Vous êtes sur la page 1sur 238

-1-

-2-
UNIVERSITE D’ANTANANARIVO
ECOLE NORMALE SUPERIEURE
DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE
C.E.R. LANGUE ET LETTRES MALGACHES

FIKAROHANA AHAZOANA NY MARI-PAHAIZANA


« CERTIFICAT D’APTITUDE PEDAGOGIQUE DE L’ECOLE NORMALE »
(C.A.P.E.N)

TOLO-KEVITRA HO FANATSARANA NY
FANAOVANA TOMBANA NY MPIANATRA ANY
AMIN’NY SEKOLY AMBARATONGA FAHAROA
MANOKANA (S.A.F.M.), MIAINGA AMIN’IZAY HITA
TAO AMIN’NY LYCEE NANISANA.

Nataon-dRAHARIVAO Miadatsoa Noëline

Mpitarika : ANDRIAMANATSILAVO Seth


Maître de conférences

ANTANANARIVO
Date de soutenance : 21 Décembre 2010

-3-
TENY FISAORANA

Tsy vita izao asa fikarohana izao, raha tsy teo Andriamanitra nanome
hery sy fahasalamana ho anay hatrany. Noho izany, Izy no tolorana ny fisaorana
voalohany indrindra. Ny voninahitra anie ho Azy irery ihany.

Tolorana fisaorana ihany koa, Andriamatoa RAKOTOARINIA


RATREMA William , nanaiky ho filoha hitarika izao asa fanohanana izao.
Andriamanitra Ray be fitiavana anie homba anao sy hamaly ny soa nataonao.

Tolorana fisaorana toy izany ihany koa Andriamatoa


RAHARIJAONA Alphonse, nanaiky hitsara izao asa fikarohana izao. Zava-
dehibe ny fanitsiana sy ny toro-lalana narosonao mba ho fanatsarana sy
hampanan-karena ity asa fikarohana ity. Ny fahasoavanan’Andriamanitra anie
hirotsaka aminao hatrany.

Ankasitrahana indrindra, Andriamatoa ANDRIAMANATSILAVO


Seth, tamin’ny fahafoizan-tenany hitarika anay tamin’ny fanaovana izao asa
fikarohana izao. Zava-dehibe ny fanitsiana sy ny toro-hevitra narosonao mba
hahatongavana amin’izao fanohanana izao. Andriamanitra anie hanafy hery
anao hahafahanao manatanteraka ny andraikitra maro iantsorohanao sy hamaly
fitia anao sy ny ankohonanao.

Tsy hadino ny hisaotra ireo mpampianatra sy mpanabe rehetra ao


amin’ny Sampana Teny Malagasy, eto amin’ny Ecole Normale Supérieure. Tsy
nahalala sasatra ianareo nampiofana sy namolavola anay mba ho tonga olom-
banona, nandritra ny dimy taona nanaovana ny fianarana teto amin’ny sekoly.
Fisaorana mitafotafo no atolotray ho anareo.

-I 4 -
Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana, ity asa fikarohana ity.
Koa mendrika isaorana ihany koa ny sekoly nanaovana fanadihadiana , niara-
niasa taminay mba hampanan-danja izao asa izao. Tsy nanosi-bohon-tanana anay
izy ireo , raha nandom-baravarana azy izahay. Tononinay amin’izany ny Tale sy
ny mpandraharaha, ary mpampianatra ao amin’ny Lycée Nanisana, indrindra izy
mirahavavy izay narahinay tamin’ny fanatrehana ny fampianarana..

Tsy azo dinganina ny fisaorana ireo mpiara-mianatra, andiany


“VAHATRA” izay nifampizara ny soa sy ny tsara, nandritra ny fotoana
niarahana teto amin’ny sekoly.

Farany nefa tsy kely indrindra, dia tsy hay ny tsy hisoatra anareo
nahitana masoandro ary ny iray tam-po. Tsaroana indrindra ny fampaherezana sy
ny fitondrana am-bavaka nataonareo, ka nahazoana hery mandrakariva teo am-
piatrehana ny fianarana. Andriamanitra be fitiavana hamaly ny fitiavana izay
nasehonareo.

Ny fisaorana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana. Maro ireo
mbola tsy voatonona teto ; kanefa nanampy anay na an-kolaka na mivantana.
Ankasitrahanay indrindra izy ireny tompoko!

Eto am-pamaranana, dia toloranay fisaorana ianareo rehetra


manatrika ny fanohanana am-pahibemaso izao asa fikarohana izao. Hery lehibe
ho anay ny fahatongavanareo manotrona etoana.

Mankasitraka sy mankatelina indrindra tompoko!

RAHARIVAO Miadatsoa Noëline

II- 5 -
FANONDROAN-TAKILA

TENY FISAORANA.............................................................................................I
FANONDROAN-TAKILA.....................................................................................III

Lisitry ny fanafohezan-teny.......................................................................................IX
Lisitry ny fafana..........................................................................................................X
Lisitry ny kisary.........................................................................................................XI
Lisitry ny sary............................................................................................................XI

TENY FAMPIDIRANA.....................................................................................01

0.1 Sehatra nirotsahana..............................................................................................01


0.2 Lohatenin’ny asa fikarohana................................................................................01
0.3 Anton’ny safidy...................................................................................................01
0.4 Zava-kendrena.....................................................................................................02
0.5 Petrak’olana sy petra-kevitra...............................................................................03
0.6 Fomba nanatontosana ny asa...............................................................................03
0.7 Olana nosetraina sy vahaolana noraisina.............................................................04
0.8 Lalan-tsaina..........................................................................................................06
0.9 Fetran’ny asa........................................................................................................07
0.10 Drafitra...............................................................................................................07

FIZARANA VOALOHANY ....................................................................08

FANORITSORITANA ANKAPOBENY NY SEKOLY


NANAOVANA NY ASA FIKAROHANA, SY FANOLORANA
NY FAMPIANARANANA HITA TANY AMIN’NY LYCEE
NANISANA..........................................................................................................08

TOKO I: FANORITSORITANA ANKAPOBENY NY SEKOLY


NANAOVANA NY ASA FIKAROHANA.............................09

1.1. Fampahafantarana ny Lycée Nanisana.................................09


1.1.1. Ny toerana misy azy................................................................10
1.1.2. Ny tantarany............................................................................10
1 .1.3. Ny firafitry ny sekoly amin’ny ankapobeny.........................12
1.2. Momba ny mpianatra................................................................15
1.3. Momba ny mpampianatra........................................................17

III
-6-
TOKO II: FANOLORANA NY FAMPIANARANA HITA TANY
AN-TOERANA....................................................................................21

2.1. Ny hita tao amin’ny kilasy fahafolo......................................21


2.1.1. Lesona natrehina voalohany...................................................22
2.1.2 Lesona natrehina faharoa........................................................27
2.1.3 Lesona natrehina fahatelo........................................................31

2.2 Ny hita tao amin’ny kilasy voalohany..................................35


2.2.1 Lesona natrehina voalohany....................................................35
2.2.2 Lesona natrehina faharoa .......................................................40
2.2.3 Lesona natrehina fahatelo.........................................................45

2.3 Ny hita tao amin’ny kilasy famaranana................................49


2.3.1 Lesona natrehina voalohany ....................................................49
2.3.2 Lesona natrehina faharoa.........................................................54
2.3.3 Lesona natrehina fahatelo.........................................................57

FIZARANA FAHAROA...........................................................................65

FANDALINANA ANKAPOBENY NY ENDRIKY NY


FAMPIANARANA HITA TANY NANISANA, SY IREO ANTONY
NAMPAHOMBY NA TSY NAMPAHOMBY NY
FAMPIANARANA............................................................................................65

TOKO I: FANDALINANA NY ENDRIKY NY FAMPIANARANA


HITA TANY AN-TOERANA......................................................66

1.1 Ny fomba fampianarana mametraka tanjona.......................66


1.1.1 Ny tanjona ara-pahalalana........................................................66
1.1.2 Ny tanjona ara-pahaiza-manao.................................................67
1.1.3 Tanjona ara-toetra amam-pihetsika..........................................67

-IV7 -
1.2 Ny fampianarana miorina amin’ny fanaovana tombana....68
1.2.1 Ny tombana niraisan’ireo mpampianatra A sy B.....................68
1.2.2 Ny endriky ny tombana niraisan’izy mirahavavy(A sy B).......69
1.2.3 Ny vokatry ny tombana fitsapana...........................................73

1.3 Ny fomba fampianarana miorina amin’izay asa


manavanana ny mpampianatra tsirairay..............................75
1.3.1 Izay mampiavaka ny mpampianatra A.......................................75
1.3.2 Izay mampiavaka ny mpampianatra B........................................76
1.3.3 Sinton-kevitra faobe mikasika ny fomba fampianaran’ny
mpampianatra A sy B..................................................................77

TOKO II: FANDALINANA NY ANTONY NAMPAHOMBY NY


FAMPIANARANA.........................................................................80

2.1 Antony avy amin’ny mpampianatra.......................................80


2.1.1 Ny fikarohan’ny mpampianatra tahirin-kevitra..........................80
2.1.2 Ny fiofanana efa azon’ny mpampianatra..................................81
2.1.3 Ny fananan’ny mpampianatra traikefa.......................................82

2.2 Antony avy amin’ny mpianatra................................................84


2.2.2 Fanomezan-danja ny taranja malagasy........................................85
2.2.3 Fifehezana ny teny vahiny...........................................................87

2.3 Antony avy amin’ny fitondran-tsekoly..................................88


2.3.1 Mikasika ny fotoana ianarana isan’andro....................................89
2.2.2 Ny fametrahana fitsipika mifehy ny mpandraharaha
sy ny mpampianatra........................................................................89
2.2.3 Ny fametrahana fitsipika mifehy ny mpianatra..................................90

V- 8 -
TOKO III: NY ANTONY NAHATONGA NY TSY FAHOMBIAZANA
LOATRA TEO AMIN’NY FAMPIANARANA.................... 93

3.1 Antony avy amin’ny mpampianatra........................................93


3.1.1 Ny fomba nentina nampianatra...................................................93
3.1.2 Ny fihetsiky ny mpampianatra....................................................98
3-1-3 Ny fomba fanaovana tombana....................................................98

3.2 Antony avy amin’ny mpianatra................................................99


3.2.1 Ny toe-tsaina amam-pihetsiky ny mpianatra..............................99
3.2.2 Ny fomba fianatra......................................................................101
3.2.3 Ny hakamoana............................................................. ………102

3.3 Antony avy amin’ireo singa samihafa mandray anjara


amin’ny fampianarana. ..........................................................105
3.3.1. Ny fitondram-panjakana................................................ ……..105
3.3.2 Ny ray aman-dreny...................................................................108
3.3.3 Ny fiarahamonina.....................................................................111

FIZARANA FAHATELO......................................................................114

TOLO-KEVITRA HO AN’ IREO RANTSANA SAMIHAFA


HEVERINA FA MANANA ANDRAIKITRA AMIN’NY
FANATSARANA NY FAMPIANARANA NY TARANJA
MALAGASY ANY AMIN’NY LYCEE, SY FANATSARANA NY
FANAOVANA TOMBANA, ARY FANOLORANA
NY ANDRAM-PAMPIHARANA IZANY...............................................114

TOKO I: TOLO-KEVITRA AROSO HO AN’ IREO RANTSANA


SAMIHAFA HEVERINA FA MANANA ANDRAIKITRA AMIN’NY
FANATSARANA NY FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY
ANY AMIN’ NY LYCEE......................................................................................115

1.1. Tolo-kevitra ho an’ny fanjakana..........................................115


1.1.1. Fanatsarana ny fandaharam-pianarana....................................116
1.1.2. Fanatsarana ny sekoly..............................................................118
1.1.3. Famatsiana fitaovana ny sekoly..............................................122

VI
-9-
1.2. Tolo-kevitra ho an’ny ray aman-dreny...............................123
1.2.1 Fanovana ny toe-tsaina manoloana ny taranja malagasy..........123
1.2.2. Fanaraha-maso ny fianaran’ny zanaka.....................................124
1.2.3. Fampitaovana ny zanaka...........................................................126

1.3. Tolo-kevitra ho an’ny mpianatra..........................................127


1.3.1 Fanajana ny mpampianatra.......................................................127
1.3.2. Fiverenana amin’ny lesona tany amin’ny kilasy ambany sy
famakiana boky........................................................................128
1.3.3. Fampifandraisana ny taranja malagasy
amin’ny taranja hafa.................................................................128

1.4. Tolo-kevitra ho an’ny mpampianatra ................................129


1.4.1 Fanatsarana ny fomba fiasa...................................................130
1.4.1.1 Ny fitsinjarana asa..............................................................130
1.4.1.2 Ny fitsinjarana ny fotoana........................................ .........131
1.4.1.3 Fametrahana dingana mazava hitondrana
ny fampianarana..................................................................132
1.4.2. Fanatsarana ny fifandraisana ao an-dakilasy......................133
1.4.2.1. Fametrahana fitsipi-pifehezana mazava.............................134
1.4.2.2. Fanehoana toetra mendrika ny maha mpampianatra..........137
1.4.2.3. Fahaizana mifehy ny habaka sy ny fotoana........................139

1.4.3.Fanatsarana ny fampandraisana anjara ny mpianatra


mandritra ny fampianarana...................................................143
1.4.3.1. Fanendrena mpianatra amin’ny famaliana
ny fanontaniana................................................................145
1.4.3.2. Fanomezana asa ny mpianatra tsirairay............................146
1.4.3.3. Fanomezana asan-tsokajy.................................................147

TOKO II: TOLO-KEVITRA HO FANATSARANA NY FANAOVANA


TOMBANA NY MPIANATRA ANY AMIN’NY LYCEE...........149

2.1 Famaritana ny atao hoe tombana............. ......................................150


2.2 Fanavahana ny teny hoe manombana amin’ireo
teny mifanakaiky hevitra aminy....... .............................................152

-VII
10 -
2.3 Ireo karazana anjara asa fanombanana........................................ ..154
2.3.1 Ny anjara asa fitiliana................................................... .........154
2.3.2 Ny anjara asa fanitsiana na fanofanana................................155
2.3.3 Ny anjara asa fanadinana....................................................156
2.3.4 Ny anjara asa vinavina............................................................157
2.4 Ny tombana tsy maintsy hita isaky ny seho iray.............................158
2.5 Ireo fomba azo anatanterahana ny tombana....................................159
2.5.1 Tombana am-bava..................................................................159
2.5.2 Tombana an-tsoratra...............................................................161
2.6 Ny tombana mitarika mankany amin’ny asa famoronana...............164
2.7 Mahakasika ny fanontaniana fampiasa mandritra ny
fampianarana....................................................................................165
2.7.1 Ny karazana endri-panontaniana...............................................166
2.7.1.1 Fanontaniana misokatra.......................................................166
2.7.1.2 Fanontaniana mikombona....................................................167
2.7.2 Fanasokajiana ny fanontaniana arakaraka ny tanjona
tratrarina................................................................................ ...168
2.7.2.1 Ny fanontaniana natao hanaraha-maso sy hitahirizana.......168
2.7.2.2 Ny fanontaniana natao hikarohana sy hahitana..................169
2.7.3 Ny fomba famolavolana fanontaniana......................................171

TOKO III: FAMPIHARANA IREO SOSO-KEVITRA


NAROSO (TAKELA-PANOMANAN-DESONA) ...........................................175

TENY FAMARANANA........................................................................................197

BOKY AMAN-TAHIRIN-KEVITRA.................................................................200
TOVANA ..............................................................................................................XII

VIII
- 11 -
LISITRY NY FANAFOHEZAN-TENY

S.A.F.M: Sekoly Ambaratonga Faharoa Manokana


C.E.G: Collège d’Enseignement Général
C.D.I : Centre de Documentation et d’Informatique
Mpmp : Mpampianatra
Mp : Mpianatra
S.V.T : Sciences de la Vie et de la Terre
E .N.S : Ecole Normale Supérieure
CAPEN: Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale
DDM : Didactique de la Matière
L.L.C.E: Langue Littérature Civilisation et Enseignement
M.D.R.M : Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malgache
SMOTIG : Service de la Main d’Oeuvre pour les Travaux d’Intérêt Général
PADESM : Parti des DÉShérité de Madagascar
P.S.D : Parti Social Démocrate
AJEM : Amicale des Journalistes et Ecrivains Malgaches
UPEM : Union des Poètes et des Ecrivains Malgaches
F.F.P.M : Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara
min: minitra
tak: takila
Sokajy L: Sokajy Literera
Sokajy S: Sokajy Siantifika
EM: Enti-milaza
L: Lazaina
F: Fanontaniana
V: Valiny

-IX
12 -
LISITRY NY FAFANA

LAHARANA KARAZANA TAKILA


Fafana 1 Ny isan’ny mpianatra isan-taranja 17
Fafana 2 Ny mombamomba ny mpampianatra 18
Fafana 3 Ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy 34
faharoa
Fafana 4 Ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy 48
ére
voalohany (1 A1)
Fafana 5 Ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy 48
voalohany (1ére D3)
Fafana 6 Ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy 62
famaranana (TC1
Fafana 7 Ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy 62
famaranana (TD3)
Fafana 8 Ny tombana nataon’ny mpampianatra A 75
Fafana 9 Fampitahana ny fampianarana nataon’ny 77
mpampianatra A sy B
Fafana 10 Ny lanjan’ny taranja malagasy eo amin’ny 85
mpianatra
Fafana 11 Ny zana-taranja mahaliana ny mpianatra 103
Fafana 12 Ny fanaraha-maso ataon’ny ray aman-dreny 109
amin’ny fianaran’ny zanany
Fafana 13 Ireo karazana tombana tokony hatao mandritra 158
ny seho iray

-X13 -
LISITRY NY KISARY

LAHARANA KARAZANA TAKILA


Kisary 1 Fanehoana ny tsy fahafehezan’ ny mpampianatra ny 94
habaka
Kisary 2 Ny telozoron’ny haifampianarana nampiharin’ny 96
mpampianatra B
Kisary 3 Fanehoana ny fifehezana ny habaka mandritra ny 141
fampianarana
Kisary 4 Fanehoana ny fampiasana ny solaitrabe 142
Kisary 5 Ny telozoron’ny haifampianarana mifanaraka 144
amin’ny vanin’andro ankehitriny

LISITRY NY SARY

LAHARANA KARAZANA TAKILA


Sary 1 Ny Lycée Nanisana 12
Sary 2 Ny biraon’ny mpandraharaha 13

XI
- 14 -
TENY FAMPIDIRANA

0.1 Sehatra nirotsahana

Toeram-panofanana ho mpampianatra ny Ecole Normale Supérieure. Tao


no nanarahanay fiofanana nandritra ny dimy taona nisesy. Ny Sampana Teny
Malagasy no nosafidianay hanarahana izany fiofanana izany. Amin’ny faran’ny
fiofanana moa, dia tsy maintsy manao asa fikarohana ny mpiofana tsirairay.
Sehatra maro no azo irotsahana amin’izany, izay samy manana ny maha izy
azy avokoa ( Antrôpôlôjia, Literatiora, Riba, ny haifampianarana). Ny
haifampianarana no nahasarika anay misimisy kokoa.

0.2 Lohatenin’ny asa fikarohana

Koa nampitondraina ny lohateny hoe: “Tolo-kevitra ho fanatsarana ny


fomba fanaovana tombana ny mpianatra any amin’ny Sekoly Ambaratonga
Faharoa Manokana (S.A.F.M), miainga avy amin’izay hita tao amin’ny Lycée
Nanisana” izao asa fikarohana izao.

0.3 Anton’ny safidy

Maro ny antony nahatonga anay hisafidy ny sehatry ny haifampianarana sy ny


lohahevitra. Anisan’izany ireto:
− noho ny ENS toeram-panofanana ho mpampianatra any amin’ny sekoly
ambaratonga faharoa.
− noho ny Lycée Nanisana mandray mpanao fizarana asa avy ato amin’ny
Sampana Malagasy . Noheverinay araka izany, fa mila fanampiana ireo
mpampianatra taranja malagasy amin’ny fanatsarany ny fomba
fampianarana , mba hahatonga ireo zandry hanana traikefa tsara sy
mahomby amin’ny fiatrehany ny asa miandry azy.
− noho ny fahitana fa ilaina ny hahatsapan’ny mpianatra ny fitohizan’ny
fampianarana ny taranja malagasy isaky ny ambaratonga tsirairay, mba
hahatonga azy ho liana amin’ny fiatrehana ny taranja malagasy.

--115
- -
− noho ny fahatsapana fa mbola vitsy ireo mpikaroka no nanompana ny
asany amin’ny resaka “tombana”, raha ny ao amin’ny sampana malagasy
no asiana teny.
− noho ny fahatsapana fa tena miantoka ny fahombiazan’ny fampianarana ny
fanaovan’ny mpampianatra tombana.

0.4 Zava-kendrena amin’ny fikarohana

Ny tanjon’izao asa fikarohana izao àry amin’ny ankapobeny, dia ho


fampisongadinana ny maha zava-dehibe ny fanaovana tombana eo amin’ny sehatry
ny fampianarana. Fanoitra handravàna ireo sakantsakana rehetra mahatonga ny tsy
fahombiazan’ny fampianarana ny fanaovana izany.

Manaraka izany, dia ny hanampiana ny mpampianatra taranja malagasy


eo amin’ny fandaminana ny fomba fiasa. Ilaina ny mpampianatra mba hahay
hanokana fotoana hanaovana ireo karazana tombana, mba hahalalana na tratra ny
tanjona tamin’ny fampianarana natao na tsia.

Farany, mba hahatonga ireo sokajin’olona samihafa ho resy lahatra fa


manana ny lanjany ny taranja malagasy noho izy fanabeazana ny mpianatra ho
olom-banona. Natao ihany koa izany ity asa fikarohana ity, mba hisorohana ny
fiheveran-diso, dia ny fitsarana be fahatany ny taranja malagasy ataon’ny
ankamaroan’ny olona. Rehefa tsapan’ny mpianatra avy amin’ny fanombanana azy
mantsy ny vontoatin’ny fampianarana, dia hitsimoka ao aminy ny risi-po hanatrika
sy hitia ny fampianarana, ary ho afaka hanitsy tsikelikely ny manodidina azy izy
mba hanome hasina io taranja io.

-2-
- 16 -
0.5 Petraka olana sy petra-kevitra

0.5.1 Petraka olana

Heverin’ny mpampianatra sasany fa ny famitana ny lesona voalahatra


any amin’ny fandaharam-pianarana ihany no zava-dehibe eo amin’ny sehatry ny
fampianarana, ka izay fomba ahafahany manatratra izany no imatimatesany rehefa
tonga ao an-dakilasy izy. Zary lasa ambanin-javatra sy natao an-kilabao ny
fanaovana tombana amin’izay fotoana izay.

0.5.2 Petra-kevitra

Raha toa ka manao ezaka ny mpampianatra taranja malagasy


mandrefy/manombana, na mitsapa ny fahalalana tafita any amin’ny mpianatra
amin’ny fotoana rehetra mety hanatanterahana izany, dia azo antoka fa hihatsara ny
vokatry ny fampianarana izay atao, ary mety hahita vokatra mampitolagaga
mihoatra noho izay nandrasana aza.

0.6 Fomba nanatontosana ny asa

Mba hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny asa fikarohana, dia


nisy hatrany ny paika aman-tetika narahina tamin’ny fanatontosana azy.

Teo ny fisafidianana sekoly. Tsy maintsy natao izany mba hahitana


mivantana ny endri-pampianarana any amin’ny Lycée. Tsy ho fantatra mazava
mihitsy izay lesoka tokony harenina, na izay tsara tokony hotohizana raha tsy atao
ny firotsahana an-tsehatra mijery ny zava-misy ifotony sy mandinika ireo vokatra
azo tamin’ny fanatrehana ny fampianarana natao tany an-tsekoly. Nisy ihany koa
araka izany ny fandalinana ny fampianarana natrehina tao aorian’ny firotsahana an-
tsehatra.

Manaraka izany, nisy ny fanomanana antontam-panontaniana maro ho


an’ireo sokajin’olona heverina fa hanaovana resadresaka mivantana. Nisy
tamin’ireny fanontaniana ireny, no nampiasaina ifampiresahana am-bava. Nisy

--317
- -
kosa ireo nasaina novalian’ireo olona nanaovana fanadihadiana an-tsoratra. Nisy
araka izany ny fanadihadiana am-bava nifanaovanay tamin’ireo tompona
andraikitra ao amin’ny sekoly ( Tale, Tale lefitra, ireo mpiandraikitra misahana
manokana ny momba ny mpianatra, ireo mpiandraikitra misahana ny momba ny
boky aman-tahirin-kevitra) mba ho fanatanterahana izao asa fikarohana izao. Nisy
ihany koa ny fizarana antontam-panontaniana nasaina novalian’ny mpampianatra sy
ny mpianatra an-tsoratra, ankoatra ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra
am-bava nifanaovana tamin’izy ireo teny anelanelam-potoana teny.

Nandeha nanatona tranom-boky samihafa ihany koa izahay. Nijery ireo


lohahevitra efa nisy nanao fikarohana, ary nikirakira ireo tahirin-kevitra mikasika ny
haifampianarana. Nisongadina tamin’izany ny fandinihana akaiky ireo boky
milazalaza ny teôria mikasika ny fanaovana tombana (J. TARDIF, sns) .

0.7 Olana nosetraina nandritra ny asa sy vahaolana noraisina

0.7.1 Olana nosetraina

Tamin’ny fanatontosana ity asa fikarohana ity, dia nisy hatrany ny olana
natrehina. Anisan’ny nisongadina tamin’ireny ny olana ara-potoana, ny tsy
fahampian’ny tahirin-kevitra tany amin’ny sekoly nanaovana fanadihadiana, ka
nahatonga fivezivezena be loatra, ary ny olana ara-pitaovana.

Nametraka olana teo amin’ny fanatanterahana ity asa fikarohana ity ny


fotoana, satria taorian’ny fanaovana fizarana asa izahay vao nanomboka ny
fanaovana fanadihadiana. Efa taraiky izany ny firotsahana an-tsehatra.

Ny fanatonana olona ihany koa no somary nanano sarotra , noho ny


adidy samihafa sahanin’izy ireny. Tsy nisy loatra ny fotoana malalaka nahazoana
nifampiresaka naharitra tamin’ireo tomponandraikitra tao amin’ny sekoly sy ny
mpampianatra narahina, fa fotoana fohy hatrany no nanangonana ny akora

-- 418- -
nanaovana izao asa izao. Tsy misy ifanomezan-tsiny izany, satria “ny adidy tsy
an’olon-dratsy”.

Ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra tany an-toerana, dia nitarika


fivezivezena be loatra. Na dia nisy aza izany fivezivezena izany, dia mbola maro
ihany ny valin’ny fanadihadiana no tsy nahafa-po anay.

Tany amin’ireo tranom-boky nalehanay ihany koa, dia nanahirana ny


fitadiavana ny boky hovakina. Tsy nahita rakibolana mikasika ny haifampiarana
mihitsy izahay, na dia noheverinay aza fa hanampy betsaka anay tamin’ny
fanatontosana ny asa ( fanaovana dikan-teny) ny fisian’ izany. Niteraka
fahasahiranana izany rehetra izany.

Mba tsy hampanano sarotra ny fanaovana asa fikarohana toy itony, dia
ilaina ny fitaovana samihafa, toy ny fitaovana fandraisam-peo... Tsy nanana izany
izahay fa nionona tamin’ny fandraisana an-tsoratra izay voalazan’ny olona
nanaovana fanadihadiana hatrany, hany ka maro ny tsy voaray araka ny tokony ho
izy, ary tsy maintsy niverenana tamin’ny fotoana manaraka indray.

0.7.2 Vahaolana noraisina

Rehefa misy ny olana, dia tsy maintsy mivonona hatrany amin’ny


fandraisana vahaolana. Niezaka izahay niangavy fotoana tamin’ireo olona
nanaovana fanadihadiana hahafahana mifampiresaka, ary namonjy izany araka izay
azonay natao, na dia niverimberina matetika aza.

Vahaolana noraisina ihany koa ny fiezahana nanatona ny


CISCOn’Antananarivo renivohitra, izay misahana manokana ny momba ny
fampianarana sy ny fanatonana ny Biraom-pokontanin’i Nanisana Iadiambola .
Nanao fanadihadiana tany amin’ireo toerana voatondro ireo ihany koa ny tenanay
hanampiana ireo vokatra azo tany an-toerana.

-- 519- -
0.8 Lalan-tsaina ampiasaina

Mila fomba fijery na teôria ny fanaovana asa fikarohana tahaka itony

mba hahatratrarana ny zava-kendrena. Manoloana ny lohahevitra nofidina, dia lalan-

tsaina roa no hampivadiana amin’ity asa fikarohana ity:

1. lalan-tsaina noraisina ny fomba fijery mifototra amin’ny fampitan-


kafatra na “communication” , izay nampiasain’i J. TARDIF. Asa
fampitan-kafatra ny asa fampianarana, izany hoe: miompana betsaka
amin’ny fampitam-pahalalana ataon’ny mpampianatra ny fahombiazany.
Azo fintinina amin’ireto ny fomba fiasa takina amin’izany:
mpampianatra manana paika mazava rehefa mampita fahalalana,
mpampianatra mahay mandrindra ny fomba fampitana fahalalana
amin’ny mpianatra rehetra sy amin’ny isam-batan’olona, mpampianatra
afaka manombana ny fahazoan’ny mpianatra ny fahalalana nampitaina.

2. ny lalan-tsaina mifototra amin’ny fifandraisana miako na “interaction”


nampiasain’ny sôsiôlôgy Guy ROCHER, no lalan-tsaina faharoa
noraisina. Ity lalan-tsaina ity no nahafahana nitaratra ny fifandraisana sy
ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny samy mpampianatra, eo amin’ny
mpampianatra sy ny mpianatra, ary eo amin’ny mpianatra sy ny
mpianatra. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fifandraisan’ny
fampianarana sy ny tontolo manodidina ny sekoly. Mifameno sy
mifampiankina ny fifandraisan’ireo singa voatanisa ireo, na ao an-
dakilasy, na any ivelany. Hoy indrindra izy raha namaritra izany: “ Ny
fifandraisana miako (...) dia ny fifandraisana misy eo amin’ny olona roa,
sy ny fifanakalozana eo amin’izy ireo, na raha ny marimarina kokoa, dia
ny fifaneraserana ateraky ny fifandraisan’izy ireo1”

1
G. ROCHER, Introduction à la sociologie générale, Edition HMH, Ltée collection Points, 1968, p.
180 : « L’interaction sociale [..] C’est la relation entre deux personnes, c’est le rapport qui existe
entre elles, c’est plus exactement encore l’interaction qui résulte de leurs relations. »

-- 620- -
0.9 Fetran’ny asa

Noferana ho fandalinana ankapobeny ny fomba fanaovana tombana


amin’ny fampianarana ny taranja malagasy any amin’ny sekoly ambaratonga
faharoa manokana, sy ho fanolorana soso-kevitra ho amin’ny fanatsarana izany ity
asa fikarohana ity, mba tsy hampivelatra be loatra ny asa atao. Tsy misy ny
fanavahana zana-taranja, fa harindra hifanaraka tamin’ireo fampianarana hita
tamin’ny fotoana nirotsahana an-tsehatra ireo tolo-kevitra haroso.

0.10 Drafitra

Fizarana telo miavaka tsara no ho hita ato amin’ ity asa fikarohana ity.

Ny fizarana voalohany, izay nozaraina ho toko lehibe roa, dia hatao ho


an’ny fanoritsoritana ankapobeny ny sekoly nanaovana ny asa fikarohana sy
hanolorana ny endriky ny fampianarana hita nandritra ny firotsahana an-tsehatra.

Ny fizarana faharoa indray, dia nozaraina ho toko lehibe telo, ka hatao


handalinana ankapobeny ny endriky ny fampianarana hita sy hampisongadinana
ireo antony hita fa nampahomby sy tsy nampahomby ny fampianarana natrehina.

Ny fizarana fahatelo no hatokana hanolorana tolo-kevitra ho an’ireo


rantsana samihafa heverina fa manana andraikitra amin’ny fanarenana ireo lesoka
hita eo amin’ny fampianarana ny taranja malagasy, indrindra ho amin’ny
fanatsarana ny fomba fanaovana tombana, ary hanolorana andram-pampiharana
izany tolo-kevitra izany. Araka izany, mizara ho toko lehibe telo ihany koa ity
fizarana farany ity.

-- 721- -
FIZARANA VOALOHANY

FANORITSORITANA ANKAPOBENY NY
SEKOLY NANAOVANA NY ASA
FIKAROHANA, SY FANOLORANA NY
FAMPIANARANA HITA TANY AMIN’NY
LYCEE NANISANA

-8-
- 22 -
TOKO I: FANORITSORITANA ANKAPOBENY NY SEKOLY
NANAOVANA NY ASA FIKAROHANA

Anisan’ny fitaovana iray lehibe entina mamolavola sy manabe ny olona


ao amin’ny firenena iray ny fampianarana mba hahatonga azy hanana fitondran-tena
mendrika sy ho olom-pirenena vanona; manaraka izany, aina iankinan’ny
fampandrosoana izy io. Izany indrindra no mahatonga ireo mpikaroka hiezaka
hatrany hitady izay fomba sy hevitra rehetra heverina fa azo anatsarana ny
fampianarana.
Ny faritra, ny toerana, ary ny tontolo manodidina ny sekoly, dia samy
tompon’antoka amin’izay mety ho vokatra azo avy amin’ny fampianarana. Koa
alohan’ny hilazalazana ny fampianarana hita tany an-toerana, dia tsara raha resahina
ny mombamomba ny sekoly amin’ny ankapobeny.

1.4. Fampahafantarana ny Lycée Nanisana

Tsara raha fantatra aloha ny mombamomba ilay toerana sy ny sekoly


nanaovana ny fanadihadiana, alohan’ny hiresahana ny fampianarana natrehina, mba
hanampy amin’ny fahafantarana misimisy kokoa ny sekoly iompanan’izao asa
fikarohana izao, na dia sekoly efa fandre matetika aza izany.

Lafin-javatra telo miavaka tsara no horesahina ao anatin’ity zana-


pizarana ity: ny toerana misy ny sekoly, ny tantarany ary ny firafitry ny sekoly
amin’ny ankapobeny. Na izany aza, dia marihina dieny ety am-piandohana, fa tsy ho
feno tanteraka akory ny fampahafantarana aroso eto, fa betsaka ny tsy ampy noho ny
tsy fahampian’ny tahirin-kevitra azo tany an-toerana.

-- 923- -
1.4.1. Ny toerana misy azy

Ny Lycée Nanisana dia sekolim-panjakana iray lehibe sady tokana


miorina ao anatin’ny boriborin-tany fahadimy eto Antananarivo Renivohitra. Ao
amin’ny fokontany Nanisana Iadiambola, faritra fahatelo no misy azy.

Sekoly lalovan’ny lalam-pirenena faharoa (Route Nationale n° 2), ao


avaratry ny toeram-piantsonam-piarakodia mankany Moramanga, Ambatondrazaka,
Morondava, Mahanoro, no misy azy. Raha miala avy eo amin’io toeram-
piantsonam-piarakodia io, dia mandeha dia an-tongotra tokony ho folo minitra eo ho
eo manaraka lalan-tany, dia tonga ao amin’ny Lycée.

Mamaritra azy avy ao andrefanana ny fokontany Anjanahary sy


Ambatomainty, avy ao avaratra ny fokontany Ambatobe sy Amboditsiry, avy ao
atsinanana Ankerana sy Ankadidramamy, ary avy ao atsimo Ambohimirary sy
Ambatokaranana.
Izay sy izay no azo lazaina mikasika ny toerana misy ny sekoly. Ndeha
hirosoana ny momba ny tantarany.

1.1.2. Ny tantarany

Niorina tamin’ny volana Desambra 1974 ny sekoly, ka “Collège


d’Enseignement Géneral” (C.E.G) no niandohany. Kilasy faharoa ka hatramin’ny
kilasy fahatelo no nisy tamin’izany; avy eo lasa SAFF III, ary dia nahitana ny kilasy
faharoa ka hatramin’ny kilasy famaranana. Tamin’ny faha 27 May 1993 no
notokanana ity sekolim-panjakana ity noho ny ezaka nataon’ireo tompona
andraikitra tao amin’ny sekoly sy ny fitondram-panjakana. Tamin’io daty voalaza io
no nanomboka nahaleo tena ireo ambaratonga roa mifanarakaraka ireo, ary
sarahin’ny tamboho voarary biriky tanimanga izay mbola hita ao mandraka
ankehitriny.

- 10 -
- 24 -
Izay tantara fohy dia fohy izay no azo atolotra raha miresaka ny Lycée
Nanisana. Izao dia hiroso amin’ny fanehoana an-tsary ny toerana misy ny sekoly.

-- 11
25 --
1 .1.3. Ny firafitry ny sekoly amin’ny ankapobeny

Anisan’ny sekolim-panjakana lehibe


ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa ny
Lycée Nanisana. Sekoly manana trano
fianarana telo lehibe:
- ny iray ho an’ny kilasy fahafolo:
misy efitra 9.
- ny iray natokana ho an’ny kilasy
voalohany: misy efitra 7; ao no ahitana
ny biraon’ny tompona andraikitra
amin’ny fiahiana ny mpianatra
(bureaux des Surveillants).
- ny iray kosa natao ho an’ny kilasy
famaranana: misy efitra 7 ihany koa;
ary mikambana amin’ity farany ny
efitrano natokana ho an’ny
mpampianatra.
Raha atambatra ny isan’ny efitrano
fianarana dia mahatratra 23.

Loharano : Sary nalain’ny mpikaroka

- 12 -
- 26 -
Ankoatra ireo dia manana trano roa lehibe hafa ihany koa ny sekoly izay
natokana hiasan’ny tompona andraikitra voalohany, dia ny Tale sy ny Tale lefitra,
ary ny mpitan-tsoratra miaraka aminy. Amin’ity trano lehibe ity ihany koa, no misy
ny biraon’ny mpiandraikitra ny vola sy ny fananan-tsekoly (Economat).

Loharano : Sary nalain’ny mpikaroka

Mba hahafahana mampandroso tsara ny fampianarana, dia samy nanao


ezaka, na ny fanjakana, na ny tomponandraikitra ao amin’ny sekoly. Amin’izao
fotoana izao, dia efa misy ao an-toerana ny efitrano famakiam-boky, natao
hitahirizana ireo boky aman-tahirin-kevitra samihafa mahakasika ny taranja tsirairay
avy (C.D.I). Efa misy ihany koa ny “ salle TIC” (salle d’informatique) : natao
hianaran’ny mpianatra sy ny mpampianatra, ary ny tomponandraikitra rehetra ao
amin’ny sekoly “informatique” mba hahafahan’ny tsirairay manaraka ny
fivoaran’ny teknôlôjia, ary koa mba tsy ho tratra aoriana amin’ny fahalalana ny
zava-baovao misy. Ireny rehetra ireny, dia manampy amin’ny fampandehanana tsara
ny fampianarana izay atao ao an-toerana. Ny kendrena moa dia ny mba hahazoana
vokatra tsara.

- 13 -
- 27 -
Ny fiainana any an-tsekoly anefa tsy vitan’ny hoe mianatra fotsiny
(mampiasa ny saina), fa tsy maintsy beazina ihany koa ny mpianatra ho zatra
hikolokolo ny vatana mba hisian’ny saina matsilo. Iaraha-mahalala mantsy fa ny
vatana tomady no itoeran’ny saina matsilo. Noho izany, dia tena ilaina ny
fialamboly amin’ny toeram-panabeazana toy itony, amin’ny fotoana mahamety
izany.

Araka izany, dia anisan’ny andraikitra miandry ny sekoly ny


famolavolana ny mpianatra ho tia mikolokolo sy mitaiza ny vatany amin’ny
alalan’ny fanaovana fanatanjahan-tena. Mba hahatontosa izany, dia nanao ezaka ny
sekoly, ka efa misy ny toerana natokana hanaovana fanatanjahan-tena ho an’ny
mpianatra, ary misy ny ora voatokana ho amin’izany ho an’ ny kilasy tsirairay.

Ao amin’ny Lycée dia efa misy ny toerana filalaovana baolina kitra,


“volley- ball”, “hand- ball”, “terrain de saut- en longueur”.

Manampy ireo dia misy “activité para-scolaire”, toy ny ady amin’ny


SIDA, ady amin’ny zava-mahadomelina, fianarana kabary, fanatanjahan-tena isan-
karazany… ao amin’ny sekoly. Ary mandray anjara ny sekoly raha misy hetsika, na
fifaninanana atao any ivelany.

Raha izay no azo ambara mikasika ny fampahafantarana ny Lycée ao


Nanisana, ndeha hiroso amin’ny fampahafantarana ny mpianatra izay mandranto
fahalalana ao.

- 14 - -
- 28
1.5. Momba ny mpianatra

Tsy misy fampianarana azo tanterahina raha tsy misy ny mpianatra. Ny


firosoan’ny fampianarana izany, dia miankina amin’ny fisian’ny mpianatra ao
amin’ilay sekoly. Raha ny isan’ny mpianatra ao amin’ny Lycée Nanisana no asiana
teny, dia tsapa fa mitombo hatrany izany isan-taona; ary tamin’ity taom-pianarana
ity, dia efa mahatratra 1220 izy ireo. Manambara izany fa miroborobo ny
fampianarana eto amin’ity toeram-pampianarana ity, ary maneho ny tanjaky ny
sekoly ihany koa izany.
Ny mpianatra no singa fototra mahalavorary na tsia ny fampianarana.
Koa tsy maintsy resahina ny mikasika azy raha mandinika ny lafiny fampianarana.
Amin’izao fotoana izao dia:
- mahatratra 60 isaky ny kilasy ny isan’ny mpianatra ao amin’ny
kilasy faharoa; raha atambatra izany dia miisa 540 izy ireo.
- ny any amin’ny kilasy voalohany kosa, dia tsy mitovy ny habetsaky
ny mpianatra isaky ny kilasy. Ny 1ère A1 sy 1ère A2 , dia ahitana
mpianatra 60 avy, ny 1ère C1 sy ny 1ère C2 , dia ahitana mpianatra 40
avy, fa ny 1ère D ( 1,2,3) kosa, dia ahitana mpianatra 50 avy. Izany
hoe, misy mpianatra 350 ao amin’ny kilasy voalohany.
- toy izao kosa ny ao amin’ny kilasy famaranana: ny TA ( 1 sy 2) dia
ahitana mpianatra 51 avy, ny TC (1 sy 2) dia misy mpianatra 45
avy, ny TD (1, 2,3) dia ahitana mpianatra 46 avy. Raha atambatra
ireo, dia mahatratra 330 no fitambarany.

Na dia ao amin’ny boriborin-tany fahadimy aza no miorina ity sekoly ity,


dia tsy hoe ny zanaky ny mponina amin’iny toerana iny ihany akory no raisina
hianatra ao, fa misy dia misy ireo mpianatra avy any amin’ny boriborin-tany hafa,
toy ny avy any amin’ny boriborin-tany fahatelo.

Ny sekoly dia misokatra ho an’izay rehetra te hanovo fahalalana ao


aminy sy izay rehetra liana amin’ny fianarana. Tsy manavakavaka noho izy
sekolim-panjakana, satria “ ny sekoly dia natao ho an’ny ankizy rehetra ary tsy misy

-- 15
29 --
afaka manafoana izany2”. Ny andrasana amin’ny sekoly mantsy dia ny hizara
fahalalana hoentina miatrika sy manatsara ny fiainana.
Amin’ny ankapobeny, dia mpianatra avy amin’ny toerana tsy dia lavitra
loatra ny sekoly ihany no beazina ao: Anjanahary, Ambatobe, Amboditsiry,
Analamahitsy, Andraisoro, Mahazo, Manjakaray, Ankerana, Ankadindramamy,
Nanisana, Avaradoha… Misy ihany anefa ny avy any Ambohimangakely sy
Ambohimalaza.

Araka ny fanadihadiana nifanaovana tamin’ny talen’ny sekoly, dia


zanaky ny olona sahirana ny ankamaroan’ny mpianatra ao amin’ity “Lycée” ity.
Koa mba tsy hisian’ny fiavahana be loatra eo amin’izy samy mpianatra, dia terena
ny mpianatra hanaja ny fitsipika mifehy ny sekoly: tsy maintsy manao arona akanjo
manga antitra na lahy na vavy.

Ny fanabeazana moa tsy vitan’ny sekoly irery, satria toy ny asa vadi-
drano izy io ka tsy vita tsy ifanakonana. Noho izany, mila ny fanampian’ny ray
aman-dreny tokoa amin’ny fanabeazana ny mpianatra. Tena manana andraikitra izy
ireo amin’ny fanaraha-maso ny zanany mba hampizotra tsara ny fianarany.

Amin’ny ankapobeny, azo lazaina fa hendry ihany ny mpianatra: mora


tenenina, mora fehezina. Hita izany teny am-panatrehana ny fampianarana sy
tamin’ny firotsahana an-tsehatra nampianatra azy ireo. Na izany aza anefa, dia misy
foana ny maningana, araka ny maha zatovo azy. Araka ny fanadihadiana natao
tamin’ny mpiandraikitra momba ny mpianatra mantsy, ny mpianatra ao amin’ny
Lycée Nanisana dia eo ho eo amin’ny 15 ka hatramin’ny 18 taona eo.
− Ny ao amin’ny kilasy fahafolo: eo amin’ny 14- 19 taona.
− Ny ao amin’ny kilasy voalohany: eo amin’ny13-21 taona
− Ny ao amin’ny kilasy famaranana: eo amin’ny14-23 taona

2
(A. S) CHAPUS, in L’organisation de l’enseignement à Madagascar sous l’administration du
Général Gallieni 1896-1905, p. 36 : « L’école doit être obligatoire pour tous les enfants. C’est un
devoir auquel nul n’a le droit de se soustraire»

--16
30--
Raha ny voka-panadinana isan-taona indray no resahina, dia
antonontonony ihany, nefa tsy mena mitaha amin’ny an’ny hafa na dia ratsy aza ny
fiahiana ny mpianatra any ivelany: eo amin’ny lafiny ara-tsakafo, eo amin’ny lafiny
ara-bola, eo amin’ny trano fonenana… araka ny voalazan’ny Talen’ny sekoly. Ireny
rehetra ireny mantsy, dia misy akony any amin’ny fizotran’ny fianarana avokoa.
Toy izay no azo lazaina raha miresaka ny momba ny mpianatra
mandranto fahalalana ao amin’ny Lycée Nanisana. Ndeha hiroso amin’ny
fampahafantarana ny mpampianatra izay mpanabe ao.

1.6. Momba ny mpampianatra


Satria fampianarana no fotopotorana, dia tsy maintsy hilazalaza momba
ny mpampianatra izay tena misahana anjara asa lehibe tokoa. Izy ireo mantsy no
mizara fahalalana ho an’ny mpianatra, ary mamolavola azy ireny ho tonga olom-
pirenena vanona. Noho izany, misy akony any amin’ny mpianatra ny fitandremany
na ny tsy fitandremany ny asa ataony.

Raha ny mpampianatra ao amin’ny Lycée Nanisana no asiana teny, dia


maro tokoa izy ireo: mahatratra 70 ny isany, izay mitsinjara toy izao manaraka izao.

Fafana 1: Ny isan’ny mpampianatra isan-taranja

Taranja Filz Mlg Ang Fr L.V H.G S.V.T P.C Mth E.P.S
Isan’ny
Mpmp 04 06 06 07 05 09 11 08 09 05 = 70

Mpmp: Mpampianatra
Filz : Filôzôfia
Mlg : Malagasy
Ang : Anglais
Fr : Français
L.V : Langues vivantes
H.G : Histoire- Géographies

- 17 -
- 31 -
SVT : Science de la vie et de la terre
P.C : Physique- chimie
Mth : Mathématique
E.P.S : Education- Physique et sportive

Raha dinihina ny fafana maneho ny isan’ny mpampianatra, dia hita fa


vitsy ny isan’ny mpampianatra taranja malagasy raha mitaha amin’ny
mpampianatra any amin’ny taranja hafa, toy ny « Français » sy ny « SVT » ary ny
« Mathématique ». Enina (6) fotsiny mantsy izy ireo, ary izy ireo no mitsinjara ny
fampianarana ny mpianatra ao amin’ny kilasy fahafolo ka hatrany amin’ny kilasy
famaranana. Azo ambara araka izany fa mafy dia mafy tokoa ny asa ataon-dry zareo
mandritra ny taom-pianarana.

Ny roa amin’ireo mpampianatra taranja malagasy ireo no nanaovanay


fanadihadiana manokana, ka tsara raha fantarina ny mombamomba azy ireo. Fafana
avy hatrany no hanehoana azy.

Fafana 2: Ny mombamomba ny mpampianatra narahina.

Kilasy iasany Kilasy fahafolo Kilasy Kilasy


voalohany famaranana
Ny momba azy
Anarany A B A
Taonany 58 32 58
Sekoly nianarany na E.N.S E.N.S E.N.S
niofanany
Fari-pahaizana CAPEN CAPEN CAPEN
ananany
Taona nampianarany 35 04 35

- 18 -
- 32 -
Raha jerena ny fafana, dia miharihary fa mpampianatra voaofana
amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy izy roa ireo. Izany hoe, olona efa azo
antoka amin’ny fampianarana ity taranja ity. Ny iray (A), dia efa tena nilona ela
tamin’ity asa ity, ary efa handao izany aza raha afaka taona vitsivitsy. Tena efa
manana traikefa be dia be mihitsy izy. Ny iray (B), kosa dia azo ambara fa mbola
vao mizatra ihany raha atao ny fampitahana azy roa. Tsy mahagaga araka izay raha
mety hisy fahasamihafan’ ny fampianarana atolotr’izy ireo ny mpianatra.

- 19 -
- 33 -
Fehiny
Raha fehezina izay rehetra nambara tao amin’ny toko voalohany izay,
dia azo lazaina fa efa sekoly manara-penitra ity sekoly ity, ka ahafahana
manatanteraka ny fampianarana ara-dalàna. Hita teo mantsy fa ampy ny fitaovana
entina miatrika ny fampianarana, na ho an’ny mpampianatra na ho an’ny mpianatra.
Ny indro kely anefa, raha jerena ny endriky ny sekoly ety ivelany, dia tsapa avy
hatrany fa efa tranainy. Ilaina ny fanatsarana sy ny fanavaozana azy, satria mety
hiteraka vokatra ratsy eo amin’ny fampianarana izany raha tsy voajery akaiky sy
haingana.
Ny tsy tokony hohadinoina dia ny hoe: fototra iray lehibe ijoroan’ny
fampianarana ny sekoly, ka tsy tokony hatao ho ambanin-javatra ny fikarakarana
azy mba hahafahana manabe ny taranaka hoavin’ny firenena.
Raha miresaka ny mpianatra, dia tsikaritra fa maro ny isany any amin’ny
kilasy fototra, nefa mihena izany isaky ny miakatra ambaratonga, izany hoe,
arakaraka ny mahasarotra ny fianarana no mahatonga ny mpianatra hitsoaka an-
daharana. Anisan’ny antony iray mahatsara ny voka-panadinana anefa izany, satria
sarotra kokoa ny mifehy mpianatra maro noho ny mifehy mpianatra vitsy.
Ny sekolim-panjakana toy itony, dia natao ho an’ny sarambabem-
bahoaka: tsy anavahana saranga, ka tokony hihevitra ny amin’ny fanitarana azy ny
tompona andraikitra .Noho ny fahateren’ny sekoly mantsy, dia tsy maintsy ferana
ny isan’ny mpianatra raisina isan-taona.
Maro ny ray aman-dreny no tsy manana fahefa-mividy ampy
handefasana ny zanany any amin’ny sekoly tsy miankina, ka raha sanatria tsy
voaray any amin’ny sekolim-panjakana ny zanany, dia mijanona tsy manohy
fianarana intsony. Araka ny efa voalaza teo aloha moa, dia tsy misy Lycée miankina
amin’ny fanjakana afa-tsy izy io ao amin’ny boriborin-tany fahadimy, fa ny sekoly
tsy miankina kosa dia maro be.
Toy izay sy toy izay ny mombamomba ny sekoly sy ny mpianatra ary ny
mpampianatra nanaovana izao asa fikarohana izao. Ndeha hofantarina indray ny
zava-nisy hita nandritra ny fanatrehana ny fampianarana, ka izay hita tao amin’ny
kilasy fahafolo no hanombohana azy, manaraka izany, ny tao amin’ny kilasy
voalohany, ary hamaranana azy ny tao amin’ny kilasy famaranana.

- 20 -
- 34 -
TOKO II: FANOLORANA NY FAMPIANARANA HITA TANY AN-
TOERANA

Hita teo aloha ny momba ny toerana sy ny sekoly nanaovana


fanadihadiana. Izao dia hiroso amin’ny tena vontoatin’ny asa: mikasika ny
tontolon’ny fampianarana. Notsinjaraina isaky ny ambaratonga izany, ka ny kilasy
fahafolo no hanombohana azy.

2.2. Ny hita tao amin’ny kilasy fahafolo

Ny volana Desambra 2009 izahay no nanatrika ny fampianarana tao


amin’ity ambaratonga ity. Izany hoe, lesona notontosaina tamin’ny telo volana
voalohany no hita eto, raha arahina amin’ny fitetehana ny vanim-potoanan’ ny
fampianarana.

Lesona efatra no natrehinay tao amin’ny kilasy faharoa nandritra ny


fotoana nirotsahanay an-tsehatra tany amin’ny Lycée Nanisana. Anisan’ny lesona
natrehina tamin’izany “ ny mahakanto ny literatiora”, “ ny angano”, “ ny hainteny”,
“ ny tekinikan’ny famintinan-dahatsoratra”. Tsy hatolotra eto daholo izy rehetra
ireo, fa ireto ampahany haroso ireto, dia heverina fa ampy hanaovana fandalinana
ny fomba nentina nampianatra.

