Vous êtes sur la page 1sur 97

UNIVERSITE D’ANTANANARIVO

ECOLE NORMALE SUPERIEURE

Domaine : SCIENCES DE L’EDUCATION

Mention : USAGES, SAVOIRS ET COMPETENCES EN CONTEXTE


MULTILINGUE

Parcours : FORMATION D’ENSEIGNANTS

Mémoire de fin d’études pour l’obtention du diplôme de Master Professionnel

LESONA TOLOTRA: MITONDRA OLANA AMIN’NY


FAMPIANARANA TARANJA MALAGASY.

Tranga hita tao amin’ny kilasy voalohany sokajy C,

Lisea Môderina Ankadikely Ilafy

Présenté par : RANDRIANIAINA Nomenjanahary Marie Perline


Directeur de recherche : RAKOTOARISON Angelot
Maître de conférences

Date de soutenance : 10 Août 2021

Année universitaire : 2018- 2019


UNIVERSITE D’ANTANANARIVO

ECOLE NORMALE SUPERIEURE

Domaine : SCIENCES DE L’EDUCATION

Mention : USAGES, SAVOIRS ET COMPETENCES EN CONTEXTE


MULTILINGUE

Parcours : FORMATION D’ENSEIGNANTS

Mémoire de fin d’études pour l’obtention du diplôme de Master Professionnel

LESONA TOLOTRA: MITONDRA OLANA AMIN’NY


FAMPIANARANA TARANJA MALAGASY.

Tranga hita tao amin’ny kilasy voalohany sokajy C,

Lisea Môderina Ankadikely Ilafy

Présenté par : RANDRIANIAINA Nomenjanahary Marie Perline


Directeur de recherche : RAKOTOARISON Angelot
Maître de Conférences

Date de soutenance : 10 Août 2021

Année universitaire : 2018- 2019

ANTANANARIVO
i

TENY FISAORANA

Izao asa fikarohana izao no tontosa, dia tsy noho ny herin’ny tenanay samirery akory
fa tao ireo rehetra izay nifanohana sy nifarimbona tamin’izany.

Ka tolorana fisaorana voalohany indrindra ilay Andriamanitra Andriananahary izay


nanome hery sy tanjaka ary fahasalamana ka nahafahana nanatontosa izao asakaroka izao.
Mendrika Azy ny fisaorana, ny dera, ny laza ary ny voninahitra mandrakizay.

Manaraka izany atolotra ihany koa ny fisaorana ho an’ireo tompon’andraikitra rehetra


eto amin’ny sekoly ambony ENS fanofanana mpampianatra ; tarihin’ny talen-tsekoly
Ramatoa RAMANAMBELINA Henriette. Izay namolavola anay ka nahatratrarana izao
tanjona izao. Isaorana ihany koa ireo mpiara-miasa aminy rehetra mitantana ny fizotran’ny
fampianarana eto anivon’ny sekoly. Mitomboa voninahitra avokoa tompoko.

Mbola ao koa ireo olona samihafa nifanao soroka niara-nilanja sy tongotra miara-
mamindra taminay. Tolorana fisaorana feno etoana ianao Docteur MIHAMITSY Cyrille izay
nanaiky tamin-kitsim-po ho filoha mpitarika ny fanohanana ampahibemaso ataonay. Fantatray
tokoa ny zara adidy sy andraikitra sahaninao, nefa tsy nataonao ho zavatra kely ny fandraisana
andraikitra teo amin’ny asanay. Koa ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany anie hirotsaka
aminao sy ny ankohonanao.

Mankasitraka anao ihany koa Docteur RASOLOARIVONY Theis nandray tamim-


pitiavana ny asanay ary niantsoroka ny fitsarana azy. Fantatray tokoa ny fahalalana sy ny
fahendrena anananao, ka nanoro ny madilana hotentenina ianao mba hahatsara ny asanay.
Hitombo hasina hatrany anie ianao ary ho ela fanapahana eo amin’ny sehatra misy anao.

Singanina manokana ny fankasitrahana tanteraka anao Docteur RAKOTOARISON


Angelot izay nitarika anay tamin’izao asa izao. Tsy niafina taminay ny asa aman’andraikitra
maro sahaninao, nefa tsy nataonao ho ambanin-javatra ny fanaraha-maso ny asanay sy ny
fitarihana anay tamin’izany. Navesa-danja tokoa ny fanoloran-kevitra sy ny fanatsarana
nataonao mba hahatomombana ny asanay. Sitraka sy telina izay rehetra vitanao. Ho lava
andro iainana anie ianao, hisondro-boninahitra hatrany, hiadana mandrakariva eo anivon’ny
vady aman-janaka sy ny zafikely.

Fisaorana feno ihany koa no ampitainay ho an’ireo mpampianatra rehetra ato amin’ny
Sampana teny malagasy, ny teny anglisy , ny teny frantsay « Ny hazo no vanon-ko lakana, ny
tany naniriany no tsara ». Sitraka enti-matory izay vitanareo ka hovaliana raha mahatsiaro.
ii

Misaotra ny namana sy tapaka rehetra tamin’ny fanampiana anay tamin’izao asa izao,
ny mpiara-mianatra izay niara-niriaria taminay nandritra ny taom-piofanana teto amin’ny
sekoly, ary tsy nitsahatra nifanohana nandritra izay fotoana lava izay. Tolorana fisaorana koa
ny tale sy ny mpampianatra nandray anay tamin’ny atrikasa tany an-tsekoly.

Farany fa tsy ny kely indrindra dia manolotra fisaorana feno sy mitafotafo ho an’ny
vady aman-janaka, ny Rafozana sy ny Ray aman-dreny izahay izay tsy nitandro hasasarana
tamin’ny fikarakarana sy ny fanohanana teo amin’ny lafiny maro tsy tambo isaina, ary
nivavaka tsy tapaka ho anay.

Atambatra ny fisaorana ho an’izay rehetra tsy voatanisa nefa nanampy anay tamin’izao
asa izao, na an-kolaka na mivantana. Misaotra indrindra tompoko.

RANDRIANIAINA Nomenjanahary Marie Perline


iii

RAKI-TENY SAROTRA

Aloalon-tsaina: Absrait

Azo tsapain-tanana: Concret

Angon-kevitra : Brainstorming

Ady hevitra: Débat

Asa ataon’ny tsirairay: Travail individuel

Asan-tarika: Devoir de groupe

Elanelan’ny fahalalana mialoha sy aorian’ny Principe d’éducabilité


fanabeazana :

Fampianarana: Enseignement

Fomba fiasa: Méthode de travail

Fianarana: Apprentissage

Fanabeazana: Education

Fitanisana: Citation

Fanorenam-pahalalana, fandrafetam-pahalalana: Constructivisme

Fifanorenam-pahalalana, fifanohanana amin’ny Socioconstuctivisme


fanorenam-pahalalana,:

Famelabelaran-kevitra: Exposé
Fampitana: Transmission
Fomba fianarana amin’ny alalan’ny fangalana tahaka: Apprentissage par imitation
Fomba fianarana miainga amin’ny aingan-java-misy: Apprentissage par induction
Préparation du savoir à enseigner
Fanomanana fahalalana:
iv

Haifampianarana : Didactique

Haipaika : Méthodologie

Haipaika aingan-java-misy: Méthodologie par induction

Lesona tolotra: Cours magistral

Loha feno : Tête pleine

Loha foana : Tête vide

Lalantsaina mifandraika amin’ny fandinihana ny Théorie béhaviorisme


toetra amam-pihetsiky ny olona:

Paikam-pampianarana, fomba fampianarana : Pédagogie

Sora-tononina: Dictée
v

LISITRY NY FANAFOHIZAN-TENY

APC: Approche Par les Compétences

APS: Approche Par les Situations

CAPEN: Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale

COVID19: Coronas Virus 2019

DRENTP: Direction Régionale de l’Education Nationale, de l’Enseignement Technique et


Professionnel
ENS Ecole Normale Supérieure

EPE : Equipe Pédagogique de l’Etablissement

EPIE: Equipe Pégagogique Inter-Etablissement

FRAM: Fikambanan’ny Ray Aman-drenin’ny Mpianatra

LMAI Lycée Moderne Ankadikely Ilafy

MEN: Ministère de l’Education Nationale

MENETP: Ministère de l’Education Nationale et de l’Enseignement Technique et


Professionnel
PPO: Pédagogie par objectif

ZAP Zone Administrative et Pédagogique

1èreC Kilasy voalohany sokajy C ( C= siantifika)


vi

LISITRY NY KISARY

Laharana Lohateny Takila

1 Fanehoana ny lalantsaina Behaviorisme 24

2 Fanehoana ny endrika fifanolorana eo amin’ny fiainana sy ny 28


fampianarana
3 Ny telozoron’ny haifampianarana arak’ i Philippe Meirieu 35

LISITRY NY FAFANA

Laharana Lohateny Takila

1 Fanoritsoritana ny paikam-pampianarana eto Madagasikara ny taona 21


1960 mandraka ankehitriny

2 Fanehoana ny antontan’isan’ny mpampianatra mahazo fiofanana na tsia 22

3 Fanehoana ny fitiavana sy fankahalana ny lesona tolotra 23

4 Endrika fanontaniana nataon’ny mpampianatra momba ny lesona “Ny 32


fahendrena”

Endrika fanontaniana nataon’ny mpampianatra momba ny lesona “Ny 33


5 Fahalalana”

6 Fanehoana ny anjara asam-pampianarana fampiasan’ny mpampianatra 38


matetika

7 Fanehoana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpianatra 41


vii

FANONDROAN-TAKILA
0.1Teny fampidirana ………………………………………………………………………...1
0.2 Anton’ny safidy ………………………………………………………………………….1
0.3 Tanjon’ny asakaroka …………………………………………………………………….2
0.4 Olana fototra …………………………………………………………………………….3
0.5 Petrakolana ………………………………………………………………………………4
0.6 Petrakevitra………………………………………………………………………………4
0.7 Lalantsaina narahina …………………………………………………………………….5
0.8 Haipaika nampiasaina …………………………………………………………………..6
0.9 Ny mampiavaka ny asakaroka…………………………………………………………...7
0.10 Fomba fiasa narahina ………………………………………………………………….8
0.11 Olana nosetraina sy ny vahaolana noraisina …………………………………………..8
0.12 Fetran’ny asakaroka ……………………………………………………………………9
0.13 Drafitra …………………………………………………………………………………9
FIZARANA VOLOHANY: HODIDINA ANKAPOBENY SY LAFIKA TEORIKA
ILAFIHAN’NY ASAKAROKA ……………………………………………………………..10
1.1 Ny voambolana fototra ilafihan’ny asakaroka ……………………………………...11
1.1.1. Famaritana ny fianarana sy ny karazany ………………………………………….11
1.1.2. Ny fampianarana sy ny fanabeazana ……………………………………………...12
1.1.3.Momba ny lesona tolotra …………………………………………………………..16
1.2 Teôrian’ i Piaget sy i Vygotsky …………………………………………………….24
1.2.1.Ny teôrian’i Piaget “constructivisme” ……………………………………………..24
1.2.2.Ny teôrian’i Vygotsky “socioconstructivisme” ……………………………………26
1.3 Ny fifandraisan’ny lalantsain’i Piaget sy i Vygotsky amin’ny maha olana ny lesona
tolotra amin’ny fianarana sy fampianarana ny taranja malagasy …………..........................27
FIZARANA FAHAROA: NY OLANA ATERAKY NY FANAOVANA LESONA
TOLOTRA HITA TAO AMIN’NY 1 ÈRE C, LMAI ………………………………………..30
2.1. Ny fizotran’ny fampianarana nahatarafana ny olana…………………………………..31
2.1.1.Ny fampianarana riba ……………………………………………………………...31
2.1.2.Ny fampianarana literatiora ………………………………………………………..33
2.2. Ireo tetika amam-paika nampiharina …………………………………………………..34
2.2.1.Ny fampiharana ny telozoron’ny haifampianarana ………………………………..34
2.2.2.Ny amin’ny fifampiakoana eo amin’ ny mpampianatra sy ny mpianatra …………36
2.3. Ireo karazana olana ateraky ny fanaovana lesona tolotra nandritra ny dingana fianarana
sy fampianarana ………………………………………………………………………….36
viii

2.3.1. Ny olana eo amin’ny mpampianatra ……………………………………………..37


2.3.2 Ny olana eo amin’ny mpianatra……………………………………………………40
FIZARANA FAHATELO: ANDRAM-BAHAOLANA HIALANA AMIN’NY
FANAOVANA LESONA TOLOTRA ……………………………………………………….45
3.1. Lamin-kevitra manodidina ny fomba fampianarana hialana amin’ny lesona tolotra…46
3.1.1. Andram-pamaritana ny fomba fampianarana ……………………………………..46
3.1.2. Ireo karazana fomba fampianarana………………………………………………..47
3.1.3. Fanasokajiana ny fomba fampianarana …………………………………………...50
3.2. Torolalana ho amin’ny fanomanana fomba fampianarana……………………………. 57
3.2.1. Fandrafetana lisitry ny fomba fampianarana mifototra amin’ny lohahevitra sy ny
lohateny hampianarina…………………………………………………………………... 57
3.2.2. Fifantenana ny fomba fampianarana……………………………………………... 59
3.3 Torolanana ho an’ny mpampianatra sy ny tompon’andraikitry ny sekoly……………..60
3.3.1.Torolalana ho an’ny tompon’andraikitry ny sekoly………………………………. 60
3.3.2.Torolalana ho an’ny mpampianatra……………………………………………….. 61
TENY FAMARANANA……………………………………………………………………. 65
TONDRO BOKY SY TONDRO TRANOKALA………………………………………….67
TOVANA……………………………………………………………………………………. ix
1

0.1Teny fampidirana
Ankehitriny dia voizin’ny fampahalalam-baovao eran-tany ny fanantontoloana.
Tsy eo amin’ny toe-karena fotsiny no isehoany fa eo amin’ny kolontsaina ihany koa.
Araka izany dia samy manao izay hiarovany ny kolontsainy ny firenena rehetra mba
tsy ho tafiditra na hibosesehan’ny kolontsaina hafa. Ny teny dia maneho ny
kolontsaina ihany koa, miezaka ny manabe voho sy manatsara ny teniny ireo firenen-
dehibe. Maneho izany ny hetsika ataon’ireo vondron’ny firenena miteny anglisy sy
frantsay. Atahorana araka izany ny hahafaty ny teny sasany indrindra ho an’ny
firenena andalam-pandrosoana toa an’ i Madagasikara. “Saingy tokony hifameno
hatrany anefa ireo teny samihafa ireo noho izy antoky ny fampivelarana ny maha
olona feno sy antoky ny fampandrosoana.” Ouane et Glanz (2010:6)1 izany hoe tsy
tokony hisy fifaniliana eo amin’ny teny satria heverina fa mifameno avokoa izy ireny.

Manoloana izany fanatontoloana izany dia ilaina ny fiarovana sy fanatsarana


ny teny Malagasy satria izy no “fitaovana mahomby ahafahana mifehy sy mamolaka
ny fahalalana , ny fahaiza-manao ary ny tekinika anabeazana feno ny maha olona sy
ahazoana mivelatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra sy amin’izao tontolo izao”
MEN (1997:14)2 . Mitaky ezaka mafonja avy amin’ny mpampianatra ny teny
Malagasy anefa ny fanatanterahana izany, ary mitaky fahafehezana ireo karazana
paika pedagojika indrindra indrindra;

Nandritra ny fizarana asa izay nataonay tany amin’ny LMAI mantsy dia
tsapanay fa miompana be loatra amin’ny lesona tolotra ny paika fampianarana ny
taranja malagasy. Avy amin’ny fahatsapana izany lesoka izany no nahafahana
nananganana ny lohahevitry ny asakaroka manao hoe: « lesona tolotra: mitondra
olana amin’ny fampianarana taranja malagasy ». Naompana indrindra amin’ny
haifampianarana ny taranja malagasy eny amin’ny lisea, ankapobeny sokajy siantifika
no ho izany ity asa fikarohana ity.

0.2 Anton’ny safidy


Antony maro no nitarika anay ho amin’izao asakaroka izao.

0.2.1. Safidy eo amin’ny lohahevitra:

Ny nanosika ny tenanay hisafidy ny lohahevitra dia ny hanatsarana hatrany ny


haifampianarana ny taranja malagasy eny amin’ny lisea, io haifampianarana io moa
ilay faritan’ i Vergnaud (1999:14)3 hoe “fandinihana tsirairay ireo dingana eo

1
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Ouane, Glanz, 2010, «[Les langues locales et
internationales] se complètent, se trouvent sur des échelles de valeur différentes et sont indispensables
au développement harmonieux et complet des individus et de la société. »p6
2
MEN ,Fandaharam-pianarana ; 1997 , taranja malagasy kilasy voalohany , 11- 36
3
Dikan-teny malalaka nataonay Vergnaud(G), Avril 1999 : « La didactique étudie chacune des étapes
de l’acte d’apprentissage et met en évidence l’importance du rôle de l’enseignant comme médiateur de
l’élève et le savoir » p 14.
2

amin’ny hetsika fampianarana ary fanasongadinana ny maha zava-dehibe ny


andraikitry ny mpampianatra, izay mpanelanelana ny mpianatra sy ny fahalalana”.
Izany hoe ny mpianatra no tokony handray anjara betsaka mandritra ny dingana
fianarana sy ny dingana fampianarana.Ankoatra izay dia ezahina ihany koa ny
hitondra anjara biriky ho fanatevenana izay efa hitan’ny mpikaroka hafa. Tsy atao
ambanin-javatra koa anefa ny hanomezana tahirin-kevitra na raki-pahalalana teôrika
ho azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra ampiasaina hitantanana ny
fampianarana/fianarana mba ho azo tsapain-tanana, ka hitera-boka-tsoa eo amin’ny
beazina sy ho fanatrarana ny tanjona ankapobeny sy manokana nofaritan’ny
fandaharam-pianarana.

0.2.2.Eo amin’ny toerana:

Nosafidinay manokana ny Lisea Môderina Ankadikely Ilafy satria raha mitaha


amin’ireo lisea efatra izay nandalovana nandritra ny fizarana asa dia izy no miorina
ivelan’Antananarivo Renivohitra. Izany hoe ambanivohitra kokoa, ka vokatr’izany dia
maro ny olana hita tao. Tao amin’io lisea io ihany koa no feno ny fotoana nanaovana
fizarana asa izany hoe tsy tapatapaka mihitsy. Ka teo no nitsirian’ny hevitra
hanadihady ny paikam-pampianarana izay hitanay fa misy lesoka tokoa. Satria tokoa
mantsy ny fahombiazan’ny fampianarana sy ny fianarana dia miankina amin’ny
toerana izay misy ny sekoly.

0.2.3Eo amin’ny kilasy:

Nosafidinay manokana ny kilasy voalohany sokajy C satria raha mitaha


amin’ny kilasy rehetra izay nandalovana dia tao no nahitana endrika lesona tolotra
betsaka. Nosafidiana ihany koa ny sokajy siantifika satria raha dinihana ny
fandaharam-pianarana dia tsy mitovy amin’ny lanjan’ora ampianarana ny sokajy litera
ny lanjan’ora hianaran’izy ireo ny taranja malagasy. Hita mantsy fa ny kilasy
voalohany sokajy literera dia manana ora 104 hianarana ny taranja malagasy raha toa
ka 100 ora ny sokajy siantifika MEN ( 1997:12)4 ka manoloana izany elanelana izany
dia nosafidiana ny sokajy siantifika satria azo ambara ho toe-javatra miteraka ny
fanaovana lesona tolotra ihany koa ny tsy fahampian’ny lanjan’ora hianarana ny
taranja iray.

0.3 Tanjon’ny asakaroka


Azo sokajiana ho roa ny tanjon’izao asa fikarohana izao dia : ny tanjona
ankapobeny ary ny tanjona manokana.
0.3.1. Ny tanjona ankapobeny:

Izao asakaroka izao dia natao indrindra mba

 hampahombiazana sy hanatsarana ny fomba fampianarana ny taranja


malagasy eny amin’ny lisea ivelan’Antananarivo.

4
Jereo ny tovana laharana 1
3

 hahatonga ny asa fanabeazana ho tena famolavolana olona feno ka afaka


hiatrika ny fiainana, hahatontosa ny politikam-panjakana momba ny
fanabeazana.

0.3.2. Ny tanjona manokana:

Izao asakaroka izao dia manana ny tanjona manokana izay kendreny ka izany
dia miantefa amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra

 Ho an’ny mpampianatra

Ao aorian’ny famakiana ity asakaroka ity ny mpampianatra namana dia afaka


mampiasa ireo fomba fampianarana ny taranja malagasy mifanaraka amin’ny filan’ny
mpianatra sy ny zava-misy eo amin’ny sekoly. Afaka ihany koa manatsara ny fomba
fampianarany miainga amin’ny fanombanan-tena.“Manovaova ny paikam-
pampianarana sy ny fampitana lesona. Ary indrindra manana tetika hihatahana
amin’ny fomba fampianarana tranainy”, araka ny nambaran’ i Jean Chateau
(1964:225)5 izay tiana havoitra ao amin’ny asa fikarohana dia tsy inona izany fa ny
lesona tolotra.

 Ho an’ny mpianatra

Ao aorian’ny famakiana ity asakaroka ity ny mpianatra dia afaka manovaova


ny fomba fianarany lesona izany hoe manana paika samihafa entina mamolaka ny
lesona izay homena azy. Afaka manomban-tena ihany koa izy ka mahalala ny lesoka
tokony harenina sy ny tsara izay tokony hotohizana amin’ny fianarana izay ataony.
Ambon’izay afaka mianatra miaraka amin’ny namany sy ny manodidina azy izy. Fa
indrindra manana saina tia karokaroka izany hoe tsy miandry toloram-potsiny. Araka
ny ambaran’ny. MENETP (1997:17)6manao hoe “ny mpianatra dia tokony mahay
mandanjalanja sy manana saina matotra, mahay maneho hevitra imason’ny namana
sy mahay miady hevitra.”

0.4 Olana fototra


Amin’ny ankapobeny dia azo ambara fa ny fisian’ny olana no miteraka ny
fikarohana ; zava-dehibe noho izany ny fisian’izy io satria izy no mampatanjaka sy
mahatonga ny olona ho liana amin’ny asakaroka izay atao Lawrence Olivier et al
(2005:27)7 ka izany indrindra no mitarika anay handroso izao olana fototra izao.
Nandritra ny fizarana asa izay natao dia tsapa fa ny ampahatelon’ny sehom-
pampianarana rehetra izay naroson’ny mpampianatra dia lany amin’ny fandikana

5
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Jean Chateau, 1964: « Aujourd’hui, en quelque
technique que ce soit, l’ancien est le médiocre, tant sont rapides les progrès dans l’outillage et dans les
methodes » p225
6
MENETP ,1997, fandaharam-pianarana taranja malagasy , taona voalohany sokajy Csy D p 16-32
7
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Olivier Lawrence et al. 2005 : « Sans question, il
n'y a pas de recherche, il n'y a pas de bon mémoire, de bonne thèse. Les travaux de recherche doivent
être «armés», à la fois guidés et animés par des questions »p 25
4

lesona izany hoe manomboka amin’ny fiantsoana anarana izany ary rehefa vita izany
dia miantso ankizy mandika ny lesona eny amin’ny solaitrabe. Ankoatra izay tsy
ahitan-teny firy ny mpianatra mandritra ny seho fa ny mpampianatra hatrany no
miteny. Miteraka olana anefa izany fomba fampianarana izany satria dia tsapa fa lasa
fahazaran’ny mpampianatra ny manao lesona tolotra izany hoe mbola manjaka ny
fomba fampianarana tranainy. Noho ny fahitana izany olana izany ary no nahatonga
anay hametraka izao petrakolana manaraka izao.
0.5 Petrakolana
Amin’ny ankapobeny ny tanjon’ny fampianarana ao amin’ny kilasy voalohany
sokajy C dia mikendry ny hahaizan’ny mpianatra miserasera am-bava sy an-tsoratra.
Izany hoe mahay manohana hevitra, sy miady hevitra, ary indrindra mahay mihaino ny
hafa sy mandray izay hevitra tsara avy amin’ny hafa. Mba hahafahana manatratra
izany tanjona izany anefa dia tokony ho paikam-pampianarana mampandray anjara
mpianatra no ampiasaina. Isany masontsivana mahamatianina ny mpampianatra
ihany koa mantsy ny fahaizany manovaova ny paika hoentina mampianatra satria
izany no mitarika ny mpianatra hahomby sy ho liana ary hifantoka amin’ny fianarana
izay ataony indrindra ny taranja literera izay tsy nosafidiany.

Nandritra ny fiazarana asa anefa dia tsinjo fa tsy izany no niseho, toa paikam-
pampianarana tolotra hatrany no ampiasain’ny mpampianatra tao amin’ny kilasy
voalohany sokajy C, lisea LMAI, ka vokatry izany dia ambany ny taham-
pandraisan’anjaran’ireo mpianatra, nisy mihitsy aza no nanao fampiasana momba ny
taranja hafa , ary nisy koa no natory fotsiny, midika izany fa sorena ny mpianatra
manoloana ny fampiasana io paika io. Ary tsy ny mpianatra ihany fa hita ho sorena
ihany koa ny mpampianatra satria tsy miraharaha ny taranjany ny mpianatra.

Manoloana izany fihetsiky ny mpianatra sy ny mpampianatra izany dia mipetraka


ny fanontaniana hoe: inona no olana amin’io paikam-pampianarana tolotra io , ka
mahatonga azy miteraka sakana amin’ny fianarana sy ny fampianarana taranja
malagasy ao amin’ny kilasy voalohany sokajy C, lisea LMAI?

0.6 Petrakevitra
Raha “asa fikarohana tsy misy petrakevitra dia lasa angon-kevitra sy angom-
pahalalana tsy mitondra vokatra” araka ny nambaran’i G. De Landsheere (972a: 22)8.
Ilaina noho izany ny mametraka petrakevitra mba hahazoam-bokatra amin’ity
asakaroka ity.

Mba hamaliana ny petrakolana izay voalaza tetsy aloha ary dia heverinay fa ireto
lafin-javatra manaraka ireto no mahatonga ny lesona tolotra hitondra olana amin’ny
fampianarana sy fianarana ny taranja malagasy eny amin’ny lisea:

8
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny nambaran’i G. De Landsheere, 1972a : « Sans hypothèse
directive, bien des recherches dégénèrent en une accumulation stérile de données ou d’informations ».p.22
5

 Taratra fa io lesona tolotra io dia tsy hahafahana manatratra ny tanjom-


pampianarana izay ambaran’ny fandaharam-pianarana ary koa
mampanano sarotra ny fanatanterahana ny fampianarana.
 Miseho ihany koa izany olana ateraky ny lesona tolotra izany amin’ny
tsy fandraisan’ny mpianatra anjara mandritra ny fampianarana ny taranja
malagasy ka mampidina ny haabon’ny fahalalan’ny mpianatra.
 Ankoatra ireo dia miseho ihany koa io olana ateraky ny lesona tolotra io
eo amin’ny fandraisam-pahalalan’ny mpianatra sy ny fahazoany ny
lesona.

0.7 Lalantsaina narahina


Amin’ny asakaroka toy izao dia manan-danja ny fisian’ny lalantsaina satria io no
entina mamaha ny olana. Araka ny hita ao amin’ny petrakevitra dia mitondra olana
amin’ny fampianarana taranja malagasy ny fanaovana ny lesona tolotra. Mba hialana
amin’izany dia nosafidianay manokana ny lalantsain’i Piaget miorina amin’ny
fanorenam-pahalalana (constructivisme) sy ny lalantsain’i Vygotsky izay miorina
amin’ny fifampanorenam-pahalalana (socioconstructivisme).

0.7.1.Ny “constructivisme”

I Jean Piaget (1921-1980) no loharano nipoiran’ity teôria ity. Izy dia nandinika
manokana momba ny psikôlôjian’ny fampianarana sy ny fianarana; nandinika ihany
koa ny fivoaran’ny toe-tsain’ny zaza sy ny fivoaran’ny fahalalana mifanaraka
amin’izany.

Ny antsoina hoe “constructivisme” araka ity mpandinika ity, dia ny fomba


fanorenan’ny mpianatra ny fahalalany amin’ny alalan’ny tenany ihany. Manome
vahana ny filàna voajanahary ao amin’ny olona tsirairay ny fandinihana. Ka mandritra
izany fanorenam-pahalalana izany na mandritra ny fianarana dia misy dingana roa
arahina. Araka ny nambaran’i Piaget dia “ny fandraisana na fampidirana zava-
baovao ao an-tsaina no dingana voalohany ny faharoa kosa dia ny famolahana na
fiezahana hampifanaraka izany amin’izay efa ao aminy.”(1994:14)9 izany hoe ny
finiavan’ny tsirairay sy ny ezaka avy aminy izany no mampitombo ny fahalalany.
Mbola manamarina izany i Chateau manao hoe : “Misy tombontsoako amin’ny zavatra
iray, raha toa ka voasarika hanao ilay zavatra aho” (1964 :77)10

Ireto ny foto-kevitra ijoroan’ny “constructivisme”: 1) famolavolana tontolom-


pampianarana mifahatra amin’ny fivoaran’ny mpianatra tsirairay. 2) Famoronana
tontolom-pampianarana miainga amin’ny filan’ny mpianatra. 3) Famolavolana tontolo
ivelaran’ny mpianatra, tsy misy fanerena avy amin’ny manodidina azy, toy ny
mpampianatra, ny fiarahamonina.

