Vous êtes sur la page 1sur 101

UNIVERSITE D´ANTANANARIVO

ECOLE NORMALE SUPERIEURE


DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE
C.E.R. Langue et Lettres Malgaches

MEMOIRE DE CAPEN
présenté par
RAZOELISOANIRINA Tiana Parfaite

ENDRI-PANABEAZANA NY TANORA ANKEHITRINY


HITA AO AMIN´NY TANTARA FORONINA NAVALONA
NOSORATAN´I ZOE BARIJAONA

Directeur de recherche :
Monsieur RATREMA William
Maître de conférences

Date de soutenanc e: 30 Octobre 2007

Antananarivo – 2007
UNIVERSITE D´ANTANANARIVO
ECOLE NORMALE SUPERIEURE
DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE
C.E.R. Langue et Lettres Malgaches

MEMOIRE DE CAPEN
présenté par
RAZOELISOANIRINA Tiana Parfaite

ENDRI-PANABEAZANA NY TANORA ANKEHITRINY


HITA AO AMIN´NY TANTARA FORONINA NAVALONA
NOSORATAN´I ZOE BARIJAONA

Directeur de recherche :
Monsieur RATREMA William
Maître de conférences

Date de soutenance : 30 Octobre 2008

Antananarivo – 2007
TENY FISAORANA

Fifaliana lehibe ho anay ny nahavitan´izao asa fikarohana izao, koa tsy hainay ny
hangina ka tsy hisaotra ireo rehetra nifarimbona taminay tamin´izany. Tsapanay
tokoa fa ny « entan-jarai-mora zaka ».

Raha ny herin-tsain´olombelona fotsiny dia tsy tanteraka izao asa fikarohana izao,
koa isaoranay voalohany indrindra Andriamanitra Andriananahary noho ny
nanomezany hery sy tanjaka ary fahasalamana ho anay.

Isaoranay Andriamatoa Talen´ny Sekoly noho ny namolavolany anay nandritra ny


taom-pianarana. Hambinin´Andriamanitra amin´izay ataonao rehetra anie ianao.

Ankasitrahana eto Andriamatoa RAHARIJAONA Alphonse nanaiky an-tsitrapo ho


Filoha hitarika izao asa fikarohana izao.

Fankatelemana no atolotray an´Andriamatoa ANDRIAMANATSILAVO Seth nanaiky


am-pahatsorana hitsara ny asanay.

Singanina manokana eto Andriamatoa RATREMA William nanaiky an-tsitrapo


hitarika anay. Tsy azo odian-tsy hita ny finiavanao nitsara ny asa fikarohana
nataonay. Nantsoina andro ianao dia andro, nantsoina alina dia alina. Ianao no
angady nananana sy vy nahitana izao asa izao. Koa dia misaotra indrindra Tompoko,
hotahin´Andriamanitra, hambinin-java-manasatra, hitombo fahasalamana hatrany.

Isaoranay ireo mpampianatra rehetra ao amin´ny C.E.R. Lettres Malgaches eto amin
´ny Ecole Normale Supérieure, izay nanoro sy nampianatra anay nandritra ny dimy
taona. Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, koa dia misaotra
indrindra Tompoko.
Tsy hay hadinoina ny fanampiana nataon´Andriamatoa Filohan´ny Sampana Teny
Malagasy noho ny nanarahany maso ny asa nataonay. Ny andon´ny lanitra anie
hirotsaka aminao.

Isaorana ihany koa ireo tompon´andraikitra sy mpandraharaha samihafa noho ny


fikarakarana anay nandritra ny fotoana rehetra nandalovanay teto amin´ny sekoly.
Sitraka enti-matory tompoko, ka hovaliana raha mahatsiaro.

Tsy hainay ny tsy hanolotra fisaorana ireo olona nakanay torohevitra, ny tompon´ny
boky sy ny asa sorany. Misaotra Tompoko satria ny akora avy taminareo no
nanompananay ny asa fikarohana.

Tsy hadino ny manolotra fisaorana ireo olona nanampy betsaka tamin´ny famitana
ny boky. Avahana manokana amin´ireny Andriamatoa RANDRIANARISEHENO
Alain mivady. Mionera be ny lany Tompoko.

Tsy azo atao ambany maso tsy hita ireo masoandro amam-bolana, ny vady izay tsy
nitandro hasasarana, lany mondron-kery tamin´ny nampianarana anay, indrindra
tamin´ny fanohanana anay nandritra izao fikarohana izao. Handidy hahita ny vaniny
sy hikapa hahita ny tonony anie ianareo.

Isaoranay toraka izany koa ny iray tampo, ny namana, ny mpiara-mianatra (Andiany


“TAMBATRA”) izay samy nitondra ny anjara birikiny avy tamin´ny alalan´ireo
fanampiana isan-karazany.

Farany, ny fanadinoana moa mpahazo ny olombelona, koa ialana tsiny indrindra ireo
sokajin´olona nanampy anay tamin´izao asa izao kanefa tsy voatononay. Misaotra
indrindra Tompoko, Andriamanitry ny fiadanana anie homba sy hitahy anareo
tsirairay avy.
RAZOELISOANIRINA Tiana Parfaite
FANONDROAN-TAKILA

Takila

Teny fisaorana ……………………………………………………..………... II

Fanondroan-takila ........................................................................................... IV

Fanondroana fafana sy kisary ........................................................................ VIII

Teny fampidirana ………………………………………………………...….. 1

Fizarana lehibe I : Ny amin´ny mpanoratra sy ny tantara foronina……….


5
I. Ny amin´ny mpanoratra ……...……………………………………....
6
1.1. Fiainany manokana ..............................................................
6
1.1.1. Ny momba azy .......................................................
6
1.1.2. Ny eo anivon´ny ankohonany ……………......…..
7
1.1.3. Ny eo anivon´ny fianakaviany ……….…….….....
8
1.2. Ny fiainany amin´ny maha-mpanoratra azy .…………...….
8
1.2.1. Anarana entiny amin´ny sehatry ny asa soratra .....
8
1.2.2. Karazan´asa sorany ………...………………….....
8
1.2.3. Loharano nipoiran´ny aingam-panahiny …………
9
II. Ny amin´ny tantara foronina …………………………………...…....
10
2.1. Famaritana ny tantara foronina ……………………..…..….
11
2.1.1. Mpanoratra malagasy …………….…………....…
11
2.1.2. Mpanoratra vahiny ................................................
13
2.1.3. “Internet” …………………………………..…..…
14
2.1.4. Tsoa-kevitra ….......................................................
15
2.2. Ny mampiavaka azy amin´ny literatiora an-tsoratra hafa ….
15
2.2.1. Ny lafin-javatra itoviany ........................................
16
2.2.2. Ny lafin-javatra tsy itoviany ………..………..….. 17
2.3. Famintinana ny tantara foronina Navalona …………….…. 18
2.4. Fanadihadiana tantara foronina ampifandraisina amin´ny
Navalona ……………………………………………..…… 19
2.4.1. Ny firafitry ny tantara tarafina amin´ny mpandray
anjara ………………………………………..…… 19
2.4.2. Ny firafitry ny tantara tarafina amin´ny mpandray
anjara asa “actant” ............…………………….... 23
2.4.3. Ny fotoana ………………………………..…....... 25
2.4.3.1. Ny fotoana ivelany ……………..……… 25
2.4.3.2. Ny fotoana anatiny ……………............. 28
2.4.4. Ny toerana ……………………............................. 32
2.4.4.1. Toerana nitrangan´ny tantara …….......... 33
2.4.4.2. Toerana ravaky ny tantara ….……......... 33
2.4.5. Ny fizotran´ ny tantara ………………….….….… 34

Fizarana lehibe II : Ny endri-panabeazana taratra ao amin´ny tantara .… 37


I. Ny fomba fitaizan´ny ray aman-dreny ny zanaka ………………….... 38
1.1. Eo amin´ny fiainan-janany amin´ny ankapobeny ................. 40
1.1.1. Ny vatana ……………………………………...… 40
1.1.2. Ny saina …………………………………...…….. 41
1.1.3. Ny fanahy ……………………………………..…. 43
1.2. Eo amin´ny fiainam-pitiavana …………………….....…..... 46
1.2.1. Miainga avy amin´ny safidy ……………….......... 46
1.2.2. Miainga avy amin´ny fifanohanana ……………... 48
II. Ny vokatra azo avy amin´ny fitaizana …………………………..….. 50
2.1. Eo amin´ny fiainan-tokantrano ……………………..……... 50
2.1.1. Ny fifandraisan´ny mpivady …………………….. 51
2.1.2. Ny fifandraisan´ny ray amin´ny zanaka …………. 52
2.1.3. Ny fifandraisan´ny reny amin´ny zanaka ………... 53
2.2. Eo amin´ny fiainan´ny zanaka…………………...……..….. 54
2.2.1. Manoloana ny manodidina …………………..….. 55
2.2.2. Manoloana ny ho aviny …………………………. 55
Fizarana lehibe III : Ireo lesona azo tsoahana sy ny nahazoana ny hevitra. 57
I. Ireo lesona azo tsoahana ………………………………….………….. 58
1.1. Avy amin´ny mpandray anjara ……………......................... 59
1.1.1. Ho an´ny ray aman-dreny ….……………………. 59
1.1.1.1. Eo amin´ny fiainana ny maha-mpivady . 60
1.1.1.2. Eo amin´ny fifandraisana amin´ny anaka 61
1.1.1.3. Eo amin´ny fifaneraserana amin´ny
manodidina …………………………….. 62
1.1.2. Ho an´ny zanaka ….….…………………………... 63
1.1.2.1. Eo amin´ny fiatrehana ny zava-misy sy
mitranga ……………………………….. 63
1.1.2.2. Eo amin´ny fanomanana ny ho avy ……. 66
1.1.2.3. Eo amin´ny fandraisan´ny zazalahy
fanapahan-kevitra ……………………… 68
1.1.2.4. Eo amin´ny fitondran-tenan´ny zazavavy 69
1.2. Avy amin´ny fotoana………………………………………. 73
1.2.1. Ny fotoana ivelany ………………………………. 73
1.2.2. Ny fotoana anatiny ………………………………. 74
1.3. Avy amin´ny toerana ……………………………………… 74
1.3.1. Antananarivo …………………………………….. 74
1.3.2. Ambany lavarangana …...………………………... 75
1.3.3. Vavahady …...…………………………………… 75
1.4. Avy amin´ny fizotran´ny tantara ………..………………… 76
1.4.1. Ny fanatratrarana ny tanjona …...………………... 76
1.4.2. Ny singa manova ny toe-javatra iaingana ……….. 76
II. Ny nahatonga ireo hevitra ireo hitranga …………………….…...….. 77
2.1. Vehivavy ny mpanoratra ……………………………........... 77
2.1.1. Renim-pianakaviana ………………..………..…... 77
2.1.2. Manan-janaka ao anatin´ny fahatanorana ……….. 79
2.2. Mpampianatra ny mpanoratra ………………………….… 80
2.3. Manankina ny fiainany amin´Andriamanitra …………….. 81

Teny famaranana ……………………………………………………….....… 82

Glossaire ………………………………………………..……………………. 86

Tahirin-kevitra ................................................................................................. 87
FANONDROANA FAFANA SY KISARY

Fafana Takila
Fafana 1 : Ny tsy mampitovy ireo literatiora an-tsoratra mitantara................ 17
Fafana 2 : Ny mpandray anjara ao amin´ny Navalona ……………….……. 22
Fafana 3 : Ny fitaizan´ny ray aman-dreny ara-batana .................................... 40
Fafana 4 : Ny fitaizan´ny ray aman-dreny ara-tsaina …………………….… 42
Fafana 5 : Ny fitaizan´ny ray aman-dreny ara-panahy ………………….….. 44
Fafana 6 : Ny fitiavana miainga amin´ny safidy ..……………………….…. 46
Fafana 7 : Ny fitiavana miainga amin´ny fifanohanana ………………….… 48
Fafana 8 : Ny lesona azo tsoahana ho an´ny zanaka ..………………............ 64

Kisary
Kisary 1 : Ny fifandraisan´ny tompon´anjara asa ao amin´ny tantara ……... 24
Kisary 2 : Ny fiainam-pitiavan´i Navalona ..……………………………….. 24
Kisary 3 : Ny fotoanan´ny fitantarana ao amin´ny Navalona ……………... 30
Kisary 4 : Ny faharetan´ny zavatra tantaraina ao amin´ny Navalona ……... 31
Kisary 5 : Ny fivoaran´ny tantara ……………………………………….…. 34
Kisary 6 : Ny fivoaran´ny tantaram-pitiavan´i Navalona ………………...... 35
TENY FAMPIDIRANA

Maro ireo taranja nianarana sy nanovozana fahalalana nandritra ny efa-taona


nandalinana ny teny malagasy tato amin´ny E.N.S. (Ecole Normale Supérieure), toy
ny riba, ny haiteny, ny pedagojia, ny literatiora, fa nosafidinay ity farany mba
hanompanana ny asa fikarohana izay ahazoana ny mari-pahaizana C.A.P.E.N.
(Certificat d´Aptitude Pédagogique de l´Ecole Normale). Nofidina manokana izy io
noho izy ahitana taratra ny fiainana amin´ny ankapobeny, izay mahasoa sy
mahafinaritra, ialana voly, ary indrindra mitondra fampianarana sy fanolokoloana.

Ny asa soratr´i Zoé BARIJAONA no hohadihadinay, tantara foronina mitondra ny


lohateny hoe NAVALONA, ka asongadina amin´izany ny „endri-panabeazana“ taratra
avy ao.

Alohan´ny hirosoana amin´ny votoatin´ny famelabelarana anefa, dia hofantarina hoe


: inona ireo anton´ny safidy, ny zava-kendrena, ny haitsikera hampiharina ary ny
fetran´ny asa mandritra ny fanatanterahana.

Anton´ny safidy

Lafin-javatra telo no nahatonga anay hisafidy, dia ny mpanoratra, ny lohahevitra, ary


ny boky.

Mpanoratra : vehivavy, renim-pianakaviana, mpampianatra, mendrika hoderaina sy


azo atao fitaratra amin´ny fiainany manontolo. Sahy miteny mivantana ny fahitany
ny fomba fitaizana eny anivon´ny fiarahamonina izy. Tsy nataony ho fialam-boly
fotsiny ny asa sorany, fa nataony koa ho fanabeazana.

Lohahevitra : amin´izao taonjato iainantsika izao dia hita taratra ny fiovan´ny fomba
fitaizana sy ny fitondrana ny zanaka, ary samy sahirana matetika, na ny ray aman-
1
dreny, na ny ankizy, noho ny tsy fitovian´ny fomba fijery. Ity asa soratra ity dia tsy
nijanona fotsiny ho fialam-boly, fa manampy tokoa amin´ny fanitsiana manoloana
izany toe-javatra izany.

Boky : ahitana taratra fanabeazana sy ny vokatra azo avy aminy, ary azo ampiharana
ny lohahevitra. Azo lazaina ho taratra ao avokoa ny sokajin´olona ao anatin´ny
fiarahamonina.

Zava-kendrena

Ny tanjona tiana hahatongavana amin´izao asa izao, dia ny fanehoana fa tsy ny


zanaka ihany no mila beazina fa ny ray aman-dreny koa, satria ny fivoarana dia misy
hatrany. Hisy fiantraikany amin´ny zanaka sy ny tokantranony rahatrizay tokoa
mantsy ny fitaizan´ny ray aman-dreniny azy. Etsy andanin´izany, dia ezahina ny
fanitsiana izay mety ho hevi-diso ananan´ny ray aman-dreny amin´ny fitondrana ny
tanora ankehitriny. Eo koa no tokony hahaizan´ny zanaka mandray ireny anatry ny
ray aman-dreny ireny. Hanampy ny tsirairay eo amin´ny fiatrehana ny fiovana misy
ateraky ny fandrosoana, noho izany, izao fanadihadiana izao.

Petra-kevitra

Amin´ny maha-tantara foronina ny tantara foronina dia maro ireo tara-kevitra azo
tsoahana avy ao. Ny fanasongadinan´ny mpanoratra ny fanabeazana no nahasarika
ny sainay. Tsy vitsy mantsy ireo ray aman-dreny amin´izao fotoana izao no mitondra
ny zanany toy ny nitondrana azy teo aloha ; etsy andanin´izay, ny ankizy indraindray
toa tsy te hihaino azy ireny. Koa ny fanehoana ireo endri-panabeazana tokony hisy sy
ho taratra dia heverina fa hanampy ny ray aman-dreny amin´ny fitaizana ny zanany.

2
Haitsikera

Tsy maintsy miara-dalana hatrany amin´ny fanatanterahana ny asa fikarohana ny


lalan-tsaina, izay mitari-dalana mba tsy hahatonga ny asa hivaona.

I Zoé BARIJAONA raha nanoratra dia niainga tamin´ny zava-nisy tarany teny amin
´ny fiarahamonina, tamin´ny toerana fantany, ka ireny no navadiny ho tantara. Koa
tsy manonofy ny mpanoratra rehefa manoratra, fa izay fantany no ambarany.
Hoy tokoa mantsy François MAURIAC :
“Tsy afaka mamorona tantara iray aho raha tsy
fantatro aloha izay toerana mirindra ametrahako azy”1.

Izany no nahatonga anay hampiasa ny haitsikera miainga amin´ny asa soratra sy ny


zava-draketiny. Manaraka izany, amin´ny maha fandalinana tantara foronina ny
asanay, dia tsara ny hamantarana ireo singa rehetra nenti-nandrafitra ny tantara. Noho
izany, ampiasaina eto koa ny lalan-tsain-dry GOLDENSTEIN sy Claude
BREMOND. Hoy i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA :
“Hametraka ny dian-drantsany eo amin´ny androm-
pahavelomany ny mpanoratra ka hanamarika izany
amin´ny alalan´ny asa sorany, ny vanim-potoana
nandalovany teto ambonin´ny tany sy ny zava-nisy
tamin´izany”2.

Fetran´ny asa
1
François MAURIAC. Le romancier et ses personnages. Collection Livre de Poche. Paris. 1972.
« Aucun drame ne peut commencer de vivre dans mon esprit si je ne le situe dans les lieux où j´ai
toujours vécu » p.86.
2
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA. „Ny Mpanoratra sy ny Haisoratra“. Aritory. Imprimerie
Catholique Antanimena – Antananarivo. 1977. tak. 5.
3
Efa voalaza teny ambony fa ny tantara foronina Navalona nosoratan´i Zoé
BARIJAONA no nofidinay hiasana. Tsy misy afa-tsy io iray io anefa no asa sorany
nivoaka, ka izay taratra avy amin´io no hanatanterahana ny asa fikarohana. Tsy ny
lafin-javatra rehetra taratra ao no hodinihina, fa ny endri-panabeazana ihany.
Marihina fa eo am-pikenonkenonana ny amin´ny famoahana ny bokiny faharoa izy
amin´ izao fotoana izao, ary heverina fa tsy ho ela dia ho afaka higoka ny hakanton
´izany asa soratra izany indray isika mpamaky sy mpakafy.

4
Fizarana lehibe I

Ny amin´ny mpanoratra sy
ny tantara foronina

5
Ho fanombohana ny asa dia hojerena ny amin´ny mpanoratra, izany hoe, ny fiainany
manokana, ireo loharano nipoirany sy izy ao anatin´ny ankohonany ; avy eo ny
fiainany mpanoratra izay handinihana ny nahatonga ny anarana entiny eo amin´ny
sehatry ny asa soratra, sy ireo loharano nipoiran´ny aingam-panahiny. Manaraka ireo
no hojerena ny amin´ny tantara foronina ka ho hita ao ny famaritana vitsivitsy, ny
famintinana ny Navalona, ny mampiavaka azy amin´ny literatiora an-tsoratra hafa,
ary ny fanadihadiana tantara foronina ampifandraisina amin´ny Navalona.

I. NY AMIN´NY MPANORATRA

Alohan´ny hanaovana ny fanadihadiana, dia tsara raha fantarina ny momba ny


mpanoratra mba hahamora ny asa atao, mba tsy hanahirana ny fanakarana ny hevitra.
Hojerena voalohany amin´ity fizarana ity ny fiainan´i Zoé BARIJAONA manokana,
avy eo ny fiainany amin´ny maha-mpanoratra azy.

1.1. Ny fiainany manokana

1.1.1. Ny momba azy

RASOAZANAKOLOMANDIMBIARIVO Zoé no tena anaran´ny mpanoratra.


Teraka teto Antananarivo ny 20 Oktobra 1957 izy. Zana-dRAMAROLAHY Joseph
sy i RAVAOMIHANTA ary zafikelin-dRABARIJAONA mpanoratra izy. Ny
mpanoratra dia monina eny amin´ny 67Ha. Nampianatra ny taranja frantsay tao amin
´ny Lycée sy tao amin´ny sekoly FJKM Anjozorobe izy ny taona 1987 ka hatramin
´ny taona 1994. Lasa mpampiofana tao amin´ny DIRESEB izy ny taona 1994 ka
hatramin´ny taona 2006. Amin´izao fotoana izao izy dia mampianatra ny taranja
frantsay ao amin´ny Collège International La Lumière eny Ivato, rehefa nahazo ny
fisotroan-drononony teo amin´ny asam-panjakana.

6
1.1.2. Ny eo anivon´ny ankohonany

Ny fanambadiana no mitondra ny zanaka ho amin´ny fahaleovantena. Raha tsorina


dia fialana amin´ny fiainana maha-mpitovo, ary fiakarana ho amin´ny zanatohatra
ambonimbony kokoa izany. Nanambady an´i BARIJAONA izy ny taona 1981, izany
hoe teo amin´ny faha-24 taonany. “Ny hanambadian-kiterahana, ary ny hiterahan-ko
dimby”, hoy ny Ntaolo. Niteraka mianadahy izy, ka ny voalohany, Ny Aina
BARIJAONA (lahy) ny taona 1982, ny faharoa, Ny Amy BARIJAONA (vavy) ny
taona 1985.
Nametraka fitokisana tanteraka tamin´ny zanany izy teo amin´ny fitaizana azy ireo,
ary niezaka nampahafantatra fa izy ireo no tomponandraikitra voalohany amin´ny
fiainany na inona na inona miseho.

