Vous êtes sur la page 1sur 50

2

HAFATRA
Ny fianarana gitara dia toa ny fianarana rehetra, mila hay ny
lesona kanefa ny fampiharana no tena lehibe indrindra.
Ny tanjon’ity boky ity ary dia ny hanome ny lesona rehetra izay
misy amin’ny gitara fa indrindra hanome fampiharana mba
hanamora ny fandraisana azy.

Ny olona rehetra dia afaka mianatra gitara avokoa, ny fomba


fianarana mety tsy hitovy, fa kosa raha toa ka manaraka tsara
antsakany sy andavany ny voarakitra ato ianao dia ho mora sy
ho aingana kokoa ny fahaizanao gitara.

Marihiko tsara fa tena ho vita ny mianatra gitara ao anatin’ny


iray volana sy tapany fa kosa tsy mila manao maika, hianaro
tsirairay ary vitao daholo izay fampiharana rehetra itanao ato.
Rehefa voafehy ny lesona iray vao mijery ny manaraka.

GITARA HENTS
3

FANDAHARANA

1- NY ATAO HOE GITARA ---------------------------------p4


2-NY NOTE -- -------------------------------p8
3-NY GAMME ---------------------------------p13
4-NY ACCORD ----------------------------------p19
5-NY BARRAGE / CAPOT ---------------------------------p25
6-NY FANINTSIANA (REGLAGE) -------------------------------p31
7-NY FIHAINONA (ECOUTE) ---------------------------------p35
8-SOLO ---------------------------------p40
9-NY FAMAKIANA TABLATURE -------------------------------p46

GITARA HENTS
4

NY ATAO HOE GITARA :

GITARA HENTS
5

-Ny gitara dia zava-maneno tendrena amin’ny alalan’ny


« corde ». Tsy voafaritra mazava ny fipoirany satry efa
atramin’ny taona talohan’i Jesoa Kristy dia efa nahitana azy na
dia tsy mbola toa ny ankehitriny ary ny paoziny.
-Misy karazany maro ny gitara fa ny tena fantatsika dia ny :
 Gitara Acoustique
 Gitara Electrique
 Gitara Classique (io amin’ny sary)

CORDE :
-Araky ny hita ery amin’ny sary ambony dia maromaro ny
zavatra mandrakitra ny gitara, fa ny ho resahintsika voaloany
dia ireo « cordes » sy ny anarany tsirairay avy.
6 (enina) no isan’izy ireo ka ireto avy ny anarany :

GITARA HENTS
6

1- MI na E
2- LA na A
3- RE na D
4- SOL na G
5- SI na B
6- MI na E

#Rehefa hamaky « tablature » ianareo no tena hampiasa


ireo anarana hoe « EADGBE » ireo

MANCHE :
-Rehefa fantatra ny anaran’ireo « cordes » dia andeha ho
resahintsika ny « Manche » (hita amin’ny sary 01).
Itantsika fa mizara « case » maromaro izy io, mety ho 22,
23,24 ny isan’ny arakarak’ilay gitara, ny Acoustique ohatra
dia 23; matetika kosa ny Classique 22 na 21 ary ny
Electrique 24.

Ny tsara ho fantatra dia ny manche matetika misy ny atao


hoe « point de repère » na teboka famaritana  (na eo
afovoan’ny case na ety amin’ny sisin’ny manche tazana avy
aty ambony).
Ilaina tokoa izy ireo satry manamora ny fitendrena Gitara ka
eo amin’ny 3ème 5ème 7ème 9ème 12ème 15ème 17ème 19ème 21ème
« case » avy no misy azy ireo.
GITARA HENTS
7

Raha mandinika tsara isika dia ny 12ème irery ihany no


nombre paire amin’izy ireo. Misy dikany manokana io 12ème
« case » io satria eo no fisasahan’ilay manche ka rehefa
tonga eo dia miverina daholo ireo note rehetra tany aloha
(mazava kokoa any anaty video)

GITARA HENTS
8

NY « NOTE »
Ny atao hoe note dia famantarana feo iray amin’ny alalan’ny
teny na sary,
Ireto avy ary ireo « Notes » tsotra izay tena fampiasa matetika ra
toa ka vao hianatra gitara
7 (fito) no isan’izy ireo :

DO RE MI FA SOL LA SI
C D E F G A B

12 (roambinifolo) kosa no tena isan’izy rehetra :

