fahazaran-dratsy tokony hohalavirina. Olona maro no za-dratsy


manao hoe “aaaa” rehefa miteny. Ny hafa mamerimberina teny toy ny
hoe “izay”, “izay izany”, “ohatra ny hoe”, isaky ny fehezanteny. Anga-
mba tsy fantatrao akory hoe manao izany matetika ianao. Nahoana raha
manao fanazaran-tena ka mangataka olona iray mba hihaino anao sy ha-
merina ireo teny ireo isaky ny milaza an’ireo ianao? Mety ho gaga ianao,
noho ny habetsahany.
Misy olona mamerina teny vao avy nolazainy na novaki-
MBA HITENENANA
ny, izany hoe manomboka fehezanteny iray izy, ary avy eo
MISOSA TSARA
dia manapaka ny teniny eny antenatenany, ka mamerina ta-
Rehefa mamaky gazety sy
boky, dia asio marika ireo pany iray amin’izay voalazany teo.
teny vaovao, tadiavo izay Ny hafa indray miteny haingana, nefa raha hevitra iray no
tena heviny, avy eo dia anombohany ny fehezanteniny, dia manapaka ny teniny izy
ampiasao izy ireny. ary milaza hevitra hafa indray. Na dia misosa tsara aza ny te-
`
Mizara mamaky teny niny, dia mahatonga ny fitenenany tsy hisosa tsara ny fiovan’
amin’ny feo avo mandritra ny hevitra tampoka.
ny dimy na folo minitra isan’
andro. Fomba hanatsarana ny fitenenana. Raha sahirana foana
ianao mitady teny holazaina, dia mila miezaka mafy mba ha-
Omano tsara ireo vakiteny
asaina ataonao. Mariho ma- mpitombo ny voambolanao. Mariho manokana ireo teny tsy
nokana ireo teny miaraka. fantatrao ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifoha-
Fantaro tsara ny fizotran’ny za! ary ny boky hafa vakinao. Jereo ao amin’ny diksionera ny
hevitra. hevitr’ireny teny ireny, ary ampiasao izy ireny. Raha tsy misy
Rehefa miresaka andavana- diksionera azonao ampiasaina, dia mangataha olona mahay
ndro, dia mieritrereta aloha, tsara ilay fiteny mba hanampy anao.
vao milaza fehezanteny feno
tsy tapatapahina. Hahita fihatsarana ianao raha ataonao ho fahazarana ny
mamaky teny amin’ny feo avo tsy tapaka. Mariho ireo teny
sarotra, ary lazao amin’ny feo avo imbetsaka izy ireny.
Mba hamakiana teny misosa tsara, dia ilaina ny mahatakatra hoe teny
`
iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray. Mazana no ilaina hovaki-
na miaraka ny teny sasany, mba hampitana tsara ny hevitr’ilay mpano-
ratra. Mariho manokana ireny teny mandeha miaraka ireny. Asio mari-
ka izy ireny, raha manampy anao izany. Tsy ny hamaky teny tsy misy diso
fotsiny akory no zava-kendrenao, fa ny hampita hevitra mazava tsara koa.
`
Rehefa avy namakafaka fehezanteny iray ianao, dia mifindra amin’ilay
manaraka, ary toy izany hatrany mandra-pamitanao ilay fehintsoratra
`
manontolo. Fantaro tsara ny fizotran’ny hevitra. Avy eo, dia mizara ma-
maky teny amin’ny feo avo. Averimbereno vakina ilay fehintsoratra, ma-
ndra-pamakinao azy tsy miakanakana na miato eo amin’ny toerana tsy
`
tokony hiatoana. Avy eo, dia mifindra amin’ny fehintsoratra manaraka.
Fitenenana Misosa Tsara 95

Manaraka izany, dia ampitomboy ny hafainganan’ny famakianao teny.


Raha takatrao hoe teny iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray, dia
hahita teny maromaro indray miaraka ny masonao ary ho afaka hami-
nany ilay teny manaraka ianao. Tena hanatsara ny famakianao teny
izany.
Tena fampiofanana tsara ny mizatra mamaky lahatsoratra mbola tsy
hita mialoha. Mba hanaovana izany, ohatra, dia vakio amin’ny feo avo,
tsy misy fanomanana mialoha, ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny
fanazavana azy; ataovy tsy tapaka izany. Zaro ny masonao hahita indray
miaraka fitambaran-teny milaza hevitra feno, fa tsy teny tsirairay fo-
tsiny.
Rehefa miresaka ianao, dia mila mieritreritra aloha vao miteny, raha te
hiteny misosa tsara. Ataovy ho fahazaranao isan’andro izany. Eritrereto
izay hevitra tianao holazaina sy ny filaharana tianao hilazana azy ireo;
`
ary avy eo vao manomboha miteny. Aza maimaika, fa milaza kosa hevitra

RAHA MIAKANAKAM-PITENY IANAO

Antony maro no mety hahatonga ny olona hia- Omano tsara izay anjara na lahateny asaina ha-
kanakam-piteny. Ny fitsaboana manampy ny olo- taonao. Mifantoha tanteraka amin’ilay anjaranao
na sasany dia mety tsy handaitra amin’ny hafa. rehefa eny amin’ny lampihazo. Manehoa fihetse-
Tena ilaina anefa ny manohy miezaka, raha tiana ham-po mifanentana amin’izay lazainao. Raha
`
ny hahita fihatsarana. manomboka miakanakana ianao, dia hazony ho
Moa ve mampahatahotra anao, mampivaraho- tony ny feonao sy ny fihetsikao, araka izay azonao
ntsana anao mihitsy aza, ny hoe hamaly any atao. Aza henjanina ireo hozatry ny valanorano-
am-pivoriana? Mivavaha amin’i Jehovah mba ha- nao. Fehezanteny fohy ampiasaina. Ataovy vi-
hazoana ny fanampiany. (Fil. 4:6, 7) Ny hankalaza tsy araka izay azonao atao ny teny toy ny hoe
an’i Jehovah sy ny hanampy ny hafa no ifantohy. “aaaa.”
Aza manantena hoe hanjavona tanteraka ilay izy. Raha vao fantatry ny olona sasany miakana-
Eritrereto kosa ilay fandrosoana efa vitanao noho kam-piteny ireo teny manahirana azy, dia tsy ma-
ny fanampiana azonao. Rehefa mahita ny fita- mpiasa azy ireny intsony izy, fa mampiasa teny
hian’i Jehovah sy ny fampaherezana omen’ny ra- hafa mitovy hevitra kosa. Ny hafa kosa mitady ireo
halahinao ianao, dia haniry hiezaka bebe kokoa. feo izay tsy hainy tononina indrindra, ary mame-
Mizatra miteny eo anatrehan’olona maromaro rimberina milaza azy ireny.
ianao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mety Raha miakanakam-piteny ianao rehefa miresa-
ho gaga ianao hahita fa tena vitanao tsara iza- ka amin’olona, dia aza kivy ka hoe hijanona eo.
ny. Ny fitenenana eo anatrehan’olona manohana Ampirisiho hiteny ilay olona iresahanao, mandra-
anao sy maniry ny hahombiazanao toy izany pahafakao miteny indray. Raha ilaina, dia mano-
dia hanampy anao hahazo fatokisan-tena hiteny rata teny kely ho an’ilay olona, na ampisehoy
amin’ny toe-javatra hafa. zavatra voasoratra izy.
96 Fitenenana Misosa Tsara

feno iray, alohan’ny hiatoana na hiovana hevitra eny antenatenany. Fe-


hezanteny fohy sy tsotra ampiasaina.
Ho tonga ho azy ireo teny, raha fantatrao tsara izay hevitra tianao ho-
lazaina. Tsy ilaina, amin’ny ankapobeny, ny mifidy mialoha ireo teny ha-
mpiasainao. Ho fanazaran-tena, dia tsara raha mazava tsara ao an-tsainao
ilay hevitra, ary avy eo vao mieritreritra ireo teny hampiasainao, eo am-
pitenenana. Raha manao izany ianao, ary raha mifantoka amin’ilay he-
vitra ny sainao, fa tsy amin’ireo teny hilazanao azy, dia ho tonga ho azy
izy ireo, ary dia hivoaka avy amin’ny fo ny tianao holazaina. Raha ma-
nomboka mieritreritra teny anefa ianao, fa tsy hevitra, dia mety ho tapa-
tapaka ny fitenenanao. Ho afaka hiteny misosa tsara ianao, rehefa miha-
zatra. Ary tena ilaina izany, mba hahatonga ny fitenenana sy ny vakiteny
handaitra.
Rehefa notendrena hisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’ny firenen’
ny Isiraely sy ny Faraon’i Ejipta i Mosesy, dia nahatsiaro tena ho tsy na-
hay. Nahoana? Tsy nahay nandaha-teny izy, na hoe tsy niteny nisosa tsa-
ra; nety ho nanana kilema nahatonga azy tsy hahay hiteny tsara izy. (Eks.
4:10; 6:12) Nahita fialan-tsiny isan-karazany i Mosesy, nefa samy tsy nisy
neken’Andriamanitra izy ireny. Naniraka an’i Arona hiaraka taminy, mba
ho mpitondra teniny, i Jehovah. Nanampy an’i Mosesy hiteny koa anefa
Izy. Tamin’ny farany, dia nahavita niteny imbetsaka sy tamin’ny fomba
nandaitra i Mosesy, tsy tamin’ny olona tsirairay na tamin’ny fitambaran’
olona sasantsasany ihany, fa tamin’ilay firenena manontolo koa. (Deot.
1:1-3; 5:1; 29:1; 31:1, 2, 30; 33:1) Ho afaka hampiasa ny fitenenanao mba
hankalazana an’Andriamanitra koa ianao, raha manao izay rehetra azo-
nao atao sady mitoky amin’i Jehovah.

FANAZARAN-TENA:
Fakafakao tsara ny Mpitsara 7:1-25, amin’ny fandinihana ny fehintsoratra tsirai-
`
ray. Takaro tsara izay tiany holazaina. Mampiasa diksionera, mba hijerena ireo
teny tsy fantatrao. Lazao amin’ny feo avo ny anarana tsirairay. Avy eo, dia va-
kio amin’ny feo avo ilay fehintsoratra; ataovy tsy misy diso izany. Rehefa afa-po
`
amin’iny fehintsoratra iny ianao, dia mifindra amin’ny manaraka, ary tohizo toy
izany hatrany. Avy eo, dia vakio ilay toko manontolo. Avereno vakina indray ilay
izy, saingy ataovy somary haingana kokoa. Avereno indray, ka vakio haingana
kokoa ihany ireo tapany ilana anaovana izany; tsy haingana loatra anefa, ka ha-
hatonga anao hiakanakana.
FIATOANA ARAKA NY TOKONY HO IZY

5

Inona no ilainao hatao?


Mijanona tsy miteny amin’ny fotoana mety tsara mandritra ny
fanaovana anjara iray. Indraindray dia mety hiato vetivety ia-
nao na hamela ny feonao hidina kely fotsiny. Mety tsara ny
fiatoana, rehefa mahatonga ny tenintsika hazava kokoa.

TENA ilaina ny fiatoana eo amin’ny tokony hisy azy, rehefa miteny. Ma-
rina izany, na manao lahateny ianao, na miresaka amin’olona. Mety ho
toy ny miteniteny foana tsy misy heviny ny olona iray, raha tsy misy
fiatoana. Mazava kokoa ny fitenenana misy fiatoana araka ny tokony ho
izy. Hahatonga ny mpihaino hahatadidy ireo hevi-dehibe lazainao koa
izy io.
Ahoana no hamaritanao ny fotoana tokony hanaovana
NAHOANA IZANY
fiatoana? Tokony haharitra toy inona ny fiatoana? NO TENA ILAINA?
Fiatoana takin’ireo mari-piatoana. Nanjary tapany tsy Tena zava-dehibe ny fahaiza-
misaraka amin’ny soratra ny mari-piatoana. Mety hilaza ny manao fiatoana, satria maha-
faran’ny teny nolazaina na ny faran’ny fanontaniana izy tonga ny fitenenana ho mora
ireny. Natao hanavahana tenin’olona tononina izy ireny, azo. Mahatonga ireo hevi-
dehibe hisongadina koa ny
amin’ny fiteny sasany. Ny mari-piatoana sasany dia mano- fiatoana.
ndro ny fifandraisan’ireo tapany samihafa ao amin’ny fehe-
zanteny iray. Mahita ireo mari-piatoana ny olona iray ma-
maky teny samirery. Rehefa mamaky amin’ny feo avo ho an’ny hafa
kosa anefa izy, dia tsy maintsy mampita ny hevitra asehon’ireo mari-
piatoana ny feony. (Jereo ny Lesona Voalohany hoe “Vakiteny Tsy Misy
Diso.”) Raha tsy miato araka izay takin’ny mari-piatoana ianao, dia
mety ho sarotra amin’ny hafa ny hahazo izay vakinao, na mety ho
voaolana mihitsy aza ny hevitr’izay voasoratra.
Ankoatra ny mari-piatoana, ny fomba filaza ireo hevitra ao anatin’ny
fehezanteny iray koa dia hamaritra ny toerana tokony hiatoana. Hoy
ny mpahay mozika malaza iray, indray mandeha: “Tsy hoe mahay ma-
naraka naoty kokoa noho ny mpitendry piano hafa aho akory. Ny fa-
haizana miato eo anelanelan’ireo naoty kosa anefa, eny, izany no
ahitana ny hakingan’ny mpanakanto.” Mitovy amin’izany koa ny fite-
nenana. Raha mahay miato ianao, dia vao mainka hihatsara sy hisy he-
viny kokoa ny anjaranao izay efa nomaninao tsara.
97
98 Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy

Rehefa manomana famakian-teny ampahibemaso ianao, dia asio ma-


rika eo amin’ilay lahatsoratra hovakinao. Tsipika kely mitsangana iray
no soraty eo amin’ny tokony hiatoana vetivety. Tsipika mitsangana roa
mifanakaiky kosa no ampiasao, raha fiatoana maharitra kokoa no ilai-
na. Raha hafahafa aminao ny tapany sasany ao amin’ny fehezanteny
iray, ka mamerimberina mandiso ny toerana iatoanao ianao, dia asio
marika mampitambatra azy, ireo teny miaraka rehetra ao
amin’izany tapany sarotra vakina izany. Vakio hatramin’ny
NY FOMBA
voalohany ka hatramin’ny farany, ilay izy avy eo. Mpanda-
HANAOVANA AZY
hateny za-draharaha maro no manao toy izany.
Jereo tsara ireo mari- `
piatoana, rehefa mamaky Mazana no tsy manahirana ny fiatoana rehefa miresaka
teny amin’ny feo avo ianao. andavanandro, satria fantatrao ireo hevitra tianao holazai-
Henoy tsara ireo mpanda- na. Raha za-dratsy miato tsy tapaka anefa ianao, na takin’
hateny mahay, ka mariho ilay hevitra lazainao izany na tsia, dia sady tsy hazava no tsy
ny fotoana iatoany sy ny hisy heriny ny teninao. Misy fanoloran-kevitra hanatsarana
faharetan’izy ireny.
izany, ao amin’ny Lesona Faha-4 hoe “Fitenenana Misosa
Rehefa avy nilaza zavatra tia-
Tsara.”
nao hotadidin’ny hafa ianao,
dia miatoa mba hilentehan’ Fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra
ilay izy ao an-tsainy. hafa. Rehefa miato ianao alohan’ny hifindrana ho amin’
Rehefa miresaka amin’olona, ny hevi-dehibe hafa, dia ho afaka hieritreritra ny mpihaino,
dia asao izy hilaza ny heviny, haharaka izay lazainao, hahita fa hisy fiovan’ny zavatra
ary henoy hatramin’ny farany holazaina, ary hahatakatra mora kokoa ilay hevitra manara-
izay lazainy. Aza tapahina ny
teniny.
ka. Mitovy amin’ny familiana fiara miadana kokoa rehefa
handeha hivily lalana, izany fiatoana izany.
Ny antony iray mahamaika ny mpandahateny sasany hi-
findra ho amin’ny hevitra hafa, tsy misy fiatoana, dia ny fitadiavany ha-
nazava zavatra be loatra. Efa fahazarana eo amin’ny fitenenany andava-
nandro izany, amin’ny olona sasany. Angamba miteny toy izany ny
olona rehetra manodidina azy. Tsy mandaitra anefa ny fampianarana
atao toy izany. Raha manan-javatra mendri-kohenoina sy mendri-kota-
`
didina ianao, dia maka fotoana tsara hampisongadinana izany hevitra
izany. Ekeo fa tena ilaina ny fiatoana, mba hampitana hevitra mazava.
Raha hanao lahateny miorina amin’ny drafitra ianao, dia alamino ny
fanazavanao mba hahitanao tsara ny toerana tokony hiatoana eo ane-
lanelan’ireo hevi-dehibe. Raha lahateny vakina kosa no hataonao, dia
asio marika ireo toerana ifindrana ho amin’ny hevi-dehibe manaraka.
`
Mazana ny fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra hafa
no maharitra kokoa noho ny fiatoana takin’ny mari-piatoana, kanefa
Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy 99

tsy maharitra loatra ka hahatonga ny lahateninao hitarazoka be. Raha


maharitra loatra ny fiatoana, dia ho toy ny hoe tsy nanomana tsara ia-
nao ary mitady izay holazainao manaraka.
Fiatoana ho fanamafisana. Matetika ny fiatoana ho fanamafisana
no fiatoana manaitra, izany hoe mialoha na manaraka fanambarana
iray na fanontaniana iray tiana hohamafisina. Rehefa miato toy izany
ianao, dia afaka mieritreritra momba izay vao avy nolazainao ny mpi-
haino, na miandrandra izay hanaraka. Tsy mitovy ireo zavatra roa ireo,
ka fidio izay mety indrindra. Tadidio anefa fa tokony hoferana ho
amin’ny hevitra tena lehibe ny fiatoana ho fanamafisana. Raha tsy iza-
ny, dia tsy hisongadina izy ireny.
Nanao fiatoana nandaitra i Jesosy rehefa namaky ny Soratra Masina
tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Namaky momba ilay asa naniraha-
na azy tao amin’ny horonan’i Isaia mpaminany aloha izy. Talohan’ny
nampiharana azy io anefa, dia nahorony ilay horonana ka naveriny ta-
min’ilay mpanao raharaha, ary dia nipetraka izy. Niteny toy izao izy
avy eo, raha mbola nibanjina azy ny mason’ny rehetra tao amin’ny sy-
nagoga: “Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra
izany.”—Lioka 4:16-21.
Fiatoana takin’ny toe-javatra. Mety hitaky ny hiatoanao koa
indraindray ny fanelingelenana. Mety ho voatery hanapaka ny resa-
ka ifanaovanao amin’ny tompon-trano iray eny amin’ny fanompoa-
na ianao, rehefa misy fiara mandalo na zaza mitomany. Raha tsy
dia tafahoatra ny fanelingelenana any amin’ny fivoriambe, dia mety
ho afaka hanohy hiteny ianao, fa amin’ny feo mafy kokoa fotsiny. Raha
mafy sy mitohy anefa ilay fanelingelenana, dia tsy maintsy miato ia-
nao. Tsy hihaino anao akory ny mpanatrika, na hiteny aza ianao. Koa
`
ampiasao tsara ary ny fiatoana, mba hanampiana ny mpihaino anao
handre an’ireo zava-tsoa rehetra tianao holazaina aminy.
Fiatoana mamela hanome valin-teny. Na dia mety tsy hisy fa-
ndraisana anjaran’ny mpanatrika aza ny famelabelarana ataonao, dia
omeo fahafahana hamaly ao an-tsainy izy ireo. Raha mametraka fano-
ntaniana tokony hampieritreritra ny mpihaino anao ianao, nefa tsy
miato, dia ho very maina ny zava-kendren’izany fanontaniana izany.
Mazava ho azy fa tena ilaina ny miato, tsy rehefa miteny avy eny
amin’ny lampihazo ihany, fa rehefa mitory koa. Misy olona toa tsy
miato mihitsy. Raha anisany ianao, dia miezaha mafy hamboly io lafi-
ny iray amin’ny fahaiza-miteny io. Hanatsara ny fifampiresahanao
100 Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy

amin’ny hafa sy ny fanompoanao eny amin’ny saha izany. Fotoam-pa-


nginana ny fiatoana, ary marina ilay filazana fa ny fanginana dia ma-
nasongadina, manamafy, misarika ny saina ary mampiala sasatra ny
sofina.
Hevitra mifamaly ny resaka andavanandro. Ho vonona kokoa ny hi-
haino anao ny hafa, rehefa mihaino azy ianao ka maneho fahalianana
amin’izay lazainy. Izany dia mitaky ny hiatoanao mba hahafahan’izy
ireo hilaza ny heviny.
Handaitra kokoa ny fitoriantsika eny amin’ny saha fanompoana, re-
hefa ataontsika toy ny resaka. Vavolombelona maro no milaza ny
anton-diany sy mametraka fanontaniana iray, aorian’ny fifampiaraha-
bana. Miato izy ireo mba hahafahan’ilay olona hamaly, ary misaotra
azy noho izay nolazainy, aorian’izay. Mety hanome an’ilay tompon-
trano fahafahana hiteny matetika izy, mandritra ilay resaka. Fantany fa
afaka manampy bebe kokoa ny olona iray ny tenany, raha mahafanta-
tra ny fomba fiheviny momba ilay zavatra resahina.—Ohab. 20:5.
Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no tia ny hametrahana fanontania-
na. Niato foana anefa i Jesosy mba hamelana ny hafa hiteny, eny, na
dia ny mpanohitra aza. (Marka 3:1-5) Ny famelana an’ilay olona hite-
ny dia mampirisika azy hieritreritra, ary mety hilaza izay ao am-pony
izy amin’izany. Ny hanohina ny fon’ny olona tokoa mantsy no iray
amin’ireo zava-kendren’ny fitoriantsika. Hanao izany isika, amin’ny
fampisehoana aminy ireo zavatra lehibe dia lehibe ao amin’ny Tenin’
Andriamanitra izay tsy maintsy anaovany fanapahan-kevitra.—Heb.
4:12.
Tena mitaky fahaizana tokoa ny fiatoana araka ny tokony ho izy eo
amin’ny fanompoantsika. Rehefa atao tsara ny fiatoana, dia mazava ko-
koa ireo hevitra ampitaina, ary matetika no tadidy ela be.

FANAZARAN-TENA:
Vakio amin’ny feo avo ny Marka 9:1-13; miatoa, mifanaraka amin’ireo mari-
piatoana samihafa. Aza avela hitarazoka ny vakiteninao. Rehefa vita izany,
dia mangataha olona hihaino anao sy hanome hevitra mba hanatsaranao
ny fiatoanao.
FANAMAFISAN-KEVITRA METY TSARA

6

Inona no ilainao hatao?


Manamafy teny sy fitambaran-teny sasany mba ho mora taka-
try ny mpihaino ireo hevitra lazaina.

REHEFA miteny na mamaky teny amin’ny feo avo ianao, dia tsy ny hila-
zanao ny teny tsirairay tsy misy diso ihany no tena ilaina, fa ny hanama-
fisanao koa ireo teny fototra, mba hampita hevitra mazava tsara.
Tsy fanamafisana teny sasantsasany fotsiny akory no antsoina hoe fa-
namafisan-kevitra mety tsara. Ilay teny tena izy no tsy maintsy hamafisi-
na. Raha ilay teny tsy izy no hamafisinao, dia mety tsy haza-
va amin’ny mpihaino ny hevitr’izay lazainao, ary mety
NAHOANA IZANY
hiriorio ny sain’izy ireo. Na tsara aza ilay fanazavana, nefa tsy
NO TENA ILAINA?
mety tsara ny fanamafisan-kevitra, dia tsy hanosika ny mpi-
Hihazona ny fahalianan’ny
haino hanao zavatra ilay izy. mpihaino azy ny mpandaha-
Misy fomba maro samihafa azo anamafisana hevitra, ka teny mahay manamafy
ampiasaina miaraka matetika: ny fampitomboana ny hama- hevitra, no sady handresy
fin’ny feo, ny fanamafisana kokoa ny fihetseham-po aseho, lahatra sy hanosika azy ireo
hanao zavatra.
ny fanononana miadana sy tsy maimaika, ny fiatoana aloha
na aorian’ny fanambarana iray (na izy roa), ary ny fihetseha-
na sy izay asehon’ny endrika. Amin’ny fiteny sasany, dia afaka manama-
fy hevitra koa ny olona iray, raha ataony maranitra kokoa na midoboka
kokoa ny feony. Ilay zavatra hazavainao sy ny toe-javatra hitenenanao no
hamaritra ilay fomba mety indrindra aminy.
Mba hamaritana izay tokony hohamafisina, dia hevero izao manaraka
izao. 1) Ao anatin’ny fehezanteny rehetra, dia tsy ilay fehezanteny dini-
hina ihany no mamaritra izay teny tokony hohamafisina, fa ireo feheza-
nteny manodidina koa. 2) Azo atao ny manamafy ny fiandohan’ny
hevitra vaovao iray, na hevi-dehibe izany na fanjohian-kevitra hafa. Toy
izany koa ny fifaranan’ny fanjohian-kevitra iray. 3) Mety hanamafy hevi-
tra koa ny mpandahateny iray, mba hampisehoana ny fihetseham-pony
momba ny foto-kevitra iray. 4) Hisongadina tsara koa ireo hevi-dehibe
amin’ny lahateny na anjara iray, rehefa mety tsara ny fanamafisana
azy.
Mba hanamafisan-kevitra toy izany, dia tsy maintsy mazava tsara amin’
ny mpandahateny na ny mpamaky teny iray ilay zavatra lazainy na va-
kiny. Tsy maintsy tiany koa ny hahatakaran’ny mpihaino azy io. Hoy ny
101
102 Fanamafisan-kevitra Mety Tsara

Nehemia 8:8, momba ny fampianarana nomena tamin’ny andron’i Ezra:


`
“Novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalan’Andriamanitra,
sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny
`
novakina.” Neken’ireo namaky sy nanazava ny Lalan’Andriamanitra ta-
min’izay fa tena nilaina nampiana ny mpihaino mba hahatakatra ny he-
vitr’izay novakina, sy hitadidy azy, ary hampihatra azy.
Izay mety hiteraka zava-manahirana. Afaka milaza hevitra mazava
ny ankamaroan’ny olona, eo amin’ny resaka ataony andavanandro. Re-
hefa mamaky zavatra nosoratan’olon-kafa anefa izy ireo, dia mety ho
sahirana hamaritra izay teny na fitambaran-teny tokony hohamafisina.
Tena hanampy azy ny fahazoany mazava tsara ny hevitr’ilay zavatra
`
hovakiny. Mila mamakafaka tsara azy io ary izy. Koa raha angatahina ha-
maky teny any am-pivoriana ianao, dia tokony hanao fanomanana tsara.
Misy mampiasa ilay azo antsoina hoe “fanamafisana tsy miovaova”, fa
tsy fanamafisan-kevitra. Manamafy teny iray na roa amim-pahazarana fo-
tsiny izy ireo, na misy heviny izany fanamafisana izany na tsia. Ny hafa
kosa manamafy be loatra ireo teny kely, toy ny teny mpampiankina sy
ny teny mpampitohy. Rehefa tsy mampahazava kokoa ny hevitra ny fa-
namafisana, dia mora lasa fahazaran-dratsy manelingelina.
Misy mpandahateny miteny mafy kokoa mba hanamafisan-kevitra,
nefa mety hahatonga ny mpihaino hahatsiaro tena ho bedesina ny fo-
mba anaovany azy. Mazava ho azy fa tsy ho tsara ny vokatra haterak’iza-
ny. Raha amboamboarina, fa tsy tsotra, ny fanamafisan-kevitra ataon’ilay
mpandahateny, dia mety ho toy ny hoe manambany ny mpihaino azy
izy. Tsara lavitra ny manohina ny fon’izy ireo amim-pitiavana, sy mana-
mpy azy ireo hahita fa sady araka ny Soratra Masina no azo ekena tsara
izay lazaina!
Ny fomba hanatsarana ny fahaiza-manamafy hevitra. Matetika ny
olona tsy mahay manamafy hevitra no tsy mahalala izany akory. Mety
hila ny hilaza izany aminy ny hafa. Raha toa ianao ka mila manatsara ny
fahaiza-manamafy hevitra, dia hanampy anao amin’izany ny mpiandrai-
kitra ny sekoly. Aza misalasala koa mangataka fanampiana amin’izay ma-
hay mandaha-teny tsara. Asaivo mihaino anao tsara izy, rehefa mamaky
teny sy miteny ianao, ary mangataha torohevitra aminy avy eo.
Mety hanoro hevitra anao mba hanao fanazaran-tena amin’ny alalan’
ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy, amin’ny voa-
lohany. Mety hasainy hamakafaka ny fehezanteny tsirairay ianao, mba
hahitanao izay teny na fitambaran-teny ilaina hohamafisina, mba ho
mora takatra ny heviny. Mety hasainy hanamarika manokana ireo teny
Fanamafisan-kevitra Mety Tsara 103

natao sora-mandry ianao. Tadidio fa toy ny hoe miara-miasa ireo teny ao


anatin’ny fehezanteny iray. Fitambaran-teny matetika no tokony hoha-
mafisina, fa tsy teny iray mitokana. Amin’ny fiteny sasany, dia mety ha-
mpirisihina koa ny mpianatra mba hitandrina kokoa ny fanamafisan-ke-
vitra atoron’ireo mari-tsindrimpeo.
Manaraka izany, ilay mpanome torohevitra dia mety hampirisika anao
hijery ireo fehezanteny manodidina, fa tsy ilay fehezanteny
misy ilay hevitra hohamafisina fotsiny. Ohatra, inona no he-
vitra fototra velabelarina ao amin’ilay fehintsoratra mano- NY FOMBA
FIANARANA AZY
ntolo? Ahoana no hamaritan’izany hevitra fototra izany izay `
Mizara mamantatra ireo teny
hohamafisinao ao amin’ireo fehezanteny? Jereo ny lohate- sy fitambaran-teny fototra ao
nin’ilay lahatsoratra sy ny lohatenikely amin’ny sora-mate- amin’ireo fehezanteny. Hana-
vina mialoha ilay fehintsoratra. Ahoana no hamaritan’izy mpy anao ny fijerena tsara
ireo izay teny fidinao hohamafisina? Lafin-javatra tokony ho- ireo fehezanteny manodidina.
heverina daholo ireo rehetra ireo. Mitandrema anefa sao ma- Miezaha manamafy hevitra
mba hampisehoana 1) ny
namafy teny betsaka loatra.
fifindrana ho amin’ny hevitra
Na mandaha-teny tsy an-kijery soratra ianao, na mamaky hafa sy 2) ny fihetseham-
teny, dia mety hampirisika anao koa ilay mpanome torohe- ponao momba ilay zavatra
vitra anao mba hampiasa ilay fanjohian-kevitra ao amin’ilay lazainao.
zavatra hovelabelarinao, mba hamaritana izay hevitra hoha- Rehefa mamaky andinin-teny,
`
dia mizara manamafy teny
mafisinao. Ilainao hofantarina hoe aiza no mifarana ilay fa- izay manohana ny antony na-
njohian-kevitra, na hoe aiza no misy fifindrana ho amin’ny kanao ireo andinin-teny ireo.
hevi-dehibe hafa. Ho faly ny mpihaino, raha hitany avy
amin’ny fomba fiteninao fa hisy fiovana toy izany. Azonao
atao izany, amin’ny fanamafisana teny toy ny hoe voalohany aloha, ma-
naraka izany, ary farany, noho izany, ary araka izany.
Hisarika ny sainao ho amin’ireo hevitra tokony hanehoanao fihetse-
ham-po manokana koa ilay mpanome torohevitra anao. Mba hanaova-
na izany, dia mety hanamafy teny toy ny hoe tena, indrindra, tsy izany
velively, tsy azo inoana, zava-dehibe, ary foana ianao. Ho tsapan’ny mpi-
haino anao avy amin’izany ny fiheveranao momba izay lazainao. Hisy
fanazavana bebe kokoa momba izany ao amin’ny Lesona Faha-11 hoe
“Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po.”
Mba hanatsarana ny fanamafisanao hevitra, dia ataovy azo tsara ao an-
tsainao koa ireo hevi-dehibe tianao hotadidin’ny mpihaino. Horesahina
bebe kokoa izany ao amin’ny Lesona Faha-7 hoe “Fanamafisana Ireo He-
vitra Fototra” mifandray amin’ny famakian-teny ampahibemaso, sy ao
amin’ny Lesona Faha-37 hoe “Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe” mifa-
ndray amin’ny fanaovana lahateny sy anjara hafa.
104 Fanamafisan-kevitra Mety Tsara

Raha miezaka handroso eo amin’ny fanompoanao ianao, dia asio fihe-


`
verana manokana ny fomba famakianao andinin-teny. Mizara manonta-
ny tena hoe: ‘Nahoana aho no mamaky ity andinin-teny ity?’ Raha ma-
`
mpianatra ianao, dia mazana no tsy ampy ny mamaky teny tsy misy diso
fotsiny. Mety tsy ho ampy koa na dia ny famakiana ilay andininy amim-
pihetseham-po fotsiny aza. Raha mamaly ny fanontanian’ny olona iray
ianao, na mampianatra fahamarinana fototra iray, dia hamafiso ireo teny
na fitambaran-teny ao amin’ilay andininy, izay manohana ilay hevitra
resahina. Mety tsy ho azon’ilay olona ilay hevitra, raha tsy izany.
Koa satria fanantitranterana kokoa ny teny sy ny fitambaran-teny sasa-
ny ny atao hoe fanamafisan-kevitra, dia mety hanamafy be loatra an’ire-
ny teny sy fitambaran-teny ireny ny mpandahateny tsy za-draharaha.
Mitovitovy amin’ny ataon’ny olona iray vao manomboka mianatra
mitendry zavamaneno iray, izany. Rehefa mihazatra anefa izy, dia hano-
me “mozika” kanto sy milaza hevitra ny “naoty” tsirairay.
Rehefa avy nianatra ny sasany amin’ireo lesona fototra momba ny fa-
namafisan-kevitra ianao, dia diniho koa ny ataon’ireo mpandahateny
za-draharaha. Tsy ho ela dia ho hitanao ny vokatra tsara azo, raha ovao-
vana ny hamafin’ny fanantitranterana. Ho takatrao koa fa afaka mampia-
sa fomba fanamafisana maro samihafa ianao, mba hampahazava izay
lazainao. Handaitra kokoa ny vakiteninao sy ny fitenenanao, raha mia-
natra mampiasa ny fahaiza-manamafy hevitra mety tsara ianao.
Aza mianina amin’ny fahalalana fotsiny ny atao hoe fanamafisan-ke-
vitra. Raha tianao handaitra ny fitenenanao, dia miezaha foana, mandra-
pahafolakao tsara ny fahaiza-manamafy hevitra. Amin’izay, dia ho fite-
nenana tsy amboamboarina fa tsotra no handrenesan’ny hafa ny fomba
fiteninao.

FANAZARAN-TENA:
1) Mifidiana andinin-teny roa fampiasanao matetika eo amin’ny fanompoana.
Farito ny hevitra tianao hoporofoina ao amin’ny andininy tsirairay. Vakio amin’
ny feo avo izy ireo, ka antitrantero ireo teny na fitambaran-teny manohana ireo
hevitra ireo. 2) Fakafakao ny Hebreo 1:1-14. Nahoana ny teny hoe “mpamina-
ny” (and. voal.) sy hoe “Zanany” (and. faha-2) ary hoe “anjely” (and.
faha-4, 5) no antitranterina, mba hanehoana mazava tsara ny fanjohian-kevitra
`
ao amin’io toko io? Mizara mamaky ilay toko amin’ny feo avo, sy amin’ny fa-
namafisana hevitra mba hisongadinan’ilay fanjohian-kevitra.
FANAMAFISANA IREO HEVITRA FOTOTRA

7

Inona no ilainao hatao?


Rehefa mamaky teny amin’ny feo avo, dia ireo hevitra fototra ao
amin’ilay fehintsoratra na lahatsoratra manontolo no hamafiso
manokana, fa tsy ireo ao anatin’ny fehezanteny tsirairay fotsiny.

TSY ny fehezanteny tsirairay, na ilay fehintsoratra misy ireo hevitra fo-


totra akory aza, no jeren’ny mpamaky teny mahay. Tadidiny tsara ao
an-tsaina izy ireo ao amin’ilay fehintsoratra na lahatsoratra manonto-
lo, rehefa mamaky teny izy. Manampy azy hamantatra izay tokony
hohamafisina izany.
Tsy hisy zava-misongadina ny vakiteniny, raha tsy ma-
nao izany ilay mpamaky teny. Tsy hisy na inona na inona NAHOANA IZANY
hiavaka mazava tsara. Mety ho sarotra ny hitadidy izay za- NO TENA ILAINA?
vatra niavaka rehefa vita ilay anjara. Ho mora tadidy kokoa
Hanatsara ny famakiana fitantarana iray ao amin’ny Bai- ilay hafatra, raha hamafisinao
ireo hevitra fototra.
boly ny fanamafisana tsara ireo hevitra fototra. Manjary
misy heviny kokoa ireo fehintsoratra vakina toy izany, any
amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana. Ary tena ilaina
indrindra izany, rehefa manao lahateny vakina, toy ny atao tsindrai-
ndray any amin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra.
Ny fomba hanaovana azy. Mety hasaina hamaky tapany iray ao
amin’ny Baiboly ianao, ao amin’ny sekoly. Inona no tokony hohama-
fisina? Raha misy hevitra fototra iray na fisehoan-javatra lehibe iray
resahina ao, dia tsara ny hanasongadinanao azy.
Na tononkalo ilay zavatra hovakinao na soratra tsotra, na ohabola-
na na fitantarana, dia ho azon’ny mpihaino tsara raha vakinao tsara.
(2 Tim. 3:16, 17) Koa tsy maintsy manisy fiheverana ilay zavatra ho-
`
vakinao sy ny mpihaino anao ary ianao.
Raha hamaky teny avy ao amin’ny boky iray ianao, any amin’ny fa-
mpianarana Baiboly na ao am-pivoriana, inona avy moa ireo hevitra
fototra ilainao hohamafisina? Ny valin’ireo fanontaniana vita pirinty
`
ao amin’ilay toko na lahatsoratra mazana no hevitra fototra ao. Ha-
mafiso koa ireo hevitra mifandray amin’ilay lohatenikely amin’ny
sora-matevina mialoha ilay zavatra vakinao.
105
106 Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra

Tsy ampirisihina hampiasa lahateny vakina ianao, rehefa manao la-


hateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Indraindray anefa, dia lahate-
ny vakina no anaovana famelabelarana sasany amin’ny fivoriamben’
ny vondrom-paritra, satria tiana hitovy sy haseho amin’ny fomba mi-
tovy ireo hevitra lazaina any amin’ny fivoriambe rehetra. Tsy maintsy
mamakafaka tsara ilay fanazavana aloha ilay mpandahate-
HEVITRA TOKONY
ny mba hanamafisana ireo hevitra fototra ao amin’ny la-
HOTADIDINA hateny vakina toy izany. Inona avy, ohatra, ireo hevi-dehi-
Fakafakao ilay fehintsoratra be? Tokony ho hain’ilay mpandahateny ny hanavaka azy
na lahatsoratra, ka fantaro ireny. Tsy hevitra heveriny fa mahaliana fotsiny akory
ireo hevitra fototra no atao hevi-dehibe, fa ireo hevitra fototra ifantohan’
velabelariny, ary asio marika.
ilay fanazavana. Misy fehezanteny kely mamintina hevitra
Rehefa mamaky teny amin’ny fototra iray indraindray, alohan’ny fitantarana na ny fanjo-
feo avo, dia ampitomboy
ny hafanam-po, mitenena hian-kevitra iray. Matetika kokoa anefa no misy fanamba-
miadana kokoa, na manehoa rana mafonja iray aorian’ilay fanaporofoan-kevitra. Toko-
fihetseham-po lalina kokoa, ny homarihin’ilay mpandahateny ao amin’ilay lahateniny
mba hisongadinan’ireo
ireny hevitra fototra ireny, rehefa hitany. Vitsivitsy ihany
hevitra fototra ireo. `
izy ireny mazana, efatra na dimy angamba. Manaraka iza-
ny, rehefa manao famerenana mamaky izy, dia tokony hia-
narany hasongadina izy ireny, mba ho mora amin’ny mpihaino ny
hamantatra azy ireny, mandritra ny lahateniny. Ireny no hevitra mi-
songadina ao amin’ilay lahateny. Ho mora tadidy kokoa ireny hevitra
fototra ireny raha mety tsara ny fanamafisana. Izany no tokony ho
zava-kendren’ilay mpandahateny.
Afaka mampiasa fomba fanamafisana samihafa ny mpandahateny
iray mba hanampiana ny mpihaino hamantatra ireo hevi-dehibe.
Misy mampitombo ny hafanam-pony, manova ny hafainganam-pite-
niny, maneho fihetseham-po lalina kokoa, na mampiasa fihetsehana
mety, raha ireo fotsiny aza no hotononina.

FANAZARAN-TENA:
Mifidiana fehintsoratra dimy ao amin’ny lahatsoratra fianarana iray ao amin’
ny Tilikambo Fiambenana. Tsipiho ny valin’ireo fanontaniana mifandray
amin’ireo fehintsoratra ireo. Vakio amin’ny feo avo ny fehintsoratra, ka atao-
vy mora amin’ny mpihaino ny hamantatra ireny valin-teny ireny.
HAMAFIN’NY FEO ANTONONY TSARA

8

Inona no ilainao hatao?


Ataovy antonony tsara ny hamafin’ny feonao, rehefa miteny.
Mba hamaritana izay atao hoe mety tsara, dia hevero 1) ny isan’
ny mpanatrika sy ireo mahaforona azy, 2) ireo tabataba maneli-
ngelina, 3) ny zavatra resahina, ary 4) ny zava-kendrenao.

METY hatoritory ny mpanatrika sasany raha tsy miteny mafy tsara ny


mpandahateny iray. Mety tsy hihazona ny fahalianan’ny tompon-tra-
no ny mpitory iray, raha miteny mora loatra eny amin’ny fanompoana.
Ary tsy hahazo ny fampaherezana ilainy ny mpanatrika hafa, raha tsy
mafy tsara ny feon’ireo manome valin-teny any am-pivoriana. (Heb.
10:24, 25) Etsy an-danin’izany kosa, raha miteny mafy ko-
koa amin’ny fotoana tsy mety amin’izany ny mpandahate-
NAHOANA IZANY
ny iray dia tsy ho azoazon’ny mpanatrika izany, hanorisory NO TENA ILAINA?
azy mihitsy aza.—Ohab. 27:14. Raha tsy afaka mahare anao
Hevero ireo mpihaino anao. Iza no itenenanao? olona mora foana ny hafa, dia mety
iray ve? sa fianakaviana iray? sa olona vitsivitsy miara-mivo- hiriorio ny sainy, ary mety tsy
ry alohan’ny fanompoana? sa ny fiangonana iray manonto- hazava aminy izay lazainao.
Raha miteny mafy loatra kosa
lo? sa ireo mpanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra? ianao, dia mety ho sosotra ny
Mazava fa tsy hitovy ny hamafin’ny feo hampiasainao olona, ary hihevitra izany ho
amin’ireo tarehin-javatra samihafa ireo. tsy fanehoam-panajana mihi-
tsy aza.
Niteny tamin’ny mpanatrika maro be, tamin’ny toe-java-
tra maro samihafa, ny mpanompon’Andriamanitra fahiny.
Tsy nisy fanamafisam-peo tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosa-
lema, tamin’ny andron’i Solomona. Nitsangana teo ambonin’ny la-
`
mpihazo avo ary i Solomona, ary nitso-drano an’ilay vahoaka “tamin’
`
ny feo mahery.” (1 Mpanj. 8:55; 2 Tant. 6:13) An-jatony taona maro taty
aoriana, taorian’ny nirotsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta
33 am.f.i., dia nisy olona sesehena—ny sasany liana, ny hafa nanaraby—
tafangona nanodidina an’ireo Kristianina vitsivitsy tao Jerosalema. ‘Ni-
`
tsangana ary i Petera, ka nanandra-peo.’ (Asa. 2:14) Tena nandaitra ny
fitoriana nataony tamin’izay.
Ahoana no hamaritanao raha mety tsara amin’ny tarehin-javatra iray
ny hamafin’ny feonao? Ny fihetsiky ny mpihaino no iray amin’ireo fa-
mantarana tsara indrindra. Raha mahamarika ianao fa mananosarotra
107
108 Hamafin’ny Feo Antonony Tsara

ny sasany rehefa mihaino anao, dia tokony hiezaka hanitsy ny hama-


fin’ny feonao ianao.
Na miteny amin’olona iray ianao, na amin’olona maromaro, dia tsa-
ra ny handinihanao hoe karazan’olona iza moa izy ireo. Mety hila hi-
teny mafy kokoa ianao, raha tsy mandre tsara ny iray aminy. Aza mihia-
kiaka anefa, satria tsy tia an’izany ireo be taona, izay somary votsa
fandray zavatra fotsiny, fa tsy hoe tsy mandre akory. Mety hoheverina
ho tsy fahalalam-pomba mihitsy aza ny fikiakiahana. Any
ILAINA NY MITENY
amin’ny firenena sasany, dia heverin’ny hafa ho tezitra na
MAFY KOKOA tsy manam-paharetana ny olona miteny mafy loatra.
Raha tiana hifantoka foana Hevero ireo tabataba manelingelina. Tena hiankina
ny mpihaino. amin’ny toe-javatra hitanao eny am-pitoriana ny tokony ho
Raha misy tabataba maneli- hamafin’ny feonao. Mety ho samy mety hifaninana aminao
ngelina. daholo ny fiara mandalo, ny ankizy mitabataba, ny alika
`
Raha tiana hihaino zavatra mivovo, ny radio na ny televiziona mitatatata. Any amin’ny
iray tena lehibe ny olona. faritany misy trano mifanizina kosa anefa, dia mety hahasa-
Raha te hanentana ny hafa nganehana ny tompon-trano ianao, raha miteny mafy be ka
hanao zavatra. misarika ny sain’ny mpifanila trano aminy.
Raha te hisarika ny sain’ny Tojo toe-javatra maro samihafa ireo rahalahy manao laha-
olona iray na maromaro.
teny ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivo-
riambe koa. Tsy mitovy velively ny fanaovana lahateny
amin’ny mpanatrika eny an-kalamanjana sy ao amin’ny efitrano misy
fanamafisam-peo tomombana tsara. Tany Amerika Atsimo, dia nanao
lahateny tao an-tokotanin’ny olona liana iray ny rahalahy misionera
roa, nefa nisy afomanga nipoapoaka tsy an-kijanona tao amin’ilay kia-
nja teo akaiky sy akoholahy tsy nitsaha-naneno tao ambadika!
Mandritra ny lahateny iray, dia mety ho voatery hiteny mafy kokoa
ilay mpandahateny, na hiato mandra-pitsahatry ny fanelingelenana
mitranga tampoka. Ohatra, mety tsy hahare an’ilay mpandahateny ny
mpanatrika raha fanitso ny tafon’ilay toerana anaovana fivoriana, ka
avy be tampoka ny orana. Tena manelingelina koa ny zaza mitomany
na ny olona tonga tara. Mahaiza mandresy izany, mba hahafahan’ny
mpihaino anao handray soa feno avy amin’ilay fanazavana atolotrao.
Marina fa hanampy ny fanamafisam-peo, raha misy azo ampiasaina
eo an-toerana. Tsy misakana an’ilay mpandahateny tsy hiteny mafy ko-
koa anefa izany, raha izany no takin’ny tarehin-javatra. Any amin’ny
toerana sasany misy fahatapahan’ny jiro matetika, dia voatery manohy
ˆ
ny lahateniny, tsy misy mikro, ireo mpandahateny.
Hamafin’ny Feo Antonony Tsara 109

Hevero ilay zavatra resahinao. Miankina amin’ilay fanazavana ao


amin’ny lahateninao koa ny tokony ho hamafin’ny feonao. Raha mi-
taky ny hitenenana amin-kery ilay foto-kevitra, dia aza miteny mora
loatra, ka hahatonga ny famelabelaranao ho maivana. Ohatra, tokony
ho mafy kokoa ny feonao, rehefa mamaky momba ireo fanamelohana
ao amin’ny Soratra Masina ianao, tsy toy ny rehefa mamaky torohevi-
tra momba ny fanehoana fitiavana. Ataovy mifanentana amin’ilay
zavatra resahinao ny hamafin’ny feonao, nefa mitandrema sao hisari-
ka ny saina ho amin’ny tenanao ny fomba fanaovanao
izany.
NY FOMBA
Hevero ny zava-kendrenao. Mety hila hiteny mafy kokoa HANATSARANA NY
ianao, raha maniry handrisika ny mpihaino ho be zotom- HAMAFIN’NY FEO
po. Raha maniry ny hanovan’izy ireo ny fomba fisainany Diniho tsara ny fihetsik’ireo
kosa ianao, dia aza miteny mafy loatra ka hahatonga azy mpihaino; aza miteny mafy
` loatra na mora loatra, mba
ireo handa izay lazainao. Ary feo malefaka kokoa mazana
tsy ho sorena izy mihaino
no tsara indrindra raha maniry hampionona ny hafa ianao.
anao.
Fitenenana mafy kokoa, mba hahazoana ny vokatra
Fenoy rivotra ny tapany
ilaina. Rehefa te hisarika ny sain’ny olona iray variana ia- ambany amin’ny havokavo-
nao, dia miteny mafy kokoa. Fantatry ny ray aman-dreny kao, rehefa miaina ianao.
tsara izany, hany ka miteny mafy kokoa izy ireo, rehefa
miantso ny zanany hody avy any an-tokotany. Mety hilain’
ny mpitari-draharaha iray koa ny hiteny mafy kokoa, rehefa hanombo-
ka ny fotoam-pivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’
ny fivoriambe. Mety hiantso mafy ny mpitory eny amin’ny fanompoa-
na, rehefa miarahaba olona miasa eny ivelany.
Tena ilaina ny hitenenana amin’ny feo mafy tsara foana na dia rehe-
fa avy nahasarika ny sain’ny olona iray aza ianao. Mety hihevitra ny
mpihaino hoe tsy niomana tsara ny mpandahateny iray, na hoe tsy
ampy fatokisan-tena, raha miteny mora.
Rehefa arahina baiko ny fitenenana mafy kokoa, dia handrisika ny
olona hanao zavatra. (Asa. 14:9, 10) Mety hisoroka loza koa ny fikiaha-
na baiko iray. Tany Filipy, ohatra, dia saika hamono tena ny mpiandry
tranomaizina iray, satria noheveriny fa nandositra ny gadra rehetra.
“Paoly niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena,
fa ato ihany izahay rehetra.” Nisakana olona iray tsy hamono tena
izany hiakiaka izany. Nitorian’i Paoly sy i Silasy avy eo, ilay mpiandry
tranomaizina sy ny ankohonany, ka nanaiky ny fahamarinana izy re-
hetra.—Asa. 16:27-33.
110 Hamafin’ny Feo Antonony Tsara

Ny fomba hanatsarana ny hamafin’ny feonao. Mila manao ezaka


fanampiny ny olona sasany, mba ho antonony tsara ny hamafin’ny
feony. Mety hanana feo malefaka kely, ohatra, ny olona iray, ka tsy hi-
teny mafy tsara. Mety hanatsara izany anefa izy raha miezaka, na dia
mety ho mbola malefa-piteny ihany aza izy. Tandremo ny fifohanao ri-
votra sy ny fijoronao na ny fipetrakao. Mianara mipetraka sy mijoro
mahitsy. Ataovy mankany aoriana ny sorokao, ary mianara mifoka ri-
votra lalina. Fenoy rivotra ny tapany ambany amin’ny havokavokao.
Ny fahaizanao mifehy tsara izay habetsahan-drivotra fohinao sy avoa-
kanao izay, no hahatonga anao hahay hifehy ny hamafin’ny feonao.
Ny hafa kosa miteny mafy loatra. Angamba izy ireo zatra niasa teny
ivelany na teo amin’ny faritra be tabataba. Na nety ho notezaina tao
amin’ny tokantrano feno olona nihiakiaka sy nanapaka ny tenin’ny
hafa, izy ireo, ka nanjary nino fa raha mba te hampidi-dresaka koa ny
tenany, dia voatery miteny mafy noho ny hafa rehetra. Rehefa mampi-
hatra miandalana ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hitafy famindram-
po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-pana-
hy, fandeferana’ ny olona toy izany, dia hanitsy ny hamafin’ny feony,
rehefa miresaka amin’ny hafa.—Kol. 3:12.
Ny fanomanana tsara sy ny fahazarana azo avy amin’ny fitoriana tsy
tapaka, ary ny fivavahana amin’i Jehovah dia hanampy mba hahato-
nga ny hamafin’ny feonao ho antonony tsara rehefa miteny ianao. Na
miteny eny amin’ny lampihazo ianao, na amin’ny olona iray eny am-
pitoriana, dia eritrereto foana ny fomba hitenenanao mba handraisan’
ilay olona soa avy amin’ny zavatra lazainao.—Ohab. 18:21.

FANAZARAN-TENA:
Vakio an’eritreritra aloha ny Asan’ny Apostoly 19:23-41. Ataovy mazava tsara ao
an-tsainao ilay fisehoan-javatra, araka ny asehon’ilay fitantarana sy ny teny ma-
nodidina. Mariho hoe iza no miteny sy ny fihetsiky ny olona resahina ao. Vakio
amin’ny feo avo amin’izay ilay izy, ka ataovy mifanentana amin’ny tapany tsi-
rairay ny hamafin’ny feonao.
FANOVAOVAM-PEO

9

Inona no ilainao hatao?


Manovaova ny fanenon’ny feonao. Eto isika dia handinika ny fiovan’ny hamafin’
ny feo (toy ny rehefa miteny mafy na mora) sy ny hafainganam-piteny (hainga-
na sy miadana) ary ny haavon’ny feo (ilazana ny feo maranitra na midoboka).

MANAMPY ny mpihaino hahazo izay lazainao ianao, raha mampiasa


fanamafisan-kevitra tsotra. Hahafinaritra kokoa anefa ny hihaino ny
anjaranao na ny lahateninao, rehefa hainao ny manovaova ny hamafin’
ny feonao sy ny hafainganam-piteninao ary ny haavon’ny feonao. Tsy
izay ihany anefa, fa ho fantatry ny mpihaino koa ny fihetseham-ponao
momba izay lazainao. Hisy fiantraikany eo amin’izy ireo ny
zavatra tsapanao momba ilay fanazavana. Marina izany, na
NAHOANA IZANY
miteny avy eny amin’ny lampihazo ianao, na amin’ny olona
NO TENA ILAINA?
iray eny am-pitoriana. Mamelombelona ny lahateny
Tena fitaovana mahatalanjona afaka miovaova be ny feon’ iray, sy manaitra fihetseham-po
olombelona. Raha ampiasaina tsara izy io, dia hamelombe- ary manosika hanao zavatra ny
fanovaovam-peo mety tsara.
lona lahateny iray, hanohina ny fo, hanaitra fihetseham-po Mety hisy hihevitra fa tsy tena
ary hanosika hanao zavatra. Tsy hahazo izany vokatra izany liana amin’ny foto-kevitrao ia-
anefa ianao, raha manisy marika fotsiny eo amin’ny tarata- nao, raha tsy manovaova ny
feonao.
sinao hoe aiza ianao no tokony hiteny mafy na mora kokoa,
haingana na miadana kokoa, amin’ny feo maranitra na mi-
doboka kokoa. Ho toy ny amboamboarina ny fanovaovam-peo manaraka
baiko toy izany. Tsy ho velombelona, fa hitovy tantana foana, ny anjara
na lahateny ataonao toy izany, ka tsy ho azoazon’ny mpihaino anao. Mi-
voaka avy amin’ny fo ny fanovaovam-peo mety tsara.
Tsy hisarika ny saina ho amin’ny tenany ny mpandahateny iray, rehefa
hainy tsara ny manovaova ny hamafin’ny feony sy ny hafainganam-pi-
teniny ary ny haavon’ny feony. Hanampy ny mpihaino hahatakatra ny
tena votoatin’ilay zavatra resahiny kosa izy.
Ampifanitsio amin’ny toe-javatra ny hamafin’ny feonao. Ny fanova-
na ny hamafiny no fomba iray hanovaovana ny feonao. Tsy fitenenana
mafy sy mora ampifandimbiasina fotsiny anefa no dikan’izany. Hanolana
ny hevitry ny zavatra lazainao izany. Ary raha manamafy ny feonao mate-
tika loatra ianao, dia tsy hahafinaritra ny ho fandrenesana azy.
Tokony hifanentana amin’izay lazainao ny hamafin’ny feonao. Na ma-
maky baiko maika, toy ilay ao amin’ny Apokalypsy 14:6, 7 na Apokalypsy
18:4, ianao, na mamaky teny maneho fatokisan-tena mafy, toy ilay ao
111
112 Fanovaovam-peo

amin’ny Eksodosy 14:13, 14, dia ilaina ny miteny mafy kokoa. Toy izany
koa, raha manovaova ny hamafin’ny feonao ianao, rehefa mamaky fa-
namelohana mahery vaika ao amin’ny Baiboly, toy ilay ao amin’ny
Jeremia 25:27-38, dia hahatonga ny teny sasany hisongadina kokoa.
Hevero koa ny zava-kendrenao. Ny hanosika ny mpihaino hanao zava-
tra ve no tadiavinao, sa ny hampisongadina kokoa ireo hevi-dehibe ao
amin’ny famelabelaranao? Hahavita izany ianao, raha mite-
ny mafy kokoa, nefa tsy tafahoatra ary amin’ny fotoana mety
NY FOMBA tsara. Mety tsy ho tratranao anefa ilay zava-kendrenao, raha
HANAOVANA AZY
miteny mafy kokoa fotsiny ianao. Fa nahoana? Mety ho fa-
Ampifanitsio amin’ny toe-
javatra ny hamafin’ny feo- nehoana hatsaram-panahy sy fihetseham-po no takin’ilay
nao, rehefa hilaza baiko maika, zavatra lazainao, fa tsy fitenenana mafy kokoa. Hiresaka mo-
zavatra iray itokisanao mafy, na mba izany isika ao amin’ny Lesona Faha-11.
fanamelohana. Eritrereto tsara
ireo tapany amin’ny anjaranao
Raha miteny mora kokoa, fa tsy tafahoatra ary amin’ny fo-
izay mitaky ny hitenenanao toana mety tsara ianao, dia hahatonga ny olona hiandry
mafy kokoa. `
zavatra izany. Mazana anefa, no mila miteny amin-kery ko-
Ovay ny hafainganam-piteni- koa ianao, aorian’izany avy hatrany. Afaka mampita tebiteby
nao, ka mitenena haingana
na tahotra koa ianao, rehefa sady mampidina ny feonao no
kokoa, rehefa hilaza zavatra tsy
dia lehibe loatra, ary miada- miteny amin-kery kokoa. Mety hiteny mora kokoa koa ianao,
na kokoa rehefa hilaza mba hampisehoana fa tsy dia zava-dehibe loatra ilay lazai-
fanaporofoan-kevitra mafonja nao, raha oharina amin’ny teny hafa manodidina azy. Raha
na hevi-dehibe. Mitenena hai-
ngana, mba hampitana miteny moramora foana anefa ianao, dia mety hoheverina
fientanam-po. ho tsy mahazo antoka ny amin’izay lazainao, na tsy ampy
Ovaovay ny haavon’ny feonao fatokisan-tena, na koa hoe tsy tena liana amin’ilay foto-kevi-
raha mety, rehefa te hampita trao. Ilaina hotandremana tsara ny fomba sy ny fotoana
fihetseham-po sy hanohina ny
fon’ny mpihaino. ampiasana ny feo malefaka kely.
Ny fampiasana ny fanovao- Ovaovay ny hafainganam-piteninao. Rehefa miresaka
vam-peo dia manomboka eo andavanandro isika, dia misosa ho azy ny tenintsika eo
amin’ny fifidiananao hevitra. am-pilazantsika ny hevitsika. Miteny haingana isika, rehefa
mientam-po. Rehefa tiantsika hitadidy tsara izay lazaintsika
ny hafa, dia ataontsika miadana kokoa ny fitenintsika.
Vitsy anefa ny mpandahateny vaovao manovaova ny hafainganam-pi-
teniny. Nahoana? Mifantoka loatra amin’ireo teny hilazany zavatra izy
ireo. Mety ho nosoratany daholo izany teny izany. Na dia tsy lahateny
vakina aza ilay lahateny, dia mety hianarany tsianjery ireo teny rehetra
ao. Noho izany, dia tsy miovaova ny hafainganam-piteniny. Ho afaka ha-
nitsy izany lesoka izany izy, rehefa mianatra mampiasa drafitra.
Aza manafaingana tampoka loatra ny fitenenanao, mba tsy hieritrere-
tana vorona variana mitsindroka ka manidina tampoka rehefa misy
Fanovaovam-peo 113

manaitra. Ary aza miteny haingana loatra mihitsy, ka handiso ny fomba


fanononao.
Aza manafaingana sy mampiadana ny fitenenanao amim-pahazarana
fotsiny mba hanovaovana ny hafainganam-piteninao. Tsy hanatsara ny
anjaranao na ny lahateninao izany, fa vao mainka aza hanimba azy. To-
kony hifanaraka amin’izay lazainao sy amin’ny fihetseham-po tianao
hampitaina ary amin’ny zava-kendrenao, ny fiovan’ny hafainganam-pi-
teny. Aza miteny haingana loatra na miadana loatra. Mitenena haingana
kokoa toy ny amin’ny resaka andavanandro, raha tianao ny hampita fie-
ntanam-po. Izany koa no ataovy, rehefa milaza zavatra tsy dia lehibe
loatra, na rehefa mitantara zavatra tsy ilana tsipiriany. Hanjary hisy fo-
mba filazan-kevitra isan-karazany ny anjaranao na ny lahateninao, ka
`
hahafinaritra ny hihaino azy. Etsy an-danin’izany kosa, dia mazana no
mitaky ny hitenenana miadana kokoa ny hevitra mafonja kokoa sy ny
hevi-dehibe ary ny famaranan-kevitra mahery.
Ovaovay ny haavon’ny feonao. Alao sary an-tsaina ny olona iray mi-
tendry zavamaneno mandritra ny adiny iray eo ho eo. Mandritra izany
fotoana rehetra izany izy dia tsy mitendry afa-tsy naoty iray: mafy alo-
ha, moramora avy eo, indraindray haingana, ary miadana avy eo.
`
Miovaova ary ny hamafin’ny fitendriny sy ny hafainganany, saingy tsy
miovaova ny haavon’ilay feo, hany ka tsy dia manintona ilay “mozika.”
Toy izany koa, fa tsy hahafinaritra ny fandrenesana antsika raha tsy misy
fiovaovana ny haavon’ny feontsika.
Tsara homarihina fa tsy voatery hitovy ny vokatra ateraky ny fanova-
na ny feo haranitra kokoa na hidoboka kokoa, amin’ny fiteny rehetra.
Amin’ny fiteny sasany, dia mety hanova ny hevitry ny teny iray ny fa-
novana ny haavon’ny feo ilazana azy. Kanefa, na dia amin’ny fiteny toy
izany aza, dia afaka mampiasa fomba filazan-kevitra isan-karazany koa
ny olona iray. Afaka manatsara ny ambaratongam-peo ananany izy.
Mbola azony atao maranitra kokoa, ohatra, ny feony efa maranitra ary
azony atao midoboka kokoa ny feony efa midoboka.
Amin’ny fiteny hafa, ny fiovan’ny haavon’ny feo dia mety hanampy
fanazavana amin’izay lazaina. Ohatra, azo ampiasaina mba hanamafisa-
na hevitra ny feo atao somary maranitra kokoa sady mafy kokoa. Na azo
atao koa ny milaza haben-javatra na halaviran-dalana, amin’ny fanova-
na ny haavon’ny feo. Ny feo atao miakatra ambony amin’ny faran’ny
fehezanteny iray dia mety hilaza fa fanontaniana ilay izy. Amin’ny
fiteny sasany anefa, dia ny feo atao midina ambany no mety hilaza
izany.
114 Fanovaovam-peo

Mety hampita fientanam-po sy hafanam-po ny feo maranitra kokoa.