Na eo aza io fomba fitaizany io, dia tsy nataony latsa-danja ny fanabeazany ireo
zanany ireo tamin´ny fampianarana, izay tsy nitandroany vola aman-karena. Teo
ihany koa ny ara-panahy, nozariny amin´ny fanaovan-tsoa sy ny fandraisana
andraikitra izy ireo.

Mifanampy amin´ny vadiny izy amin´ny fikarakarana ny ao an-tokantrano sy eo amin


´ny fitaizana ny zanaka, na dia misy aza ny mihevitra matetika fa rehefa resaka
fitaizana na fanabeazana dia ny raim-pianakaviana no tompon´andraikitra. Tsy
natokana ho an´ny lehilahy samirery anefa izany, fa indrindra koa ho an´ny reny. Ny
reny no anisan´ny mpanabe voalohany, satria izy no mifanerasera maharitra amin´ny
zanany. Ny mpanoratra rahateo moa, sady reny mpitaiza ny zanany, no mpanabe ny
zana-bahoaka. Mahatsapa ho manana adidy amin´ny famelomana ireo zanany ireo
koa izy, ka izany no mahatonga azy hiasa, ankoatra ny fanaovany io asa io ho
fitaizan-tsaina.

7
1.1.3. Ny eo anivon´ny fianakaviany

Teo amin´ny fahazazany dia azo lazaina fa tsy dia be lalao izy. Raha tsy nianatra dia
nanampy ny ray aman-dreniny tamin´ny fikarakarana ny zandriny, izay azo lazaina
ho maro tokoa, satria 11 mianadahy izy ireo, ary izy (Zoé) no zaza fahatelo. Tany
Antsirabe izy ireo no nipetraka, ary tao amin´ny Lycée Antsirabe hatrany izy vao
nanomboka nianatra nandra-pahazoany ny mari-pahaizana “Baccalauréat”. Azo
lazaina ho tsy nahita toerana firy teto Madagasikara izy araka izany.

1.2. Ny fiainany amin´ny maha-mpanoratra azy

1.2.1. Anarana entiny amin´ny sehatry ny asa soratra

Ireny mpanoratra ireny matetika manana anarana entina mba hamantarana azy
manokana. Misy indraindray maka anaran-javatra ; eo ny misafidy anarana hafahafa
mba hanaitra ny mpamaky, ka hahatonga azy ireo ho voatarika hamaky ny asa soratra
iray. Ny an´ity mpanoratra iray ity dia i Zoé BARIJAONA no anarana entiny.
Nalainy avy amin´ny fanampin´anarany sy ny anaran´ny vadiny, ka ireo no
natambany. Tsy dia misy antony manokana fa mariky ny firaisan´ny mpivady sy ny
hoe : “mitondra ny anaram-badiny ny vehivavy rehefa manambady”. Teo ihany koa
ilay raibeny mpanoratra (RABARIJAONA). Io anarana BARIJAONA entiny io izany
dia azo lazaina fa teraky ny fifandrifian´ny anaran´ny vadiny sy ny anaran´ny
raibeny.

1.2.2. Karazan´asa sorany

Ny mpanoratra tsirairay dia samy manana ny manavanana azy, na dia samy eo amin
´ny sehatry ny asa soratra aza. I Zoé BARIJAONA dia azo lazaina ho manan-talenta
amin´ny fanoratana karazan´asa soratra, satria maro ireo asa soratra efa novokariny
toy ny : tantara an-tsehatra (tantara mampihomehy, tantara mampitomany), tantara
fandefa amin´ny onjam-peo (“Hambom-pom-behivavy”), tantara foronina
8
(“Navalona”), ary eo am-pamitana ny bokiny faharoa izy amin´izao fotoana izao.
Maneho izany fa tsy mijanona amin´ny famoronana sy amin´ny fanehoana ny
talentany izy, fa miezaka hatrany maneho ny soa sy ny tsara ho an´ny mpiara-belona
aminy.

1.2.3. Loharano nipoiran´ny aingam-panahiny

Tsy tongatonga ho azy akory ny aingam-panahy na ny talenta ao anatin´ny


mpanoratra, fa misy hatrany ny loharano niteraka azy. Mety ho nolovainy izany,
mety ho vokatry ny famolavolana manokana, mety ho nipoitra avy tamin´ny fahitana
ny zava-misy manodidina, araka ny tenin´i Charles RAVAOJANAHARY :
“Tsy nitsontsorika avy any an-danitra ny haisoratra sy
ny mpanoratra azy”3.

Ndeha ary hojerena ireo loharano niteraka ny asa sorany.

Voalohany, talenta nolovainy avy tamin´ny raibeny, tsy iza izany fa Andriamatoa
RAKOTOMALALA RABARIJAONA izay mpanoratra nalaza tamin´ilay asa soratra
hoe : “Dieny mbola velona aho”.

Faharoa, vokatry ny fifaneraserany tamin´i Nalisoa RAVALITERA mpanoratra,


mpiara-miasa taminy tao amin´ny sekoly FJKM Anjozorobe, izay hery iray
nahafahany nampitombo sy nanitatra ny fahalalany, ary nahatonga ny talentany
hivoaka. Io no anisan´ny nitari-dalana azy tamin´ny fanoratana. Na dia manan-talenta
tokoa aza, kanefa tsy misy ny fomba hahafahana mamoaka azy, dia toy ny zava-
poana izany.

3
Charles RAVAOJANAHARY. “Fitaizan-tsaina araka ny literatiora “. Fanasina. Antananarivo.
1969.
9
Fahatelo, mahafinaritra azy ny manoratra noho ny fankafizany mamaky asa soratr
´olona maro, izany hoe, ny fahitany ny vitan´ny hafa no nanosika azy hanoratra sy
haneho ny heviny. Manamafy izany ilay tenin-dRanoe hoe :
“Ny talenta miampy fandalinana sy fikarohana no
mahakanto ny asa satria ny fiontanana anaty fenoin´ny
fikarohana, fehezin´ny lalàna no miteraka aina ao amin
´ny asa soratra”.4

Fahefatra, “raha misy [hoy izy], fihetseham-po iray dia tsy mety afaka ao iny raha tsy
avoaka amin´ny alalan´ny soratra”. Ohatra iray manamarina izany ny tenin´i Clarisse
RATSIFANDRIHAMANANA :
“Tsaroako kosa [hoy izy] fa ny soratra no toy ny tapa-
damba nentiko namaoka ny ranomasoko”.5

Izany hoe, ny zava-misy iainany dia anisan´ny manome aingam-panahy ho azy.

II. NY AMIN´NY TANTARA FORONINA

Ny literatiora dia misy karazany roa : ny am-bava sy ny an-tsoratra, eny fa na dia


samy vita amin´ny teny aza. Ny am-bava, teny lazaina amin´ny alalan´ny vava ; ny
an-tsoratra, teny noraketina amin´ny soratra. Ahatarafana ny kanto sy ny rindra ao
anatin´izy ireo tsirairay avy, amin´ny alalan´ny fisafidianana ny voambolana
ampiasaina. Ny tantara foronina dia iray ao anatin´ny literatiora an-tsoratra, izay
hojerena manokana amin´ny asa izay atao.

Mba hahafahana mamantatra azy bebe kokoa dia hojerena eto ambany : ny
famaritana ny tantara foronina, ny mampiavaka azy amin´ny literatiora an-tsoratra

4
Ranoe. “ Ny talenta”. Tovozin-tsy ritra. Boky 5. Editions Tsipika. Antananarivo. 2001. tak. 98.
5
Tantaram-piainany tamin´ny fandraisana azy tao amin´ny Akademia Malagasy ny alakamisy
22 Aprily 1976.
10
hafa, ny famintinana ny tantara foronina Navalona, izay hanompanana ny fikarohana,
ary farany, ny fanadihadiana ny tantara foronina ampifandraisina amin´ny Navalona.

2.1. Famaritana ny tantara foronina

Samy manana ny fomba famaritany ny atao hoe tantara foronina ny tsirairay. Misy
ireo mitovitovy fomba fijery, ao kosa anefa ireo azo lazaina ho manana fijery
mifanipaka tanteraka. Mpanoratra vitsivitsy no notsongainay tao anatin´ny maro mba
hoentina mamaritra ny tantara foronina, noho ny antony voalaza teo ambony. Omena
mifanesy eto ambany ny famaritan´ireo mpanoratra malagasy, ny an´ireo mpanoratra
vahiny, araka ny hita tamin´ny “internet”, ary farany, ny tsoa-kevitra azo avy amin
´ireo.

2.1.1. Mpanoratra malagasy

Mpanoratra malagasy efatra no nosinganinay tao anatin´ny maro. Anisan´ireny :

- RANDRIAMIADANARIVO
“Ny tantara, na dia noforonina aza, dia misy lafiny
marina daholo, saingy ny tsirairay fa tsy izy rehetra, fa
nisy marina tarý sy tatsý no nangonina, dia nanjary
ohatra ny tabilao nakambana, dia nahavita sary
vaovao”6.

- Mitovitovy amin´izay ny hevitr´i E. D. ANDRIAMALALA manao hoe :


“Ny tantara foronina dia tantara noforonina, nefa na
noforonin´ny eritreritra aza, dia tsy maintsy miompana
amin´ny zava-misy sy marina”7.

6
RANDRIAMIADANARIVO. Singam-pivoarana. 1995. lah. 6. tak. 5.
7
E.D. ANDRIAMALALA. Ibid. tak. 4.
11
- Hoy koa izy :
“Na dia tantara noforonina aza dia miompana ihany
amin´ny zava-misy sy marina […], ohatra, angaha misy
olona manao tantara ka any amin´ny tany tsy fantatra
any no ametrahany ny tantara tantarainy […], dia
izany angaha no atao hoe savoan-danitra, ka na dia
tantara foronina aza dia tsy hitako izay maha-tantara
azy fa karazana angano”8.

- Manana ny fomba fijeriny koa i E. RANDRIAMAMONJY. Hoy izy raha


mamaritra ny tantara foronina :
“Ny tantara foronina dia sarim-piainana misy nefa
mety ho nisy atsangan´ny mpanoratra, arafiny sy
arindrany hanana ny endriky ny fiainana tena nisy, ary
hanasongadinana ny marina sy ny kanto”9.

Fehiny

Misy ifandraisany avokoa, araka ny hita teo, ny famaritan´ireo mpanoratra malagasy


vitsivitsy notsongaina ny atao hoe tantara foronina. Izy ireo dia samy maneho fa ny
tantara foronina dia tsy marina hatrany am-boalohany ka hatramin´ny farany, satria
ahitana toe-javatra namboarina teny anelanelany.

Hitantsika teo ny famaritan´ny mpanoratra malagasy ny atao hoe tantara foronina,


hojerena manaraka ny an´ireo mpanoratra vahiny.

8
Resadresaka nataon-dRamatoa David ANDRIAMIHARISOA tamin´i E.D. ANDRIAMALALA.
1983.
9
E. RANDRIAMAMONJY. Rary Ranto. 1995. tak. 7.
12
2.1.2. Mpanoratra Vahiny

- Hafa mihitsy ny famaritan´i Edmond JALOUX ny tantara foronina. Ny azy


indray dia tsy miainga amin´ny hevitra hoe marina na tsy marina no amaritany
ny tantara foronina, fa miainga amin´ny fomba fanehoana azy. Hoy izy :
“Ny tantara foronina dia zavatra tena tsotra ary tena
manaitra, manana endrika malefaka, mandresy lahatra,
manetry tena, manan-danja”10.

- Izy koa dia milaza fa ny tantara foronina dia mifandray amin´ny maha-olona
ny olona eo amin´ny lafiny fisainana, izany hoe, fanehoana ny fiainan´ny
olona tsirairay, toy ny fomba amam-panaony, ny fifandraisany. Hoy izy :
“Ny tantara foronina dia asa soratra ahitana zavatra
hafa ankoatra ny fahatanorana. Boky misy hery miafina
mitahiry ny amin´ny maha-olona”11.

- Raha ny famaritan´i Jean RICARDOU sy i Claude SIMON indray no


dinihina, dia mifantoka ao amin´ny sokajy misy azy eo anatrehan´ireo asa
soratra maro. Tsy ny zava-miavaka na ny nanaitra tao amin´ny fiarahamonina
no soratana na arafitra ho tantara, fa teraka avy amin´ny fanoratana, izany
hoe, tsy nomanina fa tonga ho azy teo am-pandraisana penina. Hoy indrindra
izy ireo :
“Ny tantara foronina dia literatiora an-tsoratra, tsy
fanoratana ny nofinofy anefa fa nofinofin´ny
fanoratana”12.
10
Edmond JALOUX. „François MAURIAC, Romancier“. Le romancier et ses personnages.
« Le roman est une chose simple, très touchante, il a un style brisé, souple, éloquent, humble,
arrogant » p. 49, 50.
11
Edmond JALOUX. Ibid.
« Les romans sont justement des œuvres où il y a autre chose que la jeunesse. Ce sont des livres qui
ont une puissance latente et qui contiennent une sorte d´épaisseur humaine » p. 37.
12
Jean RICARDOU & Claude SIMON. „Le roman et son auteur“. L´Univers du Roman.
13
- Hoy koa i François MAURIAC :
“Ny tantara foronina dia manaraka ny drafitra roan´ny
psikolojia, ny marina dia amin´ny toerana akaiky, ary
ny nofinofy dia amin´ny tany lavitra”13.

Araka izany, izy dia mametraka ny tantara foronina ho fitaovana azo kirakiraina eo
amin´ny fiainana andavanandro.

Fehiny

Ireo mpanoratra vahiny ireo dia mamaritra ny tantara foronina ho tsy tena marina,
sokajiana anaty literatiora an-tsoratra, miseho amin´ny endrika kanto, anehoana ny
fiainana ankapobeny, ary fitaovana ampiasaina andavanandro.

Raha izay ny an´ireo mpanoratra vahiny, ahoana kosa indray no famaritana azo
sintonina amin´ny “internet”?

2.1.3. Internet

“Ny tantara foronina dia sokajin´asa soratra


mitantara, izay tsy toy ny angano, noho izy misy
mpanoratra mazava. Miainga amin´ny zava-misy
niainany na nezahiny ho fantarina, saingy noforonina
manaraka ny fizotran´ny zava-mitranga mba hanome
endrika mirindra sy miavaka amin´ny andavanandro.

« C´est une littérature écrite, il n´est pas l´écriture d´une aventure mais l´aventure d´une écriture ».
p. 215.
13
François MAURIAC. Op. Cit.
« Le roman se déroule sur deux plans psychologiques, la réalité dans le coin de province, et le rêve
de pays lointain » p. 110.
14
Ny votoatim-piainan´ilay tantaraina no asehony, ary
indraindray dia ny tantaram-piainany manontolo, ka
asehony amin´ny endrika mampitaintaina ny
fitantarany izany” 14.

2.1.4. Tsoa-kevitra

Araka ny hita teo ambony dia maro tokoa ny famaritana ny atao hoe tantara foronina.
Misy ny mitovitovy, misy kosa ny mifanohitra tanteraka. Raha fehezina anefa ireo
rehetra voalaza dia izao no azo amaritana azy :

Ny tantara foronina dia literatiora an-tsoratra miseho amin´ny endrika kanto sy


malefaka. Ahitana ny lafim-piainana rehetra, natao handresen-dahatra, teraka avy
tamin´ny zava-nisy sy niainana, izany hoe, fitahirizana ny tany aloha. Saingy ny
tantara foronina ihany koa dia azo eritreretina ho vokatry ny sarim-piainana mety ho
taratra eo amin´ny fiarahamonina. Narafitra ho boky, ary azo ampiasaina amin´ny
fotoana rehetra.

2.2. Ny mampiavaka azy amin´ny literatiora an-tsoratra hafa

Samy literatiora maneho tantara avokoa, na ny tantara foronina, na ny sombin-


tantara, na ny tantara an-tsehatra. Matoa anefa tsy mitovy ny fiantsoana azy ireny, dia
misy lafin-javatra tsy mampitovy azy. Amin´ny maha-samy tantara azy kosa, dia
misy ny lafin-javatra itoviany.
2.2.1. Ny lafin-javatra itoviany

14
Internet. Encyclopédie Microsoft Encarta 2003.
« Genre littéraire narratif, qui se distingue du mythe par son attribution à un auteur, du récit
historique par son caractère fictif, de l´épopée par son usage de la prose du conte et de la nouvelle
par sa longueur, du simple récit par la plus grande complexité de sa narration ».
15
Tanjony :

Amin´ny ankapobeny, samy tantara noforonina miainga amin´ny zava-misy sy


mitranga eny amin´ny fiarahamonina, natao hanabeazana sy hitaizana ny mpamaky
na ny mpijery na ny mpihaino. Taratra ao anatin´ireo ny anatra, izay natao
hamolavolana ny olona hahay hiara-monina sy hahay hitondra tena manoloana ny
mpiara-monina. Mety maneho ny tantaram-pirenena ihany koa izy ireny indraindray.
Izy telo ireo dia samy natao hialam-boly.

Endrika anatiny :

Ireo tantara ireo dia samy ahitana ireo singa mandrafitra ny tantara foronina

Endrika ivelany :

Ireo karazana literatiora ireo dia samy ahitana ny mpanoratra sy ny lohateniny avy.

Voambolana ampiasaina :

Izay voambolana manaitra ny olona no ampiasaina ; tsy mety ny fampiasana teny


sarotra, fa izay mahazatra ny olona kendrena hamaky azy ihany. Araka izany, ny
voambolana ampiasain´ny mpanoratra dia ireo fampiasa andavanandro. Azo lazaina,
noho izany, fa arakaraka ny fotoana sy ny toerana hanoratana ilay tantara ny teny hita
ao anatiny. Ny teny manko dia miaina ka miova manaraka ny toetr´andro.

2.2.2. Ny lafin-javatra tsy itoviany


16
Maro ireo lafin-javatra hita ho mampiavaka ny tantara foronina amin´ny tantara an-
tsehatra sy sombin-tantara. Mba hahamora ny fahazoana azy, dia aseho amin´ny
alalan´ny fafana izany.
Lafin-javatra Tantara foronina Tantara an-tsehatra Sombin-tantara
Halavany Lava, mahafeno Fohy ny voasoratra, Fohy, voafintina
boky iray fara- saingy ny fanehoana anaty takelaka
fahakeliny azy an-tsehatra no vitsivitsy
maha-ela na maha-
haingana azy
Zavatra Tantaram-piainan Tantara izay azo Tantara maneho
tantaraina ´olona feno aseho an-tsehatra ampaham-
(ohatra : ny (ohatra : fiainam- piainan´olona
fahatanorany) pianakaviana iray) (oh. : fijaliana)
Fotoanan´ny Tsy voafetra ny Voafetra ny fotoana Miankina amin
mpamaky fotoana hamakina hijerena azy ´ny zava-miseho
azy sy katsahina
Fomba Ahitana Ahitana lohahevitra Lohahevitra iray
fanehoan- lohahevitra maromaro, nefa misy ihany no ao
kevitra maromaro fifandraisany sy anatiny
mifampiditra, ary fifampitohizana
mifampitohy hatrany
Vokatra Tsy misy zavatra Mahazo anatra Mahaliana ny
raisina mahaliana mivantana noraisina mbola hitohizan
aoriany intsony rehefa avy ao anatin´ny ´ny tantara
tapitra ny tantara tantara

Fafana 1 : Ny tsy mampitovy ireo literatiora an-tsoratra mitantara

2.3. Famintinana ny tantara foronina Navalona

17
Zanaka vavy tokan´ny mpanana i Navalona. Valo ambin´ny folo taona izy izao. I
Hery kosa dia zanak´olona sahirana. Efa nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny,
ka ny rainy (Rakotomanana) no namelona azy ireo, fa ny reniny kosa nanambady
olon-kafa. I Hery no zokiny indrindra.

Mpiara-mianatra i Navalona sy i Hery. Niara-nahazo ny mari-pahaizana


“Baccalauréat”. Nifankatia izy ireo. Tsy nankasitrahin-drenin´i Navalona (Rasendra)
anefa ny fiarahan´izy ireo noho ny toerana misy an´i Hery. Ny rain´i Navalona
(Randimby) kosa dia nanaja ny safidin-janany hatrany.

Tamin´ny fotoana nialan´i Navalona sasatra tany amin´ny renibeny tany


ambanivohitra no maty tampoka ny rain´i Hery, ka nohafaran-drainy niakatra
haingana izy. Vao tonga izy dia nandeha tany amin´i Hery, na dia efa voalevina aza
ny maty. Tamin´izay no nilazan´i Hery taminy fa handeha honina any ambanivohitra
izy, satria any no hitany fa hahafahany mitady vola mba hamelomany ireto zandriny
nankinina taminy. Teraka teo ny ady sy ny fifamalian´izy roa. Nohararaotin-
dRasendra izany mba hampisarahana azy ireo ; ny nanao izay handehanan´i Hery
haingana no hitany fa vahaolana. Lasa tokoa i Hery, ny zandriny nafindrany trano ;
hany ka tsy nifankahita sy tsy nifanerasera nandritra ny fito taona izy roa.

Nandritra izany anefa dia tsy mbola lany ny fanantenana tao amin´i Navalona.
Nanohy ny fianarany izy ka lasa dokotera. Ny reniny kosa teo anatrehan´izany, dia
nanao izay fomba rehetra hanadinoan-janany an´i Hery. Nanomana tetika izy mba
hampiarahana an´i Navalona amin´i Rado (mpampianatra an´i Navalona). Jôbilin´ny
mariazin´izy mivady no nankalazaina mba hahafahany manatanteraka ny faniriany.
Raha vao fanta-dRandimby anefa ny eritreritry ny vadiny dia lasa naka an´i Hery izy
hanatrika io fety io.

Tafahaona tao i Hery sy i Navalona, ka nifoha indray ny fifankatiavana izay nivalona


tao anaty. Tsy nahomby noho izany ny teti-dRasendra. Ora vitsy taoriana kelin´izay

18
dia maty voadonan´ny fiara Randimby. Tanteraka soa aman-tsara ihany anefa ny
fanambadian´i Hery sy i Navalona ; nahazo ny tso-drano avy amin´ny ray aman-
dreniny sy i Rado. Niteraka zazalahy kely izy ireo taty aoriana.