DO Do# RE RE# MI FA FA# SOL SOL# LA LA# SI


C C# D D# E F F# G G# A A# B
DO REb RE MIb MI FA SOLb SOL LAb LA Si b SI

GITARA HENTS
9

Amin’ny tontolon’ny gitara dia tsotra ny fitsipika tokony arahina


amin’ny fitadiavana ny toeran’ny note tsirairay :
Tokony ho fantatra fotsiny ny isan’ny « case » manelanelana ny
« note » roa mifanesy. Toy izao no filaharany :

Do RE = Temps iray = cases roa (2)


RE MI = Temps iray = cases roa (2)
MI FA = ½ Temps = case iray (1)
FA SOL = Temps iray = cases roa (2)
SOL LA = Temps iray = cases roa (2)
LA SI = Temps iray = cases roa (2)
SI DO = ½ Temps = case iray (1)
Marihina fa eo anelanelan’ny note roa sarahan’ny temps 1 dia
misy note iray hafa antsoina hoe # (dièse) na « b »bémol
Ohatra : Do# = RE b

, LA# = SI b
, FA# = SOL b
Koa satria efa ½ temps ny elanelan’ny MI sy FA dia tsy misy izany
ny MI#, tahak’izay ihany koa ny SI.
(anaty video ny fanazavana misimisy kokoa)
GITARA HENTS
10

Fampiarana :
1-tadiavo eo amin’ny corde SI ary ny FA
2-Tadiavo eo amin’ny corde LA ny RE#
3-Tadiavo eo amin’ny corde E ny C#
4- Inona avy ireto note mena ireto ? (hita havanana makany
amin’ny havian’ny manche)

GITARA HENTS
11

Valiny : (hita avy mankany amin’ny havanan’ny manche)


GITARA HENTS
12

GITARA HENTS
13

NY GAMME
Ny atao hoe Gamme dia filaharana « note », entina indrindra izy
io amin’ny Fanitarana (improvisation) na amin’ny SOLO.
Rehefa hay ny Gamme dia mora kokoa ny mitady ny Tonalité na
koa ny mamorona hira.
Misy karazany maro dia maro ny Gamme ary arakaraky ny
mozika tendrena ny gamme ampiasaina (JAZZ, SOUL,
COUNTRY,…)
Tsy ilaina lotra noho izany ny mahay azy rehetra ireo fa izay
ampiasaina matetika ihany no tokony hianarana tsara sy
averimberina.
Ny ho jerentsika ary dia ny « gamme Majeure » sy ny « gamme
pentatonique » izay tena fampiasa indrindra ary afaka
ampiasaina amin’ny karazana hira maro.

GAMME MAJEURE : (ita avy aty ambony)

GITARA HENTS
14

Gamme majeur SOL

Ny gamme Majeure dia tsy inona fa :


« DO RE MI FA SOL LA SI » ihany, noho izany dia mora ho
antsika ny mampiasa azy raha efa nizatra isika tamin’ny lesona
teo aloha (note).
#Ireo hitantsika miloko mena ireo dia SOL daholo.
Mba hanamorana ny fitadiavana nefa dia azontsika atao tsara
ny mandray ny note voalohany ho Do
(anaty video ny ohatra)

Fantaro koa fa misy anarany avy ireo note mandrakitra ny


GAMME ireo :
Ny note voalohany no antsoina hoe : Fondamentale, manaraka
azy ao ny second, ny tierce, ny quarte, ny quinte, ny sixte, ny
septième ary ny octave.
Ra ny gamme DO ihany no raisina dia toa izao ny filaharany :
Do /Fondamentale
GITARA HENTS
15

RE /second
MI /tierce
FA /quarte
SOL /quinte
LA /sixte
SI /septième

Fampiarana :
1-Tadiavo daholo ny gamme majeure ny Note rehetra : Do ka
hatramin’ny Si.

2- Avereno in-3 avy ny gamme de DO, SOL isanan’andro


alohan’ny hitendrenao gitara na izay fotsiny ary ny antony
hikitianao gitara dia ataovy foana izay.

GAMME PENTATONIQUE :
Ny gamme pentatonique moa dia mora kokoa noho ny gamme
majeure satria raha toa ka note 7 no manone ny gamme
majeure dia izy kosa note 5 fotsiny, izay no naha « PENTA » azy.
Na izany ary dia misy karazany roa izy dia ny :
Pentatonique MAJEURE sy pentatonique MINEURE.
Ny fampiasa matetika moa dia ny MINEURE :
GITARA HENTS
16

DO - RE# - FA – SOL - LA#


Mety ho sarotra tadidiana raha ny note fa fametrahana azy
amin’ny gitara kosa dia tsotra dia tsotra

Gamme penta mineur FA

Ireo miloko mavo dia FA daholo.