Kilasy fototra roa mira zotra (2nde I sy II) no iandraiketan’ny


mpampianatra A, ary natrehinay avokoa ny fampianarana tamin’izany. Ny lesona
nomena ny kilasy iray (2nde I) ihany no nomena ny kilasy iray hafa (2nde II). Marina
fa tsy nitovy tanteraka ny fanatontosana azy, saingy tsy nifanalavitra loatra ny
fomba narahina.

- 21 -
- 35 -
2.1.1. Lesona natrehina voalohany

Daty: 03 Desambra 2009


Faharetany: ora 2
Taranja: Malagasy
Zana-taranja: Literatiora am-bava
Lohateny: Ny angano
Fitaovana: Angano mitondra ny lohateny hoe: “Rapeto sy Rasoalao3”, nalaina tao
amin’ny Anganon’ny Ntaolo, takila .54
Tahirin-kevitra: Ny boky Anganon’ny Ntaolo, nangonin’i Rev. L. DAHLE,
Ny boky Lovako T.10

Zava-kendrena
Ara-pahalalana:
Mpianatra mahafantatra fa “ny angano”dia lahateny maneho tantara noforonina
mifono fanabeazana, fampiasa eo amin’ny fiarahamonina.
Ara-pahaiza-manao:
Mpianatra mahay manavaka “ny angano” amin’ny lahabolana hafa. Mpianatra
mahafehy ny fitsipiky ny teny Malagasy.
Ara-toetra amam-pihetsika: Mpianatra afaka mandray anatra amin’ny “angano”.

Fanamarihana:
Marihina fa efa vita ny lesona mikasika ny literatiora amin’ny ankapobeny
sy ny lahabolana hafa toy ny: Sôva, hainteny, kabary.
Na dia efa manana fitaovana azo anamaroana ny isan’ny lahatsoratra aza
ny sekoly, ny mpampianatra narahina taty amin’ny kilasy fahafolo kosa,
dia nanao sora-tononina eo amin’ny fanomezana lahatsoratra ny mpianatra
itondrana ny lesona. Noho izany, dia misy lahatsoratra izay efa
nampiasaina tany aloha mbola iverenana amin’ny lesona manaraka.

3
Jereo tovana II, takila 20

- 22 -
- 36 -
DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHA-
NA

F: Mikasika ny inona ny lesona nataontsika tamin’ny Natao am-


Famerenana farany? bava, ary
V: Mikasika ny literatiora amin’ny ankapobeny sy ny ireo
literatiora am-bava. mpianatra
F: Omeo àry ny famaritana ny atao hoe: literatiora. nanangan-
V: Ny literatiora dia hasin-javatra iray izay fahita isaky tanana no
ny firenena ary manintona mpandinika maro. nasain’ny
F: Manomeza tenina mpandinika mikasika ny atao mpmp
hoe: literatiora. namaly ny
V: Hoy i RADO: “ Ny literatiora dia teny sy soratra fanontaniana.
voangona tao amin’ny faritra na firenena iray, ary
mijanona ho lovasoa sy haren-tsaina ho an’izany
faritra na firenena izany, fa maneho ny maha-izy azy
manokana eo anivon’izao tontolo izao”
F: Manomeza famaritana hafa
V: Hoy i Charles RAVOAJANAHARY: “ Ny
literatiora dia tsy inona akory fa famoahan’ny olona,
amin’ny alalan’ny teny voasoratra na tsia, ny
fihetseham-pony, ny heviny, ny maha olona ny olona,
ny fifandraisany amin’ny manodidina”
F: Araka ny efa hitantsika, misy karazany firy ny
literatiora?
V: Misy karazany roa
F: Inona avy izy ireo?
V: Ny literatiora am-bava sy ny literatiora an-tsoratra.
F: Milazà karazana literatiora am-bava izay
fantatrareo.
V: Hainteny, Sôva

-23--23-
-25-
- 37 -
Anio indray isika dia hijery karazany hafa: Nosoratana
Lesona
vaovao NY ANGANO teny amin’ny
Solaitrabe ny
F: Mitanisa àry angano izay fantatrareo. lohatenin-
Fandalinana
V: - Faramalemy sy Ikotobekibo. desona, ary
- Ikotofetsy sy Imahaka… nasain’ny
mpmp
F: Iza no hamaky ny lahatsoratra? noraisin’ny
Mandray
F: Araka ny fahafantaranareo azy, inona no atao hoe: mpianatra tao
lahatsoratra
angano? anaty kahie.
V: - Ny angano dia literatiora am-bava, tantaraina eo
amorom-patana.
- Ny angano dia tantara tsy marina fa noforonina
nefa misy zavatra mahagaga raketiny.
F: Milazà ohatra manambara izany
V: I Trimobe olona, nefa mihinana olona

A – FAMARITANA
Ny angano, dia lahateny izay maneho tantara Noraisin’ny
Lesona
vaovao noforonina fampiasa tao amin’ny fiarahamonina mba mpianatra
hoentina manabe ny mpiara-belona. tany anaty
kahie
F: Manao ahoana àry ny endriky ny angano, araka
izany iantsoana azy izany?
V: Misy “hono”

B- NY ENDRIKA ISEHOANY
- Fehezanteny mitovy hatrany no fiantombohan’ny Niainga avy
angano, misy hoe: “hono”, “indray andro”.Ohatra: tamin’ny
Rapeto, hono… angano
Rasoalao kosa, hono… hatrany ny
- Mifarana hatrany amin’ny hoe: “angano angano, arira fandrafetana
ny lesona.

-24-
- 38 -
arira, tsy izaho no mandainga fa ny olombelona
taloha”.
Natao am-
F: Manao ahoana indray ny toetrany? bava, ary
V: - Tantara mahagaga satria misy zavatra tsy fahita ao izay
anatiny. nanangan-
F: Manomeza ohatra. tanana no
V: Ilay misy hoe: “ka nataony indray mandingana nasain’ny
ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny mpmp
Ambohitrarahaba”… namaly ny
F: Inona ihany koa no mety ho toetrany? fanontaniana.
V: Mampiala voly.

D- NY TOETRANY Raisina any


- Lahateny mahavariana ny mpihaino, manana endrika anaty kahie.
manintona izay voafaritr’ireto hasin-javatra manaraka
ireto:
- Tantara mahavariana
- Ny toe-javatra tantaraina ao dia mampitolagaga, tsy
fahita andavanandro
Ohatra: olona lavabe mahatakatra ny lanitra…
- Mpandray anjara hafa,ohatra: Vato miteny, hazo…
- Ny angano dia lahateny iray entina mampita ny
soatoavina ao amin’ny fiarahamonina ho an’ny
taranaka mifandimby, satria taratra amin’ireny angano
ireny ny fomba amam-panao, ny foto-pisainana, ny
finoana ao amin’izany fiarahamonina izany.
Ohatra: Fifampitsinjovana: “Izy no nanao ny tsentsin-
drano lehibe vato vaventibe ao am-bodin’Itasy, ka
namboariny ho farihy lehibe, hisotroan’ny ombin-
dRasoalao vadiny.”
- Ankoatra ny maha fampitana lesona azy, dia entina
manazava ny niandohana toe-javatra iray na zavatra
iray ny angano.

-25-
- 39 -
Ohatra: Ny antony anarahan’ny vorompotsy ny omby,
ny nahatonga ireny lavadavaka eny amin’ny vato
ireny…
- Mirakitra ny endri-piarahamonina sy ny fihariana
nisy tamin’izany vanim-potoana izany ihany koa ny
angano.

Fanontaniana
Fampiha- Asehoy ny maha angano ny lahateny “Ny Enti-mody
rana zanak’Andriamanitra very”, nalaina tao min’ny
Anganon’ny Ntaolo, tak 195-196.
Inona no zava-kendrena amin’io Angano io?

-26-

- 40 -
2.1.2 Lesona natrehina faharoa:

Daty: 10 Desambra 2009


Faharetany: ora 2
Taranja: Fampiharana
Lohateny: Fomba famintinan-dahatsoratra
Fitaovana: Angano mitondra ny lohateny hoe: “Angano betsimisaraka”, nalaina tao
amin’ny Lovako T. 10, tak 27; lahatsorata mitondra ny lohateny hoe: “Zava-kanto
malagasy”, nosoratan’i FETY Michel.
Tahirin-kevitra: Ny boky Anganon’ny Ntaolo
Ny boky Lovako T10
Ny boky FARY MAMY
Zava-kendrena
Ara-pahalalana
Mpianatra mahafantatra fa ny famintinan- dahatsoratra dia fanavahana ny tena
ventin-kevitra amin’ny famenon-kevitra.
Ara-pahaiza-manao
Mpianatra mahafehy ny fomba famintinan-dahatsoratra.
Ara-toetra amam-pihetsika: mpianatra afaka mipetraka amin’ny toeran’ny
mpanoratra, ka mahatakatra ny tiany hambara.

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARI-


HANA

Famerenana F: Inona no atao hoe mamintina lahatsoratra araka ny Natao am-


ny lesona lesona natao tany amin’ny T.9? bava , ary
tany V: Milaza ny hevitra misongadina ao amin’ny izay
amin’ny lahatsoratra. mpianatra
taona F: Manao ahoana ny fomba fanehoana azy? nanangan-
fahasivy V: Atao mifintina ny fanehoana azy. tanana no
F: Hazavao misimisy kokoa izany. nasain’ny
V: Esorina ny hevitra tsy tokony horaisina mba mpmp
hahafohy ny lahatsoratra. namaly ny
F: Inona izany no asa atao amin’izay fotoana izay? fanontaniana

- 27-
- 41 -
V: Manasongadina ny hevi-dehibe.
Izay no atao hoe manavaka ny ventin-kevitra
amin’ny famenon-kevitra.
F: Ahoana no atao amin’izany manavaka ny ventin-
kevitra amin’ny famenon-kevitra izany?
V: Milaza ny hevitra misongadina.
Izany no atao hoe manavaka ny renihevitra
sy ny zana-kevitra, na manala ny ohatrohatra sy ny
fanazavana isan-karazany ao anaty lahatsoratra.

F: Farito àry ny atao hoe mamintina lahatsoratra. Nadika teny


V: Filazana amin’ny fomba fohy nefa mazava ny amin’ny
lahatsoratra. solaitrabe ny
F: Azo atao ve ny mampiasa ny voambolana ao anaty valin-teny
lahatsoratra? nomen’ny
V: Tsia, tsy azo atao satria voambolan’ny mpanoratra mpianatra,
ireny. ary
F: Fa an’iza araka izany ny famintinana aroso? niainga
V: An’ny tena manokana, noho izany tsy maintsy tamin’ireny
mikaroka voambolana hafa ny tena valim-
F: Arafeto tsara àry ny atao hoe mamintina panontaniana
lahatsoratra. azo ireny ny
fandrafetana
I Famaritana ny lesona
Lesona V: Ny atao hoe mamintina lahatsoratra dia milaza noraisina
vaovao amin’ny fomba fohy nefa mazava, ary an’ny tena tany anaty
manokana, ny hevitra novelabelarina tao anaty kahie
lahatsoratra lava.

F: Lazao ny fepetra arahina ahafahana manao izany.


V: - Averina vakina ny lahatsoratra.
- Tokony hanana voambolana maro

- 28 -
- 42 -
Fandalinana II- Fepetra takiana
- Fahazoana tsara ny lahatsoratra
- Fahaizana manavaka ny ventin-kevitra (R.H sy ny
Z.K) amin’ny famenon-kevitra (ohatra sy
fanazavana).
- Fananana voambolana maro
- Mahafantatra ny lalan-tsaina na drafitra narahin’ny
mpanoratra tamin’ny fanehoany ny heviny. .
F: Manao ahoana ny tokony ho endriky ny
famintinana?
V: tokony ho fohy sady mazava.

III- Ny tokony ho endriky ny famintinana


- Tsy manova ny hevitry ny mpanoratra fa manaja Lesona
ilay lahatsoratra. tolotra
- Atao mifanaraka amin’ny halavany takiana: mazava
nefa fohy.
- Tsy miova andalana mihitsy.
- Tsy azo atao ny mamerina ny teny ao amin’ny
lahatsoratra.
- Tsy azo atao ny manova ny fifandanjan-kevitra:
misy hevitra ivalamparan’ny mpanoratra nefa misy
hevitra fintininy ihany koa.

F: Ahoana ny fomba fiasa na ny fomba arahina? Natao am-


V: Atao izay hahazoana ny lahatsoratra. bava, ary
F: Rehefa mazava ny lahatsoratra, inona indray no izay
atao? nanangan-
V: Mitady ny FD sy ny F.K tanana no
F: Fa inona moa no atao hoe F.D? notondroina
V: Izay zavatra tantaraina mivantana ao amin’ny namaly ny
lahatsoratra. fanontaniana

- 29 -
- 43 -
F: Inona àry no foto-dresaka ao amin’ny angano?
V: Ny fahafatesana
F: Inona kosa no atao hoe: F.K?
V: Ny hevitra tiana hampitaina ao amin’ny
lahatsoratra.
F: Inona kosa no F.K eto?
V : Tsy maintsy miafara amin’ny fahafatesana ny
fiainan’ny olombelona
IV- Ny fomba fiasa
-Vakina ny lahatsoratra.
- Mitady ny F.K. Noraisina
- Jerena ireo hevi-dehibe. tany anaty
- Ampifandraisina ireo hevi-dehibe ireo, ary ireo no kahie
manome ny famintinana.
Nitantara angano ny mpampianatra
Fampiharana 1- Ikotofetsy sy Imahaka. Natao am-
F: Inona no F.D tamin’izay angano izay? bava, ary
V: Ny fomba nangalaran’izy roalahy ny izay
ondrin-dRafotsy. nanangan-
F: Inona no F.K? tanana no
V: - Tsy maintsy misy valiny ratsy ny asa ratsy. nasaina
- Ny ratsy atao loza mihantona. namaly ny
- Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. fanontaniana
2- Ny fijinjana .
F: Inona no foto-dresaka tamin’izay tantara kely
izay?
V : Ny fijinjana
F: Lazao ny F.K
V: - Ny firaisan-kina no hery
-Ny asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana.
F: Manomeza F.D azo anehoana io F.K io.
V: - Asa tany
- Lalao baolina kitra
- Ny fampandrosoana …

- 30 -
- 44 -
2.1.3 Lesona natrehina fahatelo:

Daty: 11 Desambra 2009


Faharetany: ora 2
Taranja: Fampiharana
Lohateny: Fomba famintinan-dahatsoratra tohiny
Fitaovana: Angano mitondra ny lohateny hoe: “Ratany sy Ralanitra4”, nalaina tao
amin’ny Lovako T. 10, tak 27; lahatsorata mitondra ny lohateny hoe: “Zava-kanto
malagasy5”, nosoratan’i FETY Michel.
Tahirin-kevitra: Ny boky Anganon’ny Ntaolo
Ny boky Lovako T10
Ny boky FARY MAMY
Zava-kendrena
Ara-pahalalana: mpianatra mahafantatra fa ny famintinan- dahatsoratra dia
fanavahana ny tena ventin-kevitra amin’ny famenon-kevitra.
Ara-pahaiza-manao: mpianatra mahafehy ny fomba famintinan-dahatsoratra.
Ara-toetra amam-pihetsika: mpianatra afaka mipetraka amin’ny toeran’ny
mpanoratra, ka mahatakatra ny tiany hambara.

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHANA

Famerenana F: Inona ny lesona natao tamin’ny farany? Natao am-


ny lesona teo V: Ny fomba famintinan-dahatsoratra bava, ary izay
aloha. F: Farito àry ny atao hoe mamintina lahatsoratra nanangan-
V: Ny atao hoe mamintina lahatsoratra dia milaza tanana no
amin’ny fomba fohy nefa mazava ny hevitra notondroina
novelabelarina tao anaty lahatsoratra lava. namaly ny
F: Inona no fepetra takina amin’izany? fanontaniana.
V: Fahazoana tsara ny lahatsoratra
Ny fahaizana manavaka ny tena hevitra
amin’ny famenon-kevitra.

4
Jereo tovana II, takila 21
5
Jereo tovana II, takila 22
- 31 -

- 45 -
F: Manao ahoana ny tokony ho endriky ny
famintinana aroso?
V: - Famintinana tsy manova ny hevitry ny
mpanoratra
- Tsy miova an-dalana mihitsy.
Fanamarihana
Fanohizana Misy fomba famintinan-dahatsoratra azo aroso
ny lesona. araka izay takiana:
1- Ny famintinana fohy indrindra: ny
F.K ny lahatsoratra no omena ka atao
anatina fehezanteny tokana.
2- Ny famintinana fohy: famintinana Lesona tolotra
ireo R.H na H.D ao anaty lahatsoratra:
fintinina ao anaty fehezanteny iray na roa ny H.D
tsirairay ary ampifandraisina avy eo.
3- Ny famintinana antonony: raha
maromaro ny andalana takiana amin’ilay
famintinana dia azo atao ny mampiditra ny
Z.K ao anaty R.H arakaraky ny lanjany
nomen’ny mpanoratra azy.

Fanontaniana:
Fampiaharana 1-Ataovy famintinana fohy ny angano “Ratany sy Natao tao an-
Ralanitra” dakilasy.

2- Fintino amin’ny andalana valo (08) raha be Enti-mody,


indrindra ny lahatsoratra: “Zava-kanto malagasy”, saingy efa
nosoratan’i FETY Michel natomboka tao
an-kilasy ny
fanaovana azy.

- 32 -

- 46 -
Toy izay ny fisehoan’ny santionan’ny fampianarana natrehina tany an-
toerana. Taorian’ireo lesona ireo anefa, dia nisy ny fanadinana an-tsoratra
nampanaovina ny mpianatra izay natao nandritra ny ora roa. Toy izao manaraka
izao ny endriky ny fanontaniana sy ny vokatra azo tamin’izany.

Fanadinana an-tsoratra

Ny “ Ratany sy Ralanitra” izay efa nampiasaina tamin’ ny lesona teo


aloha ihany no noraisina nanadinana ny mpianatra tamin’ity fitsapana ity.

Fanontaniana

1) Sora- tononina (Angano betsimisaraka)


2) Asehoy ny maha angano io lahateny io.
3) Lazao ny antony nampisy io angano io.
4) Omeo ny firafitry ny kabary amin’ny ankapobeny.
5) Lazao ireo lafin-javatra telo maha literatiora ny literatiora.
6) Manomeza tenina mpanoratra iray mamaritra ny atao hoe: literatiora.
7) Asehoy ny maha kanto ity tononkalo ity:

Tiako ianao, ry Gasikarako, Tanindrazana lalaiko


Ka asandratro ao am-poko sy lolohaviko ao an-tsaiko
Fa raha misy faniriana tsara indrindra mba tononiko
Tsy ho an’iza fa ho anao, no nahalatsahan’ny tavoniko

Fa hatramin’ny fahagolantany, ambadiky ny tazako


Dia ianao no anjara tany izay natolotra ny razako
Ianao no lovasoa sarobidy izay nananany
Dia ianao ry Gasikara, izay napetrany ho an-janany

Rehefa naverina ny asan’ny mpianatra, dia indro aseho amin’ny fafana


toy izao manaraka izao ny salan’isa azon’izy ireo tamin’ny fanadinana izay
nataony.

- 33 -
- 47 -
Fafana 3: Ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny kilasy fahafolo

Isa azon’ny
mpianatra 07 08 09 10 11 12 13 14
Isan’ny
mpianatra 02 01 10 15 12 06 08 06 = 60

Izay no azo aroso mikasika ny fampianarana hita tao amin’ny kilasy


fahafolo. Ndeha indray hijery izay hita tao amin’ny kilasy voalohany.

- 34 -

- 48 -
2.2 Ny hita tao amin’ny kilasy voalohany

Ny volana Aprily 2010 izahay no nanatrika ny fampianarana tao


amin’ity ambaratonga ity. Izany hoe, lesona notontosaina tamin’ny telo volana
fahatelo no hita eto, araka ny fandaharam-pianarana. Ireto manaraka ireto ny
santionany natrehina tamin’izany.

2.2.1 Lesona natrehina voalohany

09 Daty: 19 Aprily 2010


Kilasy: voalohany (A-1 sy D-3)
Faharetany: ora 2
Zana-taranja: Literatiora
Lohatenin-desona: Vanim-potoana mitady ny very (1930-1945)
Zava-kendrena
Ara-pahalalana:
• Ny hahaizan’ny mpianatra ny tantaram-pirenena sy ny vokatr’izany teo
amin’nyliteratiora.
• Fampisehoana fa tsy afa-misaraka ary mifandray hatrany ny literatiora
sy ny fiarahamonina.
• Ny hahalalan’ny mpianatra fa ny tantaram-pirenena no mandrafitra ny
literatiora.
Ara-pahaiza-manao:
• Fanehoana ny tekinika enti-mandinika ny tantaran’ny literatiora amin’ny
alalan’ny asa soratra mampahafantatra ny zava-misy.
• Fahaizana manatsoaka ny tara-kevitry ny literatiora tarafina amin’ny
tantaram-pirenena.
Ara-toetra amam-pihetsika:
• Mpianatra mahay mamantatra ny zava-misy sy ny endri-piarahamonina
amin’ny alalan’ny literatiora.
• Mpianatra olom-pirenena mahafantatra ny lasa (fiarahamonina,
kolontsaina) ary afaka manefy ny ho avy.

- 35 -
- 49 -
Fanamarihana: Efa vita ny lesona mikasika ny vanim-potoana fiforetana anaty sy
ny famintinan’ny mpampianatra izany.

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHA


NA

Manomboka anio isika dia hiresaka ny Alohan’ny


tantaran’ny literatiora teo anelanelan’ny taona hanomboha
1930-1945. na ny
VANIM-POTOANA MITADY NY VERY fampianara-
1930-1945 na, dia
Tombana F: Inona no niseho tamin’izany? fomba
V: - Ny 1930, nisy kirizy ara-toe-karena tany mahazatra
Amerika (fitobaham-bokatra). ity mpmp
- Ny 1945: Ady lehibe faharoa. ity ny
F: Inona no zava-nisy ara-pôlitika teto mampama-
Madagasikara? ky ny lesona
V: Fanjanahan-tany vita teo
Raiso àry ny lesona: aloha. Izany
A- Ny zava-nisy nanamarika ny vanim- hoe, tsy dia
Lesona vaovao potoana manadina
izy, fa
A-1 Teto Madagasikara
Fandalinana
manondro
Nihahenjana ny fitondrana (hisorohana izay
mpianatra
mety ho fanoherana indray).
roa (2)
Mbola nitohy ihany koa ny fitsentsefana na an-
mampaha-
kolaka na mivantana. Nitombo ny vokatra
tsiahy izay
naondrana toy ny hazo sarobidy, harena an-
efa vita
kibon’ny tany, sakafo: omby…); nalain’ny
amin’ny
vazaha ny velaran-tany mahavokatra, nitohy
alalan’ny
ihany koa ny SMOTIG.
vakiteny.
Namory ny mpiasa Malagasy ny Frantsay ary
nilaza fa afaka manangana sendika
(fivondronan’ny mpiasa mangataka

- 36-
- 50 -
tombontsoa), saingy ny mpiasa manana ny zom-
pirenena frantsay ihany.Vokany, tezitra ny Rehefa vita
Malagasy ka nilahatra teny Ambohitsorohitra ny tombana,
ny 19 May 1930, ary hoy izy ireo dia
tamin’izany: “ Madagasikara ho an’ny manazava
Malagasy ary ny ny lesona
fahaleovantena ho an’i Madagasikara”. vao hatao
A-2 Maneran-tany amin’ny
Ny kirizy tany Amerika dia ampy nahalalan’izy ankapobeny
ireo fa tsy izy intsony no tompon’ny hery eran- ny mpmp,
tany: mifampiankina ny firenen-dehibe sy ny avy eo izy
firenena madinika. manolotra
Nisy rivo-panavaozam-pitondrana nitsoka tany ny lesona ho
URSS ka lasa sôsialista izy ireo. raisin’ny
Raha haravona dia lasa nanome lanja ny maha mpianatra.
olona ny firenen-dehibe, ary dia namotsotra ny
zana-tany.
Nihozongozona noho izany ny fahefan’i Erôpa
ka dia niezaka nanamarina ny pôlitikam-
panjanahana izy.
1931: nisy ny “exposition coloniale” izay natao
tany Frantsa. Naseho tany i Madagasikara: ny
tany, ny toe-karena, ny kolontsaina, ny olona…
Ny tanjona dia ny hanehoana eo imason’izao
tontolo izao fa tsara ny fanjanahan-tany, satria
mitondra fivoarana eo amin’ny lafiny rehetra.
Tsy nipetra-potsiny ny Malagasy fa nanohitra
ireo paikadim-pitondrana nataon’ny mpanjanaka
ireo.
1933: nisy ny “concours des belles -lettres”:
fifaninanana nampanaovin’ny Frantsay
hanehoana ny hatsaran’ny renivohitra izay
onenan’ny olo-mandroso sy ny vazaha. Araka
izany, dia nisy ny fifaninana nanoratra boky,

- 37 -
- 51 -
ka ny boky BINA, nosorotan’i Auguste
RAJAONARIVELO no laharana voalohany;
ILAY VEROMANITRA, nosoratan-
dRAFANOHARANA, kosa no nahazo ny
laharana faharoa. . Tamin’ny alalan’ireny asa
soratra ireny no nanararaotan’ny mpanoratra
Malagasy nanehoana ny maha be voho ny
soratra malagasy.
Noporofoin’ny Malagasy ihany koa fa firenena i
Madagasikara satria: manana ny teniny …
1935: fankalazana ny faha zato taonan’ny
Baiboly protestanta malagasy.
1936: vita ny Baiboly katôlika.
1937: nanomboka namoaka “Firaketana ny teny
sy ny zavatra malagasy”, RAVELOJAONA, tao
amin’ny gazety Fiainana.
Midika izany fa manan-karena ny teny
malagasy.
Manana ny fomba amam-panaony izay iavahany
amin’ny firenen-kafa ihany koa ny Malagasy.
Niroborobo tamin’ity vanim-potoana ity ny
fanehoan’ny mpanoratra isa-paritra izany
an-gazety na amin’ny boky (Ny fomban-
drazana Antemoro, nosoratan-dROMBAKA;
Ny fomba betsileo, Ny fandroana…)
1938: noraisina tamin’ny fankalazana lehibe ny
taolambalon-dRanavalona III: niniana navadika
mba hanehoana ny fomba na dia tsy azo atao aza
izany amin’ny andriana.
Firenena ihany koa i Madagasikara
noho izy manana ny mahery fony
(Ralaimongo, Rasalama…)
Notokanana ny 29 Aprily 1931 ny radiom-
pirenena malagasy.

- 38 -
- 52 -
Hita tamin’ny fitaoman’ny mpanoratra rehetra
ny famohafohazana ny sain’ny Malagasy mba
hiverina amin’ny tena maha malagasy ary
izay indrindra moa no very tadiavina eto.

B- Ny mpanoratra sy ny asa soratra


B-1 Ny mpanoratra
Mbola tao ireo zokiny ary nanampy azy ireo ny
mpanoratra zandriny: Paul Kambety (Idealy
Soa), RAZAFIMAHEFA Charles (Don-davitra),
Jasmina RATSIMISETA, Ny Avana. R …
B-2 Ny gazety
Ny gazetim-panjakana: Vaovao frantsay
malagasy
Ny gazetim-piangonana: Sakaizan’ny tanora,
Ny fiainana, Ny mpanolotsaina
Ny gazety tsy miankina: Telegrafy, Takariva,
Loharano…

- 39 -

- 53 -
2.2.2 Lesona natrehina faharoa

09 Daty: 22 Aprily 2010


Kilasy: voalohany (A-1 sy D-3)
Faharetany: ora 2
Zana-taranja: Literatiora
Lohatenin-desona: Vanim-potoana mitady ny very 1930-1945 (tohiny); Vanim-
potoana fitakiana fanarenana (1945-1960).

Zava-kendrena
Ara-pahalalana:
• Ny hahaizan’ny mpianatra ny tantaram-pirenena sy ny vokatr’izany teo
amin’ny literatiora.
• Fampisehoana fa tsy afa-misaraka ary mifandray hatrany ny literatiora
sy ny fiarahamonina.
• Ny hahalalan’ny mpianatra fa ny tantaram-pirenena no mandrafitra ny
literatiora.
Ara-pahaiza-manao:
• Fanehoana ny tekinika enti-mandinika ny tantaran’ny literatiora amin’ny
alalan’ny asa soratra mampahafantatra ny zava-misy.
• Fahaizana manatsoaka ny tara-kevitry ny literatiora tarafina amin’ny
tantaram-pirenena.
Ara-toetra amam-pihetsika:
• Mpianatra mahay mamantatra ny zava-misy sy ny endri-piarahamonina
amin’ny alalan’ny literatiora.
• Mpianatra olom-pirenena mahafantatra ny lasa (fiarahamonina,
kolontsaina) ary afaka manefy ny ho avy.
Fanamarihana.
Efa vita ny famakiana ny lesona teo aloha sy ny fanazavana ny lesona manaraka
amin’ny ankapobeny.

- 40 -
- 54 -
DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHAN
A

Vanim-potoana mitady ny very ( tohiny)


Fanohizana B-3 Ny asa soratra
ny lesona teo - Lahatsoratra famotopotoran-kevitra: niroborobo Lesona tolotra
aloha. indrindra tamin’ity vanim-potoana ity. Ao ny hatrany, no

mikasika “Ny tsipy hevitra ho an’izay te nasaina


hanoratra”. (Asa fampianarana manoratra sy noraisin’ny
mandaha-teny ary mamoaka hevitra). Nifarimbona mpianatra an-
tamin’izany ry RAJOELISOLO Charles, tsoratra.
J.J.RABEARIVELO, Ny Avana
RAMANANTOANINA.
- Ny tononkalo: nisy ny tononkalo malala-drafitra
sy ny manara-drafitra.
Hoy ny mpanoratra iray raha milaza ny hevitra
raketin’ny tononkalo izy: “Vetsovetso-po
manetsika fo hafa, hiran’ny fanahy
mampipararetra fanahy hafa”
- Ny sombin-tantara: milaza fahantrana,
haratsian’ny fon’ny olombelona, fanefana adidy,
ny fitiavan-tanindrazana…
- Ny tantara foronina: nahitana fitsikerana
toetran’olona sy fiarahamonina.
Ohatra: Menarana, Taolambalo…nosoratan’i E.D
ANDRIAMALALA
- Ny teatra:
Ohatra: Poizina mifono (Rinara Soa);
Norokaima (Wast RAVELOMORIA)…
Fanamarihana
Ankoatra ireo voalaza teo aloha, dia anisan’ny
tara-kevitra tamin’ity vanim-potoana ity ihany koa

- 41 -
- 55 -
ny alahelo, ny lasa, ny fiantorahana
tamin’Andriamanitra sy ny hery tsy hay (vintana),
ny fikaloana ny tanàna haolo ravarava, ny
tanindrazana, ny fiainana andavanandro…

Hiroso amin’ny vanim-potoana manaraka indray


isika izao:
VANIM-POTOANA FITAKIANA FANARENANA
(1945-1960)
Lesona Natao am-
F: Inona no nitranga tamin’ireo daty ireo?
vaovao bava,
V: 1945: Ady lehibe faharoa
notondroina
1960: Fahaleovan-tena
Tombana izay hamaly
F: Iza avy ireo antoko niforona tamin’ity vanim-
ny
potoana ity?
fanontaniana.
V: M.D.R.M, PADESM
A- Zava-nisy ara-tantara
Tao aorian’ny
Resy tamin’ny ady lehibe faharoa ny frantsay, ka
tombana dia
nikorontana na ny tany ivelany na ny teto an-
nanazava ny
toerana. Nanararaotra izany ny Malagasy, ka
lesona
niomana ny handrombaka ny fahaleovantena.
tamin’ny
Noforonin-dRavoahangy sy Raseta tany Frantsa
ankapobeny
ny MDRM, ny taona 1946. Ny hanafoana ny
ny mpmp vao
lalàna maha zana-tany an’i Madagasikara no
nanolotra ny
tanjony, fa tsy ady na tolona.
lesona.
Nofoanana ny SMOTIG.
Niroborobo ny MDRM, ka dia namorona ny
PADESM ny Frantsay hisarihana ny olona tsy
hiditra ao amin’ny MDRM. Tsy nahomby anefa
izany rehetra izany.
Noho izany dia nitady fomba hamelezana azy ny
Frantsay. Nipoaka ny “fikomiana” (hoy i ED.
ANDRIAMALALA, in Fofombadiko, tak.47:
“Ranomaso nateraky ny setroka ihany izany”; ka
dia nosamborina avokoa ireo kalaza tao amin’ny

- 42 -
- 56 -
MDRM. Nisy famaizana mahatsiravina niseho
tany Moramanga, Manakara, tamin’izany.
Nofoanan’ny Fanjakana ny MDRM, nosamborina
ireo mpitarika sy mpikambana tao.
Rehefa tsy nahasarika olona firy ny PADESM,
dia namorona ny antoko PSD indray ny
Fanjakana, ka i Philbert TSIRANANA no filoha .
Ireo antoko tsy niditra tao amin’ny PSD, dia
nivondrona nanangana ny AKFM. Nafana fo
tamin’izany ry Pasitera ANDRIAMANJATO . R,
Tata Max, Gisele RABETSAHALA.
Ireo antoko roa farany ireo, dia samy nitaky ny
fahaleovan-tenan’i Madagasika avokoa, saingy ny
fomba nentina nitaky, ny fotoana, ary ny zavatra
tadiavina no tsy mitovy. Ny PSD naniry ny
hahaleo tena, saingy tsy misaraka amin’i Frantsa;
ny mifanohitra amin’izany kosa no notadiavin’ny
AKFM: fahaleovan-tena madio mangarangarana.
Nisy fitsapan-kevi-bahoaka nampanaovin’ny
Frantsay, tamin’ny Septambra 1958: fahaleovan-
tena madio mangarangarana sa fahaleovan-tena eo
anivon’ny firaisam-be Frantsay (ENY)? Lany
tamin’ny 83% ny “ENY” ary 17% ny “TSIA”
(nisy ny fisamborana ireo sangany nisafidy ny
“TSIA”).
Nahaleo tena i Madagasikara, saingy ao anaty
firaisam-be Frantsay. Nihanafotaka anefa ny
fitakiana ny fahaleovantena madiodio, ka dia
natolotra ny 1960 izany.

B- Ny vokatr’izany teo amin’ny


literatiora

- 43 -
- 57 -
B- 1 Tany amin’ny zana-tany hafa
1935: Nifamory ny mpanoratra mainty hoditra ary
anisany i Jacques RABEMANANJARA.
Nitaky ny fitovian-jo tamin’ny Frantsay izy ireo.
Taty aoriana kosa, dia niara- nanohitra ny rafi-
pitondrana Frantsay.
Ohatra, araka izay hita ao amin’ny Anthologie de
la nouvelle poésie Nègre, Léopold Sedard Senghor

( Maneho fa manana ny maha izy azy ny


fiarahamonina mainty)
L’enfant noir, Camare Laye ( Miresaka ny voka-
dratsin’ny riba Tandrefana eo amin’ny
fiarahamonina mainty izay mahatonga ny zaza
Afrikana hitsingevaheva tsy afaka mifandray
amin’ny tontolo tena misy azy intsony)
B-2 Teto Madagasikara
Niorina tamin’ny 1930 ny Amicale des
Journalistes et écrivains Malgaches (AJEM),
notarihin’i Pierre RAPIERA. Nirona betsaka
tamin’ny mitady ny very ny asa soratr’izy ireo,
ka Ny Gazetintsika no mpitondra teniny.
Ny 06 Jona 1952 : teraka ny UPEM (Union des
Poètes et Ecrivains Malgaches), izay notarihin’i
R. R. RAOLISON sy i Elie Charlly
ABRAHAM. Dimy ambin’ny folo (15)
mianadahy izy ireo no tao. Anisan’izany i DOX,
Ener Lalandy (René ANDRIAMALALA),
RAHARISON Faustin, RADO,
E.D.ANDRIAMALALA, … izay nitaky: ny
fanafahana ireo voampanga tamin’ny 1947, ny
fiandrianam-pirenena, ny fanomezan-danja ny
tenim-pirenena, handalina ny maha malagasy;
fitaizana ny mpamaky haneho ny fitiavan-

- 44 -
- 58 -
tanindrazana.
Nahasarika ny mpanoratra ireo ka nitombo ny
mpikambana. Nanampy azy ireo, ohatra, ry i
Michel ANDRIANJAFY, Auguste RAJON.

2.3.3 Lesona natrehina fahatelo

Daty: 26 Aprily 2010


Kilasy: voalohany (A-1 sy D-3)
Faharetany: ora 2
Zana-taranja: Literatiora
Lohatenin-desona: Vanim-potoana fitakiana fanarenana (tohiny).

Zava-kendrena
Fahalalana:
• Ny hahaizan’ny mpianatra ny tantaram-pirenena sy ny vokatr’izany teo
amin’ny literatiora.
• Fampisehoana fa tsy afa-misaraka ary mifandray hatrany ny literatiora
sy ny fiarahamonina.
• Ny hahalalan’ny mpianatra fa ny tantaram-pirenena no mandrafitra ny
literatiora.
Fahaiza-manao:
• Fanehoana ny tekinika enti-mandinika ny tantaran’ny literatiora amin’ny
alalan’ny asa soratra mampahafantatra ny zava-misy.
• Fahaizana manatsoaka ny tara-kevitry ny literatiora tarafina amin’ny
tantaram-pirenena.
Toetra amam-pihetsika:
• Mpianatra mahay mamantatra ny zava-misy sy ny endri-piarahamonina
amin’ny alalan’ny literatiora.
• Mpianatra olom-pirenena mahafantatra ny lasa (fiarahamonina,
kolontsaina) ary afaka manefy ny ho avy.

- 45 -
- 59 -
Fanamarihana.
Efa vita ny famakiana ny lesona teo aloha sy ny famintinan’ny mpampianatra izany.

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARI-


HANA

Fanohiza- D- Tara-kevitra
na ny Nihanahazo vahana ny bokin-draimbilanja, Lesona
lesona asa soratra navoakan’i Idealy Soa tao amin’ny tolotra
Gazety Takariva (Tantara feno misitery, Tantara
manaitaitra …).
Ohatra: Fantsika dimy.
Nisy koa ireo mafonja izay nisandrahaka tamin’ny
lohahevitra maro taorian’ny ady lehibe faharoa:
- famotsipotsirana ny fampijaliana nataon’ny
mpanjanaka: “Ombin-tsarety sy ny olona”
(Josephine RANIRINA).
Marihina fa nisy sivana tamin’izany ka tononkalo
feno sarin-teny no nataon’ny mpanoratra.
- fanehoana ny tsy rariny ataon’ny mpanjanaka faly
mihinana ny hatsembohan’ny Malagasy, ka mila
roahina izy ireo.
Ohatra: “Kalon’ny mpiandry fody”
(RAFANOHARANA).
- antso miantefa amin’ny Malagasy ho amin’ny
fitiavan-tanindrazana.
- Maro ireo lahatsoratra navoaka maneho ny
hatsaran’ny tontolo ambanivohitra, ny fomba
fisainana nentim-paharazana, ny fomba amam-
panao, ny tenin-drazana.
Vokany, tamin’ny gazety PANORAMA, lah. 112,
1960, i Célestin ANDRIAMANATENA dia nilaza
fa “vehivavy maro no niverina nitafy lamba;
niverina nitodi-doha eny ambanivohitra ny olona.”

- 46 -
- 60 -
Ny 1952: i RADO dia nanoratra tononkalo
mitondra ny lohateny hoe “Ny tenin-drazako”
- fitaomana ny Malagasy tsy hiray petsapetsa
amin’ny vazaha.
- Nasehon’ny mpanoratra toa an-dRandza
ZANAMIHOATRA, fa tsy azo sakanana ny
fahaleovanten’i Madagasikara.
Ohatra: “Sosay lakana”.

Nisy ihany anefa ireo mpanoratra niezaka nandresy


lahatra ny Malagasy tsy hisaraka amin’iny
Frantsay.
Ohatra 1: Gilbert RATSIMBAZAFY, ao amin’ny
Ny veloma izay napetrany: “Ka rehefa tonga
mahaleo tena i Madagasikara indray andro any, dia
ho tonga tovolahy mendrika ny tanindrazana izy;
nefa izany fitiavany an’i Madagasikara izany aoka
tsy hisaraka amin’ny fitiavany an’i Frantsa.
Fitiavana mahazo miara-dia ireo.”
Ohatra 2: Michel ANDRIANJAFY, ao amin’ny
Orimbaton’ny fiadanana.

Toy ny hita tao amin’ny kilasy fahafolo, dia nisy ihany koa ny
fanadinana an-tsoratra izay naharitra ora roa .Toy izao manaraka izao ny endrika
isehoan’izany sy ny vokatra azo.

Fanadinana an-tsoratra

1. Manomeza zava-nisy telo nanamarika ny vanim-potoana mitady ny very.


2. Manomeza asa soratra telo nivoaka tamin’izany.
3. Resaho ny “Tsipy hevitra ho an’izay te hanoratra” (Iza no nanoratra azy io,
inona no asongadiny ao, nivoaka oviana?)
4. Manomeza mpikambana telo ao amin’ny HAVATSA UPEM.

- 47 -
- 61 -
5. Manomeza tara-kevitra telo manamarika ny vanim-potoana fitakiana
fanarenana, ary tohano amin’ny ohatra mazava.
6. Fenoy ny banga:

Anarana Solon’anarana
Paul KAMBETY …………………………
Charles RAZAFIMAHEFA …………………………….
………………………………. Paraboles
………………………………. Ntaolozandriny

Rehefa naverina ny asan’ny mpianatra, dia indro aseho amin’izao fafana


manaraka izao ny salan’isa azony tamin’ny fanadinana.

Fafana 4: Isa azon’ny mpianatra kilasy voalohany (A 1)

Isa azon’ny mpianatra 08 09 10 11 12 13 14 15


Isan’ny mpianatra 01 02 04 10 15 09 06 05 = 52

Fafana 5: Isa azon’ny mpianatra kilasy voalohany (D3)

Isa azon’ny mpianatra 06 09 10 11 12 13 14 15


Isan’ny mpianatra 03 06 21 07 03 05 03 02 = 50

Hita teo ny fizotran’ny fampianarana tao amin’ny kilasy voalohany, izao


dia hiresaka izay hita tao amin’ny kilasy famaranana.

- 48 -

- 62 -
2.4 Ny hita tao amin’ny kilasy famaranana

Ny volana Desambra 2009 ihany koa izahay no nanatrika ny


fampianarana tao amin’ity ambaratonga ity, satria ny mpampianatra A izay
narahinay tao amin’ny kilasy fahafolo ihany no mitazona ny kilasy famaranana TC-
1 sy TD-3. Ny lesona nomena ny kilasy iray (TC-1) ihany no nomena ny kilasy iray
hafa (TD-3). Hita anefa fa tsy nitovy tanteraka akory ny fanatontosana azy, na dia
tsy nifanalavitra loatra aza ny fomba narahina tamin’izany.

2.3.1 Lesona natrehina voalohany

Daty: 08 Desambra 2009


Kilasy: voalohany (TC-1 sy TD-3)
Faharetany: ora 2
Zana-taranja: Fampiharana
Lohatenin-desona: Tekinikan’ny fanadihadiana lahatsoratra

Zava-kendrena
Fahalalana:
Mpianatra mahalala fa ny fanadihadiana lahatsoratra dia fanakarana ny hevitra
rehetra tian’ny mpanoratra hampitaina amin’ny mpamaky.
Fahaiza-manao:
Mpianatra afaka mampihatra ny fomba fanadihadiana lahatsoratra amin’izay
karazan-dahatsoratra omena azy.
Toetra amam-pihetsika:
Mpianatra mahay misintona hevitra avy amin’ny lahatsoratra nohadihadiana.

Fitaovana: Lahatsoratra
Tahirin-kevitra: Lovako T12.

- 49 -

- 63 -
DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHANA

Famere- F: Araka ny fahalalanareo, inona no atao hoe Natao am-bava,


nana ny lahatsoratra? ary izay
lesona V: Tononkolo, angano, sombin-tantara, tantara nanangan-tanana
tany foronina, kabary, sôva… no nasaina
amin’ny F: Raha atao indray milaza, inona no atao hoe namaly ny
kilasy lahatsoratra? fanontaniana.
voalohany V: Izay rehetra voarakitra an-tsoratra. Ny valin-teny azo
. F: Araka ny efa hitanareo tany amin’ny kilasy teo avy tamin’ny
aloha, ahoana avy no atao raha hanadihady mpianatra no
lahatsoratra? (Inona no tokony hatao sy ny tsy tokony nosokajiana isaky
hatao?) ny zana-pizarana
V:-Manakatra ny hevitra tian’ny mpanoratra nadrafetana ny
hampitaina. lesona. Izany hoe,
- Tsy mivoaka amin’ny lahatsoratra fa ny lahatsoratra lesona niarahan’
ihany no ifotorana. ny mpianatra sy
- Tsy maintsy manome porofo avy ao amin’ny ny mpampianatra
lahatsoratra isaky ny mandroso hevitra. nandrafitra no
F: Lazao ny fomba fiasa tokony harahina hita teto.
V: - Vakina tsara ny lahatsoratra mba hahazoana izay
tian’ny mpanoratra hambara.
- Dinihina ny teny sy ny fehezanteny ahafantarana ilay
hevitra.
- Sintonina ny zana-kevitra fonosiny, ary zana-kevitra
maromaro no atambatra ho renihevitra iray.
F: Firy ny renihevitra tokony ho hita amin’ny
fanadihadiana lahatsoratra?
V: Roa na telo ihany.
F: Inona avy no tokony ho hita rehefa mandrafitra ny
asa?
V: Teny fampidirana, famelabelarana, teny
famaranana.
Efa mazava aminareo amin’ny ankapobeny ny atao hoe

- 50 -
- 64 -
Fandravo- fanadihadiana lahatsoratra, saingy ireto no avaho tsara:
nana - ny teny hoe fanadihadiana dia natokana ho an’ny
lahatsoratra ( Commentaire de texte).
- ny teny hoe famakafakana kosa , dia natokana ho
an’ny fandinihana lohahevitra ( Dissertation)
Lesona
vaovao Tekinikan’ny fanadihadiana lahatsoratra
I - Ny zava-kendrena
Ny tiana hasongadina amin’izany dia ireo hevitra
Fandalina- rehetra fonosin’ilay lahatsoratra, izany hoe, ny
na hevitra tian’ny mpanoratra hampitaina amin’ny
mpamaky.
Miainga avy amin’ny fikirakirana ny teny, ny andian-
teny, ny fehezanteny, eny fa na dia ny feo aza raha
mety ahatarafana hevitra mihalohalo. Ny teny tsirairay
ampiasain’ny mpanoratra izany dia manan-danja
avokoa.
II- Ny fepetra mifehy ny asa
Ireto avy ny zavatra tsy azo atao raha hanadihady
lahatsoratra:
- ny mivoaka amin’ny lahatsoratra, izany hoe ny
mandroso hevitra ivelan’ny lahatsoratra.
Ohatra: Lohahevitra: Ny lanjan’ny finoana ny tody
(EDA). Mety ho hita any amin’ny asa soratr’ olon-kafa
izany (Rahajarizafy, FETY Michel), saingy tsy azo
entina ao amin’ny asa satria lasa mivaona.
- ny miala amin’ny lahatsoratra.
Ohatra: sendra voaresaka tao amin’ny lahatsoratra ny
hoe: “Andriamanitra dia
mpamaly ny asan’ny tsirairay”, dia alaim- panahy
hiresaka an’Andriamanitra. Tsy azo atao izany.
- ny mamerina fotsiny ny hevitra voalazan’ny
mpanoratra, fa fehezan-teny an’ny tena manokana.
Inona kosa no tokony hatao?

- 51 -
- 65 -
Raisina ny teny na ny fehezanteny izay ahatarafana ilay
lohahevitra ary tadiavina ny LANJANY.
Ohatra:
“Entana mafonja tsy zaka nohontsonina
Mavesatra Bataina
no tsy maintsy nentina nanara-dia
Noterena
ny vazaha”.
Teny na andian-teny
na fehezanteny… LANJANY
- “Entana mafonja tsy Fampijaliana ny Malagasy,
zaka nohontsonina” fanandevozana, fanitsahana
ny zo aman-kasina.

- “Tsy maintsy” Mpanampy manambara


didy jadona, fanamparam-
pahefana, fanjakazakana
Niharan’ny tsindry
hazolena tanteraka ny
Malagasy.

I- Ny fomba fiasa
Dingana roa lehibe no tsy maintsy lalovana rehefa
manadihady lahatsoratra:
1- Fahazoana ny lahatsoratra
- Vakina miadana tsara ilay lahatsoratra.
- Apetraka ny lohahevitra.
- Asesy dinihina ny teny, ny andian-teny, ny
fehezanteny.
- Asongadina ny zana-kevitra mety ho fonosiny.
2- fandaminan-kevitra
- Atambatra ho renihevitra iray izay zana-kevitra
mitovitovy na mifandray. Amin’izany dia tokony
hahazo renihevitra roa na telo, hitondrana ny

- 52 -
- 66 -
fanadihadiana.
II- Ny fandrafetana ny asa
Dingana telo no tsy maintsy lalovana:
1- ny teny fampidirana
- Ny tari-dresaka: fehezanteny roa na telo entina
manolotra ny toe-javatra mety ho niteraka ny aingam-
panahin’ny mpanoratra.
- Fanolorana ny kara-panondron’ny lahatsoratra
( ny mpanoratra azy, ny lohateniny, ny taona
nivoahany)
- Fanolorana ny lohahevitra hitondrana ny
fanadihadiana (atao fehezanteny mahaleo tena).
- Fanolorana ny drafitra (ny renihevitra roa na telo).
2- ny famelabelarana
- Fanazavana ny zana-kevitra tsirairay isaky ny
renihevitra, izay porofoina amin’ny teny
na andian-teny ao anaty lahatsoratra, ary atao ao anaty
farango sosona.
- Ny renihevitra roa mifanarakaraka dia
ampifandraisina amin’ny alalan’ny teteza-mita
lehibe. Ny zana-kevitra kosa ampifandraisina
amin’ny alalan’ny teteza-mita kely.
3- ny teny famaranana
Ireto avy no tokony ho hita ao:
- famintinana ny renihevitra rehetra.
- fitsarana ny lahatsoratra: fanasongadinana ny maha
kanto ilay lahatsoratra.
- fanomezana ny lanjan’ilay lahatsoratra: ny tanjona
nokendren’ny mpanoratra.
Ohatra: Famohafohazana ny fitiavan-tanindrazana,
fanabeazana…

- 53 -
- 67 -
2.3.2 Lesona natrehina faharoa

Daty: 11 Desambra 2009


Kilasy: Famaranana (TC-1 sy TD-3)
Faharetany: ora 2
Zana-taranja: Literatiora
Lohatenin-desona: Fanadihadiana mpanoratra: Jasmina RATSIMISETA

Zava-kendrena
Fahalalana: Mpianatra mahalala fa manana anjara asa lehibe eo amin’ny
fiarahamonina sy ny firenena ny mpanoratra.
Fahaiza-manao: Mpianatra afaka mandinika ireo lafin-javatra mampiavaka ny
mpanoratra iray ao amin’ny asa sorany.
Toetra amam-pihetsika: Mpianatra mahay manitsy ny fitondran-tenany avy
amin’ny fakana tahaka ny mpanoratra nodinihina.
Fitaovana: Angon-kevitra avy amin’ny mpianatra
Tahirin-kevitra: Raki-piainana
Takelaka Notsongaina I, nangonin’i Siméon RAJAONA

DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARI-


HANA

Iza avy ny mpanoratra ianarana aty amin’ny kilasy Natao am-


famaranana? bava, ary
V: Jasmina RATSIMISETA, J.J.RABEARIVELO, izay
Famerenana Samuel RATANY. nanangan-
F: Inona avy àry no tokony ho fantatra raha tanana no
miresaka ny atao hoe mpanoratra? nasaina
V: Ny mombamomba azy, ny asa soratra efa namaly ny
navoakany, ny tara-kevitra ifantohan’ny asany. fanontani-
Ny lesontsika anio dia: ana.
Ny mpanoratra Jasmina RATSIMISETA
F: Lazalazao izay fantatrareo mikasika io
mpanoratra io.

- 54 -
- 68 -
V: Mpanoratra tononkalo sy sombin-tantara izy.
F: Manomeza àry hoe tononkalo iray nosoratany.
V: “ Rehefa maty aho”
F: Inona kosa ny sombin-tanatara nosoratany?
V: ( Tsy nisy nahay)
F: Iza avy no solon’anarany?
V: ( Tsy nisy nahay)
Jasmina RATSIMISETA
I- Ny fiainany
Lesona
Lesona Teraka tamin’ny 1890 izy. Zana-dRazafiarivony
tolotra
vaovao sy Razanadrasoa. Natsangan-dRATSIMISETA
anadahin-dreniny sy RAVAOARIVONY, satria
Fandalinana tsy niteraka izy ireo.
Nianatra tao amin’ny Le Myre de Villers, tao
Anatirova. Voaray tamin’ny raharahan’ny V.V.S
izy, ary nalefa sesitany tany Comores.
Agent d’affaires tany Toamasina ny 1938-1940
izy.
Rehefa tafaverina teto Madagasikara izy, dia
nanohy ny asa fanoratana indray.
Tonian- dahatsoratra niaraka tamin’ny Ny Avana
RAMANANTOANA, tao amin’ny Fehizoro.
Tompon’ny gazety TELEGRAFY.
Maty tamin’ny 1946 izy.
II- Ny maha mpanoratra azy
Nanoratra karazana asa soratra maro:
- Tononkalo: “Rehefa maty aho”, izay malaza
indrindra.
- Sombin-tanatara: “Miandry anao”
- Tantara foronina: Anatin’ny haizina, Ny adidy
- Tantara filalao an-dampihazo: Dobla efatra,
Ny tsy hamoizako anao.
Solon’anarana maro no nentiny arakaraka ny asa
soratra navoakany:

- 55 -
- 69 -
- TREZAN na Emilie P: rehefa tantara
mampalahelo.
- PALAMEDA: rehefa tantara mahatsikaiky.
- Solon’anarany hafa: LISE, BELZEBOBA,
FANTOMAS, KINTANA, RAKOTOBELOHA;
Nanoratra tao amin’ny Gazety Fitarikandro,
Mifoha i Madagasikara, Mpanoro lalana.
III- Ny fiainany ny kanto
Fanoratana gazety no tena nibahana teo amin’ny
fiainany; nanoratra tononkalo maro sy malaza.
Ny asa sorany dia manohitra ny fanjanahan-tany.
IV- Tara-kevitra
- Ny fitiavana: miankina amin’ny hatsaran-toetra.
- Ny fiainana: ahitana lafy ratsiny betsaka.
- Ny fanambadiana
- Ny fahakambotiana
- Ny aloky ny fasana sy ny fahafatesana.
- Ny lasa: antsoiny hamerina ny fahasambarany.
- Ny fanandratana ny maha malagasy.

