Vous êtes sur la page 1sur 2

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana


--------------
ASSEMBLEE NATIONALE

QUESTURE CHARGEE DE LA LEGISLATION


ET DES RELATIONS PUBLIQUES

SECRETARIAT GENERAL

DIRECTION DES RELATIONS


INTERPARLEMENTAIRES
ET DE LA COMMUNICATION

SERVICE DE L’INFORMATION
ET DES RELATIONS AVEC LES MEDIAS

N° - AN-QII/SG/DRIC/SIRM

FAMPITAM-BAOVAO

1- Nolanian’ny solombavambahoaka androany faha-06 jona 2023 ny lalàna vaovao mifehy


ny orinasa kaoperativa eto Madagasikara. Araka ny fanazavana nomen’ny Minisitra dia ny
lalàna laharana faha-99-004 tamin’ny 21 aprily 1999 no mifehy ny kaoperativa eto
Madagasikara hatramin’izao fotoana izao, ka noho ny fivoaran’ny fiharian-karena dia ilaina
manaraka izany ihany koa ny lalàna. Fihariana sy fiveloman'ny mponina amin’ny
ankapobeny no voakasika satria manodidina ny 3500 no isan’ny kaoperativa voarakitra
ankehitriny. Ity Volavolan-dalàna ity dia mamaritra fepetra maromaro ho fiarovana ireo
kaoperativa efa miorina ary handrisika sy hanamaivana ny fananganana kaoperativa vaovao
hahafahana manatratra ny fivoarana ara-toekarena, anatiin’izany ny fametrahana mazava ny
andraikitry ny Fanjakana sy ireo vovonana, ny fitantanana ara-bola, ny fiaraha-miasa amin’ny
ministera…Ny tanjona dia ny hananana lalàna mafy orina miaro ny orinasa kaoperativa sy
manamora ny fifandraisan’ny orinasa kaoperativa amin’ny fanjakana, hisintomana ny
mpandraharaha hisehatra amin’ny ara-dalàna ary hanatsarana ny laharan’i Madagasikara
amin’ny fananana lalàna manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

2- Nankatoavin’ny solombavambahoaka ny volavolan-dalàna laharana faha-004/2023


tamin’ny 05 Aprily 2023 autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du
projet « Filets Sociaux de Sécurité et Résilience à Madagascar » conclu le 16 janvier 2023
entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement
(IDA). Tetikasa entina hanohizana sy hanamafisana ny tetikasa haraton’aina efa nisy teo
aloha, ny ankohonana marefo amin’ny faritra 23 no hisitraka izany ary haharitra mandritra ny
telo taona (Jolay 2023- 31 martsa 2027), mitentina 1 097 402 500 000 Ariary ary ho averina
ao anatin’ny 50 taona. Ny Ministeran’ny Mponina no mandrindra ny tetikasa fa ny FID no
manatanteraka ifotony.

3- Nankatoavin’ny solombavambahoaka ny Volavolan-dalàna laharana faha-010/2023


tamin’ny 17 May 2023 « autorisant la ratification de la Convention du Travail Maritime de
l’Organisation Internationale du Travail (MLC 2006), telle qu’amendée », Fifanarahana
mirakitra ny ankapoben’ny fifanarahana rehetra sy ny soso-kevitra mahakasika ny asan-
dranomasina sy mameno ireo hafa efa nankatoavin’i Madagasikara toy ny « Convention
Internationale de 1974 pour la sauvegarde des vies humaines (SOLAS) », ny « Convention
Internationale de 1978 sur les normes des formations des gens de mer, de délivrance de
brevet et de veille (STCW) » ary ny « Convention Internationale de 1973 pour la prévention
des pollutions par les navires (MARPOL)». Marihana fa manana tantsambo mpisehatra
iraisam-pirenena manodidina ny 5000 isa eo ankehitriny i Madagasikara.

4- Fifanarahana miisa telo momba ny asa no nankatoavin’ny solombavambahoaka androany


faha-06 Jona 2023. Ny Volavolan-dalàna laharana faha-012/2023 tamin’ny 31 may 2023
« autorisant la ratification de la Convention (n°155) sur la sécurité et la santé des travailleurs,
1981 », ny Volavolan-dalàna dalàna laharana faha-013/2023 tamin’ny 31 may 2023
« autorisant la ratification de la Convention (n°161) sur les services de santé au travail,
1985 » ary ny Volavolan-dalàna laharana faha-014/2023 tamin’ny 31 may 2023 « autorisant
la ratification de la Convention (n°187) sur le cadre promotionnel pour la sécurité et la santé
des travailleurs, 2006 ».
Ny fifanarahana laharaha faha-155 dia mifandraika amin’ny « Objectif de Développement
Durable » (ODD) faha-8. Ny tanjona dia ny fisorohana ireo loza azo amperin’asa sy
fiarovana ny fahasalaman’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fampihenana ireo tranga mety
hampidi-doza eny amin’ny toeram-piasana.
Izao Fifanarahana n°161 izao dia mameno ireo fepetra voarakitra ao anatin’ny Fifanarahana
n°155 ao amin’ny Volavolan-dalàna laharana 012/2023 mahakasika ny fampiroboroboana ny
fiarovana ny mpiasa eo amin’ny toeram-piasany sy ny fahasalamany ka natao hametrahana
ireo “service médicaux” eny anivon’ny toeram-piasana tsirairay.
Ny fifanarahana n°187 dia mameno ireo fepetra voarakitra ao anatin’ny Fifanarahana n°155
sy 161 mahakasika ny fampiroboroboana ny fiarovana ny mpiasa eo amin’ny toeram-piasany
sy ny fahasalamany eny anivon’ny toeram-piasana ara-dalàna. Ny tena zava-dehibe amin’izy
ity dia mampiroborobo ny fampandrosoana sosialy sy ara-ekonomika, mampitombo ny
fahavitrihan’ny mpiasa, mampitombo araka izany ihany koa ny famokaran’ny orinasa ary
indrindra manatsara ny endrika entin’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena
amin’ny fananana asa mendrika.

--

Tsimbazaza, faha 06 jiona 2023

Ny lehiben’ny Sampan-draharaha

RANDRIAMITANDRINA Mbohangy

Vous aimerez peut-être aussi