2.4. Fanadihadiana tantara foronina ampifandraisina amin´ny Navalona

Araka ny hita teo aloha dia samy manana ny fomba famaritany ny atao hoe tantara
foronina ny tsirairay. Na izany aza anefa dia tsy maintsy misy ny paika handrafetana
azy ireny, ireo dia itovian´ny tantara foronina rehetra. Ao anatiny dia ahitana hatrany
ireto singa ireto : ny mpandray anjara, ny fotoana ary ny toerana. Ireo no arafitry ny
mpanoratra ka anehoany ny fahaizany, entiny hisarihana ny mpamaky, ary hahatonga
azy ireny hankafy ny asa soratra iray.

Ndeha ary hojerena misesy ireo lafin-javatra ireo mba hitarafana ny fizotran´ny
tantara.

2.4.1. Ny firafitry ny tantara tarafina amin´ny mpandray anjara

Ny mpandray anjara dia ireo izay mamelona ny tantara. Izany hoe, ireo izay
ampitenenin´ny mpanoratra, na tononiny ao anatin´ny asa sorany. Ireny mpandray
anjara ireny no vy mampiaina ny tantara iray manontolo, izy no maha-tantara ny
tantara. Hoy i Yves REUTER maneho izany :
“Ny mpandray anjara dia manana andraikitra lehibe
ao amin´ny fizotran´ny tantara. Mamaritra ny hetsika,
manatanteraka, ary mampifandray ireny hetsika ireny
mba hisy heviny. Raha lazaina amin´ny fomba hafa, ny
tantara rehetra dia tantaran´ny mpandray anjara”15.
15
Yves REUTER. Introduction à l´analyse d´un roman. Bordas. Paris. 1991.
« Les personnages ont un rôle essentiel dans l´organisation des histoires. Ils déterminent les actions,
les subissent, les relient, et leur donnent sens. D´une certaine façon, toute histoire est histoire des
personnages ». p. 50.
19
Azo sokajiana telo mazava tsara ny mpandray anjara :
- ny mpandray anjara fototra, izay matetika olon-tokana : izy no andry
iankinan´ny tantara ka miankina amin´ny fahaizan´ny mpanoratra milalao
aminy no mahatsara ny tantara. Hoy i François MAURIAC :
“Ny fivoaran´ny tantara dia miankina amin´ny fivoaran
´ny mpandray anjara fototra”16.

Izy no ifantohan´ny tantara manontolo. I GOLDENSTEIN dia maneho fa :


“Ny mpandray anjara fototra ao amin´ny tantara
foronina no manamarika ireny toe-javatra tantaraina
ireny”17.

Afangaron´ny mpamaky matetika ny mpandray anjara fototra sy ny mpanoratra.


Heveriny mantsy fa ny fihevitry ny mpanoratra, na ny toetrany, na ny tantarany, na
izay kasainy hatao no ampitafiny ny mpandray anjara fototra. Mety hisy izany, saingy
amin´ny maha-tantara foronina ny tantara foronina, dia azo atao tsara ny mamorona
izay mety ho toetra na andraikitr´izy ireny araka ny itiavana azy. Misy lafin-javatra
avahana izany ao amin´ny tantara foronina. Raisina ohatra amin´izany ny tantara
foronina Navalona :
 Mpamorona (auteur) : Zoé BARIJAONA, renim-pianakaviana,
mpampianatra, mino an´Andriamanitra
 Mpanoratra (scripteur) : Zoé BARIJAONA
 Mpitantara (narrateur) : olona ivelan´ny mpandray anjara
 Mpandray anjara fototra (héros) : olon-tokana (Navalona)

16
François MAURIAC. Op. Cit.
« L´évolution d´une histoire suit exactement l´évolution du personnage central » p. 57.
17
GOLDENSTEIN. Pour lire le Roman. Éditions J. Ducrelot. Paris. Gembloux. 1983.
« Le héros ou héroïne de roman représente celui à qui l´aventure narrée est arrivée » p. 44.
20
 Mpandray anjara mpanampy (personnages secondaires) :
mpandray anjara ifaneraseran´ny mpandray anjara fototra ; izay
hojerena manaraka.

- ny mpandray anjara mpanampy : ireny no ifampiresahan´ny mpandray


anjara fototra sy iadiany hevitra. Ireny dia hita sy tsy azo ialàna amin´ny
fiainana andavanandro. Araka izany, dia maro izy ireo no mitana io
toerana io fa tsy toy ny mpandray anjara fototra. Tsy voatery hisy
fifandraisany anefa ny tsirairay, fa mifamatotra mandrakariva kosa amin
´ilay mpandray anjara fototra. Nataon´ny mpanoratra ho fitaovana
hampiainana ny tantara izy ireny. Hoy i François MAURIAC maneho
izany :
“Ny mpandray anjara mpanampy dia ireo nalaina
mivantana amin´ny fiainana andavanandro”18.

Noho izany, mandray anjara fitenenana ao anatin´ny tantara ny mpandray


anjara mpanampy.

- ny mpandray anjara ravaka : tsy dia manana toerana manokana, fa entina


hanome aina sy hanome endrika ilay tantara ho toy ny tena nisy sy azo
inoana. Hany ka tononin´ny mpanoratra na tanisainy fotsiny fa tsy
mandray anjara fitenenana mihitsy ao amin´ny tantara iray manontolo.

Toy izao ny fisehon´ireo ao amin´ny tantara foronina Navalona


MPANDRAY ANJARA
FOTOTRA MPANAMPY RAVAKA
Navalona - Randimby (Rainy) - Rakotomanana (Rain´i Hery)
- Rasendra (Reniny) - Renin´i Hery
- Renibeny - Rina (Zanak´i Hery sy i

18
François MAURIAC. Op. Cit.
« Les personnages de second plan sont ceux qui ont été empruntés à la vie, directement » p. 88.
21
- Hery (Vadiny) Navalona)
- Izy efatra mianadahy - Noro (Zaobavin´i Hery)
zandrin´i Hery - Zanak´i Noro
- Rado - Dokotera
(Mpampianatra) - Ny fianakavian´i Hery sy i
- Dokotera Navalona
- Mpitandrina - Farakely, Soazy, Rainikoto,
- Mpitondra hafatra Kalasoa, Ifaralahy, Ingahy
Rabetsara, Dadakoto (Mpiara-
monina any ambanivohitra)

Fafana 2 : Ny mpandray anjara ao amin´ny Navalona

Eto dia hita fa olona hafa ivelan´ny mpandray anjara na “hétérodiégétique”ny


mpitantara, satria mampiasa ny mpisolo tena laharana fahatelo ny
mpanoratra : “izy”, “-ny”.
Ohatra : - Tsy hitany izay holazaina, tsy fantany ny tokony hataony. (tak. 18)
- Nanaraka ambokony izay nasain-dreniny natao izy. (tak. 50)

Fehiny

Ny mpandray anjara, raha fintinina araka ny nahitana azy teo ambony, dia manana ny
maha-izy azy manokana sy ny mampiavaka azy, raha ny ao amin´ny tantara foronina
no asian-teny. Tsy azo odian-tsy hita na tsy fantatra ny anjara asa sahaniny, satria
heverina ho manome aina ny tantara iray manontolo, ary mavesa-danja tokoa.
Ny mpandray anjara dia mizarazara maromaro, manomboka any amin´ny fiandohan
´ny tantara hatramin´ny fiafarany. Sokajin´ny mpanoratra araka ny mety sy mahatsara
ny tantara izy, na ataony mba hampivoaka ny hevitra tiany havoitra sy/na
hasongadina. Na izany aza anefa, tsy misy rafitra maty paika tsy maintsy arahin´ny
mpanoratra, araka ny ambaran-dRAFANOHARANA hoe :

22
“Ny tantara foronina dia tsy voatery hanana endrika
tokan-dafy, ary ny mpanoratra koa tsy tokony hanana
lalàna raikitra hifehy azy”19.

2.4.2. Ny firafitry ny tantara tarafina amin´ny mpandray anjara asa


“actant”(tompon´anjara asa)

Ny “actant” dia tsy voatery ho olona fa mety ho hevitra, na zavatra, na hery anaty na
ivelan´ny olombelona. Manana ny tanjona kendreny ny mpandray anjara fototra ao
amin´ny tantara. Misy anefa ny hery manohitra tsy hahatrarany io tanjony io. Misy
ihany koa ny hery manampy azy. Toy ny fiainan´ny olombelona rehetra, misy ny tia,
ary ao ny mankahala, ifangaroan´ny tsara sy ny ratsy. Hoy i WELLEK & WARREN
maneho izany :
“Sarin´ny fiainana mantsy ny literatiora, ary ny atao
hoe fiainana amin´ny ankapobeny dia ireo zava-misy
ara-piaraha-monina”20.

Toy izao ny fanehoana izany an-kisary

19
RAFANOHARANA. Ilay Veromanitra. tak. 33.
WELLEK R. & WARREN A. La théorie littéraire. Editions du Seuil. Collection Poétique. Paris. 20
.1981
.La littérature présente la vie, et la vie est dans une très large mesure, une réalité sociale ». p.129 »
23
Destinateur Objet Destinataire

„vouloir“

Adjuvant Sujet Opposant

Kisary 1 : Fifandraisan´ny tompona anjara asa ao amin´ny tantara

Toy izao no fisehoan´ireo raha miainga amin´ny Navalona

Destinateur Objet Destinataire


Fitiavana Fanambadiana miorina amin Tokantranon´izy roa
´ny fitiavana marina

Adjuvant Opposant
- RANDIMBY - RASENDRA
- Renibeny - RADO
- Fianarana Sujet - Ray aman-drenin´i Hery
- RASENDRA NAVALONA - Fahantran´i Hery
- Mpitandrina - Iray tampo amin ´ i Hery
- RADO - Fahafatesan´ny rain´i
Hery

Kisary 2 : Ny fiainam-pitiavan´i Navalona

Fanazavana ny kisary

I Navalona no ”sujet” eto, satria avy aminy no nitrangan´ny tantara. Zava-dehibe


aminy ny fitiavana, “destinateur”, ka tiany sy iriny, “objet”, ary katsahiny fatratra ny
hiaina izany ao anatin´ny tsy faneriterena, fa tena vokatry ny fo sy ny safidy
malalaka, hiaina amin´ny fanambadiana teraky ny fitiavana marina. Raha misy ny
toe-javatra na zavatra katsahina dia matetika taratra eny mandrakariva ireo
24
mpanohana sy mpankasitraka, “adjuvant”, mba hahatanteraka ny faniriana. Tsy diso
anjara amin´izany koa anefa ireo izay manakantsakana sy manelingelina, ka
mahatonga na manao izay hahatonga azy tsy ho tanteraka, “opposant”. Ny tena
mandrisika ny “sujet” hanatanteraka ny “objet” anefa dia ny faniriany hanana
tokantrano sambatra, “destinataire”, tsy misy mpanelingelina, voatso-drano ary tsy
hananan´ny olona alahelo.

2.4.3. Ny fotoana

Ny fotoana dia fantatra hatramin´izay fa fitambaran´ny ora, andro, volana, ary ny


taona, izany hoe entina mamaritra toe-javatra iray izay miseho, ka tiana hotadidina sy
homena lanja manokana. Manana ny maha-izy azy izy ao amin´ny tantara foronina,
satria miankina aminy ny fizotran´ny tantara iray manontolo. Hoy i GOLDENSTEIN
ao amin´ny bokiny manao hoe :
“Ao anatin´ny hosodoko, matetika, no tiana
hahatarafana ny hakanton´ny habaka, ary ao anatin´ny
tantara foronina ny hakanton´ny fotoana”.21

Azo sokajina roa ny fotoana ao amin´ny tantara foronina dia ny fotoana ivelany sy ny
fotoana anatiny. Hojerena tsirairay ny amin´ireo.

2.4.3.1. Ny fotoana ivelany

Amin´ity fotoana ivelany ity no ijerena ny fotoana niainan´ny mpanoratra sy ny


fotoana nitrangan´ny zavatra tantaraina.
- Fotoana niainan´ny mpanoratra

21
GOLDENSTEIN. Op . Cit.
« On a souvent voulu voir dans la peinture un art de l´espace, et dans le roman un art de temps » .
p. 103.
25
Ny fahafantarana ny fotoana niainan´ny mpanoratra dia hahazoana mamantatra ny
foto-kevitra samihafa avoitrany ao amin´ny tantara. Hita taratra ao amin´ny asa
sorany matetika ny fotoana niainany. Raha mamahavaha io fotoana niainan´ny
mpanoratra io i GOLDENSTEIN, dia hoy izy :
“Tsy azo lavina fa misy fiantraikany amin´ny
mpanoratra ny zava-misy sy ny fiantraikan´ny
haisoratra amin´ny vanim-potoana iray. Tsy azo lavina
toy izany koa fa miovaova ny vanim-potoana
nanoratany azy teo amin´ny fiainany, na nandritra ny
fahatanorany na tamin´ny faramparan´ny fiainany.
Mety maharitra taona maro koa ny nanoratany asa
soratra iray. Nanam-potoana niovaovana, araka izany,
ny fomba fijerin´ny mpanoratra ny fiainana, ny
lohahevitry ny boky nosoratany, ny fomba fanorany”.22

Efa hita tany amin´ny tantaram-piainan´ny mpanoratra fa teraka tamin´ny taona 1957
i Zoé BARIJAONA, izay ao anatin´ny vanim-potoana ankehitriny. Nahita sy niaina
tanteraka ny zavatra rehetra nitranga tao anatin´izany vanim-potoana izany izy,
vanim-potoana nanabeazana azy sy nivelarany teo amin´ny fahatanorana. Nanefy an
´i Zoé BARIJAONA tamin´ny lafim-piainana rehetra io vanim-potoana io :
nibeazany, nianarany, niasany, nanorenany tokantrano, nanabeazany ny zanany, …
Amin´izany androm-pahatanorany izany indrindra izay rehetra miseho dia mipetraka
ao an-tsainy ary mety hanohina ny fony : na ny mahafinaritra, na ny mampalahelo,
na izay ho nisarika ny saina.. Tao anatin´ny herin-tsaina sy ny herim-po izy, ka nisy
vokany lehibe teo amin´ny asa sorany izany.

22
GOLDENSTEIN. Ibid.
« On admet sans peine l´influence qu´une époque donnée, qu´un mode littéraire exercent sur un
écrivain ainsi que les variations subies par les œuvres selon qu´elles sont écrites au début de la vie d
´un romancier ou à la fin de son existence. La rédaction d´un ouvrage s´étend souvent sur plusieurs
années. Les conceptions que le romqncier se fait de la vie, du sujet du livre qu´il compose, de l
´écriture, ont amplement le temps de se modifier dans ces conditions ». p. 104.
26
Ny taona 1999 no nanoratan´i Zoé BARIJAONA ny boky Navalona. 42 taona izy
tamin´izany. Raha ny taonany no jerena, dia hita fa olona efa matotra, ary ao anatin
´ny fahalalana tsara ny zava-nitranga rehetra izy.

Ny tantara ao amin´ny boky dia ahitana fa miaina amin´ny vanim-potoana


ankehitriny tokoa ny mpanoratra, ka izay no mampisy fonjan-kevitra ho an´ny
fanabeazana ao amin´ny asa sorany.

Raha izay ary ny fotoana niainan´ny mpanoratra, ndeha hidirana indray ny fotoana
nitrangan´ny zavatra tantaraina.

- Fotoana nitrangan´ny zavatra tantaraina

Ny mpanoratra tantara foronina matetika dia mitantara izay zavatra tena niainany na
koa talohan´io fotoana niainany io, saingy ananany fahalalana tsara. Manana ny
safidiny ny mpanoratra amin´izay fotoana hamoronany ny tantara.

Misy ihany anefa tsy mba miresaka tantaram-piarahamonina mihitsy ao amin´ny asa
sorany. Araka ny voalazan´i GOLDENSTEIN mantsy :
“Ny tantara dia mety ho nitranga tamin´ny vanim-
potoana niainan´ ny mpanoratra na tsia. Fa ny tena
azo avahana amin´ny fomba hentitra, dia ireo tantara
foronina miompana amin´ny tantaram-piarahamonina.
Ny tantara foronina koa indraindray dia mety hitodika
amin´ny ho avy izay vinavinain´ny saina tahaka ireo
izay maneho toe-javatra mahatahotra na toe-javatra
mety ho vokatry ny fandrosoana any aoriana any.”23
23
GOLDENSTEIN. Ibid.
« La fiction, quant à elle, peut se situer à l´époque contemporaine du romancier ou non. On
distinguera nettement le roman historique qui met en scène un passé réculé. Le roman se tourne
également parfois vers un futur imaginaire comme dans le cas des œuvres fantastiques et d
27
Amin´ity boky Navalona ity, i Zoé BARIJAONA dia maneho fotoana samihafa amin
´ny zavatra tantaraina. Samy hita ao anatin´ny boky, na ny talohan´ny fotoana
nanoratany, na ny nandritra ny fotoana nanoratany. Misy tantara fohifohy milaza ny
fitaizana azy tamin´ny fiainany taloha, ary misy koa, izay tena mibahan-toerana, ny
tantaran´ny fanabeazana amin´ny andro ankehitriny.

Hita nandritra izay famahavahana teo izay ny momba ny fotoana ivelan´ny tantara.
Ny fotoana niainan´ny mpanoratra sy ny fotoana nitrangan´ny zavatra tantaraina no
noresahina tamin´izany. Araka izay maha-fotoana ivelan´ny tantara azy izay dia tsy
mikasika ny fotoana nandrafetana ny fizotran´ny tantara, sy ny faharetan´ny fotoana
voalaza ao amin´ny tantara izy.

Ny fotoana anatin´ny tantara no handinihana izany, ka ndeha hojerena indray ny


momba izay.

2.4.3.2. Ny fotoana anatiny

Amin´ity fotoana anatiny ity no hiresahana ny fizotran´ny tantara. Ao no ahitana :


- ny fotoanan´ny tantara na “F” (temps de la fiction)
- ny fotoanan´ny fitantarana na “N” (temps de la narration).

Araka ny voalazan´i GOLDENSTEIN hoe :


“Amin´ireo fotoana miditra ao anatin´ny tantara ao,
dia avahana tsara ny fotoanan´ny tantara sy ny
fotoanan´ny fitantarana”.24

´anticipation ». p. 105.
24
GOLDENSTEIN. Ibid.
28
- Ny fotoanan´ny tantara na “F”

Ao amin´ny tantara foronina dia mazàna misy fotoana voafaritra mazava tsara
isehoany : mety ho taona maromaro, volana, andro, ora, saingy miankina amin´ny
safidin´ny mpanoratra no hanaovany azy. Hoy i GOLDENSTEIN :
“Eo amin´ny tantara foronina, ny fotoanan´ny tantara
dia mahahenika ora na andro vitsivitsy, mety koa ho
volana iray na maromaro, ary mety hahatratra
taranaka mifandimby amin´ny fianakaviana iray
mihitsy aza”.25

Azo lazaina fa haingana ny fizotran´ny tantara ao amin´ny Navalona satria ny valo


taona mahery kely dia vita ao anatin´ny takelaka fitopolo. Ilay fito taona nolalovana
dia notantaraina tao anatin´ny takelaka dimy amby roapolo (tak. 30 – 55).

Raha izay ny fotoanan´ny tantara na “F”, hojerena indray ny fanehoan´ny mpanoratra


ny fotoanan´ny fitantarana na “N”.

- Ny fotoanan´ny fitantarana na “N”

Samy manana ny fomba fitantarany ny mpanoratra tsirairay avy. Misy ny any amin
´ny farany no lazainy voalohany, izany hoe, ny fiafaran´ny tantara no efa atsidiny
sahady eny am-piandohana ; toy ny tantaran´i “Jaona” izay hita ao amin´ny
Takelaka Notsongaina II. Vao tany am-boalohany dia efa nasehony fa maty i Jaona
any amin´ny fiafaran´ny tantara :
« Parmi les temps qui se trouvent insérés dans l´œuvre elle-même, on distinguera les temps de la
fiction et de la narration ». p. 106.
25
GOLDENSTEIN. Ibid.
« Selon les romans, il [le temps de la fiction] couvre une période de quelques heures, de quelques
jours, d´un mois ou bien s´étend sur une année, voire sur plusieurs générations d´une même famille ».
p. 106.
29
“Jaona no anarany, fito taona izy izay maty izay”26.

Ao indray ireo azo sokajina ho anatin´ny mandroso mihemotra ; azo alaina ohatra
amin´io ny tantara hita ao amin´ny Ho avy ny maraina27.

Misy ny mizotra manaraka ny fisehon´ny zava-misy, toy ny hita eto amin´ny


Navalona. Manaraka ny zava-misy, araka izany, ny fitantarana ao. Niainga tamin´ny
nanombohany nitia nankany amin´ny fananany tokantrano sy taranaka.

Toy izao izany raha aseho an-kisary

a) b)

I I I fizotran´ny tantara
a´ b´ d´

Kisary 3 : Ny fotoanan´ny fitantarana ao amin´ny Navalona

Fanazavana ny kisary

a) Niala sasatra tany ambanivohitra ; maty ny rain´i Hery ; niakatra


b) Nisy an´i Rado ; nahavita fianarana ho dokotera ; maty ny rainy
a´) 18 taona : niatombohan´ny tantara ; afaka “Baccalauréat” ;
nisakaiza tamin´i Hery
b´) Nifandao izy sy i Hery (Hery lasa tany ambanivohitra, izy nijanona)
d´) Nanambady an´ i Hery ; niteraka.
26
Siméon RAJAONA. Takelaka Notsongaina II. édition Ambozontany Fianarantsoa
27
Esther R. RANDRIAMAMONJY. Ho avy ny maraina. Trano Printy Fiangonana Loterana
Malagasy. Edisiona 2001.
30
Fehiny

Mirazotra ny tantara sy ny fitantarana. Na dia teo aza izany, tsy nifandanja ny


fanehoan´ny mpanoratra ny faharetana. Somary namelabelatra izy tamin´ny
fitantarana ny nifankahitan´i Navalona sy i Hery taorian´ny nahafatesan-drain´i Hery,
satria eo no manomboka ilay fotoana ivalonan´ny fitiavana izay niainana sy
neritreretina ho mandrakizay. Toy izany koa ny nandritra ilay fety tao an-tranony
noho ny fiandrasana ilay fotoana hiverenan´ny fiainana tany aloha, dia ny fiarahana
mamboraka indray ilay fitiavana nivalona nandritra ny taona maro. Nofintininy kosa
raha mitantara ny zava-nitranga nandritra ny fito taona izy mba hahafahany manohy
haingana ilay tantara.

