Vous êtes sur la page 1sur 46

Ø TOROHEVITRA MOMBAN’NY

VEHIVAVY MITONDRA VOHOKA SY


NY ZAZAKELY
IREO OTRIKAINA ILAINA ISAN’ANDRO
Fotoana isan’ny saropady ho an’ny vehivavy ny fitondrana vohoka.
Aina 2 mantsy no koloina sy tandrovana. Araka izany, zava-dehibe
mihitsy ny lafiny ara-tsakafo. Ireto no tokony hojerena manokana

Ny atao isan’andro

· Misotro rano 2 litatra isan’andro : manatsara ny fahasalaman’ny


zaza ao am-bohoka
· Lasopy + Salady +legioma no hanina matetika : ivon-toeran’ny
vitamina, ny fibra, ary ny mineral isan-karazany ireo sakafo ireo
· Fadiana ireo kiendiendy zava-pisotro misy kafeina, ny vokatra
azo avy amin’ny ronono manta
· Mihinana voankazo isan’andro
· Ahena ny sira : aleo soloina tongolo gasy, kotomila, na hanitra
hafa

Ireo otrikaina ilaina isan’andro

· Proteina : ilain’ny zaza ao am-bohoka amin’ny fitomboany,


indrindra amin’ny 3 volana faharoa sy fahatelo. Manatsara ny
firafitry ny taovam-pananahana sy ny nono ihany koa ny
proteina. Hita ao anatin’ny akoho, trondro, kisoa, atody
· Hydrates de carbones : antoky ny hery azo mandritra ny tontolo
andro ny hydrates de carbone. Ao anatin’ny mofo dipaina, ovy,
vary, paty, no misy azy
· Menaka : Tokony hisy acide gras ho an’ny fitomboan’ny ati-
dohan’ny zaza. Trondro matavy, hena maina sns no ahitana azy
· Legioma : Mitondra vitamina sy sira mineraly ny legioma.
Amin’ny 3 volana fahatelo hitondrana vohoka no tena tsara
hihinanana azy ireny
· Fera sy acide folique : mitondra avo 2 heny noho ny
andavanandro sy ny tahan’ny fera ilain’ny vehivavy mitondra
vohoka. Io singa io dia mitondra ny oksizenina any amin’ny
taova hafa. Mihinana sakafo tena ahitana io singa io sy misy
vitmamina C toy ny frezy, anandrano, manga sns
VOHOKA VOLANA VOALOHANY

Momban’ny vohoka
Mitranga daholo ny fambara rehetra fa mitoe-jaza ianao : maloiloy;
be rora; reraka lava, te hatory foana, ny nono somary miangeza,
sarotiny amin’ny fofona, marary ny valahana ( tsy voatery hitranga
avokoa anefa ireo )

Ny fitomboan’ny zaza
Kely dia kely tokoa ny vatany eto satria dia vao miforina izy ary maka
toerana moramora. Mirefy 4 milimetatra izy. Manomboka mitempo
anefa ny fony ary miforona ihany koa ny placenta izay manohy ny
fiainana aminareo mianaka, io ihany koa no mandefa ny sakafony.
Hifoorna ny ranon-dohany izay hitoerany mandritran’ny 9 volana
Ieo aretina mety hiseho rehefa mitondra vohoka

Tsy fahampian-dra
Lasa tsy ampy fer ny vatana, vokatr’izay, hany ka lasa mora vizana, tsy
mitempo tsara ny fo, tsy mitombo ara-dalana ilay zaza. Noho izany
mila mihinana sakafo mitondra fer ilay vehivavy

Bonibony
Miseho amin’ny alalan’ny kohaka, aretin’an-doha sy ny hafanana
miakatra ny bonibony. Mety harary maso tampoka ihany koa, mety
hanaintaina koa ireo faritra misy atoditarina amin’ny vatana. Raha tsy
voatsabo dia mety hiteraka fahafatesan’ilay zaza mihitsy satria tsy
mbola ampy hery fiarovana ilay zaza.