9
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Piaget, 1994: “ L’apprentissage se fait à travers
deux processus complementaires : l’assimilation et l’accommodation ” p.14
10
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Chateau(J) 1964: « Il y a intérêt en moi pour une
chose, lorsque je suis poussé à faire cette chose ».p77
6

Tsy nianina fotsiny tamin’io lalantsaina io anefa izahay satria heverina fa tsy
afa-miala amin’ny fampahombiazana ny fampianarana ihany koa ny lalantsaina izay
naorin’iVigotsky miorina amin’ny fifampanorenam-pahalalana
(socioconstructivisme). Hojerena manaraka ny momba izany.

0.7.2 Ny “socioconstructivisme”

Lev Vygotsky (1897-1934) no nandinika ity teôria “socioconstructivisme” ity.


Fototra niaingan’ny fikarohan’ny mpandinika ny fandinihana ny foto-kevitra
mampiorina ny “constructivisme”. Raha zohina dia fanoherana io foto-kevitr’i Piaget
io no avoitran’ny rijan-kevitra mandrafitra io “socioconstructivisme” io. Vygotsky dia
mahatsapa fa “ny fifaneraseran’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy no
mampivoatra sy mampitombo ny fahalalany ary indrindra hahafahany mamolavola ny
maha izy azy ”( 1999:322)11 izany hoe ny fivoaran’ny fiarahamonina misy azy no
ahafahana mamaritra sy manorina ny maha izay azy. Eo amin’ny tsirairay, hoy ity
mpandinika ity, dia misy ny mari-drefy ahafahana mamantatra fa tokony homena
fanabeazana izy. Ohatra, alohan’ny hampanaovana asa ny mpianatra dia fantarina ny
fahalalana ao aminy. Rehefa mahavita ny asa nomena azy indray izy dia hita fa
mitombo ny fahalalana ao aminy. Io elanelan’ny fahalalana mialoha sy aorian’ny
fisian’ny fanabeazana io no midika fa azo beazina ny olona.

Io elanelan’ny fahalalana mialoha sy aorian’ny fanabeazana io, arak’i


Vygotsky no antsoina hoe “Zone Proximale de Developpement”. Ka “izy io dia entina
mandrefy ny fahaizan’ny mpianatra mamaha ny olany mitaha amin’ny fiarahany
amin’ny mpampianatra”. (1999:108)12 Izany hoe tsy vitan’ny beazina irery fa ilana
mpanabe. Ka ny olona efa matotra (olon-dehibe) no mampita ny fahalalana amin’ny
mpianatra. Eo koa ny fifaneraserany amin’ny tontolo manodidina azy, ny
fifaneraserana ao anaty sokajy na tarika miara-miasa : mora mifampita fahalalana ny
samy mpianatra, mora mifanitsy, mora mifanakalo sy mifampizara traikefa. Miditra
an-tsehatra amin’ny fanamorana ny fifanakalozana ny kolontsaina sy ny fomba amam-
panaon’ny mpianatra tsirairay. Araka izany, ny fiorenan’ny fahalalana ao amin’ny
mpianatra izany dia tsy noho ny filany tsy akory, fa avy amin’ny fahitana fa mila
beazina sy omena fahalalana izy, araka ny filan’ny fiarahamonina. Foto-kevitra
ijoroan’ny teôria “socioconstructivisme io.

0.8 Haipaika nampiasaina


Anisany mahalavorary sy mahatomombana ary indrindra mahasiantifika ny
asakaroka iray ny fampiasana ny haipaika ao anatin’ny asa izay atao . Ny haipaika dia
azo faritana ho fitambaran’ireo fomba fiasa na paika hanatanterahana ny asakaroka.
Tsy mifanalavitra amin’izay ny namaritan’i Morin azy tao amin’i Blanchet hoe: “ny

11
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Vygotsky tao amin’i Crahay 1999 : « c’est au
travers des progres de la socialisation qu’il s’individualise. » p 322
12
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Vygotsky tao amin’i Crahay 1999 : « la zone
proximale d edeveloppement : qu’il se definit comme la différence entre le niveau de resolution sous la
direction de et avec l’adulte et celui atteint seul. » p 108
7

haipaika dia tari-dalana hoentina mikatroka, hanatanterahana ny asakaroka kasaina


hatao” (2000:29)13. Eto ary dia nosafidiana manokana ny fampiasana ny haipaika
mifototra amin’ny fandinihana ny zava-misy, ka ny mpikaroka dia miezaka manakatra
ny toe-java-misy eo amin’ny fiarahamonina fa tsy manazava fotsiny akory14 (ibidem).
Io haipaika io no antsoina hoe aingan-java-misy. Ny vaindohan-draharaha amin’ny
haipaika aingan-java-misy, dia ny fahaizana manontany ny anton’ny trangam-
piainan’ny olona sy ny hevitr’ireny. Manosika ny mpikaroka handroso amin’ny asany
izany15. (Ibidem)

Niainga tamin’ny fanadihadiana ny fampianarana izay nataonay nandritra ny


fizarana asa izahay, ary rehefa nampifanarahana tamin’ny teorian’i Piaget sy i
Vygotsky izany dia tsapa fa ny lesona tolotra dia sakana amin’ny fampianarana taranja
malagasy. Vokatr’izany dia nitondra vahaolana entina mamaha izany olana izany
izahay izay heverina fa azo ampiharina tsara eny amin’ny lisea ivelan’Antananarivo.

0.9 Ny mampiavaka ny asakaroka


Maro ny asakaroka efa vita teo amin’ny sehatry ny siansan’ny fanabeazana,
indrindra ny momba ny teny malagasy. Tao no nanadihady ny fomba fampianarana ny
zana-taranja riba, tao ny momba ny literatiora ary tao koa ny momba ny haiteny. Nisy
koa aza no nisampana nakany amin’ny fampianarana tekinika. Amin’ity asanay ity
kosa dia nosafidiana manokana ny fampianarana ankapobeny izay miorina
ivelan’Antananarivo. Ka ity asa ity dia mirona kokoa amin’ny haifampianarana ny
taranja malagasy. Efa nisy ihany no nandinika momba izany toa an’i
ANDRIANANDRAINA Claude Bruno izay nanao ny asakaroka mitondra ny lohateny
hoe: ny fampiasana fitaovana eo amin’ny haifampianarana ny taranja malagasy eny
amin’ny lisea16 ka asongadiny amin’izany fa ny fampiasana fitaovana miovaova no
fototry ny fahombiazan’ny fampianarana sy ny fianarana ny taranja malagasy.

Ankoatra izay mbola nisy ihany koa no nandinika momba ny haifampianarana toa
an-DRANDRIAMIHAVISOA Miharivola izay nanao ny asakaroka mitondra ny
lohateny hoe: “fampitahana ny fomba fitantanana sekoly sy ny fomba fampianarana
riba ao amin’ny kilasy voalohany ao amin’ny lycee Andoharanofotsy sy ny lycée
Ambohimanambola: soso-kevitra ho fanatsarana ny fampianarana vokatr’izany17” ka

13
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Morin tao amin’i Blanchet, 2000, «Guides a priori
qui programment les recherches.»p29
14
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Blanchet, 2000 : «Les méthodes empirico-
inductives caractérisent notamment un «paradigme compréhensif» émergent en sciences de
l‟homme/SHS »p 33
15
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Blanchet, 2000 : «Ces méthodes empirico-
inductives consistent à s‟interroger sur le fonctionnement et sur la signification de phénomènes
humains qui éveillent la curiosité du chercheur (…)» p34
16
ANDRIANANDRAINA Claude Bruno (2016) Ny fampiasana fitaovana eo amin’ny haifampianarana
ny taranja malagasy eny amin’ny lisea, Mémoire de CAPEN, p.173
17
RANDRIAMIHAVISOA Miharivola (2012) Fampitahana ny fomba fitantanana sekoly sy ny fomba
fampianarana riba ao amin’ny kilasy voalohany ao amin’ny lycee andoharanofotsy sy ny lycee
ambohimanambola : soso-kevitra ho fanatsarana ny fampianarana vokatr’izany, Mémoire de CAPEN,
p.128
8

asongadiny ao amin’io asakaroka izay ataony io ny maha zava-dehibe ny fitantanana


sekoly.

Fa ny mampiavaka ny asanay kosa dia noho izy mifantoka amin’ny


fanadihadiana fa ny lesona tolotra dia mitondra olana amin’ny fampianarana ny taranja
malagasy, indrindra any amin’ny sokajy siantifika.

0.10 Fomba fiasa narahina


Maro ny fomba fiasa nentina nanatontosana izao asakaroka izao: voalohany
tamin’izany ny fikarohana ny sehatra tsy mbola nirotsahan’ny mpikaroka namana teo
alohan’ny tena. Ny tanjona kendrena tamin’izany dia ny mba hialana amin’ny
famerenana ny asakaroka izay efa vitan’ny hafa. Ankoatra izay ny fanaovana atrikasa;
ny tanjona dia hijerena ny fomba fampianaran’ny mpampianatra tao amin’ny LMAI
taona voalohany sokajy C ka nahafahana nahita ny paika pedagojika fampiasany
rehefa manao lesona. Izany dia narahin’ny fandraisana anjara mivantana tamin’ny
fampianarana , ka teo no nahafahana nampihatra ny paikam-pampianarana hafa
ankoatra ny lesona tolotra.

Fanampin’izay ny fanaovana fanadihadiana ny mpianatra kilasy voalohany


sokajy C LMAI sy ny mpampianatra tamin’ny endrika fanontaniana sy valiny ny
tanjona dia ny hahalalana ny paika tena fampiasan’ny mpampianatra sy ny mpianatra
eo amin’ny dingan’ny fianarana sy fampianarana. Natao ihany koa io fomba fiasa io
mba hanamarinana ny zavatra hita nandritra ny fizarana asa. Teo ihany koa ny
fampiasana ny masontsivan’i G. De Landsheere, (1969)18 mikasika ny anjara asa
sivin’ny mpampianatra ao an-dakilasy ary koa hahafahana mamantatra ny fitondran-
tenan’ny mpampianatra ao an-dakilasy.. Nampiasaina ihany koa ny masontsivan’i
Delhaxhe et Crahay19 mba hijerena ny fitondran-tenan’ny mpianatra mandritra ny
fampianarana.

Teo ihany koa ny fanaovana resadresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly


ka ny tanjona tamin’izany dia ny mba hahalalana betsaka ny momba ny lisea. Ary
farany fanagonana, fikarohana, fitrandrahana tahirin-kevitra sy asa fikarohana ary
boky teorika izay nataonay mba hanohanana izao asakaroka izao sy hampitombina
tsara ny asakaroka amin’ny maha siantifika azy.

0.11 Olana nosetraina sy ny vahaolana noraisina


Tsapanay fa tsy tonga lafatra ny asa izay natao noho ireo olana nosetrana tamin’ny
fotoana nanatanterahanay ny fikarohana sy ny fanatontosana azy noho ny fisian’ny
hamehana ara-pahasalamana izay nisy teto amin’ny firenena dia tsy afaka nivezivezy
tany Ankadikely izahay .
Fanampin’izay ny fitadiavana ireo tahirin-kevitra momba ny haifampianarana izay
tsy maintsy nilaina satria nifamatotra betsaka tamin’ny asa izay nataonay.

18
Jereo ny tovana laharana 5
19
Jereo ny tovana laharana 6
9

Teo ihany koa ny fitadiavana ireo lalàm-panorenana malagasy sy ny fandaharam-


pianarana ary ny fitrandrahana azy ireo tamin’ny vanim-potoana sasantsasany satria
ireo no fitaovana nampiasaina nahafahana nijery ny haifanatona nampiasaina tamin’ny
fampianarana.
Farany tena nanahirana anay tokoa ny fitadiavana ireo boky nentina natao tohan-
kevitra noho ny fikatonan’ny tranom-boky, ny fikatonan’ny ivon-toeram-pikarohana
toy ny Cyber nandritra ny fihibohana tanteraka noho ny valan’aretina Covid 19.
Niezaka hatrany anefa izahay nandamina sy nandrindra ny zava-nisy teo am-pelan-
tanana mba hahatomombana ny asa. Toy izany, ohatra ny fampiasana ireo lesona efa
nananana momba ny haifampianarana tamin’ny taona fahatelo.
0.12 Fetran’ny asakaroka
Lisea efatra no nanaovana fizarana asa: ny roa tamin’ireo lisea tekinika avokoa
ary hita teto Antananarivo renivohitra avokoa , ny roa kosa dia lisea sampana
ankapobeny avokoa ary samy ivelan’Antananarivo . Tsy izy rehetra noho izany no
nanaovana ny asakaroka fa ny lisea LMAI sampana ankapobeny, kilasy voalohany
sokajy C ihany no nofinidy nanaovana ny asakaroka.

Ankoatra izay fandinihana ireo olana ateraky ny lesona tolotra amin’ny


fampianarana taranja malagasy ihany no natao satria tokoa mantsy roa volana ihany no
fotoana nanaovana fizarana asa ka noho izany dia izay fampianarana vita tao
anatin’izay ihany no saha niaingan’ny asakaroka. Fanampin’izay dia lafin-javatra telo
momba ny lesona tolotra ihany no resahina ato anatin’ity asakaroka ity ka nosafidiana
ny paikadin’i Piaget sy i Vygotsky mba hialana amin’izay olana izay. Azo lazaina ary
fa ampahany amin’ny tranga mpisy ihany no tontosa teto amin’ity asa ity.

0.13 Drafitra
Mba hahafahana miroso amin’ny asakaroka izay atao dia tsara ny manolotra
mialoha ny drafitry ny asa ka mizara telo lehibe izany.

 Eo amin’ny fizarana voalohany no hamahavahana ny lafika teôrika


iorenan’ny asakaroka sy hamahavahana ny momba ny lesona tolotra.
 Eo amin’ny fizarana faharoa no handalinana ireo karazana olana ateraky ny
fanaovana lesona tolotra eo amin’ny fampianarana taranja malagasy kilasy
voalohany sokajy C.
 Eo amin’ny fizarana fahatelo farany kosa no hanomezana andram-bahaolana
hahafahana mandanjalanja ny fampiharana ny lesona tolotra amin’ny
fampianarana ny taranja malagasy eny amin’ny lisea.
10

FIZARANA VOLOHANY: HODIDINA ANKAPOBENY SY LAFIKA


TEORIKA ILAFIHAN’NY ASAKAROKA
11

Ny fizarana voalohany hatolotra eto dia natokana indrindra hanehoana ireo


teôria sasantsasany tsara ho fantatra mahakasika ny fampianarana. Hifotorana bebe
kokoa amin’izany ireo teôria fototra hahafahana miala amin’ny lesona tolotra amin’ny
haifampianarana. Fototra moa no ilazana azy eto satria iankinan’ny foto-kevitra
hahafahana miala amin’ny lesona tolotra mandritra ny dingana fampianarana sy
fianarana. Ahitana toko roa ity fizarana ity. Ny toko voalohany dia hamahavahana ny
momba ireo voambolana fototra. Hasongadina ao amin’ny toko faharoa kosa ny
amin’ireo teôria ilafihan’ny asakaroka.

1.1 Ny voambolana fototra ilafihan’ny asakaroka


Dingana tsy azo ihodivirana ny fanazavana ny voambolana fototra ijoroan’ny
asa fikarohana. Miovaova araka ny sehatra ampiasana azy mantsy ny hevitry ny teny
na ny voambolana na ny andian-teny iray . Ka mba hanavahana ny fampiasana azy
any amin’ny sehatra hafa ary koa hanomezan-danja ny asa izay atao dia hofaritana
etoana ny atao hoe: ny fianarana, ny fampianarana, ary ny lesona tolotra.

1.1.1. Famaritana ny fianarana sy ny karazany

Anisany andian-teny fototra ampiasaina ato anatin’ity asakaroka ity ny hoe


fianarana. Ka tsara raha halalinina ny momba azy io sy ny karazany. Dieny aty am-
piandohana.

1.1.1.1. Ny atao hoe fianarana


Ny atao hoe fianarana dia: “fampifantohana ny saina mba hahay sy hitadidy
zavatra.” Regis Rajemisa Raolison (2003:288)20. Izany hoe ny fianarana dia hetsika
atao mikendry fahaizan- javatra amin’ny alalan’ny fifantohanana sy ny fitadidiana.

Ny Dictionnaire Hachette Encyclopédique kosa dia mamaritra ny fianarana:


“ho dingana manara-drafitra ka mikendry indrindra ny fiovan’ny fitodran-tena, ny
fianarana ihany koa dia ilazana ny fiofanana izay homena ny mpianatra na ny fahaiza-
manao homena azy”21. Maneho izany fa ny fianarana dia fitambaran’ireo fiofanana
homena na ataon’ ny mpianatra ka miteraka fahaiza-manao ao aminy.

I Olivier Reboul (1995:126) indray kosa dia mihevitra fa ny fianarana dia


“midika ho fandraisana na fanovana ny fiheverana ny tontolo mba hampisy
fifandraisana tsara kokoa eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra22”. Izany hoe ny
fianarana izany dia hetsika atao mba hanovana ny tontolo misy ny olona iray.

20
Regis Rajemisa RAOLISON, 2003, RAKIBOLANA MALAGASY, p 1061
21
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny hita in Dictionnaire encyclopédique 2012 « l’apprentissage
est un processus systématique pour l’acquisition d’un comportement nouveau ou une formation donnée
à un apprenti, un faire savoir à l’apprenant »
22
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Reboul (O) , 1995, « L'apprentissage consiste à
acquérir ou à modifier une représentation d'un environnement de façon à permettre avec celuici des
interactions efficaces ou de plus en plus efficaces » p. 126
12

Raha ireo famaritana ireo ary no iaingana dia azo ambara fa dingana iray izay
ataon’ny mpianatra mba hahazoany fahalalana ka mitondra ho amin’ny fiovan’ny
fitondran-tena sy ny fihetsika eo amin’ny tontolony izany.

Misy karazany maro ary ny fianarana fa indro asongadina ireto sasantsany


ireto.

1.1.1.2.Ny karazana fomba fianarana


Ny paika fianarana dia tsy natao fotsiny mba handraisana fahalalana, fa natao
indrindra hampitomboana ny maha izay ny tena sy hitondra risika amin’izay atao. Ny
fananana ny paika na ny fomba fianarana ihany koa dia mitarika ny mpianatra ho
tompon’andraikitra sy hahaleo tena amin’ny fianarana izay ataony. Inona avy ary ireo
paika ireo?

 Ny fomba fianatra mifahatra amin’ny fangalana tahaka23

Ity fomba fianatra ity dia mifototra amin’ny famerenan’ny mpianatra izay
ataon’ny mpampianatra. Izany hoe mandritra ny fianarana izay atao dia miezaka
mamerina izay ataon’ny mpampianatra ny mpianatra. Ka na misy diso aza izay ataony
dia miezaka tsikelikely ireo mpianatra manarina izany fahadisoana izany. Ity fomba
fianatra ity dia misy fifandraisany kokoa amin’ny paikam-pampianarana tranainy
mifanindran-dalana amin’ny lesona tolotra.

 Ny fomba fianatra mifahatra amin’ny aingan-java-misy24


Ity fomba fianatra ity indray dia mirona kokoa amin’ny fandinihana ny zava-misy
eo an-toerana ka miainga avy amin’izay fandinihana sy andrana. Izay no isintomana
ny fahalalana . ka amin’izay fotoana izay ny anjara asan’ny mpampianatra dia mpitari-
dalana sy mpanoro lalana ary mametraka fanontaniana fitarihana ny mpianatra mba
hahita ny valiny andrasana. Ity fomba fianatra ity dia mirona kokoa amin’ny paikam-
pampianarana vaovao miorina amin’ny fanomezan-danja ny asa izay ataon’ny
mpianatra.

1.1.2.Ny fampianarana sy ny fanabeazana


Matetika dia afangaron’ny ankamaroan’ny olona ny atao hoe fampianarana sy
fanabeazana izay voambolana samy manana ny mampiavaka azy. Tsara ary ny
hanehoana izany fiavahany izany mba hahafaha-mamaritra tsara hoe aiza no sehatra
tena iompanan’ny asa fikarohana izay atao etoana .

1.1.2.1.Ny atao hoe fampianarana


Rehefa fampianarana no resahina dia sary tonga ao an-tsaina avy hatrany ny
hoe mpampianatra ary mpianatra izay mifanatri-tava. Ka ny mpampianatra dia ilay

23
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny hoe Apprentissage par imitation in AvanzinI(G), La
pédagogie aujourd’hui, Dunod, Paris, 1996, p.96
24
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny hoe apprentissage par induction in Fourez gerard, 2004,
apprivoiser l’epistemologie, Bruxelles, Editions De Boeck Université,183 p.
13

mpampita fahalalana ary ny mpianatra kosa dia ilay mandray ny fahalalana izay
omena azy.

Ara-piforonan-teny ary ny voambolana hoe fampianarana dia “azo avy


amin’ny teny latina hoe “insignis” midika hoe voamarika. Izy io dia asa ataon’ny
mpampianatra ka mikendry indrindra ny fampitana fahalalana, fahaiza-manao, ary ireo
karazana hairaha25”. Eny amin’ny sehatra fampianarana toy ny sekoly noho izany no
hampiharana izany.

Ankoatra izay i Freeman ihany koa dia manambara fa “ny atao hoe
“fampianarana dia fanomezana na fampitana fahalalana miainga amin’ny olona iray
mankany amin’ny olona hafa iray na maromaro. Ka io olona iaingana io dia manao
izay fomba rehetra mba hahazoan’ny olona izay hiantefan’ny fampianarana.”
(1973:21) 26

Fanampin’izay i Legendre ihany koa dia milaza fa: ny fampianarana dia


“fitambaran’ireo serasera izay ifanaovan’ny olona roa na maromaro hahafahana
mampita hafatra na fahalalana”. Izany hoe ny fampianarana izany dia serasera
ifanaovan’ny mpianatra sy ny mpampianatra (1993:507) 27.

Araka ireo famaritana ireo dia azo lazaina fa ny fampianarana dia serasera
ifanaovan’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Ka misy noho izany ny hafatra
hampitaina dia tsy inona fa ny lesona izay homena ny mpianatra, ary ny tanjona dia ny
hananan’ny mpianatra fahalalana, fahaiza-manao ary karazana hairaha.

Raha izay ny famaritana ny fampianarana dia hojerena manaraka indray zao ny


famaritana momba ny fanabeazana mba hialana amin’ny fifangaroan-kevitra.

1.1.2.2.Ny atao hoe fanabeazana


Maro ny mpandinika namaritra ny atao hoe fanabeazana isan’izany i Reboul sy
Philippe Meirieu, ary tao ihany koa ry Nail Ver sy ry Doltrens. Ho an’i Nail Ver et
AL. (2014 :153) dia ambarany fa ny fanabeazana na « éducation » amin’ny teny
vahiny dia teny azo avy amin’ny teny latina hoe educare izay midika hoe fanofanana
na fanabeazana ankapobeny ny olona iray eo amin’ny seha-pivavahana, ny seha-

25
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Robertradford.2012 : « Etymologiquement,
l’enseignement vient du latin insignis : remarquable, marqué d’un signe, distinguer C’est une pratique,
mise en œuvre par un enseignant, visant à transmettre des connaissances (savoir, savoir-faire,
compétences…) à un élève, un étudiant ou tout autre public dans le cadre d’une institution éducative. »
p. 39
26
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Freeman notanterin’i Philippe Dessus., 2008,
pp.139-158. ffhal-00371346 https://hal.archives-ouvertes.fr/hal-00371346 nivoaka ny 27 Martsa
2009
27
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Legendre R.1993. « ensemble des actes de
communication et de prises de décision mis en œuvre intentionnellement par une personne ou un groupe
de personnes qui interagit en tant qu’agent dans une situation pédagogique ».p.507
14

pitondran-tena, ny sehatra siantifika, ary ny sehatra ara-pahasalamana28 ».izany hoe


aminy ny fanabeazana dia famolavolana ny maha olona feno mihitsy.

I Doltrens( 1966:18) kosa dia mamaritra ny fanabeazana, « ho fitaizana olona


hanana fahazarana, hahay hanaraka toromarika, hanamafy ny finiavana hanatsara ny
fitondrantenany, ny fihetsiny, hahatsapa ny lanjan’ny adidy amana andraikitra moraly
na eo amin’ny tenany na eo amin’ny hafa mba hahatonga azy hifandray araka ny
tokony ho izy amin’ny vondron’ny mpiara-belona aminy »29 , maneho izany fa ny
fanabeazana dia fiezahana hanaraka sy hanaja ny fitsipiky ny fiarahamonina.

RAOLISON R.R.(2013:210) kosa dia mamaritra « ny fanabeazana ho


fanolokoloana ny zaza mba hanomezana azy toetra tsara ka hahatonga azy ho lehibe ,
ho olom-banona »30. Izany hoe ny fanabeazana izany dia asa mitohy no sady maharitra
izay atao amin’ny olombelona.

Araka ireo famaritana ireo, ny fanabeazana izany dia fitambaran’ny asa sy ny


hetsika ary ny serasera ataon’ny olon-dehibe amin’ny zaza na zatovo ,hahatonga azy
ho olom-banona. Ny fanabeazana ihany koa dia fitambaran’ ny zavatra noseraseraina
na antsitra-po teo amin’ny zaza na ny olona, na vokatry ny fitaizana ataon’ny ray
aman-dreny sy ny mpampianatra. Manampy izany ny vokatry ny serasera tsy
ampoizina eny amin’ny toerana lalovana na ny fiarahamonina iainana, na ny fanaovan-
javatra iray. Ny manabe izany dia manao izay hampivoarana ny olona iray araka izay
iriana aminy ka mifanaraka amin’ny filan’ny fiarahamonina iainany.

1.1.2.3.Ny karazana fomba fampianarana


Amin’ny ankapobeny ny mpampianatra dia tokony hanam-pahaizana amin’ny
fomba fampitana hevitra mazava amin’ny mpianatra izay ampianariny, ary afaka
mamorona tontolo mahafinaritra miaraka amin’ny paika mahomby ho enti-
mampianatra ny karazana ankizy.

Ankoatra izay dia tokony ho hainy ihany koa ny mamboly fifandraisana tsara
eo aminy sy ny mpianatra ary miezaka maneho amin’ny mpiaramiasa aminy sy ny ray
aman-drenin’ny mpianatra fa miasa tsara izy.

Fanampin’ izay dia mbola anjaran’ny mpampianatra ihany koa ny mifantina


izay paikam-pampianarana mifanaraka amin’ny kilasy izay ampianariny.

28
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’ i Nail Ver et al, 2014. « ce dernier terme (du latin
educare, tirer hors de), beaucoup plus général, correspond à la formation globaled’une personne, à
divers niveaux (au niveau religieux, moral, social, technique, scientifique, médical, etc.) ». p153
29
Dikan-teny malalaka nataonay arak’i DOLTRENS , 1966 : « Eduquer au sens courant du terme, c’est
faire prendre des habitudes, respecter les consignes, intensifier le sens du devoir et de se bien conduire
et de bien agir, acquérir le sens du devoir et des obligations morales que l’on a, à l’égard de soi-même
et d’autrui, de telle sorte que l’être éduqué puisse s’integrer normalement dans la communauté de sens
semblable »p18
30
Regis Rajemisa RAOLISON, 2003, RAKIBOLANA MALAGASY, p 210
15

Amin’ny fampianarana taranja Malagasy ary dia misy paikam-pampianarana


roa ireto azo ampiasaina dia ny paikam-pampianarana miorina amin’ny lesona tolotra
ary ny paikam-pampianarana miorina amin’ny fampandraisana anjara ny mpianatra.
Hovelabelarina eto ambany ary izany.

a. Ny paikam-pampianarana miorina amin’ny fampandraisana anjara ny


mpianatra (méthode active)
Claparede (1967:153) dia mamaritra ny hevitry ny teny hoe “actif” amin’ny
hoe “mihetsika, mifindra, manatanteraka asa, manoratra, manao sary, manao zavatra fa
tsy mihaino fotsiny”31. Isan’ny fototry ny fikarohana momba ny fomba fampianarana
vaovao mifototra amin’ny mpianatra ireo, hanehoana fa tsy tokony ho mpihaino
fotsiny izy ireo mandritra ny fampitana fahalalana

Ny fomba fampianarana mitodika amin’ny mpianatra dia endrika fampitam-


pahalalana manome lanja ny maha izy azy ny beazina. Io paika pedagojika io dia
mijery kokoa izay mampiavaka ny mpianatra tsirairay ary manaja izany
fahasamihafana izany. Ny anjara asan’ny mpampianatra dia ny mikaroka sehatra iray
mifandray amin’ny fahalalana tiana haorina ary mamorona sahanasa amin’izany,
ahafahana manetsika sy mampandray anjara ny mpianatra.