Fanontaniana
Fampiharana Hadihadio ity tononkalo ity: “Ny lasa”, Emilie P,
Efa
in Ny Telegrafy n° 354, 26 Juillet 1932. nantomboka
tao an-
dakilasy.

- 56 -

- 70 -
2.3.3 Lesona natrehina fahatelo

Daty: 14 Desambra 2009


Kilasy: Famaranana (TC-1 sy TD-3)
Faharetany: ora 2
Zana-taranja: Riba
Lohatenin-desona: Ny fitsimbinana ny aina sy ny faharetan’ny taranaka.

Zava-kendrena

Fahalalana:
Mpianatra mahalala fa sarobidy ny aina, ka tokony hotandrovana.
Mpianatra afaka manakatra ny hevitra fototra ilafihan’ny fiheveran’ny Malagasy ny
amin’ny aina sy ny tontolo misy azy.
Fahaiza-manao:
Mpianatra mahay manazava ny fiheveran’ny Malagasy ny “aina” mianga avy
amin’ny ohabolana sy ny fomba amam-panao.
Toetra amam-pihetsika:
Mpianatra mahay mandrindra ny fahaizana amam-pahalalana norantoviny amin’ny
filan’ny fiarahamonina misy azy.

Fitaovana: Ohabolana sy angon-kevitra avy any amin’ny mpianatra.


Tahirin-kevitra: Lovako T12, RAKOTOSON Lala
Riba sy lohahevitra, RATREMA William

- 57 -

- 71 -
DINGANA FIZOTRAN’NY LESONA FANAMARIHANA

F: Milazà ohabolana ahitana taratra izany Nadika teny


fitsimbinana ny aina izany, ary omeo ny amin’ny
hevitra fonosiny. solaitrabe ny
Famerenana V: - “Lahy tokana ny aina” : Tokana ny valin-tenin’ny
aina mpianatra.
- “ Raha ho faty aho , matesa Ireny no
Rahavana, raha maty Rahavana, matesa niaingana
ny omby” : Sarobidy ny aina tamin’ny
- “Tsy ananam-piry ny aina”: Tokana ny fandrafetana ny
aina, tsy misy anoloana azy. lesona
F: Ahoana àry no tokony hatao mba
hahafahana mitsimbina ny aina?
V: - Sorohana izay zavatra heverina fa
mety hanimba azy.
F: Manomeza ohatra amin’izany
V: Ny fijangajangana izay ahazoana areti-
mandoza ary mitarika mankamin’ny
fahafatesana.
F: Ahoana ihany koa no tokony hatao mba
hitsimbinana ny aina?
V: Manao fanatanjahan-tena mba ho
salama
Mitandrina eo amin’ny lafiny rehetra
F: Ahoana no anehoan’ny Malagasy izany
fitsimbinana ny aina izany, raha eo
amin’ny fomba amam-panao, ohatra?
V: Rehefa mamora zaza dia atelin’ny
raibe ilay zavatra nodidiana tamin’ny
zaza, satria heverina fa sombiny
tamin’ny aina izy iny, ka tsy azo ariana.
F: Inona ihany koa no fomba amam-panao

- 58 -
- 72 -
maneho fa mitsimbina ny aina ny
Malagasy?
V: - Tsy mandevina andro talata.
- Ny vehivavy tsy miteraka, rehefa
misy famadihana dia mifandrombaka
ilay tsihy namonosan-drazana ary
matory amin’ireny.

Na ny ohabolana, na ny fomba amam-


Fandravonana panao narosonareo dia samy maneho
avokoa fa sarobidy ny aina ka tokony
hotsimbinina. Tsy isika Malagasy ihany
anefa no manao ho zava-dehibe izany
fitsimbinana ny aina izany, fa saika ny
firenena rehetra maneran-tany.
Ohatra, any Paris, misy harato lehibe eo
amin’ny Tour EIFEL satria betsaka ny
olona no miakatra eny, kanjo hamono tena
no tanjony.

Lesona vaovao Ny fitsimbinana ny aina sy ny Niaraka


faharetan’ny taranaka nandrafitra ny
1-N y fiheverana ny aina lesona ny
- Tokana ny aina: “ Lahy tokana ny aina” mpianatra sy ny
- Sarobidy ny aina: “Raha ho faty aho, mpmp. Betsaka
Fandalinana matesa Rahavana, raha maty Rahavana, ny adihevitra hita
matesa ny omby”; “Mamy ny aina”. tamin’izany.
- Tsy azo soloina: “Ny aina tsy ananam-
piry”; “Aleo maty rahampitso, toy izay
maty anio”
- Antoky ny fahavelomana: “Marary be
tsy mihinan-kanina, ka manafaingana ny
andro hahafatesana”.
- Tsy manana fahefana na safidy

- 59 -
- 73 -
amin’ny fitazonana ny aina ny
olombelona: “ Ny aina toy ny aloka aman-
javona, ka mihelina dia lasa.

2- Ny fisehon’ny fitsimbinana ny aina


1- Fikolokoloana ny vatana
- Fampitomboana ny herim-batana
amin’ny alalan’ny sakafo ara-
pahasalamana.
- Fanaovana fanatanjahan-tena.
- Fisorohana ny zava-dratsy mety hanimba
ny vatana. Hoy ny Ntaolo: “Ny mahery
tsy maody tsy ela velona”
2- Fanarahana fitsipi-pitondran-tena
mendrika mifanaraka amin’ny lalàna sy
ny rafi-piarahamonina.
Ilaina ny fanajana ny rafitra an-tanan-
tohatra misy eo amin’ny fiarahamonina
mba tsy hahazoana tsiny.
Hoy i FETY Michel, ao amin’ny
Fanabeazana sy fiainam-pirenena, tak-
17: “Tsy maintsy mitera-boka-dratsy eo
amin’ny fiainana ny ratsy atao (…)
manangan-doza hianjera aminy sy ny
taranany any aoriana”.
3- Fanomezana taranaka handimby
Sarobidy loatra ny zanaka, amin’ny
Malagasy, noho izy endrika fitohizana
aina. Araka izany, ny fanambadiana dia
sehatra iray manan-danja eo amin’ny
fiainana, noho izy fandraisana anjara
amin’ny fanohizana ny aina amin’ny
alalan’ny fiterahana zanaka handimby
rahatrizay.

- 60 -
- 74 -
Sarobidy ny zanaka ary harena ihany koa
amintsika Malagasy. Izany no mahatonga
azy ireny antsoina amin’ny anarana
hoe: “ sombin’ny aina”, “vahatry ny
aina”, “solofo sy dimby”, “fara
mandimby”.

3- Ireo karazana tandindona maneho


ny fitsimbinana ny aina
Eo amin’ny fomba amam-panao
malagasy, dia misy endrika ahafantarana
fa sarobidy ny aina ary mila tandrovana.
Misy fitaovana ampiasaina amin’izany
amin’ny fitsimbinana ny aina. Ohatra: ny
rano, ny fary...
1- Ny rano
Amin’ny ankapobeny, ny rano dia
miantoka ny fahavelomana, fanadiovana.
Ampiasaina amin’ny fombafomba izy
satria manala ny hery ratsy mety hanimba
ny aina. Ampiasaina ihany koa izy io
amin’ny firariatsoa. Izany no ilana ny
“tso-drano” sy ny “fafy rano”, mba
hanambina ny zavatra atao.
2- Ny fary sy ny akondro
Zava-maniry manana fomba fiainana
miavaka ny akondro. Mamela dimby izy
alohan’ny hahafatesany. Izany hoe mitohy
hatrany ny taranany fa tsy mety lany.
Anisan’ny tandindona anehoana ny
fitohizan’aina eo amin’ny olombelona ny
fampiasana azy.
Toy izany koa ny fary, misy zanany
marobe eo akaikiny, maniry miakatra

- 61 -
- 75 -
hatrany. Anisan’ny tandindon’ny tanjona
eo amin’ny fiainan’ny olombelona izany:
mitombo hery hatrany hatrany, hahazo
anjara toerana ambony mandrakariva.
Fanontaniana
Fampiharana Mitadiava tenina mpandinika na Enti-mody
mpanoratra maneho fa sarobidy ny aina ka
ilaina ny fitsimbinana azy.

Toy izay efa hita tamin’ireo kilasy roa ihany, dia misy ny fanadinana an-
tsoratra izay hamaranana ny fanehoana ny zava-nisy hita tao amin’ny kilasy
famaranana.
Fanadinana an-tsoratra
Hadihadio ny lahatsoratra: “Ny mpanoratra sy ny asany”, RAZAFIARIVONY
Wilson, in VALIHA, 28 Aogositra 1999.
Toy izao ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny TC 1 tamin’izany.

Fafana 6: Isa azon’ny mpianatra tao amin’ny TC1

Isa azo 08 09 10 11 12 13 14
Isan’ny 02 02 11 12 09 05 04 = 45
mpianatra

Toy izao ny isa azon’ny mpianatra tao amin’ny TD3 tamin’izany.

Fafana 7: Isa azon’ny mpianatra tao amin’ny TD3

Isa azo 08 09 10 11 12 13 14
Isan’ny 03 02 09 11 09 08 04 = 46
mpianatra

- 62 -
- 76 -
Fehiny

Nasongadina tao amin’ity toko faharoa amin’ny fizarana voalohany ity,


ireo zava-nisy rehetra hita tamin’ny fanatrehana ny fampianarana ny taranja
Malagasy tao amin’ny Lycée Nanisana (tao amin’ny kilasy fototra ka hatrany
amin’ny kilasy famaranana), izay niandraiketan’ny mpampianatra A sy B.

Tao amin’ny kilasy fototra roa mira zotra (2nde I sy II) sy ny kilasy
famaranana (TC1 sy ny TD-3), izay ny mpampianatra A ihany no mandray azy ireo,
dia hita fa mahaliana kokoa ny mpianatra ny taranja Malagasy, indrindra fa ny
lesona riba, noho izy misy fifandraisany betsaka amin’ny fiainana andavanandro.
Araka izany, dia miaraka miasa hatrany ny mpianatra sy ny mpampianatra amin’ny
fandrafetana ny lesona, amin’ny ankapobeny. Hita taratra ihany koa ny
fahazotoan’ny mpianatra mandray anjara amin’ny alalan’ny famaliana ny
fanontaniana sy amin’ny alalan’ny fangatahana fanampim-panazavana. Ny fomba
fampianaran’ilay mpampianatra ihany koa moa, dia manetsiketsika ny mpianatra
hatrany.

Ho an’ny kilasy famaranana manokana, dia nanaitra ny fahitana ny


mpianatra liana amin’ny taranjan’ny teny, manome lanja izany ry zareo, na dia
kilasy siantifika aza.

Raha ny tao amin’ny kilasy voalohany indray no asiana teny, dia hita fa
kamo ny mpianatra amin’ny fanatrehana ny taranja malagasy. Hita taratra izany
amin’ny fahabetsahan’ny mpianatra tsy tonga mandritra ny fampianarana; indrindra
fa amin’ny tsy fetezan’izy ireo handray anjara firy ao an-dakilasy, na tao amin’ny
Sokajy L izany, na ny tao amin’ny sokajy S. Ny lesona ihany koa moa dia lesona
tolotra hatrany, sady literatiora, izay lesona tsy dia mampazoto ny mpianatra loatra,
araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo.

- 63 -

- 77 -
Famintinana ny fizarana voalohany

Nezahina naseho tamin’ity fizarana voalohany ity, ny fanoritsoritana ny


sekoly nanaovana ny asa fikarohana (Ny Lycée Nanisana) sy ny fanehoana ny
fampianarana hita tany. Natao io fanoritsoritana mba hahafantarana ny zava-misy
manodidina ny sekoly, satria misy akony eo amin’ny fampianarana ao aminy izany.

Nisongadina tamin’ny endri-pampianarana nataon’ny mpampianatra A,


ny fiaingana tamin’ny lahatsoratra sy ny angom-pahalalana avy amin’ny mpianatra.
Ireo no fitaovana fototra tena niaingany matetika. Ny fampianarana nataon’ity
mpampianatra ity, dia nahitana taratra ny fampandraisana anjara betsaka ny
mpianatra izay nanangan-tanana.

Ny mpampianatra B, kosa dia niainga tamin’ny fampamakiana ny lesona


vita teo aloha hatrany, ary manazava sy mamintinana ny vontoatin’ny lesona vao
hatao. Rehefa vita izany rehetra izany vao ny lesona izy.

Ndeha ny fizarana manaraka no handalinana izany, mba hahitana ny


tsara tokony hotohizana sy ny lesoka tokony harenina.

- 64 -
- 78 -
FIZARANA FAHAROA

FANDALINANA ANKAPOBENY NY
ENDRIKY NY FAMPIANRANA HITA TANY
NANISANA, SY IREO ANTONY
NAMPAHOMBY NA TSY NAMPAHOMBY
NY FAMPIANARANA

- 65 -
- 79 -
TOKO I: FANDALINANA NY ENDRIKY NY FAMPIANARANA
HITA TANY AN-TOERANA

Maro ny azo ambara mikasika ny fampianarana ny taranja malagasy


nataon’ny mpampianatra A sy B. Nisongadina tamin’izany, ny fametrahana tanjona
alohan’ny hirosoana amin’ny lesona sy ny fanaovana tombana, izay fomba
fampianarana niraisan’izy ireo. Nisy kosa ny fomba fampianarana mampiavaka ny
tsirairay. Ireo asa telo karazana nataon-dry zareo ireo no hohadihadiana misesy.

1.3 Ny fomba fampianarana mametraka tanjona

Misy karazany telo miavaka tsara ny tanjona tokony hapetraka


mandritra ny fanatanterahana ny lesona iray: ao ny tanjona ara-pahalalana, ao ny
tanjona ara-pahaiza-manao, ary ao ny tanjona ara-toetra amam-pihetsika. Ireo
mpampianatra narahinay teo amin’ny fampianarana izay nataony ,dia samy
nametraka ny tanjona telo hotratrarina amin’ny seho iray. Hita isaky ny lesona
naroso teo aloha izany.

Fa inona moa no atao hoe: “tanjona”?


Ny teny hoe “tanjona”, dia manambara “zavatra tiana hotratrarina” na
“zavatra tiana ho azo” aorian’ny fanaovana asa iray na hetsika iray... Noho izany,
tokony hatao ho laharam-pahamehana ny fiezahana hanatratra azy. Aty amin’ny
sehatry ny fampianarana, ny “tanjona”, dia “izay zava-kendrena voasoritra mazava
amin’ny fampianarana izay atao”.

1.1.1 Ny tanjona ara-pahalalana

Ny atao hoe “fahalalana” eto, dia ny fahafantarana izay zavatra tsara


tokony hananana nefa tsy ampy ao amin’ny tena.

Ny tanjona ara-pahalalana izany, dia mikendry ny hahalalan’ny


mpianatra fa nisy zava-baovao voarainy tamin’ny lesona natao.

- 66 -
- 80 -
Rehefa vita ny fampianarana, ny mpampianatra dia tokony hametraka fanontaniana
amin’ny tenany hoe: “inona no zava-baovao voarain’ny ny mpianatra avy tamin’ny
lesona nataoko?6” Anjaran’ny mpampianatra ny manovona izay fahalalana tsy
ampy ao amin’ny mpianatra.

1.1.2 Ny tanjona ara-pahaiza-manao

Ny kendrena amin’ity tanjona ity , dia ny hananan’ny mpianatra


tekinika hoentina miatrika asa iray aorian’ny fampianarana. Raha manao lesona
mikasika ny Marina, ohatra, ny fahaiza-manao tiana ho voarain’ny mpianatra dia
ny hahaizany manavaka ny karazan-dalàna. Ny hahatonga ny mpianatra ho kinga
amin’ny fampiasana ny saina sy ny vatana eo am-piatrehana zavatra iray, no
kendrena .

1.1.3 Tanjona ara-toetra amam-pihetsika

Azo lazaina fa tanjona sarotra tratrarina ihany, satria mitaky


fahavononana avy amin’ny mpianatra amin’ny fanovana ny fomba nahazatra azy,
aorian’ny lesona.

Ny kendrena indray eto , dia ny hahafahan’ny mpianatra mampifanaraka


ny toetra amam-pihetsiny amin’ny filàn’ny fiarahamonina. Miainga avy ao amin’ny
fiarahamoniny ao an-dakilasy ny fanehoany izany, ary tokony ho hita taratra eo
amin’ny fihetsiky tsirairay any amin’ny fiarahamonina misy azy.

Ireo tanjona ireo dia hita avokoa tany amin’ny takela-panomanan-


desona nataon’ny mpampianatra tsirairay, izany hoe: tsy nisy nataony latsa-danja ,
satria zava-dehibe manana ny lanjany avokoa.

6
Lesona DDM, taona fahefatra, tamin’ny 23 Aprily 2009

- 67 -
- 81 -
Rehefa vita ny filazalazana mikasika ny tanjona tratrarina mandritra ny
fampianarana, izay samy nataon’izy mirahavavy (A sy B) voalaza tany aloha, dia
ndeha hiroso amin’ny fijerena ny fampianarana miorina amin’ny fanaovana
tombana

1.2 Ny fampianarana miorina amin’ny fanaovana tombana.

Tena asa goavana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ny fanaovana


tombana, mba hoenti-manatsara ny voka-pianaran’ny mpianatra. Azo adika ho
fifampiresahana eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra izy, mba hahafahana
manarina ny lesoka. Fifampiresahana , satria misy ny mpanontany (ny
mpampianatra) , ary misy ny mpamaly ( ny mpianatra). Mety hifamadika amin’izay
koa anefa ny zavatra hiseho, izany hoe, ny mpianatra indray no maka ny toeran’ny
mpampianatra. Zavatra telo no horesahina ato amin’ity zana-pizarana ity, dia ny
fanehoana ny tombana niraisan’ireo mpampianatra A sy B, ny fandalinana ny
endrik’izany tombana natao izany, ary ny filazana ny vokatra azo. Ireo no hojerena
misesy.

1.2.1 Ny tombana niraisan’ireo mpampianatra A sy B

Raha ny tena izy, dia tokony hisy karazany telo ny tombana tokony
hataon’ny mpampianatra mandritra ny fampianarana na mandritra ny seho iray.
Ireto avy izany: tombana manomboka, izay atao alohan’ny hanombohana ny
fampianarana, mba hanombanana ny fahalalana ananan’ny mpianatra mikasika ny
lesona teo aloha na ny zavatra nianarany tany amin’ny kilasy ambany. Misy ihany
koa ny tombana manelanelana. Araka izany iantsoana azy izany, dia atao eny
antenantenan’ny fampianarana eny izy io. Ny antony , dia ny hahafahana manara-
maso na maharaka ny fampianarana atao ny mpianatra na tsia. Farany, dia ny
tombana mamarana. Any amin’ny faran’ny lesona iray, na any amin’ny faran’ny
telovolana iray: aorian’ny fanaovana lesona maromaro, no tena fanaovana azy
matetika .

- 68 -
- 82 -
Raha toa ka mametraka tanjona ny mpampianatra amin’ny fanaovana
lesona iray, dia tokony tsy hohadinoiny ihany koa ny manao ny tombana, satria
amin’ny alalan’ny tombana no ahalalana na tratra ny tanjona na tsia. Tsy hoe
apetraka ho filamatra fotsiny ny tanjona, fa tsy maintsy karohina izay fomba
hahitana ny fahombiazany na tsia. Ny fanaovana tombana ihany anefa no manampy
ny mpampianatra amin’ny fahafantarana izany.

Ny zavatra mampalahelo tamin’ny fampianarana natrehinay, dia ny


fanaovana ambanin-javatra ny fanatanterahana ny tombana. Raha misy karazany
telo mantsy araka ny voalaza teo aloha ny tombana tokony hataon’ny mpampianatra
rehetra mandritra ny fampianarana, dia ny tombana mamarana ihany , izany hoe
ilay karazany fahatelo no hita nisongadina niraisan’ireo mpampianatra A sy B.

Samy nanao fanadinana fitsapana ahazoana isa izy ireo , taorian’ny


fanaovana lesona maromaro. Efa naseho any amin’ny fanolorana ny fampianarana
( fizarana voalohany) izany. Voatery tsy maintsy manao ity karazana tombana ity
ny mpampianatra rehetra ao amin’ny Lycée Nanisana, satria anisan’ny takin’ny
sekoly ny isa roa azon’ny mpianatra isaky ny taranja tsirairay. Izany hoe, ilaina ny
fanomezana isa roa isaky ny taranja ao anatin’ny telo volana iray, mba hahafahana
manara-maso ny fivoaran’ny kilasy tsirairay mandritra ny taom-pianarana.

1.2.2 Ny endriky ny tombana niraisan’ny mpampianatra A


sy B

Tsara ny hanadihadiana akaiky ny endriky ny tombana nataon’ireo


mpampianatra ireo, satria zava-dehibe tokoa izy io eo amin’ny sehatry ny
fampianarana. Ny asa fikarohana ataonay koa moa, dia mifototra amin’ny
“tombana” rahateo. Mety ho avy amin’ny tombana mantsy no anton’ny tsy
fahombiazan’ny fampianarana. Mety ho avy aminy koa no mahatonga ny mpianatra
sasany tsy dia harisika loatra amin’ny fiatrehana ny taranja malagasy. Araka ny
voalazan’i Gérard PROVENCHER anefa, dia tokony ho fantatry ny mpianatra hoe
“Nahoana, ary amin’ny fomba ahoana no hanombanana azy mba hahafahany

- 69 -
- 83 -
mamantatra ny tokony hataony sy hivoarany.” 7 Ndeha àry hojerena isaky ny kilasy
tsirairay ny endrik’izany tombana natao izany.

Ny tao amin’ny kilasy fahafolo

Raha ny endriky ny fanadinana nitsapana ny mpianatra kilasy fahafolo


no asiana teny, dia azo ambara fa sarotsarotra ihany. Sarotsarotra, satria saika
nakana fanontaniana madinika nanadinana ny mpianatra avokoa ny lesona efa vita
rehetra , toy ny lesona mikasika ny angano, ny literatiora amin’ny ankapobeny, ary
ny kabary. Ndeha handray ohatra vitsivitsy amin’izany.

Fanontaniana
1. Asehoy ny maha angano io lahateny io.
2. Lazao ny antony nampisy io angano io.
3. Omeo ny firafitry ny kabary amin’ny ankapobeny.
4. Lazao ireo lafin-javatra telo maha literatiora ny literatiora.
5. Manomeza tenina mpanoratra iray mamaritra ny atao hoe: literatiora.

Raha dinihina ny endrik’ireo fanontaniana vitsivitsy noraisina ho ohatra


eo ambony ireo, dia azo ambara, fa fanadinana mitaky ny fahafehezan’ny
mpianatra ny lesona rehetra ny fitsapana izay natao. Mitaky ny hakingan-tsain’ny
mpianatra sy ny haabon’ny fitadidiany mba handrefesana ny fahalalana tafita any
amin’ny tsirairay. Tena maneho mihitsy ny hevitry ny hoe “tombana”
(“Fanontaniana na fanadinana apetraka mba handrefesana ny haabon’ny
fahafehezan’ny mpianatra ny fahalalany 8) izany. Ny fanadinana tahaka itony
( fanadinana mahakasika ny lesona efa vita rehetra), dia tsy ahafahan’ny mpianatra
manao tsianjery loatra ny lesona nampianarina azy, satria mitaky faharetana sy
fotoana lava ny fanaovana izany. Noho izany, dia mitaky fomba fianatra hentitra ho
an’ny mpianatra tsirairay ny karazana endri-pitsapana toy itony, mba hahafahana
miatrika ny fanadinana amim-pitoniana.

7
(G) PROVENCHER, « L’évaluation de la qualité de l’apprentissage scolaire”, in Des pratiques
évaluatives, pp. 97-98, « (…) un enseignement n’est efficace que si l’élève sait pourquoi et
comment il est évalué afin de connaître ce qu’il doit faire pour s’améliorer. »
8
Jereo ny andram-pamaritana voalohany ao amin’ny takila 150

- 70 -
- 84 -
Toy izay no azo ambara mikasika ny tombana nampanaovina ny
mpianatra tao amin’ny kilasy fahafolo, fa mba manao ahoana kosa ny tao amin’ny
kilasy voalohany?

Ny tao amin’ny kilasy voalohany

Tsy haverina hotanisaina intsony ireo fanontaniana rehetra nanadinana


ny mpianatra tao amin’ity kilasy ity, satria efa hita tany amin’ny fizarana
voalohany, takila faha 43 izany. Tsara kosa araka ny fiheveranay, raha mandray
santionany amin’izany ihany, mba hampazava izay hambara manaraka eto.
Ireto àry misy ampahany tamin’ireo fanontaniana nanadinana ny mpianatra kilasy
voalohany:

1. Manomeza zava-nisy telo nanamarika ny vanim-potoana mitady ny


very.
2. Manomeza asa soratra telo nivoaka tamin’izany.
3. Resaho ny “Tsipy hevitra ho an’izay te hanoratra” (Iza no nanoratra
azy io, inona no asongadiny ao, nivoaka oviana?)
4. Manomeza tara-kevitra telo manamarika ny vanim-potoana fitakiana
fanarenana, ary tohano amin’ny ohatra mazava.

Raha jerena kosa ny endriky ny fanadinana fitsapanana natao tao


ère ère
amin’ny kilasy voalohany ( 1 A1 sy 1 D3) , dia azo lazaina fa tsotra ny
fanontaniana napetraka tamin’ny mpianatra, ary tsy vitan’ny hoe tsotra, fa
fanontaniana madinika maromaro fotsiny izay naompana tamina vanim-potoana roa
mifanarakaraka. Izany hoe, tsy dia misy zavatra sarotra, ka hanahirana ny sain’ny
mpianatra amin’ny famaliana ny fanontanina. Tamin’ity fitsapana ity, na dia nanao
tsianjery ny lesona fotsiny aza ny mpianatra, dia azo inoana fa ho nahazo isa
ambony tokoa izy ireo. Ny fahaizana mandamina ny lôjika no ilàina. Tsy azo
eritreretina mihitsy, araka izany, ny tsy hahazoan’ny mpianatra tsirairay isa ambony
( isa 14/20 no mihoatra, ohatra).

Toy izay ny endriky ny tombana tao amin’ny kilasy voalohany, fa


hojerena farany izay natao tao amin’ ny kilasy famaranana.

- 71 -
- 85 -
Ny tao amin’ny kilasy famaranana

Ny tao amin’ny kilasy famaranana ( TC1 sy TD3) kosa , dia tsotra


ihany, satria fitsapana efa nahazatra ny mpianatra hatrany amin’ny kilasy fahafolo
no nanadinana azy ireo. Tsy inona akory izany fa ny fanadihadiana lahatsoratra.
Ohatra:
Hadihadio ny lahatsoratra: “ Ny mpanoratra sy ny asany”, nosoratan-
dRAZAFIARIVONY Wilson, nalaina tao amin’ny Gazety Valiha, tamin’ny 28
Aogositra 1999.

Tsy misy asa hafa azo atao afa-tsy ny fifotorana amin’ny lahatsoratra
amin’ity fitsapana ity. Izany hoe, manakatra ny hevitra tiana hambara na hampitaina
amin’ny mpamaky. Raha mahafehy ny tekinika arahina amin’izany ny mpiadina,
dia inoana fa hahazo isa ambony avokoa.

Endrika fanadinana fanomanana ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-


panjakana izay hataony amin’ny faran’ny taom-pianarana izy io, ka tokony
hohamafisina ny fahafehezan’ny tsirairay azy.

Tsoa-kevitra

Toy izao ny hevitra azo sintonina avy amin’ireo endri-panadinana


voatanisa ireo. Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa sahaza tsara ho an’ny
mpianatra ny fanadinana nasaina nataony ( ho an’ny kilasy tsirairay). Ny tiana
holazaina amin’ny hoe “antonony”, dia ny hoe tsy misy zavatra sarotra be
notakiana tamin’ny mpianatra, fa ny fahafehezany ny lesona no nangatahina
taminy. Antonony ihany koa ny lanjan’ora nomena hanatanterahany izany, satria
samy naharitra ora roa avy isaky ny kilasy. Heverinay fa ampy handinihana tsara ny
fanontaniana sy hieritreretana ny valiny ny fe-potoana nomena azy.
Nanao ahoana àry ny vokatr’izany fanadinana izany?

- 72 -
- 86 -
1.2.3 Ny vokatry ny tombana fitsapana

Nambara teo aloha fa sahaza ho an’ny mpianatra ny fanombanana an-


tsoratra nataon’ireo mpampianatra. Ny zava-nitranga anefa, rehefa naverina ny
asan’ny mpianatra ( vita ny fitsarana), dia mbola misy ihany ny lesoka ( tsy nahafa-
po).
Raha ny tao amin’ny kilasy fahafolo no jerena, ny mpianatra 48 amin’ny
mpianatra miisa 61 no nahazo ny salan’isa 10 no ho miakatra. Izany hoe, ny 79%n’
ny mpianatra tao amin’ny kilasy fahafolo. Ny 13 tamin’ireo mpianatra ireo kosa,
dia mbola nahazo ny isa latsaky ny isa 10 ( moyenne). Raha atao ny kajy, dia ny
22%n’ny mpianatra no tsy nahatratra ny salan’isa tratrarina (10/20). Azo lazaina
araka izany, fa mbola maro ny isan’ny mpianatra tsy naharay tsara ny fampianarana
natao tao amin’ity kilasy ity. Izany hoe, tsy nahomby ihany ny fampianarana
nataon’ny mpampianatra A teto.

Ny tao amin’ny kilasy voalohany kosa, dia nahazo ny salan’isa 10 no ho


miakatra ny ankamaroan’ny mpianatra.
Raha mpianatra miisa 52 mantsy, no niatrika fanadinana tao amin’ny 1èreA1, ny 49
tamin’izy ireo, dia nahazo isa 10/20 no ho miakatra avokoa. Izany hoe, ny 94%n’ny
mpianatra niadina. Ny mpianatra 03 kosa, no mbola nahazo ny isa latsaky ny 10/20.
Izany hoe, ny 6%n’ ireo mpianatra niadina, dia tsy nahazo “moyenne”.
Ny tao amin’ny kilasy 1ère D3, dia mpianatra miisa 50, no niatrika ny fanadinana an-
tsoratra, ka ny 41 tamin’izy ireo no nahazo ny isa 10/20 no ho miakatra. Izany hoe,
ny 82%n’ny mpianatra niadina. Ny mpianatra miisa 09 (18%) araka izany, dia
mbola nahazo ny isa latsaky ny 10/20 ( tsy nahazo “moyenne”).

Raha ny isa azon’ny mpianatra no jerena, dia azo lazaina fa nahomby


ihany ny fampianarana tolotra nataon’ny mpampianatra B, tao amin’ny kilasy
voalohany. Nefa ampy hanaporofoana ny fahombiazan’ny fampianarana natao ve
izany? Ho hita ao aoriana ny valin’izany fanontaniana izany.

- 73 -

- 87 -
Ny tao amin’ny kilasy famaranana ( TC1 sy TD3) ihany koa dia
torak’izay efa hita teo aloha izay ihany.
Ho an’ny TC1 manokana, raha mpianatra miisa 46 no niatrika ny fanadinana, dia ny
42 tamin’izy ireo no nahazo ny isa mihoatra ny 10/20. Izany hoe, ny 91%n’ny
mpianatra. Ny mpianatra 04, dia mbola nahazo ny latsaky ny 10/20, izany hoe, ny
9%n’ ireo niadina, dia tsy nahazo ny salanisa..
Ho an’ny “T D3”, raha mpianatra miisa 46 ihany koa, no niatrika ny fanadinana,
dia ny 41 tamin’izy ireo no nahazo ny isa mihoatra ny 10/20, izany hoe, ny
89%n’ny mpianatra niadina. Ny mpianatra 05 , araka izany, dia nahazo ny isa
latsaky ny 10/20, izany hoe, ny 11% dia tsy nahazo ny salanisa.

Tsoa-kevitra

Raha aravona izay voalaza mikasika ny vokatry ny fanadinana


fitsapana izay, dia azo ambara fa nahitana fahombiazana amin’ny ankapobeny ny
fampianarana nataon’ireto mpampianatra ireto , nefa miharihary ihany koa fa mbola
misy ny lesoka tokony harenina.

Hita teo fa ny fametrahan’ny mpampianatra A sy B ireo karazan-tanjona


isaky ny lesona iray sy ny fanaovana ny tombana famaranana izay fomba
fampianarana niraisan’izy ireo. Izao indray, dia hiroso amin’ny fijerena ny fomba
fampianarana mampiavaka ny tsirairay.

- 74 -

- 88 -
1.3 Ny fomba fampianarana miorina amin’izay asa
manavanana ny mpampianatra tsirairay

Toy ny havozo sy sakamalao ny mpampianatra A sy B ireo, ka samy


manana ny hanitra ho azy. Hojerena manaraka indray izay fomba fampianarana
manavanana ny tsirairay.

1.3.1 Izay mampiavaka ny mpampianatra A

Ny mpampianatra A, dia zatra manome vahana ny mpianatra mazoto


manangan-tanana mandritra ny fanatanterahana ny lesona. Misongadina araka
izany, ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Tsapa ihany koa fa nanao ireo karazana tombana rehetra tokony hatao
mandritra ny fanatanterahana ny lesona iray na ny seho iray izy. Tsy hiverenana
intsony ny mikasika ireo karazana tombana , satria efa hita teo aloha9 ny
ambangovangon’izany, ary mbola hojerena any amin’ny fizarana fahatelo ny
antsipiriany, fa izay fomba nanatanterahany azy no haseho amin’ny fafana.

Fafana 8: Ny tombana nataon’ny mpampianatra A

Tombana manomboka Tombana manelanelana Tombana mamarana


Famerenana ny lesona Fanontaniana mandritra ny Fanadinana fitsapana13.
natao teo aloha10. lesona11.
Fanaovana fampiharana
an-tsoratra isaky ny
mahavita lesona iray12.

9
Jereo ao amin’ny takila 68
10
Jereo ny lesona natao tao amin’ny kilasy fahafolo, takila 23, 27, 31 sy tao amin’ny kilasy
famarananana takila 50, 54, 58
11
Jereo ao amin’ny takila 24, 25
12
Jereo ao amin’ny takila 26, 32 , 62
13
Jereo ao amin’ny takila 33, 62

- 75 -
- 89 -
Manana fomba sy tetika tsara , ary mahomby eo amin’ny sehatry ny
fampianarana ny mpampianatra A. Tokony hahomby izany ny fampianarana araka
ny voalaza teo aloha, satria mipetrapetraka daholo ny dingana tokony harahina
mandritra ny seho iray, toy ny fametrahana tanjona mazava, ny fiaraha-miasan’ny
mpianatra sy ny mpampianatra amin’ny fanatanterahana ny fampianarana, ary ny
fiezahana manombana ny mpianatra amin’ny fotoana tokony hanatanterahana azy.

Raha izay ny fomba fampianarana maneho ny maha izy azy ny


mpampianatra A, mba inona kosa no mampiavaka ny mpampianatra B?

1.3.2 Izay mampiavaka ny mpampianatra B

Hafa mihitsy ny fomba fampianarana nataony tamin’ny fanatrehanay


tany an-toerana, satria zara raha manao tombana manomboka izy, ary ny
manelanelana moa dia tsy nisy mihitsy. Azo lazaina fa toa vonjy tavana andro
fotsiny no nanaovany izany. Raha ny endriky ny fanontanina napetraka koa aza no
dinihina, dia hita fa tsy dia mazava loatra ny fomba fametrahana izany, toa tsy
mitondra loatra ny sain’ny mpianatra hiroso amin’ny lesona manaraka akory. Azo
lazaina araka izany , fa manana olana izy amin’ny ny fomba famolavolana
fanontaniana hapetraka amin’ny mpianatra. Santionany tamin’izay fanombanana
nataony no horaisina hanaporofoana izany.
Lesona: “Vanim-potoana mitady ny very 1930-1945”14
Toy izao ny endriky ny fanombanana nataony talohan’ny hanombohana ny lesona :
1. Inona no niseho tamin’izany?
2. Inona no zava-nisy ara-pôlitika teto Madagasikara?

Hita fa tsy ampy mihitsy ny fanombanana ny mpianatra nataon’ity


mpampianatra B ity mandritra ny lesona iray, satria fanontaniana roa monja no hany
mba napetraka tamin’ny mpianatra tamina lesona mikasika ny vanim-potoana iray .
Ny olana amin’ity mpampianatra ity araka ny nambara dia ny lanjan’ora anaovana
ny taranja malagasy isaky ny herinandro. Nambarany fa tsy ampy izany ka tsy azo
atao ny manome vahana ny fampandraisana anjara be loatra ny mpianatra mandritra

14
Jereo ny ao amin’ny lesona takila 36

- 76-
- 90 -
ny fampianarana . Hany ka, toa izay hahavitana ny lesona nomanina tao anatin’ny
takela-panomanan-desona fotsiny no natao, ary rehefa tapitra izany, dia mifarana
ny fampianarana. Izany hoe, tsy mba misy fotoana ahazoan’ny mpianatra
mametraka fanontaniana mikasika izay zavatra tsy azony, na izay zavatra
manitikitika ny sainy mikasika ny lesona. Ny hita misongadina, dia ny tsy fisian’ny
fifanakalozan-kevitra sy ny adihevitra eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra
taranja malagasy ao an-dakilasy.

Fomba fampianarana efa nilaozan’ny toetr’andro, araka ny voalazan’ny


mpianatra tamin’ny fifampiresahana nataonay tamin’izy ireo, no hita nisongadina.

1.3.3 Sinton-kevitra faobe mikasika ny fomba fampianaran’ny


mpampianatra A sy B

Mba hahatsotra ny fanaovana sinton-kevitra tamin’izay voalaza teo,


dia fafana avy hatrany no hanehoana izany.

Fafana 9: Fampitahana ny fomba fampianaran’ny mpampianatra A sy B

Asa atao Karazany Mpampianatra Mpampianatra


A B
Fametrahana − Fahalalana
tanjona − Fahaiza-
manao Nisy Nisy
− Toetra amam-
pihetsika
Fanaovana − Manomboka − Nisy kely
tombana − Manelanelana Nisy − Tsy nisy
− Mamarana − Nisy
Fampandraisana − Izay mazoto − Nisy
anjara ny − Izay tsy sahy − Tsy nisy Tsy nisy
mpianatra miteny

- 77 -
- 91 -
Ny mpampianatra A, dia manana fahazarana mampandray anjara ny
mpianatra mazoto miteny sy manangan-tanana amin’ny famaliana ny fanontaniana
apetrany. Raha ny hita tao amin’ny kilasy faharoa, ohatra, no asiana teny, dia ny
mpianatra 43 amin’ny mpianatra 60 no mazoto miteny sy manangan-tanana. Izany
hoe, ny 72%n’ireo mpianatra.. Ireo mpianatra tsy sahy miteny (17), izany hoe ny
28% tao amin’io kilasy io dia mipetra-potsiny, ary mijanona ho mpihaino sy
mpandray izay lazain’ny namany sy ny mpampianatra fotsiny. Anisan’ny tsy
mampahomby ny fampianarana izany.

Ny mpampinatra B kosa, dia manana fahazarana mametraka tanjona


hotaratrarina, nefa tsy manombana ny mpianatra mihitsy amin’izay zavatra
ampianariny afa-tsy amin’izay takin’ny sekoly ihany , toy ny fanomezana isa roa
isa-telo volana. Hita eo amin’ny fafana koa, fa tsy mampandray anjara ny
mpianatra mihitsy izy. Tokony tsy hohadinoina anefa, fa amin’ireo karazana
dingana voalaza etsy aloha ireo (fanaovana tombana sy fampandraisana anjara) no
hahafantarana na tratra ny tanjona napetraka hotratrarina mandritra ny lesona iray
na tsia.

- 78 -

- 92 -
Fehiny

Raha fintinina izay voalaza mikasika ny fandalinana ankapobeny


tamin’ny fampianarana nataon’izy mirahavavy (A sy B) izay, dia azo lazaina fa
nisy lafy tsarany ny fampianarana nataony. Niezaka nametraka ny tanjona rehetra
tokony hotratrarina amin’ny lesona iray izy ireo. Tsara ny fanaovana izany, satria
tsy misy olona hanao zavatra iray, ka tsy hanan-javatra kendrena.

Ireny tanjona ireny mantsy no mamefy sy mamerina ny mpampianatra


tsy hivoaka lavitra amin’ny fampianarana izay ataony. Mamefy azy , satria matoa
napetraka izy ireny, dia tokony ho tratra aorian’ny lesona.

Tsy ny tanjona ihany anefa no napetrany, fa tao ihany koa ny fanaovana


ny tombana , izay fitaovana hanatrarana ny tanjona napetraka. Samy nanana ny
fanehoany izany ny tsirairay.

Zavatra roa mifampiankina ary mifamatotra araka izany , ny


fametrahana ny tanjona sy ny fanaovana ny tombana mandritra ny fampianarana.
Iankinan’ny ain’ny fampianarana ny fanaovana izany, ka tokony tsy hisy hatao
ambanin-javatra.

Toy izay sy izay ny tsoa-kevitra azo ambara mikasika ny fampianarana


ny taranja malagasy hita tany Nanisana. Izao dia hanadihady ny antony
nampahomby ny fampianarana hita tany an-toerana.

- 79 -

- 93 -
TOKO II: FANDALINANA NY ANTONY NAMPAHOMBY NY
FAMPIANARANA

Ny asa fampianarana dia toy ny asa rehetra ihany. Mety hisy araka izany
ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazana, satria na ny mpampianatra na ny
mpianatra, dia olombelona samy manana ny fahalemeny avokoa. Inona avy àry ireo
antony azo lazaina fa nampahomby ny fampianarana?.

Lafin-javatra maro no mety hampahomby ny fampianarana. Hojerena


voalohany amin’izany ireo antony hita fa nisongadina nataon’ny mpampianatra,
izay mpanatanteraka ny asa fampianarana; manaraka , ny antony avy amin’ny
mpianatra izay ivon’ny fampianarana; ary farany, ny antony avy amin’ny fitondran-
tsekoly izay tontolo tena ivelaran’ny fampianarana sy ny fanabeazana . Ireo antony
ireo no hohadihadiana misesy eto.

2.1 Antony avy amin’ny mpampianatra

Samy manana izay fomba heveriny fa tokony hatao mba hahitana


fahombiazana eo amin’ny fampianarana sahaniny ny mpampianatra tsirairay. Ireto
zavatra telo manaraka ireto no tsapa fa nampahomby ny fampianarana natrehinay:

ny fikarohan’ny mpampianatra tahirin-kevitra


ny fiofanana efa azon’ny mpampianatra
ny fananan’ ny mpampianatra traikefa

2.1.1 Ny fikarohan’ny mpampianatra tahirin-kevitra

Raharaha sarotra ny asa fampianarana, satria mitaiza sy mikolokolo ary


manabe ny zanaky ny firenena, mba ho tonga olona manana ny maha izy azy no
atao amin’izany. Noho izany, tsy azo atao ny mijanona fotsiny amin’ny fiheverana
fa efa manana ny fahalalana ampy iatrehana izany asa izany ny tena. Noho izany,
dia tsy maintsy mikaroka izay fomba rehetra heverina fa hanampy amin’ny

- 80 -
- 94 -
fanatanterahana asa fampianarana mahomby. Iray amin’izany ny fikarohana tahirin-
kevitra amin’ny fanomanana ny lesona homena ny mpianatra.

Raha tsy misy ny tahirin-kevitra, dia toa manidintsidina sy toa


manjavozavo be ihany ny fampianarana. Tsy maintsy mikaroka tahirin-kevitra
araka izany, ny mpampianatra mba hanampiana sy hanamafisana ary hanovonana
mandrakariva ny fahalalana efa ananana. Any amin’ireny tahirin-kevitra ireny
mantsy no hahitan’ny mpampianatra fahalalana betsaka azony anampiana ny efa
ananany.

Hita fa nanao ezaka ireto mpampianatra ireto (A sy B) tamin’ny


fikirakirana tahirin-kevitra nandritra ny fanomanana ny lesona. Nisy hatrany mantsy
ny fanomezany tohan-kevitra avy amina boky tamin’ny lesona natao.

Ho an’ny mpampianatra A, dia hita izany teo amin’ny fakana hevitra


maro be tany anaty boky amin’ny fandraisana ohatra mivaingana mba ho hitan’ny
mpianatra nandritra ny fanatontosana ny lesona iray15. Nitondra fahombiazana teo
amin’ny fampianarana izany satria hitan’ny mpianatra ny porofo manamarina ny
hevitra aroso.

Toy izany koa ny mpampianatra B, teo amin’ny fanomezana tohan-


kevitra isaky ny mandroso tara-kevitra16. Maneho amin’ny mpianatra ireny, fa
mitombina tsara ny fampianarana omena azy, ary misarika ny sainy hikaroka ihany
koa, ka mahatonga ny fampianarana hahomby.

2.2.4 Ny fiofanana efa azon’ny mpampianatra

Ahazoana vokatra tsara eo amin’ny asa fampianarana ny fahazoan’ny


mpampianatra fiofanana ara-dalàna. Matoa mantsy hofanina izy ireny, dia misy
fahaiza-manao heverina homena azy mba hahazoany manatsara ny fampianarana
sy hahafahany mampitombo ny fahalalana efa ananany.

15
Jereo ny lesona mikasika ny angano, takila 24 - 26
16
Jereo ny lesona momba ny vanim-potoana, takila 44, 46

- 81 -
- 95 -
Ny fiofanana, dia manampy ny mpampianatra amin’ny famahana ny
olana atrehiny, ary koa hahafahany mifanakalo sy mifampizara traikefa amin’ny
mpampianatra namany.

Hita fa nahomby ny fampianarana nataon’izy mirahavavy ( A sy B)


ireo noho ny fiofanana nataony. Samy nandalina ny taranja malagasy teto amin’ny
sekoly mpanofana ho mpampianatra (ENS) mantsy izy ireo. Izany hoe
mpampianatra azo heverina fa afaka mampita fahalalana tsara ho an’ny mpianatra ,
indrindra indrindra fa amin’ny fampianarana ny taranja malagasy.

Ankoatra ny fikarohana tahirin-kevitra sy ny fiofanana efa azo, dia


antoka iray mampahomby ny fampianarana koa ny fananan’ny mpampianatra
traikefa.

2.1.3 Ny fananan’ny mpampianatra traikefa

Iaraha-mahalala fa ny fahazarana eo amin’ny asa iray, na ny fananana


traikefa, dia ahazoana vokatra tsara. Ireo mpiasa efa ela niasana tokoa mantsy, dia
havanana kokoa, ary mahavita asa betsaka noho ireo vao haingana. Izany no
handraisan’ireo mpiasa tranainy any amin’ny orinasa afa-kaba tambin-karama
ambony raha ampitahaina amin’ireo vao niditra, satria arakaraka ny asa vita ny
vola raisina. Manamafy izany, ohatra, ilay toe-javatra nitranga tamin’i Tsiry fony
tonga mpanao kaonty tao amin’Ingahy Aziz izy, rehefa tsy afaka nanao izany
intsony Ranaivo noho ny aretina nahazo azy. Rehefa vitan’i Tsiry ara-dalàna sy
araka ny ilàn’Ingahy Aziz mpampiasa azy ny asa nasainy natao, noho ny
fahafehezany izany sy noho ny fahazarany, dia manome vola ho azy ho tambiny
ankoatra ny karama raisina isam-bolana izy17. Hita sy re ny toy izany eo amin’ny
sehatry ny asa rehetra.

17
I.P. ANDRIAMANGATIANA, in “Tsikalakalan’olona”, in Vakivakim-piainana, tak. 60:
“Herinandro dia voalamiko ireo kaonty nahavaky loha an’Ingahy Aziz nandritra ny tapa-bolana.
Tsapako ho falifaly ery izy ka nanipitsipy vola kely ho ahy tsindraindray. Izay vao mba nisy ny
karama fohy!”
- 82 -
- 96 -
Zava-dehibe araka izany ny fananana traikefa eo amin’ny sehatry ny asa.
Toraka izany koa , ny eo amin’ny asa fampianarana, satria tsy tokony hohadinoina
fa ny mpampianatra dia mamolavola tanora hoavin’ny firenena. Izany hoe, tena asa
goavana no iandraiketany.

Nisongadina izany fananana traikefa izany tamin’ny fanatrehana ny


fampianarana nataon’ny mpampianatra A, izay nitazona ny kilasy famaranana
(TC1 sy TD3) ary ny kilasy faharoa. Niharihary izany, na teo amin’ny fifandraisana
amin’ny mpianatra mandritra ny fampianarana, na teny amin’ny sehatra ivelan’ny
lakilasy. Hita fa mifankahazo am-po ny mpianatra sy ny mpampianatra, nefa
mipetraka hatrany ny fifanajana. Manambara izany, fa voafehin’ny mpampianatra A
ny fametrahana ny elanelana eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra.
Anisan’ny zava-dehibe tokoa izany fihetsika izany eo amin’ny sehatry ny
fampianarana, satria, mitarika mankany amin’ny fahombiazan’ny asa. Hita ihany
koa, fa manana fomba tsara izy, amin’ny maha mpampianatra efa ela niasana azy.
Efa hitany ny paika sy tetika madinidinika amin’ny lesona tsirairay. Tamin’ny
fotoana nanatanterahana ny lesona mantsy, dia hita ho kinga tokoa ity
mpampianatra ity amin’ny fitarihana tsikelikely ny mpianatra amin’ny fanontaniana
hikarohana ny fahalalana sy ny valim-panontaniana andrasana.
Ohatra
Mpmp : Milazà ohabolana na fomba fiteny ahitana taratra izany fitsimbinana
ny aina izany, ary omeo ny hevitra fonosiny.
Mp : - “Lahy tokana ny aina” : Tokana ny aina
- “ Raha ho faty aho , matesa Rahavana, raha maty Rahavana, matesa ny
omby” : Sarobidy ny aina
- “ Tsy ananam-piry ny aina”: Tokana ny aina, tsy misy anoloana azy.
Mpmp : Ahoana àry no tokony hatao mba hahafahana mitsimbina ny aina?
Mp : Sorohana izay zavatra heverina fa mety hanimba azy.
Mpmp : Manomeza ohatra amin’izany
Mp : Ny fijangajangana izay ahazoana areti-mandoza ary mitarika mankany
amin’ny fahafatesana.
Mpmp : Ahoana ihany koa no tokony hatao mba hitsimbinana ny aina?
Mp : Manao fanatanjahan-tena mba ho salama
Mitandrina eo amin’ny lafiny rehetra
- 83 -
- 97 -
Mpmp: Ahoana no anehoan’ny Malagasy izany fitsimbinana ny aina izany,
raha eo amin’ny fomba amam-panao, ohatra?
Mp : Rehefa mamora zaza dia atelin’ny raibe ilay zavatra nodidiana
tamin’ny zaza.
Mpmp: Inona no anton’izany?
Mp : satria heverina fa sombiny tamin’ny aina izy iny, ka tsy azo ariana.
Mpmp: Inona ihany koa no fomba amam-panao maneho fa mitsimbina ny aina
ny Malagasy?
Mp : - Tsy mandevina andro talata.
Ny vehivavy tsy miteraka, rehefa misy famadihana dia mifandrombaka
ilay tsihy namonosan-drazana ary matory amin’ireny.

Voaporofo amin’ny alalan’io ohatra noraisina eo ambony io ny


fananan’ity mpampianatra ity traikefa, araka ny voalaza teo aloha. Efa nampianatra
ny taranja malagasy nandritra ny 35 taona mantsy izy. Antony iray nampahomby
ny fampianarana araka izany ny fananana traikefa.

Ny mpampianatra B kosa, na dia vao haingana ihany aza ( 4 taona) no


nisahana izany asa fampianarana izany, dia azo lazaina amin’ny ankapobeny, fa efa
manana traikefa nandritra izay fotoana niasany izay, sy noho ny fifanakalozany
hevitra amin’ireo mpampianatra miara - miasa.

Toy izay no azo ambara mikasika ny antony avy amin’ny mpampianatra.


Ndeha hiroso amin’ny antony avy amin’ny mpianatra.

2.2 Antony avy amin’ny mpianatra

Anisan’ny antoka iray mampahomby ny fampianarana ihany koa ny


fandraisan’ny mpianatra ny taranja ampianarina. Raha tiany sy mahaliana azy
mantsy ilay taranja, dia ho mora kokoa ho azy ny mandray ny fampianarana atao,
ary hazoto mianatra izy. Ny mpianatra nanaovanay fanadihadiana, dia manana izay
fandraisany ny taranja malagasy, ary azo lazaina fa mpianatra miavaka amin’ny
mpianatra rehetra eo amin’izay lafiny izay.

- 84 -

- 98 -
2.2.1 Fanomezan-danja ny taranja malagasy

Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpianatra, nandritra ny fotoana


nanatrehana ny fampianarana tany an-toerana, dia tsapa fa mahaliana ny mpianatra
ny fianarana ny taranja malagasy.
Toy izao ny valin’ny fanadihadiana nataonay raha haseho anaty fafana.