Mety hampita alahelo sy tebiteby kosa ny feo midoboka kokoa. Ma-
nampy ny mpandahateny iray hanohina ny fon’ny mpihaino ireo
fihetseham-po ireo. Aza milaza ilay teny fotsiny ianao, rehefa te haneho
azy ireo. Ampiasao ny feonao mba hampisehoana fa tsapanao koa ilay
izy.
`
Fametrahana fototra ho amin’ny fanovaovam-peo. Aiza ary no ano-
mbohana ny fanovaovam-peo? Eo am-pifidiananao ireo fanazavana ho
an’ny anjaranao na ny lahateninao. Raha tsy mifidy afa-tsy fanaporo-
foan-kevitra ianao, na tsy mifidy afa-tsy fampirisihana, dia tsy hiova firy
`
ny fomba itenenanao. Koa fakafakao ary ilay drafitra, ary asio ny zava-
tra rehetra ilainao mba hanaovana famelabelarana velombelona nefa
hahazoana fahalalana.
Aoka hatao hoe tsapanao, eo am-panaovana lahateny, fa mitarazoka ka
manjary manorisory ny famelabelaranao, ary mila manova ny fomba fi-
lazanao hevitra ianao. Inona no hataonao? Ovay ny fomba fisehon’ny
famelabelaranao. Amin’ny fomba ahoana? Aza manohy miteny fotsiny,
fa sokafy ny Baibolinao, ohatra, ka asao ny mpihaino hanokatra ny
azy, ary mamakia andinin-teny iray. Na, avadiho ho fanontaniana ny
` `
fanambarana iray, ka mampiasa fiatoana ho fanamafisana. Milaza fano-
harana tsotra iray. Fomba ampiasain’ny mpandahateny za-draharaha
ireo voalaza ireo. Na efa za-draharaha ianao na tsia, dia afaka mampi-
hatra ireo hevitra ireo koa, rehefa manomana ny anjaranao na ny
lahateninao.
Azo oharina amin’ny zavamanitra mampahatsiro ny sakafo ny fano-
vaovam-peo mamelombelona ny anjara na ny lahateny iray. Raha ilay
karazany tsara no ampiasainao, ka antonony ny habetsahany, dia hivoa-
ka tsara ny fanazavanao, ary hahafinaritra ny hihaino azy.

FANAZARAN-TENA:
1) Vakio ny 1 Samoela 17:17-53, ka mariho ireo toerana azonao anovaovana ny ha-
mafin’ny feonao sy ny hafainganam-piteninao ary ny haavon’ny feonao. Avy eo,
dia vakio amin’ny feo avo ilay izy, amin’ny fampitana tsara, fa tsy tafahoatra, ny
fihetseham-po. Ataovy imbetsaka izany. 2) Mba hianarana hanovaova ny feonao,
dia vakio amin’ny feo avo, haingana araka izay vitanao, nefa tsy miakanakana, ny
andininy faha-48-51. Averimbereno vakina izy ireo, amin’ny fitenenana haingana
kokoa hatrany, nefa tsy mandiso ny fanononanao. Vakio miadana araka izay vi-
tanao izy ireo avy eo, ka ataovy faran’izay miadana mihitsy. Avy eo, dia vakio
haingana kokoa, dia miadana kokoa, ary toy izany hatrany, mandra-pahain’ny
feonao hanao araka izay tianao.
HAFANAM-PO 10

Inona no ilainao hatao?


Manao lahateny velombelona sy mahaliana, ka mampiseho
amin’izany fa mino tanteraka izay lazainao ianao.

VELOMBELONA tsara ny anjara na ny lahateny atao amin-kafanam-po.


Tena ilaina ny filazana zavatra ahitana fianarana, fa ny lahateny manai-
taitra, atao amin-kafanam-po, no hihazona ny sain’ny mpihaino. Na ino-
na na inona kolontsaina nanabeazana anao, na toetranao, dia afaka mia-
natra haneho hafanam-po ianao.
Asio fihetseham-po ny fiteninao. Nilaza i Jesosy, fony izy niteny ta-
min’ny vehivavy iray tany Samaria, fa ireo mivavaka amin’i
Jehovah dia tsy maintsy manao izany “amin’ny fanahy sy
ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Tsy maintsy atosiky ny fo NAHOANA IZANY
velom-pankasitrahana, ary manaraka ny fahamarinana ao NO TENA ILAINA?
amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, eo amin’ny fivavaha- Raha mafana fo ianao, dia ho
ny. Rehefa feno fankasitrahana toy izany ny olona iray, dia ho liana foana ny mpanatrika eo
am-pihainoana anao; mety
hita taratra eo amin’ny fomba fiteniny izany. Ho may hiresa-
hanosika azy ireo hanao za-
ka amin’ny hafa momba ireo fandaharana nataon’i Jehovah vatra koa ny hafanam-ponao.
tamim-pitiavana izy. Ho hita taratra eo amin’ny endriny sy ny Raha mafana fo momba izay
fihetsehany ary ny feony izay tena fihetseham-pony. lazainao ianao, dia ho toy iza-
` ny koa ny mpihaino anao.
Koa nahoana ary ny mpandahateny iray tia an’i Jehovah sy
mino ilay zavatra resahiny no mety tsy hiteny amin-kafanam-
po? Tsy ampy ny anomanany fotsiny ireo teny holazainy. Tsy maintsy mi-
fantoka tanteraka amin’ny lahateniny ny sainy sy ny fony. Aoka hatao
hoe asaina miresaka momba ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izy. Re-
hefa manao ny famelabelarany izy, dia tsy ireo hevitra fotsiny no tsy mai-
ntsy mameno ny sainy, fa ny fankasitrahany noho ny soa hoentin’ny
soron’i Jesosy ho azy sy ny mpihaino azy koa. Mila mitadidy ny fankasi-
trahany an’i Jehovah sy i Jesosy, noho io fandaharana mahatalanjona io,
izy. Mila mieritreritra an’ilay fiainana mahatalanjona hoentin’izy io ho
an’ny olombelona izy: fahasambarana mandrakizay sy fahasalamana to-
`
nga lafatra eto an-tany tonga paradisa indray! Tsy ny sainy ihany ary no
voakasika, fa ny fony koa.
`
Milaza ny Baiboly fa i Ezra, mpanora-dalana sady mpampianatra teo
`
amin’ny Isiraely, dia “nampiomana ny fony hitady ny lalan’i Jehovah ka
`
hankato izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10)
Raha manao toy izany isika ka manomana ny fontsika koa, fa tsy ilay
115
116 Hafanam-po

fanazavana fotsiny, dia hiteny avy amin’ny fontsika. Hanampy be dia be


ny mpihaino ho tena tia ny fahamarinana isika, raha miteny avy amin’
ny fo toy izany.
Eritrereto ireo izay hihaino anao. Ny fatokisana fa mila mandre izay
holazainao ny mpihaino anao no zavatra hafa hanampy anao haneho ha-
fanam-po. Tsy tokony hanangona fanazavana mendri-kolazaina fotsiny
`
ary ianao, rehefa manomana ny famelabelaranao. Tokony hi-
vavaka amin’i Jehovah koa ianao mba hahaizanao hampiasa
NY FOMBA
HIANARANA AZY izany fanazavana izany mba hahasoa an’ireo izay hiresaha-
nao. (Sal. 32:8; Matio 7:7, 8) Fakafakao hoe nahoana izy ireo
Tsy ny hevitra holazainao
ihany no omano, fa ny fonao no mila mandre ilay fanazavana, sy hoe inona no soa ho azo-
koa; amin’izay, dia hiseho ny ny avy aminy, ary hoe ahoana no hamelabelaranao azy mba
fihetseham-ponao. hahitany ny antony ilany azy.
Eritrereto tsara ny Eo am-panaovanao fanomanana, dia mitadiava fomba ha-
soa horaisin’ny mpihaino mpiharanao na hanazavanao ilay foto-kevitra amin’ny fomba
avy amin’ireo hevitra mahaliana. Tsy voatery ho hevitra vaovao ilay izy, fa ny fo-
hohazavainao. mba hitondranao ilay fanazavana azy kosa no azonao havao-
Fantaro ireo tapany mitaky zina. Ireto avy ny hevitra tena hanampy anao hanao anjara na
hafanam-po indrindra. lahateny amin-kafanam-po: ireo hanampy ny mpihaino ha-
Ataovy velombelona namafy ny fifandraisany amin’i Jehovah, hankasitraka ireo fa-
tanteraka ny fiteninao. ndaharana nataony, hahay hizaka ny faneren’ny fiainana eto
Asehoy eo amin’ny endrikao amin’ity tontolo tranainy ity, na hahita vokatra eo amin’ny
ny fihetseham-ponao.
Mitenena amin-kery sy fanompoany.
havitrihana. Ahoana raha asaina mamaky teny ampahibemaso ianao?
Mba hanaovana izany amin-kafanam-po, dia tsy ampy ny ma-
hay milaza ireo teny amin’ny fomba mety sy mamaky miara-
ka ireo teny tokony hiaraka. Fakafakao ilay lahatsoratra. Manaova fikaro-
hana momba azy io, raha tapany iray ao amin’ny Baiboly no hovakinao.
Ataovy azo tsara ny hevitra fototra ao anatiny. Hevero ny soa horaisinao
sy ny mpihaino anao avy aminy, ary vakio ilay izy amin’ny faniriana ny
hampita izany amin’ireo mihaino anao.
Ary inona no tokony hataonao, rehefa manomana ny fanompoanao ia-
nao? Jereo indray ny foto-kevitra horesahinao sy ireo andinin-teny kasai-
nao hampiasaina. Eritrereto koa izay ao an-tsain’ny olona. Inona no no-
resahina tao amin’ny vaovao? Inona avy ireo zava-manahirana hitan’ny
`
olona? Manomana fanazavana hampiaiky azy ireo fa manana ny vahao-
lana ho an’ireo zava-manahirana azy ny Tenin’Andriamanitra. Ho may ia-
nao hampiseho izany aminy, ka hanaraka ho azy ny hafanam-po.
Manehoa hafanam-po ka ataovy velombelona ny famelabelaranao.
Tena haneho ny hafanam-ponao ny anjara na ny lahateny velombelona.
Hafanam-po 117

Tokony hiharihary eo amin’ny endrikao izany. Tsy maintsy asehonao


amin’ny feonao fa miaiky izay lazainao ianao, nefa koa tsy mandidindidy.
Ilaina ny fahaiza-mandanjalanja. Misy olona mientanentana amin’izay
zavatra rehetra lazainy. Ilaina hampiana izy ireny hahatakatra fa rehefa
manjary be haingony loatra ny fiteniny, na mihetsi-po be loatra izy, dia
izy no hifantohan’ny sain’ny mpihaino fa tsy ilay hafatra lazainy. Etsy an-
danin’izany kosa, dia ilaina hampirisihina haneho fihetseham-po kokoa
ny olona saro-kenatra.
Mifindra ny hafanam-po. Raha misy fifandraisana tsara eo aminao sy
ny mpihaino anao, ka maneho hafanam-po ianao, dia hifindra aminy iza-
ny hafanam-po izany. Nafana fo i Apolosy rehefa niteny, ary voalaza ho
lehilahy nahay nandaha-teny izy. Raha arehitry ny fanahin’Andriamani-
tra toy izany ianao, dia ho velombelona tsara ny famelabelaranao,
ka hanosika ny mpihaino anao hanao zavatra.—Asa. 18:24, 25; Rom.
12:11.
Hafanam-po mifanentana amin’izay lazaina. Mitandrema sao ho ta-
fahoatra sy haharitra mandritra ilay anjara na lahateny manontolo ny
hafanam-ponao, ka hamizana ny mpihaino anao. Tsy hisy vokany ny fa-
ndrisihanao azy ireo hampihatra ilay zavatra resahinao. Manamafy ny ila-
na hanomanana hevitra isan-karazany izay mitaky fomba fitenenana
samihafa izany. Aza manaraka fomba fiteny tsy maneho fitandremana.
Tena hahaliana anao ny hevitra arosonao, raha hainao tsara ny mifidy azy.
Misy anefa hevitra tokony hampitaina amin-kafanam-po kokoa noho ny
hafa, ary ireny no tokony haharoharonao amim-pahakingana ao amin’ny
anjaranao na lahateninao.
Ireo hevi-dehibe indrindra indrindra no tokony hovelabelarina amin-
kafanam-po. Tsy maintsy misy hevitra misongadina iezahanao hotratra-
`
rina, ao amin’ny famelabelaranao. Ireo mazana no tokony hanosika ny
mpihaino hanao zavatra. Rehefa avy nampiaiky azy tokoa ianao, dia mila
mandrisika azy, sy mampiseho aminy ny soa azo avy amin’ny fampiha-
rana izay vao avy noresahina. Ny hafanam-ponao no hanampy anao
hanohina ny fon’ny mpihaino. Tsy tokony hatao an-tery na oviana na
oviana ny fitenenana velombelona. Tokony hisy antony hanaovana azy
io, ary ilay fanazavana resahinao no hanome anao izany antony izany.

FANAZARAN-TENA:
Diniho ny Josoa toko voalohany sy faha-2, ka farito hoe aiza sy ahoana no azo
anehoana hafanam-po rehefa mamaky azy ireo. Averimbereno vakina amin’ny
feo avo sy amin-kafanam-po mety tsara izy ireo.
11 HATSARAM-PANAHY SY FIHETSEHAM-PO

Inona no ilainao hatao?


Maneho ny fihetseham-po tsapanao sy mifanentana amin’izay
lazainao, rehefa miteny.

TAPANY fototra amin’ny fiainan’olombelona ny fihetseham-po. Rehe-


fa maneho ny fihetseham-pony ny olona iray, dia mampiharihary izay
ao am-pony, ny hoe karazan’olona manao ahoana izy, ny hoe inona no
tsapany momba ny olona sy ny zava-mitranga. Olona maro no manafi-
na ny fihetseham-pony noho izy ireo niaritra ny mafy teo amin’ny fiai-
nany, ary indraindray koa noho ny kolontsaina nanabeaza-
na azy. Ampirisihin’i Jehovah anefa isika hamboly toetra
NAHOANA IZANY `
tsara ao anatintsika, ary haneho izany tsara ety ivelany avy
NO TENA ILAINA?
eo.—Rom. 12:10; 1 Tes. 2:7, 8.
Tena ilaina izany, raha tia-
na ny hanohina ny fon’ny Rehefa miteny isika, dia mety hampiharihary tsara ny fi-
olona. hetseham-pontsika ireo teny ampiasaintsika. Mety tsy hino
ny fahatsoram-pontsika anefa ireo mahare antsika raha tsy
mifanaraka ny teny ampiasaintsika sy ny fihetseham-po ase-
hontsika. Etsy an-danin’izany kosa, raha mifanaraka tsara ny tenintsi-
ka sy ny fihetseham-pontsika, dia hahafinaritra sady hisy heviny feno,
ka mety hanohina ny fon’ireo mihaino antsika, ny fitenintsika.
Fanehoana hatsaram-panahy. Matetika izany no ampifandraisina
amin’ny zavatra eritreretina momba ny hafa. Ohatra, rehefa miteny
momba ireo toetran’i Jehovah mahate ho tia isika, sy maneho ny fanka-
sitrahantsika noho ny hatsaram-pony, dia tokony haneho hatsaram-pa-
nahy ny feontsika. (Isaia 63:7-9) Ary tokony haneho hatsaram-panahy
koa ny fomba fitenintsika rehefa miteny amin’ireo mpiara-belona ami-
ntsika isika.
Nanatona an’i Jesosy ny boka iray ary nitalaho taminy mba hanasi-
trana azy. Alao sary an-tsaina ny toetran’ny feon’i Jesosy nilaza hoe:
“Mety Aho; madiova hianao.” (Marka 1:40, 41) Eritrereto koa ny amin’
ny vehivavy iray nandeha ra efa hatramin’ny 12 taona ary nanatona
moramora an’i Jesosy avy tao ivohony, ka nikasika ny sisin-dambany.
Rehefa hitan’ilay vehivavy fa tsy afa-niafina intsony izy, dia nangovitra
teo anatrehan’i Jesosy izy, ka niantoraka teo an-tongony. Nambarany
teo anoloan’ny olona rehetra ny antony nikasihany ny akanjon’i Jeso-
sy sy ny nahasitrana azy. Eritrereto ilay fomba nilazan’i Jesosy izao teny
118
Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po 119

izao taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa


aman-tsara.” (Lioka 8:42-48) Mbola manohina ny fontsika mandraka
ankehitriny ihany ny hatsaram-panahin’i Jesosy tamin’ireo fotoana
ireo.
Rehefa miantra olona, sahala amin’i Jesosy, isika, ka tena maniry ma-
rina ny hanampy azy ireo, dia hiseho eo amin’ny fomba iresahantsika
aminy izany. Atosiky ny fo ny fanehoana hatsaram-panahy toy izany,
fa tsy lasa tafahoatra. Miankina be dia be amin’ny fanehoantsika hatsa-
ram-panahy ny fihetsiky ny olona. Azo lazaina tsara amin-
katsaram-panahy ny ankamaroan’ny zavatra lazaintsika eny
am-pitoriana, indrindra fa rehefa manjohy hevitra isika, NY FOMBA
mampahery, mampirisika ary mangoraka olona. HANEHOANA AZY
Asehoy eo amin’ny endrikao ny hatsaram-panahy raha fi- Aza ireo teny hampiasainao
hetseham-po tsapanao ao anatinao izany. Rehefa maneho no ifantohana, fa ny faniria-
azy io ianao, dia ho voasintona ho aminao ny mpihaino nao hanampy ireo mihaino
anao.
anao, toy ny hoe voasinton’ny afo amin’ny alina mamana-
la. Mety tsy hino kosa ny mpihaino hoe tena miahy azy Ny feonao sy ny endrikao dia
samy tokony hanome taratr’
amim-pahatsoram-po ianao, raha tsy hita eo amin’ny endri- izay fihetseham-po mifanenta-
kao ny hatsaram-panahy. Tsy zavatra azo isalorana toy ny sa- na amin’ny zavatra lazainao.
ron-tava ny hatsaram-panahy, tsy maintsy avy amin’ny fo Mianara avy amin’ny fandini-
izy io. hana tsara ny hafa izay mahay
Tokony hasehon’ny feontsika koa ny hatsaram-panahy. maneho fihetseham-po rehefa
Raha ratsy feo na gara feo isika, dia mety ho sarotra amintsi- miteny.
ka ny haneho hatsaram-panahy, rehefa miteny. Rehefa ma-
ndeha anefa ny fotoana, ka miezaka mafy ianao, dia ho afa-
ka hanao izany. Mety hanampy anao ny fitadidiana fa toa henjana sy
masiaka ny fandrenesana ny fitenenana fohy sy mitsatotsatoka. Ataovy
somary mitarika ireo feo malefaka kokoa ao anatin’ireo teny. Hanampy
anao haneho hatsaram-panahy eo amin’ny fitenenanao izany.
Zava-dehibe kokoa noho izany aza anefa ny hevitra ifantohan’ny sai-
nao. Raha mifantoka amim-pahatsorana amin’ireo iresahanao ianao,
ka maniry marina ny hampita hevitra hahasoa azy ireo, dia ho hita ta-
ratra eo amin’ny fomba fiteninao izany.
Mandrisika ny mpihaino ny fanaovana anjara na lahateny velombe-
lona. Ilaina koa anefa ny fanehoana fitiavana. Matetika no tsy ampy ny
mampiaiky ny sain’ny hafa; tsy maintsy manohina ny fony koa isika.
Fanehoana fihetseham-po hafa. Fihetseham-po asehon’ny olona
ory iray ny tebiteby sy ny tahotra ary ny fahakiviana. Fihetseham-po to-
kony hibahana eo amin’ny fiainantsika ny fifaliana ary miseho ho azy
120 Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po

izy io, rehefa miresaka amin’ny hafa isika. Etsy an-danin’izany anefa,
dia misy fihetseham-po sasany ilaina hofehezina, satria tsy mety amin’
ny toetra kristianina. (Efes. 4:31, 32; Fil. 4:4) Ny karazana fihetseham-
po rehetra dia hampitain’ny teny fidintsika, ny feontsika, ny hamafin’
ny fitenenantsika, ny endritsika ary ny fihetsitsika.
Miresaka momba ny fihetseham-po rehetra eo amin’ny olombelona
ny Baiboly. Tononiny fotsiny izy ireny indraindray. Mitantara fise-
hoan-javatra na milaza tenin’olona mampiharihary fihetseham-pon’
olona izy any amin’ny toerana hafa. Rehefa mamaky zavatra toy izany
amin’ny feo avo ianao, ka maneho ireny fihetseham-po ireny ny feo-
nao, dia hisy vokany kokoa eo aminao sy ny mpihaino anao izany. Mila
mipetraka eo amin’ny toeran’ilay resahina ao amin’ilay zavatra vaki-
nao ianao, mba hanaovana izany. Tsy fanaovana teatra anefa ny anja-
ra na ny lahateny iray, ka mitandrema sao lasa tafahoatra ny fihetse-
ham-po asehonao. Ataovy mazava tsara ao an-tsain’ny mpihaino ny
hevitra vakinao.
Mifanentana amin’izay lazaina. Toy ny amin’ny hafanam-po, dia
miankina be dia be amin’izay lazainao ny hatsaram-panahy sy ny fihe-
tseham-po hafa asehonao eo amin’ny fitenenanao.
Sokafy ny Matio 11:28-30, ary mariho izay voalaza ao. Vakio avy eo
`
ilay fanamelohan’i Jesosy ny mpanora-dalana sy ny Fariseo ao amin’
ny Matio toko faha-23. Tsy azontsika heverina hoe feo natoritory sy tsy
nisy fahavitrihana no nilazany an’ireo teny fanamelohana mafy ireo.
Karazana fihetseham-po inona no heverinao fa ilaina haseho, rehe-
fa mamaky fitantarana toy ny ao amin’ny Genesisy toko faha-44, mo-
mba ny fitalahoan’i Joda ho an’i Benjamina, zandriny lahy? Mariho
ilay fihetseham-po voalaza eo amin’ny andininy faha-13, sy ilay fihe-
tseham-po tsapan’i Joda hita eo amin’ny andininy faha-16, momba ny
antony nahatonga an’io loza io, ary ny fihetsik’i Josefa, voalaza ao
amin’ny Genesisy 45:1.
Araka izany, na mamaky teny isika na miteny, mba hanaovantsika
izany tsara, dia tsy ireo teny sy hevitra ihany no tsy maintsy heverintsi-
ka, fa ilay fihetseham-po tokony hiaraka amin’izy ireo koa.

FANAZARAN-TENA:
Vakio amin’ny feo avo ireto andalan-teny ao amin’ny Soratra Masina ireto, ka
manehoa fihetseham-po mifanentana amin’ilay zavatra vakinao: Matio 20:29-
34; Lioka 15:11-32.
FIHETSEHANA SY IZAY ASEHON’NY ENDRIKA 12

Inona no ilainao hatao?


Manetsika ny tanana, ny soroka, na ny vatana manontolo,
mba hanehoana hevitra, fihetseham-po na toe-tsaina.
Mampiasa ny maso sy ny vava ary ny loha, mba hanamafisana
ny teny lazaina sy hanehoana fihetseham-po.

NY MPONINA amin’ny firenena sasany dia manao fihetsehana kokoa


noho ny hafa. Na izany aza, dia saika ny rehetra no milaza hevitra amin’
ny endriny na ny fihetsehana ataony, rehefa miteny. Marina izany, na
rehefa miresaka isika na rehefa mandaha-teny ampahibemaso.
Nandeha ho azy ny fanaovana fihetsehana, teo amin’i Jesosy sy ny
mpianany. Indray mandeha, dia nisy nilaza tamin’i Jesosy
fa te hiresaka taminy ny reniny sy ny rahalahiny. Hoy ny na-
valin’i Jesosy: “Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?” NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA?
Avy eo, dia hoy ny teny nanampin’ny Baiboly: “Naninjitra
` Manamafy ny teninao ny fihe-
ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo tsehana sy izay asehon’ny
ny reniko sy ny rahalahiko!” (Matio 12:48, 49) Misy ohatra endrikao. Mety hanaitaitra ny
hafa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:17 sy 13:16, mampise- fihetseham-ponao izy ireo, ka
hahatonga ny feonao ho
ho fa tsy nisalasala nampiasa fihetsehana koa ny apostoly velombelona.
Petera sy Paoly.
Tsy ny feo ihany no ilazana hevitra sy fihetseham-po, fa
ny fihetsehana sy ny endrika koa. Mety ho toa hilaza fa tsy mirahara-
ha ny hafa ny olona iray, raha tsy mampiasa tsara an’ireo izy. Vao mai-
nka anefa hisy vokany tsara ny fitenenana rehefa hay tsara ny ma-
mpiasa ireo fomba filazan-kevitra rehetra ireo. Na dia rehefa miteny
amin’ny telefaonina aza ianao, raha mety ny fihetsehana ataonao sy
izay asehon’ny endrikao, dia ho re mora foana amin’ny feonao fa tena
lehibe ilay zavatra lazainao sy ny fihetseham-ponao momba azy.
Noho izany, na mandaha-teny tsy an-kijery soratra ianao na mama-
ky teny, na mijery anao ny mpihaino na mijery ny Baiboliny, dia
tena zava-dehibe ny fihetsehana ataonao sy izay asehon’ny endri-
kao.
Tsy tokony hamboamboarina toy ny hoe nianarana avy tao anaty
boky ny fihetsehana ataonao sy izay asehon’ny endrikao. Tsy nianatra
ny hihomehy na ho tezitra ianao. Tokony haneho ireo fihetseham-po
121
122 Fihetsehana sy Izay Asehon’ny Endrika

tsapanao ao anatinao koa ny fihetsehana ataonao. Vao mainka tsara ny


fihetsehana, rehefa mandeha ho azy.
Misy karazany roa lehibe ny fihetsehana: ny fihetsehana ho fanaza-
vana sy ny fihetsehana ho fanamafisana. Mampiseho fanaovan-javatra
na haben-javatra na toerana, ny fihetsehana ho fanazavana. Ao amin’
ny sekoly, rehefa ny fihetsehana no takina aminao, dia aza mianina
amin’ny fanaovana izany indray mandeha na indroa monja. Manaova
fihetsehana toy ny amin’ny resaka andavanandro, mandritra ny anjara-
nao manontolo. Raha sarotra aminao izany, dia mariho ireo
teny mampiseho lalana aleha, halaviran-dalana, haben-ja-
HEVITRA ILAINA
HOTADIDINA vatra, toerana, na fampitahana toerana. Amin’ny ankabea-
Ny fihetsehana sy izay asehon’ zan’ny fotoana anefa, ny hany ilainao dia ny ho revo tante-
ny endrika mandeha ho azy, raka amin’ny anjaranao. Aza manahy loatra ny amin’izay ho
avy amin’ny fo, no mandaitra fiheveran’ny mpihaino anao, fa mitenena sy manaova zava-
indrindra. Diniho izay ataon’
ny hafa, nefa aza mitady hana- tra toy ny fanaonao andavanandro. Mandeha ho azy ny fa-
haka izay rehetra ataony. naovan’ny olona iray fihetsehana rehefa tony izy.
Fakafakao ireo hevitra ao amin’ Maneho fihetseham-po sy fatokisan-tena ny fihetsehana
ny anjara hataonao, mandra- ho fanamafisana. Manasongadina sy manome aina ary ma-
pahainao azy ireo tsara. Ataovy
toy ny tsapanao sy hitanao izy namafy ny hevitra lazaina izy ireny. Zava-dehibe ny fihetse-
ireo, ary ampiasao ny feonao hana ho fanamafisana. Mitandrema anefa, satria afaka mi-
sy ny tananao ary ny endrikao vadika mora foana ho fahazaran-dratsy ny fihetsehana ho
mba hanehoana azy ireo.
fanamafisana! Raha fihetsehana mitovy foana no averimbe-
rinao, dia mety hisarika ny sain’ny mpihaino ho amin’ilay
fihetsehana izany, fa tsy hanatsara ilay anjaranao. Fihetsehana ho fana-
zavana ihany aloha atao, raha milaza ny mpiandraikitra ny sekoly fa
manao izany ianao. Miezaha indray hanao fihetsehana ho fanamafisa-
na, rehefa afaka kelikely.
Hevero ny fihetseham-pon’ireo itenenanao mba hamantarana ny ha-
betsahan’ny fihetsehana ho fanamafisana hataonao sy ilay karazana fi-
hetsehana mety. Mety ho tsy tian’ny mpanatrika, ohatra, rehefa to-
ndroina amin’ny tanana izy. Any amin’ny firenena sasany, dia misy
fihetsehana raisina amin’ny fomba diso. Raha lehilahy, ohatra, no ma-
nampina ny vavany amin’ny tanany, rehefa gaga, dia hoheverin’ny
olona ho vavivavy. Any amin’ny tany hafa indray, dia heverina ho tsy
maotina ny vehivavy tsy misalasala manao fihetsehana amin’ny tana-
`
na. Any amin’ny tany toy izany ary, dia mila mampiasa ny endriny, fa
tsy ny tanany, ireo anabavy, mba hanamafisana ny heviny. Saika any
amin’ny tany rehetra moa no mety hahatsikaiky ny fanaovana fihetse-
hana tafahoatra eo anoloan’ny olona vitsivitsy monja.
Fihetsehana sy Izay Asehon’ny Endrika 123

Arakaraka ny anaovanao anjara na lahateny, dia tsy hatahotahotra


intsony ianao rehefa miteny, ka hanao fihetsehana ho fanamafisana,
mba hanehoana ny fihetseham-ponao. Hampiseho ny fatokisan-tena-
nao sy ny fahatsoram-ponao izany. Hanjary hisy heviny kokoa ny teni-
nao.
Izay asehon’ny endrikao. Ny endrikao, fa tsy ny tapany hafa amin’ny
vatanao, matetika no mampiseho ny tena fihetseham-ponao. Samy ma-
ndray anjara amin’izany daholo ny masonao, ny paozin’ny vavanao, ny
fitongilan’ny lohanao. Na dia tsy miloa-bava aza ianao, ny endrikao dia
afaka mampita tsy firaikana, rikoriko, fahaverezan-kevitra, fahagagana,
na fahafinaretana. Hisy heriny ny lahateny, rehefa mifanaraka amin’
izay lazaina ny asehon’ny endrika, satria misy fanamafisana hitan’ny
maso sy maneho fihetseham-po. Nasian’ny Mpamorona hozatra be dia
be ao amin’ny endrikao, maherin’ny 30 amin’ny fitambarany. Efa ho
ny antsasak’izany no miasa, rehefa mitsiky ianao.
Na eny ambonin’ny lampihazo ianao, na eny amin’ny fanompoana,
dia milaza hafatra mahafinaritra ny olona sy hampifaly ny fony. Hana-
mafy izany ny fitsikiana amin-katsaram-panahy. Etsy an-danin’izany
kosa, raha tsy maneho na inona na inona ny endrikao, dia mety hisa-
lasala ny amin’ny fahatsoram-ponao ny hafa.
Mihoatra noho izany aza, fa ny fitsikianao dia hilaza amin’ny hafa fa
tsara fikasa ianao. Zava-dehibe indrindra izany amin’izao andro ataho-
ran’ny rehetra ny olona tsy fantany izao. Afaka manampy ny hafa tsy
hatahotahotra sy hihaino izay lazainao ny tsikinao.

FANAZARAN-TENA:
1) Vakio ny Genesisy 6:13-22. Lazao amin’ny fomba fiteninao ny nano-
renana ny sambofiara sy ny nanangonana ireo biby. Aza mifantoka amin’ny
`
tsipiriany; lazao fotsiny izay tadidinao. Mampiasa fihetsehana ho fanazavana,
eo am-panaovana izany. Mangataha olona hijery anao sy hanome ny heviny.
2) Miresaha amin’ny namana iray, toy ny hoe mitory momba ny Fanjakan’
Andriamanitra sy ireo fitahiana hoentiny ianao. Asehoy eo amin’ny endrikao
izay tena tsapanao momba izay resahinao.
13 FIJERENA NY MPIHAINO EO AMIN’NY MASONY

Inona no ilainao hatao?


Mijery an’ireo iresahanao, ka mamela ny masonareo hifanojo
vetivety, raha mety eo amin’ny misy anareo izany; mahita ny
isam-batan’olona, fa tsy fitambaran’olona fotsiny.

MANAMBARA ny toe-tsaintsika sy ny fihetseham-pontsika ny maso-


ntsika. Mety hilaza fahagagana na tahotra izy ireo, na haneho fango-
raham-po na fitiavana. Mety hitory fisalasalana na alahelo izy ireo
indraindray. Hoy ny lehilahy zokiolona iray momba ny mpiray tani-
ndrazana aminy, izay nijaly mafy: “Ny masonay no miteny.”
Mety hitsara antsika sy izay lazaintsika, avy amin’izay je-
NAHOANA IZANY ren’ny masontsika, ny hafa. Any amin’ny firenena maro,
NO TENA ILAINA? dia matoky an’ireo mijery azy eo amin’ny masony amin-ka-
Any amin’ny firenena maro, tsaram-panahy ny olona. Mifanohitra amin’izany kosa fa
rehefa miresaka amin’ny mety tsy hatokisany ny fahatsoram-po na ny fahaizan’ny
olona ianao, ka mijery azy
olona iray mijery ny tongony na zavatra hafa, fa tsy ilay olo-
eo amin’ny masony, dia
mampiseho fa tena miahy na iresahany. Any amin’ny firenena hafa kosa, dia heverin’
azy marina. Hita avy ny olona ho tsy mahalala fomba ianao, mila ady na miha-
amin’izany koa fa matoky ntsy, raha mijery azy maharitra eo amin’ny masony, rehefa
izay lazainao ianao.
miresaka aminy. Marina indrindra izany, rehefa lehilahy sy
vehivavy no mifampiresaka, na rehefa manam-pahefana no
iresahana. Ary any amin’ny tany sasany, dia heverina ho tsy mahay ma-
naja ny tanora mijery olon-dehibe mivantana eo amin’ny masony, re-
hefa miresaka aminy.
Rehefa tsy manafintohina olona anefa ny fijerena azy eo amin’ny
masony, dia ataovy izany, satria manamafy ny zava-dehibe lazainao.
Mety ho hita amin’izany fa matoky izay lazainao ianao. Mariho ny fo-
mba namalian’i Jesosy, rehefa naneho fahagagana be ny mpianany ka
nilaza hoe: “Iza indray no azo hovonjena?” Hoy ny Baiboly: “Ary Jesosy,
nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andri-
amanitra ny zavatra rehetra.” (Matio 19:25, 26) Asehon’ny Soratra Ma-
sina koa fa nandinika akaiky ny fihetsik’ireo nihaino azy ny apostoly
Paoly. Nandahateny izy indray mandeha, ary nisy lehilahy iray nalemy
hatramin’ny nahaterahany nanatrika teo. Hoy ny Asan’ny Apostoly 14:
9, 10: “Izy nahare an’i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy
124
Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony 125

mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin’ny


feo mahery hoe: Mijoroa amin’ny tongotrao.”
Torohevitra ho an’ny fanompoana. Aoka ianao ho sariaka sy tsara
fanahy rehefa manatona olona eny am-pitoriana. Mametraha fanonta-
niana mampisaintsaina, raha mety, mba hanombohan-dresaka mo-
mba ny zavatra iray mety hahaliana anareo. Eo am-panaovana izany,
dia miezaha hijery an’ilay olona eo amin’ny masony, na fara faharatsi-
ny, hijery ny endriny amim-panajana sy amin-katsaram-panahy. Tena
mahafinaritra ny hafa ny olona mitsiky amin-katsaram-panahy sy ma-
neho eo amin’ny masony ny fifaliana tsapany ao anatiny. Mety hila-
za amin’ny hafa izany hoe olona manao ahoana ianao,
no sady hanampy azy ho tony kokoa mandritra ilay re-
HEVITRA TOKONY
saka. HOTADIDINA
Raha tsy manafintohina ny fijerena olona eo amin’ny Aoka ianao ho tsotra sy
masony any amin’ny misy anao, dia ataovy izany, satria ny sariaka ary tena hiahy marina
fijeriny dia mety hanoro anao izay tokony ho fihetsikao. an’izay iresahanao.
Mety ho hitanao eo amin’ny masony raha tezitra izy, oha- Rehefa mamaky teny, dia
`
tra, na tena tsy liana mihitsy. Mety ho hitanao koa raha tsy hazony eo an-tananao ilay
`
azony ny tianao holazaina. Ho hitanao koa raha manombo- zavatra vakinao ary mitraka
foana, mba tsy hanetsehana
ka tsy manana faharetana izy. Hiharihary koa raha tena lia-
ny lohanao manontolo,
na izy. Izay ambaran’ny mason’ilay olona dia mety hampa- rehefa hijery ny mpihaino.
hafantatra anao raha mila miteny miadana kokoa ianao,
mampiteny azy kokoa, mamarana ilay resaka, na angamba
manohy ny teninao kosa mba hampisehoana ny fomba fianarana ny
Baiboly.
Miezaha hijery an’ilay olona eo amin’ny masony amim-panajana
foana na eny am-pitoriana ianao, na mampianatra Baiboly any an-tra-
non’olona. Aza mibanjina azy maharitra anefa, ka hahasanganehana
azy. (2 Mpanj. 8:11) Jereo matetika anefa ny endrik’ilay olona, amin’ny
fomba tsotra sy amin-katsaram-panahy. Mitory fiahiana amim-paha-
tsorana izany, any amin’ny tany maro. Mazava ho azy fa rehefa mama-
ky ny Baiboly na boky hafa ianao, dia hibanjina ilay pejy vakinao ny
masonao. Mety ho tianao anefa ny hijery mivantana an’ilay olona, na
dia vetivety monja aza, mba hanamafisana hevitra iray. Ho afaka hahi-
ta ny fihetsiny koa ianao, raha mampitraka ny lohanao tsindrai-
ndray.
Aza kivy, raha saro-kenatra ianao ka sarotra aminao ny mijery ny olo-
na eo amin’ny masony amin’ny voalohany. Handeha ho azy izany
126 Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony

amin’ny farany, rehefa mihazatra ianao. Mety hanatsara ny fahaizanao


miresaka amin’ny hafa koa izany.
Rehefa manao lahateny. Milaza amintsika ny Baiboly fa “nanopy
ny masony tamin’ny mpianany” i Jesosy, talohan’ny nanombohany
ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. (Lioka 6:20) Tahafo ny ohatra
nomeny. Raha hiteny eo anoloan’olona maro ianao, dia atreho izy ireo,
ary miatoa mandritra ny segondra vitsivitsy aloha vao miteny. Any
amin’ny tany maro, dia mety harahin’ny fijerena ny mpanatrika sasa-
ny eo amin’ny masony izany fotoam-piatoana kely izany, ary mety ha-
nampy anao tsy hatahotahotra. Hanampy ny mpanatrika hahita izay
fihetsika sy fihetseham-po ahariharin’ny endrikao koa izany. Ary fara-
ny, hanampy ny mpanatrika hitombina tsara ka ho vonona hanongi-
lan-tsofina ny fanaovana izany.
Jereo ny mpanatrika mandritra ny lahateninao. Aza mijery azy ireo
amin’ny fitambarany fotsiny, fa miezaha hijery ny isam-batan’olona.
Saika any amin’ny firenena rehetra, dia antenaina amin’ny mpanda-
hateny ny hijereny ny mpihaino azy eo amin’ny masony.
Tsy fanopaza-maso tsindraindray etsy sy eroa fotsiny akory no atao
hoe mijery ny mpihaino anao. Mijere olona iray eo amin’ny masony
`
amim-panajana, ary milaza fehezanteny feno iray aminy, raha mety.
`
Olona hafa indray jerena avy eo, ary milaza fehezanteny iray na roa
amin’io olona io koa. Aza mijery olona ela loatra anefa, ka hahasanga-
nehana azy, ary aza mifantoka amin’ny olona sasantsasany fotsiny. Ma-
naova toy izany amin’ny mpanatrika rehetra. Rehefa miteny amin’ny
olona iray anefa ianao, dia tena miresaha aminy mihitsy ary mariho
ny fihetsiny, alohan’ny hifindranao amin’ny olon-kafa.
Tokony ho eo ambonin’ny polipitra ny taratasinao, na eo an-tana-
nao, na ao anaty Baibolinao, mba hahafahanao hanopy maso kely fo-
tsiny rehefa hijery azy ireo. Ho very ny fifandraisanao amin’ny mpi-
haino, raha mila manetsika ny lohanao manontolo ianao mba hijerena
ny taratasinao. Tokony hofantarinao hoe impiry sy hoe rahoviana ia-
nao no hijery ny taratasinao. Aza mijery azy ireo, rehefa tonga eo amin’
ny hevitra misongadina iray amin’ilay lahateny, satria tsy hahita ny fi-
hetsiky ny mpihaino ianao amin’izay, no sady tsy dia hanan-kery firy
intsony ny fiteninao. Toy izany koa, fa ho very ny fifandraisanao amin’
ny mpihaino, raha mijery foana ny taratasinao ianao.
Rehefa manipy baolina amin’ny olona iray ianao, dia mijery raha
voatantiny ilay izy. Toy ny “fanipazana baolina” amin’ny mpihaino ny
Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony 127

hevitra tsirairay ao amin’ny lahateninao. Ilay “fanantazana baolina”


kosa dia mety ho ny fihetsiny: mihatokato-doha, mitsiky, mifantoka
tsara. Raha mijery ny mpihaino eo amin’ny masony ianao, dia hana-
mpy anao izany hahita raha “voatantiny” ireo hevitrao.
Raha asaina mamaky teny ho an’ny fiangonana ianao, tokony hije-
ry ny mpanatrika ve ianao mandritra ilay vakiteny? Raha manaraka ny
famakian-teninao ao amin’ny Baiboliny izy ireo, ny ankamaroany dia
tsy hahatsikaritra akory raha mijery ianao na tsia. Hanampy anao ha-
nome aina ny vakiteninao anefa ny fijerenao ny mpanatrika, satria ho
hitanao tsara ny fihetsiny. Ary raha sendra misy tsy manaraka ao amin’
ny Baiboliny na miriorio saina, ny fijeren’ny mpandahateny azy eo
amin’ny masony dia mety hanampy azy hifantoka indray amin’izay
vakina. Mazava ho azy fa tsy afaka mijery ny mpanatrika afa-tsy veti-
vety fotsiny ianao, ary tsy tokony hatao ilay izy raha mampiakanaka-
`
na ny vakiteninao. Noho izany, hazony eo an-tananao ny Baibolinao
`
ary mitraka foana, fa aza miondrika.
Omena lahateny hovakina any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-
paritra ireo anti-panahy indraindray. Mitaky fahazarana sy fanomana-
na tsara ary fanazaran-tena be dia be ny fanaovany izany tsara. Maza-
va ho azy fa voafetra ny fahafahana hijery ny mpihaino eo amin’ny
masony, amin’ny lahateny vakina. Raha nanomana tsara anefa ilay
mpandahateny, dia tokony ho afaka hijery ny mpihaino tsindraindray,
nefa ho afaka hahita indray ilay soratra novakiny farany. Hanampy ny
mpihaino hifantoka foana izany, ka hahatonga azy handray soa feno
avy amin’ilay fampianarana ara-panahy lehibe atolotra azy.

FANAZARAN-TENA:
Rehefa miresaka andavanandro amin’ny mpianakavinao sy ny namanao, dia je-
reo matetika kokoa eo amin’ny masony izy ireo, nefa aza mandika ny fomba
amam-panao eo an-toerana.
14 FITENY TSOTRA, TSY AMBOAMBOARINA

Inona no ilainao hatao?


Izay maha ianao anao aseho. Mitenena avy amin’ny fo, sy tsy
misy fihamboana ary toy ny rehefa miresaka andavanandro.

NY FITENINAO tsotra sy tsy amboamboarina no antony iray ihainoan’ny


hafa anao amim-patokisana. Moa tokoa ve ianao hatoky ny teny lazain’ny
olona iray manao saron-tava? Ary raha tsara tarehy kokoa noho ny tena
endrik’ilay miteny ilay saron-tava, hatoky ny teniny ve ianao? Azo inoana
`
fa tsia. Aza manafin-toetra ary, fa izay maha ianao anao aseho.
Tsy hoe tsy miraharaha akory ny hoe tsotra sy tsy amboa-
mboarina. Tokony hohalavirina ny fitsipi-pitenenana diso sy
NAHOANA IZANY ny fanononana ratsy ary ny fitenenana mingonongonona. Toy
NO TENA ILAINA? izany koa ny tenin-jatovo. Tiantsika ho mendrika foana ny fi-
Raha matahotahotra ianao, tenintsika sy ny fombantsika. Ny olona maneho fihetsika tso-
mihenjana ny vatanao, na mi-
kaviavia ianao, rehefa miteny, tra sy tsy amboamboarina dia sady tsy fatra-panaja loatra no tsy
satria mieritreritra foana izay mitady loatra ny hanaitra ny sain’ny hafa.
heverin’ny hafa momba anao, Eny amin’ny fanompoana. Matahotahotra ve ianao, rehefa
dia mety tsy hifantoka
amin’izay lazainao ny olona. handeha hitory ao amin’ny trano iray na amin’ny olona iray
eny ampahibemaso? Toy izany ny ankamaroantsika. Tsy misi-
nda vetivety anefa izany ho an’ny olona sasany. Mety ho fari-
na na hangovingovitra ny feony, rehefa matahotahotra izy. Mety hanao fi-
hetsika mikaviavia koa ny tanany na ny lohany.
Antony maro no mety hahatonga ny mpitory hatahotahotra toy izany.
Angamba izy mieritreritra momba izay hoheverin’ny hafa momba azy, na
manontany tena raha hety ny famelabelarany. Tsy mahagaga ny toy izany,
nefa tonga zava-manahirana ilay izy, rehefa lasa diso tafahoatra. Raha
manjary matahotahotra ianao alohan’ny fanompoana, inona moa no ha-
nampy anao? Ny fanomanana tsara sy ny fivavahana mafy amin’i Jehovah.
(Asa. 4:29) Eritrereto ny famindram-po lehiben’i Jehovah, izay mampana-
ntena fahasalamana tonga lafatra sy fiainana mandrakizay ao amin’ny
Paradisa. Eritrereto ireo iezahanao hampiana sy mila mandre izany vaovao
tsara izany.
Tadidio koa fa manana safidy malalaka ny olona, izany hoe afaka manai-
`
ky na manda ilay hafatra. Efa toy izany no izy, fony i Jesosy nitory teo amin’
ny Isiraely fahiny. Ny hitory fotsiny no asaina ataonao. (Matio 24:14) Na
dia tsy mamela anao hiteny aza ny olona sasany, ny fahatongavanao eo
aminy fotsiny dia efa fitoriana aminy. Efa nahomby ianao, satria manaiky
128
Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina 129

hampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Rehefa avelan’


ny olona hiteny kosa ianao, tokony hanao ahoana moa ny fiteninao? Mia-
nara hifantoka amin’ireo zavatra ilain’ny hafa, dia hahafinaritra sy ho tso-
tra ny teninao.
Tsy ho saikatsaikatra ireo mihaino anao, raha manao zavatra sy miteny
toy ny ataonao andavanandro ianao, rehefa mitory. Mety ho vonona ha-
ndray ireo fanazavana ara-baiboly tianao holazaina aminy mihitsy aza izy
ireo. Aza anaovana toriteny na kabary izy, fa iresaho kosa. Aoka ianao ho
sariaka. Anehoy fiheverana izy, ary ankasitraho izay lazainy. Mazava ho azy
fa raha misy fomba fiteny na fitsipika fanehoam-panajana to-
kony harahina eo an-toerana, dia araho izany. Aza misalasala
mihitsy anefa mitsiky. NY FOMBA
Eny amin’ny lampihazo. Ny fiteny tsotra, toy ny rehefa mi- HANAOVANA AZY
resaka andavanandro, no tsara indrindra, rehefa miteny amin’ Mitenena toy ny rehefa mi-
resaka andavanandro. Aza ny
olona maromaro ianao. Mila miteny mafy kokoa sy mazava tenanao no eritreretina, fa i Je-
kokoa ianao, rehefa be dia be ny mpanatrika. Raha mitady hia- hovah sy ireo olona izay mila
natra tsianjery ny anjaranao na ny lahateninao ianao, na raha mianatra momba azy.
be tsipiriany loatra ny taratasinao, dia milaza izany fa miahy Rehefa manomana anjara, dia
loatra momba ireo teny hilazanao hevitra ianao. Ilaina ny mi- ny hevitra, fa tsy ny teny tsirai-
ray hilazanao azy, no ifantohy.
laza zavatra amin’ny fomba mety, nefa rehefa eritreretinao be
Rehefa manao ilay famela-
loatra ilay izy, dia hanjary hentitra be ny fiteninao, ary tsy ho
belarana, sy rehefa miresaka
tsotra intsony. Tokony hoeritreretina tsara mialoha ireo hevi- andavanandro, dia fadio ny
trao, nefa tsy ny teny tsirairay hilazana azy no ifantohy, fa ireo fomba fiteny tsy misy fitandre-
hevitra. mana. Aza atao isarihana ny
sain’ny hafa ho amin’ny tena-
Marina koa izany, rehefa adinadinina amin’ny fivoriana ia- nao ny fanehoana ireo toetra
nao. Manaova fanomanana tsara, nefa aza vakina na ianarana tsara ilaina amin’ny fahaiza-
tsianjery ny valin-teninao. Mitenena toy ny rehefa miresaka miteny.
andavanandro, mba hahafinaritra ny teninao, satria mande- Omano tsara ny vakiteny
ampahibemaso. Vakio amim-
ha ho azy, tsy teriterena.
pihetseham-po ilay izy, ary
Na dia ireo toetra tsara ilaina amin’ny fahaiza-miteny aza dia fantaro tsara ny heviny.
mety ho hitan’ny mpihaino ho toy ny amboamboarina, rehe-
fa tafahoatra. Ohatra, tokony hazava tsara ny teninao, ary tsy
ho diso ny fomba fanononao; nefa raha ataonao tafahoatra izany, dia ho
toy ny hentitra be na amboamboarina ny fiteninao. Hanome aina ny
anjaranao na ny lahateninao, ny fihetsehana ho fanamafisana na ho fana-
zavana koa, rehefa atao tsara. Tsy hifantoka amin’izay lazainao anefa ny
mpihaino, raha tsy mandeha ho azy na mihoa-pampana ireo fihetsehana.
Mitenena mafy tsara, nefa aza miteny mafy loatra. Tsara raha mirehidrehi-
tra tsindraindray ianao mandritra ny famelabelaranao; nefa aza atao mi-
hoatra ny mety izany. Ilaina koa ny fanovaovam-peo sy ny hafanam-po ary
130 Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina

ny fihetseham-po, nefa aza atao hisarihana ny sain’ny mpihaino ho amin’


ny tenanao, na hahasaikatsaikatra azy ireo.
Misy olona miteny tsy misy diso mihitsy, na dia rehefa miresaka anda-
vanandro aza. Ny hafa kosa tsy dia mitandrina loatra toy izany, rehefa mi-
teny. Ny zava-dehibe dia ny hampiasanao fomba fiteny tsara isan’andro sy
ny hanananao fihetsika mendrika ny Kristianina. Amin’izay, rehefa eny
amin’ny lampihazo ianao, dia handeha ho azy kokoa ny fitenenana sy ny
fihetsehana tsotra, ka hahafinaritra ny hafa.
Rehefa mamaky teny ampahibemaso. Mitaky ezaka ny famakian-teny
ampahibemaso amin’ny fomba tsotra sy tsy amboamboarina. Mila mama-
ntatra ireo hevitra lehibe indrindra ao amin’ilay zavatra hovakinao ianao,
`
sy mijery ny fomba amelabelarana azy ireo. Hazony tsara ao an-tsaina izy
ireo; raha tsy izany, dia ho teny tsirairay fotsiny no hovakinao. Hamarino
ny fomba fanonona ireo teny tsy hainao. Manaova famerenana amin’ny
`
feo avo, ka mizara hanovaova ny feonao hiakatra sy hidina, sy hamaky mia-
raka ireo teny tokony hiaraka mba hampita hevitra mazava. Averimbereno
izany, mandra-pamakinao misosa tsara. Fantaro tsara ilay zavatra hovaki-
nao, mba ho toy ny resaka velombelona ny vakiteninao. Izany no atao hoe
vakiteny tsotra, tsy amboamboarina.
Ireo bokintsika no tena anaovantsika vakiteny ampahibemaso. Ankoatra
ny anjara famakian-teny ataontsika amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, dia
mamaky andinin-teny koa isika eny amin’ny fanompoana sy rehefa ma-
nao anjara na lahateny eny amin’ny lampihazo. Tendrena hamaky ireo fe-
hintsoratra amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny Fia-
narana Boky, ireo rahalahy. Misy rahalahy mahay sasany tendrena hanao
lahateny vakina amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ataovy velo-
mbelona ireo tapany misy tenin’olona mifamaly, na Baiboly no vakinao,
na zavatra hafa. Somary ovaovay isaky ny olona ny feonao, raha resaka ifa-
naovan’olona maromaro no ao. Teny kely fampitandremana: Aza atao ta-
fahoatra ny fanehoana fihetseham-po, fa ataovy velombelona kosa ny va-
kiteninao.
Toy ny resaka andavanandro ny fandrenesana ny vakiteny tsotra sy tsy
amboamboarina, ary mitory fatokisan-tena.

FANAZARAN-TENA:
1) Vakio moramora ny Malakia 1:2-14, ary mariho hoe iza avy no miteny. Avy eo dia
vakio amin’ny feo avo ilay izy, ka manehoa fihetseham-po mety tsara. 2) Amin’ny
fotoana telo samy hafa, alohan’ny handehanana hitory, dia vakio aloha ireo fehi-
ntsoratra roa voalohany amin’ity lesona ity, sy ilay fanazavana eo ambanin’ilay
lohatenikely hoe “Eny amin’ny fanompoana” eo amin’ny pejy faha-128. Miezaha
hampihatra ilay torohevitra.
FISEHOANA IVELANY TSARA 15

Inona no ilainao hatao?


Manao fitafiana madio sy milamina ary maotina. Mitandrina
tsara ny fijoronao sy fipetrakao. Tokony hihogo tsara ny volonao.