Ny fitadiavana azy mora kokoa dia ny isan’ny cases :

T= temps

Eto dia miasa be ny fahaizana ilay lalàna hoe firy case ny temps
iray.
Ireto kosa indray ny gamme Pentatonique MAJEURE :

DO RE MI SOL LA DO (miala ny FA sy ny SI)


GITARA HENTS
17

Gamme penta majeur LA

Eto izy nataoko fanahy iniana ilay tena note mihitsy no apetraka
mba ahitanareo fa sarotra kokoa ny mitadidy azy.
Fa na izany ary dia mila fantarina ihany.

Fampiarana :
1- Tadiavo daholo ny gamme pentatonique MINEURE ny note
rehetra.
2- Avereno in-3 isaky ny avy mitendry ny Pentatonique
Mineure sy Majeure LA sy MI.

GITARA HENTS
18

Tsara ho fantatra : Ny SOLO rock no tena ampiasana ny


gamme pentatonique ka ilaina be izy rehefa hitendry Mage 4 na
Ambondrona na Kiaka na …. 

GITARA HENTS
19

NY ACCORD
Ny atao hoe accord dia fitambarana note maromaro afaka
mifameno na mifanaraka mba hanomezana feo « mirindra »
(harmonique).
Ka rehefa mihoatra ny 3 (telo) dia efa azo antsoina hoe
ACCORD.
Ny anarany :
Ny anaran’ilay accord dia mitovy amin’ny anaran’ilay NOTE
voalohany itondrana azy
Ohatra : rehefa note DO ny itondrana azy dia « accord de DO »
zany izy.
Ka io Note voalohany io no antsoina hoe « fondamentale ».
Misy anarany avy tokoa ny note rehetra mandrakitra ny accord
ka ireto avy izy ireo arakan’ny filaharany :
1- Fondamentale
2- seconde
3- Tierce
4- Quarte
5- Quinte
6- Sixte
GITARA HENTS
20

7- Septième

ACCORD TRIADE MAJEUR :


Inty no accord fampiasa voalohany rehefa hianatra gitara, satria
avy amin’ny fitambaran’ireto note 3 manaraka ireto no
namoronana ny accord fototra rehetra.
Ireto avy ary ireo note :
1- Fondamentale (Tonique) : ilay mitondra ny accord
2- Tierce : 2 Tons ao aorian’ny fondamentale / 4 cases
3- Quinte : 1.5 tons ao aorian’ny tierce / 3 cases
Zany hoe ra Do ny Fondamentale dia toy zao ilay accord
TRIADE :
DO_MI_SOL_DO

Fampiarana :

GITARA HENTS
21

1-Tadiavo ireo Accord RE-MI-FA-SOL-LA-SI (na efa hainao ary le


izy dia avereno amin’io fomba io ny fitadiavana azy) (any
amin’ny farany ambany ny valiny)

2-Tadiavo ny Accord de MI raha eo amin’ny corde SOL no


anombohana azy (any amin’ny farany ambany ny valiny)
-Tadiavo ny accord de raha eo amin’ny corde RE no
anombohana azy

ACCORD TRIADE MINEUR


Mitovy amin’ny accord triade majeur ihany dia note 3 no
manome azy fa saingy kosa miova ilay tierce lasa MILATSAKA
DEMI TON
Raha raisintsika ihany ilay ohatran’ny accord de DO dia lasa
hoe :
DO_RE#_SOL_DO (min
Raha accord de RE majeur sy RE min izany dia :
RE_FA#_LA_RE (maj)
RE_FA_LA_RE (min)

GITARA HENTS
22

Fampiarana :
3-Tadiavo ny DO min
4- Iza avy ny Note triade manome ny accord de SOL ? LAmin ?
FA# ? SImin ?

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

VALINY :
1- Ireo accord majeur sy mineur :

GITARA HENTS
23

2 : Accord Mi (manomboka corde SOL)

3 : Accord DO min

GITARA HENTS
24

-----------------------x-------------------------------------------------
BONUS :

GITARA HENTS
25

NY BARRAGE / CAPOT
Voalohany indrindra dia tsara ho fantatra fa na inona na inona
zava-pitendry dia misy foana ny atao hoe « transpose »
Ny atao hoe transpose dia famindrana ACCORD iray na GAMME
iray.
Ohatra : Accord DO miakatra RE na midina SOL.
Amin’ny piano izy io dia vita amin’ny alalan’ny fanindrina
bokotra fotsiny. Fa amin’ny gitara kosa dia amin’ny alalan’ny
CAPOT no anaovana azy (hita ao amin’ny video)

Ny « accord barré » :
Misy roa ny fanehoana ny accord, dia ny accord malalaka sy ny
accord barré.