Fafana 10: Ny lanjan’ny taranja malagasy eo amin’ny mpianatra

Fanontaniana Valin-teny azo Isan’ny Fitam-


valin- barany
teny azo
Alaharo araka ny 1. Malagasy
fitiavanao azy ireto - Kilasy faharoa 34
taranja ireto: - Kilasy voalohany ( A1 sy D3) 42 114
- Malagasy - Kilasy famaranana ( C1 sy D3) 38
- Français
- Anglais 2. Français
− Kilasy faharoa 16
− Kilasy voalohany ( A1 sy D3) 34
− Kilasy famaranana ( C1 sy D3) 09 59

3. Anglais
− Kilasy faharoa 11

− Kilasy voalohany ( A1 sy D3) 35 66

− Kilasy famaranana ( C1 sy D3) 20


239

Lazao ny antony Ny taranja malagasy no tiako


kokoa satria:
− Malagasy aho 15
− ao no ianarana ny tenin-

- 85 -
- 99 -
drazako izay teny nibeazana
fony kely. 58 114
− teny ifaneraseran’ny
Malagasy. 41

Tiako ny taranja frantsay satria:


− entina mifandray amin’ny 21
firenen-kafa.
− ilaina amin’ny fitadiavana 38 59
asa.

Tiako ny taranja anglisy satria: 18


− mora ianarana.
− ilaina amin’izao 31
fanatontoloana izao.
− teny iraisam-pirenena. 66
17

239

Araka izany, tamin’ny mpianatra 239 dia:


Ny 114 no nisafidy ny taranja malagasy
Ny 59 no nisafidy ny taranja frantsay
Ny 66 no nisafidy ny taranja anglisy

Izany hoe, ny 114 (47%) tamin’ireo mpianatra miisa 239 nanaovanay


fanadihadiana, no nirona tamin’ny taranja malagasy ny fitiavany, noho izy
mirakitra ny tenin-drazana sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao malagasy.

- 86 -

- 100 -
2.2.2 Fiezahana hifehy ny teny vahiny

Tsy tokony ho saratsarahina, tsy tokony hisy efitra eo amin’ny


fampianarana. Ilaina ny fampifandraisana ny traranja ianarana rehetra any an-
tsekoly, satria ny fanabeazana, dia tsy voafetran’ny habaka na ny fotoana. Ilaina any
amin’ny sehatra maro samihafa ny fahafehezana ny fahalalana azo tany an-tsekoly,
indrindra fa ny fahafehezana ny teny. Ny teny mantsy no fitaovam-pifandraisana
ampiasain’ny vondron’olona iray ary mampiavaka azy amin’ny hafa. Koa ny
zanaky ny Malagasy, raha beazina any an-tsekoly, dia tsy hoe eto Madagasikara
ihany akory izy no afaka mivelona, ka ny teny malagasy ihany no ezahina mafy
izay ahaizany azy. Mety ho lasa any ivelany izy, nefa mety ho eto an-toerana ihany.
Raha eto an-toerana ihany aza anefa, dia tsy maintsy hifanerasera amin’ny vahiny
hafa. Ilainy araka izany ny fahafehezana ny teny vahiny.

Ireo mpianatra ireo nanaovanay fanadihadiana, dia nampiseho ny maha


zava-dehibe ny fianarana ny teny vahiny (teny anglisy sy frantsay). Raha jerena
mantsy ny valin’ny fanadihadiana izay hita eo amin’ny fafana, dia ny 59 amin’izy
ireo ( 25%), no liana amin’ny fianarana ny teny frantsay, ary ny mpianatra miisa 66
kosa (28%), no liana amin’ny fianarana ny teny anglisy.

Raha atambatra ny fitiavan’ny mpianatra ny teny vahiny


( frantsay: 25% + anglisy: 28%) izay mahatratra 53%, dia mifanahantsahana
amin’ny fitiavany ny teny malagasy ihany, satria ny 47% no nisafidy izany. Ilaina,
hoy izy ireo, ny mianatra ny teny vahiny, satria ireny no ampiasaina amin’ny
fitadiavana asa rehefa vita ny fianarana, sy ahafahana mifandray amin’ny firenen-
kafa, noho izy teny iraisam-pirenena. Manampy izany, ny fanatontoloana, izay
zava-misy iainana amin’izao vanim-potoana izao. Raha mandinika ny zava-misy
ankehitriny, dia tsapa sy hita fa ny olona mahay teny frantsay sy ny teny anglisy no
ilaina any amin’ny sehatry ny fitadiavana asa.

Ireo antontan’isa voalaza etsy ambony anefa, dia tsy midika fa ireo
mpianatra liana amin’ny fianarana ny teny vahiny ireo, dia tsy liana mihitsy
amin’ny fianarana ny taranja malagasy; saingy manatombo kokoa ny fitiavany ny
teny vahiny. Toy izany koa ireo mpianatra liana amin’ny fianarana ny taranja
- 87 -
- 101 -
malagasy, tiany ny mianatra ny teny vahiny; saingy mahaliana azy kokoa ny
mianatra ny taranja malagasy.

Toy izay no azo lazaina mikasika ny fiheveran’ny mpianatra ny taranja


malagasy sy ireo taranja vahiny, fa ndeha hojerena ny antony avy amin’ny
fitondran-tsekoly.

2.3 Antony avy amin’ny fitondran-tsekoly

Anisan’ny antony iray mitondra mankany amin’ny fahombiazan’ny


fampianarana ny fandrindrana sy ny famolavolana ny fandaharam-potoana rehetra
mandritra ny taom-pianarana iray dieny mialoha. Ao, ohatra, ny fitsinjarana ny
faharetan’ny fotoana anaovana ny taranja tsirairay isan-kerinandro, ao ihany koa ny
fametrahana sy fampifandanjalanjana izay fotoana mety hametrahana ny taranja
tsirairay mba hahatonga ny fampianarana tsy handreraka ny sain’ny mpianatra.
Izany hoe, ilaina ny fampifandimbiasana ny taranja heverina fa mavesatra kokoa,
toy ny taranja “Mathématiques, physique, philosophie, français…” amin’ny taranja
maivamaivana kokoa, toy ny taranja “Anglais, Histoire-géographie, Malagasy…”

Ny Lycée Nanisana, dia tena nanao izany ho zava-dehibe tokoa, satria


ny mpandraharaha, sy ny tompona andraikitra voalohany ao an-toerana, dia
mahatsapa fa asa masina ny asa fampianarana, ka tsy maintsy heverina dieny
mialoha izay fomba rehetra ahazoana mamita izany ara-dalàna, mba hahatonga ny
tanora beazina ho olom-banona. Tsy maintsy amboarina araka izany ny
fandaharam-potoan’ny sekoly, mba hahatonga ny mpianatra hazoto mianatra, sy ho
fanampiana ny mpampianatra amin’ny fihatrehany ny asany, araka ny resadresaka
nifanaovana tamin’ny Talen’ny sekoly nandritra ny fotoana nanatrehana ny
fampianarana tany an-toerana.

Toy izao, ohatra ny mikasika ny fotoana ianarana isan-kerinandro sy


mandritra ny tontolo andro, araka ny nahitanay azy.

- 88 -

- 102 -
2.3.2 Mikasika ny fotoana ianarana isan’andro

Ho an’ny Lycée Nanisana, dia feno hatrany ny fandaharam-potoana


mandritra ny tontolo andro. Izany hoe, mianatra ny mpianatra ny maraina sy hariva
(tolaka andro), afatsy ny amin’ny Alarobia hariva ihany. Tsy misokatra ny sekoly
amin’io fotoana voalaza io, satria ilaina eo amin’ny sehatry ny fampianarana ihany
koa ny fialana vizana, na ho an’ny mpiasa, na ho an’ny mpianatra.

Rehefa jerena ny ora ianarana mandritra ny tontolo andro, dia ora valo
(8) na ora sivy (9) farafaha betsany no ianarana. Mitsinjara ho toy izao izany:
amin’ny maraina, mianatra adiny efatra (4) na adiny dimy (5) ny mpianatra;
amin’ny tolak’andro kosa, dia adiny efatra (4) foana. Toy izao ny mahakasika ny
ora fidirana sy firavàna amin’izany:
- maraina: amin’ny 7 ora, ka hatramin’ny 11 na 12 ora
- hariva : amin’ny 1ora sy sasany, ka hatramin’ny 5 ora sy sasany.
Mizara ho adiny roa hatrany ireo fotoana ianarana maraina sy hariva ireo. Amin’ny
ankapobeny, dia mitovy amin’ny any amin’ny sekolim-panjakana hafa ihany ny
fotoana ianarana mandritra ny herinandro, eny fa na dia ny ora ianarana isan’andro
aza. Azo lazaina ho maivana ihany izany, ary antonony ihany koa.

Tsapa fa nisy vokany teo amin’ny fampianarana tokoa izany, satria samy
mahatsiaro tena ho maivamaivana avokoa na ny mpampianatra mpanatanteraka ny
asa, na ny mpianatra iantefan’ny fampianarana, araka ny resadresaka nifanaovana
tamin’izy ireo mikasika ny faharetan’ny seho iray.

Efa voalaza tany aloha, fa ny mpianatra aty amin’ny ambaratonga


faharoa dia ankizy vantony. Izany hoe ankizy mbola mila fehezina tsara mba tsy
hihoa-pefy. Misy ihany koa izany ny fitsipika mifehy ny mpianatra any an-tsekoly.
Tsy ny mpianatra ihany no mila fehezina, fa ny mpampianatra ihany koa. Ilaina dia
ilaina ny fanarahan’ny mpampianatra ny fitsipika natao ifampifehezana. Izany no
antony ametrahana ny fitsipi-pifehezana any amin’ny sekoly mba hahatonga ny
fampianarana hizotra araka ny tokony ho izy, sy mba hahitana fahombiazana eo
amin’ny fampianarana. Ny mikasika izany fitsipika mifehy ny mpandraharaha sy ny
mpianatra izany no hojerena manaraka.

- 89 -
- 103 -
2.2.2 Ny fametrahana fitsipika mifehy ny mpandraharaha sy ny
mpampianatra

Ny “ Lycée Nanisana”, dia sekoly anisan’ny sarotiny tokoa amin’ny tsy


fanarahana ny lalàna napetraka ifampifehezana mandritra ny fotoam-piasana. Izany
lalàna na fitsipika apetraka izany , dia natao ho an’ny mpandraharaha rehetra tsy
an-kanavaka, ary ao anatin’izany ny mpampianatra. Araka ny voalazan’ny
Talen’ny sekoly mantsy, dia “hery lehibe miantoka ny fahombiazan’ny
fampianarana ny fisian’ny fitsipi-pifehezana18”.

Ho an’ny mpandraharaha sy ny mpampianatra, dia azo fintinina ho toy


izao ny fifampifehezana ifampitondran’izy ireo: milaza mialoha raha sendra misy
tsy fahafahana miasa. Tsy azo atao koa ny fitondran-tena tsy mendrika, toy ny
fitafiana tsy maotina, ny fandraisana zava-mahadomelina mandritra ny fotoana
iasana. Tsy azo atao ny mikasi-tanana, fa ny manasazy ny mpianatra, araka izay
sazy mifanaraka amin’ny fahadisoana nataony no hampiharina.Tsy azo atao ny
miteny ratsy ny mpianatra. Raha misy moa ny mihoa-pefy, dia amin’ny fivoriam-
ben’ny mpampianatra no andraisana fanapahan-kevitra amin’izany.

2.2.3 Ny fametrahana fitsipika mifehy ny mpianatra

Efa voalaza fa ny “Lycée Nanisana”, dia anisan’ny sekoly sarotiny


mihitsy amin’ny tsy fanarahana ny fitsipika napetraka ifampifehezana. Ho an’ny
mpianatra, dia voarakitra any anaty karine ifandraisan’ny sekoly amin’ny ray aman-
dreniny izany. Terena mihitsy ny mpianatra hanara-dalàna mba hampizotra ny
fampianarana. Hita ao anatin’ny fitsipika mifehy ny mpianatra19 , fa “asa vadi-
drano ny fanabeazana, ka tsy vita raha tsy ifanakonana20 ”. Ny tiana hambara dia
ny hoe: ny fiaraha-miasan’ny sekoly sy ny mpampianatra ary ny mpianatra no
antoka mampahomby ny fampianarana.

18
Valin’teny azo tamin’ny fifampiresahana mivantana tamin’ny « Proviseur », ny volana Martsa
2010
19
Jereo tovana III : « Ny fitsipika mifehy ny mpianatra ao amin’ny Lycée Nanisana » (mbola
apetraka amin’ny farany ny laharany)
20
Jereo tovana Op. Cit : laharana 09
- 90 -
- 104 -
Ho an’ny mpianatra, manana fitsipika samihafa izay itoviany amin’ny
sekoly rehetra. Fa ny tena mahasarotiny ny “Lycée Nanisana”, dia ny tsy
fahatongavana mianatra, na ny fanapahana ny fianarana matetika. Raha maro be
mantsy izany, dia mahatonga ny fiantsoana ny ray aman-dreny, ary mety hiafara
amin’ny fandroahana raha tsy mazava tsara ny antony. Na mipetraka aza anefa ny
fitsipika toy izany, dia tsapanay fa natao hanafaizana ny mpianatra hahatsiaro tena,
na ho tonga saina hanohy ny fianarana no antony anaovana izany, fa tsy sanatria
akory fitiavana handroaka ny ankizy handao ny sekoly. Tsy dia misy araka izany ny
mpianatra voaroaka tsy hianatra intsony. Ny hita matetika, dia ny mpianatra asaina
mody mampiantso ray aman-dreny noho ny fahabetsahan’ny tsy fahatongavany
mianatra. Ny isa ambany be ihany koa, dia mety hitarika amin’ny fandroahana raha
tsy misy fivoarana.

Azo ambara araka izany, fa ny fitsipika apetraka any an-tsekoly,dia


natao ho aro-fanina hahatonga ny olona tsirairay tsy hihoa-pefy, hanaja ny toerana
misy azy sy ny anjara asa tokony ho sahaniny mifanaraka amin’io toerana misy azy
io. Tena ilaina izany ny fisiany any amin’ny toeram-pampianarana / fianarana
rehetra, satria antoky iray mitondra mankamin’ny fahombiazan’ny fampianarana
izany.

- 91 -

- 105 -
Fehiny

Antony maro no nahatonga ny fampianarana hahomby. Tao ireo antony


avy amin’ny mpampianatra . Niezaka hatrany izy ireo tamin’ny fanatsarana ny
fahaizana sy ny fahalalana efa ananany fa tsy nionona fotsiny tamin’izao.

Tsy ny mpampianatra ihany anefa no nanao ezaka, fa ny mpianatra


ihany koa dia nampiseho fihetsika manaitra amin’ny fanomezana lanja ny taranja
malagasy. Zava-dehibe tokoa rehefa ny mpianatra no mahatsapa ny lanjan’ny
taranja iray , indrindra fa ny taranja malagasy. Mahatonga azy hazoto hianatra
izany.

Zava-dehibe ny fananan’ny sekoly fitsipika mifehy ny mpianatra sy ny


mpandraharaha ao aminy. Ireny mantsy no mahatonga ny tsirairay hahatsapa tena
amin’ny andraikitra manandrify azy. Rehefa samy manaja ny asa tandrify azy ny
tsirairay, dia azo antoka ny fisian’ny fahombiazana eo amin’ny fampianarana.

Ireo rehetra voatanisa ireo no anisan’ny antony lehibe hita fa niteraka


ny fahombiazan’ny fampianarana natrehina. Tsapa anefa fa tsy nahafa-po tanteraka
akory ny vokatry ny fampianarana nataon’ny mpampianatra A sy B. Ndeha hiroso
amin’ny fandalinana ny antony nahatonga izany.

- 92 -

- 106 -
TOKO III: NY ANTONY NAHATONGA NY TSY FAHOMBIAZANA

LOATRA TEO AMIN’NY FAMPIANARANA.

Marina fa any an-tsekoly no toerana ivon’ny fanabeazana sy


fanovozan’ny ankizy fahalalana. Tsy azo odian-tsy hita anefa ny fiarahamonina
izay mitaiza ny tsirairay. Azo sokajiana efatra araka izany ny antony nampisy ny
tsy fahombiazana loatra teo amin’ny fampianarana natrehina. Misy ny antony avy
amin’ny mpampianatra, misy ny antony avy amin’ny mpianatra, ary misy ny antony
avy amin’ireo singa samihafa manana andraikitra amin’ny sehatry ny fampianarana.
Ireo no hohadihadiana misesy.

3.1 Antony avy amin’ny mpampianatra

Eo amin’ny sehatry ny fampianarana, raha vao misy ny tsy


fahombiazana, avy hatrany dia mitodika any amin’ny mpampianatra ny fijerin’ny
besinimaro. Mipetraka ny fanontaniana hoe: Iza no mpampianatra? Inona no fari-
pahaizany? Firy taona no nampianarany? Tsy manapatapaka ve izy?
“Ny mpampianatra mantsy no tompona andraikitra voalohany amin’ny asa
fampianarana21”, hoy i J. TARDIF. Araka ny fahitana azy, dia ireto no antony
nahatonga ny tsy fahombiazana :
Ny fomba nentina nampianatra
Ny fihetsiky ny mpampianatra
Ny fomba fanaovana tombana

3.1.1 Ny fomba nentina nampianatra

Araka ny valin’ny fanadihadiana sy ny zavatra hita, dia ny fomba


fampianatra no tena ahitana lesoka, ka miteraka olana amin’ny tsy fahombiazana
any an-tsekoly. Misy mpampianatra tsy mahafehy ny habaka rehefa mampianatra,
hany ka, misy mpianatra mety tsy ho voajery mihitsy mandritra ny fotoana
fianarana. Tsy fantatra na mahazo ny lesona natao izy ireny na tsia, tsy fantatra

21
J.TARDIF, Op. Cit, p. 399 : « Le professeur est le premier responsable (…) dans la classe ».

- 93 -
- 107 -
ihany koa izay heviny sy izay ataony eo am-pitoerana eo. Ireny mpianatra ireny, dia
lasa manana toetra tsy mivelatra, izany hoe tia mitokantokana ary tsy sahy maneho
hevitra na miady hevitra rehefa misy fivoriana ...
Araka ny hevitray, ilaina ny fampandraisana anjara ny mpianatra rehetra
araka izay azo atao, satria izany dia fanomanana azy ho olona tompona andraikitra
amin’ny fanatsarana ny fiainany. Ny fahazotoan’ny mpianatra mandray anjara
mantsy dia mitondra azy amin’ny fahazarana mikaroka sy mandinika ary
mamakafaka izay toe-java-misy iainany. Lasa manana toe-tsaina miantehitra
amin’ny herin’ny tenany samirery izy, ary teraka ao aminy ilay toe-tsaina tia
mifanakalo hevitra amin’ny hafa. Rehefa sahy maneho ny heviny ny mpianatra
mikasika ny zavatra ampianarina azy, dia azo heverina fa tsy maintsy hisy
fahalalana tafapetraka ao an-tsainy ao, ary afaka manitatra izany aza izy, miainga
tamin’ny fifanakalozan-kevitra natao tao an-dakilasy.
Ilaina ny fifehezana ny habaka mandritra ny fotoana ampianarana mba
hahitana ny fihetsiky ny mpianatra rehetra, satria anisan’ny antony tsy ahitam-
pahombiazana ny tsy fahafehezana izany. Toy izao manaraka izao, ohatra, ny tsy
fahafehezan’ny mpampianatra A izany habaka izany tao amin’ny kilasy fahafolo.

Kisary 1: Fanehoana ny tsy fahafehezana ny habaka tao amin’ny kilasy fahafolo.

Solaitrabe
Mpmp

: Faritra fivezivezen’ny mpampianatra A ao an-dakilasy


: Fizotran’ny fampandraisana anjara nataon’ny mpampianatra A

- 94 -
- 108 -
Raha jerena io kisary maneho ny tsy fahafehezan’ny mpampianatra A
ny habaka io, dia hita fa ny mpianatra any aloha ihany no voajery matetika, fa ny
any aoriana kosa , dia tsy mba voara-maso ara-dalana. Toy izany koa eo amin’ny
fampandraisana anjara, ny mpianatra mipetraka any aoriana, dia toa tsy dia
tondroina fa avela hangingiana, atao ho mpitazana fotsiny. Tao midika ho
fanavahana ihany izany, satria misy izany mpianatra tsy vijery mihitsy mandritra ny
fampianarana. Ny mpampianatra anefa, dia tokony hanao ezaka hahafehy ny
mpianatra rehetra ao an-dakilasy na dia maro aza izy ireo.

Misy kosa ny mpampianatra no tonga dia manolotra ny lesona avy


hatrany. Voaray ao anatin’io sokajina mpampianatra io ny mpampianatra B, izay
nitazona ny kilasy voalohany ( 1ère A1 sy1ère D3) Tahaka izao ny fanolorany azy:
• famerenana: tsy misy ny fanadinana ny lesona efa vita fa asaina
mifandimby mamaky izany fotsiny ny mpianatra vitsivitsy.
• Fandalinana: mametraka fanontaniana roa na telo mikasika ny
lesona vao hatao ny mpampianatra, avy eo izy manazava izany
lesona izany amin’ny ankapobeny. Rehefa izany, dia manonona ny
lesona horaisin’ny mpianatra. Saika toy izay foana no niverimberina
tamin’ny fampianarana nataony.
Ohatra:
Lesona : Vanim-potoana mitady ny very 1930-1945
Mpmp: Inona no niseho tamin’ireo daty voalaza ireo?
Mp : Ny taona 1930, nisy kirizy ara-toekarena tany Amerika: fitobaham-
bokatra.
Ny taona 1945: ady lehibe faharoa.
Mpmp: Inona no zava-nisy ara-pôlitika nisy teto Madagasikara?
Mp : Fanajanahan-tany
Mpmp: Raiso àry ny lesona (dia manolotra ny lesona ho raisin’ny
mpianatra izy)
Famintinana: Mbola ny mpampianatra B ihany no manao ny famintinana ny
zavatra vao natao rehefa mifarana ny lesona. Tsy misy mihitsy araka izany ny
fampandraisana anjara ny mpianatra ao an-dakilasy.

- 95 -

- 109 -
Ny endri-pampianarana tsy manetsika ny mpianatra no tena nisongadina
ho an’ity mpampianatra B ity. Ny hita mantsy, dia manazava amin’ny ankapobeny
ny lesona hatao ny mpampianatra ; aorian’izany dia manao sora-tononina. Raha
lazaina amin’ny fomba hafa, dia tsy hita loatra ny fanetsiketsehana ny mpianatra
amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara azy, sy amin’ny fanomezana asa hafa.
Izany hoe, fomba fampianarana manolotra fotsiny, manome vahana ny asan’ny
mpampianatra, fa tsy misy fampandraisana anjara ny mpianatra amin’ny
fanovozany fahalalana. Io ilay antsoina hoe “méthode d’enseignement traditionnel
ou dogmatique22 ”.

Toy izao izany fifandraisana nisy tao an-dakilasy ( 1ère A1 sy D3) izany
raha aseho amin’ny kisary araka ny telozoron’ny haifampianarana:

Kisary 2: Ny telozoron’ny haifampianarana nampiharin’ny mpampianatra B

Mpampianatra

Famolahana ny fahalalana Fampitam-pahalalana

Fahalalana Mpianatra

Fianarana

Ny telozoron’ny haifampianarana, dia fanehoana an-tsary ny


fifandraisana misy eo amin’ireo singa telo iorenan’ny fampianarana. Tsy iza akory
izany, fa ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ny taranja / fahalalana, araka izay
asehon’i LEGENDRE amin’ny kisary eo ambony23.

22
Lesona « pédagogie » taona fahatelo, 2007-2008, ENS
23
« Le modèle SOMA de la situation pédagagique, selon LEGENDRE », 1988, p.515, Claude
GERMAIN, in Evolution de l’enseignement des langues 5000 ans d’histoire, didactique des
langues étrngères, p. 10.
- 96 -
- 110 -
Eto dia ny fomba fampianarana nifototra tamin’ny mpampianatra B, no
natao nandritra ny lesona, hany ka tsy nahomby loatra.

Ny fahitana ny toe-javatra tahaka izany no tsy mampivelatra ny


mpianatra, satria efa manantena hotolorana sy mpandray vonona foana izy.
Mahatonga azy hirona amin’ny fanaovana tsianjery ny lesona nomena sy
hiankinan-doha amin’ny hafa hatrany izany. Vokatr’izany, tsy afaka hijoro amin’ny
maha izy azy izy, fa miandry hotantanana mandrakariva. Tsy ho hita eo aminy ilay
toe-tsaina tia karokaroka sy tia mamoron-java- baovao. Araka izany, ny vokatry ny
fampianarana toy izany, dia tsy mampivoatra ny sain’ny olona beazina.

Io fomba fampianarana voalaza teo io ilay ambaran’i MACAIRE


hoe: “ rafitra famelabelarana ( no ampiasaina), ka ny mpampianatra ihany no
mandray anjara amin’ny fitenenana, fa ny mpianatra mihaino fotsiny”24.

Ny mpampianatra dia tokony hanana fahaizana mandrindra ny asa atao,


mahay misafidy ny tetika hitondrana ny lesona araka ny fari-pahalalan’ny
mpianatra. Hoy i J.TARDIF :
“Ny mpampianatra mahomby, dia mahafehy ny vontoatin’ny asany, izay
fantatra amin’ireto toe-javatra ireto: andaniny, ny fahafezana ny asa
manoloana ny fahalalana efa ananan’ny mpianatra sy ny tanjon’ny
fandaharam-pianarana, ankilany, manoloana ny asa andrasana amin’ny
mpianatra sy amin’ny fandrindrana ny fitaovana ampiasaina araka izay
andaharany azy25”. Ilaina araka izany, ny fahaizana mandrindra ny asa
mba hampahomby ny fampianarana.

24
MACAIRE (F.), RAYMOND (P.), Notre Beau Métier Manuel De Pédagogie Appliquée, Issy les
Moulineaux, Editions Saint-Paul- Les classiques Africains, 1964, p. 157 « Méthode expositive
[…] où le maître parle et où les élèves écoutent »
25
TARDIF, Op. Cit, p. 304 : « L’enseignant stratégique est un expert de contenu qui s’intérroge,
d’une part, sur la pertinence des activités au regard des connaissances antérieures de l’élève et des
objectifs des curricula, et d’autre part, sur les exigences des tâches demandées à l’élève et sur
l’adéquation du matériel qu’il met à sa disposition. »

- 97 -
- 111 -
3.1.2 Ny fihetsiky ny mpampianatra

Anisan’ny fototra iray tsy mampahomby loatra ny fampianarana izay


atao ihany koa ny toetra amam-pihetsiky ny mpampianatra manoloana ny
mpianatra. Ny mpampianatra B, araka ny resadresaka nifanaovanay tamin’ny
mpianatra tao amin’ny kilasy voalohany roa mira zotra, dia manana toetra
manavakavaka mpianatra. Misy akony lehibe any amin’ny mpianatra izany, satria
mahatonga azy hankahala sy tsy dia hanaja loatra ilay mpampianatra, ary indrindra
indrindra tsy ho tia ny taranja ampianarina.

Ity mpampianatra B ity ihany koa, dia tsy mametraka elanelana mihitsy
eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpianatra. Izany hoe, mandray ny mpianatra hoy
toy ny namana . Hita taratra izany amin’ny fiantsoany ny mpianatra: “ise”, “indry”,
“ialahy”... Vokatr’izany, mihena ny hasina maha mpampianatra ka ataon’ny
mpianatra toy ny fifandraisany amin’ny mpianatra ihany koa ny fifandraisany
amin’ny mpampianatra. Hany ka raisin’ny mpianatra ho toy ny vazivazy ny
fampianarana indraindray. Miteraka ny tsy fahombiazanan’ny fampianarana ihany
koa izany.

Ireo no azo lazaina fa antony tsy nampahomby loatra ny fampianarana


nataon’ny mpampianatra B. Inona kosa no antony avy amin’ny mpianatra

3-1-3 Ny fomba fanaovana tombana

Antoka iray mitondra amin’ny fahombiazan’ny fampianarana ny


fanaovana tombana. Ny tombana tokoa mantsy no ahalalana izay tafita any amin’ny
mpianatra.
Ny fanaovana fampiasana na fampiharana dia manamafy ny fahalalana
azon’ny mpianatra, ka mampiraikitra kokoa ao an-tsainy ny fahalalana voaray.
Matetika mantsy ny mpianatra, raha tsy mahazo loatra ny zavatra nampianarina azy,
dia any amin’ny fanaovana fampiasana izy vao mahazo tsara izany.

- 98 -

- 112 -
Ny fanaovana fampiharana ihany koa dia manery ny mpianatra hianatra
lesona, satria izay hita tao amin’ny lesona ihany no averina amin’ny fanaovana
fampiharana.

Eo ihany koa ny fanaovana fanadinana fitsapana, izay tena manery ny


mpianatra hanaraka tsara ny fampianarana ary tsy hanao ho ambanin-javatra izany.
Ny tonga ao an-tsainy voalohany maintsy raha vao miresaka fanadinana, dia ny isa
ho azony. Sahiran-tsaina sy mahatsiaro tena ho menatra ny namany ny mpianatra
raha toa ka ratsy ny naoty omena azy aorian’ny famerenana ny valim-pananadinana.
Hany ka lasa manao ezaka izy amin’ny fianarana lesona, na amin’ny fanaovana
fampiasana.

Raha ny mpampianatra notsidihinay anefa, dia ny mpampianatra A no


nanao ny tombana rehetra , fa ny mpampianatra B kosa, dia zara raha nanao ny
sasany tamin’izy ireny. Na dia nanao izany aza izy, dia tsy mandeha amin’izay izy
ny fomba nanehoany ny fanontaniana. Tsy mahagaga araka izany raha tsy
nahomby ny fampianarany .

Raha izay ny antony avy amin’ny mpampianatra, inona kosa no mety ho


antony avy amin’ny mpianatra?

3.2 Antony avy amin’ny mpianatra

Ankoatra ny mpampianatra izay tompona andraikitra voalohany


amin’izay mety ho tsy fahombiazan’ny fampianarana, dia tsy afa-miala amin’izany
ihany koa ny mpianatra. Miankina aminy mantsy ny hahatafita na tsia ny
fahalalana.

3.2.1 Ny toe-tsaina amam-pihetsiky ny mpianatra

Efa nambara tany aloha fa ny mpianatra ao amin’ny “Lycée Nanisana”,


dia manana salan-taona eo amin’ny 15 ka hatramin’ny 18 taona eo ho eo. Izany
hoe “tafiditra amin’ny taonan’ny ivon’ny fotoana maha sakan-jaza ( 15 taona ka

- 99 -
- 113 -
hatramin’ny 17 taona) , izay marihin’ny fiovam-piainana ara-piarahamonina. Hita
eo amin’ny fifandraisany amin’ny ankohonana misy azy ary amin’ny namany izany
fiovana izany. Tafiditra ihany koa ao amin’ny fiafaran’ny taona maha sakan-jaza:
18/21 taona, izay marihin’ny fanamafisan’ny ankizy ny maha izy azy sy ny
fitsofohany ho ao amin’ny faminavinana ny ho avy”26.

Araka ny filazan’ireo manam-pahaizana mikasika ny


olombelona (psikôlôgy) dia manana toetra sahisahy sy be sitra-po izy, ary tsy azo
tenenina amin’izany.

Tia andranandrana ny ankizy manana ireo salan-taona ireo, ary


indraindray manaonao foana mihitsy aza. Ny fananana toetra te hisongadina noho
ny hafa mazàna no mahatonga izany. Tsy misy anefa fotoana ahazoany maneho
izany fihetsika izany, na fiteny mampihomehy sy manintona ny hafa, ka raha vao
misy fotoana ahafahany manao fihetsika manaitra, dia hararaotiny izany
anasongadinany ny tenany.

Ny mpianatra miala sakana koa, dia azo lazaina fa sarotra anarina


amin’izay tsy mety ataony, ary matetika dia tsy manana tahotra izy na iza na iza
miteny azy ( ray aman-dreny, mpanabe...) noho ny zava-misy ara-boajanahary
iainany mifanandrify amin’ny taonany. Sahisahy, tia manohitra izy, na eo amin’ny
ara-kevitra, na eo amin’ny fomba fisainana, ary mety hasehony miharihary, na an-
kolaka izany. Misy fiantraikany any amin’ny fianarany izany toetra hafahafa
ananany izany, saingy ny mpampianatra no mila mandanjalanja izay itondrana ireny
mpianatra ireny, mba hampizotra ny fampianarana izay atao.

Mirona amin-javatra hafa ihany koa ny sain’ny mpianatra, dia amin’ny


fitiavana. Raisina ohatra ny tranga hita tao amin’ny kilasy fahafolo tamin’ny
fotoana nirotsahanay an-tsehatra nanao fanazarana asa (stage): zazavavy kely iray
variana miondrikondrika ao ambany ao, ary matetika izy no manao izany fihetsika

26
GAONAC’HD et GOLDER O, in Profession enseignant- manuel de psychologie pour
enseignement. Editions HACHETTE Education. Paris, 1995, p. 197: “ […] L’adolescence
moyenne […] de 15 à 17 ans est caractérisée par les modifications sociales […]. L’adolescence
tardive […] DE 18à 20-21ans, est caracterisée par la consolidation de l’identité et l’engagement
dans des perspectives d’avenir »
- 100 -
- 114 -
izany. Rehefa nojerena ny zavatra nataony tao, dia mamaky hafatra (message) ao
anaty finday avy any amin’ny namany. Ny hita tao amin’ny kilasy famaranana T D3
indray, ohatra, dia tsy andrin’ny mpianatra sasany, indrindra fa ny zazalahy mihitsy
izay hiravana raha vao mirava ny mpianatra namany, satria efa mifanao fotoana ry
zareo. Asehony ho hitan’ny mpampianatra mihitsy ny tsy fifantohany intsony
amin’ny fampianarana izay atao intsony, ka na izy tsy mahaverina ny zavatra vao
nolazaina teo raha asaina mamerina izany, na izy miera mivoaka dia milentika any
( tsy miverina raha tsy tonga ny ora firavana).Tsy vitsy ireo mpianatra
voasarik’izany ny sainy. Tsy mitombina amin’ny fianarana intsony araka izany ny
sain’ny mpianatra. Tsy mahagaga noho izany raha misy ny tsy fahombiazana eo
aminy.
Sahirana ny mpampianatra amin’ny fanabeazana sy amin’ny fampitana
fahalalana, manoloana ireo toetra ananan’ny ankamaroan’ny mpianatra ireo. Satria
raha vao misy teny na voambolana tsy dia fandreny na tsaroany ho hafahafa aminy,
dia iny no araraotiny ihomehezana sy itariny eo. Noho izany, sady lany ny fotoana,
ny lesona tiana hampitaina tsy tafita, ary tsy azo ny vokatra antenaina. Tao
amin’ny TD3, ohatra, tamin’ny fotoana nanaovana ny lesona mikasika ny
VINTANA, dia nampiasaina ny ohabolana hoe: “Ratsy vintana ohatran’ny saka,
bevohoka vao atao mamosavy”. Ny andian-teny hoe: “saka bevohoka” sy ny hoe:
“mamosavy” no nitariny teo, ary nampiany hoe: “tokony hoentina any amin-
dRasazy”, dia nihomehy teo izy iray kilasy.

3.2.2 Ny fomba fianatra

Maro amin’ ny mpianatra no tsy manana paika enti-mianatra. Ny


fananana fomba amam- paika manokana anefa, dia zava-dehibe tokoa eo amin’izay
atao rehetra, ary izany no antoky ny fahombiazana.

Ny mahazatra ny mpianatra dia miezaka manao tsianjery ny lesona


ianarany, hany ka tonga fahalalana mipetraka ho azy fotsiny izany, fa tsy hainy ny
mampiasa na mampihatra azy. Araka ny fanadihadiana natao am-bava tamin’ny
mpianatra mikasika ny fomba fianatra, dia tsapa fa tsy mba manana fomba fianatra
matotra izy ireo. Voalazan’ ny ankamaroan’ izy ireo , fa tsy mba manao famerenana
akory ry zareo any an-trano amin’ny lesona vita, fa avy dia akombona ao ny kahie,

- 101 -
- 115 -
ary tsy sokafana raha tsy hanao fampiasana raha misy, na alohan’ny fanadinana an-
tsoratra indray27.

Amin’ny taranja malagasy no tena anaovan’ ny mpianatra izany , araka


ny voalazan’izy ireo ihany. Ny antony, dia tsy misy lesona be sarotra tadidiana aty
amin’ny taranja malagasy.

Tsapa araka izany, fa maro be tamin’ireo mpianatra nanaovana ny


fanadihadiana, no tsy manana fomba fianatra mazava sy matotra, indrindra fa
amin’ny fianarana ny taranjan’ny teny . Tafiditra ao anatin’izany ny taranja
malagasy. Heverinay fa anisan’ny antony tsy mampahomby ny fampianarana izany.

3.2.3 Ny hakamoana

Toetra ratsy mpahazo ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana ny


hakamoana, ary matetika aza dia izany no mahatonga azy tsy ho liana amin’ny
fampianarana omena azy. Eo amin’ny fiatrehana taranja iray, ny mpianatra dia efa
mametraka mialoha ao an-tsainy ny tsy fahavononana handray fahalalana. Hany ka,
vao tonga ao an-dakilasy izy, dia matory sy manoko resaka na manakotaba ny
namany fotsiny.

Hita taratra izany tamin’ny fampianarana ny taranja malagasy, indrindra


moa fa tamin’ny fampianarana ny tantaran’ny literatiora (tao amin’ny kilasy
voalohany). Toa mahakamo azy ireo ny hampiasa saina hikaroka sy hitadidy ny
lesona. Tsy mahagaga araka izany, raha misy ny tsy fahombiazana.

Toka-mihasina ny taranja malagasy. Zana-taranja telo no mamorona


azy: ny fitsipiky ny teny, ny literatiora ary ny riba. Any amin’ny ambaratonga
faharoa ( Lycée), dia tsy misy fandaharam-potoana manokana hampianarana ny
fitsipiky ny teny intsony, fa eny antsefatsefany eny ny mpampianatra no
manararaotra mampahatsiaro izany amin’ny mpianatra. Izany hoe, ny zana-taranja

27
Araka ny fanontaniana an-tsoratra nasaina novalian’izy ireo. Jereo any amin’ny tovana IV, takila
25
- 102 -
- 116 -
literatiora sy riba no tena misongadina. Ny mikasika azy ireo no asiana teny
manaraka.
Araka ny antontam-panontaniana nomena ny mpianatra, dia tsapa fa
mizara roa ny fitiavany: ny ankamaroany liana amin’ny lesona riba: 174 mpianatra,
ny sasany mba liana ihany amin’ny tantaran’ny lieratiora: 65 mpianatra.
Misongadina eto ny fanamaivanana ny tantaran’ny literatiora eo amin’ireo
mpianatra ireo. Tsy nisalasala izy ireo nilaza fa ny mianatra riba no mahaliana,
satria ao no mamahavaha ny kolontsaina malagasy, sady zavatra iainana eo amin’ny
fiainana andavanandro no hita any ka ilaina ny fahaizana azy. Ny mpianatra dia
nanambara ihany koa, fa mahakamo ny mianatra ny lesona amin’ny tantaran’ny
literatiora, noho izy be daty tsy maintsy tadidiana, sy noho ny halavan’ny lesona,
ary manahirana anay ihany koa ny mitady tahirin-kevitra sy mitady boky
hovakina, hoy izy ireo.Toy izao ny fafana maneho izany.

Fafana 11: Ny zana-taranja mahaliana ny mpianatra


Fanontaniana Valin-teny Isan’ny
valin-teny
azo
Inona no zana-taranja
mahaliana anao kokoa, 1- Ny RIBA no mahaliana ahy 174
ny tantaran’ny 2- Ny tantaran’ny literatiora. 65
literatiora sa ny riba?
Lazao ny antony - Ahalalana ny kolontsaina sy
ny fomba amam-panao 134
malagasy.
- Mifandray betsaka amin’ny 105
fiainana andavanandro.

Inona no olana − Lava be ny lesona. 57


tsapanao amin’ny − Manahirana ny mitadidy ny 123
fianarana ny daty.
tantaran’ny literatiora? Manahirana ny mitady tahirin- 59
kevitra.

- 103 -
- 117 -
Hita eo amin’ny fafana, fa ny lesona riba no mahaliana ny mpianatra
kokoa. Tamin’ny mpianatra miisa 239, izay nameno ny antontam-panontaniana , dia
ny 174 (73% ) no nisafidy ny riba. Ny anton’izany,dia efa voalaza teo aloha,noho
ny riba mirakitra ny kolontsaina, ho an’ny mpianatra 134 (56%) sy ny fomba
amam-panao malagasy ho an’ny mpianatra 105 ( 44%).

Manana olana tokoa ny mpianatra amin’ny fianarana ity zana-taranja


tantaran’ny literatiora ity, satria ny mpianatra 65 ( 27%) amin’ny mpianatra miisa
239 fotsiny no mba liana amin’izany. Ny olana ,dia tsy inona akory, fa ny
fahalavan’ny lesona, ho an’ny mpianatra miisa 59/239 ( 51%) sy ny fitadidiana ireo
daty marobe hita any amin’ity lesona ity, ho an’ny mpianatra miisa 123/239 (57%)
ary ny fitadiavana tahirin-kevitra, ho an’ny 57/239 ( 25%).

Manaraka izany, tsy ampy ny boky mikasika ny taranja malagasy ao


amin’ny “ Lycée Nanisana”. Vokatr’izany , sahirana ny mpianatra sy ny
mpampianatra amin’ny fikarohana tahirin-kevitra, indrindra fa ny mikasika ny
zana-taranja literatiora.

Ny tiana hasongadina eto , dia ny hoe: manampy trotraka ny hakamoana


efa misy ao amin’ny mpianatra ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra ao amin’ny
sekoly misy azy. Izany no hararaotiny, ka mahatonga azy ametraka olana foana
amin’ny fianarany, satria tsy misy ao an-toerana ny boky asain’ ny mpampianatra
tadiavina. Ny mpianatra ihany koa tsy te hisahirana amin’ny fitadiavana izany atsy
sy aroa. Izay voarainy tao an-dakilasy aza moa tsy ianarany, ka mainka fa vao
hitady zavatra hafa indray?

Tsy ny mpampianatra sy ny mpianatra ihany anefa, no mahatonga ny tsy


fahombiazana eo amin’ny fampianarana, fa misy koa ireo azo lazaina ho tompona
andraikitra amin’izany, dia ny tontolo manodididna.

-104 -

- 118 -
3.3 Antony avy amin’ireo singa samihafa mandray anjara
amin’ny fampianarana.

Marina fa ny mpampianatra sy ny mpianatra no tompona andraikitra


voalohany amin’izay mety ho tsy nampahomby ny fianarana, maro ihany koa anefa
ireo singa voakasik’izany: ao ny fanjakana, ny ray aman-dreny, ary ny
fiarahamonina. Ireo indray no hojerena misesy.

3.3.1. Ny fitondram-panjakana

Manana andraikitra lehibe tokoa ny fitondram-panjakana eo amin’ny tsy


fahombiazan’ny fampianarana. Hita izany amin’ireto lafiny manaraka ireto.

1. Famolavolana ny fandaharam-pianarana

Raha jerena ny fandaharam-pianarana, dia hita fa malalaka loatra, na


amin’ny ankapobeny loatra ny fomba namolavolana azy.
Ohatra:
“Vanim-potoana mitady ny very 1930 - 194528”
A. Ny zava-misy sy ny fironana nanentana izany.
B. Ny endriky ny literatiora

“Vanim-potoana ankehitriny” 1972 – 1991


A. Ny zava-misy, ny fironan-tsaina ary ny literatiora Malagasy
ankehitriny.

Natolotra fotsiny ny lohatenin-desona hampitaina, fa tsy misy ny


famahavahana. Izany anefa dia mety hiteraka tsy fitovian’ny fanatanterahana ny
lesona, araka ny fomba fiheveranay azy, satria mpampianatra samy hafa: tsy mitovy
fahalalana ary tsy mitovy fomba fampianatra no hampita ny lesona. Hany ka mety

28
Jereo tovana I, takila 16

- 105 -
- 119 -
ho samy hafa ny vontoatin-kevitra hampitaina any amin’ny mpianatra, sady lasa
ankapobeny koa ny fahalalana voarainy.
Tsy ampy araka izany ny fahalalana nomena ny mpianatra noho ny
fahalalahan’ny fandaharam-pianarana. Mety hisy mpampianatra hanome lesona tsy
ampy ny mpianatra, nefa mety hisy hanome lesona be loatra. Ny tiana hambara dia
ny hoe tsy misy torolalana hentitra amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy.

Araka izany, ekena fa mandray andraikitra eo amin’ny fampianarana ny


fanjakana, nefa tsapa ho mihafihafy ny fampianarana ny taranja Malagasy raha
mitaha amin’ny taranja hafa. Ny tokony tsy hohadinoina dia ny hoe: ny teny
ibeazana izay tenin-dreny, no mirakitra ny kolontsaina iray manontolo ao amin’ny
firenena iray, indrindra indrindra mirakitra ny maha izy azy ilay firenena.

“Raha te hampandroso ny mponina sy ny firenena dia ny fampianarana


ny taranja Malagasy no atao laharam-pahamehana”29. Tokony mba hojeren’ ny
fanjakana manokana ny amin’ny taranja Malagasy.

2. Ny lanjan’ora omena ny taranja malagasy.

Raha ny fotoana anaovana ny taranja malagasy isan-kerinandro no


resahina, dia adiny efatra (4) avy izany , ho an’ny kilasy tsirairay, na ho an’ny
sokajy literera, na ho an’ny sokajy siantifika. Manoloana izany indrindra, dia tsapa
fa tsy ampy ny ora natokana hamitana ny fandaharam-pianarana mandritra ny taom-
pianarana, raha ho an’ny taranja malagasy manokana. Sahirana ny mpampianatra eo
amin’ny fomba itondrana ny fampianarana, satria raha vao misy fotoana very na dia
kely fotsiny aza, dia efa misy akony any amin’ny famitana ny lesona izany. Ny
fotoana tsy ianarana noho ny antony maro samihafa izay miseho eny antsefatsefany
eny moa, dia manginy fotsiny. Rehefa mitambatra mantsy ireny fotoana very ireny,
dia tsy maintsy hiafara any amin’ny fanaovana kitoatoa ny fampianarana, toy ny
fanaovana fampianarana tolotra noho ny fanenjehana ny famitana ny fandaharam-
pianarana.

29
Lesona LLCE, taona fahefatra ENS

- 106 -
- 120 -
Araka ny voalazan’ireo mpampianatra A sy B narahinay mantsy, dia
antony iray tsy ahafahana manome vahana ny fampandraisana anjara betsaka loatra
ny mpianatra ny tsy fahampian’ny ora na dia zava-dehibe tokony hatao aza izany,
satria manjary tsy vita ny lesona tokony hatao. Tsapa tamin’ny fampianarana
nataon’izy ireo moa , fa tsy ampy tokoa izany fampandraisana anjara ny mpianatra
izany.

3. Ny tsy fahampian’ny boky

Mihevitra ireo mpamolavola ny fandaharam-pianarana fa rehefa vita ny


fanolorana ny fandaharam-pianarana, dia hatreo ny adidiny. Toa hadinony ireo
tahirin-kevitra hampiasaina amin’ny fanatanterahana ny fampianarana natolony.
Hita any amin’ny sekoly maro, indrindra fa ireo sekoly miorina any ambanivohitra
izany. Eny fa na dia ny sekoly aty andrenivohitra izay toerana efa mandroso aza, dia
ahatsapana izany. Ny “Lycée Nanisana”, dia efa azo raisina ho ohatra mivaingana
manaporofo izany.

Voamarikay mantsy fa tsy ampy mihitsy ny boky sy ny tahirin-kevitra


ho an’ ny taranja malagasy manokana. Vitsy loatra ny isan’izy ireny. Ndeha ho
raisina ohatra, ny mikasika ny boky tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny
kilasy fahafolo. Ny boky Mitaraina ny tany, nosoratan’i ANDRY ANDRAINA, dia
dimy (5) monja no hita tao amin’ny trano famakiam-boky. Ny isan’ny kilasy
fahafolo fotsiny aza, no efa mahatratra sivy (9), izany hoe mpianatra 540 eo ho eo
no mampiasa ireo boky miisa dimy (5) ireo . Tsy ampy mizara ho an’ny mpianatra
velively ny isan’ny boky, ary tsy afaka manana boky iray avy akory aza ny isan-
kilasy. Vokany, rehefa nasaina namaky izany ny mpianatra, dia toy izao ny valin-
teny azo: “Tsy manana boky izahay, tsy misy boky ao amin’ny “bibliothèque””.
Sahirana ny mpampianatra manoloana izany, ny mpianatra ihany koa manjary miala
andraikitra rahateo. Tsy io boky io ihany no nahitana olana toy izany, fa ny boky
Anganon’ny Ntaolo izay ampiasain’ny kilasy rehetra (kilasy fahafolo ka
hatramin’ny kilasy famaranana). Rehefa nasaina nitondra angano mikasika “ny
namoronana ny olona” mantsy ny mpianatra, tao amin’ny kilasy famaranana “TC 1”
dia mitovy tamin’izay voalaza teo aloha ihany koa ny valin-tenin’izy ireo, satria

- 107 -
- 121 -
boky efatra (4) ihany no ao amin’ny sekoly, sady efa tonta dia tonta ny roa (2)
amin’izany.

Ny boky fototra, toy ny boky Lovako, Fary mamy, dia misy ihany koa
saingy tsy ampy mizara ho an’ireo mpampianatra misahana ny fampianarana ny
taranja Malagasy akory. Tsy azo lavina anefa fa vato misakana eo amin’ny
fampianarana ny tsy fahampian’ny boky aman-tahirin-kevitra.

3.3.4 Ny ray aman-dreny

Raha vao miresaka fampianarana, dia tsy afa-misaraka amin’izany ny


ray aman-dren’ny mpianatra, satria izy ireo koa dia manana andraikitra lehibe
amin’ny fanaraha-maso ny fianaran’ny zanany. Araka ny voalazan’i A.
MAREVEIL manao hoe: “ireny tontolo misy ny mpianatra ireny dia anisan’ny
mamaritra ny kolontsaina sy ny foto-pisainany30” Raha nanadihady ny
mpianatra mikasika ny fanaraha-maso ataon’ny ray aman-dreny ny fianaran’ny
zanany izahay , dia nahatsapa fa manana andraikitra eo amin’ny tsy
fahombiazan’ny fampianarana ihany koa ny ray aman-dreny. Raha avondrona dia
ny toe-tsaina no tena misakana ny ray aman-dreny.

• Ny toe-tsaina

Vato misakana lehibe tsy azo odian-tsy hita amin’ny fampianarana ny


taranja malagasy ny toe-tsain’ny ray aman-dreny sasany. Raha nametraka ny
fanontaniana tamin’ny mpianatra mantsy izahay, ny ankamaroany dia nanambara
ny tsy fanomezan’ny ray aman-dreny lanja ny taranja malagasy, araka izao fafana
manaraka izao.

30
A. MAREUEIL, in Guide pédagogique, p. 127 : « Le milieu familial détermine la culture des
élèves »
- 108
- 122 -
Fafana 12: Ny fanaraha-maso ataon’ny ray aman-dreny amin’ny fianaran’ny
zanany

Fanontaniana Valin-teny Isan’ny


valin-teny
azo

Mariho izay 1- Taranja malagasy:


taranja kilasy fototra 02
ampirisihin’ny kilasy voalohany ( 1ère A1 sy 1ère D3) 05
ray aman- kilasy famaranana ( TC1 sy TD3) 05
dreninao ny 12
mianatra azy:
-Taranja malagasy 2- Taranja frantsay:
- Taranja frantsay kilasy fototra 15
- Taranja anglisy kilasy voalohany (1ère A1 sy 1ère D3) 42
kilasy famaranana ( TC1 sy TD3) 21
78

3- Taranja anglisy:
kilasy fototra 32
kilasy voalohany (1ère A1 sy 1ère D3) 53
kilasy famaranana ( TC1 sy TD3) 32
117
4- Tsy misy ny fampirisihan’ny ray aman-
dreny amin’ny fianarana ireo taranja telo
eo ambony ireo :
kilasy fototra 13
kilasy voalohany (1ère A1 sy1ère D3) 11
kilasy famaranana ( TC1 sy TD3) 08
32

- 109 -
- 123 -
Araka io fafana io, dia misy ray aman-dreny manao ho ambanin-javatra
ny taranja malagasy, satria ny 12/239 (5%)n’ireo mpianatra nanaovanay
fanadihadiana ihany no nanambara fa ampirisihin’ny ray amn-dreniny hianatra ny
taranja malagasy . Ny taranja amin’ny teny vahiny kosa tsy mba tahaka izany, fa
mahaliana ny ray aman-dreny kokoa, ka zariny hirona amin’izany ny zanany. Ny
fafana dia maneho fa ny 82%n’ny mpianatra no nilaza fa ampirisihin’ny ray aman-
dreniny hianatra ny teny vahiny (33% ho an’ny teny frantsay, 49% ho an’ny teny
anglisy).

Ny fiheveran’ny mpianatra dia miankina amin’ ny ankohonana


mamolavola azy. Matoa ny mpianatra tsy dia taitra raha ratsy ny isa azony amin’ny
taranja malagasy, dia satria toy izay ny fihetsika asehon’ny ray aman-dreniny azy
any an-tranony. Azo itarafana ny fihetsiky ny olona manodidina azy, araka izany ny
toetra asehon’ny mpianatra ao an-dakilasy.

Sahiran-tsaina ery ny ray aman-dreny raha toa ka ratsy ny isa azon’ny


zanany amin’ny taranja “Mathématique”, “Physique” indrindra fa ho an’ireo any
amin’ny sokajy S ( série Scientifique), “Français”, Anglais”, fa tsy dia
mampaninona azy raha amin’ny taranja Malagasy no ratsy31.

