Vous êtes sur la page 1sur 51

Lesona nadikan’i : Mr SAHAZANIRINA

Laharana : 033 08 186 31 / 034 40 942 72

AOGOSITRA 2020
FIZAHAN-TAKILA :

NY RAFI-PISAINANA MALAGASY TARAFINA AMIN’NY FOMBA FIAINANY…………………………………………2

NY MARINA………………………………………………………………………………………………………………………..3

NY RARINY………………………………………………………………………………………………………………………….6

NY HITSINY…………………………………………………………………………………………………………………………9

NY HASINA…………………………………………………………………………………………………………………………11

NY HASIN’NY TANINDRAZANA SY NY FAHEFANA AMAM – PITONDRANA……………………………………….15

NY LITERATIORA……………………………………………………………………………………………………………………………..18

NY TANTARA FORONINA…………………………………………………………………………………………………….19

NY VANIM-POTOANA : 1930 – 1945, Ny literatiora « Mitady ny very »………………………………23

NY VANIM-POTOANA : 1945 – 1960, Ny literatiora « Fitakiana fahafahana »…………………….26

NY VANIM-POTOANA : 1960 – 1972, Ny literatiora « Fahafahana »…………………………………..29

NY MPANORATRA SY NY ASA SORANY……………………………………………………………………………….32

Emilson Daniel ANDRIAMALALA…………………………………………………………………………….32

Ny Avana RAMANANTOANINA………………………………………………………………………………38

Fidelis Justin RABETSIMANDRANTO………………………………………………………………………41

FOMBA FANADIHADIANA LAHATSORATRA………………………………………………………………………………….…44

TSIPELIN-TENY………………………………………………………………………………………………………………………………..49

1 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


2 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72
NY MARINA

OHABOLANA :

 « Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina »


 « Ny marina tsy mba maty »
 « Ny marina toy ny afo, raha kobonina mandoro »
 « Kabary zato, teny arivo, fa tokana ihany ny marina »
 « Tsinaim-balalany marina, sarihina tokana ihany »
 « Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra »
 « Ny marina rehetra tsy filaza avokoa »

TENINA MPANORATRA SY MPANDINIKA :

 Hoy ny mpandinika iray (BACC C-D 1982) : « Ny olona mpandala nymarina ihany no afaka
manao ny rariny »
 Charles RANAIVO, ao amin’ny ‘fahalalana sy rariny, ny fiainana, lah 94, 1930’ : « Tsy afaka
hanao ny rariny isika raha tsy mahafantatra ny marina »
 Jean Nalisoa RAVALITERA : « Ny tanitsika leitsy tsy mahantra olo-manga fa mahantra olo-
marina »
 RAKOTOVAO A, Mpanolo-tsaina, lah 83, jolay 1924 : « Ny firenena sambatra sy miadana
indrindra dia ny firenena mampanjaka ny fahamarinana »
 Jean RABETAFIKA, Mpanolo-tsaina, lah 4, oktobra 1904 : « Mnagidy andro andrenesana
matetika ny filazana ny marina »
 Michel ANDRIANJAFY : « Ny fahamarinana no hanim-pihinana, ny rariny no rivotra
hivelomana… sambatra ny tany anjakany »
 RAKOTOVAO A : « Ny firenena mandroo dia fatra-piaro ny marina, manaja ny
fahamarinana »

I. FAMARITANA :
1. Ara-bakiteny :
Hoy ny ohabolana : « Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety no arenina». Azo
tsoahina amin’izany fa izay mety no marina, ka ny mety dia ny mifanaraka amin’ny
tokony ho izy.
Ny teny hoe marinadia av amin’ny fototeny hoe « arina » ka manana ny heviny 2 izay
samy mitombona avokoa.
 Mijoro mahitsy manaraka ny fandrin-drano ka ahazoana zoro 90°, tsy miraika
havia na havanana.
Ohatra : marina ny fijoron’ny rindrina.
 Mnadry manaraka ny fandrin-drano, tsy misy avo sy iva fa mitovy tantana
tsara.
Ohatra : tany marina, havoana marin-tampona.

3 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


FANAMPIM-PANAZAVANA :

 Ny marina dia ilazana zavatra na toe-javatra iarahan’ny be sy ny maro manaiky.


Ohatra : maintso ny ahitra.
 Ny marina ara-tsiantifika dia ilazana ny zavatra na ny toe-javatra misy sy ananana porofo.
Ohatra : rano H2O.
 Ny marina dia ilazana zavatra na toe-javatra maharesy lahatra ny saina na dia tsy misy porofo
aza.
Ohatra : Ny finoana fa mitahy ny razana.
 Ny marina dia izay zavatra tena misy na toe-javatra tena mitranga tsy nanampiana na
nanesorana, tsy nanovana.

2. Ara-kevitra / ara-piaraha-monina :
 Ny marina dia izay heverin’ny be sy ny maro fa mifanaraka amin’ny tokony
ho izy, ny mety, ny manara-dalàna.
 Ny marina dia ilay mifanohitra ny lainga, ka ny atao hoe lainga dia filaza tsy
mifanaraka ny tokony ho izy, tsy mifandaja amin’ny zvatra tena niseho, izany
hoe misy fitongilanana araka izany ny tsy marina.
 Tena halan’ny Ntaolo ny mpandainga ka hoy izy : « aleo mifanena amin’ny
mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga ».
Raha mifanena amin’ny mpamosavy mantsy dia ny olona mifanena aminy no mety ho matiny
na haratrany na hisy fahavoazana, fa raha mifanena amin’ny mpandainga kosa dia mety ho ny
fiaraha-monina ary ny firenena mihitsy aza no mety ho potika.
Manimba ny fifapitkosinana izay fototry ny fihavanana ijoroan’ny fiaraha-monina ihany koa ny
lainga, sarotra anefa ny mikaroka ny marina na dia misy aza ka hoy ny Ntaolo : « Ny marina toy ny
trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina ».

II. NY TOETRANY :
 Saro-tadiavina : « Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny
rano lalina »
 Tokana : « Ny marina toy ny tsinaim-balala, sarihana tokana ihany »
 Tsy azo amidy na atakalo vola : « Tano ny marina fa aza amidy satria ny marina
atao toy ny tanjaky ny osa »
 Tsy azo afenina, tsy entina mandalo fa tsy maintsy ambara sy lazaina : « Ny
marina tsy ambara havana, loza mitatao »
 Tsy mba maty : « Ny marina tsy mba maty »
 Manody : « Mpikabary moana itodian’ny marina tsy voalazany »

4 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


III. NY ENDRIKA ISEHOANY :
1. Ho an’ny Ntaolo malagasy :
 Tokana na iray ihany ny marina.
 Tsy mba misy roa na telo ny marina ho an’ny Ntaolo fa tokana ihany, ny tsy
mifanaraka amin’izany kosa dia lainga : « Kabary zato, teny arivo, fa tokana ihany
ny marina »

2. Ho an’ireo firenena sasany sy ny fomba fijerin’ny olona sasany koa :


Misy betsaka ny azy ny marina ka amin’izany fahabetsahany sy ny hamaroany izany dia misy :
 Ny marina tsy filaza na tsy azo lazaina.
 Ny marina mitavozavoza.

IV. VOKATRY NY FAMPIHARANA NY MARINA :


1. Ny voka-tsoa :
 Mahatsara sy mampitombo ny fifampitokisan’ny mpiara-belona.
 Mampiadana sy mampilamina ny fiaraha-monina.
 Mampandroso ny firenena.

2. Ny voka-dratsy :
 Mandratra na manimba saina : miteraka fikorotanan-tsaina.
 Mahatonga fahadisoam-panantenana, miteraka tsy fitoniana.
 Mitera-doza : ady, rà mandriaka, fahafatesana…

5 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


NY RARINY

OHABOLANA SY FOMBA FITENY MOMBA NY RARINY :

 « Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina »


 « Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka »
 « Ny rariny tsy enti-mandefitra »
 « Raha manao tsy ambinina, ampisambory fa havana ory, raha niraviravy tanana tsy hiasa
avelao hivarina amin’ny tany »
 « Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany »

TENINA MPANORATRA NA MPANDINIKA :

 Emilson Daniel RANDRIAMALALA, in Ilay Vohitry ny nofy, tak 148 : « Izay bevava sy mahay
mandahatra, na poak’atyaza ny zavatra ambarany no manana ny rariny ».
 RATREMA William, Riba sy lohahevitra, tak 75 : « Ny rariny tonga lafatra mifanaraka amin’ny
zava-misy eo amin’ny tsirairay dia toa nofinofy ihany ».
 Emilson Daniel RANDRIAMALALA ; in zazavavin-drano, tak 72 : « Misy ny marina tsy azo
lazaina sy ny rariny tsy maintsy mandefitra ».
 RATREMA William, Riba sy lohahevitra : « Dingana iray aorian’ny fitadiavana ny marina ny
hikatsahana ny rariny ».
 RAMPANANA Raymond : « Na dia tsy mendrika ny manam-panahy aza dia inoako fa rariny
ihany ny fialonana ».