MILAZA zavatra be dia be momba anao ny fisehoanao ivelany. I Jehovah


`
mijery ny fo, fa ny olona kosa mazana no “mijery ny miseho eo ivela-
ny”, ka mitsara ny hafa avy amin’izany. (1 Sam. 16:7) Ho hitan’ny hafa
fa manaja ny tenanao ianao, rehefa madio sy mahava-tena. Ho vonona
kokoa ny hihaino anao izy. Hahazo laza tsara koa ilay fandaminana so-
loanao tena sy ilay Andriamanitra ivavahanao, raha mety tsa-
ra ny fitafianao. NAHOANA IZANY
Toro lalana tokony harahina. Tsy mametra fitsipika NO TENA ILAINA?
`
aman-dalana be dia be momba ny fisehoana ivelany ny Bai- Arakaraka ny fisehoanao
boly. Toro lalana voalanjalanja tsara, izay hanampy antsika ivelany no hitsaran’ny olona
handray fanapahan-kevitra tsara, kosa no omeny. Ny ‘hanao- ny finoanao kristianina sy ilay
vantsika ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ no fomba fiaina arahinao.
lehibe indrindra amin’izany. (1 Kor. 10:31) Toro lalana inona
`
avy ary no azo ampiharina, raha ny amin’ny fisehoantsika ivelany?
Voalohany aloha, ny Baiboly dia mampirisika antsika hanana vatana
`
sy fitafiana madio. Tao amin’ny Lalan’i Jehovah ho an’ny Isiraely fahi-
ny, dia nisy fepetra momba ny fahadiovana. Ohatra, tsy maintsy nandro
sy nanasa ny akanjony tamin’ny fotoana efa voafaritra mialoha ny mpi-
sorona, rehefa nanao ny raharahany. (Lev. 16:4, 24, 26, 28) Tsy eo amba-
`
nin’ny Lalan’i Mosesy ny Kristianina, nefa mbola manan-kery ihany ireo
toro lalana raketin’izy io. (Jaona 13:10; Apok. 19:8) Rehefa ho any amin’
ny toeram-pivavahana na ho eny amin’ny fanompoana indrindra isika,
no tokony hadio ny vatantsika sy ny fitafiantsika ary tsy hisy fofona ny
vavantsika. Raha tsy izany, dia ho sorena amintsika ny hafa. Tokony ha-
nome ohatra tsara ny amin’io ireo manao anjara na lahateny na fampi-
sehoana eo anoloan’ny fiangonana. Mariky ny fanajantsika an’i Jehovah
sy ny fandaminany ny fitandremantsika ny fisehoantsika ivelany.
Faharoa, ny Baiboly dia mananatra antsika ho maotina sy hahonon-
tena. Nampirisika ny vehivavy kristianina ny apostoly Paoly mba ‘hira-
vaka amin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo
mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy, fa
araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’
131
132 Fisehoana Ivelany Tsara

Andriamanitra.’ (1 Tim. 2:9, 10) Tokony haneho fahamaotinana sy faho-


nonan-tena eo amin’ny fomba fiakanjony sy fihaingony koa ny lehilahy.
Tsy manafintohina ny hafa tsy amin’ny antony ny olona maotina. Tsy
misarika be loatra ny sain’ny hafa ho amin’ny tenany koa izy. Mahay mi-
tandrina, na mahay mifidy kosa ny hoe mahonon-tena. Manaja ny fo-
mba fihevitr’Andriamanitra momba ny tsara sy ratsy, ka mahay manda-
njalanja tsara, ny olona maneho ireo toetra ireo. Tsy misakana antsika
tsy hihaingo akory ireo toetra ireo. Raha maneho azy ireo kosa isika, dia
ho malina ka hihevitra ny hafa, ary tsy hanaraka fomba fia-
kanjo sy fihaingo miraratra loatra. (1 Jaona 2:16) Tokony ha-
METY VE NY naraka ireo toro lalana ireo isika, na any amin’ny toeram-pi-
FISEHOANAO IVELANY? vavahantsika, na eny amin’ny fanompoana, na rehefa manao
Madio ve? zavatra hafa. Tokony haneho fahamaotinana sy fahononan-
Maotina sy maneho tena na dia ny akanjo fitondra andavanandro aza. Hanana fa-
fahaiza-mifidy ve? hafahana hitory tsy ara-potoana isika any an-tsekoly na any
Milamina tsara ve? am-piasana. Na dia mety ho tsy akanjo fitondra any amin’ny
Mety hampiseho fitiavana fivoriana sy fivoriambe aza no anaovantsika any, dia mbola
an’izao tontolo izao ve? tokony hadio sy hilamina ary ho maotina ihany ny fitafia-
Misy zavatra mety ntsika.
hanafintohina ve? Marina fa tsy mitovy daholo ny fomba fitafintsika, ary tsy
Mihogo tsara ve ny volonao? angatahina amintsika izany. Tsy mitovy ny zavatra tian’ny
olona, ary tsy misy maharatsy izany. Tokony harahina foana
anefa ny toro lalana ao amin’ny Baiboly.
Nasehon’ny apostoly Petera fa zava-dehibe kokoa noho ny taovolo sy
ny akanjo ny “toetra miafina ao am-po.” (1 Pet. 3:3, 4) Rehefa feno fitia-
vana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy ary finoana miorina tsara, ny
fontsika, dia ireo toetra ireo no ho fitafiantsika ara-panahy. Ireo no tena
manome voninahitra an’Andriamanitra.
Fahatelo, ny Baiboly dia mampirisika antsika hanana fisehoana ivelany
mendrika. Manonona ny hoe “fitafiana mahamendrika” ny 1 Timoty 2:9.
Ny fihaingoan’ny vehivavy no resahin’ny apostoly Paoly eo, nefa miha-
tra amin’ny lehilahy koa io toro lalana io. Milamina sy tsy mikorontana
ny zavatra mendrika. Afaka miseho ho milamina tsara foana isika, na ma-
nankarena na tsia.
Ny volontsika no anisan’ny voalohany hitan’ny hafa eo amintsika. To-
kony ho mendrika izy io, na hoe hilamina tsara. Miankina amin’ny fa-
nao eo an-toerana sy ny toetra nolovana ny taovolon’ny olona. Manome
torohevitra momba ny taovolo, izay manisy fiheverana an’ireo zavatra
roa ireo, ny apostoly Paoly, ao amin’ny 1 Korintiana 11:14, 15. Kanefa, re-
hefa toa asehon’ny taovolon’ny lehilahy iray fa te hitovy amin’ny vehi-
Fisehoana Ivelany Tsara 133

vavy izy, na ny mifanohitra amin’izany, dia mifanipaka amin’ny toro la-


lan’ny Baiboly izany.—Deot. 22:5.
Hita ho madio sy milamina ny lehilahy miharatra tsara. Any amin’ny
tany sasany, dia heverina ho mendri-kaja ny volombava kely eo ambonin’
ny molotra; ary tokony hihazona azy io ho voahety tsara izay manao
izany.
Fahefatra, tsy tokony hahitana fitiavana an’izao tontolo izao sy ny fo-
mbany ny fisehoantsika ivelany. Nampitandrina toy izao ny apostoly
Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo
izao.” (1 Jaona 2:15-17) Fanirian-dratsy maro no mampiavaka ity tontolo
ity. Anisan’ireo notononin’i Jaona ny filan’ny nofo mpanota sy ny fampi-
deraderana ny fananan’ny tena. Mampitandrina amin’ny toe-tsaina tia fi-
komiana, na ny tsy fankatoavana ny manam-pahefana, koa ny Soratra
Masina. (Ohab. 17:11; Efes. 2:2) Matetika no hita eo amin’ny fomba fia-
kanjo sy fihaingon’ny olona ireo faniriana sy fihetsika ireo. Ny fisehoany
`
ivelany ary dia tsy maotina, mihantsy, marevaka loatra, tsy milamina, tsy
voatandrina na misavoritaka. Tsy manaraka fomba tsy kristianina toy iza-
ny isika mpanompon’i Jehovah.
Tsy ity tontolo ity no tokony hotahafinao na havelanao hifehy ny fo-
mba fiakanjonao sy fihaingonao, fa ny ohatra tsara dia tsaran’ireo lehila-
hy sy vehivavy matotra ara-panahy anisan’ny fiangonana kristianina!
Tsara raha mandinika ny fiakanjon’ireo efa mahafeno fepetra hanao
lahateny ny zatovolahy manantena ny ho tonga mpandahateny toy iza-
ny. Afaka maka fianarana avy amin’ny ohatr’ireo nanao ny fanompoana
tamim-pahatokiana efa hatramin’ny taona maro ny rehetra.—1 Tim. 4:12;
1 Pet. 5:2, 3.
Fahadimy, mba hahafantarana izay fitafiana mety na tsy mety, dia toko-
ny hotadidintsika fa na i “Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany.”
(Rom. 15:3) Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no zavatra voaloha-
ny indrindra nahin’i Jesosy. Napetrany talohan’ny zavatra tian’ny tenany
manokana koa ny fanampiana ny hafa. Raha toa ka manafintohina ny
olona eo amin’ny faritanintsika ny fomba fiakanjontsika, inona no toko-
ny hataontsika? Hanampy antsika hanapa-kevitra amim-pahendrena ny
fanahafana ny fanetren-tena nasehon’i Kristy. Hoy koa ny apostoly Pao-
ly: “Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’ino-
na.” (2 Kor. 6:3) Noho izany, dia vonona ny hamela taovolo na haingo sa-
sany izay mety hanakatona ny fon’ny olona tiantsika hitoriana, isika.
Fijoro sy fipetraka. Tafiditra amin’ny fisehoana ivelany tsara koa ny fo-
mba fijoro sy fipetraka mety. Marina fa tsy mitovy daholo ny fomba fa-
netsehantsika ny vatantsika, ary tsy mitady ny hanaraka fomba iray ihany
134 Fisehoana Ivelany Tsara

isika. Kanefa, araka ny fampiasan’ny Baiboly azy, ny hoe mijoro tsara dia
mitory fahamendrehana sy fijerena lafy tsaran-javatra. (Lev. 26:13; Lioka
21:28) Na izany aza, dia mety hisy rahalahy na anabavy tsy afaka mijoro
mahitsy, na mila miankina amin-javatra, noho ny asany nahatonga azy
hiondrika nandritra ny taona maro, na noho ny taonany efa mandroso,
na noho ny aretina. Asaina mijoro tsara anefa ireo afaka, raha mbola azo-
ny atao koa, rehefa miteny amin’ny hafa. Raha tsy izany, dia mety hohe-
verina ho tsy miraharaha izy na miala tsiny satria hoe manelingelina. Toy
izany koa, tsy hoe tsy mety akory ny mametraka ny tanana eo ambonin’
`
ny polipitra tsindraindray. Mazana anefa no tian’ny mpanatrika kokoa,
raha tsy miankina amin’ny polipitra ny mpandahateny.
Fitaovana milamina tsara. Tsy ny tenantsika ihany no tokony hadio
sy hilamina, fa ny fitaovana ampiasaintsika eny amin’ny fanompoana
koa.
Diniho ny Baibolinao. Tsy isika rehetra no afaka mividy Baiboly vao-
vao, rehefa nihasimba ny antsika. Na izany aza, na hafiriana na hafiriana
nananantsika ny Baibolintsika, dia tokony ho hita fa nikojakoja tsara azy
io isika.
Misy fomba maro azo andaminana ny ao anaty kitapontsika, nefa toko-
ny hilamina tsara izy io. Moa ve ianao efa nahita taratasy nilatsaka avy
tao amin’ny Baibolin’ny mpitory iray handeha hamaky andinin-teny ta-
min’ny tompon-trano, na angamba avy tao amin’ny Baibolin’ny mpa-
ndahateny iray handeha hanao lahateny? Voahelingelina ny sainao ta-
`
min’izay, sa tsy izany? Raha manelingelina ary ny taratasy tahirizina ao
anaty Baiboly, dia ho tsara kokoa angamba raha tahirizinao any amin’ny
toerana hafa izy ireny, raha tianao hilamina tsara ny fitaovanao. Tadidio
koa fa heverin’ny olona any amin’ny firenena sasany ho tsy fanehoam-
panajana ny mametraka ny Baiboly na boky ara-pivavahana hafa amin’
ny tany.
Tokony ho zava-dehibe amintsika ny fananana fisehoana ivelany tsara.
Mitsara antsika araka ny fisehoantsika ivelany koa ny hafa. Ny antony
voalohany hitandremantsika tsara azy io anefa, dia noho isika maniry
“hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
amin’ny zavatra rehetra.”—Tit. 2:10.

FANAZARAN-TENA:
Indray mandeha isan’andro mandritra ny herinandro, na inona na inona za-
vatra kasainao hatao, dia apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana eo
ambanin’ny hoe “Mety ve ny Fisehoanao Ivelany?”, eo amin’ny pejy faha-132.
FAHATONIANA 16

Inona no ilainao hatao?


Mijoro sy mihetsika ary miteny amim-pilaminana sy fahame-
ndrehana ary mampiseho fa tony ianao.

ZAVA-MAHAZATRA izany hoe mpandahateny matahotahotra rehefa hi-


tsangana ho eny amin’ny lampihazo izany, indrindra raha tsy manao
lahateny matetika izy. Mety hatahotahotra koa ny mpitory iray, rehefa
hanao ireo trano voalohany eny am-pitoriana. Tahaka izany koa i Jere-
mia, rehefa nirahina mba ho mpaminany izy, dia namaly hoe: “Indro,
tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” (Jer. 1:5, 6)
Nanampy azy anefa i Jehovah, ary hanampy anao koa izy.
NAHOANA IZANY
Hanana fahatoniana ianao rehefa mandeha ny fotoana.
NO TENA ILAINA?
Milamina ny mpandahateny tony iray, ary miharihary Raha tony ianao, dia hifanto-
amin’ny fomba fihetsiny izany. Tsy amboamboariny no sady ka amin’izay lazainao
mifanentana tsara amin’ny toe-javatra ny fijorony na ny fipe- ny mpihaino anao, fa tsy
trany. Misy heviny ny fihetsehana ataon’ny tanany. Maneho aminao.
fihetseham-po tsara ny feony, sady voafehiny tsara.
Afaka ny hihatsara ianao, na dia tsy manana izany toetra
izany aza. Amin’ny fomba ahoana? Aoka isika handinika ny antony ma-
hatonga ny mpandahateny iray hatahotahotra sy tsy ho tony. Mety ho
antony ara-batana ilay izy.
Mitebiteby ianao rehefa miatrika zava-tsarotra, ka maniry handamina
izany araka ny tokony ho izy, nefa tsy matoky tena ny hahavita izany. Ho
vokany, dia mibaiko ny vatanao hamokatra adirenalinina bebe kokoa ny
atidohanao. Ny adirenalinina dia ranoka mikoriana ao amin’ny lalan-dra
izay mety hanafaingana ny fitepon’ny fo, hanova ny hafainganan’ny fi-
sefoana, hampitombo ny hatsembohana, na hahatonga ny tanana sy ny
lohalika ary ny feo hangovitra mihitsy aza. Milaza aminao izany rehetra
izany fa mitady hanampy anao hizaka ilay tarehin-javatra ny vatanao, ka
mampitombo ny herinao. Ahoana anefa no hamadihana izany hery iza-
ny ho tonga fisainana mampandroso sy fitenenana amin-kafanam-po?
`
Ny fomba hampihenana ny tebiteby. Tadidio fa ara-dalana ny faha-
tsapana tebiteby. Mba hihazonana ny fahatonianao anefa, dia mila
mahay mampihena izany tebiteby izany ianao, ka hanao zavatra amim-
pilaminana sy amim-pahamendrehana. Ahoana no ahafahanao manao
izany?
135
136 Fahatoniana

Manaova fanomanana tsara. Mandania fotoana hanomanana ny


anjaranao na ny lahateninao. Ataovy azonao tsara ilay foto-kevitra hore-
sahinao. Raha mila mifidy ireo hevitra hovelabelarinao ianao, dia
eritrereto izay efa fantatry ny mpihaino anao momba ilay foto-kevitra,
sy izay antenainao hotanterahina. Hanampy anao hifidy ny fanazavana
mety indrindra izany. Miresaha amin’ny mpandahateny za-draharaha
iray, raha sarotra aminao izany amin’ny voalohany. Afaka manampy
anao hamakafaka ilay foto-kevitrao sy ireo hihaino anao izy. Rehefa ma-
toky ianao fa tena hahasoa an’ireo hihaino anao ilay fanazavana, ka
mazava tsara ao an-tsainao ilay izy, ny fanirianao hizara azy
MBA HO TONY: io amin’ny hafa dia handresy ilay tebiteby mety ho tsapanao
Manaova fanomanana tsara. rehefa hanao ilay anjara na lahateny.
Manaova famerenana amin’ny Asio fiheverana manokana ny teny fampidiranao. Fantaro
feo avo.
tsara ny fomba hanombohanao. Azo inoana fa hihena ny
“Apetraho amin’i Jehovah ny
entanao”, amin’ny alalan’ny
fahatahotahoranao eny am-panaovana ilay anjaranao na la-
vavaka.—Sal. 55:22. hateninao.
Mandraisa anjara tsy tapaka Afaka manaraka ireo dingana ireo koa ianao, rehefa mano-
amin’ny fanompoana, mano- mana ny fanompoanao eny amin’ny saha. Eritrereto ilay
meza valin-teny matetika any
am-pivoriana, manolora tena foto-kevitra tianao horesahina, ary koa ireo olona ho hitanao
hanao anjara fanampiny ao eny. Eritrereto tsara ny teny fampidirana hampiasainao. Ta-
amin’ny sekoly. hafo ny ohatr’ireo mpitory matotra za-draharaha.
Fantaro ireo famantarana ny
tsy maha tony anao, ary ianaro Mety hihevitra ianao hoe ho tony kokoa raha lahateny va-
ny fomba hisakanana na hife- kina no ampiasainao, rehefa manao anjara na lahateny. Raha
hezana azy ireo. ny tena izy anefa, dia mety ho vao mainka hitombo ny tebi-
tebinao isaky ny hanao anjara na lahateny ianao. Marina fa
misy mpandahateny manoratra lava be, fa ny hafa kosa manoratra teny
fohy vitsivitsy monja. Tsy ireo soratra eo amin’ilay taratasy anefa no ha-
nova izay hifantohan’ny sainao sy hampihena ny tebitebinao, fa ny
fatokisanao ao am-po hoe nanomana zavatra tena mendrika ny hohe-
noin’ny mpihaino anao ianao.
Manaova famerenana amin’ny feo avo. Hahatonga anao hatoky izany
fa afaka milaza tsara ireo eritreritrao ianao. Eo am-panaovanao famere-
nana ianao dia mandraikitra hevitra ao an-tsainao, izay hiverina mora
foana rehefa manao ilay anjara na lahateny ianao. Ataovy toy ny amin’
ny tena izy ny fanaovanao famerenana. Ataovy hitanao an’eritreritra ny
mpihaino anao. Mipetraha eo anoloan’ny latabatra, na mijoroa, toy ny
rehefa tena manao ilay anjara na lahateny ianao.
Mivavaha mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah. Hamaly vavaka toy
izany ve izy? “Izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha ma-
Fahatoniana 137

ngataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.”


(1 Jaona 5:14) Tena hamaly ny vavakao tokoa Andriamanitra raha ny ha-
nome voninahitra azy sy hanampy olona handray soa avy amin’ny
Teniny no fanirianao. Hanatanjaka anao hanao ny anjaranao izany fa-
nomezan-toky izany. Ankoatra izany, rehefa mamboly ny vokatry ny
fanahy ianao—fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahalemem-panahy, ary fi-
fehezan-tena—dia hahazo ilay toe-tsaina ilaina mba hiatrehana ireo
toe-javatra sarotra amim-pahatoniana.—Gal. 5:22, 23.
Aoka ianao ho tonga za-draharaha. Arakaraka ny andraisanao anjara
amin’ny fanompoana, no hihenan’ny fahatahotahoranao. Arakaraka ny
anomezanao valin-teny any amim-pivoriana, no hahitanao fa mihamo-
ra ny miteny eo anoloan’olon-kafa. Arakaraka ny itomboan’ny isan’ny
anjara ataonao eo amin’ny fiangonana, no hihenan’ny tebiteby tsapa-
nao alohan’ny anjara tsirairay. Tianao ve ny ho afaka hiteny matetika
`
kokoa? Aza misalasala ary manolo-tena hisolo toerana ny hafa izay tsy
afaka manao ny anjarany.
Rehefa vitanao ireo dingana nosoritana teo ambony ireo, dia hana-
mpy anao ny mijery ireo famantarana manambara fa tsy tony ianao.
Fantaro izy ireo, ka ianaro ny fomba handresena azy, dia hahay hiteny
amim-pahatoniana ianao. Mety ho eo amin’ny vatanao na ny feonao no
hahitana izany famantarana izany.
Famantarana eo amin’ny vatana. Hita eo amin’ny fomba fanetse-
hanao ny vatanao sy ny fampiasanao ny tananao ny fahatonianao, na
ny tsy fahatonianao. Diniho aloha ny tananao. Izao avy no manambara
tsy fahatoniana: Ny tanana fihinina any andamosina, henjanina mafy
manaraka ny vatana, na mamikitra ny polipitra; ny tanana ampidirina
sy avoaka ao am-paosy tsy an-kijanona, manidy sy manokatra ny pali-
tao, mankeny amin’ny takolaka, ny orona, ny solomaso; ny tanana
mikasikasika famantaranandro, penina, peratra, na taratasy; ny tanana
manao fihetsehana tampoka na tsy vita hatramin’ny farany.
Hita koa fa tsy matoky tena ny mpandahateny iray, raha manisakisaka
ny tongony tsy an-kijanona, manilangilana ny vatany miankavia sy mia-
nkavanana, mijoro mijaridina be, mijoro na mipetraka toy ny olona tsy
rototra, milela-molotra matetika, mitelin-drora foana, na misefosefo.
Hahafehy ireo fihetsehana ireo ianao, raha miezaka mafy. Aza mitady
hanitsy azy rehetra miaraka anefa. Fantaro ilay olana mahazo anao, ary
eritrereto mialoha izay ilainao hatao mba hisakanana azy. Raha manao
izany ezaka izany ianao, dia ho hita amin’ny fihetsehan’ny vatanao fa
tony ianao.
138 Fahatoniana

Famantarana eo amin’ny feo. Izany dia mety ho feo kely tsy araka
ny mahazatra, na feo mangovingovitra. Angamba ianao mikohakohaka
foana mba hampisava ny feonao, na miteny haingana loatra. Azonao re-
sena ireo zava-manahirana sy fahazaran-dratsy ireo, raha miezaka mafy
hifehy ny feonao ianao.
Miatoa mba hifoka rivotra lalina, alohan’ny hiakaranao eny amin’ny
lampihazo, raha matahotahotra ianao. Mianara tsy hampihenjana ny va-
tanao manontolo. Aza eritreretina ilay ianao matahotahotra. Ny antony
anirianao hizara amin’ny mpihaino anao ireo zavatra nomaninao kosa
`
no ifantohy. Alohan’ny hitenenana, dia maka fotoana hijerena ny mpa-
`
natrika, mifidiana endrika sariaka iray, ary mitsikia aminy. Tonony
miadana ny teny fampidirana, ary avy eo dia aoka ianao ho revo amin’
ny lahateninao.
Inona no azonao antenaina? Aza manantena hoe hanjavona ta-
nteraka ny fahatsiarovana ho matahotahotra. Mpandahateny maro
za-draharaha hatramin’ny ela be no mbola matahotahotra ihany alohan’
ny hankanesana eny amin’ny lampihazo. Nianatra ny hifehy izany ane-
fa izy ireo.
Ho hitan’ny mpanatrika fa mpandahateny tony ianao, raha miezaka
mafy mba tsy ho tsikaritra hoe matahotahotra. Mbola mety hatahota-
hotra ihany ianao, nefa mety ho tsy hitan’izy ireo akory izany.
Tadidio fa ilay adirenalinina mampipoitra ny famantarana ny fahata-
hotahoranao dia mampitombo ny herinao koa. Ampiasao io hery io mba
hitenenana amim-pihetseham-po.
Aza miandry rehefa eny amin’ny lampihazo vao hampihatra ireny to-
rohevitra rehetra ireny. Mianara ho tony sy hifehy tena ary hiteny
amim-pihetseham-po mety, eo amin’ny fiainanao andavanandro. Tena
hanampy anao izany hanana fatokisan-tena eny amin’ny lampihazo sy
eny amin’ny fanompoana, ary eny izy io no tena zava-dehibe.

FANAZARAN-TENA:
Isan-kerinandro mandritra ny iray volana, dia miezaha hanome valin-teny mi-
hoatra ny indray mandeha amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy
amin’ny Fianarana Boky. Mariho fa tsy matahotahotra intsony ianao rehefa avy
namaly fanindroany na fanintelony tamin’ny fivoriana iray ihany.
ˆ
FAMPIASANA MIKRO 17

Inona no ilainao hatao?


ˆ
Mahay mampiasa tsara ny mikro any amin’ireo fivoriantsika.

MANDANY fotoana be sy manao ezaka be ireo rahalahintsika sy ana-


bavintsika, mba hanatrehana ireo fivoriana kristianina. Mila mandre
tsara izay lazaina izy ireo, mba handraisany soa.
Tsy nisy herinaratra na fanamafisam-peo tamin’ny andron’ny Isi-
raely fahiny. Ahoana no nandrenesan’ny Isiraelita, niisa an-tapitrisa-
ny maro, an’i Mosesy, fony izy niteny tamin’izy ireo teo
amin’ny Lemak’i Moaba, talohan’ny nidirana tao amin’ny NAHOANA IZANY
Tany Nampanantenaina? Angamba i Mosesy nampiasa le- NO TENA ILAINA?
hilahy maromaro, izay nifanelanelana tsara sy nampita- Raha mandre tsara izay
mpita ny teniny nanerana ilay toby. (Deot. 1:1; 31:1) Re- lazaina ihany ny hafa vao
hefa avy nandresy ilay tany teo andrefan’i Jordana ny handray soa avy aminy.
Isiraelita, dia nangonin’i Josoa teo anoloan’ny Tendro-
mbohitra Gerizima sy ny Tendrombohitra Ebala ilay firenena, ka ny
Levita angamba nataony tao amin’ilay lemaka teo anelanelan’ireo.
Teo ilay vahoaka rehetra dia nahare ka nandray tsara ilay fanambarana
momba ireo fitahiana sy fanozonan’Andriamanitra. (Josoa 8:33-35)
Nisy olona nampiasaina mba hampitampita ilay teny koa angamba ta-
min’io. Tsy maintsy ho nanampy tamin’izany koa anefa ny fanakon’
ny feo faran’izay tsara teo amin’ilay toerana.
`
Tokony ho 1500 taona taty aoriana, dia nisy “vahoaka betsaka” nia-
ngona teo amin’ny Ranomasin’i Galilia mba hihaino an’i Jesosy. Nio-
ndrana an-tsambo i Jesosy, nihataka kely ny moron-drano, ary nipe-
traka mba hiteny tamin’ilay vahoaka. (Marka 4:1, 2) Nahoana izy no
niteny avy teny ambonin’ny sambo? Satria mazava be ny feon’olona
ampitaina avy eo ambonin’ny rano tony.
Hatreo am-piandohan’ny taonjato faha-20, rehefa tsy mafy tsara sy
nazava tsara ny feon’ny mpandahateny iray, dia tsy betsaka no nandre
izay nolazainy. Nanomboka tamin’ireo taona 1920 anefa, dia afaka na-
mpiasa fitaovana fanamafisam-peo elektrika tany amin’ny fivoria-
mben’ny vondrom-paritra ny mpanompon’i Jehovah.
139
ˆ
140 Fampiasana Mikro

Fitaovana fanamafisam-peo. Afaka mampitombo be ny hamafin’


ny feon’ny mpandahateny io fitaovana io, nefa mbola voahazona
tsara ihany ny toetran’ny feony. Tsy voatery hihiakiaka ka hampihe-
njana mafy ny hoza-peo ao amin’ny tendany izy; ary tsy voatery ha-
nongilan-tsofina mafy ny mpihaino vao handre izay lazainy, fa afaka
mifantoka amin’ilay hafatra kosa.
Ezaka be no natao mba hisian’ny fitaovana fanamafisam-
NY FOMBA peo tsara any amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Je-
FAMPIASA AZY hovah. Efitrano Fanjakana maro koa no mampiasa fitaova-
Asio elanelana 10 na 15 sa- na fanamafisam-peo ho an’ireo manao lahateny, mitarika
ntimetatra ny vavanao sy ny fivoriana, na mamaky teny eny ambonin’ny lampihazo.
ˆ
mikro.
Ary misy Efitrano Fanjakana sasantsasany koa mampiasa
Aza miteny raha tsy rehefa ˆ
ˆ mikro, mba hanomezan’ny mpanatrika valin-teny amin’
mitodika any amin’ny mikro
ny vavanao. ny fivoriana. Raha manana fitaovana toy izany ny anareo,
Ampiakaro kely noho ny dia mianara hampiasa azy ireo tsara.
rehefa miresaka andavana- Toro lalana fototra sasany. Tadidio ireto torohevitra
ndro ny hamafin’ny feonao manaraka ireto, mba hampiasana ilay fitaovana araka ny
sy ny heriny.
ˆ tokony ho izy: 1) Tokony ho eo amin’ny 10 na 15 santime-
Atodiho hiala amin’ny mikro ˆ
ny lohanao, raha mila miko- tatra ny elanelan’ny mikro sy ny vavanao, amin’ny anka-
haka kely mba hampisava ny pobeny. Mety hanova ny teny lazainao ilay izy, raha akai-
feonao ianao. ky loatra. Raha lavitra loatra kosa ilay izy, dia tsy hazava ny
ˆ
feonao. 2) Tokony ho eo anoloanao ilay mikro, fa tsy hatao
misompirana. Raha mitodika miankavanana na miankavia ianao, dia
ˆ
aza miteny raha tsy rehefa miatrika ilay mikro ny tarehinao. 3) Ampia-
karo kely noho ny rehefa miresaka andavanandro ny hamafin’ny feo-
nao sy ny heriny. Tsy ilaina anefa ny mihiakiaka, satria efa hitondra
mora foana ny feonao hatrany amin’ireo mpanatrika lavitra indrindra
anao, ilay fitaovana fanamafisam-peo. 4) Atodiho hiala amin’ny mi-
ˆ
kro ny lohanao, raha mila mikohaka kely mba hampisava ny feonao
ianao, na voatery hikohaka na hievina.
Rehefa manao lahateny. Hisy rahalahy iray hanitsy ny haavon’ilay
ˆ
mikro, rehefa mankeny amin’ny polipitra ianao. Mijoroa tsotra fotsi-
ny ka atreho ny mpanatrika, eo am-panaovany izany. Apetraho eo
ambonin’ny polipitra ny taratasinao, ka aza avela hanakona azy ireo
ˆ
ilay mikro.
Henoy ny fanenon’ny feonao avoakan’ireo fanamafisam-peo, rehe-
fa manomboka miteny. Mafy loatra ve ilay izy? Mipoapoaka ve ny fa-
ˆ
Fampiasana Mikro 141

nenon’ny teny sasany? Raha izany no izy, dia mety hila ny hihemo-
tra telo na dimy santimetatra ianao. Rehefa manopy maso amin’ny
taratasinao ianao, dia tadidio fa tsy tokony hiteny na hamaky teny ia-
ˆ
nao, raha tsy rehefa manatrika ny mikro ny tarehinao, na somary eo
amboniny kely, fa tsy eo ambaniny.
Rehefa mamaky teny eny ambonin’ny lampihazo. Tsara kokoa
raha hazoninao eny an-tananao ny Baibolinao, na ilay boky na gaze-
ty vakinao. Amin’izay, dia hanatrika ny mpihaino ny tarehinao. Koa
ˆ
satria eo anoloanao ilay mikro, dia mety hilainao hahataka kely mia-
nkavanana ilay zavatra vakinao, ary ny lohanao hahataka kely mia-
nkavia, na hahataka kely miankavia ilay zavatra vakinao, ary ny lo-
ˆ
hanao miankavanana. Amin’izay, dia hivantana ao amin’ilay mikro
ny feonao.
Ny ankamaroan’ireo rahalahy mamaky teny amin’ny Fianarana Ny
ˆ
Tilikambo Fiambenana dia mijoro ary miteny ao amin’ny mikro eo
anoloany. Mamela azy hiaina tsara izany, sy hampisy heviny kokoa
ilay zavatra vakiny. Tadidio fa tapany tena lehibe amin’ilay fivoriana
ny famakiana ireo fehintsoratra. Miankina be dia be amin’ny fandre-
nesan’ny mpanatrika azy ireo ny soa horaisiny.
Rehefa manome valin-teny mandritra ny fivoriana. Raha ma-
ˆ
mpiasa mikro mba hanomezan’ny mpanatrika valin-teny ny Efitrano
Fanjakananareo, dia tadidio fa mbola ilainao hatao mazava tsara sy re
`
tsara ihany ny teninao. Hazony eny an-tananao ilay zavatra ianarana,
na ny Baibolinao, rehefa manome valin-teny. Izany dia hanampy anao
ˆ
hahita azy io mazava tsara, no sady hiteny ao amin’ny mikro.
Any amin’ny Efitrano Fanjakana sasany, dia misy rahalahy tendrena
ˆ
hitondra ny mikro any amin’ireo voatondro hanome valin-teny. Raha
izany no izy ao amin’ny anareo, rehefa voatondro hanome valin-teny
ianao, dia atsangano foana ny tananao, mba ho hitan’ilay rahalahy
ˆ
mitondra ny mikro ny misy anao, ka handehanany any haingana.
ˆ
Raha mikro raisin-tanana no ampiasainareo, dia aoka ianao ho vono-
na haka azy avy hatrany. Aza manomboka miteny, raha tsy efa eo ano-
ˆ
loanao tsara ilay mikro. Avereno avy hatrany amin’ilay rahalahy ilay
izy, rehefa avy namaly ianao.
Rehefa manao fampisehoana. Ilaina hokarakaraina mialoha ny fa-
ˆ
mpiasana mikro mandritra ny fampisehoana iray. Raha misy fitoera-
ˆ
ny ilay mikro, dia ho afaka hampiasa ny tananao roa mba hihazonana
ˆ
142 Fampiasana Mikro

ny Baibolinao sy ny taratasinao ianao. Mety ho afaka hanao fihetseha-


ˆ
na misimisy kokoa ianao, raha mikro raisin-tanana no ampiasainao.
ˆ
Amin’izay anefa, dia asaivo hazonin’ilay namanao ilay mikro, mba ho
afaka hamadika ny Baibolinao mora foana ny tananao. Tokony hanao-
vanareo famerenana izany, mba hahaizan’ilay namanao hihazona ilay
ˆ
mikro araka ny tokony ho izy. Tadidio koa fa tsy tokony hiamboho ny
mpanatrika ianao rehefa eo ambonin’ny lampihazo, indrindra fa re-
hefa miteny.
Amin’ireo fampisehoana amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoa-
na, dia mety hisy mpandray anjara maromaro, ary mety hifamezivezy
ˆ `
eo ambonin’ny lampihazo izy ireo. Mety ho mikro maromaro ary no
hilaina. Tokony hapetraka mialoha eny amin’ny lampihazo izy ireny,
na ho azon’ny mpandray anjara raisina mora foana rehefa hankeny
ˆ
izy. Tsy maintsy karakaraina mialoha ireo mikro, raha tiana ho eo
amin’ny toerany amin’ny fotoana ilana azy. Anaovy famerenana alo-
han’ny tena hanaovana azy ny fampisehoana rehetra, mba hianaran’
ˆ
ny mpandray anjara ny fahaiza-mampiasa ny mikro. Rehefa tsy afaka
manao famerenana eny ambonin’ny lampihazo ny mpandray anjara,
ˆ
dia tsara ny hihazonany zavatra kely mitovy habe amin’ny mikro, ma-
ndritra ny famerenana, mba hianarany hihazona azy. Aorian’ilay fa-
ˆ
mpisehoana, dia tokony hamerina moramora ireo mikro raisin-tana-
na ho eo amin’ny toerany ireo mpandray anjara, ka hitandrina sao
ˆ
voafingan’ny tadin’ireo mikro hafa, rehefa miala ny lampihazo.
ˆ
Ny fahaizantsika mampiasa mikro dia mifandray mivantana amin’
ny iray amin’ireo zava-kendren’ny fivoriantsika, izany hoe fifanome-
zantsika soa, amin’ny firesahana momba ny Tenin’Andriamanitra.
(Heb. 10:24, 25) Afaka manatanteraka io zava-kendrena lehibe io ny
ˆ
tenantsika, raha mianatra hampiasa tsara ny mikro.

FANAZARAN-TENA:
ˆ
Raha mampiasa mikro ny Efitrano Fanjakananareo, dia jereo tsara ny fomba
ˆ
ampiasan’ireo mpandahateny za-draharaha ny mikro misy fitoerany sy ny mi-
ˆ
kro raisin-tanana. Mariho izay fanao tianao hampiasaina na hohalavirina, ary
koa ny anton’ny safidinao.
FAMPIASANA BAIBOLY MBA HAMALIANA 18

Inona no ilainao hatao?


Mampiasa tsara ny Baiboly mba hamaliana fanontaniana.

REHEFA misy manontany antsika momba ny zavatra inoantsika, ny fomba


fiainantsika, ny fihevitsika momba izay zava-mitranga, ny fanantenantsika
momba ny hoavy, dia miezaka hampiasa ny Baiboly isika mba hamaliana azy.
Nahoana? Satria io no Tenin’Andriamanitra. Avy ao amin’ny Baiboly ireo za-
vatra inoantsika. Izy io no iorenan’ny fomba fiainantsika. Izy io no mamola-
vola ny fihevitsika momba ny zava-mitranga maneran-tany. Ary
miorina mafy amin’ny fampanantenana ara-tsindrimandry ao,
ny fanantenantsika momba ny hoavy.—2 Tim. 3:16, 17. NAHOANA IZANY
Takatsika tsara ny andraikitra entin’ny fitondrana ny anara- NO TENA ILAINA?
ntsika. Vavolombelon’i Jehovah isika. (Isaia 43:12) Koa rehefa Nirahina ‘hitory ny teny’
` isika. Nanome ny ohatra i Je-
mamaly fanontaniana ary isika, dia manao izany, tsy araka ny
fahendren’olombelona, fa araka ny Teny ara-tsindrimandrin’i sosy, tamin’ny filazana hoe:
Jehovah. Marina fa samy manana ny fomba fiheviny ny tsirai- ‘Tsy avy amiko ny teny izay
ray amintsika. Avelantsika hamolavola izany fomba fihevitsika lazaiko.’—2 Tim. 4:2;
Jaona 14:10.
izany anefa ny Tenin’Andriamanitra, izay ekentsika tanteraka ho
ny fahamarinana. Manome antsika fahalalahana hifidy izay tia-
ntsika amin’ny raharaha maro, ny Baiboly. Tsy manery ny hafa
hanaraka ny zavatra tian’ny tenantsika manokana anefa isika. Mampianatra
ireo toro lalana voasoritra ao amin’ny Soratra Masina kosa isika, no sady ma-
mela an’ireo mihaino antsika hanana fahalalahana hifidy izay tiany, toa
antsika ihany. Sahala amin’ny apostoly Paoly, dia manampy ny olona hanai-
`
ky, na hankato, noho ny finoana, isika.—Rom. 16:26.
Miantso an’i Jesosy Kristy hoe “Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina”
ny Apokalypsy 3:14. Ahoana no namaliany fanontaniana sy nandraisany ireo
toe-javatra sarotra nihatra taminy? Indraindray, dia tamin’ny fampiasana fa-
noharana nampisaintsaina ny olona. Tamin’ny fotoana hafa, dia tamin’ny fa-
nontaniana an’ilay nanontany ny fomba nahazoany andinin-teny iray. Ma-
tetika kosa no tamin’ny fanononana andinin-teny na filazana azy ireny
tamin’ny fomba hafa, na tamin’ny firesahana an-kolaka momba azy ireny.
(Matio 4:3-10; 12:1-8; Lioka 10:25-28; 17:32) Notahirizina tao amin’ny syna-
goga ireo horonan’ny Soratra Masina, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy misy
porofo hoe nanana ny azy manokana i Jesosy. Nahafantatra tsara ny Soratra
Masina anefa izy, ary nanonona azy ireo matetika, rehefa nampianatra ny
`
hafa. (Lioka 24:27, 44-47) Afaka nilaza marina ary izy fa tsy avy taminy

143
144 Fampiasana Baiboly mba Hamaliana

izay nampianariny. Izay reny tamin’ny Rainy no nolazainy.—Jaona 8:26.


Maniry hanaraka ny ohatr’i Jesosy isika. Tsy sahala amin’i Jesosy anefa isi-
ka, satria tsy nahare an’Andriamanitra niteny. Tenin’Andriamanitra anefa ny
Baiboly. Rehefa mampiasa azy io mba hanomezana valin-teny isika, dia tsy
misarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenantsika. Asehontsika fa tsy milaza
ny fihevitr’olombelona tsy lavorary isika, fa tapa-kevitra kosa ny
hamela an’Andriamanitra hamaritra ny atao hoe fahamarinana.
MBA HO KINGA KOKOA —Jaona 7:18; Rom. 3:4.
Mamakia Baiboly isan’ Mazava ho azy fa tsy ny hampiasa ny Baiboly fotsiny no tadia-
`
andro. Manana fandaharam- vintsika, fa ny hampiasa azy io mba hitondrany soa ho an’ilay
pianarana manokana tsara. mihaino antsika. Tiantsika halala-tsaina izy rehefa mihaino
`
Mizara manonona andinin- antsika. Raha avelan’ilay olona ianao, dia mety ho afaka hilaza
teny, rehefa mamaly any hoe: “Tsy manaiky ve ianao fa izay lazain’Andriamanitra no tena
am-pivoriana. zava-dehibe?”; na hoe: “Fantatrao ve fa miresaka momba izany
Rehefa misy fanontaniana indrindra ny Baiboly?” Mety hila hampiasa teny fampidirana so-
na toe-javatra sarotra miha- mary hafa noho izany ianao, raha olona tsy manaja ny Baiboly
tra aminao, dia manontania no iresahanao. Ohatra, amin’ny filazana hoe: “Misy faminania-
tena toy izao foana aloha: na tranainy iray tiako holazaina aminao ity”; na hoe: “Ilay boky
‘Inona no lazain’ny Baiboly?’
fatra-piely indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona dia
Rehefa tsy hainao izay lazain’ milaza fa...”
ny Baiboly momba ny raha-
Amin’ny fotoana sasany, dia mety hanonona izay voalazan’ilay
raha iray, dia aza maminany
ny valiny, na milaza ny hevi- andininy amin’ny fomba hafa ianao. Isaky ny azo atao anefa, dia
trao manokana. Lazao fa tsara ny hanokafana ny Baiboly sy ny hamakiana izay lazainy.
hanao fikarohana ianao. Asehoy amin’ilay olona ao amin’ny Baiboliny ilay andinin-teny,
isaky ny mety izany. Misy vokany mahery eo amin’ny olona ma-
tetika, ny fampiasana ny Baiboly mivantana toy izany.—Heb.
4:12.
Ny anti-panahy kristianina indrindra no manana andraikitra hampiasa ny
Baiboly, rehefa mamaly fanontaniana. Fepetra iray takina mba hahatongava-
na ho anti-panahy ny ‘fitanana mafy ny teny marina araka ny efa nampiana-
rina.’ (Tit. 1:9) Mety handray fanapahan-kevitra lehibe iray eo amin’ny fiai-
nany ny rahalahy na ny anabavy iray, rehefa avy nahazo torohevitra tamin’ny
`
anti-panahy iray. Tena zava-dehibe ary ny hiorenan’izany torohevitra izany
amin’ny Soratra Masina! Maro no haka tahaka ny fomba fampianatry ny anti-
panahy manao izany.

FANAZARAN-TENA:
Soraty ny fanontaniana iray na roa napetraka taminao 1) teny amin’ny fanompoa-
na, sy 2) momba ny zavatra iray nolazaina tamin’ny vaovao, ary 3) momba ny
hanarahana fanao iray tian’ny olona. Mifidiana andinin-teny iray, fara fahakeliny,
mba hamaliana ny tsirairay amin’ireo.
FAMPIRISIHANA HAMPIASA BAIBOLY 19

Inona no ilainao hatao?


Mampirisika ny mpihaino hanaraka ao amin’ny Baiboliny ny
famakiana ireo andinin-teny.

FANIRIANTSIKA ny hisarika ny sain’ny olona rehetra ho amin’ny Tenin’


Andriamanitra, ny Baiboly. Io boky masina io no fototr’ilay hafatra tori-
ntsika. Tiantsika ho takatry ny olona fa tsy avy amin’ny tenantsika izay la-
zaintsika, fa avy amin’Andriamanitra. Mila mianatra hatoky ny Baiboly ny
olona.
Eny amin’ny fanompoana. Rehefa manomana ny fano-
mpoanao eny amin’ny saha ianao, dia mifidiana foana andi-
nin-teny iray na mihoatra, hovakina amin’ireo maniry hihai- NAHOANA IZANY
no. Na dia fohy aza ny fanolorana boky na gazety kasainao NO TENA ILAINA?
hampiasaina, dia matetika no tsara ny hamakiana andinin- Hampiaiky ny olona kokoa
teny iray mety tsara. Manan-kery kokoa noho izay rehetra izay reny raha hitan’ny
masony, indrindra fa ao
mety holazaintsika ny Baiboly, mba hampianarana an’ireo
amin’ny Baiboliny.
ondry. Rehefa tsy afaka mamaky mivantana ao amin’ny Bai-
`
boly ianao, dia manonona teny avy ao. Tsy nisy horonan’ny
Baiboly firy azo nampiasaina, tamin’ny taonjato voalohany. Na izany aza,
dia nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina matetika i Jesosy sy ny
apostoliny. Tokony hiezaka koa isika hitadidy andinin-teny sy hahay ha-
mpiasa azy ireny eo amin’ny fanompoantsika, amin’ny fanononana ny he-
vitra ao aminy fotsiny indraindray.
Rehefa afaka mamaky teny ao amin’ny Baiboly ianao, dia asehoy an’ilay
tompon-trano izany, mba hanarahany ny famakianao azy. Vao mainka izy
angamba hanaiky kokoa ilay zavatra vakiny, raha manaraka ao amin’ny
Baiboliny.
Fantaro anefa fa misy mpandika tenin’ny Baiboly sahisahy nanova ny
Tenin’Andriamanitra. Angamba tsy mifanaraka tanteraka amin’izay nola-
zain’ireo teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany ny dikan-tenin’
izy ireo. Misy fandikan-teny maoderina sasany nanesotra ny anaran’Andri-
amanitra, nanamaizina izay nolazain’ny teny tany am-boalohany momba
ny toetran’ny maty, ary nanafina izay lazain’ny Baiboly momba ny fika-
san’Andriamanitra ho an’ny tany. Mba hampisehoana amin’ny olona iray
izay nataon’ireny mpandika teny ireny, dia ampitahao ny andinin-teny le-
hibe sasany ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly isan-karazany, na ao
amin’ny fandikan-teny tranainy kokoa amin’ny fiteny iray ihany. Ny boky
145
146 Fampirisihana Hampiasa Baiboly

Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina dia mampitaha


ny fomba nandikan’ny fandikan-teny samihafa ny teny lehibe sasany ao
amin’ireo andinin-teny fampiasa matetika. Ho velom-pankasitrahana ny
olona tia ny fahamarinana, mahafantatra ny zava-misy.
Any am-pivoriana. Tokony hampirisihina hampiasa ny Baiboliny ny re-
hetra, any am-pivoriana. Soa be dia be no azo avy amin’izany. Manampy
ny mpanatrika hifantoka foana amin’ilay famelabelarana izany. Vao mai-
nka mandaitra ilay fampianarana am-bava omen’ilay mpanda-
hateny, rehefa hitan’ny maso koa. Izany koa dia mampiaiky
NY FOMBA an’ireo olona vao liana fa ny Baiboly tokoa no iorenan’ireo za-
HANAOVANA AZY vatra inoantsika.
Asehoy an’ilay tompon-trano Miankina be dia be amin’ny fampirisihana avy aminao, ny
ilay andinin-teny eo am-pa- hanarahan’ny mpanatrika ny famakianao andinin-teny ao
makianao azy, na asao izy amin’ny Baiboliny na tsia. Ny fanasana mivantana no anisan’
hanaraka ao amin’ny Baibo-
ny mandaitra indrindra.
liny.
Anjaranao mpandahateny ny manapa-kevitra hoe andinin-
Rehefa manao lahateny, dia
teny iza avy no tianao hohamafisina amin’ny fangatahana ny
asao mivantana hijery ireo
andinin-teny lehibe ny mpa- mpanatrika hijery azy ireo. Ny tsara indrindra dia ireo andi-
natrika, ary omeo fotoana nin-teny hanampy anao hamelabelatra ireo hevi-dehibe. Avy
`
ampy hahitany azy ireo. eo, raha ampy ny fotoana, dia maka andinin-teny hafa mba ha-
nohanana ny fanaporofoan-kevitrao.
Tsy ampy ny milaza fotsiny ilay boky sy toko ary andininy,
na ny manasa fotsiny ny mpanatrika hijery andinin-teny iray. Raha mama-
ky andinin-teny iray ianao, ary avy eo mifindra ho amin’ny iray hafa, nefa
mbola tsy nanam-potoana hahitana ilay voalohany ny mpanatrika, vetive-
ty dia ho kivy izy, ka tsy hanaraka ao amin’ny Baiboliny intsony. Mahaiza
mandinika. Vakio ilay andinin-teny, rehefa hitanao fa nahita azy ny anka-
maroan’ny mpanatrika.
Mieritrereta mialoha. Lazao aloha ben’ny hamakianao azy ilay andinin-
teny. Hihena ho faran’izay kely ny fotoana lany hiandrasana ny hahitan’
ny mpanatrika azy. Hihena ny zavatra ho azonao hazavaina, raha miandry
ny mpanatrika hahita ireo andinin-teny ianao, nefa andraso ihany, fa tsy
ho very maina ny fanaovanao izany.

FANAZARAN-TENA:
Rehefa miverina mitsidika olona ianao, dia andramo izao: 1) Omeo azy ny Bai-
bolinao, izay efa nosokafanao eo amin’ilay andinin-teny, ary asao izy hamaky
azy io. 2) Asao ilay tompon-trano haka ny Baiboliny sy hamaky andinin-teny
lehibe iray.
FAHAIZANA MAMPIDITRA ANDININY 20

Inona no ilainao hatao?


Mampiomana ny sain’ny mpihaino, hihaino ny famakianao
andinin-teny iray.

NY SORATRA Masina no iorenan’ny fampianarana omena any amin’ireo


fivoriantsika. Ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly koa no fototr’izay la-
zaintsika eny amin’ny fanompoana. Raha tiantsika hanatsara ny famela-
belarantsika anefa izy ireny, dia mila mahay mampiditra azy ireny isika.
Tsy ampy ny manonona fotsiny ilay andininy sy manasa ny hafa hiara-
mamaky azy io aminao. Rehefa mampiditra andinin-teny ia-
nao, dia iezaho hotratrarina ireto zava-kendrena roa ireto:
1) Mba ho tsy andrin’ny mpihaino ny famakiana azy, sy NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA?
2) mba hifantohana amin’ny antony ampiasanao ilay andini-
ny. Fomba isan-karazany no azo ampiasaina mba hahatratra- Afaka manampy ny mpihaino
hahazo ny tena hevitr’ilay
rana izany. andinin-teny ny fahaizana
Mametraha fanontaniana. Mandaitra indrindra io, raha mampiditra azy io.
mbola tsy miharihary amin’ny mpihaino ny valiny. Amboary
ny fomba hilazanao ilay fanontaniana, mba hahatonga ny olo-
na hieritreritra. Nanao izany i Jesosy. Nanatona azy tao amin’ny tempoly
ireo Fariseo indray mandeha, ka nitsapa azy ampahibemaso momba ny fo-
mba fahazoany ny Soratra Masina. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Ahoana
no hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy?” Namaly izy ireo hoe:
`
“Zanak’i Davida.” Nanontany indray ary i Jesosy hoe: “Koa nahoana ary
Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe ‘Tompo’?” Avy eo, dia nano-
nona ny teny ao amin’ny Salamo 110:1 izy. Tsy nahateny ireo Fariseo. Ny
vahoaka anefa nihaino an’i Jesosy tamim-pahafinaretana.—Matio 22:
41-46.
Eny amin’ny fanompoana, rehefa hampiditra andinin-teny, dia ma-
`
mpiasa fanontaniana toy izao: “Samy manana anarana na izaho na ianao.
Mba manana anarana ve Andriamanitra? Hahita ny valin’izany isika ao
amin’ny Salamo 83:18.” “Hisy fitondram-panjakana tokana ho an’ny olo-
mbelona rehetra ve, indray andro any? Mariho ny valin’izany ao amin’ny
Daniela 2:44.” “Tena miresaka momba ny toe-piainana amin’izao andro-
ntsika izao tokoa ve ny Baiboly? Jereo izay lazain’ny 2 Timoty 3:1-5, ary
ampitahao amin’ny toe-piainana fahitanao andavanandro.” “Hisy farany
ve ny fahoriana sy ny fahafatesana, indray andro any? Hitantsika ao amin’
ny Apokalypsy 21:4, 5 ny valiny omen’ny Baiboly.”
147
148 Fahaizana Mampiditra Andininy

Ao amin’ny lahateny iray, ny fahaiza-mampiasa fanontaniana mba ha-


mpidirana andinin-teny dia hahatonga ny mpihaino hijery ireo andinin-
teny ireo amin’ny endriny vaovao, ary na dia ireo efa fantany tsara aza. Ha-
nao izany ve anefa izy ireo? Mety hanao izany izy ireo, raha ataonao
mahakasika azy tsara ny fanontaniana apetrakao. Na dia mahaliana ny
mpihaino aza ilay foto-kevitra, dia mety hiriorio ny sainy, rehefa mamaky
`
andinin-teny efa reny imbetsaka ianao. Mba hisakanana an’izany ary, dia
eritrereto tsara izay hahatonga ny famelabelaranao hanintona.
` `
Milaza zava-manahirana iray. Milaza zava-manahirana iray, ary sariho
ny sain’ny mpihaino ho amin’ny andinin-teny iray mety ha-
nome ny vahaolana. Aza avela hanantena hahazo mihoatra
NY FOMBA
noho izay voalaza ao anefa izy ireo. Matetika no tsy ilay vahao-
ANAOVANA AZY
lana manontolo no omen’ny andinin-teny iray. Kanefa, asao
Eo am-pifidianana fomba iray
hahaliana ny mpihaino, dia ny mpihaino hijery, eo am-pamakianao ilay andinin-teny, hoe
eritrereto izay efa fantany inona no toro lalana omen’izy io mba handaminana ilay zava-
sy tsapany momba ilay foto- manahirana.
kevitra. `
Na milaza fitsipika ara-pitondran-tena iray. Avy eo dia ma-
`
Fantaro tsara izay tokony ho mpiasa fitantarana ara-baiboly iray, mba hampisehoana fa fa-
zava-kendren’ny hendrena ny fanarahana ilay fitsipika. Raha misy hevitra roa
andinin-teny tsirairay, ary (na mahery) mifandray amin’ilay foto-kevitra resahina, ao
asehoy ao amin’ireo teny amin’ny andinin-teny iray, dia manasa ny mpihaino hanama-
ampidiranao azy izany.
rika azy ireny ny mpandahateny sasany. Raha toa sarotra loatra
amin’ny mpihaino sasany ny zava-manahirana iray, dia ampi-
risiho izy hieritreritra, amin’ny filazana safidy maromaro. Ilay andininy sy
ny fampiharana azy avy eo no avelao hanome ny valiny.
`
Ny Baiboly no tonony ho fahefana azo ekena. Raha efa liana amin’ilay
foto-kevitrao ny mpihaino, ary nilaza hevitra iray na roa momba azy io
ianao, dia azonao atao fotsiny ny mampiditra andinin-teny iray toy izao:
“Mariho izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba io hevitra io.” Ma-
mpiseho izany hoe nahoana ilay zavatra hovakinao no azo ekena.
Nampiasa lehilahy toa an-dry Jaona, Lioka, Paoly ary i Petera mba hano-
ratra ny Baiboly i Jehovah. Mpanoratra ihany anefa ireo, fa i Jehovah no
Loharanon’ny Baiboly. Rehefa miresaka amin’ny olona tsy mpianatra ny
Soratra Masina indrindra ianao no hahita fa tsy tena manan-kery ny fila-
zana hoe “Nanoratra toy izao i Petera” na hoe “Nilaza toy izao i Paoly”, tsy
toy ny filazana hoe “Hoy ny tenin’Andriamanitra.” Tsara homarihina fa
indraindray dia nasain’i Jehovah i Jeremia mba hanomboka ny fanamba-
rany tamin’ny hoe: “Mihainoa ny tenin’i Jehovah.” (Jer. 7:2; 17:20; 19:3;
22:2) Na mampiasa ny anaran’i Jehovah isika na tsia, rehefa mampiditra
andinin-teny, dia tokony hitadidy hilaza amin’ny faran’ilay fanazavana, fa
izay voalaza ao amin’ny Baiboly dia tenin’i Jehovah.
Fahaizana Mampiditra Andininy 149

Jereo ny teny manodidina. Tokony hasianao fiheverana aloha ny teny


manodidina ny andinin-teny iray, vao mampiditra azy ianao. Indraindray,
dia hanonona mivantana ilay teny manodidina ianao; kanefa, mety hano-
va ny fomba hampidiranao ilay andininy izy io. Ohatra, hitovy ve ny
fomba hampidiranao ny teny nolazain’i Joba, izay natahotra an’Andriama-
nitra, sy ny teny nataon’ny iray tamin’ireo nisandoka ho mpampionona
azy? Nosoratan’i Lioka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Manonona tenin’
olon-kafa koa anefa izy ao, toa an-dry Jakoba, Petera, Paoly, Filipo, Stefana,
`
ny anjely ary koa i Gamaliela sy ny Jiosy hafa tsy kristianina. Iza ary no
holazainao fa nilaza ilay teny hotononinao? Tadidio koa, ohatra, fa tsy i
Davida no nanoratra ny salamo rehetra, ary tsy i Solomona no nanoratra
ny bokin’ny Ohabolana manontolo. Fantaro koa hoe iza ilay iresahan’ilay
mpanoratra, sy hoe inona ilay foto-kevitra resahiny.
Resaho ny toe-javatra nanoratana ilay andininy. Mandaitra indrindra
izany, raha asehonao fa mitovy amin’ireo toe-javatra resahinao ny toe-ja-
vatra nisy tamin’ny fotoana nanoratana ilay fitantarana ara-baiboly. Ilaina
koa indraindray ny mahafantatra ny toe-javatra nanoratana ilay andinin-
teny, mba hahazoana tsara azy io. Aoka hatao hoe hampiasa ny Hebreo 9:
12, 24 ianao ao amin’ny lahateny iray momba ny avotra. Resahiny ao fa ny
efitra anatiny indrindra amin’ny tabernakely dia sary mampiseho ny toe-
rana nidiran’i Jesosy tany an-danitra. Mety hila ny hanazava vetivety mo-
mba azy io ianao alohan’ny hamakiana ilay andinin-teny. Aza mampiditra
fanazavana fanampiny be loatra anefa, sao manjary tsy hita ny antony
andraisanao ilay andinin-teny.
Diniho izay ataon’ireo mpandahateny za-draharaha, mba hanatsarana
ny fomba hampidiranao ireo andininy. Mariho ireo fomba samy hafa
ampiasainy. Jereo raha mandaitra ireo fomba ireo. Rehefa manomana ny
anjaranao na lahateninao ianao, dia fantaro aloha ireo andinin-teny foto-
tra. Eritrereto izay tokony ho zava-kendren’ny tsirairay aminy. Omano tsa-
ra ny fomba hampidirana ny tsirairay aminy, mba hisy vokany indrindra
ny fampiasana azy. Avy eo, dia ampiharo amin’ireo andinin-teny rehetra
hampiasainao izany fomba fanaovan-javatra izany. Rehefa mihatsara io
lafiny iray amin’ny famelabelaranao io, dia hampifantoka bebe kokoa ny
saina amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao.

FANAZARAN-TENA:
Mifidiana andininy iray izay ho azonao ampiasaina tsara eo amin’ny faritani-
nao. Eritrereto 1) izay fanontaniana na zava-manahirana holazainao mba tsy
ho andrin’ilay tompon-trano izay hovakinao, sy 2) ny fomba hampifantoha-
nao ny saina amin’ny antony hamakianao ilay andininy.
FAMAKIANA ANDININY
21 MISY TENY HAMAFISINA TSARA

Inona no ilainao hatao?


Manamafy izay teny manasongadina ny fanjohian-kevitrao;
mamaky teny amin’ny fanehoana ny fihetseham-po mety.

