Vous êtes sur la page 1sur 15

1

Fampianarana mahakasika ny VAVAKA sy Finoana

Raha izany resaka Vavaka sy Finoana izany no jerena ao anatin’izao fianam-


panompoan-tsika izao ry havamalala dia io no tena azo lazaina hoe HERY LEHIBE
MIHITSY sy fomba ahafahatsika manantona an’Andriamanitra (averiko in-1
mandeha : HERY LEHIBE MIHITSY sy fomba ahafahatsika manantona
an’Andriamanitra)

Ary tsy vita fotsiny hoe HERY ahafahatsika manantona an’Andriamanitra ny Vavaka
sy Finoana fa Vavaka sy Finoana ireo koa ny fomba ahazoantsika vokatra tsara avy
amin’Andriamanitra.
Inona ny antony hilazako an’izany, ndeha ho jere-tsika tenin’Andriamanitra ao
amin’ny bokin’ Hebreo 11 :6 fa ny tenin’Andriamanitra dia milaza mazava tsara
izay mitondra fanka-herezana ho antsika aminy halalan’izany (vakiana ny teny)

MATHIEU 21;22

Tout ce que vous demanderez avec foi par la prière, vous le recevrez.
Luc 11:9
Et moi, je vous dis: Demandez, et l'on vous donnera; cherchez, et vous trouverez; frappez, et l'on vous ouvrira.
Marc 9:23
Jésus lui dit: Si tu peux!... Tout est possible à celui qui croit.
Philippiens 4:6
Ne vous inquiétez de rien; mais en toute chose faites connaître vos besoins à Dieu par des prières et des
supplications, avec des actions de grâces.
Marc 11:24
C'est pourquoi je vous dis: Tout ce que vous demanderez en priant, croyez que vous l'avez reçu, et vous le verrez
s'accomplir.
Hébreux 11:1
Or la foi est une ferme assurance des choses qu'on espère, une démonstration de celles qu'on ne voit pas.
Hébreux 11:6
Or sans la foi il est impossible de lui être agréable; car il faut que celui qui s'approche de Dieu croie que Dieu existe,
et qu'il est le rémunérateur de ceux qui le cherchent.
Croyez et vous verrez la Gloire de Dieu

Mazava be io tenin’Andriamanitra io arakin’ny nambaran’i Paoly fa : izay rehetra


manantona an’Andriamanitra hoy izy *dia minon y tena fisiany* dia tsy maintsy
aminy halalan’ny finoana no antenainy ahazoana sitraka avy Aminy, fa izy dia
mpamaly soa hoan’izay rejhetra mazoto mitady azy. Izany hoe IZAY OLONA
MAZOTO MIVAVAKA AMINY
2
Ka izay hasarobidin’ny FINOANA SY NY VAVAKA izay no hoentyin-tsika
hanantonana an’Andriamanintra indrindra ahafahan-tsika mandray ny
fampianarana ao anatin’izao fiainam-panompoantsika an’Andriamanitra izao.
Ny fiainam-panompoantsika Kristianina tokoa mantsy ry hava-malala dia mila
vokatra raisina avy amin’Andriamanitra isika

Koa raha ohatra ka mivavaka isika nefa tsy mana-tena valim-bavaka ao anatin’ny
fanarahana ny Tompo dia ambara fa anisan’ny Kristianina mpimonimonina
amin’ny TOmpo fotsiny fotsiny ihany

Ny olona tena mpivavaka dia olona manantena handray valim-bavaka


mandrak’hariva

Any aminy bokin’ny EXODOSY any dia mahita tsara isika ny tantaran’i zanak’Israel

Ireo olona ireo dia nofidian’Andriamanitra ireo. Ary efa


nametrahan’Andriamanitra ny teny fikasany mihitsy fa omeny fiadanan’ireo,
nampanantenainy ronono sy tantely ireo any aminy tany kanana izay hitondrany
azy

Izany hoe Andriamanitra dia te hilaza mihitsy tamin’ireo fa vonona ny hikarakara


an’izy ireo Andriamanitra, anao izay mahatsara sy mahasoa azy

Ny zvtr hita nefa rehefa misy olana teo aminy fiainan’izy ireo dia tsy nandraisany
vahaolana mihitsy. Satria tsy mba nahay nivavaka izy ireo, tsy nahalala ny fomba
secret vavaka, any ka nanjary lasa mpimonimonina fotsiny rehefa misy olana

Maninona izahay noentina taty aminy tany hefitra e, toerana tsy misy fasana e,
takzay izahay nijanona tany Egipte ihany e, raha tany izao izahay dia mba takzao
izao ny fiainanay na dia niaina tao anatin’ny fahoriana sy ny sarotra aza eee

Maro tokoa ny olona, nohon’ny tsy fahaizany an’ny vavaka dia aleony tsy
mivavaka, fa androany dia ampianarina anao mihitsy ny vavaka satria io vavaka io
dia andraisana valim-bavaka

Maninona tokona moa ny hitenenako an’izany satria hiaraha-tsika mahita fa tao


anatin’ny fimonimonoan’ireo zanak’Israel ireo rehefa nitodika nitaraina tamin’i
Mosesy izy hoe : *Mosesy ô mba hitaraino amin’Andriamanitra izahay, mivavaha
3
ianao ho anay mba ahatonga izao vaha olana izao*, rehefa nivavaka Mosesy tsy
nimonimonina tamin’ Andriamanitra izy : inona zavatra noraisin’i Mosesy ? nahazo
valim-bavak’izy ry hava malala.