Aretina amin’ny fivaviana


Indraindray mivoaramena, mangidihidy, manaintaina, mangirifiry sns
ny fivaviana noho fiovaovan’ny tsiry mpanentana. Na tsy atahorana
hiantraika any amin’ny zaza aza ireo aretina ireo dia mila manantona
dokotera hatrany (gynéco)

Fiakaran’ny tosi-dra
Misy karazan’ny 3 ny tosi-drà mandritra ny vohoka. Misy ilay
chronique izay miseho amin’ny herinandro faha 20 ny fitondrana
vohoka, na mandritra ny vohoka mihitsy. Misy ihany koa ilay antsoina
hoe gestationnel izay miseho any amin’ny 3 volana farany hitondrana
vohoka ary mawana tsy ahitana soritra mihitsy. Ary farany dia ny
fiakaran’ny tosi-drà vokatry ny vohoka mihitsy
Bevohoka 8 volana

Momban’ny vohoka
v Efa nahazo eo amin’ny 10 kilao eto ianao, boribory tsara ary
henjana ny kibo, mety cambré kely ianao ( miditra ny lamosina)
v Mahatsapa ho mora sempotra matetika, aza mitsangana
matetika
v Mavesatra sady enjana ny nono, miomana amin’ny
fampinonona izy. Indraindray mety misy rano mavomavo
mivoaka mihitsy saingy tsy misy atahorana
v Indraindray mety mihenjana ny kibo toy ny mihetsi-jaza ianao fa
tsy marary akory io, fiomanan’ny vatana daholo izany. Milanja
eo amin’ny 1 kilao eo mantsy ny tranon-jaza

Ny fitomboan’ny zaza
v Mahazo lanja tsara ny zaza, mihamalefaka ny hodiny ary mifono
graisse izay natao hitazona ny hafanany rehefa teraka izy
v Mihetsika tsy an-kijanona izy ary renao tsara izany, manomboka
mivadika ny paoziny ka ny lohany indray no ambany
v Misotro ny rano an-kibo izy izay manamafy ny taovany
v Milanja 2,3 na 2,8 kg izy ary 45 cm ny halavany
Fomba ahazahoana zaza kambana

Maro tokoa isika no maniry ahazo kambana koa ity misy


torohevitra mahasoa :
Ø Hoanina isan’andro mandritran’ny 2 mois alohan’ny
hametrahana azy patate douce sy ronon’omby, mihinana izay
lany tsy votery mahalany be dia be anefa
Raha tiana ho lahy na vavy ny zaza

Raha tiana ho lahy


Tsy manao firaisana ny 8 à 13eme jours. Ny 14 eme jours ihany vao
manao firaisana miaraka amin’ny position levrrette ( 4 pattes) mba
hialana amin’ny acide vaginale

Raha tiana ho vavy


Manao firaisana ny 8 à 13 jours, tsy manao kosa ny 14 à 19 miaraka
amin’ny position missionnaire ( fomba drazana) raha hoe tsy maintsy
manao firaisana dia mila mampiasa fimailo

Fomba natoraly mahafaka ilay mando lava


Ø Voalohany aloha rehefa avy misakafo ianao dia tsy tonga dia
mitsangana manao raharaha sns fa mipetraka mandritra ny 10
na 20 minitra aloha vao manao zavatra; tsy misotro rano
alohan’ny sakafo na mandritran’ny sakafo ihany koa
Ø Citron : rapena ilay idiny iny ary hatao jus sotroina 30 minitra
alohan’ny sakafo , afaka mampiasa tantely fa tsy siramamy
Lahy sa vavy? Azo fantarina amin’ny fomba natoraly

Fahiny mantsy tsy mba nisy izany “echographie” izany fa ity


fomba natoraly ity no nampiasain’ny olona saingy tsy fantatra
ny taha mahamarina azy

Akora ilaina
§ Karibonetra 2 sotro kely
§ Vera plastika fanary 2

Fomba fikarakarana azy


Araraka ao anaty vera ilay karibonetra ary ataovy anaty vera
hafa 1 kosa ny fivalanan-drano tokony ho 2 sotrokely. Araraka
atao mitete ao anatin’ilay vera misy karibonetra ilay fivalanan-
drano. Raha misy roatra maro na entona miakatra amin’ilay
vera dia lahy zay ilay zaza ao am-bohaka. Raha vitsivitsy ireo
roatra miakatra na entona dia vavy zay ilay zaza