REHEFA miresaka momba ny fikasan’Andriamanitra amin’ny hafa ia-


nao, na mitokana izany na avy eny amin’ny lampihazo, dia tokony hifa-
ntoka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra lazainao. Mamaky andi-
nin-teny ao amin’ny Baiboly ianao amin’izany, ary tokony hataonao
tsara izany.
Fanamafisan-teny tsara sy fihetseham-po. Tokony hane-
NAHOANA IZANY ho fihetseham-po ny famakiana andinin-teny. Indreto misy
NO TENA ILAINA? ohatra sasany: Rehefa mamaky ny Salamo 37:11 ianao, dia
Misongadina tsara ny herin’ tokony ho re amin’ny feonao fa sady faly ianao no tsy andri-
ireo andinin-teny vakina nao ilay fiadanana ampanantenaina ao. Rehefa mamaky ny
rehefa misy teny hamafisina Apokalypsy 21:4, izay miresaka momba ny hiafaran’ny fija-
tsara. liana sy ny fahafatesana, ianao, dia tokony ho tsapa amin’ny
feonao ny fankasitrahanao noho ilay fanamaivanana voalaza
ao. Ny Apokalypsy 18:2, 4, 5, izay miangavy ny mpamaky mba hivoaka
amin’i “Babylona Lehibe” feno fahotana, dia tokony hovakina amin’ny
feo maneho fahamaikana. Tokony ho avy amin’ny fo ilay fihetseham-
po aseho fa tsy ho tafahoatra. Ilay andinin-teny sy ny antony ampiasa-
nao azy no hamaritra ny hamafin’ilay fihetseham-po hasehonao.
Ny teny tokony ho izy no hamafiso. Raha tapany iray amin’ilay andi-
nin-teny fotsiny no iorenan’ny fanazavanao, dia tokony hanasongadina
izany tapany izany ianao, rehefa mamaky ilay andininy. Ohatra, rehefa
mamaky ny Matio 6:33 ianao, dia tsy hanamafy ny hoe “ny fahamari-
nany” na ny hoe “izany rehetra izany”, raha ny hevitry ny hoe “katsa-
ho aloha ny fanjakany” no tianao hovelabelarina.
Mety hamaky ny Matio 28:19 ianao ao amin’ny anjara iray amin’ny
Fivoriana Momba ny Fanompoana. Teny iza avy no tokony hohamafisi-
nao? Raha ny fahazotoana hanomboka fampianarana Baiboly no tianao
hampirisihana, dia ny hoe “ataovy mpianatra” no hamafiso. Kanefa
mety ho ny andraikitry ny Kristianina hizara ny fahamarinana amin’ny
olona vahiny eo an-toerana no tianao horesahina, na ny fampirisihana
hifindra any amin’ny ilana fanampiana bebe kokoa. Ny hoe “ny firene-
na rehetra” no hohamafisinao amin’izay.
150
Famakiana Andininy Misy Teny Hamafisina Tsara 151

Matetika no raisina mba hamaliana fanontaniana ny andinin-teny


iray, na mba hanaporofoana hevitra tsy eken’ny hafa. Raha mitovy ny
fomba hanamafisana ny hevitra rehetra ao amin’ilay andininy, dia
mety ho tsy hitan’ny mpihaino ny ifandraisany amin’ilay fanazavana.
Mety hazava aminao izany, fa tsy hazava aminy.
Ohatra, mety hamaky ny Salamo 83:18 ao amin’ny Baiboly iray misy
ny anaran’Andriamanitra ianao. Raha ny hoe “Ilay Avo Indrindra” no
hamafisinao, dia tsy ho hitan’ilay tompon-trano fa manana anarana
Andriamanitra, na dia mety ho toa miharihary aza izany. Ny
hoe “Jehovah” no tokony hohamafisinao. Raha miresaka
momba ny fiandrianan’i Jehovah kosa anefa ianao, dia ny FIANARANA NY FOMBA
hoe “Ilay Avo Indrindra” no tokony hohamafisinao, rehefa FANAMAFISAN-TENY
mamaky io andininy io. Toy izany koa, rehefa hamaky ny Ja- Manontania tena toy izao,
momba izay andininy kasai-
koba 2:24 ianao mba hampisehoana fa tsy maintsy ampiara-
nao hovakina: ‘Inona no
hina ny finoana sy ny asa, raha ny hoe “hamarinina” no fihetseham-po asehon’ireo
hamafisinao, fa tsy ny hoe “asa”, dia tsy ho azon’ny mpihai- teny ireo? Ahoana no tokony
no sasany ilay tianao hohazavaina. hampitako azy io?’
Ohatra tsara hafa ny Romana 15:7-13. Tapany amin’ny ta- Fakafakao ireo andininy
ratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonana voa- kasainao hampiasaina.
forona Jentilisa sy Jiosy izy io. Manazava ilay apostoly ao fa Manontania tena toy izao,
momba ny tsirairay aminy:
tsy ny Jiosy voafora ihany no mandray soa avy amin’ny fano- ‘Inona no ilana ity andininy
mpoan’i Kristy, fa ny firenena hafa koa, mba “hankalazan’ny ity? Teny inona avy no ilaina
jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo.” Avy hohamafisina?’
eo i Paoly dia manonona andinin-teny efatra mba hisariha-
na ny saina ho amin’io tombontsoa nomena an’ireo firenena
io. Ahoana no tokony hamakianao ireo andininy ireo, mba
hanamafisana ny tian’i Paoly hohazavaina? Asio marika ireo teny hoha-
mafisinao, dia ny hoe “ny jentilisa” ao amin’ny andininy faha-9, ny hoe
“ry jentilisa” ao amin’ny andininy faha-10, ny hoe “ry jentilisa rehetra”
sy hoe “ny firenena rehetra” ao amin’ny andininy faha-11, ary ny hoe
“ny jentilisa” ao amin’ny andininy faha-12. Avy eo, dia vakio amin’ny
fanamafisana ireo teny ireo ny Romana 15:7-13. Raha manao izany ia-
nao, dia hazava kokoa sy ho mora azo kokoa ilay fanjohian-kevitr’i Paoly.
Fomba hanamafisan-teny. Azonao hamafisina amin’ny fomba
maro ireo teny fototra tianao hisongadina. Tokony hifanentana amin’
ny andininy sy ny faritra anaovanao ny anjaranao na lahateninao ilay
fomba ampiasainao. Indreto misy fanoloran-kevitra sasantsasany.
Fanovaovam-peo. Izany dia ny fiovan’ny feo, izay mampisongadi-
na ireo teny fototra, raha oharina amin’ireo teny hafa ao amin’ilay
152 Famakiana Andininy Misy Teny Hamafisina Tsara

fehezanteny. Azo atao tsara ny manamafy teny amin’ny fitenenana


mafy kokoa na mora kokoa. Amin’ny fiteny maro, ny fanamafisan-teny
dia azo atao amin’ny fanovana ny haavon’ny feo ho maranitra kokoa
na hidoboka kokoa. Amin’ny fiteny sasany kosa anefa, ny fanaovana
izany dia mety hanova tanteraka ny hevitra. Azo hamafisina koa ireo
teny fototra, raha vakina miadana kokoa. Amin’ireo fiteny tsy afaka ma-
mpiasa ny fanovaovam-peo mba hanamafisana teny sasany, dia ilaina
ny mampiasa izay fomba rehetra mahazatra amin’io fiteny io mba ha-
namafisan-teny.
Fiatoana. Io dia azo atao aloha na aorian’ny famakiana ilay tapany
fototra amin’ilay andinin-teny, na sady aloha no aoriana. Ny fiatoana
aloha kelin’ny hamakianao hevi-dehibe iray dia mahatonga ny olona
hiandry azy io. Mandraikitra ilay hevitra ao an-tsainy kosa ny fiatoana
aoriana. Tsy hisy hevitra hisongadina anefa, raha be loatra ny fiatoana.
Famerimberenana. Mba hanamafisana hevitra iray, dia miatoa ka ave-
reno vakina ilay na ireo teny milaza azy. Matetika anefa no tian’ny olo-
na kokoa raha vakina manontolo ilay andininy, ary avy eo vao averina
ilay teny fototra.
Fihetsehana. Matetika ny fihetsehana sy ny endrika no afaka mampi-
ta fihetseham-po, eo am-pilazana teny na fehezanteny iray.
Toe-peo. Amin’ny fiteny sasany, dia azo vakina amin’ny toe-peo izay
manova ny heviny sy mampisongadina azy ny teny indraindray. Ilaina
koa eto ny mitandrina, indrindra raha mamaky teny misy fanesoana.
Rehefa ny hafa no mamaky. Rehefa mamaky andinin-teny ny to-
mpon-trano iray, dia mety ho ireo teny tsy izy no hamafisiny, na mety
tsy hanamafy na inona na inona izy. Inona no azonao atao amin’izay?
Tsara raha manao fampiharana ilay andininy ianao, mba hivoahan’ilay
hevitra tsara. Aorian’izay, dia ifantohy manokana sy mivantana ireo
teny fototra ao amin’ilay andininy.

FANAZARAN-TENA:
1) Fakafakao ny andinin-teny iray kasainao hampiasaina eny amin’ny fano-
`
mpoana. Mizara mamaky azy amin’ny fanehoana ny fihetseham-po mety.
Eritrereto ny antony hampiasanao azy, ary vakio ilay izy amin’ny fanamafisa-
na ireo teny tokony ho izy. 2) Raiso ilay boky na gazety ianarana amin’ny
herinandro, ary mifidiana fehintsoratra iray manonona andinin-teny. Fakafa-
kao ny fomba ampiasana azy ireo ao. Asio marika ireo teny fototra. Vakio
amin’ny feo avo ilay fehintsoratra manontolo, ka hamafiso tsara ny andinin-
teny.
FAMPIHARANA TSARA NY ANDININ-TENY 22

Inona no ilainao hatao?


Mampifanaraka ny fampiharanao ny andinin-teny iray amin’
ny teny manodidina sy amin’ny Baiboly manontolo, ary koa
amin’izay navoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’

TSY ny famakiana andininy ao amin’ny Baiboly fotsiny no takina, rehefa


mampianatra ny hafa. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty, namany:
“Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha
toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarina-
na.”—2 Tim. 2:15.
Midika izany fa tsy maintsy mifanaraka amin’izay ampia-
narin’ny Baiboly ny fomba anazavantsika andinin-teny. Noho
izany, dia tsy maintsy mijery ireo teny manodidina ilay andini- NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA?
ny isika, fa tsy hifidy fotsiny izay teny tiantsika, ary hanampy
Zava-dehibe ny mampiana-
ny fomba fihevitsika manokana. Nampitandrina tamin’ny ala-
tra ny Tenin’Andriamanitra
lan’i Jeremia i Jehovah mba tsy hihainoana ireo mpaminany amin’ny hafa. Tiany ho to-
nihambo ho niteny tamin’ny anarany, nefa raha ny tena izy, nga amin’ny “fahalalana ny
dia nilaza ‘fahitana avy tao am-pony ihany.’ (Jer. 23:16) Nampi- marina” ny olona. (1 Tim.
tandrina ny Kristianina ny apostoly Paoly mba tsy handoto ny 2:3, 4) Manana andraikitra
hampianatra tsara ny Te-
Tenin’Andriamanitra tamin’ny fampianaran’olombelona. Hoy `
nin’Andriamanitra ary isika.
izy: “Efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy ma-
ndeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriama-
nitra izahay.” Tamin’izany andro izany, dia nisy mpivarotra divay ratsy toe-
tra nanampoka rano ny divainy, mba hahazoana vola bebe kokoa. Isika
kosa tsy manatsatso ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fampifangaroana azy
amin’ny fampianaran’olombelona. “Tsy mba toy ny maro izay manatsatso
ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay”, hoy i Paoly, “fa toy ny
amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatre-
han’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.”—2 Kor. 2:17; 4:2.
Indraindray dia mety hanonona andinin-teny iray ianao, mba hampiso-
ngadinana toro lalana iray. Feno toro lalana tsara momba ny tarehin-java-
tra maro samihafa ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Tokony ho azonao antoka
anefa fa marina ilay fampiharana ataonao. Aza mampiasa andinin-teny
iray amin’ny fomba diso, ka hampilaza azy io izay zavatra tian’ny tenanao
holazainy. (Sal. 91:11, 12; Matio 4:5, 6) Tsy maintsy mifanaraka amin’ny
153
154 Fampiharana Tsara ny Andinin-teny

fikasan’i Jehovah ny fampiharana ataonao, ary koa amin’ny Tenin’Andri-


amanitra manontolo.
Midika koa hoe mahazo izay tena tian’ny Baiboly holazaina ny hoe “mi-
zara tsara ny teny fahamarinana.” Tsy “karavasy” fampitahorana akory izy
io. Nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina ireo mpitondra fivava-
hana nanohitra an’i Jesosy Kristy, nefa nanakimpy ny masony teo ano-
loan’ny raharaha navesa-danja kokoa izay takin’Andriamanitra, toy ny
rariny sy ny famindram-po ary ny tsy fivadihana. (Matio 22:23, 24; 23:23,
24) I Jesosy kosa anefa nanome taratry ny toetran’ny Rainy, re-
hefa nampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Nampiarahiny fi-
FIANARANA MANJOHY tiavana lalina an’ireo olona nampianariny ny zotom-pony ho
HEVITRA amin’ny fahamarinana. Tokony hiezaka hanaraka ny ohatra
Mamakia Baiboly tsy tapaka. nomeny isika.—Matio 11:28.
Ianaro tsara Ny Tilikambo Fia- Ahoana no ahazoantsika antoka fa mety tsara ny fampihara-
mbenana, ary omano tsara
ireo fivoriana. ntsika andinin-teny iray? Hanampy antsika ny famakiana Bai-
boly tsy tapaka. Mila mankasitraka ‘ny mpanompo mahatoky
Fantaro tsara ny hevitr’
ireo teny ao amin’ny andi- sy malina’ koa isika. (Matio 24:45) Izy io dia ny fitamba-
nin-teny rehetra kasainao ran’ireo Kristianina voahosotry ny fanahy, ary fandaharana
hampiasaina. Vakio amim- nataon’i Jehovah mba hizarana sakafo ara-panahy amin’ny
pitandremana ilay andininy, mpianakavin’ny finoana. Handray soa avy amin’ny fampiana-
mba hahazoanao tsara izay
rana omeny amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy ma-
lazainy.
` lina isika, raha manao fianarana manokana sy manatrika tsy
Mizara manao fikarohana ao
tapaka ny fivoriana ary mandray anjara amin’izy ireny.
amin’ireo bokintsika.
Mianara mampiasa tsara ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevi-
tra avy Amin’ny Soratra Masina, raha misy amin’ny fiteninao.
Ho azonao avy hatrany ilay tari-dalana ilainao, mba hanaova-
na fampiharana mety tsara ny andinin-teny maro izay ampia-
saintsika matetika eo amin’ny fanompoantsika. Raha mikasa ny hampiasa
andinin-teny iray tsy dia mahazatra anao loatra ianao, dia tsy hiana-ke-
ndry, fa hanao ny fikarohana ilaina kosa, mba hahaizanao hizara tsara ny
teny fahamarinana.—Ohab. 11:2.
Ataovy hita mazava ilay fampiharana. Rehefa mampianatra ny hafa
ianao, dia ataovy hitany mazava tsara ny ifandraisan’ireo andinin-teny
ampiasainao amin’ilay foto-kevitra resahinao. Raha mampiasa fanontania-
na ianao mba hampidirana ilay andininy, dia tokony ho hitan’ny mpihai-
no ny fomba amalian’io andininy io an’ilay fanontaniana. Raha mampia-
sa ilay andininy mba hanohanana fanambarana iray kosa ianao, dia ataovy
hitan’ilay mpianatra mazava tsara fa tena manaporofo ilay hevitra izy io.
`
Mazana no tsy ampy ny mamaky fotsiny ilay andininy, na dia misy teny
hamafisina tsara aza ao. Tadidio fa tsy mahalala ny Baiboly ny olona tso-
Fampiharana Tsara ny Andinin-teny 155

tra, ary tsy ho voatery hahazo ny tianao holazaina, avy amin’ny vakiteny
indray mandeha. Sariho ny sainy ho amin’ny tapany ao amin’ilay andini-
ny mifandray mivantana amin’ilay zavatra resahinareo.
Mba hanaovana izany, dia mila manavaka tsara ireo teny fototra ianao,
dia ireo izay mifandray mivantana amin’ilay zavatra resahina. Ny mame-
rina milaza ireny teny fototra ireny no fomba tsotra indrindra. Raha mi-
resaka amin’ny olona iray ianao, dia mametraha fanontaniana izay
hanampy azy hamantatra ireo teny fototra. Ny mampiasa teny hafa mito-
vy hevitra na mamerina ilay hevitra no fomba tian’ny mpandahateny sa-
sany kokoa, rehefa miteny amin’olona maromaro. Raha izany anefa no fi-
dinao hatao, dia mila mitandrina ianao mba tsy ho verin’ny mpihaino
ny ifandraisan’ilay hevitra resahina amin’ireo teny ao amin’ilay andi-
niny.
Fanorenana tsara no vitanao, tamin’ny fanavahana tsara toy izany ireo
teny fototra. Ampifandraiso amin’izany ny fanazavanao manaraka. Moa
ve nampiditra ilay andininy tamin’ny filazana mazava ny antony hampia-
sanao azy ianao? Raha eny, dia asehoy ny ifandraisan’ireo teny nasonga-
dinao amin’izay fanazavana nasainao nandrasan’ny mpihaino. Lazao
mazava tsara izany fifandraisana izany. Na dia tsy nivantana aza ny fomba
nampidiranao ilay andininy, dia tokony hampifandraisinao amin’ireo
teny fototra nasongadinao ny fanazavanao manaraka.
Nanontany an’i Jesosy zavatra izay noheverin’izy ireo fa sarotra be ireo
Fariseo, nanao hoe: “Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay
rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?” Naka ny Genesisy
2:24 i Jesosy mba hamaliana azy ireo. Mariho fa tapany iray ihany amin’
io andinin-teny io no nifantohany sy nanaovany ilay fampiharana nilai-
ny. Nasehony fa ho “nofo iray ihany” ny lehilahy iray sy ny vadiny. Hoy
izy avy eo: “Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy
hampisarahin’olona.”—Matio 19:3-6.
Firy ny fanazavana tokony homenao mba hazava ny fampiharana ny
andinin-teny iray? Ny mpanatrika sy ilay hevitra resahina no hamaritra
izany. Tadidio anefa ny hampiasa teny tsotra sy mivantana.
Fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra Masina. Milaza amintsika ny
Asan’ny Apostoly 17:2, 3 fa ‘nanjohy hevitra avy tamin’ny Soratra Masi-
na’ ny apostoly Paoly, fony izy nanompo tany Tesalonika. Fahaizana iray
tokony hianaran’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay izany. Toy izao, oha-
tra, no nataon’i Paoly: Nanonona zavatra sasantsasany momba ny fiaina-
na sy ny fanompoan’i Jesosy izy, nampiseho fa efa nambaran’ny Soratra
Hebreo mialoha izy ireny, ary avy eo izy dia namarana ny teniny toy izao:
“Jesosy, Izay toriko aminareo, ... no Kristy.”
156 Fampiharana Tsara ny Andinin-teny

Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia nanonona teny be dia be


avy tao amin’ny Soratra Hebreo i Paoly. Matetika izy no nanavaka tsara
teny iray na mihoatra mba hanamafisana, na mba hanazavana hevitra
iray, ary avy eo dia nampiseho ny heviny. (Heb. 12:26, 27) Ao amin’ny
Hebreo toko faha-3, dia nanonona ny Salamo 95:7-11 i Paoly. Tapany telo
ao amin’izy io, avy eo, no nohazavainy: 1) ilay filazana momba ny fo
(Heb. 3:8-12), sy 2) ny hevitry ny teny hoe “Anio” (Heb. 3:7, 13-15; 4:
6-11), ary 3) ny hevitr’ilay filazana hoe: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako
mihitsy izy.” (Heb. 3:11, 18, 19; 4:1-11) Araho izany ohatra izany, rehefa
manao fampiharana ny andinin-teny tsirairay.
Diniho ny vokatra tsara azon’i Jesosy, fony izy nanjohy hevitra avy ta-
min’ny Soratra Masina, ao amin’ny Lioka 10:25-37. Nanontany toy izao ny
` ˆ
mpahay lalana iray: “Mpampianatra o, inona no hataoko handovako fiai-
nana mandrakizay?” Nanasa azy hilaza ny heviny aloha i Jesosy. Noanti-
`
tranteriny avy eo fa zava-dehibe ny mankato izay lazain’ny Tenin’Andria-
manitra. Rehefa hitan’i Jesosy fa tsy takatr’ilay lehilahy ny tiany holazaina,
dia niresaka be dia be momba ny teny iray monja izy hoe “namana.” Tsy
namaritra fotsiny ny atao hoe namana izy, fa nampiasa fanoharana kosa
mba hanampiana ilay lehilahy hanatsoaka ilay hevitra marina.
`
Rehefa namaly fanontaniana ary i Jesosy, dia tsy nanonona fotsiny andi-
nin-teny izay nanome valiny nivantana sy niharihary. Namakafaka izay
nolazain’izy ireny izy, ary avy eo dia nampihatra azy ireny tamin’ilay fa-
nontaniana napetraka taminy.
Rehefa tsy nanaiky ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny
maty ny Sadoseo, dia nampifantoka ny saina tamin’ny hevitra voafaritra
iray ao amin’ny Eksodosy 3:6 i Jesosy. Tsy nianina tamin’ny fanononana
ilay andininy anefa izy. Nanjohy hevitra momba azy io izy mba hampise-
hoana fa anisan’ny fikasan’Andriamanitra ny fitsanganana amin’ny maty.
—Marka 12:24-27.
Dingana lehibe hahatongavana ho mpampianatra kinga, ny fahaizana
manjohy hevitra amin’ny fomba mety sy mandaitra avy amin’ny Soratra
Masina.

FANAZARAN-TENA:
Fanjohian-kevitra momba ny hevitry ny 2 Petera 3:7. Moa ve izy io manaporofo fa
ho ringana amin’ny afo ny tany? (Rehefa mamaritra ny hoe “tany” ianao, dia di-
niho koa ny tiana holazaina amin’ny hoe “lanitra.” Andinin-teny inona avy no
mampiseho fa afaka manana heviny an’ohatra ny hoe “tany”? Iza na inona no
horinganina, araka ny andininy faha-7? Ahoana no ifanarahan’izany amin’izay
nitranga tamin’ny andron’i Noa, araka ny andininy faha-5 sy faha-6?)
FANASONGADINANA NY HEVITRA
HAMPIHARINA

23

Inona no ilainao hatao?


Manampy ny mpihaino hahita fa mahakasika ny fiainany ny
foto-kevitrao, na azony ampiasaina mba handraisan-tsoa.

NA OLONA iray no itenenanao na mpanatrika maro be, dia tsy fahendre-


na ny mihevitra hoe hahaliana azy ny foto-kevitrao satria fotsiny hoe ma-
haliana anao ilay izy. Hafatra tena lehibe no entinao, nefa tsy hihazona
ny fahalianan’ny mpihaino ianao raha tsy ataonao mazava tsara fa ma-
hakasika azy ilay izy.
Marina izany na dia ao amin’ny Efitrano Fanjakana aza. Mety hifanto-
ka ny mpihaino, rehefa milaza fanoharana na fitantarana
mbola tsy reny ianao. Mety tsy hifantoka intsony anefa izy,
NAHOANA IZANY
rehefa zavatra efa fantany no resahinao, indrindra raha tsy NO TENA ILAINA?
`
velabelarinao ireny zavatra ireny. Ampio ary ny mpihaino ha-
Raha tsy hitan’ny olona
hita ny antony sy ny fomba handraisany soa avy amin’izay ilay hevitra tokony hampiha-
lazainao. riny, dia mety hilaza aminao
Mampirisika antsika haneho fahendrena, ka hieritreritra izy fa tsy liana, na mety tsy
foana ny hampihatra izay ianarantsika, ny Baiboly. (Ohab. hifantoka intsony ny sainy ka
hiriorio.
3:21) Nampiasa an’i Jaona Mpanao Batisa i Jehovah mba hi-
tarika ny olona “ho amin’ny fahendren’ny marina.” (Lioka
1:17) Miorina amin’ny fahatahorana an’i Jehovah izany fahendrena iza-
ny. (Salamo 111:10) Afaka miatrika tsara ny fiainana ankehitriny ireo izay
maneho io fahendrena io ary mahazo antoka ny amin’ny tena fiainana,
dia ny fiainana mandrakizay ho avy.—1 Tim. 4:8; 6:19.
Ataovy mahakasika ny mpihaino ny lahateny. Raha tianao ho azon’
ny mpihaino ampiharina ny lahateninao, dia tsy maintsy mieritreritra azy
ireo mbamin’izay hevitra holazainao ianao. Aza mieritreritra ny fitamba-
ran’olona fotsiny. Isam-batan’olona sy fianakaviana no mahaforona ny
mpanatrika. Mety hisy ankizikely ao, zatovo, olon-dehibe, ary zokiolona.
Mety hisy olona vao liana koa ao, ary koa olona efa nanompo an’i Jeho-
vah fony ianao mbola tsy teraka akory. Mety ho matotra ara-panahy ny
sasany; ny hafa kosa mety ho mbola ahitana fihetsika sy ny fanao sasan’
ity tontolo ity. Manontania tena hoe: ‘Inona no soa mety ho azon’ny mpi-
haino avy amin’ity zavatra horesahiko ity? Ahoana no hanampiako azy
ireo hahita izay tsy maintsy hataony?’ Mety hifantoka amin’ny sokajin’
olona iray na roa monja ianao, nefa aza hadinoina tanteraka ny hafa.
157
158 Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina

Ahoana raha fampianarana ara-baiboly no asaina resahinao? Ahoana


no hanampianao ny mpanatrika izay efa manaiky an’io fampianarana
io? Ampio izy ireo hanamafy izany fiekeny izany. Amin’ny fomba ahoa-
na? Amin’ny fanjohiana hevitra momba ny porofo ara-baiboly mano-
hana azy io. Ampio koa ny mpihaino hampitombo ny fankasitrahany an’
io fampianarana io. Mba hanaovana izany, dia asehoy fa mifanaraka tsara
amin’ny fahamarinana hafa ao amin’ny Baiboly sy amin’ny toetran’i Je-
`
hovah ilay izy. Mampiasa ohatra—fitantarana zavatra tena
nisy, raha azo atao—mba hampisehoana fa nandraisan’olona
NY FOMBA soa ny fahazoany an’io fampianarana io, ary nanova ny fo-
ANAOVANA AZY mba fijeriny momba ny hoavy.
Rehefa manomana anjara na Tsy amin’ny famaranan-teny ihany ianao vao tokony ha-
lahateny, dia eritrereto ilay
fanazavana, ary koa ny mpi- ndrisika ny mpihaino hampihatra ilay zavatra nohazavainao.
haino. Ataovy hitany fa tena Dieny eo am-boalohany, dia tokony ho afaka hiteny anaka-
hitondra soa ho azy ilay izy. mpo ny tsirairay aminy hoe “mahakasika ahy ity.” Aorian’iza-
Asongadino mandritra ny ny, mandritra ny famelabelaranao ny hevi-dehibe tsirairay sy
famelabelarana manontolo ao amin’ny famaranan-teninao, dia manohiza manazava ny
ilay hevitra hampiharina, fa soa azo avy amin’ny fampiharana ilay zavatra hazavainao.
tsy amin’ny famaranan-teny
ihany. Araho ireo toro lalan’ny Baiboly rehefa manazava ilay hevi-
tra tokony hampiharina ianao. Ahoana izany? Manehoa fi-
Rehefa manomana ny fitoria-
nao, dia hevero ireo zavatra tiavana sy fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa.
mampanahy ny olona ao (1 Pet. 3:8 ; 1 Jaona 4:8) Na dia fony izy nandamina zava-nana-
amin’ny faritaninao. hirana lehibe tao Tesalonika aza, ny apostoly Paoly dia nana-
Rehefa mitory, dia henoy songadina foana ny fandrosoana ara-panahy efa nataon’ireo
tsara ilay olona, ary ampifa- rahalahiny sy anabaviny tany. Nolazainy koa fa tena natoky
naraho amin’izay lazainy ny izy fa naniry hanao izay tsara izy ireo, na dia tamin’izay aza.
resakao. (1 Tes. 4:1-12) Endrey izany ohatra tsara tokony hotahafina!
Moa ve ny anjaranao na ny lahateninao tokony handrisika
ny mpanatrika hitory sy hampianatra ny vaovao tsara amin’
`
ny hafa? Ampio ary izy ireo hanana risi-po sy hafanam-po ho an’io to-
mbontsoa io. Eo am-panaovanao izany anefa, dia tadidio fa tsy mitovy
ny fahafahan’ny tsirairay hanao azy io, ary manaiky izany ny Baiboly.
(Matio 13:23) Aza vesarana amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka ny ra-
halahinao. Mananatra antsika mba “handrisika ho amin’ny fitiavana sy
ny asa tsara” ny Hebreo 10:24. Raha mandrisika ho amin’ny fitiavana isi-
ka, dia hanaraka ho azy ny fanaovana asa noho ny antony tsara. Aza mita-
dy hanery ny hafa hanara-drenirano fotsiny; ekeo kosa fa tian’i Jehovah
`
isika raha mandrisika ny hafa hankato noho ny finoana. (Rom. 16:26)
Mitadidy izany ao an-tsaina isika, ka miezaka hanatanjaka ny finoantsi-
ka sy ny an’ireo rahalahintsika.
Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina 159

Ampio ny hafa hahita izay tokony hataony. Asongadino ny soa azo


avy amin’ny fampiharana ny vaovao tsara, rehefa mitory amin’ny hafa
ianao. Mba hanaovana izany, dia hevero hoe inona no mampanahy ny
olona ao amin’ny faritaninao. Ahoana no hahafantaranao izany? Mihai-
noa vaovao amin’ny radio na ny televiziona. Mamakia gazety. Miresaha
koa amin’ny olona, ary henoy izay lazainy. Ho fantatrao fa mitolona
amin-java-manahirana lehibe izy ireo: tsy fananana asa, fandoavana ho-
fan-trano, aretina, fahafatesan’ny mpianakavy iray, heloka bevava, tsy ra-
riny, fisaraham-panambadiana, fitaizana zanaka maditra, sy ny toy iza-
ny. Afaka manampy azy ireo ve ny Baiboly? Eny tokoa.
Tsy maintsy ho efa manana foto-kevitra iray ao an-tsaina ianao, rehefa
hanomboka resaka. Kanefa raha misy zavatra hafa mba tian’ilay olona
horesahina, dia aza misalasala miresaka momba izany, raha afaka ianao,
na lazao aminy fa afaka miverina ianao mba hitondra fanazavana fana-
mpiny. Tsy hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona isika, fa faly kosa mizara
amin’ny hafa ilay torohevitra azo ampiharina atolotry ny Baiboly. (2 Tes.
3:11) Torohevitra ara-baiboly mahakasika ny fiainany no tena hampiai-
ky ny olona.
Mety hofaranan’ny olona haingana ny resaka, raha tsy hitany fa ma-
hakasika azy manokana ny hafatra entintsika. Na dia avelany hiteny aza
isika, raha tsy asehontsika aminy izay tokony hampihariny, dia tsy hisy
vokany firy eo amin’ny fiainany ny fanazavantsika. Raha ataontsika ma-
zava tsara kosa ny soa azony avy amin’ny fampiharany ilay hafatra, dia
mety hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainany izany.
Rehefa mitarika fampianarana Baiboly ianao, dia asongadino foana fa
azo ampiharina tsara ilay zavatra ianarana. (Ohab. 4:7) Ampio ilay mpia-
natra hahatakatra ny torohevitra sy ny toro lalana ary ny ohatra ao amin’
ny Soratra Masina, izay manoro azy ny fomba fanarahana ny lalan’Andri-
amanitra. Asongadino ny soa azo avy amin’izany. (Isaia 48:17, 18) Hano-
sika ilay mpianatra hanao izay fiovana ilaina eo amin’ny fiainany izany.
Ampio izy hamboly fitiavana an’i Jehovah sy faniriana hampifaly azy, ary
aoka ny fony no hanosika azy hampihatra ny torohevitra ao amin’ny Te-
nin’Andriamanitra.

FANAZARAN-TENA:
Jereo indray ireo Fanompoantsika Ilay Fanjakana anananao, ary mifidiana fo-
mba fampiseho iray na roa avy ao, izay mety indrindra amin’ny faritaninareo.
Andramo izy ireny eny amin’ny fanompoana.
24 FAHAIZA-MIFIDY TENY

Inona no ilainao hatao?


Mampiasa teny maneho fanajana sy hatsaram-panahy, teny
isan-karazany sy mora azo, teny milaza hery sy fihetseham-
po; ary koa teny manaraka fitsipi-pitenenana.

FITAOVANA tena manan-kery ny teny. Mila mifidy tsara ny teny ampia-


saintsika anefa isika, raha tiantsika handaitra tsara izy ireny. Misy teny
mety amin’ny toe-javatra iray, nefa tsy mety amin’ny toe-javatra hafa.
Mety ho lasa “teny maharary” ny teny iray mampihomehy, raha diso
ny fampiasana azy. Mety ho tsy nieritreritra tsara fotsiny ilay nite-
ny toy izany, ka tsy nihevitra ny hafa. Misy indray teny
manana heviny roa, ka ny iray amin’ireo dia manafinto-
NAHOANA IZANY hina na manambany. (Ohab. 12:18; 15:1) “Ny teny soa”,
NO TENA ILAINA?
izay mampahery ny hafa kosa anefa, dia mampifaly ny fon’
Hita amin’izany ny fanajanao
ilay hafatra ampitainao, sy ny
ilay ilazana azy. (Ohab. 12:25) Mila miezaka mba hahita
fihetseham-ponao momba ilay teny marina tokony hampiasaina ny rehetra, na ny he-
ireo olona iresahanao. ndry aza. Lazain’ny Baiboly fa fantatr’i Solomona hoe nila
Miankina amin’izany ny ho nitady “teny mahafinaritra” sy “tenin’ny fahamarinana”
fihetsiny manoloana izay
lazainao.
izy.—Mpit. 12:10.
Amin’ny fiteny sasany, dia misy teny fanao amin’ny zo-
kiolona na manam-pahefana, nefa hafa ny fampiasa amin’
ny olona mitovy amin’ny tena, na amin’ny zandry olona. Heverina ho
tsy mahalala fomba ny olona tsy manaja ireo fitsipika ireo. Tsy mety
koa raha ampiharintsika amin’ny tenantsika ny tenim-panajana voa-
tokana ho an’ny hafa, araka ny fomba amam-panao eo an-toerana.
`
Ambony kokoa noho izay takin’ny lalana na ny fomba amam-panao
eo an-toerana ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fanajana olona. Ampi-
risihiny ny Kristianina mba ‘hanaja ny olona rehetra.’ (1 Pet. 2:17)
Raha any am-pontsika isika no efa manaja ny hafa, dia hiteny amim-
panajana aminy isika, na firy taona izy na firy taona.
Mampiasa teny tsy mihaja sy teny ratsy ny ankamaroan’ny tsy tena
Kristianina. Mety hihevitra izy ireo fa manamafy izay lazainy ny teny
toy izany, na tena tsy ampy ny voambolana fantany ka izay no ampia-
sainy. Raha nisy zatra nampiasa teny toy izany talohan’ny nianarany
ny lalan’i Jehovah, dia mety ho sarotra aminy izao ny hiala amin’iza-
160
Fahaiza-mifidy Teny 161

ny. Azo atao anefa izany. Afaka manampy olona hanova ny fomba fite-
niny ny fanahin’Andriamanitra. Tsy maintsy vonona koa anefa ilay
olona hampiditra teny tsara sy mahasoa ary mampahery ho anisan’ny
voambolana ampiasainy, ka hampiasa azy ireo tsy tapaka.—Rom. 12:2;
Efes. 4:29; Kol. 3:8.
Fomba fiteny mora azo. Alohan’ny zavatra rehetra, dia tokony ho
mora azo ny fitenintsika. (1 Kor. 14:9) Toy ny miteny vahiny amin’
ny mpihaino ianao, raha tsy mora azony ny teny ampiasainao.
Misy voambolana manokana fampiasan’ny olona any
amin’ny toeram-piasana. Mety hampiasain’izy ireo isan’
HATSARAO NY
andro ireny teny ireny. Mety tsy ho azo anefa izay lazai-
FOMBA FITENINAO
nao, raha ampiasainao amin’ny toe-javatra hafa izy ireny.
Mifidiana fanoloran-kevitra
Ankoatra izany, na dia mampiasa teny fampiasa andavana- iray tianao harahina, avy ato
ndro aza ianao, nefa milaza tsipirian-javatra be loatra, dia amin’ity lesona ity. Iezaho
mety havilin’ny mpihaino tsotra izao any amin-javatra hafa harahina mandritra ny iray
volana eo ho eo ilay izy.
ny sainy.
Tadidio foana ilay izy, rehefa
Mifidy teny mora azon’ny rehetra, hatramin’ireo tsy na- mamaky teny sy mihaino
hita fianarana firy aza, ny mpandahateny mihevitra ny ireo mpandahateny mahay
hafa. Manahaka an’i Jehovah izy, ka mihevitra ‘ny olona ianao. Soraty ireo teny tianao
ambany.’ (Joba 34:19) Tokony hataony ao anaty fehezante- hampiasaina. Ampiasao
mandritra ny iray na roa
ny tsotra ny teny tsy dia fantatra loatra mba hampahazava andro, ny teny tsirairay
ny heviny, raha voatery mampiasa izany izy. nosoratanao.
Manan-kery kokoa ny hevitra ampitain’ny teny tsotra sy
voafidy tsara. Mora azo koa ny hevitry ny fehezanteny fohy
sy tsotra. Azo elanelanina amin’ny fehezanteny lava sasa-
ntsasany anefa izy ireny, mba tsy ho henjana sy hitsatotsatoka ny fite-
ninao. Teny tsotra sy fehezanteny fohy anefa no ampiasao, rehefa misy
hevitra tena tianao hotadidin’ny mpihaino.
Teny isan-karazany sy marina. Tsy vitsy ireo teny tsara azo ampia-
saina. Aza mampiasa teny mitovy foana amin’ny toe-javatra rehetra, fa
`
mampiasa kosa teny isan-karazany. Hahatonga ny fiteninao hahafi-
naritra sy hisy heviny izany. Inona no azonao atao mba hampitomboa-
na ny voambolanao?
Rehefa mamaky teny, dia mariho izay teny tsy tena azonao, ary jereo
ao amin’ny diksionera misy amin’ny fiteninao izany. Mifidiana sasa-
ntsasany amin’ireny teny ireny, ary miezaha hampiasa azy ireny rehe-
fa mety. Aza disoina ny fanononanao azy ireny. Ampiasao ao anatin’ny
toe-javatra mora hahazoan’ny mpihaino azy, izy ireny, fa aza atao mba
162 Fahaiza-mifidy Teny

hanairana fotsiny ny sainy. Ho afaka hampiasa teny isan-karazany ia-


nao, raha ampitomboinao ny voambolanao. Mila mitandrina anefa ia-
nao, satria mety hihevitra ny hafa fa tsy tena fantatrao izay lazainao,
rehefa diso ny fanononanao na ny fampiasanao teny iray.
Ny hampita hevitra, fa tsy ny hahazo dera avy amin’ny mpihaino no
zava-kendrentsika, rehefa mampitombo ny voambolantsika isika. Mi-
sarika ny saina ho amin’ilay mpandahateny ny fitenenana sarotra sy
ny teny lava be. Ny hampita fahalalana tena ilaina sy ny hahatonga azy
io hahaliana an’izay handre azy kosa no faniriantsika. Tadidio izao
ohabolana ao amin’ny Baiboly izao: “Ny lelan’ny hendry mampiseho
fahalalana tsara; fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana.” (Ohab.
15:2) Hamelombelona sy handrisika ny mpihaino ny teny tsara sy
mety ary mora azo, fa tsy hampatory na hahasorena azy.
Mitandrema anefa mba hampiasa teny marina, rehefa mampitombo
ny voambolanao. Mety hisy teny roa mitovy hevitra, nefa misy fahasa-
mihafany kely rehefa ampiasaina amin’ny toe-javatra samy hafa. Haza-
va kokoa ny fitenenanao, ary tsy hanafintohina ny mpihaino ianao,
raha takatrao tsara izany. Henoy tsara ireo mahay mandaha-teny. Ao
amin’ny diksionera sasany, dia tanisaina eo akaikin’ny teny tsirairay
ny teny mitovy hevitra aminy sy ny teny mifanohitra aminy. Hahita
teny isan-karazany ilazana hevitra iray ihany ianao, ary ho hitanao koa
ireo tsy fitoviana kely eo amin’ny hevitr’izy ireny. Tena hanampy anao
izany, rehefa mitady ilay teny marina tokony hampiasaina ianao. Fa-
ntaro tsara aloha ny hevitry ny teny iray sy ny fomba fanonona azy ary
ny toe-javatra azo ampiasana azy, vao mampiditra azy io ho anisan’ny
voambolanao.
Ny teny voafaritra tsara dia mazava kokoa noho ireo milaza hevitra
ankapobe. Azo atao, ohatra, ny milaza hoe: “Olona maro no narary, ta-
min’izany fotoana izany.” Nefa azo atao koa ny milaza hoe: “Olona
21000 000 no matin’ny gripa espaniola, tao anatin’ny volana vitsivitsy
monja, taorian’ny Ady Lehibe I.” Mariho ny fahasamihafan’ireo filaza-
na roa ireo! Ao amin’ilay faharoa, dia mazava tsara amin’ny mpihaino
ny tiana holazaina amin’ny hoe “olona maro” sy hoe “narary” ary hoe
“tamin’izany fotoana izany”! Mila mahafantatra tsipirian-javatra mo-
mba ny foto-kevitrao ianao, sady mila mahay mifidy teny tsara koa,
mba hahafahana hiteny toy izany.
Hanampy anao tsy ho lava resaka koa ny fampiasana ilay teny mari-
na. Tsy mivoaka tsara ny hevitrao, raha lava resaka ianao. Ho mora azo
Fahaiza-mifidy Teny 163

sy ho mora tadidy kokoa ireo hevi-dehibe, raha tsotra ny teninao. Ha-


mpita fahalalana marina koa izany. Nampiavaka ny fampianaran’i Je-
sosy Kristy ny fomba fiteniny tsotra. Izany no tahafo. (Jereo ny ohatra
`
ao amin’ny Matio 5:3-12 sy Marka 10:17-21.) Mizara milaza hevitra,
amin’ny teny fohy sy voafidy tsara.
Teny milaza hery sy fihetseham-po ary misy aina. Tsy teny vaovao
ihany no tadiavo, fa teny milaza hevitra manokana koa. Ohatra, mita-
diava matoanteny milaza hery sy tanjaka, sy mpamari-toetra milaza
loko ary teny maneho fitiavana, hatsaram-panahy na fahatsoram-po.
Ahitana ohatra maro ny amin’ny fitenenana feno heviny toy izany
ny Baiboly. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany: “Ny
tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy ... Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsa-
ra.” (Amosa 5:14, 15) Hoy koa i Samoela mpaminany tamin’i Saoly
Mpanjaka: “Efa notriarin’i Jehovah kosa ho afaka aminao andro-any
ny fanjakan’Isiraely.” (1 Sam. 15:28) Ary rehefa niteny tamin’i Ezekiela
i Jehovah, dia nampiasa ireto teny tsy hay hadinoina ireto: “Ny tara-
nak’Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.” (Ezek. 3:7) No-
hamafisin’i Jehovah fa lehibe ny fahotan’ny Isiraely, rehefa nanonta-
ny izy hoe: “Handroba an’Andriamanitra va ny olona, no mandroba
ahy hianareo?” (Mal. 3:8) Mba hilazana ilay fitsapam-pinoana tany
Babylona, dia toy ny hitan’ny maso mihitsy ilay notantarain’i Danie-
la hoe: “Feno fahatezerana Nebokadnezara”, satria tsy nety nivavaka
tamin’ilay sariny i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, hany ka nasai-
ny nofatorana sy natsipy tao amin’ny “lafaoro nisy afo nirehitra.” Mba
hahatakarantsika ny hamafin’ilay hafanana, dia nilaza i Daniela fa na-
sain’ny mpanjaka “nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy
ny lafaoro”, hany ka matin’ny lelafo ireo mpanompony, raha vao na-
natona ilay lafaoro. (Dan. 3:19-22) Rehefa niresaka tamin’ny mponin’i
Jerosalema i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny hahafatesany, dia ni-
hetsi-po lalina izy nanao hoe: “Impiry Aho no ta-hanangona ny zana-
`
kao, tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa
tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.”—Ma-
tio 23:37, 38.
Manampy ny mpihaino hahita an’eritreritra ny zavatra lazaina, ny
teny voafidy tsara. Raha mahay mifidy tsara ny teny holazainao ianao,
dia “hahita” sy “hahatsapa” ny zavatra lazainao ny mpihaino, ary “ha-
nandrana” ny tsiron’ny sakafo resahinao sy “handre” ny fofon’iza-
ny izy, sady “hahare” ny feon-javatra hazavainao sy ny tenin’olona
164 Fahaiza-mifidy Teny

tononinao. Ho revo hihaino izay lazainao ny mpihaino, satria ampia-


nao izy hiaina ilay fitantarana miaraka aminao.
Mampita hevitra mazava tsara ny teny voafidy tsara, ka afaka ma-
mpihomehy na mampitomany. Afaka mamelona fanantenana izy ire-
ny, manampy ny ketraka haniry hiaina, ary mampitsiry ao aminy fitia-
vana ny Mpamorona. Olona maro maneran-tany no nanjary nanana
fanantenana, rehefa namaky teny toy ny hita ao amin’ny Salamo 37:
10, 11, 34 sy Jaona 3:16 ary Apokalypsy 21:4, 5.
Hahita teny sy fomba fiteny isan-karazany ianao, rehefa mamaky ny
Baiboly sy ny boky avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’
(Matio 24:45) Aza avela handalo eo anoloan’ny masonao fotsiny izy
ireny. Mifidiana teny mahafinaritra anao, ary ampidiro ho anisan’ireo
teny hampiasainao andavanandro.
Fitenenana manaraka fitsipi-pitenenana. Fantatry ny olona sasa-
ny fa tsy dia manaraka fitsipi-pitenenana loatra izy, rehefa miteny. Ino-
na anefa no azony atao mba hanatsarana izany?
Raha mbola mpianatra ianao, dia tena afaka mianatra fitsipi-pitene-
nana tsara sy karazan-teny voafantina tsara. Hararaoty izany. Anonta-
nio ny mpampianatra anao, raha tsy azonao antoka ny fitsipika iray.
Aza atao alasafay ny fianarana fitsipi-pitenenana. Tsy toy ny mpianatra
hafa anefa ianao fa manana antony manosika: Te ho tonga mpitory
mahay ianao.
Ahoana raha efa lehibe ianao vao nampiasa fiteny hafa noho ny fi-
tenin-drazanao? Na angamba ianao tsy dia nahita fianarana, ka tsy afa-
ka nandalina ny fiteninao. Aza kivy, fa miezaha mafy kosa hanatsara
ny fomba fiteninao, noho ny vaovao tsara. Avy amin’ny fihainoana ny
`
hafa miteny no ianarantsika ny fitsipi-pitenenana. Koa henoy tsara ary
ireo mpandahateny mahay. Rehefa mamaky ny Baiboly sy boky ara-
baiboly ianao, dia mariho tsara ny firafitry ny fehezanteny, sy ireo teny
miaraka, ary ny teny hafa manodidina azy ireo. Ampifanaraho amin’
ireo ohatra tsara ireo ny fiteninao.
Mety hampiasa teny sy fomba fiteny tsy manaraka fitsipi-pitenenana
ireo mpihira sy mpampiala voly malaza. Manahaka azy ireny ny olona.
Matetika ny mpivarotra zava-mahadomelina sy ny mpanao asan-jiola-
hy, na ireo maloto fitondran-tena no manana ny voambolany mano-
kana, izay manana heviny hafa tanteraka noho ny tena hevitr’ireo teny
ireo. Tsy tsara ny hanahafan’ny Kristianina ny olona toy izany. Hampi-
tovin’ny hafa amin’izy ireny isika, raha manao izany.—Jaona 17:16.
Fahaiza-mifidy Teny 165

`
Mizara miteny tsara isan’andro. Raha ataonao tsirambina ny fomba
fiteninao andavanandro, dia aza manantena ny hahay hiteny tsara ta-
mpoka amin’ny fotoana manokana. Raha miteny tsara foana kosa ia-
nao, dia handeha ho azy sy mora foana ny fitenenana tsara, rehefa eny
amin’ny lampihazo na rehefa mitory ny fahamarinana amin’ny hafa
ianao.

FANAZARAN-TENA:
Mifidiana teny sasantsasany tsy dia hainao tsara, rehefa manomana Ny Tili-
kambo Fiambenana na ny Fianarana Boky amin’ity herinandro ity. Jereo ao
amin’ny diksionera ny heviny, raha misy azonao ampiasaina, na anontanio
olona mahay.

Ireo teny tiako ho anisan’ny voambolana hampiasaiko

Teny isan-karazany sy teny marina Teny milaza hery sy fihetseham-po,


na misy aina


25 FAMPIASANA DRAFITRA

Inona no ilainao hatao?


Tsy mamaky lahateny voasoratra manontolo, fa mampiasa
drafitra an-kandrina na an-tsoratra.

MARO no matahotra, rehefa hoe hampiasa drafitra mba hanaovana


anjara na lahateny. Matoky tena kokoa izy ireo, raha voasoratra mano-
ntolo na ianarany tsianjery izay holazainy.
Tsy misy amintsika anefa mamaky ny resaka ataontsika isan’andro
amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika. Tsy manao izany koa isi-
ka eny amin’ny fanompoana sy rehefa mivavaka amin’ny fontsika, na
mitokana izany, na eo anivon’olon-kafa.
NAHOANA IZANY Inona no fahasamihafana eo amin’ny lahateny vakina sy
NO TENA ILAINA? ny drafitra? Marina kokoa sy voafidy tsara kokoa ny teny
Mampianatra anao handami- ampiasainao amin’ny lahateny vakina, saingy tsy dia afaka
na tsara ireo hevitrao ny manohina loatra ny fon’ny hafa ianao. Manjary tsy toy
fanomanana drafitra, ary
hanamora ny fitenenana toy ny fiteninao andavanandro ny hafainganam-piteninao sy
ny amin’ny resaka andavana- ny filanton’ny feonao aorian’ny fehezanteny vitsivitsy, fa
ndro sy avy amin’ny fo ny lasa mitovy foana. Maro ny mpihaino tsy dia hihaino tsara
fampiasanao azy.
raha mifantoka kokoa amin’ny taratasy ianao fa tsy amin’
izy ireo, satria toa tsy tena mieritreritra azy ianao, ary toa
tsy mampifanaraka ny fanazavanao amin’izay ilainy. Ny lahateny
atao tsy an-kijery soratra no tena manosika ny olona hanao za-
vatra.
Natao hanampiana antsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro
ny Sekolin’ny Fanompoana. Rehefa mifankahita amin’ny namantsika
isika, dia tsy mamoaka taratasy avy ao am-paosy, ka mamaky ireo he-
vitra tiantsika holazaina, mba ho marina tsara ny teny hilazantsika azy.
Eny amin’ny fanompoana koa, dia tsy mitondra lahateny vakina isika,
`
sao hoe hanadino hevitra sasany tiantsika holazaina. Mizara miteny
amin’ny fomba tsotra sy tsy amboamboarina raha fitoriana no faritra
anaovanao ny anjaranao amin’ny sekoly. Manaova fanomanana tsara,
dia ho hitanao fa efa ampy mba hampahatsiahy anao ireo hevi-dehibe
tianao horesahina ny drafitra, na ataonao an-kandrina ilay izy, na an-
tsoratra. Ahoana anefa no hananana ny fatokisan-tena ilaina mba ha-
hatongavana amin’izany?
166
Fampiasana Drafitra 167

Alamino ireo hevitrao. Mila mandamina ireo hevitrao ianao, mba


hahafahana hampiasa drafitra. Tsy hoe hifidy ny teny tsirairay hampia-
sainao akory ianao amin’izany, fa hieritreritra fotsiny aloha vao hiteny.
Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny olona faingam-bava dia mety
hilaza zavatra izay hanenenany avy eo. Ny hafa indray mety tsy hilaza
zavatra hentitra fa mifindrafindra foto-kevitra. Samy azo resena ireo ki-
lema ireo, raha miato aloha ianao ka mandamina ny hevi-
trao ao an-tsainao, vao miteny. Ataovy tsara ao an-tsaina
aloha ny zava-kendrenao, dia fanteno avy eo ireo dingana NY DINGANA ILAINA
AMIN’IZANY
ilainao amin’izany, vao mitenena.
Ataovy masaka an-tsaina ny
Miomana ho amin’ny asa fanompoana ve ianao? Tsy ny soa entin’ny fampiasana drafi-
kitaponao ihany no tokony homaninao, fa ireo hevitrao tra rehefa manao anjara na
koa. Raha mikasa ny hampiasa fomba fampiseho iray ao lahateny.
amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ianao, dia averi- Alamino aloha ireo hevitrao
vao miteny, rehefa miresaka
mbereno vakina ilay izy, mandra-pahazonao tsara ireo hevi- andavanandro.
dehibe ao an-tsaina. Fintino ao anaty fehezanteny fohy iray
Mba hananana fatokisan-tena
na roa izy ireo, ary lazao amin’ny fomba fiteninao sy araka hiteny amin’ny alalan’ny dra-
ny zava-misy eo amin’ny faritaninao. Hanampy anao ny fa- fitra, dia mivavaha amin’i
naovana drafitra an-kandrina. Inona no hampidirinao ao Jehovah, ary aza misalasala
mamaly any am-pivoriana.
amin’izany? 1) Azonao atao fampidiran-dresaka ny filazana
Manaova drafitra tsotra, mora
zavatra iray mampanahy ny rehetra eo an-toerana. Asao ilay
vakina raha vao topaza-maso
olona hilaza ny heviny. 2) Mieritrereta zavatra iray azonao fotsiny.
lazaina momba ilay foto-kevitra, ary koa andinin-teny iray Hevitra, fa tsy teny, no
na roa mampiseho izay hataon’Andriamanitra. Mety hana- avereno jerena rehefa manao
na fahafahana ianao hilaza fa ny Fanjakany any an-danitra famerenana ny anjaranao na
lahateninao.
no hanatanterahany izany. 3) Ampirisiho ilay olona hanao
zavatra mifandray amin’ilay resaka nifanaovanareo. Mano-
lora zavatra hovakiny sy (na) fampianarana Baiboly, ary mifanaova fo-
toana mba hanohizana ilay resaka.
Drafitra an-kandrina fotsiny no hany hilainao amin’izany. Raha te ha-
mpiasa drafitra voasoratra ianao alohan’ny hitsidihana olona, dia izao
ihany no ampidiro ao: Teny vitsivitsy ho fampidiran-dresaka, sy andi-
nin-teny iray na roa, ary hevitra fohy ho famaranana. Raha manoma-
na sy mampiasa drafitra toy izany isika, dia tsy ho lava resaka, fa ho
afaka hampita hafatra mazava sy mora tadidina.
Manaova fikarohana raha misy fanontaniana na fanoherana mipoi-
`
tra matetika ao amin’ny faritaninareo. Mazana no hevi-dehibe roa na
telo sy izay andinin-teny iorenany, no hany ilainao. Mety hanome anao
ilay drafitra ilainao indrindra ny Foto-dresaka Ara-baiboly na ireo
168 Fampiasana Drafitra

lohatenikely amin’ny sora-matevina ao amin’ny Fomba Fanjohian-ke-


vitra avy Amin’ny Soratra Masina. Te hampiasa tenin’olona hitanao
tany anaty boky hafa angamba ianao. Manorata drafitra fohy misy iza-
ny tenin’olona izany, ary ampiaraho amin’ireo fitaovana fitondranao
eny amin’ny fanompoana. Rehefa misy olona manapoitra ilay fanonta-
niana na ilay fanoherana, dia ampahafantaro azy fa faly ianao afaka ha-
nazava ilay izy aminy. (1 Pet. 3:15) Ampiasao ilay drafitra mba hamalia-
na ny fanontaniany.
Rehefa hanao vavaka eo anivon’ny fianakavianao, any amin’ny fia-
narana boky, na any amin’ny fivoriana, ianao, dia tsara koa raha alami-
nao aloha ireo hevitra holazainao. Araka ny Lioka 11:2-4, dia nomen’i
Jesosy drafitra tsotra momba ny vavaka misy heviny, ny mpianany. Na-
nao vavaka lava be i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Je-
rosalema. Tsy maintsy ho efa noeritreretiny mialoha ilay izy. I Jehovah
sy ilay fampanantenana nataony tamin’i Davida aloha no nolazainy;
avy eo ny tempoly; ary avy eo izy dia nanonona toe-javatra sy olona
voafaritra tsara. (1 Mpanj. 8:22-53) Hanampy antsika ny fandinihana
ireny ohatra ireny.
`
Hazony ho tsotra ny drafitry ny lahateninao. Inona avy no tokony
hampidirinao ao amin’ny drafitra ho an’ny lahateninao?
Tadidio fa natao mba hanampianao ny tenanao hitadidy hevitra ny
drafitra. Mety hanampy anao ny fanoratana fehezanteny vitsivitsy ho
fampidiran-dresaka. Aorian’izany anefa, dia ireo hevitra no ifantohy, fa
tsy ireo teny. Fehezanteny fohy ampiasaina, raha tianao hosoratana ao
anaty fehezanteny ireo hevitra ireo. Tokony hiavaka tsara ao amin’ny
drafitrao ireo hevi-dehibe vitsivitsy kasainao hovelabelarina. Azonao
soratana amin’ny sora-baventy izy ireny, na tsipihina, na asongadina
amin’ny penina miloko. Tanisao eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay,
ireo hevitra tianao hampiasaina mba hamelabelarana azy. Mariho ireo
`
andinin-teny kasainao hovakina. Mazana no tsara indrindra ny mama-
ky azy ireo ao amin’ny Baiboly. Mariho ireo fanoharana tianao hampia-
saina. Mety hahita teny mahaliana sy mety tsara nolazain’olona tsy
Vavolombelona koa ianao. Ataovy ampy tsara ireo tsipirian-javatra ha-
tolotrao. Ho mora hampiasaina kokoa ilay drafitra, raha madio sy mi-
lamina.
Misy mampiasa drafitra tsy ahitana afa-tsy izay tena ilaina: Teny foto-
tra vitsivitsy, andinin-teny hotononin’ilay mpandahateny an-kandrina,
ary sary na sarisary hanampy azy hitadidy ireo hevitra. Soratra tsotra
toy izany dia efa ahafahan’ny mpandahateny iray mamelabelatra ny fa-
Fampiasana Drafitra 169

nazavany amin’ny fomba mirindra sy toy ny miresaka andavanandro.


Izany no zava-kendren’ity lesona ity.
Misy fanazavana momba ny “Fanomanana Drafitra” eo amin’ny pejy
faha-39 ka hatramin’ny faha-42 amin’ity boky ity. Hanampy anao be
dia be ny famakiana azy io, rehefa mianatra ity lesona hoe “Fampiasa-
na Drafitra” ity ianao.
Fomba fampiasana ilay drafitra. Tsy ny hanomana drafitra ho an’
ny lahateninao fotsiny izao no tanjonao, fa ny hampiasa tsara azy io
koa.
Ny fanaovana famerenana ilay anjara na ilay lahateny no dingana
voalohany amin’izany. Jereo ilay loha hevitra, dia vakio ny hevi-dehi-
be tsirairay, ary lazao ny ifandraisan’ny tsirairay aminy amin’ilay loha
hevitra. Mariho ny fotoana azonao atokana ho an’ny hevi-dehibe
tsirairay. Ivereno indray izao ilay hevi-dehibe voalohany, ary fakafakao.
Jereo ireo fanaporofoan-kevitra sy andinin-teny sy fanoharana ary oha-
tra kasainao hampiasaina mba hamelabelarana io hevitra io. Averimbe-
reno jerena io tapany amin’ny lahateninao io mandra-pahazavany tsara
ao an-tsainao. Toy izany no ataovy amin’ny hevi-dehibe tsirairay. Jereo
izay azonao esorina, raha ilaina, mba tsy hihoaranao ny fotoana. Ave-
reno jerena avy eo, ilay lahateny manontolo. Ireo hevitra no ifantohy,
fa tsy ireo teny. Aza ianarana tsianjery ilay lahateny.
Tokony ho afaka hijery ny mpanatrika ianao rehefa manao ilay laha-
teny. Rehefa avy mamaky andinin-teny iray ianao, dia tokony ho afaka
hanjohy hevitra avy amin’izy io, amin’ny fampiasana ny Baibolinao, fa
tsy hiverina hijery ny taratasinao. Toy izany koa ny fanoharana: Lazao
toy ny miresaka amin’ny namana ilay izy, fa aza vakina avy ao amin’ny
taratasinao. Rehefa miteny ianao, dia aza mijery ny taratasinao mba hi-
lazana ny fehezanteny tsirairay. Mitenena avy amin’ny fo, dia hanohi-
na ny fon’ireo mihaino anao ianao.
Rehefa hainao tsara ny mampiasa drafitra, rehefa manao anjara na la-
hateny, dia efa nahavita dingana tena lehibe ianao mba ho tonga mpa-
ndahateny mahay.