Toy izao izany raha aseho an-kisary


18 taona maty lasa i Hery natao raharaha
“F” ny rain´i Hery izy roa niteraka

“N” xxxxxxxxxxxxxxxxxxxx xxxxxx xx

Kisary 4 : Ny faharetan´ny toe-javatra tantaraina ao amin´ny Navalona

Fanazavana ny kisary

“F” : fotoanan´ny tantara


“N” : fotoanan´ny fitantarana
xxxxxxxxx : fotoana nitantaran´ny mpanoratra ny zava-nisy

31
Amin´ny ankapobeny, azo lazaina fa haingam-pandeha ny tantara satria “N” < “F”.
Anisan´ny nanafaingana azy ny fahaizan´ny mpanoratra mametra ny toe-javatra
tantaraina, ary miova zava-baovao hatrany izy rehefa misy olana. Taratra amin´ny
fianany izany, izay tsy tia mitanisa olana fa miezaka mitady kosa ny vahaolana.
Ohatra azo raisina ao amin´ny boky ny amin´izany ny fahitan-dreniny an´i Navalona
nalahelo, raha lasa i Hery, ary fantany fa avy aminy no nahatonga izany. Saika hifona
izy, kanefa notapahin-dRandimby zavatra hafa mba tsy hampitombo ny olana efa
misy indray, fa ny vahaolana amin´ny zava-mitranga no tokony hotadiavina (tak. 32).

Tsy ny mpandray anjara sy ny fotoana ihany no hita ao amin´ny tantara foronina, fa


eo ihany koa ny toerana. Matetika ny mpanoratra dia maneho sy mampiditra ireny
toerana efa niainany sy fantany tsara ireny ao anatin´ny tantara. Hoy i François
MAURIAC :
“Ny mpanoratra dia misafidy ny hametraka ny hetsika
sy ny mpandray anjara ao amin´ny toerana tena misy,
na azon´ny saina an´eritreritra ny fisiany”28.

2.4.4. Ny toerana

Tompon-tsafidy amin´ny toerana asehony ao amin´ny tantara iray ny mpanoratra.


Samy manana ny fomba fanehoany azy ireny izy ireo mba ho entina misarika ny
mpamaky. Matetika dia toerana efa niainan´ny mpanoratra na fantany no ambarany
anatin´ny asa sorany, ary eritreretiny fa hain´ny mpamaky ihany koa. Arakaraka ny
fahaizan´ny mpanoratra maneho ireny toerana ireny no mahatonga ny mpamaky ho
liana, satria hoy i Gérard GENETTE :
“Izy no mampiteny ny habaka, ary ny habaka kosa no
miteny aminy”29.

28
François MAURIAC. Op. Cit.
« Le romancier choisit de situer l´action et les personnages dans un espace réel ou à l´image de la
réalité ». p. 89.
29
Gérard GENETTE. Figure II. Collection Points. Edition du Seuil. 1969.
32
Azo sokajina ho roa ny toerana : toerana nitrangan´ny tantara, sy ny toerana atolotra

2.4.4.1. Ny toerana nitrangan´ny tantara

Saika eto Antananarivo avokoa no toerana anehoan´ny mpanoratra ny tantara. Tsy


dia mahagaga loatra izany satria teto amin´ny faritanin´Antananarivo no niainany
betsaka, ary izy dia nilaza fa “tsy mahafantatra tanàna firy raha tsy ny eto satria tsy
mbola niala teto”. Anaran-toerana eto Antananarivo no voatonona ao, toy ny
“Anosibe”(tak. 31), “Andohalo” (tak. 32). Voalaza eto koa ny any ambanivohitra,
izay azo lazaina fa fantany amin´ny antsipiriany, na ny fomba amam-panao, na ny
fifandraisana (mifankahalala avokoa ny mpiara-monina rehetra), indrindra fa ny
fiainan´ny olona any. Manaporofo izany ny fanononan´i Navalona ireo anaran´olona
maro nandritra ny nialany sasatra teo an-davarangana.

2.4.4.2. Ny toerana ravaky ny tantara

Eo amin´ity toerana ravaky ny tantara ity no anehoan´ny mpanoratra ny talentany, ka


tonga toy ny zava-misy marina sy azo porofoina ny tantara. Raha ny ao amin´ny
Navalona, ohatra, dia iray amin´ireny ny amoron-dranomasina : toerana tena misy
tokoa, ka na dia tsy fantany tanteraka aza, dia azony antoka fa toeram-pialan-tsasatra
hany ka tononiny fotsiny.
Raha jerena ny ao amin´ny boky Navalona dia hita fa toerana mivelatra satria
ambanivohitra sy an-drenivohitra. Ireo dia entina manamarika ny elanelana misy eo
amin´i Hery sy i Navalona, izay tsy voafaritra ara-jeografia. Ny toerana manko dia
nataon´ny mpanoratra ho fitaovana iray amaritana ny amin´ny mpandray anjara.

« Elle fait parler l´espace, que c´est l´espace qui parle en elle ». p. 44.
33
Ohatra : Andohalo. Toerana avo, fonenan´i Navalona mianakavy. Hita ao amin´ny
boky fa i Navalona dia azo lazaina ho manana ny maha-izy azy, na eo amin´ny
endrika amam-bika, na eo amin´ny fahaizana, na eo amin´ny harena.

Rehefa manoritsoritra ny amin´ny toerana indray ny mpanoratra, dia ny any ivelan


´ny trano no tena manavanana azy. Eo ohatra ny fanononany matetika ny seza lava
eo ambany lavarangana, ny vavahady.

2.4.5. Ny fizotran´ny tantara

Amin´ity fizarana ity no hahafantarana ny fivoaran´ny tantara. Izany dia manomboka


amin´ny toe-javatra niaingan´ny mpandray anjara fototra. Misy foana ny toe-javatra
mpanova eny anelanelany eny. Raha mihatsara ny fiafaran´ny tantara, dia azo lazaina
fa misonga ilay tantara ; fa raha miharatsy kosa, dia mijotso.

Raha ny tantaran´i Navalona no jerena, dia hita ho mifanaraka amin´ny firafitry ny


tantara izay taratr´i Fr. PLAZANET. Izany dia ahitana dingana efatra.

Tahaka izao izany raha aseho amin´ny kisary

Situation Elément Suite d Situation


initiale modificateur ´aventures finale

Fr PLAZANET
Kisary 5 : Ny fivoaran´ny tantara

Toy izao ny fisehon´ny kisary raha ampiharina amin´ny fiainan´i Navalona ny


fitiavana

fifankatiavan´i - fankahalan- - fisian- fahatanterahan


Hery sy i dRasendra an´i dRado ´ny
Navalona Hery - fahatonga- fanambadian´i
- fahafatesan´ny van´i Hery Hery sy i
34
rain´i Hery Navalona
Kisary 6 : Ny fivoaran´ny tantaran´i Navalona

Fanazavana ny kisary

Tany am-boalohany dia nisy ny fifankatiavan´i Hery sy i Navalona. Novan-


dRasendra sy ny fahafatesan´ny rain´i Hery anefa izany. Avy amin´izay no nisian-
dRado teo amin´ny fiainan´izy ireo. Nanova izany ny fiverenan´i Hery indray teo
anatrehan´i Navalona. Io no nahatanteraka ny fanambadian´izy roa satria niverina
ilay fitiavana nisy tany am-boalohany.

Fehiny

Hita eto, araka izany, fa misonga ilay tantara satria azo lazaina ho tsara sy nilamina
ny fiainan´i Navalona tany am-boalohany, ary hita fa tsara ihany koa no niafarany, na
dia teo aza ireo olana maro nosedrainy tao anelanelany tao.

Taratra teo amin´ny fiainan´i Navalona ny fahamarinan´ilay tenin-


dRAFANOHARANA manao hoe :
“Natao ho fanamboarana ny olombelona ny fahoriana
fa tsy natao ho fanimbana azy akory, raha mahay
mandray azy amin´ny saina hendry izy”30.
TSOA-KEVITRA

Ny fampiharana ny fomba fandinihana tantara foronina tamin´ny boky Navalona no


naseho teo. Nojerena tamin´izany ny famintinana ny tantara sy ny fanadihadiana ireo
singa mandrafitra azy.

30
RAFANOHARANA. Op. Cit. p. 33.
35
Azo lazaina fa mahafehy ireo singa fototra ilaina ao amin´ny tantara foronina ny
mpanoratra. Tsapa ihany anefa ny maha-santatra am-bavarano ity tantara foronina
ity. Mora azo ny voambolana nampiasaina, tsy sarotra vakina satria mivantana ny
fomba filazan-javatra. Taratra mazava tsara ny fotoana sy ny toerana itrangan´ny
tantara.

36
Fizarana lehibe II

Ny endri-panabeazana
taratra ao amin´ny tantara

Samy manana ny fomba fitaizany ny zanany ny ray aman-dreny tsirairay avy. Na dia
samy ray sy reny ao an-trano ihany koa aza dia tsy mitovy ny fitondrany ny zanany.
Hojerena ato amin´ity fizarana lehibe faharoa ity ny fomba fitaizan´ny ray aman-
dreny ny zanaka hita ao amin´ny Navalona, avy eo ny vokatra azo avy amin´ireo
fitaizana ireo.
37
I. NY FOMBA FITAIZAN´NY RAY AMAN-DRENY NY ZANAKA

Ety am-piandohana dia omena ny famaritana ny atao hoe “fanabeazana”. Arak´i


DOLTRENS :
“Ny fanabeazana dia fitaizana ny olona hanana
fahazarana, hahay hanaraka toromarika, hanamafy ny
finiavana hanatsara ny fitondran-tenany, ny fihetsiny,
hahatsapa ny lanjan´ny adidy aman´andraikitra
môraly, na amin´ny tenany, na amin´ny hafa, mba
hahatonga azy hahay hifandray araka ny tokony ho izy
amin´ny vondron´ny mpiara-belona aminy”.31

Raha ny Rakibolana malagasy nosoratan-dRAJEMISA RAOLISON no jerena :


“Ny fanabeazana dia fanolokoloana ny zaza mba
hanomezana azy toetra tsara ka hahatonga azy ho
lehibe, ho olom-banona”.32

Tsy mifanipaka ireo fiheverana roa ireo fa azo lazaina ho mifameno, ka afaka
manome mazava ny tena hevitry ny fanabeazana. Araka ireo dia maro ny afaka
manabe : fiarahamonina, namana, fianarana, fa ny iompanan´ny asanay dia ny
fanabeazan´ny ray aman-dreny ny taranany, satria ny fomba fampitana ireny no entin
´ny ankizy miatrika ny fiainany any aoriana.

31
DOLTRENS. Eduquer et instruire. Nathan UNESCO. Imprimerie Union. Paris. 1966.
« Eduquer au sens courant du terme, c´est faire prendre des habitudes, respecter les consignes,
intensifier le désir de se bien conduire et de bien agir, acquérir le sens du devoir et des obligations
morales que l´on a, à l´égard de soi-même et d´autrui, de telle sorte que l´être éduqué puisse s
´intégrer normalement dans la communauté de ses semblables. » p. 19
32
RAJEMISA RAOLISON. Rakibolana malagasy. Ambozontany Fianarantsoa. 1995. tak. 210.
38
Samy manana ny fomba fitaizany anefa ny ray sy ny reny ao an-tokantrano, koa ireo
no ampitahaina manaraka eto. Marihina fa miainga amin´ny boky Navalona hatrany
ny fikarohana.

Efa voajanahary amin´ny olombelona ny fahitana ny fifandraisana am-po kokoa eo


amin´ny zanaka vavy sy ny ray, ary eo amin´ny zanaka lahy sy ny reny. Izy ireo no
mifampizara ny fifaliana sy ny fahoriana, mifanampy sy mifanoro hevitra. Raha ny
hita ato amin´ny boky Navalona dia taratra ny fifandirana misy matetika eo amin´i
Navalona sy ny reniny isaky ny misy fotoana ihaonana, na rehefa misy resaka
ifanazavana, na iaraha-mikaroka. Manaporofo izany ny fahitana ny fahasorenan-
dreniny raha sendra tafaresaka izy mianaka : “Sorena Ramatoa Rasendrasoa” (tak.
9). Raha ny amin´i Navalona sy ny rainy, dia tsy ahitana olana fa mifanaraka sy
mifanoro hevitra hatrany izy ireo. Hoy Randimby raha tafaresaka izy mianaka indray
andro : “Ny fikelezana aina isan´andro isan´andro handresy ny tena dia anisan´ny
fahendrena” (tak. 34).

Na izany aza dia tsy afa-misaraka amin´ny zanaka ny ray aman-dreny. Izany no
nahatonga azy ireo ho sokajina ao anatin´ny mpandray anjara mpanampy. Ireo ray
aman-dreny ireo no anisan´ny singa lehibe iray hahatrarana ny tanjona kendrena.
Hoy ny renim-pianakaviana iray raha naneho ny heviny tao amin´ny fahitalavitra :
“Ny fanabeazan´ny ray aman-dreny no voalohany
indrindra raha te hanana taranaka vanona”.33

Mba hahafahana mandalina misimisy kokoa ny mikasika ny fitaizan´ny ray aman-


dreny ny zanaka, dia lafin-javatra roa no hodinihina mifanesy eto ambany, dia ny eo
amin´ny fiainan-janany amin´ny ankapobeny, sy ny fiainam-pitiavana.

1.1. Eo amin´ny fiainan-janany amin´ny ankapobeny

33
Fandaharana « Lalam-piainana ». TV PLUS Madagascar. 16 Septambra 2007 tamin´ny 7ora30
alina. Atolotr´i Niaina RAKOTONJANAHARY.
39
Lafin-javatra telo no mitambatra ka manome ny maha-olona : ny vatana, ny saina,
ary ny fanahy. Ireo no taratra fa volavolain´ny ray aman-dreny amin´ny zanany
mandritry ny androm-piainany. Amin´ny endrika fafana no handinihana tsirairay
ireo.

1.1.1. Ny vatana
RAY RENY
Ny ray dia mametraka ny zanany ho efa Ny reny dia tsy te hamela ny zanany ho
olon-dehibe rehefa feno taona izy, izany irery fa satriny hiaraka aminy sy eo
hoe rehefa 18 taona. Tsy mba tantanana ambany masony hatrany mandritra ny
intsony amin´ny fiatrehana ny fiainana androm-piainany. Izy no te hitantana an-
fa tena tompon-tsafidy malalaka ny janany, eny fa na dia efa azo lazaina ho
zanaka. Ny anjarany dia ny manara- ampy taona aza. Aminy dia toy ny zaza
maso izay ataon-janany, ary manitsy ny foana ny zanaka, ka mila tantanana amin
diany raha sanatria misy tsy mety. Hoy ´izay ataony rehetra. Ny famelana azy
ny ao amin´ny boky maneho izany : “ hanao izay heveriny ho mety sy izay
Fa iza no miteny aminao fa mbola zaza i eritreriny dia fanimbana zanaka. Hoy ny
Navalona ? hoy Randimby. Efa 18 taona renin´i Navalona manambara izany :
anie izy iny e !” (tak. 10). “Amiko aloha iny [Navalona] dia mbola
zaza foana e ! […] Giazana fotsiny
Tsy eo amin´ny taona ihany, fa indrindra izao”. (tak. 10, 11).
koa ny fahalalana ny mety sy ny tsy
mety, izany hoe, mahay manova sy
Ny reny dia manoro hevitra hatrany ny
manamboatra ny fihetsika aseho
zanany, noho izy tsy te hieritreritra an-
manoloana ny zava-misy iray. Eto dia ny
janany hihafy. Zaza zatra niadana, ka
fanehoana ny fihetsika manoloana an´i
raha hiaraka amin´ny olona be adidy dia
Hery noho ny namoizany ny rainy no
mety ho tsizarizary ny fiainany
nampianarin´ny rainy azy : “Mahazo
rahatrizay ao an-tokantrano. Hoy
mitomany ianao eto fa aoka ho maso
Rasendra : “Sao mbola tsy fantatrao àry
maina sy endrika tony no ho hitan´i
fa nisaraka ny Ray aman-drenin´i Hery !
Hery rehefa mankany ianao” (tak. 18).
[…] Sady izay indray dia dimy

40
Araka ny fihevitry ny raim-pianakaviana mianadahy be izao. Dia i Hery koa no
eto dia miovaova manaraka ny fiovan´ny lahimatoa…” (tak. 11, 12).
taonany sy ny zava-misy iainany ny
fihetsiky ny tanora. Izany hoe, tsy
mitovy izy ankizy, izay mbola azo
fehezina sy baikoina amin´izay rehetra
ataony, sy izy efa tanora, afaka
mieritreritra ny ho aviny sy ny momba
azy, ka tsy azo fehezina loatra intsony.
Satria hoy izy : “… Ary ny vorona
rehefa ary elatra, na giazanao aza, lasa
manidina foana rehefa tonga ny fotoana
tokony hanidinany” (tak. 11).

Fafana 3 : Ny fitaizan´ny ray aman-dreny ara-batana

1.1.2. Ny saina

Ny fitaizana ny zanaka amin´ny lafiny ara-tsaina no azo lazaina ho manahirana,


satria miankina amin´io avokoa ny fiainany rehetra. Tsy maintsy miainga avy ao
amin´ny ankohonana misy azy anefa ny fitaizana, fa ny fiarahamonina dia manampy
ihany. Raha ny ato amin´ny boky Navalona dia taratra ny fahasamihafan´ny
fisainana taloha sy ny ankehitriny eo amin´ny fijeren-javatra iray.
RAY RENY
Ny ray dia miezaka manaraka ny fiovan Ny reny dia manamafy fa tsy azo atao ny
´ny zava-misy, manaraka ny toetrandro, miaraka eny imasom-bahoaka raha tsy
indrindra fa ny amin´ny fitaizany an- efa vita ny fombafomba rehetra. Raha
janany. Aminy dia misy ny fomba misy lehilahy iray sy vehivavy iray
fisainana taloha no tsy mety intsony mifankatia, ka maniry sy mikasa ny
ankehitriny, nefa eo kosa ireo izay tsy hivady, dia mamita izany. Hoy ny renin´i
azo ialàna fa tsy maintsy hajaina Navalona ao amin´ny boky : “tsy ny tany

41
hatrany, ary ampahafantariny an-janany […] no fady fa ny vavam-bahoaka e !
izany, “…Mila fivoarana tokoa isika, ” (tak. 8). Izany hoe, ny reny dia
nefa tadidio fa maro koa ireo fomba malahelo raha lazaina fa ratsy taiza ny
taloha izay tsy azontsika atao zanany. Manala baraka tokoa izany
tsinontsinona…” (tak. 9). “mitari-bady tsy lasam-bodiondry”
izany.

Anjaran´ny ray ihany koa ny mampahery


hatrany ny zanany, mampitraka azy raha Ny reny dia miezaka manova ny sain-
sendra misy ny olana sedrainy sy janany mba hanaraka ny heviny sy ny
lalovany. Izany hoe, mampitony ny eritreriny. Izy dia saro-piaro sy be
sainy ary manova ny toe-tsaina ao aminy fanahiana amin´ny maha-vavy ny
mba hahay hijery ny tsara hatrany. Hoy zanany, ary mametraka hatrany ao an-
izy : “… ny herin-tsainy no haren´ny tsain-janany fa “tsy misy vorondolo
olombelona” (tak. 34). mitera-boromanga”. Hoy Rasendra
tamin´i Navalona : “Hataonao ahoana
ny fametrahana fahatokisana amin´ny
Manana anjara amin´ny fanoroana ny
zazalahy izay misaraka ny ray aman-
zanaka ny ray amin´izay tokony hatao
dreniny ? Tsy hanahaka an-drainy ve izy
manoloana ny fiarahamonina sy ny
?” (tak. 11). Teny na fihetsika manery
fifandraisana amin´ny manodidina.
an´olaka, na mivantana no anehoany
Ohatra, raha misy zavatr´olona
izany : “Tsy misy manery an-dry eo fa
nosimbana dia tokony hosoloina. Raha
zavatra tokony hataon-dry izany. Izay
ny marimarina kokoa dia manoro ny
fotsiny !” (tak. 47).
zanaka mba hahaizany miara-miaina
aman´olona, manarina ny tsy mety
natao. “… Soloy ireo lovian-dreninao Tsy ahitana taratra fankaherezana loatra
novakinao ireo fa tezitra be izy” (tak. avy aminy fa vao mainka aza
60). fanomezana alahelo sy
famendrofendroana an-janany. Lazainy
Ary farany, fa tsy ny kely indrindra, ny fa manimba ny saina sy ny fitiavana ny
fanoroany sy ny fampianarany fisarahan-toerana. “Raha izaho aloha
mandamina ny fiainana, ary mandray ny indry mba asiako fieritreretana kely
42
zavatra rehetra amin´ny saina hendry. ihany e ! Asan-dry anefa e ! […] Fa
Raha lazaina amin´ny fomba hafa dia ny raha ny fieritreretako aloha, angamba
fahaizana manaiky hatrany ny lalam- izy any izay efa fito anaka. Marina e !
piainana, “Na inona na inona miseho ” (tak. 41).
[…] Na inona na inona miseho […]
hoekentsika” (tak. 60). Ny reny dia mandentika mandrakariva
ao an-tsain´ny zanaka fa avy aminy no
itarafan´ny mpiara-monina azy. Ary
misy fiantraikany amin´ny toerana misy
ny ray aman-dreny eo anivon´ny
fiarahamonina ny ataon´izy ireny. “Fa
inona mihitsy no ao an-tsain-dry ity e ?
[…] Sa ny hanintsana ny laza amam-
boninahitray mivady mihitsy no tena
tarigetran-dry ?” (tak. 47).

