Vous êtes sur la page 1sur 2

MANAN’OMEGA LEVELO Prince Martial Antananarivo, 28 Septambra 2022

(Bibliothécaire à la Bibliothèque et Archives de


l’Université d’Antananarivo)
Présidant de l ‘Association Sourd-Vie
Adresse : Antetezana Afovoany B366 Cbis –Tana 101
TEL : 034 12 263 24
e-mail : associationsourdvie@gmail.com Ho an ‘Andriamatoa Ben’ny Tanàna

« Commune Andoharanofotsy »

Antony : Fangatahana Tany eto amin’ny « Commune »

Andriamatoa Ben’ny Tanàna

Izahay dia fikambanana ara-sosialy, mijoro ara-panjakana araka ny andininy faha 5 amin’ny didy
hitsivolana faha -60.30 ny 03 octobre 1961, antsoina amin’ ny anarana hoe « Association Sourd-
Vie (ASV) », araka izany, ny fikambanana dia manampy sy manohana ara-sosialy sy ara-moraly
ary amin’ny lafiny maro ny olona manana fahasembanana, indrindra fa ny manana olana ara-
pandrenesana na Marenina izany (Sourd).
Mitodika monokana aminao izahay ankehitriny ka maneho aminao ny fanirihanay ahazo
tany hiorenana mirefy 10 are eto amin’ny kaominina.
Tanjona ny hanangana toerana Fiompiana Moderina (Projet d’ Elevage Moderne), hampiofanana
sy hamoronana asa mifandraika amin’izany ary koa ho fanoizana ny asa sarotra mbola miandry
ny Fikambana, dia ny fanampiana , ireo manana fahasembanana maro , hiarina amin’ny
fihainany. Tokatrano miisa folo (10) mahery no ho voakasik’ity tetik’asa ity mivantana, ary ho
avy roa heny izany isa izany ao anatin’ny iray(1) taona raha mizotra tsara ny asa.
Manantena anao tokoa izahay Andriamatoa, amin’ny afahana manangana sy manatanteraka izany
tetik’asa maharitra izany, eto amin’ny Kaominina izay nofidinay manokana ity.
Raiso re , Andriamatoa Ben’ny Tanàna , ny fisaorana ombank’haja hatolotray anao
manokana.

Vous aimerez peut-être aussi