Ka mazava izany fa ity vavaka ity rehefa tsy hai-tsika dia lasa mampimonimonina
amin’Andriamanitra fotsiny. Fa rehefa hay-tsika io dia handraisa-tsika valim-
bavaka, izay no antony hiaina-tsika aminy fianarana ao anatin’izao vavaka sy
Finoana izao

Koa andeha aza apetra-tsika ny fanontaniana hoe : inona tokoa ary izany atao hoe
VAVAKA, ahoana ihany izany atao hoe VAVAKA izany ary inona marina ny atao hoe
FINOANA

Raha ny vavaka no resaha-tsika rahalahy sy anabavy dia tsorina avy hatrany fa ny


dikan’ny atao hoe VAVAKA dia firaisana amin’ Andriamanitra

Nahoana no itenenana fa izay vavaka izay no fomba iraisana amin’ Andriamanitra.


Misy tenin’ Andriamanitra ato aminy 1 TESALONIANA 5 : 17 ato (Mivavaha koa aza
mitsahatra) ny diakan’izay dia tsy tokony tsy asiana fijanonana mihitsy izany ny
fivavahana

Fa rehefa mivavaka ianao dia anatin’ny andro iray dia tokony hivakaka 24h/24h
ary tsy vitany 1 andro ihany, fa mandritrin’ny taona maro dia tokony hivavaka
ianao

Noho izany ny fiainanao izany dia tokony feno vavaka foana, ahoana moa tompoko
havita-tsika hivavaka tsisy fitsaharana mihitsy ao anatin’ny fiainany raha toa ka
hoe mivavaha koa aza mitsahatra

Fa ny dikan’ny fivavahana dia hoe : Firaisana amin’ Andriamanitra, izany hoe raha
adika izany ilay tenin’ Andriamanitra ao aminy 1 TESALONIANA dia manao hoe :
AOKA HANANA FIRAISANA AMIN’ Andriamanitra ISIKA AZA ASIANA FITSAHARANA

Ary izany tenin’ Andriamanitra izany dia voambara tsara any aminy bokiny
EFESIANA 4 :3 : Manana firaisana aminy Fanahy Masina ianareo

Ny Fanahy Masina moa dia voambaran’ny tenin’ Andriamanitra fa * Andriamanitra


* ihany, dia mazava izany io tenin’i Paoly tao amin’ny EFESIANINA io manao hoe :
4
… izay lay mahatonga antsika haneren’ Andriamanitra hivavaka. Koa ny vavaka
izany dia Firaisan-tsika amin’ny TOmpo, ary io firaisana amin’ny Tompo io dia
nambaran’i Jesosy Lioka 18 :1 manao hoe : Fa aoka hivavkaa mandrak-hariva ianao
ka tsy ho reraka

Izany hoe ny fiaina-tsika izany dia tsy tokony hisy faharerahana mihitsy, reraka aho
miray amin’ Andriamanitra, reraka aho mivavaka, reraka aho manompo ny Tompo
fa tokony tsy hisy fitarainana mihitsy fa hanana fifandraisana amin’ Andriamanitra
isan’andro isika

NY FINOANA IHANY KOA DIA INONA

Ny FINOANA rahalahy sy Anabavy dia amabaran’ny tenin’ Andriamanitra fa io no


zavatra handraisa-tsika ny fanantenana sy zavatra tsy hita ho tonga ho hita.
Voasoratra ato aminy HEBREO 11 :1 Fa finoana no fahatokiana ny aminy zavatra
antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita

Izany hoe : isika koa raha hivavaka izany dia ny zavatra hivavaha-tsika amin’
Andriamanitra izany dia tsy hivavaka ny aminy zavatra efa hitan’ny maso-tsika isika
na hangataka ny zavatra efa mety hanana-tsika

Fa ny zavatra mbola tsy eo ampela-tananan-tsika sy zavatra mbola tsy tanteraka


teo aminy fiaina-tsika izay no hangataha-tsika eo amin’ ny Tompo. Ary rehefa
hanagataka izay amin’ Andriamanitra isika dia aminy halalan’ny Finoana no
hantenai-tsika ahatonga an’izay ho tanreraka. Koa inona ary io Finoana izay
antenai-tsika ho hita io