Ny zavatra fahita matetika aza, dia tsy mba misy akory ny fanaraha-
maso ny fianaran’ny ankizy any an-trano. Ny fafana dia maneho mazava ny
fisian’izany toe-javatra izany. Ny 32/239 (13%) tamin’ny mpianatra nohadihadiana
dia sahy nanambara izany. Amin’ny taranja hafa, toy ny frantsay sy anglisy anefa,
dia ampiana tosika amin’ny fanaovana “cours” etsy sy eroa ny ankizy, ary
andaniana vola betsaka mihitsy mba hahafahany mandalina sy mifehy tsara azy
ireny. Ampirisihina ny ankizy hiezaka mafy amin’izany, ka lasa ambanin-javatra
ilay tenin-drazana. Vokany , miseho ny olana, satria ny teny vahiny tsy hay, ny
teny malagasy tsy voafehy32. Tsy mahagaga araka izany, raha manjaka ny teny
mifangaro eo amin’ny fifampiresahana.

31
Famelabelaran-kevitra mikasika « ny olana amin’ny fampinarana ny taranja malagasy any
amin’ny Lycée », tamin’ny lesona LLCE, Taona fahefatra ENS, Septambra 2009.
32
Araka ny voalazan’ny mpampianatra B, izay nanaovana ny fanadihadiana.

- 110 -
- 124 -
3.3.3 Ny fiarahamonina

Ny fiarahamonina no mamolavola ny olona ao amin’ny toerana misy


azy. “Ny fomba amam-panaon’ny mpianatra tsirairay, dia tsy tongatonga ho azy fa
mifamatotra akaiky amin’ny tontolo misy azy ary misy akony eo amin’ny fianarana
izay ataony sy ny fomba fandraisany zavatra izany33”

Tsapa fa manelingelina amin’ny fahombiazan’ny fampianarana ny


fiarahamonina. Ankoatra ny toe-tsaina iarahany manana amin’ny ray aman-dreny,
toy ny fanamaivanana ny taranja Malagasy, dia misy koa ireo antony hafa avy
aminy.

Ny “Lycée Nanisana”, izay sekoly nanaovana ny fanadihadiana,


dia miorina eto Antananarivo renivohitra, efa betsaka ireo karazam-pialam-boly
misarika ny sain’ny mpianatra. Maro ny trano fandefasana horonan-tsary mihetsika
na “vidéo” hita manodidina iny faritra misy ny sekoly iny. Maro amin’ireo tanora
no voasarik’izany, ka ao anatin’ireo ny mpianatra. Mihena araka izany, ny fotoana
amerenan-desona sy anaovana enti-mody. Lasa ambanin-javatra mihitsy aza ny
fianarana. Misy ireo manapatapaka foana amin’ny fianarana, na dia voararan’ny
fitsipika aza izany. Misy ireo tsy mahafehy tena, satria maro loatra ireo zavatra
manintona ny sainy any ivelan’ny sekoly.
Na eo aza izany rehetra izany, dia maro amin’ireo mpianatra ireo no hendry sy
mianatra tsara.

33
André MAREVIL, Op. Cit, p. 126 : « l’attitude individuelle elle-même n’est pas déterminée au
hasard : tout individu appartiennent à un ensemble de milieux qui constituent les « racines » de
toute communication et dont nous n’examinerons les principaux sont le milieu familial socio-
économique, régional et national »

- 111 -
- 125 -
Fehiny

Raha atao bango tokana izay voalaza tamin’ity tapany fahatelo amin’ny
fizarana faharoa ity izay, dia mbola maro ny zavatra ilàna fanarenana tamin’ny
fampianarana hita tao Nanisana.

Anisan’izany, ny fanovana ny fomba fifandraisana amin’ny mpianatra sy


ny fanaovana fampianarana manaraka drafitra mazava, ary ny fifehezana ny
mpianatra rehetra mandritra ny fotoana ampianarana. Ary ny lehibe indrindra
amin’ny asa tokony hataon’ny mpampianatra, dia ny fanatsarana sy ny fanaovana
tombana sy ny fanatsarana izany.

Eo ihany koa ny adidy miandry ny mpianatra, dia ny fifehezany ny


tenany mba ho vonona amin’ny fiatrehana ny fianarana indrindra fa ny taranja
malagasy, fa tsy ho variana amin’ny rendrarendran’ny tanora.

Ny tontolo manodidina ny mpianatra ihany koa, dia tokony hahatsiaro fa


manabe ny olona manodidina azy, ary miantefa any amin’ny sain’ny mpianatra ny
fihetsika asehony azy.

Ny fitondram-panjakana no tena manana andraikitra voalohany amin’ny


tsy fahombiazan’ny fampianarana, satria izy no mamolavola ny fandaharam-
pianarana. Tsy afa-miala amin’izany anefa ny sekoly, noho izy ivon-toeran’ny
fampianarana.

- 112 -

- 126 -
Famintinana ny fizarana faharoa

Nasongadina tamin’ity firazana faharoa ity, ny fandalinana ny fomba


fampianarana nataon’ireo mpampianatra narahina tao amin’ny “Lycée Nanisana”
nandritra ny fanatrehana ny fampianarana. Tamin’izany no nahalalana fa samy
manana ny fomba mahazatra azy ny mpampianatra A sy B amin’ny fampitana
fahalalana amin’ny mpianatra.

Tamin’ity fizarana ity ihany koa no nandalinana ireo antony hita fa


nampahomby sy tsy nampahomby ny fampianarana. Antony maro no mety
hahatonga izany, saingy navondrona tamina singa vitsivitsy , dia ny asan’ny
mpampianatra sy ny andraikitra miandry ny mpianatra ary ny tontolo manodidina.

Amin’ny ankapobeny, dia nahitana fahombiazana ny fampianarana, nefa


hoy ny ohabolana malagasy: “Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay manarara”.
Nisy ihany, araka izany ny tsy fahombiazana.

Ny tena mbola nahitana lesoka , dia teo amin’ny fomba fampianarana sy


ny fomba fanaovana tombana, ka nahatonga ny fampianarana tsy hahomby loatra.
Tolo-kevitra ho amin’izany indrindra no tena ilafihan’ny asa fikarohana ataonay,
koa ndeha horesahana ao amin’ny fizarana fahatelo ny momba izany.

- 113 -

- 127 -
FIZARANA FAHATELO

TOLO-KEVITRA HO AN’ IREO RANTSANA


SAMIHAFA HEVERINA FA MANANA
ANDRAIKITRA AMIN’NY FANATSARANA NY
FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY
ANY AMIN’NY LYCEE, SY FANATSARANA NY
FANAOVANA TOMBANA, ARY FANOLORANA
NY ANDRAM-PAMPIHARANA IZANY.

- 114 -

- 128 -
TOKO I: TOLO-KEVITRA AROSO HO AN’ IREO RANTSANA
SAMIHAFA HEVERINA FA MANANA ANDRAIKITRA AMIN’NY
FANATSARANA NY FAMPIANARANA NY TARANJA MALAGASY ANY
AMIN’ NY LYCEE.

Araka ny naseho tao amin’ny fizarana faharoa, dia nahitana lesoka ny


fampianarana ny taranja malagasy izay natrehana tany amin’ny Lycée Nanisana, ka
nitarika nankany amin’ny tsy fahombiazan’ny fampianarana. Tsy hay ny hangina na
hijanona ho mpitazana fotsiny manoloana izany tsy fahombiazana izany, fa tsy
maintsy tadiavina izay fomba heverina fa hanarenana azy. Araka ny maha mpanao
asa fikarohana ny tena ihany koa moa, dia tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny
fanolorana ny zava-nisy , sy ny fanaovana fandalinana hita tamin’ny fanatrehana ny
fampianarana, fa tokony handroso soso-kevitra na tolo-kevitra ombam-bahaolana,
mba hisorohana izay mety ho fiverenan’ny tsy fahombiazana amin’ny manaraka.
Koa ireto misy soso-kevitra arosonay ho fanatsarana ny fomba fampianarana ny
taranja malagasy any amin’ny Lycée. Anjara biriky ihany izy ireo, nefa inoanay fa
mba hanampy ny mpampianatra ny taranja malagasy amin’ny fanatsarana ny
fampianarana izay ataony, indrindra fa eo amin’ny fomba fanaovana tombana,
satria izany no fototra ilafihan’ity asa fikarohana ity. Nosokajiana ho efatra ireo
rantsana hanoloranay tolo-kevitra manaraka eto, dia ny Fanjakana, ny ray aman-
drenin’ny mpianatra, ny mpianatra, ary ny mpampianatra.

1.2. Tolo-kevitra ho an’ny fanjakana

Manana anjara asa lehibe eo amin’ny fandavorariana ny fampianarana


ny Minisitera, amin’ny alalan’ny famolavolana ny fandaharam-pianarana. Ilàna
fanatsarana ny fandaharam-pianarana ankehitriny, ho an’ny taranja malagasy
manokana, satria betsaka ny lesoka hita ao anatiny, ka mahatonga ny fampianarana
tsy hahomby. Ny fandaharam-pianarana ambara eto, dia ny an’ny ambaratonga
faharoa manokana (Lycée), izay nanompanana ity asa fikarohana ity. Lafin-javatra
telo izay heverinay fa voakasika amin’ny fahombiazana na ny tsy fahombiazan’ny
fampianarana no androsoanay soso-kevitra ho an’ny fanjakana etoana, dia ny
fanatsarana ny fandaharam-pianarana, sy ny fanatsarana ny sekoly, ary ny
fanatsarana ny fitaovana any an-tsekoly.

- 115 -
- 129 -
1.1. 1. Fanatsarana ny fandaharam-pianarana

Ilaina ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana, satria ny tsy


fahalavorarian’izany, dia miteraka tsy fahombiazana eo amin’ny fampianarana atao
any an-tsekoly. Indreto misy soso-kevitra vitsivitsy heverinay fa hanampy ny
fanjakana amin’ny fanatsarana izany.
− Fanomezana andraikitra mivantana ny mpampianatra: ny mpampianatra no
olona mifampikasoka sy mifanerasera matetika amin’ny mpianatra, ka
heverina fa mahalala tsara ny filàny, sy ny fomba fampitam-pahalalana
mifanaraka amin’ny toetra amam-pihetsiky ny tsirairay araka ny taonany sy
ny kilasy misy azy. Noho izany, ny mpampianatra no tokony homena
andraikitra amin’ny famolavolana ny fandaharam-pianarana, fa tsy ny olona
izay tsy mahalala akory izay zava-misy any an-dakilasy.

− Fanomezan-danja ny taranja malagasy: tokony tsy hatao ho ambanin-javatra


ny fijerena manokana ny taranja malagasy rehefa mamolavola fandaharam-
pianarana, satria io no taranja ahafantaran’ny mpianatra ny maha Malagasy sy
ny kolontsaina mampiavaka ny fireneny amin’ny firenena hafa. Tokony
hampitomboina araka izany, ny lanjan’ora atokana ho an’ity taranja ity ho
an’ny kilasy tsirairay, ary tokony hampitoviana ihany koa ny an’ny isan-
tsokajy (sokajy siantifika sy literera) , tsy asiana tombo sy hala, satria samy
tanora hoavin’ny firenena daholo izy ireo. Ny lohahevitra dinihina, dia maro
tokoa, nefa ny fotoana ianarana ny taranja malagasy dia kely, ka tsy ahafahana
manao izany.

Famahavahana ny fandaharam-pianarana aroso: tokony mba


hovahavahana misimisy kokoa ny fandaharam-pianarana amperinasa, satria hita fa
mifintina loatra izany. Mifintina loatra ka mety ho samy manana izay fomba
hitondrany azy ny mpampianatra tsirairay. Araka ny voalazan’ny mpandinika
mantsy, “ny fandaharam-pianarana, dia ahitana ny drafitry ny fampianarana izay
mametraka ny tanjona hotratrarina isaky ny dingana, ahitana ihany koa ny
dingan’ny haifampianarana, ary ireo fitaovana voatondro ampiasain’ny

- 116 -
- 130 -
mpampianatra sy ny mpianatra34”. Raha tsy misy izany, dia tsy hitovy ny
fahalalana ho azon’ny mpianatra.
Azo atao ohatra ny mametraka izao drafitra izao any amin’ny fandaharam-
pianarana raha “Literatiora mitady ny very 1930 - 1945”, ny lesona.

A. Ny zava-nisy
- Eo amin’ny lafiny pôlitika
- Eo amin’ny lafiny sôsialy
- Eo amin’ny lafiny toe-karena
- Eo amin’ny lafiny fampianarana

Raha vahavahana misimisy kokoa mantsy ny fandaharam-pianarana, dia efa


torolalana amin’ny fitondrana ny lesona sahady izany, sady ho mora ho an’ny
mpampianatra ny fitondrana ny lesona, satria avy hatrany dia ireo drafitra ireo no
arahina.

− Fandraisana mpampianatra taranja malagasy: vitsy loatra mantsy ny


mpampianatra misahana ny fampianarana ity taranja ity, indrindra raha
ampitahaina amin’ny mpampianatra any amin’ny taranja hafa. Tamin’ny
fotoana nanaovanay ny fanadihadiana, dia misy mpampianatra mampianatra
taranja malagasy mampianatra mandritra ny adiny 20 isan-kerinandro; ny
any amin’ny taranja hafa toy ny H.G, S.V.T anefa misy manao adiny valo (8)
fotsiny isan-kerinandro. Ny tiana hahatongavana, dia izao: mba hatao
mifanahantsahana ny fotoana iasan’ny mpampianatra rehetra.

Toy izay sy toy izay no soso-kevitra azonay aroso ho an’ny fanjakana


mikasika ny fanatsarana ny famolavolana ny fandaharam-pianarana, fa ndeha
hiroso amin’izay azo atao ho fanatsarana ny sekoly.

34
Allal LINDA, « Evaluation : lien entre enseignement et apprentissage », in Enseigner, p. 144 :
« Le curriculum est contitué du plan d’études précisant les objectifs à atteindre à chaque etape de
la scolarité, des demarches didactiques préconisées, du matériel destiné à l’ enseignant et aux
élèves »

--117
131 --
1.4.2. Fanatsarana ny sekoly

Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay avy


ny sekoly. Toerana fandratoana fahalalana izy, fanovozana fanabeazana, toerana
ianarana ny fifaneraserana amin’ny hafa…Toerana famolavolana feno ny
mpianatra. Hoy i M. DEBESSE
“Tontolo tsy maintsy lalovan’ny ankizy rehetra ny sekoly, tontolo
izay tsy mitovy amin’ny tontolom-pianakaviany: natao
handraisan’ny ankizy fahalalana sy fanabeazana, fa tsy hoe irina na
hotiavina fotsiny, tontolo tsy natao hanomezana fahafaham-po ny
fiainana sy ny fihetseham-po, fa natao hiasana, hanarahana fitsipika
mitohy voarindra, hivondronana sy hivelaran’ny ankizy, fa tsy
hifintinany akory35”. Ilaina araka izany ny fanatsarana ny sekoly.

Ny ankamaroan’ny fotoanan’ny mpianatra, dia any an-tsekoly. Koa mba


hahatonga azy ho tamana sy hazoto hianatra, dia tokony hanao fanatsarana sy
fikojakojana ny fanjakana. Ny fahitan’ny maso toerana voakarakara tsara mantsy,
dia mitondra fahamiranana sy filaminan-tsaina. Araka izany, dia soso-kevitra ho
amin’ny fikojakojana ny toerana misy ny sekoly, sy ny endriky ny sekoly, ary ny
fanatsarana ny fitaovana ampiasaina no aroso manaraka eto.

− Ny toerana

Toerana mba milamina (lavitry ny korontana, toy ny arabe


fifamoivoizan’ny fiarakodia, trano fandefasana haronan-tsarimihetsika ...) sy madio
no toerana tokony hisy ny sekoly. Izany hoe: toerana azo iainana sy ahitana
fitonian-tsaina. Ny fianarana ataon’ny mpianatra mantsy, dia mila fitoniana sy risi-
po. Tokony ho toerana malalaka hisian’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena,

35
DEBESSE Maurice, Cahier pédagogie moderne Psychologie de l’enfant , Collection pour relier,
Librairie A Collin, 103 boulevard saint Michel, 9è édition, Paris V 1967 : « (..), tout enfant
rencontre l’école, milieu presque entièrement différent du milieu familial : milieu où l’enfant est
accueilli mais non essentiellement désiré ou aimé, milieux n’ont de satisfaction vitale et affective,
mais de travail, de discipline continue organisée, collectivité d’enfants au lieu de groupe restreint
ou chaque enfant compte d’abord comme individu »

- 118 -
- 132 -
satria efa voalaza tany aloha, fa any an-tsekoly dia tsy natao ho toerana fanabeazana
ny saina fotsiny, fa ianarana any koa ny fanabeazana na ny fikolokoloana ny vatana
amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahan-tena samihafa. Ilain’ny mpianatra ny
mampifandanja ny asan’ny saina sy ny asan’ny vatana, mba hahazoany
fahasalamana tsara, ka hahafahany mamita ny fianarany. Ny tomady, hono, no
matsilo.
Toerana tokony hifefy ihany koa. Ilaina ny fefy mba hiarovana ny mpianatra
amin’ny loza maro samihafa, sy mba hanamora ny fanaraha-maso azy ireny
mandritra ny fotoana ianarany.
Efa misy ihany koa ny fefy manodidina ny Lycée Nanisana; saingy ny fefy amin’ny
manasaraka azy amin’ny C.E.G no ilàna fanamboarana. Tsy misy mantsy izany fa
ny vatan-drindrina amin’ny “batiment” misy ny kilasy famaranana ihany no misolo
azy. Vokany, rehefa maka rivotra ny mpianatra ao amin’ny C.E.G ( tsy mitovy moa
ny fotoana fakan-drivotra ho an’ny Lycéé sy ny C.E.G), dia ny tabataban’ankizy
madinika sy ny korontana no re any an-dakilasy, hany ka tsy mitombina amin’ny
fampianarana ny sain’ny mpianatra. Ny mpianatra any amin’ny kilasy famaranana
no tena tratran’izany toe-javatra izany. Tokony hanao fefy avo manasaraka ireo
ambaratonga roa ireo ny sekoly mba hisorohana izany toe-javatra izany.

Efa mba hita soritra ihany ireo fepetra mikasika ny toerana tokony hisy
ny sekoly ireo; saingy ny toerana natokana ho amin’ny fanaovana fanatanjahan-tena
no tsy manara-penitra, ka mbola ilana fanamboarana betsaka.

− Ny endriky ny sekoly

Voafaoka ato amin’ity endriky ny sekoly ity avokoa, na ny endrika


ivelan’ny sekoly, na ny endrika anatiny. Ny endrika ivelany no anombohana azy.

Ny endrika ivelan’ny sekoly

Ny sekoly , dia tokony hanana endrika ivelany mahafinaritra, izany hoe:


mba sekoly tokony ho voakarakara no andraisana mpianatra. Tokony ho
voakarakara, satria any no toerana ifamezivezen’ny mpianatra sy ny tompon-
draharaha maraina sy hariva. Araka izany, tokony hanao ezaka ny tompona

- 119 -
- 133 -
andraikitra amin’ny fanamboarana ny tafo, amin’ny fandalorana ny rindrina,
amin’ny fandokoana ny lavarangana, amin’ny fanatsarana ny varavarankely sy ny
varavarambe sns. Ny fahitan’ny mpianatra ny fikojakojana izany, dia hahatonga azy
haka tahaka , ka hampihatra ny zavatra hitany tany an-tsekoly any an- tranony, any
amin’ny fiarahamonina misy azy, mba hanana endrika kanto. Izany hoe, efa
fanomezana fanabeazana ho an’ny mpianatra mba hahay hanatsara sy hikarakara
izay zavatra ananany sahady ny fahitany ny sekoly voakarakara tsara.

Ilaina ny fanavaozana ireo rehetra voalaza ireo any amin’ny Lycée


Nanisana , satria efa tranainy loatra mantsy ny fahitana ny endrika ivelan’ny
sekoly.
Ny endrika anatin’ny sekoly

Ny ivelan’ny sekoly aza moa voalaza teo fa mila fikarakarana, mainka


fa ny ao anatiny. Ilàna fikarakarana mihoatra lavitra noho izay natao tamin’ny teny
ivelany izany, satria ao no toerana anaovana ny fampianarana mandritra ny ora
maromaro isan’andro. Tafiditra ao anatin’ny ilàna fanatsarana ny dabilio
ianaran’ny mpianatra, ny solaitra be ampiasaina isaky ny kilasy tsirairay, ary
indrindra ny halehiben’ny efitrano fianarana sns. Ireo zavatra telo ireo no asiana
teny eto , satria ireo no heverinay fa lehibe indrindra tokony hohatsaraina amin’ny
ao anatin’ny sekoly.

Tokony ho lehibe sy malalaka, ary azon’ny rivotra tsara ny efitrano


ianaran’ny mpianatra. Karazana olona maro, fomba fiainana samy manana ny azy,
mpianatra sy mpampianatra samy manana ny toe-pahasalamany mantsy no
atambatra hiara-monina ao anatina efitra iray . Ilaina araka izany ny
fahalehibeazan’ny efitrano fianarana, mba tsy hisian’ny fahasorenana, sy
hisorohana ny fitrangana toe-javatra tsy ampoizina, toy ny fahasemporana noho ny
tsy fahampian’ny rivotra iainana ao an-dakilasy... mandritra ny fanatanterahana ny
fampianarana. Dabilio tsy mifaneritery, mpianatra mahazo toerana ara-dalàna tsara
daholo ( tsy mifampitankisina) no tokony ho hita ao an-dakilasy. Amin’izay fotoana
izay , dia inoana fa hizotra araka ny tokony ho izy ny fampianarana.

-120 -
- 134 -
Ny hita tany amin’ny Lycée Naninasa, dia antonony ihany ny
halehiben’ny efitrano fianarana; saingy ny an’ny kilasy fahafolo manokana no tena
mila fanatsarana. Lehibe aloha ny efitrano ho an’izany kilasy izany, nefa ny
mpianatra ihany koa dia maro be, mahatratra 60 isan-kilasy ny isan’izy ireo.
Vokatr’izany, feno dabilio hatrany amin’ny faran’ny rindrina. Na izany aza anefa,
dia mbola misy ihany ny mpianatra miara- mipetraka tsitelotelo. Anisan’ny
mahasarotra ny fanaraha-maso ny mpianatra rehetra ny fisiana toe-javatra tahaka
izany, ka mitarika ny faharatsian’ny voka-panadinana. Mety ho maro ny mpianatra
no tsy miraharaha ny fampianarana izay atao, fa manao zavatra hafa eo an-toerana
eo fotsiny. Tsy ary ho hitan’ny mpampianatra avokoa tsinona izay ataon’ny
tsirairay.
Tokony hanangana fotodrafitr’asa vaovao ny fanjakana mba hahafahana
mizara ny mpianatra isan-kilasy ho vitsivitsy kokoa. Araka ny maha sekolim-
panjakany azy moa , dia fampianarana maimaim-poana no atao ao, izany hoe tsy
misy sarany aloha isam-bolana, ka maro ny ray aman-dreny no mampiditra ny
zanany any. Ny tena zava-dehibe any an-dakilasy mantsy, dia ny fanofanana ny
mpianatra mba ho tonga olon’ny fiarahamonina, olona manam-panahy, tia miasa,
ary mahafantatra ny adidy sy andraikitra tokony hosahaniny, olona manana haren-
tsaina sy manana ny maha izy azy. Ny sekoly araka izany, dia manofana olona ho
lasa mpikaroka, mpanoratra malaza ... Ilaina izany ny fampihenana ny isan’ny
mpianatra iray kilasy, raha tiana ny hahatratraran’ny tsirairay ny tanjona
mananrdify azy. Tsapa fa sahirana tokoa ny mpampianatra amin’ny fampitam-
pahalalana noho ny habetsahan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy iray ( indrindra ho
an’ny kilasy fahafolo). Ny dabilio ao amin’ny Lycée Nanisana ihany koa, dia hita fa
kely, izany hoe: natao hipetrahan’ny mpianatra roa ihany. Tokony tsy ho azo
ekena izany ny mahita mpianatra telo miara-mipetraka, satria tery loatra ka mety
hiteraka fifandirana madinidinika ho an’ny samy mpianatra izany. Tokony tsy
hohadinoina, fa ny tsy fifankahazoan’ny mpianatra iray kilasy, dia antony iray tsy
mampahomby ny fampianarana, satria lasa tsy mahay mifanampy sy miara-miasa
izy ireo. Ampahany amin’izay fanatsarana tokony hatao mikasika ny ny endriky
ny sekoly ihany ireo naroso ireo. Antenainay anefa fa mba hanampy kosa amin’ny
fampandehanana ny fampianarana raha toa ka raisina ho andraikitra ny
fanatanterahana izany. Ndeha hiroso amin’ny fanolorana soso-kevitra momba ny
fampitaovana ny sekoly.
-121 -
- 135 -
1.4.3. Famatsiana fitaovana ny sekoly

Fahombiazana no tanjon’ny sekoly amin’ny fampianarana. Anisan’ny


zava-dehibe manana ny anjara toerany amin’ny fanatrarana izany fahombiazana
izany ny fitaovana ampiasaina ao an-tsekoly ao. Ny fitaovana resahana eto, dia
mikasika ny boky aman-tahirin-kevitra, izay tena manampy betsaka ny
mpampianatra sy ny mpianatra tokoa eo amin’ny fanatanterahana ny fampianarana
sy ny fiatrehana ny fianarana. Nahitana tsy fahampiana izany tamin’ny fotoana
nanovana fizaran’asa sy tamin’ny fiatrehana ny fampianarana tany amin’ny Lycée
Nanisana, ka izany no antony hiresahana azy manokana.

Ilaina araka izany ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny


fampitaovana ny sekoly, indrindra fa eo amin’ny fampitomboana ny isan’ny boky
aman-tahirin-kevitra.
Tokony tsy hohadinoin’ny fanjakana, fa na dia tsara rafitra toy inona aza ny
fandaharam-pianarana atolotra, na dia mpampianatra efa nomena fanofanana
nandritra ny taona maro aza no ampiandraiketana ny asa fampianarana, na dia tsara
toy inona aza ny fitsipika ifampifehezana any an-tsekoly, dia tsy ho lavorary ny
fampianarana atao, raha tsy misy ny fitaovana hoentina manatanteraka izany. Ireo
mpampianatra ireo, na dia efa manana fahalalana maro samihafa mikasika ny
taranja ampianariny aza, dia mila boky aman-tahirin-kevitra mba hahafahany
manitatra sy manampy izany fahalalany izany, satria ny fahalalana rehetra dia tsy
ary ho azony avokoa tamin’ny fiofanana nataony. Ny tena mpampianatra rahateo
koa moa, dia izay manana toe-tsaina tia karokaroka hatrany amin’ny alalan’ny
famakiana boky, gazety..., amin’ny fanarahana ny vaovao mikasika ny
fampianarana sy ny zava-misy samihafa ao amin’ny firenena. Manampy azy
amin’ny fiatrehany ny asa-fampianarana ataony izany rehetra izany.
Ny mpianatra ihany koa, dia mila boky satria tsy mpandray fahalalana fotsiny izy
ireo any an-dakilasy, fa misy asa atokana ho azy sy asaina ataony. Anisan’ny
fitaovana manampy azy hahafahany mamita izany anjara asany izany ny boky
aman-tahirin-kevitra.

- 122 -
- 136 -
Raha lazaina amin’ny fomba tsotra, dia fitaovana iray manana anjara asa
misongadina ny boky eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ka tsy tokony hatao ho
ambanin-javatra. Manamafy izany i CH. CHARRIER R. OZOUF, raha nilaza fa: “
sarobidy ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ny boky [...] tsy milaza mazava
ny lesona fotsiny izy, fa mameno izany ihany koa36”

1.5. Tolo-kevitra ho an’ny ray aman-dreny

Ny ray aman-dreny dia manana manana adidy amin’ny zanaka, dia ny


famelomana, sy ny fikarakarana azy, ary ny fampidirana azy any an-tsekoly. Tsy
vitan’ny hoe, alefa any an-tsekoly fotsiny anefa ny zanaka, fa mila fanaraha-maso
sy fanampiana eo amin’ny lafiny maro izy ireo mba hahafahany miatrika ny
fianarany. Ireto zavatra telo manaraka ireto no androsoana soso-kevitra ho an’ny
ray aman-dreny, mba hahafahany manampy ny zanany amin’ny fianarana ataony:
ny fanovana ny toe-tsaina entiny miatrika ny taranja Malagasy, ny fanarahany maso
ny fianaran-janany, ary ny fampitaovana azy ireo. Ireo no hojerena misesy.

1.2.1. Fanovana ny toe-tsaina manoloana ny taranja malagasy

Hita tany amin’ny fizarana faharoa, fa manana fomba fijery tery


mikasika ny taranja malagasy ny ankamaroan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra
nanaovanay fanadihadiana. Ny ray aman-dreny no olona manana andraikitra be
indrindra amin’ny fanabeazana ny zanaka. Koa amin’ny fitaizana azy ireo,
indrindra eo amin’ny fahatanorany , satria efa mpianatra any amin’ny ambaratonga
faharoa (Lycée) izy ireo, dia ilàna fitandremana ny fihetsika aseho azy. Mbola tsy
azo lazaina ho olon-dehibe, nefa tsy azo atao ho zaza intsony mantsy ny ankizy
tafakatra any amin’ity ambaratonga ity, ka manahirana ny fitaizana azy. Tsara araka
izany raha manolotra soso-kevitra ho azy ireo, ahafahany mandanjalanja ny tokony
hataony.

36
CH. CHARRIER, R. OZOUF , in Pédagogie vecue, Fernand Nathan , Imprimé en France,
1948,p. 57 , 58 : « Le livre est un précieux auxilliaire, pour l’élève et pour le maître tout à la fois
[…] Le livre ne précise pas seulement la leçon, il la complète »

-123 -
- 137 -
Manoloana ny taranja ianaran’ny ankizy any an-tsekoly, dia tsy tokony
ho ny ray aman-dreny indray no hanome fianarana ratsy ho an’ny zanaka, toy ny
fanaovana tsinontsinona ny sasany amin’izy ireny. Raisin’ny mpianatra ho azy ny
toetsain’ny ray aman-dreniny, ary asehony any am-pianarana izany. Eo no
ahalalana fa mbola tsy matotra ireo mpianatra ireo, ary mora mirona amin’ny
hevitry ny hafa. Tokony hialàna araka izany, ny toe-tsaina maneho fa “ny taranja
malagasy, dia efa hay na hay ho azy, satria Malagasy ny tena. Tsy tokony
hianarana na handaniam-potoana ny teny malagasy, fa aleo mianatra zavatra hafa,
toy ny fianarana teny angilisy, teny frantsay”.

Anjaran’ny ray aman-dreny tokoa ny mampirisika ny zanany amin’ny


fianarana ny teny vahiny, indrindra fa amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao,
nefa tsy midika ho tsy firaharahiana ny an’ny tena akory izany. Misy fomba fiteny
manao hoe: “ Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”. Izany hoe:
asandratra ho ambony ny an’ny tena, atao izay hahaizana azy mihoatra lavitra noho
ny fahaizana ny teny vahiny , nefa ezahana ihany koa izay ahafahana mifehy izay
ankoatra ny an’ny tena, dia ny teny vahiny izany

Ny ray aman-dreny izany, dia tokony hampirisika ny zanany ho liana


mihitsy amin’ny fianarana ny tranja malagasy, ary tokony hanome lanja ny
fahazarana mampiasana izany any an-trano, mba hahafahan’ny ankizy manome
hasina ny teny malagasy izay mirakitra ny maha Malagasy azy.

1.2.2. Fanaraha-maso ny fianaran’ny zanaka

Raha tian’ny ray aman-dreny ny hahombiazan’ny zanany eo amin’ny


fianarany, dia tsy maintsy manara-maso azy ireo, izy fa tsy hianona fotsiny amin’ny
fandefasana azy any an-tsekoly. Maro amin’ireny mpianatra any amin’ny Lycée
ireny mantsy, no mbola manao fisainan-jaza, ka rehefa te hianatra izy dia mianatra,
ary rehefa kamokamo izy dia mijanona. Raha ny hita tao amin’ny TD 3 mantsy, dia
misy mpianatra tsy mbola mahafolaka ny tenany hianatra. Kamo izy dia tsy mety
mandray lesona, fa matory fotsiny! Rehefa tenenina anefa izy dia tsy miraharaha,
ary dia lasa mivoaka any an-tokontany any, ka tsy miverina intsony raha tsy tonga
ny ora firavana. Na dia efa any amin’ny kilasy famaranana aza ny mpianatra sasany

- 124 -
- 138 -
(efa handao ny Lycée), dia mbola tsy mahalala ny tokony hataony ihany. Ilaina
izany ny fanaraha-maso azy ireny.

Ilaina ny fanaraha-maso ny zanaka rehefa tonga any an-trano.Tsy


avela hilalao na hirenireny fotsiny, na avela hanao ny sitra-pony izy ireny, fa omena
andraikitra hosahaniny. Rehefa tsy zatra miasa mantsy ny ankizy any an-trano, na
dia any an-dakilasy , eny mety ho amin’ny fotoanan’ny fanadinana aza izy, dia ny
zavatra mahazatra azy ihany no masaka ao an-tsainy. Any an-dakilasy anefa, dia
misy lalàna natao ifampifehezana, ary misy asa tsy maintsy atao, mety hisy enti-
mody ihany koa. Raha ankizy tsy mahafehy ny tenany hianatra, dia ho sahirana izy
eo amin’ny fanatanterahana izany. Tsara ho an’ny ray aman-dreny ny mampirisika
ny zanany handeha hianatra, hamerina ny lesona natao tany an-dakilasy rehefa any
an-trano, hanentana azy hanao ny enti-mody... indrindra fa amin’ny taranja
malagasy.
Ny mety ho tonga ao an-tsain’ny maro anefa , raha vao miresaka hoe:
manara-maso ny fianaran’ny zanaka, dia ny fanadinana lesona azy , na ny
fampanaovana asa mikasika ny lesona nataony tany an-dakilasy, ary ny fitsarana
izany. Mametraka olana ihany ity soso-kevitra iray ity, satria raha toa ny ray aman-
dreny ka ambany kilasy noho ny zanany, dia tsy ho afaka hanao izany izy, noho ny
tsy fahampian’ny fahalalany, na mety ho sahirana izy noho ny fivelomana. Ny
fanabeazana anefa tsy vitan’ny sekoly irery, fa tena ilaina ny fanampian’ny ray
aman-dreny ny zanany eo amin’ny fianarana izay ataony. Fanabeazana mitohy no
tokony ho hita taratra. Azon’ny ray aman-dreny atao, ohatra, ny mampihena ny asa
am-panaovina ny ankizy mandritra ny taom-pianarana. Marihina tsara fa
fampihenana ny asa ampanaovina azy any an-trano no atao, fa tsy fanafoanana ny
asa rehetra tokony hataony akory. Mba hanokanana fotoana hianarany sy
hamerenany ny lesona izy ireo any an-trano (mety ho amin’ny hariva alohan’ny
hatory, na amin’ny maraina alohan’ny handehanan’ny ankizy any an-tsekoly, na
amin’ny faran’ny herinandro). Efa anisan’ny fandrisihana ny zanaka hianatra ny
fampiharana sy ny fanaovana izany. Amin’ireny fotoana atokana ianarany any an-
trano ireny, dia entanina izy ireo handamina ny fomba fianarany (ianarana daholo
ny taranja rehetra tsy ankanavaka). Ny ray aman-dreny mihitsy no mila mandentika
ao an-tsain’ny zanany fa ilaina ny fianarana ny taranja malagasy, mba hahamora ny
fandresen’ny mpampianatra lahatra azy any an-tsekoly.

- 125 -
- 139 -
1.2.3. Fampitaovana ny zanaka

Iraha-mahalala ny fahasarotan’ny fiainana ankehitriny, noho ny tsy


fisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Na izany aza anefa, dia tokony hataon’ny
ray aman-dreny ho laharam-pahamehana mihitsy ny fampitaovana ny zanany. Raha
tsy ampy mantsy ny fitaovana ampiasainy, dia tsy fahombiazana no ho
vokatr’izany eo amin’ny fianarany.

Tsara ny ray aman-dreny raha mba mikely aina amin’ny famatsiana ny


zanany ara-pitaovana. Ny tsy fahampian’izany, dia mety hahatonga ny ankizy
halaina amin’ny fandehanana mianatra. Anisan’izany fitaovana izany ny kahie, ny
penina isan-karazany, ary ny lehibe indrindra, nefa hamaivanin’ny ankamaroan’ny
ray aman-dreny , dia ny boky. Ekena fa misy boky any an-tsekoly , na any amin’ny
tranom-boky samihafa any, nefa raha manampy amin’ny fandraisana andraikitra
amin’ny fividiana izany ny ray aman-dreny, dia inoana fa hizotra tsara ny
fianaran’ny ankizy. Ilàna fandavan-tena anefa ny fanatanterahana izany rehetra
izany, indrindra fa ho an’ireo ray aman-dreny somary sahirana eo amin’ny
fivelomana. Azo atao ohatra ny manokana ny ampahany amin’ny karama raisina
isam-bolana mba hividianana fitaovana ho an’ny zanaka, na manokana vokatra avy
amin’izay nambolena, na avy amin’izay nompiana, havadika ho vola hividianana
fitaovana ho an-janaka. Fomba maro no azo atao mba hahafahana manatanteraka
izany, arakaraka izay zava-misy eo an-tanana.

Toy izay no tolo-kevitra entina manampy ny ray aman-dreniny


amin’ny fanabeazana ny zanaka, fa ndeha hiroso amin’ireo tolo-kevitra ho an’ny
mpianatra.

- 126 -
- 140 -
1.3. Tolo-kevitra ho an’ny mpianatra

Manana olana ny mpianatra amin’ny fiatrehana ny taranja malagasy.


Miankina amin’ny mpianatra tsirairay izany olana izany. Misy ny mahatsapa fa tsy
tian’ny mpampianatra taranja malagasy izy ( toy ireo mpianatra ao amin’ny kilasy
voalohany 1ère D3), misy kosa no milaza fa eo amin’ny fomba fanoratana ny teny
malagasy ( tsipelina) no manahirana amin’ity taranja ity; ho an’ny sasany indray,
dia eo amin’ny fianarana ny tantaran’ny literatiora no mametraka olana. Mba
hahafahana mamaha ireny karazan’olana ireny, dia ireto misy soso-kevitra azon’ny
mpianatra raisina hahafahany miatrika ny fampianarana ny taranja malagasy amim-
pitoniana: tsara raha manaja ny mpampianatra hatrany ny mpianatra, ilaina ny
fiverenana amin’ny lesona natao tany amin’ny kilasy ambany, azo atao ny
mampifandray ny taranja malagasy amin’ny taranja hafa.

1.3.1. Fanajana ny mpampianatra

Na inona na inona zava-mitranga ao an-dakilasy, ny mpianatra dia


tokony hanaja ny mpampianatra hatrany. Tokony hanaja ny mpampianatra , satria
ny mpampianatra dia maka ny toeran’ny ny zoky ray aman-dreny, izay manabe ny
ankizy any an-tsekoly. Tsy misy angamba ray aman-dreny ka ho sahy hanolo-bato
mafana ny zanany. Izany akory tsy midika hoe: manaiky izay rehetra ataon’ny
mpampianatra foana, na mety na tsy mety ataony. Ny fifampiresahana mivantana ao
an-dakilasy no tokony ho vahaolana horaisina raha vao misy fihetsika na toetra
manahirana ataon’ny an-daniny na ny an-kilany. Amin’izay fotoana izay, dia hivaha
avy hatrany ny olana. Raha misy moa olana tsy mety ho voavaha amin’ny
fifampiresahana, ny fitsipika mifehy ny sekoly, dia ampy hametra ny fihetsika
tokony hananan’ny tsirairay, na ny mpianatra, na ny mpampianatra.

- 127 -

- 141 -
1.3.2. Fiverenana amin’ny lesona tany amin’ny kilasy ambany sy
famakiana boky

Eo amin’ny olana momba ny tsipelina indray, dia tokony tsy


hohadinoin’ny mpianatra fa mifampitohy ny fianarana ny taranja malagasy, hatrany
amin’ny kilasy ambany indrindra, ka hatrany amin’ny kilasy ambony indrindra.
Izany hoe: ny zavatra hay tany amin’ny kilasy ambany (6è -3è), dia tokony tsy
hariana, fa ampiasaina foana, indrindra fa ny tsipelin-teny. Any amin’ny
ambaratonga faharoa mantsy, dia tsy misy ny fandaharam-pianarana manokana
mikasika izany, fa eny anelanelan’ny lesona eny ny mpampianatra no manararaotra
mampahatsiahy izany. Na izany aza anefa, dia misy isa omena ny tsipelina any
amin’ny fanadinana an-tsoratra. Izany hoe, na tsy misy ora voatokana ho an’ny
tsipelina aza, dia tsy foana akory ny fisiany , saingy mifamatotra amin’ireo zana-
taranja roa foana, dia ny riba sy ny literatiora. Zana-taranja telo tsy afa-misaraka
ireo fa mifandrohy hatrany. Noho izany, ny lesona natao tany amin’ny kilasy
ambany izany no tokony haverin’ny mpianatra ianarana, raha manana
fahasahiranana izy eo amin’ny fomba fanoratana ny tany malagasy, mba
hanampiana izay fampahatsiahivana ataon’ny mpampianatra.

Vahaolana azo aroso ho an’ny mpianatra ihany koa anefa ny


fahazotoana mamaky boky samihafa, toy ny tantara, Rakibolana, gazety…. Any
amin’ireny boky ireny mantsy no ahitana fomba fanoratana mety hanampy
amin’ny fifehezana ny fomba fanoratana ny teny malagasy, sady manampy ihany
koa amin’ny fahitana hevitra samihafa mikasika ny lohahevitra ianarana ao amin’ny
taranja malagasy. Mahatonga ny mpianatra hanana haren-tsaina betsaka ny
famakiana boky.

1.3.3. Fampifandraisana ny taranja malagasy amin’ny taranja


hafa

Manahirana ny mpianatra mihitsy ny mianatra ny tantaran’ny literatiora


any amin’ny ambaratonga faharoa, noho ireo daty tsy maintsy tadidiana sy noho ny
halavan’ny lesona. Tokony ho mora ho an’ny mpianatra anefa ny mianatra izany,
satria efa hitany any amin’ny taranja Tantara (histoire) ny ankamaroan’ny zava-
misy any amin’ireny vanim-potoana isan-karazany ireny. Ny fanarahana tsara ny

- 128 -
- 142 -
fampianarana ataon’ny mpampianatra isan-taranja, sy ny fampifandraisana izany
amin’ny taranja hafa izay misy lesona mitovy aminy, ary ny fanaovana famintinana
isaky ny mahavita lohahevitra iray no fomba fianarana tsotra dia tsotra tokony
hataon’ny mpianatra , mba hahatonga azy tsy ho sahirana amin’ny fianarana ny
lesona rehefa akaiky ny fotoana fanaovana fanadinana, indrindra fa amin’ny
fitadidiana ireny daty malaza ireny.

. Raha mahay mampifandray ny taranja malagasy amin’ny taranja hafa,


toy ny taranja Filôzofia, Frantsay, Tantara sns ny mpianatra, fa tsy mampitoka-
monina azy, dia hihena ny fahasahiranana eo amin’ny fianarany. Ezaka tokony
hataony izany, satria tsy taranja iray fotsiny no ianarany amin’izay fotoana izay, fa
taranja roa na mihoatra avy hatrany. Izany hoe, raha taranja malagasy mikasika ny
tantaran’ny literatiora no ianarany any an-trano, dia efa mianatra sahady ny taranja
tantara ihany koa izy; raha miantra Filôzôfia izy, dia efa miantra ny Riba . Misy
tombontsoa kokoa ny fampifandraisana ny taranja ianarana araka izany, ka raha te
hahomby amin’ny fianarany ny mpianatra ,dia tokony handray izany fomba fianatra
izany, na hanangana fomba fianatra vaovao heveriny fa hampahomby ny tenany. Ny
tsy tokony hohadinoin’ny mpianatra, dia ny hoe: “manana andraikitra amin’izay
mety ho fahombiazany na ny tsy fahombiazany izy37”, araka izay nambaran’i J.
TARDIF

1.4. Tolo-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mba hahitana fahombiazana eo amin’ny asa fampianarana, ny


mpampianatra taranja malagasy, dia tokony hahafehy tsara ireto zavatra telo loha
ireto: voalohany, ny fomba fiasa , faharoa, ny fifandraisana amin’ny mpianatra ,
ary ny fahatelo, dia ny fampandraisana anjara ny mpianatra mandritra ny
fanatanterahana ny fampianarana. Heverinay , fa hitondra mankany amin’ny
fahatsaran’ny vokatry ny fampianarana ny fanatontosan’ny tsirairay azy ireo, koa
izany indrindra no tanjona amin’izao fandrosoana soso-kevitra izao.

37
J. TARDIF, Op. Cit, p. 307 : « L’élève a une grande part de responsabilité dans ses réussites et ses
échecs »

- 129 -
- 143 -
1.4.1. Fanatsarana ny fomba fiasa

Zava-dehibe ho an’ny mpampianatra ny fananana fomba fiasa hentitra


dieny any amin’ny fiantombohan’ny taom-pianarana. Ny fananany , dia ahafahana
misoroka izay mety ho tsy fahavitan’ny lesona voasoritra ao amin’ny fandaharam-
pianarana. Manampy ihany koa amin’ny fialana amin’ny fanaovana fampianarana
kitoatoa. Ireto misy tolo-kevitra azon’ny mpampianatra taranja malagasy raisina,
mba hanatsarana izany fomba fiasa izany: ny fitsinjarana asa mialohan’ny
fidiran’ny mpianatra, ny fitsinjarana ny fotoana, ary ny fametrahana dingana
mazava amin’ny fanatanterahana ny fampianarana. Ny mikasika azy ireo no
hojerena misesy.

1.4.1.1. Ny fitsinjarana asa

Asa iray tsy maintsy ataon’ny mpampianatra mialoha ny fitsinjarana


asa amin’ny ankapobeny mialohan’ny fidirana, na farafaharatsiny raha vao
manomboka ny taom-pianarana. Ny atao amin’izany, dia ny fametrahana ny
lohahevitra tsirairay voalahatra ao amin’ny fandaharam-pianarana amin’ny toerana
tokony hisy azy. Tsy maintsy manao fantina amin’izay fotoana izay mba hisian’ny
rindra ( progression) amin’ny vontoatin-desona omena ny mpianatra. Manampy ny
mpianatra ho liana amin’ny fiatrehana ny taranja malagasy ny fahitana izany
fitohizan’ny lesona izany. Atomboka avy any amin’ny mora indrindra, mankany
amin’ny sarotra indrindra ny fitsinjarana ny lesona. Ohatra: Fanadihadiana
lahatsoratra aloha vao famakafakan-kevitra sns. Kendrena ihany koa mba
hifanaraka amin’ny fampianarana ataon’ny mpampianatra hafa. Ohatra: Rehefa
manao lesona mikasika ny famoaboasan-kevitra ny mpampianatra any amin’ny
taranja Filôzôfia sy ny mpampianatra taranja frantsay, vao manao izany ny
mpampianatra taranja Malagasy, mba tsy hanano sarotra ny fomba fampianarana sy
ny fampitana azy any amin’ny mpianatra.

- 130 -
- 144 -
Tokony hisy rindra ihany koa eo amin’ny fandaharana ny lesona riba. Ohatra:
− Tsangan-kevitra aloha: hevitra natsangana natao ho filamatra, toy ny
Marina – Rariny – Hitsiny.
− Manaraka izany ny Finoana: Ny Tsiny sy ny Tody; ny Anjara – Lahatra –
Vintana – Tendry; Andriamanitra - Razana – Zanahary.
− Farany ny fomba itondran’ny Malagasy ny fiainana: Fitsimbinana ny aina.
Atao amin’ny farany mihitsy io, noho izy mamintina ny lesona rehetra.
Ny mikasika ny tantaran’ny literatiora moa, dia efa tokony hisesy arakaraka ny
vanim-potoana, mba hanamora ny fandraisan’ny mpianatra azy.

1.4.1.2. Ny fitsinjarana ny fotoana

Rehefa vita ny fitsinjarana asa amin’ny ankapobeny, dia manao ny


fitsinjarana asa isaky ny telo volana indray ny mpampianatra araka izay sahaza ny
mpianatra. Tsy maintsy jerena ny lanjan’ny lohahevitra: mety misy ny sarotra ho
an’ny mpianatra no mandray azy, izay tsy maintsy handaniana fotoana betsaka mba
ho fahaizana mazava no ho voarain’ny mpianatra, sy hiraikitra ao an-tsainy.
Ohatra1: Ho an’ny kilasy fahafolo, ny lesona mikasika ny tekinikan’ny
fanadihadiana lahatsoratra, dia ilàna fotoana maharitraritra ny fampianarana azy.
Hamafisina tsara mba ho voafolaky ny mpianatra dieny any amin’ny kilasy fototra,
satria hiasany foana izy io hatrany amin’ny kilasy famaranana, ary hanadinana any
amin’ny “baccalaureat”.
Ohatra2: Ho an’ny kilasy voalohany, fanamafisana ny fanadihadiana lahatsoratra
aloha, vao miditra amin’ny tekinikan’ny famakafakan-kevitra.
Amin’ny riba, ny fampianarana ny tsangan-kevitra: Marina – Rariny – Hitsiny, ary
ny Hasina, dia tena mandany fotoana betsaka mihitsy sady be adihevitra. Noho
izany, mitaky fotoana lava ny fanatontosana ny fampianarana azy ireo.
Ohatra3: Ho an’ny kilasy famaranana, ny lesona mikasika ny finoana
an’Andriamanitra – Razana – Zanahary, no anokanana fotoana misimisy kokoa.
Betsaka mihitsy ny adihevitra ao an-dakilasy amin’ireo lohahevitra ireo.

Ilaina tokoa ny fanaovan’ny mpampianatra ny fitsinjarana fotoana, mba


ho fanatsarana ny fandaminana ny fampianarana, indrindra mba hialana amin’ny
fanaovana fampianarana tolotra noho ny tahotry ny tsy fahampian’ny fotoana.

- 131 -
- 145 -
1.4.1.3. Fametrahana dingana mazava hitondrana ny
fampianarana

Maneho fahaiza-miasa eo amin’ny mpampianatra, ny fananany dingana


mazava itondrana ny lesona. Dingana tokony hataon’ny mpampianatra rehetra izany
eo am-panomanana ny fampianarana. Rehefa voalamina sy voarindra tsara mantsy
ny asa hatao, dia azo antoka fa hilamina koa ny fampianarana azy.

Ohatra
a. Dingana famerenana: ity no dingana voalohany tokony hataon’ny
mpampianatra raha hampita fahalalana izy. Zava-dehibe ny fanaovana
famerenana, satria tsy hoe : mamerina fotsiny ny asa na ny lesona natao teo
aloha akory no atao amin’izany, fa mampiditra tsikelikely ny lesona vaovao
ihany koa. Mampifantoka ny sain’ny mpianatra hiatrika ny fampianarana izany.
Ankoatra izany, dia efa karazana tombana ahafahana mamantatra na tafita any
amin’ny mpianatra na tsia ny lesona natao farany. Atao mialohan’ny
hanombohana ny fampianarana io dingana io.

b. Dingana fandinihana: miankina amin’ny lesona atao ny fandinihana lazaina


eto. Raha fanadihadiana lahatsoratra no atao, dia tokony hahitana ireto dingana
ireto:
− fampianarana mamaky teny: ny vakiteny no fototra iray manamora
ny fahazoana ny lahatsoratra, ka ilaina ny fampianarana azy mialoha.
Rehefa mazava ny lahatsoratra, dia ho haingana ny fanakaran-kevitra,
izany hoe : ho mora ho an’ny mpianatra ny manadihady ny lahatsoratra.
Manamafy izany i DIDEROT, raha nilaza fa: “ Ampianarina miteny
aloha ny mpianatra alohan’ny hikirakirana hevitra”38
− fahazoana ny lahatsoratra: ankoatra ny fampianarana vakiteny, dia azo
tanterahana ihany koa ny fanazavana ireo voambolana manahirana ny
mpianatra, mba hahamora ny fanakarana ny hevitra tian’ny mpanoratra
hampiataina.

38
DIDEROT cité par E. HAZAN, in L’epreuve écrite de pédagogie , Fernand Nathan, Paris, 1970,
p. 252 : « On enseigne l’art de parler avant l’art de penser »

- 132 -
- 146 -
− fandinihana ny fehezanteny: averina dinihina tsirairay ny fahezanteny
mandrafitra ny lahatsoratra, mba hahafahana misintona ny hevitra
raiketiny.
− fananganana drafitra itondrana ny fanadihadiana: rehefa vita izany
rehetra izany, dia afaka manangana ny drafitra itondrana ny
fanadihadiana amin’izay. Tokony ho hita ao ny Hevi-dehibe na ny
Renihevitra telo lehibe, arahina zana-kevitra sy porofo mazava nalaina
tao amin’ny lahatsoratara.

− fandrafetana ny asa: ny fandrafetana ny asa no dingana amaranana azy.


Mandrafitra ny teny fampidirana, sy ny famelabelarana, ary ny teny
famaranana.

Rehefa mipetraka mialoha ny dingana itondrana ny fampianarana, na ny


mpianatra aza, dia mahatsiaro fa misy lôjika ny fomba nitondran’ny mpampianatra
ny fampianarana izay nataony, ary mizatra tsikelikely amin’ny fampiharana izany
izy eo amin’ny fanatanterahany ny asa asaina ataony.

e. Dingana fampiharana: atao ao aorian’ny fanaovana ny lesona, mba


hampidirana tanteraka ao an-tsain’ny mpianatra ny lesona manontolo. Izany hoe:
tsy azo atao ny mianina fotsiny amin’ny fieritreretana fa azon’ny mpianatra, na
voarainy ny fampianarana, fa tsy maintsy manao fampiharana mba hampilentika
izany ao an-tsainy.