I. FAMARITANA :
1. Ara-bakiteny :
Ny teny hoe « rariny » dia avy amin’ny fototeny hoe : « rary » izay ahazoana sampan-teny :
mandrary, fandrariana, mirary… sns, ka ny hoe : « rary » dia midika ho fandaminana singan-javatra
toy ny ahitra na vato na biriky mba hahazoana fitaovana toy ny tsihy na sobika na tamboho… sns.
Ny « mandrary » araka izany dia ny mandamina na mametraka ny kofehy na vato na ahitra
tsirairay amin’ny toerana tokony hisy azy arakaraka ny abeny, ny lokony, ny antony hampiasana azy.
 Noho izany dia tsy maintsy mahafantatra mialoha ny toetoetran’ny kofehy na ny ahitra na
ny vato vao afaka mandrary ara-dalàna. Izany hoe tsy maintsy fantatra mialoha ny marina
momba ilay vato na kofehy na ahitra vao afaka manao ny rariny.

2. Ara-piaraha-monina :
Ny manao ny rariny araka izany dia ny « fametrahana na ny fiheverana ny olona tsirairay
amin’ny toerana tokony hisy azy avy arakaraka ny zava-bitany, ny toetoetrany manokana, ny fiaraha-
monina onenany ».

6 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


Izany hoe ny rariny dia « fihetsika na fitsarana mifanaraka ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-
monina tsirairay »
Tsy afaka manao ny rariny ao amin’ny olona iray isika raha tsy mahafantatra mialoha ny
momba azy rehetra. Sarotra anefa ny mahita ny rariny ka matetika miseho amin’ny endrika
fampitoviana sy fampiharana azy io izay antsoina hoe : « marimaritra iraisana na rariny voafetra na
rariny iombonana ».
Ny tanjona kendrena amin’ny fampiharana ny rariny dia ny hisian’ny filaminana na ny
firindrana eo amin’ny fiaraha-monina. Mitaky fandeferana matetika ny fampiharana ny rariny.

II. NY SEHATRA ISEHOAN’NY RARINY :


Lamina na fampiaharana no tanjona eo amin’ny rariny. Noho izany dia miseho ny « rariny » :
 Eo amin’ny tena manokana
 Eo amin’ny ankohonana
 Eo amin’ny fiaraha-monina
 Eo amin’ny taranaka

III. NY ENDRIKA ISEHOANY :


 Tsy maintsy misy ny fifandraisan’ny olona roa farafahakeliny vao misy ny rariny na tsy rariny,
izany hoe miankina eo amin’ny fifandraisan’ny tsirairay no mampisy ny rariny sy ny tsy rariny.
 Marihina ihany koa anefa fa na eo amin’ny olon-tokana aza dia misy azo heverina ho misy
lafin-javatra roa mitaky fandaminana eo amin’ny fifandraisany dia ny saina mibaiko ny
vatana, mety hitranga ihany koa ny rariny sy ny tsy rariny.
 Eo amin’ny fifandraisan’ny samy olona rehetra ao anaty fiaraha-monina ny zavatra tsy mety
ataon’ny olona iray dia mety hametraka ny olon-kafa amin’ny toerana tsy tokony hisy azy,
izany dia mahatonga ny « tsy rariny » izany hoe manakorontana. Sarotra anefa ny mitady ny
rariny ka mahatonga ny teny mahazatra hoe « fisaka ny rariny ka saro-tadiavina ».

IV. NY FAHAVALON’NY RARINY :


 Ny fitiavan-tena
 Ny fitiavam-bola
 Ny fitiavam-boninahitra
 Ny fo mora tohina na mora tezitra, ny olona entanim-pitiavana tafahoatra dia samy tsy
ahitana ny rariny noho izy miandany ahatrany amin’izay tiany.

V. NY VOKATRY NY FAMPIHARANA NY RARINY :


1. Voka-tsoa :
 Miteraka fifampitokisana sy fandalàm-pihavanana
 Milamina sy mirindra ny fiaraha-monina anjakan’ny rariny
 Mandroso sy mivoatra ny firenena

7 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


2. Voka-dratsy :
 Tsy voatery tena hiseho ny tena rariny hany ka mionona main’ny marimaritra
iraisana dia ny rariny voafetra na ny rariny iombonana ny rehetra.
 Tsy maintsy mandefitra eo anatrehan’ny fifanarahana ny tsirairay.
 Tsy manaiky izay heverina ho marimaritra iraisana dia ny fampiharana ny
rariny iombonana na ny hitsiny.

8 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


NY HITSINY

OHABOLANA SY FOMBA FITENY :

 « Ny omby matin’ny taviny, ny hazo matin’ny hitsiny »


 « Izay manoro lala-mahitsy mamindra aina »
 « Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra »
 « Ny fahafatesana tsy heloka, ny fahavelomana tsy hitsiny »
 « Aza sarotiny manana ny rariny sao tsy hisy asiana ny hitsiny »

TENINA MPANORATRA NA MPANDINIKA :

 RATREMA William, Riba sy lohahevitra : « Izay mifanaraka amin’ny fitsipika no hitsiny ary
izay tsy mifanitsy amin’izant no heloka »
 RANDRIANJOANIMANANA Olivier, in Singan-kevitry ny mpandinika, tak 30 : « Dingana tsy
maintsy handalovana ny famantarana ny marina sy ny hitsiny »
 Joseph RAKOTONIRAINY, in Ny Tsaran’ny Razantsika, tak 22 : « Aza malady tezitra ambony
ihany fa tsy misy asiana ny hitsiny »

I. FAMARITANA :
1. Ara-bakiteny :
Ny teny hoe « hitsiny » dia avy amin’ny fototeny hoe « hitsy » ahazoana ny sampan-teny hoe
« mahitsy » izay midika ho manaraka tsipika izany hoe tsy meloka na tsy mibirioka, tsy miolaka…
Ny hitsiny dia zavatra midika ho tsy misy fiolahana na fiviliana ny hevitra ambarany.

2. Ara-piaraha-monina :
Ny hitsiny dia izay mifanandrify na mifanaraka amin’ny toerana na toetra ananan’ny tsirairay.
Ilazana ireo fitsipika, ireo didy, ireo lalàna, ireo dinam-pokon’olona entina mifehy ny fiaraha-monina
handraràna ny olona tsy hihoa-pefy na hanao hadalàna.

FANAMPIM-PANAZAVANA :
Rehefa tsy mahay mifandefitra na tsy afaka mitsara tena milamina ny olona dia apetraka ny
lalàna na fitsipika mba hifampifehezana.
Noho izany, izay zavatra mifanaraka na mifanitsy amin’io fitsipika io no atao hoe « hitsiny ».
Izay zavatra tsy mifanitsy amin’izay kosa indray no atao hoe « heloka », ka ara-bakiteny ny hoe :
meloka dia ny olona manana fitondran-tena tsy mahitsy.

9 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


II. NY HITSINY SY NY SARANGA :
Eo amin’ny fiaraha-monina iray, ny anjara-toeran’ny tsirairay avy dia tsy miankina tanteraka
amin’ny toetrany na amin’ny zava-bitany na amin’ny fahaizany fotsiny fa miankina indrindra koa
amin’ny rafitra mijoro eo amin’ny fiaraha-monina ; izany hoe miankina amin’ny saranga tompom-
pahefana sy tompo-marika amin’ilay rafitra najoro. Ireo saranga na tompom-pahefana ireo no manao
ny didy aman-dalàna ka ireny didy ireny no mamaritra ny rariny eo amin’ny fiaraha-monina, na ny
rariny voafetra na ny hitsiny.
Ampahatsiahivina fa endrika iray isehoan’ny fanjakana ny didy aman-dalàna ao aminy. Raha
tsorina dia tsy miankina amin’ny tolona ataon’ny tsorairay eo amin’ny fiainana ny hitsiny.