FANAZARAN-TENA:
Alohan’ny hivoahana eny amin’ny fanompoana amin’ity herinandro ity, dia
`
manomana drafitra an-kandrina iray, momba ny zavatra iray tianao holazaina.
(Jereo pejy 167, fehintsoratra 3.) Mariho hoe impiry ianao no afaka nampiasa
ilay resaka nomaninao, na nilaza ny votoatin’ilay hafatra, rehefa eny amin’ny
fanompoana.
26 FAMELABELARANA MIRINDRA TSARA

Inona no ilainao hatao?


Mandamina ny fanazavanao mba hahitana mazava tsara ny
ifandraisan’ireo hevitra amin’izy samy izy, sy amin’ny fana-
tsoahan-kevitrao, na amin’ny zava-kendrenao.

MILA manana zava-kendrena aloha ianao, vao afaka mandamina ny


fanazavanao hirindra tsara. Te hampahafanta-javatra amin’ny hafa ve
ianao: fampianarana, fihetsika, toetra tsara, fitondran-tena, na fomba
fiaina? Te hanaporofo ve ianao fa marina na diso ny hevitra iray? Ha-
ndrisika ny hafa hankasitraka zavatra iray ve no irinao, sa hanosika azy
hanao zavatra? Na olon-tokana no hitenenanao na mpana-
trika maromaro, dia mila mihevitra izay efa fantany sy ny
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? toe-tsainy momba ilay foto-kevitra ianao, raha tianao ha-
Mora kokoa amin’ny mpi- ndaitra ny fanazavanao. Alamino avy eo ny fanazavanao
haino ny mahatakatra sy mba hahafahanao hahatratra ilay zava-kendrenao.
manaiky ary mitadidy fana- Milaza ny Asan’ny Apostoly 9:22 fa “nandresy lahatra ny
zavana, rehefa mirindra tsara Jiosy izay nonina tany Damaskosy [i Saoly, na Paoly] ka na-
ny famelabelarana azy.
neho marimarina fa Jesosy no Kristy.” Inona no nataony
tamin’izany? Hita amin’ny fandinihana ny fitantarana ny
fanompoan’i Paoly tany Antiokia sy tany Tesalonika ny valiny: Koa sa-
tria nanaiky ny Soratra Hebreo ny Jiosy sady nihambo ho nino izay
voalaza tao momba ny Mesia, dia tamin’izany aloha no nitondran’i
Paoly ny resaka. Avy tamin’io Soratra Hebreo io, avy eo, no nakany ta-
pany nifandray tamin’ny fiainan’ny Mesia sy ny fanompoany. Noto-
noniny ireny teny ireny ary nampitahainy tamin’ny zavatra tena ni-
tranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Ary nanatsoaka hevitra mazava izy
tamin’ny farany fa i Jesosy no Kristy, na Mesia. (Asa. 13:16-41; 17:2, 3)
Handresy lahatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly, raha mirindra
toy izany koa ny fomba anazavanao azy.
Fandaminana ny famelabelaranao. Maro samy hafa ny fomba mi-
rindra tsara azonao andaminana ny fanazavanao. Azonao ampiarahi-
na ny fomba maromaro, raha hitanao fa hanampy kokoa izany. Indre-
to ny sasany amin’izany.
Araka ny foto-kevitra. Alamino hisy fizarana samihafa ny fanazava-
nao, ka samy manampy hahatratra ilay zava-kendrenao ny tsirairay
170
Famelabelarana Mirindra Tsara 171

aminy. Mety ho hevi-dehibe ilaina mba hampahazava ny foto-kevitrao


izy ireo. Mety ho porofo manamarina na mandiso zavatra iray koa izy
ireo. Misy hevitra mifandray amin’ilay foto-kevitra azonao ampidiri-
na na esorina, arakaraka ny mpihaino anao na ny zava-kendrenao.
Indro misy ohatra. Ny famelabelarana fohy momba ny anaran’
Andriamanitra dia mety hanazava 1) hoe nahoana no ilaina ny maha-
fantatra ny anaran’Andriamanitra, sy 2) hoe iza izany anarana izany,
ary 3) hoe inona no hatao mba hanomezam-boninahitra azy io.
Be ny azo ianarana momba ny famelabelarana araka ny
foto-kevitra, raha mandinika ireo boky fampianarana Bai-
MANONTANIA
boly navoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’ (Ma- TENA HOE...
`
tio 24:45) Mazana ireny boky ireny no misy foto-kevitra
Inona no zava-kendreko?
maromaro, izay hanampy ny mpianatra hahita amin’ny
Mazava ve ny ifandraisan’
ambangovangony ny fahamarinana ara-baiboly. Ao amin’ ny hevi-dehibe tsirairay
ireo boky lehibe, ny toko tsirairay dia misy lohatenikely amin’izy io?
manondro ireo fizarazarana ao aminy. Ny lohatenikely tsi- Nampifanarahiko tamin’izay
rairay dia toy ny teny fampidirana ilay fanazavana eo amba- ilain’ny mpihaino ve ireo he-
niny, ary mifandray amin’ilay loha hevitra ankapobe. vitra nofidiko?
Antony sy vokany. Fomba mirindra tsara iray hafa ny fa- Mety ve ny nandaminako
melabelarana ny antony nampisy ny zavatra iray sy ny vo- ny famelabelarako, ka ho ara-
ky ny mpihaino mora foana
kany. ny fizotran’ireo hevitra, satria
Mandaitra io fomba io, raha irinao ny hampirisika olon- mifampitohy tsara?
tokana na maromaro handinika tsara ny ho vokatry ny za-
vatra iray efa ataony na kasainy hatao. Manome ohatra
tena tsara ny amin’izany ny Ohabolana toko faha-7. Voalaza ao ny
amin’ny zazalahy iray mbola zazavao amin’ny fiainana ka “tsy ampy
saina” (io no antony), ary niaraka tamin’ny vehivavy janga ka voate-
ry nizaka ny voka-dratsiny (io no vokany).—Ohab. 7:7.
Mba hanamafisan-kevitra kokoa, dia ampifanohero ny voka-dratsy
hitan’ireo tsy mandeha amin’ny lalan’i Jehovah sy ny vokatra tsara
hitan’ireo mihaino azy kosa. Natosiky ny fanahin’i Jehovah mba ha-
mpifanohitra hevitra toy izany i Mosesy, fony izy niteny tamin’ny
firenen’ny Isiraely talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampana-
ntenaina.—Deot., toko 28.
Tsara kokoa indraindray ny manomboka amin’ny fampahafantara-
na tarehin-javatra iray (ny vokany) ary avy eo vao manome ireo lafin-
javatra nitarika ho amin’izy io (ny antony). Famelabelarana milaza ny
olana sy ny vahaolana matetika no atao amin’izany.
172 Famelabelarana Mirindra Tsara

Olana sy vahaolana. Mety hihaino ny olona eny amin’ny fanompoa-


na, raha zava-manahirana mampanahy ny olona no resahinao, ary
asehonao fa misy fanafodiny mahafa-po. Mety ho zava-manahirana
nolazainao ilay izy na nolazain’ilay tompon-trano.
Angamba ny fahanterana sy ny fahafatesana izany, na ny asan-jiola-
hy miely patrana, na koa ny tsy rariny hatraiza hatraiza. Tsy ilaina ny
miresaka ela be momba ny fisian’ilay zava-manahirana, satria efa mi-
`
harihary izany. Tonony fotsiny ilay izy, ary avy eo dia asehoy ny fana-
fodiny omen’ny Baiboly.
Mety ho tsy zava-manahirana ankapobe anefa ilay olana, fa maha-
kasika olona manokana; ohatra, ireo zava-tsarotra hitan’ny ray na ny
reny mitaiza irery ny zanany, ny fahakiviana satria marary mafy, na
ny fampijaliana ataon’ny hafa. Tsy maintsy mihaino tsara aloha ianao,
raha te hahazo ny vokatra tsara indrindra. Manome fanazavana faran’
izay tsara momba ireny zava-manahirana rehetra ireny ny Baiboly. Ila-
na fitandremana anefa ny fampiasana izany. Mila mijery ny zava-misy
ianao, raha tena te hanampy an’ilay iresahanao. Asehoy mazava tsara
raha vahaolana maharitra no resahinao, na fanamaivanana vetivety,
na ny fomba hiaretana tarehin-javatra iray tsy ho azo ovana amin’izao
`
fotoana izao. Fanjohian-kevitra ara-baiboly mazava tsara ary no omeo,
mba hisy heviny ny fanatsoahan-kevitrao. Raha tsy izany, dia mety tsy
heken’ny olona ilay izy, satria tsy mirindra tsara.
Fitanisana fisehoan-javatra arakaraka ny nisehoany. Misy fanazava-
na mety tsara amin’io fomba famelabelarana io. Mitanisa ireo Loza
Folo arakaraka ny nisehoany, ohatra, ny bokin’ny Eksodosy. Manara-
ka ny fandehan’ny fotoana ny filaharan’ireo lehilahy sy vehivavy
nanam-pinoana fakan-tahaka, notanisain’i Paoly ao amin’ny Hebreo
toko faha-11.
Hanampy ny mpihaino hahatakatra ny antony nahatonga ny toe-ja-
vatra sasany ianao, raha mitantara ireo zava-nitranga tamin’ny lasa ara-
karaka ny nisehoany. Marina izany, na zava-nitranga ankehitriny na ta-
`
min’ny andron’ny Baiboly no resahinao. Azonao ampiarahina ary ny
fitanisana zavatra arakaraka ny nisehoany sy ny fanjohian-kevitra mi-
laza ny antony sy ny vokany. Raha izay lazain’ny Baiboly fa hitranga
amin’ny hoavy no tianao horesahina, dia ny famelabelarana azy ireo
arakaraka ny hisehoany no mora arahina sy mora tadidy indrindra.
Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy atombokao amin’izay nitra-
nga voalohany foana ilay izy. Tsara kokoa indraindray raha fisehoan-
Famelabelarana Mirindra Tsara 173

javatra manaitra iray no anombohanao ny fitantaranao. Rehefa mita-


ntara zavatra niainan’ny olona iray ianao, ohatra, dia azonao atombo-
ka amin’ny fotoana nitsapana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra
izany. Nanaitra ny fahalianan’ny mpihaino ianao, ka azonao tantarai-
na araka ny nisehoany amin’izay ireo tsipirian-javatra nitarika ho
amin’ilay fitsapana.
Hevitra mifandray amin’ny foto-kevitra ihany ampiasaina. Na
ahoana na ahoana fomba andaminanao ny famelabelaranao, dia hevi-
tra mifandray amin’ny foto-kevitrao ihany ampiasaina. Hanampy anao
hifidy azy ireo ny loha hevitry ny anjaranao na lahateninao. Tokony
hoheverinao koa ireo hihaino anao. Misy hevitra raisin’ny antokon’
olona iray ho zava-dehibe, nefa tsy ilain’ny antokon’olona hafa. Atao-
vy azo antoka koa fa samy hanampy anao hahatratra ilay zava-kendre-
nao ny hevitra rehetra hampiasainao. Raha tsy izany, dia tsy handaitra
firy ny famelabelaranao, na dia mahaliana aza.
Mety hahita fanazavana mahaliana be dia be ianao, rehefa manao fi-
karohana momba ny foto-kevitrao. Firy amin’ireny no tokony hampia-
sainao? Tsy hazava ny anjaranao na ny lahateninao, raha be loatra no
asainao henoin’ny mpihaino. Hevi-dehibe vitsivitsy novelabelarina
tsara no mora tadidy kokoa noho ny hevitra be dia be nosafosafoina ve-
tivety fotsiny. Tsy midika akory izany hoe tsy tokony hampiditra hevi-
tra kely fanampiny mihitsy ianao. Mitandrema fotsiny sao manakona
ilay zava-kendrenao izy ireny. Mariho ny fomba nampidirana fanama-
rihana kely toy ireny, ao amin’ny Marka 7:3, 4 sy Jaona 4:1-3, 7-9.
Aza atao tampoka loatra ny fifindrana avy amin’ny hevitra iray ma-
nkamin’ny hevitra manaraka, sao tsy araky ny mpihaino ny fizotran’
ny hevitrao. Mety hila fehezanteny mpampitohy ianao, mba hampi-
sosa tsara ny fifandraisan’ireo hevitra amin’izy samy izy. Amin’ny
fiteny maro, dia efa ampy ny teny mpampitohy tsotra mba hampifa-
ndraisana hevi-baovao amin’ilay teo aloha.
Hahatratra ilay zava-kendrenao ianao, raha tsy mampiasa afa-tsy
ireo hevitra mifandray amin’ny foto-kevitrao sy mandamina azy ireo
hirindra tsara.

FANAZARAN-TENA:
Rehefa avy namaky ity lesona ity ianao, dia avereno vakina miadana kokoa
`
ilay izy, ka tonony ny hevitra fototry ny fehintsoratra tsirairay. Mariho ny ifa-
ndraisan’ny fehintsoratra tsirairay amin’ny zava-kendren’ilay lesona.
27 FITENENANA TSY AN-KIJERY SORATRA

Inona no ilainao hatao?


Manao anjara na lahateny amin’ny fampiasana teny fidina eo
no ho eo, fa ireo hevitra kosa no efa nomanina tsara mialoha.

METY ho niezaka mafy ianao nanomana ny anjaranao na ny lahateni-


nao. Mety hahafantaran-javatra sy hirindra tsara ilay izy. Mety hisosa
tsara koa ny fiteninao. Raha tsy mifantoka anefa ny mpihaino anao, ka
tsy mihaino afa-tsy tapatapany amin’izay lazainao fa mieritreritra zava-
tra hafa foana, handaitra ve ny famelabelaranao? Raha sarotra aminy
ny mampifantoka ny sainy amin’ilay lahateny, hanohina ny
fony ve ianao?
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? Inona no mahatonga io zava-manahirana io? Mety hisy
Io fomba io no mandaitra antony maro samihafa. Antony fahita indrindra ny fitene-
indrindra, mba hihazonana nana mijery soratra rehefa manao anjara na lahateny. Mije-
ny fahalianan’ny mpihaino ry ny taratasiny matetika loatra ilay mpandahateny, na tsy
sy handrisihana azy hanao tsotra ny fitenenany, fa manara-pitsipika loatra. Avy amin’
zavatra. ny fomba nanomanana ilay lahateny anefa izany rehetra
izany.
Raha manoratra ny anjaranao na lahateninao manontolo aloha ia-
nao, vao mamadika azy ho drafitra avy eo, dia ho sarotra ny hiteny tsy
an-kijery soratra. Nahoana? Satria efa nifidy ireo teny hampiasainao ia-
nao. Na dia ilay drafitra aza no ampiasainao rehefa manao ilay anjara
na lahateny ianao, dia mitady hitadidy ireo teny nosoratanao tamin’ny
voalohany ihany ianao. Manaraka fitsipika kokoa ny zavatra voasoratra,
ary sarotra kokoa ny firafitry ny fehezanteniny, tsy toy ny resaka anda-
vanandro. Hiseho eo amin’ny fitenenanao izany.
Aza soratana manontolo ny fanazavanao, fa andramo kosa izao ma-
naraka izao: 1) Mifidiana loha hevitra iray sy ireo hevi-dehibe tianao hi-
tondrana azy. Hevi-dehibe roa dia mety ho ampy ho an’ny anjara fohy
iray, ary efatra na dimy kosa ho an’ny lahateny lava kokoa. 2) Soraty eo
ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay ireo andinin-teny lehibe tianao ha-
melabelarana azy; soraty koa ireo fanoharana sy porofo lehibe hampia-
sainao. 3) Eritrereto ny fomba hampidiranao ilay lahateny. Manorata fe-
hezanteny iray na roa mihitsy aza. Omano koa ny famaranan-teninao.
Tena ilaina ny fanaovana famerenana. Aza ny teny tsirairay anefa no
anaovana famerenana sy ianarana tsianjery. Ireo hevitra holazaina, fa
174
Fitenenana Tsy An-kijery Soratra 175

tsy ireo teny, no tokony hanaovana famerenana, rehefa hanao anjara


na lahateny tsy an-kijery soratra. Tokony haverimberinao ireo hevitra,
mba hazava sy hirindra tsara ao an-tsainao ny fitohizan’izy ireo. Tsy to-
kony ho sarotra izany, raha nataonao nirindra tsara sy nilamina tsara
ny firafitry ny fanazavanao. Ho tonga ho azy mora foana ireo hevitra,
eo am-pitenenanao.
Ireo lafy tsarany. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fahafaha-
nao hiteny amin’ny fomba tsotra, ka mora heken’ny olona izay lazai-
nao. Ho velombelona kokoa ny fiteninao, ka hahaliana ny
mpihaino kokoa.
NY FOMBA
Ho afaka hijery ny mpihaino anao matetika ianao, ka ha- HIANARANA AZY
natsara ny fifandraisanao aminy izany. Koa satria tsy mila
Ataovy masaka an-tsaina ireo
mijery ny taratasinao ianao mba hilazana ny fehezanteny lafy tsaran’ny fitenenana tsy
tsirairay, dia ho hitan’ny mpihaino fa hainao tsara ny foto- an-kijery soratra.
kevitrao ary tena mino izay lazainao ianao. Mety indrindra Aza soratana manontolo ny
io fomba fitenenana io mba hanaovana famelabelarana anjaranao na lahateninao, fa
amin-katsaram-panahy sy toy ny miresaka andavanandro, manaova drafitra tsotra.
eny, lahateny tena manohina ny fo. Manaova famerenana, ka ta-
Ahafahana manovaova zavatra koa ny fitenenana tsy an- didio tsara ny hevi-dehibe
kijery soratra. Afaka manova zavatra sasany ianao, satria tsy tsirairay. Tsy ireo teny no ifa-
ntohy, fa ny famelabelarana
hoe efa voasoratra avokoa izay tokony holazaina. Aoka ha-
ireo hevitra hirindra tsara.
tao hoe misy filazam-baovao manaitra sy mifandray amin’
ny foto-kevitrao, amin’iny andro anaovanao ny anjaranao
na lahateninao iny. Tsy hety ve ny hiresahana momba azy
io? Na hitanao eo am-panaovanao lahateny angamba, fa misy ankizy
mpianatra be dia be eo anivon’ny mpanatrika. Tena tsara raha ahitsi-
nao mifanaraka amin’izany ny fanoharana sy ny fampiharana ataonao,
mba hanampiana an’ireo ankizy ireo hahita fa mahakasika ny fiainany
ny fanazavanao!
Misy lafiny tsara hafa ny fitenenana tsy an-kijery soratra, satria ma-
ndrisika ny sainao koa izy io. Mihamafana fo ianao, rehefa mankasitra-
ka sy manaiky izay lazainao ny mpihaino anao. Vonona hanome
fanazavana kokoa ianao, na haka fotoana hamerenana sy hanamafisana
hevitra sasany. Raha hitanao kosa fa manjary tsy liana ny mpihaino, dia
afaka manitsy izany ianao, fa tsy hanohy hiteny foana amin’ny olona
tsy mifantoka intsony.
Ireo fandrika tokony hohalavirina. Tokony ho fantatrao fa misy fa-
ndrika koa ny fitenenana tsy an-kijery soratra. Iray amin’izany ny fihoa-
ram-potoana. Mety hihoatra ny fotoana, raha manampy hevitra be
176 Fitenenana Tsy An-kijery Soratra

loatra ianao eo am-pitenenana. Afaka misoroka izany ianao, raha sora-


tanao eo amin’ny drafitrao ny fotoana tokony haharetan’ny fizarana
tsirairay. Araho tsara izany avy eo.
Fandrika iray hafa ny fatokisan-tena loatra, indrindra fa ho an’ny
mpandahateny za-draharaha. Zatra miteny ampahibemaso ny sasany,
ka tsy sarotra aminy ny manangona hevitra haingankaingana sy ny ma-
meno ilay fotoana nomena azy. Tokony hanetry tena anefa isika
ka hanaiky fa fandaharam-pampianarana avy amin’i Jehovah, ilay
Mpampianatra Lehibe Indrindra, no andraisantsika anjara. Izany dia
hahatonga antsika hihevitra ny anjara tsirairay ho zava-dehibe, ka hiva-
vaka momba azy, ary hanomana azy tsara.—Isaia 30:20; Rom. 12:6-8.
Angamba mampanahy ny mpandahateny maro tsy zatra miteny tsy
an-kijery soratra ny hoe sao hadinony izay tiany holazaina. Aza avela
hisakana anao tsy hiezaka hianatra io fomba io izany. Manaova fano-
manana tsara, ary miantehera amin’i Jehovah sy ny fanampian’ny fa-
nahiny.—Jaona 14:26.
Mampiahotra ny mpitory hafa ny fahatahorana sao tsy mety ireo teny
hilazany zavatra. Marina fa mety tsy hampiasa ny teny tsara indrindra
na ny fitsipi-pitenenana marina indrindra, toy ny amin’ny lahateny va-
kina, ianao rehefa miteny tsy an-kijery soratra. Aleo lavitra anefa ny fi-
tenenana manintona, toy ny amin’ny resaka andavanandro. Eken’ny
olona kokoa ireo hevitra lazaina amin’ny teny mora azony, sy atao ao
anaty fehezanteny tsy sarotra. Handeha ho azy ny filazana zavatra
amin’ny fomba mety, raha manao fanomanana tsara ianao. Tsy noho
ny fianaranao azy tsianjery anefa izany, fa noho ianao nanao famere-
nana tsara an’ireo hevitra. Ary raha tsara ny fomba fiteninao andavana-
ndro, dia handeha ho azy izany eny amin’ny lampihazo.
Ny soratra fohy manao ahoana no tsara ampiasaina? Rehefa ma-
ndeha ny fotoana, ka mihazatra ianao, dia mety ho vitanao ny hami-
ntina ny drafitrao tsy hisy afa-tsy teny vitsivitsy monja isaky ny hevitra
ao amin’ny anjaranao na lahateninao. Soraty eo amin’ny taratasy iray,
mba ho mora jerena, ireny teny ireny sy ireo andinin-teny tianao ha-
mpiasaina. Mila mitadidy drafitra tsotra kosa ianao, rehefa hanao fito-
riana. Raha hanao fiverenana mitsidika ianao ka nanao fikarohana, dia
ataovy ao anaty Baiboly ilay taratasy kely misy teny fohy vitsivitsy. Na
ampiasao fotsiny ny drafitra iray ao amin’ny Foto-dresaka Ara-baiboly
na ao amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina.
Raha nomena anjara maromaro amin’ny fivoriana samy hafa anefa
ianao ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, sady mbola hanao lahateny
Fitenenana Tsy An-kijery Soratra 177

ho an’ny besinimaro koa, dia drafitra misy teny maromaro kokoa no


mety hilainao. Nahoana? Mba hampitamberina ao an-tsainao ilay fa-
nazavana, alohan’ny hanaovana ny anjara tsirairay. Na izany aza, raha
miankina be loatra amin’ireo teny nosoratanao ianao, rehefa manao
anjara na lahateny, ka mijery azy ireo isaky ny fehezanteny, dia tsy ho
tsara toy ny fitenenana tsy an-kijery soratra, ny famelabelaranao. Tsipi-
ho ireo teny sy andinin-teny vitsivitsy tianao hisongadina, mba ho
mora hita, raha teny maromaro kokoa no ampiasainao ao anaty drafi-
tra.
Na dia fitenenana tsy an-kijery soratra aza no tena tokony hataon’ny
mpandahateny za-draharaha, dia tsara koa raha ampiarahiny amin’ny
fomba hafa izany. Eo amin’ny teny fampidirana sy famaranana, ohatra,
dia ilaina ny mijery tsara ny mpihaino sady manao fanambarana mahe-
ry amin’ny teny voafidy tsara. Fehezanteny vitsivitsy nianarana tsara no
mety indrindra amin’izany. Tokony hovakina koa ny zavatra tena nisy,
ny tarehimarika, ny tenin’olona, na ny andinin-teny, mba tena hanan-
kery.
Rehefa mitaky fanazavana aminao ny hafa. Indraindray isika dia
asaina manazava ny finoantsika, tsy misy fanomanana mialoha. Oha-
tra, mety tsy hanaiky izay lazaintsika ny olona iray eny amin’ny fano-
mpoana, na ny havantsika, na ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra
amintsika. Mety hanontany momba ny zavatra inoantsika sy ny fomba
fiainantsika koa ny manam-pahefana. Hoy ny Soratra Masina: “Aoka ho
vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny
amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahale-
mem-panahy sy ny fanajana.”—1 Pet. 3:15.
Mariho ny valin-tenin’i Petera sy i Jaona tamin’ny fitsarana jiosy, ao
amin’ny Asan’ny Apostoly 4:19, 20. Fehezanteny roa monja, dia efa na-
zava ny toerana notanany. Nifanentana tamin’ny mpihaino azy ny fo-
mba namaliany: nasehony fa nahakasika an’ireo mpitsara ireo koa ilay
raharaha nahakasika an’ireo apostoly. Nisy fiampangana diso natao ta-
`
min’i Stefana taty aoriana, ary nentina teo anoloan’ireo mpitsara ireo
ihany izy. Vakio ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:2-53 ilay valin-teny no-
meny teo no ho eo, tsy nisy fanomanana mialoha. Ahoana no nanda-
minany ny fanazavany? Nilaza zavatra arakaraka ny nisehoany teo
amin’ny tantara izy. Tamin’ny fotoana nety tsara, dia nasongadiny fa
tia fikomiana ny Isiraely. Nasehony tao amin’ny famaranan-teniny fa
nanana izany toe-tsaina izany koa ireo mpitsara ireo, satria namono ny
Zanak’Andriamanitra.
178 Fitenenana Tsy An-kijery Soratra

Rehefa asaina manazava ny finoanao eo no ho eo ianao, inona no ha-


taonao mba hilazana zavatra mandaitra? Araho ny ohatr’i Nehemia: Ni-
vavaka anakampo aloha izy, vao namaly ny fanontanian’i Artaksersesy
Mpanjaka. (Neh. 2:4) Avy eo, dia manaova drafitra ao an-tsaina hainga-
na. Ireto avy ny dingana azonao arahina amin’izany: 1) Mifidiana hevi-
tra iray na roa tokony hiditra ao amin’ny fanazavanao (Azonao ampia-
saina ny hevitra efa hitanao tao amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy
Amin’ny Soratra Masina.) 2) Fidio izay andinin-teny hanohananao ireo
hevitra ireo. 3) Eritrereto mialoha izay fomba voalanjalanja azonao
ampidiran-dresaka, mba hahatonga ilay mpanontany ho vonon-kihai-
no. Mitenena amin’izay.
Rehefa teren’ny toe-javatra ianao, moa ve ho tadidinao izay tokony
hatao? Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Aza manahy ny amin’
izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo
amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy hianareo no miteny, fa
ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.” (Matio 10:19, 20)
Tsy midika akory izany fa hisy fahagagana, ka hahazo ilay “teny fahe-
ndrena” nomena ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany koa ia-
nao. (1 Kor. 12:8) Tsia, fa raha mandray tsy tapaka ilay fampianarana
omen’i Jehovah ny mpanompony ianao, dia hamerina ao an-tsainao
ilay fanazavana ilainao ny fanahy masina.—Isaia 50:4.
Tsy isalasalana fa tena mandaitra ny fitenenana tsy an-kijery soratra.
Raha mizatra manao izany tsy tapaka ianao, rehefa manao anjara any
amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tsy ho sarotra ny hamaly fanontanian’
olona eo no ho eo, satria mitovy ihany ny fomba arahina amin’ireo toe-
javatra roa ireo. Aza miahotra hanao izany. Hahatonga ny fanompoa-
nao handaitra kokoa ny fianarana miteny tsy an-kijery soratra. Ary
rehefa manao anjara na lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana ianao,
dia hihazona ny fahalianan’ny mpanatrika sady hanohina ny fony.

FANAZARAN-TENA:
`
1) Mizara manipika teny fototra, fa tsy fehezanteny feno, rehefa manomana
ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Mamalia amin’ny fiteninao mano-
kana. 2) Rehefa manao famerenana ny anjaranao na lahateninao manaraka
amin’ny sekoly, dia ataovy tsianjery aloha ilay loha hevitra sy ireo hevi-dehi-
be roa na telo.
TOY NY MIRESAKA ANDAVANANDRO 28

Inona no ilainao hatao?


Miteny toy ny rehefa miresaka andavanandro, fa atao mifane-
ntana amin’ny mpihaino.

`
TSY saikatsaikatra ny olona mazana, rehefa miresaka amin’ny namany.
Mandeha ho azy ny teniny. Ny olona sasany maresaka be; ny hafa kosa
mangingina kokoa. Mahafinaritra anefa ny fitenenana tsotra sy tsy
amboamboarina toy izany.
Rehefa manatona olona tsy fantatra anefa isika, dia tsy mety ny mise-
ho ho mifankazatra be loatra na miteny tsy misy fanajana.
Any amin’ny firenena sasany aza, izay rehetra manombo-dre-
NAHOANA IZANY
saka amin’olon-tsy fantany dia tena manaja be. Tsy maintsy
NO TENA ILAINA?
atao araka ny tokony ho izy aloha ny fanehoam-panajana.
Azon’ny mpihaino tsara ny
Arakaraka ny toe-javatra avy eo vao mety tsy hasiana fomba- ainy, ary vonona hanaiky izay
fomba be intsony ny fitenenana, fa ho toy ny firesahana anda- lazainao izy, rehefa miteny toy
vanandro. ny miresaka andavanandro
Tsy maintsy mitandrina koa ianao, rehefa eny ambonin’ny ianao.
lampihazo. Hampihena ny fahamendrehan’ilay fivoriana kri-
stianina sy ny maha zava-dehibe an’izay lazaina ianao, raha miseho ho
mifankazatra loatra amin’ny mpihaino. Amin’ny fiteny sasany, dia misy
teny fampiasa amin’ny olona be taona, mpampianatra, manam-pahefa-
na, na ray aman-dreny. (Mariho ireo teny ampiasaina ao amin’ny Asan’
ny Apostoly 7:2 sy Asa. 13:16.) Teny hafa kosa no fampiasa amin’ny vady
na ny namana akaiky. Na dia tsy tokony ho fatra-panaja loatra aza isika,
rehefa eny ambonin’ny lampihazo, dia tokony haneho fanajana kosa ny
fitenintsika.
Misy anefa antony mety hahatonga ny fitenenan’ny olona iray ho toa
hentitra be, na manara-pitsipika loatra. Iray amin’izany ny firafitry ny fe-
hezanteniny. Mety hitady hamerina ara-bakiteny ny teny voasoratra ao
`
amin’ny boky na gazety ny mpandahateny. Mazana anefa no tena hafa be
amin’ny teny lazaina ny teny soratana. Marina fa ao anaty boky sy gazety
`
ianao mazana no manao fikarohana, rehefa manomana anjara na lahate-
ny. Mety homena drafitra vita pirinty ho an’ny lahateninao koa ianao.
Raha mamerina ara-bakiteny ny teny sy fehezanteny voasoratra anefa ia-
nao, na mamaky azy ireo ao amin’ilay drafitra vita pirinty, dia tsy ho toy
ny miresaka andavanandro ny fandrenesana anao. Lazao amin’ny fiteni-
nao manokana kosa ny hevitrao, ary aza mampiasa fehezanteny sarotra.
179
180 Toy ny Miresaka Andavanandro

Antony iray hafa ny fiovaovan’ny hafainganam-piteny. Matetika no mi-


tovy tantana foana ny fiatoana sy ny hafainganam-piteny rehefa somary
fatra-panaja na manara-pitsipika loatra ny fitenenana. Amin’ny resaka
tsotra, dia miovaova ny hafainganam-piteny sy ny halavan’ireo fiatoana.
Rehefa mandaha-teny eo anoloan’ny mpanatrika maro be ianao, dia
mitenena toy ny amin’ny resaka andavanandro, nefa ampi-
tomboy koa ny hamafin’ny feonao sy ny heriny ary ny hafa-
NY FOMBA nam-ponao mba hihazonana ny fahalianan’izy ireo.
HIANARANA AZY
Mila mizatra miteny tsara isan’andro ianao, mba hitenena-
Ny fomba fiheveranao ny mpi-
haino anao no jereo voalo-
na toy ny miresaka andavanandro eny amin’ny fanompoana.
hany indrindra. Hevero ho toy Tsy midika akory izany fa tsy maintsy ho nahita fianarana
ny namana izy ireo, nefa aza ambony ianao. Tsara kosa ny manana fahazarana izay haha-
mifankazatra aminy be loatra. tonga ny hafa hihaino anao amim-panajana. Jereo raha mila
Ento amim-panajana izy ireo. manaraka ireto fanoloran-kevitra ireto ianao, eo amin’ny re-
Mitenena tsy an-kijery sora- saka ataonao andavanandro.
tra. Aza manaraka ny fomba
fiteny ao amin’ny boky na ga- 1) Aza mampiasa teny tsy manaraka fitsipi-pitenenana na
zety. Lazao amin’ny fiteninao mety hampitovy anao amin’ny olona mandika ny fitsipik’
manokana ny hevitrao. Ma- Andriamanitra. Araho ny torohevitra ao amin’ny Kolosiana
`
mpiasa fehezanteny fohy, ary 3:8, ka fadio ny teny tsy mihaja sy ny teny ratsy. Etsy an-
ovaovay ny hafainganam-pite-
danin’izany anefa, tsy misy maha ratsy ny teny mahaza-
ninao.
tra andavanandro. Tsy teny fatra-panaja be ny teny mahaza-
Ny faniriana hampita hevitra
tra andavanandro, nefa fomba fiteny azo ekena.
no ifantohy. Mitenena avy
amin’ny fo. Ilay hafatra no 2) Aza mamerina teny mitovy foana, mba hilazana hevi-
zava-dehibe, fa tsy izay ho fi- tra samy hafa. Mianara hampiasa teny maneho mazava tsara
heveran’ny hafa anao. ny tianao holazaina.
Hatsarao ny resaka ataonao 3) Aza mamerina tsy amin’ny antony ny teny vao avy no-
andavanandro. Iezaho harahi- lazainao, fa ataovy mazava ao an-tsaina aloha ny hevitrao vao
na tsirairay ny fanoloran-kevi-
tra eto amin’ity pejy ity. mitenena.
4) Aza mampiasa teny be loatra, ka hanamaizina ireo he-
`
vitra tsara lazainao. Mizara mampiasa fehezanteny tsotra sy
mazava mba hilazana ny hevitra tokony hotadidina.
5) Manehoa fanajana ny hafa amin’ny teninao.

FANAZARAN-TENA:
Jereo ny fahazaranao miresaka. Iezaho harahina ireo hevitra dimy voatanisa
etsy ambony, ka iray isan’andro no ifantohy mandritra ilay andro manonto-
lo. Isaky ny manao diso ianao, dia avereno lazaina indray ny hevitrao, ao
an-tsaina, fara faharatsiny, ka ataovy tsy misy diso.
TOETRAN’NY FEO 29

Inona no ilainao hatao?


Manatsara ny feonao; tsy hoe manahaka feon’olon-kafa, fa
mahay mifoka rivotra tsara sy tsy manenjana ny hozatra.

TSY izay lazaina ihany no hisy vokany eo amin’ny olona, fa ny fomba ila-
zana azy io koa. Tsy marina ve fa te hihaino kokoa ianao raha feo mahafi-
naritra ka maneho fitiavana sy hatsaram-panahy no iresahana aminao fa
tsy feo tsy misy fitiavana, na mampangintsin-tsofina?
`
Tsy fanarahana fitsipika aman-dalana ranofotsiny akory no ilaina mba
hanatsarana ny toe-peo. Mety ho tafiditra amin’izany koa ny
toetran’ilay olona. Rehefa mandroso izy eo amin’ny fahalala-
NAHOANA IZANY
na sy ny fampiharana ny fahamarinana, dia manjary hita eo
NO TENA ILAINA?
amin’ny fomba fiteniny izany. Re amin’ny feony fa namboly
Ho tony sy ho faly ny hafa hi-
toetra tsara toy ny fitiavana sy ny fifaliana ary ny hatsaram-pa- haino anao, raha tsara ny
nahy izy. (Gal. 5:22, 23) Voamarika amin’ny feony, fa tena mia- feonao. Raha ratsy kosa ny
hy marina ny hafa izy. Fantatra amin’izay lazain’ny olona iray feon’ny mpandahateny, dia
sy ny toe-peony, hoe tsy mitaraina lava intsony izy fa manjary tsy ho voampita tsara ny he-
feno fankasitrahana. (Fitom. 3:39-42; 1 Tim. 1:12; Joda 16) Na viny, ka mety ho kivy, na izy
na ny mpihaino.
dia teny vahiny tsy hainao aza no itenenan’ny olona iray, dia
fantatrao amin’ny feony raha miavonavona sy tsy mahay mi-
lefitra, sy manakiana, ary masiaka izy, na manetry tena, sy manam-paha-
retana, sy tsara fanahy, ary be fitiavana kosa.
Mety ho vokatry ny aretina nanimba ny lohatraokany no maharatsy ny
feon’ny olona iray, na efa takaitra hatrany an-kibon-dreniny. Mety ho tsy
azo sitranina tanteraka ny kilema toy izany, raha tsy any amin’ny tontolo
`
vaovao. Mazana anefa no hitondra vokatra tsara ny fianarana mampiasa
tsara ireo taovam-pitenenana.
Tena ilaina voalohany indrindra ny mahafantatra fa tsy mitovy ny feon’
`
ny olona. Tsy ny hanana feo mitovy amin’ny an’olon-kafa ary no tokony
ho tanjonao. Hatsarao kosa ny toe-peonao izay manana ny mampiavaka
azy manokana. Inona no hanampy anao amin’izany? Zava-dehibe tena ilai-
na roa.
Mahaiza mifoka rivotra tsara. Mila tahirin-drivotra ampy tsara sy fa-
haiza-mifoka rivotra tsara ianao. Raha tsy izany, dia mety ho toa malemy
ny fandrenesana ny feonao, ary hitsatotsatoka ny fiteninao.
Tsy ny tapany ambony amin’ny tratranao akory no misy ny tapany lehi-
be indrindra amin’ny havokavokao; ny taolan’ny sorokao fotsiny no
181
182 Toetran’ny Feo

mahatonga azy io ho toa lehibe kokoa. Ilay eo ambony kelin’ny elabakaka


kosa no tapany mivelatra indrindra amin’ny havokavokao. Ny elabakaka
dia hozatra manify miraikitra amin’ny taolan-tehezana farany ambany, ka
mampisaraka ny tratra amin’ny kibo.
Vetivety ianao dia ho sempotra raha ny tapany ambony amin’ny havo-
kavokao ihany no fenoinao rivotra. Tsy ho ampy hery ny feonao, ary ho
mora vizana ianao. Mba hifohana rivotra tsara, dia mipetraha na mijoroa
mahitsy ary ataovy mankany aoriana ny sorokao. Aza ny tratra fotsiny no
abontsina rehefa mifoka rivotra alohan’ny hitenenana, fa miezaha aloha
mameno rivotra ny tapany ambany amin’ny havokavoka, izay vao ny tapa-
ny ambony. Rehefa feno rivotra iny tapany ambany iny, dia hivelatra ko-
koa ny tehezanao eo amin’ny andaniny roa. Hidina koa ny elabakaka, ka
hanosika kely ny vavoninao sy ny tsinainao, ary ho tsapanao fa manery ny
kibonao ny pataloanao na ny ziponao. Tsy any ambany any anefa no misy
ny havokavokao, fa ao anatin’ilay faritra fefen’ny taolan-tehezana. Ataovy
eo amin’ny tehezana ny tananao roa, mba hahitana izany. Mifoha rivotra

NY FOMBA IVOAHAN’NY TENY

Ilay rivotra avoakanao avy any amin’ny havo- tonga ny feo ho kely kokoa. Arakaraka ny tsy ane-
kavokao no iavian’ny feo tononina rehetra. Toy ny njanana ny tadim-peo kosa no mahatonga ny
paompin-drivotra ny havokavoka, ka manosika olona ho be feo kokoa. Rehefa mandao ny loha-
ny rivotra hamakivaky ny traokabe mba hiditra traoka ny onjam-peo, dia miakatra any amin’ny
ao amin’ny lohatraoka izay eo afovoan’ny te- vavan-tendabe. Miditra ao amin’ny ativava sy ny
ndanao. Ao anatin’ny lohatraoka, eo amin’ny atiorona izy avy eo. Ao dia misy feo somary hafa
andaniny sy ankilany, dia misy hozatra madinika kely manova sy manamafy ilay feo tamin’ny voa-
kely roa, antsoina hoe tadim-peo. Ireo no tena lohany. Miara-miasa ny lanilany, ny lela, ny nify
mpamoaka ny feo. Misokatra na mikatona ireo sy ny molotra ary ny valanorano mba hanapata-
hozatra ireo, mba hamelana ny rivotra hiditra sy paka ireo onjam-peo mihovitrovitra, ka ireo no
hivoaka ny lohatraoka, ary koa mba tsy hidiran’ manjary teny misy heviny rehefa mivoaka.
ny zavatra hafa ao amin’ny havokavoka. Tsy misy Tena mahatalanjona ny feon’olombelona; tsy
feo mivoaka rehefa miaina tsotra ianao, satria misy afaka mitaha aminy ny fitaovana vitan’olo-
mandalo ny tadim-peo fotsiny ny rivotra. Rehefa mbelona. Afaka maneho fihetseham-po isan-ka-
te hiteny anefa ny olona iray, dia misy hoza- razany izy io, hatramin’ny fahamoram-panahy sy
tra manenjana ireo tadim-peo, izay mihovitrovi- ny fitiavana ka hatramin’ny herisetra sy ny fanka-
tra rehefa andalovan’ny rivotra mibosesika avy halana. Rehefa zarina sy ampiofanina tsara ny
any amin’ny havokavoka. Feo no vokatr’izany. feo, dia afaka miakatra ambony be sy midina
Arakaraka ny fihenjanan’ny tadim-peo, no ambany be, ary mamoaka mozika kanto sy teny
mampihovitrovitra azy haingana kokoa ka maha- manohina ny fo.
Toetran’ny Feo 183

lalina. Raha mety tsara ny fanaovanao izany, dia tsy hihena kely ny kibo-
nao, na hiakatra ny sorokao, fa tsapanao miakatra sy mivelatra moramora
kosa ny taolan-tehezanao.
Hatsarao amin’izay ny famoahana rivotra avy any amin’ny havokavokao.
Ho lanilany foana ny tahirin-drivotrao raha avoakanao haingana loatra.
Avoahy tsikelikely izy io. Tsy ny hoza-tendanao anefa no angejanao azy, sa-
tria hahatonga ny feonao ho farina na ho kely loatra izany. Ny faneren’ny
hozatry ny kibo sy ny hozatra eo anelanelan’ireo taolan-tehezana no ma-
moaka ny rivotra, fa ny elabakaka kosa mifehy ny hafainganan’izany fivoa-
hany izany.

Lalana Izoran’ny Rivotra ao Amin’ny Vatanao

Taova Mpamoaka ny Teny Atiorona

Lanilany Vava

Lela Tenda

Nify Tadim-peo

Molotra Traokabe

Valanorano
Havokavoka

Elabakaka

Tadim-peo (hita avy any ambony)


Rehefa miteny Rehefa mifoka Rehefa mifoka
rivotra rivotra lalina
184 Toetran’ny Feo

Manaova fanazaran-tena, toy ny mpihazakazaka, mba hifehezana tsara ny


fifohana sy famoahana rivotra rehefa handaha-teny. Mijoroa mahitsy tsara,
ka ataovy mankany aoriana ny soroka; fenoy rivotra ny tapany ambany
`
amin’ny havokavokao; avoahy tsikelikely ilay izy no sady manisa moramo-
ra sy lavitra araka izay vitanao, nefa tsy maka aina. Avy eo dia mamakia teny
amin’ny feo avo, amin’ny fifohana sy famoahana rivotra toy izany ihany.
Aza henjanina ny hozatra. Dingana faharoa tena ilaina mba hanatsara-
na ny feo ny hoe: Aza mihenjana! Tena mahagaga ny fihatsarana hita, re-
hefa mianatra ny ho tony ianao rehefa manao anjara na lahateny. Voaka-
sik’izany na ny saina na ny vatana, satria raha tsy tony ny saina dia
hihenjana koa ny hozatra.
Hevero araka ny tokony ho izy ny mpihaino anao, raha tianao ho tony
ny sainao. Izao no tadidio rehefa mitory, na dia vao volana vitsivitsy mo-

FANATSARANA NY FEO MISY TSININY

Ny feo malemy. Tsy voatery ho malemy ny feo kokoa ianao, raha mampihena ny fihenjanan’ny
malefaka. Raha miovaova sy mahafinaritra ny hoza-tendanao sy ny tadim-peonao. Miezaha
feo malefaka, dia ho faly ny hafa hihaino azy. mafy hanao izany, eo amin’ny resaka ataonao
Tsy maintsy atao mafy tsara anefa ny feo, mba isan’andro. Hanampy koa ny fifohana rivotra la-
ho re. lina.
Mila manatsara ny fanakon’ny feonao ianao, Ny feo kentsona. Orona tsentsina indraindray
mba ho re hatrany lavitra. Ilainao amin’izany ny no mahatonga izany, nefa tsy izany foana no izy.
mianatra tsy mampihenjana ny vatanao mano- Henjanin’ny olona koa indraindray ny hozatry ny
ntolo, araka ny hazavaina ato amin’ity lesona ity. tendany sy ny vavany, ka mikatona ny atiorony
`
Miezaha mafy hanao izany, ary mizara koa mi- ary tsy afaka mandeha tsara ny rivotra. Miteraka
ngonongonona feon-kira. Tokony hifampikasoka fihovotrovotry ny feo ao anaty orona izany. Mila
kely fotsiny ny molotrao amin’izany, fa tsy hihidy ny ho tony ny olona kentsona toy izany.
mafy. Eo am-panaovanao izany, dia ho renao ao Ny feo mibetroka. Tsy manintona ny hafa
amin’ny lohanao sy ny tratranao ny fihovotrovo- hifampiresaka aminao ny feo toy izany. Mety
try ny feonao. hitady hiaro tena mihitsy aza izy, noho ny fa-
Toa malemy na farina ny feon’ny olona iray ndrahonan’ilay feo.
indraindray, noho izy marary na tsy ampy tori- Ny miezaka hiova toetra no ilain’ny olona toy
maso. Raha mihatsara fotsiny ireo toe-javatra izany indraindray. (Kol. 3:8, 12) Raha efa nanao
ireo, dia hihatsara ny feony. izany izy, dia hanampy ny fanarahana ireo fitsi-
Ny feo kely loatra. Mahatonga ny feo ho kely pika fanatsarana ny feo. Aza henjanina ny tenda
ny fihenjanan’ny tadim-peo. Raha toa mihenja- sy ny valanorano. Hahafinaritra kokoa ny hihai-
na ny olona iray rehefa miteny, dia mahatsiaro fi- no ny feonao amin’izay, ary tsy hisy feo hiova
henjanana koa ny mpihaino azy. Ho be feo noho ny fitenenana tsy misoka-bava.
Toetran’ny Feo 185

nja aza no nianaranao ny Baiboly: Efa misy zava-tsarobidy momba ny fika-


san’i Jehovah fantatrao ka azonao zaraina amin’ny hafa; ary mitsidika azy
ireo ianao, satria mila fanampiana izy, na fantany izany na tsia. Raha any
amin’ny Efitrano Fanjakana kosa no itenenanao, dia anisan’ny vahoakan’
i Jehovah ny ankamaroan’ny mpihaino. Namanao izy ireo, ary maniry ny
hahombiazanao. Tsy misy mihitsy, any ivelany any, mpandahateny mana-
na mpihaino sariaka sy be fitiavana foana toy izany.
Afantohy amin’ny hoza-tendanao ny sainao, ka miezaha mafy tsy ha-
mpihenjana azy ireo fa hampilefitra azy ireo kokoa. Tadidio fa mihovitro-
vitra ny tadim-peonao rehefa andalovan’ny rivotra. Miova ny toe-peo, ara-
karaka ny ihenjanan’ny hoza-tenda na tsia, toy ny iovan’ny
feon-gitara na feom-baliha rehefa henjanina na lefahina ny ta- NY FOMBA HANATSARANA
diny. Rehefa lefahinao ny tadim-peonao, ohatra, dia ho be feo NY FEONAO
kokoa ianao. Hisokatra koa ny atioronao rehefa tsy henjaninao Mambole toetra kristianina
ny hoza-tendanao, ka hisy vokany tsara eo amin’ny feonao tsara.
izany. `
Mizara mifoka rivotra tsara,
Aza avela hihenjana ny vatanao manontolo: ny lohalikao, ka fenoy ny tapany ambany
ny tananao, ny sorokao, ny hatokao. Hampanako kokoa ny amin’ny havokavokao.
feonao izany, ka hahalasa azy lavitra kokoa. Izany no vokatra Rehefa miteny, dia aza
azo, rehefa toy ny vata mampigoboka feo ny vatana manonto- henjanina ny hozatra eo
lo. Tsy ho azo kosa anefa izany, raha mihenjana ianao. Tsy ao amin’ny tenda, ny soroka,
ny vatana manontolo.
amin’ny atiorona ihany ny feo avoakan’ny lohatraoka no ha-
nakoako, fa eo amin’ny taolan-tratra, ny nify, ny lanilany ary
ny lavaky ny handrina koa. Samy manatsara ny fanakon’ny feo avokoa ireo
rehetra ireo. Raha asianao zavatra mavesatra eo amin’ny lamosin’ny gita-
ra iray, dia tsy hanako ny feony; tsy tokony hisy hanelingelina azy izy io,
mba hampanako tsara ny feony. Toy izany koa ny amin’ireo taolana ao
amin’ny vatantsika, izay hazonin’ireo hozatra mafy. Ho afaka hanovaova
tsara ny feonao ianao ary haneho lafiny samihafa amin’ny fihetseham-po
tsirairay, noho ny fanakon’ny feo. Ho afaka hiteny amin’ny mpanatrika
maro be koa ianao, nefa tsy ho farina ny feonao.

FANAZARAN-TENA:
`
1) Mizara mifoka rivotra mba hameno ny tapany ambany amin’ny havoka-
vokao mandritra ny minitra vitsivitsy isan’andro, mandritra ny herinandro.
2) Fara fahakeliny, indray mandeha isan’andro, mandritra ny herinandro, dia
miezaha mafy tsy hampihenjana ny hoza-tendanao rehefa miteny.
30 FIHEVERANA NY HAFA

Inona no ilainao hatao?


Mampiseho fa miahy ny amin’izay heverin’ny hafa sy izay ha-
hasoa azy.

TSY fahalalana ara-tsaina fotsiny no omentsika ny hafa rehefa milaza


aminy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, fa tsy maintsy manohina
ny fony koa isika. Manao izany isika, rehefa tena mihevitra azy mano-
kana tokoa. Fomba isan-karazany no azontsika anehoana izany.
Hevero ny fomba fihevitry ny mpihaino. Nihevitra ny toe-piainana
niavian’ny mpihaino azy sy ny fomba fisainany, ny aposto-
NAHOANA IZANY ly Paoly. Hoy izy: “Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho,
`
NO TENA ILAINA? mba hahazoako ny Jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalana, dia
`
Fomba iray anahafana ny tonga toy izay ambanin’ny lalana aho, na dia tsy ambanin’
` `
fitiavan’i Jehovah izany, ary ny lalana aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalana;
mety hanampy antsika hano- ` `
tamin’izay tsy manana lalana, dia toy izay tsy manana lalana
hina ny fon’ny olona. `
aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalana amin’Andria-
`
manitra aho, fa ambanin’ny lalan’i Kristy), mba hahazoako
`
izay tsy manana lalana; tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba
hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona re-
hetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. Ary izany rehetra izany
dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.”
(1 Kor. 9:20-23) Ahoana no ataontsika mba ‘ho tonga zavatra rehetra
amin’ny olona rehetra’?
Mety hahafanta-javatra momba ny olona iray, na izay mahaliana azy
ianao, raha afaka mandinika azy alohan’ny hitenenanao, na dia vetive-
ty fotsiny aza. Misy zavatra amantaranao ny asany ve? Na ny fivavaha-
ny? Na ny fianakaviany? Azonao ovana hifanaraka amin’izay hitanao ve
ny fitorianao mba hanintona kokoa ny mpihaino anao?
Mila mieritreritra mialoha ny fomba hanatonanao ny olona eo amin’
ny faritaninao ianao, mba hahatonga ny fitorianao hanintona azy. Any
amin’ny toerana sasany, dia ilaina hoeritreretina koa ireo vahiny avy any
an-tany hafa. Raha misy vahiny ao amin’ny faritaninao, moa ve ianao
efa nahita ny fomba mandaitra hitoriana aminy? Ataovy manintona an’
izay rehetra hitanao ny hafatra momba ilay Fanjakana satria tian’Andri-
amanitra ‘hovonjena ny olona rehetra, ka ho tonga amin’ny fahalalana
ny marina.’—1 Tim. 2:4.
186
Fiheverana ny Hafa 187

Mihainoa tsara. Mbola mihaino ny hafa ihany i Jehovah na dia efa


fantany aza ny zava-drehetra. Nahita an’i Jehovah nampirisika ireo anje-
ly samy hilaza ny heviny momba ny raharaha iray, i Mikaia mpamina-
ny, tao amin’ny fahitana iray. Navelan’Andriamanitra hanatanteraka ny
soso-keviny, avy eo, ny anjely iray. (1 Mpanj. 22:19-22) Navelan’i Jeho-
vah hiteny koa i Abrahama rehefa nilaza ny fanahiany momba ny fampi-
harana didim-pitsarana tamin’i Sodoma. (Gen. 18:23-33) Ahoana no ha-
nahafantsika izany ohatr’i Jehovah izany eo amin’ny fanompoantsika?
Ampirisiho ny hafa hilaza ny heviny. Mametraha fanontaniana mety
tsara, ary andraso izy hamaly, ka henoy. Tsy hisalasala hite-
ny izy, rehefa mahita ny fiheveranao azy toy izany. Raha tsi-
karitrao izay mahaliana azy, dia mametraha fanontaniana NY FOMBA ANEHOANA
FIHEVERANA AVY
hafa amim-pahaiza-mandanjalanja. Miezaha hahalala azy
AMIN’NY FO
bebe kokoa, nefa aza mitady hiditra amin’ny fiainany ma-
Henoy ilay olona rehefa mite-
nokana. Derao amim-pahatsorana izy noho ny heviny, raha ny. Isaory izy fa nilaza ny
mety. Ary raha tsy mitovy hevitra aminy ianao, dia isao- heviny sy ny fihetseham-
ry amin-katsaram-panahy ihany izy noho ny teniny.—Kol. pony. Mametraha
4:6. fanontaniana mba hazava
kokoa aminao ny fomba fisai-
Mila mitandrina anefa isika, sao mihoatra ny tokony ho nany.
izy ny fahalianantsika amin’ny olon-kafa. Tsy manome la-
Eritrereto ilay olona, ao-
lana antsika hitsofoka amin’ny fiainany manokana ny fia- rian’ny nifampiresahanareo.
hiantsika azy. (1 Pet. 4:15) Mila mitandrina koa isika sao Tsidiho haingana izy.
diso fandray ny hatsaram-panahy asehontsika ilay lehilahy Zavatra avy ao amin’ny
iresahantsika, raha vehivavy isika, na ilay vehivavy iresaha- Baiboly mahakasika azy
ntsika, raha lehilahy isika. Mila mahay manavaka ny mety mivantana resahina.
sy ny tsy mety isika rehefa mihevitra ny hafa, satria tsy mi- Manaova zavatra mba ha-
tovy izany, arakaraka ny tany, na arakaraka ny olona mihi- nampiana azy. Hevero izay
ilainy izao sy any aoriana.
tsy aza.—Lioka 6:31.
Hanampy antsika hahay hihaino ny fanaovana fanoma-
nana. Rehefa mazava ao an-tsaintsika tokoa ny hafatra entintsika, dia
ho tony isika ka hihaino tsara izay lazain’ny hafa. Hahatonga azy tsy ho
saikatsaikatra sy ho vonona hiresaka kokoa izany.
Manome voninahitra ny hafa isika, rehefa mihaino azy. (Rom. 12:10)
Asehontsika amin’izany koa fa ankasitrahantsika ny heviny sy ny fihe-
tseham-pony. Mety hahatonga azy ireo hihaino kokoa izay holazaintsi-
`
ka mihitsy aza izany. Rariny ary, raha manoro hevitra antsika ny Tenin’
Andriamanitra mba “halady hihaino, ho malai-miteny.”—Jak. 1:19.
Ampio ny hafa handroso. Mieritreritra an’ireo olona liana koa isika,
ka miverina mitsidika azy ireo, mba hilazana aminy ireo fahamarinana
188 Fiheverana ny Hafa

ao amin’ny Baiboly izay mahakasika azy mivantana. Alohan’ny hivere-


nana any aminy, dia eritrereto indray izay efa fantatrao momba azy avy
`
tamin’ny fitsidihana teo aloha. Manomana zavatra momba ny foto-ke-
vitra iray mahaliana azy. Asongadino fa misy vokany tsara ilay izy rehe-
fa ampiharina, ka ho hitany amin’izay ny soa ho azony avy amin’izay
ianarany.—Isaia 48:17.
Raha lazain’ilay olona aminao ny zava-manahirana mampanahy azy
mafy, dia hararaoty izany mba hanambarana aminy ny vaovao tsara.
Araho ny ohatr’i Jesosy, izay vonona foana hampionona ny ory. (Marka
6:31-34) Aza maika hanome vahaolana, na torohevitra ambangovango-
ny, satria mety hihevitra ilay olona fa tsy tena miahy azy ianao. Asehoy
kosa fa miara-ory aminy ianao. (1 Pet. 3:8) Avy eo dia manaova fikaro-
hana, ary omeo fanazavana mampahery miorina amin’ny Baiboly ilay
olona, mba hamahany ilay olana. Raha miahy sy manam-pitiavana azy
ianao, dia tsy hilazalaza amin’ny hafa ny tsiambaratelo naborany tami-
nao, raha tsy hoe misy antony tsara hanaovana izany angaha.—Ohab.
25:9.
Ireo ampianarintsika ny Baiboly indrindra no tokony hoheverintsika
manokana. Lazao ao amin’ny vavaka ny zavatra ilain’ny mpianatra tsi-
rairay, ka tadidio izany rehefa manomana ilay fianarana ianao. Mano-
ntania tena hoe: ‘Inona no ilainy hatao manaraka, mba handrosoany
ara-panahy?’ Ampio amim-pitiavana izy hahatakatra izay lazain’ny Bai-
boly sy ny boky avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ momba
ilay raharaha. (Matio 24:45) Mety ho tsy ampy anefa indraindray ny
manome fanazavana fotsiny. Asehoy aminy ny fomba fampiharana ny
toro lalana ara-baiboly iray, ka tena miaraha manao ilay izy aminy mi-
hitsy.—Jaona 13:1-15.
Mahaiza mandanjalanja sy mitsara zavatra, rehefa manampy ny hafa
hampifanaraka ny fiainany amin’ny zavatra takin’i Jehovah. Samy hafa
ny toe-piainana niavian’ny olona sy ny fahaizany ary ny hafainganan’
ny fandrosoana ataony. Aza manantena zavatra tafahoatra avy amin’ny
hafa. (Fil. 4:5) Aza terena koa izy hanova ny fiainany. Aoka ny Tenin’
Andriamanitra sy ny fanahiny no hanosika azy. Tian’i Jehovah hano-
mpo azy an-tsitrapo ny olona, fa tsy an-tery. (Sal. 110:3) Aza milaza ny
hevitrao manokana rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy ataony,
ary aza manapa-kevitra eo amin’ny toerany, na dia angatahiny hanao
izany aza ianao.—Gal. 6:5.
Manaova zavatra mba hanampiana ilay olona. Izay hahasoa ara-
panahy an’ireo nihaino azy no tena nahin’i Jesosy, nefa hitany koa ireo
Fiheverana ny Hafa 189

zavatra hafa nilain’izy ireo. (Matio 15:32) Misy fomba maro azontsika
anampiana ny hafa na dia tsy manam-bola aza isika.
Ho be fiheverana isika rehefa liana amin’ny hafa. Raha ratsy, ohatra,
`
ny andro ka voahelingelina ilay iresahanao, dia mifindra toerana any
amin’izay ahafahana miresaka tsara kokoa, na mifanaova fotoana hafa.
Raha tsy mety amin’ilay olona ny fotoana itsidihanao, dia lazao fa hi-
verina amin’ny fotoana hafa ianao. Raha marary na any amin’ny hopi-
taly ny mpifanila trano aminao na ny olona liana iray, dia vangio izy,
na andefaso taratasy kely. Manaova sakafo tsotra ho azy, raha mety, na
manaova zavatra hafa amin-katsaram-panahy.
Rehefa mihamandroso ny mpianatra ny Baiboly, dia mety hahatsia-
ro tena ho irery izy, satria tsy dia miaraka amin’ny namany taloha
`
intsony. Ataovy namanao izy. Maka fotoana hiresahana aminy, aorian’
ny fianarana Baiboly na amin’ny fotoana hafa. Ampirisiho izy hanana
namana tsara. (Ohab. 13:20) Ampio izy hanatrika ny fivoriana kristia-
nina. Miaraha mipetraka aminy rehefa any, ary ampio izy hikarakara ny
zanany, mba samy handray soa amin’ny fandaharana ny rehetra.
Manehoa fiheverana amim-pahatsorana. Tsy ny fanarahana fitsi-
`
pika aman-dalana akory no ahaizana maneho fiheverana ny hafa, fa ny
fananana toetra tsara ao am-po. Miseho amin’ny fomba maro ny hala-
lin’ny fiheverantsika ny hafa. Ahitana azy io ny fomba fihainontsika sy
ny teny lazaintsika. Hita koa izy io rehefa tsara fanahy sy be fiheverana
ny hafa isika. Na tsy miteny sy tsy manao na inona na inona aza isika,
dia miseho eo amin’ny fihetsitsika sy ny endritsika izy io. Ho hitan’ny
hafa foana raha tena miahy azy tokoa isika.
Ny hanahaka ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Raintsika any
an-danitra no antony lehibe indrindra iheverantsika amim-pahatsora-
na ny hafa. Manintona ny mpihaino ho amin’i Jehovah sy ny hafatra
`
asainy aelintsika izany. Miezaha ary ‘tsy hihevitra ny anao ihany, fa ny
an’ny namanao koa’ rehefa mampiely ny vaovao tsara.—Fil. 2:4.