GITARA HENTS
26

Samy accord ihany izy reo saingy samy manana ny tena ilana
azy,
Ny accord Malalaka : dia ilaina kokoa rehefa hampiteny gitara
satria afaka mihetsika tsara daholo ny rantsana.

Ny accord barré : kosa dia ilaina tokoa satria amin’io no


ahafahana manao transpose tsy mampiasa CAPOT.
Ho an’ireo zay vao mianatra gitara dia somary sarotra ny manao
ny accord barré, fa ireto kosa misy fikafika kely mba
hampamora zay kokoa :

GITARA HENTS
27

Tsy atao midina ambany be ny tanana na atao ambony loatra fa


eo afovoany no itazonana ilay manche :

Mora reraka ny ankihibe sy ny hato-tanana raha toa ka ambany


loatra ary tsy afaka mietsika tsara kosa raha atao ambony.

Ireto avy ary ny karazana accord barré misy :

GITARA HENTS
28

GITARA HENTS
29

Ireo izany no fototra hiaingana, dia antsika amin’izay no mitady


ny hafa amin’ny alalan’ny fahaizantsika ny NOTE sy GAMME
(miakatra na midina ).

GITARA HENTS
30

Ohatra : itantsika io ny SOL min7… izay hoe ny LAmin7 izany dia


mikisaka 1tons = 2 cases amin’io fotsiny.

GITARA HENTS
31

REGLAGE (ACCORDER)
Ny atao hoe Mi-accorder gitara na mi-accorder gitara
(fanagasiana) dia ny fanomezana ny feony avy an’ireo corde dia
tsy inona fa ny :
MI LA RE SOL SI MI

Ny Case faha 5 :
Ny lalanan’ny case faha 5 no mora indrindra raha toa ka hi-
accorder gitara nefa tsy misy « accordeur »
Io lalàna io dia milaza fa rehefa tsindrina eo amin’ny case faha 5
ny corde iray dia mitovy feo amin’ilay corde ao ambany.
Raha nianatra tsara ny lesona NOTE sy gamme dia mazava ho
azy izany
Ohatra :
eo amin’ny 5ème case corde MI ny LA
eo amin’ny 5ème case corde LA ny RE
eo amin’ny 5ème case corde RE ny SOL

GITARA HENTS
32

Araky ny ita eo amin’ny sary dia misy ihany ny miavaka tsy


manaraka ilay lalanan’ny 5ème case, dia ny Corde SOL mitady SI
izay eo amin’ny 4ème case no ahitana azy.

Fanodinana ny Mecanique :
Ireo ambony : MI -LA –Re dia toa izao no fanodinana azy

GITARA HENTS
33

Ireo Cordes ambany kosa : SOL – SI –MI dia toa izao :

GITARA HENTS
34

Ny accordeur :
Eny fa na dia misy ireo fomba ireo dia tsiahivina fa mora kokoa
sady marina kokoa ny fi-accordena gitara rehefa manana
accordeur na application accordeur.

GITARA HENTS
35

NY FITADIAVANA HIRA SY
FANOVANA TONALITE
Anisan’ny dingana tena ngeza indrindra amin’ny fianarana
gitara ny fahaizana mitady ny accord amin’ny alalan’ny
fihainoana fotsiny ihany.
Tsy mora izy na ho an’ny olona tena mahay mozika ary, nefa azo
atao tsara ny mianatra azy, ary tsy maintsy hay ra toa ka
voaaraka ireto fitsipika ireto :
1-Mila accordé tsara ny gitara voalohany indrindra (itanao ao
amin’ny lesona ao aloha)
2-Manampy betsaka ny fahaizana note sy Gamme
3-Tsy ny hira tiana no hanaovana fampiharana voalohany fa ny
hira mety ho hay (hira tsotsotra)
Ohatra : Miodikodina-Mahaleo
Samoela – Soly
Mahaleo -Miodikodina

Ary ny farany sy tena ilaina indrindra dia ny :