III. NY OLO-MARINA :
 Miezaka ny hahitsy fo sy saina fa tsy mihatsaravelatsihy
 Olona tia mandanjalanja ny fihetsiny mifanaraka amin’ny fitsipi-pitondran-tena voasoratry ny
fiaraha-monina.
 Mety hahavitra fahadisoana na hanao ratsy satria : « Mandia tany ka tsy maintsy solafaka,
miloloha lanitra ka tsy maintsy lena », saingy tsy mivarilavo amin’nyy hadsoana na hadalàna
natao fa miezaka ny toetra satria « ny fanahy ratsy azo ovaina ».
 Tsy miziriziry amin’ny rariny ananany fa afa-mandefitra, mamela ny heloky ny hafa.

10 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


NY HASINA

OHABOLANA NA FOMBA FITENY :

 « Samy zanaky ny mpanefy ka tsy mifampidera taim-by »


 « Sakamalao sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy »
 « Ny hasina tahaka ny afo, ka izay mandingana azy no may »
 « Ny hasina tahaka ny tany malama ka izay mandingana azy no solafaka »
 « Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana »

TENINA MPANORATRA / MPANDINIKA :

 RAMAROLAHY : « Ny hevitry ny hoe ‘masina’ amin’ny malagasy dia feno hery, ty herim-
batana faherim-panahy »
 Siméon RAJAONA, in Takelaka Notsongaina II, tak 466 : « Arakan y hevitry ny Ntaolo dia telo
ny loharano nipoiran’ny hasin’ny ANDRIAMANJAKA : Andriamanitra, ny razana ary ny
vahoaka »

Heviny 1 : Toetra sy hery an’aty ahafahana manao zavatra manokana, izany hoe raha ny
hasin’Andriamanjaka no dinihina dia toetra sy hery an’aty ahazoany sy ahafahany
mizaka ny tany sy ny fanjakana.

Heviny 2 : Fomba na fihetsika ivelany toy ny fanolorana vola tsy mivaky, enti-miseho ny fiekena
sy fanoavana izany toetra sy hery an’aty ananan’ny Andriamanjaka izany.

I. FAMARITANA :
1. Ara-bakiteny :
 Ny hasina dia entina ilazana singan-javatra na fiavahan-javatra mitovitovy habe na firafitra.
Ohatra : hasim-boasary, hasin-teny, hasin-kevitra.
Ny hasina zany dia toetra miavaka sy misongadina ananan’ny zavatra iray.
 Ny hsaina ihany koa dia ilazana tsiro mampiavaka ny zavatra iray.
Ohatra : hasin-tsira.

2. Ara-piaraha-monina :
 Ny hasina dia hery sy toetra an’aty mampiavaka ny olona na zavatra iray ka mahatonga ny
olona hanaja sy hankato na hatahotra izany olona na zavatra izany.
 Ny hasina ihany koa dia ilazana ny zavatra atolotra enti-maneho fa manaiky ny voninahitra na
ny hajan’ny olona iray ianao, na zavatra iray, na hery iray.

11 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


Ohatra :
 Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka na andriana antsoina hoe hasin’Andriana izay
entina hampitomboana ny hasina ananany.
 Ny « sorona » izay atolotra ny hery tsy hita maso rehefa manao lanonana.
 Ny hasin-jaza : vola atolotra na omena ny zaza natao hasoavana.
 Ny « hasin-tanana » : izay vola fanome ny mpitsabo na mpanotra.

Azo tsoahina arak’izany fa ny hasina dia fomba na fihetsika ivelany enti-maneho ny fiekena sy
fanoavana zany toetra sy hery ananan’ny Andriamanjaka na ny olona iray na ny zavatra iray manan-
kasina.

II. NY KARAZANY :
 Ny hasin’ny zavatra tsy hita maso : Andriamanitra, ny razana, ny vazimba.
 Ny hasin’ny zavatra hita maso : ny olona, ny zava-boahary hafa toy ny biby, tany, zava-
maniry.

III. NY ENDRIKA ISEHOANY :


1. Ny hasin’ny tsirairay :
 Fananan-kaja sy fahamendrehana eo amin’ny tsirairay. Ohatra amin’izany ny hasina
ananan’ny isam-batan’olona.
 Ny fiheverana ny zo ananan’ny tena amin’ny maha izy azy.
 Fanomezana toerana sahaza azy eo amin’ny tany ama-monina ny olona rehetra tsy an-
kanavaka.

2. Ny hasin’ny tanindrazana :
a. Famaritana ara-piforonan-teny ny hoe : Tanindrazana
 Ny teny hoe tanindrazana dia teny roa nakambana ‘‘tanin(a) + razana’’
izany hoe tanin’ny razana : tany nonenany, tany navelany ho an’ny
taranaka ilevenany.
 Arakan y ao amin’ny RAKIBOLANA izay misy ifandraisana
amin’izany : « Ny tanin-drazana dia niavian’ireo zarana ary ilevenany ».

b. Fivoaran’ny teny hoe Tanindrazana :


 Ny teny hoe tanindrazana dia mety ilazana tanàna misy ny tranon-
drazana, ny tany novoleny sy mbola iveloman’ny taranany ary ny fasan-
drazany.
 Misy ny fihitaran’ny sehatra ivelarany, ny tanidnrazana amin’izany dia
ilay faritra na faritany misy io tanàna io ; faritra misy ireo olona iray foko
amin’ny tena ; mitovy fitenim-paritra.
 Ny tanindrazana ihany koa dia ilazana firenena na tany niaviana amin’ny
ankapobeny ; ivelomana na ilevenana rahatrizay.

12 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


IV. NY LOHARANO NIPOIRAN’NY HASINA :
Hoy Siméon RAJAONA : « Araka ny hevitry ny Ntaolo dia olona telo no loharano nipoiran’ny hasin’i
Andriamanjaka dia : Andriamanitra, ny razana, ny vahoaka ».

1. Avy amin’Andriamanitra :
Ny hasin’Andriana dia avy amin’ny zanahary. Hoy ny tenin’Andrianampoinimerina :
« Foin’Andriamanitra ho ahy ny tany sy ny fanjakana »

2. Avy amin’ny Razana :


Mazava araka izany fa izay hasina nananan’ny razana fony fahavelony no hasina ananan’ny
tarananyaty aoriana : « Ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dray no enti-mangataka »

3. Avy amin’ny vahoaka :


Ny vahoaka dia afaka mampitombo ny hasina ananan’ny Andriana amin’ny alalan »ny vola tsy
vaky isaky ny asaramanitra.
Ny zanaka ihany koa dia afaka manome hasina ny zoky amin’ny alalan’ny fanomezana hasina
azy hiteny araka ny hoe : Manan-jandry afak’olan’entana, manan-joky afak’olan-teny.

4. Mety avy amin’ny tsirairay ihany koa :


Vokatry ny ataon’ny tsirairay no mahatonga azy hanan-kasina eo amin’ny fiaraha-monina.
Ohatra : Eo amin’ny fiainana dia ny olona ambony sy manam-pahaizana dia omen’ny
olona hasina bebe kokoa nohon’ny olon-tsotra.

V. NY TOETRANY :
1. Mora very ny hasina :
Rehefa manao toetra tsy mendrika na mandika ny lalàn’ny fiaraha-monina dia very na miala ny
hasina maha-olona ?
Ohatra : Ray aman-dreny miteniteny foana na manaonao foana eo imason’ny zanaka dia very
Hasina.

2. Azo averina ny hasina :


Teo amin’ny Ntaolo ny olona na zaza voaloto tsinahy teo an-tampon-doha dia diovina amin’ny
ranom-bolamena na ranom-bolafotsy mba hamerenana ny hasina. Marihina fa sarotra averina ny
hasina indraindray indrindra raha manao zavatra mamoafady eo imasom-bahoaka.

3. Miteraka tahotra ny fanajana azy :


Ohatra : ny tsy fahasahiana manimbazimba ny toerana heverina ho manan-kasina oty ny
fasam-bazimba… sampy, fasan’Andriana. Marihina anefa fa tsy hoe fanajana izany fa
mety ho tahotra mihitsy.

13 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


4. Hery tsy hita maso :
Anisan’ny manan-kasina ireo hery tsy hita maso sy ireo zavatra noheverina fa manana izany
noho ilay fahefana ananany (razana, sampy) : « Raha razana tsy hitahy fohazy hiady vomanga ».

5. Manam-pahefana manokana hany ka mampatahotra :


Ny fiheverana an’Andriamanitra ho manam-pahefana sy manan-kasina kokoa noho ny
vahoaka.