FANAZARAN-TENA:
1) Alohan’ny fivoriana: Anehoy fiheverana manokana ny olona iray efa tonga.
Aza mianina amin’ny fiarahabana azy fotsiny. Fantaro tsara kokoa izy, ary ase-
hoy fa mihevitra azy ianao. Ataovy tsy tapaka izany. 2) Eny am-pitoriana:
Anehoy fiheverana manokana ny olona iray hitanao. Aza mianina amin’ny fi-
toriana aminy fotsiny. Fantaro ilay olona. Ampifanaraho amin’izay fantatrao
momba azy ny teninao sy ny ataonao. Mitadiava fahafahana hanao izany
imbetsaka.
31 FANAJANA NY HAFA

Inona no ilainao hatao?


Manome haja sy voninahitra ny hafa.

ASAIN’NY Baiboly ‘manaja ny olona rehetra’ sy ‘tsy hiteny ratsy olona’


isika. (1 Pet. 2:17; Tit. 3:2) “Natao araka ny endrik’Andriamanitra” tokoa
ny olona rehetra mifanena amintsika. (Jak. 3:9) Nanoloran’i Kristy ny
ainy ny tsirairay aminy. (Jaona 3:16) Ary samy mendrika ny handre ny
vaovao tsara ny rehetra mba hankatoavany azy, ka ho voavonjy ny tena-
ny. (2 Pet. 3:9) Misy olona sasany manana toetra na fahefana
izay mendrika ny hohajaina manokana.
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? Nahoana ny olona sasany no mitady tsy haneho ilay fana-
Takina amin’ny Kristianina ny jana ampirisihan’ny Baiboly? Mety ho ny kolontsaina eo an-
hanajany ny hafa, ary mahato- toerana no manondro izay olona tokony homem-boninahi-
nga ny hafa ho vonona kokoa tra, arakaraka ny fokony, ny volon-kodiny, ny fahasalamany,
hanaiky izay torinao aminy ny taonany, ny harenany, ny sarangany, na noho izy lehilahy
avy ao amin’ny Baiboly izany.
na vehivavy. Nampihena ny fanajana fahefana ny tsolotra sy
kolikoly ataon’ireo manam-pahefana hatraiza hatraiza. Tena
tsy afa-po amin’ny fiainany ny olona any amin’ny tany sasany, angamba
satria voatery mitrongy vao homana, sady voahodidin’olona tsy mana-
ja. Teren’ny mpiara-mianatra aminy ny tanora mba hiara-mikomy amin’
ny mpampianatra tsy tiany, sy amin’ny manam-pahefana hafa. Maro
no manahaka ireo ankizy asehon’ny televiziona, izay manambaka ray
aman-dreny sy manjakazaka. Mila miezaka isika mba tsy hamela ny fo-
mba fihevitr’ity tontolo ity hanova ny fanajantsika ny hafa. Rehefa ha-
jaintsika anefa ny olona, dia manjary mora kokoa ny mifanakalo hevitra.
Fanatonana olona amim-panajana. Tokony ho mendrika ny fitafia-
na sy ny fihetsiky ny olona iray manao asa ara-pivavahana. Miovaova ara-
karaka ny toerana ny fitafiana sy fihetsika heverina fa mendrika. Misy
mihevitra fa tsy fanehoam-panajana ny manatona olona iray nefa misa-
troka na manao tanana am-paosy. Mety tsy hampaninona anefa izany
any an-toeran-kafa. Hajao ny fiheveran’ny olona eo an-toerana, mba tsy
hanafintohinana azy. Ho afaka hampiely ny vaovao tsara amin’ny fomba
mandaitra ianao, raha manao izany.
Mitovy amin’izany koa ny fomba iresahana amin’ny hafa, indrindra fa
`
ny zokiolona. Heverina ho tsy mahalala fomba mazana ny tanora mia-
190
Fanajana ny Hafa 191

ntso olon-dehibe amin’ny fanampin’anarany, raha tsy hoe nomena lala-


na hanao izany angaha izy. Any amin’ny toerana sasany, na ny olon-de-
hibe koa aza tsy mahazo miantso ny vahiny amin’ny fanampin’anarany.
Ankoatra izany, dia fiteny maro no mampiasa ny hoe “ianareo”, na fo-
mba hafa, mba hiresahana amim-panajana amin’ny olona iray be taona
kokoa na manam-pahefana.
Fiarahabana amim-panajana. Any amin’ny toerana sasany, dia ante-
naina ny hiarahabanao ny olona hitanao eny an-dalana na any an-trano.
Teny kely fiarahabana, tsiky, na fanondrehana kely ny loha no anaova-
na izany. Heverina ho tsy fanehoam-panajana ny tsy firaha-
rahana ny olona hitanao.
Misy anefa mbola mihevitra ihany hoe tsy noraharahaina NY FOMBA
HANEHOANA AZY
na dia efa noarahabainao aza. Fa nahoana? Satria tsapany fa Fantaro ny fomba fiheveran’i Je-
tsy nihevitra azy manokana ianao. Fanao mahazatra ny hovah ny olona.
manasokajy ny olona araka ny toe-batany. Matetika no ihata- Hajao ny fahefan’izay lohany, ny
taonan’ny olona, ny toeran’ny
katahana ny kilemaina sy ny marary. Asehon’ny Tenin’Andri- manam-pahefana.
amanitra amintsika anefa fa tokony hoentina amim-pitiava- Ekeo fa manana zo hanana ny
na sy amim-panajana ny olona toy ireny. (Matio 8:2, 3) Samy heviny ny olona.
Mipetraha eo amin’ny toeran’ny
nandova ny vokatry ny otan’i Adama avokoa isika rehetra. mpihaino anao.
Heverinao fa manaja anao ve ny hafa raha ny kilemanao foa-
na no amantarany anao? Tsy ny toetranao tsara kosa ve no
tianao hamantarany anao?
Manaiky ny fahefan’izay lohany koa ny atao hoe manaja. Ilaina any
amin’ny toerana sasany ny hiresahana amin’ny loham-pianakaviana alo-
ha, vao mitory amin’ny mpianakavy hafa. Ekentsika fa ny ray aman-dre-
ny no nomen’Andriamanitra fahefana hitaiza sy hifehy ary hitari-dalana
ny zanany, na dia i Jehovah aza no maniraka antsika hitory sy hampia-
`
natra. (Efes. 6:1-4) Mety ary ny miteny amin’ny ray aman-dreny aloha,
vao mifampidinika amin’ireo ankizy, rehefa mitsidika.
Tsy maintsy hajaina ny zokiolona noho izy efa nahita fiainana. (Joba
32:6, 7) Nanaiky izany ny anabavy tanora mpisava lalana any Sri Lanka,
ka nahita vokatra tsara rehefa nitsidika rangahy zokiolona iray. Tsy na-
naiky ny fitsidihan’ilay anabavy aloha izy io, ka nanao hoe: “Izay zaza
vao iray ranonorana io ve ianao ka hampianatra ahy ny Baiboly?” Hoy
anefa ilay anabavy: “Raha ny marina, tsy tonga mba hampianatra aho,
tompoko, fa mba hilaza aminao ny zavatra nianarako izay tena nahafaly
ahy tokoa, ka tsy tanako fa tsy maintsy lazaiko amin’ny hafa.” Nanaitra
ny sain’ilay rangahy ny valin-teny feno fanajana nataon’ilay mpisava la-
`
lana. “Ka inona ary izany zavatra nianaranao izany e?”, hoy izy. “Ny
192 Fanajana ny Hafa

fomba hahafahana hiaina mandrakizay, tompoko”, hoy ilay anabavy. Na-


nomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jeho-
vah ilay rangahy. Tsy ny be taona rehetra no hilaza fa tiany ny hohajai-
na toy izany, nefa hankasitraka izany ny ankamaroany.
Mety ho lasa tafahoatra anefa indraindray, ny fanehoam-panajana.
Any amin’ireo nosin’i Pasifika sy any an-toeran-kafa, ny Vavolombelona
dia mampiasa amim-panajana ny fomba firesaka eo an-toerana, rehefa
`
manatona lehiben’ny tanana. Manjary vonon-kihaino ireo, ka afaka mi-
resaka aminy sy amin’ny olona iadidiany ireo mpitory. Tsy ilaina sady
tsy tsara anefa ny fandokafana. (Ohab. 29:5) Mety hisy koa teny fanome-
zam-boninahitra efa anisan’ny fitsipi-pitenenana. Tsy voatery hampiasa
azy ireny tafahoatra anefa ny Kristianina rehefa maneho fanajana.
Fitenenana amim-panajana. Mampirisika antsika hanazava ny
anton’ny fanantenantsika “amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”
ny Baiboly. (1 Pet. 3:15) Koa na dia azontsika porofoina haingana aza fa
diso ny fomba fihevitry ny olona iray, ho fahendrena ve ny manamba-
ny sy manao tsinontsinona ilay olona rehefa manazava? Tsy ho tsara ko-
koa ve ny mihaino azy amim-paharetana, ka manontany ny antony
mahatonga azy hihevitra toy izany, ary avy eo dia mihevitra ny fihetse-
ham-pony rehefa miara-manjohy hevitra aminy avy ao amin’ny Baiboly?
Tokony hitovy ny fanajana aseho, na rehefa miresaka amin’ny olona
iray, na rehefa miteny eny ambony lampihazo. Ny mpandahateny mana-
ja ny mpihaino dia tsy hasiaka ka hanakiana azy ireo, na haneho fihetsi-
ka toa milaza hoe: “Ho vitanareo ange izany, raha tena te hanao tokoa ia-
nareo e!” Manakivy ny hafa fotsiny ny fitenenana toy izany. Tsara lavitra
ny mihevitra ny mpanatrika ho olona tia an’i Jehovah sy maniry hano-
mpo azy! Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka hianatra hipetraka eo
amin’ny toeran’ireo malemy ara-panahy, na mbola tsy za-draharaha, na
votsa kokoa eo amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly.
Ho tsapan’ny mpanatrika fa manaja azy ny mpandahateny izay ma-
mpiditra koa ny tenany ho anisan’ireo mila mampihatra kokoa ny Tenin’
Andriamanitra. Ohatra, tsara raha tsy ampiasaina foana ny hoe “ianao”
sy “ianareo”, rehefa manao fampiharana ireo andinin-teny. Mariho, oha-
tra, ny tsy fitovian’ny hoe “Manao izay rehetra vitanareo ve ianareo?” sy
ny hoe “Tokony hanontany tena ny tsirairay amintsika hoe: ‘Manao izay
rehetra vitako ve aho?’ ” Mitovy ny tian’ireo fanontaniana roa ireo hola-
zaina, saingy milaza ilay voalohany fa tsy mampitovy ny tenany amin’
ny mpihaino, ilay mpandahateny. Amporisihin’ilay faharoa kosa ny re-
hetra, anisan’izany ny mpandahateny, mba hamakafaka ny toerana misy
azy sy ny antony anaovany zavatra.
Fanajana ny Hafa 193

Aza alaim-panahy hanao hatsikana mba hampihomehezana ny mpi-


haino fotsiny. Mampihena ny fahamendrehan’ny hafatra ao amin’ny
Baiboly izany. Marina fa tokony hahita fahafinaretana eo amin’ny fano-
mpoana an’Andriamanitra isika. Mety hisy lafiny mampihomehy mihi-
tsy aza ilay anjara na lahateny asaina ataontsika. Tsy manaja an’Andria-
manitra sy ny mpanatrika anefa isika, raha raharaha lehibe no ataontsika
lasa vazivazy.
Enga anie ny fanatonantsika olona sy ny fihetsitsika ary ny fitenena-
ntsika hampiseho foana fa nianatra hihevitra ny hafa araka ny nampia-
narin’i Jehovah antsika isika.

FANAZARAN-TENA:
Mieritrereta olona iray efa zokinao na mbola zandrinao. Eritrereto ny fomba
hanatonanao azy, sy izay holazainao mba hanombohan-dresaka, ary izay
hataonao mba hanajana marina an’ilay olona sy ny teniny. Ampiharo izay
zavatra efa tapakao fa hataonao.

Fomba azoko anehoana fanajana bebe kokoa


32 FITENENANA AMIM-PATOKISANA

Inona no ilainao hatao?


Mampiseho amin’ny fiteninao fa atokisanao tanteraka hoe
marina sy tena lehibe izay lazainao.

REHEFA miteny amim-patokisana ny olona iray, dia hitan’ny hafa fa


mino mafy izay lazainy izy. Hita teo amin’ny fanompoan’ny apostoly
Paoly io toetra io. Izao no nosoratany ho an’ireo tonga mpino, tany
Tesalonika: ‘Ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny
ihany, fa tamin’ny fahatokiana be koa.’ (1 Tes. 1:5) Hita tamin’ny te-
niny sy ny nataony izany fatokisany izany. Tokony ho hita
eo amin’ny fomba itoriantsika ny fahamarinana ao amin’
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? ny Baiboly koa ny fatokisana be toy izany.
Hampirisika ny hafa hihevitra Tsy miziriziry amin’ny heviny, na mitompo teny fanta-
izay lazainao ho zava-dehibe tra, na avo vava akory ny olona matoky izay lazainy. Mane-
sy hampihatra izany, ny fato- ho finoana matanjaka kosa izy, rehefa milaza zavatra avy
kisanao.
ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Heb. 11:1.
Ny fotoana hitenenana amim-patokisana. Tena ilaina
ny miteny amim-patokisana, rehefa eny am-pitoriana. Tsy ny hafatra
lazainao ihany no marihin’ny olona, fa ny fomba ilazanao azy koa.
Tsikariny izay tena heverinao momba izay lazainao. Tsy ampy ny teny
fotsiny mba hilazana fa manan-java-dehibe hambara ianao. Mahavita
izany amin-kery kokoa ny fatokisanao.
Ilaina koa ny fatokisana rehefa miteny amin’ny mpiray finoana ia-
nao, eny ambony lampihazo. Nanoratra ny taratasiny voalohany ny
apostoly Petera mba hampaherezana sy ‘hanambarana fa izany no
tena fahasoavan’Andriamanitra.’ Nampirisika mafy ny rahalahiny izy
hoe: “Tomoera tsara.” (1 Pet. 5:12) Nahasoa ny fiangonana tany Roma
ny fatokisan’ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra ho azy ireo. Hoy
izy: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fa-
napahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny
ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary re-
hetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Rom. 8:38, 39) Nampiai-
ky ny rahalahiny koa izy, tao amin’ny taratasiny, fa nilaina ny nitory
tamin’ny hafa. Ary ny zotom-pony manokana nanao io asa io dia po-
194
Fitenenana Amim-patokisana 195

rofo fa natoky izany tanteraka ny tenany. (Asa. 20:18-21; Rom. 10:9,


13-15) Tokony ho hita eo amin’ny anti-panahy kristianina ankehitri-
ny koa ny fatokisana toy izany, rehefa mampianatra amin’ny alalan’
ny Tenin’Andriamanitra izy.
Mila miteny amim-patokisana ny ray aman-dreny, rehefa mampia-
natra zavatra ara-panahy amin’ny zanany, sy amin’ny fotoana hafa
koa. Tsy maintsy mamboly fitiavana an’Andriamanitra sy ny lalany ao
am-pony aloha izy ireo, vao tena afaka miteny amim-patokisana amin’
ny zanany, ‘satria amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.’
(Lioka 6:45; Deot. 6:5-7) Afaka manome ohatra ny amin’
ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” koa ny ray aman-dre- NY FOMBA
ny, raha manana fatokisana toy izany.—2 Tim. 1:5. ANEHOANA AZY
Rehefa iharam-pitsapana indrindra ny finoanao no tena Manehoa fihetseham-po
ilanao miteny amim-patokisana. Mety ho gaga ny mpa- mifanentana amin’ny
mpianatra, ny mpiara-mianatra, na ny mpiara-miasa ami- foto-kevitrao.
`
nao, noho ianao tsy miara-mankalaza fety aminy. Ny va- Mampiasa teny milaza ny
fatokisanao.
lin-teny hentitra sy voahevitra tsara dia mety hanampy azy
hanaja ny fanapahan-kevitrao miorina amin’ny Baiboly. Fakafakao ilay fanazavana,
mandra-pahazonao azy tsara
Ahoana raha taomin’ny hafa hanao fitondran-tena ratsy ia- sy mandra-pahainao milaza
nao: handainga, hangalatra, hampiasa zava-mahadomeli- azy amin’ny fiteninao mano-
na, na hanao firaisana? Ataovy mazava tsara fa tsy hanao kana. Ekeo tanteraka fa
izany mihitsy ianao, ary tsy hampiova hevitra anao izay marina sy ilain’ny mpihaino
ilay izy.
mety ho fanangolena hampiasainy. Mila miteny amim-pa-
`
tokisana ianao, rehefa manda toy izany. Nanao teny henti-
tra toy izao i Josefa, fony nanohitra ny fanangolen’ny vadin’i Potifara:
“Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’
Andriamanitra?” Rehefa nisisika ihany ravehivavy, dia nandositra ni-
voaka ilay trano i Josefa.—Gen. 39:9, 12.
Ny fomba anehoana fatokisana. Afaka mampiseho ny fatokisanao
ireo teny ampiasainao. Imbetsaka i Jesosy, ohatra, no niteny hoe “La-
zaiko aminao marina dia marina tokoa”, alohan’ny hilazana zava-de-
hibe iray. (Jaona 3:3, 5, 11; 5:19, 24, 25) Hita ny fatokisan’i Paoly tao
amin’ny teny toy ny hoe “Matoky aho”, sy hoe “Mahalala sady mato-
ky ao amin’i Jesosy Tompo aho”, ary hoe “Milaza ny marina aho fa
tsy mandainga.” (Rom. 8:38; 14:14; 1 Tim. 2:7) Nasain’i Jehovah noha-
mafisin’ny mpaminaniny toy izao indraindray ny fahatanterahan’ny
teniny: “Ho avy tokoa izy.” (Hab. 2:3) Afaka mampiasa teny toy izany
koa ianao, rehefa manonona ireny faminaniana ireny. Ho porofon’ny
196 Fitenenana Amim-patokisana

finoanao matanjaka ny teny feno toky toy izany, raha mitoky amin’i
Jehovah fa tsy amin’ny tenanao ianao, ary raha manaja olona rehefa
miteny.
Mety hahitana ny fatokisanao koa ny fahatsoranao sy ny fihetse-
ham-ponao rehefa miteny. Samy milaza izany avokoa ny endrikao sy
ny fihetsikao, na dia mety tsy hitovy aza izany, arakaraka ny olona. Hi-
seho foana ny fatokisanao, na dia saro-kenatra na malefaka fiteny aza
ianao, raha inoanao tanteraka fa ny fahamarinana no lazainao ary
mila izany ny olona.
Mazava ho azy fa tsy maintsy ho avy amin’ny fo ny fatokisantsika.
Raha tsapan’ny olona fa fisehoana fotsiny ilay izy fa tsy tena amim-
pahatsorana, dia hanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy misy heviny firy ny
`
hafatra entintsika. Ny maha ianao anao ary aseho. Arakaraka ny habe-
tsahan’ny mpihaino anao, no mety hilanao hiteny mafy kokoa noho
ny mahazatra sy amin-kery kokoa. Ny hiteny avy amin’ny fo sy amin’
ny fomba tsotra, tsy amboamboarina, anefa no tokony ho tanjonao.
Fanampiana mba hitenenana amim-patokisana. Tena ilaina ny
manomana tsara, satria miankina amin’ny fiheveranao an’ilay fana-
zavanao ny fatokisanao. Tsy ampy ny mamaky na mamerina tsianje-
ry zavatra avy ao anaty boky na gazety. Tsy maintsy azonao tsara ilay
fanazavana, mba hilazanao azy amin’ny fiteninao manokana. Tsy
maintsy miaiky tanteraka ianao fa marina ilay izy sady tena ilain’ny
`
mpihaino. Rehefa manomana ny anjaranao ary ianao, dia hevero
ny toe-javatra misy ny mpihaino sy ny zavatra mety ho efa fantany na
heveriny momba ilay foto-kevitra.
Mora hitan’ny olona ny fatokisantsika rehefa misosa tsara ny fitene-
`
nantsika. Ankoatra ny fanomanana hevitra tsara ary, dia ataovy tsara
koa ny famerenana. Mariho tsara ireo tapany ilana ny fiekena kokoa,
mba tsy ho voatery hijery taratasy be loatra ianao, rehefa milaza azy.
Tadidio koa ny mivavaka amin’i Jehovah mba hitahiany ny ezaka atao-
nao. Ho ‘sahy ao amin’Andriamanitsika’ ianao amin’izay, ka hatoky
fa marina sy tena lehibe ilay hafatra lazainao.—1 Tes. 2:2.

FANAZARAN-TENA:
Fakafakao ireto fitantarana ireto: Eksodosy 14:10-14; 2 Mpanjaka 5:1-3;
Daniela 3:13-18; Asan’ny Apostoly 2:22-36. Ahoana no nanehoan’ireo mpa-
nompon’Andriamanitra ireo ny fatokisany? Inona no niorenan’ny fatokisany?
Ahoana no anehoanao fatokisana toy izany ankehitriny?
MAHAY MANDANJALANJA, NEFA HENTITRA 33

Inona no ilainao hatao?


Mitandrina izay lazainao sy ny fomba ary ny fotoana ilazanao
azy, mba tsy hanafintohina olona tsy amin’antony.

TSY manafintohina ny hafa tsy amin’antony ny olona mahay manda-


njalanja. Fantany ny fomba sy ny fotoana hilazana zavatra. Tsy midika
anefa izany hoe mampandefitra ny marina, na manolana ny zava-misy.
Tsy tokony hampifangaroina amin’ny tahotra olona ny fahaiza-manda-
njalanja.—Ohab. 29:25.
Ny fananan’ny olona iray ny vokatry ny fanahy no tena manampy azy
hahay handanjalanja. Ohatra, ny olona atosiky ny fitiavana
dia tsy maniry hanorisory ny hafa, fa hanampy azy kosa. Tsy
NAHOANA IZANY
mivatravatra ny olona tsara fanahy sy malemy fanahy rehe-
NO TENA ILAINA?
fa manao zavatra. Manao izay hahatsara fihavanana azy
Raha mahay mandanjalanja
amin’ny hafa ny olona tia fiadanana. Ary tony foana ny olo- ianao, dia mety ho vonona
na mahari-po, na dia masiaka aza ny hafa.—Gal. 5:22, 23. hihaino ny vaovao tsara ny
Hisy foana anefa olona tsy ho faly amin’ny hafatra ao olona. Hanampy anao ho
tsara fihavanana amin’ny
amin’ny Baiboly, na ahoana na ahoana fomba ilazantsika Kristianina hafa koa ny fahai-
azy. “Vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka” i za-mandanjalanja.
Jesosy Kristy, ho an’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny tao-
njato voalohany, satria ratsy ny fon’izy ireo. (1 Pet. 2:7, 8)
Hoy i Jesosy momba ny asa fitoriana ilay Fanjakana nataony: “Tonga
`
hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho.” (Lioka 12:49) Mbola tsy maintsy
ambara amin’ny olona ankehitriny ihany ny hafatra momba ny Fanja-
kan’i Jehovah sy ny tokony haneken’izy ireo ny Mpamorona azy ho
Mpanjakany. Maro no tsy faly mahare fa handrava tsy ho ela ity tonto-
lo ratsy ity ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho fankatoavana an’Andriama-
nitra anefa, dia tohizintsika ihany ny fitoriana, sady tadidintsika foana
ity torohevitry ny Baiboly ity: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihava-
nanareo amin’ny olona rehetra.”—Rom. 12:18.
Mahay mandanjalanja rehefa mitory. Misy toe-javatra maro iresa-
hantsika momba ny finoantsika amin’ny hafa. Manao izany isika, rehe-
fa mitory eny amin’ny saha, nefa koa rehefa miaraka amin’ny havana
sy ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra amintsika. Mila mahay ma-
ndanjalanja isika amin’ireo toe-javatra rehetra ireo.
197
198 Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

Mety hampahasosotra ny olona isika raha toa be fananarana rehefa


mitory ilay Fanjakana. Mety tsy ho faly izy raha anarintsika hanitsy ny
fiainany, kanefa izy tsy nangataka fanampiana, ary angamba tsy mihe-
vitra fa mila izany akory. Inona no azontsika atao, mba tsy ho diso
fandray izay lazaintsika ny hafa? Mianatra ny fahaiza-miresaka amin-
katsaram-panahy.
Atombohy amin’ny foto-kevitra mahaliana ilay olona ny resaka atao-
nao. Mety ho efa fantatrao izay mahaliana azy, raha havanao izy, na
mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao. Raha mbola tsy
nahita ilay olona mihitsy ianao taloha, dia vaovao tao amin’
NY FOMBA
HANEHOANA AZY ny radio na tao amin’ny gazety no anombohy ny resaka. Ire-
`
Miresaha, fa aza be fanana- ny mazana no ahafantarana izay mampanahy ny olona
rana. maro. Mahaiza mandinika rehefa mitory isan-trano. Mety
Eritrereto tsara izay ho hahalalana izay mahaliana ny tompon-trano ny haingon-
fandraisan’ny olona ny teni- tranony, ireo kilalao eny an-tokotany, ireo zavatra ara-piva-
nao. vahana, na ny soratra mipetaka eo am-baravarana na vara-
Diniho aloha ilay fotoana varankely. Henoy tsara izy, rehefa tonga eo am-baravarana.
raha mety tsara mba hiresa- Ho hitanao amin’izay lazainy raha marina na diso ny hevi-
hana, vao miteny. trao momba izay mahaliana azy sy ny fomba fiheviny. Ho
Manaova teny fiderana fantatrao koa izay tokony horesahina mba hanaovana fito-
amim-pahatsorana, isaky ny riana mandaitra.
azo atao. `
Rehefa mitohy ilay resaka, dia milaza zavatra avy ao amin’
Aza misafoaka, rehefa misy
fanoherana.
ny Baiboly sy ny boky manazava ny Baiboly, izay mifandray
amin’ilay foto-kevitra. Aza mibodo resaka anefa. (Mpit. 3:7)
Aza mihevi-tena ho tsara
kokoa noho ny hafa; aza mi- Asaivo miresaka koa ilay tompon-trano, raha mety izy. He-
tsara olona. noy tsara ny fomba fiheviny. Mety ho fantatrao avy amin’
ny teniny ny zavatra tsy tokony holazaina mba tsy hanafi-
ntohinana azy.
Alohan’ny hilazanao zavatra, dia hevero aloha izay mety handraisan’
ilay olona azy io. Derain’ny Ohabolana 12:8 ny olona manana ‘fahe-
ndrena’ eo amin’ny vavany. Mifandray amin’ny fahaiza-manavaka sy
ny fitandremana ilay teny hebreo ampiasaina eto. Noho izany, ny fahe-
ndrena dia midika koa hoe mitandrina ny teny lazaina rehefa avy nie-
ritreritra tsara, mba hanaovan-javatra amim-pahendrena. Mampita-
ndrina antsika tsy ‘handefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny
fanindron’ny sabatra’ ny andininy faha-18 ao amin’io toko io ihany.
Azo atao ny miaro ny Baiboly, nefa tsy hampahatezitra ny hafa.
Ny fahaiza-mifidy teny fotsiny, dia efa ahafahanao misoroka fanohe-
rana tsy amin’antony. Raha tsy tantin’ny olona ny mandre ilay teny hoe
Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra 199

“Baiboly”, dia azonao ampiasaina ny hoe “soratra masina”, na “boky


iray voadika amin’ny fiteny maherin’ny 2 000.” Anontanio ny fiheve-
ran’ilay olona ny Baiboly raha manonona azy io ianao, ary hevero foa-
na izay nolazainy, mandritra ilay resaka.
Matetika ny olona mahay mandanjalanja no mahay mamantatra ny
fotoana mety mba hilazana zavatra. (Ohab. 25:11) Mety tsy hitovy he-
vitra amin’izay rehetra lazain’ilay olona ianao, nefa tsy ilaina hotohe-
rina izy isaky ny milaza zavatra tsy araka ny Soratra Masina. Aza mitady
hilaza aminy ny zava-drehetra amin’iny indray mandeha iny. Hoy i
Jesosy tamin’ny mpianany: “Mbola manana zavatra maro holazaina
aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.”—Jaona 16:12.
Derao amim-pahatsorana ilay olona iresahanao, isaky ny azonao
atao. Na dia mitady hifamaly aminao aza ilay olona, dia mbola derao
ihany izy, noho ny fomba fiheviny. Nanao izany ny apostoly Paoly, fony
izy niresaka tamin’ireo olon-kendry tao amin’ny Areopago tany Atena.
“Nanohitra” an’i Paoly ireo olona ireo. Ahoana no nahafahany nitory,
nefa tsy nampahatezitra azy ireo? Efa hitany talohan’izay fa nisy alitara
maro naorin’izy ireo ho an’ny andriamaniny. Tsy nanameloka an’ireo
Atenianina noho ny fanompoan-tsampiny izy, fa nahay nandanjalanja
kosa, ka nidera azy ireo noho ny fitiavany fivavahana. Hoy izy: “Hita-
ko fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamani-
trareo indrindra hianareo.” Nahafahany nitory hafatra momba ilay
Andriamanitra marina, izany fomba izany. Tonga mpino ny sasany,
noho izany.—Asa. 17:18, 22, 34.
Aza misafoaka, rehefa manohitra ilay olona. Aoka ianao ho tony foa-
na. Hararaoty ilay izy mba hahafantarana tsara kokoa ny fomba fisai-
nan’ilay olona. Isaory izy, noho izy nampahafantatra ny heviny. Ahoa-
na raha mivantambantana izy miteny hoe: “Manana ny fivavahako
aho”? Anontanio amim-pahaiza-mandanjalanja izy hoe: “Efa tia fivava-
hana toy izany foana ve ianao, tompoko, hatramin’izay?” Rehefa avy
namaly izy, dia anontanio hoe: “Heverinao ve, tompoko, fa ho tafaray
ao anatin’ny fivavahana iray ihany ny olombelona, indray andro any?”
Mety ho afaka hanohy ny resaka ianao, noho izany.
Hanampy antsika hahay handanjalanja ny fiheveran-tena araka ny to-
kony ho izy. Miaiky mafy isika fa ny lalan’i Jehovah no tsara indrindra
ary ny Teniny no fahamarinana. Feno toky isika, rehefa miresaka mo-
mba ireo zavatra ireo. Tsy misy tokony hiheverantsika tena ho tsara
noho ny hafa anefa. (Mpit. 7:15, 16) Velom-pankasitrahana isika maha-
lala ny fahamarinana sy manana ny fitahian’i Jehovah. Fantatsika tsara
200 Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

koa anefa fa noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa sy ny fi-


noantsika an’i Kristy, no ankasitrahan’i Jehovah antsika, fa tsy noho ny
fahamarinantsika manokana akory. (Efes. 2:8, 9) Manaiky isika, fa mila
‘mandini-tena foana isika raha mitoetra amin’ny finoana na tsia, ary
mila mizaha toetra ny tenantsika foana.’ (2 Kor. 13:5) Koa rehefa ilaza-
`
ntsika ary ny olona fa ilaina ny manao izay takin’Andriamanitra, dia ha-
netry tena isika ka hampihatra izany torohevitra izany amin’ny tena-
ntsika koa. Tsy manana zo hitsara ny mpiara-belona amintsika isika.
‘Nomen’i Jehovah ny Zanaka ny fitsarana rehetra’, ary eo anoloan’ny
fitsaran’i Kristy isika no tsy maintsy ampamoahina noho izay ataontsi-
ka.—Jaona 5:22; 2 Kor. 5:10.
Rehefa miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny Kristianina hafa.
Tsy tokony ho eny am-pitoriana ihany isika no hahay handanjalanja.
Koa satria fisehoan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fahaiza-
mandanjalanja, dia tokony haneho azy io koa isika ao an-trano, rehefa
miaraka amin’ny mpianakavintsika. Tiantsika izy ireo, ka asiantsika
fiheverana ny fihetseham-pony. Tsy mpanompon’i Jehovah ilay mpa-
njaka vadin’i Estera. Nanaja azy anefa i Estera, ary tena naneho fahai-
za-manavaka rehefa namboraka taminy ny raharaha nahakasika ny va-
hoakan’i Jehovah. (Estera, toko faha-3-8) Raha mahay mandanjalanja
amin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona isika, dia ny fitondran-tena-
ntsika, fa tsy ny fanazavana momba ny finoantsika, indraindray no
avelantsika hahatonga azy hankasitraka ny fahamarinana.—1 Pet. 3:
1, 2.
Toy izany koa ny amin’ireo anisan’ny fiangonana: Tsy hoe fantatsika
tsara izy ireo, dia hivantambantam-piteny aminy isika na hoe tsy ho tsa-
ra fanahy aminy. Tsy tokony hihevitra isika hoe matotra izy ireo, ka to-
kony hahazaka izany. Tsy tokony hanala tsiny ny tenantsika koa isika
ka hilaza hoe: “Izany no toetrako, ka ahoana?” Tokony ho tapa-kevitra
ny hiova isika raha hitantsika fa manafintohina ny hafa ny fomba fite-
nintsika. Raha ‘mifankatia tsara’ isika, dia tokony ‘hanao soa amin’ny
mpianakavin’ny finoana.’—1 Pet. 4:8, 15; Gal. 6:10.
Rehefa eny ambony lampihazo. Mila mahay mandanjalanja koa ireo
miteny eny ambony lampihazo. Samy hafa ny toe-piainana niavian’ireo
mpihaino sy ny toe-javatra misy azy ireo. Tsy mitovy koa ny fandrosoa-
na ara-panahy vitany. Sambany vao tonga ao amin’ny Efitrano Fanjaka-
na ny sasany. Angamba ny hafa mandia zava-manahirana faran’izay
mafy, izay tsy fantatr’ilay mpandahateny. Ahoana no ahafahan’ny mpa-
ndahateny tsy hanafintohina ny mpihaino?
Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra 201

Mifanaraka amin’ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Titosy, dia mie-


zaha ‘tsy hiteny ratsy olona, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-
panahy rehetra amin’ny olona rehetra.’ (Tit. 3:2) Aza manahaka ny an’
ity tontolo ity, izay manambany olona hafa firazanana, fiteny, na fire-
nena. (Apok. 7:9, 10) Aza mihambahamba miresaka ireo zavatra takin’i
Jehovah, ary asehoy fa fahendrena ny mampihatra azy ireny. Aza esoi-
na anefa ireo mbola tsy manaraka tsara ny lalan’i Jehovah. Ampirisiho
kosa ny rehetra hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izay
mampifaly azy. Asio teny fiderana feno hatsaram-panahy sy fahatso-
ram-po ny torohevitra omenao mba hahatonga azy halefaka. Asehoy
amin’ny fomba fiteninao sy ny toe-peonao, ilay fitiavan-drahalahy to-
kony hananantsika rehetra.—1 Tes. 4:1-12; 1 Pet. 3:8.

FANAZARAN-TENA:
Vakio tsara ireto fitantarana ireto: 2 Samoela 12:1-9; Asan’ny Apostoly 4:18-
20. Ao amin’ny tsirairay aminy, dia mariho 1) ireo porofon’ny fahaiza-ma-
ndanjalanja sy 2) ny teny mampiseho fifikirana hentitra amin’ny lalana
marin’i Jehovah.
MAHAY MAMPAHERY SY
34 MIJERY LAFY TSARAN-JAVATRA

Inona no ilainao hatao?


Tsy miresaka ela be momba ny zavatra mahakivy, fa momba
izay zavatra manatsara ny tarehin-javatra na manome toky
kosa.

VAOVAO tsara ilay hafatra nasaina torintsika. Hoy i Jesosy: “Ny firene-
na rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10)
Nanome ny ohatra ny tenany, tamin’ny fitoriana “ny teny soa mahafaly
ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 4:43) Lazaina koa fa “fila-
zantsaran’Andriamanitra” sy “filazantsaran’i Kristy” no notorin’ireo
apostoly. (1 Tes. 2:2; 2 Kor. 2:12) Mampahery ny hafatra toy
izany.
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? Mampirisika ny olona isika hoe: “Matahora an’Andriama-
Reraka noho ny tontolo nitra, ka omeo voninahitra Izy”, araka ilay fanambarana “fi-
tsy ahitam-pitiavana ny olo- lazantsara mandrakizay” nataon’ilay ‘anjely nanidina teo
na. Maro koa no mahita olana afovoan’ny lanitra.’ (Apok. 14:6, 7) Lazaintsika amin’ny olo-
be eo amin’ny fiainany. Ha-
mpihiratra ny fiainan’ny olona na hatraiza hatraiza ny momba ilay Andriamanitra marina,
tso-po ny hafatry ny Baiboly, ny anarany, ny toetrany tsara, ny asany mahatalanjona, ny
rehefa torina amin’ny fomba fikasany feno fitiavana, ny hoe hampamoahiny isika, ary ny
mety.
zavatra takiny amintsika. Vaovao tsara koa ny handringa-
nan’i Jehovah Andriamanitra ny ratsy fanahy, izay manala
baraka azy sy manimba ny fiainan’ny hafa. Tsy anjarantsika anefa ny mi-
tsara ny olona itoriantsika. Ny faniriantsika dia ny hisian’ny olona be-
tsaka araka izay azo atao hanaiky ny hafatra ao amin’ny Baiboly, mba
ho tena vaovao tsara ho azy ireo izy io.—Ohab. 2:20-22; Jaona 5:22.
Aza atao be loatra ny resaka momba ny zavatra mahakivy. Be dia
be ny zavatra mahakivy eo amin’ny fiainana. Tsy odiantsika tsy hita izy
`
ireny. Milaza zava-manahirana iray mampanahy ny olona eo amin’ny fa-
ritaninao mba hanombohan-dresaka, ary resaho vetivety ilay izy. Tsy dia
`
tsara mazana ny miresaka ela be momba ilay izy. Efa mandre vaovao
mahakivy isan’andro ny olona, ka mety tsy hihaino izy raha mbola iresa-
hanao zavatra tsy mahafinaritra koa. Sariho ho amin’ireo fahamarinana
mamelombelona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny sainy, dieny eo
am-piandohan’ny resaka. (Apok. 22:17) Na dia tsy te hanohy ny resaka
aza ilay olona avy eo, dia efa nomenao hevitra mampahery hoeritrereti-
ny izy. Mety ho vonon-kihaino kokoa izy amin’ny manaraka.
202
Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra 203

Toy izany koa, rehefa asaina manao lahateny ianao. Aza totofana vao-
vao mahakivy ny mpihaino, satria fotsiny hoe be dia be ny vaovao toy
izany. Mety hiresaka ela be momba ny tsy fahaizan’ny mpitondra olo-
mbelona, ny heloka bevava sy ny herisetra, ary ny fahalotoam-pito-
ndran-tena mihoa-pampana, ny mpandahateny iray. Hanakivy ny mpi-
haino anefa izy amin’izany. Aza resahina ireo lafiny mahakivy raha tsy
hoe misy antony mahasoa ilana azy angaha. Ohatra, mety hiharihary
kokoa ny antony ilana ilay fanazavanao, raha tononinao vetivety ny za-
vatra toy izany. Mety hampahafantarin’ireny koa ny tena antony na-
mpisy ny toe-javatra iray, ka hasongadiny fa tena mandaitra ny vahao-
` `
lana omen’ny Baiboly. Milaza ary olana voafaritra tsara,
isaky ny mety ny hanaovana izany, nefa aza miresaka ela be
NY FOMBA
momba azy io. HAMPIHARANA AZY
`
Mazana sarotra, no sady tsy tsara, raha esorina avokoa ireo Tadidio fa nirahina mba hito-
hevitra mahakivy ao amin’ny anjara, na lahateny iray. Izao ry ny vaovao tsara isika.
no manahirana: Mifangaro ao ny hevitra mahakivy sy ma- Mahaiza mampahery fa aza
mpahery, kanefa tsy maintsy atao mampahery ilay lahateny manakiana.
` `
amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy faritanao mialoha ary ny Manana hevitra tsara, fa tsy
hevitra hampidirinao, sy izay tsy hampidirinao, ary izay to- ratsy, momba ireo izay iresa-
hanao.
kony hohamafisina. Nanarin’i Jesosy ny mpihaino azy mba
` Hevero izay ho vokatry ny
tsy hanaraka ny fomban’ireo mpanora-dalana sy Fariseo tia
teninao eo amin’ilay iresaha-
tena, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Nano- nao.
nona ohatra vitsivitsy izy mba hanamarinana ny heviny.
(Matio 6:1, 2, 5, 16) Tsy niresaka ela be momba ny ohatra
ratsin’ireo mpitarika ara-pivavahana ireo anefa i Jesosy. Nohamafisiny
kosa fa ilaina ny mahazo tsara sy manaraka ny lalana marin’Andriama-
nitra. (Matio 6:3, 4, 6-15, 17-34) Faran’izay nampahery ilay lahateniny.
Aoka hampahery foana ny fomba fiteninao. Raha asaina manao
anjara na lahateny momba ny asa kristianina iray ianao, dia mahaiza
mampahery fa aza manakiana. Aoka ho azonao antoka fa efa ataonao
ilay zavatra ampirisihanao ny hafa. (Rom. 2:21, 22; Heb. 13:7) Aoka ny
fitiavana, fa tsy ny fahasosorana, no hanosika anao hilaza zavatra.
(2 Kor. 2:4) Raha matoky ianao fa te hampifaly an’i Jehovah ny mpiray
finoana aminao, dia hiseho amin’izay lazainao izany fatokisana izany,
ka hisy vokany tsara. Mariho ny fatokisana toy izany, nasehon’i Paoly
ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:1-12 sy 2 Tesaloniana 3:4, 5 ary Filemona
4, 8-14, 21.
Mila mampitandrina ny amin’ny fitondran-tena ratsy indrai-
ndray ny anti-panahy. Hanampy azy ireo hitondra ny rahalahiny
204 Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra

amim-pahamoram-panahy anefa ny fanetren-tena. (Gal. 6:1) Tokony


hasehon’ny fomba ilazany zavatra fa manaja ireo anisan’ny fiangona-
na izy. (1 Pet. 5:2, 3) Ireo lehilahy tanora indrindra indrindra no ampi-
risihin’ny Baiboly hitandrina izany. (1 Tim. 4:12; 5:1, 2; 1 Pet. 5:5) Na
ilaina aza ny mananatra mafy sy manitsy ny tsy mety, dia tokony hio-
rina amin’ny Baiboly ny fanaovana izany. (2 Tim. 3:16) Tsy tokony hi-
tarina na haolana na oviana na oviana ny fampiharana andinin-teny,
mba hanohanana hevitra tiana manokana. Azo atao mampahery foana
ny lahateny, na dia rehefa ilaina aza ny manome torohevitra mahery:
Antitrantero aloha ny fomba hanalavirana ny fanaovan-dratsy, ny fo-
mba hamahana olana, ny fomba handresena zava-tsarotra, ny fomba
hanitsiana fitondran-tena tsy mety, ary ny fiarovana entin’ny fankatoa-
vana an’i Jehovah.—Sal. 119:1, 9-16.
Rehefa manomana ny anjaranao na lahateninao ianao, dia eritrereto
tsara ny fomba hamarananao ny fizarana tsirairay sy ilay lahateny mi-
hitsy. Matetika izay lazainao farany no ho tadidin’ny mpihaino indri-
ndra. Hampahery ve izy io?
Rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana aminao. Tena tian’ny
mpanompon’i Jehovah ny fahafahana hifanerasera any amin’ireo fivo-
riana kristianina. Manjary velombelona ara-panahy isika any. Ampirisi-
hin’ny Baiboly isika mba ‘hifananatra’, na hifampahery, rehefa tonga
any. (Heb. 10:25) Tsy rehefa manao anjara na lahateny sy manome va-
lin-teny mandritra ny fivoriana ihany isika no manao izany, fa rehefa
miresaka aloha sy aorian’ny fivoriana koa.
`
Ara-dalana ny firesahana momba ny fiainantsika andavanandro, nefa
ny firesahana zavatra ara-panahy no tena mampahery indrindra. Ani-
san’izany ireo zavatra nahafinaritra hitantsika teny amin’ny fanompoa-
na. Mampahery koa ny mifampiahy amim-pahatsorana.
Mila mitandrina isika mba tsy hanahaka ny fanaon’ity tontolo ity.
Hoy i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Efesosy:
“Esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hia-
nareo rehetra.” (Efes. 4:25) Anisan’ny filazana ny marina fa tsy ny lai-
nga ny hoe: tsy manindrahindra ireo zavatra sy olona hindrahindrain’
ity tontolo ity. Nampitandrina koa i Jesosy ny amin’ny “fitaky ny
`
harena mangeja.” (Matio 13:22) Koa mila mitandrina ary isika rehefa
mifampiresaka, mba tsy hampiditra izany famitahana izany, amin’ny
fandokafana fatratra ny fananan-javatra ara-nofo.—1 Tim. 6:9, 10.
Ao amin’ny torohevitr’i Paoly momba ny fampaherezana ny hafa, dia
ampirisihiny isika mba tsy hitsara na hanambany ny rahalahy izay tsy
Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra 205

mety manao zavatra sasany satria “malemy finoana”, izany hoe, mbo-
la tsy takany tsara ny tena hevitry ny fahafahana kristianina. Raha te
`
hanao resaka mampahery ny hafa ary isika, dia tsy maintsy heverintsi-
ka ny toe-piainana niaviany sy ny fandrosoana ara-panahy vitany. Tena
hampalahelo tokoa, raha ‘manisy fandavoana na fanafintohinana eo
anoloan’ny rahalahy’ na anabavy iray isika!—Rom. 14:1-4, 13, 19.
Mankasitraka resaka mampahery ireo manan-java-manahirana lehi-
be, toy ny aretina mitaiza, ohatra. Angamba manao ezaka mafy ny olo-
na toy izany mba hanatrehana fivoriana. Koa mety hanontany toy izao
ireo mahalala ny mahazo azy: “Manao ahoana ny fahasalamanao?” Ma-
zava aloha fa ankasitrahany ny fiahiana azy, kanefa tsy resaka momba
ny toe-pahasalamany angamba no tena hampahery azy. Angamba ha-
nafana ny fony kokoa ny teny fankasitrahana sy fiderana atao aminy.
Hitanao ve fa mbola tia foana an’i Jehovah izy, sady miaritra, na dia
mafy aza ny fiainany? Mampahery anao ve ny mandre azy manome va-
lin-teny? Tsy hampahery azy kokoa ve ny resaka momba ny toetra tsara
ananany sy izay zava-bitany ho an’ny fiangonana, toy izay resaka mo-
mba ny zavatra tsy vitany noho ny aretiny?—1 Tes. 5:11.
Tena ilaina hoheverina ny fomba fijerin’i Jehovah ilay zavatra resahi-
na, raha tiantsika hampahery ny resaka ataontsika. Nirehetan’ny faha-
tezeran’Andriamanitra ireo Isiraelita fahiny izay nanakiana ny solonte-
nan’i Jehovah sy nitaraina momba ny mana. (Nom. 12:1-16; 21:5, 6)
Asehontsika fa naka lesona avy tamin’izany isika rehefa miresaka, raha
manaja ny anti-panahy sy mankasitraka ny sakafo ara-panahy omen’ny
mpanompo mahatoky sy malina.—1 Tim. 5:17.
Tsy sarotra ny mahita resaka mahasoa hatao, rehefa tafaraka ny samy
Kristianina. Raha misy anefa manjary manakiana loatra, dia avilio ho
amin’ny zavatra mampahery ny resaka.
Na mitory amin’ny hafa isika, na mandaha-teny eny ambony lampi-
hazo, na miresaka amin’ny mpiray finoana amintsika, dia enga anie
isika hahay hamoaka avy ao am-pontsika “izay tsara ho fampandrosoa-
na, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoa-
vana.”—Efes. 4:29.

FANAZARAN-TENA:
Mitsidiha olona iray marary na tsy afa-miala ao an-tranony. Manomboha
resaka mampahery. Miaraha ory amin’ilay olona, nefa manaova teny ma-
mpahery foana. Eritrereto mialoha ny fomba hanaovanao izany.
35 FAMERIMBERENANA HO FANAMAFISANA

Inona no ilainao hatao?


Milaza ireo hevitra tena tianao hotadidin’ny mpihaino, tsy
indray mandeha ihany fa mihoatra an’izay.

MISY famerimberenana ny fampianarana mandaitra. Ho tadidin’ny


mpihaino kokoa ny hevi-dehibe iray raha tsy indray mandeha ihany
no ilazana azy, fa mihoatra an’izay. Angamba hazava amin’izy ireo
kokoa aza ilay hevitra, raha averina lazaina amin’ny fomba hafa.
Tsy hisy vokany eo amin’izay inoan’ny mpihaino, na eo amin’ny fo-
mba fiainany ny teninao raha tsy tadidiny izay lazainao.
Hoeritreretiny foana kosa ireo hevitra asongadinao mano-
NAHOANA IZANY
kana.
NO TENA ILAINA?
Mora tadidy ny zavatra Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra, no oha-
averimberina, sady mampi- tra tokony harahina amin’io lafiny io. Nomeny ny Didy
songadina ireo hevi-dehibe Folo ny firenen’ny Isiraely. Nasainy nolazain’ny anjely iray
no manampy ny mpihaino tamin’ilay firenena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay,
hahazo azy tsara. `
ireo didy ireo. Nataony an-tsoratra izy ireo taty aoriana, ka
nomeny an’i Mosesy. (Eks. 20:1-17; 31:18; Deot. 5:22) Na-
sain’i Jehovah naverin’i Mosesy nolazaina tamin’ilay fire-
nena indray ireo didy ireo, talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Na-
mpanantenaina. Ary notarihin’ny fanahy masina i Mosesy hanoratra
izany tao amin’ny Deoteronomia 5:6-21. Anisan’ny didy nomena ny
Isiraely ilay baiko tokony hitiavan’izy ireo sy hanompoan’izy ireo an’i
Jehovah amin’ny fony sy ny fanahiny ary ny heriny rehetra. Naveri-
mberina imbetsaka koa izy io. (Deot. 6:5; 10:12; 11:13; 30:6) Nahoa-
na? Satria io no “didy lehibe sady voalohany”, hoy i Jesosy. (Matio 22:
34-38) Maherin’ny in-20 i Jehovah no nampahatsiahy ny mponin’i
Joda, tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, fa zava-dehibe ny hanka-
toavana izay rehetra nandidiany azy. (Jer. 7:23; 11:4; 12:17; 19:15) Ary
maherin’ny in-60 Andriamanitra no nilaza tamin’ny alalan’i Ezekiela,
fa ‘ho fantatr’ireo firenena fa Izy no Jehovah.’—Ezek. 6:10; 38:23.
Mahita famerimberenana mandaitra koa isika ao amin’ny fitantara-
na momba ny fanompoan’i Jesosy. Eo, ohatra, ireo Filazantsara efatra
izay samy mitantara zava-nitranga lehibe avy. Misy zava-nitranga voa-
tantara ao amin’ny Filazantsara iray miverina koa ao amin’ny hafa,
206
Famerimberenana ho Fanamafisana 207

saingy araka ny fomba fijery hafa fotsiny. Rehefa nampianatra i Jeso-


sy, dia nisy zava-dehibe nohazavainy imbetsaka, nefa tamin’ny fomba
hafa foana. (Marka 9:34-37; 10:35-45; Jaona 13:2-17) Ary fony teny
An-tendrombohitra Oliva izy, andro vitsivitsy talohan’ny hahafatesa-
ny, dia namerimberina izao torohevitra tena lehibe izao: “Miambena
hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.”
—Matio 24:42; 25:13.
Eny amin’ny fanompoana. Rehefa mitory ianao, dia antenainao fa
ho tadidin’ny olona izay lazainao. Hanampy anao amin’
izany ny fahaizana mamerimberina hevitra. NY FOTOANA
Matetika no mampiraikitra hevitra ao an-tsain’ny olona HANAOVANA AZY
ny famerimberenana azy io mandritra ny resaka. Mba Raha vao avy nilaza hevi-
hanamafisana andinin-teny vao avy novakinao, ohatra, dehibe iray, na vao avy na-
dia tondroy ny tapany lehibe iray ao aminy, ary manonta- melabelatra azy io.
nia hoe: “Voamarikao ve ny teny ampiasaina eto?” Any amin’ny faran’ny resaka,
na lahateny.
Azo amerenana hevitra koa ireo teny farany amarananao
ny resaka. Ohatra, azonao atao ny milaza hoe: “Izao no Rehefa hitanao fa misy hevi-
dehibe tsy azon’ny mpihaino
hevi-dehibe tiako hotadidinao tamin’iny resatsika iny:...” tsara.
Avy eo dia avereno lazaina fotsiny ilay izy. Mety hitovito-
Amin’ny fitsidihana manara-
vy amin’izao izany: “Fikasan’Andriamanitra ny hiovan’ny ka, ary tsy indray mandeha
tany ho paradisa. Azo antoka fa ho tanteraka izany fikasa- ihany.
na izany.” Na, mety ho toy izao: “Asehon’ny Baiboly maza-
va tsara fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isi-
ka. Raha tsy te ho ringana miaraka aminy isika, dia mila
mianatra izay takin’Andriamanitra amintsika.” Na toy izao
koa: “Araka ny hitantsika teo, dia manome torohevitra mandaitra mba
handaminana ireo zava-manahirana ny fianakaviana, ny Baiboly.”
Azonao averina fotsiny indraindray ny andinin-teny iray tianao hota-
didina. Mazava ho azy fa ilaina hoeritreretina mialoha izany, mba ha-
ndaitra tsara.
Afaka mampiasa fanontaniana famerenana ianao rehefa miverina
mitsidika olona sy mampianatra ny Baiboly.
Mety hisy torohevitra avy ao amin’ny Baiboly ilaina haverina resa-
hina imbetsaka rehefa tsy azon’ny olona, na sarotra aminy ny mampi-
hatra azy. Azonao ovaovana ny fomba itondranao ilay fanazavana. Tsy
voatery ho lava be ny fanazavanao, fa tokony hampirisika an’ilay
mpianatra hieritreritra momba ilay izy kosa. Tadidio fa nampiasa io
fomba famerimberenana io i Jesosy mba hanampiana ny mpianany
208 Famerimberenana ho Fanamafisana

handresy ilay faniriana ny ho voalohany.—Matio 18:1-6; 20:20-28; Lio-


ka 22:24-27.
Rehefa manao lahateny. Tsy ny hilaza zavatra fotsiny no antony
anaovanao lahateny. Tianao hahazo tsara sy hitadidy ary hampihatra
`
azy io ny mpihaino. Mahaiza ary mamerimberina hevitra.
Mety tsy hifantoka intsony anefa ny mpihaino, raha averimberinao
matetika loatra ireo hevi-dehibe. Fidio tsara ireo hevitra mendrika ha-
songadina manokana. Hevi-dehibe iorenan’ny lahateninao izy ireny
`
mazana, nefa mety hisy koa hevitra hafa ilain’ny mpihaino manokana.
Mba hamerimberenana hevitra amin’ny fomba mandaitra, dia lazao
`
ao amin’ny teny fampidirana aloha ireo hevi-dehibenao. Mampiasa fe-
hezanteny fohy mamintina ilay lahateny, na fanontaniana, na koa
ohatra ny amin’ny zava-manahirana mila vahaolana. Lazao hoe firy
ny hevi-dehibe hovelabelarinao, ary tanisao izy ireo. Velabelaro tsirai-
ray ao amin’ny lahateninao izy ireo avy eo. Azo hamafisina ny hevi-
dehibe tsirairay mandritra ny famelabelarana ilay lahateninao: Lazao
indray ilay hevitra, alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra manara-
`
ka, na maka ohatra azo ampiharana ilay hevi-dehibe. Mbola azo
hamafisina kokoa ireo hevi-dehibe ao amin’ny teny famaranana:
Avereno lazaina indray izy ireo, na asongadino amin’ny alalan’ny fa-
mpitahana zavatra mifanohitra, na omeo ny valin’ireo fanontaniana
napetrakao, na lazao vetivety ny vahaolan’ireo zava-manahirana no-
tononinao.
Ankoatra izany rehetra izany, dia mandinika tsara ny mpihaino tsi-
rairay ny mpandahateny za-draharaha. Hitany rehefa misy tsy maha-
zo tsara ny hevitra sasany. Raha hevi-dehibe ilay izy, dia averiny haza-
vaina, fa ataony amin’ny teny hafa. Tsy famerenana teny mitovy
fotsiny akory no atao hoe mampianatra. Tsy maintsy mahay mano-
vaova zavatra arakaraka ny zava-miseho ny mpandahateny. Mila ma-
nampy fanazavana eo no ho eo angamba izy amin’izany. Raha miana-
tra manampy ny mpihaino toy izany ianao, dia tena hanatsara ny
fahaizanao mampianatra.