Fanamarihana
Tsara fa fivalanan-drano vao maraina no atao ary marihana
ihany koa fa tsy azo antoka 100% ity fomba ity ka tsara ihany
manantona mpitsabo manao echographie
“Test de grossese” natoraly

Misy fomba maro ireo test de grossesse izay afaka atao amin’ny
fomba natoraly

Akora ilaina
Ø Dentifrice : rarahana dentifrice ilay vera misy fivalanan-
drano vao maraina dia miandry 5 hatramin ny 10 minitra.
Raha miova ny lokon’ ny dentifrice na lasa manga dia
mitondra vohaka ianao “positif”. Raha tsy misy fiovana ilay
dentifrice anaty vera dia “ negatif “
Ø Siramamy : rarahana siramamy 3 sotro lehibe ao anaty
lovia plastika izay misy fivalanan drano 1/2 vera dia
miandry 5 hatramin 10 minitra rahablevona ilay siramamy
dia “negative” fa raha lasa mivaingana ilay siramamy dia
“positif”
Ø Eau de javel : rarahana eau de javel 1/2 vera ao anaty
lovia plastika izay misy fivalanan- drano 1 vera dia miandry
hatramin ny 3 na 5 minitra ka raha tsy miova loko ilay
fivalanan-drano dia “positif” ary raha misy roatra dia “
negative”
Fanamarihana

Marihana hatrany fa tsy azo antoka 100% ny ity fomba ity ka


tsara ihany mividy “test de grossesse” eny amin’ny fivarom-
panafody
Ireo sakafo ho an’ny zazakely

Faha enim-bolany
Mila mitandrina isika eto fa liana fitandremana be ny sakafo omen
any zazakely satria mbola marefo ny taovam-pandevonan-kaniny hoy
ny mpitsabo. Efa fandre matetika ny fanentanan’ny mpitsabo fa ny
nonon-dreny ihany no omen any zaza hatramin’ny faha enim-bolany,
ka manomboka eo amin’ny faha enim-bolany dia aroso etoana
hanampiana ho antsika ray aman-dreny ireo sakafo ara
pahasalamana sy tsara omena ny zaza enim-bolana, tsy voatery
andany vola be anefa fa ireo karazana vokatra omen’Andriamanitrta
ho antsika dia azo ampiasaina saingy tsy mitovy amin’ny fatra na
fangaron-tsakafontsika andavanandro

Sakafo

v Nono isak’izay mitady


v Ilay antsointsika hoe gouter maraina : kobam-bary + ronono
v Sakafo ataondrony : ovy 2 + karaoty 2 ( potseihna ) na koba-
katsaka + ranon-dasopy + sira
v Laoka : toto-kena endasina tsy misy menaka, na nofon’akoho (
azo asiana doberana fromage raha misy)*
v Dessert : ¼ akondro potsehina
v Sakakp ariva : kombam-bary andrahoina amin’ny ranon-dasopy
asiana sira kely, aza adino ny rano eny anelanelany

Sakafo hoan’ny zaza 7 – 8 volana ka hatamin’ny faha 12


volana
v Maraina : sosoa + totom-boanjo, kitoza, ronono
v Gouter maraina : ronono velona + hodi-mofo na biscuits
v Sakafo atoandro : karaoty na zavoka na voatabia (atao manta)
miampy sira sy menaka ary ranom-boasary makirana
v Sosoa + laoka : nofo-kena rehetra ( afa tsy matavy)
v Dessert : voatango na kaki na voankazo masaka ifotony
v Gouter ariva : ronono velona + hodi mofo na koban-katsaka na
fromage
v Sakafo ariva : sosoa na lvary amin’anandrano

Zaza mikohaka
Sahirana tokoa ny ray aman-dreny rehefa marary izay ny zaza koa
ity ary misy torohevitra natoraly