1.4.2. Fanatsarana ny fifandraisana ao an-dakilasy

Ny endriky ny fifandraisana, na ny fifaneraserana ao an-dakilasy, dia


misy akony lehibe any amin’ny fampianarana. Manamafy izany i A. MAREVIL,
raha nilaza fa: “miankina amin’ny rivotra iainana ao an-dakilasy ny vokatra azo
avy amin’ny fampianarana39”. Ilaina araka izany, ny fanatsarana ny fifandraisana
misy ao an-dakilasy, dia ny fifandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra, sy ny
fifandraisan’ny mpianatra samy mpianatra, mba hahazoana vokatra tsara eo

39
A. MEREVIL, in Guide pédagogique, BRODAR – TAUPIN, paris 1971, p. 56 : « Le resultat
scolaire dépend du climat dans la classe ».

- 133 -
- 147 -
amin’ny fampianarana izay atao. Ireto misy tolo-kevitra vitsivitsy azo raisina ho
fanatanterahana izany: fametrahan’ny mpampianatra fitsipi-pifehezana mazava,
fanehoana amin’ny mpianatra ny toetra mendrika ny maha mpampianatra, ary ny
fahaizana mifehy ny habaka sy ny fotoana mandritra ny fampianarana.

1.4.2.1. Fametrahana fitsipi-pifehezana mazava

Mba hisorohana ny korontana, sy izay mety ho fanelingelenana hiseho


ao an-dakilasy mandritra ny fotoana ampinarana, dia tsara ny mpampianatra raha
mametraka fitsipika mazava ifampitondrany amin’ny mpianatra dieny any amin’ny
fihaonana voalohany amin’ny mpianatra ao amin’ny kilasy iray.

Azo atao, ohatra, ny mametraka, fa ny mpampianatra no mpifehy ao an-


dakilasy, izany hoe: izy no lehibe indrindra. Ny ataon’ny mpampianatra, dia ny
manambara amin’ny mpianatra ireo andraikitra samihafa sahanina amin’izay maha
mpifehy ny tena ao an-dakilasy izay, toy ny fandaminana ny toerana tokony hisy ny
mpianatra tsirairay, ny fanomezana asa ny mpianatra, ny fandaminana ny korontana
mety hiseho sns. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja ny fihetsika haseho amin’ny
olom-pehezina (mpianatra), fa tsy ny hanampatra ny fahefana na hampihatra didi-
jadona no atao. Mahatonga elanelana be loatra eo amin’ny roa tonta ny fiheverana
toy izany, ka tsy maintsy hahena mba tsy hisy sakana eo amin’ny fifandraisan’ny
mpianatra sy ny mpampianatra. Ny maha olon-dehibe mantsy tsy midika foana ho
ambonin’ny hafa na ho mpifehy tsy azo ifanarahana.

Porofoina mivantana amin’ny mpianatra mihitsy, fa mpifehy azo


ifampiresahana tsara ny mpampianatra, mba tsy hahatonga azy hihafihafy na
hatahotra. Ohatra, raha mametraka mpianatra iray any aloha indrindra, na any
amin’ny farany aorina nefa tsy mety izy, dia anontaniana azy izay antony
handavany na tsy ankasitrany izany, fa tsy avy hatrany, dia mampiaka-peo.

Manaraka izany, dia tokony hametraka fifanarahana eo amin’ny fomba


fiteny rehefa mandray fitenenana (ho an’ny mpampianatra, na ho an’ny mpianatra).
Apetraka dieny mialoha, fa fiteny malagasy madio rano no ampiasaina mandritra ny
fampianarana taranja malagasy, ary mila miteny mafy sy mazava daholo izay ao an-
- 134 -
- 148 -
dakilasy rehefa mandray anjara fitenenana. Na eo aza izany, ny mpampianatra koa,
dia tokony hanao ezaka amin’ny fanononana tsara ny voambolana ampiasaina: tsy
haingana loatra, ary amin’ny feo avo. Atao izay hampazava tsara sy handrenesan’ny
rehetra ny zavatra lazaina . Ilaina ny fanaovana izany , mba tsy hisian’ny
fimonomononana sy ny fanitaran’ny mpianatra ho zavatra hafa izay nambara.
Rehefa tsy reny tsara mantsy izay nambaran’ny mpampianatra, fa variana nanao
zavatra hafa izy, ohatra, dia mety havadiny ho zavatra hafa izany. Mety hiseho
amin’izany , ohatra ny hoe: ny mpianatra any aloha sns ihany no itenenana fa
izahay aty aoriana tsy raharahiana mihitsy.

Ankoatra izany, dia anisan’ny zavatra tokony tsy hohadinoin’ny


mpampianatra ihany koa, ny fanatanterahana ireo adidy miandry azy mandritra ny
fanaovana lesona. Antoka manatsara ny fifandraisana ao an-dakilasy ihany koa
mantsy ny fanaovana izany. Araka ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana
momba ny haifampianarana, izay tsy iza akory fa i Gilbert De LANDSHEERE, dia
manana anjara asa fototra lehibe fito ny mpampianatra40 mandritra ny
fampianarana. Ireto avy izany:

1. anjara asa fandaminana: ny mpampianatra no mametraka ny fitsipika


ifampifehezana ao an-dakilasy, toy ny fomba fiasa: fampandraisana
anjara ny mpianatra, ny fandaminana ny fotoana sns.
2. anjara asa fampiorenam-paka: ny mpampianatra no heverina fa
manam-pahalalana ary tompona andraikitra amin’ny fandentehana izany
any amin’ny mpianatra, ka izy no manolotra ny olana amin’ny alalan’ny
fanontanina sy mitari-dalana ny mpianatra amin’ny fanomezana
fanazavana sy vahaolana, mba hanatrarana ny tanjona.
3. anjara asa fampivelarana: anjaran’ny mpampianatra no manontany ny
mpianatra sao misy tsy mazava aminy ny fampianarana vao natao, ary
manitatra ny lesona amina sehatra hafa. Anjaran’ny mpampianatra
ihany koa, no mampirisika ny mpianatra hitady hevitra any amin’ireny
boky aman-tahirin-kevitra samihafa ireny sns. Anjaran’ny
mpampianatra ny mampivelatra ireo karazana talenta samihafa

40
La Grille de G. De LANDSHEERE:

- 135 -
- 149 -
ananan’ny mpianatra tsirairay, toy ny famoronan-java-kanto. Araraotina
ny fotoana amohazana ny talenta ao amin’ny isam-batan’olona amin’ny
alalan’ny fampanaovana fifaninanana kely, kilalaon-tsaina.
4. anjara asa fanavahana: ny mpampianatra no mahalala ny momba ny
mpianatra tsirairay, satria tsy mitovy daholo ny toetran’ny mpianatra
iray kilasy. Mety hisy kinga sy sahisahy ao, mety hisy votsa kokoa, ka
mila fitarihana manokana sns. Ilaina ny fanavahana ireny rehefa
mampianatra ahitana ny fomba itondrana ny lesona.
5. anjara asa fanehoana do-miverina miabo sy miiba: tokony hataon’ny
mpampianatra ho tsapan’ny mpianatra tsara hoe: nety na tsy nety, tena
tsara sns ny valin-teny nomeny. Mitarika azy hazoto amin’ny fiatrehana
ny taranja izany, indrindra fa amin’ny fandraisana anjara. Ohatra, raha
nety tsara ny fomba namakiny ny lahatsoratra, dia dokafana hoe izy:
“Izany ka tovolahy na tovovavy, ny feo avo tsara, ny lantom-peo
voafehy tsara, ny mari-piatoana voahaja tsara. Misaotra anao nanome
filamatra ho an’ny mpiara-mianatra”.
Ilaina ihany koa ny fanitsiana ny mpianatra nanao fahadisoana, satria
raha dokafana foana izy, dia mety tsy hiezaka mihitsy. Azo atao ny
miteny azy moramora mba tsy hahavasoka azy eo imason’ny namany.
Ny andrasana amin’ny mpampianatra mantsy, dia ny hanampy ny
mpianatra hiala amin’ny hadisoany, ny handrisika ny ankizy hianatra
hatrany.
6. anjara asa fanehoana fankasitrahana sy tsy fankasitrahana:
fifandraisana amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanehoana
fehetseham-po mifanaraka amin’ izay nolazainy, na amin’ny fihetsika
nataony no atao amin’izany, saingy tsy atao mandratra azy . Izany hoe
somary halefahana ny fanehoana azy. Ohatra: Raha tsy izy mihitsy ny
valin-teny nomeny, dia tsy vantanina hoe: “tena tsy mahay mihitsy
ianao”, fa mba atao hoe: “tsara ny nanambaranao izany, saingy
mitadiava hafahafa noho izay!”
7. anjara asa fampivainganana: atao tsapan’ny mpianatra fa tena
mitombina ny zavatra ambara. Azo atao ohatra ny mampiasa tahirin-
kevitra mazava mba hanohanana ny asa, izay azon’ny mpianatra
tadiavina; azo atao koa ny mampiasa ny solaitrabe amin’ny fanazavana
- 136 -
- 150 -
ny lesona , azo atao ny maka ohatra hita amin’ny fiainana
andavanandro, mba hahatsapan’ny mpianatra ny zavatra ambara.

Tany amin’ny sekoly notsidihinay, dia tsy hita misongadina ny


fampiasan’ny mpampianatra A sy B ny sasany tamin’ireo anjara asa tokony
hataony ireo, toy ny fanehoana fankasitrahana sy ny fanaovana do-miverina miabo.
Rehefa tsy mety anefa ny valin-teny omen’ny mpianatra, ny akon’izany no re
matetika, toy ny hoe: “Tsy izany no andrasako aminao”. Tokony hanova fihetsika
na fomba fiteny ny mpampianatra mba hahatsara ny fifandraisany amin’ny
mpianatra.
Toy izay sy izay no azo ambara mikasika ny fametrahana fitsipi-
pifehezana mazava mba hanatsarana ny fifampitondran’ny mpampianatra sy ny
mpianatra ao an-dakilasy. Mba hanamafy orina ny firindran’ny fifaneraseran’ny
roa tonta, dia tokony haneho toetra mendrika ny maha mpampianatra ny
mpampianatra taranja malagasy. Tolo-kevitra ho amin’izany no horesahana
manaraka.

1.4.2.2. Fanehoana toetra mendrika ny maha mpampianatra

Alohan’ny hilazalazana ireo toetra tokony hananan’ny mpampianatra


amin’ny maha mpampianatra azy, dia tsara raha omena ny famaritana tsotsotra ny
atao hoe: mpampianatra. Raha ny teny mamorona azy no iaingana, ny atao hoe:
mpampianatra dia ilay olona mpanome anatra, mpanoro lalana ny ankizy amin’izay
mety hahasoa azy. Ilaina ny fanasongadinana izany toetra izany amin’ny mpianatra
mba hahatonga azy hanaja ny tena.

Araka ny maha olona mpanome anatra ny mpampianatra, dia tokony


hahalala ny toetran’ny mpianatra tsirairay sy ny mombamomba azy izy aloha, mba
hahafahany mampifanaraka ny fanabeazana omena azy ireo amin’izay toetrany
izay. Amin’ny fihaonana voalohany indrindra, amin’ny fanombohan’ny taom-
pianarana no anaovana izany fifankafantarana izany. Tsy maintsy atao izany, mba
hahafahana mifantina izay fifandraisana hapetraka amin’ny mpianatra tsirairay.
Araka ny voalazan’i J. TARDIF mantsy, dia “Fanehoana endri-pifandraisana ny

- 137 -
- 151 -
asa fampianarana41”. Raha tiana ho tsara ny fifandraisana amin’ ireo mpianatra
ireo, dia fantarina aloha hoe: Iza ireo mpianatra ireo? Manampy ny mpampianatra
izany amin’ny fandanjalanjana ny fifaneraserana amin’ny mpianatra.

Anisan’ny singa iray ahafahana maneho ny maha mpampianatra ny


fomba fiteny. Ny teny, dia fitaovana tsara indrindra ho an’ny mpampianatra. Noho
izany, tokony hokolokoloina fatratra ary fantenana tsara ny fampiasana azy io.
Voambolana iray ratsy fantina fotsiny, ohatra, dia mampibirioka ny hevitra mety ho
voarain’ ny mpianatra. Ny fiteny tokony hampiasain’ny mpampianatra taranja
malagasy, araka ny maha mpampianatra taranjan’ny teny azy, dia fiteny mihaja.
Ohatra, raha manondro mpianatra, dia antsoina hoe: “ianao”, na antsoina amin’ny
anarany izy. Fomba tsotra sady tsara ampiasaina ny fiantsoana ny mpianatra
amin’ny anarany, satria sady ahafahana mitadidy azy izany, no fanomezana haja
azy ihany koa. Tsy ny mpampianatra ihany no hajaina any an-dakilasy, diso izany
fomba fiheverana izany. Ny mpianatra ihany koa dia manana zo ho hajaina araka ny
maha olom-pirenena azy. Tsy tokony hampiasa ny fiteny mandratra ny sofin’ny
mpianatra , toy ny hoe: “itena”, na mametaka anarana mifandraika amin’ny endriny
na ny toetrany, toy ny hoe “ ilay fotsikely” sns, satria misy mpianatra tsy mahazaka
izany. Anisan’ny nitarika ny fahasimban’ny fifandraisana nisy teo amin’ny
mpianatra 1ére D3 sy ny mpampianatra B mantsy ny fisian’ny toe-javatra tahaka
izany.
Toetra iray andrasana amin’ny mpampianatra ihany koa ny fampitoviana
ny mpianatra rehetra. Tsy tokony hijery volon-koditra, na hijery fari-piainana , na
hijery fari-pahaizana ( ohatra , ity tovolahy ity mahay indrindra na ambonimbony
kokoa ny fari-piainany, noho izany, tiako kokoa izy noho ny hafa sns). Esorina ary
foanana tsy ho ao an-tsaina araka izay azo atao izany toetra tia manavakavaka
izany. Isan’ny toetra tena tsy zakan’ny mpianatra izy io, ary tsy tokony haseho any
amin’ny sehatry ny fampianarana. Ampitoviana ny fitiavana ny mpianatra rehetra.
Tsy azo anaovana tombo sy hala izany, fa atao marin-drano, raha tiana ny hanatsara
ny fifandraisana ao an-dakilasy. Tsy azo atao anefa ny miraiki-po be loatra amin’ny
mpianatra amin’izay fanehoana fitiavana izay.

41
J. TARDIF, Op. Cit, p. 442 : « L’enseignement est un acte de communication »

- 138 -
- 152 -
Sarotra ny fanatanterahana izany, ka mitaky ny hananan’ny mpampianatra toe-
tsaina matotra, tsy mitongilana atsy sy aroa.

Farany, ny mpampianatra dia tokony hanana toetra sariaka. Olona


mahay mandefitra ny hadisoana vitan’ny mpianatra. Raha manao an-dolom-po na
mitahiry izany ao am-pony foana ny mpampianatra, dia tsy hisy fampianarana ho
vanona, satria raha vao hiditra ny kilasy, dia ny hatezerana no mibahana ao an-
tsaina. Koa na ny fahavitrihana hanao ilay asa amim-pitiavana aza mety hihena
amin’izay fotoana izay. Ny fahitan’ny mpianatra mpampianatra tezi-dava, kizitina
sns , dia mahatonga azy ireo ho kamo hiatrika ny fampianarana, ary hankahala ilay
taranja. Noho izany, ilaina ny fananan’ny mpampianatra fanetren-tena, fitiavana ny
asa, satria asa fanompoana ny firenena ny fampianarana, ary adidy masina.

Tokony hahafehy ireo toetra vitsivitsy nolazaina ireo ny mpampianatra,


farafaharatsiny, mba hahatsara ny fifandraisany amin’ny mpianatra sy hahamora ny
fampitana fahalalana. “ Ilàna olona mahay sy be fandavan-tena ny fampianarana”,
satria “ ny atao hoe fampianarana, dia fampahalalana, fanoroana zavatra tsy hay,
fanaovana izay hampahay zavatra olona”, araka izay voalaza ao amin’ ny
Rakibolana malagasy42.

Toy izay ihany koa no azo aroso ho an’ny mpampianatra mikasika ny


toetra tokony hasehony amin’ny mpianatra amin’ny maha mpanabe azy. Izao dia
hiroso amin’ izay tokony hataon’ny mpampianatra mikasika ny fifehezana ny
habaka sy ny fotoana.

1.4.2.3. Fahaizana mifehy ny habaka sy ny fotoana

Antony iray mitondra mankamin’ny fahatsaran’ny fifaneraserana ao an-


dakilasy, indrindra miantoka ny fahombiazan’ny fampianarana, ny fahafehezana ny
habaka sy ny fotoana. Ndeha hojerena misesy ny mombamomba azy ireo.

42
Régis RAJEMISA RAOLISON, in Rakibolana malagasy, Edition Ambozontany – Analamahitsy
Antananarivo Madagasikara 2003.

- 139 -
- 153 -
− Fahafehezana ny habaka

Mandritra ny fampianarana, ny mpampianatra, dia tsy tokony hijanona


fotsiny eo amin’ny toerana iray. Tsy ahavitana manara-maso ny mpianatra rehetra
ny fanaovana izany. Ilaina ny fivezivezena amin’ny faritra rehetra ao an-dakilasy,
na eny aloha izany, na eny aoriana, na eny amin’ny faritra manelanelana ny
dabilion’ny mpianatra. Ny fanaovana izany anefa, dia misy antony fa tsy hoe:
fitiavana te handehandeha fotsiny akory. Tokony ho tonga ao an-tsain’ny
mpampianatra eo am-panaovana hetsika iray ny fanontaniana hoe: Maninona aho
no manao ity? . Ny mpampianatra mantsy, dia toy ny mpanao teatra, noho izany
misy antony daholo ny fihetsika atao rehetra.

Ohatra
- Rehefa manazava lesona, dia tsy maintsy eny amin’ny toerana izay ahitan’ny
mpinatra rehetra ny vava izay miteny: eny aloha.

- Rehefa manao asa ( fampiharana ao anaty kahie) ny mpianatra, dia


mandehandeha eny anelanelan’ny dabilio, manitsy izay tsy mety ataony, nefa
tsy miresaka maharitra eo amin’ny mpianatra iray. Raha mahita hadisoana
miverimberina nataon’ny mpianatra, dia lazaina amin’ny mpianatra rehetra ny
fanitsiana izany.

- Rehefa manao fanadinana ny mpianatra, ny toerana tokony hisy ny


mpampianatra, dia eny aloha na any aoriana, mba hahitana ny fihetsiky ny
tsirairay.

- 140 -

- 154 -
Toy izao izany raha aseho amin’ny kisary.
Kisary 3: Fanehoana ny fifehezana ny habaka mandritra ny fampianarana.

Solaitrabe

Mpmp

: Faritra fivezivezen’ny mpampianatra ao an-dakilasy.


: Fizotran’ny fampandraisana anjara.

Ny fampiasana ny solaitrabe ihany koa, dia anisan’ny tena ilaina eo


amin’ny fampianarana. Manampy ny mpianatra hifantoka sy ho mora mahazo ny
fampianarana atao ny fahaizana mampiasa azy io. Ny fampisongadinana ny
vontoatin’ny lesona eny amin’ny solaitrabe mantsy, dia manamora ny fitadidian’ny
mpianatra izany. Fitaovana iray lehibe manampy ny mpampianatra eo amin’ny
fampitana ny lesona , ary manampy ny mpianatra amin’ny fahazoana izany, araka
izany ny solaitrabe, satria raha misy teny na zavatra tsy mazava amin’ny mpianatra,
dia azo atao tsara ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny
fanazavana.

Ireto misy ohatra amin’ny fampiasana azy: zaraina telo ny solaitrabe.


- Misy ny natao hametrahana ny drafitra itondrana ny fampianarana: atao any
amin’ny sisiny havia, satria tsy azo fafana raha tsy efa mifarana ny
fampianarana, mba hahitan’ny mpianatra ny fitohizana na ny fivoaran’ny
lesona. Tokony ho hita eny amin’ny solaitrabe izany, ny dingana narahina
nandritra ny lesona iray.

- 141 -
- 155 -
- Misy ny natao hanaovana kisary hanazavana ny lesona: atao eo afovoany mba
ho hitan’ny mpianatra rehetra sy hanamora ny fandraisany ny fanazavana, sy
hanazavana ny teny sarotra.
- Misy ny natao handraisana ny valin-teny manan-danja omen’ny mpianatra, raha
ilaina ny fanaovana izany: atao any amin’ny sisiny havanana.
Toy izao izany, raha aseho amin’ny kisary

Kisary 4: Fanehoana ny fampiasana ny solaitrabe

Drafitry ny lesona Ampiasaina amin’ny Fandraisana ny


fanazavana ny lesona valin-tenin’ny
- Lohateny mpianatra
- Zana-dohateny sns - ny teny sarotra
- kisary sns - Teny taterina
- Ohabolana sns

Miankina amin’izay mahazatra ny mpampianatra tsirairay ny fizarana sy


fampiasana ny solaitrabe, fa ny tiana hohamafisina, dia ny hoe: tokony hisy lamina
amin’ny fampiasana io fitaovana misongadina ao an-dakilasy io.

− Fahafehezana ny fotoana

Ilaina ny fanajan’ny mpampianatra ny ora fidirana sy ny ora firavana.


Mety hitarika ny tsy fanaraham-potoana mantsy ny fanaovana izany ho ambanin-
javatra. Ny mpampianatra tonga ara-potona ao an-dakilasy, izany hoe tsy tara lava,
dia manome filamatra tsara ho an’ny mpianatra eo amin’ny fanajana ny ora na ny
fotoana nifanaovana. Mahatonga azy ireo hanao ezaka amin’ny famonjena ny ora
fidirana izany, ary mampihena ny isan’ny mpianatra tara lava. Manafoana izay mety
ho fanelingelenana, noho ny fivezivezena vokatry ny fahatarana.

Zava-dehibe tsy azo hadinoina ihany koa, ny fifehezana ny fotoana


ampianarana. Ilaina izany , satria misy fetrany ihany ny fahalianan’ny mpianatra.
Raha maharitra adiny roa , ohatra, ny fampianarana any amin’ny “Lycée”, dia adiny
iray sy sasany eo ho eo ihany no mifantoka amin’izay zavatra atao ny sain’ny
mpianatra. Ny fotoana sisa, dia lany anaovany zavatra hafa. Tsara raha
manararaotra io fotoana mampifantoka ny sain’ny mpianatra amin’ny fianarana io
ny mpampianatra, mba hahatafitana ny vontoatin’ny fampianarana.

- 142 -
- 156 -
Rehefa mampanao asa ny mpianatra ihany koa, ka efa ho tapitra ny
fotoana, dia izay hita fa nanao ny marina no alefa eny amin’ny solaitrabe mba
hahafahan’ny namany manitsy ny hadisoany avy hatrany. Fa raha mbola be ny
fotoana, dia ilay nanao diso no alefa eny mba hahitany ny zavatra nahadiso azy, sy
hahafahany manitsy ny hadisoany.

Raha misintona hevitra avy amin’ireo voalaza mikasika ny fomba fiasa,


toetra amam-pihetsika tokony hananan’ny mpampianatra taranja malagasy ireo, dia
afaka milaza fa ny atao hoe: mpampianatra taranja malagasy, dia olona mahafehy
ireo fepetra rehetra mendrika ny maha mpampianatra manoloana ny fanatanterahana
ny asa fampianarana, sy ny fiatrehana ny mpianatra. Olona tokony ho akaikin’ny
fon ‘ny mpianatra indrindra any an-tsekoly, ka tokony hanana fifandraisana sy
fifanakalozan-kevitra tsy tapaka aminy. Tsy voafetran’ny zavatra mahakasika ny
fianarana akory izany fifandraisana amin’ny mpianatra izany, fa na dia izay
zavatra manahirana azy eo amin’ny fiainany andavanandro aza. Tsy voafetran’ny
habaka sy ny fotoana ihany koa, fa na eny an-dalana aza, dia azon’ny mpianatra
ifampiresahana. Anjaran’ny mpampianatra taranja malagasy, ny mamolavola ny
ankizy hahay hiatrika ny fiainana.

1.4.4. Fanatsarana ny fampandraisana anjara ny mpianatra


mandritra ny fampianarana

Ny tanjona eo amin’ny sehatry ny fampianarana ezahina ampiharina


amin’izao fotoana izao , dia ny fampandraisana anjara betsaka ny mpianatra eo
amin’ny fandrafetana ny fahalalana, na eo amin’ny fanovozam-pahalalana.
“ Ny fahavitrihan’ny mpianatra mandritra ny lesona no ivon’ny atao hoe fomba
fampianarana mampandray anjara ny mpianatra”. Ny mpampianatra amin’izay
fotoana izay, dia mijanona ho “mpitarika, mpandrisika, ary mpandrindra ny
asan’ny mpianatra43”.. Izany hoe: ny mpampianatra, dia mpanoro sy mpitari-dalana
ny mpianatra amin’ny fomba itondrana ny asa, mba handrafetany ny fahalalany, fa
tsy mpitsara na mpanombana ny fahalalan’ny mpianatra akory. Toy izao manaraka
izao raha aseho amin’ny alalan’ny kisary:

43
TARDIF, Op. Cit, p. 303 : « Les rôles de l’enseignant stratégique : un preneur de décision, un
motivateur, un entraineur »

- 143 -
- 157 -
Kisary 5: Ny telozoron’ny haifampianarana mifanaraka amin’ny vanin’andro
ankehitriny.

Mpianatra

Fampitam-pahalalana Fianarana

Mpampianatra Taranja

Famolahana ny fahalalana

Ny fampianarana, dia mifototra amin’ny fandrindrana ny


fampifandraisana ireto toko telo ireto: ny mpampianatra, amin’ny mpianatra ary
amin’ny taranja. Ity naroso ity, dia fampianarana afototra amin’ny mpianatra. Izany
hoe: ampandraisana anjara betsaka ny mpianatra amin’ny fanatontosana ny lesona.

Mitondra tombontsoa ho an’ny mpianatra ny fampiharana ity pedagôjia


vaovao ity, satria izy tenany ihany no avela hanorina ny fahalalany amin’ny
fombany, fa tsy tolorana fotsiny. Tsy avy amin’ny fanazavana be ataon’ny
mpampianatra mantsy no tena mampiorina ny fahalalan’ny mpianatra, fa avy
amin’ny ezaka sy ny fizarana asa ataony. Izy tenany ihany aza amin’izay fotoana
izay, dia efa afaka mitsara na mandrefy ny haabom-pahalalany amin’ny alalan’ny
famaliany fanontaniana.
Manamafy izany i M. CRAHAY raha nilaza fa “rehefa zatra mandray anjara ny
mpianatra , dia afaka mitsara ny tenany amin’ny fanompoany ny fianarana, na
amin’ny lamina napetrany hamaliana ny fanontaniana”44.

44
M. CRAHAY, Evaluation et interactions maître- élève ? (1- AVD), p. 3, « L’élève se juge aussi
lui-même. Il trouve sans doute des éléments d’appréciation dans le degré de confiance qu’il a
dans ses prestations, dans les questions auxquelles il a répondu ou dans les procédures qu’il a
utilisées pour répondre »

- 144 -
- 158 -
Ireto misy tolo-kevitra hahafahan’ny mpampianatra manatanteraka
izany, izay tsy dia hita taratra loatra tamin’ny fampianarana natrehanay.

1.4.4.1. Fanendrena mpianatra amin’ny famaliana ny


fanontaniana

Ezahana araka izay azo atao ny handraisan’ny mpianatra tsirairay


fitenenana mandritra ny fampianarana, amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana
iandrasam-baliny. Tsy ny mpianatra mazoto miteny sy manangan-tanana ihany no
tondroina, fa tendrena ihany koa ireo izay tsy sahy maneho ny heviny45. Atao izany
mba hahitana ny fomba fijeriny mikasika ny zavatra nametrahana fanontaniana, ary
koa mba hahatonga azy ireny ho sahy haneho hevitra. Tokony hiovaova izany ny
fomba fanondroana mpianatra. Ireto misy fomba tsotra dia tsotra azo ampiasaina
amin’ny fanatanterahana izany:
− tondroina isaky ny laharana ny mpianatra
− izay laharana mifanaraka amin’ny daty no tondroina
− izay mitovy ny litera fiantombohan’anarany no tondroina
− tondroina arakaraka ny seza ipetrahany ao an-dakilasy: ohatra: izay
rehetra mipetraka eo amin’ny sisiny havia amin’ny seza fahatelo...
Amin’ireo rehetra ireo anefa, dia tokony hifandimby hatrany ny
fampandraisana anjara ny lahy sy ny vavy.

Amin’izay fotoana izay, dia efa omen’ny mpampianatra mialoha ny


fanontaniana na ny laza olana , ary omena fotoana hieritreretany, hamahany iny
olana iny ny mpianatra tsirairay. Rehefa tapitra ny ora natokana hanaovany izany
vao atomboka ny fanadinana, na ny fanangonana ny valiny. Rehefa apetraka izany
ny fanontaniana, dia ny mpianatra ihany no asaina miezaka misintona lalàna sy
lesona. Tokony hahazoana valiny avy amin’ny mpianatra hatrany ny fanontaniana
napetraka , fa tsy ny mpampianatra ihany akory no mamaly, na avela hangina
fotsiny ny mpianatra. Tokony hitady vahaolana hatrany ny mpampianatra amin’ny
tsy fahazoana valin-teny avy amin’ny mpianatra. Ohatra, omena isa ( fanampina isa
fa tsy isa feno akory, ohatra: isa 0,5 na 1) izay mpianatra mahavaly tsara ny
fanontaniana . Ampiakarina hatrany izany isa izany raha toa ka hita fa izay

45
Hita ao amin’ny Kisary 3, takila 141

- 145 -
- 159 -
mpianatra mazoto miteny ihany no mamaly. Amin’izay fotoana izay, dia hazoto
handray anjara ny isam-batan’olona, ho foana ny fahanginana, satria raha vao
miresaka “isa” ny mpampianatra, dia mihetsika ny hambom-pon’ny mpianatra.
Voalazan’i J. TARDIF, fa tokony “ hahatsapa tena ho tompona andraikitra,
mpandray anjara feno, ary mpiantoka hatramin’ny farany ny fahavitan’ny asa ny
mpianatra46” mandritra ny fampianarana. Noho izany, ny asa atao ao an-dakilasy,
dia fananganana ny lesona amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy fifanakalozan-
kevitra ataon’ny roa tonta.

Ny tanjona eto, dia ny hahatonga ny mpianatra tsirairay ho sahy , sy ho


zatra haneho ny heviny eny imason’ny olona. Ny hahatonga ny mpianatra hiala
amin’ny fahasarotan-kenatra, izay tena fositra tsy mampivelatra.

1.4.4.2. Fanomezana asa ny mpianatra tsirairay

Tsy ny fametrahana fanontaniana mandritra ny lesona ihany, no azo


atao mba ho fampandraisana anjara ny mpianatra, fa tena ilaina ihany koa ny
asan’ny tsirairay. Toy izao, ohatra, ny fomba fiasa: omena fanontaniana mitovy na
samy hafa ny mpianatra rehetra ; manaraka izany, omena fotoana voafetra
hikarohany ny valiny ny tsirairay; avy eo tondroina ny mpianatra roa (2) na telo
(3) hanambara izay asa vitany, io asa vitan’ny mpianatra voatondro io no iaingana
amin’ny adihevitra sy handrafetana ny lesona.

Kendrena amin’ity asa ity ny hananan’ny mpianatra tsirairay ny maha


izy azy, sy hanehoany ny fahaleovan-tenany manoloana ny mpiara-mianatra aminy.
Rehefa samy miasa mantsy ny mpianatra, dia tsy voatery hiankin-doha na
hiantehitra amin’ny hafa izy, fa afaka mampiasa tsara ny herim-batany sy ny herin-
tsainy. Amin’izay fotoana izay, dia mety hahavita asa tsara sy mafonja mihitsy izy,
na dia irery aza. Mampisongadina ny mpianatra tsirairay ity fampandraisana anjara
ity.
Hoteraka ao an-dakilasy ny toe-tsaina tia mifaninana amin’ny tsara, satria voadona
ny hambom-po te hanao zavatra tsara noho izay vita teo aloha, na noho izay

46
J. TARDIF, Op. Cit, p. 76: « La motivation scolaire, définie comme l’engagement, la participation
et la persistance de l’élève dans une tâche, consistue un facteur primordial de l’apprentissage ».

- 146 -
- 160 -
vitan’ny hafa. Azo antoka, fa hitondra vokatra tsara eo amin’ny fampianarana
izany. Hoy mantsy i F. MACAIRE sy P. RAYMOND, hoe: “ Ny fifaninanana dia
manaitra ny risi-po eo amin’ny asa47”.

Raha mampihatra ireo fomba fampandraisana anjara ny mpianatra


voalaza ireo ny mpampianatra taranja malagasy amin’ny fampianarana
iandraiketany, dia inoana fa hampiova ny vokatra azo izany.

1.4.3.3. Fanomezana asan-tsokajy

Ny fanomezana asan-tsokajy , dia fomba iray tena mahomby, ary tsara


ataon’ny mpampianatra rehetra eo amin’ny fampianarana, indrindra ho an’ny
mpampianatra taranja malagasy. Amin’ity taranja ity mantsy, dia saika azo atao ho
asan-tsokajy avokoa ny fampianarana mikasika ny lohahevitra tsirairay ; saingy ny
fotoana no tsy hahafahana manatanteraka izany.

Raha vao miandoha ny taom-pianarana, dia anjaran’ny mpampianatra ny


mizara ny lohahevitra hodinihina amin’ny sokajy tsirairay. Avela ho ny mpianatra
ihany no hisafidy ny sokajy misy azy sy ny asa tiany hiarahana, fa tsy teriterena izy.
Ny anton’izany, dia ny mba hahafahan’ny mpianatra miasa an-kalalahana. Tsy
maitsy omena mialoha ny asan-tsokajy mba hahafahan’izy ireo mikaroka tahirin-
kevitra sy manomana ny anjara manandrify azy avy. Tsy maintsy omena fotoana
malalaka ny mpianatra, ary ferana mazava tsara ny fotoana hanehoany izany ao
an-dakilasy. Avela ho izy samy izy ihany no hisafidy ny fotoana tiany hiasana fa tsy
ny mpampianatra no mametra izany. Rehefa miasa ny sokajy, dia tokony hanampy
azy ny mpampianatra, fa tsy hitsara sy hanasazy fotsiny.

Ny tanjona, dia ny hahatonga ny mpianatra harisika amin’ny


famolavolana ny fahalalana horaisiny, fa tsy ho mpiandry vonona fotsiny. Amin’ity
asan-tsokajy ity ihany koa no ahaizan’ny samy mpianatra miara-miasa, mikaon-
doha amin’izay zavatra manahirana azy. Fambolena ao amin’ny mpianatra toe-

47
F.MACAIRE et P. RAYMOND, Notre beau métier de pédagogie appliquée, Editions Sait-Paul,
Les classiques Africaines, Issy Les Moulineaux (France), 1975, p. 210 : « L’émulation est un
stimulant au devoir et à la vertu »

- 147 -
- 161 -
tsaina tia mifanampy ny fampanaovana asan-tsokajy. Fampianarana azy ireo ihany
koa hahay hifehy fotoana, satria aorian’ny fanehoana ny asa nomanin’ny sokajy
tsirairay, dia mbola misy ny adihevitra ifanaovana amin’ny iray kilasy. Mbola
tombontsoa manampy ireo efa voalaza ihany koa izany ny fahaizana miady hevitra.

Maro araka izany, ny tombontsoa azo amin’ny fampanaovana asan-


tsokajy. Ny sasantsasany amin’izy ireny ihany ireo voatanisa ireo . Ny
mpampianatra araka izany, dia tsy tokony hisalasala amin’ny fampiharana izany ao
an-dakilasy, satria fahalalana betsaka, sy fahaiza-manao , ary tekinika maro no
azon’ny mpianatra amin’izany. Ny fanaovana famelabelaran-kevitra izany, dia
fomba fampianarana hahafahana manatratra tsara ny tanjon’ny fampianarana.

Fehiny

Natolotra tamin’ity toko voalohany amin’ny fazarana fahatelo ity ireo


tolo-kevitra samihafa azo naroso ho an’ireo rehetra heverina fa manana andraikitra
amin’ny fanatsarana ny fampianarana any amin’ny Lycée. Voaresaka tao fa manana
anjara mavesatra ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana, izay
fitaovana ampiasain’ireo mpampianatra amin’ny fampianarana ny taranja
malagasy. Manampy izany ihany koa ny fikojakojana ny sekoly, izay toerana
fandraisana ny mpianatra, ary anatanterahana ny fampianarana mandavan-taona.
Nampahatsiahivina tao ihany koa ny fampitaovana ny sekoly amin’ny alalan’ny
boky samihafa.
Tsy ny fanjakana ihany anefa no notolorana tolo-kevitra, fa tao ihany
koa ny ray aman-dreny. Tokony hifanampy amin’ny mpampianatra izy ireo
amin’ny fanaraha-maso ny fianaran’ny zanany any an-trano, mba hisian’ny
fanabeazana mitohy. Mba hanatrarana izany tanjona izany anefa, dia ilaina ny
fahatsapan’ny mpianatra fa mila fandavan-tena avy amin’izy ireo ny fianarana
ataony, raha te hahita fahombiazana izy.
Tsara ny hananan’ny mpampianatra fomba fiasa mazava sy matotra ,
mba hampizotra ny fampianarana ara-dalana. Ao anatin’izany ny fanomanana ny
fampianarana, ny fomba fampandraisana anjara ny mpianatra eo amin’ny
famaliana fanontaniana mba ho amin’ny endrika maro samihafa.

- 148 -
- 162 -
TOKO II: TOLO-KEVITRA HO FANATSARANA NY FANAOVANA
TOMBANA NY MPIANATRA ANY AMIN’NY LYCEE.

Zava-dehibe, ary tena iankinan’ny ain’ny fampianarana ny fanaovana


tombana. Tetika na fomba iray ampiasaina mba hanatrarana ny tanjona napetraka
izy io. Manamafy izany i NDIA-BINTY Kayembe, raha nilaza fa: “Fanamarinana
ny fahatratraran’ny mpianatra ny tanjona napetraka ao amin’ny fandaharam-
pianarana no atao, raha vao miresaka tombana48” . Tsapa nandritra ny
fanatrehanay ny fampianarana tany amin’ny Lycée Nanisana anefa, fa nisy ny
lesoka teo amin’ny fanatanterahan’ny mpampianatra A sy B izany. Ny fahitana
izany, no antony nanosika anay handroso izao tolo-kevitra izao mba hanampiana
ny mpampianatra taranja malagasy. Tsy hoe, atolotra fotsiny akory izy ireo, fa ho
hita ao amin’ny toko fahatelo farany, ny fampiharana izany.

Zavatra fito samihafa no hohasinkasinina amin’ity toko hafaroa ity:


voalohany, famaritana ny atao hoe tombana; faharoa, fanavahana ny teny hoe
manombana amin’ireo teny mifanakaiky hevitra aminy, fahatelo, fanolorana ireo
karazana anjara asa fanombanana; fahefatra ireo tombana tokony ho hita isaky ny
seho iray; fahadimy, fandrosoana ireo fomba azo anatanterahana ny tombana;
fahenina, ny tombana mitarika mankany amin’ny asa famoronana; fahafito, fijerena
ny endriky ny fanontaniana mandritra ny fampianarana. Ny mombamomba azy ireo
no hirosoana manaraka.

48
NDIA-BINTY Kayembe, in Evaluer les apprantissages de mes élèves, Editions Hurtubise,
Canada, p. 17 : « Quand on parle de l’évaluation des apprantissages, il s’agit surtout de vérifier si
les élèves ont atteint les objectifs d’apprentissages poursuivis, ceux qui ont été fixés par le
programme ».
- 149 -
- 163 -
2.1 Famaritana ny atao hoe tombana

Ny voambolana hoe “tombana”, dia teny tena fampiasa eo amin’ny


sehatry ny fampianarana. Manana hevitra maro anefa izy io. Ireto ny sasantsasany
amin’izay namaritan’ny mpandinika azy.

1. “Ara-piforonan-teny, ny hoe manombana dia avy amin’ny teny hoe: “ex-


valuere”, izay midika hoe “mitady ny lanjan’ny”, “manao izay isehoan’ny
lanjan’ny” [...] Manome lanja izay vokatra tsara azon’ny mpianatra49”

2. “Fanontaniana na fanadinana apetraka mba handrefesana ny haabon’ny


fahafehezan’ny mpianatra ny fahalalany.”50

3. Araka ny hevitr’i Xavier ROEGIERS ny manombana dia midika hoe:


“Manangona ny fitambaram-pahalalana manan-danja, azo antoka, sy azo
ekena, ary fanaovana fitsapana ny lanjan’ny fifandraisana misy eo amin’ny
fahalalana voangona sy ny fepetra napetraka izay mifanaraka amin’ny
tanjona teny am-piandohana, na nasiana fanovana nandritra ny
fanatanterahana ny fampianarana, mba hahafahana mandray fanapahan-
kevitra51”
Eto izany dia anjaran’ny mpampianatra ny manombana ny mpianatra
tamin’izay lesona efa vita mba hahalalana na voarainy na tsia ny lesona.

49
Xavier ROEGIERS, in L’école et l’évaluation, De Boeck Université, 2004, p44 : « Au sens
étymologique du terme, évaluer vient de « ex - valuere » c’est -à-dire « extraire la valeur de »,
« faire ressortir la valeur de » […] On valorise ce que l’élève produit de positif »
50
P. GRIEGER, in Pédagogie générale TOME I, p. 02 : « Le terme évaluation renvoie aux
interrogations ou aux examens, […] pour mesurer le degré de maîtrise des connaissances par les
élèves »
51
Xavier ROEGIERS, Op. Cit, p 44 : « Evaluer signifie : recueillir un ensemble d’informations
suffisamment pertinentes, valides, fiables, et examiner le degré d’adéquation entre cet ensemble
d’informations et un ensemble de critères adéquats aux objectifs fixés au départ ou ajustés en
cours de route, en vue de prendre une décision. »

- 150 -
- 164 -
4. “ Ho an’ny mpikaroka, ny tombana dia natao mba handrefesana ny
fiantraikan’ny haifampianarana vaovao na ny vokatry ny rafi-
pampianarana”52
Ny tombana indray eto, dia ataon’ny mpampianatra, mba hahalalany na
nahomby na tsia ny fomba fampianarana nataony.

5. “ Ny tombana , dia izay tetika ampiasaina mba hahafantarana ny misy ny


mpianatra alohan’ny hirosoana amin’ny lesona hafa”53

Ny fanaovana tombana anefa, dia tsy tokony hivaona amin’ny


fandaharam-pianarana. Hoy Allal LINDA: “ ny fampianarana sy ny fanombanana,
dia atao mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana izay najoron’ny rafitra
misahana ny fampianarana54”

Tsapa araka ireo famaritana ireo fa manana hevitra maro ny “tombana”,


na dia izany aza anefa dia tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fampianarana natao
ny fanombanana ny mpianatra.

52
P. GRIEGER, Op. Cit, p. 02 : « Il (l’évaluation) renvoie aux procédures installées par des
chercheurs pour mesurer l’impact d’une innovation pédagogique ou le rendement d’un système
scolaire »
53
Lesona DDM, taona fahefatra, tamin’ny 23 Aprily 2009, ENS Ampefiloha
54
Allal LINDA, Op. Cit, p. 144 : « L’enseignement et l’évaluation se réalisent en référence au
curriculum établi par le système d’éducation »

- 151 -
- 165 -
2.2 Fanavahana ny teny hoe manombana amin’ireo teny
mifanakaiky hevitra aminy

Ireto misy teny mifanakaiky amin’ny hoe manombana: fandrefesana,


fanaraha-maso, fitsarana. Mety hifangaro ny fampiasana ireo teny ireo, ka ny
fanavahana azy no hirosoana manaraka, araka ny hevitr’i Xavier ROEGIERS:

− “ny fandrefesana, dia dingana iray ahafantarana ny habetsahan-javatra araka


ny fepetra voafaritra55”

Toy izao raha atao ny fampitahana ny fanombanana sy ny fandrefesana:

Fanombanana Fandrefesana
Mametraka tanjona mazava eny am- Mety tsy hisy tanjona.
piandohana. Ampahan’ny tanjona no tratra.

Mitondra mankany amin’ny Mety hitondra mankany amin’ny


fandraisana fanapahan-kevitra. fandraisana fanapahan-kevitra.
Miankina amin’ny lesoka hita ao
amin’ny mpianatra tsirairay avy ny
fandraisana fanapahan-kevitra.
Mety ho fijerena ny hatsarana Tsy maintsy atao ny fijerena ny
manontolo, na amin’ny ampahany. habetsahana.

Mamokatra hevitra. Ohatra: tsara, Mamokatra isa. Ohatra: 15/20,


ratsy, tsaratsara... 18/20...

− “ny fanaraha-maso, dia dingana iray hanamarinana ny toetra eo amin’ny


toe-javatra azo manoloana ny tokony ho izy, na ny toe-javatra azo manoloana
ny toe-javatra andrasana56”.

55
Xavier ROEGIERS, Op. Cit, p 54 : « La mesure est un processus par lequel on attribue des
nombres à des choses (un objet, un évènement) selon des règles déterminées »

- 152 -
- 166 -
Fanombanana Fanaraha-maso
Mitaky fepetra na tondro zotra Fepetra na tondro zotra apetraky ny
ataon’ny mpanombana. avy any ivelany (ohatra, mpanara-
maso).
Azo amboarina hifanitsy amin’izay Fepetra tsy azo ovana, tokony ho
ilàna azy ny fepetra napetraka tanterahina.
mandritra ny fanatanterahana ny
fampianarana.
Mamokatra hevitra. Manamafy na mandiso ny fanajana ny
Ohatra: tsara, ratsy, tsaratsara... tokony ho izy. Ohatra: mety ka
tohizo, tsy mety fa amboary...

− ny fitsarana, dia fitondrana hevitra manoloana ny asa iray.

Fanombanana Fitsarana
Miankina amin’ny tanjona mazava Miankina amin’ny fomba fandaharana
ny fepetra fanombanana. ny fepetra fitsarana. Ohatra, ny isa
omena ny fanontaniana tsirairay
(barème)...
Mitondra mankany amin’ny Tsy miankina amin’ny fanapahan-
fandraisana fanapahan-kevitra. Ny kevitra iray ny fitsarana.
fandraisana fanapahan-kevitra, dia Mitondra mankany amin’ny
miankina amin’ny lesoka misy ao fandisoana na fanamarinana.
amin’ny mpianatra tsirairay.

Hita teo ny fanavahana ny voambolana tombana amin’ireo teny


mifanakaiky aminy. Araka ny hita teo, dia misy ifandraisany amin’ny tombana na
ny fandrefesana, na ny fanarah-maso, na ny fitsarana. Ndeha hiroso amin’ny
filazalazana ny karazany.

56
Xavier ROEGIERS, Op. Cit, p 54 : « Le contrôle est une démarche visant à vérifier l’etat entre
une situation donnée et une norme ; ou entre un etat donné et un etat attendu

- 153 -
- 167 -
2.3 Ireo karazana anjara asa fanombanana

Araka ny hevitr’ireo mpandinika, toa an-dry Bloom, Hastings, Madaus


G. De LANDSHEERE, dia ireto ny karazana anjara asa fanombanana:

− “Ny anjara asa fitiliana 57”


− “Ny anjara asa fanitsiana na fanofanana 58”
− “Ny anjara asa fanadinana 59”
− “Ny anjara asa vinavina60 ”

2.3.1 Ny anjara asa fitiliana

Ity anjara asa fitiliana ity ilay ataon’ny mpampianatra alohan’ny


hanombohana ny fampianarana sy eny anelanelany. Ny atao amin’izany araka ny
hevitr’i Bloom dia:
“mamantatra ny fahombiazan’ny mpianatra sy ny lesoka ao aminy, na
izy io atao alohan’ny hidirana amin’ny fampianarana, na atao
mandritra ny fanantontosana ny fampianarana. Atao izany mba
hahazoana mandray fanapahan-kevitra ny amin’ny fanohanana na ny
fanitsiana ny mpianatra, na fanapahan-kevitra ny amin’ny
fampifandrindrana ny fampianarana amin’ny toetran’ny mpianatra 61”

57
« Fonction diagnostique »
58
« Fonction formative »
59
« Fonction sommative »
60
« Fonction pronostique »
61
Géneviève MEYER, in Evaluer : Pourquoi ? Comment ? Hachette/ Education, France, 1995, 175
p : « L’évaluation diagnostique permet de découvrir les forces et les faibles des élèves, soit avant
l’entrée dans une unité d’ aprentissage, soit pendant le déroulement de celle-ci. Elle entraîne alors
de déscision de soutient, remédiation pour certains élèves ou des descisions d’adaptation de
l’enseignement aux caractéristiques des élèves. »

- 154 -
- 168 -
2.3.2 Ny anjara asa fanitsiana na fanofanana

“Ny anjara asa fanabeazana , dia ampiharina ao aorian’ny


fahavitan’ny ampahany amin’ny lesona iray62”. Izany mantsy dia mitondra
mankany amin’ny fanatrarana ny tanjona napetraka na dia ampahany kely fotsiny
aza. Ahafahan’ny mpampianatra mitady fomba hanarenana ny fahadisoana sy
hamenoana ny tsy ampy ao amin’ny mpianatra izy io ( fanaovana fampiharana
fanampiny, fanomezana fanoitra manokana mety hampiharina mandrakariva).
Ohatra, raha tsy manana angona eo amin’ny fanomezana tohan-kevitra ny
mpianatra rehefa manao famakafakan-kevitra, dia azo atao ny mampanao azy
tsianjery tononkalo iray isaky ny lohahevitra farafahakeliny. Manampy azy amin’ny
fanomezana tohan-kevitra amin’ny asa famakafakana mantsy izany. Ambaran-dry
Bloom sy ny namana fa “ny fanaovana io tombana io ara-dalàna, dia mitarika
mankany amin’ny fahatratraran’ny ankamaroan’ny mpianatra ny tanjona
napetraka63”, kanefa ity anjara asa fandetehana ity dia: “Tsy natao hitsarana na
hanasokajiana mpianatra fa natao ahafantaranha ny dingana vitany amin’ny
fenitra notartrarina64”

Ny anjara asa fanabeazana, dia tsy natao hitsarana ny mpianatra, izany


hoe, tsy natao hanomezana isa. Hoy i G. De. LANDSHEERE: “Ny anjara asa
fanabeazana dia tsy azo anomezana isa, fa ny fanaovana do-miverina eo amin’ny
mpianatra sy ny mpampianatra no omena lanja 65”

62
G. MEYER, O.p Cit. p. 20 : « L’évaluation formative se réalise à la fin de chaque unité
d’apprentissage »
63
Allal LINDA, Op. Cit, p. 140 : « L »application régulière de l’évaluation formative vise à assurer
la maîtrese des objectifs par le plus grand nombre d’élèves »
64
G. MEYER, Op. Cit p. 20 : « Cette évaluation formative ne juge pas et ne classe pas l’élève. Elle
compare sa performance à un seuil de réussite fixé à l’avance »
65
G. MEYER, Op. Cit, p.21: “ Cette évaluation ne se traduit pas en note et encore moins en scores.
Il s’agit d’un feed-back pou l’élève et pour le maître» selon G. De LANDSHEERE

- 155 -
- 169 -
2.3.3 Ny anjara asa fanadinana

Ny anjara asa fanadinana, dia karazana fitsapana fifindran-kilasy na


firosoana amin’ny dingana manaraka ( C.E.P.E, B.E.P.C...) mba hahafahan’ny
mpampianatra manao tamberina ny traikefa sy ny fahalalana voarain’ny mpianatra.
Ny tanjona dia ny fanasokajiana, na fanomezana fanamarinam-pahaizana ny
mpianatra tsirairay. Izany hoe atao aorian’ny fahavitan’ny lesona maromaro ity
fanombanana ity. Araka ny hevitr’i G. De LANDSHEERE, dia toy ny fifaninanana
no ataon’ny mpianatra, ka arakaraka ny zava-bitany no anomezana isa azy: “natao
hanomezana isa ny anjara asa fanadinana. Io isa azo io no amoahana ny vokatra
araka ny tanjona voafaritra ao amin’ny fitsapana, na araka ny tanjon’ ireo
karazana tombana hafa ahazoana isa , na anesorana isa, arakaraka ny fitsipika
misy 66”

Araka ny hevitr’i Bloom ihany dia:


“Atao any amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana mba hahafahana manao jery todika
ny zava-bita ary ahafahana manamarina ny haabon’ny fahafehezan’ny mpianatra
ny fahalalana azony [...] Manana toetra roa miavaka tsara izy:
- voarakitra ao amin’ny tahirin-kevitra ôfisialy, izay maharitra ary fantatry ny
olona rehetra ( karine, boky kely na taratasy mirakitra ny naoty nandritra ny taom-
pianarana
- ifaneraserana amin’ireo olon-kafa ivelan’ny mpianatra sy ny mpampianatra, toy
ny ray aman-dreny, ny mpampiasa, ireo any amin’ ny ambaratongam-pianarana
manaraka67”

66
G. MEYER, Op. Cit, p.21: “L’évaluation sommative se traduit par un score.nous designerons les
résultats objectifs obtenus à un test ou à toute autre forme d’évaluation par compte ou décompte de
point selon des règles fixés » selon G. De LANDSHEERE
67
Allal LINDA, Op. Cit, p.140- 141: “ L’évaluation sommative, effectuée en fin de formation, a
pour but de faire le bilan ( la « somme » des acquis) et d’attester du niveau de maîtrise atteint […]
l’évaluation sommative possède deux caractéristiques institutionnelles importantes qui là
differencient de l’évaluation formative :
− elle est enregistrée dans un document officiel ayant un caractère public et permanent (un
carnet, livret ou bulletin scolaire)
− elle est communiquée à des inter locuteurs en dehors de la relation pédagogique qui lie
l’enseignant et l’élève, par example aux parentx de l’ élève, aux instances de formation
ultérieures, voire aux emploieures»

- 156 -
- 170 -
2.3.4 Ny anjara asa vinavina

Ankoatra ireo anjara asa fanombanana telo voalaza ireo , dia misy
anjara asa hafa iray ihany koa izay tsy dia fahita matetika. Natao hampirisihana ny
mpianatra amin’ny fanohizany hatrany ny fianarany amin’ny dingana manaraka
izany. Ohatra, raha hita fa misy mpianatra havanana kokoa amin’ny taranja
siantifika, dia entanina izy ireny mba hisafidy ny lalam-piofanana mifanandrify
amin’izany. Hoy ry Bloom sy ireo namany: “ misy ny anjara asa vinavina, izay
antsoina amin’ny teny frantsay hoe “ pronostique”. Tsy anisan’ny fototry ny
pedagojia mahazatra iizany. Matetika izy, dia natao hamolavolana ny mpianatra
hiroso amin’ny dingana vaovao eo amin’ny fanohizana ny fianarana68”

Ilaina ny fanaovan’ny mpampiantra ireo anjara asa efatra voalaza teo


aloha ireo, satria ny mpampiantra dia mpitarika sy mpitari-dalana ny mpiantra
hatrany eo amin’ny fianarana izay ataony, ary mpanoro hevitra amin’ny lalana tsara
mifanaraka amin’ny fahaizan’ny mpianatra alohan’ny hirosoany amin’ny dingana
manaraka.