Araka ny fandinihan’i Tardif (1992: 303)32, “ny mpampianatra dia


mpieritreritra, mpandray fanapahan-kevitra, mahafehy ny fahalalana, filamatra,
mpanelanelana. Rogers ihany koa dia mamaritra fa ny andraikitry ny mpampianatra
dia maneho ny asa hataon’ny mpianatra ary mitarika sy mitantana ny fianarana na ny
fikaroham-pahalalana (1994:100) 33”.

Maneho izany fa tsy mibahana ny fotoana izy ary tsy manolotra be fahatany ny
fahalalana fa manosika ny mpianatra hikaroka sy hitrandraka.

Miasa, mikaroka, manadihady, mamakafaka, manao fanandramana, misintona


hevitra ary mandrafitra ny fahalalana miainga amin’ny sahanasa nofaritan’ny
mpampianatra ny mpianatra, amin’ny fahefany sy izay mampiavaka azy.

Maneho io fahalalahana sy fahefana omena ny beazina io fa ny vokatry ny


asan’ny mpianatra dia azy manokana ary miraikitra ao amin’ny fitadidiany ka azony
ampiasaina araka ny filana ao aminy. Miteraka fahaleovantena ara-tsaina, ara-
pahaiza-manao ary ara-toetra amam-pihetsika andrasana ao amin’ny mpianatra izany.

31
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Claparede(E) 1967 : « Le mot actif est un mot vague. Pour
beaucoup, actif veut dire qui bouge, qui remue, qui exécute un travail, qui écrit, qui déssine, qui fait
quelque chose au lieu d’écouter seulement » p. 153
32
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Tardif(J) 1992: « Il est un penseur, un preneur de décision,
un expert de contenu, un modèle et un médiateur » p. 303
33
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Rogers(C.R) 1984: « Montrer, guider, diriger » p.100
16

b. Ny paikam-pampianarana miorina amin’ny lesona tolotra (méthode


magistrale)
Ny fampianarana tolotra dia karazana fomba fampitam-pahalalana tranainy
izay manome lanja ny mpampianatra. Avanzini “Ny mpampianatra no mikaroka ny
fahalalana rehetra homena ny mpianatra , na amin’ny alalan’ny fanomanana izany na
mandritra ny fampitana. Heverina amin’izany fa izy dia manana ny fahaizana amam-
pahalalana rehetra ary mahafehy izany” (1996:112). 34.

Ny tetika pedagôjika fampitana ampiasaina dia ny fanolorana na famindrana


ny vontoatin-desona, amin’ny alalan’ny fanononana na fanazavana na famelabelarana.
Mpandray anjara feno amin’ny fanatanterahana ny hetsika rehetra izany ny
mpampianatra.

Manana ny fahefana feno izany ny mpampianatra ary masi-mandidy amin’ny


hetsika rehetra ataony. Miankina aminy ihany koa izay mety ho fahombiazan’ny
fampianarana tanterahiny.

Ny mpianatra mantsy amin’ity endri-pampianarana iray ity dia tsy afaka


maneho ny heviny na izay fahafantarany mahakasika ny fahalalana atolotra azy satria
tsy misy ny fijerena izay rafi-tsaina mety mampiavaka ny tsirairay.

Heverina fa mitovy daholo ny mpianatra rehetra ka amin’izany dia mihaino ary


manoratra izay ambaran’ny mpampianatra no ataony. Tsy afaka manadihady na
mamakafaka izy ireo mandritra ny lesona.

Hita teo ary ny momba ny paikam-pampianarana fa halalinina misisimisy


kokoa etsy ambany ny momba ny lesona tolotra izay tena iompanan’ny asakaroka.

1.1.3.Momba ny lesona tolotra


Manana anjara betsaka amin’ny fahombiazan’ny fampianarana sy ny fianarana
ny fahaizan’ny mpampianatra ireo karazana fomba fampianarana. Izany mantsy no
miantoka ny fahatanterahan’ny zavatra rehetra ao an-tsekoly. Iray amin’ireny paika
ireny ny lesona tolotra izay avoitra etoana fa sakana amin’ny fampianarana taranja
Malagasy ka andeha ary halalinina ny momba azy.

1.1.3.1Ny atao hoe lesona tolotra


Ny Larousse dia mamaritra ny lesona tolotra ho “fanomezana torolalana na
fampianarana iraisana na manokana amin’ny fomba tsy mahaliana loatra.” (1986:599)
35
Izany hoe izy io dia fomba fampianarana tsy miteraka faharisihana ho an’ny
mpianatra.

34
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Avanzini(G) 1996: « la différence de rôles est bien
marquée, le maître détient le savoir et il est chargé de le transmettre directement à l’élève par des
moyens appropriés ».p 112
35
Dikan-teny malalaka araka ny hita in Larousse 1986: « la leçon magistrale est une instrution
publique ou particulier qui manifeste prétentieusement une affectation de savoir. » p. 599
17

Manampy izany i Avanzini (1996:112) manao hoe “ny lesona tolotra dia
paikam-pampianarana mifototra amin’ny fiheverana fa ny mpampianatra hatrany no
tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampianarana sy ny fianarana izay atao fa tsy
ny mpianatra”36.

Araka ireo famaritana ireo ary dia azo ambara fa ny lesona tolotra dia karazana
fomba fampitam-pahalalana mifototra amin’ny fanomezan-danja ny anjara asan’ ny
mpampianatra. Izany hoe ny mpampianatra no mikaroka ny fahalalana rehetra homena
ny mpianatra ,na amin’ny alalan’ny fanomanana izany na mandritra ny fampitana ny
lesona.

Heverina amin’izany fa izy dia manana ny fahaizana amam-pahalalana rehetra


sy ny fahefana ary mahafehy izany37 Andriar (2020:27). Mpandray anjara feno
amin’ny fanatanterahana ny hetsika rehetra ao an-dakilasy izany ny mpampianatra.

Antsoina ihany koa hoe “méthode expositive” na “méthode transmissive,


magistrocentrisme”; ary misy miantso misy aza hoe “ pédagogie noire” ity fomba
fampianarana ity38 (Ibidem). Manana ny fahefana feno izany ny mpampianatra ary
masi-mandidy amin’ny hetsika rehetra izay ataony. Miankina aminy ihany koa ny
fahombiazan’ny fampianarana tanterahiny.

1.1.3.2.Ny endrika isehoan’ny lesona tolotra


Miseho amin’ny endrika maro ny lesona tolotra toy ny: fanolorana na
famindrana ny vontoatin-desona, ny fanononana na fanazavana fotsiny ny lesona ary
ny famelabelarana . hojerena ary ny famaritana azy ireo.

 Ny fanolorana na famindrana lesona


Ny fanolorana dia endrika iray isehoan’ny lesona tolotra, ka ny fanatanterahana
azy dia miainga amin’ny fanomezan’ny mpampianatra izay lesona homena ny
mpianatra, ary ny mpianatra dia mijanona ho mpandray ny lesona fotsiny.

 Ny fanononana na fanazavana
Ankoatra izay endrika manaraka isehoan’ny lesona tolotra ihany koa ny
fanononana ranofotsiny ny lesona; izany hoe mandritra ny fampianarana dia mamaky
lesona ny mpampianatra ka izany no tononina amin’ny mpianatra. Mandritra izany ny
mpianatra dia mijanona ho mpandika lesona fotsiny ihany ary mihaino izay lazain’ny
mpampianatra.

 Ny famelabelarana
Izy ity dia azo lazaina ho endrika vaovaon’ny fampianarana tolotra satria ity
paika ity dia manome lanja ny fanazavana, famahavahana hevitra miainga amin’ny

36
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Avanzini 1996 : […] « le maître qui joue un rôle
primordial alors que les élèves jouent un rôle second » […] p. 112
37
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Andriar S. 2020 : « elle est fondée sur l’autorité du maître
et sa toute puissance » p. 27
38
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Andriar S. 2020: […] Appelée également
magistrocentrisme,elle peut même être une pédagogie « noire » […] .p.20
18

lohahevitra iray. Mandritra izany dia ny mpampianatra ihany no miteny


manantanteraka ny famahavahana. Ka hatreto dia mbola mijanona ho mpihaino sy
mpandray antsoratra fotsiny ny mpianatra.

Izay ary ny endrika isehoan’ny lesona tolotra fa hojerena manaraka ny toe-


javatra miteraka azy.

1.1.3.3.Ny Toe-javatra miteraka ny fanaovana lesona tolotra

Antony maro no mahatonga ny fampiasana ny lesona tolotra ka andeha hojerena


ny momba izany.

 Antony avy amin’ny fandaharam-pianarana


Matetika dia antony avy amin’ny fandaharam-pianarana tsy maintsy enjehina sy
tratrarina no mahatonga ny fampianarana ho lasa lesona tolotra.

Manamafy izany i Nadeaud, (1996:225), raha miresaka ny fanombanana ny


fandaharam-pianarana izy, dia voalazany fa “io fandaharam pianarana io dia azo
heverina fa fanenjehana ny tanjona izay tsy maintsy tratran’ny mpianatra mba
hahazoany mari-pahaizana”.39 Izany hoe mba hahazoana ny mari-pahaizana any
amin’ny faran’ny taom-pianarana dia tsy maintsy manenjika ny lesona izay voafaritry
ny fandaharam-pianarana ny mpampianatra. Ka na ho lesona tolotra aza ny fomba
hampitana izany dia tsy mampaninona azy.

Eo ihany koa ny tsy maintsy hanarahana izay voalazan’ny fandaharam-pianarana.


Manaporofo izany ny zava-nitranga tamin’ny repôblika voalohany .Raha ny hitanay
tamin’ny fikarohana izay nataonay tamin’ireo tahirin-kevitra maro toy ny fandaharam-
pianarana dia mbola nanaraka ny fomba fampianarana tamin’ny andron’ny
fanjanahantany ny mpampianatra dia ny « approche thématique ». Ny lohahevitra
hianarana dia ny hita ao amin’ny fandaharam-pianarana, izany hoe ny fanjakana no
mamaritra azy. Ny ataon’ny mpampianatra araka izany, dia ny manao izay
hahazoan’ny mpianatra ny lohahevitra izay ampianarina fotsiny. Tsy misy tanjona
mazava loatra amin’ny fampianarana ary natolotra avokoa ny lesona rehetra.

 Antony avy amin’ny tantaran’ny fampianarana teto


Madagasikara
Tsy azo lavina fa ny fomba fampianarana na any ivelany na eto Madagasikara
dia misy ifandraisany mandrakariva amin’ny tantaram-pirenena. Mba hanamarinana
izany ary dia hojerena amin’ny alalan’ity fafana manaraka ity ny tantaran’ny
fampianarana teto Madagasikara taorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena .

39
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Nadeaud (M.A) 1996 : «Un programme peut étre
considéré comme un agencement d’objectifs qu’un étudiant doit atteindre pour obtenir une certification
»p.225
19

Fafana 1: manoritsoritra ny paikam-pampianarana eto madagasikara ny taona 1960


mandraka ankehitriny

Vanim- 1960 1972 1991 2002 2009


potoana -1972 – 1991 – 2002 – 2009 -mandraka
ankehitriny

Paikam- Tranainy -Tranainy -Tranainy -Trananiny -Tranainy


pampianarana
-PPO -Fampitodihana -APC -APS
amin’ny amin’ny ampahany
endriny ny fampianarana - -cybernetika
vaovao amin’ny mpianatra cybernetika

Loharano: Andriar S. ( 2020: 41)

Ity fafana ity dia manoritsoritra ny zava-nisy nandalovan’ny fampianarana teto


Madagasikara nanomboka ny taona nahazaoana ny fahaleovan-tena no mankaty.

Ny taona 1972 dia nisy ny fampiharana ny fanagasiana ny fampianarana teto


Madagasika nisy akony tamin’ny paikam-pampianrana izany satria dia niezaka niala
tamin’ny fomba fampianarana tranainy isika ary niditra tamin’ny fampianarana
miompana amin’ny tanjona na ilay antsoina hoe PPO amin’ny endriny vaovao. Izy io
moa dia mametraka fa ny fampianarana dia tokony hisy tanjona kendrena ary ireo
tanjona kendrena ireo dia mizara telo : ahitana ny tanjona ankapobeny ,ny tanjona
manokana ary ny tanjona ara-pahaiza-manao.

Ny taona 1991 dia mbola nitohy hatrany ny fampiasana ny PPO izay


nampiarahana tamin’ny paika hafa dia ny fampitodihana ny fampianarana tamin’ny
mpianatra. Izay marihina fa tamin’ny ampahany ihany anefa izany.

Azo lazaina fa vanim-potoana iray lehibe eo amin’ny sehatry ny fampianarana


tokoa ity vanim-potoana ity, satria marobe ny fiovana sy ny zava-nitranga teo amin’ny
fampianarana tamin’ity vanim-potoana ity. Tao aorian’ny krizy pôlitika izay nisy teto
amin’ny firenena ny taona 2002 dia nisokatra tamin’ny paikam-pampianarana vaovao
mihitsy ny mpitondra fanjakana. Ka ny APC no nampiasaina. 40 Ny zava-kendrena
amin’ity paika ity dia ny hahaizan’ny mpianatra mampiasa ny fahaizana azony aty an-
tsekoly ho fanoitra entina hamahana ireo karazana olana eny anivon’ny fiarahamonina
misy azy Andriar (2020:33). Izany hoe ity fomba fampianarana ity dia natao
hampitomboina ny hairaha ao amin’ny mpianatra. Ankoatra izay ny APC ihany koa

40
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Samuel Andriar 2020 :« En 2002, après les
soubresauts sociopolitiques mettant fin à une décennie de ses premières années, la 3ème République
s’ouvre, en matière d’éducation vers de nouvelles méthodes ou, plus précisément, d’approche
méthodologique qu’est l’APC »p.42
20

dia mikendry ny fampitoviana ny mpianatra ka tsy misy intsony ny marefo sy


matanjaka. (Ibidem)

Teo ihany koa ny paikam-pampianarana antsoina hoe cybernetika izy io dia


“paikam-pampianarana manome lanja ny fampiasana ny solosaina ka amin’izany dia
tsy manan-danja loatra ny fisian’ny mpampianatra fa ny mpianatra no mikaroka sy
misafidy izay mifanaraka amin’ny filany”.(Ibidem)41 izany hoe ny paikam-
pampianarana cybernetika noho izany dia fomba fampianarana miorina amin’ny
fanovozam-pahalalana amin’ny alalan’ny masinina ka io masinina io dia ireo karazana
solosaina.

Ny taona 2009 dia nasehon’ny mpitondra vaovao ny fifaranan’ny repôblika


fahatelo ary nidirana tamin’ny repôblika faha-efatra. Ka teo no nanararaotany
nanaovana ihany koa ny paikam-pampianarana ho lasa APS. izy io moa dia mitovy
amin’ny APC ihany satria dia miainga amin’ny sehatra tena misy no hamoronana
olana izay hovahan’ny mpianatra ao an-dakilasy (Ibidem). Tamin’ity taona ity ihany
koa dia mbola nampiasaina ny paikam-pampianarana cybernetika.

Na dia teo aza anefa ireo toe-java-nisy ireo. Izany hoe niovaova ny paikam-
pampianarana isaky ny miova ny mpitondra teto amin’ny firenena. Araka ny hita eo
amin’ny fafana dia nibahan-toerana hatrany ny paikam-pampianarana tranainy. Izany
hoe ny fanaovana lesona tolotra. Ka izany indrindra no hahafahana milaza fa isany
toe-javatra iray niteraka ny fanaovana lesona tolotra mandraka ankehitriny ireo zava-
nisy teto amin’ny firenena ireo. Rehefa tsy voafehy mantsy ireo paika vaovao ireo dia
tsy maintsy miverina amin’ny lesona tolotra ny mpampianatra.

 Antony avy amin’ny sekoly


Raha ny sekoly ohatra no asian-teny fohy, dia izy no toko voalohany amin’ny
fampianarana sy fanabeazana ny mpianatra42 Albert Eric et Calin Isabelle (1993:667)
ka raha tsy marin-toerana tsara izy, dia hitsingilahila ny mpianatra sy ny
mpampianatra. Manana andraikitra lehibe araka izany ny sekoly na eo amin’ny
fanatsarana ny fampianarana na eo amin’ny famolavolana mpianatra ho olom-banona.

Indraindray anefa, toa tsy voatazon’ny sekoly io andraikiny io hany ka misy


akony lehibe any amin’ny mpanabe sy ny beazina izany. Raha eo amin’ny fitaovana
ampiasain’ny mpampianatra izao no resahina dia ny sekoly no tena tompon’andraikitra
voalohany. Ny mampalahelo anefa dia toa mianjera any amin’ny mpampianatra irery
izany anjara asan’ny sekoly izany.

Toy ny sekoly LMAI izay nanaovanay asakaroka mantsy dia tsy mbola
manana tranom-boky akory , vitsy araka izany ny tahirin-kevitra azo trandrahina, ny

41
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Samuel Andriar 2020: « La pédagogie
cybernétique est un enseignement organisé de telle sorte que l’élève soit conduit, par des
exercices établis suivant une méthode rigoureuse ou même exécutés à l’aide de machines à
enseigner, à acquérir les connaissances et les savoirs dont il a besoin. »p30
42
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Albert Eric et Calin Isabelle 1993: « l’ école
designe un etablissement dans laquel est dispensé un enseignement ou une formation . » p.667
21

boky azo vakina, ny boky enti-mampianatra. Hany ka ny boky Lovako hatrany no


ampiasain’ny mpampianatra. Na dia efa miezaka manangona tsikelikely aza anefa ny
tale . Misy akony amin’ny fomba fampianarana ny taranja malagasy ihany koa izany
ka mahatonga ny mpampianatra hanao ny lesona tolotra.

Eo amin’ny sekoly ihany koa tsy mba ahitana fanofanana ireo mpampianatra;
na fifampizarana traikefa fa dia samy manao izay saim-pantany ireo mpampianatra
taranja malagasy. Isan’ny mahatonga ny olana eo amin’ny fampianarana ny taranja
izany, satria samy manana ny fahazarany sy ny fombany ireo mpampianatra indrindra
moa ny fiofanana narahiny ka samy manaraka ny azy avy. Ohatra ny ao amin’ny lisea
LMAI, misy mpampianatra taranja malagasy 10 ao, tsy mitovy avokoa ny fomba
fampianaran’izy ireo hany ka sahirana ny mpianatra rehefa miova ny mpampianatra
amin’ny fifindrany kilasy.

 Antony avy amin’ny mpampianatra


Tsy antony avy amin’ny fandaharam-pianarana irery ihany na koa avy
amin’ny tantaran’ny fampianarana irery no mahatonga ny fanaovana ny lesona tolotra
, fa lehibe indrindra amin’izany ny antony avy amin’ny mpampianatra ka andeha
hovahavahana ny momba izany.

 Ny tsy fanaovana fanomanana


Sarobidy eo amin’ny fampianarana ny taranja ny asa fanomanana. Tsy
fampandehanana ny asan’ny mpampianatra fotsiny izany, fa ilaina dia ilaina tokoa
mba hialana amin’ny fampianarana anjoanjo aroson’ny mpampianatra. Ny
mpampianatra dia tsy tokony hiantehatra amin’ny fampianarana kapo-batana, na
hatoky tena amin’ny fahazarana, fa tokony hanome lanja ny fanomanana.
Manantitrantitra ny tsy maintsy hanomanana ny asa fampianarana ry Ch. Charrier sy
R. Ouzouf manao hoe: “Ny mpampianatra, dia tsy afaka ny hatoky tena amin’ny
fanaovana anjoanjo na antematemaka fotsiny na amin’ny fanaovana lesona, na
amin’ny fisafidianana ny fanazarana, na amin’ny fanazavana ny fampiasana. Koa ny
fanomanana ny kilasy dia andraikitra lehibe, tsy azo ialana ho an’ny
mpampianatra(1993:109) 43.”

Ny tsapa anefa, na ho an’ireo mpampianatra vao miza-draharaha, na ho an’ireo


mpampianatra efa ela nihetezana toy ny hita tany amin’ny fanatrehana fampianarana,
dia toa vitsy ny mahatontosa an-tsakany sy an-davany ny asa fanomanana na ny
fanomanana lavitra ezaka (fanomanana mialoha), na ny fanomanana fohy ezaka
(fanomanana avy hatrany). Hita taratra izany teo amin’ny fitavozavozana eo amin’ny
fampianarana, ny fampiasana ireo takelam-panomanan-desona efa ela.

Ilaina araka izany ny fanomanana ny asa, satria ny tsy fanatanterahana izany


no miteraka ny fanaovana lesona tolotra.

43
Dikan-teny malalaka natao araka ny nambaran’i Charier & Ozouf, 1993 “L’instituteur ne peut se fier
à l’improvisation ni pour une leçon, ni pour choisir un exercice, ni pour expliquer un devoir. Aussi la
préparation de la classe est-elle une obligation impréssieusepour le maître », p.109
22

 Ny fomba nentina nampianatra


Manana asa mankadiry tokoa ny mpampianatra eo amin’ny asa izay sahaniny.
Izy ireo mantsy dia tsy mampita fahalalana fotsiny fa tokony hikaroka ny fomba
rehetra hisarihana ny mpianatra ho tia sy ho liana amin’izay taranja ampianariny.
Tamin’ireo fanadihadiana natao, ary indrindra tamin’ireo fanatrehana mivantana ny
fampianarana, no nahatsapana fa anisan’ny lesoka lehibe eo amin’ny fomba
fampianatry ny mpampianatra ny fanolorana avy hatrany ny lesona. Hita izany rehefa
mampianatra ny tantaran’ny literatiora izy. Toy izao izany fanoloran’ny mpampianatra
avy hatrany ny lesona izany: - famerenana - fanehoana - fanazavana – famintinana.
Amin’ity fomba fiasa ity, dia tolorana avy hatrany ny mpianatra fa tsy mikaroka.
Mahatonga ny mpianatra hanao tsianjery ny lesona azony anefa ity fomba
fampianarana ity. Izany hoe mandray anjara betsaka ny anjara asa fandaminana sy ny
anjara asa mandidy amin’ny fomba fampianarana.

 Ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny mpampianatra momba ny taranja


izay ampianariny.
Isan’ny fepetra takina amin’ny mpampianatra ihany koa ny fahafehezany ny
taranja ampianariny sy izay rehetra mifandray aminy. Raha ny fanadihadiana nataonay
tamin’ireo mpampianatra, dia tsapa fa tsy ampy ny fahalalana ananan’izy ireo hoenti-
mampianatra ny taranja malagasy. “Tsy ampy, hoy izy ireo ny fahalalana ananany, tsy
misy ny boky sy ny tahirin-kevitra izay ilaina mba hanovozana hevitra indrindra eo
amin’ny literatiora, noho izany dia izay kely anananay no ampitainay”. Vokatr’ izany
tsy fisian’ny boky sy tahirin-kevitra izany , dia tsy misy fikarohana azon’ny
mpampianatra atao, ka dia voatery atolotra ny hevitra. Manampy trotraka izany koa ny
tsy fisian’ny fiofanana omena ny mpampianatra.Tsy mahagaga noho izany raha tsy
ampy ny vontoatin’ny lesona noraisin’ny mpianatra. Eo ihany koa ny tsy fetezan’nny
drafitry ny lesona, vokatry ny tsy fahampian’ny fahalalana ananan’ny mpampianatra.

Tsy fahampian’ny fotoana hiofanana ihany koa no mahatonga ny


mpampianatra hanao ny lesona tolotra. Satria tokoa mantsy raha nanao fanadihadiana
tamin’ireo mpampianatra taranja malagasy tao amin’ny LMAI izay miisa 10 izahay
dia ny 20% amin’ izy ireo ihany no manaraka fiofanana indray maka isan-taona. Izany
hoe azo ambara fa tena mandringa ny fampianarana satria vitsy no maharaka ny
fiofanana hany ka lasa ny lesona tolotra no mibahana vokatr’izany.

Fafana 2: maneho ny antontan’isan’ny mpampianatra mahazo fiofanana na tsia

Mpampianatra Malagasy Isany Isan-jato


Mahazo fiofanana 3 30
Tsy mahazo fiofanana 5 50
Mampiana-tena 2 20
Fitambarany 10 100
Loharano: mpizatra asa, janoary 2020
23

Ity fafana ity dia maneho fa manoloana ny mpampianatra taranja Malagasy 10


hita ao amin’ny LMAI dia vitsy amin’nizy ireo no mahazo fiofanana na fanofanana
mitohy hahafahana manatsara ny paikam-pampianarana. Satria dia ny 30% amin’izy
ireo ihany no mahazo fiofanana izany hoe ny telo amin’ireo mpampianatra ireo. Ny
20% kosa nilaza fa mampiana-tena amin’ny alalan’ny fikarohana any amin’ny
aterineto izany hoe ny roa amin’izy ireo. Ary ny 50% kosa dia mionona amin’ny
fampianarana izay azony hatrizay sy ny traikefam-pampianarana izay hananany. Tsy
misy maharatsy izany saingy azo antoka fa izany toe-javatra izany no miteraka ny
fanaovana lesona tolotra amin’ny taranja malagasy izay ilana fanarena na.

1.1.3.4.Fihetsiky ny mpianatra manoloana ny lesona tolotra


Manoloana ny fanaovana lesona tolotra dia nizara ho toy izao ny fihetsiky ny
mpianatra. Tao aorian’ny fametrahana fanontaniana tamin’izy 29 mianadahy tao
amin’ny kilasy voalohany sokajy C. Hita fa 31 % ihany no nankasitraka ny fanaovana
lesona tolotra izany hoe tia io paikam-pampianarana io, fa ny 69% kosa dia naneho
fankahalana io paika io satria araka ny nambaran’izy ireo dia lasa mahatonga azy
hianatra tsianjery ny lesona fotsiny izany.

Fanampin’izay ny mpianatra mantsy amin’ity endri-pampianarana iray ity dia


tsy afaka maneho ny heviny na izay fahafantarany mahakasika ny fahalalana atolotra
azy satria tsy misy ny fijerena izay rafi-tsaina mety mampiavaka ny tsirairay.

Amin’ny maha siantifika azy ireo ihany koa dia efa zatra mampiasa saina izy
ary zatra ny fomba fianatra miainga amin’ny hevitra azo tsapain-tanana (concret), fa
tsy fampitan-desona mifahatra amin’ny aloalon-tsaina na (abstrait). Heverina fa
mitovy daholo mantsy ny mpianatra rehetra ka amin’izany dia mihaino ary manoratra
izay ambaran’ny mpampianatra no ataony. Tsy afaka manadihady na mamakafaka izy
ireo mandritra ny lesona. Ka miteraka sakana goavana eo amin’ny dingan’ny fianarana
sy ny fampianarana izany ary misy akony amin’ny taranja malagasy satria vitsy dia
vitsy izy ireo no mahazo salanisa mihoatra ny folo.

Fafana 3 : maneho ny fitiavana sy fankahalana ny lesona tolotra

Fampianarana tolotra Isan’ny mpianatra Isan-jato


Mankasitraka 9 31
Tsy mankasitraka 20 69
Fitambarany 29 100
Loharano: ny mpizatra asa, desambra 2019

Misy tsy fahombiazana ateraky ny fomba fampianarana mifantoka amin’ny


lesona tolotra ka nanintona ireo mpandalina ny fanabeazana hikaroka izay mahasoa
kokoa ny beazina. Vahaolana amin’izany ny fampianarana mitodika amin’ny
fampandraisana anjara ny mpianatra manome vahana ny pedagojia vaovao (pedagogie
nouvelle). Eto ary dia asongadina amin’ity asakaroka ity fa ny fampitodihana ny
fampianarana amin’ny mpianatra no lalana iray hahafahana manatontosa izany. Ka io
24

paika io dia mifototra amin’ny fampiasana ny teôrian’i Piaget sy i Vygotsky.


Hovahavahana manaraka eto ary ny momba ireo lalan-tsaina ireo.

1.2 Teôrian’ i Piaget sy i Vygotsky


Araka ny efa nambara tany amin’ny teny fampidirana, dia ny teôria na ny
lalantsaina vaovao hoentina miala amin’ny fampiasana ny lesona tolotra, arak’i Piaget
mifototra amin’ny “constructivisme” sy arak’i Vygotsky miorina amin’ny
“socioconstructivisme” , no ilafihan’ny asa fikarohana. Koa tsara ny hamahavahana
izany mba hahafahana maneho ny fifandraisany amin’ny asa fikarohana izay atao
etoana.