Sirop natoraly

Misy torohevitra maro azo isafidiananao ireto

1. Zavatra ilaina
v Huile d’holive 1 sotro lehibe
v Voasary makirana ½
v Tantely 1 sotro lehibe sy tapany

Fomba fikarakarana azy


Afangaro ireo dia avela 5 minitra vao homena ilay zaza mikohaka

Fomba fihinanana azy


1 sotro kely maraina, atoandro, ariva

2. Zavatra ilaina
v Tongolo be
v Tantely

Fomba fikarakarana azy


Voasana sady tetehina boribory manify ny tongolo be mihisa 6. Atao
anaty lovia jobo dia amamiana amin’ny tantely in 4 sotro lehibe.
Afangaro tsara dia atao bain marie. Saronana ary avela hahazo
hafanana mandritra ny ora 2, tatavano aveo ary iny ranony iny no
omen any zaza mikohaka ka 1 sotro fihinana osaky ny adin’ny 2 na
adin’ny 3 no omena azy. Azo tahirizina anaty frigo mandritran’ny 24
ora
Fitombenan’ny zaza masaka

Sahirana tokoa isika ray aman-dreny rehefa masaka iny ny


fitombenan’ny zaza ka ity ary misy torohevitra natoraly hatrany
hatoro antsika

Ø Hosorana huile d’olive kely eo amin’ny faritra masaka dia ho


hitantsika fa ho sitrana aingana ilay fitombenana masaka. Tsy
tsara ihany koa anefa mampiasa matetika be ilay “couche” ireny
fa ny tsara raha lamba hatrany no ampanaovana azy
Manala sempotra, koaka; rehoka ao amin’ny tratra

Akora ilaina
v Mananasy
v Tamavon’atody 2
v Tantely

Fomba fikarakarana azy


Sasana tsara ilay mananasy vao voasana ary tetehana boribory avy eo
rarahana tantely eran’ny sotro kely mba hivoaka ilay jus raha toa ka
tsy manana mixeur ianao raha misy dia mixeo tsy asiana rano. Reha
vita izay dia hafangaroy ilay tamavon’atody dia avelao maka aina kely
vao misotro 1 sotrokely na 1 sotro fihinana

Fanamarihana
Ø Raha zaza efam-bolana ka hatramin’ny 3 taona dia 1 sotro kely
atao intelo isan’andro
Ø Raha zaza 4 taona ka hatramin’ny 18 taona mihoatra dia 1 sotro
fihinana atao intelo isan’andro, afaka tehirizina 48 ora anaty
frigo
Zaza mitohana

Toy ny olon-dehibe dia mila sakafo manan-karena fibra sy rano


ny zaza rehefa mitohana. Ny tena tsara dia omena karazana
legioma sy voankazo ny zaza raha sendra izany na hisorahana
izany ihany koa ity lasopy iray ity dia mety ho n’ireo zaza
mihoatra ny 6 volana ka efa nomena ireo karazana legioma ary
fantatra fa mahazaka ireo akora rehetra

Akora ilaina
Ø Rano 1l
Ø Korzety1
Ø Karaoty1
Ø Selery tahony1
Ø Tongolo1/2
Ø Kobam-bary 2 na 3 sotro kely
Ø Ravina solila
Ø Fromage nokikisana 1 sotro kely
Fomba fikaranana azy
v Sana tsara ireo legioma ary ampangotrahina anaty rano
v Rehefa masaka dia potserina
v Alefa anaty vilany ny “purée” azo ary hafanaina miaraka
amin’ny kombam-bary mba harihitra
v Moalohan’ny hanesorana ilay fangaro ambony afo dia
alefa ny ravina solila voatoto sy ny fromazy voakiky
v Ampangatsiahana ka rehefa matimaty dia omena ny zaza
Otra mampitony ny fanaintainan’ny zaza

Marary nify, marary an-doha ( loko mavokely matsatso eo


amin’ny sary)
Rehefa mitaraina mafy ho tratran’ireo fanaintainana ireo ny zanakao
dia anaovy otra somary manindry eo amin’ny lohan’ny rantan-
tongony rehetra. Somary tsindriana dia sintonina kely