Fafana 4 : Ny fitaizan´ny ray aman-dreny ara-tsaina

1.1.3. Ny fanahy

Marihina ety am-piandohana fa ilay fanahy resahina eto dia tsy ilay fanahy
kristianina akory, fa ilay fanahy maha-olona izay iavahan´ny olona amin´ny biby.

RAY RENY
Tsy taratra eto amin´ny tantara mihitsy Ny renim-pianakaviana dia mihevitra
ny fanomezan´ny ray alahelo ny zanany izay hahasoa sy hahatsara ny fiainan-
fa miezaka hatrany izy ny janany. Matetika anefa, taratra ny maha-
mampahafantatra ny tokony hatao, vehivavy azy, ka tsy dia mahatakatra
manala na manamaivana ny fahorian- loatra ny mety ho fiantraikan´ny ataony
janany. any aoriana. Izany hoe, vahaolana
vetivety no atolony fa tsy mikatsaka ny

43
Manaporofo amin´ny fihetsika asehony maharitra izy, hany ka miteraka
ny raim-pianakaviana fa tsy mahafoy ny fahoriana sy fijaliana ho an´ilay menaky
zanany, ary toy ny miara-mizaka izay ny ainy izany indraindray.
mavesatra amin´ny sombin´ny ainy izy.
Maneho izany ny fiandrasany matetika
Noho ny reny tsy mahatanty ny zanany
eo ambany lavarangana.
alahelo amin´ny ataon´ny hafa, dia
miezaka ny mamaly faty izay heveriny
Tian´ny ray ny isian´ny fifandraisana ho mampitondra fahoriana an-janany izy.
am-po eo amin´ny reny sy ny zanaka, fa “ Vao avy any [tany amin´i Hery] aho
tsy sitrany kosa ny hisian´ny fifandirana […] Nasaiko niala haingana dia
sy ny tabataba ao anatin´ny ankohonana. haingana eto Antananarivo izy mba tsy
Araka izany, tokony hisy ny fifanajana hanome fahoriana ny zanako intsony ”
amin´ny safidy sy ny eritreritra fa tsy (tak. 28).
hifaneritery. Hoy i Zoé BARIJAONA Miteraka tsy fifanarahan-tsaina eo amin
maneho izany : “Ny hisavorovoroana, ´izy mianaka anefa izany ka mahatonga
hono, hilantoana. Koa anjarany ny ny fifandirana.
mandavorary sy mampitony ny
samboaravoaram-piainan´izy telo
Ny reny dia mampianatra ny zanany
mianaka” (tak. 48). Izany hoe, izy dia
vavy mba hahay hizaka amim-
mipetraka ho elanelam-panahy, ka
pahendrena sy amim-pahalemem-panahy
mitady hevitra ialana haingana amin
izay rehetra mety hiseho ao anatin´ny
´izay resaka mety hitarika olana.
tokantrano naorina tamim-pitiavana.

Mamolavola ny zanany ho olom-banona


Manaporofo izany ny tso-drano nomen-
ny ray satria taratra hatrany ny
dRasendra an´i Navalona rehefa andeha
fanoroany sy ny fanitsiany ary ny
hanorin-tokantrano izy : “Eny, anaka !
fampahafantarany izay mety sy tsy mety
[…]. Na oram-baratra, na havandra, na
“Tandremo fa mitady mbola ho diso
rivotra mifofofofo, na hatsiaka
lalana indray ianao” (tak. 34).
mamirifiry, na masoandro mibaliaka no
hitanao ao an-tokantranonao, atreho
Mampianatra sahady ny taranany mba am-pitiavana izany fa tia anao ny
44
tsy hanisy fanavakavahana eo amin´ny vadinao…” (tak. 68).
samy olombelona, satria samy manana
ny hanitra ho azy ny tsirairay.
Ohatra, raha manana harena ianao, tsy
tokony hanao tsinontsinona ny tsy
manana, satria misy lafin-javatra hafa
ananany fa tsy anananao. Hoy Randimby
raha niresaka tamin´i Navalona, indray
andro : “Zava-poana ny vola, anaka, fa
ny herim-pon´i Hery no tena zava-
dehibe”(tak. 34).

Ampianarin-drainy sy zariny
mampifandray ny fiainana andavanandro
amin´ny finoana sy ny fankasitrahana an
´Andriamanitra ny zanany.

Fafana 5 : Ny fitaizan´ny ray aman-dreny ara-panahy

1.2. Eo amin´ny fiainam-pitiavana

Toe-javatra roa no anompanana ny asa ato amin´ity fizarana manaraka ity : ny


fitiavana miainga avy amin´ny safidy, sy ny fitiavana miainga avy amin´ny
fifanohanana.

1.2.1. Miainga avy amin´ny safidy

45
Amin´izao vanim-potoana izao, indrindra fa ho an´ny ety an-tanàn-dehibe, dia ny
tanora no mifidy malalaka izay olona hotiaviny, fa tsy toy ny taloha izay amboarina
na atolotra, ka ny ray aman-dreny no mitady izay ho vadin-janany.

RAY RENY
Ny ray aman-dreny dia manombana Ny renin´i Navalona eto dia miainga
mandrakariva izay ho vadin-janany. Eto amin´ny safidy ihany, saingy izy kosa no
ny rain´i Navalona dia miombon-kevitra mihevitra ho mahafantatra ny mety
amin-janany fa tsy manery azy . amin-janany ; hany ka tadiaviny
hanaraka ny eritreriny hatrany i
Navalona.
Aminy dia tsy ny vola na ny harena na
ny manodidina azy no itarafana ny
olona, fa ilay olona amin´ny maha-izy Ampahafantariny azy ny fomba fijerena
azy, na dia eo aza ilay fomba fiteny hoe : izay hovadina : izay mitovy fahaizana
“tsy misy vorondolo mitera-boromanga”. amin´ny tena aloha, voalohany indrindra
Aminy, “ny heloky ny rainy, tsy mba ; manaraka izany, izay heverina ho
heloky ny zanany”. Entina manaporofo manana ny maha-izy azy eo amin´ny
izany ny resaka nifanaovan-dRandimby tany ama-monina, ka tsy hanala baraka
sy Rasendra vadiny, indray andro : na hampietry voninahitra ny ray aman-
“Rasendra : Sao mbola tsy fantatrao àry dreny. Manaporofo izany ny resak´izy sy
fa nisaraka ny Ray aman-drenin´i Hery ! i Navalona, indray andro : “Fa
Randimby : Dia maninona ? […] ny maninona kosa i Rado ? Sady fototra
heloky ny rainy tsy mba heloky ny olona anie ireny no manam-pahaizana
zanany e ! […] Sa ny hanintsana ny laza amam-
Rasendra : Sady izay indray dia dimy boninahitray mivady mihitsy no tena
mianadahy be izao […] Ny tontolo tarigetran-dry ?” (tak. 40, 47).
manodidina azy mihitsy, Randimby, no
ratsy â !
Randimby : …aza jerenao araka ny
Ny reny, matetika, dia tsy maminavina
itiavanao ijerena azy ny zavatra iray ary
ny vokatra mety ho ateraky ny zavatra,
aza tsaraina araka ny toetranao …”
fihetsika, teny atao, fa mijery maimaika
46
(tak. 11, 12). manoloana ny safidin-janany.

Aminy dia tsy mety ny manorina Ekena fa misy fiantraikany amin´ny ray
fanambadiana tsy ao anatin´ny fitiavana aman-dreny ny ataon´ny zanaka rehetra,
fa notanterahina noho ny faneriterena. izany akory tsy tokony ho sakana amin
Aleony ny zanany tsy manambady toy ´ny famelana ny zanaka halalaka amin
izay izany no miseho ; na dia heverina ´ny safidiny.
aza hoe : “tsy manana ny maha-izy azy
ny vehivavy tsy manana tokantrano”
Ny reny koa dia tsy mahatanty ny tsy
(tak. 42).
mamboraka ny ao am-pony raha vao
misy zavatra miseho, tsy mahatana
fihetseham-po na inona na inona mety ho
vokany. “… ajanony hatreo ny fiarahan-
dry amin´iny zaza-lahy iny…” (tak. 8)

Fafana 6 : Ny fitiavana miainga amin´ny safidy

1.2.2. Miainga avy amin´ny fifanohanana

Mila hatrany ny fifanohanana ny fiainana fa tsy misy ny mahavita tena, na dia misy
aza ny mihevitra fa manana ny ampy. Marina hatrany izany, na eo amin´ny fahoriana
na eo amin´ny fifaliana.

Ato amin´ny boky Navalona dia tanora roa niara-nianatra no tantaraina. Samy tao
amin´ny kilasy famaranana, ka niaraka niasa sy nifanampy, satria hanomana
fanadinana. Rehefa vita anefa ny fanadinana, nitohy izany ary nanjary fifanohanana

47
maharitra no tanjona, izany hoe nieritreritra ny tsy hifandao na ny tsy hisaraka
intsony.

Eo amin´ny mpifankatia, dia faniriana mandrakariva ny tsy hisaraka, araka izay azo
atao, ary satry hifankahita sy hihaona isan´andro. Maneho izany ny hoe : “Ny
hijanonanao eto anilako lalandava no tadiaviko” (tak. 22).

Voatery nisara-toerana anefa i Hery sy i Navalona noho ny fahafatesan-drain´i Hery.


Niteraka olana teo amin´izy roa izany. Samy manana ny fiheverany koa ny ray aman-
drenin´i Navalona nanoloana izany.

RAY RENY
Matetika dia tsy sitrapo no isarahana, fa Amin´ny reny dia tsy afaka ny
noho ny zava-misy sy ny onjam- hifanohana sy hifanampy raha mbola tsy
piainana. Eo indrindra no ilàna ny mitovy ny fananana, na ara-tsaina io, na
fifanohanana, na ara-tsaina, na ara- ara-karena. Aminy, ny afa-miara-miaina,
kevitra, fa tsy maika ny hifanome dia olon-droa mitovy, na dia tsy ahitana
alahelo. Hoy Randimby maneho izany : taratra ny fitiavana aza any am-
“… Aoka anefa isika manodidina azy tsy boalohany. Hoy mantsy Rasendra raha
hanampy trotraka izany fahoriana izany sendra tafaresaka tamin´i Navalona
na hamendrofendro fa hahay indray andro : “Ka izy [Rado] izao no
hampionona sy hampahery azy na amin hitako fa sahaza an-dry amin´ny olona
´ny fiteny na amin´ny fihetsika” (tak. rehetra manodidina an-dry koh ! […]
17). Sady fototra olona anie ireny no
manam-pahaizana e !”(tak. 40).

Na eo koa aza ny fisarahana, ny ray dia


miezaka hatrany ny mampahafantatra Heverin´ny reny koa fa ny fifanohanana
an-janany ny zavatra tsy maintsy dia ny fiarahana mandrakariva. Izany
hiaretana mba hananana ny tsara sy ny hoe, na dia misy aza ny tsy maintsy
fahasambarana rehefa any aoriana. Hoy andehanan´ny iray, dia tokony hitady
ny rain´i Navalona : “Tsia, anaka, tsy hatrany ny fomba rehetra hihaonana.
48
mahafoy anao raha i Hery […]. Tsy Hoy Rasendra : “Raha izaho aloha indry
niafina tamiko ny fitiavany anao nefa mba asiako fieritreretana kely ihany e !
hitako koa ny fahendreny. […] Raha ny Na inona aza ve retsy fifandirana nisy
sitrapony dia ny ho eo anilanao teo aminareo, dia tsy mba taty akory izy
lalandava, nefa noreseny izany. Ary izay …” (tak. 41).
no nilazako fa olon-kendry izy”
(tak. 34). Manazava amin´ny zanaka,
araka izany, ny ray fa misy ny
andraikitra tsy maintsy raisina
manoloana ny zava-misy. Hoy mantsy
ny rain´i Navalona : “Fandrotrarana
an-tanàna haolo i Hery, anaka ka
nandimby ray tsy satry. Izy no
mikarakara ireo ankizy ireo amin´izao
fotoana izao” (tak. 18). “Raha mahita
olona iray manana olana ianao dia aza
variana mangoraka azy fotsiny fa tolory
vahaolana izy” (tak. 27).

Fafana 7 : Ny fitiavana miainga amin´ny fifanohanana

Fehiny

Ny fomba fitaizan´ny ray aman-dreny ny zanaka niainga tamin´ny tantara foronina


Navalona no naseho tao amin´ny ampahany voalohany amin´ity fizarana faharoa ity.
Nojerena tamin´izany ny eo amin´ny fiainan-janany amin´ny ankapobeny sy ny
fiainan-janany ny fiainam-pitiavana.

Azo lazaina fa taratra ao amin´ity tantara ity ireo fomba fitaizan´ny ray aman-dreny
ny zanany ankehitriny. Voafaritra mazava ao amin´ny tantara ny fitondran´ny raim-
pianakaviana sy ny endri-panabeazan´ny renim-pianakaviana. Samy manana ny
49
fomba fitondrany ny taranany izy ireo, araka ny hita, ka izay no miteraka
fahasahiranana ho an´ny tanora, na eo amin´ny maha-izy azy, na eo amin´ny fomba
fiainany ny fitiavana, izay efa santatra sahady amin´ny fanomanany ny ho aviny.

II. NY VOKATRA AZO AVY AMIN´NY FITAIZANA

Iaraha-mahalala fa tsy maintsy misy hatrany ny valiny raisina avy amin´ny atao. Tsy
ho an´izay manao azy ihany anefa fa mety ho an´ny hafa koa. Raha ny iray ao amin
´ny ankohonana, ohatra, no manao zavatra iray, ny ankohonana manontolo no
mandray ny vokany, na tsara izany na ratsy. Izany hoe, voakasika ny ao an-
tokantrano ary miantraika any amin´ny fiainan´ny zanaka na ny ray aman-dreny
izany.

2.1. Eo amin´ny fiainan-tokantrano

Ao anaty tokantrano iray dia misy ny ray sy ny reny ary ny zanaka. Misy ny rafitra
mifehy sy ny fifampitondrana ao an-tokantrano ao. Tsy misy fiainana mandeha raha
tsy misy fandaminana fa samy manao izay tiany atao. Na dia ny mpiray trano ao aza
anefa, dia samy manana ny fomba fifandraisany sy ny fomba fiainany.
Misy ny manavanana kokoa, misy ny izarana ny momba ny tena, ary misy ny
anafenana. Hojerena eto indray ireo vokatra hita eo amin´ny : fifandraisan´ny
mpivady, fifandraisan´ny ray sy ny zanaka, ary ny fifandraisan´ny reny sy ny zanaka.

2.1.1. Ny fifandraisan´ny mpivady

Noho ny tsy fitoviana eo amin´ny fomba fijery dia tsy hita amin´izy ireo ny
fifanarahan-tsaina, fa samy manao izay tiany sy heveriny ho mety. Mitady hatrany,
araka izany, izay fomba atao mba handresen-dahatra ny iray amin´ny tetika sy ny
hevitra tiana hotanterahina. Feno fitaka sy lainga eo amin´ny fiainan´izy mivady, tsy
misy ny filazana ny marina. Noho izany, feno fiahiahiana tanteraka amin´ny vady,
50
heverina ho misy hevitra ambadika hatrany izay lazainy sy ny fihetsika asehony.
Manaporofo izany ny ao amin´ny boky Navalona manao hoe : “Misy zavatra maha-
mahimahina ahy …” (tak. 31). “Takatry ny lahy avy hatrany ny tian´ny vadiny
hatao nefa nodiany adala […]. Gagagaga ihany Ramatoa Rasendrasoa fa tsy
nanam-pandavana mihitsy ny vadiny” (tak. 49). Marihina fa io laingalainga sy
fitapitaka io dia hita eo amin´izy mivady mihitsy fa tsy amin´ny iray ihany.

Tsy ahitana fifampiresahana firy amin´ny maha-mpivady fa samy variana amin´ny


fikarohana hevitra izay heverina fa mety, nefa ny mifanohitra tamin´izay no niseho.
Tsy hita taratra teo amin´izy ireo ny tambitamby sy ny fiadanana, fa eso sy teny
manindrona ary mandratra ny iray foana no avoakan´ny vavan´ny iray. Maneho
izany ilay voalaza hoe : “Mandinika ny fivezivezinao aho dia finaritra ery !”(tak. 27).
Toy izany koa ny resaka nifanaovan´izy mivady indray andro :
“Randimby : Ka inona indray moa izany fa tsy dia tafaray ny tia sy ny manina.
Mandehana ilazao izy fa azoazonao dia vita ny raharaha.
Rasendra : Ka azoazoko tsy ho ahy anie fa ho an´i Navalona e !
Randimby : Ianao no mahazoazo azy ka i Navalona no haninona amin´izany ?”
(tak. 38, 39).

Ny fiainan-tokantrano ahitana mpivady tsy mifanaraka toy izany dia tsy haharitra na
oviana na oviana. Teraka ny nenina maro rehefa tsy eo intsony ny iray ary arahina
fahatsiarovana tsy maty vonoina sy tsy azo kosehina ao anaty. Hoy mantsy Rasendra
: “Maro ny fahalemeko […] Nefa tsy mba nanary ahy ny vadiko fa nanampy ahy
hatramin´ny farany ary niafara tamin´ny famoizany ny ainy izany” (tak. 69, 70).

Fehiny

Hita, araka ireo, fa ny mpivady amin´ny maha-mpivady azy dia tsy mifankafoy na
dia eo aza ireo tsy fitovian-kevitra sy ny adiady madinidinika. Mifanampy sy
mifanavotra hatrany na dia eo aza ireo zavatra tsy itoviam-pijery.

51
2.1.2. Ny fifandraisan´ny ray amin´ny zanaka

Ao an-tokantrano ao dia manana ny fomba ifandraisany amin´ny rainy ny zanany.


Araka ny efa voalaza tany aloha, ny zanaka vavy dia mifandray am-po kokoa amin
´ny rainy. Eto dia taratra izany eo amin-dRandimby sy i Navalona, ka matetika izy
ireo no mifampiaro manoloana ny zava-miseho sy izay heverina fa mety hahatonga
olana ho an´ny iray. Manaporofo izany ny ao amin´ny boky manao hoe : “Tsy misy
manery anao intsony eo [hoy ny rainy] fa mandehana ianao matory”. (tak. 47).

Tsy mahafoy ny zanaka ny ray fa manohana azy hatrany. Manamarina izany ny


fiandrasan-dRandimby matetika an´i Navalona rehefa misy alehan-janany. “… Tsy
nandeha niasa Ingahy Randimby ny tolakandro. Niandry an-janany…” (tak. 17).
“Ingahy Randimby kosa tsy nihetsika teo ambany lavarangana fa niandry azy teo
foana nandritra ny fotoana tsy nahateo azy” (tak. 24).

Ny zanaka anefa tsy mahatsapa izany raha tsy efa tsy eo anilany intsony ilay rainy,
hany ka mitahiry izany fahatsiarovana izany lalandava ao am-pony. “…fa ny
fahatsiarovana azy kosa hitoetra ato anatiko mandrakizay” (tak. 65). Aminy, na efa
maty sy tsy hitan´ny masony intsony aza ny rainy, dia mbola mahita azy sy miahy ny
fiainany, hany ka nisy ny fotoana “nipetraka ela teo ambany lavarangana [izy],
nitafa sy nangata-tsodrano farany tamin-drainy”.(tak. 68).

Fehiny

Ny raim-pianakaviana sy ny zanaka vavy dia tsy mifankafoy fa mifampahatsiaro


mandrakariva. Ohatra amin´izany, rehefa narary mafy tany amin´ny toeram-
pitsaboana Randimby dia i Navalona no notadiaviny aloha vao i Rasendra vadiny :
“- Iza aminareo no Navalona ? hoy ihany ilay dokotera
- Izaho fa ahoana izay ? hoy i Navalona
52
- Mitady anao izy [ny rainao] […]
- Navalona ! hoy ny rainy niteny mora […] asaivo miditra amin´izay izy [ny
reninao]…” (tak. 59, 60).

Toy izany koa i Navalona, ny rainy no notadiaviny voalohany rehefa tonga tao amin
´ny hôpitaly izy fa tsy noraharahainy izay olona hitany teo : “Aiza i dada izao ?
” (tak. 58).

2.1.3. Ny fifandraisan´ny reny amin´ny zanaka

Tsy mba tahaka ilay fifandraisana nisy tamin´ny ray teo ambony fa azo lazaina ho
mifanohitra tanteraka. Taratra ao ny tsy fitoviam-pijery sy ny fisian´ny elanelana eo
amin´ny reny sy ny zanaka vavy, hany ka teraka ho azy ny fifamaliana isaky ny mba
misy resaka ifanaovana.

Noho ireo fomba fitondran´ny reny koa dia lasa misy ny fifanomezan-tsiny sy ny
vava tsy ambina ary ny teny tsy voahevitra, hany ka tsy dia misy ny firaisan-tsaina sy
ny fifankahazoana am-po. Noho izany, tsy miantehitra firy amin´ny reny ny zanaka
raha amin´ny lafiny torohevitra fa aleony miatrika ny fiainany samirery, tsy misy
mpanelingelina. “Navalona â ! Fa nisy inona e ? [hoy ny reniny] Fa maninona indry
no mihidy aman-trano ato ?[…]. Asa na ren´i Navalona na tsia ny fanontanian-
dreniny fa tsy nisy valiny” (tak. 25).

Na eo aza ireo disadisa ireo dia tsy maintsy misy ny fifamelana, na dia amin´ny
maha-reny sy zanaka ihany aza. Vokatry ny fitazonan´ny zanaka ny heviny hatramin
´ny farany sy noho ny tsy fanekeny ny faneriterena azy amin´izay zavatra iankinan
´ny fiainany any aoriana, dia nanome tso-drano ny reny, izay kibo nifonosana, satria
ny hiadanan´ny taranany no katsahiny. Hoy ny tsodranon-dRasendra ho an´i
Navalona raha andeha hanambady izy : “…Mahaleova mahalasana ary soava dia
izany zanako izany”(tak. 68).