1.2.1.Ny teôrian’i Piaget “constructivisme”


Talohan’ny firehan-kevitra “constructivisme” dia nisy ny fomba fijery
“behaviorisme”izay tsara ny mahafantatra ny momba azy io satria ny fitsikerana io
fomba fijery io no loharano nampisy ny “constructivisme” sy ny
“socioconstructivisme”.
 Ny “behaviorisme”
Thorndike(1913), Watson (1925), Skinner (1974), ireo no tena naorina tamin’ity
teôria ity. Ny tanjon’ny “béhaviorisme”, araka ny hevitr’i Watson, dia ny fandinihana
ny toetra sy ny fihetsiky ny olona miseho ety ivelany.
Ho an’ireo mpanaraka ity fironantsaina ity, ny fampianarana sy ny fanabeazana
dia fanovana ny toetran’olona vokatry ny fahazarana manokana. Noho izany ny asa
fampianarana dia fanovana ny fihetsika sy ny toetran’olona ho afaka mifehy sy
mandrindra ny fisiany, ary indrindra ny fanabeazany ny taranany amin’ireo karazana
lalàna mifehy ny fihetsika aman-toetra.
Ny fifanohinan’ny “fanaitra”(stimulis) sy ny “hetsika”(réponse) no mandrafitra ny
teôria “behaviorisme” heverin’ireo mpandinika ity lalantsaina ity fa ny fianarana dia
miainga amin’ny fifanohinan’ny “fanaitra” sy ny “hetsika” ary ny fakana tahaka no
ahazoana ny fahalalana ka ny fanandramana arahina fahadisoana no endrika
isehoan’ny fianarana (apprentissage par essais-erreurs).”. Amin’izany dia mpanome
“fanaitra” sy mpandray anjara matetika mandritra ny fampianarana ny mpampianatra.
ary ny mpianatra dia natao hamaly ny “fanaitra” , manao ny hetsika vokatry ny
“fanaitra” ka ny toe-javatra avy ety ivelany no manentana ny fahalianana sy ny
faharisihan’ny mpianatra. Izany hoe mibahan-toerana ny tendro (M) mpampianatra.
Toy izao izany raha aseho an-tsary.
kisary 1: fanehoana ny lalantsaina Behaviorisme
m M: Mpampianatra

m: mpianatra

M F F: Fahalalana
Loharano: IPAM, Guide pratique du maître, Edicef, 1993, p.116.
25

Ity sary ity dia maneho ny fomba fijery “ behaviorisme” izay mihevitra fa ny
mpampianatra dia mpandray anjara feno amin’ny fampianarana izay ataony. Ary tena
mibahan-toerana ny fomba fampianarana tolotra. Heverina mantsy fa rehefa mianatra
ny mpianatra dia miainga amin’ny loha foana izany hoe tsy misy fahalalana mihitsy
ao aminy, fa rehefa mianatra izy vao mandray fahalalana avy amin’ny mpampianatra
ka manjary lasa feno fahalalana ilay loha foana teny am-piandohana iny ary heverina
ary moa fa dia tsy misy fetra ny fitadidian’ny mpianatra fa afaka mandray hatrany
hatrany44Isabelle Calin (1993 : 117). Ka amin’izany dia mpandray fahalalana fotsiny
ihany ny mpianatra.
Vokatr’izany zava-misy izany ary dia teraka ny “constructivisme” sy ny
“socioconstructivisme ”izay manome lanja ny anjara asan’ny mpianatra eo amin’ny
fanabeazana sy ny fampianarana ka handeha ary hovahavahana ny mikasika izany.
 Ny “constructivisme” na ny fanorenam-pahalalana
Maro ny mpikaroka nandinika momba ny “constructivisme ” Toan’i Ausubel
(1968), André Giordan , ary i Tardif izay namoaka fehin-kevitra goavana mahakasika
ny fampianarana mifototra amina tetika amam-paika (enseignement stratégique) sy ny
psikôlôjian’ny fahalalana (psychologie cognitive) ary mihevitra ny fampianarana ho
famolavolana tontolo miainga amin’ny fahalalana efa ananan’ny mpianatra tany aloha.
Ary koa famolavolana tontolo mifahatra amin’ny fandrindrana ny fahalalana ary ny
fandraisan’ny mpianatra ny fahalalana dia manao ambaratonga, izany hoe ny mora
mankany amin’ny sarotra. Mandray anjara betsaka ny mpianatra amin’izany fa ny
mpampianatra dia mpitaridalana fotsiny ihany.

I Jean Piaget (1921-1980) dia nandinika ihany koa momba io teôria io, araka
ny fiheverany ny antsoina hoe: “constructivisme”: dia fomba fanorenan’ny mpianatra
fahalalana amin’ny alalan’ny tenany sy ny fahalalana ihany. (1999: 178)45 Ka amin’
izany dia homena vahana ny filàna voajanahary ao amin’ny mpianatra tsirairay. Izany
no mahatonga an-dry Rogers (1984) hilaza fa “mahafantatra ny zavatra ilainy mba
hampivelatra azy ny olona, ary hainy ihany koa ny mitady izay fomba tena hahafahany
mivelatra marina”. Ny finiavan’ny tsirairay izany no mampitombo ny fahalalany.
Araka izany dia tsy ilaina akory ny fanaovana tolotra ny lesona.

Ny foto-kevitra ijoroan’ny “constructivisme” dia: “ fiheverana ny


fampianarana sy ny fanabeazana ho famolavolana tontolom-pampianarana mifahatra
amin’ny fivoaran’ny mpianatra tsirairay, fanampin’izany famoronana tontolom-
pampianarana miainga amin’ny filan’ny mpianatra ihany koa ; ary famolavolana
tontolo ivelaran’ny mpianatra, tsy misy fanerena avy amin’ny manodidina azy, toy ny
mpampianatra, ny fiarahamonina; manaraka izany heverina fa ny fianarana dia

44
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Isabelle Calin 1993 : « l’ensegnement de type
dogmatique repose sur l’idée que l’enfant possède une mémoire illimitée qui lui permet de retenir des
pages entières de manuel , le condamnant ansi à l’imitation et au conformisme qui etouffent ce qui est
créativité. »p. 117
45
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’ i Piaget tao amin’i Crahay 1999: « les
connaissances se construit au travers des interactions du sujet avec l’objet » p178
26

miainga avy amin’ny fikarohana ataon’ny mpianatra samirery, na avy amin’ny


fikarohan’ny mpianatra mivondrona anaty tarika na sokajy” (1999: 207)46. Miainga
avy amin’ny famoaboasana sy fandalinana ataon’ny mpianatra ny fahalalany.
Misintona ny antsipirihany avy amin’ny ankapobeny ny mpianatra. Ny anjara asan’ny
mpampianatra dia mpanentana, mpandrindra ny fianaran’ny mpianatra. Tsy mandray
anjara betsaka amin’ny fampianarana ny mpampianatra.

Ny amin’ity lalantsaina ity dia mandray anjara betsaka mandritra ny


fampianarana ny mpianatra, izy no misafidy ny fomba tiany hanatanterahana ny asa
ataony , izay miainga amin’ny filàna voajanahary ao aminy. Tsy dia misy ny
tombana noho izany fa ny fivoaran’ny mpianatra tsirairay no tena tilina.Ka mandritra
ny fanorenam-pahalalana dia misy dingana roa arahana araka ny nambaran’i Piaget
tao amin’i Crahay : voalohany ny “assimilation” io ilay antsoina hoe fampidirana
fahalalana na fandraisana fahalalana sy fiezahana mamolaka izany. (1999: 179)47,
faharaoa ny “accommodation” io kosa no lazainy hoe fampifanarahana ny fahalalana
vaovao izay avy nofolahana sy ny fahalalana taloha. (Ibidem)

Araka izany, ny “constructivisme” dia teôria mamaritra ny fomba fiorenan’ny


fahalalana miainga amin’ny filàn’ny mpianatra, tsy misy endrika teritery avy amin’ny
tontolo manodidina azy izany. Io filàna io no mibaiko manontolo ny finiavana sy ny
hetsika ataon’ny mpianatra. Hoy Chateau raha milaza izany: “Misy tombontsoako
amin’ny zavatra iray, raha toa ka voasarika hanao ilay zavatra aho” (1964:77) 48

1.2.2.Ny teôrian’i Vygotsky “socioconstructivisme”


Maro ireo mpandinika naneho ny fomba fijeriny mikasika ny
“socioconstructivisme”
anisan’izany i Lave (1988) izay milaza fa miankina amin’ny hodidina na sehatra misy
ny mpianatra ny fanorenam-pahalalana. Ry Brown, Collins et Duguid (1989) dia
naneho fa mandray anjara betsaka amin’ny fanorenam-pahalalana ny mpianatra ka
mifandraika hatrany amin’ny sehatra misy azy izany.

I Lev Vygotsky kosa rehefa avy nitsikera ny fototra niaingan’ny lalantsaina


“constructivisme ” dia nahatsapa fa ny fianarana dia miankina betsaka amin’ny singa
avy any iveleny.( 1999: 320)49 Izany hoe ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpianatra samy
mpianatra na eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra no ahafahana mahazo
fahalalana. Ny fifaneraseran’ny mpianatra amin’ny tontolo manodidina azy no noho

46
Dikan-teny malalaka natao avy amin’ny nambaran’i Piaget tao amin’i Crahay 1999 : « le
constructivisme est avant tout une théorie du sujet qui s’efforçant d’optimiser les echanges avec le
milieu. Ses échanges avec le milieu, l’ auto construit en intégrant à la fois les produits et les
mecanisme de sa pensée. » p 208
47
Dikan-teny malalaka natao avy amin’ny nambaran’i Piaget tao amin’i Crahay 1999 : « il y a
assimilation chaque fois que l’individu incorpore le donné sensible à ses cadres personnels. […]
l’enfant est alors contraint à un reajustement ce que piaget appelle une accomodation. » p 179
48
Dikan-teny malalaka natao avy amin’ny nambaran’i Chateau(J), 1964 : « Il y a intérêt en moi pour
une chose, lorsque je suis poussé à faire cette chose »p .77
49
Dikan-teny malalaka natao avy amin’ny nambaran’i Piaget tao amin’i Crahay 1999 :« L’apprentissage
est un processus purement exterieur.»p 320
27

izany no mampivoatra sy mampitombo ny fahalalany. Ankoatra izay dia manandanja


amin’ity lalantsaina ity ihany koa ny fankana tahaka ny hafa satria araka ny
nambaran’i Vygotsky tao amin’i Crahay dia “ io fakana tahaka ny hafa io no
ahafahana mamokatra be eo amin’ny fianarana” ( 1999: 318)50 izany hoe ny fiaraha-
miasa no manampy ny mpianatra tsirairay hahavita asa tsara kokoa.

Ny olona efa matotra (olon-dehibe) no mampita ny fahalalana amin’ny


mpianatra. Eo koa ny fifaneraserany amin’ny tontolo manodidina azy, ny
fifaneraserana ao anaty sokajy na tarika miara-miasa satria mora mifampita fahalalana
ny samy mpianatra, mora mifanitsy, mora mifanakalo sy mifampizara traikefa.

Miditra an-tsehatra amin’ny fanamorana ny fifanakalozana noho izany ny


kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny mpianatra tsirairay. Araka izany, ny
fiorenan’ny fahalalana ao amin’ny mpianatra izany dia tsy noho ny filany tsy akory, fa
avy amin’ny fahitana fa mila beazina sy omena fahalalana izy, araka ny filan’ny
fiarahamonina. Foto-kevitra ijoroan’ny teôria “socioconstructivisme” io.

1.3 Ny fifandraisan’ny lalantsain’i Piaget sy i Vygotsky amin’ny maha olana ny


lesona tolotra eo amin’ny fianarana sy fampianarana ny taranja malagasy
Nambara fa mitondra olana amin’ny fampianarana ny taranja malagasy ny
fanaovana lesona tolotra. Satria izy io dia tsy afaka mampivelatra loatra ny fahalalana
ankapobeny momba ny lesona ao amin’ny mpianatra. Izany hoe mifintina kokoa ny
fahalalana azon’ny mpianatra. Ary Mijanona hatreo amin’ny famalian’ny mpianatra
izay anontaniana azy ( amin’ny alalan’ny “fanaitra”) ihany io fivelarana io. Hita ihany
koa fa manome lanja bebe kokoa ny anjara asan’ny mpampianatra ity paikam-
pampianarana ity. Noho izany dia tsy afaka maneho ny maha izy azy ny mpianatra fa
mijanona ho mpihaino sy mpandray fotsiny izay lazain’ny mpampianatra.

Manoloana izany ary dia nosafidina ny teôrian’i Piaget sy i Vygotsky izay


miorina amin’ny paikam-pampianarana vaovao (pédagogie nouvelle) mampandray
anjara feno ny mpianatra. Ireo teôria ireo moa izay manasongadina fa ny filan’ny
mpianatra sy ny filan’ny fiarahamonina no iaingana hanorenana ny fahalalana ao
aminy. Izany hoe manan-danja kokoa ny fanirian’ny mpianatra te hobeazina sy ny
filan’ny tontolo hiainany izay misy azy. Satria io hodidina misy azy io no hiaingan’ny
fitadidiana sy hiafaran’izany fitadidiana izany. Maneho izany Tardif milaza hoe: “ ny
tontolo hiainana dia sady teboka iaingan’ny fahalalana mankany amin’ny fitadidiana
no teboka iantsonan’ny fahalalana avy any amin’ny fitadidiana (1992:164)”51. Ka
amin’izay fotoana izay dia hazoto hianatra ny mpianatra ary ho tsara tahaka izay ihany
koa ny vokatra azo. Izany indrindra no antony nisafidianana ireo paika ireo mba

50
Dikan-teny natao avy amin’ny nambaran’i Piaget tao amin’i Crahay 1999: « grâce à l’imitation , dans
une activité collective sous la direction d’ adultes , l’enfant est en mesure de realiser beaucoup plus que
ce qu’il réussit à faire de façon autonome. » p318
51
Dikan-teny malalaka avy amin’ny tenin’i Tardif(J), 1992 : « L’environnement est à la fois le point de
départ des informations qui parviennent à la mémoire et le point d’arrivée des celles qui proviennent de
la mémoire » .164
28

hahafahana miala na mandanjalanja ny fampiasana io paikam-pampianarana mirona


amin’ny tolotra io. Toy izao ary izany raha aseho an-tsary.

kisary 2: endrika fifanolorana eo amin’ny fiainana sy ny fampianarana

Constructivisme / Socioconstructivisme

loharano: mpizatra asa, desambra:2020

Ity sary ity dia manazava ny momba ny fanorenana fahalalana , izay ahitana
singa efatra : 1) voalohany ny fiainana na ny tontolo misy ilay mpianatra, 2) faharoa
ny fitaovana , 3) fahatelo manaraka izany ny fampianarana , ary 4) fahaefatra ny
fahalalana . Toy izao ary ny fanazavana ny fifandraisan’izy ireo: ny fampianarana
manome fahalalana hoenti-miaina amin’ny alalan’ny paikam-pampianarana vaovao
izay manome lanja ny anjara asan’ny mpianatra amin’ny fanorenana fahalalana dia tsy
inona izany fa ny “constructivisme sy ny socioconstructivisme”, ary ny fiainana na
ny tontolo misy ny mpianatra manolotra fitaovana enti-mampianatra sy mianatra eny
anivon’ny sekoly.
29

FEHIN’NY FIZARANA VOALOHANY

Nojerena tato amin’ny fizarana voalohany ny famariparitana ny lohahevitra


izay hadihadiana eto amin’ity asakaroka ity. Hita tao anatin’izany ny famaritana ny
teny hoe fianarana, ny fanabeazana ; hita fa tsy mitovy loatra ny hevitry ny
voambolana hoe fampianarana sy ny hoe fanabeazana.

Mifintina kokoa ny asa atao amin’ny fampianarana raha mitaha amin’itsy


farany izay afaka mamolavola ny maha olona feno. Amin’izy roa ireo dia ny
fampianarana no tena ifantohan’ity asa ity. Na izany aza, mifamatotra hatrany ireo
zavatra roa ireo; satria ny fampianarana dia tsy maintsy efa nialohavan’ny fanabeazana
izay nianga tany amin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina niaviana. Naseho tao ihany
koa ny momba ny lesona tolotra ka nasongadina tamin’izany ny famaritana azy, ny
endrika isehoany, ny toe-javatra izay miteraka azy ary ny fihetsiky ny mpianatra
manoloana ny fanaovana io lesona tolotra io.

Ankoatra izay, novahavahana tao amin’ny fizarana voalohany ihany koa ny


lalantsain’i Piaget izay manome lanja ny fanorenam-pahalalana ao amin’ny mpianatra
miankina amin’ny filany. Izany hoe ny fanorenana ny fahalalana dia tsy mifahatra
irery amin’ny mpampianatra fa tompon’andraikitra feno amin’ny fanorenana ny
fahalalana ny mpianatra.

Tsy nionona fotsiny tamin’izany izahay fa nampiasa ihany koa ny lalantsain’i


Vygotsky izay miompana amin’ny fifampanorenam-pahalalana. Izany hoe ny
fahalalana dia azo avy amin’ny fifandraisana sy fifanakalozana eo amin’ny mpianatra
sy ny manodidina azy. Natao izany rehetra izany mba hanehoana fa misy paika hafa
azo ampianarana ny taranja malagasy. Ny fampiasana ireo paika ireo dia mitondra ho
amin’ny fahombiazan’ny fampianarana ny taranja.

Ao amin’ny fizarana faharoa ary no hanehoana sy handalinana ireo olana


ateraky ny fampiasana ny lesona tolotra amin’ny fampianarana taranja malagasy izay
notarafina tamin’ny fampianarana natao nandritra ny fotoana nirotsahana an-tsehatra
tany amin’ny Lisea Môderina Ankadikely Ilafy.
30

FIZARANA FAHAROA: NY OLANA ATERAKY NY FANAOVANA LESONA


TOLOTRA HITA TAO AMIN’NY 1 ÈRE C, LMAI
31

Ny fitadiavana vahaolana hialana amin’ny fampiasana ny lesona tolotra no


heverina ho vontoatin’ny asakaroka etoana. Ny fomba fandinik’ i Piaget sy i
Vygotsky no teôria fototra ilafihan’ny asa izay mampivoitra ireo paikady samihafa
atao mba hialana amin’io fomba fampianarana io ka hahafahana mampandray anjara
feno ny mpianatra mandrindra ny dingana fianarana sy fampianarana. Mba
hampirindra sy hampitombina tsara ny asa ary dia tokony hojerena ihany ny
fizotran’ny fampianarana nahatarafana ny olana ; ny fomba fisehon’ny fampiasana io
lesona tolotra io, mialoha ny hikarohana vahaolana mifandraika amin’izany, izay
antom-pisian’izao asakaroka izao. Aroso manaraka eto àry izao ny famahavahana ireo
zana-pizarana ireo.
2.1. Ny fizotran’ny fampianarana nahatarafana ny olana
Araka ny efa nambara tetsy aloha dia nisy ny fizarana asa izay natao tao
amin’ny LMAI ka mba hahafahana mamahavaha amin’ny antsipiriany ny fizotran’ny
fampianarana tamin’izany dia haroso manaraka eto ireo sehom-pampianarana nahitana
ny fanaovana lesona tolotra ka ny zana-taranja riba sy literatiora no anehoana izany .

Miovaova araka ny lesona nampianarina ny endriky ny lesona tolotra


nampiasain’ny mpampianatra. Tsapa izany nandritra ny fanatrehanay sehom-
pampianarana roa (2) tao amin’ny kilasy 1ère C.
Mba hahafahana mahazo vokatra sy angona maro azo kirakiraina anefa dia
niezaka izahay niatrika trangam-pampianarana riba sy literatiora, izay samy
zanataranja malagasy hanabeazana ny tanora eny amin’ny lisea avokoa. Toy izao
manaraka izao ny vokatra azo

2.1.1.Ny fampianarana riba


Sehom-pampianarana roa no natrehina izay nahatarafana fampiasana karazana
lesona tolotra roa samy hafa ihany koa. Toy izao ny zava-nisy tao amin’ity kilasy ity:
Nampianatra ny lesona mahakasika ny “fahendrena” ny mpampianatra.
Nampiasa lahatsoratra izy nandritra izany. Nozaraina tamin’ny mpianatra
tsirairay ny lahatsoratra ary narahina vakiteny izany avy eo: vakiteny nataon’ny
mpampianatra, vakiteny mangina nataon’ny mpianatra, vakiteny modely ary vakiteny
nataona mpianatra roa nosafidina manokana. Izany hoe hita taratra sahady teto ny
fampiasana ny anjara asa fandaminana.
Mandritra izany dia mihaino sy manaraka tsara ny mpianatra tsy mandray
anjara mivantana. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny lahatsoratra ny mpampianatra
avy eo, tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana isan-karazany. Ny valiny azo
tamin’ny mpianatra no nentina nandrafitra ny vontoatin-desona. Niarahan’ny roa tonta
nanangana ny fintin-kevitra noraisin’ny mpianatra an-tsoratra mba hotadidiana.
Ny fanontaniana iray dia miverimberina amina mpianatra samihafa arakaraka
ny fahazoana ny valiny andrasan’ny mpampianatra. Mangataka ohatra hatrany ny
mpampianatra mba hanamafisan’ny mpianatra izay ambarany.
32

Ireto misy ohatra vitsivitsy tamin’ny fanontaniana naroson’ny mpampianatra


hovalian’ny mpianatra indro atao miendrika fafana izany:
Fafana 4: endrika fanontaniana nataon’ny mpampianatra momba ny lesona ny
fahendrena

Fanontaniana avy amin’ny Valiny avy amin’ny Valiny nandrasana avy


mpampianatra mpianatra amin’ny mpianatra
- Inona no resahin’ny - toetra enti-miaina, -toetra mampiavaka ny olona
lahatsoratra? sy ny biby,
-ny toetran’ny olona,
-Inona avy no fantatrareo -fitaovana entina
-hery tsy hita maso ,
momba izany “fahendrena ” mandanjalanja ny fitondran-
izany ? tena”.

Loharano: mpizatra asa , desambra 2019


Teto dia fanontaniana misikotra izay fahalalana efa ananan’ny mpianatra
mahakasika ny “ fahendrena” no naroson’ny mpampianatra ka nahazoany valiny toy
io hita amin’ny fafana io.
Niainga hatrany tamin’ny valim-panontaniana azo ny endriky ny fanontaniana
nanohizana ny dingam-pitrandrahana ny lesona.
Araka izany dia ny lesona tolotra miseho amin’ny endritra fanontaniana efa
voaomana izay tsy arahina ady hevitra no paika niaingan’ny mpampianatra. Nifototra
tanteraka tamin’io izy fa tsy namoaka ny angona efa ao amin’ny mpianatra fa avy
hatrany dia nanampy izay banga kosa avy eo. Milaza anefa i Jacques Tardif fa:
“fototra lehibe eo amin’ny fampianarana sy ny fianarana ny fahalalana efa ananan’ny
mpianatra” (1992:40) 52 Izany dia fototra iorenan’ny fampandraisana anjara ny
mpianatra. Ary hamafisina fa mbola hita taratra hatrany ny anjara asa fandaminana
eto.
Ny lohahevitra tamin’ny sehom-pampianarana manaraka kosa dia “ny
fahalalana”. Ka andiam-panontaniana efa voaomana no nentin’ny mpampianatra
nanatanteraka ny fampianarana. Araka izany dia azo ambara fa mampiasa ny anjara
asa mandidy indray ny mpampianatra eto. Ka toy izao izany fanontaniana izany:

52
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Tardif(J), 1992 : « les connaissances antérieures
sont donc fondamentales dans l’enseignement et l’apprentissage ». p.40
33

Fafana 5 : maneho ny fanontaniana nataon’ny mpampianatra momba ny lesona


riba mikasika ny Fahalalana

Fanontaniana avy amin’ny Valiny avy amin’ny Valiny nandrasan’ny


mpampinatra mpianatra mpampianatra
-Inona no atao hoe -Ny atao hoe fahalalana dia Ny fahalalana dia
fahalalana? fahaizana, fahafantarana zavatra iray.
-Inona avy no loharanon’ny -Ny fianarana no loharanony, Ny fianarana / ny
fahalalana? fanabeazana/ ny fikarohana

dia Tsy very mandeha amin’izay


-Inona no vokatra ateraky ny -Ny vokatra aterany
fananana fahalalana? atao, fahatsaran’ny fiainana
fahazoana asa.
ho avy

Loharano: mpizatra asa , desambra 2019


Mpianatra efatra mahafoy tena no namaly ireo fanontaniana. Ka rehefa vita
izany dia fandravonana nataon’ny mpampianatra no namarana ny seho. Araka ny hita
dia miendrika fanontaniana sy valiny ny paika ampiasain’ny mpampianatra izay efa
voalamina mialoha ka azo ambara fa lesona tolotra hatrany izany ary manome vahana
ny anjara asa fandaminana, na dia miseho amin’ny endrika fanontaniana izay
mampandray anjara an-tery ny mpianatra aza . Azo lazaina noho izany fa mbola lesona
tolotra amin’ny endrika fanontaniana indray no paikam-pampianarana ampiasain’ny
mpampianatra eto.
Toy izany ary no hita tamina tranga fampianarana riba, ary azo ambara fa ny
fifandimbiasan’ny fampiasana ny anjara asa fandaminana sy ny anjara asa mandidy no
nibahan-toerana nandritra izany. Fa hojerena manaraka kosa ny tranga fampianarana
literatiora.

2.1.2.Ny fampianarana literatiora


Ny vokatry ny fanatrehana mivantana sehom-pampianarana literatiora roa tao
amin’io Kilasy io ihany no aseho etoana:
Fampianarana mikasika ny fanadihadiana mpanoratra no natrehina.
Nisongadina nandritra izany ny mpanoratra “Ny Avana Ramanantoanina”. Nifototra
tamin’ny fandinihana ny tantaram-piainany izay niainga tamin’ny boky raki-
mpiainana noetin’ny mpampianatra ny seho-mpampianarana. Ao anatin’izany ny
fiankohonana, ny asa, ny andraikitra ara-pôlitika, ny karazana asa soratra, ny tara-
kevitra voizin’ny mpanoratra.
Notononina ny lesona ka ny anjara asan’ny mpianatra dia mandray izay
voatonona aminy ao anaty kahie lesona. Raha fintinina izany dia mbola lesona tolotra
hatrany no paika netina nanantanteraka ny fampianarana. Ary mahazo vahana ny
anjara asa fandaminana.
34

Ny seho faharoa indray ary izao no asian-dresaka, ny fampianarana ny vanim-


potoana kristianina (1818-1896) teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy no
natrehinay mivantana. Teo am-panombohana dia nanontany ny mpianatra ny amin’ny
finoany ny mpampianatra.
Fanontaniana mirona tsikelikely mankany amin’ny fahalalana ny fivavahana
kristianina no narosony tamin’izany, toy ny hoe:
-“ Inona no voarainareo tamin’ny toriteny tany am-piangonana omaly”?
-“Oviana no nidiran’ny fivavahana kristianina teto Madagasikara? ”
Hita taratra nandritra ny lesona ny fikirakirana ireo fahalalana ara-tantara
nandritra ny vanim-potoana ianarana. Nohadihadiana ihany koa ireo zava-nisy sy
niseho tao anatin’izany. Nisongadina nandritra izany, ohatra, ny fomba nampidirana io
fivavahana io, ny fomba nampielezana azy, ny nanenjehan’ny mpanjaka Ranavalona
azy ka nahatonga ny fisian’ireo maritiora, ny fahaterahan’ny fihirana maintimolaly.
Niroso tamin’ny fanazavana mahakasika ny tantaran’ny literatiora sy ny
fifandraisany amin’ny zava-nisy ara-tantara ny mpampianatra avy eo. Nambarany fa
misy akony eo amin’ny literatiora ny tantaram-pirenena indrindra ireo toe-javatra
lehibe manamarika ny vanim-potoana. Avy amin’izany no nampisy ireo vanim-
potoana samihafa teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy.
Nomeny fintin-kevitra mahakasika ireo ny mpianatra, ary fanazavana tamin’ny
alalan’ny famelabelarana no paika nentin’ny mpampianatra nampita ny lesona. Mbola
endrika isehoan’ny lesona tolotra izany araka ny nambara tao amin’ny fizarana
voalohany satria ny mpampianatra no mandray anjara feno amin’izany famelabelarana
izany.
Niseho tamin’ny endrika maro ny fomba fanaovana lesona tolotra tao amin’ny
kilasy 1ère C izay natrehanay: tao ny fanononana, ny famelabelarana, ary fandikana ny
lesona eny amin’ny solaitrabe. Novahavahana teo izany fa indro ary halalinina
manaraka ireo endrika sakana ateraky ny fanaovana lesona tolotra amin’ny fianarana
sy ny fampianarana ny taranja Malagasy tao amin’ny kilasy 1ère C LMAI. Fa mialoha
izany dia hovahavahana ny momba ny tetika sy paika nampiharina tao amin’ny kilasy
1ére C
2.2. Ireo tetika amam-paika nampiharina
Eo amin’ny fanatontosana ny fampianarana, ny mpampianatra dia tsy maintsy
manana sy mampihatra tetika amam-paika izay heveriny fa mitondra ho amin’ny
fahombiazan’izany fampianarany izany. Lafin-javatra roa no horesahina amin’izany
dia ny fampiharana ny telozoron’ny fampianarana sy ny fifampiakoana eo amin’ ny
mpampianatra sy ny mpianatra ka hovahavahana manaraka eto

2.2.1.Ny fampiharana ny telozoron’ny haifampianarana


Ny fifandraisan’ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny fahalalana no aseho ao
amin’ny telozoron’ny haifampianarana. Izany hoe, ny telozoron’ny haifampianarana
35

izany dia fanehoana an-tsary ny fifandraisana misy eo amin’ireo singa telo eo amin’ny
fototry ny fampianarana dia ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny fahalalana.
Kisary 3 : ny telozoron’ny haifampianarana araka i Meirieu53

Loharano: Le triangle pédagogique de Philippe Meirieu, in- https:// www.meirieu.com


Ao amin’ ny telozoron’ny haifampianarana dia voafaritra mazava tsara ny
tsinjara toerana ananan’ireo singa tsirairay mandrafitra azy ireo, saingy ny asongadina
kokoa dia izay miompana amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Amin’ny maha
telozoro ahitana singa telo azy dia lafin-javatra telo miavaka tsara no faritana ao fa ny
tena hanatodihana ny fanazavana dia ny fifandraisana misy eo amin’ny mpianatra sy
ny mpampianatra izany hoe ny fifandraisana pedajojika araka ny hita eo amin’ny sary.
Nandritra ny fanangonana fahalalana natao amin’ny maha mpampianatra no
ahafahana mamaly ilay tsanganana takina amin’ny mpampianatra, dia tsy inona izany
fa ny ho tonga mpampianatra mahay sy mahalala. Aorian’ireo dia ezahina ny
hamantatra bebe kokoa ny kilasy sy ny mpianatra noraisina ary ny haabom-pahalalana
efa ananany.
Miankina amin’io no nanaovana ny fanamboarana na ny famadihana ny
fahalalana efa ananan’ny mpampianatra ho tonga fahalalana azo ampitaina. Io dingam-
panamboarana io no Fahalalana ampianarina , Fampitana fahalalana, Famolahana
fahalalana antsoin’ny mpahay fampianarana hoe famolahana fahalalana.
Raha ny zavatra tsapa tao amin’ny kilasy 1ère C dia nisy ny lesoka teo amin’io
lafiny fomba fampitana fahalalana satria dia lesona tolotra hatrany no niasa. Ka
mahatonga ny mpianatra tsy handray anjara amin’ny fampianarana. Azo heverina fa
teo amin’ny lafiny paikady nampiasain’ny mpampianatra no nisehoan’izay lesoka ka
ilana vahaolana mba ho fanarenana azy.