Tsentsin’orona (loko manga)


Mba hampitony iazy dia ory malefaka somary manindry indray ny eo
afovoan’ny rantsan-tongotry ny zazakely. Ilay avy ao amin’ny faladia
no atao an’izay fa tsy eo an-tampon’ilay tsikelikely ny kohaka

Misy rehoka na mikohaka ( loko maitso)


Raha maneno ny tratra, misy rehoka, tsentsina dia azo atao ny
manotra ny faladian’ny ankizikely ka ny tampony ambony manontolo
no orina

Sempotsempotra ( loko volom-boasary)


Raha misy marary ao anaty kibo na sempotsempotra ny zaza dia ory
ny faritry afovoany indrindra.

Idiran’ny rivotra tsy mahalevon-kanina (loko fushia sy


mavokely)
Raha tsy mahalevon-kina, mitohana, mandoa dia izao no
hamantarana ny faritra orina: zaraina 4 mitsivalana ny faladia. Ny
tapany faharoa miainga avy any ambony no orina. Potserina sady
tsindriana mafimafy kely dia sokafana hivelatra mamonjy sy sisin-
tongotra. Raha toa indray ka nidiran’ny rivotra ny kibo dia miainga eo
amin’io faritra faharoa amin’ny faladia io no midina mankany amin’ny
vodin-tongotra no orina
Ø TOROHEVITRA MOMBAN’NY
VEHIVAVY SY NY FITAOVAM-
PANANAHANY
Ny fadim bolana
Fadim-bolana manaintaina

Tsara hatrany raha sakafo ara-pahasalamana no hanina


mialohan’ny hahatongavan’ny fadim-bolana izany hoe tsy
mahery mihinana vokatra azo avy amin’ny ronono, raha tsy
maintsy anefa dia aleo yaourt 1 isan’andro ihany no hanina.
Awa mihinana gilasy ihany koa. Tsy mihinana sakafo mihendy,
sira sy siramamy ary mila mihinana voankazo sy leigioma
karazan’ny 5 isan’andro

Akora ilaina
· Sakamalao : ny dité sakamalao ihany koa dia anisan’ny
mampitony ny valahana izay manaintaina rehefa fadim-
bolana. Kikisana ny sakamalao tapanay amin’ilay
fividianana eny an-tsena ireny ary ampangotrahina
amin’ny rano 1 vera ary asina tantely 1sotro kely ( izay
mahamamy azy) ary sotroina rehefa itanao fa efa
matimaty azo sotroina ilay izy ka ho itanao fa ho tony avy
hatrany ny fanaintainana mahazo anao
Ireo lokon’ny ra mandritran’ny fadim-bolana
Manodidina ny 12 taona ny tovovavy no mandeha fadim-bolana.
Mety hilaza zavtatra maro momban’ny fahasalamana ihany koa anefa
ny lokon’ny rà mandeha amin’io fotoana io

Mena malefaka manopy mavokely :


Raha manompy mena mavokely ny lokon’ny rà dia vao manomboka
izy zay. Mifangaro amin’ireo tsiranoky ny fivaviana izy no mahatonga
izany. Raha eny anelanelan’ny tsingerim-bolana 2 mifanesy anefa no
miseho io rà io dia tokony hanatona mpitsabo. Mety ho fambara
vohoka na tsiry mpanentana mikorontana na koa ratra any anaty

Mena midorehitra
Salama tsara any taovam-pananahana rehefa midorehitra ny rà
mivoaka amin’ny fadim-bolana. Mila mahina anefa raha mandeha
mihoatra ny 8 andro io rà mivoaka io. Mety ho fambara aretina any
amin’ny “ hypophyse” na “thyroïde” mantsy izy io ka mila manantona
dokotera avy hatrany

Mena mainty
Mety hiloko mena mainty izay koa ny rà rehefa tonga fotoana ary
indraindray aza mety hisy vaingan-drà mivoaka miaraka aminy. Raha
mitohy foana izany ao anatin’ny 10 andro dia mety ho fambara
“fibrome” izany