53
Fehiny

Noho ny fomba fitondran´ny renim-pianakaviana ny zanaka ho toy ny zazakely mila


tantanana amin´izay rehetra atao, izay fomba fijery tsy dia mety loatra amin´ny
tanora ankehitriny, dia taratra mandrakariva ny tsy fifanarahan-tsaina. Vokany,
fifandirana sy fifamaliana isaky ny mihaona na mifampiresaka na misy hevitra ilana
fanampiana.

2.2. Eo amin´ny fiainan´ny zanaka

Ahitana fiantraikany lehibe eo amin´ny fiainan´ny zanaka ny fomba fitaizana azy.


Izany dia taratra amin´ny fiainana manoloana ny manodidina azy sy manoloana ny
ho aviny.

2.2.1. Manoloana ny mpiara-monina

Ny mpiara-monina dia hery lehibe iray mitsara ny olona noho izy ireo mifanerasera
isan´andro. Na dia tsy mahalala ny tena marina aza anefa izy ireny, dia manana ny
fomba fijeriny, hany ka samy maneho ny heviny araka izay eritreretiny.

Eto dia tsy ahitana fifaneraserana firy amin´ny mpiara-monina ity zanaka ity
(Navalona) noho ireo toe-javatra misy eo amin´ny fiainany, lasa fanaony ny
mijanona irery ao an´efitranony. Noho izany dia ataon´ny olona resaka, ao ny
manatsara, ary tsy ilaozan´izay manaratsy. Manoloana ny ray aman-dreny koa, izy
dia toa tsy ahitana teny firy fa feno fanginana hatrany.

54
Na teo aza ireny rehetra ireny, niezaka ny namantatra izay tokony hataony izy ary
nametraka ny tsirairay tamin´ny toerana tokony hisy azy avy : rehefa namana dia
namana, rehefa mpampianatra dia mpampianatra, ary rehefa olon-tiana dia olon-
tiana.

Fehiny

Noho ny fitaizana azon´i Navalona tao anivon´ny tokantranony dia nanjary nanana
fahasahiranana nanoloana ny mpiara-monina azy izy, nataon´ny olona resaka. Azo
lazaina mihitsy aza hoe tsy nilainy intsony ny fiarahamonina fa naleony niaina irery
ny fiainany.

2.2.2. Manoloana ny ho aviny

Rehefa eo ny fikirizana, noho ny fahazoana antoka fa izay atao sy eritreretina no


marina, dia mazàna iny no tanteraka.

I Navalona dia niezaka sy naniry ny mba hanorina ny tokantranony ao anatin´ny tena


fitiavana, izany dia neritreretiny fa tanteraka raha manambady ny olona tena tiany sy
fantany fa tia azy izy. Tanteraka ny faniriany taty aoriana noho ny fanajany sy ny
fankatoavany ny ray aman-dreniny.

Tsapa koa fa anisan´ny miantoka ny ho avy ny fianarana. Izany no nahatonga azy


nilofo tamin´io, ary nanao izay azony natao rehetra mba hahatrarana ny tanjona tiany
hotratrarina ; ary tratrany izany na dia teo aza ny fahabangana teo amin´ny fiainany.
Io no niankinany sy hery nanampy azy tamin´ny fiezahany nanadino ny toe-javatra
sarotra nolalovany. Io no azony antoka fa tsy hanary azy ary tsy hisaraka aminy na
ho inona na ho inona. Tsy niantehitra tamin´ny olona izy araka izany tamin´ny
fanomanany ny ho aviny.

55
Fehiny

Rehefa misy tanjona iray tiana hotratrarina dia tsy maintsy misafidy, fa tsy mety raha
manao “mamy ny atsy, fy ny aroa”. I Navalona, ato amin´ny tantara, dia te handresy
ny olana, ka ny fianarana no nataony “sakaiza mahatoky azy indrindra”. (tak. 36).

Fizarana lehibe III


56
Ireo lesona azo tsoahana sy
ny nahazoana ny hevitra

Ao anatin´ny tantara foronina dia misy hatrany ny lesona azo tsoahana. Hojerena ato
amin´ity fizarana tapany farany ity ireo lesona azo tsoahana avy ao amin´ny
Navalona, izany dia miainga avy amin´ny firafitry ny tantara foronina. Rehefa izany
dia hofantarina izay mety ho nahatonga ireo hevitra ireo hitranga : vehivavy ny
mpanoratra, mpampianatra ny mpanoratra, ary manankina ny fiainany amin
´Andriamanitra izy.

I. IREO LESONA AZO TSOAHANA

Ny zava-misy sy ny zava-miseho rehetra dia nisy antony nahatonga azy avokoa.


Arakaraka ny fiainana sy ny fikolokoloana azy no mety horaisina avy aminy : mety
ho amin´ny endriny tsara izany, nefa koa mety ho amin´ny endriny ratsy.

57
Raha ny amin´ny fiainan-tokantrano, ohatra, no jerena dia ahitana ny ray aman-dreny
sy ny zanaka. Samy mandray ny vokatr´izay ataon´ny tsirairay ny ao anatin´ny
ankohonana. Ny lehibe miankina amin´ny fifandraisan´izy samy izy, ny ankizy kosa
dia mandray izany avy amin´ny fitaizana azony sy nanazarana azy nefa mety ho avy
amin´ny samy ankizy ihany koa izany.

Lafin-javatra maro no azo alain-tahaka mba hoentina manatsara ny ao anivon´ny


ankohonana. Iray amin´ireny ny tantara foronina, satria izy ireny hoy i FranÇois
MAURIAC :
“Manitsy ny hevi-diso, indraindray manafoana mihitsy
mba hahitana hatrany ny fivoarana.”34.

Hoy koa i J. LAURENT :


“Matoa misy ny tantara foronina dia misy zavatra tsy
ampy sy tsy tomombana eto an-tany, ka ny mpanoratra
no mameno izay heveriny fa banga”35.

Ilaina tokoa ireny satria tsy vitan´ny ray aman-dreny irery ny fitaizana. Misy hatrany
ny lesona azo tsoahana ho an´ny mpamaky avy amin´ireny asa soratra ireny. Araka
ny hevitr´i Jean Paul SARTRE :
“Ny mpamaky dia tsy maintsy misintona hevitra
mihoatra noho izay voasoratra”36.

34
François MAURIAC. Op. Cit.
« On cherche tantôt une frénésie, et tantôt un anéantissement, mais toujours l´accroissement de
quelque chose » p. 10.
35
J. LAURENT. Roman du roman. Edition Gallimard. France. 1977.
« L´existence du roman prouve qu´il nous manque quelque chose sur la Terre puisque le roman
existe pour combler ce manque » p. 144.
36
Jean Paul SARTRE. Qu´est-ce que la littérature ? Edition Gallimard. Paris. 1948.
« Il faut que le lecteur invente tout dans un perpétuel qui dépasse de la chose écrite ». p. 57.
58
Misy ireo lesona azo tsoahana miainga avy amin´ny firafitry ny tantara foronina.
Hojerena mifanesy eto ambany ny azo avy amin´ny mpandray anjara, ny fotoana, ny
toerana, ary ny fizotran´ny tantara.

1.1. Avy amin´ny mpandray anjara

1.1.1. Ho an´ny ray aman-dreny

Ao anaty ankohonana iray dia misy ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ny ray aman-
dreny no miahy izany tokantrano izany. Na dia eo aza ireo adidy tsy maintsy
iantsorohan´izy ireo, dia tsy afa-misaraka amin´izy ireo ny fiainana ny maha-
mpivady sy ny fifandraisana amin´ny zanaka.

1.1.1.1. Eo amin´ny fiainana ny maha-mpivady

Ny ray aman-dreny, matoa izy ireny nivady, dia efa nifankatia sy nifanaiky
hitambatra ho iray. Nivoaka avy tamin´ny ankohonana roa tsy mitovy anefa izy ireo,
ka samy nanana ny fomba nahazatra sy nanabeazana azy. Araka izany, tsy voatery
hitovy ny hevitra, ary mety hifanohitra tanteraka aza indraindray, kanefa tsy maintsy
mitady izay marimaritra iraisana ; izany dia tsy ho hita na oviana na oviana raha tsy
eo ny fifampiresahana, fampiadiana hevitra, fandeferana, fifamelana.

Tsy manafina ny zava-misy toy ny paikady novolavolain-dRasendra mba


hampiarahina an´i Navalona amin´i Rado, na Randimby naka an´i Hery tany
ambanivohitra ; fa miezaka ny mifampizara sy mifanoro hevitra amin´izay tokony
hatao sy hitondrana ny tokantrano.

59
Tsy eo amin´ny fiainana andavanandro ihany no tokony hahitana izany fa indrindra
eo amin´ny fanabeazana ny zanaka. Sarobidy loatra manko izy ireny ka tsy
voavidim-bola aman-karena ary maharary ny ray aman-dreny raha misy ny mahazo
azy.

Tsy azo atao ny mametraka ho laharam-pahamehana ny laza amam-boninahitra, fa


ny fikatsahana izay mahasoa sy mahatsara ny eo anivon´ny tokantrano no tokony
himasoana sy hokatsahina fatratra. Ny mpivady, araka izany, dia tsy tokony
hifanafina fa hifampizara hatrany ny zavatra rehetra. Samy mihevitra ny
hampandrosoana ny ao amin´ny ankohonana mba hisian´ny fifandraisana tsara,
indrindra fa eo anatrehan´ny zanaka.

1.1.1.2. Eo amin´ny fifandraisana amin´ny zanaka

“Ny hanambadian-kiterahana, ny hiterahan-ko dimby”. Araka io fomba fiteny


malagasy io, matoa ny olona roa mivady, dia ny mba hananana mpandimby :
eo amin´ny anarana, ny fomba amam-panao, ny fananana. Raha tonga ary ny zanaka,
dia adidin´ny ray aman-dreny ny mitaiza sy mikolokolo azy ireny, manomboka amin
´ny fahakeliny mandra-pialany eo anivon´ny masoandro amam-bolana, ka hananany
tokantrano. Hoy i SARTIN maneho izany :
“Raha mbola tsy manambady ny zazavavy, dia ny ray
aman-dreniny no tompon´ny fahefana aminy. Fa amin
´ny fotoana hidirany eo amin´ny sehatry ny
fanambadiana, dia izy sy ny vadiny indray no miantoka
ny amin´ny fitaizana sy ny fitantanana ny fananana ao
amin´ny ankohonany”37.

37
SARTIN P. Aujourd´hui la femme. Editions Stockj. Paris. 1974.
« L´autorité appartient donc au père et à la mère qui l´exercent en commun. Les époux asssurent
ensemble la direction morale et matérielle de la famille ».
60
Ny ray aman-dreny dia manoro ny zanaka ny fomba amam-panao izay tsy azo
dikaina fa tokony harahina an-tsakany sy an-davany. Tokony hanaiky koa anefa ny
ray aman-dreny ny fiovan´ny fisainan´ny zanaka noho ny fivoarana, raha hita ho tsy
mametraka olana loatra izany, na ao an-tokantrano, na amin´ny fiarahamonina.

Rehefa tonga eo amin´ny sehatry ny fahatanorany izy ireny dia zarina handeha irery
hisedra ny fiainana mba hahalala ny tokony hataony eo anivon´ny tokantranony
rahatrizay.

Tsy dia mety intsony amin´izao vanim-potoana izao ny fidiran´ny ray aman-dreny
amin´ny fiainan-tokantranon´ny zanany, satria mety hiteraka olana izany, indrindra
eo amin´ny resaka tsy fitoviam-pijery, na eo amin´ny fomba fisainana. Izany akory
tsy midika fa tsy ilaina ny fifampiresahana eo amin´ny maha-ray aman-dreny sy
zanaka. Eo amin´ny mpianaka dia tsy tokony ho taratra eo amin´ny resaka
ifanaovana intsony ny teny mafy, ny teny maharary, izay mety hampiteraka alahelo
ny iray.
Adidin´ny ray aman-dreny ny mananatra, satria izy ireny no azo sokajina ho nandalo
fiainana maro ary mahalala ny tokony hatao sy tokony hotandremana. Anjaran´ny
zanaka kosa ny mandinika sy mieritreritra, ka mandray sy mankato izay tokony
harahina, satria “tsy misy ray aman-dreny manolo-bato mafana ny zanany”.

1.1.1.3. Eo amin´ny fifaneraserana amin´ny manodidina

Ny olona tsirairay avy dia miaina ao anaty fiarahamonina. Tsy afaka ny mivelona
irery, araka izany, fa mila ny fanampian´ny manodidina.

Samy manana ny toerana misy azy avy ny tsirairay ka tsy tokony hifanome tsiny,
hifanambany, hifanaratsy, hifanenjika. Raha misy olona heverina ho mahantra na
ambany noho ny tena dia tsy mety ny manao tsinontsinona azy ireny, na eo amin´ny
fihetsika, na eo amin´ny fiteny. Samy manana ny maharary azy manko ny olona, ka
61
mety ho fihetsika kely tsy ampoizina, teny tsy voahevitra, dia mampalahelo ny hafa,
ary matetika ireny voatahiry ao anaty. Toy ny hita teo amin´ny tenin-dRasendra
tamin´i Hery : “Samia masina an-taniny”(tak. 27). Tokony ho samy hahay hifidy ny
fihetsika atao sy ny teny tenenina, araka izany, ny olona rehetra.

Tsy azo atao koa ny mirehareha fa izany no itsaran´ny manodidina. Izany hoe, ny
zavatra fantatra fa ho vita sy efa azo antoka ho tanteraka ihany no ampanantenaina fa
tsy izay fandaharana any an´eritreritra, mba tsy hanondroan´ny olona molotra ka
hataony firesaka sy ohatra isaky ny misy zavatra miseho. Toy izany no nanjo an-
dRasendra tamin´ilay fety nokarakarainy, kanjo zavatra hafa tsy araka izay
nampoiziny no nitranga, hany ka “… nangovitry ny henatra olona, nipararetran´ny
fahafaham-baraka…”(tak. 53).

Ny ray aman-dreny no miezaka manao izay hahatsara ny fifandraisana sy ny


fifaneraserana amin´ny manodidina. Manaraka ny ataon´ny ray aman-dreny manko
ny zanaka, izany hoe, arakaraka ny hitany niainan´ny ray aman-dreniny teo aloha no
ataony koa aty aoriana. Tsy mety ny manao “mpitari-bato vilam-bava” fa tokony
hiezaka hatrany hanao izay azo atao amin´ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin
´ny fiarahamonina. Raha misy tsy dia nifandray loatra tamin´ny ray aman-dreny
kanefa hain´ny zanaka aty aoriana ny mandamina azy, dia tsy tokony ho izy ireny
indray no handrara sy hanakana izany. Tsy mety araka izany, raha ny ray aman-dreny
no ratsy fomba fiainana manoloana ny manodidina.

1.1.2. Ho an´ny zanaka

Ny zazalahy no azo lazaina ho manana andraikitra lehibe kokoa eo amin´ny


fiarahamonina. Izy no endrika sy voninahitry ny ray aman-dreniny, izy no mamelo-
maso ny anaran-dray ary maneho ny maha-izy azy ny ankohonana. Raha tsy manana
anadahy anefa ny zanaka vavy, dia izy indray no mamita ny adidy sy ny andraikitra

62
rehetra sahanin´ny zanaka, na amin´ny maha-lahy na amin´ny maha- vavy, indrindra
moa raha zanaka tokana izy.

Marihina eto ambany ireo lesona azo tsoahana ho azy ireo araka ny fandinihana ny
boky Navalona. Hodinihina miaraka ireto : voalohany, eo amin´ny fiatrehana ny
zava-misy sy mitranga ; faharoa, eo amin´ny fanomanana ny ho avy ; ary fahatelo, ho
an´ny zazalahy, eo amin´ny fandraisana fanapahan-kevitra ; ho an´ny zazavavy, eo
amin´ny fitondran-tena.

1.1.2.1. Eo amin´ny fiatrehana ny zava-misy sy mitranga

Maro ireo toe-javatra miseho sy mifamahofaho eo anivon´ny tokantrano. Mahatsapa


sy miaina izany miaraka amin´ny ray aman-dreny ny zanaka, indrindra fa raha vao
mahatsiaro tena ho lehibe izy ireny ka mahafantatra ny mety sy ny tsy mety.
Indraindray anefa, avy amin´ny zanaka no mahatonga ny olana, toy ny resaka
“fitiavana”, ohatra izay hita eto ; hany ka voatery mandray andraikitra amin´ny
fiatrehana izany izy ireo. Misy hatrany ny lesona azo tsoahana avy amin´izany.
ZAZALAHY ZAZAVAVY
Ny lehilahy, rehefa misy toe-javatra Ny vehivavy rehefa manoloana zavatra
miseho, dia mahay avy hatrany iray izay heverina fa mafy na sarotra dia
mandinika sy mieritreritra izay tokony matetika mitanondrika, tsy mahatsapa
hatao. Ary toetra tokony ho taratra eny izay tokony hatao sy hotenenina intsony.
amin´ny lehilahy rehetra izany, satria izy Tsy hainy ny mampitony ny fony, kanefa
ireny no ho loham-pianakaviana any izay ataony rehetra dia mivoaka avy ao
aoriana, hamelo-maso ny anaran-dray am-pony avokoa.
araka ny efa voalaza teo ambony. Tsy
tokony hisoritra eny amin´ny endriky ny Ny vehivavy koa rehefa tia dia tena tia,
lehilahy ny fahakiviana, eny fa na dia tsy ary tsy azo hozongozonina amin´ny
mety aza indraindray amin´ny maha- heviny, “tokam-po tahaka ny siny” (tak.
olombelona. Miezaka ny mitraka hatrany 41) ; ary rehefa iny no midona na mivily
ary vonona ny hiatrika izay mety ho dia marary azy mafy.
63
olana tsy maintsy sedraina. Mitady
hatrany vahaolana sy izay fomba azo
Rehefa misy olana mahazo ny namana
ialana haingana ao amin´ny zava-
akaiky dia mahay mametraka ny
manahirana. Toa an´i Hery, izay tsy
fihetsika sy ny fiteny amin´ny toerana
maintsy hamelona ny tenany sy ireo
tokony hisy azy, izany hoe, mahay
zandriny efatra mianadahy rehefa tsy teo
mampitraka sy mampahery fa tsy vao
intsony ny rainy (tak. 20).
mainka manampy ny fahoriana.

Mila maneho ny hambom-po sy ny hery


Ilaina ny fitazonana ny hevitra hatramin
mba hahafahana miady ka handresena
´ny farany mba hahatrarana ny tanjona
izay nahatonga ny olana. Ahatarafana
nokendrena hatrany am-boalohany. Raha
izany ny hambom-po nananan´i Hery ka
ny tanjon´i Navalona, ohatra, no raisina,
tsy nandalovany tany amin-dry Navalona
dia ny hananany tokantrano miorina
rehefa niverina niakatra izy ka namindra
amin´ny fitiavana. Na dia teo aza ireo
ny zandriny tamin´ny trano hafa. Ary tsy
zavatra maro nifamahofaho teo amin´ny
nampahafantatra izany tamin´i Navalona
fiainany dia niezaka izy ny nanohitra
noho ny teny mafy nataon-dRasendra
izay hery rehetra fantany fa tsy
taminy talohan´ny nandehanany honina
ahafahany manatanteraka io tanjony io.
any ambanivohitra (tak. 35).
Ka ny hitany fa mety dia ny tsy
hanambady izay tsy tiany sy nanankina
Ny lehilahy koa dia tokony hahay ny fiainany tamin´ Andriamanitra ary
hampionona ny fo raha misy ny nilofo tamin´ny fianarana.
fahadisoam-panantenana eo amin´ny
resa-pitiavana. Hita izany tamin-dRado
Rehefa fantany fa handao azy ny rainy,
nanoloana an´i Navalona (tak. 56).
izay nanampy azy tamin´ny ady maro teo
Tokony hahay hanakatra sy handamina
anatrehan´ny olana ara-pitiavana, sy
ny zava-misy fa tsy maika
nikolokolo ny fiainam-pitiavany, dia
hanakorontana ny zavatra tsy azo ahitsy
nahay nampionona ny fony ary nanaraka
intsony, toy ny nataon-dRado nanoloana
hatrany izay hafany izy. Ny rainy mantsy
ny nampahafantarana azy fa i Hery no
dia anisan´ny hery iray nanampy tamin
fofombadin´i Navalona (tak. 58).
´ny fanatratrarany ny tanjony, ary azo
64
lazaina ho nanohana azy hatrany. Araka
izany, tokony hahay hisaotra sy
Manoloana ny fisarahana an-tany, ny
hankasitraka ny olona nanao soa tamin
zanaka lahy no mandray ny andraikitra
´ny tena mba hahatanteraka ilay valim-
rehetra fa tsy miantehitra amin´ny
pitia.
vehivavy : fikarakarana, fandaminana,
mba hahatanteraka ny fotoana rehetra
an-tsakany sy an-davany. Ao amin´ny Na dia eo aza ny tsy dia fifankahazoana
boky Navalona dia ahatarafana izany ny eo amin´ny zanaka vavy sy ny reny, dia
nataon-dRado sy i Hery tamin´ny rain´i tsy tokony hifampitahiry alahelo.
Navalona maty : izy ireo dia teo Mandinika hatrany izay tokony horaisina
lalandava mandra-pahavitan´ny asa sy ny tsy tokony hatao satria ny anatry
rehetra. “…Hery no nikarakara ny ny ray aman-dreny dia toy ny “voankazo
zavatra rehetra. Tsy namela azy roa ho an´ala, ka ny mamy atelina, ary ny
irery koa anefa i Rado fa nanampy mangidy aloa”.
hatramin´ny farany” (tak. 61)

Fafana 8 : Ny lesona azo tsoahana ho an´ny zanaka

1.1.2.2. Eo amin´ny fanomanana ny ho avy

Samy manana ny eritreriny sy ny faniriany ary ny nofinofiny ny amin´ny ho aviny ny


tsirairay. Tsy misy ny maniry zava-dratsy fa ny mba hanana fahasambarana no
katsahina lalandava. Mitaky faharetana sy fandinihina anefa izany fa tsy vitan´ny
maimaika fotsiny.