Voasoratra any aminy bokin’ny ROMANINA 10 :17 io FA NY FINOANA DIA AVY


AMINY TORITENY ARY TORITENY AVY AMINY TENIN’I KRISTY

Eto dia tsindriko tsara fa ny FINOANA izany dia mazava fa avy aminy tenin’i KRISTY,
eo mantsy no tena mampisahotaka antsika olom-belona amin’izao fotoana izao,
mampizarazara ny fianam-panompoan-tsika aminy Tompo, mahatonga ny sasany
tsy mihaino intsony ny tenin’ Andriamanitra ka mahatonga azy ireo milaza manao
hoe : SAMIA MANANA NY FINOANY NY TSIRAIRAY AVY, SAMIA MITAZONA NY
FINOANY FA IZAY MITAZONA FINOANY IHANY NO MAHAVONJY AZY.
5
Izao tsy dia resy lahatra loatra amin’iny fomba fiteny iny, marina fa Jesosy no
niteny an’izy iny hoe : Ny Finoanao no mahavonjy anao fa ny Porblem dia izao : tsy
ilay Finoana tena takian’i Jesosy amin-tsikla mihitsy, ilay tena Finona marina avy
amin’ Andriamanitra intsony no hitana-tsika amin’izao fotoana izao, fa samy
milaza fa samy manana ny Finoany ny olona ka alsa misadikadika, ao ny an’ny
sasany tapak’Hazo no hinoany ao ny mitoky amin’ny sary vongana ao ny an’ny
sasany raha tsy ampiana anaran’olona na karazanjavatra kely tsy mino izy. Nefa
dia ambaran’ny tenin’ Andriamanitra EFESIANA 4 : 5 dia izao IRAY NY TENY ARY
IRAY KOA NY FINOANA ARY IRAY KOA NY BATISA

Izany hoe : TSY MISY FINOANA MARO IZANY FA tokana ihany ny finoana

Ny olona izao raha anontanianao hoe : inona ny finoanao dia samy manambara
finoany eo izy hoe finoanay dia izao : ANARAM-PIANGONANA no tanisainy aminao
nefa misy karazany BDB ny anaram-piangonana dia mazava izany fa tsy lasa
Finoana tokana izany fa maro mizarazara, nefa Baiboly milaza fa * TSY MISY
FINOANA MARO IZANY FA tokana ihany ny finoana*, ka io Finoana tokana io ?
inona io Finoana tokana io ? izay no tena ilai-tsika mba hitsanganana anatin’izao
andro miha-maizina izao ry hava-malala

Koa dia manasa anao aho, anaraka an-tsipirihiny mihitsy izay fototra izay tena
marina mikasika izany atao hoe FIVAVAHANA izay, mba ahatonga anao tsy ho diso
lalana tahakan’ilay vehivavy SAMARITANA. ilay nivavaka ihany teo aminy
tendrombohitr’i Jakoba ary nahatonga azy mihitsy niteny tamin’i Jesosy manao
hoe : JAONA 4 : 20

Izao tenin’ilyay vehivavy ty tamin’i Jesosy hoe : ,ny raza-tsika nivavaka teo amin’ity
tendrom-bohitra ity FA IANAREO KOSA MILAZA FA ANY JEROSALEMA NO TOKONY
HIVAVAHANA / MISY INDRAY OLONA MILAZA FA ANY JEROSALEMA NO TENA
FIANGONANA ANY NO TENA FINOANA MARINA SY TENA IZY. Hoy Jesosy taminy :
RAHA VEHIVAVHY MINOA AHY FA AVY NY ANDRO FA TSY AMIN’ITY TENDROM-
BOHITRA ITY NA ANY JEROSALEMA AZA NO HIVAVAHANAREO AMINY RAY, FA
IANAREO MIVAVAKA AMIN’IZAY TSY FANTATRAREO FA IZAHAY KOSA MIVAVAKA
IZAY FANTATRAY
6
Mazava ber y havana io tenin’Andriamanitra io fa misy ny olona dia mirorohy saina
mihitsy amin’izao fotoana izao manontany tena hoe : FIVAVAHANA MANAO
AHOANA RE NO TENA FIVAVAHANA TADIAVIN’ANDRIAMANITRA ARY IZA NY
FIANGONANA NO TENA MARINA/ ary zvtr hita-tsika amin’izao fotoana izao fa BDB
ny karazam-pivavahana, tsy hitan’ny olona intsony izay tena hidirana

Ao ny milaza fa ny aty aminay no tena marina, ao no milaza fa eny


antendrombohitra, ao milaza fa asabotsy sns

Fa hoy ny Tompo : tonga ny fotoana hoy izy tsy any ampiangonana tsony tokony
hivavana na any Jerosalema na eny antendrombohitra fa ny olona dia mivavaka
aminy fiangonana tsy fantany hoy izy fa ny anay kosa dia fantatray ny
Andriamanitray

Ka io fivavahana izay napetrak’i Jesosy no entiko ampianarina amin-tsika


androany, tsy miambo hoe mahay aho fa izay mba fantatro aloha no hoentiko
zaraina aminao androany mba ahafantaranao mantsy fa misy ny fivavahana tsy
tokony hidirana