Mena volom-boasary
Fifangaroan’ny rà amin’ireo tsiranoka mivoaka amin’ny fivaviana no
mahatonga azy io kanefa koa mety ho aretina, indrindra raha miarak
amin’ny fofona ratsy. Jereo akaiky ary manantona mpitsabo raha
mampanahy
Mainty volon-tany
Amin’ny fiafaran’ny fadim-bolanana na ilay fiantombohany iny no
tena miloko mainty volon-tany ny rà mandeha. Ara-dalana tanteraka
io lokony io ary tsy misy hatahorana
Fadim-bolana tara na tsy niverina ela be nefa tsy
bevoka

Tsy mandeha ny fadim-bolana kanefa tsy bevoka na tsy mbola


tafidtra ao antin’ny taonan’ny fitsaharam-bolana dia tokony mailo ny
vehivavy. Atsoina hoe “ amenorrhee” io tranga io raha toa ka mbola
tsy tonga fadim-bolana mihitsy ary “amenorrhee secondaire” kosa
raha nanjavona ny fadim-bolana, mandritra ny 3 volana eo ho eo,
kanefa efa nandeha ara-dalana teo aloha

Ireto zava-pisotro natoraly ireto dia afaka manosika ny fiverenan’ny


fadim-bolana anefa fa raha tsy miverina ny ampitson’io ny fadim-
bolana dia aleo manantona mpitsabo avy hatrany

Akora ilaina sy ny fomba fikarakarana azy


· Fomba voalohany : mila persil ½ fehezana sy tantely 1
sotro. Diovina tsara aloha ilay persil ary tetehina lehibebe
ny raviny. Arotsaka ao anaty kaseroly ny raviny voatetika
ary asiana rano sahabo ho 2 vera. Ketrehina tsara ary
avela hangotraka sy mpandrapivadin’ny lokon’ny rano ho
maitsomaitso. Tantavanina ary arotsaka ao anaty tasy.
Mamiana amin’ny tantely ary sotroina in-2,maraina sy
hariva
· Fomba faharoa : mila tamotamo 1 sotrokely, ranon’ny
antsasaka voasarimakirana, tantely 1 sotro fihinana ary
vaingana lagilasy. Arotsaka ao anaty rano mangatsiaka 1
vera ny vovoka tamotamo. Avela hilona kely 5 minitra eo
ho eo aloha ary rarahana ranom-boasarimakirana sy
tantely ary vaingana lagilasy . sotroina in-2 ao anatin-ny 1
andro, maraina sy hariva

Fanamarihana
Mila manao test de grossesse aloha mana,arina fa tsy bevoka
alohan’ny hanaovana azy ity

Ireo zava-pady 5 mandritra ny fadim-bolana


Manao tampon ela loatra
Raha “tampon” no ampiasaina dia isaky ny adin’ny 4 no
tokony hosoloina izy ireny. Mety hahatonga aretina
antsoina hoe “syndrome toxique lié au regle “ izy io.
Aretina miseho vokatry ny virosy antsoina hoe
« staphylocoque doré » izy io. Io virosy io miandroma ao
anatin’ny rà, azo tamin ‘ny alalan’ny loto, ary mora
mitombo amina toerana iray feno rà toy ny tampon

Tsy misolo serviette


Aza adinoina mihitsy ny manolo ny serviette hygiénique ny
alina mialohan’ny hatoriana . raha azo atao dia ireo
serviette hygiénique vita lamba no ampiasaina

Tsy mampiasa vatana


Tana ilaina ihany koa ny mampiasa vatana rehefa tonga
fadim-bolana . Ho an ‘ireo vehivavy miaina
fanelingelenana mifandraika amin io fadim- bolana io
anefa dia mapitony kokoa azy ireny ny
fanantanjahantena .Ny lomano ihany no fadio

Tandremo ny vokatra avy amin ny ronono


Ahenao ihany koa ny fihinanana ireo vokatra azo avy amin
ny ronono. Betsaka “acide arachidonique”mantsy
anatin’izy ireny izay mahatonga ny fanaintainana amin’ny
kibo. Ronono azo avy amin’ny “amande” na voanio
sotroina