53
Le triangle pédagogique de Philippe Meirieu, in- https:// www.meirieu.com
36

2.2.2.Ny amin’ny fifampiakoana eo amin’ ny mpampianatra sy ny mpianatra


Tena manan-danja ary tsy azo atao tsinontsinona eo amin’ ny sehatry ny
fampianarana ny endri-tserasera eo amin’ny fampitana izany, izany hoe ny
fifandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra satria « ny asa fampianarana dia asa
fampitan-kafatra raha araka» ny nanambaran’ i (Tardif, 1994, p. 443)54.
Avy amin’izany mantsy no ahazoan’ny mpampianatra mamantatra sy
mifandray akaiky kokoa amin’ny mpianatra. Ampifanarahana amin’izay fahafantarana
ny mpianatra izay ny fomba enti-mampianatra azy mba hahatsapany fa misy
fiombonana eo aminy sy ny mpampianatra. Mitarika fahatokisan’ny mpianatra ny
mpampianany izany, satria tsapany fa olona akaiky azy ny mpampianatra, ka azo
atonina amin’ny fotoana ananany fahasahiranana. Misy akony eo amin’ny
fampianarana izany rehetra izany.
Mitombo ny fifanohinana ao an-dakilasy ka ho tafita ny fampianarana ary
mahatsiaro fifaliana amin’ny fianarana ataony ny mpianatra. Io fahatsapany ny
fisian’ny fifandraisana tsara eo aminy sy ny mpampianatra io no mahatonga azy hilofo
amin’ny alalan’ny fomba entiny mianatra (Tardif, 1994, p. 383)55. Noho izany, raha
tsy mirindra tsara ny fifaneraserana amin’ny mpianatra dia tsy hisy fampianarana
vanona.
Tsikaritra ho tsy ampy izay fifandraisana teo amin’ny mpianatra sy ny
mpampianatra izay raha ny zava-niseho tao amin’ny kilasy voalohany niatrehanay ny
fampianarana, ny fotoana rahateo moa tsy dia azo nivalamparana noho ny fisian’ny
valan’aretina Covid 19 ka tsy nahafaha-nanoatra loatra. Io anefa dia fomba iray
anehoan’ny mpampianatra amin’ny mpianatra fa mora ifandraisana ihany koa ny
tenany. Ohatra, raha misy ny mpianatra manana olana fa tsy maharaka ny
fampianarana dia mila atonina manokana ka anontaniana azy ny anton’izany.
Tao amin’ny tapany faharoa no nandalinana ny fizotran’ny fampianarana izay
nahitana ny endriky ny fampianarana niseho nandritra ny fizarana asa natao sy ny
tetika amam-paika nampiharina tamin’izany. Hojerena manaraka indray izao ny
karazana sakana ateraky ny fanaovana lesona tolotra amin’ny mpianatra sy ny
mpampianatra.
2.3. Ireo karazana olana ateraky ny fanaovana lesona tolotra nandritra ny
dingana fianarana sy fampianarana
Manan-danja lehibe eo amin’ny fampianarana ankoatry ny
fandaharampianarana ny fomba fampitana ny lesona. Miankina aminy mantsy ny mety
hahatafita na tsia ny tiana havoitra ao anatin’ny lohahevitra iray.

54
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Tardif 1994: « L’enseignement,…. Est
essentiellement un acte de communication » p. 443
55
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Tardif 1994: « La communication pédagogique
efficace augmente les conséquences sur l‟apprentissage des élèves » p. 383
37

Ny tanjon’ny fampianarana ny taranja Malagasy ao amin’ny kilasy 1ère C dia


mikendry ny hamolavola ny mpianatra mba hanana toe-tsaina ho afaka mitia sy
mikolo ary mandalina ny harentsaina malagasy sady afaka misokatra amin’ny
fitrandrahana ny haren-tsain’ny hafa, ankoatra izay ho matotra amin’ny fifandraisana
eo amin’ny lafiny hevitra isan-karazany, mahay mandanjalanja izay atao izany hoe
manam-pahendrena ary indrindra ho mpianatra tia karokaroka sy mahay miserasera.
MEN (1998:25)56. Mba hahafahana manatratra izany tanjona izany anefa dia tokony
hanana tetika maty paika sy fomba fampianarana miovaova ny mpampianatra.
Raha ny hitanay tamin’ny fikarohana izay nataonay anefa dia lesona tolotra
hatrany no paika fampianarana ampiasain’ny mpampianatra, izay tsapa fa tsy
hahafahana manatratra ireo tanjona ireo. Ka zary miteraka sakana na olana eo amin’ny
fampitana fahalalana sy fandraisam-pahalalana izany ka andeha ary hovahavahana ny
mikasika izany.

2.3.1. Ny olana eo amin’ny mpampianatra (dingana fampianarana na fampitam-


pahalalana)
Ny vokatry ny fomba fampitam-pahalalana izay ataon’ny mpampianatra
mifototra amin’ny lesona tolotra no haroso etoana. Hasongadina amin’izany ireto
lafiny ireto: ny fanatanterahana ny fampianarana, ny fanombanana.

2.3.1.1. Ny fanatanterahana ny fampianarana


Nandritra ny atrikasa dia tsapa fa ny mpampianatra no manolotra ny fahalalana
rehetra amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny raki-pahalalana eo an-tanany: manonona
ny lesona, manazava, manome ohatra.
Hita izany trangam-pampianarana izany nandritra ny fanadihadiana asa soratra
natrehinay nandritra ny fizarana asa. Ohatra ny fomba nampitan’ny mpanabe ny
fahalalana tamin’ny mpianany: nanolotra ny boky hohadihadina izy, nanome ny
fizaran’ny boky, nanolotra ny vontoatin-desona isam-pizarana, nanazava ny
fifandraisan’ny tantara amin’ny zava-misy sy ny hafatra tian’ny mpanoratra
hampitaina. Efa mametraka fandaminana mialoha ny mpampianatra noho izany. Ary
izy ihany koa no manapaka izay atao rehetra. Izany hoe mibahan-toerana loatra ny
anjara asa fandaminana sy ny anjara asa mandidy mandritra ny fampianarana . Mba
hahafahana manamarina izany ary dia andeha aseho amin’ny alalan’ny fafana ny
fanehoana ireo sehom-pampianarana maneho fa tena mampiasa lesona tolotra tokoa
ny mpampianatra ka amin’ny alalan’ny masitsivan’i De Landsheere no hijerena izany.

56
Fandaharam-pianarana , taranja malagasy , kilasy voalohany fampianarana ankapobeny 1997-1998
38

Fafana laharana 6 : fanehoana ny anjara asam-pampianarana fampiasan’ny


mpampianatra matetika

MPAMPIANATRA A TOTALIBE
ANJARA FITENENANA Fr % Fr % Fr % Fr %
A.F1 15 28.84 13 30.23 16 32 44 30.13
A.F2 17 32.69 14 32.55 18 36 49 33.56
A.F3 5 9.61 4 9.31 2 4 11 7.50
A.F4 2 3.84 2 4.65 1 2 5 3.42
A.F5.+ 5 9.61 5 11.62 3 6 13 8.90
A.F6.- 2 3.84 1 2.33 4 8 8 5.47
A.F7 3 5 .76 1 2.33 2 4 6 4.10
A.F8+ 1 1 .92 1 2.33 1 2 3 2.05
A.F9- 2 3.84 2 4.65 3 6 7 4.79
TOTALIBE 52 100 43 100 50 100 146 100
Loharano : mpizatra asa , desambra 2019

Toromarika : « A.F1 : Anjara Asa Fandaminana, .AF2 : Anjara Asa Fampiorenampaka


,A.F3 : Anjara Asa Fampivelarana , A.F4 : Anjara Asa Fanavahana , A.F.5+ : Anjara Asa
Fanehoana Hafaliana Miabo, A.F6- : Anjara Asa Fanehoana Hafaliana Miiba, A.F7 : Anjara
Asa Fampivainganana, A.F8+ Anjara Asa Fanehoana Fankasitrahana Miabo , F.A9- : Anjara
Asa Fanehoana Fankasitrahana Miiba » ,

Io fafana io dia maneho fa ny anjara Asa Fandaminana (AF1) , sy ny anjara sa


fampiorenampaka (AF2) no anjara asa tena fampiasan’ny mpampianatra indridra
nandritra ireo sehom-pampianarana telo izay naseho ireo. Satria tokoa mantsy
nandritra ireo seho telo ireo dia 30.13 % no taham-pampiasana ny anjara asa
fandaminana (AF1) raha toa ka 33.56% no tahan’ny anjara asa mandidy(FI). Izany hoe
raha atambatra ireo dia manome 63 .79 % no fitambarany.

Araka ny nambaran’i De Landsheere anefa dia “tsy tokony mihoatra ny 1/3 ny


fampiasana ireo anjara asa roa ireo”(1970 :47) 57. Izany hoe tsy azo atao mandritra ny
fampianarana no mampiasa be loatra ny anjara asa fandaminana sy ny anjara asa
fampiorenampaka. Eto anefa dia efa ny 2/3 ny anjara asa fitenenana izay miseho ao
an-dakilasy dia hampiasana ny anjara fandaminana sy ny anjara asa fampiorenampaka.
Noho izany dia azo ambara fa tena lesona tolotra no ampiasain’ny mpampianatra ary
vokatr’izany dia tsy tratra ny tanjona izay nambaran’ny fandaharam-pianarana satria
ny mpampianatra no tena mandray anjara feno mandritra ny fampianarana i Gérard de
Vecchi sy Michelle Rondeau-Revelle anefa dia milaza fa manao hoe : “Tsy ny
mpampianatra foana no mpampita fahalalana fa azony atao ny mamela ny mpianatra
hiasa ho azy ireo sy ho an’ny ankizy namany”(2005 :18) 58. Izany hoe isany mpandray
anjara amin’ny fianarana sy ny fampianarana ihany koa ny mpianatra.

57
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i De Landsheere, 1970: « si ces deux fonctions
tournent autour des deux tiers (2/3) des fonctions d’enseignements enregistrés, l’enseignement est sans
conteste de type traditionnel. » p.47
58
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Gérard de Vecchi sy Michelle Rondeau-Revelle,
2006 : « L’un des enjeux les plus essentiels de l’école, (…) ne s’agira pas de transmettre la bonne
39

Ka azo ambara fa tena olana lehibe amin’ny fampianarana ny taranja malagasy


ny tsy fahaizana mandanjalanja ny fampiasana ireo anjara asa fampianarana sivy
ireo. Araka izany dia tokony hifandanja tsara ny fampiasana azy ireo raha te
hampandray anjara ny mpianatra sy hananatratra ny tanjona ary ho faly sy tsy
hosorena ny mpampianatra.

2.3.1.2. Ny fanombanana ny fampianarana


Ny tombana dia dingana iray tsy maintsy lalovana mandritra ny fampianarana.
Satria izy io no hahafahana mandrefy ny fahombiazan’ny fampianarana sy ny
fianarana. Manamarina izany i M.Crahay manao hoe: “ ny atao hoe tombana dia
fandrefesana ny fahaizan’ny mpianatra mandray fahalalana sy fomba hahafahan’ny
mampianatra mandrefy ny vokatry ny fampianarana nataony” (1995:2) 59 izany hoe io
fanaovana tombana io no ahalalana na tratra na tsia ny tanjona. Miankina tanteraka
amin’ny vontoatim-pahalalana nampitaina sy ny fomba nanatanterahana ny fampitana
ny fahalalana ny fomba fanombanana. Amin’ny ankapobeny, ny mpampianatra manao
fampianarana tolotra dia voafatotry ny fahalalana natolony. Izay natolony ihany no
tombanany amin’ny mpianatra ny fahatafitany. Matetika ny mpanabe zatra manolotra
fahalalana ny mpianany koa dia tsy manana fironana sy fahafahana hitsapa ny
fahalalana efa voafehin’ny mpianatra mialoha sy hamantatra ny mahaizay azy ny
tsirairay mialoha ny hanomezany lesona.
Noho izany, rehefa manombana ny mpianany izy dia mitaky ny famerenana
manontolo ny fahalalana nomena tao amin’ny lesona, araka ny fomba nanehoany sy
nilazany azy. Tombana mamolavola mpianatra mpamerin-desona no miseho
amin’izany. Tombana am-bava mazàna no ataon’ireny mpampianatra ireny.
Ohatra: tanisao ireo tara-kevitra avoitran’ny literatiora kristianina? Endrika
tombana iray mahazatra ny mpampianatra manao fampianarana mifototra amin’ny
tenany sy ny fahalalana io, ary tsikaritra nandritra ny fanatrehana sehompampianarana
nataonay satria dia mitovy endrika amin’izany ny fanadinana natolony ny mpianatra.
Ny paika enti-manombana dia ny fampiasana karazam-panontaniana
mitandahatra. Efa tsy nozarina hikirakira sehatr’olana ny mpianatra fa ny mamaly ireo
andiam-panontaniana mifototra tanteraka amin’ny lesona nampitaina no manavanana
azy. Ny tombana izany eto dia mijanona ho fitsapana ny fahafehezana ny lesona
fotsiny ihany, na karazana famerenan-desona ho an’ny mpianatra, izany hoe ny
fahatafitan’ny tanjona ara-pahalalana no tsaraina.
Tsy mifanaraka amin’izay heverin’i Tardif, izany izay milaza fa: “zava-dehibe
eo amin’ny mpianatra ny tombana satria eo no ahitany hoe hatraiza ny fahafehezany
ny fahalalana vaovao azony” (1992:331)60. Tsy ny fahatafitan’izay nampitaina izany

parole mais de donner la parole aux élèves pour leur permettre de se construire avec les autres et pour
les autres. » p18
59
Dikan-teny malalaka avy amin’ny tenin’i M.Crahay,1995: « Le terme évaluation renvoie (…) aux
procédures mises en place pour mésurer le degré de maitrise des connaissances par les élèves, aux
procédures installées par des chercheurs pour mésurer l’impact d’une innovation pédagogique ou le
rendement d’un système scolaire ».p2
60
Dikan-teny malalaka nataonany avy amin’ny tenin’i Tardif(J), 1992: « L’évaluation est
particulièrement importante puisqu’elle doit fournir à l’élève l’occasion de connaitre à quel niveau il
est parvenu dans la maitrise des nouvelles connaissances ». p.331
40

no zava-dehibe fa ny fahatsapana ny fahafehezana na ny fahaizan’ny mpianatra


mampiasa izany.

2.3.2 Ny olana eo amin’ny mpianatra (dingana fianarana na fandraisana


fahalalana )
Anjara asan’ny mpianatra mandritra ny fampianarana ny mandray fahalalana
na manorina fahalalana. Nisy fiantraikany teo amin’io fandraisam-pahalalana io ny
fampiasan’ny mpampianatra ny lesona tolotra io.
Lafin-javatra no telo azo sintonina tamin’ny firotsahana an-tsehatra nataonay
mahakasika izany: dia ny fandraisana anjara sy ny haabon’ny fahalalana hananan’ny
mpianatra, ny fifantohana.

2.3.2.1. Ny fandraisana anjara


Tsy mandray anjara mivantana mandritra ny fanovozam-pahalalana ny
mpianatra. “Tokony hanan-jo hametraka fanontaniana anefa izy amin’ny fahalalana
izay homena azy”61 manambara izany i Desamais et Gineste (1963:298), noho izany
mandray izay omen’ny mpampianatra no ataony : mihaino fanazavana sy manoratra.
Tamina fampianarana lohahevitra “ny fahalalana” natrehinay tao amin’ny LMAI,
ohatra, dia vitan’ny mpampianatra nandritra ny ora efatra ny lesona ary ny vontoatim-
pahalalana voarain’ny mpianatra dia mahakasika ny famaritana, ny endrika isehoany,
ny fetrany ary ny dikan’ny fahalalana. 30 ora anefa no voatondro hanatontosana io
lohahevitra io (MEN: 1998).
Tsy misy izany ny fikaroham-pahalalana miainga na mifototra amin’ny
fampandraisana anjara ny mpianatra. Mandrakitra an-tsoratra izay nomanin’ny
mpanabe no laharam-pahamehana ho an’ny mpianatra. Ny fampianarana tolotra araka
izany dia manery an-kolaka azy ireo hanoratra izay rehetra ambaran’ny mpampianatra,
tsy misy famakafakana sy fandinihana ary fandravonana izany.
Araka izany ny fandraisana anjara dia tsy vokatry ny finiavan’ny mpianatra
ary mampihena ny fahavitrihana mianatra izany. Satria tokoa mantsy nandritra ny
fizarana asa izay natao dia 10% ny mpianatra dia tsy tonga manatrika
fampianarana izany hoe ny 90% ihany no hita. Na dia 10% ihany aza anefa dia efa
misy fiantraikany amin’ny fianarana ny taranja izany.
Raha mandray anjara amin’ny fikarohana ny fahalalana mantsy ny mpianatra
dia mora kokoa ho azy ny mamolaka sy mampiasa izany raha mitaha amin’ny
fahalalana natolotra azy. Handeha ary ho porofoina amin’ny alalan’ny fafana ny
momba izany.

61
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran ‘i Desamais et Gineste 1963: « il faut toujours
laisser aux élèves la possibilité d’interroger à leur tour »p298
41

Fafana laharana 7:fanehoana ny taham-pandraisana anjaran’ny mpianatra

Seho voalohany Seho faharoa


Fr % Fr %
Mariky ny fandraisana Fahalianana 38 28.79 40 30.08
anjara amin’ny lesona
Fahatairana 11 8.33 11 8.27
Hetsika 5 3.78 6 4.51
Fifandraisan’ny 10 7.58 8 6.02
mpianatra samy
mpianatra
Totaly 64 48.48 65 48.88
Fr % Fr %
Mariky ny tsy fandraisana Fikorontanana 38 28.79 37 27.82
anjara Fialamboly 15 11.36 18 13.53
Tsy fahazoana 10 1.52 9 9.02
Fahatarana 2 2.27 1 0.75
Tsy fahatongavana 3 7.58 0 0
Totaly 68 51.52 68 51.12
TOTALIBE 132 100 133 100
Loharano: mpizatra asa , desambra 2019, fandinihana natao tao amin’ny 1ère C , LMAI

Ity fafana ity dia maneho fa ambony dia ambony ny tahan’ny tsy fandraisana
anjara amin’ny fampianarana ny taranja malagasy. Amin’ny seho voalohany mantsy dia
51.52% ny tahan’ny tsy fandraisana anjara raha toa ka 48% ny fandraisana anjara.
Izany hoe ambony kokoa ny tsy fandraisana anjara noho ny fandraisana anjara.

Raha ny seho faharoa kosa indray dia tsapa fa tsy mbola misy fivoarana satria dia mbola
51.12% no tahan’ny tsy fandraisana anjara ary 48.88% no tahan’ny fandraisana anjara.

Io tranga io dia maneho ny fahasorenan’ny mpianatra manoloana ny fampiasana


ny lesona tolotra izay ampiasain’ny mpampianatra. ka tsy mitera-bokatsoa ho azy ary
indrindra tsy mampandray anjara azy.

Izay ny momba ny fandraisana anjara fa manahoana kosa indray ary ny


haabom-pahalalana ananan’ny mpianatra vokatry ny fampiasana lesona tolotra.
Hovahavahana manaraka izany.

2. 3.2.2. Ny haabom-pahalalana voaray


Hita nandritra ny fanatrehana ireo seho roa izay nambara teo dia tsy mandray
anjara feno amin’ny fanorenam-pahalalana ny mpianatra ka misy akony amin’ny
haabon’ny fahalalany izany ary indrindra manasarotra ny fahazoany ny lesona satria
tsy mipetraka ho mpanamora ny fanoneranana ny fahalalana ny mpampianatra ,
heverina anefa fa tokony hipetraka ho mpanamora ny fandraisana lesona ny
mpampianatra manambara izany indrindra i Ndia Binty Kayembe manao hoe “ny
42

mampianatra dia manamora ny fahazoana ny fahalalana ao amin’ny mpianatra izay


mangetaheta handray izany”62.
Ankoatra izay ny fampiharana ny lesona tolotra dia mampihena ny taham-
pahalalana azon’ny mpianatra satria dia izay nomena azy tao amin’ny lesona ihany no
fantany. Miankina amin’ny fanomanan’ny mpampianatra noho izany ny haabon’ny
fahalalan’ny mpianatra. Tsara sy feno ny fanomanana dia mahazo fahalalana betsaka
sy avo lenta ny mpianatra. Ratsy ny fanomanana ny lesona dia ambany ny fahaizanan’
ny mpianatra.
Ny haranitan-tsain’ny mpampianatra araka izany no mibaiko ny lentam-
pahalalan’ny mpianatra. Olana lehibe ateraky ny fampiasana lesona tolotra amin’ny
fampianarana ny beazina izany. Ny lesona tolotra mantsy dia tsy manome fahalalana
mivelatra ho an’ny beazina fa mifintina kokoa ny fahalalana azony. Fomba iray tsy
mitarika ny mpianatra handalina sy hamakafaka izany.
I Barth (2004:140) dia manamafy fa “ mety tsy ho azo avy amina voambolana
anaty boky na ny sain’ny olona iray fotsiny ny fahalalana fa mety ho avy amin’ny
fifanohinana sy fifaneraserana amin’ny fiarahamonina, amina fari-toe-javatra
samihafa63”. Tsy ho feno tanteraka araka izany ny fahalalana avy amin’ny
mpampianatra fotsiny ihany. “Ary tsapa fa hiaran’ny tsindry ny fari-pahaizan’izy ireo
satria dia mihaina amin’ny zavatra hita maso fa miaina amin’ny aloalon-tsaina”64.
Manamarina izany i Macaire F(1993:26)

2.3.2.3.Ny fifantohana
Ny fifantohana dia fihetsika asehon’ny mpianatra eo am-pandinihana na am-
panatanterahana ny lesona iray. Ny atao hoe mifantoka dia mampirona ny saina
amana eritreritra amin’ny lesona iray na asa na hetsika atao. Samy manana ny toetrany
sy ny fiasany ny saina sy ireo taova mpandre sy mpamantatra ao amin’ny mpianatra.
Tsy voatery hifanaraka ny fiasan’ireo. Matetika anefa mifanampy amin’ny
fanatanterahana hetsika izy ireo. Ohatra, ny maso mijery ny sary (zavatra hita maso) fa
ny saina kosa mamantatra ny hevitra ampitain’ny sary (zavatra tsy hita maso). Ny
fitambaran’ireo no mitondra ho amin’ny fahazoana. Ny fifantohana izany dia ny
fiezahana hampifanaraka ny fiasan’ny saina sy ireo taova fitsapana ao amin’ny
mpianatra , mandritra ny fanatanterahana lesona iray.
Miankina amin’izany ny fahazoana vokatra eo amin’ny fianarana izay atao. Eo
amin’ny fampianarana dia ilaina ny fifantohan’ny mpianatra amin’ny hetsika
fanorenam-pahalalana na ny fianarana. Ilàna fifantohana avokoa na eo amin’ny

62
Dikan-teny malalaka avy amin’ny tenin’i Ndia Binty Kayembe, Apprendre et enseigner en éducation
de base : « selon cette nouvelle conception, enseigner signifie faciliter l’acquisition de savoirs chez des
apprenants qui souhaitent acquérir ces savoirs »
63
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Barth(B.M), 2004: « Une telle conception de
savoir et de sa comprehension modifie la tache de l’enseignant :son travail essentiel ne sera plus
d’exposer son savoir, mais de le mettre au service des apprenants dans la recherche de situations et
langages symboliques différenciés permettant l’accès aux connaissances à des personnes pouvant être
différents »p140
64
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Macaire F 1993 : « la vie intellectuelle de
l’enfant est dominée par la loi de l’intérêt : sa pensée déjà logique répugne à l’abstrait » p 26
43

fikirakirana ny fitaovana enti-mitrandraka ny fahalalana, na ny fandinihana sy


famakafakana ny fahalalana, na ny fifehezana sy ny fitadidiana izany fahalalana izany.
Raha fehezina, ny dingana rehetra lalovana mandritra ny fianarana dia mila
fifantohana. Ny fifantohana no miteraka fahombiazana sy fahazoana eo amin’ny
fianarana dia ny fifantohana tsy avy amin’ny teriterin’ny mpampianatra izany hoe tsy
fampiasana lesona tolotra na ny fahalalana tsy maintsy ianarana, fa izay avy amin’ny
finiavan’ny mpianatra, manome lanja ny fianarana atao. Tsapa anefa fa noho ny
fampiasana ny paikam-pampianarana mifototra amin’ny lesona tolotra dia vitsy ny
mpianatra no mifantoka fa lasa variana mitabataba fotsiny izy ireo ary misy akony
amin’ny naoty azony izany satria dia hita fa nandritra ny fampianarana izay nataon’ny
mpampianatra dia ny 20 % ihany no mifantoka amin’ny fampianarana izay ataony
izany hoe hita ho nihaino azy fa ny 70 % dia mitabataba sy manao fampiasana hafa
toy ny fampiasana taranja Matematika satria tokoa moa taranja siantifika izy ireo.
44

FEHIN’NY FIZARANA FAHAROA


Misy akony betsaka eo amin’ny haifampianarana ny taranja malagasy eny
amin’ny lisea ny fampiasana ny mpaikam-pampianarana mifototra amin’ny lesona
tolotra. Andaniny, eo amin’ny fampitam-pahalalana, ankilany, eo amin’ny fandraisam-
pahalalana.
Tsy mampirindra ny fampianaran’ny mpampianatra izy io. Tsy mitondra
tombony eo amin’ny fandaminana ny fotoana sy ny asa ary ny anjara toerany
mandritra ny seho izany. Tsy manampy ny mpianatra amin’ny fianarany koa ny lesona
tolotra. Tsy mampitombo ny taham-pahavitrihana eo amin’ny fandraisana anjara, ny
fianarana ary ny fanatrehana ny lesona ihany ko izy io.
Misy olana lehibe eo amin’ny tontolon’ny haifampianarana ny taranja ny
fampiasana io lesona tolotra io. Maro ny olana sy ny lesoka aterak’izany. Ahatarafana
izany ny lafiny fanatanterahana sy ny fanombanana eo amin’ny sahanasan’ny
mpampianatra ary ny. Fandraisana anjara sy ny lentam-pahalalana eo amin’ny
mpianatra, ny fifantohana.
Tsy manampy amin’ny fanatrarana ny tanjom-pampianarana ihany koa ny
fampiharana azy io. Ilana vahaolana izany mba hahafahana manatsara hatrany ny
tontolon’ny fampianarana sady fanabeazana sy hitondra fivoarana eo amin’ny
fiovan’ny toe-tsain’ny beazina. Ka andeha ary hovahavahana manaraka eo amin’ny
fizarana fahatelo ny mikasika izany vahaolana izany.
45

FIZARANA FAHATELO: ANDRAM-BAHAOLANA HIALANA AMIN’NY


FANAOVANA LESONA TOLOTRA
46

Hita tao amin’ny fizarana faharoa ireo karazana olana ateraky ny fampiasana
ny lesona tolotra eo amin’ny fampianarana ny taranja malagasy. Ka manoloana izany
ary dia indro atolotra ato amin’ity fizarana fahatelo ity ireo andrambaolana entina
hamahana ireo olana hita mikasika ny fanaovana lesona tolotra ireo mba hanatsarana
ny fomba fampianaran’ny mpampianatra taranja malagasy.

