Vous êtes sur la page 1sur 3

FAHOTANA VE NY MISOTRO TOAKA � NA AZO ATAO VE NY MISOTRO TOAKA?

I- AZO ATAO NY MISOTRO DIVAY RAHA ATAO AMIN�NY ANTONONY


FISOTROANA AMIN�NY ANTONONY= mahay mandanjalanja
TIT.2/3 : � Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny
olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin�ny divay be, ho
mpampianatra ny zavatra tsara. �
IZAY LAZAIN�NY OLONA
Maro ny olona zatra misotro divay na labiera rehefa misakafo, any amin�ny tany
maro. Misy kosa anefa ny mihevitra hoe tena ratsy ny alkaola. Fa nahoana ny olona
no tsy mitovy hevitra amin�io resaka io? Satria samy hafa ny kolontsaina sy ny
fahasalamana ary koa ny fivavahana.

IZAY LAZAIN�NY BAIBOLY


a- Fanomezana avy amin�Andriamanitra ny divay ary mampifalifaly izy io
MPIT.9/7 : � Mandehana hano amin�ny fifaliana, ar sotroy amin�ny fo falifaly ny
divainao, fa efa nankasitrahan�Andriamanitra ela ny asanao �
MPIT.3/13 : � Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin�ny fisasarany
rehetra ny olombelona, dia fanomezan�Andriamanitra izany �
SAL.104/14-15 : � Mampaniry ahitra ho an�ny biby fiompy izy, sy anana hahasoa ny
olona ? Ary mamoaka hanina avy amin�ny tany . Ary divay izay mampifaly ny olona, ka
mampinendonendona ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain�ny
olona �

b- Azo atao fanafody izy io


1TIM.5/23 : � Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vavafonao sy
ny fahosaosanao matetika �
LIO.10/34 : � Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy
divay ; dia nampitaingeniny tamin�ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin�ny tranom-
bahiny, dia notsaboiny. �

c- Isaka na Jesoa nisotro divay


GEN.27/25 : � Ary hoy kosa Isaka : Arosoy eto anoloako ary izato hazan�ny zanako
hihinanako, mba hitsofan�ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka
dia nihinana izy ; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. �
MAT.26/29 : � Ary lazaiko aminareo fa hatramin�izao dia tsy mba hisotro itony
vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin�ny andro hiarahako misotro
izay vaovao aminareo any amin�ny fanjakan�ny Raiko �

d- Nilaina teo amin�ny lanonana ny divay


JAO.2/1-10 : Fampakaram-bady izay nanovan�i Jesoa ny rano ho tonga divay

II- TSY METY NY MISOTRO DIVAY BE LOATRA ?


TIT.2/3: �Aoka ianareo tsy handevozin�ny divay be�

Marina fa milaza ny Baiboly hoe misy mahatsara azy ny divay. Rarany anefa ny
misotro be loatra na manao mamo. Afaka misotro toaka �ry ny Kristianina saingy tena
tokony hahay handanjalanja izy. Lazain�ny Baiboly fa betsaka ny antony maharatsy ny
misotro be loatra.
Efa nisotro be loatra ny olona iray, raha efa misy vokany ratsy amin�ny tenany sy
ny olon-kafa ny zavatra ataony. Tsy hoe rehefa mianjerazera izy izay vao hoe mamo.
Asehon�ny Baiboly kosa fa efa mamo ny olona iray raha manomboka be resaka na
miraiki-dela rehefa miteny, na mivembena ny fandehany, na izy fanimpanina ka tsy
fantany intsony hoe aiza ny lalana tokony haleha. (Joba 12:25; Salamo 107:27;
Ohabolana 23:29, 30, 33) Na miezaka ny tsy ho mamo aza ny olona iray nefa zatra
misotro, dia �hovesaran�ny ... fibobohan-toaka� izy, ka hizaka ny voka-
dratsiny.�Lioka 21:34, 35.
VOKANY
� Lasa tsy misaina tsara ilay olona sady tsy mahay manavaka. (Ohabolana 23:29-
35) Hoy ny Baiboly: �Atolory ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary
ankasitrahan�Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.�
(Romanina 12:1)
� Lasa sahisahy ny olona misotro be loatra ka tsy manana �faniriana hanao ny
tsara� intsony: �Ary aza ho mammon-divay ianareo, fa amin�izany dia misy fanaram-po
amin�ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy� Efesianina 5:18.
� Mety ho lasa mahantra ilay olona sady harary mafy.�Ohabolana 23:21, 31, 32.
� Tsy tian�i Jehovah izay misotro be loatra na mamo, satria manala baraka
azy.�Ohabolana 23:20; Galatianina 5:19-21.
IZAY LAZAIN�NY BAIBOLY

A- Mandidy antsika Andriamanitra mba hahalala onony rehefa mihinana sy misotro


OHAB. 23/20: �Aza misakaiza amin�izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena�

B- Tsy ankasitrahan�ny Tompo izay tsy mahafehy tena.


1 TIM.3/8 : � Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotina, tsy miroa teny, tsy tia
divay be, tsy tia harena maloto �

C- Mampanaonao foana tokoa ny toaka


OHAB.20/1: �Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka, ka tsy hendry izay
rehetra manaonao foana noho ny herin�izany.�

D- Maharatsy fitondrantena ny fisotroana


HOS.4/11: �Divay efa niotrika ela ary divay mamy no manaisotra ny faniriana hanao
ny tsara.

E- Milaza mihitsy ny Baiboly fa tsy hahazo fiainana mandrakizay ny olona mamo


lava.
1KOR.6/9-10: �Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny
fanjakan�Andriamanitra? Aza mety ho fitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny
mpanompo sampy sy ny mpaka vadin�olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny
mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova
ny fanjakan�Andriamanitra�

III- RAHOVIANA NO TSY METY MIHITSY NY MISOTRO ?


OHAB.22/3 :�Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina
kosa, mandroso ihany, ka voa.�

NY TSARA HO FANTATRA
- Tsy tokony hisotro, ohatra, ny ankizy tsy ampy taona, araka ny lal�na.
- Misy koa miady mafy hiala amin�ny toaka, ka mila mifady mihitsy aloha sao
lasa miverina misotro be indray.
- Misy kosa mihinam-panafody ka tsy tokony hikasika alkaola.
- Maro no tsy tokony hisotro mihitsy rehefa hiasa, indrindra raha hampiasa
fitaovana mety hampidi-doza.
- Sarobidy ny aina sy ny fahasalamana satria avy amin�Andriamanitra, ka tokony
hohajaina. (Salamo 36:9) �Fa ao aminao no misy loharanon�aina, ny fahazavanao no
hahitanay fahazavana�

IZAY LAZAIN�NY BAIBOLY


Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hisotro toaka mihitsy ny Kristiana fa lasa FAHOTANA
ho azy raha:
� Tsy mahafehy tena izy rehefa misotro ka mety hanafintohina ny hafa.�Rom.
14:21.
� Raran�ny lal�na any amin�ny tany misy azy izany.�ROM. 13:1.
� Ny fiankin-doha amin�ny toaka mihitsy, izany hoe tsy mahavita zavatra raha
tsy mandray kely. Tokony ho vonona hanao fiovana avy hatrany ireny olona
ireny.�Matio 5:29, 30.
� Efa nahavita fanekena teo anatrehan�Andriamanitra fa hifady
� Tsy mety amin�ny fahasalamana intsony

Vous aimerez peut-être aussi