Mbola averiko eto ihany fa ny ficvavahana hoya ho dia firaisana


amin’Andriamanitra izay tokony hiaina-tsika aminy asa fanom-
poanan’Andriamanitra

Koa ahoana no ahatonga-tsika tena hanana fahatokiana fa tena miara-dia


amin’Andriamanitra isika

Ao amin’i JAONA 15 :7 FA RAHA MIRAY AMIKO IANAREO KA MITOETRA AO


ANATINAREO NY TENIKO DIA ANGATAHO IZAY TINAREO NA INONA NA INONA FA
HO TONGA AMINAREO IZANY

Jesosy mihitsy nanoro an’io SECRET fivavahana io, nanoro antsika izy fa raha
manana finoana na kely toy ny voatsinampy aza isika ka ny Finoana dia mitoetra
tsara anatinareo mihitsy hoy izy : dia angataho fa ho azonareo izany.

Io voalaza ao aminy JAONA io izany rahalahy sy anabavy dia mampiseho ny


endrikin’ny finoana sy ny herin’ny vavaka ahafahan-tsika manantona
an’Andriamanitra handraisa-tsika ny vokatra tsara ao aminy Tompo
7
Ka izay zavatra izay no ilai-tsika tanteraka hoe ahoana no mahatonga ny firaisana
amin’Andriamanitra hitoetra ato amin-tsika ahoana ihany ahatonga ny Finoan-
tsika tafa-tombona ka ahazoan-tsika ny zava rehetra izay ilai-tsika

Ho faranako vetivety tenin’Andriamanitra nefa mamela ahy ianareo aloha


hanazava ny tantaran’ity vehivavy sonomita mpanankarena, ao aminy bokin’i 2
MPANJAKA 4, nisy fotoana io vehivavy io mpanankarena nefa io vehivavy io
nambaran’ny tenin’Andriamanitra fa momba izy io.

Fa tamin’izay fotoana izay dia nandalo teo aminy mandrakariva ELISA, ary rehefa
nahita ity lehilahin’Andriamanitra izy dia nanasa azy mba handroso tao aminy,
mba ho fahanan-kanina isan’andro. Rehefa nandeha moa ny fotoana rehetra,
nanjary ny fankahalala sy ny fankazatra ireo olona ireo ary dia lasa nisy
fifahavanana niforona teo amin’izy sy ny fianakavian’ireo

Nanonmboka teo ilay vehivavy dia nahalala tsara an’i ELISA izy fa
lehilahin’Andriamanitra izy ka hoy ny teniny manao hoe : *Tsy tiako intsony iny
lehilahy iny handalo eto amin’ity tany ity ka andeha hanorena-tsika trano ao
ambony mba hijanony eto*

Izay tenin’ity Vehivavy ity izay dia manambara fa hoe : *Te hametraka an’i ELISA
aminy toerana mba hisararihiny fahasoavana* ary taminy Finoana koa no
nanaovany azy. Nampitoerin’io Vehivavy io tokoa aza i Elisa tao anatin’ny tokan-
tranony, niaraka taminy fampitoerana ny Finoana dia ny tenin’Andriamanitra izay
nipetraka tao aminy tao. Inonna ny zavatra ny tranga rahalahy sy ranabavy, fa
isaraona ny Tompo fa araha vakinao ny tenin’Andriamanitra dia nanjary nahazo
zaza io vehivavy io

Izay no tena ilai-tsika ao anatin’izao vavaka izo dia ny ahazoana valim-bavaka


aminy Finoana ahazoana vokatra tsara azo tsapahi-tanana
8
PART II

Jerevatsika ato aminy JONA 3 : 1 – 10

Ity tantara ity rahalahy sy ranabavy dia tantara iray izay nandraisan’Andriamanitra
fanapahan-kevitra handravana ny tananan’i Ninive, inona marina moa ny antony
nahatonga an’Andriamanitra handeha handrava io tanana io, Andriamanitra ve
dia Andriamanitra efa Loza be loatra, Andriamanitra ve dia mpanavakavaka na tsy
tian y tananan’i Ninive : TSIA TOMPOKO

Fa ny antony nandraisan’Andriamanitra fanapahan-kevitra handravana io tanana


io : dia arakiny voambara teo manao hoe : EFA TAFIAKATRA TEO
ANATREHAN’ANDRIAMANITRA NY FAHOTANY TAO NINIVE. Handeha ho fantari-
tsika inona nahatonga an’i Jehovah ho tezitra tamin’ireo mponina tao NINIVE
JONA 1 : 1 …

Tsy mba ny tsara no tafiakatra tany ambony tany rahalahy sy ranabavy, tsy mba ny
soa na ny mahafinaritra na fahamarinana no tafiakatra tany amin’Andriamanitra fa
ny faharatsian’ny mpininona tao NINIVE ka nandraisan’Andriamanitra fanapahan-
kevitra manao hoe : REHEFA AFAKA 40 ANDRO dia ho ravako io tanana io. Ary dia
naniraka ny mpanompony iray izy antsoina hoe JONA mba hanambara izany teniny
izany, zavatra nitranga anefa raha jereva tsika ny tantara dia izao : MARINA FA
NANIRAKA AN’I JONA ANDRIAMANITRA FA I JONA KOSA RAHA NANDINIKA IZANY
MISSION AMPANAOVINA AZY IZANY HOE : HITENY, HITORY SY ANAMBARA
AN’IZANY TENIN’ANDRIAMANITRA IZANY DIA NATAHOTRA IZY.