Mialoha ny hanomezana ireo andram-bahaolana ary dia hampafantarina ny


lamin-kevitra mikasika io fomba fampianarana io.

3.1. Lamin-kevitra manodidina ny fomba fampianarana ampiasaina amin’ny


fampianarana ny taranja malagasy hialana amin’ny lesona tolotra
Manoloana ny firimorimon’ireo karazam-pandrosoana izay miantraika
mivantana amin’ny fiainan’ny tanora malagasy ankehitriny, dia mila fanovana sy
fanatsarana ny fomba fanabeazana azy. Ny fampianarana any an-dakilasy izany dia
tsara raha miorina sy mifanaraka amin’ireny fandrosoana ireny sy ny
firimorimon’izany65 Isabelle Calin (1993:115), ary tokony hanaraka izany koa ny
paikam-pampianarana mandritra ny dingam-pirosoan’ny fampianarana sy ny
fianarana.

Miteraka fahombiazana sy fivoaran-tsaina ho an’ny mpianatra ny fiovaovan’ny


paika izay entina mampianatra azy ireo. Sarotra anefa ny manatratra izany fiheverana
izany raha toa ka tsy fantatry ny mpampianatra ny lamin-kevitra manodidina ny fomba
fampianarana eo amin’ny fampianarana ny taranja malagasy.

3.1.1. Andram-pamaritana ny fomba fampianarana


Hojerena ary izao ny ezaka famaritana ny fomba fampianarana, ny
fanasokajiana ireo karazana fomba fampianarana, ary ireo toetra mamaritra ny fomba
fampianarana mahomby.

3.1.1.1 Famaritana ny fomba fampianarana

Misy famaritana sy fomba fijery samy hafa tsara ho fantatra mahakasika ny


izany.

Ny pedagôjia na fomba fampianarana dia avy amin’ny fitambaran’ny teny roa


“paido”(zaza) sy “agein”(mitondra,mitarika). Ankoatra izay ny teny hoe pedagôjia dia
avy amin’ny teny grika “paidôgogia” izay midika hoe mitondra, mikarakara/zaza. Ny
rakibolana Larousse kosa dia milaza fa “ny pedagôjia dia siansa na fomba fanabeazana

65
Dikan-teny nataonay araka ny nambaran’i Isabelle Calin (1993) manao hoe : « l’école est également
preparation à la vie dans une société mgoderne aux mutations rapides. » p 115
47

ny zaza”66. Ary fanampin’izay.Ny pedagôjia ihany koa dia siansa ny fanabeazana ny


zaza sy fomba fampianarana67.

Araka izany ny pedagôjia dia azo adika hoe fitondrana ny fanabeazana amin’ny
zaza. Raha itarina izany dia fitondrana ny fanabeazana amin’ny zatovo, ny tanora, ny
olona rehetra heverina fa tsy matotra, ary na dia ny antitra aza. “Ny fitondrana izany
fanabeazana izany dia ilana lamina sy tetika maty paika sy mirindra” 68 manamarina
izany i Tardif (1994:333). Ny pedagôjia izany dia azo ambara ho fitambaran’ireo
fomba sy tetika amam-paika samihafa ahafahana mitarika sy mitondra ny beazina na
ny olona amin’ny fianarana ataony.

3.1.1.2. Fiheveran’ny mpandinika

Maro ireo fiheverana mahakasika ny fomba fampianarana. i Henri Marion dia


mihevitra fa ny pedagôjia na ny fomba fampianarana dia siansa momba ny ara-batana
sy ara-tsaina ary ara-pitondran-tena.

I Emile Durkheim kosa dia milaza fa ny fomba fampianarana dia sady rijan-
kevitra no fampiharana. Raha hazavaina izany, aminy ny zava-kendren’ny pedagôjia
dia ny mieritreritra izay tetika sy paika mikasika ny fanabeazana mba hahazoana
mitsapa ny sandan’ny fanabeazana sy mba hanampiana ny mpanabe.

Manamafy izany i Philippe Meirieu (1995:189)69 manambara fa ny pedagôjia


dia mifantoka tanteraka amin’ireo paika ampiasaina mba hahafahana mampita
fahalalana amin’ireo beazina.

Raha aravona ireo, ny fomba fampianarana izany dia siansa ary siansa
misandrahaka sy/na mifandray amina lafim-pandinihana sy lafin-javatra maro toy ny
fanabeazana, ny zava-kanto, ny filôzôfia. Ary mifantoka indrindra amin’ny fomba
fampitana ny lesona.

3.1.2. Ireo karazana fomba fampianarana


Maro ireo karazana fomba fampianarana fa santionany amin’ireny no haroso
eto, dia ny fampianarana tolotra sy ny fampianarana mampandray anjara ny mpianatra.

3.1.2.1. Ny fomba fampianarana tolotra (méthode magistrale)


Ny fampianarana tolotra dia karazana fomba fampitam-pahalalana manome
lanja betsaka ny mpampianatra70 araka ny nambaran’ i Eric Albert et Isabelle Calin

66
Larousse, Dictionnaire de français, p.309
67
Dikan-teny malalaka araka ny hita tao amin’ny tranokala www.appac.qc.ca/pédagogie.php: “la
pédagogie, c’est la science de l’éducation des enfants et une méthode d’enseignement”.
68
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’iTardif(J),1994: « C’est par l’adaptation de ses
stratégies pédagogiques, compte tenu des connaissances visées, qu’il contribue directement à
l’intégration des connaissances dans la mémoire ».p333
69
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Philippe Meirieu, 1995 :« la pedagogie
s’interroge sur les finalités à affecter à cette education , sur la nature des connaissances qu’elle doit
contribuer à transmettre et sur les methodes qu’elle doit utiliser.»p 189
48

(1993 :116). Izany hoe ny mpampianatra no mibahan-toerana amin’ny fampianarana


mandritra ny fampitana ny lesona amin’ny mpianatra. Izany fomba fampianarana
izany dia antsoina ihany koa hoe fampianarana tranainy. Hoy indrindra mantsy i
Ndia-Binty Kayembe (1980:26) milaza fa : « Ny fomba fampianarana tranainy dia
fiheverana ara-panabeazana mametraka ny mpampianatra sy ny vontoatin-desona ho
ivon’ny fampianarana »71. Ny mpampianatra noho izany no mikaroka ny fahalalana
rehetra homena ny mpianatra, na amin’ny alalan’ny fanomanana izany na mandritra ny
fampitana. Heverina amin’izany fa izy dia manana ny fahaizana amam-pahalalana
rehetra ary mahafehy izany. Ny tetika pedagôjika fampitana ampiasaina dia ny
fanolorana na famindrana ny vontoatin-desona, amin’ny alalan’ny fanononana na
fanazavana na famelabelarana araka izay efa novelabelarina tany amin’ny fizarana
voalohany.

Hita ho vahaolana amin’izany ny fampianarana mitodika amin’ny


fampandraisana anjara ny mpianatra amin’ny fikarohana fahalalana araka ny
nambaran’i Piaget sy i Vygotsky izay manome vahana ny anjara asan’ny mpianatra eo
amin’ny fanorenam-pahalalana. Eto ary dia ny fampiasana paika miorina amin’ny
fampandraisana anjara ny mpianatra sy fanomezan-danja ny tsy fitoviana na ny
fahasamihafana no lalana iray hirosoana hahafahana manatontosa izany.

3.1.2.2.Ny fomba fampianarana mitodika amin’ny mpianatra (méthode


active)
Claparede dia mamaritra ny hevitry ny teny hoe “actif” amin’ny
hoe“mihetsika, mifindra, manatanteraka asa, manoratra, manao sary, manao zavatra fa
tsy mihaino fotsiny” (1967:153) 72. Isan’ny fototry ny fikarohana momba ny fomba
fampianarana vaovao mifototra amin’ny mpianatra ireo, hanehoana fa tsy tokony ho
mpihaino fotsiny izy ireo mandritra ny fampitana fahalalana.

Ny fomba fampianarana mitodika amin’ny mpianatra dia endrika fampitam-


pahalalana manome lanja ny maha izy azy ny beazina. Ny tetika pedagôjika fampitana
izay ampiasain’ny mpampianatra noho izany dia mijery kokoa izay mampiavaka ny
mpianatra tsirairay ary manaja izany fahasamihafana izany ary indrindra manome
lanja io fahasamihafana io. Manamarina izany i Develay izay nilaza fa “ny
mpampianatra dia tsy maintsy manome lanja ny fahasamihafan’ny mpianatra izay lasa
fitoviana eo aminy” (1993:36) 73, izany hoe: omena lanja ny fahasamihafan’ireo
mpianatra ireo mba hampitovy ny vokatra azo any amin’ny fiafaran’ny fampianarana.
Ny anjara asan’ny mpampianatra dia ny mikaroka sehatra iray mifandray amin’ny

70
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Eric Albert sy i Isabelle Calin , 1993 manao hoe :
« dans la méthode magistral c’est le maître qui joue un rôle primordial … »
71
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Ndia-Binty Kayembe, 1980: « La pédagogie
traditionnelle est une conception de l’éducation qui met l’enseignant et le contenu à enseigner au centre
de toute transaction éducative ».p26
72
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Claparede(E), 1967 : « Le mot actif est un mot vague.
Pour beaucoup, actif veut dire qui bouge, qui remue, qui exécute un travail, qui écrit, qui déssine, qui
fait quelque chose au lieu d’écouter seulement ».p 153
73
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Develay, 1993: « Les enseignants devraient
prendre en compte l’hétérogénéité des élèves qui se substitue à l’homogénéité » p. 36
49

fahalalana tiana haorina ary mamorona sahanasa amin’izany, ahafahana manetsika sy


mampandray anjara ny mpianatra.

Araka ny fandinihan’i Tardif, mantsy, “ny mpampianatra dia mpieritreritra,


mpandray fanapahan-kevitra, mahafehy ny fahalalana, filamatra , mpanelanelana”
(1992:303) 74. I Rogers ihany koa dia mamaritra fa ny andraikitry ny mpampianatra
dia “maneho ny asa hataon’ny mpianatra ary mitarika sy mitantana ny fianarana na ny
fikaroham-pahalalana” (1984:100) 75. Maneho ireny fa tsy mibahana ny fotoana izy
ary tsy manolotra be fahatany ny fahalalana fa manosika ny mpianatra hikaroka sy
hitrandraka izany.

Miasa, mikaroka, manadihady, mamakafaka, manao fanandramana, misintona


hevitra ary mandrafitra ny fahalalana miainga amin’ny sahanasa nofaritan’ny
mpampianatra ny mpianatra, amin’ny fahefany sy izay mampiavaka azy. Izany hoe
amin’ity fomba fampianarana ity dia ny fahavitrihin’ny mpianatra no tena jerena.
Maneho izany ny ny filazan’i Ndia-Binty Kayembe hoe : “ Ny fahavitrihan’ny
mpianatra mandritra ny lesona no ivon’ny atao hoe fomba fampianarana mampandray
anjara ny mpianatra ”(1980:26) 76.

Maneho io fahalalahana sy fahefana omena ny beazina io fa ny vokatry ny


asan’ny mpianatra dia azy manokana ary miraikitra ao amin’ny fitadidiany ka azony
ampiasaina araka ny filana ao aminy.Misy izany fahaleovantena ara-tsaina, ara-
pahaiza-manao ary ara-toetra amam-pihetsika andrasana amin’ny mpianatra.
Manamarina izany i Hameline milaza hoe: « ny fampianarana ny ankizy hanana
hairaha(compétence) sy tetika amam-paika, avy amina sehatra iray ary azo afindra
amina sehatra hafa , no tena tokony himasoan’ny mpanabe amin’ireo singa samihafa
mamaritra ny fianarana77 ».(1992:86)

Ny atao izany dia mamboly fahaiza-manao sy fahaiza-mamindra izany amina


sehatra maro, ao amin’ny mpianatra. Izany no mampitombo sy mampivelatra ny
tanjaka (potentiel) ao amin’ ny mpianatra tsirairay. Andeha ary hosokajiana ireo
karazana paikam-pampianarana manome vahana ny mpianatra. Izay entina hialana
amin’ireo karazana sakana ateraky ny fampiasana ny lesona tolotra amin’ny
fampianarana sy ny fianarana ny taranja Malagasy. Iorenan’ity fizarana fahatelo ity
izany.

74
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Tardif(J),1994: « Il est un penseur, un preneur de décision,
un expert de contenu, un modèle et un médiateur». p 303
75
Dikan –teny malalaka araka ny nambaran’i RogerS(C.R) 1984: « Montrer, guider, diriger »p.100
76
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Ndia-Binty Kayembe, 1980 : « L’implication des élèves
dans la leçon est au cœur de ce qu’onappelle la pédagogie active ».p26
77
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Hameline(D),1992 : « l’apprentissage de stratégie où la
translation d’apprentissage d’une situation à une autre est l’élément détérminant, nécessite de mettre
l’accent sur les compétences transférables et d’inscrire le savoir transférer parmi les composantes de
l’apprentissage »
p86
50

3.1.3. Fanasokajiana ny fomba fampianarana


Ny tanjona dia ny handraisan’ny kilasy iray manontolo anjara fitenenana, satria
“ny hevitry ny maro, hono, mahataka-davitra”; ary ny mampanan-karena ny
fampianarana dia ny fifanakalozan-kevitra. Zava-kendrena ihany koa ny hialana
amin’ny lesona tolotra. Mba hanatrarana izany tanjona izany ary dia indro
hovahavahana mifanesy etoana ireo karazana fomba fampianarana manome vahana ny
fampandraisana anjara ny mpianatra. Izay azon’ny mpampianatra hampiharina avy
hatrany aorian’ny famakiana ity asakaroka ity.ka asongadina amin’izany ireto paika
manaraka ireto: ny asan-tarika, ny famelaberan-kevitra, ny angon-kevitra, ny asa atao
samirery, ny ady hevitra

3.1.3.1.Ny asa an-tarika


Ny asan-tarika dia fomba fampianarana manome lanja ny fampandraisana
anjara ny mpianatra mitondra ho amin’ny tsy fampiasana ny lesona tolotra. Andeha
ary hofaritana misimisy kokoa ny momba azy.

a. Ny famaritana

Ny asan-tarika dia fomba fampianarana natao hanorenanana fahalalana ao


amin’ny mpianatra roa na telo ao anaty vondrona iray ka mitaky firaisan-kina sy
fiaraha-mientana eo amin’ny samy iray tarika ny fikarohana na fanorenana izany
fahalalana izany. Manamarina izany i P.Meirieu (1983) manao hoe: “Mitondra na
mitarika ny mpianatra ho tompon’andraikitra amin’ny fanorenana ny fahalalany ny asa
an-tarika ”.78

b. Ny lanjany

Miteraka tombontsoa maro ho an’ny beazina sy ny mpampianatra ny fampiasana ny


asa an-tarika.

 Ho an’ny beazina

Ny asan-tarika dia manatsara ny fahaiza-mianatra eo amin’ny mpianatra samy


mpianatra ary “mahatonga ny mpianatra tsirairay hanome ny fahalalana tsara indrindra
any aminy”79 araka ny nambaran’i Robert Dottrens et Al (1966:51). Ankoatra izay ny
asa an-tarika ihany koa dia mampitombo sy mampivelatra ny haranitan-tsaina, ny
fahaiza-mihaino, fahaizana miara-miasa ary ny fahaiza-mifandray eo amin’ny
mpianatra samy mpianatra araka ny nambaran’i Isabelle Calin, (1993:121)80.

78
Dikan-teny nataonay araka ny nambaran’i Meirieu P.(1983) : « travail de groupes rend les élèves
acteurs de la construction de leur savoir »
79
Dikan-teny nataonay araka ny nambaran’i Robert Dottrens et Al, 1966 « se crée à l’intérieur de
chaque groupe un sentiment collectif de responsabilité qui pousse chacun à donner son effort maximum
», p51
80
Dikan-teny nataonay araka ny nambaran’i Isabelle Calin (1993) : « le travail de groupe dévellope les
reletions entres les élèves ».p 121
51

Ireto ihany koa ny tombontsoa heverina fa azo amin’io paika io: saina tia
karokaroka ;fandraisana andraikitra, fahaizana mndrindra ny asa ,fahaizana maneho
hevitra fahaizana miady hevitra, fahaizana mamehy ny fotoana; fanomanana azy
amin’ny fiainana ho avy: fahafantarany ny ao anaty fiarahamonina iray dia samy
manana ny andraikiny ny tsirairay izany hoe mitraka fahaleovan-tena ho an’ny
mpianatra ny fanaovana asan-tarika (Ibidem)81.

 Ho an’ny mpampianatra

Ny asan-tarika dia manome fahefana feno ny mpampianatra hampihatra ilay


anjara asa mpitantsoroka ary indrindra mpamnara-maso akaiky ny asan’ny mpianatra.
Araka ny ambaran’i Rey B. manao hoe: “ny fampiasana ny asan-tarika amin’ny
beazina dia hahazoana tombontsoa no ho izy io manamora ny fifanakalozan-kevitra eo
amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary hahafahana manampy ihany koa ireo
mpianatra marefo” (1999:97) 82

d. Ny fomba fanatanterahana ny asa an-tarika

Ny asan-tarika dia natao hamondronana ny mpianatra ka izarana azy ireo ho


vondrona maromaro samihafa. izany hoe ahitana lahy sy vavy. Amin’izany dia
manatanteraka asa iraisana ny isam-bondrona miainga amin’ny lohahevitra izay
homen’ny mpampianatra, ka ao anatin’izany dia mikaroka hevitra ny isan-tarika ,
mifanakalo hevitra mba hahafana mandrafitra ny valiny izay andrasana . mandritra
izany ny mpampianatra dia manampy ny mpianatra amin’ny fandrafetana ny hevitra sy
ny fandravonana izay hevitra hitan’ny isam-bondrona. Raha vao miandoha ny taom-
pianarana dia zaraina sokajy ny mpianatra. Ka toy izao no fizarana azy raha efapolo no
isan’izy ireo dia atao dimy ny isan’ny ankizy isaky ny sokajy. Izany hoe valo izany no
isan’ny sokajy ka mpianatra dimy avy.

Omena lohahevitra ny sokajy tsirairay, ary omena fotoana malalaka mba


hahafahany mikaroka tahirin-kevitra maro. Tondroina ny fotoana hitondrany ny asa
mba ho asa voarindra, ary ho vonona amin’ny fanontaniana ilàm-baliny ny mpikaroka

Ho an’ny fampianarana taranja malagasy kilasy 1èreC dia ireto no lohahevitra


azo ampiharana io fomba na io paika fampianarana io:

- ho an’ny literatiora: ny fandaharam-pianarana dia mangataka ny hanaovana


ny asan-tarika momba ny lohahevitra ny tantara foronina , ka izany dia asan-tsokajy
omban-tondro zotra na asa iaraha-manao tarihin'ny mpampianatra izay anatsoahana ny
"toe-javatra iaingana" Fanavahana sy famaritana ny mpandray anjara fototra, ny
mpandray anjara mpanampy: fanokotokoana azy ireo araka ny anjara asany tarafina
amin'ny toetra amam-pihetsiny, ny anarany...

81
Dikan-teny nataonay (Ibid ) 1993 : « Le travail de groupe augmente l’autonomie des élèves ». p 121
82
Dikan-teny nataonay avy amin’ny tenin’i , Rey B., 1999 « amener les enfants à travailler par petit
groupes a pour avantage de multiplier les échanges entre les éléments et encourage les timides à oser
intervenir » p51
52

-ho an’ny riba: ny fandaharam-pianarana ihany koa dia mangataka ny


hampiharana ny asan-tarika amin’ny fampianarana ny lohahevitra Marina Rariny
Hitsiny. Ka izany dia asan-tsokajy arahina adihevitra; ka toy izao ny fanatanterahana
azy raisina tsirairay ireo lohahevitra ireo; tarihin'ny ny mpampianatra avy eo ny
fanavahana sy ny fampifandraisana ny marina ny rariny ary ny hitsiny.

Marihina moa fa tsy manao lesona momba ny fitsipika ny kilasy voalohany ka


izay no antony tsy nanehoana ny momba io zana-taranja io etoana.

3.1.3.2 Ny famelabelaran-kevitra
Ny famelabelaran-kevitra dia endrika paikam-pampianarana ihany koa azo
ampiasaina ao an-dakilasy izay tena mahaliana tokoa izy io satria manpandray anjara
feno ny mpianatra eo amin’ny dingana fianarana.

a. Famaritana

Ny atao hoe famelabelaran-kevitra dia fanehoana na fanazavana lohahevitra


iray manoloana ny kilasy. Izany hoe fanazavana am-bava ny votoatin-kevitra iray ka
izany dia kendrena hikaona tsara sy voarafitra tsara. “Io famelabelarana io dia atao
amin’ny fotoana fohy na voafetra” manamarina izany i Elayech N (2000:104) 83.

b. Ny tombony amin’ny fampiasana ny famelabelaran-kevitra

ny famelabelaran-kevitra dia hahafan’ny mpianatra:

- Mampanan-karena ny fahalalany
- Mampitombo ny fahaizana mikaroka manokana na isam-bondrona
- Mampitombo ny tahirin-kevitra izay hananany
- Mampitombo ny hairaha ara-pitenenana ary indrindra mampivelatra ny am-
bava

Araka izany ny famelabelaran-kevitra dia manampy betsaka ny mpianatra amin’ny


fikarohan-pahalalana hialana amin’ny famerenana be fahatany ny lesona ary koa
manampy ny mpampianatra amin’ny fahitana hevitra vaovao hatrany rehefa
hampianatra lohahevitra iray. Ka ahoana ary ny fomba fanatanterahana io
famelabelarana io? Marihina fa mitovy amin’ny

d.Ny fomba fanatanterahana ny famelabelarana

Ny famelabelarana dia miainga hatrany amin’ny lohahevitra homen’ny


mpampianatra izany hoe efa fantatry ny mpianatra mialoha. Natao izany mba
hahafaha’ny mpianatra manomana ny asa famelabelarana izay ataony. Ny fomba
fandrafetana ny sokajy dia miankina amin’ny isan’ny ankizy nefa tokony hifandanja
ny isan’ny lehilahy sy ny vehivahy mba hisian’ny fifamenoana. Tsy mitovy mantsy ny

83
Dikan-teny malalaka nataonay avy amin’ny tenin’i Elayech N., (2000) : « Il s’agit également
d’expliquer oralement un contenu, structuré et logique. On fait un support d’information dans un temps
réduit »p .104.
53

toetoetry ny roa tonta. Amin’ny ankapobeny ny lehilahy dia mampiasa kokoa ny


atidoha ankavia izay mirona kokoa amin’ny fampiasana ny lôjika. Ny vehivavy kosa
dia havanana kokoa amin’ny fampiasana ny atidoha ankavanana izay mifandraika
amin’ny fihetsehampo. Izany tsy fitoviana izany dia harena enti-manatsara ny asa atao.

Mila ampiarahana ihany koa ny mpianatra heverina fa mahay sy ireo heverina


fa votsa.

Ny famelabelarana dia ahitana teny fampidirana izany hoe famahavahana ny


lohahevitra izay horesahin’ny mpianatra, manaraka izany ny fanazavana ny
votoatin’ny asa ; ary farany ny teny famaranana izay hanaovan’ny mpianatra
famintinana ireo hevi-dehibe mikasika ny famelabelarana izay nataony. Araka izany
ny famelabelarana izany dia ahitana rafitra mazava dia ny teny fampidirana ny
famelabelarana ny votoatin’ny asa, ary ny teny famaranana. Tokony ho samihafa
ihany koa ny lohahevitra izay velabelarin’ny mpianatra. Ohatra hafa ny mamelabelatra
momba ny “marina”, hafa ny manao “ny rariny”, ary hafa ihany koa no manao “ny
fahendrena”. Hampahafantarina ny mpianatra ny ora hahafahany mandray anjara
fitenenana ohatra 30 minitra isaky ny sokajy. Ankoatra izay hampahafantarina azy ireo
ny fampiasana ny solaitrabe satria dia tsaraina izany. Ary rehefa vita ireo dingana ireo
dia azo aroso ny famelabelarana , tsaraina ny fomba fanehoan’ny mpianatra84. Rehefa
vita izany dia mifarana ny famelabelarana ka manao fanitsiana ny mpampianatra raha
toa ka misy izany.

Vokatry ny fanaovana famelabelarana dia mahazo tombony ny mpianatra


tsirairay satria mivoatra ny fahalalany ary mampazoto azy mianatra io paika io satria
dia mandray anjara feno amin’ny fanorenana fahalalana izy.

Indro ary ohatra lohahevitra kilasy voalohany sokajy c azo ampiharana io


famelabelarana io

Ny riba: ny lesona fahendrena sy fahalalana dia azo tanterahina amin’ny


famelabelaran-kevitra ataon’ny mpianatra. Ka ny fomba hanatanterahana izany dia
miainga amin’ny fanomezana ny lohahevitra izay hovelabelarina, tohizana amin’ny
fanomezana ny drafitra izay tokony harahany, raha ao atao ihany koa dia homena ny
boky izay azony vakina ka hahafan’ny mpianatra iray vondrona manafaingana ny asa
izay ataon’izy ireo. Manaraka izany homena torolalana ihany koa izay ireo mba hahay
hikaroka any amin’ny aterineto. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny mpianatra mahita
valiny izay hovelabelariny.

Ny literatiora : ny tantaran’ny literatiora dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny


famelabelaran-kevitra ihany koa. Ka toy izao no fomba hanatanterahana azy. Tarihana
ny mpianatra mba hahay hamoaka ireto drafitra ireto: ny fizarana voalohany dia
hilazana ny zava-nisy tamin’ny vanim-potoana izay ataon’ny vondrona tsirairay.
Ohatra vanim-potoana mitady ny very. Dia tadiavina ny zava-nisy rehetra tamin’nio

84
Jereo ny tovana laharana 7
54

vanim-potoana io. Ny fizarana faharoa kosa indray dia filazana ny tarakevitra izay
naeraky ireo zava-nisy ireo, ary ny fizarana farany hanambarana ireo karazana ohatra
momba ny asa soratra novookarina tamin’io vanim-potoana io. Toy izany no
andrasana amin’ny famelabelarana izay asaina ataon’ny mpianatra.

3.1.3.3. Ny Asa entin’ny tsirairay


Ny asa entin’ny tsirairay dia paikam- pampianarana ihany koa azo ampiharina
mba hampandraisana anjara mivantana ny mpianatra amin’ny fianarana izay ataony.

a. Famaritana

“Ny asa entin’ny tsirairay dia fomba fampianarana natao mba hampanaovana
asa irery ny mpianatra”85 araka ny nambaran’i (Isabelle Calin, 1993, p.129)
hanaovana ny tombana fanabeazana amin’ny mpianatra no sady fampandraisana anjara
mavitrika azy amin’ny fampianarana izay atao.

Izy io ihany koa dia fomba fampianarana natao hampitombo ny fahaiza


mikaroka ao amin’ny mpianatra ka any ivelan’ny efitrano fianarana no
hanatanterahana izany.86

b. Ny fomba fanaovana ny asa entin’ny tsirairay

Toy ny hita ao amin’ny asan-tsokajy ihany ny fomba fiasa. Eto kosa dia tsy
tendrena mialoha fa samy mikaroka ny tsirairay, ka rehefa tonga ny fotoana tokony
hanantanterahana ny lesona, vao manondro mpianatra 3 na 4 hamelabelatra izay asa
vitany, toy ny fikarohana famaritana momba ny fahendrena , ny fikarohana ireo
ohabolana momba ny fahendrena , ny vokatrsoa azo avy amin’izany fahendrena izany.
Ary miainga amin’izany ny ady hevitra.

d. Ny tanjaky ny fampiasana azy

Ireo tombontsoa heverinay fa azo amin’izany manampy ireo tombontsoa


voalaza ao amin’ny asan-tsokajy, fahaleovan-tena eo amin’ny mpianatra , fanehoana
ny maha izy azy ny tena

Rehefa miasa tsirairay ny mpianatra dia tsy misy ny fiankinan-doha amin’ny


hafa, fa tsy maintsy miantehitra amin’ny heriny sy ny sainy izany hoe mahatonga azy
hanana fahaleovan-tena87 (Ibidem). Izany no miteraka ny fahaleovan-tenany ary ny

85
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’ i Isabelle Calin, 1993 manao hoe: « travailler
individuellement , c'est-à-dire réaliser seul une tâche »p 129
86
Dikan-teny malalaka araka ny hita tao amin’ny tranokala http://www.csrdn.qc.ca-discas-
autresDossiers : « Le travail personnel est une situation d’apprentissage ou d’évaluation formative qui
s’accomplit hors du contexte de la classe et de la supervision directe de l’enseignant. Il s’agit
également d’une sorte de travail de recherches et d’analyses réalisé par un élève en dehors de la
classe » consulter le 14 novembre 2020
87
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Isabelle Calin, 1993 manao hoe: « pendant Le
travail individuel l’élève devient autonome , il dépant moins du maître auquel il fait appel suelement
quand il en éprouve le besoin »p 121
55

fanehoany ny maha izy azy. Fanampin’izay manampy ny mpianatra amin’ny


fanomban-tena ihany koa io fomba io ka hahfahany manarina izay lesoka88.