VI. NY VOKATRY NY FINOANA AZY :


1. Ny voka-tsoa :
 Miteraka fifanajana, fifanomezan-kasina, voninahitra : « manan-jandry
afak’olan’entana », « zoky be toa ray ».
 Miteraka fifanajana eo amin’ny rafitra an-tanan-tohatra : Ray aman-dReny
sy zanaka : « Tsy mitsako alohan’ny vazana ».
 Mampirindra sy mampilamina ny fiaraha-monina : sy mikorontana ny
fiaraha-monina rehefa mifanome hasina ny tsirairay.
 Mifanaja sy mifankatahotra satria sakamalao sy havozo ka samy manana ny
hanitra ho azy.

2. Ny voka-dratsy :
 Miteraka geja ho an’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina.
Ohatra : fanaovana famadihana amin’ny fotoan-tsarotra.
 Mahatonga fahatahorana ireo heverina ho manan-kery ivelany : razana,
vazimba, sampy…
 Miteraka fizahan-tavan’olona eo amin’ny manankatao sy ny sahirana : « Ny
ory tsy havan’ny manana », « Ny omby mahia tsy lelafin’ny namany ».
 Miteraka finoanoam-poana : fanompoan-tsampy, fanosorana menaka ny
vato aman-kazo…
 Fianteherana amin’ny hery tsy fantatra heverina ho manan-kasina sy afaka
mitahy ankoatra ny zanahary na Andriamanitra.

VII. POLITIKA AMAM-PIHEVERANA FONOSIN’NY HASINA :


 Natao hifehezana ny mpiray monina tamin’ny andron’ny faham-panjaka : mora
kokoa ny mitondra ny vahoaka mandala sy manaja ny hasina. Amin’izany mantsy
dia ny vahoaka entina dia manaja ny mpitondra, ny tsirairay koa mifanaja sy
mifanome hasina.
 Tetika napetraky ny mpitondra mba hahatonga ny vahoaka hanome hasina azy
noho izy heverina ho mifanakaiky hasina amin’Andriamanitra.
Ny mpanjaka mantsy no « Zanahary hita maso » ka tokony omen-kasina sy
akatoavina.

14 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


15 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72
OHABOLANA SY FOMBA FITENENANA :

 « Ny fahefana tsy an’olon-tokana »


 « Ny adidy tsy an’olon-dratsy »
 « Miova Andriana miova sata »
 « Aza manao didiko fe lehibe »
 Zarazarao hanjakana »

TENINA MPANORATRA / MPANDINIKA :

 Hoy ny mpandinika iray : « Tsy fahefana ny fahefana norombahina tamin-kery fa didy


jadona »
 Emilson Daniel ANDRIAMALALA : « Ny fanjakana dia tsy inona fa fiasana eo am-pelatanan’ny
iray amin’ireo antokon’olona ireo »
 SOLOFO José : « Raha fahefam-bahoaka marina no hajoro araka ny dikan’ny demokrasia dia
tsy tandrovina ny filaminana miantoka ny fahatezan’ny fiaraha-monina »

FAMARITANA :

1. Fahefana :
 Ny fahefana dia avy amin’ny fototeny hoe « efa » izay midika ho fahazoana
manatanteraka zavatra na manao zavatra.
Ohatra : fahefana hitsara.
 Fananana zo hanan-javatra
Ohatra : fandraisana loka noho ny fahamendrehan-toetra.
 Fahazoana mandidy na mibaiko
Ohatra : fahefan’ny Raim-pianakaviana ny mibaiko ny zanany.
 Fanjakana na fifehezana
Ohatra : teo ambanin’ny fahefan’ny firenena Frantsay ny Malagasy tamin’ny
fanjanahantany.

2. Fitondrana :
 Ny fitondrana dia avy amin’ny fototeny hoe « tondra » izay midika hoe « entina » na
tantana. Noho izany azo adika ho fifehezana na fitantanana.
Ohatra : fitondrana olona.
 Fahaizana amam-pahendrena : izay andaharan’Andriamanitra ny zavatra rehetra azo
adika ho fitondran’Andriamanitra.

16 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


3. Fehiny :
Ny azo hamaritana ny hoe fahefana araka izany dia fahafahana manao zavatra, fananana zo
hanatanteraka zavatra na hanan-javatra.
Ohatra : zon’ny tsirairay ny mianatra.
Ny fitondrana kosa dia rafitra ahafahana mitantana ny fiainam-bahoaka. Azo lazaina koa fa lahatra
ametrahan’Andriamanitra ny zava-boahary.
Ohatra : fitondran’Andriamanitra ny fiainan’ny olona iray.

17 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


18 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72
NY TANTARA FORONINA

I. TENINA MPANORATRA :
 Emilson Daniel ANDRIAMALALA : « Ny tantara foronina dia tantara noforonina nefa na
noforonin’ny eritreritra aza dia tsy maintsy miompana amin’ny zavatra misy sy marina ».
« Zavatra tsy azo lavina sy iaraha-mahita », Aingam-pivoarana, lah 6, tak 4.
 RANDRIAMIADANARIVO, in Aingam-piovarana, lah 6, tak 17 : « Ny tantara na dia noforonina
aza dia misy marina daholo, saongy tsorairay fa tsy izy rehetra, fa misy arina tary sy tatsy no
nangonina, dia najary ohatran’ny tabilao, dia mahavita sary vaovao ».
 Esther RANDRIAMAMONJY, in Rary Kanto 1995, tak 7 : « Ny tantara foronina dia sarim-piainana
misy na mety ho misy atsangan’ny mpanoratra arafiny sy arindrany hanana ny endry ny fiainana
tena nisy ary anasongadinana ny kanto sy ny marina ».
 Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA, in Aingam-pivoarana, lah 6, tak 6 : « Mety ho ny toerana,
mety ho ny tsangan’olona ».

II. FAMARITANA :
Araka ireo famaritana ireo, ny tantara foronina dia asa soratra manome lanja ny asa
famoronana an-tsoratra, maneho tantaram-piainan’ny olona iray na antokon’olona iray na firenena
iray noforonin’ny mpanoratra avy amin’ny zavatra nosaintsaininy ary mifaningotra amin’ny zava-misy
marina niainany na iainana na hita.

III. FAMPITAHANA NY TANTARA FORONINA SY NY SOMBIN-TANTARA :

Ny tantara foronina Ny sombin-tantara


 Samy tantara noforonin’ny saina, mirakitra zava-misy marina ary ao anatin’ny literatiora an-
tsoratra.
 Samy natao hovakiana.
 Ahitana toe-javatra maromaro : toe-  Tantara manasongadina toe-javatra iray
javatra manomboka, toe-javatra ihany, tsy fantatra ny mety ho
manelanelana, toe-javatra mamarana. fiafaran’ny tantara matetika.
 Mivalampatra kokoa eo amin’ny  Mifintina kokoa ny tantara.
fandokoana ny toe-toetran’ny tontolo  Fohy ary voarafitra ao anatin’ny takila
itrangan’ny tantara na ny fotoana. vitsivitsy fa tsy mahafeno ray akory.
 Tantara lava mahafeno boky iray na roa :
fantatra ny fiandohana sy ny fiafarana.

19 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


IV. NY FIRAFITRY NY TANTARA FORONINA :
Ny tantara foronina dia ahitana toe-javatra telo samihafa :
 Toe-javatra manomboka
 Toe-javatra manelanelana
 Toe-javatra mamarana

1. Ny toe-javatra manomboka na ny fiandohan’ny tantara :


 Fampahafantaran’ny mpanoratra ireo mpandray anjara ao amin’ny tantara dia ny mpandray
anjara fototra, ny mpandray anjara mpanampy, ny mpandray anjara ravaka,ireo mpandray
anjara mpanampy sasantsasany.
 Eto ihany koa no anehoan’ny mpanoratra ny toerana itrangan’ny tantara, ny fotoana
anombohana ireo toe-javatra asehon’ny tantara, matetika koa efa mety asehon’ny mpanoratra
ao ny olana mety hitranga.

2. Ny toe-javatra manelanelana na ny vontoatin’ny tantara :


Eto amin’ity toe-javatra faharoa ity no itantarana ireo lafin-javatra samihafa isan-karazany
andalovan’ny mpandray anjara fototra, ny mety ho fitrangan’ny olana sy ny firavoarovana misy. Eto
koa no anarahana ny mpandray anjara fototra amin’ny fitetezany ny habaka sy ny fotoana izany hoe
ahitana ny fivoaran’ny tantara.

3. Ny toe-javatra mamarana na ny fiafaran’ny tantara :


Fampisehoana ny mety ho fiafaran’ny tantara, ny mety ho fivahan’ny olana mitranga, mazana dia
mifono anatranatra na hafatra ny toe-javatra mamarana.