Araka ny efa voalaza tao amin´ny fizarana lehibe faharoa, dia ny ray aman-dreny no
manomana ny zanaka amin´ny fiatrehana ny ho aviny. Dieny mbola ao an-
tokantranon´ny ray aman-dreniny izy ireny dia efa afaka sahady mieritreritra izany.
Tsy vita samirery araka izany ny fanomanana ny ho avy, fa mila hatrany ny
fanampiana sy ny torohevitry ny hafa izy.

65
Tsy azo atao ny miseho ho mahavita tena ka tsy mihaino ny toromarika na ny hevitra
atoron´ny hafa, indrindra fa ny ray aman-dreny, satria hoy ny tenin´ny Ntaolo manao
hoe : “ny ela nihetezana lava volo”.

Na izany aza, ilaina ny fizarana mandeha irery, izany hoe, miana-mamindra eo amin
´ny fiainana, fa tsy miankin-doha mandrakariva amin´ny manodidina. Miezaka miala
tsikelikely amin´ny fitantanan´ny ray aman-dreny ka mamita ny adidy tokony
hotanterahina, mandray ny andraikitra sahaza, satria “ny adidy tsy an´olon-dratsy”.

Mamantatra ireo izay miandry eo anivon´ny ankohonana ka mianatra izany ao anatin


´ny tokantranon´ny ray aman-dreny no tokony hataon´ny zanaka.

Tsy miala raha sendra mandalo zava-tsarotra fa miatrika izany hatramin´ny farany,
izany hoe miezaka mamaha ny olana, mikaroka ny vahaolana handresena azy, satria
avy amin´izay no ahatarafana sahady ny fahaizana miatrika ny adim-piainana. Hoy i
Fety MICHEL :
“Isan´ny fitaovana lehibe eo am-pelatanan´ny olona ny
herim-po na ny finiavana hanao zavatra. Fa miankina
amin´ny fananan´ny olona izany herim-po na finiavana
izany no ahitany fahombiazana amin´izay ataony”38.

Ilaina, araka izany, ny fahavononana sy ny fikirizana mba hananana ho avy milamina


sy mirindra.

Tsy mety koa ny miaina na manatanteraka zavatra iray ao anatin´ny tebiteby aman
´ahiahy, indrindra fa raha te hanana ho avy feno fahasambarana mila mandinika tsara
aloha vao manao zavatra. Izay fantatra fa hahasoa ny tena no banjinina fa tsy voatery
hiankina amin´ny fomba fijerin´ny manodidina. Rehefa nanomana zavatra iray, dia
vitaina araka izay satria izany no heverina fa lahatra sy fitondran´Andriamanitra.

38
Fety MICHEL. Nahoana no avondrona ho fokonolona isika ? tak. 63.
66
Hoy i Navalona ao amin´ny boky : “Tsy miaina araka ny sitrapon´ny olona aho fa
araka ny sitrapon´Ilay namorona ahy” (tak. 64).

Ny fomba iray lehibe azo tsoahana avy ao amin´ny boky Navalona, ka nanomanan´i
Navalona ny ho aviny koa dia ny fanankinany ny fiainany tamin´Andriamanitra.
Ity no ampaham-bavaka “tolokon´ ny molony isa-maraina raha mivavaka izy” :
“Tompo ô, hoy ny vavaka asandrany tsy miato
Mba ataovy ny andro anio no hahitako ny malalako
Ka hiposaka amin´izay ny anjara- masoandroko
Tolory ahy re izay mba hany fahasambarako
Fa dia ela loatra ka tsy tantin´ny fanahiko” (tak. 37)

Noho ny zava-nisy teo amin´ny fiainany ihany koa dia naleony niaina tao anatin´ny
fanginana. Izany hoe, tsy nifandray firy tamin´ny olona, tsy nahitana resaka firy, eny
fa na dia tamin´ny rainy izay fizarany ny ao am-pony aza : “nisalorany ny lamban´ny
fahanginana” (tak. 36), ary hita fa nahatsara ny fiainany sy nampilamina ny sainy
izany.

1.1.2.3. Eo amin´ny fandraisan´ny zazalahy fanapahan-


kevitra

Rehefa misy zava-mitranga dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra mba ho


entina hiatrehana izany am-pilaminana sy am-pahatoniana.

Ny hambom-pon-dehilahy dia ahavitana zavatra maro tsy ampoizina tokoa, ary


hentitra izy amin´izany, tsy azo ovana amin´ny heviny sy ny eritreriny.

Raha misy zavatra iray tiana ahatongavana, eo no ho eo dia miezaka mitady hevitra,
ary tsy mangataka andro amin´ny fanatanterahana fa avy hatrany dia manatontosa,
izany hoe “velesina ny vy dieny mbola mafana”. Manamarina izany ny ao amin´ny
67
boky manao hoe : “Tapa-kevitra tampoka izy” (tak. 26). Raha ny hita ao amin´ny
Navalona, i Hery dia nanana eritreritra ny ho any ambanivohitra. Noho ny nataon´ny
renin´i Navalona dia nanapa-kevitra izy fa tsy maintsy handeha, ary vao maraina
(tak. 30).

Eo amin´ny fanaovan-draharaha, ny lehilahy koa dia mila matotra, tsy mivazivazy


satria atao ao an-tsaina mandrakariva fa andry iankinana any aoriana ary handimby
ny anaran-dray. Na ho inona na ho inona vokatra azo avy eo, dia vonona hatrany
amin´izay atao, tsy ilàna fisalasalana. Mila herin-tsaina sy herim-batana ny
fanaovana izany fihetsika izany, ary mitaky safidy fa tsy mety ny manao “Bolokilahy
homam-boantseva ka mamy ny atsy ary fy ny aroa”.

Takina amin´ny lehilahy ny fahatsapan-tena ho diso, sy fiekena ny tsy nety raha misy
izany. Mila fahavononana anefa izany, indrindra fa manoloana ny resa-pitiavana, toy
ny nanjo an´i Rado ato amin´ny boky Navalona : tia an´i Navalona izy, kanefa
nanoloana ny fananan´i Navalona an´i Hery, dia nanaiky izy hijanona teo amin´ny
toeran´ny anadahy. “Ary raha sitrakao dia raiso toy ny anadahy izay tsy mba
nanananao aho…” (tak. 62), izany hoe, lasa fitiavan´ny mpiray tampo ilay
neritreretina ho fitiavan´olon-droa tany am-boalohany.

1.1.2.4. Eo amin´ny fitondran-tenan´ny zazavavy

Manana ny toetra manokana mampiavaka azy amin´ny zazalahy ny zazavavy amin


´ny maha-saro-pady sy amin´ny maha-fanaka malemy azy. Mila fitandremana mafy
izy araka izany eo amin´ny fiarahamonina. Tsy tokony hataony, ohatra, ny
misarangotra na miantoraka amin´izao karazan´olona rehetra izao. Izany akory tsy
midika hoe hiavonavona, fa tsy hitoky kosa amin´olona maro. Mahay manaja ny tena
aloha, voalohany indrindra, tsy dia tsara koa ny mifanerasera be loatra amin´ny
olona.

68
Hojerena mifanesy eto ambany ny tokony ho fitondran-tena manoloana ny ray aman-
dreny, ny mpiara-monina ary manoloana ny olon-tiana.

- Manoloana ny ray aman-dreny

Araka ny efa voalaza teo aloha, tsy mitovy ny fomba nitaizana ny ray aman-dreny
teo aloha sy ny tanora ankehitriny noho ny fiovana misy eo amin´ny toe-tsaina izay
nentin´ny fandrosoana.

Maro ny fihetsika na fiteny na fitafy tsy dia ankasitrahin´ny ray aman-dreny loatra.
Tsy tokony hatao manoloana azy ireny, araka izany, izay heverina fa mahasarotiny
azy satria raisiny ho tsy fanajana sy tsy mifanaraka amin´ny toe-tsaina malagasy.
Ohatra, ny fiarahan´i Hery sy i Navalona eny imasom-bahoaka kanefa tsy mbola vita
fombafomba.

Na dia samy eo aza ny zanaka lahy sy ny zanaka vavy, matetika ny ray aman-dreny
sarotiny kokoa amin´ny fitondran-tenan´ny vehivavy noho izy ireny manana ny
hajany manokana, ary mahamenatra kokoa raha misy fahadisoana ataony, na raha toa
solafaka. Izany akory tsy midika hoe mahazo manao izay tiany hatao ny lehilahy.

Tsy mety ny fironana amin´ny iray amin´ny ray aman-dreny fa tokony hitovy ny
fifandraisana aminy, mba hanamarina ny fiteny hoe “sinibe manga roa, tsy atao misy
tombo sy hala”, eny fa na dia misy aza ny mahazatra, misy ny mifankahazo sy ny
mora mifandray. Eo ihany koa ilay voalaza teny ambony hoe “matetika ny zanaka
lahy mifandray kokoa amin´ny reny ary ny zanaka vavy amin´ny ray”.

Noho ny fiovana maro, izay miteraka fahasahiranana mandrakariva, dia anjaran´ny


zanaka vavy amin´izao vanim-potoana izao ny manambara amin´ny ray aman-dreny
ny manahirana azy. Maka torohevitra fa tsy matahotra na mijanona amin´ny
fahalalana ananany izy, manaiky sy manaraka ny fananarany, mandray izany am-
69
pahatoniana sy am-pitiavana ary tsy mihevitra azy ireny mandrakariva ho efa
nilaozan´ny toetrandro. “Ny adala anarina [hono manko] tsy misy, fa ny hendry tsy
anarin-kavana no adala”.

Adidin´ny zanaka ny miezaka mampahafantatra amin´ny ray aman-dreny ny fiovana.


Izany akory tsy midika hoe mametraka na manasokajy azy ireo ho tsy maharaka ny
toetrandro, fa misarika tsikelikely kosa ny fisainany sy ny fomba amam-panaony
hifanaraka amin´izay takin´ny fandrosoana. Raha sendra misy tsy fitovian-kevitra dia
anjaran´ny zanaka no mandresy lahatra azy ireny ; amin´izay hita ho tokony
hanaovana izany ihany anefa fa tsy amin´izay sitrapo akory.

Taloha, ohatra, ny ray aman-dreny no mifidy izay ho vadin-janany ka fotopotoriny


avokoa ny mikasika ilay olona, toy ny fananany, ny fiaviany, ny firazanany, ny
finoany,… ary tsy tanteraka iny raha tsy mifanaraka amin´izay eritreretiny ;
ankehitriny anefa tsy manaiky izany intsony ny tanora, fa ny zanaka no mahita izay
heveriny ho vadiny. Toa an´i Navalona, tsy nijery izay momba an´i Hery izy fa ny
fitiavana no nibaiko azy, ary izy no nandresy lahatra ny ray aman-dreniny mba
hanaiky ny fiarahany.

- Manoloana ny mpiara-monina

Amin´ny maha-olon´ny fiarahamonina ny tsirairay dia manana andraikitra amin´ny


fanatanterahana ny mifanaraka amin´ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny
fiarahamonina izy.

Arakaraka ny fitondran-tena aseho manoloana ny manodidina no toerana ametrahana


ny olona iray. Noho izany, tokony hahay hiara-miaina aman´olona, izany hoe, tsy
manao izay maharatsy ny fihavanana, fidina izay teny aloaky ny vava, ny fihetsika
aseho manoloana ny hafa.

70
Rehefa ametrahana andraikitra iray dia manatanteraka izany ampifaliana fa tsy atao
ao anatin´ny fimenomenonana, na mitady izay fomba rehetra ialana mba tsy
hanaovana azy. Satria ho renim-pianakaviana aoriana kely, dia efa omanina sahady
izany.

Ianarana amin´ny mpiara-monina ny fahaizana mifandray amin´ny olona :


famantarana ny fomba fiaina, ny fijerena ny adidy aman´andraikitra sahanin´ny
vehivavy. Tsy afaka ny hamantatra sy ny hahita ireo anefa raha tsy mifanerasera
amin´ny olona, “ny hevitra tsy azo tsy amin´olombelona”.

Tsy mety ny maneho fihetsika tsy maotina eny imasom-bahoaka, indrindra fa eo


amin´ny mpifankatia. Izany hoe, tsy azo aharihary imason´ny mpiara-monina izany
fa toy ny mifandany zara, tsarain´ny olona ho ratsy fitondran-tena, tsy voafehin´ny
ray aman-dreny. Izany no mahatonga ny ray aman-dreny hananatra ary tokony
hihainoana ny tenin´izy ireny, araka ny hita ao amin´ny boky Takelaka
notsongaina I hoe :
“Tafiana lamba ny fitiavana fa tsy aderadera na
ampitanjahina sao hihomehezan´ny mpisompatra na
hanjakan´ny tsy manam-panahy”.39

Araka ny ao amin´ny Navalona dia mety ny mametraka ny tsirairay izay mifandray


amin´ny tena amin´ny sokajin-toerana tokony hisy azy avy, sy ny hanajana azy ireny
(mpampianatra, dokotera, Hery). Tsy mety, araka izany, ny manaratsy olona, ny
manambany, ny miavonavona, eny fa na dia mihevitra ho manana ny ampy aza.

- Manoloana ny olon-tiana

Rehefa tonga eo amin´ny sehatry ny fahatanorana matetika no mitsiry ny fitiavana ;


efa voajanahary ao amin´ny olombelona izany.

39
Siméon RAJAONA. Takelaka notsongaina I. Ambozontany Fianarantsoa. tak. 14.
71
Eo mazàna no manahirana ny fiainan´ny zazavavy noho ny maha-olon´ny fo azy.
Indrindra moa rehefa mitia olona iray izay tena tiany izy, kanefa misy ny misakana
sy mitady izay fomba rehetra tsy hahatanteraka ny fiarahana. Manoloana ireo no
tokony hiadiana mafy.

Rehefa manoloana ny olon-tiana dia tsy tokony ho taratra amin´ny fihetsika aseho na
ny teny tenenina ny mety ho tsy fitiavan´ny hafa, na ny tsy fankasitrahan´ny sasany
ny fiarahana.

Raha misy fifaliana dia iombonana, raha misy fahoriana dia iaraha-mizaka fa tsy
mamela ny iray ho irery ; raha misy ny olana, dia miara-mikaroka hevitra sy mitady
vahaolana. Tsy tokony ho taratra ny fanakiviana na ny fanomezana alahelo ny iray fa
miezaka ny mampitraka sy mampijoro.

Ny vehivavy manko dia ahatarafana ny fitiavan-tena (“possessive”), izay efa toetra


mikoriana ao anatiny. Tsy azo atao ny mampanjaka izany fa ny miezaka hanohitra
azy no tsara sy mahatsara ny fifankatiavana.

Mila maneho mandrakariva ny fitiavana amin´ny olon-tiana ary mametraka lalandava


fa ny fitiavana no ambony sy manan-danja. Toy ny nataon´i Navalona ao amin´ny
boky manao hoe “ ka izaho tsy hanambady fototr´olona fa hanambady ny olon-tiako,
tsy baikoin´ny fahaizana fa baikoin´ny fitiavana” (tak. 40).

Na tsy eo anatrehan´ny tena aza ilay olon-tiana dia miezaka ny manaja ny


fifankatiavana efa nisy, tsy manome toerana ho an´ny hafa ao am-po ary mitana ny
fatokisana efa nisy hatrizay. Tsy mety, araka izany, ny mivadika amin´ny fanekena
ka mamitaka ny olon-tiana.

1.2. Avy amin´ny fotoana


72
1.2.1. Ny fotoana ivelany

Ny fotoana nanoratan´i Zoé BARIJAONA ny Navalona dia tao anatin´ny


fahatanorany tanteraka, araka ny efa voalaza tany aloha.

Raha ny zava-bitany taratra ao amin´ny asa sorany dia tsapa fa ao anatin´ny


hatanorana no ahafahana mamita zavatra maro, noho ny saina afaka mikaroka sy
mahataka-javatra isan-karazany. Amin´io fotoana io tokoa ny olona no tsy mitsahatra
mandinika ny fiainana, miezaka ny mikaro-java-baovao hatrany. Noho izany, eo
amin´ny androm-pahatanorana no miezaka manao ny tsara sy mamantatra ny mety sy
ny tokony hatao.

1.2.2. Ny fotoana anatiny

Raha ny faharetan´ny toe-javatra tantaraina ao amin´ny Navalona indray no


hisintonana lesona, dia toa te haneho ny mpanoratra fa ny fifanampiana, indrindra
raha misy ny fahoriana, no zava-dehibe. Izany no nahatonga an´i Zoé BARIJAONA
hamelabelatra misimisy kokoa mikasika izany ao anatin´ny asa sorany. Nandalovany
vetivety fa tsy nandaniany fotoana ny resaka hafa ankoatra ireo, izany hoe tsy
novelabelariny maharitra. Eo amin´ny fiainana, dia ny vahaolana no tokony
hotadiavina raha misy ny olana, fa tsy iny indray no omena vahana.

1.3. Avy amin´ny toerana

Na dia teo aza ny fahafantarana fa tsy niala teto Antananarivo ny mpanoratra ka tsy
mahalala firy ny any amin´ny faritra hafa, dia tsapa ho misy lesona tiany homena ny
mpamaky miainga avy amin´ireo toerana asehony ao amin´ny tantara.

73
1.3.1. Antananarivo

Amin´ny ankapobeny dia ny olona eto an-tanan-dehibe no tiany hamaky ny asa


sorany. Rehefa misy mantsy ny fiovana dia matetika avy ao no miainga.

Eto Antananarivo dia betsaka ny tanora no mihasimba, ary misy mihitsy aza ireo izay
mamono tena noho ny resaka fitiavana. Izany dia vokatry ny tsy fanarahana sy ny tsy
fanajana ny tenin´ny ray aman-dreny. Ireny ray aman-dreny ireny mantsy dia
miezaka hatrany mitady izay hahasoa ny taranany, ka raha mahay manaja azy ireny
ny zanaka, dia ho tratra ny tanjona izay iriany.

1.3.2. Eo ambany lavarangana

I Zoé BARIJAONA, ao amin´ny tantara, dia mamerimberina matetika ny eo ambany


lavarangana. Toerana feno fanginana mazàna, ahafahana mieritreritra sy mandalina
zavatra maro. Matetika, izay mipetraka eo, ao amin´ny tantara, dia manana olana ary
mahita vahaolana hatrany. Midika izany fa mila filaminana sy fieritreretana rehefa
manao zavatra iray, fa tsy vitan´ny fikizitinana, ary koa mila faharetana raha te
hahazo ny vokatra andrasana.

1.3.3. Vavahady

Ny vavahady dia lalana ahafahana miditra amin´ny faritra na toerana iray. Marihin
´ny mpanoratra ny Navalona ao anatin´ny asa sorany io toerana io mba hoentiny
milaza ny fisian´ny fanantenana tsy maty vonoina tao anatin´i Hery sy i Navalona.

74
Ahatarafana ihany koa ny fialan´ny olana mianjady eo amin´ny tena sy ny
ankohonana ny vavahady. Izany dia asehon´ny mpanoratra tamin´ny nahavahan-
dRandimby ny olana nisy teo amin´izy roa. Hoy izy : “Tsy nisy nahita ilay sary roa
nanjavozavo nivoaka ny vavahady afa-tsy Ingahy Randimby irery ihany izay nanohy
tsy nijanona nitehaka”(tak. 52).

Enti-milaza ny fahataperan´ny fiainana eto an-tany indraindray. Ohatra, tamin-


dRandimby naratra mafy efa ho faty dia naverin´ny mpanoratra ny teny hoe
vavahady : “…lasa izy [Rado] namoaka ny fiarany sy nanidy ny vavahady” (tak. 55).

1.4. Avy amin´ny fizotran´ny tantara

1.4.1. Ny fanatratrarana ny tanjona

Raha jerena ny ao amin´ny kisary 2 : ny fiainam-pitiavan´i Navalona dia ahatarafana


ny fanehoan´i Zoé BARIJAONA ny fisian´ny mpanenjika sy ny tsy tia eo amin´ny
fiainana. Tsy voatery ho olona lavitra ny tena anefa izany, fa mety ho ny akaiky
indrindra koa. Izany tsy fitiavan´izy ireo izany dia mety ho avy amin´ny zava-
mitranga tsy ampoizina na amin´ny olona ifaneraserana. Ireny dia tsy atao sakana tsy
hahatrarana ny tanjona. Indraindray koa anefa dia tsy voatery hijanona ho
mpanohitra izy ireny fa misy ihany ny miova ho mpanampy, toa an-dRasendra sy i
Rado nanoloana an´i Navalona.

1.4.2. Ny singa manova ny toe-javatra iaingana

75
Ny fiainan´ny zanak´olombelona dia ifandimbiasan´ny fahoriana sy ny fifaliana
hatrany. Misy araka izany ny toe-javatra manova, mety ho mihatsara, nefa mety ho
miharatsy ihany koa. Arakaraka ny fahaizana miatrika ny zava-misy no vokatra azo.
Mila mandinika sy mandamina, noho izany, manoloana ireny toe-javatra miseho eo
amin´ny fiainana andavanandro ireny.

Raha ny ato amin´ny Navalona dia hita fa tsara no niantombohan´ny fiainan´i


Navalona, ary tsara ihany koa ny niafarany, noho ny fahaizany nandanjalanja ny
nataony. Raha tiana hiverina amin´ny fiainana tsara sy mahafinaritra, araka izany, ny
fiainana, dia tokony hahay hifehy ny teny aloaky ny vava, ny fihetsika aseho
manoloana ny mpiara-monina.