3.1.3.4 Ny angon-kevitra
Fomba iray entin’ny mpampianatra mampandray anjara ny mpianatra ao an-
dakilasy ny angon-kevitra satria izy io dia manamora ny fahitana hevitra momba ny
lohahevitra iray izay tiana hotrandrahina

a.famaritana

“Ny angon-kevitra dia fomba fampianarana izay natao ny hamokarana hevitra


avy amin’ny mpianatra tsirairay na ny vondron’ny mpianatra ao an-dakilasy”89.

Fanampin’izay ny angon-kevitra ihany koa araka ny hita tao amin’ny PROJET


MAG (1995:206) dia natao mba hamohahana hevitra eo no eo ao anatin’ny vondrona
iray izany hoe tsy ankiandriandry fa avy hatrany dia mamoaka hevitra eo no eo90.

Araka izany ny angon-kevitra izany dia paika mpampianarana iray izay


miorina amin’ny fangalana ny hevitry ny mpianatra eo no eo. izay tsy nisy
fampiomanana fa teraka vokatry ny fanontaniana izay ataon’ny mpampianatra
amin’ny mpianatra ka mampisaintsaina ny mpianatra.

b. Ny fomba fanaovana ny angon-kevitra

Ny fomba fanaovana angon-kevitra dia miainga amin’ny fametrahana


fanontaniana amin’ny mpianatra, ka mandritra ny famalian’ny mpianatra dia
soratan’ny mpampianatra eny amin’ny solaitrabe ny hevitry ny mpianatra rehetra izay
niteny natao izany mba hanomezan-danja ny hevitry ny mpianatra tsirairay. Ka rehefa
vita ny famaliana fanontaniana ataon’ny mpianatra dia manao fandravonana sy
fisafidianana ny valiny marina ny mpampianatra.

d. Ny tombony amin’ny fanaovana angon-kevitra

Ny tanjaky ny fampiasana ito paika ito dia ahitana hevitra vetivety mikasika ny
lohahevitra iray. Manampy ny mpianatra ho tia karokaroka sy malaky amin’ny
fikarohana hevitra ary indrindra manetsika haingana ny fitadidiana sy ny hakingan-
tsaina. Manamarina izany i Ndia-Bintu Kayembe milaza hoe: “Ny fanaovana
fanontaniana mandritra ny lesona dia mitondra ny mpianatra amin’ny fisaintsainana sy

88
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny hita tao amin’ny Tranokala : http://www.csrdn.qc.ca-discas
autresDossiers . « Le travail personnel permet aux élèves de (d’): - vérifier sa compréhension -
s’entrainer pour renforcer les acquis » consulter le 14 novembre 2020
89
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny hita tao amin’ny tranokalaka http://www.créativité.net –
définition - du- brainstorming consulter le 10 decembre 2020 : « Le Brainstorming est une technique de
créativité qui facilite la production des idées d’un individu ou d’un groupe »
90
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny hita tao amin’ny PROJET MAG/90/P01FNUAP, 1995: C’est
« une sorte d’interaction dynamique au sein d’un groupe, destiné à favoriser le jaillissement spontané
des idées, sans limitation ou restriction d’aucune sorte. Il favorise l’émergence de l’inconscient, de
l’irrationnel, provoque la créativité, permet d’envisager des solutions sans être handicapé par des
questions d’organisation, de règlement, de finance ou de limitation d’aptitude »p 206
56

ny fieritreretana. Ny fanaovana izany dia mitarika ny mpianatra ho tia karokaroka


(1980:44) 91”

3.1.3.5 Ny ady hevitra


Mbola isany fomba fampianarana izay mampandray anjara ny mpianatra ihany
koa ny ady hevitra . Ka handeha ary hovahavahana ny momba azy.

a.famaritana

Ny ady hevitra dia fanehoan-kevitra am-bava arahina fandresen-dahatra


miainga amin’ny lohateny iray izay nomen’ny mpampianatra ka tanterahin’ny
vondrona 2 na 3 samihafa ao an-dakilasy92 . Ny tanjona dia ny hanomezan-danja ny
hevitry ny isam-bondrona .

Io ady hevitra io dia tsy maintsy voarafitra sy voarindra tsara ary tsy maintsy
ahitana mpitarika na mpandrindra ny ady hevitra.

b. ny fomba fanaovana ady hevitra

Rehefa hanatanteraka ny ady hevitra dia zaraina ho vondrona maromaro ny


mpianatra ao an-dakilasy, manaraka izay omena ny lohahevitra izay hanaovana ny ady
hevitra mba hahafahan’ny isam-bondrona mikaroka ny hevitra izay horesahiny
mikasika ny lohahevitra ary farany hampiomanina ny mpianatra mba haneho fianjaika
milamina sy mirindra.

d.Ny tombon’ny fanaovana ady hevitra

Ny fanaovana ady hevitra dia manampy ny mpampianatra amin’ny fanatsarana


ny tanjona izay apetraky ny fandaharam-pianarana. Izay mikendry ny hamolavola ny
mpianatra hahay haneho henitra imason’olona, ary indrindra manome lanja ny
fampiharana ny am-bava.

Ankoatra izay ny fampanaovana ny ady hevitra ihany koa dia manampy ny


mpianatra amin’ny fahaizana manohana hevitra sy fahaiza-mihaino ny hafa; Izay
fototry ny fampandrosoana ny maha olona feno sy hahaizana miserasera eo amin’ny
mpianatra samy mpianatra93 Isabelle Calin (1993:121).

Fanampin’izay ny fampanaovana ady hevitra ihany koa dia mampitombo ny


faharisihana izay misy ao amin’ny mpianatra. Izany hoe mitarika azy handray anjara

91
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Ndia-Bintu Kayembe, 1980: « Vous pouvez aussi
utiliser les questions comme stimulants de sa réflexion. A n’importe quel moment de la leçon, poser des
questions pour la créativité et la réflexion de l’élève » p44
92
Dikan’teny malalaka nataonay araka ny hita tao amin’ny tranokala http://www. larousse.fr-
dictionnaires-français : « Le débat est une discussion, souvent organisée, autour d’un thème »
93
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Isabelle Calin (1993) mano hoe : « le débat
dévloppe les relations entre élèves ». p 121
57

mavitrika amin’ny asa izay atao ary indrindra mampitombo ny fahafahana ao


aminy94(Ibidem).

Hita teo ary ny famahavahana ireo fanasokajiana ny karazana fomba


fampianarana izay mapandray anjara ny mpianatra dia hovelabelarina manaraka ny
momba ny torolalana fanomanana fomba fampianarana.

3.2. Torolalana ho amin’ny fanomanana fomba fampianarana


Olana lehibe hita taratra nandritra ny fanadihadiana natao teny ifotony izany
hoe tao amin’ny LMAI kilasy 1ère C ny tsy fahampian’ny fanomanana ny fomba
fampianarana ka mahatonga ny fampiasana azy tsy handeha araka ny laoniny. Ilàna
tari-dalana izany mba hahafahan’ny mpampianatra manatsara ny fanomanana sy ny
fikirakirana izany fomba fampianarana izany. Ilàna fanomanana mialoha ny fomba
fampianarana hampiasaina amin’ny fampianarana.

Tahaka ny fanomanan-desona ihany izany. Omanina mialoha ny lisitra, araka


ny tanjona sy ny lohahevitra, omanina ihany koa ny fahalalana ary fantenana ny fomba
hampiasaina.

3.2.1. Fandrafetana lisitry ny fomba fampianarana mifototra amin’ny


lohahevitra sy ny lohateny hampianarina
Amin’ny maha fampitana sy fanovozana fahalalana ara-tsaina ny fomba
fampianarana, dia miankina amin’ny lohahevitra sy ny lohateny ny fanomanana azy.
Azo avahana araka ny zana-taranja ny fandrafetana ny lisitra amin’izany.

3.2.1.1. Ny zana-taranja literatiora


Amin’ny literatiora dia azo atao ny manomana ny fomba fampianarana araka
ny fizarana lehibe.

Fizarana voalohany : ny literatiora amin’ny ankapobeny. Tokony hanamarika


ny fahalalana mahakasika ireto ny fomba fampianarana ampiasaina : famaritana ny
literatiora sy ny kanto, ny anjara asan’ny literatiora, ny fampahafantarana ny
mpanoratra, ny asa soratra sy ny karazany.

Ny fomba fampianarana dia kendrena mba hahafahan’ny mpianatra manangana


ny vontoatin-desona momba ireo. Azo fintinina amin’ireto ny lisitra: ny vela-kevitra,
ny vela-tseho na fampisehoana an-tsehatra95.

Fizarana faharoa: ny tantaran’ny literatiora malagasy. Ny endrika, ny karazana


ary ny tara-kevitra mandrafitra ny literatiora isaka ny vanim-potoana nodiaviny dia
mifamatotra amin’ny zava-nisy ara-tantara teto amin’ny firenena : akon’ny zava-nisy

94
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Isabelle Calin manao hoe, 1993: « l’élève est
motivé pendant le débat car il participe activement à la réalisation d’activités qu’il a librement
choisies[…] il ne sera plus simple spectateur mais acteur. » p 121
95
Jereo ny tovana laharana 1
58

teo amin’ny mpanoratra, asehony amin’ny asa soratra ary ny fitambaran’ny endrika sy
ny toetry ny asa soratra no mamaritra ny endrika sy ny toetry ny literatiora.

Avy amin’izany, ny lisitry ny fomba fampianarana dia azo sokajina ho roa. Ny


tantara sy ny asa soratra. Mirafitra ao anatin’ny tantara ny zava-nisy nolalovan’ny
firenena nandritra ny vanim-potoana ianarana: ny zava-nisy ara-pôlitika, ny lafiny toe-
karena, ny sehatry ny kolontsaina ary ny lafiny fiarahamonina. Mizara roa izany ny
fomba fampianarana azo omanina. Omanina ny fahalalana ara-tantara maneho ny
zava-nisy. Omanina ihany koa ny asa soratra itrandrahana ny toetry ny literatiora
tamin’ny vanim-potoana iray.

Tsara kokoa amin’ireo karazam-panomanana roa ireo ny manomana asa


fikarohana hataon’ny mpianatra ary anaovana famelabelarana96.Manamora ny
fanomanana izany satria ny mpianatra dia mety hahita karazana asa soratra maro
ahafahana mamoaka ny tarakevitra sy hanaporofoana izany. Misy karazana
fampitahana atao ary avy amin’izany no itondrana ny fitrandrahana ny lesona.
Amin’ny fampianarana tantaran’ny literatiora dia zava-dehibe ny fanabezana ny
mpianatra hamaky boky (tantara foronina sy tononkalo) ary hampiasaina ho fomba
fampianarana ny fampanaovana tatitra ny mpianatra ka atao famelabelarana izany.
Ohatra, fitrandrahana sady mampitombo ny kolontsaina literera ao amin’ny mpianatra
ireny no manampy amin’ny fanomanana ny fomba fampianarana ihany koa.

3.2.1.2. Ny zana-taranja riba


Miankina amin’ireo lohahevi-dehibe mandrafitra ny fandaharam-pianarana ny
fanomanana sy fandrafetana ny lisitry ny fomba fampianarana hitrandrahana ireo
fahalalana mahakasika ny riba.

Amin’ny tsangan-kevitra dia foto-kevitra hitantanana ny fiarahamonina,


hanitsiana ny fitondran-tenan’ny tsirairay no ajoro. Misy karazana lalàna tsy raikitra
atsangana amin’ny alalan’ny foto-kevitra , tsy natao hanerena na hifehezana na iza na
iza, saingy mibaiko ny feon’ny fieritreretana kosa. Iainan’ny olona ny tsangan-kevitra
ary avy amin’izany indrindra ny tokony ho fomban’ny fanomanana ny fomba
fampianarana azy.

Fiheveran’ny Ntaolo no namaritra ny fahalalana fototra raketiny, saingy rehefa


iainana izy ka hampianarina amin’ny vanim-potoana ankehitriny, dia tsara raha ny
fiainan’ny olona azy no hamokarana ny fomba hampitana ny fahalalana. Ilaina koa
anefa ny mampitaha ny zava-misy amin’ny fikirakirana tahirin-kevitra maneho ny
fandalàn’ny Ntaolo ny tsangan-kevitra najorony. Ireo no enti-mandrafitra ny
fahalalana.

Ny lisitry ny fomba fampianarana izany dia tokony hahitana trangam-


piainana, boky sy tahirin-kevitra. Ao anatin’ireny dia misy karazana fomba
fampianarana samy hafa araka ny safidin’ny mpampianatra, mifandray amin’ny

96
Jereo ny tovana laharana 1
59

lohatenin-desona. Ohatra, amin’ny fampianarana ny “fahefana amam-pitondrana”, dia


ny rafi-pitondrana misy ankehitriny no asongadina ary hadihadina hanakarana ny rafi-
piarahamonina tranainy ka azo tanterahina amin’ny alalan’ny ady hevitra izany izay
ataon’ny vondrona roa na telo ka ny mpampianatra no mpandrindra azy. Toy ny rafi-
piarahamonina mifototra amin’ny fokonolona.

Ny lisitry ny fomba fampianarana araka izany dia arafitra sy omanin’ ny


mpampianatra ka tokony hahitana ireto : paikady ahafahana maka ny angona avy
amin’ny mpianatra( tsy voatery ho fanontaniana valiana eo no ho eo fa omanina
mialoha ary entina mody). Fanomezana asa ny mpianatra hikaroka raki-pahalalana
fototra amin’ny famakiana boky sy tahirin-kevitra97. Tari-dalana ihany no naroso teo.

3.2.2. Fifantenana ny fomba fampianarana


Araka ny nambara teo ambony dia maro be ireo fomba fampianarana azo
ampiasaina hahafahana mampita ireo karazam-pahalalana maro mandrafitra ny taranja
malagasy. Ekena fa efa nisy torohevitra naroso momba ny famolavolana sy
fanomanana lisitra momba ny fomba fampianarana, saingy tsy maintsy mifantina ny
fomba fampianarana ny mpampianatra rehefa hiatrika fampitan-desona.

Ireo no maneho fa tena zava-dehibe ny fahaizana mifantina ny fomba


fampianarana hampiasaina, ary izany no miantoka ny fahombiazana andrandraina sy
ny tanjona nofaritana.manamarina izany ny Banky Mondialy (1994:50) I manao hoe:
« Ahitana fahombiazana ao amin’ny sekoly rehefa mahay manovaova ny fomba
fampianarany ny mpampianatra arakaraka ny fahasamihafan’ny mpianatra sy
arakaraka ny taranja ampianarina 98» .

Misy torohevitra vitsivitsy ireto azo ampiharina hahatsara fantina ny fomba


fampianarana: - Fantarina ny kilasy hampianarina : Mifampiankina ny kilasy
hampianarina sy ny fomba fisafidianana ny fomba fampianarana hampiasaina. Ary
atao mazava tsara ny drafitra arahina izay homena ny mpianatra satria tokoa mantsy
rehefa mazava ny drafitra dia tsy hanano sarotra ny fanatanterahana ny asa.hoy mantsy
ny humoriste americain milaza hoe “ Ny fanolorana ny drafitra dia lalana mitondra
amin’ny vontoatiny. Ny fisian’ny drafitra tsara rindra dia efa mahatonga ny mpihaino
hanana fehin-kevitra sahady”99

Dinihina izay toetra mety hiombonan’ny kilasy. Ohatra, mpianatra tia


karokaroka, sy tia mandray anjara. Miankina amin’izany ny karazana fomba
fampianarana mety hitondra fahombiazana.

97
Jereo ny tovana laharana 1
98
Banque mondiale, Note technique n°14, 1994, p.50
99
Diakan-teny malalaka nataonay avy amin’ny nambaran’i André Conquet, Comment faire un exposé,
Editions du Centurion 17, rue de Babylone, Paris 7 : « Faire le plan, « l’itinéraire qui conduit au trésor
caché », dit un humoriste américain. Avec un bon plan,l’auditoire est guidé insensiblement vers la
conclusion ».
60

- Jerena ireo angom-pahalalana: Misy fahalalana efa voaangona sy voasokajy


tao amin’ny dingana fanomanana. Fototra iray iankinan’ny safidy ny fandinihana io
angom-pahalalana io, araka ny lohahevitra tsirairay avy. Tsara raha mifandray ny
fitaovana sy ny vontoatin’ny fahalalana, izany hoe misy ny fahalalana tiana
hampitaina ao amin’ny fitaovana.

3.3 Torolanana ho an’ny mpampianatra sy ny tompon’andraikitry ny sekoly


Isany singa manandanja eo amin’ny sehatry ny fampianarana ny mpampianatra
sy ny mpandraharaha eo anivon’ny sekoly satria izy no antoky ny fahombiazan’ny
fanabeazana sy ny fampianarana iray ka rariny raha homena torolalana ihany koa izy
ireo mba hahafahany miala amin’ny fanaovana lesona tolotra. Hovavahana ny momba
izany

3.3.1.Torolalana ho an’ny tompon’andraikitry ny sekoly


Isany singa manandanja eo anivon’ny sekoly ny mpitantana na ny
mpandraharaha ka indro ary ny torolalana ho azy ireo.

3.3.1.1.Fanomezan-danja ny fiarahamiasa eo amin’ny samy mpampianatra


Hita nanditra ny fizarana asa fa samy manana ny paikam-pampianarana
ampianaranùma ny taranja Malagasy ny samy mpampianatra ao amin’ny LMAI ka
vokatry izany dia heverinay fa anisan’ny ezaka tokony atao ny fampiharana ny EPE sy
ny EPIE mba ho fanatsarana sy ho fampandehanana ny fampianaran indrindra
hahafahana miala amin’ny lesona tolotra ary hahafahana mifanakalo hevitra sy mitady
izay hanatsarana ny fomba fampianarana ny taranja malagasy.

Fa indrindra mba hampitovitovy ny paika mpampianarana ka ny


tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampijoroana izany dia ny talen’ny sekoly.
Indro ary hazavaina ny momba ireo EPE sy EPIE ireo.

a. momba ny EPE (Equipe Pédagogique de l’Etablissement)

Ny EPE dia fomba na paikady najoro mba hivondronan’ny mpampianatra


mitovy taranja eo anivon’ny sekoly iray.

Hahafahan’ny mpampianatra samy mpampianatra ny taranja malagasy


mifampita fahalalana sy mifanakalo hevitra ary mampifandrindra ny fomba entina
mampianatra eo anivon’ny sekoly mba ho fanatsarana ny fampianarana io taranja io
izany ny EPE ary indrindra koa manampy amin’ny fanatsarana ny tanjona dia tsy
inona fa ny fampandraisana anjara ny mpianatra ary koa hialana amin’ny fanaovana
lesona tolotra .manamarina izany i MENRS-MADERE100. Milaza fa « tekinikam-
pampianarana tsotra mampandray anjara, mampahaliana, manome lanja ny mpianatra
rehetra ao am-pianarana tsy misy avakavaka ny fiaraha-miasa. » (1999 :22)

100
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i MENRS MADERE, 1999Pédagogie de groupe
à Madagascar, « une technique pédagogique simple qui permet de participer, d’intéresser, de prendre
en compte et en considération tous les élèves d’une classe sans aucune exception. »p22
61

Izany hoe ny mpampianatra samy mpampiantra ny taranja malagasy eo


anivon’ny sekoly no manatanteraka azy. Ka mandritra io EPE io dia ireto avy ny lafin-
javatra azao dinihana : voalohany ny fahalalana izay homena ny mpianatra , faharoa
ny paika na ny fomba fampitana izany fahalalana izany, ary fahatelo azo dinihana ao
ihany koa ny fitaovana enti-mampianatra.

b. momba ny EPIE (Equipe Pédagogique Inter-Etablissement)

Amin’ny EPIE kosa indray no fotoana ahafahan’ny mampianatra rehetra


manerana ny Fivondronam-pokontany, hifanakalozana fahalalana sy hifanakalozan-
kevitra ary hifanakalozana izay fomba tsara heverina fa hanatsarana ny fomba entina
mampianatra ny taranja Malagasy ohatra. I Freeman (1993 :102) dia manamafy fa « ny
fiarahamiasa eo amin’ny mpampianatra samy mpampianatra dia tena ilaina satria
manatsara ny vokatra eo amin’ny beazina izany »101.

Mampitovitovy ny fomba entin’ny mpampianatra ny mampianatra ary koa


mety handravona ary hampifanakaiky izay lesona rehetra omena ny mpianatra
manerana ny fivondronam-pokontany. Ny tanjona dia ny mba hitovizan’ny
hahabon’ny fahalalan’ny mpianatra ao antin’ny kaominina.

Lafin-javatra telo no dinihina ao amin’ny EPIE dia: ny lafiny akademika izany


hoe ilay fahalalana hampianarina; manaraka izany ny lafiny didaktika izany hoe ny
hai- fampianarana ary farany ny lafiny pedagojika izany hoe ireo fomba fampianarana.

3.3.2.Torolalana ho an’ny mpampianatra

Tsy ny tompon’andraikitra ao an-tsekoly ihany no ilaina homena torolanana.


Ilaina ihany koa ny manome tololanana ho an’ny mpampianatra ka indro ary ny
momba izany.

3.3.2.1 Ny famoronana fitaovana


Isan’ny fitaovana lehibe manampy ary mampahomby ny fampianarana ny boky
sy ny tahirin-kevitra, satria ireo no mitahiry izay zava-miseho rehetra tao anivon’ny
fiarahamoniana sy ny firenena ary isany singa lehibe indrindra mahatonga ny
mpianatra andray anjara ny fampiasana fitaovana araka ny nambaran’i Leandri F. sy i
Boulay L (1956:5).102 Hita sy tsapa anefa nandritra ny fizarana asa natao fa tsy
miovaova mihitsy ny fitaovana hampiasain’ny mpampianatra rehefa mampianatra fa
mifahatra hatrany amin’ny Boky Lovako.

101
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Freeman J. 1993 : « l’enseignement coopératif
fournit l’occasion à deux enseignants, dont la formation et l’expérience différent, de mettre au point une
compréhension mutuelle, des opinions partagées et la volonté d’approfondir et d’améliorer la qualité
de l’enseignement et de l’apprentissage en classe » p 112
102
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Leandri F. et Boulay L.1956: « les matériels
pédagogiques permettent aux enfants d’agir grâce aux choses, d’agir sur les choses et de prendre
conscience, d’apprécier les qualités de la matière, de découvrir un sens et un ordre aux diverses
manifestations de la vie à laquelle ils participent et dans laquelle ils doivent trouver leur place » p 5
62

Raha tiana anefa ny hialana amin’ny fampiasana lesona tolotra rehefa


mampianatra ny taranja malagasy, dia ilaina ny fanatsarana sy fampitomboana ny
fitaovana eo ampela-tanan’ny mpampianatra , araka ny ambaran’i Ndia-Binty
Kayembe (1980:29) hoe : « Ny tanjona dia maneho tondro tahaka amin’ny fifantenana
ny fomba hoenti-mampianatra, ny fitaovana ampiasaina, ny tombana atao 103» izany
hoe mila homanina mialoha ny fitaovana ary ezahina ny mikaroka fitaovana vaovao
hatrany mba hampahomby ny fampianarana.

Isan’ny mahatonga ny olana ihany koa ny tsy fisian’ny fitaovana manaraka ny


toetrandro mba hampianarana. Azo vokarina ho fitaovana entina mampianatra ohatra
ny horonan-tsary. Izany hoe, ho mora sy hahaliana ny mpianatra kokoa, raha toa ka
mahita sy mandre izy fa tsy hitantarana fotsiny. Azo ampiharina izany ohatra eo
amin’ny fampianarana ny riba ao amin’ny lohahevitra “fahendrena sy fahalalana”.

3.3.2.2 Ny fitadiavana fiofanana mitohy


Araka ny fanontaniana napetraka tamin’ny mpampianatra izay nitarika anay
tao amin’ny LMAI dia tsy nahazo fiofanana toy ny taty amin’ny ENS ( Ecole Normale
Supérieure) izy fa mpampianatra nivoaka avy eny ankatso na isany mbola mahatonga
azy hikaviavia amin’ny fampianarana izany. Ankoatra ny fahafehezana ny taranja
ampianariny dia tokony hahafehy ny psykolojia , ny siansin’ny fanabeazana ary
indrindra ny paika mpampianarana mba tsy hanaovana lesona tolotra araka ny
nambaran’i Le Pellec J.(1998:102)104. Izany hoe, ny mpampianatra dia tokony hanana
fahalalana feno sy hahafehy ny zavatra ampianariny sy ny manodidina izany , satria
hoy i Montesquieu hoe : “ ny olona izay mampianatra dia afaka mitompoteny fantatra
satria manao ny asan’ny olona tsy mety diso”.(1995:143 )”105

Tokony ho ampy fahalalana araka izany ny mpampianatra mba hampandeha sy


hampahomby ny fampianarana ary ny mpampianatra ihany koa mantsy dia tokony
haneho fa mahafehy ny fahalalana izay ampitainy amin’ny mpianatra. Manamarina
izany ny Banky Mondialy manao hoe: « Ny mpampianatra rehetra dia tokony ho
afaka maneho fa mahafehy tsara ny taranja ampianariny 106. (1994:44) »

Tokony hisy araka izany ny fanofanana ny mpampianatra tsirairay mba


hananany fahalalana feno manambara izany i Carron G (1996:185) hoe : “ilaina foana
ny mpampianatra miofana mandritra ny fotoana fiasany satria manampy amin’ny

103
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Ndia-Binty Kayembe,1980 : « Les objectifs
constituant un cadre de référence pour la selection des méthodes, des activités et des matériels
éducatifs, et pour l’évaluation ».p 29
104
Dikan-teny malalaka araka ny nambaran’i Le Pellec J 1998 : « le savoir académique ne suffit à
l’enseignement car s’il enseigne, c’est pour que les élèves apprennent. Pour cela, il doit,
semble-t-il, avoir quelques lumières en psychologie de l’apprentissage, en science de
l’éducation, en pédagogie générale » p 102
105
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Montesquieu, 1995,« Un homme qui enseigne
peut devenir aisément opiniâtre, parce qu’il fait un métier d’un homme qui n’a jamais tort »
p.143
106
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny voalazan’ny Banque mondiale, Note technique n°14, 1994: «
Tous les enseignants peuvent faire preuve d’une bonne maîtrise de la discipline qu’ils enseignent ».p 44
63

fanatsaranany asa fampianarana izany”107. Ilaina foana izy io satria misy hatrany
fahalalana mitohy tokony ho azon’ny mpampianatra tsirairay amin’ny taranja
ampianariny. Tsara araka izany raha mitady fanofanana na fiofanana mitohy ny
mpampianatra satria manavao sy manatsara ireo fahalalana efa azony sy
fahaizamampita mba hiantoka ny fahatsaran’ny vokatra sy hampitombo ny kalitaon’ny
fampianarana izany satria tokoa mantsy araka ny nambaran ‘i Macaire F.(1993, p.43)
manao hoe “ny fanabeazana sy ny famolavolana toe-tsaina dia mitaky olona
108
matianina” . Azony atao ihany koa ny mampanatena amin’ny alalan’ny fikarohana
ara-teknolojia satria efa miroborobo izany ankehitriny.

107
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Carron G, 1996 : une autre forme de soutien
pédagogique extérieur pour les maîtres est la formation en cours d’emploi. Cette formation est souvent
considérée comme plus importante encore que la formation initiale, ou du moins ayant un effet direct
plusimportant sur la qualité du travail d’enseignement en classe p 185
108
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Macaire F. 1993: « éduquer les enfants, former
leur caractère, éveiller leur intelligence, les instruire, exige des qualités professionnelles de
premier ordre » p 43
64

FEHIN’NY FIZARANA FAHATELO

Mitaky andraikitra sy asa avy amin’ny mpampianatra ny fampiasana ny


paikam- pampianarana eo amin’ny haifampianarana. Ny lafiny fanomanana no
dingana isan’ny manahirana indrindra amin’izany. Fanomanana mialoha no atao ary
ezaka fanamaivanana ny asa eny am-panatanterahana ny fampianarana izany. Tsara ny
manana lisitra na angona momba ny fomba fampianarana mba hahafahana misoroka
mialoha ny mety ho fahabangan’izany eo am-panatanterahana ny sehompampitan-
desona.

Heverina mantsy fa na mirafidrafitra aza ny fanomanana ny fahalalana


hampitaina, raha tsy eo ny fahaizana misafidy ny paikam-pampianarana dia hiverina
ihany ny endri-pampianarana tolotra. Izany hoe ny fomba fampianarana tsy manome
vahana ny anjara asan’ny mpianatra.