FANAZARAN-TENA:
1) Eo am-pamaranan-dresaka amin’olona vao hitanao eny am-pitoriana, dia
avereno lazaina ny hevi-dehibe iray tianao ho tadidin’ilay olona. 2) Eo
am-pamaranan-dresaka amin’ny fiverenana mitsidika, dia avereno lazaina
indray ny hevi-dehibe iray na roa mba ho tadidin’ilay olona liana.
FAHAIZA-MAMELABELATRA
NY FOTO-KEVITRA 36

Inona no ilainao hatao?


Misarika ny saina ho amin’ny foto-kevitrao, ary manazava azy
io amin’ny fomba samihafa mandritra ny lahateninao.

FANTATRY ny mpandahateny za-draharaha fa tena ilaina ny manana foto-


kevitra. Manampy azy izy io, mandritra ny fanomanana, mba hifantoka
amin’ny hevitra iray efa voafaritra tsara, sy handalina azy io bebe kokoa.
Noho izany, dia tsy hilaza zavatra be dia be amin’ny ankapobeny izy, fa
hanome fanazavana mahasoa kokoa ho an’ny mpihaino. Ho tadidin’
ny mpihaino kokoa ireo hevi-dehibe rehefa tena mifandray
amin’ny foto-kevitra sy manazava azy. Ho takatr’izy ireo koa
ny hasarobidin’ireny hevitra ireny. NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA?
Azo lazaina hoe loha hevitra horesahina ny foto-kevitra. Ha-
natsara ny fanazavanao anefa ny fampiasanao ny foto-kevitra Mampirindra tsara ny famela-
belaranao izany, no sady ma-
ho toy ny fomba itondrana ny famelabelarana. Ohatra, samy
nampy ny mpihaino hahazo
loha hevitra ankapobe avokoa ny hoe: Fanjakan’Andriamani- tsara sy hitadidy izay lazainao.
tra, Baiboly, fitsanganana amin’ny maty. Misy foto-kevitra sa-
mihafa azo amelabelarana ireo loha hevitra ireo. Ireto misy
ohatra sasany: “Fitondram-panjakana Tena Misy ny Fanjakan’Andriama-
nitra”, “Hanova ny Tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra”, “Avy
Amin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly”, “Tari-dalana Ma-
ndaitra Amin’ny Androntsika ny Baiboly”, “Fanantenana ho An’ireo Ni-
donam-pahoriana ny Fitsanganana Amin’ny Maty”, “Manampy Antsika
Tsy Hivadika ao Anatin’ny Fanenjehana ny Fanantenana Fitsanganana
Amin’ny Maty.” Tena samy hafa be ny fomba hitondrana ny famelabela-
rana ireo foto-kevitra ireo.
Foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly ny Fanjakan’Andria-
manitra. Mifanaraka amin’io ny fitorian’i Jesosy Kristy teto an-tany, sa-
tria nasongadiny ilay foto-kevitra hoe: “Efa akaiky ny fanjakan’ny lani-
tra.” (Matio 4:17) Ahoana no namelabelarana an’io foto-kevitra io?
Resahina maherin’ny im-110 io Fanjakana io ao amin’ireo Filazantsara
efatra. Tsy namerimberina fotsiny ilay teny hoe “fanjakana” anefa i Jeso-
sy. Noporofoiny tamin’ny fampianarany sy ny fahagagana nataony fa izy,
izay hitan’ny olona teo, no ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia, ilay ho-
men’i Jehovah ny Fanjakany. Nasehon’i Jesosy koa fa noho izy no ahafa-
han’ny hafa hanjaka ao amin’io Fanjakana io. Nampahafantariny ny toe-
tra tsy maintsy ananan’ireo homena izany tombontsoa izany. Tamin’ny
209
210 Fahaiza-mamelabelatra ny Foto-kevitra

fampianarany sy ny fahagagana nataony, dia nasehony mazava tsara ny


fiovana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olo-
na. Nasehony koa fa ny namoahany demonia tamin’ny alalan’ny fana-
hin’Andriamanitra dia porofo fa ‘efa tonga teo amin’ny mpihaino azy to-
koa ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 11:20) Io Fanjakana io no nasain’i
Jesosy notorin’ny mpanara-dia azy.—Matio 10:7; 24:14.
Fampiasana foto-kevitra mety tsara. Tsy asaina mamelabelatra foto-
kevitra iray amin’ny fomba feno toy ny ao amin’ny Baiboly akory ianao,
nefa tena ilainao ihany ny manana foto-kevitra mety tsara.
Raha avela hifidy ny foto-kevitrao ianao, dia diniho aloha ny zava-ke-
ndren’ny famelabelaranao. Fidio avy eo ireo hevi-dehibe hio-
renan’ny drafitrao, ary jereo tsara raha tena manohana ilay
NY FOMBA foto-kevitra nofidinao izy ireo.
HANAOVANA AZY Raha omena foto-kevitra kosa ianao, dia fakafakao tsara ny
Mifidy hevi-dehibe sy fanaza- teny ao aminy mba hahitanao ny fomba hitondranao ilay fa-
vana fanampiny izay tena ma-
melabelarana. Mila mandany fotoana angamba ianao vao ha-
melabelatra ny foto-kevitrao,
rehefa manomana anjara na hazo tsara ny antony ilana io foto-kevitra io sy izay mety ho
lahateny. vokany. Raha ianao ihany anefa no asaina mitady ireo hevi-
Rehefa manao famerenana, tra hamelabelarana ilay foto-kevitra, dia mahaiza mifantina
dia eritrereto hoe aiza ho aiza mba hisongadina tsara foana ilay foto-kevitra. Na dia efa ome-
ianao no hanamafy ilay foto- na aza ireo hevitra hovelabelarinao, dia mbola ilainao hofa-
kevitra ary amin’ny fomba kafakaina ihany ny fomba hampiasana azy hifanaraka amin’
ahoana. Mariho eo amin’ny ilay foto-kevitra. Ilainao hodinihina koa ny antony ilan’ny
drafitrao mihitsy aza ny toera-
na hanaovanao izany.
mpihaino ireo hevitra ireo sy izay tokony ho zava-kendren’ny
famelabelaranao. Hanampy anao hahita izay tokony hoha-
Avereno tsindraindray, ma-
mafisina mandritra ilay anjara na lahateny, izany.
ndritra ilay anjara na lahate-
ny, ireo teny na hevitra fototra Ny fomba hanamafisana ny foto-kevitra. Manomboka eo
amin’ilay foto-kevitra. amin’ny fifidianana sy ny fandaminana ireo hevitra izany.
Raha hevitra manohana ilay foto-kevitrao ihany no fidinao,
ary arahinao ireo toromarika momba ny fanomanana drafitra
tsara, dia handeha ho azy ny fanamafisana ilay foto-kevitra.
Azo anamafisana foto-kevitra koa ny famerimberenana. Andeha hampi-
tahaintsika amin’ny hiram-pitiavana ny famerimberenana. Ny fitiavany
ny malalany no foto-kevitra vetsovetsoin’ilay mpihira ao anatin’ny hira-
ny manontolo. Mety haverimberiny amin’ny fomba samihafa anefa iza-
ny. Mety hampiasa teny iray tarika amin’ny “fitiavana” izy, na teny mito-
vy hevitra amin’izany, na hain-teny, na fanoharana hafa. Mihodinkodina
eo amin’ny foto-kevitra iray foana, dia ny fitiavany ny malalany, anefa
ilay hira. Miverimberina ao anatin’ilay tonon-kira manontolo ny resaka
fitiavana. Tokony ho toy izany koa ny foto-kevitry ny lahateny. Ilai-
Fahaiza-mamelabelatra ny Foto-kevitra 211

na haverimberina ao anatin’ny lahateninao ny teny fototra mifandray


amin’ilay foto-kevitrao. Afaka mampiasa teny mitovy hevitra aminy ia-
nao, na manova mihitsy ny fomba filazanao ilay foto-kevitra. Amin’
izay dia ho voarain’ny mpihaino tsara ny hevi-dehibe tianao hampi-
taina.
Azo ampiharina eny amin’ny fanompoana koa ireo toromarika ireo. Ho
mora tadidy kokoa ny resaka fohy, raha misy foto-kevitra misongadina.
Hotsaroan’ny mpianatra Baiboly haingana kokoa ny fianarana, raha no-
hamafisina ny foto-kevitra. Hanatsara ny fahaizanao mandaha-teny sy
mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, rehefa miezaka hifidy sy ha-
melabelatra foto-kevitra mety tsara.

FANAZARAN-TENA:
Alohan’ny hitoriana, dia mifidiana foto-kevitra iray mifanaraka amin’ny lahatso-
ratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! farany. Resaho ao
amin’ny teny fampidirana ilay foto-kevitra mba hahaliana ny olona, ary velabe-
laro amin’ny alalan’ny hevitra iray na roa mandritra ny resaka ataonao;
asongadino ao amin’ny teny famarananao ny antony ilana azy.

FOTO-KEVITRA IRAY TENA LEHIBE AO AMIN’NY BAIBOLY

Mba hahazoana tsara ny fampiasana foto-ke- amin’ny fifandraisan’i Jehovah amin’ny zava-
vitra, dia tsara hodinihina ny fomba nampidiran’ boariny ny fitiavany tsy manam-paharoa, ny fa-
i Jehovah Andriamanitra foto-kevitra iray tena le- hendreny, ny fitiavany ny rariny ary ny heriny
hibe tao amin’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, fara tampony. Asehon’ny ohatra maro be ny soa
tamin’ny alalan’ny mpanoratra olombelona. Iza- entin’ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny
ny dia ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hito- loza ateraky ny tsy fankatoavana. Hazavaina sy
ndra ny olombelona sy ny fahatanterahan’ny aseho mazava ny fandaharana nataon’i Jehovah
fikasany amin’ny alalan’ny Fanjakany. mba hanesorana ny fahotana sy ny fahafatesana
Dieny eo amin’ireo toko voalohany amin’ny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hazavaina amin’
Genesisy dia efa manomboka io foto-kevitra io. ny tsipiriany ilay fitondram-panjakana any an-
Avy eo dia ahitana lafiny samihafa amin’izy danitra izay handringana ny ratsy fanahy, na
io manerana ny Baiboly. Averimberina foana anjely na olombelona, ka tsy manaiky ny zon’i
ny anaran’Andriamanitra, mihoatra ny im-7 000. Jehovah hitondra ny zavaboariny. Voazava tsara
Hita miharihary ao amin’ny fitantarana momba fa hotanterahin’ilay Fanjakana ny fikasan’i Jeho-
ny famoronana, ny zon’i Jehovah hitondra. Ta- vah hanova ny tany ho paradisa feno olona tia
ntaraina ny nandavana ny fitondrany, sy ny vo- an’ilay hany Andriamanitra marina sady mano-
katra mahatsiravin’ny tsy fankatoavana. Hita eo mpo azy, ary mifankatia.
37 FANASONGADINANA IREO HEVI-DEHIBE

Inona no ilainao hatao?


Manao izay hahatonga ny hevi-dehibe hiavaka rehefa manda-
mina ireo hevitra hohazavaina sy rehefa mamelabelatra azy
eny amin’ny lampihazo.

INONA avy ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny iray? Tsy hevitra maha-
liana lalovana kely fotsiny akory no atao hoe hevi-dehibe, fa hevitra tena
lehibe, ka velabelarina sy hazavaina tsara. Ireo no hevitra tena ilainao
mba hahatratrarana ny zava-kendrenao.
Ny fahaizanao mifidy sy mandamina ireo hevitra hohaza-
NAHOANA IZANY vainao no tena hanampy anao hanasongadina ireo hevi-de-
NO TENA ILAINA? hibe. Matetika ny fanazavana azo avy amin’ny fikarohana no
Manampy ny mpihaino betsaka kokoa noho izay tena hampiasaina. Ahoana no ha-
hitadidy izany, ka hafantaranao izay tena hampiasainao?
mahatonga azy hisaintsaina Voalohany aloha, dia eritrereto ny mpihaino. Fantany tsa-
sy hampihatra ilay hevitra. ra ve ilay foto-kevitra, sa tsia? Eken’ny ankamaroany ve izay
lazain’ny Baiboly, sa misy somary misalasala? Inona no zava-
tsarotra tsy maintsy atrehiny eo amin’ny fiainany andavanandro, raha
ampihariny izay lazain’ny Baiboly momba ilay loha hevitrao? Faharoa:
Ataovy mazava tsara ao an-tsainao ny zava-kendren’ilay lahateninao
amin’ireo mpihaino ireo. Ampiasao ireo fitsipika roa ireo mba hamaka-
fakana ireo fanazavana azonao tamin’ny fikarohana, ka izay tena mety
ihany no raiso.
Raha nomena drafitra iray misy foto-kevitra sy hevi-dehibe ianao, dia
tokony hanaraka izany akaiky. Tena hihatsara anefa ny lahateninao raha
arahinao ireo fitsipika roa etsy ambony, rehefa mamelabelatra ny hevi-
dehibe tsirairay. Anjaranao kosa ny mifidy ireo hevi-dehibe, raha tsy
omena drafitra ianao.
Ho mora kokoa ny manao ilay lahateny rehefa mazava tsara ao an-tsai-
nao ireo hevi-dehibe, ka nalahatrao tsara eo ambaniny ireo hevitra fana-
mpiny manazava azy ireo. Ho azon’ny mpihaino tsara koa ilay lahateny
amin’izay.
Fomba samihafa handaminana ireo hevitra hohazavainao. Misy
fomba samihafa azo arahina, rehefa mandamina ireo hevitra ao amin’ny
lahateninao. Fantaro tsara ireny fomba ireny, ary ho hitanao fa maro
aminy no mandaitra, arakaraka ny zava-kendrenao.
212
Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe 213

Fomba iray azo ampiasaina matetika, ny filaharana araka ny foto-kevi-


tra. (Ilaina ny hevi-dehibe tsirairay, satria manampy ny mpihaino haha-
zo tsara ilay loha hevitrao, na manampy anao hahatratra ny zava-ke-
ndren’ilay lahateny.) Fomba iray hafa ny filaharan-javatra arakaraka ny
fotoana nisehoany. (Ohatra, azo resahina aloha ireo zava-nitranga talo-
han’ny Safodrano, izay vao ireo talohan’ny nandravana an’i Jerosalema
tamin’ny 70 am.f.i., ary avy eo ireo fisehoan-javatra amin’ny androntsi-
ka.) Fomba fahatelo ny filazana ny antony aloha, vao ny vo-
kany. (Azo ampifamadihina koa ilay izy, izany hoe ny voka-
NY FOMBA
ny aloha no resahina, vao ny antony nahatonga azy.) Fomba
HANAOVANA AZY
fahefatra ny fampitahana zavatra mifanohitra. (Ny tsara sy
Alohan’ny hifidianana ireo
ny ratsy, na ny mampandroso sy ny tsy mampandroso, oha- hevi-dehibe, dia diniho izay
tra.) Mety ho hita ao amin’ny lahateny iray indraindray ny efa fantatry ny mpihaino
maromaro amin’ireo fomba ireo. momba ilay foto-kevitra ary
Fony nampangaina lainga teo anoloan’ny Synedriona jio- fidio izay ho zava-kendrenao.
Alamino araka izany ireo
sy i Stefana, dia nanao toriteny nafonja, izay nitanisa zavatra fanazavanao.
arakaraka ny nisehoany. Vakio ilay izy ao amin’ny Asan’ny
Asehoy mazava tsara ny
Apostoly 7:2-53, ka mariho fa efa maty paika ireo hevitra no-
ifandraisan’ireo porofo sy
fidin’i Stefana. Nasehony mazava tsara aloha fa zavatra tsy andinin-teny ary fanazavana
azon’ny mpihaino lavina no hotantarainy. Nolazainy avy eo hafa amin’ilay hevi-dehibe
fa nolavin’ny rahalahiny i Josefa, nefa nampiasain’Andria- tokony hohamafisiny.
manitra mba hitondra famonjena. Nohazavainy manaraka Izao no fisarihana ny saina
izany, fa tsy nankatoavin’ny Jiosy koa i Mosesy, izay na- ho amin’ny hevi-dehibe
mpiasain’Andriamanitra. Ary nasongadiny tamin’ny farany tsirairay: Tanisao izy ireo, na
`
fa naneho toe-tsaina toy ny an’ny Jiosy fahiny ireo nampa- tonony tsirairay, alohan’ny
hanazavana azy, na avereno
mono an’i Jesosy Kristy. lazaina rehefa avy
Aza atao maro loatra ny hevi-dehibe. Vitsivitsy ihany dia novelabelarinao.
`
efa ampy mba hamelabelarana foto-kevitra iray. Mazana tsy
mihoatra ny dimy ny hevi-dehibe. Marina izany, na 5 na 10
na 30 minitra, na mihoatra, ny halavan’ny anjaranao na ny lahateninao.
Aza mitady hanasongadina hevi-dehibe maro loatra. Hevi-dehibe vitsivi-
tsy monja no ho araky ny mpihaino, ao amin’ny lahateny iray. Ary ara-
karaka ny halavan’ny lahateny iray, no tsy maintsy hanamafisana sy ha-
nazavana kokoa ireo hevi-dehibe.
Na firy na firy ireo hevi-dehibe ampiasainao, dia velabelaro tsara ny tsi-
rairay aminy. Omeo fotoana ampy tsara ny mpihaino mba handinihany
ny hevi-dehibe tsirairay, ka hiraiketan’izany tsara ao an-tsainy.
Tokony ho tsotra ny fandrenesan’ny mpihaino ny anjaranao na ny la-
hateninao. Tsy miankina foana amin’ny habetsahan’ireo hevitra haza-
vainao anefa izany. Ho mora arahina sy tadidina ny lahateninao, raha
214 Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe

voalamina mazava tsara eo ambanin’ny hevi-dehibe vitsivitsy ireo fana-


zavana fanampiny, ary velabelarinao tsirairay ireo hevi-dehibe.
Asongadino ireo hevi-dehibe. Raha voalamina tsara ny fanazavanao,
dia tsy ho sarotra ny hanamafy ireo hevi-dehibe, rehefa manao ilay anja-
ra na lahateny ianao.
Izao no fomba lehibe indrindra fampisongadinana hevi-dehibe: Mano-
meza porofo sy andinin-teny ary fanazavana hafa izay hampifantoka ny
saina ho amin’ilay hevi-dehibe sy hanamafy kokoa azy io. Tokony hana-
zava kokoa na hanamarina ilay hevi-dehibe ny hevitra fanampiny rehe-
tra toy izany. Aza manampy hevitra tsy misy ifandraisana amin’ilay hevi-
dehibe, satria fotsiny hoe mahaliana ilay izy. Asehoy mazava tsara ny
ifandraisan’ireo hevitra fanampiny amin’ilay hevi-dehibe tokony hoha-
mafisiny. Aza avela haminavina izany samirery ny mpihaino. Azo aseho
toy izao izany fifandraisana izany: Averina indray ireo teny fototra milaza
ilay hevi-dehibe, na averina tsindraindray ny votoatin’ilay hevi-dehibe.
Misy mpandahateny mitanisa ireo hevi-dehibe mba hampisongadina-
na azy. Tsara izany, saingy izany akory tsy mahasolo ny fifidianana tsara
ny hevitra sy ny famelabelarana azy mirindra tsara.
Azonao lazaina fotsiny dieny eo am-piandohana ilay hevi-dehibe, alo-
han’ny hanomezana ilay fanaporofoan-kevitra. Hanampy ny mpihaino
hahatakatra tsara ilay fanazavana homenao izany, no sady hampisonga-
dina io hevi-dehibe io. Azonao hamafisina koa ilay hevitra raha fintini-
nao rehefa avy novelabelarinao tsara.
Eny am-pitoriana. Azo ampiharina amin’ny resaka ataonao eny amin’
ny fanompoana koa ireo toromarika ireo. Rehefa manao fanomanana
ianao, dia eritrereto izay mampanahy indrindra ny olona eo an-toerana.
Mifidiana foto-kevitra iray mampiseho fa handamina izany ny fanante-
nana omen’ny Baiboly. Mifidiana hevi-dehibe roa eo ho eo mba hame-
labelarana io foto-kevitra io. Fidio ireo andinin-teny hampiasainao mba
hanamafisana ireo hevitra ireo. Eritrereto avy eo, ny fomba hanomboha-
nao ny resakao. Ahafahanao manovaova resaka ny fanomanana toy iza-
ny. Hanampy anao hilaza zavatra izay ho tadidin’ny tompon-trano
koa izany.

FANAZARAN-TENA:
Jereo ny lahatsoratra hianarana amin’ity herinandro ity ao amin’ny Tilikambo
Fiambenana. Jereo ireo lohatenikely amin’ny sora-matevina sy ireo fanontania-
na famerenana, ka ezaho fantarina ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra.
Tsara raha manao izany isan-kerinandro ianao.
FAMPIDIRAN-DRESAKA MAHALIANA 38

Inona no ilainao hatao?


Manombo-dresaka amin’ny filazana zavatra izay sady mety
tsara amin’ny foto-kevitrao, no misarika ny sain’ny mpihaino
sy manampy anao hahatratra ny zava-kendrenao.

TAPANY tena lehibe amin’ny anjara sy lahateny rehetra ny fampidi-


ran-dresaka. Raha ataonao izay hahatonga ny mpihaino ho liana, dia
ho vonona kokoa izy hanongilan-tsofina amin’izay holazainao mana-
raka. Mety ho tsy afa-manohy resaka ianao eny amin’ny fanompoana,
raha tsy ataonao mahaliana ny olona ny fampidiran-dresakao. Rehefa
manana anjara na lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana
ianao, ka tsy ataonao izay hahatonga ny mpihaino ho lia- NAHOANA IZANY
na, dia mety tsy hivoaka ny trano ara-bakiteny izy ireo, fa NO TENA ILAINA?
mety hanomboka hieritreritra zavatra hafa kosa. Mety hiankina amin’ny
Tadidio ireto zava-kendrena ireto rehefa manomana fa- fampidiran-dresakao ny
hihainoan’ny olona anao na
mpidiran-dresaka: 1) hisarika ny sain’ny mpihaino, sy
tsia.
2) hilaza mazava tsara ny foto-kevitrao, ary 3) hampiseho
ny antony ilan’ny mpihaino azy io. Mety ho vita indray
miaraka ireo telo ireo indraindray. Azo sarahina koa anefa izy ireo
indraindray, ary tsy voatery harahina io filaharana io.
Ny fomba hisarihana ny sain’ny mpihaino. Ny fahatongavan’ny
olona mba handre lahateny akory tsy midika fa vonona hanongilan-
tsofina amin’ilay foto-kevitra izy. Nahoana? Be dia be ny zavatra mi-
tana ny sainy. Mety hampiady saina azy ny zava-manahirana iray any
an-trano, na ny tebiteby hafa eo amin’ny fiainana. Tsy maintsy hai-
`
nao mpandahateny ary ny misarika sy mihazona ny sain’ny mpihai-
no. Misy fomba maromaro azonao anaovana izany.
Anisan’ny lahateny malaza indrindra ny Toriteny teo An-tendro-
mbohitra. Ahoana no fanombohany? Hoy i Jesosy, araka ny fitanta-
ran’i Lioka: “Sambatra hianareo malahelo, ... sambatra hianareo
noana ankehitriny, ... sambatra hianareo mitomany ankehitriny, ... sa-
mbatra hianareo, raha halan’ny olona.” (Lioka 6:20-22) Nahoana iza-
ny no nahatonga ny olona ho liana? Nasehon’i Jesosy tamin’ny teny
vitsivitsy monja fa fantany ny sasany tamin’ireo olana lehibe natre-
hin’ny mpihaino azy. Tsy lava resaka momba izany anefa izy avy eo,
215
216 Fampidiran-dresaka Mahaliana

fa nasehony kosa hoe mbola afaka ny ho sambatra ny olona toy iza-


ny. Nataony izay hahatonga ny mpihaino haniry hihaino misimisy ko-
koa.
Azo isarihana ny sain’ny olona ny fanontaniana, nefa tsy maintsy
mifanentana tsara izany. Vetivety dia tsy ho liana intsony ny mpihai-
no raha asehon’ny fanontanianao fa zavatra efa reny no horesahinao.
Aza manao fanontaniana mahatonga ny mpihaino ho sanganehana
na ho menatra. Lanjalanjao kosa ny teny ilazanao fanontaniana mba
hahatonga ny mpihaino hieritreritra. Miatoa kely aorian’ny fanonta-
niana tsirairay, mba hahafahan’ny mpihaino hamaly azy
ao an-tsainy. Rehefa tsapany fa mifampiresaka aminy ao
NY FOMBA
an-tsainy ianao, dia tena mihaino tsara izy izay.
HANAOVANA AZY
Hevero ireo hihaino anao:
Fomba tsara hafa isarihana ny sain’ny olona koa ny fita-
ny toe-javatra misy azy, ny ntarana zavatra tena nisy. Tsy hety anefa ny filazana tanta-
zavatra mampanahy azy, ny ra fotsiny raha mahasanganehana olona iray manatrika eo
toe-tsainy, sy izay efa fantany ilay izy. Ho very maina koa ny fiezahanao, raha ilay tantara
momba ilay foto-kevitra. no tadidy fa tsy ilay lesona azo avy aminy. Raha fitantara-
Fantaro hoe inona ao na zavatra tena nisy no ataonao fampidiran-dresaka, dia to-
amin’ilay foto-kevitrao no kony ho izy io no iorenan’ny hevi-dehibe sasany mampia-
hahaliana azy manokana vaka ilay famelabelaranao. Mety hisy tsipiriany ilaina mba
sy ilainy.
hahavelombelona ilay fitantarana, nefa tandremo sao lasa
lava loatra ilay izy.
Misy mpandahateny manomboka amin’ny filazana ny vaovao re fa-
rany, na amin’ny fakana teny tao amin’ny gazety na fanambarana
nataon’ny manam-pahefana to teny. Mandaitra koa izany, raha tena
mifanentana amin’ny foto-kevitra sy ny mpihaino.
`
Teny fohy sy mivantana mazana no fampidiran-dresaka tsara indri-
ndra ho an’ny fitohitohizan-dahateny, na ny anjara amin’ny Fivoriana
Momba ny Fanompoana. Raha manao lahateny ho an’ny besinimaro
kosa ianao, dia araho akaiky ny fotoana voafaritra ho an’ny teny fa-
mpidirana. Mandritra ny famelabelarana ilay lahateny no ahazoan’ny
mpihaino ny fanazavana tena ilainy.
Mety handaha-teny eo anoloan’ny olona be fisalasalana na mano-
hitra mihitsy aza ianao indraindray. Ahoana no azonao isarihana ny
sainy mba hihainoany anao? Kristianina tamin’ny taonjato voaloha-
ny, nolazaina fa “feno ny Fanahy sy fahendrena” i Stefana. Nentina
an-tery teo anoloan’ny Synedriona jiosy izy, ka nanao lahateny maza-
va sy mampiaiky ho fiarovana ny Kristianisma. Ahoana no nanombo-
hany azy? Tamim-panajana sy tamin’ny filazana zavatra niombonany
Fampidiran-dresaka Mahaliana 217

tamin’ny mpihaino azy. “Mihainoa, ry rahalahy sy hianareo ray:


Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika.”
(Asa. 6:3; 7:2) Hafa tanteraka kosa ny mpihaino ny apostoly Paoly teo
amin’ny Areopago tany Atena, koa nampifanarahiny tamin’izany ny
teny fampidirany hoe: “Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zava-
tra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra
hianareo.” (Asa. 17:22) Samy nandaitra ireo fampidiran-dresaka roa
ireo, ka samy nahatonga ny mpihaino haniry hihaino misimisy kokoa.
Mila misarika ny sain’ny olona koa ianao eny amin’ny fanompoa-
na. Mety ho sahirana manao zavatra hafa ny tompon-trano, raha
tonga amin’ny fotoana tsy nampoiziny ianao. Any amin’ny tany sasa-
ny, dia tsy maintsy milaza haingana ny anton-diany ny mpitsidika tsy
nampoizina. Any amin’ny tany hafa kosa, dia misy fombafomba tsy
maintsy arahina aloha, vao afaka milaza ny anton-dia.—Lioka 10:5.
Na ahoana na ahoana anefa, dia tokony ho sariaka sy ho feno faha-
tsoram-po foana ianao, satria mahatonga ny olona hiresaka izany. Ma-
tetika no tsara ny hanombohana amin-javatra mifandray mivantana
amin’izay ao an-tsain’ilay olona. Ahoana no hamantaranao izay ho-
lazaina? Teo am-panaovan-javatra ve ilay olona fony ianao nanatona
azy? Angamba izy namboly, nanadio ny tokotaniny, nanamboatra ao-
tomobilina na bisikileta, nahandro sakafo, nanasa lamba, na nikara-
kara ny zanany. Teo am-pamakiana gazety ve izy, na teo am-pijerena
zavatra nitranga teny amin’ny arabe? Hitanao avy amin’ny zava-
tra manodidina azy ve izay mahaliana azy manokana: fanjonoana,
fanatanjahan-tena, mozika, fitsangantsanganana, ordinatera, na zava-
tra hafa? Matetika ny olona no liana amin’izay reny tamin’ny radio
na hitany tamin’ny televiziona. Mety ho afaka hifampiresaka amin-ka-
tsaram-panahy aminy ianao, raha manontany na manao teny kely
momba ny iray amin’ireo zavatra ireo.
Ohatra faran’izay tsara ny amin’ny fomba anombohan-dresaka mba
hitoriana, ilay resaka nataon’i Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritani-
na teo am-pantsakana tany Sykara.—Jaona 4:5-26.
Mila manomana tsara ny fampidiran-dresakao ianao, indrindra raha
mitory eo amin’ny faritany voasa matetika. Raha tsy izany, dia mety
ho tsy afaka hanao fanambarana ianao.
`
Lazao ny foto-kevitrao. Mazana ny mpitari-draharaha na ilay raha-
lahy talohanao no milaza ny lohatenin’ny lahateninao sy mampiditra
anao, rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Na izany aza, dia tsara
218 Fampidiran-dresaka Mahaliana

averina ao amin’ny teny fampidiranao ihany ilay foto-kevitrao. Azo to-


nonina ara-bakiteny ilay izy, nefa tsy voatery ho toy izany foana. Na
ahoana na ahoana, dia tokony hihamazava ihany ilay foto-kevitra re-
hefa mandeha ilay lahateny. Tokony hampifantoka ny saina ho amin’
ny foto-kevitrao ny fampidiran-dresakao.
Nilaza mazava tsara ny hafatra tokony hampitain’ny mpianany i Je-
sosy, fony naniraka azy ireo hitory. “Raha mandeha hianareo, dia mi-
toria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7) Hoy
izy momba ny androntsika: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity fila-
zantsaran’ny fanjakana ity.” (Matio 24:14) Ampirisihina isika mba hi-
tory ny teny, izany hoe, izay lazain’ny Baiboly. (2 Tim. 4:2) Alohan’ny
hanokafana ny Baiboly na hiresahana momba ilay Fanjakana anefa,
dia matetika no ilaina ny manonona zavatra iray mampanahy ny olo-
na. Azonao tononina, ohatra, ny asan-jiolahy, na ny tsy fisian’ny asa,
ny tsy rariny, ny ady, ny fomba hanampiana ny tanora, ny aretina, na
ny fahafatesana. Aza mifantoka ela be amin’ny zavatra tsy mahafina-
ritra anefa; hafatra mampahery no entinao. Ataovy izay isarihana ny
resaka ho amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanantenana omen’ilay
Fanjakana.
Asehoy ny antony ilan’ny mpihaino ilay foto-kevitra. Raha handa-
ha-teny any amin’ny Efitrano Fanjakana ianao, dia mahazo matoky fa
ho liana amin’izay holazainao ny ankabeazan’ny mpihaino. Moa ve
anefa izy ireo hihaino toy ny olona iray miana-javatra tena mahakasi-
ka azy mivantana? Moa ve izy ireo hanongilan-tsofina, satria takany
fa mifanentana amin’ny toe-javatra misy azy ilay zavatra reny, ary
entaninao izy mba hanao zavatra momba izany? “Eny” no ho valin’
izany, raha teo am-panomanana lahateny ianao no efa nihevitra tsara
ny mpihaino—ny toe-javatra misy azy, ny zavatra mampanahy azy, ny
toe-tsainy. Aoka ho hita ao amin’ny fampidiran-dresakao izany, raha
nataonao.
Ataovy mahakasika ny mpihaino anao ny foto-kevitrao, na manda-
ha-teny ianao, na mitory amin’olona, satria izany anisan’ny fomba
tsara indrindra hahaliana azy. Asehoy fa mifandray amin’ilay foto-ke-
vitra horesahinao ny zava-manahirana azy, ny zavatra ilainy, na ny fa-
nontaniana mampanahy azy. Vao mainka hanongilan-tsofina izy raha
asehonao mazava tsara fa tsy resaka ankapobe fotsiny no hataonao,
fa mahakasika lafiny voafaritra tsara iray. Tsy maintsy manomana tsa-
`
ra ary ianao.
Fampidiran-dresaka Mahaliana 219

Ny fomba hilazana azy. Tena zava-dehibe izay lazainao ao amin’ny


fampidiran-dresaka, kanefa afaka misarika ny saina koa ny fomba ila-
`
zanao azy. Tsy izay holazainao ihany ary no omano, fa ny fomba hi-
lazanao azy koa.
Tena mahatonga ny mpihaino ho liana ny teny voafidy tsara, koa
`
omano tsara ary ireo fehezanteny roa na telo voalohany holazainao.
`
Fehezanteny fohy sy tsotra mazana no tsara indrindra. Soraty eo amin’
ny taratasinao izy ireo, na ianaro tsianjery, raha tianao hanan-kery
ireo teny voalohany amin’ny lahateny hataonao ao amin’ny Efitrano
Fanjakana. Lazao miadana sy tsy maimaika ny fampidiran-dresakao,
mba ho tony tsara ianao manohy ilay lahateny.
Ny fotoana hanomanana azy. Tsy mitovy ny hevitry ny olona mo-
mba an’io. Misy mpandahateny za-draharaha mino fa ny fampidiran-
dresaka no tokony homanina voalohany. Misy kosa mihevitra fa rehe-
fa voaomana ny votoatin’ny lahateny vao tokony homanina ny
fampidiran-dresaka.
Mazava ho azy fa tsy maintsy fantatrao aloha ny foto-kevitrao sy ireo
hevi-dehibe kasainao hovelabelarina, vao afaka mitady izay holazaina
amin’ny fampidiran-dresakao ianao. Ahoana anefa raha drafitra efa
vita pirinty no anomananao ny lahateninao? Rehefa avy namaky ilay
drafitra ianao, ka mahita fampidiran-dresaka sahady, dia tsy misy
maha ratsy ny hanoratana azy avy hatrany. Tadidio koa fa tsy maintsy
mihevitra ny mpihaino sy ilay fanazavana hatolotrao ianao, raha tia-
nao hahaliana ny mpihaino ny fampidiran-dresakao.

FANAZARAN-TENA:
`
1) Alohan’ny hitoriana isan-trano, dia manomana fampidiran-dresaka iray
mifandray amin’ilay hafatra hoentinao sy amin’ny zava-nitranga vao hainga-
na teo amin’ny faritaninao. 2) Jereo ny fehintsoratra voalohany ao amin’ny
lahatsoratra dimy na enina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
Mariho hoe nahoana ny tsirairay aminy no mahaliana ny olona.
39 FAMARANAN-TENY MANDAITRA

Inona no ilainao hatao?


Milaza zavatra manosika ny mpihaino hampihatra izay reny,
ao amin’ireo fehezanteninao farany.

METY ho nanao fikarohana tamim-pitandremana sy nandamina tsara


ireo fanazavanao ianao. Mety ho nanomana fampidiran-dresaka maha-
liana koa ianao. Mbola misy zavatra iray hafa ilaina anefa: famaranan-
teny mandaitra. Aza hamaivanina izy io. Matetika izay lazainao farany
no tena tadidin’ny olona. Raha tsy mety ny famaranan-teny, dia anga-
mba ho very maina ny ankabeazan’izay nolazaina teo aloha.
Diniho izao manaraka izao: Nanao lahateny tsy hay hadi-
NAHOANA IZANY noina tamin’ireo anti-panahin’ny firenen’ny Isiraely i Josoa,
NO TENA ILAINA? rehefa nadiva ho faty. Rehefa avy nitantara indray ny fifa-
Matetika izay lazaina ao ndraisan’i Jehovah tamin’ny Isiraely hatramin’ny andron’i
amin’ny famaranan-teny no Abrahama i Josoa, moa ve izy namintina fotsiny ireo zava-ni-
tena tadidin’ny olona. Izy io songadina? Tsia. Nananatra an’ilay vahoaka tamim-pihetse-
no mahatonga ilay lahateny ham-po lalina kosa izy hoe: “Matahora an’i Jehovah, ka
manontolo handaitra na tsia.
manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana.”
Vakio ao amin’ny Josoa 24:14, 15 izany famaranan-tenin’
i Josoa izany.
Lahateny hafa niavaka koa ny nataon’ny apostoly Petera tamin’ny va-
hoaka tafangona tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Hita ao
amin’ny Asan’ny Apostoly 2:14-36 izy io. Nohazavainy aloha fa fahatante-
rahan’ny faminanian’i Joela momba ny hirotsahan’ny fanahin’Andria-
manitra no hitan’izy ireo teo. Nasehony avy eo, ny nifandraisan’izany ta-
min’ireo faminanian’ny Salamo momba ny Mesia, dia ny hitsanganan’i
Jesosy Kristy amin’ny maty sy ny hanandratana azy eo an-tanana ankava-
nan’Andriamanitra. Nambaran’i Petera mazava tsara tao amin’ny famara-
nan-teniny avy eo ilay raharaha tsy maintsy natrehin’ny rehetra. Hoy izy:
“Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny
Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andri-
amanitra ho Tompo sy Kristy.” Hoy ireo nanatrika teo: “Ry rahalahy, ino-
na no hataonay?” Namaly i Petera hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao
batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra.” (Asa. 2:37, 38)
Tena nanohina ny fon’ny olona tokony ho 3 000 izay reny tamin’io andro
io, ka nanaiky ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy izy ireo.
220
Famaranan-teny Mandaitra 221

Hevitra tokony hotadidina. Tokony hifandray mivantana amin’ny loha


hevitry ny lahateninao ny famaranan-teninao. Tokony hamarana amin’ny
fomba mirindra ireo hevi-dehibe novelabelarinao izy io. Mety hisy teny
tao amin’ny foto-kevitra, tianao hampidirina ao amin’ny famaranan-
teny. Azonao lazaina amin’ny teny hafa izy ireny.
`
Ny hampirisika ny hafa hampihatra ilay zavatra hazavainao mazana no
kendrenao. Anisan’ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny
famaranan-teny ny hampiseho amin’ny mpihaino izay tokony
NY FOMBA
hataony. Fony ianao nifidy ny foto-kevitra sy ireo hevi-dehi- HANAOVANA AZY
be, moa ve efa nodinihinao tsara ny antony tena ilan’ny mpi- Ampifandraiso
haino ilay fanazavana sy ny zava-kendrenao amin’izy io? mivantana amin’ireo hevitra
Raha eny, dia fantatrao ilay zavatra tianao hataon’izy ireo. efa nohazavainao ny famara-
Ilainao hohazavaina hoe inona izany zavatra izany sy hoe nan-teninao.
ahoana no hanatanterahana azy. Asehoy amin’ny mpihaino
Tsy vitan’ny hoe mampiseho amin’ny mpihaino izay toko- izay tokony hataony momba
izay reny.
ny hataony fotsiny ny famaranan-teny, fa tokony hanosika azy
hampihatra koa. Tokony hasiana antony marim-pototra ha- Aoka izay lazainao sy ny
fomba ilazanao azy hanosika
naovan-javatra ao, ary angamba koa ny soa aterak’izany. Ha-
ny mpihaino hanao zavatra.
namafy ny herin’ilay lahateny manontolo ny fehezanteny fa-
rany raha voahevitra tsara sy voarafitra tsara.
Tadidio fa hifarana ny lahateninao. Tokony ho hita ao amin’ny teninao
izany. Tokony hasehon’ny hafainganam-piteninao koa izany. Aza miteny
haingana be hatramin’ny farany, dia mijanona tampoka avy eo. Aza ampi-
dinina fotsiny koa anefa ny feonao. Tokony ho mafy tsara ny feonao, fa
tsy mafy loatra. Tokony ho re amin’ireo fehezanteninao farany fa hamarana
ny teninao ianao. Tokony ho feno fahatsoram-po sy fatokiana ny filazanao
azy ireo. Rehefa manao famerenana ny anjara na lahateninao ianao, dia
aza hadinoina ny mamerimberina amin’ny feo avo ny famaranan-teni-
nao.
Tokony hanao ahoana ny halavan’ny famaranan-teny? Tsy azo faritana
ara-bakiteny izany. Tsy tokony hitohy, toa tsy hisy farany, anefa ny fama-
ranan-teny. Ny vokany eo amin’ny mpihaino no azo amaritana raha mety
ny halavany na tsia. Ankasitrahana foana ny famaranan-teny tsotra sy mi-
vantana ary mampahery. Handaitra koa ny famaranan-teny somary lava
kokoa, izay misy fanoharana fohy, raha efa voalamina tsara mialoha.
Ampitahao ny teny fohy mamarana ny boky manontolon’ny Mpitoriteny
(ao amin’ny Mpitoriteny 12:13, 14), sy ny teny mamarana ny Toriteny teo
An-tendrombohitra izay fohy kokoa (ao amin’ny Matio 7:24-27).
Eny amin’ny fanompoana. Eny amin’ny fanompoana no tena ahita-
nao fa ilaina ny famaranan-teny. Ny fanomanana sy ny fiheverana ny
222 Famaranan-teny Mandaitra

olona amim-pitiavana, no ahavitan-javatra tsara be dia be. Azo ampihari-


na tsara amin’ny resaka ifanaovana amin’ny olona iray koa ny torohevi-
tra nomena teo aloha.
Mety ho fohy kely ny resaka. Mety ho sahirana ilay olona. Mety tsy ha-
`
haritra afa-tsy iray minitra ilay fitsidihana. Raha mety, dia milaza zavatra
toy izao: “Hitako fa sahirana ianao, tompoko. Misy hevitra iray mampahe-
ry anefa ity, tiako holazaina aminao vetivety, alohan’ny handehananay.
Asehon’ny Baiboly fa mikasa hanao zavatra mahatalanjona ny Mpamoro-
na: hanao ny tany ho toerana hiainan’ny olona mandrakizay. Afaka ny
hiaina ao amin’izany Paradisa izany isika, tompoko, nefa mila mianatra
izay takin’Andriamanitra amintsika.” Na lazao fotsiny fa hiverina amin’
ny fotoana mety kokoa ianao.
Mbola misy azo atao ihany raha tapaka tampoka ilay fitsidihana, noho
ilay tompon-trano mitratrevatreva, na tsy mahalala fomba mihitsy aza.
Tadidio ilay torohevitra ao amin’ny Matio 10:12, 13 sy Romana 12:17, 18.
Mety hanova ny fomba fiheviny momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny
famalianao amim-pahamoram-panahy. Efa mahavita zavatra tsara izany.
Mety hahafa-po koa anefa ny resaka amin’ny tompon-trano. Nahoana
raha averina lazaina ilay hevi-dehibe tianao hotadidiny? Lazao koa ny
antony tokony hanosika azy hampihatra ilay izy.
Raha hitanao fa azo tohizina amin’ny fotoana hafa ilay resaka, dia
omeo antony hiandrasana izany amin-kafaliana ilay olona. Mametraha
fanontaniana iray, angamba fanontaniana resahina ao amin’ny Fomba
Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina na ao amin’ny boky iray
fampianarana Baiboly. Tadidio ny tanjonao, dia ilay nambaran’i Jesosy ao
amin’ny Matio 28:19, 20.
Eo am-pamaranan-dresaka any amin’ny fampianarana Baiboly iray ve
ianao? Avereno lazaina ilay foto-kevitra, mba hanampiana ilay mpianatra
hitadidy izay noresahinareo. Ampiasao ireo fanontaniana famerenana,
mba hitadidiany ireo hevitra fototra, ka ataovy miadana fa tsy maimaika
izany. Hanampy ilay mpianatra hahay hampiasa izay nianarany ny fano-
ntaniana azy hoe: Inona no soa azony avy tamin’ilay fianarana? Na hoe:
Ahoana no azony anazavana izany amin’ny hafa?—Ohab. 4:7.
Tadidio fa mahatonga ilay resaka manontolo handaitra na tsia, ny fa-
maranan-teninao.

FANAZARAN-TENA:
`
Manomana famaranan-teny roa ho an’ny fanompoana: 1) izay holazaina rehe-
fa mitratrevatreva ilay tompon-trano, ka tsy misy fotoana firy hiresahana, sy
2) fanontaniana iray horesahina amin’ny fitsidihanao manaraka.
FILAZANA ZAVATRA MARINA 40

Inona no ilainao hatao?


Mampita fanazavana mifanaraka tanteraka amin’ny zava-
misy.

METY hilaza zavatra tsy marina ve ny Kristianina iray? Eny, raha mame-
rina tsaho fotsiny izy, nefa tsy naka fotoana hanamarinana ilay izy. Na
mety hanita-dresaka izy, satria tsy hitany akory hoe diso ny famakiany
ilay fanazavana. Raha hitan’ny mpihaino fa mitandrina isika mba hilaza
ny marina, na dia amin’ny zavatra madinika aza, dia hatoky izy fa mari-
na koa ireo zava-dehibe kokoa lazaintsika rehefa mitory.
Eny amin’ny fanompoana. Maro no matahotra hanombo-
NAHOANA IZANY
ka hitory, satria fantany fa mbola be dia be ny zavatra tsy mai- NO TENA ILAINA?
ntsy ianarany. Vetivety anefa dia ho hitany fa afaka mitory
Ho tsara kokoa ny fiheveran’
tsara izy, na dia mbola voafetra aza ny fahalalany ny fahama- ny olona anao sy ilay fikamba-
rinana. Inona no hanampy azy amin’izany? Ny fanomanana. nana misy anao ary ilay Andri-
Alohan’ny handehanana hitory, dia fantaro tsara ilay foto- amanitra tompoinao raha
kevitra tianao horesahina. Eritrereto mialoha ireo fanontania- milaza zavatra marina ianao.
na mety hapetraky ny olona. Mitadiava valin-teny ara-baibo-
ly mahafa-po. Ho afaka hanome valin-teny marina amin’ny
saina tony ianao, amin’izay. Handeha hampianatra Baiboly ve ianao? Je-
reo tsara indray ilay zavatra hianarana. Fantaro tsara ny hevitr’ireo andi-
nin-teny iorenan’ny valin’ireo fanontaniana ao amin’ilay boky.
Ahoana raha manontany zavatra tsy nampoizinao ny tompon-trano
iray, na ny mpiara-miasa aminao? Raha tsy azonao antoka ny tena valiny,
dia aza maminavina fotsiny. “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.”
(Ohab. 15:28) Mety hanampy anao ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra
avy Amin’ny Soratra Masina na ny “Foto-dresaka Ara-baiboly”, raha misy
amin’ny fiteninao. Raha tsy nentinao izy ireo, dia lazao fa hanao fikaro-
hana ianao mba hamaliana ny fanontaniany. Tsy hampaninona an’ilay
olona ny hiandry ny valin-teny marina, raha tso-po izy. Mety hankasitra-
hany mihitsy aza ny fanetren-tenanao.
Miaraha miasa amin’ny mpitory za-draharaha eny amin’ny fanompoa-
na, mba hianarana ny fahaiza-mampiasa ny Tenin’Andriamanitra araka
ny marina. Mariho ireo andinin-teny ampiasainy sy ny fomba anazavany
azy. Ekeo amim-panetren-tena izay fanoloran-kevitra na fanitsiana ome-
ny. Nandray soa be dia be avy tamin’ny fanampian’ny hafa ilay mpianatra
223
224 Filazana Zavatra Marina

be zotom-po nantsoina hoe Apolosy. Nolazain’i Lioka ho “nahay nanda-


ha-teny” izy, “nahery tamin’ny Soratra Masina”, “nafana fo”, ary “niteny
sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy.” Mbola tsy feno anefa ny
fahalalan’i Apolosy tamin’izay. Rehefa tsikaritr’i Prisila sy i Akoila izany,
dia “nandray azy hankao aminy [izy ireo] ka nampianatra azy marimari-
`
na kokoa ny amin’ny lalan’Andriamanitra.”—Asa. 18:24-28.
‘Tano mafy ny teny marina.’ Tokony ho hita amin’ny famelabelarana
ataontsika any amin’ny fivoriana, fa manaja ny fiangonana ho “andry sy
fiorenan’ny fahamarinana” isika. (1 Tim. 3:15) Mba hiarova-
na ny fahamarinana, dia tena ilaina ny hahazoana ny hevitr’
NY FOMBA ireo andinin-teny hampiasaintsika ao amin’ny anjarantsika
HANAOVANA AZY na lahatenintsika. Hevero ny teny manodidina ilay andinin-
Aza manome valin-teny, raha teny, sy ny antony nanoratana azy.
tsy azonao antoka ilay izy. Mety hisy hamerina ny zavatra lazainao any amin’ny fivo-
Ampioreno amin’ny “mariky riana. Marina fa “tafintohina amin’ny zavatra maro isika
ny teny tsy misy kilema” ao rehetra.” (Jak. 3:2) Handray soa anefa ianao raha miezaka ha-
amin’ny Baiboly ny teninao. nana fahazarana izay hanampy anao hilaza zavatra marina.
Manaova fikarohana. Rahalahy maro manao anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoa-
Hamarino ny fahamarinan’ na no ho tonga anti-panahy any aoriana. “Bebe kokoa” no
ireo antontan’isa sy tenin’ antenaina amin’ireo izay anankinana izany andraikitra izany.
olona ary zavatra niainan’ (Lioka 12:48) Mety hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny
olona, ary aza itarina. Aza anti-panahy iray raha tsy mieritreritra izy ka manome torohe-
maminavina ireo tsipirian-
vitra diso, izay hiteraka olana lehibe ho an’ireo anisan’ny fia-
javatra tsy tadidinao tsara.
ngonana. (Matio 12:36, 37) Koa ny rahalahy iray tendrena ho
`
anti-panahy ary dia tsy maintsy fantatra ho “mitana mafy ny
teny marina araka ny efa nampianarina.”—Titosy 1:9.
Tandremo ny fanazavanao mba hifanaraka amin’ny “mari-
ky ny teny tsy misy kilema” mampiavaka ny fahamarinana ao amin’ny
Soratra Masina. (2 Tim. 1:13) Tsy tokony hampahatahotra anao izany.
Angamba ianao mbola tsy nahavaky ny Baiboly manontolo. Tohizo iha-
ny ny ezaka ataonao amin’izany. Araho koa ireto hevitra manaraka ireto,
rehefa mamakafaka ireo fanazavana kasainao hampiasaina mba hampia-
narana, ianao.
Voalohany aloha, dia manontania tena hoe: ‘Mifanaraka amin’izay efa
nianarako tao amin’ny Baiboly ve ity fanazavana ity? Hahatonga ny mpi-
haino hanatona an’i Jehovah ve izy ity, sa kosa hanindrahindra ny fahe-
ndren’izao tontolo izao, ka hampirisika ny olona hanaraka azy io?’ Hoy i
Jesosy: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17; Deot. 13:2-6; 1 Kor.
1:19-21) Avy eo, dia ampiasao tsara ireo fitaovana fanaovana fikarohana
nomen’ny mpanompo mahatoky sy malina. Hanampy anao izy ireny
Filazana Zavatra Marina 225

mba hahazo tsara ny hevitry ny andinin-teny sy hahay ny fomba hampi-


harana azy araka ny tokony ho izy. Ampioreno amin’ny “mariky ny teny
tsy misy kilema” ny lahateninao. Miantehera amin’ny fitaovana ampia-
sain’i Jehovah, rehefa manazava andinin-teny sy manao fampiharana azy
io. Ho marina ny zavatra lazainao raha manao izany ianao.
Hamarino ny fahamarinan’ny zavatra holazainao. Ny filazam-bao-
vao sy ny tenin’olona ary ny zavatra niainan’olona, dia hanampy anao
hanazava sy hanao fampiharana hevitra sasany. Ahoana no hahafantara-
nao raha tena marina izy ireny? Loharanom-baovao azo itokisana jerena.
Hamarino fa ny vaovao farany no azonao. Vetivety dia lany andro ny
antontan’isa; toy izany koa ny zava-baovao ara-tsiansa; ary rehefa mito-
mbo ny fahalalan’ny olona momba ny tantara sy ny fiteny fahiny, dia tsy
maintsy ovany arakaraka izany ny fanazavany. Mila mitandrina indrindra
ianao, rehefa hampiasa vaovao lazain’ny gazety, na radio, na televiziona
na ordinatera. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Ny kely saina mino ny teny re-
hetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Manontania tena hoe:
‘Malaza ho azo itokisana ve io loharanom-baovao io? Azo hamarinina
amin’ny fomba hafa ve io vaovao io?’ Raha mampisalasala anao ny zava-
tra iray, dia aza raisina.
Rehefa avy nohamarininao fa azo itokisana ilay loharanom-baovao, dia
hevero tsara koa ny fomba hampiasanao ilay vaovao. Ataovy mifanaraka
tsara amin’ny fanazavana nakanao azy, ny fampiasanao ireo tenin’olona
sy antontan’isa. Na dia te hanamafy hevitra aza ianao, dia tandremo sao
miova ho “ny ankamaroan’ny olona” ny hoe “ny olona sasany”, sy ma-
njary hoe “ny olona rehetra” ny hoe “olona maro”, ary lasa hoe “foana”
ny hoe “indraindray.” Tsy hatoky anao ho milaza ny marina intsony ny
hafa, raha manitatra filazan-javatra na isa ianao.
Rehefa marina mandrakariva ny zavatra lazainao, dia ho fantatra ho
olona manaja ny fahamarinana ianao. Ho tsara ny fiheveran’ny olona ny
Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany, noho izany. Mbola zava-
dehibe kokoa ny fanomezan’izany voninahitra an’i ‘Jehovah, ilay Andria-
manitry ny fahamarinana.’—Sal. 31:5.

FANAZARAN-TENA:
Mangataha Vavolombelona matotra iray hihaino sy hijery ny fahamarinan’
izay lazainao, rehefa manazava amin’ny fomba fiteninao ireto foto-kevitra ire-
to ianao: 1) Inona avy ireo toetra mampiavaka an’i Jehovah, ary ahoana no
ahafantaranao izany? 2) Nahoana i Jesosy no nanome ny ainy ho sorona, ary
inona no soa azontsika avy amin’izany? 3) Inona no nataon’i Jesosy Kristy, ha-
tramin’ny nanaovana azy ho Mpanjaka?
41 MORA AZON’NY HAFA

Inona no ilainao hatao?


Milaza zavatra mora azon’ny hafa.

AZA mianina amin’ny fampitana fahalalana fotsiny rehefa miteny.