Miray ara-nofo tsy manao firaisana


Mety hitranga ny hoe bevohoka raha vao miray ara-nofo
mandritra ny fadim-bolana raha ohatra ka vetivety ny
faharetan’ny tsingerim-bolana. Fa ny tena goavana
indrindra nefa dia mora mifindra kokoa ny aretina azo avy
amin’ny firaisana ara-nofo rehefa miray mandritra ny
fadim-bolana
Mampitony ny hidihidy, perte

Karazana “champignons” antsoina hoe “candida albican”


no mahatonga ny “candidose”. Misy an’io avokoa ny olo-
drehetra hatramin’ny ankizy aza saingy amin’ny taha
ambany. Tsy atahorana ny hanimba ny vatana kosa anefa
izany. ,isy kao anefa ireo tranga sasany no mampirongatra
azy, toy ny diabeta, ny hatavezana tafahoatra, ny fihinana
sakafo diso mamy loatra .Hidihidy no tena fanelingelenana
miseho vokatry ny “candidose”.

Vahaolana?
v Karibonetra sy rano : levonina anaty rano ½ litatra
ny karibokentra 3 sotro kely. Raha efa izay dia sasana
amin’io fangaro io ireo faritra mangidihidy, in-2
isan’andro. 2 herinandro eo ho eo dia tokony ho efa
misy fivoarana
v Tongolo gasy sy rano : petsihina anaty mixeur ny
tongolo gasy hasiny 1 sy ny rano 1 tasy. Rehefa
mitambatra tsara dia tantavanina ary sotroina avy
hatrany. In-1 isan’andro dia ampy
,

Fomba fananterena “vagin”

Maro tokoa isika vehivavy no te anery ny “vagin” antsika fa ity misy


fomba natoraly hatolotra antsika

v Vahona
Sasana tsara ilay vahona vao kikisana fa tsy ilay efa vita misy
produit hafa miaraka aminy ireny. Rano mangatsiaka ½ l
anfagaro miaraka amin’ilay vahona 2 sotro fihinana hikobanana
farany rehefa misasa ,tsy fafana fa avela maina amin’izao

N.B: atao rehefa misy firaisana ara-nofo. Tsy misy “effet


secondaire”
Zavatra hatao mahatsara forme ny fitombenana

v Zavatra ilaina
v Beurre de karate
v Huile de fenugrec

v Fomba fikarakarana azy


Hopoana ilay beurre de karate avy eo hafangaro amin’ny huile de
fenugruc atao mitovy fatra izy 2 ary iny no anaovana hotra malefaka
an’ilay fitombenana isan’andro.
v Fanamarihana
Marihana hatrany fa tsy horina midina fa miakatra ary tsy misy “effet
secondaire”
Ho an’ny vehivavy kely nono

Ity indray misy fomba natoraly ahafahantsika mampitombo ny nono

v Akondro
Tsara raha mihinana akondro 2 na 3 isan’andro ny vehivavy

v Diloilo coco
Manao hotra malefaka amin’ny diloilo coco isan’andro mandritran’ny
1 volana. 2 minitra eo ho eo ny faharetany, tsy tsindriana akory fa “
movement circulaire” no hatao

Ity indray dia fomba fampiakarana nono


v Akora ilaina
· 1 sotro fihinana gel vahona
· 2 sotro fihinana ranona cocombre norapena
· 1 soro kely vovoka tamotamo
· Tapotsin’atody 1

v Fomba fikarakarana azy


Kapohana miaraka ireo rehetra ireo dia avela 5 minitra. Vita izay,
hosorana amin’ny nono hatao miakatra fa tsy mihidina ny fomba
fanosorana azy ary avela 20 minitra vao sasana amin’ny rano
mangatsiaka. Rehefa avy eo manao soutien mampiakatra nono fa tsy
soutien goragora ireny. Atao mandritran’ny 5 andro tsy tapaka

N.B: tsy misy “effet secondaire”


Manafotsy ny faritra matroka ary tsy mampisy volo
intsony

Samy maniry an’izany tsy misy volo izany intsony ny vehivavy na


volom-bava, volo-kelika na ny “partie intime” marihuana hatrany
anefa fa fomba natoraly no hatao ary tsy misy “effet secondaire”
mihitsy ary azo antoka 100%

Akora ilaina
ü 1 sotro fihinana ny farine
ü ½ voasarimakirana
ü 1 sotro kely dentifrice maraque colgate ( tsy mety signal,
maxam… )

Fomba fikarakarana azy


Afangaro miaraka tsara izy rehetra ireo, ny fatrany mo
moankina amin’ilay faritra tianao hatao.