V. IREO MPANDRAY ANJARA AO AMIN’NY TANTARA FORONINA :


1. Ny mpandray anjara fototra :
 Ny mpandray anjara fototra dia mety ho olona iray iompanan’ny tantara manontolo na
ifotoran’ny tantara. Matetika izy no mitondra ny hevitry ny mpanoratra na misolo tena azy.
Ohatra : i Lala ao amin’ny « Fofom-badiko », Emilson Daniel ANDRIAMALALA.
I Rija ao amin’ny « ilay vohitry ny nofy », Emilson Daniel ANDRIAMALALA.
 Mety ho fianakaviana iray no fototry ny tantara toy ny ao amin’ny « mitaraina ny tany », Andry
Andraina.

2. Ny mpandray anjara mpanampy :


Ny mpandray anjara fototra dia tsy mahaleo tena irery fa mila mpanampy eo amin’ny
fanatontosana ny tantara.Ireny mpanray anjara mpanampy ireny no mampisongadina azy eo amin’ny
sehatra iray : iresahana, iadiana hevitra, mety hanompo azy na hampijaly koa.
Azo atao ny manokotoko azy ireny araka ny anjara toerany sy ny anjara asany.
Ohatra : ao amin’ny « mitaraina ny tany » dia ahitana mpiara-monina, ny vazaha,
mpanao asa tanana sy mpanao odigasy. Azo itarafana ny toetrany, ny anjara asany
ary araka izany no anomezana anarana azy.

20 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


3. Ny mpandray anjara ravaka na haingo :
Io indray kosa dia izay mpandray anjara mpanampy te hahita zavatra mahaliana ao amin’ny
tantara.
Ohatra : ny vahoaka izay liana te hahafantatra ny fiafaran’ny TRIMIFOLOALINA.

VI. NY HEVITRA RAIKETIN’NY TANTARA :


 Tsy mitovy ny hevitra raketin’ny tantara noho ny tsy fitovian’ny aingam-panahy sy ny zavatra
kendren’ny mpanoratra amin’ireny tantara ireny.
 Tsikaritra ao amin’ny tantara foronina daholo ny fanabeazana ny olona hahay hitondra tena,
hanana fahaiza-miaina eo amin’ny fiaraha-monina, afaka hioitra eo amin’ny fiainana, tsy
hanaiky izay mety ho fangejana, hita ao hatramin’ny fitaomana ny olona ho tia tanindrazana,
hifikitra amin’ny maha olon’ny tanindrazana azy ary hitaky fahafahana sy fahaleovantena.

VII. NY HAKANTON’NY TANTARA :


Toe-javatra efatra no azo asongadina amin’ny fijerena ny hakanton’ny tantara.

1. Ny hevitra aroson’ny mpanoratra :


 Hevitra mifanandrify hetahetan’ny mpamaky amin’ny fotoana nisehoany
Ohatra : fitantarana ny tolona nataon’ny tia tanidnrazana amin’ny fotoana
mapangetaheta fahafahana ny tsirairay.
 Misy ny fandrosoana hevitra vaovao.
Ohatra : fitondrana amin’ny toerana tsy voaloton’ny haratsiam-panahy sy fitiavan-
tena, ao amin’ilay « vohitry ny nofy » izay ankafizin’ireo olona efa trotraky ny adim-
piainana sy leo fiainana samihafa.

2. Ny fahaizan’ny mpanoratra mitazona ny fifatohan-tsain’ny mpamaky :


Hain’ny mpanoratra tsara ny mitazona ny sain’ny mpamaky hifantoka eo amin’ny fizarana
tsirairay.
Ohatra : ny fisian’ireo zavatra mampangitakitaka ao amin’ny tantara na mahatsikaiky
dia mahatonga ny mpamaky hanohy ny famakiana ny tantara na dia lava aza.

3. Ny fanomezan’aina ny tantara :
Fahitana ireo olona miaina ao amin’ny tantara izay mifampiresaka, miady hevitra, mifamaly dia
mahatonga ny tantara hisy aina, izany toe-javatra izany dia mahakanto azy manokana.
Ohatra : ny fihetsika sy ny fitenin’ireo mpamosavy ao amin’ny « orimbaton’ny
fiadanana », nosoratan’i Michel ANDRIANJAFY.

21 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


4. Ny fanehoan-kevitra sy ny voambolana apiasaina ao amin’ny tantara :
Fanehoan-ko tsotra sady mazava no ampiasain’ny mpanoratra izay mahamora ny famakiana ny
tantara ; misy koa ny mampiasa fiteny sarotra izay ahitana hevitra miodikodina mahatonga ny saina
hamakafaka bebe kokoa ny tantara.
Ohatra : Ny lohatenin’ny fizarana tisrairay ao amin’ny boky « vakivakim-piainana », I. P. A.
Fizarana 1 : tsikalakalam-pihavanana
Fizarana 2 : tsikalakalam-pitia
Fizarana 3 : tsikalakalam-bola
Fizarana 4 : tsikalakala’olona
Anisan’ny mahakanto ny tantara foronina ihany koa ny teny na ny voambolana ampiasai’nyn
mpanoratra.
Ohatra : fampiasana teny gasy tanteraka, izany hoe fiezahana tsy hampiasa teny vahiny
mihitsy.

22 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


NY VANIM-POTOANA : 1930 – 1945
Ny literatiora « Mitady ny very »

I. ZAVA-NISY ARA-TANTARA :
 1929 – 1930 : fanenjehana an’i RALAIMONGO Jean tamin’ny tolona nataony izay
nitaky voalohany ny fahaleovantenan’ny Malagasy.
 29 Aprily 1931 : fanokafana ny fampielezan-kevitra voalohany indrindra teto
madagasikara.
 1935 : feno 100 taona ny nandikana ny baiboly tamin’ny teny Malagasy
 1937 : feno 100 taona ny nandefonana an-dRASALAMA Maritiora.
 31 oktobra 1938 : nampodiana ny taolambalon’i Ranavalona III teto madagasikara
izay maty tany Algerie.
 1939 – 1945 : ady lehibe faharoa.

FANAMARIHANA :

 Ireo toe-javatra ireo dia manamarika fa nanana ny maha-izy azy tokoa ny Mlagasy talohan’ny
fanjanahantany na teo amin’ny teniny na teo amin’ny fiandrianam-pireneny na teo amin’ny
mahery fony.
 Azo ambara koa fa tia mifanerasera tamin’ny vahiny ny malagasy teo amin’ny sehatry ny
fampianarana sy ny fitantanan-draharaha, manamarika izany ny gazety frantsay ‘‘L’echo de
Madagascar, Le progrès de Madagascar’’.

II. ARA-PIARAHA-MONINA :
Hita taratra fa mizara roa ny malagasy, tao ireo mizaka ny zom-pirenena Frantsay, niampy ireo
tiam-bazaha izay nisolelaka, teo ihany koa ireo malagasy voazanaka sasantsasany.
Nisy ihany koa ny asa fanompoana izay mbola nihatra tamin’ny Malagasy dia ny SMOTIG
(Service de la Main d’œuvre pour les Travaux d’Interet Général).

III. ARA-KOLO-TSAINA :
1928 – 1938 : Nanomboka nandalina ny teny Malagasy, nisy ny famohazana ny sain’ny malagasy mba
hiverina amin’ny maha-malagasy azy.

IV. ZAVA-NISY TEO AMIN’NY LITERATIORA :


 Nihamaro ny mpanoratra sy ny asa soratra ary ny literatiora « mitady ny very » no
niantsoana azy.

23 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


 Ny nambara fa very nandritra io vanim-potoana io dia : teo amin’ny literatiora dia ny
poezia tao amin’ny tononkalo malagasy, teo amin’ny fiaraha-monina dia ny maha-
malagasy, teo amin’ny sehatra politika dia ny fahaverezan’ny fahaleovantena.
 Nisy ny fanentanana nataon’ireo mpanoratra 3 lahy ny amin’ny fitadiavana ny very
teo amin’ny poezia malagasy. Ny mpanoratra nanao izany dia Jean Joseph
RABEARIVELO, Ny Avana Ramanantoanina, Charles RAJOELISOLO.
 Ny lohatenin’ny lahatsoratra famotopotoran-kevitra dia mitondra ny lohateny
hoe : « Tsy pihevitra ho an’izay te hanoratra ».
 Nisy ny fandalinana ny maha-malagasy toy ny toetra enti-miaina sy ny fomba amam-
panao.
 Nomen-danja ny sarinteny fampiasan’ny Ntaolo sy ny figadon’ny hainteny ary nahazo
vahana koa ny tononkalo malala-drafitra.
 Nambara fa hita ny very teo amin’ny sehatry ny Poezia rehefa nivoaka ny tononkalo
nosoratan’i Lolo RAJOHN (RAJOHNSON) mitondra ny lohateny hoe « nofy sa … ? ».