Ankoatra ny fitarihana ny mpampianatra mpanabe hahay hikarokaroka , dia


tena tanjona lehibe amin’ity andram-bahaolana ity ny ihatahana amin’io tetika amam-
paika tsy mahomby io. Dia ny fanaovana lesona tolotra izany.
65

TENY FAMARANANA
Tamin’ity asa fikarohana ity dia ny sehatry ny haifampianarana no
nirotsahanay. Andry lehibe iray miantoka ny tontolom-piainan’ny tsirairay mantsy ny
vokatry ny fampianarana sy ny fanabeazana ka heverinay fa mila fifanomezan-tanana
ny fanatsarana sy ny fampivoarana hatrany ny asa rehetra mahakasika azy. Anjara
biriky amin’izany ity asa fikarohana ity tsiahivina fa “NY LESONA TOLOTRA:
MITONDRA OLANA AMIN’NY FAMPIANARANA TARANJA MALAGASY
KILASY VOALOHANY SOKAJY C, LISEA MODERINA ANKADIKELY
ILAFY.” No lohahevitra novoaboasanay sy nanoloranay tari-dalam-panatsarana.
Noho ny fahitana fa zary fahazarana ho an’ny mpampianatra ny manao fampianarana
tolotra, ny manao fampianarana tsy miaina sy tsy mampandray anjara feno ny
mpianatra, ny manao fampianarana mifahatra amin’ny fanenjehana ny fandaharam-
pianarana, dia nahatsapa izahay fa tokony hofohazina sy hatsaraina ny fampianarana
mifototra amin’ny fampandraisana anjara mavitrika ny mpianatra. Io no vahaolana
fototra heverinay fa mahomby hialana amin’ireny fahazarana ireny, ka nahatonga anay
nisafidy ny lohahevitra.

“Ny tsara indrindra amin’ny fampianarana mantsy dia ny fahaizana sy ny


fahazaran’ny mpianatra mikaroka sy mamorona ary mampiasa sy miaina ny
fahalalana norantoviny ampahalalahana ka tsy hanadinoany izay nokarohany sy
hahaizany mitondra tena sy hahafahany mizaka tena eo amin’ny fiainana”, araka ny
voalazan’ny IPAM (1993:121)109. Tahaka izay mpiseho amin’ny asa fikarohana
rehetra, dia nisy ireo olana samy hafa tsy maintsy niaretana teny am-panatontosana ny
asa. Tsy nahakivy anay ireny fa vao maika aza nampitombo ny risi-po sy ny herin-
tsaina hahavitana an-tsakany sy an-davany ny asa.

Niezaka izahay nikaroka vahaolana hampandehanana ny fikarohana. Haitsikera


roa no nifotorana nandritra ny famahavahana ny lohahevitra: teo ny haitsikera antsoina
hoe : “constructivisme ” izay nampiasan-dry Piaget. Haitsikera azo ampiharina tsara
aty amin’ny sehatry ny fampianarana io haitsikera io noho izy manome lanja ny
fikaroham-pahalalana miainga amin’ny filana voajanahary ao amin’ny mpianatra
izany hoe ny fianarana izay atao dia tsy misy teritery avy amin’ny mpampianatra fa
miankina amin’ny filana na ny finiavan’ny mpianatra iray.

Teo koa ny haitsikera “socioconstructivisme”. Teôrian’i Vygotsky izy ity, izay


manasongadina ny maha zava-dehibe ny anjara asan’ny fiarahamonina, amin’ny
fanorenanm-pahalalana izay ataon’ny mpianatra ka amin’izany dia tsy izy irery
intsony no manorina ny fahalalana ao aminy fa mifanindran-dalana aminy ny mpiara-
monina aminy .

Teboka telo lehibe no navoitra nandritra ny famahavahana: nasongadina tao


amin’ny fizarana voalohany ny hodidina ankapobeny sy fototra siantifika iorenan’ny

109
Dikan-teny malalaka nataonay araka ny nambaran’i Calin Isabelle sy i Albert Eric manao hoe 1993 :
« les méthodes actives rendent les élèves autonome c'est-à-dire ils sont indépendants, et n’oubliera plus
ce qu’il a découvert ». p 121
66

asa fikarohana. Navoitra tao amin’ny fizarana faharoa ireo karazana olana nateraky ny
fanaovana lesona tolotra . Tao amin’ny fizarana fahatelo kosa no nitondrana ireo
andram-bahaolana mba hahafahana mandanjalanja ny fampiasana io lesona tolotra io.

Marihina fa nandritra ny asa fikarohana dia niezaka hatrany izahay


nanasongadina fa isan’ny fototra mitondra fandraisana anjara sy fahavitrihana betsaka
indrindra eo amin’ny mpianatra ny fanovaovana ny paika na ny fomba fampianarana
satria mety hampivoatra aratsaina azy, noho ireo tombom-pahalalana samy hafa
entiny, indrindra amin’ny paikam-pampianarana mahavaly ny filàn’ny mpianatra. Tsy
mihambo ho nahavita izahay amin’ity voka-pikarohana ity, fa mitondra ny anjara
biriky amin’ny fanatsarana hatrany ny asa masin’ny fanabeazana.

Kely dia kely tsy araka ny tokony ho izy ny vokatra naroso saingy inoana fa
hanampy ny mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny fitrandrahana ny sahan’ny
fahalalana izany. Isaorana sy ankasitrahana sahady ihany koa ireo izay manam-
piniavana hanohy sy hanatevina ny fikarohana ; momba ny fahaiza-mandanjalanja ny
fampiasana ity lesona tolotra ity eo amin’ny haifampianarana ny taranja malagasy eny
amin’ny lisea. eny fa na dia tsy amin’ny taranja malagasy ihany aza, ho
fampandrosoana hasina ny taranaka Malagasy izay hampitana izany fahalalana izany.
67

TONDRO BOKY SY TONDRO TRANOKALA

1. Boky
 ANDRIAR, Samuel, 2017. Initiation à la psychosociologie. Antananarivo :
Imprimerie Imarivolanitra.
 BARTH B-M, 2004, Le savoir en construction ; éd. RETZ/S.J.E.R.
 BLANCHET, Philippe, 2000. La linguistique de terrain, méthode et théorie. Une
approche ethnosociolinguistique de la complexité. Didact Linguistique. Rennes:
Presses Universitaires de Rennes.
 CHARNOZ G, 1960. L’enseignement effort improductif ? vers une organisation
scientifique du travail scolaire ; Paris, PUF.
 CLAPAREDE E, 1967 L’éducation fonctionnelle ; Suisse, Neuchâtel.
 CRAHAY M 1995. Evaluation et interactions maitre-élèves. Service de pédagogie
expérimentale,Université de Liège.
 CHATEAU J, 1964 Ecole et éducation ; Paris, J. Vrin.
 CARRON G., 1996. La qualités des écoles primaires dans des contextes de
développement différents, UNESCO,Paris,
 DOTTRENS R., et al, 1966. Eduquer et instruire, Edition Nathan.
 DOTTRENS R., 1960. Tenir sa classe, éd°. PUF, Paris, 237p
 DOTTRENS R et al, 1966. Eduquer et instruire, Edition Nathan, p51
 DUNKIN M.J., et BIDDLE B.J.,1974. The study of teaching, New York : Holt,
Rinehart and Winston.
 DE LANDSHEERE, Gilbert, 1972a. Introduction à la recherche en éducation, George
Thone, Liège.
 DESAMAIS et GINESTE, 1963. Face aux enfants : l’enseignement dans les pays
francophones et à Madagascar, Armand Colin, Paris.
 DENISOT J-C. et LABOUREAU D., 1990. Le français au 1er cycle de
l’enseignement secondaire : pratiques/méthodes/objectifs, Ed. L’ECOLE, Paris.
 FREEMAN J. , 1993. Pour une éducation de base de qualité : comment développer la
compétence ? Bureau internationale d’éducation, Coll. Science de l’éducation, Paris.
 IPAM , 1993 . Guide pratique du maître , Edicef.
 HAMELINE D, 1992. Les objectifs pédagogiques ; paris, ESF éditeur, 10è édition.
 MEIRIEU P., 1992, « Apprendre, Oui, mais comment ? », édition ESF, Collection
pédagogique, 9è.
 NDIA-BINTY Kayembe, 1980. Conduire une leçon. Editions Hurtubise HMH/tée.
Montréal.
 NDIA-BINTY Kayembe, 1980 : Définir les objectifs d’apprentissage, Edition
Hurtubise, Canada,
 NDIA-BINTU KAYEMBE Octobre 2005. Apprendre et enseigner en éducation de
base.Edition Hurtubise.
 NAIL VER et AL, 2014, Professeur des écoles : droits, responsabilités, carrière, Retz
Editions.
68

 OLIVIER Lawrence et al. 2005. L'élaboration d'une problématique de


recherche.Sources outils et méthode, Paris, L'Harmattan
 RAHAJARIZAFY RP Filozofia malagasy, librairie Ambozontany 1970 Fianarantsoa.
 R REY B., 1999 : Les relations dans la classe, au collège et au lycée, ESF, éditeur
collection pratiques et enjeux pédagogiques, Paris, p97
 REBOUL Olivier : « Qu’est-ce qu’apprendre ? », P.U.F, Paris, 1995
 ROGERS C.R, 1984 .Liberté pour apprendre ? Paris, éd. Dunod.
 TARDIF J, 1992. Pour un enseignement stratégique ; collection théorique et pratique
dans l’enseignement ; Québec, édition logique.

2. Revio
 ANDRIAR S. Janvier 2020, De la pédagogie à Madagascar in REVUE DIDAKTIKA,
n° 04, Ecole Normale Supérieure, Université d’Antananarivo- Madagascar, PDF 24-46
 ALTET, M., 2002 Une démarche de recherche sur la pratique enseignante : l’analyse
plurielle. In Revue Française de Pédagogie
 Banque mondiale, Note technique n°14, 1994, p.50
 CRAHAY M. et DELHAXE A. : Quel paradigme adopter dans les recherches
empiriques consacrées à la qualité de la vie dans les milieux préscolaires, Université
de Liège, vol 01, n°02, PDF
 GERARD DE VECHI, RONDEAU-REVELLE (M) Mars (2006) : Un projet pour
favoriser la relation maitre-élèves. Edition Delagrave. N° 8893. France.
 LEANDRI F. et BOULAY L.,1956. Le matériel éducatif, Editions BOURRELIER,
Coll. Cahiers de pédagogie moderne, Paris,
 OUANE, Adama et GLANZ, Christine, 2010. Pourquoi et comment l‟Afrique doit
investir dans les langues africaines et l‟enseignement multilingue. Second tirage revu
et corrigé. Afrique: UNESCO-ADEA.
 PROJET MAG/90/P01FNUAP : Guide didactique pour l’enseignement de
l’Education en matière de population, 1995, CNAPMAD, Antananarivo,
 VERGNAUD 1978: « Revue française de pédagogie », N° 45, Paris,.

3. Aterineto
 ANNIE Bruter, « Le cours magistral comme objet d’histoire », Histoire de l’éducation
[En ligne],120 | 2008, mis en ligne le 01 janvier 2013, consulter le 30 avril 2019.
URL:http://journals.openedition.org/histoire-education/1829;DOI: 10.4000/histoire-
education.1829
 College Of Education:
:http://www.usask.ca/education/coursework/802papers/Skaalid/definition.html
consulter le 5 juin 2020
 DOUGIAMAS, M.1998. A journey into Constructivism:
http://dougiamas.com/writing/constructivism.html nivoaka ny 5jona 2020
 ELLIS, C. 1996. Evocative Autoethnography: Writing Emotionally about our lives. In:
W.G. Tierney and Y.S.Lincoln (Eds) Reframing the Narrative Voice.
Funderstanding:http://www.funderstanding.com/constructivism.cfm consulter le
69

5 juin 2020
 Le triangle pédagogique de Philippe MEIRIEU, in- https:// www.meirieu.com
 NADINE Bednarz et CATHERINE Garnier (dir.), Construction des savoirs. Obstacles
& conflits, 277-285. Université du Québec à Montréal. C.I.R.A.D.E. & Agence d’Arc
Inc. Otawa http://saoussendkhil.over-blog.com/2014/01/obstacle-didactique.html
consulter le 26 janvier 2014
 PHILIPPE Dessus. In Qu’est-ce que l’enseignement ? : Quelques conditions
nécessaires et suffisantes de cette activité. Revue Française de Pédagogie, INRP/ENS
éditions, 2008, pp.139-158. ffhal-00371346 https://hal.archives-ouvertes.fr/hal-
00371346 consulter le 27 Mars 2009

4. Rakibolana
 Dictionnaire encyclopédique 2012
 LEGENDRE R.1993, Dictionnaire actuel de l’éducation. Montréal/Paris p.507 :
Guérin/Eska.
 MONTESQUIEU, Dictionnaire des citations de la langue Française, Imprimeie en
CFF le 25/04/1995, Juillet
 RAOLISON Regis Rajemisa, 2003, rakibolana malagasy
5. Lalàna sy boky navoakan’ny fanjakana
 Loi N°78-040 portant cadre général du système d’éducation et de formation
 Loi N°94-033 portant orientation générale du système d’éducation et de formation à
Madagascar
 Loi N°2004-004 portant orientation générale du système d’éducation,d’enseignement
et de formation à Madagascar
 Loi N°2008-011 portant orientation générale du système d’éducation,d’enseignement
et de formation à Madagascar
 Programmes scolaires, 1997-1998 classe première,Taranja malagasy
 Rapport d’état du système éducatif malgache (2016), Antananarivo, MEN,
MESuPRES, MEETFP
 MEN, MESUPRES, MEETFP, 2017. Plan Sectoriel de l’Education (2018-2022) :
Pour une éducation de qualité pour tous, garantie de développement durable

6. Voka-pikarohana
 ELAYECH N., (2000) : Théorie de l’apprentissage, Doctorat en science de
l’éducation, Université de Monaster
 MEIRIEU Philippe, (1983) : Apprendre en groupe, contribution à la recherche sur les
pratiques de groupe en situation scolaire, Thèse de Doctorat, Lyon.
 N’DA Paul, (2015) : Recherche et Méthodologie en Sciences Sociales et Humaines,
Reussir sa thèse, son mémoire de master ou professionnel, et son article. Thèse de
Doctorat, L’Harmattan.
1
ix

TOVANA
x

LISITRY NY TOVANA

Laharana Lohateny Pejy

Tovana laharana 1 Fandaharam-pianaran’ny kilasy voalohany sokajy C XII

Tovana laharana 2 Andiam-panontaniana natao tamin’ny talen’ny XVI


sekoly

Tovana laharana 3 Andiam-panontaniana natao tamin’ny XVIII


mpampianatra taranja malagasy kilasy 1ère C
LMAI
Tovana laharana 4 Andiam-panontaniana natao tamin’ny mpianatra XIX
1ère C LMAI

Tovana laharana 5 Masontsivan’i Gilbert De Landsheere : ireo anjara XX


asa 9 ny fampianarana

Tovana laharana 6 Masontsivan’i Delhaxe sy i Crahay XXI


Tovana laharana 7 Ny masontsivana enti-manombana ny famelaberan- XXII
kevitra Daniel Sorano ( 2019:1)
xi
xii

Tovana laharana 1: fandaharam-pianaran’ny kilasy voalohany sokajy C


TANJON'NY FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY AO AMIN'NY
KILASY VOALOHANY

Ny mpianatra mahavita ny kilasy voalohany dia afaka:

 Manavaka ny rafi-pisainana amam-pinoana malagasy raketin'ny fomba amarn-


panaony miohatra amin'ny hafa;
 Mandrindra ny fahalalana norantoviny amin'ny soatoavin'ny fîreneny manoloana ny
maha-olom-pirenena azy;
 Manaporofo ny fananany fahalalana ampy mikasika ny literatiora sy ny fifehezany ny
tekinika samihafa ilaina amin'ny fanjohian-kevitra ao amin'izany;
 Manasongadina ny lafiny kanto ao amin'ny lahatsoratra na lahabolana amin'ny
mahataratry ny zava-misy sy fitaovampanehoan-kevitra azy;
 Mampiasa ny teny malagasy hita amin'ny fanehoan-kevitra ambava na an-tsoratra
amin'ny tomba tsotra sy manara-pitsipika;
 Mihaino sy manakatra ny hevitry ny hafa ary mandahatra sy manohana ny heviny.

Tanjon'ny taranja malagasy; Sokajy C sy D

Toy ny teny rehetra fampiasan'ny firenen-tsamihafa erantany, ny teny malagasy dia


fitaovana mahomby ahafahana mifehy sy mamolaka ny fahalalana, ny fahaiza-manao ary ny
tekinika ka anabeazana feno ny maha-olona (vatana, saina, fanahy) sy ahazoa-mivelatra eo
amin'ny lafim-piainana rehetra noho izany, ny fampianarana azy dia tokony ho sehatra iray
hitaizana ny mpianatra:

 Hahalala ny kolon-tsaina sy ny rafi-pisainana malagasy manaraka ny fivoaran'ny


tantara;
 Ho afaka mitia sy mikolo ary mandalina ny harentsaina malagasy sady afaka
misokatra amin'ny haren-tsain'ny hafa;
 Ho matotra amin'ny fifandraisana eo amin'ny lafiny hevitra isan-karazany: sady mahay
mihaino no afaka maneho mazava sy manohana ny heviny;
 Hanana saina liana amin'ny fivoarana sy tia ny fandrosoana ho amin'ny tsaratsara
kokoa hatrany.
1. Momba ny literatiora
xiii

ZANA-TARANJA : LOHATENIN-DESONA FOMBA HAMPITANA NY


LITERATIORA LESONA

TANJONA ANKAPOBENY
Mpianatra afaka:
 mitia sy mikolo ny haren-tsaina malagasy;
 manatsara kokoa ny famaritana ny antsoina hoe "literatiora" sy ny "kanto";
 mamolaka ny Fahaiza-mikirakira sy manatsoaka hevitra avy amin'ny literatiora
nodinihiny;
 manazatena sy mankamamy vaky boky mba hanabe vobo ny vakomanitra ananany
indrindra eo amin'ny sehatry ny literatiora malagasy;
 mampiasa ny fahalalana norantoviny ho fitaovana hamohazana ny talentany, na
hamolahana ny haiforona eo amin'ny sehatry ny literatiora.

Ny lesona  Fanadihadiana
 Ny literatiora tahirin-kevitra
amin’ny ankapobeny  Famelabelaran-
 Ny tantaran’ny kevitra ataona sokajy
literatiora mitady ny
very
 Ny literatiora
novokariny
 Ny tantara foronina
(ny famaritana, ny
firafitry ny tantara
foronina , ny
mpandray anjara)

Ny tombana
 Asa famoronana
tantara foronina
FAHARETANY 30 ORA
xiv

2. Momba ny zana- taranja riba

 Ny rafi-pisainana malagasy tarafina amin'ny fomba fiainany

ZANA-TARANJA : RIBA LOHATENIN-DESONA FOMBA HAMPITANA NY


LESONA

TANJONA ANKAPOBENY
Mpianatra afaka:
 manakatra ny rafî-pisainana malagasy tarafina amin'ny teny sy ny fihetsika ary ny
fomba amam-panaony;
 mandrindra ny fihetsiny sy ny fahalalana azony amin'ny soatoavin'ny fiaraha-monina
misy azy sy ny fifandraisany amin'ny mpiara-beiona aminy;
 manpiasa ny fahalalana azony mikasika ny haiteny ho fïtaovam-pitrandrahana sy
fanehoan-kevitra eo amin'ny sehatra samihafa.

Ny lesona  Fanadihadihadiana
 Ny marina tahirin-kevitra
 Ny rariny  Fanasana vahiny
 Ny hitsiny misehatra momba ny
 Ny fahendrena fampianarana Riba
 Ny fahalalana  Famelabelaran-kevitra
Ny tombana ataona sokajy
 Fanaovana tatitra ny  Adihevitra ataon’ny
fanadihadiana samy mpianatra
mivantana mikasika
toe-javatra iray
nitranga izay
mifandraika amin'ny
lesona;
 Famelabelaran-
kevitra
FAHARETANY 30 ORA
xv

 Ny hasin'ny tanindrazana sy ny fahefana amam-pitondrana

ZANA-TARANJA : RIBA LOHATENIN-DESONA FOMBA HAMPITANA NY


LESONA

TANJONA ANKAPOBENY
Mpianatra afaka:
 manakatra ny rafi-pisainan'ny malagasy tarafina amin'ny lamina sy ny fitantanan-
draharahany;
 mandrindra ny fahaizana norantoviny amin'ny soatoavina sy ny filan'ny fiaraha-
monina nipoirany;
 mamadika izany ho hery mampiyoatra ny tenany sy nyfireneny;
 mampiasa ny fahaizany eo amin'ny lafîny haiteny ho fitaovam-pitrandrahana sy
fanehoan-kevitra,
 mifehy ny endri-pifandraisana sy fifaneraserana ara-kevitra: mihaino ny hevitry ny
hafa ary mahay maneho sy manohana ny heviny na an-tsoratra na am-bava.

Ny lesona  Famelabelaran-
 Ny Hasina kevitra
 NyHasin’ny Tsirairay  Adihevitra
 NyHasin’ny
Tanindrazana
 Ny Fahefana Amam-
Pitondrana
Ny tombana
 Fanadihadiana
lahatsoratra
 Famakavakana
hevitr’olona

FAHARETANY 40 ORA
xvi

Tovana laharana 2: andiam-panontaniana natao tamin’ny talen’ny sekoly

1- Mombamomba ny talen-tsekoly:

 Taona :
 Lahy sa Vavy
 Mari-pahaizana akademika:
 Mari-pahaizana hafa :
 Taona nidirana teo amin’ny sehatry ny fampianarana :
 Taona nanendrena ho talen-tsekoly:
 Isan’ny taona nahatalen-tsekoly :

2- Momban’ny sekoly:

 Daty sy taona nisokafan’ny sekoly :


 Laharana fahazoan-dalana nanokatra ny sekoly :
 Isan’ny trano fianarana :
 Isan’ny mpandraharaha:
 Isan’ny mpampianatra :
 Isan’ny mpianatra:

3- Fanontaniana hafa mikasika ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny foto-


drafitrasa ao an-tsekoly

 Firy ny isan’ny mpianatra isan-dakilasy amin’ny ankapobeny?


 Manana trano famakiam-boky ve ny sekoly? (Centre de documentation et
d’information na CDI)? Eny Tsia
 Tranainy ve sa vaovao ny boky ao? Tranainy Vaovao Taona firy no nahazoana
azy?
 Misy ve ny boky mikasika ny taranja malagasy ao amin’ny trano famakiam-boky ?
Eny Tsia , inona avy ary firy no isany.
 Mba maka boky ho an’ny mpianatra ao ve ny mpampianatra taranja malagasy ary
rehefa mampianatra?Eny Tsia
 Manana trano fandefasana horonan-tsary sy oronam-peo ve ny sekoly? Eny Tsia

Raha eny, inona avy ireo fitaovana misy ao? Télévision / Radio/ Lecteur/ video
projecteur
xvii

 Momba ny inona ny horonan-tsary ananareo?


 Taranja inona no tena mampiasa ny trano fandefasana oronan-tsary sy oronampeo?
Histo-Geo Mathématique Anglais Malagasy Français Physique-Chimie Science
de la vie et de la terre
 Inona avy ireo fitaovana pedagojika na “supports didactiques” mikasika ny taranja
malagasy ao amin’ny sekoly ary mampiasa izany ve ny mpampianatra?
 Misy firy ny mpampianatra taranja malagasy?
 Misy fampiofanana ny mpampianatra ve teto anivon’ny sekoly hanatsarana ny
fampianarana? Eny Tsia Raha eny, momba ny inona ary oviana ary iza no
miandraikitra izay?
 Miara-miasa ve ny mpampianatra samy mpampianatra eto amin’ny sekoly
hiadidianao ary misy koa ve ny fiarahamiasa amin’ny mpampianatra ivelan’ny
sekoly ? Eny Tsia Raha eny, iza avy izy ireo ary inona ny tombon-tsoa azonareo
amin’ny fiara-miasa?
 Inona avy ireo olana hitarainan’ny mpampianatra taranja malagasy
 Manomeza ary soso-kevitra hamahana an’izany olana izany sy
hanatsarana ny fampianarana ny taranja malagasy.
xviii

Tovana laharana 3: andiam-panontaniana natao tamin’ny mpampianatra taranja malagasy


kilasy 1ère C LMAI

1- Mombamomba ny mpampianatra :

 Taona :
 Lahy sa Vavy :
 Efa manambady tsy manambady efa nisaraka efa maty vady
 Isan’ny zaza mbola iandraketana:
 Mari-pahaizana akademika ambony indrindra :
 Mari-pahaizana arak’asa :
 Mari-pahaizana hafa :
 Taona nidirana teo amin’ny sehatry ny fampianarana :
 Taona nanendrena hiasa eto amin’ny sekoly:

2. Mikasika ny fiofanana natao

 Efa nanaraka fiofanana mikasika ny fampianarana taranja malagasy ve ? taiza ary


oviana
 Ora firy ary ampy ve ny ora ampianarana an’io taranja io?
 Inona avy ireo fitaovana pedagojika ampianaranao ny taranja malagasy? lahatsoratra
sary horonam-peo horonan-tsary
 Inona avy ireo paik’ady na fomba fampianarana ataonao ampianarana sy hatratrarana
ny tanjon’ny fampianarana ny taranja malagasy
 Manatsara hatrany ny “fiche de préparation” ve ianao? Eny Tsia Raha eny, isaky ny
inona? Isan’andro Isa-kerinandro Isam-bolana Isan-telovolana Isan-taona ary
amin’ny fomba ahoana
 Mampanao famelabelara-kevitra ny mpianatra ve ianao mikasika ny lohahevitra izay
voalazan’ny fandaharam-pianarana
 Tratra ve ny tanjon’ny Fanabeazana ny taranja malagasy raha mijery ny ankizy eo
amin’ny fiaraha-monina? Eny Tsia Raha eny, inona ny ohatra mampiseho izany Raha
tsia inona no antony?
 Inona avy ireo vato misakana amin’ny fampianarana sy fianarana ny taranja malagasy
aminao?
 Inona ary ny vahaolana arosonao hamahana an’ireo olana ireo sy
hanatsarana ny fampianarana ny taranja malagasy?
xix

Tovana laharana 4: andiam-panontaniana natao tamin’ny mpianatra 1ère C LMAI

 Kilasy fahafiry:
 Tianao ve ny fampianarana ny taranja malagasy Eny Tsia
 Inona no ilana an’izany taranja malagasy izany eo amin’ny fiainana araka ny
hevitrao?
 Tia mamaky boky ve ianao? Eny Tsia Raha eny, inona karazana boky famakinao?
 Inona ny boky mikasika ny taranja malagasy efa novakianao ?
 Inona avy ireo fitaovana ampiasainareo rehefa mianatra ny taranja malagasy ao an-
dakilasy?
 Rehefa mianatra ny taranja malagasy misy adihevitra ve ataon’ny mpampianatra ho
anareo mpianatra ? Eny Tsia Raha eny dia amin’ny fotoana inona?
 Mba manao famelabelara-kevitra ve ianareo rehefa mianatra ny taranja malagasy
mikasika ny lohahevitra lehibe izay atao ato amin’ny kilasinao ? Eny Tsia Raha
eny, inona ny lohateny dia amin’ny fotoana inona?
 Inona no paika mpampianarana tena fampiasan’ny mpampianatra anareo : Lesona
tolotra / fampandraisana anjara ny mpianatra
 Inona ny olana na sakana tsapanao amin’ny fampianarana sy fianarana ny taranja
malagasy ?
 Manomeza ary soso-kevitra hamahana izany olana izany sy hanatsarana
an’io fampianarana ny taranja malagasy io.
xx

Tovana Laharana 5: Masontsivan’i Gilbert De Landsheere: ireo anjara asa 9 ny


fampianarana
xxi

Tovana laharana 6: Masontsivan’i Delhaxe sy i Crahay


xxii

Tovana laharana 7 : ny masontsivana enti-manombana ny famelabelaran-kevitra am-


bava Daniel Sorano (2019 :1)

MASONTSIVANA ENTI-MANOMBANA NY FAMELABELARAN-KEVITRA

Hevitra
Teny fampidirana ( fanolorana mazava ny lohahevitra) /1
Famelabelarana
Fampiasana ny voambolana manokana mifandraika amin’ny lohahevitra /2
Fahamarinan’ny votoatin-kevitra /2
Firindran’ny hevitra /2
Teny famaranana (famintinana sy famaliana ny petrakolana) /1

Fomba fanehoana

Fandraisam-pitenenana
Miteny fa tsy mamaky izay voasoratra sady mijery ny mpanatrika /1
Fahamafisan’ny feo /1
Tsy fahadisoan’ny fiteny /1
Hafainganam-pitenenana /1

Fahaizana misarika ny mpiteny /1

Fahaizana mamaly fanontaniana /1

Fampiasana fitaovana: toy ny solaitrabe /2

Kalitaon’ny asa aseho : mazava, mampiasa loko /2

Fanajana ny fotoana natokana itenenana /1

Fahaizana mitsinjara ny fotoana itenenana eo amin’ny mpiray sokajy /1

FITAMBARANY /20
xxiii

Vous aimerez peut-être aussi