Satria fantany fa miaina ao anatin’ny faharatsiana lalina ireo olona ireo, tsy azo
tentenenina ireo olona ireo ary mihevi-tena ny ho tsy manan-tsiny ireo olona ireo.
Koa raha lazaina amin’ny olona izany dia mety i JONA indray no mety ahita loza,
mety ho vonoin’ny mponina satria hoe : INAO DIA MITORY FILAZANA RATSY
AMINAY KA TSY EKENAY IZAY

Dia lasa JONA nandositra tany TARSISY mba tsy hanan-tanteraka ny


tenin’Andriamanitra, kanefa na teo aza izany dia tsy navelan’Andriamanitra i
NINIVE satria tery loatra Andriamanitra aminy zavatra efa tsy mety nataon’ireo
mponina ireo, satria Andriamanitra rehefa miteny dia tsy maintsy tanterahany sy
hefainy izao rehetra lazainy, arakany voasotra ao aminy bokin’i LIOKA manao hoe :
9
NY TENY REHETRA MIVOAKA NY VAVAN’ANDRIAMANITRA TSY MAINTSY
TANTERAKA

Dia nandositra i JONA, kanefana nadia nandositra aza JONA dia


narahan’Andriamanitra ka no tereny mihitsy ary nanehoany ny fahatezerany koa
JONA tao anatin’izay ka nanjary nitranga tao anatin’ilay sambo kely NANONJA ka
nisy sambo maro rendrika dia efa hai-tsika moa fandehan’ny tantara

Fa nahatonga fa nahatonga an’i JONA ho tonga saina fa hoe : marina fa saika


handositra ny irak’Andriamanitra aho tsy hitory ny marina amin’ireo mponina ao
NINIVE ireo, fa rehefa hitako ny loza dia nandeha ihany JONA nanambara izany.

Amin’izao fotoana izao moa dia somary mangina ireo


mponaompon’Andriamanitra rehetra, tsy sahy mitsangana ny aminy zavatra
mahazo izao firenena izao fa manaiky ny lamina sy ny fitondra-mpanjakana izy
satria olona mora halamina, kanefa na izany aza dia misy tenin’Andriamanitra
tokoa manery ao anatin’ireo mpanompon’Andriamanitra maro, ao anatin’ireo
natsoin’i Tompo mba handeha aminy anarany. Fa mahita fa efa rakotr’aizina ny
tany ary anatiny haizim-pito ny firenena, arakin’ny ao aminy bokin’ISAIA :
MITSANGANA KA MIJERE FA RAKOTRAIZINA NY TANY ARY HAIZIM PITO
MANARONA AZY, FA AMINAO NO HIPOSAHANY FAHAZAVANA ka mitsangana
mitoria ny filazantsara

Ry rahalahy sy ranabavy, mahatsiaro izany ny tenanako, izay tsaroako fa mila


famonjena avy amin’Andriamanitra tokoa izao firenena izao, satria efa azo lazaina
hoe FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA MIHITSY NO EFA MIHATRA AMINY TANY

Manao fandaminana ny mpitondra fanjakana manoloana ny aretina, cyclone,


fiakarany vidim-piainana, tondradrano, may tany, sns… samy mitady ny vahaolana
rehetra, fa samy miala maina ny rehetra hatramin’izao.

Ny any fanafody azo ataony sisa dia ny mamporisika ny olona mba hiaro tena tsy
hiparitahan’ny haretina. Nefa moa amin’izao fotoana izao dia ararha mahita fa
mbola mitombo hatra ireo ADY, ARETINA COVID, OLONA MIVARO-JANAKA sy ny
fahoriana mahazo ny any ivelany izay mitombo andro aman’alina ny isan’ny maty,
izay isaorana an’i Tompo aloha fa eto aminy firene-tsika mbola tsy misy izany
10
Ka tsy hangina ny tenanay izay mba mahalala ny fanefitra ao anatin’izao
tenin’Andriamanitra izao hoentina ho fanampiana ho famonjena hoan’ny firenena
satria efa ady aman’aina izao zavatra hianatsika rehetra izao. Tena tsapa mihitsy
hoe Andriamanitra mitondra ny fahatezerany ka mitady itondra fandringanana
itondra famonoana ny zanak’olombelona rehetra eto amin’izao tontolo izao,
vokatriny fahotana izao natao-tsika zanak’olombelona

Tena mpanota isika ary nanao faharatsiana isika ary tsisy miafina
amin’Andriamanitra intsony ny zavatra atao tsika : ao fianan’ny olona tia vola
loatra, ka miaina anaty fitiavan-tena sy fiatsaram-belatsihy ka tsisy fitiavana
intsony.