68
Allal LINDA, Op. Cit, p. 140 : « Bloom et ses coauteurs ont aussi decrit une trisième fonction de
l’évaluation, désignée le plus souvent par le terme « pronostique » en français ; sans être une
compasenrte de base de la pédagogie de maîtrise, elle intervient chaque fois qu’il s’agit d’orienter
l’élève vers un nouveau cursus d’études »

- 157 -
- 171 -
2.4 Ny tombana tsy maintsy hita isaky ny seho iray

Efa voalaza tany amin’ny fizarana faharoa mikasika ny fandalinana ny


fampianarana nataon’ireo mpampianatra narahinay, fa misy karazany telo ny
tombana tokony ho hita ao anatin’ny seho iray. Ireto aseho amin’ny fafana
manaraka ireti izany:
Fafafa 13: Ireo karazana tombana tokony hatao mandritra ny sehom-pampianarana
Tombana manomboka Tombana manelanelana Tombana
na tombana na famolavolana mamarana
fandrefesana ny
fahalalana efa azo
Tsy maintsy ataon’ny Tanterahina mandritra ny Tsy maintsy atao
mpampianatra alohan’ny fanaovana ny lesona. Izy aorian’ny fanaovana
hanombohana ny ity dia natao hijerena ny lesona iray mba
fampianarana na fihetsika asehon’ny hahafahana
hirosoana amin’ny lesona mpianatra mandritra ny mandrefy ny
vaovao izy io, mba fampianarana. Natao fahalalana
hahitana ny haabon’ny hahafantarana na mahazo tafapetraka ao
fahalalana fototra efa ny zavatra ampianarina amin’ny mpianatra.
ananan’ny mpianatra. izy (ny mpianatra) na Natao ihany koa mba
Mety hahakasika ny tsia. Tombana natao hahafantaran’ny
lesona nataony tany ihany koa, mba mpianatra ny
amin’ny kilasy teo aloha hahafahana manitsy ny fahaizany sy mba
izany, ka misy fahadisoam-pijerin’ny hahafahany manao
ifandraisany amin’ny mpianatra mikasika ny ezaka hatrany.
lesona hatao manaraka. fahalalana ampitaina.
Mety hikasika ny lesona Natao handentehana ao
vao natao vao haingana an-tsain’ny mpianatra ny
ihany koa, mba votoatim-pahalalana.
hanohizana azy69...

69
Lesona DDM, taona fahefatra, tamin’ny 22 Septambra 2008, ENS Ampefiloha

- 158 -
- 172 -
Ireo no karazana tombana tsy maintsy ataon’ny mpampianatra mandritra
ny fampianarana, raha tiana ny hanatratra ny tanjona napetraka. Ndeha hiroso
amin’izay endrika azo ampiharana izany.

2.5 Ireo fomba azo anatanterahana ny tombana

Maro ny fomba azo anatontosana ny fanombanana ny mpianatra, fa


amin’ny ankapobeny, dia azo sokajiana ho roa miavaka tsara izany, dia ny
fanombanana am-bava sy ny fanombanana an-tsoratra. Ndeha ny momba ireo
sokajiny roa ireo no hojerena.

2.5.1 Tombana am-bava

Anisan’ny tombana fampiasan’ny mpampianatra matetika tokoa ny


fanombanana am-bava ny mpianatra mandritra ny fampianarana, ka amin’ny
alalan’ny fifampiresahana mivantana amin’ny izy ireo no anehoana izany .
Amin’ity sokajina tombana ity no ahatsapana ny maha zava-dehibe ny
fahatsaran’ny fifandraisana ao an-dakilasy. Raha toa mantsy ka tsy zarizary izany
(ahitana olana), dia tsy hizotra araka izay ilàna azy ny fifampiresahana kasaina
hatao. Mazava ho azy koa fa tsy ho tratra ny tanjona kendrena , dia ny hahazoana
valin-teny mahafa-po.
Ny tombana am-bava, dia ataon’ny mpampianatra any amin’ny fanombohan’ny
fampianarana sy eny antenantenan’ny fampianarana matetika.

Ny tombana am-bava fanao alohan’ny hanombohana ny fampianarana,


dia ny famerenana ny lesona vita tamin’ny farany, ka misy ifandraisany
amin’ilay lesona vaovao (mandritra ny fotoana voafetra 10 ka hatramin’ny 15
minitra eo ho eo), amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’ny mpianatra.
Fanontaniana ahafahana misikotra izay fahalalana voarain’ny mpianatra tamin’ny
fampianarana natao farany no apetraka. Manamafy izany i BOUTRAND, raha
nilaza fa: “Kendrena amin’izany fanontaniana izany, izay hahafahan’ny mpianatra

- 159 -
- 173 -
mampivaingana ny fahalalana azony, ary ny hahafahan’ny mpampianatra manara-
maso ny vokatry ny fampianarana nataony70”.
Ndeha hatao hoe lesona mikasika ny tantaran’ny literatiora no natao teo aloha, ka
ny vanim-potoana mitady ny very. Azo atao ho tombana ny fanontaniana toy izao:
− Vanim-potoana inona no nojerentsika tamin’ny farany?
− Omeo ny daty mamaritra io vanim-potoana io.
− Inona no zava-nisy teo amin’ny sehatry ny fiarahamonina nisongadina
tamin’izany?
− Inona no tara-kevitra novoizina tany amin’ny asa soratra, tamin’ity
vanim-potoana ity?

Tsy atao ho famerenana ny lesona efa vita fotsiny izy io , fa atao


hampifandraisana azy amin’ny lesona vao hatomboka ihany koa. Rehefa vita ny
famerenana, dia manao fanontaniana ho fampidirana ny lesona vaovao indray ny
mpampianatra. Ity fanontaniana ity indray kosa no antsoina hoe: fanontaniana
fikaroham-pahalalana. Fantarina amin’izany hoe: hatraiza ny haabon’ny
fahalalan’ny mpianatra mikasika ny lesona vao hatao? Ireo karazam-panontaniana
ireo no fanontaniana apetraky ny mpampianatra mandritra ny fananganana ny
lesona iray, izany hoe: tena mibahan-toerana mihitsy mandritra ny fampianarana.
Manana anjara toerana lehibe izy ireo amin’ny fampandraisana anjara ny
mpianatra. Voalazan’i F. MACAIRE, P. RAYMOND fa : “ fitarihana ny
mpianatra hitady ny zavatra ianarany71” . Tsy tokony hitohy lavareny ny lesona,
fa tsara ny hisian’ny famerimberenana ilay fahalalana vao nomena mba
hampilentika izany ao an-tsainy.
Ohatra:
− Lazao fohifohy izay zava-niseho teo amin’ny fiainan’izao tontolo izao
tamin’ny taona 1945.
− Inona ny zava-nisy teto amin’ny firenena manamarika ny daty 1960?

70
M. BOUTRAND, in Guide pédagogique de l’istititeur malgache, Paris, Fernand Nathan, 1968,
p.224 : « L’interrogation de contrôle et l’interrogation de conservation visent à permettre à l’élève
de consolider son savoir, et au maître de contrôler les résultats de son enseignement »
71
F.MACAIRE, P. RAYMOND, Op.Cit, p. 157: “ Le but est de faire découvrir par l’élève lui-même
ce qu’on veut enseigner ».

- 160 -
- 174 -
− Araka ny fahalalanao, inona no tara-kevitra mety ho nampiavaka ity
vanim-potoana 1945-1960 ity?
− Milazà asa soratra mety hahitana izany tara-kevitra izany.

Mba hahitan’ny mpianatra ny valiny andrasana, dia tsy maintsy mandalo


dingana roa izy: ny dingana fikarohana sy ny dingana fahitana. Amin’izay fotoana
izay, dia ny mpianatra ihany no manao izay fomba hahitany ny marina, fa ny
mpampianatra kosa, dia mijanona ho mpitarika amin’ny alalan’ny fametrahana
fanontaniana ihany.

2.5.2 Tombana an-tsoratra

Maro ny endrika mety hisehoan’ny fanombanana an-tsoratra, toy ny


fanaovana fampiharana na fampiasana, sy ny fanaovana fitsapam-pahaizana.

− Fampiharana

Ny fampianarana tsy misy fampiharana, dia tsy ahafahana mahita ny


fandrosoan’ny mpianatra. Matetika ny fampiharana, dia atao aorian’ny fanaovana
lesona iray, ankoatra ny fanontaniana mivantana mikasika ny lesona vao natao.
Atao izy io mba hanombanana avy hatrany ny mpianatra, na voarainy na tsia ny
lesona. Natao ihany koa mba hahafahan’ny mpianatra mampitambatra ny fahalalana
vao noraisiny sy ny efa ananany. Izany hoe: azo ampanaovina ao an-dakilasy, nefa
mety koa raha asaina ataon’ny mpianatra enti-mody.

Ohatra : Azo atao ny manome asa soratra iray miaraka amin’ny fanontaniana hoe:
− lazao ny hevitra fonosin’ny lahatsoratra.
− hadihadio ity lahatsoratra ity.
− Fintino ao anatin’ny andalana valo (8) ity lahatsoratra ity.

Tokony hanao ezaka ny mpampianatra amin’ny fanatanterahana ny


fanaovana fampiharana, satria manana anjara asa lehibe ao anatin’ny fizotran’ny
lesona izy io, toy ny fandentehana, ny fanitarana, ary ny fampieritreretana.

- 161 -
- 175 -
Ny anjara asa fandentehana, dia atao mba hampidirana tanteraka ao an-
tsain’ny mpianatra ny lesona manontolo. Izany hoe: tsy vitan’ny hoe azo na voaray
fotsiny ny lesona , fa atao izay hifantohany tanteraka ao an-tsain’ny mpianatra.

Ohatra
− Eo amin’ny literatiora, ny fampiasana mikasika ny famaritana ny literatiora,
na ny mampiavaka ny vanim-potoana iray, dia efa azo lazaina ho fampiharana
fandentehana.
− Eo amin’ny riba, ny sanda raiketin’ny singan-driba na ilay lahatsoratra
nohazavaina no tokony hisehoan’ny fandentehana.
Ohatra: Ny sanda raketin’ny Tsiny sy ny Tody
• Fototry ny lamim-piarahamonina ny tsiny sy ny tody: mahatonga ny
olona hifanaja, ary hifanome hasina, satria mitondra amin’ny fahalalana
ny anjara toerana sy ny adidy amana andraikitra mifanandrify
amin’izany. Manery ny olona handanjalanja ny toetra amam-pihetsika,
ary ny teny atao eo anivon’ny mpiara-belona.
• Maneho ny fisian’ny rafitra an-tanan-tohatra ny Tsiny sy ny Tody, sns.

Ny asa fampianarana, dia tsy fandentehana fotsiny ao an-tsaina ny


lesona natao, fa misy ihany koa ny fanitarana tsy maintsy takina amin’ny mpianatra.
Eto izany, dia tsy mikasika ny lesona izay vao natao ihany akory no anompanana ny
fampiasana, fa mety hahafaoka ny lesona efa vita tany aloha.

Natao ihany koa ity fampiharana ity, mba hamenoana ny banga tsy
voalaza tany amin’ny lesona. Misy tokoa mantsy tranga vitsivitsy izay sarotra dia
sarotra ny mampiditra azy ao anatin’ny lesona , kanefa tsy maintsy ambara satria
tafiditra ao amin’ny amin’ny vontoatin’ny lesona. Ny vahaolana dia ny fampidirana
azy any amin’ny fampiasana. Ndeha handray ohatra maneho izany. Raha ny lesona
mikasika ny “Kanto” no natao, dia tsy ary ho voalaza tany amin’ny lesona daholo
ny lanjan’ ireny sokajin-teny, toy ny tambinteny, mpanampy sns ireny, noho ny
hamaroany. Fantatra anefa fa samy manana ny lanjany izy ireny arakaraka ny
fampiasana azy ao anaty fehezanteny. Tsara araka izany, raha omena karazana

- 162 -
- 176 -
fampiasana matetika ny mpianatra , ary avela ho izy ihany no hanao ny fanitarana
amin’ny alalan’io fanazaran-tsaina io.

Tahaka izany koa no atao raha lesona mikasika ny literatiora, na ny riba.


Raha nanao fanadihadiana tononkalo, ohatra, dia tsy ampy velively raha ny fotoana
ao an-dakilasy fotsiny no anaovana izany, satria mety ho tononkalo iray ihany no ho
vita; fa omena tononkalo maromaro ny mpianatra mba hahazoany manitatra any
ivelany.
Ankoatra ny fandentehana sy ny fanitarana ny lesona, dia tokony
hitarika fampieritreretana ho an’ny mpianatra ihany koa ny fampianarana. Mila
fandalinana bebe kokoa eto , satria ny lesona rehetra, na ny efa vita tany aloha , na
ny vao hatao, dia ilàna ny fampiharana fampieritreretana avokoa. Araka izany, tsy
maintsy voafaoka ao ireo lesona efa hita rehetra, izany hoe: lesona efa tafalentika
tsara ao an-tsaina, efa nanaovana fanazarana matetika hahafahana manitatra ny efa
masaka, izay vao misarika ny sain’ny mpianatra hahatsapa zavatra samihafa. Ilaina,
ohatra, ny hahatsapany ny kazaran’olana amin’ny lesona tsirairay. Ohatra: manao
ahoana ny fiheveran’ny Malagasy taloha sy ny taranaka ankehitriny ny finoana ny
Tsiny sy ny Tody? Ary raha toa ka tsy inoan’ny taranaka anehitriny intsony ireo,
dia inona no mety ho vokany? Ny Malagasy ihany ve no mino ny fisian’izany?

Ny tanjona amin’izy ity, dia ny handranitra ny sain’ny mpianatra mba


hahay mitsikera, izany hoe: hahafantatra ny lafiny mety sy ny mbola azo kianina.
Manampy ny mpianatra amin’ny fanaovana adihevitra, fanomanana azy sahady ho
tia karokaroka ny fanaovana fampiharana fampieritreretana.

Raha fehezina izay rehetra voalaza mikasika ny fanaovana fampiharana


izay, dia azo ambara fa dingana iray tsy mahaleo tena, fa miankina amina toe-
javatra hafa, toy ny fanaovana lesona mialoha azy ny fampiharana. Na izany aza
anefa, dia tokony tsy hatao ho ambanin-javatra ny fanaovana azy, satria manampy
betsaka ny mpianatra amin’ny fanamasahana ny zava-bita, ary koa hahafahan’ny
mpampianatra mandrefy na tafita any amin’ny mpianatra na tsia ny fampianarana.
Avy amin’izany fanaovana fampiharana izany, no hahafahan’ny mpampianatra
manohy ny fampianarana , na miverina amin’izay efa vita kanefa tsy mbola
voafehin’ny mpianatra tsara.

- 163 -
- 177 -
− fitsapam-pahaizana

Ny fitsapam-pahaizana na fanadinana anomezana isa, dia atao aorian’ny


fampiharana maromaro, ary atao mifanaraka amin’izany ihany koa ny endrika
isehoany. Rehefa mampanao ity tombana ity, dia tokony hitandrina ny
mpampianatra, indrindra fa rehefa mitsara ny asan’ny mpianatra: tsy manao vizana
be , satria mety hisy fiantraikany any amin’ny asa atao izany. Ilaina ny fitsinjarana
dieny mialoha ny isa omena ny mpianatra, mba tsy hisian’ny tsy fitoviana, ka
hahatonga ny ankizy hiteny hoe: mpampianatra miangatra.
Ohatra: Vanim-potoana toy inona no nanoratana ity tononkalo ity. Porofoy. (Atao
miendrika fanadihadiana lahatsoratra ny asa angatahina)
− Endriky ny asa: isa roa (2)
− Tsipelina: isa roa (2)
− Teny fampidirana isa telo (3)
− Teny famaranana isa telo (3)
− Vontoatiny isa valo (10)

2.6 Ny tombana mitarika mankany amin’ny asa


famoronana

Ny tombana hita nandritra ny fanarahana ny fampianarana tany amin’ny


Lycée Nanisana, dia tombana mifototra amin’ny fanontaniana, fampamerenena,
fotsiny ny lesona efa natao. Tombana tsy mikendry afatsy ny hahafehezan’ny
mpianatra ny fampianarana natao.

Ohatra tamin’ny fanontaniana napetraka tao amin’ny kilasy faharoa72:


Asehoy ny maha angano ny lahateny “Ny zanak’Andriamanitra very”, nalaina tao
min’ny Anganon’ny Ntaolo, tak 195-196.
Inona no zava-kendrena amin’io Angano io?

72
Jereo takila 23

- 164 -
- 178 -
Tsy misy maharatsy izany, saingy tsy ampy, satria ny mpianatra dia
zarina tsikelikely hisaintsaina ny lesona natao, zarina ihany koa hamakafaka sy
handanjalanja ary handalina izay nianarany. Atao araka izany izay hahafehezany
tanteraka ny zavatra nianarany, ary volavolaina izy hivelatra, hahay hamorona sy
hanagana zava-kanto miainga avy amin’ny fianarana nataony.

Ny tombana atao izany, dia tsy maintsy aompana amin’ny fanamafisam-


pahalalana, ary atao hisarika ny sain’ny mpianatra hamorona zava-kanto hatrany,
toy ny tononkalo, sombin-tantara, lahatsoratra famotompotoran-kevitra, mitantara,
manoritsoritra, manazava hevitra / toe-javatra iray, mandresy lahatra... Any amin’ny
asa am-panaovina ny mpianatra no tena hampisongadinana izany asa famoronana
izany.
Ohatra:
F: Asehoy ny maha angano ny lahateny “Ny zanak’Andriamanitra very”?
Inona no zava-kendrena amin’io angano io?
Mamorona angano iray, ka kendreo mba hisy anatra azo sintonina avy
amin’izany.

2.7 Mahakasika ny fanontaniana fampiasa mandritra ny


fampianarana

Ny mpampianatra, dia manao fanontaniana maro mandritra ny fotoana


ampianarany. Azo lazaina mihitsy aza fa fitaovana voalohany ampiasainy
hifaneraserany amin’ny mpianatra izy io. “Miankina amin’ny fanontaniana sy ny
fampiharan’ny mpampianatra azy ny fandehan’ny fampianarana, ny fandrosoany,
ary ny fahazoan’ny mpianatra azy73”. Ny hita tany amin’ny fanatrehana
fampianarana anefa, dia manana fahasahiranana ny mpampianatra, indrindra fa ny
mpampianatra B amin’ny fandrafetana azy io, ohatra, rehefa nanantanteraka ny
lesona mikasika ny vanim-potoana mitady ny very sy ny vanim-potoana fitakina

73
D.PEN TAMATAVE, “Le questionement dans la classe”, in REPERES Nitady toko ka sendra
vato, MEN- PRESEM, N° 10 s.d, p.12 : « Le déroulemnt du cours, l’organisation de sa
progression, sa comprehension dépendent de la pratique et de la qualité du questionnement utilisé
par l’enseignant avec ses élèves »

- 165 -
- 179 -
fanarenana ny mpampianatra B, dia fanontaniana roa ihany no napetrany tamin’ny
mpianatra nandritra ny seho iray:
1- Inona no niseho tamin’izany?
2- Inona no zava-nisy ara-pôlitika nisy teto Madagasikara?

Hita araka ireo fanontaniana ireo, fa manjavozavo ny fahalalana


anontaniana amin’ny mpianatra, mitarika mankany amin’ny tsy fahazoana valiny
mahafa-po izany.Tsara araka izany ny handrosoana tolo-kevitra amin’ny
famolavolana ny fanontaniana apetraka amin’ny mpianatra , satria tsy afaka hilaza
ny valiny andrasana ny mpianatra , ary mety tsy hahafa-po ny valin-teny omeny
raha toa ka ratsy fipetraka ny fanontaniana ataon’ny mpampianatra. Ndeha hojerena
voalohany ireo karazana endri-panontaniana fampiasa, hasian-teny faharoa kosa, ny
fanasokajiana ny fanontaniana arakaraka ny tanjona hotratrarina, ary horesahina
fahatelo, ny famolavolana ny fanontaniana entina mifandray amin’ny mpianatra.

2.7.1 Ny karazana endri-panontaniana

Araka ny hevitr’i A. DE. PERETTI, dia misy karazany roa ny endriky


ny fanontaniana fampiasa eo amin’ny fifaneraserana amin’ny hafa: “fanontaniana
misokatra74” sy ny “fanontaniana mikombona75”. Ndeha hojerena tsirairay ny
momba azy ireo.

2.7.1.1 Fanontaniana misokatra

“Fanontaniana misokatra” no iantsoana ny fanontaniana iray raha toa ka


“fanontaniana mametraka olana, ka izay mamaly azy dia manome ny valiny
amin’ny fombany manokana sy amin’ny fotoana itiavany azy76”

74
« Questionnement ouvert »
75
« Questionnement fermé »
76
A.DE.PERETTI, in Recueil d’instruments et de processus d’évaluation formative Tome I, Paris,
I.N.R.P. p. 218 : « Concernant la forme des questions, on distingue généralement deux grands
types de question : dans un premier cas, la question pose un problème et celui qui y répond peut le
faire dans son langage propre. Il organise sa réponse comme il le juge convenable et peut
s’exprimer aussi longtemps qu’il le souhaite. C’est le type de questionnement ouvert »

- 166 -
- 180 -
Amin’ity endrika fanontaniana ity, dia afaka mamaly ny fanontaniana
araka izay fahazoany azy ny mpamaly. Tsy voafetra araka izany ny valim-
panontaniana andrasana, malalaka ny tsirairay amin’izay fomba hamaliany azy.

Ohatra:
F: Inona no hevitra hanamarinanao fa tsy hita taratra eo amin’ny Malagasy
intsony ankehitriny ny fitsimbinana ny aina?
V: Tsy hita taratra eo amin’ny Malagasy intsony ankehitriny ny fitsimbinana
ny aina, satria: efa sarotra ny fiainana, ka mifamono ny mpiray
tanindrazana, eny fa na dia ny mpianakavy aza. Mirongatra eto amin’ny
firenena ihany koa ny fisian’ny fanolanana vehivavy, eny fa hatramin’ny
zazakely aza...

2.7.1.2 Fanontaniana mikombona

“Antsoina hoe “mikombona” kosa ny fanontaniana iray raha toa ka


valiny hentitra no andrasana77” Amin’ity endrika fanontaniana ity, ny mpamaly dia
mamaly tsotra hoe: “eny”, na “tsia” fotsiny.
Ohatra:
F: Mifora ve ny Malagasy?
V: ENY, mifora ny Malagasy.
F: Miditra an-tsekoly avokoa ve ny ankizy rehetra eto Madagasikara?
V: TSIA, tsy miditra an-tsekoly avokoa ny ankizy rehetra eto Madagasikara.

Ireo no karazana endri-panontaniana misy, ndeha hiroso amin’ireo


fomba famolavolana azy ireo.

77
A.DE.PERETTI, Op. Cit, p. 218: “Dans un deuxième cas, la question est donnée avec un
ensemble de réponses possibles […] C’est le type de questionnement dit fermé ”

- 167 -
- 181 -
2.7.2 Fanasokajiana ny fanontaniana arakaraka ny tanjona
tratrarina

Azo sokajiana efatra ny fanontaniana arakaraka ny tanjona tratrarina:


− “ ny fanontaniana natao hanaraha-maso78”
− “ ny fanontaniana natao hitahirizana79”
− “ ny fanontaniana natao hikarohana80”
− “ ny fanontaniananatao mba hahitana81”

2.7.2.1 Ny fanontaniana natao hanaraha-maso sy hitahirizana

Ny fanontaniana ampiasain’ny mpampianatra any amin’ny


fanombohan’ny fampianarana (amin’ny fanaovana famerenana) sy any amin’ny
fiafaran’ny fampianarana (amin’ny fanatanterahana ny fampiharana) no tiana
hambara amin’ireto karazany roa ireto. Araka ny hevitr’i M. BOUTRAND, dia:
“ataon’ny mpampianatra izany mba hahafahan’ny mpianatra manamafy ny
fahalalana azony, ary koa mba hahafahan’ny mpampianatra manara-maso ny
vokatry fampianarana nataony82”.

Ohatra:
F: Inona ny lesona natao farany?
V: Vanim-potoana mitady ny very: 1930-1945.
F: Inona avy ny zava-nisy nanamarika io vanim-potoana io?
V: Mbola nitohy ny fitsentsefana nataon’ireo mpanjanaka, na an-kolaka na
mivanatana. Nitohy ny SMOTIG.
Nitombo ny vokatra naondrana: omby , sakafo, hazo sarobidy.
Namory ny mpiasa Malagasy ny Frantsay ary nilaza fa afaka manangana
sendika (fivondronan’ny mpiasa mangataka tombontsoa), saingy ny mpiasa
manana ny zom-pirenena Frantsay ihany. Tezitra ny Malagasy ka nilahatra teny

78
« Interrogation de contrôle »
79
« Interrogation de conservation »
80
« Interrogation de recherche »
81
« Interrogation de découverte »
82
M. BOUTRAND, in Guide pédagogique de l’institueur malgache, Fernand Nathan, Paris,
1968, p 69 : « L’interrogation de contrôle et l’interrogation de conservation visent à parmettre à
l’élève de consolider son savoir et au maître de contrôler les résultats de son enseignement »

- 168 -
- 182 -
Ambohitsirohitra ny 19 May 1930, ary hoy izy ireo tamin’izany: “Madagasikara
ho an’ny Malagasy, ary ny fahaleovantena ho an’i Madagasikara”.
Nisy rivo-panavaozana nitsoka tany URSS ka lasa sôsialista izy ireo.
Nanomboka teo, dia lasa nanome lanja ny maha olona ny firenen-dehibe, ary dia
namotsotra ny zana-tany.
Nisy “exposition coloniale” natao tany Frantsa, ary i Madagasikara ihany koa
dia naseho tany. Ny tanjona tamin’izany, dia ny hanehoana eo imason’izao
tontolo izao fa tsy firenena i Madagasikara, noho izany tsy azo omena
fahaleovan-tena Teo anatrehan’izany, dia tsy nipetra-potsiny ny Malagasy fa
nanohitra ny paikadim-pitondrana nataon’ny mpanjanaka tamin’ny endrika
maro. Noporofoin’ny Malagasy fa firenena i Madagasikara satria manana ny
teniny, ny fomba amam-panaony...
F: Apetraho amin’ny vanim-potoana nanoratana azy ity lahatsoratra ity: “Nofy sa?”,
nosoratan’i Lolo RAJONES

2.7.2.2 Ny fanontaniana natao hikarohana sy hahitana

Ny fanontaniana ampiasain’ny mpampianatra mandritra ny


fanatontosana ny lesona no antsoina hoe: “fanontaniana natao hikarohana”. Manana
anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandraisana anjara ny mpianatra hitady
fahalalana sy hanitatra ny efa ananany izy io. Ny fampianarana atao izany
amin’izay fotoana izay, dia fampianarana manome vahana ny mpianatra hanangana
ny lesona.“Ny tanjona dia ny mba hahitan’ny mpiantra avy amin’ny fikarohana
izay ataony ny fahalalana tiana hampianaria azy83”. Ny fanontaniana natao
hahitana ihany koa dia apetraka amin’ny mpianatra mandritra ny fandrafetana ny
vontoatin’ny lesona mba hahitany ny zavatra ianarany.

Araka izany, mba hahitan’ny mpianatra ny valiny marina amin’ny


fanontaniana apetraka aminy, dia tsy maintsy mandalo dingana roa izy: dingana
fikarohana sy ny dingana fahitana. Amin’izay fotoana izay, dia ny mpianatra ihany
no manao ezaka amin’ny fikarohana, fa ny mpampianatra kosa dia manampy azy

83
F. MACAIRE, P. RAYMOND, in Notre beau métier Manuel de Pédagogie Appliquée, Issy les
Moulineaux, Editions Saint – Paul – Les classiques Africains, 1964, p 157 : « Le but est de faire
découvrir par l’élève lui-même ce qu’on veut lui enseigner »

- 169 -
- 183 -
ireo amin’ny fametrahana fanontaniana tsikelikely hahatongavana any amin’ny
valiny andrasana.

Ohatra: Vanim-potoana fitakiana fanarenana 1945-1960, ny lesona


F: Inona no zava-nisy tamin’ny taona1945 sy 1960?
V: 1945: Nifarana ny ady lehibe faharoa
1960: nahazo fahaleovantena i Madagasikara
F: Inona no vokatry ny ady lehibe faharoa teto Madagasikara?
V: Nanararaotra ny fahavoazan’ny Frantsay vokatry ny fahareseny tamin’ny ady ny
Malagasy, ka niomana handrombaka ny fahaleovantena. Namorona ny antoko
MDRM tany Frantsa i RAVOAHANGY sy RASETA ny volana Aprily 1946.
F: Inona no tanjon’izy ireo tamin’izany?
V: Ny tanjony dia ny hanafoana ny lalàna maha zana-tany.
F: Inona no nataon’ny Frantsay rehefa nahita izany fihetsiky ny Malagasy izany?
V: Ny volana Jona 1946, dia namorona ny antoko PADESM izy, mba hisarihana ny
olona tsy hiditra ao amin’ny MDRM.
F: Inona anefa no zava-niseho?
V: Tsy nahomby ny tetiky ny Frantsay.
F: Lazalazao ny fihetsiky ny Frantsay teo ananterhan’izany.
V: Nisy famaizana nataony tany amin’ny faritra sasany: Moramanga, Manakara…
Nofoanan’ny Fanjakana ny MDRM ny volana May 1947, ary nosamboriny ireo
mpitarika: Raseta, Ravoahangy, Rabemananjara, Tata Max, Rakotovao Martin,
Joël Sylvin. Nogadraina sy natao sesi-tany tany Frantsa mandra-pahafatiny izy
ireo, nefa tafavoaka ihany noho ny fisian’ny O.N.U sy ny nataon’ny mpiray
tanindrazana taminy.
F: Inona indray no niseho tao aorian’izany?
V: Nosoloina ny mpitondra, ka nozaraina faritany 6 i Madagasikara , ary nomena
ireo olom-boafidy Malagasy tany amin’ny faritra misy azy ny fahefana; saingy
ny Frantsay ihany no manapaka raha misy raharaha goavana. Tamin’ny volana
Nôvambra 1957, dia nifanaraka hitaky ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara na
ny PADESM aza. Namorona ny antoko PSD indray ny Fanjakana rehefa
tsapany fa tsy dia nirona tamin’ny PADESM ny olona, ka i Philbert
TRIRANANA no filoha. Rehefa nahita izany ny antoko hafa tsy niditra tao, dia

- 170 -
- 184 -
nivondrona nanangana ny AKFM. Nafana fo tamin’izany ry Pasitera
ANDRIAMANJATO. R, Tata Max, G. RABESAHALA.
F: Inona no tanjon’ireo antoko vao niforona ireo?
V: Ny PSD sy ny AKFM, dia samy nikendry ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara
avokoa; saingy ny fomba nentina nitaky, ny fotoana, ny zavatra tadiavina no tsy
nitovy.

2.7.3 Ny fomba famolavolana fanontaniana

Maro ny fomba azo ampiharina rehefa mandrafitra fanontaniana. Ireto


manaraka ireto izy ireo:
1. Famerimberenana ny fanontaniana napetraka: fomba tsotra indrindra,
satria ilay fanontaniana napetraka tamin’ny voalohany ihany no
averimberina mba ho azon’ny mpianatra rehetra. Tsy ovana mihitsy ny
endriny mba hahafahana mijery ny lanjany na mahomby na tsia.

2. Fampifamadihan-toerana ny teny tao amin’ny fanontaniana


niaingana: ny fomba fametrahana fanontaniana, dia tokony hanaraka ny
fiteny fampiasa andavanandro, izany hoe: ny teny mitondra ny anjara asa
EM no hanombohana ny fehezanteny.

Ohatra:
F0 : Ny fandraisana ny kolontsaina vahiny, nitondra inona teo amin’ny
1 (L) 2 (EM)

fiainan’ny Malagasy?
3 ( F)
F184 : Nitondra inona teo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fandraisana
1 ( EM) 2 (F) 3 (L)

ny kolontsaina vahiny?

84
F1 : Fanontaniana nasiana fanovana na fanamboarana

- 171 -
- 185 -
3. Fandrafetana fanontaniana miainga avy amin’ny valiny nomen’ny
mpianatra. Eto izany, dia efa nisy fanontaniana napetraka tamin’ny
mpianatra, ary ny valin’iny fanontaniana iny indray no iaingana
hametrahana ny fanontaniana manaraka.
Ohatra:
F : Inona no atao hoe: manadihady lahatsoratra?
V: Ny atao hoe manadihady lahatsoratra, dia manakatra ny hevitra
fonosin’ny lahatsoratra.
F : Ahoana no atao mba hahafahana manakatra ny hevitra fonosin’ny
lahatsoratra?
V: mandinika ny fehezanteny tsirairay.

4. Fanovana ny teny tao amin’ny fanontaniana voalohany amina teny


hafa mitombina kokoa.
Manampy ny mpianatra amin’ny fahazoana ny fisafidianana ny teny
ampiasaina, satria mety tsy ho hainy na ho tsy nazava taminy ny
voambolana nampiasaina.
Ohatra:
F0 : Inona no resahina ao amin’ny lahatsoratra?
F1 : Lazao ny hevi-dehibe fonosin’ ny lahatsoratra.

5. Fampidirana teny hafa mba ho fenofeno kokoa ny fanontaniana


Vantanina avy hatrany izay zavatra angatahana amin’ny mpianatra, fa tsy
atao miolakolaka ny fanontaniana. Atao izay hahatsotra nefa mazava ny
fanontaniana, mba tsy hanahirana ny mpianatra.
Ohatra:
F0 : Inona no hevitry ny teny hoe: “manamainty molaly”?
F1 : Araka ny lahatsoratra: inona no hevitry ny teny hoe: “ manamainty
molaly ny tany?”

6. Fanasamahana ny fanontaniana
Ny mpampianatra, dia tokony hiezaka hatrany hanatsotra ny fanontaniana
apetraka, izany hoe: zaraina roa na telo ny fanontaniana iray. Raha be

- 172 -
- 186 -
loatra mantsy ny mpampifandray ao anatin’ny fehezanteny ampiasaina,
dia lasa lava sy mavesatra izany.
Ohatra:
F0: Inona avy no atao amin’izany fanatsarana ny tany izany ary nahoana
ny mpanoratra no manao fanentanana mikasika izany?
F1 : Inona avy no atao raha hanatsara ny tany?
Nahoana ny mpanoratra no manao izany fanentanana izany?

7. Fampitambarana dingana maromaro amin’ireo voalaza ireo


Azo atao ihany koa anefa ny maka dingana roa na telo, arakaraka izay
manavanana ny mpampianatra eo amin’ny fendrafetana fanontaniana. Izay
fantatra fa hahazoana ny valin-teny andrasana no atao.
Ohatra:
Araka ny lesona natao tany amin’ny kilasy fahasivy, mba omeo izay
EM
fahafantaranareo ny atao hoe : mamintina lahatsoratra?
L
Misy fanakambanana dingana telo amin’ireo voalaza teo aloha ao
anatin’io fanontaniana io, toy ny hoe:
− araka ny lesona natao tany amin’ny kilasy fahasivy: fampidirana
teny hafa mamaritra ny zavatra angataham-baliny. Manery kokoa ny
fanontaniana napetraka, ary mamefy ny mpianatra tsy hieritreritra
na hamorona zavatra hafa.
− ny fampiasana ny teny “mba”: teny milaza fiangaviana fa tsy
fanerena, izany hoe: manalefaka kokoa ny fomba fametrahana
fanontaniana, ka mety hahatonga ny mpianatra hazoto amin’ny
fandraisana anjara amin’ny famaliana ny fanontaniana.
− ny fampiasana ny fehezanteny mahazatra: ny teny mitondra ny
anjara asa enti-milaza no alefa mialoha.

- 173 -

- 187 -
Fehiny

Ny fomba fanaovana tombana izay dingana ahafahana manatratra ny


tanjona napetraka hotratrarina mandritra ny lesona iray no natolotra tamin’ity zana-
pizarana faharoa amin’ny fizarana fahatelo ity. Tokony hiezaka ny mpampianatra
hampihatra azy ireo, satria mampivaingana ny fahalalana omena ny mpianatra
izany. Ilaina ihany koa ny hanaovan’ny mpampianatra tombana mitarika ny
mpianatra mankany amin’ny asa famoronana, mba hahaizany mampivelatra ny
sainy hikaroka.

Naseho tao ihany koa, fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny


fampianarana ny fanontaniana, ka ilaina ny fanatsarana azy. Zavatra roa tsy afa-
misaraka ireo, fa mifamatotra hatrany. Ny fampianarana tokoa mantsy, dia
mifototra amin’ny fanontaniana, ary ny fanontaniana no fototry ny fampianarana;
izany hoe mihodinkodina ao amin’ny fanontaniana ny fampianarana, izy no vato
fehizoron’ny fampianarana. Tokony hiezaka araka izany ny mpampianatra ,
indrindra fa ny mpampianatra taranja malagasy amin’ny fanehoana azy io amin’ny
mpianatra, satria araka ny voalazan’i NDIA- BINTU Kayembe, dia: “ny atao hoe
fahaiza-mampianatra, dia ny fahaizana mametraka fanontaniana85”.

85
NDIA-BINTU Kayambe, in Conduire une leçon, Editions Hurtubise HMN/ tée, Montréal, 1980,
p.43 : « Savoir enseigner c’est savoir poser des questions »

- 174 -
- 188 -
TOKO III: FAMPIHARANA IREO SOSO-KEVITRA NAROSO
(TAKELA-PANOMANAN-DESONA)

Anisan’ny fitaovana iray lehibe ampiasaina eo amin’ny asa


fampianarana ny takela-panomanan-desona. Manampy ny mpampianatra amin’ny
fandrindrana ny asa fampianarana ataony ny fahaizana mandrindra ny zavatra
raketina ao anatiny. Koa mba tsy hampanjavozavo ny tolo-kevitra naroso teo aloha,
dia asehonay amin’ny alalan’izany ny andram-pampiharana azy ireo. Marihana
anefa, fa tsy tonga lafatra akory ny takela-panomanan- desona haroso manaraka
eto. Na izany aza, dia nezahanay ny mba hahitan’izay mamaky sy mampiasa azy
fahafaham-po.

Daty: 12 Febroary 2010


Kilasy: Kilasy fahafolo
Faharetany: ora 6
Seho: 3
Lohatenin-desona: Vanim-potoana 1818- 1896
Tanjona ankapobeny:
Mpianatra mahafehy ny tantara nolalovan’ny firenena nandritra ny vanim-potoana
nifandimby , ary mahay mampifandray izany amin’ny literatiora.
Tanjona manokana
− Ara-pahalalana
Mpianatra mahalala ireo zava-nisy teo amin’ny fiainam-pirenena (1818-
1896.)
Mpianatra mahafantatra ny mpanoratra sy ny asa soratra tamin’izany.
− Ara-pahaiza-manao
Mpianatra mahay manavaka ny tara-kevitra ijoroan’ny vanim-potoana iray
amin’ny nanim-potoana hafa.
− Ara-toetra amam-pihetsika
Mpianatra mankafy ireo asa soratra santatra.
Fitaovana: Angon-kevitra avy amin’ny mpianatra
Tononkira: Jeso be fitia ( 784 F.F.P.M), Jeso Tompo lehibe ( 115
F.F.P.M), Misaora an’i Jehovah ( 544 F.F.P.M)

- 175 -
- 189 -
Tahirin-kevitra: Daty malaza, 1948, RABARY
Ny maritiora malagasy, 1957, RABARY
Lovako T. 10

Fahare- Dingana Fizotran’ny lesona Fanamari-


tany
hana

SEHO I
10 1. Famere- F: Inona no lesona nataontsika farany? 1. Tombana
min nana
V: Vanim-potoanan’ny literatiora am- manomboka:
bava. fanombanana
F: Araka ny lesona natao farany, am-bava ny
hatramin’ny oviana no namaritantsika mpianatra
izany? tamin’ny ny
V: Izay rehetra nitranga talohan’ny lesona teo
1820. mialohan’ny
F: Inona àry no zava-nisy tamin’io hanomboha-
vanim-potoana io? na ny lesona
V: - Mbola tsy tonga teto Madagasikara vaovao.
ny soratra. Ny
- Natao am-bava daholo ny fampitana mpampiana-
ny zava-drehetra tra no
F: Manomeza ohatra amin’izany. manondro
V: izay
− Nampitaina tamin’ny alalan’ny mpianatra
angano ny fampianarana. hamaly ny
− Ny tantara dia notahirizina fanontaniana.
tamin’ny alalan’ny lovan-tsofina

Izao indray àry isika, dia hiroso amin’ny Teteza-mita


vanim-potoana manaraka. hidirana
amin’ny
lesona vaovao

- 176 -
- 190 -
Vanim-potoana 1818-1896 Soratana eny
F: Inona no zava-nisy fantatrareo amin’ny
25 2. Lesona
min vaovao manamarika ireo daty voalaza ireo , teto solaitrabe ny
amin’ny firenena? lohatenin-
3. Fandali-
nana V: 1896: lasa zana-tany frantsay i desona.
Madagasikara.
F: Inona araka izany no horesahana eto? 2. Tombana
V: Izay zava-nitranga talohan’ny manelane-
fanjanahan-tany. lana :
F: Inona àry no rafi-pitondrana nisy teto fametrahana
Madagasikara tamin’izany? fanontaniana
V: Fitondrana nifandimbiasan’ireo hikarohan’ny
mpanjaka no nisy. mpianatra ny
F: Milazà mpanjaka Malagasy teto lesona vao
Imerina izay fantatrao. Farito ny fotoana hatao.
nanjakany.
V: RADAMA I: 1810-1828
RANAVALONA I: 1828-1861
RADAMA II: 1861-1863
RASOHERINA: 1863-1868
RANAVALONA II: 1868-1883
RANAVALONA III: 18783-1896.
F: Araka izany, iza no mpanjaka
nitondra tamin’ny taona 1818?
V: Radama I
F: Inona no nampalaza an-dRadama I?
V: Izy no nampiditra ny soratra sy ny
fivavahana krisitianina teto
Madagasikara.
F: Azonareo omena ve ny anaran’ireo
misionera Anglisy roalahy nitondra
izany teto Madagasikara?
V: David JONES sy Thomas BEVAN
F: Oviana àry izany daty izany?

- 177 -
- 191 -
V: Tamin’ny taona 1818.
F: Raha vao miresaka hoe: fivavahana
kirisitianina, inona no fitaovana
tokony hilaina amin’izany?
V: Baiboly
F: Oviana àry no voasoratra ny Baiboly
malagasy voalohany?
V: tamin’ny taona1835.
F: Inona no nitranga rehefa nanjaka
indray Ranavalona I?
V: Nanenjika ny fivavahana kirisitianina
izy.
F: Azonareo lazaina ve izay mety ho
anton’ny fanenjehana nataony?
V: Satria izy mpanjaka masiaka.
Satria izy tsy tia vazaha.
Satria izy saro-piaro amin’ny taniny.
F: Inona no mety ho antony tsy itiavany
ny vazaha?
V: satria ny hanjanaka an’i
Madagasikara no tanjony, araka ny
fahitany azy.
F: Raha hanjanaka an’i Madagasikara
no tanjon’ireo vazaha, azo lazaina
hoe: “masiaka” ve ny mpanjaka
RANAVALONA I, raha nandroaka
azy ireo sy nanenjika ny fivavahana
nentiny?
V: Tsy masiaka izy?
F: Fa nahoana àry?

V: Satria izy niaro an’i Madagasikara


tsy hanjakazakan’ny vazaha.
F: Na dia nisy aza ny fihenjanan-

- -178
192- -
dRANAVALONA nandrara ny
vahoaka Malagasy kirisitianina, tsy
hifikitra amin’io fivavaham-bazaha
io, inona no nasetrin’ny olona azy?
V: Tsy nanaiky ireo kirisitianina sasany.
Mbola nisy ihany no nivavaka.
F: Taiza izany ry zareo no nivavaka?
V: Niafina tany an-davabato rehetra
tany.
F: Raha izay àry no zava-misy, ahoana
no fihetsika nataon-dRANAVALONA
I hanehoany tamin’ny Malagasy izany
tsy fitiavany ny vazaha izany?
V: Namono ireo izay mbola nifikitra
tamin’izany izy.
F: Iza no afaka hanome ohatra,
tamin’ireo Malagasy kirisitianina
novonoina tamin’izany?
V: Rasalama maritiora
F: Nanao ahoana ny fomba namonoana
azy?
V: Nolefonina tany Ambohipotsy.
F: Mbola misy hafa ve ankoatra an-
dRasalama?
V: Rafaralahy Andriamazoto.
F: Inona tsara moa no iantsoana ireny
olona novonoina ireny?
V: Maritiora krisitianina.
F: Fintino àry izay voalaza rehetra teo
5 min 4. Fandra-
izay. Asaina
vonana
V: Ny taona 1818, no tonga teto ataon’ny
Madagasikara ireo misionera mpianatra telo
Anglisy: Thomas BEVAN sy David na efatra
JONES, izay nitondra ny fivavahana ( am-bava)

- 179 -
- 193 -
kristianina, ary neken’ny Mpanjaka
RADAMA I izany. Rehefa maty
anefa RADAMA I ny 1828, ka
RANAVALONA I, no nandimby
azy, dia tsy nankasitraka ny
hanjakazakan’ireo vazaha teto
Madagasikara izy. Noho izany, nisy
ny fandroahana azy ireo sy fandava-
na ny fivavahana nentiny. Norarany
ihany koa ny Malagasy tsy hanaraka
izany intsony. Tsy nanaiky izany
anefa ny Malagasy sasany fa mbola
nisy ihany ny nivavaka niafina tany
an-davabato. Vokatr’izany tsy
fankatoavana izany, tezitra ny
Mpanjaka , ka novonoiny ireo izay
tratra: toa an-dRASALAMA,
Rafaralahy ANDRIAMAZOTO, sns.

I. Ny zava-nisy ara-tantara
Ora 1 5. Fandra- nanamarika ny vanim-potoana Soratana eny
sy 15 fetana ny
16 Aogositra 1818: tonga teto amin’ny
min lesona
Madagasikara tao Toamasina ireo solaitrabe ny
misionera Anglisy: Thomas BEVAN sy drafitra
i David JONES. Ny hitory ny itondrana ny
filazantsara sy ny hampianatra ny lesona.
soratra no anton-dian’izy ireo teto. Rehefa vita ny
Nanao fifanarahana tamin’ny Mpanjaka fanombanana
RADAMA I izy ireo. Rehefa nekeny ny am-bava, dia
hidiran’izany teto Madagasikara, dia ny arindra, ary
abidy latina no noraisina nananganana raketin’ny
ny abidy malagasy. mpianatra any
1818: matin’ny tazo I Thomas BEVAN anaty kahieny
sy ny vadin’I David JONES. Noho ny ny lesona azo

- -180
194- -
tazo, dia niverina tany Maurice I David tamin’ny
JONES. Ny volana Oktôbra 1819 izy alalan’ny
vao tafaverina teto Madagasikara fametrahan’ny
indray. Nitondra misionera iray izy mpampianatra
hanampy azy tamin’ny fandrafetana ny fanontaniana.
abidy malagasy, dia i GRIFFITHS.
Nanafatra vazaha hanampy azy izy ireo
amin’ny fanoratana ny teny malagasy
koa izy: JEFFREY, ROBERT, ary i
ROBIN.
Toy izao no foto-kevitra navoakan-
dRADAMA I, tamin’izany: “aoka tsy
handova izay anganonganon-kevitra avy
amin’ny vazaha eo amin’ny lafiny feo,
rehefa i , dia i , rehefa a , dia a. Aoka ho
iray ny fanoratana ny teny malagasy,
raha tsy izany, dia tsy ho iray ny
vahoaka.”
23 Martsa 1823: nivoaka ny abidy
malagasy.
1828: Maty RADAMA I, ary
nanomboka nanjaka RANAVALONA I.
1835: Voasoratra feno ny Baiboly
malagasy. Nisy ny batisa voalohany sy
ny fandraisana fanasan’ny Tompo.
Nanao kabary fampitandremana ny
vazaha RANAVALONA I: “Azon’ny
vazaha atao ny mivavaka, fa tsy azony
tarihina amin’izany ny vahoaka
malagasy”. Mbola nisy ihany anefa ny
Malagasy no nifikitra tamin’ny
fivavahana krisitianina. Vokatr’izany,
nenjehina ny vazaha sy ireo Malagasy
nanao izany.

- 181 -
- 195 -
Aogositra 1837 : Novonoina
RASALAMA maritiora.
1861: Maty RANAVALONA I, ary
nanomboka nitondra RADAMA II.

Fanamarihana
F: Raha ny zavatra voalaza tany aloha,
azo ambara ve fa nankahala ny
fivavahana krisitianina
RANAVALONA I?
V: Ny fiarahan’i Madagasikara amin’ny
vazaha no tsy tiany, fa tsy ny fivavahana
kirisitianina. Ny tanjony, dia ny mba
hisian’ny fandriampahalemana eto
amintsika . Izany hoe: fiarovana an’i
Madagasikara tsy hanjakan’ny vazaha.
Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana
anefa, RADAMA II, dia nanao
fifanarahana tamin’ny vazaha, ka
navelany hipetraka tany amin’ny faritra
atsinanana izy ireo. Tsy nanaiky izany
ireo Andriambaventy, nefa tsy nahoan-
dRADAMA II izany. Koa nisy namono Raiketina any
izy ny 1863. anty kahie.
Rehefa maty izy, dia mpanjaka vavy
telo no nifandimby nitondra an’i
Madagasikara:
RASOHERINA (1863-1868)
RANAVALONA II (1868-1883)
RANAVALONA III (1883-1896)
Rainilaiarivony no praiminisitra
nandritra izany.
1881: nanafika an’i Madagasikara ny
Frantsay. Na dia niezaka nanohitra aza

- 182 -
- 196 -
ny Malagasy, dia resy ihany.
29septambra 1895: tafakatra teto
Antananarivo ny Frantsay Tao Fort
Duchesne ry zareo no nitifitra ny Rova.
30 septambra 1895: nanangana saina
fotsy ny mpanjaka. Mitory faharesena
izany.
06 aogositra 1896: lasa zana-tany
Frantsay i Madagasikara.

1. Inona no lohatenin’ilay boky tafiditra


ao amin’ny fandaharam-pianaranareo
maneho ny ady nifanaovan’ny tafika
Malagasy tamin’ny tafika Frantsay.
2. Fintino fohifohy ny fizotran’izany
ady izany.
Valiny
1. Ny boky Mitaraina ny tany,
nosoratan’i Andry ANDRAINA 3. Tombana
6.Fampiha-
2. Famintinana ny fizotran’ny ady famaranana
rana
tamin’izany. ny seho iray:
Rehefa lasa zana-tany Frantsay i Fanomezana
Madagasikara ny taona 1896, dia tsy enti-mody.
nanaiky izany ny solombavam-
bahoakantsika tany Frantsa, ka
namolavona hevitra hanafoanana izany.
Ny taona 1947, no noforonon-dry
Ravoahangy tany Frantsa ny MDRM,
mba hanoherana izany fanjanahan-tany
izany. Tany Antsihanaka no
nanombohana azy teto Madagasikara,
ary nahasarika olona betsaka tokoa.
Nitatra nanerana ny Nosy ny hetsika,
izay notarihin’ireo miaramila tranainy,

- 197- -
- 183
Tangalamena,Raiamandrenin’ny tanàna,
ny Filohan’ny Foko, ary ireo mpiara-dia
taminy dia i Feno sy i Donga.Tsy
nijanona an-tanàna ny olona tamin’izany
fa nandao ny fonenany, ka namonjy ny
ala. Nisongadina tamin’izany ny ady
nifanaovan’ny Senegaly sy ny Malagasy
tia tanindrazana indrindra fa ny tao
amin’ny Toby Marovato, Ampangabe,
Ambatondrazaka, Moramanga...
Nahomby ny tolona nataon’ny Malagasy
tamin’ireo toerana ireo, na dia maro aza
no lavo. Singanina manokana
amin’ireny i Feno izay tovolahy tena
nafana fo tokoa ny amin’ny fitiavan-
tanindrazana. Namoy ny ainy tamin’ny
fanafihana ny tranomaizin’i Moramanga
izy. Niha nahery vaika ny famaizana
natain’i Frantsay: nosamboriny ny
mpitarika sy ny mpikambana tao
amin’ny MDRM , ary nofoanany tao an-
tsain’ny Malagasy ny fanirina hahazo
ny fahaleovan-tena. Nanjaka ny
fampijaliana sy ny habibiana izay tsy
nifidy sarangan’olona, na toerana. Natao
vono moka ny Malagasy, na lahy, na
vavy. Maro ny olona maty tamin’izany.
Fotoana fohy taorian’izany, dia nambara
ho ren-tany ho ren-danitra ny
fahaleovan-tenam-pirenena Malagasy;
saingy fahaleovan-tena sarintsariny
ihany izany raha ny zavatra niainan’ny
olona no dinihina.