4-Mahafantatra ireo accord 4 Majika 

GITARA HENTS
36

Majika ireo fitambarana accord 4 reo satria ireo fotsiny no ilaina


dia efa hay daholo ny 80% hira rehetra.
Tsy iza zany fany accord azo avy amin’ny :
1- Note fondamantale
2- Quarte
3- Quinte
4- Sixte mineur

Ohatra avy hatrany :


Raha toa ka gamme de DO dia ireto avy ireo accord ireo: DO –
FA – SI – LAmin.
Na koa ny SOL :
SOL- DO- RE -MImin
Mora kokoa izy raha toa ka ny repère ao amin’ny gitara no
jerena (ao amin’ny video ny fanazavana misimisy
kokoa)

GITARA HENTS
37

Fampiharana :
Tadiavo ary soraty amin’ny taratasy ireo accord majika ho an’ny
gamme RE-Mi-FA-LA-SI.

Dingana arahina rehefa hianatra hira :


1- Henoina ny BASSE voalohany amin’ilay hira
2- Atao izay ahitana iny note (basse) iny amin’ny gitara
3- Fenoina ilay accord
4- Ampiasaina amin’izay ireo accord majika (ao anaty video)
5- Mandefa MP amin’i Hents rehefa tena lany haiky fa tsy kivy
fa mandroso tsikelikely ny sambo nefa tonga lavitra
nohon’ny sprinter mande be 

GITARA HENTS
38

Valin’ny fampiharana : (ATAOVY ALOHA NY FAMPIHARANA IZAY


VO MIJERY VALINY)
-----------------------------------
DO -FA -SOL -LAmin
RE -SOL -LA -SImin
MI -LA -SI -DO#min
FA -LA# -DO -REmin
SOL - DO - RE -MImin
LA - RE -MI -FA#min
SI -MI -FA#-SOL#min
------------------------------------
Ny fanovana TONALITE
Ireo ihany dia efa ahaizanareo sahady ny fiovana tonalité satria
raha toa ka hira tendrena DO ohatra no avadika LA dia miova
tahak’izay koa ny accord miaraka amin’ny
Ohatra :
Raha mila Ianao –Mahaleo (tonalité Do original)
Andininy : DO – FA –SOL –DO (x2)
Fiverenany : FA –DO –SOL –DO (x2)
Raha toa ka avadika tonalité de SOL io ohatra dia manome hoe :

GITARA HENTS
39

Andininy : SOL – DO –RE –SOL (x2)


Fiverenany : DO –SOL –RE –SOL (x2)

Fanazavana :
Ananantsika ny accord majika ny DO sy SOL :
DO -FA -SOL - LAmin
SOL - DO - RE - MImin
Ka noho izany rehefa hivadika tonalité de SOL ilay DO dia :
Izay DO rehetra miova ho SOL
Izay FA rehetra miova ho DO
Izay SOL rehetra miova ho RE
Izay LAmin rehetra miova ho MImin

Ka toa izay daholo ireo rehetra ireo (izay mifanintsy dia


mifanolo)
Fampiharana :
Ovay tonalité hafa daholo ireo hira efa fitendrinao.

Ka raiso ary jereo matetika foana ireo filaharan’ny accord majika


ireo.
GITARA HENTS
40

SOLO
Amin'ny gitara, matetika dia misy fizarana roa dia ny rythme sy
ny SOLO. Izany no antony mahatonga ireo mpihira matetika
manana mpitendry gitara roa: ny iray milalao ny solo (izay
matetika no malaza indrindra) ary ny iray hafa milalao ny
rythme.
Ny solo gitara dia tsy natao fotsiny amin'ny Rock. Misy solosita
daholo amin'ny sehatra mozika rehetra.

FAMORONONANA:
Ny famoronana dia solo dia miainga amin’ilay ataontsika hoe
“aingam-panahy.
Fa kosa ireto misy toro-hevitra na fikafika hanamora izany :
1- Fahaizana GAMME :
Ny gamme no tena miasa indrindra amin’ny fanaovana solo
satria irey note anaty gamme ireny no ampiasaina rehefa
anao solo ary tsy tokony hivoana amin’ireny. Maro dia maro
nefa ny note amin’ny manche raha izay no andraisana azy ...
ka mba hanamorana azy dia misy ny atao hoe : “POSITION” ka
io no hianarana tsianjery.