Ny filalaovana sampy moa dia tsy ferana intsony, fa tena ataony olona fanafody
ivelomana mihitsy, iazakazahana mankany aminy DADARABE, fitokiana ny asan’ny
mazina rehetra. Ny fiainana feno fahavetavetana izay fiasan’ny maizina tena
marikoriko, nandravan’Andriamanitra ani SODOMA sy GOMORE dia ny
fanambadiany ireo mitovy fananahana, efa tafiakatra hatraminy fanamasinana azy
anatin’ny fiangonana, efa ny mpivavaka mihitsy no efa manaiky izany ;

Tezitr’Andriamanitra RHL sy RNBV fa feno faha vetavetana ny tany, satria


nahoana ? na ny fivavahana aza dia fivavahana feno fiatsaram-belatsihy.
Fihetsiketsehana fotsiny fa tsy tena mitady ny tavan’Andriamanitra

Ny firenena moa dia miaina ao anatiny fifankahalalana, mifanenjika ny mpanao


POLITIKA, ary iaraha-tsika mahita fa na dia banatiny sarotra indrindra aza isika dia
lasa ambin-javatra ny fanompoan’Andriamanitra fa toa ilay fihetsiketsehana aminy
maha olom-belona ambony nohon’ny zavatra rehetra

Izany ny zava misy amin’izao fotoana izao, tezitr’Andriamanitra, nalefany izao


aretina izao kao na tsy Izy aza namorona an’io dia navelany i Satana hitondra
fandringanana ho antsika satria nahoana ? efa ratsy isika, miaina aminy tsy
fahamarinana isika. Aoka samy hieritreritra ny tsiraray, aoka samy andinni-tena, na
ny kely na ny lehibe na ny mpitondra na ny hoentina,

Mahafaly an’Andriamanitra ve ny fiainan’ny zanak’olombelona amin’izao fotoana


izao ? tena mendrika hoan’Andriamanitra ve, manome fifaliana ny Tompo ve sa
fianam-panompoana mampalahelo ny Fanahy Masina, ao antin’izao andro farany
11
hiana-tsika izao hita mihitsy fa foanan’Andriamanitra isika olom-belona satria feno
fiatsaram-belatsihy.

Andriamanitra aza dia miteny mihitsy hoe : HALAKO NY FIVORIANA FENO


FAHARATSIANA toa lasa kifombafomba, fietsiketsehana sy fahazarana fotsiny fa
tsy tena arakiny sitrapon’Andriamanitra

Izany rehetra izany manainga ny fahatezeran’Andriamanitra mihitsy, ary inona ny


zavatra mitranga, Andriamanitra dia manana ny PLAN mba ahatonga ireo olom-
belona rehetra handray fanapahan-kevitra ary ho fananarako azy, ary izay no
maha tonga Azy miteny ato aminy bokin’ISAIA 26 :20 mpaminany : …

Isika rehetra izay apetraka tsy hivoaka ny trano fiangonana izao dia tsy PLAN
fanjakana, tsy fandaminana avy aminy olona io fa efa Andriamanitra mihitsy no efa
te hanatanteraka ny teniny, mba ahatonga an’Andriamanitra hananatra antsika
mandra-pilefitriny fahatezerany

Misy fahatezeran’Andriamanitra izao tany izao satria nahoana ? na toriana aza ny


tenin’Andriamanitra dia ataony olona ohatrany zava-poana izany,

Fa ankehitriny rahalahy, manainga anao Andriamanitra, mampitodika antsika


rehetra Izy, eny fa raha tsy voadonam-pahoriana tokoa isika dia tsy mahay miantso
Azy arakiny voalaza ao aminy bokin’i SALAMO : ANTSOY AMINY ANDRO
FAHORIANA DIA ANAMPY ANAREO AHO ARY DIA HANOME VONINAHITRA AHY
IANAREO

Tsisy mahay manome voninahitra an’Andriamnitra ny olona raha tsy voadom-


pahoriana ka hiantso azy, fotoana tokoa izao ahafaha-tsika miantso
an’Andriamanitra mba hitodian-tsika aminy

Eto amin’ity bokin’i JONA ity dia iaraha-tsika mahita ny olana izay nahazo ny
mponin’i NINIVE fa rehefa tonga saina i JONA na dia nisy tahotra aza izy ny hitory
sy anambara izany tao aminy tanana, nohon’ny herin’Andriamanitra izay tsy
namela azy hangina dia notiriany ihany ary tahaka izany ny tenako : METY
MANAFITOHANA ANAO IZAO TORITENY IZAO, METY HOY IANAO MASIAKA LOTRA
IZAO TENY IZAO
12
Eny ry hava malala, mataotra tokoa aho ny hitory satria, fandrao misy olona
hitora-bato ahy ka hiteny manao hoe : MANINONA NO DIA MITABATABA
OHATRAN’IO IANAO, kanefa nohony tenin’Andriamanitra ato anatiko milaza fa efa
tonga eo anatrehany ny faharatsian-tsika zanak’olombelona, aleo aho tsy hangina
fa mpanota isika fa misy tsy mety ny atao-tsika e, mila minerina
amin’Andriamanitra aoka izay ny fahanginana, aokzay ny fitoditodiana fa samia
mandray fanapahan-kevitra hiala aminy fanagejana rehetra mety mampitranga
izao fahoriana izao,