V. NY ENDRIKA NISEHOAN’NY LITERATIORA :


Niseho tamin’ireto literatiora ireto : ny tonokalo niady rima sy mirindra, nisu koa ny tononkalo
malala-drafitra raha ny endrika ivelany no jerena.

 TONONKALO :
Nofy sa … ?
Ry zazavavy niakatra ny rian-dranomasina indiana,
Niakanjo akanjo fotsy lava sy nitafy lamba harry madinika.
Eny an-tratrany, haronkely volamena feno zava-maranitra mahagaga
Dia voninkazo ary voankazo an-tsalohiny singanin-dravina vitsivitsy
Sy vololon’ampanga kely madinika
Ny volon-dohany matevina sy lava miparitaka toa tanamasoandro vao maraina.
Ary voronkely sy lolo isan-karazany no milalao eny amin’ny haingon-tavany ;
Volamena sy volafotsy, topazy sy ametista
No manelatselatra eny amin’ny lala-kombany
Ary sora-doko sesehena no mifanjevo aminy etsy sy ery !
Raha vao mahatsipalotra azy anefa ny masoko dia niakohoka i-pito aho manao hoe :
« Ry ilay tsara tarehy, oh ry ilay tsara tarehy, zovy moa ianao ary taiza ? »
Tsaroako tamin’izay fa in-telo izy no notsiky, ary in-dimy no nikipy vao niteny hoe :
« Ry ilay te hahalala ny zava-miafina,
Iza aho fa tsy zazavavin-drano, notorotoron’ny lalina, tao aho ka tao,
Ary nony afaka ireo taon amaro dia inty aho fa hitanao indray !
Ho mariky ny hafaliako sy ny fitiavako anao, indreto voninkazo sy voankazo
Atolotro anao…
Ka iza anefa aho raha mahalala ianao ?
Tsy ho fantatrao angamba, sombiniaiko nefa izaho no Madagasikara
Mitaiza sy mamelona anao ».
RAJOHNSON
In Fandrosoam-baovao, 13 Jona 1934

24 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


 NY HAIN-TENY : izay maneho ny fitadiavana ny « very » ny fampiasana ireo endrika
literatiora fampiasan’ny Ntaolo toy ny hain-teny maneho ny maha-malagasy toy ny toe-
tsaina tia mandala ny fihavanana.
Ohatra : Ny havana / Estine RINARASOA in gazetim-panjakana 26 Août 1938, tak 441.
 LAHATSORATRA FAMOTOPOTORAN-KEVITRA :
Ohatra : « Tsy mpihevitra ho an’izay te hanoratra » Charles RAJOELOSOLO.
 NY SOMBIN-TANTARA
 Ny tantara foronina
 Ny tantara an-tsehatra

VI. NY GAZETY SYNY REVIO :


1. Ny gazetim-panjakana :
Vaovao Frantsay – Malagasy.

2. Ny gazetim-piangonana :
Sakaizan’ny tanora, mpanolo-tsaina, ny fiainana, ny mpandinika, …

3. Ny gazety tsy miankina :


Fandrosoam-baovao, telegrafy, takariva, takariva ankehitriny, mitatao vononana, loharano,
kintan’ny maraina, fitarik’andro.

VII. NY MPANORATRA :
Jean Joseph RABEARIVELO
Ny Avana RAMANANTOANINA
Charles RAJOELISOLO
Jean NARIVONY
Wast RAVELONDRIA
Charlotte RAZAFINIAINA
Paul RAPATSALAHY
Idealy Soa Michel ANDRIANJAFY
Auguste RAJAONARIVELO
Fredy RAJAOFERA
Emilson Daniel RANDRIAMALALA
Michel ANDRIANJAFY
RAJHONSON (Lolo RAJHONS)
Maurice RASAMUEL

VIII. NY TARA-KEVITRA :

Ny alahelo, ny lasa, ny alina, ny tanana haolo ravarava, ny hatsaran-tarehy, ny fitiavan-tanindrazana,


ny fitsikerana ny zava-misy, ny fiantorahana amin’ny hery tsy fantatra toy ny vintana sy ny tody.

25 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


NY VANIM-POTOANA : 1945 – 1960
Ny literatiora « Fitakiana fahafahana na
fanarenana »

I. ZAVA-NISY ARA-TANTARA :
 1945 : tsy nisy intsony fa tapitra ny ady lehibe faharoa. Maro ny antoko politika niforona
tamin’io vanim-potoana io :
MDRM (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache) : Ravoahangy sy
Raseta no nitarika azy tamin’ny 1946 tany Frantsa. Ny hanafoanana ny lalàna mametraka an’i
Madagasikara ho zanatany no tanjon’ny fikambanana.
PADESM (Partie des Desherités de Madagascar) : antoko politika natao hanohitra ny
MDRM.
AKFM (Antokon’ny Kongresistan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara) : niforona
tamin’ny toana 1958, notarihin’i Richard ANDRIAMANJATO.
PSD (Parti Social Démocrate) : notarihin’ingahy Philibert TSIRANANA niforona
tamin’ny 1956.
 Martsa 1947 : Nipoaka tany amin’ny faritra maro ny tabataba nanoherana ny mpanjanaka
ary nalaza tamin’izany ny tao moramanga. Taorian’izay no nanomboka ny famaizana
mahatsiravina nataon’ny frantsay nampiharina tamin’ny malagasy tia tanindrazana.
 Jona 1949 : nampiharina ny lalàna lasitra na loi cadre. Lalàna izay mametraka fa mahazo
mifidy ny malagasy.
 28 septambra 1958 : Fitsampa-kevi-bahoaka (Référendum) ka nandresy ny ENY izay
nametraka ny fahaleovantena ho firaisam-be frantsay.
 14 oktobra 1958 : tafajoro ny repoblika Malagasy voalohany ary ny filoham-pirenena dia
ingahy Philibert TSIRANANA.
 26 Jona 1960 : nahazo fahaleovantena i Mdagasikara.

II. TEO AMIN’NY LAFINY ARA-TOE-KARENA :


Teo amin’ny lafiny toe-karena kosa dia sahirana ara-toe-karena ny frantsay ka tsy ara-dalàna
intsony ny famatsiana ny zana-tany. Ny frantsay no nisahana ny fanangonam-bokatra teto. Izy koa no
nanaparitaka ny antam-barotra.

III. KOLOTSAINA SY ARA-PIARAHA-MONINA :


Nofohanana ny asa an-terivozona ary nitohy kosa anefa ny fijalian’ny vahoaka noho ny
fiantraikan’ny ady lehibe faharoa. Nizara roa ny fampianarana : nisy ny sekoly natao ho an’ny
Frantsay sy ny olony nanomana ho pitantana, tao ihany koa ny sekoly gasy nanomana ny olona ho
mpanampy fotsiny.

26 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


IV. ZAVA-NISY TEO AMIN’NY LITERATIORA :
Hita ny very teo amin’ny literatiora saingy tsy nisy fahaleovantena ka nitohy ny tolona. Nipoitra
ny atao hoe : HAISORA-PITOLOMANA izay nahitana fanehoana ankolaka ny faniriana ny
fahaleovantena. Literatiora nanentana ny vahoaka hamohafoha ny fitiavan-tanindrazana, hanohitra
ny tsy rariny ary maneho endri-piainana tokony ho izy.
Maro ny endrika nisehoan’ny literatiora : ny tononkalo, ny lahatsoratra famotopotoran-kevitra,
ny sombin-tantara, ny tantara tsangana na an-tsehatra.

1. Tononkalo :
Maro ny tononkalo nivoaha tamin’io vanim-potoana io.
Ohatra : Vain’afo tononkira, Randja ZANAMIHOATRA.
Hira va ?, Dox (1945), tononkalo izay manohitra ny fanararaotana sy ny
fitsetsefana ataon’ny mpanjanaka

Ao koa ny tononkalo izay ahafantarana fa tsy azo sakanana ny fahazoan’ny malagasy ny


fahaleovantena.

2. Ny lahatsoratra famotopotoran-kevitra :
Lahatsoratra izay manentana ny malagasy mba hiaro sy hiray saina, hikaroka ny maha-
malagasy, hioitra ary tsy hanaiky lembenana sy hijoro amin’ny maha-malagasy.
Ohatra : Saino ry malagasy ambin’olona, Andriatsilavo, janoary 1951.

3. Ny sombin-tantara :
Tantara nahafantarana ny tsy rariny nataon’ny mpanjanaka.
Ohatra : Ibointsy, Samuel RANDRIA.
Eto dia oharina amin’ny i Kakabenify ny frantsay izay manao rapa-dango ny haren’ny
malagasy no sady atahorana ihany koa.