Osorana ilay fangaro ilay volo ary avela 5 minitra ary rehefa
aveo hiverenana hosorana indray vao rasena ilay volo, vita izay,
avela maka aina 5 minitra dia hosorana indray ary avela
mandritra ny 5 minitra indray vao sasana amin’ny rano
matimaty. Rehefa vita izay dia tsara raha hosorana diloilo coco
na huile d’olive ilay faritra

Izay no hatao rehefa hanala volo. Mapiasa in-2 in-3 dia mihena
ilay volo ary rehefa aveo tsy maniry intsony
ny homamiadan’ny nono

Fomba hijerena sao misy mivonto


Tokony atao fahazarana ny fitsapana ny nono samy irery. Eo
am-patoriana, aforitra sy ondanana ny Tanana hitsin’ilay nono
hotsapaina. Asiana ondana na servieta miforitra ao
ambanin’ilay nono hotsapaina. Atao mitambatra tsara ny
rantsan-tanana 3 eo afovoan’ny Tanana ary ahodinkodina avy
ao anatiny mankany ivelany, miakatra sy midina amin’ny nono.
Tsy adinoina ny mitsapa helika sy ny tenda sao misy atoditarina.
Tokony hanao azy avokoa ny vehivavy rehetra manomboka eo
amin’ny faha 20 taona no ho mihoatra indrindra ireo avy amina
fianakaviana nahitana homamiadan’ny nono
Ireo sakafo misoroka ny homamiadan’ny nono
Ankoatra io fitsapana ny nono samy irery io dia mameno ny
fisorohana izany ihany koa ny fihinanana legioma sy voankazo
karazany 5 isan’andro, ny fanaovana fanatanjahantena, ny
fifadiana sigara sy zava-pisotro misy alikaola
Mandevona ny “kyste” sy ny “fibrome”

fibrome
Karazana fivontosana kely mety hahazo ny vehivavy rehetra indrindra
ireo vehivavy mainty hoditra ny “fibrome”. Tsiry mpanentana no
mahatonga azy hifprpna. Matetika dia ireo vehivavy efa nahazoazo
taona no tena hisehoan’ireo tranga maneligelina vokatry ny
“fibrome”. Tsy voatery ho esorina na hodidiana foana izy io, raha tsy
manelingelina ny fitondrana vohoka syamin’ny vatana

Kyste
Fikorontanan’ny tsiry mpanentana no nampiforona ny “kyste” any
amin’ny tranon’atodinaina. Tsy tokony hampitahotra izany anefa
raha tsy hoe mihatra amin’ny fahasalamana mihtsy

Fomba natoraly hisorohana izany


Mandrindra ny tsiry mpanentena ity zava-pisotro ity mba tsy
hisian’ny fiforonan’ny “kyste” na ny “fibrome” nefa mety handevona
ireo ihany koa anefa raha vao manomboka izany

Akora ilaina
ü Rano 1l
ü Ranona betiravy manta singany 2
ü Tantely ½ sotro

Fomba fikarakarana azy


Arotsaka ao anaty mixeur avokoa ireo akora rhetra ireo rehefa voadio
sy voavaofy ny betiravy. Potsehina tsara mandritra ny segaondra
vitsy. Sotroina in-3 isan’andro ity zava-pisotro ity : vao mifoha, ao
aorinan’ny sakafo antoandro ar ao aorinan’ny sakafo ariva.
Tanterahina 2 volana ary hahato 2 volana dia azo averina indray

Vous aimerez peut-être aussi