Fa rehefa no torian’i JONA izany dia tsy niandry ela ny olona tsy be DISCUTUION
satria efa nataotra mafy satria hoavy ao aminy ny fandriganan’Andriamanitra sy
ambavahoana ny fahafatesana izany. Hitodika sy hino an’Andriamanitra ny olona,
ry hava malala ôôô eo ambavahoana izany atao hoe fahafatesana izany isika, efa
mandodom-baravarana amùin’izao fotoana izao io areti-mandringana io

Tonga ny tori- tenin’Andriamanitra, mila FAMONJENA mila FIBEBAHANA, mila


FIVERENANA amin’Andriamanitra ny fanafodin’io, MIBEBAHA TSIKA HIALAO NY
RATSY FANAO, hialao ny fombafombam-pivavahana fa izay tena marina hitadiava-
tsika an’Andriamanitra no ataovy, mba ahatongan’Andriamanitra hanenina ka tsy
handrava antsika intsony

Ry hava malala, miantso anao aho satria aoka isika tsy hiaritra fotsiny na hijery sy
hitazana, fa na efa mandeha izao loza izao dia mbola maro ny olona mpiavonavona
tsy mety mandray an’Andriamanitra

Rehefa naheno ny mponin’i NINIVE dia tsy navelany ho tanteraka ny


fandringanana : inona nonnataon’izy ireo : NIANTSO ANDRO FIFADIAN-KANINA IZY
raha neheno an’izany ny mponina, ary nahjeli-patratra mihitsy izany FIFADIAN-
KANINA nataony izany ary tonga hatrany aminy mpitondra fanjakana mihihtsy
izany teny izany

Ary rehefa naheno koa ny mpitondra fanjakana dia tsy nijery fotsiny izy fa nandray
fanapahan-kevitra ko aizy mba hitafy ny lambam-pisaonana ary dia niala teo aminy
fiandrianany mihitsy, ampanetrehan-tena ka nanainga ny olona rehetra hiantso
fifadian-kanina teo anatrehan’Andriamanitra ka hatrminy biby aza tsy navela hisy
hinan-kanina satria mafy ny ATTAQUE
13
Raiso ny fanapahan-kevitra hitodi-doha amin’Andriamanitra fa aza variana
mampiasa fahefana sy fahaizana fotsiny e, nitsangana ny filonan’i NINIVE
nanambara sy nampiantso FIFADIAN-KANINA, raha i JONA no niteny hoe mila
mifady hanina ny firenena, mety ho tapaka ny lohany, iza no baikobaikonao,
mandana ianao irery no mifady hanina ary na ny olona aza tenenina an’izany vao
may mihinana, fa rehefa ny mpanjaka no niteny iza no tsy hanaraka ny teniny

Koa raha ny tenisoa mahafaly ve, samia mandray fanapahan-kevitra hiara-hifady


hanina hivavaka hiankohoka amin’ny TOMPO, tao Italie izao dia narian’ny olona
teny andalana ny vola satria tsapany fa tsy mahavonjy ny ainy, fa raha ny vola anie
no betsaka tsy hanakana ny aretina, TSIA TOMPOKO Ô !

Ny fahatezeran’Andriamanitra tsy azonao ampiononona aminy fananana vola, tsy


misy afatsy ny fitodihana andoalika andeha hivavaka. Arakiny tenin’Andriamanitra
manao hoe : tsy ahoako ny vavaka ataonareo satria mbola ny ataonareo ihany no
ataonareo ihany

Mba ahatonga ny vavak tsika henoin’Andriamanitra dia andao hiara hianga e, fa


rehefa mahatsiaro tena fa mila an’ANdriamanitra ianao dia mitodiha
amin’Andriamanitra rahalahy sy ranabavy ANDAO HIVAVAKA dia ny ahita tsika sy
hiaona-tsika amin’Andriamanitra

Asao Jesosy tena hoavy, hidina hikasika firenena Malagasy mihitsy, amin-dra fo sy
hamela ny helo-tsika izy, mba ahatanteraka ilay teniny hoe : MITOBIA MINY
TOERANA IRAY IANAREO MANDRA PITSAHATRA NY FAHATEZERANY