4. Ny tantara foronina :
Maro ireo karazana tantara niseho tao amin’io vanim-potoana io.
Ohatra : Orimbaton’ny fiadanana, Michel ANDRIANJAFY.
Tantara mitsikera ny fanjanahan-tany, ny hamafin’ny fitondrana, ny fanaparan-kery
sy fahefana.

5. Ny tantara tsangana :
Tantara an-tsehatra ahatarafana fanentanana mba hikaroka ny maha-malagasy.
Ohatra : Aiza ranary ?, IHARILANTOSOA.

27 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


V. NY GAZETY SY NY REVIO :
1. Ny gazetim-panjakana :
Vaovao Frantsay – malagasy, ny gazetin-tsika.

2. Ny gazetim-piangonana :
Sakaizan’ny tanora, ny Mpandinika, ny Fanasina, Lakroan’i Madagasikara.

3. Ny gazety tsy miankina :


Hehy, Andry, tatsinanana, Madagasikara rahampitso, pitik’afo, misy vaovao, asavadi-drano,
kintan’ny maraina, fampitaha.

VI. NY MPANORATRA :
Mbola nitohy nanoratra ireo mpanortra tamin’ny vanim-potoana mitady ny very. Ao koa ireo
mpanoratra vaovao toa an’i :
Georges ANDRIAMANANTENA
Samuel RANDRIA
Reverand Père RAHAJARIZAFY
Régis Rajemisa RAOLISON
René ANDRIAMALALA (Ener Lalandy)
Michel ANDRIANJAFY

VII. NY TARA-KEVITRA :
 Fanoherana ny fanjanahantany.
 Fiantsoana ny olona ho tia tanindrazana.
 Fitakiana ny fahafahana.
 Fampirisihina ny olona handala ny maha-malagasy.
 Literatiora mitaky ny fahatsiarovan-tena.
 Fitsikerana ny toe-tsaina voazanaka.

28 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


NY VANIM-POTOANA : 1960 – 1972
Ny literatiora « Fahafahana (fahaleovantena
sarintsariny)»

I. ZAVA-NISY ARA-TANTARA :
1. Ara-politika :
 1 mey 1959 : Philibert TSIRANANA no filoham-pirenena.
 26 Jona 1960 : nahazo fahaleovantena i Madagasikara.
 Ny AKEFM sy PSD no antoko politika sisa tafajanona tamin’io vanim-potoana io.
 Teo amin’ny toe-karena dia mbola voazanaka ara-toe-karena ny malagasy : ny CMM
(Compagnie Marseillaise de Madagascar) sy ny CLM (Compagnie Lyonnaise de Madagascar)
no nisahana ny fanangonam-bokatra sy nanaparitaka ny entam-barotra voahodina.
 Ny fari-bola frantsay na ny ‘‘zone francs’’ no mbola nisy an’i madagasikara.
 Ny politikan’ny kibo no nampiharin’ny mpitondra ary nisy koa ny fampidirana teknika vaovao
teo amin’ny fambolena sy ny fiompiana.

2. Ara-toe-karena :
 1 oktobra 1961 : nanafanana ny oniversite teto madagasikara. Rafim-pampianarana frantsay
no narahina, ny teny frantsay no nentina nampianatra tany amin’ny sekoly rehetra araka
izany.

II. NY ZAVA-NISY TEO AMIN’NY LITERATIORA :


Afaka nivelatra tsara ny literatiora ary azo lazaina fa hita ny very, saingy tsy hita taratra ny tena
fahaleovantena marina fa toa sarin-tsariny ihany.

III. NY ENDRIKA ISEHOAN’NY LITERATIORA :


1. Ny tononkalo :
Tononkalo ahitana taratra ny fihirana ny fikatsahana ny tena fahafahana, fikarohana sy
fifikirana amin’ny maha-malagasy, ahitana taratra ny fiainana sy ny zava-misy teto madagasikara.
Ohatra : Ny fiainam-pirenena 1947, Clarrise RATSIFANDRIHAMANANA, in Haisoratra sy
fiaraha-monina, tak 51-52, Aprily 1962.

2. Ny lahatsoratra famotopotoran-kevitra :
Ahataranfana ny fanabeazana ny mpiray tanidnrazana hampahafantarana azy ny zava-misy
marina ary koa mitarika azy hiverina amin’ny maha-malagasy.

29 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


3. Ny sombin-tantara :
Ahatarafana ny fanabeazana ny vahoaka
 Mba hieritreritra manoloana ny atao hoe : fandrosoana.
 Fampahafantarana ny olona ny toetra tokony hoenti-miaina.
 Fampahafantarana ny zava-nisy teo amin’ny tantaram-piainana.
 Fampieritreretana ny tsirairay hahatsapa ny haratsian’ny fanenjehana ny atao hoe
rendrarendram-piainana.

4. Ny tantara foronina :
 Tantara mampahafantatra ny mbola fisian’ny fanjanahana ankolaka eo amin’ny toe-tsaina sy
ny toe-karena.
 Mampahatsiaro tena ny malagasy hiala amin’ny fanarahana an-jambany ny vahiny ka
hikaroka ny maha-malagasy.
Ohatra : Ny hetraketraka I sy II (1962)
Taolam-balo (1968)
Ilay vohitry ny nofy (1970), izay samy nosoratan’i E. D. ANDRIAMALALA

5. Ny tantara an-tsehatra :
 Nahitana ny fitaomana ny olona handanjalanja izay tokony handraisana ny zava-baovao
nentin’ny vahiny.
 Fampieritreretana mba hikaroka izay ho lalan-kizorana amin’ny fandrosoana.
 Fampisehoana ny zava-misy iainana andavanandro.

IV. NY GAZETY SY NY REVIO :


 Ny gazetim-panjakana
 Ny gasetim-piangonana : lumière, lakroan’i madagasikara, Fanasina.
 Ny gazety tsy miankina : Hehy, Maresaka, Isan’andro, Imongo vaovao, Madagasikara matin.

V. NY MPANORATRA :
Jean Verdi Salomon RAZAKANDRAINA
Georges ANDRIAMANANTENA (Rado)
Fredy RAJAOFERA
Réné ANDRIAMALALA (Ener LALANDY)
RAMAHOLIMIHASO (Radium RHOSALIS)
R. P. RAHAJARIZAFY
Charles RATSARAOELINA
RANDJA Zanamihoatra
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA
Gilbert RATSIMBAZAFY
Paul RAMAROJAONA (Claire de Lune)
Jean Louis RANAIVOSON

30 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


VI. TARA-KEVITRA :
 Fanoherana ny saritsarim-pahaleovantena.
 Fitaomana ny olona hamerina ny maha- malagasy.
 Fanabeazana ny malagasy hiatrika ny fandrosoana.
 Fikatsahana ny tanteraka sy ny tonga lafatra.

31 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


NY MPANORATRA SY NY ASA SORANY

Emilson Daniel ANDRIAMALALA

I. IZA MOA Emilson Daniel ANDRIAMALALA ?


Ny tena anarany dia TSIFERANA Andriamalala Emilson Daniel, teraka tamin’ny 22 oktobra
1918, niaina tanteraka tao anatin’ny fanjanahantany.
Tany toamasina izy no nipetraka, nianatra tao amin’ny sekoly protestanta MPF. Niakatra
nanohy fianarana taty Antananarivo tao amin’ny sekoly Paul Minault.
Ny asa nataony dia mpitam-bola, ary mpampianatra tao amin’ny Lycée Jules Ferry. Efa niasa
tao amin’ny assurance Antsahavola ihany ko aizy. Maro ireo Boky nosoratany.
Ohatra : ilay vohitry ny nofy, fofom-badiko, ny fanagasiana. Izay nosoratany tamin’ny 1974 tao
anatin’ny vanim-potoan’ny tetezamita « haisora-pitolomana » , misy takila 59 ary nomena anarana
manoakna hoe : « aim-pirenena ».
I Emilson Daniel ANDRIAMALALA dia namakafaka indrindra ny zava-misy teto amin’ny
tanindrazana nandritra io vanim-potoana io.
Lafin’javatra telo lehibe no tena voakasika ao mikasika ny fanarenam-pirenena amin’ny
alalan’ny fanagasiana dia ny fampianarana, ny toe-karena ary ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana.
Zanak’i RATSIFERANA Randimby sy RAZAFINIRINA Margueritte.
RAMIARINORO Berthe no vadiny ary 13 mianadahy ny zanany. Notezain-drenibeny izy
tmain’ny kely ary 4 taona izy vao nahita ny Ray aman-dReniny. Maty tamin’ny 15 Mai 1979 i Emilson
Daniel ANDRIAMALALA.

