Vous êtes sur la page 1sur 6

Izao ve no niafaranao ry taniko ?

Indrisy ry gasikara mamiko

Natakaloko andra vola avokoa

Ilay fo tia fiavanana taloha.

Tao zary korotana no hita aminao

Fahoriana sy fifaliana tokoa re izao

Ireo tsy manan-kohanina mitombo hatrany

Ny pitondra fanjakana;sasatra mameno ny paosiny ihany

Ireo tanora lazaina fa hoavin’ity firenena

Misotro sy midoroka manimba ny tena

Toa variana amin’ity rendrarendran’ny tany

Tsy mihevitra ilay fiainana any amparany any

Ilay tontolo maintso mavàna fahiny

Sy ireo akantonao nambabo vahiny

Toa lasa tany maina ; karakaina

Ireo zava-boary simba, namoiny aina.

Onena ity foko,madinika ry taniko

Ireo vahiny indray no mpitondra sy mpibaiko

Nametraka didy sy lalàna mafy

Ny olonao maro tsy manakohanina ; tsy misy fitafy.

Rahoviana vao tsapa ireo rà nilatsaka

Niaro anao mba tsy ho voazanaka

Rahoviana vao hiverina ilay firaisan-kina

Ry mpihatsaravelatsy ; nanany ny zom-pirenena.

Lova N.S.A
26 SEPTEMBRE 2023

Rahoviana re ?
Tiavo ny an’ny tena fa ny an’olo tsy homeny.
Ry malala volamena !
Ry malala volamena

Hoy ny foko manantena

Manantena mba valio

Tsy ampitso fa anio

Fanontaniana iray monja

No apetrako aminao

Tena kely fa mafonja

Moa tia ahy va ianao ?

Tsy izaho no mandidy

Fa ianao no misafidy

Koa raha toaka sitrakao

Dia ny eny no lazao.

Tsy antery nefa izany

Na didy sanatria ;

Fa izay tianao iany na eny na tsia.

Isika anefa ry malala

Dia samy mahalala

Fa ny ho valiteny tsia

Dia fahavalon’ny fitia

Lova n . s . a
2019
Ny fitiavako !

Indrisy mantsy ry tiko

Fa nilaozanao ity foko

Lasa ianao tsy niteny

Izaho aty manirery.

Malahelo izany foko

Mitomany ; mitoloko

Miandrandra fity aminao

Mba omeo raha sitrakao.

Faniriana ihany ny ahy

Ka torotoro ny fanahy

Tsy manantena anefa aho

Fa izay sitrakao atao

Na ory aho sy mijaly

Tsy maninona akory izany

Ny fahasambaranao noilaiko

Fa izay no mampilamina ny saiko

Lova n . s . a
2020
Ianao

Ianao no mamiko indrindra

Ry malala tsara rindra

Ny fitiavanao no kaloiko

Ry ilay tiako ty foiko.

Ny fitiavanao irery ihany

No mbola ato am-poko ato

Ary tiako ho anao atrany

Na ankafaliana na koa sento.

Ianao irery no tiako

Ka na hijaliako sy hifaliako

Dia ianao irery ihany

No mamiko indrindra eto an-tany.

Ianao no voaloham-pitiavako

Ka atolotro ho anao ny foko

Ianao no nanolotra ilay tantara

Ka tsy ho adinoiko ry malala.

Lova n . s . a
2020

Raha fitia!
Raha fitia ankarary

Aleko ihany tokan_tena

Lazaiko fa fitia tsy lany mamy

Nefa toa mandreran-tena.

Raha fitia hampijaly

Tsy aleo irery ihany

Ny fitiavanao masirasira

Miangatra loatra toa fitia mitanila

Raha fitia no hiafiana

Aleoko aloha misitaka

Tsy ho mandrakizay ilay fitiavana

Fa ny anao toa toky fitaka

Raha fitia tsy ho ahy arery

Aleoko miala ; izao tsy very

Ny an-tsika roa toa tsy anjara

Ka veloma ry malala.

Lova n . s . a
2021
Tiako ianao
Atolotro ho anao ry tiako

Ity hafatra ity ;

Satria ianao no fifaliako

Ka hamborahako ilay fitia.

Tiako ianao ! tena tiako

Matoa aho manambara

Ka na hiafiako sy hijaliako

Tiako inao ka izaho tsy hiala

Na iza haneso sy hanaratsy

Tsy misy hirarahiko an’izany

Ialy fitia no efa vatsy

Handrava ny tomany

Vonona aho ary tena tia

Ny ho anao mandrakizay

Ny hivadika dia sanatria

Ny hanary anao koa izao tsy ho ahy.

Lova n . s . a
2021

Vous aimerez peut-être aussi