Académique Documents
Professionnel Documents
Culture Documents
N° 01/02_MTM/SG/DGM/DEM.22
Araka ny efa natsidika tamin’ny filazana manokana ny faha 24 Janoary lasa teo dia lasa
rivodoza ka nomena ny anarana hoe BATSIRAI ilay andro ratsy niforona tany amin’ny ilany
Atsinanan’ny fari-dranomasina Indiana. Tamin’ny 03 ora teo dia tany amin’ny 3 373 Km
Atsinanan’ny Toamasina no nisy ny ivony. Nitombo hery haingana ihany koa izy ka lasa rivodoza
mahery vaika izao tolak’andro izao.
165 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 230 Km/ora. Ato anatin’ny
andro maromaro dia hikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana hatrany izy ka hanantona
ireo Nosy rahavavy.
Raha ny vina lavitra ezaka (ny herinandro manaraka), dia ahiana hanambana ny
morontsiraka Atsinanan’ny Nosy indray ity rivodoza ity. Mbola ho maina hatrany kosa aloha
ny toetry ny andro eto Madagasikara mandritra ity herinandro ity.
A longue échéance (vers la semaine prochaine), elle pourrait présenter une nouvelle
menace pour les côtes Est du pays. Pour le reste de cette semaine, le temps va rester globalement
sec pour Madagascar.