- 184 -
- 198 -
SEHO II
F: Inona no lesona nataontsika tamin’ny
10 1. Famere- farany? 1. Tombana
min nana
V: vanim-potoana 1818-1896 fanomboha-
F: Ny inona tamin’izany no efa vita? na:
V: ny zava-nisy ara-tantara fanadinana
F: mba lazao fohifohy hoe, izay hita am-bava ny
tamin’izany zava-nisy ara-tantara izany? lesona natao
V: - 1818, tonga tao Toamasina ny farany.
misionera roalahy: Thomas BEVAN sy
David JONES, izay nitondra ny
fivavahana kristinina sy nampiditra ny
soratra teto amintsika.
- 23 martsa 1823: nivoaka ny abidy
malagasy
- 1835: voasoratra ny baiboly malagasy
- Aogositra 1837: novonoina Rasalama,
satria nifikitra tamin’ny fanarahana ny
fivavahana kristianina.
1818: nanafika an’i Madagasikara ny
Frantsay.
- 29 septambra 1895: tafakatra teto
Antananarivo ny Frantsay ary nitifitra
ny rova.
- nanangana saina fotsy izay mitory
faharesena ny Mpanjaka
RANAVALONA I.
06 Aogositra 1896: lasa zanatany
Frantsay i Madagasikara.
Hojerena manaraka ny literatiora
tamin’ity vanim-potoana ity

- 185 -
- 199 -
II. Ny fiantraikan’izany teo amin’ny
25 2. Fandali-
literatiora 2. Tombana
min nana
F: Inona avy moa no tsara ho fantatra manelanela-
raha vao miresaka hoe: literatiora? na:
V: Ny mpanoratra sy ny asa soratra. fandrefesana
F: Ndeha horaisina ny asa soratra. Inona ny haabom-
avy ireo karazana literatiora an- pahalalan’ny
tsoratra mety ho efa nisy tamin’ity mpianatra
vanim-potoana ity? mikasika ny
V: Tononkalo, sombin-tantara, tantara lesona vao
tsangana hatao ( natao
F: Raha miresaka tantara tsangana isika, am-bava)
tokony ho tantara manao ahoana no
natao tamin’ity vanim-potoana ity?
V: Tantara masina, satria resaka
fivavahana krisitianina no nibahana .
F: izany hoe, tantara notsoahana avy
taiza?
V: avy tao amin’ny Baiboly
F: manomeza àry ohatra amin’izany.
V: Tantara maneho ny nahaterahan’i
Jesosy.
Tantaran’i Josefa namidin’i
rahalahiny.
F: Raha miresaka tononkalo indray, efa
nisy tononkalo voasoratra ve
tamin’izany?
V: hira no efa nisy.
F: manomeza hoe , ohatra amin’izany.
V: Ny hira sasany ao amin’ny fihirana
F.F.P.M.
Ohatra: Jeso be fitia, lah. 784,
Sambasamba Zanahary, lah. 79
Ny ratsy efa tiako, laha. 425

- 186 -
- 200 -
Jehovah no anjarako, lah. 542
F: Ahoana no iantsoana ireny hira efa
taloha be ireny, ary noforonin’ireo
kirisitianina tany am-pandosirana?
V: hira maintimolaly.

Tamin’ity vanim-potoana ity no


nahatorontoronina ny literatiora an-
tsoratra malagasy. Efa nisy ny tononkalo
(tononkira) , ny sombin- tantara, ny
teatra, ary ny lahatsoratra
famotopotoran-kevitra. Nisongadina
tamin’izany ny literatiora kiristianina
izay natao hitoriana ny filazantsara.

2. Ny tononkalo
Ora 1 4. Fandra- Ity vanim-potoana ity no namaritra ny
sy 25 fetana ny
ho endriky ny tononkalo malagasy.
min lesona
Tany am-boalohany, dia tononkira no
niantsoana azy, satria an-dalan-teny
nasiana feo, ary hiraina any am-
piangonana. Manamarina izany ny
fisian’ny tononkira maitimolaly: “hira
noforonin’ireo Malagasy kristianina
tany am-panenjehana tamin’ny
andron’ny fanenjahana nataon-
dRANAVALONA I”. Ireny no azo
lazaina fa sangan’asan’ ny
mpanoratra Malagasy voalohany.
Betsaka no itovian’ireo amin’ny
tononkalo Anglisy, toy ny :
- andininy mitovy endrika hatrany
- andalana mitovy halava
- tsy miady rima fa misongadina kosa ny

- 187 -
- 201 -
fifandimbiasan’ny ngadona sy ny tsaika.
F: Inona no atao hoe: ngadona sy tsaika?
V: ngadona: vanim-peo tononina mafy
Tsaika: vanim-peo tononina mora
F: Apetraho amin’ity andalan-kira ity
àry izany.
Ohatra: hira faha 784 ( F.F.P.M)
Jeso be fitia
Zaza izahay Mpianatra
Avy mitaraina iray no alefa
Mihainoa anay eny amin’ny
solaitrabe; ny
Fanamarihana: ireo kirisitianina sisa kosa
maitimolaly dia tsy fantatra anarana afa- manao ao
tsy ireo roa ireto ihany: anaty kahieny.
Rainisoa RATSIMANDISA sy
Josoa RAMANISA.
Ny taona 1870-1896: nolazaina fa
taom-bolamenan’ny poezia malagasy,
satria nanomboka niroborobo ny
fanaovana tononkira. Rehefa nahita
izany ny anglisy , dia namorona poezia
vita tamin’ny teny malagasy.
Anisan’izany R.G Hartley: namorona
ny “Jeso mpamonjy mpiandry tokoa”
(fihirana F.F.P.M laharana faha 475) . Io
no tononkalo malagasy vita voalohany
indrindra, ary miady rima ( ab ab). Teo
ihany koa i Richardson. Tsy ela, dia nisy
ny poeta malagasy: Joseph
ANDRIANAIVORAVELONA rainy:
izy no rain’ny poeta malagasy,
nanoratra ny “ Jeso tompo lehibe” (115).
Nanatevin-daharana azy ry:

- 188 -
- 202 -
RAJAONARY, RAMAHANDRY,
RABEONY, RAZAFIMAHEFA...

3. Ny tantara an-tsehatra
Tantara notsoahina tao amin’ny
Baiboly, ary lalaovina an-tsehatra ,
notononina am-bava ny tantara, saingy
nisy ampahany nohiraina.
Ohatra: ny nahaterahan’i Jeso,
tantaran’i Daniel...
Io no hanome ny endriky ny tantara an-
tsehatra taty aoriana: misy hira sy
anatra.

4. Ny sombin-tantara
Iray ihany no nivoaka: “ Ny dian’ny
mpivahiny” na “Piligrim’s Progress”,
nosoratan’i John BUNYAN.
Taty aoriana, dia efa maro no nivoaka.
Ohatra: “Raivo mpanota”, nosoratan’i

HARIOLEY, in Takelaka Notsongaina


II, takila 83

5. Ny lahatsoratra famotopotoran-
kevitra
Betsaka no voasoratra, hita tany
amin’ny gazety:
- Ny Teny soa hanalan’andro ( 01
Janoary 1866)
- Ny Sakaizan’ny tanora.
- Ny Mpanolo-tsaina.

Ny lahatsoratra famotopotoran-kevitra,

- 189 -
- 203 -
dia natao hanazavana ny foto-pinoan’ny
krisitianina, ny fe-piainan’ny
krisitianina, ary ny voalazan’ny Baiboly

III. Ireo tara-kevitra nijoroan’ny


vanim-potoana
F: Raha izay àry no zava-nisy ara-
tantara sy teo amin’ny sehatry ny
literatiora nanamarika ity vanim-
potoana ity, mety ho nanao ahoana ny
fihetsiky ny olona tamin’izany? Inona
no tara-kevitra nisongadina tany
amin’ny asa soratra?
V:
- Finoana an’ Andriamanitra ho
mpamonjy.
- Fiheverana Azy ho Ray be fitiavana
- Fahatsapana fa malemy ny
olombelona, ka mila hery hafa hanampy
azy dia Andriamanitra
- Fandalovana ny eto an-tany
- Fanantenana miredareda ao am- po fa
rehefa maty, dia
horaisin’Andriamanitra any amin’ny
toerana feno fahasambarana.
F: Amintsika Malagasy, rehefa misy
mahaory , na misy zavatra
mahasahirana, iza no itarainantsika
voalohany?
V: Ny olona manodidina toy ny ray Am-bava
aman-dreny, ny havana...
F: Raha ireo tara-kevitra ireo no
dinihana, mifanaraka amin’ny fomba
fisainan’ny Malagasy ve ny lalan-tsaina

- 190 -
- 204 -
nentin’ny vahiny teto amintsika?
V: Tsy mifanaraka, satria , ny azy
Andriamanitra izay hery tsy hita maso
no iantorahana rehefa misy manjo.
F: Ahoana àry no azo amehezana izay
voalaza izay?
V: Fehiny
Hita araka izany, fa lalan-tsaina tery no
nentin’ny misionera teto amintsika,
satria foto-pisainana tsy mahita ny
ambany maso, fa manome vahana ny
any an-koatra mandrakariva. Ny an’ny
Malagasy, rehefa misy mahasahirana
azy, dia ny manodidina azy no
idodododoany voalohany, ary ny
fiarahamonina ihany koa no mitsara
raha misy tsy mety atao. Izany no
mahatonga azy tsy hanao ratsy eo
amin’ny fiainana. Na izany aza, dia
misy ihany ny iombonan’ireo foto-
pisainana roa ireo: ny fahaiza-mitondra
tena no maha olona ny olona.
Asa:
1. apetraho ny ngadona sy ny tsaika
amin’ity tononkira ity.
3. Tombana
5 min 5. Fampi-
Jeso tompo lehibe
harana mamarana
ny seho iray:
Iraky ny rainy
Fampiasana
Nolatsain’ny marobe entin’ny
mpianatra
Tsy mba nohajainy
mody

- 205
- 191 - -
2. Mitondrà asa soratra nataona
mpanoratra malagasy nivoaka tamin’
ity vanim-potoana ity hitanao any
amin’ny fihirana F.F.P.M
3. Mamorona tononkalo ahitana
fifandimbiasan’ny ngadona sy tsaika.

SEHO III

F: Inona no lesona nijanonana tamin’ny


15 1. Famere- fihaonana farany? 1. Tombana
min nana
V: Ireo tara-kevitra nijoroan’ny vanim- manomboka:
potoana 1818-1896. Fanadinana
F: Inona avy izy ireo? am-bava ny
V: Fiantorahana amin’Andriamanitra lesona natao
raha misy manjo, fiheverana fa malemy farany sy
ny olom-belona, ka mila fitsarana ny
an’Andriamanitra hanampy azy, enti-mody
fanantenana paradisa rehefa miala ety
an-tany.
F: Iza àry no hanao ny asa nasaina
nentinareo nody eny amin’ny
solaitrabe?
V: Jeso tompo lehibe
Iraky ny rainy
Nolatsain’ny marobe
Tsy mba nohajainy
F: Mbola misy asa hafa ve an-koatra
izay?
V: Ny asa soratra sy ny mpanoratra
F: Adikao eny amin’ny solaitrabe àry
izay hitanareo tany.
V: RABARY
ANDRIANAIVORAVELONA J.

- 192 -
- 206 -
RAJAONARY
RAJAONAH
RAZAFIMAHEFA
F: Iza no anaran’ireo kiristianina roa
fantatra anarana, fa anisan’ny namoron-
kira ? Soraty eny amin’ny solaitrabe
ihany koa.
V: Rainisoa RATSIMANDISA
Josoa RAMANISA

IV. Ny mpanoratra
Raiso any anaty kahie ireo nadikanareo
eny amin’ny solaitrabe ireo.
F: Inona no anaran’ireo gazety efa
hitantsika tany aloha? 2. Tombana
25 2. Fandrai-
V: Gazetim-piangonana: manelanela-
min ketana an-
tsoratra Ny Teny soa hanalan’andro na
Ny Mpanolo-tsaina

V. Ny gazety
Gazetim-piangonana :
Ny Teny soa hanalan’andro ( an’ny
prôtestanta)
Ny Sakaizan’ny tanora (an’ny
protestanta)
Ny Iraka (an’ny katôlika)
Ny Tantara sy hevitra (an’ny
Anglikana)
Gazetim-panjakana:
Gazety Malagasy

- -193
207- -
Asa
45 3.Fampiha-
Ny tononkira: “misaora an’i Jehovah”, 3. Tombana
min rana
nalaina tao amin’ny fihirana F.F.P.M, mamaranana
laharana faha 544, no nomena ny ny lesona
mpianatra. iray:
Fanontaniana Fampiasana
1. Inona avy hevi-dehibe hita amin’ity natao tao an-
tononkira ity? dakilasy.
2. Vanim-potoana inona no
nivoahany?
3. Mamorona tononkira ahitana taratra
ireo tara-kevitra ireo.

F: Raha izay no zava-nisy nampiavaka


10 4. Tsoa- ity vanim-potoana ity, Vanim-potoana Atao am-bava
min kevitra
inona no azo iantsoana azy? Asaina raisiny
V: Vanim-potoana krisitianina na any anaty
vanim-potoana talohan’ny kahie.
fanjanahan-tany.

- 194 -
- 208 -
Famintinana ny fizarana fahatelo

Raha fintinina izay rehetra voalaza tato amin’ny fizarana fahatelo


farany izay, dia azo ambara fa maro ireo singa samihafa manana anjara amin’ny
fanatsarana ny fampianarana ny taranja malagasy.

• Anisan’izany ny fanjakana. Manana andraikitra izy eo amin’ny fanatsarana


ny famolavolana ny fandaharam-pianarana, izay fitaovana voalohany eo am-
pelan-tanan’ny mpampianatra hanatanterahana ny fampianarana. Toy izany
ihany koa ny sekoly, izay toerana andraisana ny mpianatra. Ilaina ny
fikarakarana azy ireny, mba hahafahana manatontosa ny fampianarana araka
ny tokony ho izy. Zava-dehibe tsy tokony hohadinoiny ihany koa ny
famatsiana fitaovana ampiasaina , dia ny boky aman-tahirin-kevitra izany.

• Tao ihany koa ny ray aman-drenin’ny mpianatra: nomena izay manandrify azy
izy ireo amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fanaraha-maso akaiky ny
zanany, indrindra fa amin’ny fianarana ny taranja malagasy.

• Tsy diso anjara ny mpianatra izay azo lazaina fa tompona antoka voalohany
amin’ny fahombiazan’ny fianarana ataony. Tokony hanana fahavononana izy
ireo amin’ny fandavan-tena hianatra sy hamolaka fomba fianatra matotra.
Nezahina ny hanome tolo-kevitra ny tsirairay avy mba hahitana fahombiazana
eo amin’ny fianarana izay ataony.

• Ny tena nasongadina, dia ny fomba fanaovana tombana ny mpianatra.


Nojerena tamin’izany ny famaritan’ireo mpandinika ny atao hoe tombana, tao
ihany koa ny fanavahana io voambolana io amin’ireo teny mifanakaiky
hevitra aminy (fandrefesana, fanaraha-maso,fitsarana). Noresahina ihany koa
ireo karazana anjara asa fanombanana sy ireo endrika azo anatanterahana
izany. Ny fomba fiasan’ny mpampianatra araka izany no tena nanompanana
ny tolo-kevitra. Naharihary tamin’izany, fa ilaina ny fanaovan’ny
mpampianatra ireo karazana tombana telo mandritra ny fampianarana: ny
tombana manomboka, izay natao hamerenana sy hanamafisana ny lesona ny
fahafehezan’ny mpianatra ny lesona efa vita; ny tombana manelanelana: natao

- 195 -
- 209 -
hamantarana ny fahalalana ananan’ny mpianatra mikasika ny lesona vao
hatao; ary ny tombana mamarana: natao hanamafisana ny fahalalana vao
nomena. Mba hahatomombana ny fanaovana tombana anefa, dia naroso tao
ihany koa ireo karazana anjara asa fanombanana efatra; ny tombana mitarika
ny mpianatra hamorona fa tsy hamerina, na hamakafaka fotsiny ny
fampianarana nataony; naroso tao ihany koa ny fomba fandrafetana
fanontaniana, satria ny fahombiazan’ny fampianarana, dia mifototra amin’ny
fahaizana mametraka izany.

• Navoitra tamin’ny fanolorana ny takela-panomanan-desona ny ireo dingana


rehetra tsy maintsy harahin’ny mpampianatra mandritra ny lesona iray, sy ireo
tombana tokony hatao amin’izany. Nezahana ihany koa ny naneho ny fe-
potoana tokony hanatanterahana izany, mba hahafahana mifehy ny asa.

- 196 -

- 210 -
TENY FAMARANANA

Sehatry ny haifampianarana no nirotsahana tamin’ity asa fikarohana ity.


Naompana tamin’ny fijerena ny fampianarana taranja malagasy teny anivon’ny
sekoly ambaratonga faharoa ( Lycée) ny asanay. Tsiahivina, fa “tolo-kevitra ho
fanatsarana ny fomba fanaovana tombana ny mpianatra any amin’ny
ambaratonga faharoa manokana, miainga avy amin’izay hita tany amin’ny
Lycée Nanisana” no lohateny nampitondraina izao asa fikarohana izao.

Izany no natao, dia noho ny fahitana fa mihen-danja ny fanaovan’ny


mpampianatra sasany ny tombana mandritra ny fampianarana ny taranja malagasy,
nefa tena zava-dehibe miantoka ny fahombiazan’ny fampianarana ny
nanatanterahana izany.

Ny tanjona nokendrena, dia ny handresy lahatra ireo mpampianatra


taranja malagasy, sy hampisongadina amin’izy ireo, fa miantoka ny
fahombiazan’ny fampianarana ny fanaovana tombana noho izy manatsara ny
vokatra andrasana, ka ilaina ny fanatanterahana azy. Tsy nijanona tamin’izany
fotsiny anefa ny asa, fa nezahina ny nitondra vahaolana sy tolo-kevitra manoloana
ireo olana samihafa hita mba hahafahana manatsara sy manavao ny fomba
fampianarana ny taranja malagasy any amin’ny Lycée.

Na izany aza anefa, dia misy fetrany ihany ny asa fikarohana natao.
Fijerena ny zava-misy amin’ny ankapobeny mikasika ny fanaovana tombana
amin’ny taranja malagasy no natao, ka mpampianatra roa sy ny kilasy ampianariny
ihany no narahi-maso manokana.

Raha tsiahivina, dia tsy mora ny nanatanteraka izao asa izao. Noho
izany, tsy nihambo ho nahavita irery izahay, fa teo tokoa ireo olona maro niara-
nisalahy taminay tamin’ny fanatontosana ny asa. Tsy mora mantsy ny miresaka asa
fampianarana sy fanabeazana, noho izy mamolavola ny mpianatra ho olom-banona.

- 197 -
- 211 -
Raha iverenana ireo olana nosetraina, dia teo amin’ny lafiny fotoana sy
ny tsy fahampian’ny tahirin-kevitra tany amin’ny toerana nanaovana fanadihadiana
no tena nanahirana. Nisy hatrany anefa ny vahaolana noraisina arakaraka ny
fisehoan’ny olana.

Mba tsy hampivaona ny fikarohana, dia nisy ny haitsikera sy lalan-tsaina


narahina. Karazany roa no nentina nanatanteraka ny asa. Tao ny haitsikera
nampiasain’i J . TARDIF, izay fomba fijery mifototra amin’ny fampitan-kafatra na
“communication”. Asa fampitan-kafatra, hoy izy ny asa fampianarana, ka miankina
betsaka amin’ny fampitam-pahalalana ataon’ny mpampianatra ny fahombiazany.
Azo fintinina amin’ireto ny fomba fiasa takina amin’izany: mpampianatra manana
paika mazava rehefa mampita fahalalana, mpampianatra mahay mandrindra ny
fomba fampitana fahalalana amin’ny mpianatra rehetra sy amin’ny isam-
batan’olona, mpampianatra afaka manombana ny fahazoan’ny mpianatra ny
fahalalana nampitaina.

Teo ihany koa ny lalan-tsaina mifototra amin’ny fifandraisana miako na

“interaction” nampiasain’ny sôsiôlôgy Guy ROCHER. Ity lalan-tsaina ity no

nahafahana nitaratra ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny

mpampianatra sy ny mpampianatra , teo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra

ary teo amin’ny mpianatra sy ny mpianatra; tafiditra tamin’izany ihany koa ny

fifandraisan’ny fampianarana sy ny tontolo manodidina ny sekoly. Mifameno sy

mifampiankina ny fifandraisan’ireo singa voatanisa ireo, na ao an-dakilasy, na any

ivelany. Hoy indrindra izy raha namaritra izany: “ Ny fifandraisana miako (...) dia

ny fifandraisana misy eo amin’ny olona roa, ny fifanakalozana eo amin’izy ireo, na

raha ny marimarina kokoa, dia ny fifaneraserana ateraky ny fifandraisan’izy

ireo86”

86
G. ROCHER, Introduction à la sociologie générale, Edition HMH, Ltée collection Points, 1968,
p. 180 : « L’interaction sociale [..] C’est la relation entre deux personnes, c’est le rapport qui
existe entre elles, c’est plus exactement encore l’interaction qui résulte de leurs relations. »

- 198 -
- 212 -
Ireo haitsikera ireo, no niaingana tamin’ny fanolorana tolo-kevitra sy
andram-bahaolana.Toy izao manaraka izao ny zavatra hita tao amin’ireo fizarana
telo lehibe novelabelarina teo aloha .

Ny fizarana voalohany no nanoritsoritana ny Lycée Nanisana tamin’ny


ankapobeny. Voalaza tao ny tantaran’ny sekoly sy ny toerana misy azy. Naseho tao
amin’ity fizarana voalohany ity ihany koa ireo lesona narahina tamin’ny firotsahana
an-tsehatra.

Ny fanadihadiana ireo fampianarana naroso ireo sy ny fandalinana ny


antony nahatonga ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazana kosa no naseho tao
amin’ny fizarana faharoa. Tsapa tamin’izany fa maro ireo olana amin’ny
fampianarana ny taranja malagasy. Anisan’izany, ny fanaovana fampianarana
tolotra, izay misarika ny sain’ny mpianatra hanao tsianjery fotsiny ny lesona
nomena azy, ny tsy fampandraisana anjara azy ireo, ny tsy fanaovana tombana.
Izany rehetra izany, dia mitarika ny mpianatra hanamaivana ny fianarana ny
taranja malagasy.

Teo anatrehan’izany, dia tsy hay ny nitazam-potsiny, ka izany indrindra


no nanokanana ny fizarana fahatelo ho amin’ny tolo-kevitra sy andram-bahaolana.
Naseho tamin’izany, fa mila fanavaozana ny fampianarana ny taranja malagasy any
amin’ny Lycée, indrindra fa ny fanaovana tombana. Nohamafisina tamin’ny soso-
kevitra izay naroso fa ny fanatsarana ny fifandraisana ao an-dakilasy no fototry ny
fahombiazan’ny fampianarana. Noho izany, ilaina ny fanatanterahana izany
mandritra ny fotoana anaovana ny fampianarana. Antenanina fa hitondra
fanavaozana sy fanatsarana ny fampianarana ny taranja malagasy any anivon’ny
sekoly ambaratonga faharoa ireo tolo-kevitra samihafa ireo.

Izay no zava-misy manodidina ity asa fikarohana ity. Tsapa fa tsy tonga
lafatra ny asa. Voafetra ihany mantsy ny sehatra sy ny fotoana ary ny zavatra
nodinihina nandritra ny fanadihadiana natao. Ambara fa santatra eo amin’ny asa
fikarohana ihany izy ity. Noho izany, tsy ferana ny fisian’ny lesoka ilam-
panarenana. Raisinay amim-pitiavana raha misy ny fanitsiana sy ny fitsikerana mba
hanatsarana izao asa fikarohana izao.

- 199 -
- 213 -
BOKY AMAN- TAHIRIN-KEVITRA

BOKY FOTOTRA

CRAHAY (M) Evaluation et interactions maître- élève ?


(1- AVD).
ROCHER (G) Introduction à la sociologie générale. Editions HMH.
Ltée Collection points.

ROEGIERS (X) L’école et l’évaluation. Paris: De Boeck Université.


2004

TARDIF (J) Pour un enseignement stratégique. Les Editions


1994 logiques. Imprimées au Canada. Louisevile.

BOKY NAKANA HEVITRA SY TOHAN-KEVITRA

Boky amin’ny teny Frantsay

CARDINET (J) Evaluation scolaire et pratique. De Boeck- Wesmael s.a.


1994 203 Avenu Louise. 1050 Bruxelles.

CARDINET (J) Pour appreçier le travail des élèves. Paris : De Boeck


1988 Wasmael. 133 tak.

CHARRIER (CH) et Nouvelle Pédagogie Vecue. Fernand Nathan. Imprimé en


OZOUF (R) France. 494 tak.
1969

CRIEGER (P) Pédagogie génerale TOME I. LIGEL 77, Rue de


VAUGIRARD. Paris VI.

MEYER (G) Evaluer. Pourquoi ? Comment ? Hachette / Education.


1995 France.175p.

- 200 -
- 214 -
Boky amin’ny teny Malagasy

ANDRIAMANGATI Vakivakim-piainan. Trano Printy PRIMA. Fanontana


ANA (I.P) fanintelony. Faribolana I.P.A. Antananarivo. 75 tak.
2005

DAHLE Anganon’ny Ntaolo. Trano Printy Loterana. Tananarive.


1984 296 tak.

RABARY Ny maritiora malagasy. imprimerie Luthérienne. natonta


1957 fanimpitony.

RAKOTOSON Lovako T. 11. Editions Ambozontany Analamahitsy


RAOLISOA Lala Antananarivo. 240 tak.
(J.A)
2001

RAKOTOSON Lovako T. 12. Editions Ambozontany Analamahitsy


RAOLISOA Lala Antananarivo. 288 tak.
(J.A)
2003

RASOLONJATOVO Fitsipi-pitenenanana sy lahatsoratra. 113 tak.


(A)
1996

RAZAFINDRAZAKA Mitaraina ny tany. Librairie mixte Antanananrivo.


[ANDRY 218 tak.
ANDRAINA]
1975

RAKIBOLANA

LAROUSSE Dictionnaire de français. Imprimerie


2000 « LAPITOGRAFIVA VARESE S.P.A » Italie

RAJEMISA Rakibolana malagasy. Editions Ambozontany


RAOLISON (R) Analamahitsy – Antananarivo Madagascar.
2003

SIMS (J) et Dictionnaire Français – Malgache. Trano Printy


KINGZETT (J. C) Loterana Tananarive.
1969

- 201 -
- 215 -
ASA FIKAROHANA

ANDRIAMASINORO Contribution à l’amélioration de la formation des


Jamson Rabetokotany. questions de découverte pendant les cours de malgache :
1997 cas des classes de 6è dans la commune urbaine de
FARAFANGANA pendant l’année scolaire 1996-1997.
153 p.
Mémoire de fin d’Etudes pour l’obtention du Diplôme de
Conseiller Pédagogique de l’Enseignement Secondaire
(D.C.P.E.S) Anatananarivo.

RABARISON Andrana fanatsarana ny fampianarana riba miatrika ny


Vorihanitriniaina vaninandro ankehitriny : Ambaratonga Faharoa Dingana
Holiarisoa faharoa.
2008 129 tak
Mémoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo.

RABETRANO Zatovo Ny asa fampiharana amin’ny taranja malagasy hita


Feno Hery amin’ny SAFM. 110 tak.
1990 Mémoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo.

RAMANANTSOA Ny toetra amam-pihetsiky ny ankizy kilasy famaranana sy


Nirina H. ny fomba tokony hampianarana ny tantaran’ny literatiora
araka izany. 260 tak.
Memoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo.

RANOROSOA Hanta Andrana fanatsarana ny fampianarana tantaran’ny


Ndrianina literatiora ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny
2002 Fivondronam-pokotan’ARIVONIMAMO. 106 tak.
Mémoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo.

- 202 -
- 216 -
RAKOTOMAVO Fomba famolaolana boky fampianarana ny taranja
Holinirinasoa Pérpétue malagasy kilasy famaranana miainga amin’ny
2010 fandinihana sy fitsikerana ny boky FARY MAMY T. 12.
311 tak
Mémoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo

RAKOTOZANANY Fampianarana teny ibeazana sy kolontsaina malagasy


Valisoa Sitraka mifototra amin’ny mahaliana.160 tak.
2004 Mémoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo.

RATOVONOMENJA Andrana fanatsarana ny fampianarana riba ao amin’ny


NAHARY Sergio kilasy faharoa sy ny fomba azo intondrana izany miainga
2002 amin’ny horonan-tsarimihetsika. 181 tak.
Mémoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo.

SONY Tombana momba ny fampianarana ny taranja malagasy


1995 ao amin’ny sekoly Ambaratonga faharoa. 191tak.
Mémoire de C.A.P.E.N E.N.S Antananarivo.

- 203 -
- 217 -
-XII
218 -
LISITRY NY TOVANA

TOVANA I: Famintinana ny fandaharam-pianarana taranja malagasy.......XIV

TOVANA II: Ireo lahatsoratra nampiasaina tamin’ny fanatanterahana


ny fampianarana tao amin’ny kilasy fahafolo.......................XX

TOVANA III: Ny fitsipika mifehy ny mpianatra ao amin’ny


Lycée Nanisana..................................................................XXIII

TOVANA IV: Ny endriky ny fanadihadiana am-bava sy an-tsoratra


natao tamin’ny mpianatra..................................................XXIV

TOVANA V: Ny endriky ny fanontaniana nasaina novalian’ny


mpampianatra an-tsoratra..................................................XXVI

FAMINTINANA..............................................................................................XXVII

RESUME........................................................................................................ XXVIII

ABSTRACT.......................................................................................................XXIX

XIII
- 219 -
TOVANA I

FAMINTINANA NY FANDAHARAM-PIANARANA
TARANJA MALAGASY

Ny tanjona ankapobeny.
Ny mpianatra nahavita ny ambaratonga fahatelo dia afaka:
mitia sy mikolo ary miaro ny haren-tsaina malagasy.
manana saina matotra sy mahay mandanjalanja ary tia karokaroka.
manaporofo ny fanany saina mahay mamakafaka ary maneho sy
manohana ny heviny.
mikirakira sy mampiasa ny teny malagasy amin’ny maha- fitaovam-
panehoan-kevitra sy fifandraisana azy.
manakatra ny lanjan’ny haren-tsain’ny firenen-kafa ary misokatra amin’ny
fahalalana iombonan’ny zanak’olombelona.

1. KILASY FAHAFOLO ( ny lanjan’ora: 4 isan-kerinandro)

Ny tanjona
Ny mpianatra mahavita ny kilasy faharoa dia afaka:
− mamakafaka ny haren-tsaina malagasy fonosin’ny fiainany sy ny fomba
amam-panaony.
− manakatra sy miady hevitra amin’ny fandinihana lahatsoratra sy
fifanakalozan-kevitra.
− mandinika sy mampiasa ny teny amin’ny maha fitaovam-pifaneraserana sy
fanehoan-kevitra azy.

XIV
- 220 -
Ny vontoatiny
a. Ny literatiora: 20 ora

− Ny literatiora amin’ny ankapobeny: famaritana, toetrany, asany , ny


hakantony
− literatiora am-bava sy an-tsoratra: famaritana, karazany
− Ny tekinikan’ny fanadihadiana lahatsoratra: famaritana, karazany
− Ny famintinan-dahatsoratra
− Ny tantaran’ny literatiora Malagasy:
⋅ Vanim-potoana 1818-1896 - Ny zava-nisy
⋅ Vanim-potoana 1896-1915
⋅ Vanim-potoana 1916-1922
- Ny endriky ny literatiora

⋅ Vanim-potoana 1922-1929 - Ny vontoatiny

b. Riba: 52 ora
− Ny fandrosoana: 24 ora

⋅ Famaritana
⋅ Ny tanora sy ny fandrosoana
⋅ Ny fifandraisana eo amin’ny farahamonina
⋅ Ny adidy sy ny andraikitry ny tsirairay eo amin’ny
fampandrosoana
⋅ Ny tanora mitsinjo ny ho aviny fanoitra iray mahomby ho an’ny
fandrosoana
⋅ Ny fahaleovan-tenan’ny tanora

− Ny fahafahana : 28 ora
⋅ Famaritana
⋅ Ny endrika isehoan’ny fahafahana
⋅ Ny fetran’ny fahafahana
⋅ Ny dikan’ny fahafahana

XV
- 221 -
2. KILASY VOALOHANY

Ny tanjona
Ny mpianatra mahavita ny kilasy voalohany dia afaka:
− manavaka ny rafi-pisainana amam-pinoana malagasy raketin ‘ny fomba
amam-panaony miohatra amin’ny amin’ny an’ny hafa.
− mandrindra ny fahalalana norantoviny amin’ny sdoatoavin’ny fireneny
manoloana ny maha-olom-pirenena azy.
− manaporofo ny fananany fahalalana ampy mikasika ny literatiora sy ny
fifehezany ny tekinika samihafa ilaina amin’ny fanjohian-kevitra ao
amin’izany.
− manasongadina ny lafiny kanto ao amin’ny lahatsoratra na lahabolana
amin’ny maha-taranjan’ny zava-misy sy fitaovam-panehoan-kevitra azy.
− mampiasany teny malagasy hita amin’ny fanehoan-kevitra am-bava na an-
tsoratra amin’ny fomba tsotra sy manara-pitsipika
− mihaino sy manakatra ny hevitry ny hafa ary mandahatra sy manohana ny
heviny

Ny vontoatiny
a. Ny literatiora: 34 ora ho an’ny sokajy L, 30 ora ho an’ny sokajy S
− Ny literatiora amin’ny ankapobeny: famaritana
− Ny tantara foronina: famaritana, ny firafitry ny tantara, ny mpandray anjara,
ny hevitra raiketiny, ny hakantony.
− Ny tantaran’ny literatiora:

⋅ Ny vanim-potoana mitady ny very: 1930-1945: ny zava-nisy, ny endriky


ny literatiora

⋅ Vanim-potoanan’ny fitakiana fahafahana: 1945-1960: ny zava-nisy, ny


endriky ny literatiora.
− Ny mpanoratra sy ny asa soratra: ny tantaram-piainany, ny asa sorany, ny
hakanton’ny asa sorany, andram-panazavana ny asa soratra miainga avy
amin’ny tantaram-piainan’ny mpanoratra.

XVI
- 222 -
b. Ny riba
− Ny rafi-pisainana malagasy tarafina amin’ny fomba fiainany:
30 ora ho an’ny sokajy L sy S

⋅ Ny marina - Famaritana

- Ny endrika isehoany
Ny rariny - Ny lanjany

- Ny olo-marina sy nyfampandrosoana
Ny hitsiny
− Ny fahalalana, ny fahendrena: ny olon-kendry/ ny manam-pahalalana,
ny anjara toerana eo amin’ny fiarahamonina, ny manam-pahaizana sy ny
fampandrosoana.

− Ny hasin’ny tanin-drazana sy ny fahefana amam-pitondrana:


40 ora ho an’ny sokajy L sy sokajy S

⋅ Ankapobeny: famaritana ny hasina, ny hasin’ny tsirairay, ny toerana sy


ny zavatra manan-kasina

⋅ Ny hasin’ny tanindrazana: famaritana, ny loharanony, ny endrika


isehoany.

⋅ Ny fahefan amam-pitondrana: famaritana, ny loharanony, ny endrika


isehoany, andram-pamaritana ny “mpitondra”, ny tanora sy ny avara-
pianarana ary ny fahefana amam-pitondrana.

Fanadihadiana lahatsoratra
Famakafakan-kevitra

XVII
- 223 -
3. KILASY FAMARANANA ( ny lanjan’ora: 4 isan-kerinandro)

Ny tanjona
Ny mpianatra mahavita ny kilasy famaranana dia afaka:
− mifehy ny tanjona rehetra tany amin’ny kilasy teo aloha.
− manakatra ny hevitra rehetra mifampikasoka aminy eo amin’ny sehatra
samihafa.
− manaporofo ny fananany saina matotra sy matsilo, voataiza tamina
vakomanitra feno sy ampy.
− manaraka ny rafi-pisainana malagasy, ny fiheverany ny amin’ny tontolom-
piaraha-miainy ary ny fivoaran’izany manaraka ny tantara.

Ny vontoatiny

a. Ny literatiora: 30 ora ho an’ny sokajy L, 20 ora ho an’ny sokajy S


− Ny tantaran’ny literatiora malagasy:

⋅ Vanim-potoana: 1960-1972

⋅ Vanim-potoana: 1972-1991 - Ny zava-nisy


- Ny fironan-tsaina
⋅ Vanim-potoana 1991-2000
− Ny mpanoratra malagasy malaza: ny tanataram-piainany, ny sokajin-
kevitra raketin’ny asa soratra, ny fifandraisan’ny endrika ivelany sy
ny vontoatiny

b. Ny riba: 50 ora ho an’ny sokajy L sy S


− Ny amin’ny olombelona sy ny fifandraisany
− Ny fanahy: famaritana samihafa
− Ny fanahy sy ny singa maha olona: hasina, saina , ny aina , ny
hery …
− Ny lanjan’ny fanahy eo amin’ny fampivoarana

XVIII
- 224 -
− Ny tsiny sy ny tody: famaritana, ny toetrany ,ny loharanony, ny
lanjany, ny finoana ny tsiny sy ny tody manoloanana ny
fampandrosoana
− Ny finoana ny hery tsy hita:

⋅ Ny anjara, lahatra, vintana, tendry: famaritana, ny lanajany, ny


ny finoana azy manoloana ny fampandrosoana

⋅ Andriamanitra , razana, zanahary: famaritana, ny toetrany, ny


lanjany, ny finoana azy, ny finoana amam-pivavahana
− Ny fitsimbinana ny faharetan’ny taranaka

Fanadihadiana lahatsoratra
Famakafakan-kevitra

XIX
- 225 -
TOVANA II

IREO LAHATSORATRA NAMPIASAINA TAMIN’NY


FANATANTERAHANA NY LESONA TAO AMIN’NY KILASY FAHAFOLO.

Rapeto sy Rasoalao

Rapeto, hono, dia vazimba talohan’izany Andriamanelo, mpanjaka taty


fony fahagola. Teo Ambohidrapeto andrefan’Antananarivo, no vohitra nitoerany.

Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinanana no


nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy.
Tany Ambohitrahaba, avaratr’Antananarivo, no filalaovany, ka nataony
indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba.
Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin’Itasy, ka
namboariny ho farihy lehibe, hisotroan’ny ombin- dRasoalao vadiny.

Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr’olona ao an-


dalamben’Ambohitrarahaba dia nohitsahin’ny faladiany sy niankinan’ny ranjony,
hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin’ny vatolampy maro dia
lazaina hoe diany avokoa.

Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny


volana holalaovin’ny zanany; kanjo nasian’ny volana diamanga izy ka dangy
nitsitra tery. Lazain’ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan’Amorokay izy, ka
tany no nahafatesany.

Rasoalao kosa, hono, dia vazimbavavy avy any Ankaratra, ka


niankandrefana nakany Ambohimiangara, ary nanambady an-dRapeto, ka niteraka
vavy roa, dia Rasoavolandrainy sy Rangorimanga, tao Ambohimiangara sy Ikasingè
any Mandrindrano, ary tao Ambatomanjaka sy Ambohiby, any Mamolakazo, no
nisy ny vohitra fonenan’izy mivady.

XX
- 226 -
Mbola ao an-tampon’Ambohimiangara mandraka ankehitriny, hono, ny
vilany vin-dRasoalao sy ny fahitr’ombiny ary ny fatoran-janakombiny.

Ny ombimanga rehetra any Antsakalava dia atao hoe “ombimangan-


dRasoalao”, ary raha handeha hisambotra ireny ny mpanonta, dia mitaraina amin-
dRasoalao sy Ikotofotsy (vorompotsy) mpiandry ny ombiny mba hanome
ombimanga azy, vao sahy mandroso manenjika.

Nalaina tao amin’ny Anganon’ny Ntaolo tak 54

Ratany sy Ralanitra

Niainga, hono, Ratany, indray andro, ka nanao sary olona tamin’ny


halampona (hazo). Rehefa vita, hono, ny sary olona, dia lasa izy niantso an-
dRalanitra mba hanome aina an’ireo sary olona nataony ireo, ka dia tonga olona
manana aina tokoa, hono, ireo sary olona. Nony taty aoriana, hono, dia nirahin-
dRalanitra ny zanany mba haka ireo olona, fa ahy ireo, hoy hono izy.

Tsy nanaiky izany anefa, hono, Ratany fa izaho, hoy hono, izy, no nanao
ny vatabeny ka raha tian-dRalanitra, dia aoka samy haka ny anjarany avy izahay: ny
Ainy ho an-dRalanitra, ny vatany ahy. Dia samy naka ny azy, hono, izy ka maty
tery ilay olona. Dia toy izany, hono, no niandohan’ny fahafatesana teto ambonin’ny
tany.

Nalaina tao amin’ny boky Lovako T.10, tak.2

XXI
- 227 -
Zava-kanto Malagasy

Samy manana ny zava-kantony koa ny firenena tsirairay, satria ateraky


ny zava-misy eo aminy izany. Izany hoe ny toetry ny tany, ny toetr’andro, ny toetry
ny mponina sy ny hafa koa. Izany rehetra izany no miteraka zava-kanto eo amin’ny
firenena iraysy mamorona zava-kanto ao an-tsain’ny mponina.
Koa satria firenena tahaka ny firenena hafa rehetra ihany koa ny
Malagasy sady manana ny zara tany nomen-janahary azy, dia mba manana ny zava-
kantony koa izy, araka izany. Izany zava-kantony izany no manamarika ny fomba
amam-panaony andavanandro sy maneho ny maha izy azy imason’ny firenen-kafa
izay mandinika sy mitazana azy.
Koa satria, izany no anjara toeran’ny zava-kanto eo amin’ny firenena,
dia andraikitry ny fanabeazana malagasy no manatsara sy mampandroso ary
mampamirampiratra hatrany izany zava-kanto izany.
Miseho amin’ny endrika samihafa izany zava-kanto izany. Fa raha
asiana ohatra, dia dia ireto avy no santionany: hira, tononkalo, pôema, zava-
maneno, dihy, teatra, sokitra, taozavatra sarin-tanana…
Mampalahelo anefa fa nohamaivanin’ny Frantsay koa io zava-kanto
malagasy io. Ka araka izany, dia nokilasiana ho isan’ny “vako-drazana” aseho araka
izay nisehoany fahiny fotsiny ny zava-kanto malagasy. Izany hoe naseho tahaka
ireo tahiry fahagola arantiranty ao amin’ny “musée” fotsiny. Koa raha misy vahiny
mandalo na misy fotoana ilana izany dia izay vao aseho masoandro.
Fa ny tena nodinihina sy nohalalinina ary natao hiaiana na tao an-tsekoly
na eo amin’ny fiainana andavanandro, dia tsy izay zava-kanto malagasy akory, fa
ny zava-kanto frantsay ihany. Ny literatiora frantsay, ny mozika frantsay, ny balina
frantsay, ny hanitry ny frantsay, izany dia izany ihany, no tena nibahan-toerana sy
nohindraindraina fatratra teo amin’ny fanabeazana ny taranaka Malagasy. Nozarina
hifoka sy higoka izany hatsarana sy hanitry ny zava-kanto frantsay izany ny zatovo
Malagasy, ka dia nanadino tsikelikely ny hatsaran’ny hanitry ny maha malagasy
azy.

FETY Michel, nalaina tao amin’ny FARY MAMY kilasy


famaranana, tak. 120

XXII
- 228 -
TOVANA III

NY FITSIPIKA MIFEHY NY MPIANATRA AO AMIN’NY LYCÉE NANISANA

Tsara raha atrehina amim-pahendrena ny fianarana eto amin’ny Lycée


Nanisana. Noho izany, dia raisina ireto fepetra manaraka ireto ary tanterahina.

1. Mifanaja ny rehetra, hajaina ny ora, ny fitaovana, ny fananan’ny sekoly,


ny fitsipika mifehy, ny fanevam-pirenena.
2. Ny hafatra rehetra tokony hampitaina amin’ny mpianatra, dia atao peta-
drindrina na lazaina eo amin’ny tokontany mandritra ny filaharana
amin’ny “chef de classe”.
3. Soratana amin’ny “Carnet de correspondence” na anaovana taratasy
manokana soniavin’ny mpianadraikitra ny hafatra na filazana alefa
amin’ny ray aman-dreny.
4. Ny ray aman-dreny n any mpiantoka tompon’ny sonia ato ihany no
eken’ny sekoly.
5. Tsaraho fantatry ny ray aman-dreny, fa tsy sazy ny fianstoana azy ireo
aty an-tsekoly, dinika hahasoa ny zanany no antonym.
6. Voarara ny fihetsika tsy mendrika rehetra.
7. Voarara ny fitondrana ireto aty an-tsekoly: firavaka, volabe, “télephone
portable”, MP3…, fitaovana sarobidy.
8. Tsy misaraka aimin’ny mpianatra ity “carnet” ity ary hanaovana”
declaration de perte” raha very.
9. Asa vadi-drano ny fanabeazan, katsy vita raha tsy ifanakonna.

Nalaina tao amin’ny “Carnet de correspondance”, Lycée


Nanisana, taom-pianarana 2009-2010

XXIII
- 229 -
TOVANA IV

NY ENDRIKY NY FANADIHADIANA AM-BAVA SY AN-TSORATRA NATAO


TAMIN’NY MPIANATRA (KILASY FAHAFOLO, VOALOHANY, FAMARANANA).

• Fenoy ireto:

Kilasy:
Taona:
Vavy Lahy:
Vao niakatra: Namerin-taona:
Sokajy: L Sokajy: S

• Alaharo araka ny fitiavanao azy ireto taranja ireto:


- Malagasy
- Frantsay
- Angisy
Lazao ny antony

• Mahaliana anao ve ny mianatra ny taranja Malagasy? Lazao ny


antony.

• Lazao izay zana-taranja mahaliana anao kokoa: ny literatiora sa ny


riba. Inona no antony?

• Mariho izay taranja ampirisihin’ny ray aman-dreny ianaranao


indrindra:
1. taranja malagasy
2. taranja frantsay
3. taranja anglisy

XXIV
- 230 -
• Lazao ny fomba hanombanan’ny mpampianatra anareo ahafantarany
na azonareo ny lesona na tsia (Asio X eo alohany):
- fanadinana eny am-panombohan’ny lesona
- fanadinana mandritra ny fanaovana lesona
- fanadinana any amin’ny faran’ny lesona

• Manao ahoana ny fomba fahitanao ny fomba fampianaran’ny


mpampianatra taranja malagasy? ( Ny fomba fanazavany lesona, ny
fifandraisany amn’ny mpianatra)

• Lazao ny endriky ny fifandraisanareo ato an-dakilasy (Ny


fifandraisan’ny mpianatra samy mpianatra).

• Manao ahoana ny fahatsapanao ny fifandraisanao amin’ny


mpampianatra taranja malagasy?

• Ahoana ny fomba ataonao rehefa mianatra ny taranja Malagasy?

• Inona no olana tsapanao amin’ny fianarana ny taranja malagasy?


• Mandrasoa vahaolana heverinao fa azo amahana izany olana izany
(Manomeza soso-kevitra ho fanatsarana, mba hahamiana anao ny
taranja malagasy)

Misaotra indrindra!

XXV
- 231 -
TOVANA V

ENDRIKY NY FANONTANIANA NASAINA NOVALIAN’NY MPAMPIANATRA


AN-TSORATRA.

• Anarana sy fanampiny:
• Taona:
• Ny taona efa nampianarana:
• Sekoly niofanana na nianarana:
• Fari-pahaizana:
• Kilasy ampianarana:

• Manao ahoana ny fahatsapanao ny fitiavan’ny mpianatra ny taranja


Malagasy. Lazao ny antony?

• Manao ahoana ny fahitanao ny fifandraisan’ny mpianatra mandritra


ny fampianara ataonao?

• Inona no olana amin’ny fampianarana ny taranja Malagasy.

• Manomeza vahaolana

Misaotra tompoko!

XXVI
- 232 -
Famintinana

Naompana amin’ny: “ Tolo-kevitra ho fanatsarana ny


fanaovana tombana ny mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga
faharoa manokana, miainga amin’izay hita tao amin’ny Lycée
Nanisana”, ity asa fikarohana ity. Natao hanampy ny mpampianatra eo
amin’ny fanatsarana hatrany ny fampianarana ny taranja malagasy ,
indrindra fa ny fanaovana tombana.

Ny lalan-tsaina miompana amin’ny “fampitan-kafatra”, an’i J.


TARDIF, sy mifototra amin’ny “fifandraisana miako”, an’i Guy
ROCHER no nampiharina tamin’ity asa fikarohana ity.

Mizara telo lehibe ny asa fikarohana:


I. Fanoritsoritana ankapobeny ny sekoly nanaovana ny
asa fikarohana, sy fanolorana ny fampianarana hita
tany amin’ny Lycée Nanisana.
II. Fandalinana ny fampianarana hita tany an-toerana,
sy fanadihadiana ny antony nampahomby na tsia ny
fampianarana.
III. Tolo-kevitra ho an’ireo rantsana samihafa heverina
fa manana andraikitra amin’ny fanatsarana ny
fampianarana ny taranja malagasy any amin’ny
Lycée, sy fanatsarana ny fanaovana tombana, ary
fanolorana ny andram-pampiharana izany.

XXVII
- 233 -
Resumé

Notre recherche est basée sur : « tolo-kevitra ho fanatsarana


ny fanaovana tombana ny mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga
faharoa manokana, miainga amin’izay hita tany amin’ny Lycée
Nanisana. » Elle a pour objectif d’aider les enseignants afin qu’ils
puissent toujours améliorer l’enseignement de la matière malagasy,
entre autre concernant le travail d’évaluation.

On a appliqué dans cette recherche la théorie de la


communication de J. TARDIF, et celle fondée sur l’interaction de Guy
ROCHER.

Ce travail de recherche comprend trois grandes parties :

I. Description générale du lieu de recherche et présentation


du système éducatif au Lycée Nanisana

II. Réflexion sur le système éducatif appliqué dans le Lycée,


suivi de l’analyse des causes des succès et d’échec de ce
système

III. Suggestions pour les différentes entités.

XXVIII
- 234 -
Abstract

Our research is based on : “Tolo-kevitra ho fanatsarana ny


fanaovana tombana ny mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga
faharoa manokana, miainga avy amin’izay hita tany amin’ny Lycée
Nanisana” . It is done to help teachers to make the malagasy subject
education of better mostly the practice of assessment.

One applied in this research the theory of the communication


by J.TARDIF and the theory of interaction by Guy ROCHER.

This research is divided into three main parts:

I. General description of the school, place of research,


and presentation of the education observed at the
high school Nanisana.

II. Analyse of the education observed in that area and


examination of the reasons why the education
succeeded or not.

III. Suggestion for the different branches.

XXIX
- 235 -
FILAZALAZANA MOMBA NY BOKY

Anarana: RAHARIVAO Miadatsoa Noëline


Adiresy : Fokontany sy kaominina Antsampandrano, disitrika
Ambatolampy 104
Tel : 033 13 048 39

Lohateny:
“ TOLO-KEVITRA HO FANATSARANA NY FANAOVANA TOMBANA NY
MPIANATRA ANY AMIN’NY SEKOLY AMBARATONGA FAHAROA
MANOKANA, MIAINGA AVY AMIN’IZAY HITA TANY AMIN’NY LYCEE
NANISANA”

Isan’ny takila : 203


Isan’ny fafana : 13
Isan’ny kisary : 5
Isan’ny sary : 2

Famintinana
Miompana amin’ny : “ Tolo-kevitra ho fanatsarana ny fanaovana
tombana ny mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa manokana , miainga
avy amin’izay hita tany amin’ny Lycée Nanisana”, ity asa fikarohana ity. Natao
hanampy ny mpampianatra amin’ny fanatsarana ny fampianarana ny taranja
malagasy, indrindra fa ny fanaovana tombana.
Ny lalan-tsaina miompana amin’ny “fampitan-kafatra”, an’i J. TARDIF,
sy mifototra amin’ny “fifandraisana miako”, an’i Guy ROCHER no nampiharina
tamin’ity asa fikarohana ity.
Mizara telo ity asa fikarohana ity:
I. Fanoritsoritana ankapobeny ny sekoly nanaovana ny asa fikarohana sy
fanolorana ny fampianarana taranja malagasy hita tany amin’ny Lycée
Nanisana.
II. Fandalinana ny fampianarana hita tany an-toerana sy ny antony
nampahomby na tsia ny fampianarana.
III. Tolo-kevitra ho an’ireo rantsana samihafa heverina fa manana andraikitra
amin’ny fanatsarana ny fampianarana any amin’ny Lycée sy fanatsarana ny
fomba fanaovana tombana, ary fanolorana ny andram-pampiharana izany.

Teny manan-danja: Fampianarana / fianarana, Fanatsarana, Tombana,


Tanjona, Taranja malagasy.
Mpitarika : Andriamatoa Andriamanatsilavo Seth
Maître de conferences.

- 236 -
- 237 -
- 238 -

Vous aimerez peut-être aussi