GITARA HENTS
41

Ny tena tsara indrindra nefa dia POSITION roa (2) no tadidina


sy ampiasaina ;

Rehefa miotra ny 12ème case dia miverina ny note rehetra (lesona voalohany)

GITARA HENTS
42

Ireo ohatra ny position rehetra amin’ny gamme SOL, dia maka


roa izay manavanana sy mora aminareo fotsiny dia izay no
ampiasaina.

2-Ireo Karazana Style na improvisation:


 Hummer-on: mbola maneno ilay corde notendrena
voalohany dia apetaka aingana ny rantsana manaraka tsy
mila mitendry ny Tanana ankavanana.

GITARA HENTS
43

 Pull-off : Mifanohitra amin’ny hummer-on, eto indray dia


esorina ny rantsana mba ampaneno ny note ao arina ary
tsy mila mitendry ihany ny Tanana ankavia :

 Bend : ampiakarina ambony faran’izay tratra ny corde


mba ahazoana ny note eo ambony (MI makany am FA
ohatra)

GITARA HENTS
44

 Vibrato : Atao mangovitra mietsika ambony ambany ilay


fanondro manindry an’ilay corde.

 Slide : atao misosa ny ratsana mba ahazoana ilay note


ambony (na ambany)

GITARA HENTS
45

GITARA HENTS
46

FAMAKIANA TABLATURE
Fanahy iniako natao farany mihitsy ity lesona ity satria, amiko
dia ny fianarana mozika dia miainga amin’ny sofina izay vao
amin’ny maso.
Nefa tsara ihany ny mahafantatra azy satria mora kokoa izy
rehefa hianatra hira tena sarotra na ilaina maika. Raha ny
tenako manokana dia SOLO ihany no mbola nianarako tamin’ny
tablature. Fa nefa kosa raha izay dia tena manampy be izy.
Ny atao hoe Tablature moa dia ny fampisehoana antsoratra ny
zavatra tokony ho tendrena amin’ny gitara na antsoina koa hoe
TAB.
Mora ihany ny fianarana azy fa mila mifantoka tsara.

Tahaka izao ny paoziny :


 Misy tsipika 6 izay mifanaraka amin’ireo corde 6 amin’ny
gitara ka ny aty ambany indrindra no MI «be » manaraka ny
LA … (efa hainao)
GITARA HENTS
47

 Avy dia tsikarika ireo chiffre ireo ka 0 katramin’ny 24


arakarakin’ny isan’ny case. Izany hoe mifanaraka amin’ny
isan’ny case izany reo.
Ra izany ary dia io 0 itantsika voalohany amin’ny sary io zany dia
midika hoe ny corde MI « vide » no tendrena.
Ilay 2 kosa midika hoe corde MI eo amin’ny 2ème case no
tendrena
Ilay 4 indray midika hoe corde MI eo amin’ny 4ème case no
tendrena.
Ka mandeha manaraka an’izay ny tohiny rehetra.

Ra toa ka accord feno ary ny ho jerentsika dia toa izao :

GITARA HENTS
48

Atao milahatra izany ireo note rehefa miaraka tendrena, ary


mikisaka makany ankavanana kosa rehefa mandroso tsirairay.

Araka ny nolazaiko teo dia amin’ny fianarana SOLO (amiko) no


tena mapisy tombony amin’ny fahazaina tablature.
Ka ireto ary misy zavtra tsy maintsy fantarina raha toa ka
hianatra SOLO amin’ny alalan’ny tablature ianao

Efa itantsika tamin’ny lesona solo daholo moa ny


ankabeazan’izy ireo ankoatran’ny :
PM : tsindrina amin’ny tanana (ankavanana) ny corde mba ts
hamoaka feo mazava fa migobona.
GITARA HENTS
49

X : apetraka eo amin’ilay corde fotsiny ny tanana fa tsy tsindrina


dia manome feo mikaretsoka io rehefa tendrena (étouffé)

Fampiharana : (ataovy miadana sy tsirairay)

GITARA HENTS
50

FAMARANANA :

Aza adino hatrany fa na iza na iza hampianatra , na inona na


inona ampianarina dia ny famerenana ataonao sy ny
fahavononanao hianatra no tena mampisy na tsy mampisy ny
vokatra.
Nefa inoako fa matoa ianao namaky ity boky ity hatramin’ny
farany dia vonona ary tena te ahay gitara, ka tohizo hatrany ary
izany fitiavana sy fahavononana izany fa reo no fiangan’ny zava-
dehetra.

ZAY ARY FA MAZOTOA O !!!!

GITARA HENTS

Vous aimerez peut-être aussi