II. NY NAHATONGA IREO HEVITRA IREO HITRANGA

Maro ireo antony nahatonga ireo hevitra ireo ka nahavitana ny asa fikarohana.
Anisan´ny loharano nipoirany ny mpanoratra ny boky Navalona, tsy iza izany fa i
Zoé BARIJAONA. Tsy misy mantsy asa soratra tongatonga ho azy na teraky ny
nofinofy ranofotsiny, fa tsy maintsy miainga amin´ny zava-misy hitany na niainan´ny
mpanoratra, araka ny voalazan-dRANJATOHERY manao hoe :
“Tsy misy asa soratra teraka ho azy avy amin´ny
famoronan´ny eritreritry ny mpanoratra madiodio.
Miainga avy amin´ny toe-javatra hita maso sy iainana
ny asa soratra”.40

Jerena miainga avy amin´izany ny amin´ny maha-vehivavy mpanoratra azy, izy


mpampianatra, ary izy manankina ny fiainany amin´Andriamanitra.
40
RANJATOHERY H. Tsanganafo. Lah. II. Antananarivo. May 1998. tak. 2.
76
2.1. Vehivavy ny mpanoratra

Misy akony lehibe eo amin´ny asa soratra iray ny mpanoratra azy. Raha ny ato amin
´ny Navalona no jerena, dia taratra fa vehivavy no nanoratra ary renim-pianakaviana,
manana zanaka ao anatin´ny fahatanorana tanteraka.

2.1.1. Renim-pianakaviana

Araka ny efa voalaza tany am-boalohany, ny mpanoratra dia manambady ary


niteraka mianadahy. Anisan´ny mahita sy miaina ny iainan´ny reny ny amin´ny
fitaizana ny zanaka amin´izao fotoana izao, satria ireo zanany ireo dia tao anatin´ny
fahatanorany tamin´ny fotoana nanoratany : 18 sy 15 taona izy ireo tamin´izany, ka
nahatarafany ny vokatry ny fiovana eo amin´ny fomba fanao sy ny fiteny.
Misy ny rafitra ifampifehezana ao an-tokantrano ao, fa ny fomba nitaizany ny
zanany, hoy izy, dia “mamela malalaka amin´izay tiany atao fa mampahafantatra
azy ireo fotsiny hoe : izy ireo no tompon´andraikitra amin´izay ataony”. Tsy mety
ny manampatra fahefana fa adidin´ny ray aman-dreny ny manara-maso ny zanaka,
ary manitsy sy mananatra raha sendra misy tsy mety hataon´izy ireny.

Fanaony koa ny miresadresaka amin´ireo zanany ireo ao an-trano isaky ny hariva


mba hamantarany ny zava-misy. Tsy resaka fiainan-tokantrano ihany anefa fa rehefa
mety ho “fiainana”. “Misy aza [hoy izy] zavatra ianarany avy amin´ny zanany”.
Ilaina, araka izany, ny fifampiresahana eo amin´ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
Izany anefa dia mila atao ao anatin´ny fahatoniana sy filaminana, izany hoe,
mifanaraka amin´ny maha-zanaka ny zanaka.

Toetran´ny reny koa ny fitiavany te-hampita amin´ny zanaka vavy ny fiainana ny


fitiavana noho izy be fanahiana amin´ny maha-vavy ny zanany.

77
Na inona na inona heverina ho hadisoan´ny zanaka, ny reny dia tsy mitana alahelo fa
mandefitra hatrany any amin´ny farany, noho ny fananany ilay toetra mandinika
rehefa nahavita zavatra iray, ka izay tsy nety teo aloha dia ezahiny arenina.

Tsapany fa tsy mety intsony raha toy ny fomba nitaizana azy taloha no mbola
itondrany ny zanany ankehitriny. Ho maro manko ny mety ho vokany ary azo an-
tsaina fa be no ho ratsy, indrindra fa ho an´ny tanora eto an-tanàn-dehibe.

Tokony hitovy ny ray aman-dreny eo amin´ny fomba fitaizana ny zanaka, izany hoe,
taratra eo amin´izy ireo ny firaisan-tsaina sy ny fiombonan-kevitra, ka tsy hita ny
fifanoherana, indrindra eo imason´ny zanaka.

Ho an´ny mpanoratra, ampy ho azy rehefa manome toky ny zanany amin´ny


fitondran´izy ireo ny fiainany am-pamendrehana.
Ireo toetrany sy fomba fitondrany ny zanany amin´ny maharenim-pianakaviana azy
izay dia taratra eo amin´ny asa sorany izay niasanay.

2.1.2. Manan-janaka ao anatin´ny fahatanorana

Tsy azo atao intsony ny fitaizana mifototra amin´ny fanerena ny tanora amin´izao
fotoana izao. Tokony hahafantatra izay ataony izy ary hahatsapa ny vokatra azo avy
amin´iny ataony iny.

Mahafinaritra an´i Zoé BARIJAONA ny manan-janaka tanora, mifampizara sy


mifanoro aminy. Sahirana ihany anefa izy indraindray eo amin´ny fieritreretana ny
hoavin´ireo zanany sy amin´ny fanarahana ny sitrapo madinidinika tadiavin´izy ireo.

Izy ireny manko, te ho marina hatrany amin´ny heviny ka tsy azo tenenina
indraindray. Na izany aza, tsy mety ny mampanara-po zanaka, fa ampahafantarina

78
azy ny tokony sy ny tsy tokony hatao, satria miankina amin´ny fahafehezana azy
dieny mbola tanora no mety ho aviny.

Azo lazaina hoe tsotra ny fitaizana ny zanaka ao anatin´ny fahatanorana fa anjaran


´ny ray aman-dreny no miezaka manaraka ny fiovana misy ary tsy mihevitra hatrany
ho ditra izay ataon-janany fa manadihady izany kosa.

Amin´ny maha-tanora fanahy azy ireny anefa dia mila ny torohevitra sy ny anatra
isan-karazany ihany mba hahafahany manitsy ny ataony ary hahatonga azy ho sahy
hiatrika ny fiainana any an-tokantranony rahatrizay, ka hananany filaminana sy
fahasambarana.

2.2. Mpampianatra ny mpanoratra

Efa fantatra tany amin´ny tantaram-piainan´ny mpanoratra fa mpampianatra izy.


Noho izany dia mifanerasera amin´ny mpianatra maro izay ao anatin´ny
fahatanorany tokoa satria tany amin´ny “collège” sy “lycée”no nampianarany.
Nahita karazam-piainan´olona maro izy ary naheno tantaram-piainana isan-karazany.
Hita amin´ny fihetsika sy fitafy entin´ireo mpianatra ireo ny zavatra takiny sy
tadiaviny. Dieny mbola any am-pianarana izy ireny, dia efa mieritreritra sahady ny
amin´ny fitiavana ka manandrana ny miaina izany.

Raha natao anefa ny fandinihana ka nofintinina ireo tantara heno ireo dia tsapa fa
mila atao malalaka ny fitaizana sy ny fanabeazana ny tanora ankehitriny. Any an-
tsekoly izany dia efa tsy maintsy mitady ny fomba hitaizana ireny tanora ireny mba
tsy hanaovany izay tsy mety.

79
Mifandray amina ray aman-drenin´ny mpianatra ny mpanoratra. Samy manana ny
fomba fitaizany ny zanany izy ireny, ary indraindray misy mifanohitra tanteraka.
Izany no nahatonga azy nandray ankohonana iray tsy mitovy ny fomba fitaizan´ny
ray sy ny reny ny zanany ao anatiny ao. Asehony avy ao ny zava-miandry ny tanora
raha henjanina ny fitaizana na koa raha halefahina.

Ny mpanoratra dia nanambara hoe : “ny tantara foronina dia vokatry ny zava-misy
ary ireny zava-misy ireny no avadika ho soratra”. Noho izany, zavatra nisy sy
niainany no nataony ho tantara. Ary vehivavy tanora no matetika manana olana, ka
izany no nahatonga azy hifidy ny mpandray anjara fototra ho vehivavy.

2.3. Manankina ny fiainany amin´Andriamanitra

Ny olona mino an´Andriamanitra dia tsy tokony hametraka olana eo amin´ny lafiny
tsy fitoviana. Rehefa mifankatia ny zanaka na mitia olona iray dia anjaran´ny ray
aman-dreny no miezaka manatanteraka. Misy farany ny zava-drehetra, ary Izy no
Mpandahatra, mahalala sy mahafantatra ny hitondrana ny fiainan´ny zanak
´olombelona eto an-tany. Izay mahasoa no asehony hatrany, na dia heverina ho ratsy
aza indraindray, satria Izy no Ray Mpitantana sy Mpanoro lalana. Toy ny olana nisy
teo amin´i Hery sy i Navalona tamin´ny nandehanan´i Hery nonina tany
ambanivohitra ; taty aoriana anefa, noho ny valim-bavaka, samy tafita ary tratra ny
tanjona dia ny hanorina tokantrano ao anatin´ny fitiavana.

Ny ray no mpananatra ny zanaka ary mahasahy manao sorona ny ainy raha ilaina
izany mba ho fanavotany ny ankohonany. Tsy maintsy misy ny maha-voagejan´ny
ratsy ety amin´izao fiainana izao. Ao amin´ny Navalona dia maty ny rainy ary izay

80
no nanova ny reniny ka nahatanteraka ny fikasana tsara tao amin´i Navalona sy i
Hery. Andriamanitra no manala ny olona amin´ny olana, ary tokony hoekena izay
atolony satria izay no mahasoa.

Mila manana faharetana raha te-hanana ny tsara, ary mahay manaiky ny fitantanany
sy ny fitondrany satria “tsy ny soa ihany no raisintsika avy amin´Andriamanitra fa
ny ratsy koa”.

Na dia eo aza ny fahitana sy ny fahatsapana ny fahasamihafan´ny ray sy ny reny eo


amin´ny fomba fitaizana, dia tsy mety ny manavakavaka azy ireo satria hoy ny
Soratra Masina manao hoe : “maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza
manamavo ny reninao”41.

Marihina fa ny mpanoratra dia mpino sy mpivavaka amin´ny FJKM.


TENY FAMARANANA

I Zoé BARIJAONA sy ny tantara foronina nosoratany mitondra ny lohateny hoe


NAVALONA no nohadihadina tamin´ity asa fikarohana nataonay ity, ka notsoahana
avy tao ny “endri-panabeazana ny tanora” nanomboka ny taona 2000.

Nofidinay manokana io lohahevitra io noho ny fahatsapanay fa tokony


hampahafantarina ny maro, satria tsy mbola nisy nanao asa fikarohana tamin´ny
tantara foronina nosoratany. Teo ihany koa ny fahafantarana fa ny mpanoratra dia
mpanabe tanora eo amin´ny sehatry ny fampianarana, no renim-pianakaviana. Ireny
mpanoratra ireny manko dia miezaka hatrany mampitondra ny heviny, ny hetahetam-
pony, ny tiany hotratrarina ao anatin´ny asa sorany amin´ny alalan´ny mpandray
anjara sy ny fotoana ary ny toerana.

41
Ohabolana 23 : 22a
81
Noporofoinay tato fa tsy natao hialana voly ihany ny tantara foronina fa indrindra
natao hanabeazana, hisintonana lesona sy hevitra maro amin´ny fiatrehana ny
fiainana, anehoana ny zava-misy, hampitan-kafatra, ary tononina manokana amin
´izany ny fifandraisan´ny ray aman-dreny sy ny zanaka.

Tsapa tamin´ny fanadihadiana natao fa manana ny maha-kanto azy ny asa soratr´ity


mpanoratra ity, na dia azo lazaina ho santatra am-bavarano ihany aza izany tantara
foronina navoakany izany. Mendrika ho azy ny nanomezana ny toerana voalohany
tamin´ny fifaninanana izay nosedrainy. Tsapa tamin´ny fandinihana ny asa sorany fa
mpanoratra azo antenaina hanana ny maha-izy azy i Zoé BARIJAONA, olon´ny
fanantenana, ary miezaka maneho ny talentany miainga amin´ny zava-misy iainany
sy hitany. Tsy manaiky andevozin´ny lasa, fa mahay miatrika ny ankehitriny, ary
mibanjina ny ho avy.

Rehefa manao asa fikarohana dia tsy maintsy manaraka haitsikera, mba tsy
hampivoana ny asa. Ny haitsikera nanompanana ny asa fikarohana nataonay dia ny
asa soratra sy ny zava-draketiny. Nampiasa ihany koa ny lalan-tsain´i
GOLDENSTEIN sy i Claude BREMOND tamin´ny fanadihadiana ny tantara
foronina, satria tsy vita ny asa raha haitsikera iray ihany no nitondrana azy. Hoy
RANARISON manamarina izany :
“Tsy misy mantsy haitsikera tokana ahazoana
mandinika asa soratra. Petra-kevitra samihafa no
hiaingan´ny mpahay tsikera arakaraka izay lafiny
kendreny havoitra”42

Mizara telo ity asa fikarohana ity :

Tao amin´ny fizarana voalohany no nampahafantarana ny amin´ny fiainan´i Zoé


BARIJAONA (manokana, mpanoratra) sy ny tantara foronina.

42
Aingam-pivoarana. Laharana manokana. Antananarivo. 1979. tak. 71.
82
Nahitana fizarana madinika tao, dia ny famintinana ny tantara, ny famaritana araka
ny mpanoratra vitsivitsy, ny fanadihadiana ireo singa mandrafitra.

Ny endri-panabeazana taratra avy ao amin´ny tantara kosa no ao amin´ny fizarana


lehibe faharoa, izay nandalinana ny amin´ny fomba fitaizana ny zanaka sy ny vokatra
aterak´ireo fitaizana ireo.

Tao amin´ny fizarana lehibe fahatelo farany no nanehoana ireo lesona azo tsoahana
avy ao ho an´ny ray aman-dreny, ny zanaka lahy, ny zanaka vavy ; ary ny antony
nahatonga ny asa soratra ho voasoratra.

Ny tantara foronina, amin´ny maha-tantara foronina azy, dia natao ho fampitan-


kafatra. Maro ny lesoka eo amin´ny fomba fitaizana ny tanora ankehitriny no tian´ny
mpanoratra hahitsy. Ahafahana mamantatra ny tokony hatao manoloana ny fivoarana
ny fanehoana ireo. Tsy ny tsy tokony hatao ihany anefa no asehony, fa ny tsara
tokony hotohizina koa. Ambarany koa ny toe-tsaina tokony hananana amin´ny
fanabeazana ny tanora, indrindra fa ny zazavavy.

Hita ao ny famporisihan´ny mpanoratra hankamamy ny fianarana, hanaja ny safidy,


hanaja ny ray aman-dreny. Ao koa ny fanitsiana ny toe-tsain´ireo ray aman-dreny
mbola miaina amin´ny fanavakavahana, ny fitiavam-boninahitra, ny fitsarana tsy
misy porofo, ny fifampiresahana amin´ny zanaka tsy araka ny maha-tanora azy fa
araka ny fijery izay efa nahazatra tany aloha. Mitaky ezaka sy herin-tsaina anefa ny
fanatanterahana izany rehetra izany.

Raha hanao asa fikarohana amin´ny sehatry ny literatiora dia lafin-javatra maro no
azo dinihina toy ny tononkalo, angano, haiteny, sombin-tantara, tantara foronina, …
Ity farany no nanaovanay ny asa fikarohana ka ny asa soratr´i Zoé BARIJAONA
voalohany no nosafidinay.
83
Azo atao tsara, araka izany, ny manohy ny fitrandrahana ny asa sorany hafa na ny
tantara foronina izay mbola avoakany satria azo inoana fa tsy hijanona hatreo ny
famoronany. Azo atao koa anefa ny manohy ny asa efa natombokay ka mijery ny
amin´ny sehatra hafa toy ny : lafiny fanehoan-kevitra, “stylistique”, na miainga amin
´ny haitsikera hafa indray.

Inoanay fa ny asa fikarohana toy itony dia tsy zary handalo fotsiny eo ambany mason
´ny mpamaky na avalona tsy ho fantatra intsony fa mba ho fitaovana hanitaram-
pahalalana sy hanomezana hasina bebe kokoa ny literatiora malagasy. Ny tantara
foronina mantsy dia anisan´ny ao amin´ny fandaharam-pianarana any amin´ny
ambaratonga fahatelo, ary azo atao tsara ny mampiditra itony boky Navalona itony
ianaran´ny mpianatra sy hanovozany fahalalana. Ny voambolana sy ny fehezanteny
ampiasaina ao mantsy dia azo lazaina fa ireo fampiasa andavanandro, ka tsy ho
sarotra amin´izy ireny ny hanakatra ny hevitra tiana hambara.
Eto am-pamaranana dia amim-panetren-tena lehibe no ilazana fa mety tsy ho
tomombana ny asa fikarohana na dia teo aza ny ezaka izay natao, ka fitaomana no
atao ireo zandry aty aoriana mba hanohy izany.

84
GLOSSAIRE

Actant : tompon´anjara asa ao anatin´ny tantara iray izay


tsy voatery ho olombelona
Adjuvant : hery manampy ny mpandray anjara fototra
mba hanatrarana ny tanjona
Auteur : mpamorona
Destinataire : iantefan´ny tanjon´ny mpandray anjara fototra
Destinateur : hery manosika ny mpandray anjara fototra
hanatratra ny tanjona
Elément modificateur : singa manova ny toe-javatra iaingana
Héros : mpandray anjara fototra
Narrateur : mpitantara
Objet : zava-kendren´ny mpandray anjara fototra ao
amin´ny tantara

85
Opposant : hery manohitra ny mpandray anjara fototra
tsy hahatratra ny tanjona
Personnages secondaires : mpandray anjara mpanampy
Scripteur : mpanoratra
Situation finale : toe-javatra iafarana
Situation initiale : toe-javatra iaingana
Suite d´aventure : tohin´ny zotram-piainana
Sujet : olona fototry ny tantara
Temps de fiction : fotoanan´ny tantara
Temps de la narration : fotoanan´ny fitantarana

TAHIRIN-KEVITRA

Mikasika ny haitsikera
- BOURNEUF (R) & OUELLET (R). L´Univers du roman. Presses
Universitaires de France. 1973.
- DOLTRENS (R). Eduquer et instruire. Nathan UNESCO. Imprimerie
Union. Paris. 1966.
- DUMORTIER (J.L.) & PLAZANET (Fr.). Pour lire le récit. Deboeck –
Ducrelot. Bruxelles. 1990.
- GENETTE (G). Figure II. Collection Points. Edition du Seuil. 1969.
- GOLDENSTEIN (JP). Pour lire le Roman. Edition J. Ducrelot. Paris
Gembloux. 1983.
- MAURIAC (F). Le romancier et ses personnages. Edition R.A. Corria
Buchet/Chastel. Collection Livre de Poche. Paris. 1972.
- RANOE. « Ny talenta ». Tovozin-tsy ritra. Boky 5. Editions Tsipika.

86
Antananarivo. 2001.
- REUTER (Y). Introduction à l´analyse du roman. Bordas. Paris. 1991
- SARTIN (P). Aujourd´hui la femme. Edition Stockj. Paris. 1974.
- SARTRE (JP). Qu´est-ce que la littérature ? Edition Gallimard. Paris.
1948.
- WELLEK (R) & WARREN (A). La théorie littéraire. Edition du Seuil.
Collection Poétique. Paris. 1981.

Mirakitra tantara
- BAIBOLY FFPM. La société Biblique Malgache. Antananarivo. 1965.
- RAFANOHARANA. Ilay Veromanitra.
- RAJAONA (S). Takelaka Notsongaina I & II. Edition Ambozontany
Fianarantsoa.
- RANDRIAMAMONJY (E). Ho avy ny maraina. T.P.F.L.M. 2001.
- RANDRIAMAMONJY (E). Rary Ranto. 1995.

Boky hafa
- FETY Michel. Nahoana no avondrona ho fokonolona isika ? Edisiona
Salohy. Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy.
1975.
- RANDRIAMIADANARIVO. Singam-pivoarana. 1995.
- RANJATOHERY (H). Tsanganafo. Lah. II. Antananarivo. May 1998.
- RATSIFANDRIHAMANANA (Cl). Aritory. Imprimerie Catholique
Antanimena. Antananarivo. 1977.

Fanadihadiana sy gazety boky


- Fandaharana “Lalam-piainana”. TV Plus Madagascar. 16 Septambra
2007 tamin´ny 7ora30 alina. Natolotr´i Niaina RAKOTONJANAHARY.
- Internet. « Encyclopédie Microsoft Encarta 2003 ».

87
- Tantaram-piainan´i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA tamin´ny
fandraisana azy tao amin´ny Akademia Malagasy ny alakamisy
22 Aprily 1976.
- Aingam-pivoarana. Laharana manokana. Antananarivo. 2001.
- Resadresaka nataon-dRamatoa David ANDRIAMIHARISOA tamin´i
E.D. ANDRIAMALALA. 1983.

Rakibolana
- KANNAS Claude. Larousse. Dictionnaire encyclopédique illustré 47000
articles. Bordas. Paris. 1993.
- RAJEMISA RAOLISON Régis. Rakibolana malagasy. Ambozontany
Fianarantsoa. 1995.

88
Anarana : RATSIMANDRESY Teraka RAZOELISOANIRINA
Fanampin’anarana : Tiana Parfaite
Lohatenin’ny asa fikarohana : Endri-panabeazana ny tanora ankehitriny hita ao
amin’ny tantara foronina Navalona nosoratan’i Zoé
BARIJAONA

Isan’ny takila : 88
Isan’ny fafana : 08
Isan’ny kisary : 06

Famintinana :

Ny tantara foronina Navalona dia ahitana ireo singa mandrafitra ny tantara :


mpandray anjara, fotoana, toerana. Ireo singa tsirairay avy dia nahavitan’ny
mpanoratra naneho ny endri-panabeazana ny tanora ankehitriny eo amin’ny lafiny
maro, toy ny ara-batana, ny ara-tsaina ary ny ara-panahy. Nahazoana nanatsoaka
lesona ho an’ny ray aman-dreny eo amin’ny fomba fitaizana ny zanaka sy ho an’ny
zanaka manoloana ny ray aman-dreny.

Teny fototra : literatiora, tantara foronina, fanabeazana, fiarahamonina,


fianakaviana
Adiresy : Lot II W 10 Ambodirotra – ANTANANARIVO 101
Anaran’ny mpitarika : Andriamatoa RATREMA William
Maître de Conférence à l’Ecole Normale Supérieure

Vous aimerez peut-être aussi