Ataovy azon’ny mpihaino ny zavatra lazainao. Hanampy anao hahay
hampita hevitra izany, na mandaha-teny ao am-pivoriana ianao na
miresaka amin’ny olona tsy Vavolombelona.
Misy lafiny maro ny fitenenana mora azo. Resahina ao amin’ny Le-
sona faha-26 hoe “Famelabelarana Mirindra Tsara”, ny sa-
sany amin’izany. Misy hafa koa hazavaina ao amin’ny Le-
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? sona faha-30 hoe “Fiheverana ny Hafa.” Hiresaka momba
ny hevitra vitsivitsy hafa isika ato amin’ity lesona ity.
Raha mora azo ny fanaza-
vanao, dia handray soa bebe Teny sy fomba fiteny tsotra. Tena manan-kery hampita
kokoa ny mpihaino. hevitra ny teny tsotra sy ny fehezanteny fohy. Ny toritenin’
i Jesosy teo an-tendrombohitra dia ohatra faran’izay tsara
ny amin’ny lahateny iray mora azon’ny olona, na iza izy
na iza, na aiza na aiza fonenany. Mety ho vaovao amin’izy ireo ny he-
vitra raketiny. Azon’izy ireo anefa izay nolazain’i Jesosy, satria zavatra
mahakasika antsika rehetra no noresahiny, toy ny hoe: ny fomba ha-
hitana fahasambarana, hihavanana tsara amin’ny hafa, handresena
ny tebiteby, ary hananana fiainana misy heviny. Nampiasa fiteny
fampiasan’ny olona andavanandro koa i Jesosy. (Matio toko 5-7) Ma-
rina fa misy fehezanteny samy hafa halava sy samy hafa firafitra be dia
be ao amin’ny Baiboly. Tokony ho zava-kendrenao anefa ny hilaza za-
vatra amin’ny fomba mazava sy mora azo.
Ho mora azo kokoa na dia ny foto-kevitra sarotra aza, raha tsotra ny
fomba fiteninao. Ahoana ho ahafahana miteny amin’ny fomba tsotra?
Aza totofana tsipirian-javatra tsy ilaina ny mpihaino. Alamino ny fa-
nazavanao mba hampahazava tsara ireo hevi-dehibenao. Fidio tsara
ireo andinin-teny fototra hampiasainao. Aza maika hanonona andi-
`
nin-teny maro misesy, fa maka kosa fotoana hamakiana sy hanazava-
na azy ireo. Aza be resaka loatra ka manjary tsy hita ny hevitra tsara.
Araho koa ireo toromarika ireo rehefa mitarika fampianarana Bai-
boly ianao. Aza mitady hanazava ny tsipirian-javatra rehetra. Ampio
226
Mora Azon’ny Hafa 227

ilay mpianatra hahazo tsara ireo hevitra lehibe indrindra. Mbola hia-
natra momba ireny tsipiriany ireny ihany izy any aoriana, amin’ny fia-
narany manokana sy any amin’ny fivoriana.
Ilaina ny manomana tsara, mba hanomezana fanazavana tsotra. Tsy
maintsy mazava tsara aminao aloha ny foto-kevitrao, vao afaka mana-
zava azy amin’ny hafa ianao. Rehefa tena azonao tsara ny zavatra iray,
dia afaka milaza ianao hoe nahoana izy io no toy izao, na
toy izao. Afaka milaza azy amin’ny fomba fiteninao koa ia-
NY FOMBA
nao.
HANAOVANA AZY
Hazavao ireo teny tsy fantatra. Ilaina hohazavaina Teny tsotra ampiasaina; aleo
indraindray ny hevitry ny teny tsy fantatry ny mpihaino. fehezanteny fohy no anaza-
Aza mihevitra azy ireo ho manam-pahalalana be, nefa vana hevi-dehibe.
aza mihevitra azy ho bado koa. Mety hampiasa teny toa Hevi-dehibe vitsivitsy ihany
hafahafa amin’ny olon-kafa ianao, noho ny fianaranao asongadina.
ny Baiboly. Raha tsy misy fanazavana, dia tsy ho azon’ Hazavao ireo teny tsy fanta-
ny olona tsy mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jeho- try ny mpihaino.
`
vah fa manondro fitambaran’olona ny hoe ‘sisa voahoso- Maka fotoana ka hazavao sy
tra’, “mpanompo mahatoky sy malina”, “ondry hafa” ary asio fampiharana ireo andi-
“olona betsaka.” (Rom. 11:5; Matio 24:45; Jaona 10:16; nin-teny.
Apok. 7:9) Mety tsy hahazo izay tiantsika holazaina amin’ Hevero ny mety ho vokatry
ny ohatra omenao eo
ny hoe “mpitory”, “mpisava lalana”, “mpiandraikitra ny
amin’ireo iresahanao.
faritra” ary “Fahatsiarovana” koa ny olona tsy mahalala ny
fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Misy koa teny ara-baiboly ampiasain’ny olona tsy Vavolombelona
matetika, nefa mety hilaintsika hohazavaina. Amin’ny olona maro,
ohatra, ny hoe “Haramagedona” dia milaza fandripahana niokleary.
Aminy, ny “Fanjakan’Andriamanitra” dia mety ho zavatra ao am-pon’
ny olona, na ny lanitra, fa tsy fitondram-panjakana. Rehefa manono-
na ny hoe “fanahy” ianao, ny mety ho tonga ao an-tsain’ny olona dia
zavatra ara-panahy ao amin’ny olombelona, izay mbola velona ihany,
na dia maty aza ny vatana. Olona an-tapitrisany no nampianarina fa
ny “fanahy masina” dia manan-toetra toy ny olona, ary anisan’ny
Andriamanitra Telo Izay Iray. Maro no nanda ny fitsipika ara-pito-
ndran-tena ao amin’ny Baiboly, ka mety hila hampiana mba hahazo
izay tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe: “Mandosira ny fijangaja-
ngana.”—1 Kor. 6:18.
Mety tsy ho azon’ny olona tsy mpamaky Baiboly ny filazanao fotsi-
ny hoe “Hoy i Paoly...” na hoe “Hoy i Jaona...” Mety hisy namany na
228 Mora Azon’ny Hafa

`
mpiray tanana aminy manana ireo anarana ireo. Mety hilaina hampia-
na hoe apostoly kristianina, na mpanoratra Baiboly, ny fanazavanao.
Matetika ny olona ankehitriny no mila fanampiana mba hahazo
ireo andinin-teny misy refy na fomba amam-panao tamin’ny andro fa-
hiny. Mety tsy hisy dikany firy aminy, ohatra, ny hoe hakiho 300 ny
halavan’ny sambofiaran’i Noa, sy hakiho 50 ny sakany ary hakiho 30
ny haavony. (Gen. 6:15) Raha hazavainao amin’ny alalan’ny refy fa-
ntatra eo an-toerana anefa izany, dia ho azon’ny mpihaino an-tsaina
avy hatrany ny haben’ilay sambofiara.
Omeo ny fanazavana ilaina. Mety tsy ho ampy ny fanomezana ny
fanazavana marina momba ny teny iray. Narahina fanazavana ny fa-
`
makiana ny Lalana tany Jerosalema, tamin’ny andron’i Ezra. Mba ha-
`
nampiana ny vahoaka hahatakatra ny hevitry ny Lalana, dia sady na-
nazava ny Levita, no nampihatra azy io tamin’ny toe-javatra nisy ilay
`
vahoaka tamin’izay. (Neh. 8:8, 12) Maka fotoana toy izany koa, ka ha-
zavao sy asio fampiharana ireo andinin-teny vakinao.
Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty, dia
nohazavainy tamin’ny mpianany fa nahatanteraka ny Soratra Masina
ny zavatra natrehin’izy ireo. Nohamafisiny koa ny andraikitr’izy ireo
mba ho vavolombelona hanambara ireny zavatra ireny. (Lioka 24:44-
48) Mora azon’ny olona kokoa ny tena hevitr’izay lazainao, rehefa
ampianao izy hahita fa tokony hisy vokany eo amin’ny fiainany ilay
zavatra ampianarina azy.
Ny asan’ny fo. Na dia mazava aza anefa ny fanazavanao, dia mety
hiankina amin-javatra hafa koa ny hahazoan’ilay olona azy io na tsia.
Rehefa tsy vonon-kandray ny fon’ny olona iray, dia hisakana azy iza-
ny tsy hahazo ny hevitr’izay lazaina. (Matio 13:13-15) Fahadalana ny
zavatra ara-panahy, amin’ny olona tsy mety mijery afa-tsy ny zavatra
ara-nofo. (1 Kor. 2:14) Raha toy izany ny toe-tsain’ilay olona, dia aleo
faranana eo fotsiny aloha ilay resaka.
Ny zava-tsarotra iainan’ny olona anefa indraindray no mahatonga ny
fony tsy hanaiky. Mety hiova izany fo izany amin’ny farany, raha ome-
na fahafahana handre ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mandritra
ny elaela. Rehefa nilazan’i Jesosy ny apostoliny fa hokapohina sy hovo-
noina ny tenany, dia tsy azon’izy ireo ny tiany holazaina. Nahoana? Sa-
tria tsy izany mihitsy no nandrasany na niriny! (Lioka 18:31-34)
Azon’ny 11 tamin’ireo apostoly ihany anefa ilay izy tamin’ny farany,
ary nasehony izany tamin’ny fanaovana izay nampianarin’i Jesosy azy.
Mora Azon’ny Hafa 229

Zava-dehibe ny ohatra tsara. Tsy ny tenintsika ihany no manampy


ny olona hahazo zavatra, fa ny zavatra ataontsika koa. Maro no mila-
za fa tsy izay nohazavaina no tadidiny tamin’ny fivoriana voalohany
natrehiny tao amin’ny Efitrano Fanjakana, fa ilay fitiavana nihariha-
ry tao. Nanampy olona maro hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny
Baiboly koa ny hafaliana asehontsika. Nahita ny hatsaram-panahy ifa-
nehoan’ny vahoakan’i Jehovah sy ny fiheverany ireo niharan-doza, ny
olona sasany, ka nanatsoaka hevitra fa manana ny fivavahana marina
ny Vavolombelona. Koa rehefa manampy olona hahazo tsara ny faha-
`
marinana ao amin’ny Baiboly ary ianao, dia eritrereto ny fomba ha-
nazavanao azy sy ny ohatra omenao.

FANAZARAN-TENA:
`
Resaho amin’ny havana, na mpiray tanana, na mpiara-miasa na mpiara-mia-
natra tsy Vavolombelona ny zavatra nahafinaritra anao tany am-pivoriana
tamin’ity herinandro ity. Hazavao ireo teny mety ho tsy azon’ilay olona.
42 MAMPIANA-JAVATRA NY MPIHAINO

Inona no ilainao hatao?


Mampita fahalalana, izay handrisika ny saina hieritreritra ary
hahatonga ny mpihaino hahatsapa fa niana-javatra tena ilainy
izy.

RAHA tianao hiana-javatra avy amin’ny famelabelaranao ny mpihaino, dia


tsy ampy ny miresaka fotsiny momba ny foto-kevitra tsara iray. Manonta-
nia tena hoe: ‘Nahoana ireo olona mihaino ireo no mila mandre ity foto-
kevitra ity? Inona no holazaiko mba hahatonga azy ireo hahatsapa fa tena
nandray soa avy tamin’ilay famelabelarana izy?’
Raha fomba fitory no anjaranao ao amin’ny sekoly, dia ilay
NAHOANA IZANY miresaka aminao no ho mpihaino anao. Raha tsy izany, dia ny
NO TENA ILAINA? fiangonana manontolo.
Vetivety ny olona dia tsy hifa- Izay fantatry ny mpihaino. Manontania tena hoe: ‘Inona
ntoka intsony raha zavatra no efa fantatry ny mpihaino momba ity foto-kevitra ity?’ To-
efa fantany ihany no lazainao kony hiankina amin’izany ny fomba hanazavanao azy. Raha
aminy. mandaha-teny eo anoloan’ny fiangonana misy Kristianina ma-
totra maro be ianao, dia aza mamerina fotsiny fampianarana
fototra efa fantatry ny ankamaroany. Raiso ho fototry ny fanazavana fana-
mpiny homenao kosa ireny fampianarana ireny. Mazava ho azy fa tokony
hoheverinao koa ny zavatra ilain’ireo vaovao, raha misy maro aminy ma-
natrika eo.
Ampifanaraho amin’izay fantatry ny mpihaino ny hafainganan’ny fitene-
nanao. Somary ataovy haingana ny filazanao ireo hevitra fantatry ny anka-
maroany. Mitenena miadana kokoa kosa, rehefa milaza hevitra mety ho
vaovao amin’ny ankamaroan’ny mpihaino, mba hahatakarany azy tsara.
Izay hampiana-javatra ny mpihaino. Ny hoe mampiana-javatra akory
tsy midika foana hoe milaza zava-baovao. Na dia efa fantatra aza ny fampia-
narana iray, ny fomba tsotra anazavan’ny mpandahateny sasany azy dia ha-
hatonga ny mpihaino maro ho sambany vao tena mahazo azy io tsara.
Tsy ampy ny milaza vaovao iray mba hampisehoana fa miaina amin’ny
andro farany isika, rehefa mitory. Ampiasao kosa ny Baiboly mba hanaza-
vana ny hevitr’ilay zava-niseho. Tena hiana-javatra ilay tompon-trano
amin’izay. Tsy mikendry ny hampitolagaga ilay tompon-trano amin’ny
vaovao ara-tsiansa mbola tsy reny hatramin’izay koa ianao, rehefa milaza
`
zavatra momba ny lalana voajanahary na momba ny zavamaniry na ny
biby. Ny zava-kendrenao kosa dia ny hampifanaraka ilay porofo amin’izay
230
Mampiana-javatra ny Mpihaino 231

lazain’ny Baiboly, mba hampisehoana fa misy Mpamorona tia antsika. Ha-


hita ilay foto-kevitra amin’ny fomba fijery vaovao ilay tompon-trano,
amin’izay.
Sarotra ny mamelabelatra foto-kevitra efa ren’ny mpihaino imbetsaka.
Mila mianatra ny fomba fanaovana izany tsara ianao, mba ho
mpandahateny mahay. Inona izany fomba izany?
NY FOMBA
Hanampy anao ny fanaovana fikarohana. Tsy izay zavatra ta- HANAOVANA AZY
didinao eo no ho eo fotsiny no ampidiro ao amin’ny lahateni-
Hevero izay efa fantatry ny
nao, fa ampiasao kosa ireo fitaovana fikarohana resahina eo mpihaino momba ilay foto-
amin’ny pejy faha-33 ka hatramin’ny faha-38. Diniho ireo kevitrao.
soso-kevitra omena ao, momba ny zava-kendrena tokony hie- Mitenena haingana kokoa, re-
zahanao hotratrarina. Rehefa manao fikarohana ianao, dia hefa milaza zavatra efa fanta-
mety hamaky zava-niseho ara-tantara tsy dia fantatra loatra, tra, ary miadana kokoa rehefa
manazava zavatra vaovao.
nefa mifandray mivantana amin’ny foto-kevitrao. Na ianao se-
ndra nandre filazana tao amin’ny vaovao vao haingana, izay Aza milaza zavatra fotsiny; ha-
zavao ny heviny na ny antony
hanamarina ilay hevitra kasainao horesahina. ilazana azy.
Ampiasao ny sainao eo am-pandinihana ilay fanazavanao ka Ampiasao ny sainao amin’ny
manontania hoe inona? nahoana? oviana? taiza? iza? ary fanontaniana hoe: Inona? Na-
ahoana? Ohatra: Nahoana ity no marina? Ahoana no hanapo- hoana? Oviana? Taiza? Iza?
rofoako azy? Inona no inoan’ny sasany ka mahatonga azy tsy Ahoana?
`
hahatakatra ity fampianarana ara-baiboly ity? Nahoana izy ity Maka fotoana hanjohian-kevi-
no zava-dehibe? Inona no tokony ho vokany eo amin’ny fiai- tra momba ireo andinin-teny;
hazavao kokoa ny tapany
nan’ny olona? Inona no ohatra mampiseho ny vokatra tsara sasany.
ateraky ny fampiharana azy? Inona no ahariharin’ity fampia-
Manaova fampitahana sy
narana ara-baiboly ity momba ny toetran’i Jehovah? Afaka ma- fampifanoheran-javatra.
nontany toy izao ianao, arakaraka ilay fanazavana resahinao: Asio famintinana fohy ny
Oviana ity no nitranga? Ahoana no azontsika ampiharana ity famelabelaranao.
fanazavana ity ankehitriny? Ataovy velombelona mihitsy aza Asehoy fa azo ampiasaina ilay
ny lahateninao, amin’ny fametrahana sy famaliana ny sasany fanazavana mba hamahana
amin’ireo fanontaniana ireo. olana sy handraisana fanapa-
han-kevitra.
Mety ho voatery hampiasa andinin-teny efa fantatry ny mpi-
haino tsara ianao. Mbola afaka mampiana-javatra ny mpihai-
no ihany ve ianao amin’izay? Eny, raha tsy vakinao fotsiny ilay izy, fa ha-
zavainao koa.
Mety hampiana-javatra kokoa ny mpihaino ianao, raha raisinao tsirairay
ny tapany samihafa amin’ny andinin-teny efa fantatra, ka avahanao ireo
izay mifandray amin’ny foto-kevitrao, ary avy eo dia hazavainao. Azo rai-
sina ho ohatra ny Mika 6:8. Inona no atao hoe “marina”? Ny fomba fihe-
vitr’iza momba ny fahamarinana no resahina eto? Inona no ohatra azonao
anazavana ny atao hoe ‘manao ny marina’? Na ny hoe “tia famindrampo”?
232 Mampiana-javatra ny Mpihaino

Inona no atao hoe fanetren-tena? Ahoana no hampiharanao ilay fanazava-


na amin’ny zokiolona? Mazava ho azy fa ny foto-kevitrao, ny zava-kendre-
nao, ny ho mpihaino anao ary ny fotoana hanananao, no tokony hamari-
tra ny fanazavana hampiasainao.
Matetika no ilaina ny fanazavana hevi-teny amin’ny fomba tsotra. Mety
ho gaga ny olona sasany mahafantatra ny hevitry ny hoe ‘fanjakana’ resa-
hina ao amin’ny Matio 6:10. Na dia ny Kristianina efa hatramin’ny ela aza
dia mety hahazo kokoa ny tena hevitry ny andinin-teny iray, rehefa haza-
vaina aminy indray ny hevitry ny teny iray. Azontsika hamarinina izany, re-
hefa mamaky ny 2 Petera 1:5-8 isika, ka hazavaintsika avy eo ny hevitr’ireo
toetra tanisaina ao: finoana, fahatanjahan-tsaina, fahalalana, fahononam-
po, faharetana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary
fitiavana. Rehefa mampiasa teny samy hafa mitovitovy hevitra ianao, ao
amin’ny anjara na lahateny iray, dia hiavaka tsara ny fahasamihafan’izy
ireo, raha hazavainao ny heviny. Ohatra ny amin’izany ny hoe fahendrena
sy fahalalana ary fahazavan-tsaina, hita ao amin’ny Ohabolana 2:1-6.
Mety hiana-javatra koa ny mpihaino rehefa manjohy hevitra fotsiny mo-
mba ny andinin-teny iray ianao. Maro no gaga, rehefa mahare voalohany
fa ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, ny Genesisy 2:7 dia mila-
za fa fanahy velona i Adama, ary mety maty ny fanahy, araka ny Ezekiela
18:4. Nampitolagaga ny Sadoseo i Jesosy indray mandeha, rehefa nampi-
hatra ny Eksodosy 3:6 tamin’ny fitsanganan’ny maty. Nilaza fa nino an’io
andinin-teny io tokoa ny Sadoseo, nefa tsy nino ny fitsanganan’ny maty.
—Lioka 20:37, 38.
Ianaran-javatra koa indraindray ny filazana ny teny manodidina ilay
andinin-teny, sy ny toe-javatra nanoratana azy, ary ny hoe iza ilay miteny
na mihaino. Nahafantatra tsara ny Salamo faha-110 ny Fariseo. Na izany
aza, dia nomarihin’i Jesosy tamin’izy ireo ny tsipiriany lehibe iray ao amin’
ny andininy voalohany. Hoy izy: “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?
Zanak’iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’i Davida. Hoy Jesosy taminy:
Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe ‘Tompo’, ka
`
manao hoe: ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-ta-
nako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny to-
ngotrao’? Koa raha Davida ary manao Azy hoe ‘Tompo’, ahoana no
maha-zanany Azy?” (Matio 22:41-45) Raha manjohy hevitra momba ireo
andinin-teny toy ny nataon’i Jesosy ianao, dia hampianatra ny olona ha-
maky ny Tenin’Andriamanitra amim-pitandremana kokoa.
Rehefa milaza ny fotoana nanoratana ny boky ara-baiboly iray, na ny fo-
toana nitrangan’ny zavatra iray, ny mpandahateny, dia tokony hiresaka mo-
mba ny toe-javatra nanjaka tamin’izany koa. Ho mora takatry ny mpihaino
kokoa amin’izay ny maha zava-dehibe an’ilay boky na ilay zava-nitranga.
Mampiana-javatra ny Mpihaino 233

Azo ianaran-javatra kokoa ny fampitahana. Azonao ampifanoherina


amin’izay lazain’ny Baiboly ny fomba fihevitry ny ankabeazan’ny olona
momba ny zavatra iray. Na azonao ampitahaina ny fitantarana roa samy
hafa momba ny zavatra iray ihany, ao amin’ny Baiboly. Misy tsy fitoviana
ve? Nahoana? Inona no ianarantsika avy amin’izy ireny? Hanana fomba fi-
jery vaovao momba ilay foto-kevitra ny mpihaino anao, amin’izay.
Raha asaina miresaka momba ny lafiny iray amin’ny fanompoana kri-
stianina ianao, dia tsara raha manao famintinana aloha. Resaho aloha hoe
inona no tsy maintsy atao, sy hoe nahoana izany no ilaina hatao, ary
hoe inona no ifandraisany amin’ny tanjontsika Vavolombelon’i Jehovah,
amin’ny ankapobeny. Hazavao avy eo hoe aiza sy rahoviana ary ahoana no
hanaovana ilay asa.
Ahoana raha tsy maintsy miresaka momba “ny saina lalina izay an’Andri-
amanitra” ianao? (1 Kor. 2:10) Ampahafantaro sy hazavao aloha ny hevi-
tra fototra sasany amin’ilay foto-kevitra, dia ho mora azon’ny mpihaino
kokoa ireo tsipiriany. Farano amin’ny alalan’ny famintinana fohy ny fana-
zavanao, fa ho afa-po tokoa ny mpihaino satria tena niana-javatra.
Torohevitra momba ny fomba fiaina kristianina. Handray soa indri-
ndra ny mpihaino, raha ampianao izy hahita fa mahakasika ny fiainany ny
fanazavanao. Manontania tena toy izao rehefa mandinika ireo andinin-
teny asaina hazavainao: ‘Nahoana izy ity no notahirizina ao amin’ny So-
ratra Masina hatramin’izao?’ (Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11) Eritrereto ny toe-
piainana misy ny mpihaino anao. Ampiharo amin’izany toe-javatra izany
ilay torohevitra sy ireo toro lalana ao amin’ireo andinin-teny. Mandritra ny
fanazavanao, dia manjohia hevitra momba ireo andinin-teny, mba hampi-
sehoana fa afaka manampy ny olona ao anatin’izany toe-javatra izany izy
ireo. Aza milaza zavatra ambangovangony. Farito tsara ny karazana toe-tsai-
na sy fanaovan-javatra resahinao.
Iray na roa amin’ireo fanoloran-kevitra ireo aloha no ampiharo amin’ny
fanomanana ataonao izao. Ampiharo koa ny hafa rehefa mihamahay ia-
nao. Amin’ny farany, dia tsy ho andrin’ny mpanatrika ny hihaino anao,
satria fantany fa hiana-javatra tena ilainy izy.

FANAZARAN-TENA:
1) Manaova fikarohana mba hahitana zavatra azo ampianarina momba ny
andinin-teny efa fantatra tsara, toy ny Matio 24:14 sy ny Jaona 17:3. 2) Vakio
ny Ohabolana 8:30, 31 sy ny Jaona 5:20. Saintsaino ny fifandraisana misy eo
amin’i Jehovah sy i Jesosy Kristy voalazan’ireo andininy ireo. Afaka mampia-
sa izany ve ianao mba hanampiana fianakaviana iray?
43 MAMPIASA IZAY ASAINA VELABELARINA

Inona no ilainao hatao?


Mampiorina ny anjaranao na ny lahateninao amin’ilay foto-kevitra asai-
na velabelarinao, ary raha voalaza ilay lahatsoratra hakana hevitra, dia
mifidy ireo andinin-teny sy hevi-dehibe avy ao.

AMPITAHAIN’NY Baiboly amin’ny vatan’olombelona ny fiangonana


kristianina. Samy ilaina ny tapany tsirairay ao aminy, nefa ‘tsy mitovy
asa avokoa izy rehetra.’ Mifanaraka amin’izany, dia tokony hiezaka ha-
natanteraka izay tombontsoa rehetra ankinina amintsika isika. Tokony
`
ho azontsika tsara sy hotanterahintsika tsara ary izay anjara na lahate-
ny rehetra asaina ataontsika, ka tsy hohamaivanintsika ny
foto-kevitra sasany, satria hoe tsy dia mahaliana toy ny
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? hafa. (Rom. 12:4-8) Manana andraikitra hanome sakafo ara-
Rehefa mampiasa izay asai- panahy “amin’ny fotoana” ilana azy ny mpanompo maha-
na velabelarintsika isika, dia toky sy malina. (Matio 24:45) Mampiseho fankasitrahana
mampiseho fa manaja ilay an’io fandaharana io isika rehefa mampiasa ny fahaizantsi-
fandaharan-tsakafo omen’ny ka, mba hamelabelarana anjara na lahateny araka ny toro-
mpanompo mahatoky sy
malina.
marika azontsika. Hampirindra tsara ny fiasan’ny fiangona-
na amin’ny fitambarany izany.
Hevitra inona avy no horaisina? Rehefa asaina mamela-
belatra foto-kevitra iray ao amin’ny sekoly ianao, dia io ihany ampia-
saina fa tsy zavatra hafa. Saika omena foana ny anaran’ilay boky toko-
ny hakana hevitra. Raha tsy omena anao kosa ilay izy, dia mitadiava
fanazavana any amin’ny boky hafa. Rehefa manomana ilay anjara ane-
fa ianao, dia ataovy miorina amin’ilay foto-kevitra asaina velabelarinao
ilay anjara manontolo. Ilaina hoheverina koa ny mpihaino, rehefa mi-
fidy ny hevitra horaisina.
Fakafakao tsara ilay lahatsoratra asaina hakanao hevitra, ary koa ireo
andinin-teny voalaza ao. Diniho avy eo, ny fomba hampiasana azy io
mba hanampiana ny mpihaino amin’ny fomba tsara indrindra. Mifi-
diana hevitra roa na telo avy ao amin’ilay lahatsoratra, mba ho hevi-
dehiben’ny anjaranao. Fidio avy ao amin’ilay lahatsoratra koa ireo
andinin-teny kasainao hovakina sy hohazavaina.
Hevitra firy ao amin’ilay lahatsoratra no tokony hampiasainao? Izay
azonao hazavaina tsara ihany. Aza mitady hilaza zavatra be dia be, ka
hanjary hatao tsirambina ny fampianarana azy. Raha tsy mifandray
234
Mampiasa Izay Asaina Velabelarina 235

amin’ny zava-kendren’ny anjaranao ny tapany sasany ao amin’ilay la-


hatsoratra, dia aza raisina. Izay hevitra mampiana-javatra indrindra sy
manampy indrindra ny mpihaino no raiso. Ny zava-kendrenao amin’
ity fianarana ity dia tsy ny hahita hoe firy ny hevitra azo velabelarina,
fa ny hampiasa izay asaina velabelarinao ho fototry ny anjaranao.
Tsy asaina mamintina fotsiny ilay lahatsoratra akory ia-
nao. Tokony hanazava hevitra sasantsasany ianao, hanome NY FOMBA
tsipiriany fanampiny, hampiasa ohatra na fanoharana, ary HANAOVANA AZY
angamba hanao fampiharana azy. Ireo hevitra fanampiny Aza mampiasa afa-tsy he-
dia tokony hanazava ny hevi-dehibe asaina velabelarinao, vitra mifandray mivantana
fa tsy tokony haka ny toerany. amin’ilay foto-kevitra asaina
Mety hasaina hampianatra amin’ny Fivoriana Momba ny velabelarinao.
Fanompoana ireo rahalahy mahay mampianatra. Takatr’izy Raha voalaza ilay lahatso-
ireo fa mila mampiasa tsara izay asaina velabelariny izy, fa ratra tokony hiorenan’ny
anjaranao, dia fidio avy ao
tsy hanolo azy io amin-javatra hafa. Asaina manaraka dra- fa tsy any an-kafa, ireo
fitra toy izany koa ireo rahalahy manao lahateny ho an’ny hevi-dehibe sy andinin-teny
besinimaro. Azo ovaovana araka ny toe-javatra ny drafitra, fototra hampiasainao.
nefa efa voalaza mazava tsara ao ireo hevi-dehibe hovelabe-
larina, sy ireo hevitra fanampiny tokony hampiasaina, ary
ireo andinin-teny iorenan’ilay lahateny. Ny fianaranao mampiasa izay
asaina velabelarinao dia mampiofana anao hahazo tombontsoa hanao
anjara na lahateny hafa.
Hanampy anao hitarika fampianarana Baiboly mandroso koa io fa-
mpiofanana io. Hianatra hifantoka amin’ilay foto-kevitra ianarana ia-
nao, fa tsy hiala aminy ka hiresaka zavatra hafa, izay mahaliana anga-
mba, nefa tsy ilaina mba hanazavana ilay foto-kevitra. Raha azonao
tsara anefa ny votoatin’ity lesona ity, dia tsy ho hentitra loatra ianao ka
hanjary tsy ho sahy hanome fanazavana fanampiny mety hilain’ilay
mpianatra.

FANAZARAN-TENA:
Amin’ny andro telo samy hafa, rehefa mamaky ny andinin-teny ho an’ny
andro ianao, dia asio marika mazava ilay teny na fehezanteny mampahafa-
ntatra ilay foto-kevitra resahina. Tsipiho ny hevitra iray na roa izay mifandray
mivantana amin’io foto-kevitra io. Avy eo, dia hazavao amin’ny fomba fite-
ninao ilay foto-kevitra, amin’ny fampiasana ilay andinin-teny ho an’ny andro
sy ireo hevitra notsipihinao.
44 FAHAIZA-MAMPIASA FANONTANIANA

Inona no ilainao hatao?


Mampiasa fanontaniana mba hahatratrarana tanjona iray.
Angamba ny hahazo valin-teny am-bava, na ny hahatonga ny
mpihaino hamaly any an-tsainy, no tadiavinao. Miankina amin’
ny zavatra anontanianao sy ny fomba anontanianao azy no ha-
hazoanao izany vokatra izany na tsia.

MAHATONGA ny mpihaino ho voakasik’izay lazainao ny fanontaniana, sa-


tria mitaky valiny am-bava, na ao an-tsaina. Afaka manampy anao hano-
mbo-dresaka sy hifanakalo hevitra mahafinaritra koa ny fanontaniana.
Mety hampiasa fanontaniana ianao rehefa mandaha-teny sy mampianatra,
mba hahatonga ny olona ho liana, na hanjohy hevitra momba
ny foto-kevitra iray, na mba hanamafisana izay lazainao. Ma-
NAHOANA IZANY
mpirisika ny olona hieritreritra, fa tsy hihaino fotsiny izay
NO TENA ILAINA?
lazain’ny hafa ianao, rehefa mahay mampiasa fanontaniana.
Mandaitra ny fanontaniana `
Manana zava-kendrena, ary mametraha fanontaniana mba ha-
raha mahatonga ny mpihai-
no ho voakasik’izay lazaina. hatratrarana azy io.
Ahafantaran’ny mpampiana- Mba hampirisihana ny olona hiresaka. Rehefa eny am-pi-
tra zavatra tena ilaina ny toriana, dia mahaiza manararaotra ireo fahafahana hanasa ny
valin’ireo fanontaniana tsara olona hilaza ny heviny, raha mety izy.
petraka.
Vavolombelona maro no afaka nanombo-dresaka mahalia-
na, tamin’ny fanontaniana fotsiny hoe: “Efa mba nanontany
tena ve ianao hoe...?” Saiky mahafinaritra foana ny fanompoan’izy ireo re-
hefa fanontaniana tena mampanahy ny olona maro no fidiny apetraka.
Mety hanitikitika ny sain’ny olona ny fanontaniana iray, na dia tsy maha-
zatra azy aza ilay hevitra. Foto-kevitra maro samihafa no azo ampidirina
amin’ny alalan’ny teny toy ny hoe “Ahoana ny hevitrao...?”, sy hoe “Ino-
na no tsapanao raha...?” ary hoe “Mino ve ianao fa...?”
Izao fotsiny no nanontanian’i Filipo evanjelisitra tamin’ilay tandapa
etiopianina namaky ny faminanian’i Isaia: “Moa fantatrao [na: azonao] va
izay vakinao?” (Asa. 8:30) Nahafahan’i Filipo nanazava ny fahamarina-
na momba an’i Jesosy Kristy io fanontaniana io. Nisy Vavolombelo-
na nampiasa fanontaniana toy izany koa ankehitriny, ka nahita olona tena
naniry hahazo fanazavana momba ny Baiboly.
Olona maro no vonon-kihaino kokoa rehefa omena fahafahana hilaza
ny heviny. Mihainoa tsara, rehefa avy nametraka fanontaniana. Aza mana-
kiana ilay olona noho ny valin-teniny, fa isaory amin-katsaram-panahy
236
Fahaiza-mampiasa Fanontaniana 237

kosa izy. Derao amim-pahatsorana izy, rehefa mety izany. Indray mandeha,
`
rehefa “namaly tamim-pahendrena” ny mpanora-dalana iray, dia node-
rain’i Jesosy hoe: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra hianao.” (Marka
12:34) Isaory noho ny teny nataony ilay olona, na dia tsy mitovy hevitra
aminy aza ianao. Avy amin’ny teniny no mety hahafantaranao ny fomba
fisainany, izay ilainao hasiana fiheverana rehefa manazava
aminy ny fahamarinana.
` NY FOMBA
Mba hampidirana hevi-dehibe. Mampiasa fanontaniana
HANAOVANA AZY
mba hampidirana hevi-dehibe, rehefa miteny amin’olona
maromaro, na amin’olon-tokana. Fanontaniana tena maha- Mba hampirisihana ny olo-
na hiresaka, dia mametraha
liana ny mpihaino no ampiasao. Mety ho tianao koa ny fanontaniana momba ny za-
hampiasa fanontaniana manitikitika ny saina, satria tsy fanta- vatra tena mahaliana azy.
tra avy hatrany ny valiny. Raha miato kely ianao, rehefa avy na- Alohan’ny hilazana hevi-
metraka fanontaniana iray, dia vao mainka ho liana ny mpihai- `
dehibe iray, dia mampiasa fa-
no handre ny valiny. nontaniana izay mahatonga
Nametraka fanontaniana maromaro i Mika mpaminany, ny olona haniry handre ilay
izy.
indray mandeha. Nanontany momba izay antenain’i Jehovah
`
amin’ny mpanompony izy aloha, ary mbola nametraka fano- Mampiasa fanontaniana
ntaniana efatra efa samy nisy ny valiny avy. Ireo fanontaniana mba hahitan’ny olona ny
anton’ireo teny lazainao, sy
rehetra ireo dia manomana ny mpamaky ho amin’ilay valin- ny maha marim-pototra ny
teny namaranan’ilay mpaminany ny teniny. (Mika 6:6-8) Afa- fahamarinana hazavainao,
ka manao toy izany ve ianao, rehefa mampianatra? Andramo ary ny vokatra tsara hoentin’
ange e. izany eo amin’ny fiainany.
`
Mba hanjohiana hevitra. Azo ampiasaina mba hanampia- Mampiasa fanontaniana
na ny hafa haharaka fanjohian-kevitra koa ny fanontaniana. mba hanasana ny mpianatra,
tsy hamaky fotsiny ny valin-
Nanao izany i Jehovah, fony nanonona fanambarana lehibe
teniny, fa hilaza ny heviny
iray tamin’ny Isiraely, araka ny Malakia 1:2-10. Hoy izy aloha: momba izay ianarany koa.
“Efa tia anareo aho.” Tsy nankasitraka izany fitiavana izany
anefa izy ireo, ka hoy i Jehovah: “Tsy rahalahin’i Jakoba va
Esao?” Nolazain’i Jehovah avy eo, fa porofon’ny tsy nitiavan’Andriamani-
tra an’io firenena ratsy fanahy io, ny naha lao an’i Edoma. Nasiany fanoha-
rana noelanelanina fanontaniana nanaraka izany, mba hanamafisana fa tsy
nahay namaly fitia azy ny Isiraely. Ny sasany tamin’ireo fanontaniana ireo
dia toy ny hoe napetrak’ireo mpisorona nivadika. Ny hafa dia fanontania-
na napetrak’i Jehovah tamin’ireo mpisorona. Mampihetsi-po ilay fifampi-
resahana, no sady mihazona ny saina; tsy azo lavina ilay fanjohian-kevitra
mirindra; tsy hay hadinoina ilay hafatra.
Mahay mampiasa fanontaniana toy izany koa ny mpandahateny sasa-
ny. Mety tsy hiandry valin-teny am-bava izy ireo, fa manjary manome
valin-teny ao an-tsainy kosa ny mpihaino, toy ny hoe mifampiresaka
aminy.
238 Fahaiza-mampiasa Fanontaniana

Mampandray anjara ny mpianatra isika rehefa mitarika fampianarana


Baiboly. Mazava ho azy fa tsara kokoa raha tsy mamerina fotsiny ilay valin-
`
teny ao anaty boky ilay mpianatra. Mampiasa fanontaniana fanampiny
amin-katsaram-panahy, mba hiarahana manjohy hevitra aminy. Ampirisi-
ho izy hampiasa ny Baiboly rehefa manome valin-teny momba ireo hevi-
dehibe. Manontania koa hoe: “Inona no ifandraisan’izao resatsika izao
amin’ilay hevitra vao nianarantsika teo? Nahoana izany no zava-dehibe?
Inona no tokony ho vokany eo amin’ny fiainantsika?” Mandaitra kokoa iza-
ny fomba izany, tsy toy ny rehefa ianao no milaza ny zavatra inoanao, na
manome fanazavana lava be. Manampy ilay mpianatra ‘hampiasa ny sainy’
eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra, ianao amin’izany.—Heb. 5:14.
`
Manana faharetana raha misy hevitra tsy takatry ny mpianatra. Angamba
izy manandrana mampitaha izay lazainao amin’izay efa ninoany hatramin’
ny taona maro. Mety ho tsara raha ovanao ny fomba itondranao ilay fana-
zavana. Indraindray anefa dia fanjohian-kevitra tsotra dia tsotra no ilaina.
` ` `
Mampiasa andinin-teny be dia be. Mampiasa fanoharana. Mampiasa koa
fanontaniana tsotra izay hampirisika ilay olona hanjohy hevitra momba
ilay porofo omena azy.
Mba hahafantarana ny fihetseham-pon’ny olona. Tsy milaza foana ny
fihetseham-pony ny olona rehefa mamaly fanontaniana. Mety hamaly ara-
`
ka izay heveriny fa tianao fotsiny izy. Mila mahay manavaka ary ianao.
(Ohab. 20:5) Azonao atao ny manontany, toa an’i Jesosy, hoe: “Mino iza-
ny va hianao?”—Jaona 11:26.
Rehefa tafintohina noho izay nolazain’i Jesosy ny maro tamin’ny mpia-
nany, ka nandao azy, dia nanasa ny apostoliny hilaza ny fihetseham-pony
i Jesosy. Hoy izy: “Hianareo koa va mba te-hiala?” Nolazain’i Petera tamin’
ˆ
izao teny izao ny fihetseham-pon’izy ireo: “Tompo o, hankany amin’iza
moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary iza-
hay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona
6:67-69) Nanontany ny mpianany toy izao koa i Jesosy, indray mandeha:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” Narahiny fanontaniana na-
nasa azy ireo hilaza ny tao am-pony izany, avy eo. “Fa hianareo kosa manao
Ahy ho iza?” Namaly i Petera hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamani-
tra velona.”—Matio 16:13-16.
Ampiasao koa izany fomba izany, rehefa manazava foto-kevitra sarotra any
amin’ny fampianarana Baiboly. Manontania toy izao: “Ahoana no fiheveran’
ny mpiara-mianatra (na mpiara-miasa) aminao an’io raharaha io?” Izao ano-
ntaniana avy eo: “Ahoana kosa no fiheveranao azy io?” Rehefa fantatrao izay
tena tsapan’ny mpianatra iray, dia afaka manampy azy kokoa ianao.
Mba hanamafisan-kevitra. Azo ampiasaina mba hanamafisan-kevitra
koa ny fanontaniana. Nanao izany ny apostoly Paoly, araka ny Romana
Fahaiza-mampiasa Fanontaniana 239

8:31, 32: “Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha


Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy nia-
ro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny
antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?” Mariho
fa ny fanontaniana tsirairay dia manazava kokoa ny tapany voalohany
amin’ilay fehezanteny misy azy avy.
Rehefa avy nosoratan’i Isaia mpaminany ny didim-pitsaran’i Jehovah
mahakasika ny mpanjakan’i Babylona, dia nasehony fa natoky tanteraka
izy, tamin’ny filazana hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, no efa nikasa, ka
`
iza indray no hahafoana izany? Ary ny tanany dia voahinjitra, ka iza no ha-
mpihemotra izany?” (Isaia 14:27) Ny zavatra lazain’ireo fanontaniana ireo
fotsiny dia efa milaza hevitra tsy azo lavina, koa tsy misy valiny andrasana.
Mba hanalana sarona ny fomba fisaina diso. Fitaovana mahery koa
ny fanontaniana voahevitra tsara, mba hanalana sarona ny fomba fisaina
diso. Talohan’ny hanasitranan’i Jesosy lehilahy iray, dia nanontaniany toy
`
izao ny Fariseo sy ny mpahay Lalana sasany: “Mety va ny mahasitrana
amin’ny Sabata sa tsia?” Nametraka fanontaniana iray hafa izy rehefa vita
ilay fanasitranana: “Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsa-
ka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’izay
na dia amin’ny andro Sabata aza?” (Lioka 14:1-6) Tsy nisy valiny nandra-
sana teo, no sady tsy nisy namaly rahateo. Nanala sarona ny fomba fisai-
nany diso ireo fanontaniana ireo.
Mety hanana fomba fisaina diso koa ny Kristianina marina indraindray.
Tany Korinto, tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy nampakatra ny raha-
lahiny tany amin’ny fitsarana, mba handaminana zava-nanahirana izay
tokony ho hain’izy ireo nalamina teo amin’izy samy izy. Ahoana no
nandaminan’ny apostoly Paoly ilay raharaha? Nametraka fanontaniana ni-
vantana tsara sy nifampitohitohy izy, mba hanitsiana ny fomba fisainan’
izy ireo.—1 Kor. 6:1-8.
Arakaraka ny hametrahanao fanontaniana no hahaizanao mampiasa azy.
Mahaiza manaja foana anefa, indrindra raha miresaka amin’ny be taona sy
`
ny olona tsy fantatrao ary ny manam-pahefana. Mampiasa fanontaniana,
mba hahafinaritra ny fomba ilazanao ny fahamarinana ara-baiboly.

FANAZARAN-TENA:
`
1) Eritrereto ny faritra itorianao, ary manomana fanontaniana maromaro
azonao ampiasaina mba hanombohan-dresaka mahaliana amin’ny olona.
2) Vakio ny Romana toko faha-3, ka mariho ny fampiasan’i Paoly fanontania-
na, mba hanjohiana hevitra momba ny fiheveran’Andriamanitra ny Jiosy sy
ny Jentilisa.
FANOHARANA SY OHATRA
45 HOENTI-MAMPIANATRA

Inona no ilainao hatao?


Mampiasa teny an’ohatra, tantara, na zavatra tena nitranga,
izay hanampy anao eo amin’ny fampianaranao.

FITAOVANA fampianarana mahery ny fanoharana sy ny ohatra. Tena ma-


hasarika sy mihazona ny sain’ny olona izy ireny matetika. Mandrisika ny
olona hieritreritra izy ireny. Mampihetsi-po koa izy ireny, ka mety hano-
hina ny feon’ny fieritreretana sy ny fo. Azo anoherana ny fitsarana an-
tendrony indraindray ny fanoharana. Tena itadidiana zavatra koa izy ire-
ny. Mampiasa azy ireny ve ianao, rehefa mampianatra?
`
Fanoharana voalazan’ny teny vitsivitsy monja mazana, ny
NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA? teny an’ohatra, kanefa mampahita sary mazava tsara ao an-
Raha mety ny fampiasanao ireo tsaina. Mazava ho azy ny heviny rehefa voafidy tsara izy ire-
fitaovana fampianarana ireo, dia ny. Azon’ny mpampianatra ampiana fanazavana fohy anefa
hahafinaritra kokoa ny anjaranao,
ho hita eo amin’ny fiainan’ny olo- izy ireny, raha tiany hohamafisina. Feno ohatra azonao alain-
na ny vokany, ary tsy ho hay ha- tahaka ao amin’ny Baiboly.
dinoina ilay fampianarana. Raha
tsy mety kosa ilay izy, dia hampi- Fampitahana sy fampitoviana aloha no ianaro. Ny fa-
vily ny saina tsy hifantoka amin’ mpitahana no tsotra indrindra. Io no ampiasao voalohany,
ilay fampianarana sarobidy.
raha vao mianatra hampiasa fanoharana ianao. Miantombo-
`
ka amin’ny hoe “toy ny” na “tahaka ny” izy ireny mazana.
Zavatra roa tena samy hafa no ampitahaina, saingy ny zavatra iombona-
ny no asongadina. Fampitahana maro be ao amin’ny Baiboly no maha-
kasika zavaboary: ny zavamaniry sy ny biby ary ny zavatra eny amin’ny
lanitra. Ao koa ireo mahakasika ny fiainan’olombelona. Ilazana isika ao
amin’ny Salamo 1:3 fa ny olona mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriama-
nitra dia “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona”, izany
hoe hazo mamoa sy tsy malazo. Ny ratsy fanahy dia lazaina ho “tahaka
ny liona” mamitsaka hisambotra ny rembiny. (Sal. 10:9) Nampanantena
an’i Abrahama i Jehovah fa ho betsaka “tahaka ny kintana eny amin’ny
lanitra” sy “tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina” ny tarana-
ny. (Gen. 22:17) Hoy i Jehovah momba ny fifandraisana akaiky teo ami-
ny sy ny firenen’ny Isiraely: “Toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ny va-
lahan’ny olona” no nampiraiketany ny Isiraely sy ny Joda taminy.—Jer.
13:11.
Ny fampitoviana koa dia manasongadina izay iombonan’ny zavatra
roa samy hafa tanteraka. Mahery kokoa anefa ny fampitoviana. Ampito-
240
Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra 241

viny toy ny hoe iray ihany ny zavatra roa samy hafa, ka manjary maka ny
toetran’ny andaniny ny ankilany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hia-
nareo no fahazavan’izao tontolo izao.” (Matio 5:14) Mba hilazana ny
voka-dratsin’ny fitenenana tsy voafehy, dia hoy i Jakoba mpianatra: “Afo
ny lela.” (Jak. 3:6) Hoy i Davida, nihira ho an’i Jehovah: “Harambatoko
`
sy batery fiarovana ho ahy Hianao.” (Sal. 31:3) Mazana no tsy ilaina ho-
hazavaina firy, na tsy ilaina hohazavaina mihitsy, ny fampi-
toviana voafidy tsara. Arakaraka ny hafohiny no andairany.
NY FOMBA HAHITANA
Hanampy ny mpihaino hitadidy hevitra ny fampitoviana, tsy
FANOHARANA SY OHATRA
toy ny filazana tsotra. TSARA
Fampiasa amin’ny resaka andavanandro koa ny finiavana Mamakia Baiboly tsy tapa-
hampitombo filazana zavatra mba hanairana ny sain’ny hafa. ka; mariho ireo fanoharana
Tsy maintsy tandremana anefa ny fampiasana izany sao misy ao; saintsaino ny antony ila-
mandika vilana. Nampiasa an’io i Jesosy mba hilazana sary na ireo ohatra ao.
iray tsy hay hadinoina: “Nahoana hianao no mijery ny so- Diniho ny manodidina anao,
mbin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo ka ampifandraiso ao an-tsai-
amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?” (Matio 7:3) Iana- nao ny fihetsiky ny olona sy
ny foto-kevitra horesahinao.
ro tsara aloha ny fampiasana fampitahana sy fampitoviana,
izay ianao vao mampiasa io fomba io, na teny an’ohatra hafa. Raiso an-tsoratra ireo fano-
` harana sy ohatra mandaitra.
Mampiasa ohatra. Raha tsy te hampiasa teny an’ohatra ia- Mety ho avy amin’ny zavatra
nao rehefa mampianatra, dia afaka mampiasa ohatra, izany novakinao izany, avy tamin’
hoe fitantarana zavatra tena nisy na noforonina. Tsy voafehy ny lahateny renao, na zava-
tsara indraindray ny fampiasana azy io, ka ilaina hotandrema- tra hitanao. Tahirizo mba
na. Rehefa hanohana hevitra tena lehibe ihany ianao vao to- hampiasainao any aoriana
izy ireny.
kony hampiasa ohatra toy izany. Tokony hanampy ny mpihai-
no hahatadidy ilay fianarana, fa tsy ilay tantara, ny fomba
ilazanao ohatra.
Tsy voatery ho zavatra tena nitranga foana akory ny ohatra, kanefa to-
kony hilaza fihetsika na toe-javatra tena fahita eo amin’ny fiainana kosa.
Ohatra, rehefa nampianatra ny fomba tokony hiheverana ny mpanota ni-
bebaka i Jesosy, dia nampiasa ohatra ny amin’ny fifalian’ny lehilahy iray
nahita indray ny ondriny very. (Lioka 15:1-7) Mba hamaliana lehilahy
`
iray tsy nahazo ny hevitr’ilay baiko ho tia namana, voalazan’ny Lalana,
dia nolazain’i Jesosy ny tantaran’ilay Samaritanina nanampy lehilahy
naratra, nefa samy tsy nety nanao izany na ny mpisorona na ny Levi-
ta. (Lioka 10:30-37) Hahay hampiasa tsara io fitaovana fampianarana
io ianao, raha mianatra mandinika tsara ny toe-tsain’ny olona sy ny
ataony.
Zavatra tsy tena nisy kosa no notantarain’i Natana mpaminany, mba
hananarana an’i Davida Mpanjaka. Nandaitra ilay tantara, satria nisakana
242 Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra

an’i Davida tsy hanamarin-tena. Izy io dia momba ny lehilahy nananka-


rena nanana ondry be dia be, sy ny lehilahy nahantra tsy nanana afa-tsy
zanak’ondrivavy iray nokolokoloiny fatratra. Mpiandry ondry i Davida
taloha, ka azony tsara ny fihetseham-pon’ny tompon’io zanak’ondry io.
Rariny raha tezitra izy rehefa reny fa nalain’ilay mpanan-karena ny zanak’
ondry kelin’ilay lehilahy nahantra. Tsy niolakolaka i Natana nilaza ta-
min’i Davida hoe: ‘Hianao izany olona izany!’ Voatohina ny fon’i Davi-
da, ka nibebaka tamim-pahatsorana izy. (2 Sam. 12:1-14) Arakaraka ny
anaovanao no hahaizanao miresaka amin’ny fomba mahafinaritra mo-
mba ireo raharaha sarotra ara-pihetseham-po.
Afaka maka ohatra maro be avy amin’ireo fisehoan-javatra tantarain’ny
Baiboly isika rehefa mampianatra. Nanao izany tamin’ny teny fohy i Je-
sosy rehefa nilaza hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:32) Niresaka
momba “ny andron’i Noa” i Jesosy, fony nanome ny famantarana ny fa-
natrehany. (Matio 24:37-39) Nanonona anaran-dehilahy sy vehivavy 16
ho oha-pinoana ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Ara-
karaka ny ahafantaranao tsara ny Baiboly no ahaizanao maka ohatra tsa-
ra avy amin’ireo zava-nitranga sy olona voalaza ao.—Rom. 15:4; 1 Kor.
10:11.
Mety hahasoa indraindray ny manamafy fampianarana iray amin’ny fi-
tantarana zavatra tena nitranga amin’izao andro izao. Aza mampiasa afa-
tsy zava-nitranga tena azo antoka anefa, ary halaviro koa ireo fitantarana
mahasanganehana olona tsy amin’antony, na ireo mety hiteraka adihevi-
tra tsy mifandray amin’ny foto-kevitrao. Tadidio koa fa tokony hisy zava-
kendrena ny fitantaranao ilay zava-nitranga. Aza mitantara tsipiriany tsy
ilaina, izay mety hampivily ny saina tsy hifantoka amin’ny famelabelara-
nao.
Ho azon’ny olona ve ilay izy? Na inona na inona fanoharana na oha-
tra ampiasainao, dia tokony hahatratra zava-kendrena voafaritra tsara. Ho
tratra ve izany, raha tsy mampihatra azy amin’ilay foto-kevitra ianao?
Rehefa avy nilaza i Jesosy fa “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpiana-
ny, dia nanampy teny koa izy momba ny fampiasana jiro, sy ny andraiki-
tra entin’izany ho azy ireo. (Matio 5:15, 16) Ny fanoharan’i Jesosy mo-
mba ilay ondry very dia narahiny teny momba ny fifaliana tsapa any
an-danitra, rehefa mibebaka ny mpanota iray. (Lioka 15:7) Rehefa avy ni-
tantara momba ilay Samaritanina tsara fanahy i Jesosy, dia nametraka fa-
nontaniana nivantana tsara tamin’ilay nihaino azy, ary nanome azy to-
rohevitra nazava tsara. (Lioka 10:36, 37) Ilay fanoharana momba ny
karazan-tany samihafa sy ilay momba ny tsimparifary teny an-tanimba-
ry kosa anefa tsy nohazavainy tamin’ny vahoaka, fa tamin’ireo nanetry
Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra 243

tena ka nanontany ihany. (Matio 13:1-30, 36-43) Nilaza fanoharana iray


momba ny mpamboly voaloboka izay mpamono olona i Jesosy, telo
andro talohan’ny hahafatesany. Tsy nanao fampiharana azy io izy satria
tsy nilaina izany. ‘Fantatry ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo fa ny te-
nany no nolazainy tamin’izany.’ (Matio 21:33-45) Koa miankina amin’
`
ilay fanoharana sy ny fihetsiky ny mpihaino ary ny zava-kendrenao ary
ny hanaovanao fampiharana na tsia, sy ny halavan’izany fampiharana
izany raha misy.
Mila fotoana ny fianarana mampiasa tsara fanoharana sy ohatra, nefa
mendrika hatao izany. Ny saina sy ny fo no voatohin’ny fanoharana voa-
fidy tsara. Ho vokatr’izany, dia hanan-kery kokoa ilay hafatra, dia hery
izay matetika tsy ananan’ny filazana tsotra fotsiny.

FANAZARAN-TENA:
Fakafakao ireo fanoharana ato amin’ireto andinin-teny manaraka ireto: Isaia
44:9-20; Matio 13:44; Matio 18:21-35. Inona no ampianarin’ny tsirairay ami-
ny? Nahoana ilay izy no mandaitra?

Teny an’ohatra tiako hampiasaina, Zavatra tena nitranga, izay tiako


rehefa mampianatra hotadidina sy hampiasaina
ho ohatra


FANOHARANA AVY AMIN-JAVATRA
46 MAHAZATRA

Inona no ilainao hatao?


Mampiasa fanoharana mahakasika ny asa aman-draharaha fa-
naon’ny mpihaino na zavatra fantany tsara.

MAZAVA ho azy fa tokony hifanentana foana amin’ilay zavatra resahi-


nao ireo fanoharana ampiasainao. Tokony hifanentana amin’ny mpihai-
no anao koa anefa izy ireny, raha tena tianao handaitra.
Inona no fanoharana azonao fidina, rehefa handaha-teny amin’olona
maromaro ianao? Inona no nataon’i Jesosy Kristy? Na niresaka tamin’
ny vahoaka i Jesosy, na tamin’ny mpianany, dia tsy naka ohatra avy ta-
min’ny fomba fiainan’ny olona tany ivelan’i Isiraely. Tsy ho
fantatry ny mpihaino azy ny ohatra toy izany. Tsy niresaka
NAHOANA IZANY momba ny fiainan’ny mpanjakan’i Ejipta izy, ohatra, na mo-
NO TENA ILAINA?
mba ny fanaon’ny mpivavaka tany India. Na izany aza, dia
Hanohina ny fon’ny mpi- avy amin’ny fanao mahazatra ny olona maneran-tany no na-
haino ny fanoharana avy
amin-javatra mahazatra azy.
kany ny fanoharany. Niresaka momba ny fanjairana lamba
izy, ny raharaham-barotra, ny fahaverezan’ny zavatra sarobi-
dy, ary ny fanatrehana fampakaram-bady. Hainy tsara ny fi-
hetsiky ny olona ao anatin’ny toe-javatra samihafa, ary nampiasainy iza-
ny fahalalana izany. (Marka 2:21; Lioka 14:7-11; 15:8, 9; 19:15-23) Koa
satria ny vahoakan’ny Isiraely no tena nitorian’i Jesosy, dia matetika ny
fanoharany no nahakasika zavatra sy asa aman-draharaha teo amin’ny
fiainan’izy ireo andavanandro. Ohatra, niresaka momba ny fambolena
izy, sy ny fihainoan’ny ondry ny antson’ny mpiandry azy, ary ny fampia-
sana hodi-biby mba hitahirizana divay. (Marka 2:22; 4:2-9; Jaona 10:1-5)
Nilaza ohatra fantatra tsara teo amin’ny tantara koa izy: ny famoronana
ny mpivady voalohany, ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, ny fa-
ndringanana an’i Sodoma sy Gomora, ny fahafatesan’ny vadin’i Lota.
(Matio 10:15; 19:4-6; 24:37-39; Lioka 17:32) Manao toy izany koa ve ia-
nao, ka mihevitra ny zavatra fanaon’ny ankamaroan’ny mpihaino anao
sy ny kolontsaina niaviany, rehefa mifidy fanoharana?
Ahoana raha olona iray ihany, na angamba olona vitsivitsy monja, no
itenenanao? Mifidiana fanoharana iray tena mety amin’izany olona iza-
ny. Fony nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray teo am-pantsaka-
na tany Sykara i Jesosy, dia niresaka momba ny “rano velona” sy ny hoe
“tsy hangetaheta mandrakizay” ary ny “loharano miboiboika ... ho fiai-
244
Fanoharana avy Amin-javatra Mahazatra 245

nana mandrakizay.” Samy nifandray nivantana tamin’ny asan’ilay vehi-


vavy avokoa ireo fitenenana an’ohatra ireo. (Jaona 4:7-15) Ary rehefa ni-
resaka tamin’ny lehilahy sasantsasany avy nanasa ny haratony izy, dia
nampiasa fanoharana momba ny fanaratoana. (Lioka 5:2-11) Tamin’ireo
toe-javatra roa ireo, dia mety ho azony natao ny naka ohatra momba ny
fambolena, satria nonina teo anivon’ny mpamboly ireo olona ireo. Na-
ndaitra kokoa anefa ny firesahany momba ny asa nataon’izy
ireo! Miezaka manao izany koa ve ianao?
NY FOMBA
Nitory tamin’ireo “ondry verin’ny taranak’Isiraely” i Jeso- HIANARANA AZY
sy, fa ny apostoly Paoly kosa nirahina, tsy ho eo amin’ny Isi- Tsy izay tianao holazaina
raely ihany, fa ho any amin’ireo firenena jentilisa koa. (Ma- ihany no eritrereto, fa ireo
tio 15:24; Asa. 9:15) Nampiova ny fomba niresahan’i Paoly mpihaino anao koa.
ve izany? Eny. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Diniho tsara ireo zava-
Korinto izy, dia niresaka momba ny fifaninanana hazakaza- madinika miseho manodidi-
ka sy ny fihinanana tao amin’ny tempolin’ny sampy ary ny na anao.
filaharana fanaon’ireo avy nandresy. Zavatra fantatr’ireo tsy Isan-kerinandro, dia mie-
Jiosy ireo avokoa izany rehetra izany.—1 Kor. 8:1-10; 9:24, 25; zaha hampiasa fanoharana
2 Kor. 2:14-16. tsara iray mbola tsy nampia-
sainao.
Mitandrina sahala amin’i Jesosy sy i Paoly ve ianao rehefa
mifidy ny fanoharana sy ohatra hoentinao mampianatra?
Mihevitra ny toe-piainana niavian’ny mpihaino sy ny zavatra fanaony
andavanandro ve ianao? Mazava ho azy fa nisy fiovana be teto ambo-
nin’ny tany hatramin’ny taonjato voalohany. Olona maro no afaka ma-
hafantatra ny vaovao maneran-tany amin’ny alalan’ny televiziona. Ma-
tetika no fantany tsara izay mitranga any an-tany hafa. Raha toy izany
ny eo amin’ny misy anao, dia tsy misy maha ratsy ny mampiasa izany
vaovao izany ho fanoharana. Na izany aza, ny zavatra tena manohina ny
fon’ny olona dia izay mahakasika ny fiainany manokana: ny tokantra-
nony, ny fianakaviany, ny asany, ny sakafo haniny, ny toetrandro eo
amin’ny misy azy.
Raha ilaina hohazavaina be ny fanoharanao, dia mety ho zavatra tsy
fantatry ny mpihaino no resahinao. Hanakona ilay hevitra tianao ha-
mpianarina ny fanoharana toy izany. Ilay fanoharanao no mety ho tadi-
din’ny mpihaino, fa tsy ilay fampianarana ara-baiboly niezahanao na-
mpitaina taminy.
Tsy nampiasa ohatra sarotra be i Jesosy, fa zavatra tsotra teo amin’ny
fiainana andavanandro. Nampiasa zavatra kely izy mba hanazavana za-
vatra lehibe, ary zavatra tsotra mba hanazavana zavatra sarotra. Nampi-
fandray ny zava-niseho isan’andro tamin’ny fampianarana marina i
246 Fanoharana avy Amin-javatra Mahazatra

Jesosy, ka nanampy ny olona hahazo mora foana sy hitadidy izany fa-


mpianarana izany. Izany ka ohatra tsara tokony harahina!

FANAZARAN-TENA:
Fakafakao ilay fanoharana ao amin’ny Matio 12:10-12. Nahoana izy io na-
ndaitra?

Fanoharana azoko ampiasaina Fanoharana azoko ampiasaina


amin’ny zatovo iray momba ny amin’ny olon-dehibe momba ny
fitsipika ara-pitondran-tena fampianarana fototra iray ao
amin’ny Baiboly


FAHAIZA-MAMPIASA ZAVATRA HITA MASO 47

Inona no ilainao hatao?


Mampiasa sary, sarintany, tabilao, na zavatra hafa mba ha-
mpahazava kokoa ao an-tsaina ny hevi-dehibe sasany.

NAHOANA ianao no hampiasa zavatra hita maso, rehefa mampianatra?


Satria mahatonga ny fampianaranao handaitra kokoa izany. Nampiasa za-
vatra hita maso i Jehovah sy i Jesosy, ary afaka manahaka azy ireo isika.
Samy handray fanazavana ny maso sy ny sofina, rehefa ampiarahina
amin’ny zavatra hita maso ny teny lazaina. Mety hihazona ny fahalianan’
ny mpihaino izany, no sady hanamafy ilay hevitra azony.
Ahoana no ahafahanao mampiasa zavatra hita maso, rehefa
miresaka momba ny vaovao tsara? Ahoana no ahazoanao NAHOANA IZANY
NO TENA ILAINA?
antoka fa mety ny fampiasanao azy ireny?
Mazava kokoa na mora tadidy
Nampiasa zavatra hita maso ireo Mpampianatra lehibe kokoa ny fanazavana amin’ny
indrindra. Nampiasa zavatra hita maso tsy hay hadinoina i alalan’ny zavatra hita maso,
tsy toy ny amin’ny alalan’ny
Jehovah, mba hampianarana lesona lehibe. Nasainy nivoaka teny lazaina.
teny ivelany i Abrahama indray alina izay, ka nilazany hoe:
`
“Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahısa azy
hianao. ... Ho tahaka izany ny taranakao.” (Gen. 15:5) Na dia toa tsy azo
ninoana aza izany teny izany, araka ny fihevitr’olombelona, dia nanohi-
na mafy an’i