Fiavahana ny fanafodin’io, ny Andriamanitra hivavaha-tsika dia ilay


Andriamanitrin’ny nofo rehetra, tsisy zava-mahagaga izany tsy hainy atao

Rehefa tena mirehitra mivavaka isika rahalahy sy ranabavy dia vonona


Andriamanitra hietsika mainy heriny sy ny fahefany

Asao Andriamanitra hiasa aminy tokan-trano-tsika, hiasa amin’ity firenena ity,


ankino aminy ny zavatra rehetra fa ataony tanteraka sy ho lavorary io fa aza
miavonavom-po isika, tsy misy afatsy ny vavaka ary ny herin’nyb vavaka no
mampiova ny zavatra rehetra,
14
Manasa anao ao mba hianga aminy fivavahana, miteny aminao aho, ary ho
faranako ny tenin’Andriamanitra. Fa ny zavatra ho lazaiko aminao tsotra fotsiny
ihany : ANDAO ISIKA HIARAKA HIOMBON-KEVITRA HIRAY SAINA HIRAY FO IRAY
FANAHY EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA

Handray fanapahan-kevitra hiala aminy ratsy natao-tsika tsirairay avy, tateraho ny


sitrapon’Andriamanitra amin’ity taona ity fa avelao izy hietsika avelao ny olom-
belona rehetra samy ho mpanota eo anatrehany, n’iza n’iza mihitsy na izahay
mpitory aza

Arakiny tenin’Andriamanitra manao hoe : RAHA IANAREO IZAY NO ANTSOINA


TAMINY ANARAKO NO HO AVY HANETRY TENA KA HIVAVAKA DIA HIALA AMINY
RATSY FANAONY

Inona ny vokany, tongan ny tenin’Andriamanitra hoe : EFA NALEFAKO AMINAREO


NY ARETINA REHETRA FA RAHA MANAO IZANY IANAREO DIA HIAINO NY
FEONAREO ANY ANDANITRA AHO DIA HAMELA NY HELOKAREO DIA HANASITRANA
NY TANINAREO

Programme ny fanasitranana ity tany ity ny taona 2023 ary tsy misy
afats’Andriamanitra irery ihany no afaka itondra famelan-keloka

Hoy ny tenin’ny mpanjakan’i NINIVE : SAMIA MIVAVAKA MANAGATAKA HIALANY


AMINY RATSY FANAONY

Ka na hanakerena amin’ity tany ity aza ianao nefa tsy ho voavonjy ny fanahinao
dia tsisy dikany akory izany

Andao avotana ity firenena ity aminy halalan’ny vavaka, miteny aminao Fanahy
Masina androany : ry mpanompon’Andriamanitra rehetra : andao hiaraka hifona
andohalika eo anatrehan’ny Tompo hiantso fitarainana sy famelan-keloka

Samia miantso, aoka tsisy hierikerika intsony, mitodia amin’Andriamanitra ianao,


fa izay ihany fanafodin’ity tany ity

Fa aza miandry ho ambavahoana ny fahafatesana vao hitodikan’Andriamanitra fa


mbola misy fotoana ianao arakiny tenin’i Tompo hoe : FA IZAO NO MBOLA
ANDROM PAMONJENA MBOLA ANDROM PANKASITRAHINA
15
Mbola mamindra fo amin-tsika Andriamanitra ry havamalala, mahatonga izao
tenin’Andriamanitra ao anatiny fonao, raiso Jesosy mivavaha mialaha aminy ratsy,
andao hiaraka hibebaka hiaraka hifona e,

Raiso ny ràn’i jesosy hiasa hamangy ny tokan-tranonao fa aza avela hierikerika sy


hitazana fotsiny Andriamanitra

Raha mbola tianao ny hiaina, mbola tianao ny ho velona dia tsy misy afatsy ny
fibebahana. Raha tsy miaraka aminy tanan’Andriamanitra dia tsy misy zavatra ho
hefa tsika, arakiny tenin’Andriamanitra : TSY AMIN-KERY NA AMPAHATANJAHANA
FA AMINY FANANKINANA NY FIAINA-TSIKA AMINY FANAHY MASINA

Koa ankino amin’Andriamanitra re, apetraho aminy izany mba ahatonga ny famin-
drapon’Andriamanitra hikasika

Koa dia hisaorako Andriamanitra, hamindra fo amin-tsika anie izy, koa rehefa
nibebaka ny zanak’i NINIVE ireto dia niala taminy ratsy fanaony ka nanenina na dia
efa tafiakatra tany amin’Andriamanitra aza faharatsian’izy ireo

Andriamanitra indray nanenina ka tsy namely azy ireo satria hitany ny fitodian’ireo
olona ireo taminy ka dia tsy nataony ny fandringanany

Raiso ny fanapahan-kevitra na ianareo hitodikamin’Andriamanitra na ianao hiady


amin’Andriamanitra. Zah kosa manentana anao arakiny tenin’i ELIE teo hoe :
INDRO APETRAKO ANOLOANAREO NY FANDRINGANANA SY NY FIAINANA KA
SAFIDINAREO ANIE IZAY HO TOMPONAREO NA ANDRIAMANITRA NA ANOMPONY
SAMPINAREO

Samia mandiny tena isika, andao hivavaka, isaora-tsika ny Tompo

Vous aimerez peut-être aussi