II. Ny fianarana nataony :


 1922 : nianatra tao amin’ny école MPF Toamasina ary nanao kilasy mandry tao ambohijatovo
avaratra izy ny 1931.
 Nahazo ny marim-pahaizana CESD tamin’ny 1933.
 1934 : Nanohy ny fianarana tao amin’ny Paul Minault (section médicale)
 Nianatra momba ny comptabilité ihany ko aizy

III. Ny asa nataony :


 1938 – 1944 : Premier commission de la Société de la Représenataiton Industrielle et
Commerciale Tamatave.
 1945 – 1947 : Directeur du transit Marc BOFF Tamatave.
 1948 – 1957 : Directeur du servive exportation Maison OLAF et compagnie Tamatave.
 1957 – 1960 : Chef de cabinet de l’Assemblée Représentative et de l’Assemblée Provisoire.
 1960 – 1967 : Tranom-bokim-pirenena
 1967 – 1970 : Admnistrateur de l’écriture de l’ADBM (Fikambanana natao hampandroso ny
tranom-boky eto Madagasikara).

32 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


 1970 – 1979 : Chef de division de la « Promotion Livre »tao amin’ny tranom-bokim-pirenena

IV. Ireo mpanoratra nankafiziny :


Mpanoratra vahiny : CORNEILLE et VICTOR HUGO, LAMARTINE et CHATEAU BRIAND,
nankafiziny ireo mpanoratra ireo noho ny fahitany ny herin’ny fihetseham-po sy ny tsy rariny
mivandravandra eo amin’ny fiaraha-monina.
Tao ihany koa ny fomba fanoratra nampiavaka azy manokana nampisongadina ny alahelo.

V. Ny asa sorany :
1. Ny tantara foronina :
ISOLO DE VALIHA no solon’anarana nampiasainy tamin’izany.
 1960 : Zazavavin-drano nadika tamin’ny teny Allemand.
 1961 : Antso.
 1962 : Fofom-badiko.
 1965 : Hetraketraka.
 1968 : Taolam-balo.
 1970 : Ilay vohitry ny nofy.
 1972 : Menarana.

2. Ny sombin-tantara :
Tasihà, Talaky mandeha, Voankazo nandraràna.

3. Ny tantara nandeha tamin’ny fampielezam-peo :


Ramasy sy ny namanay, Feon-kira, Tadio, Malagasy isika.

4. Ny tantara an-tsehatra na tantara tsangana :


« Variraiventy farany »

5. Famakafakana momba ny teny malagasy :


« Ohatra » sy « Hoatra » ao amin’ny gazety FANASINA (1968).
Ny faingo mihantona, gazety dingana.

6. Lahatsoratra famotopotoran-kevitra :
 Ny fanagasiana (1974).
 Maty ve RATSIMANDRAVA (1975).

33 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


VI. Ny vanim-potoana niainany sy ny tara-kevitra novoizin’ny asa sorany :
Niaina tao anatin’ny vanim-potoana « mitady ny very » ny taona 1930 – 1945.
Ny tara-kevitra novoizin’ny asa sorany :
 Ny fitiavan-tanindrazana
 Ny vola
 Ny fitiavana
 Ny tolon’ny madinika
 Ny fanagasiana
 Ny fanindrahindrana ny maha-malagasy
 Ny fanarenam-pirenena

NY ASA SORATRA : NY FANAGASIANA


Misy takila 59 ny boky ny fanagasiana izay nosoratan’i Emilson Daniel ANDRIAMALALA
tamin’ny 1974 nandritra ny vanim-potoanan’ny tetezamita sy ny haisoram-pitolomana.

Nanao fampitahana hatrany ny mpanoratra mikasika ny fampianarana, ny toe-karena ary ny


fomba amam-panao. Nandinika ny zava-misy nandritra ny fanjanahantany sy ny zava-misy rehefa
azony ny fahaleovantena. Ny fahatsapana izany rehetra izany no nahatonga azy ho nanome
vahaolana. Tahaka izao ny fomba namakafakany izany toe-javatra izany :

 Ny zava-nisy nandritra ny fanjanahantany.


 Ny nitranga tamin’ny fahaleovantena sarintsariny.
 Ny vahaolana dia ny fanagasiana hatrany.
Araka izany dia mirafitra tahaka izao ny boky fanagasiana :
 Fanagasiana ny fampianarana : fizarana 1.
 Fanagasiana ny toe-karena : fizarana 2.
 Fanagiasana ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana : fizarana 3.

I. NY FANAGASIANA NY FAMPIANARANA :
1. Ny fampianarana tamin’ny andron’ny fanjanahantany :
 Fampianarana mampisara-bazana ny fiaraha-monina no misy : Ny sekolim-bazaha ho an’ny
zana-bazaha sy ny gasy ambony, ny sekoly gasy ho an’ny sarambabem-bahoaka.
 Tamin’ny sekolim-bazaha dia fampianarana feno nampahalalana indrindra ny fandrosoan’ny
tany tandrefana sy ny fandrosoan’ny sivilizasionin’izy ireo ary nanamaivana ny sivilizasiona
malagasy. Izany hoe fampianarana natao indrindra hanabevoho ny Frantsay, hanefy olona
hanaraka baiko avy amin’izy ireo. Afaka mieritreritra ihany ny mpianatra tao saingy naletika
lalina tao an-tsainy ny fahambanian’izay rehetra maha-malagasy (gasy = ratsy na teny izany
na fomba)

34 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


Ny ankamaroan’ny malagasy dia tao amin’ny sekoly gasy ka nitsiriritra fatratra ny hiditra
ao amin’ny sekolim-bazaha, nampiasana ny fomba rehetra hahatafidirana izany, nanao
tsolotra sy tambitamby. Raha fehezina dia toy izao ny endrika sy ny tanjon’ny
fampianarana nandritra ny fanjanahantany :
 Fampianarana nampisara-bazana ny samy malagasy, nandrava ny fihavanana fototra
iorenan’ny fiaraha-monina.
 Fampianarana tsy mikendry tombontsoa ho an’ny firenena fa misarika ny zatovo malagasy
andeha ho any ivelany. Hoy i E. D. A. mikasika iznay : « tsy manambara ny fitiavan-
tanindrazana na oviana na oviana ny fananam-pahaizana eo amin’ny malagasy satria raha
mianatra isika dia ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola no nanosika antsika fa tsy ny
fikatsahana izay hahasoa ny firenena no tena manepotra antsika ».

2. Ny fampianarana noho ny azo ny fahaleovantena :


a. Fanamarihana :
Ny antsoina hoe : fahaleovantena dia ny tsy fiankinan-doha amin’ny hafa, ny fahafahana, ny
tsy fisian’ny rohy mamatotra. Ho an’ny tany iray voazanaka, ny fahaleovantenany dia ny famerenana
aminy ny fiandrianam-pireneny ary ny fanandratany ny sata na hasina maha-firenena azy voarakotry
ny teniny sy ny fomban-drazany.

b. Ny vontoatin’ny fampianarana :
 Fampianarana tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena hatrany no misy fa
misarika kosa ny mpianatra ho any ivelany.
 Fampianarana tsy araka izay ilain’ny firenena fa hanoko ny tombotsoan’ny mpanjanaka sy ny
saribakoliny no nisy. Hoy i E. D. A. momba izany : « Ho azy vazaha no nanoratany ireny boky
ireny fa tsy ho an’ny malagasy. Notsoahiny tamin’ny zava-misy tao amin’ny taniny izay
rehetra nohadihadiana tao fa tsy nalaina tamin’ny zava-misy eto Madagasikara ».

c. Fehiny :
Mbola mitohy ny fanjanahana an-kolaka ny fampianarana, olon’ny mpanjanaka no notefena
fampianarana nanambany ny hasina maha-olona.

3. Vahaolana naroson’ny mpanoratra :


Ho an’ny mpanoratra manokana, ny fanafodin’izany dia ny « Fanagasiana ny fampianarana ».
Izany no heveriny fa hitondra fitoviana eo amin’ny samy malagasy hahazoana manohitra ny fitiavan-
tena sy ny fanararaotana ho izy : « vintana sahala no hoentin’ny zaza malagasy rehetra miatrika ny
fianarana ».

II. NY FANAGASIANA NY TOE-KARENA :


1. Ny toe-karena nandritra ny fanjanahantany :
Teo amin’ny orinasa samihafa sy ny filan-karena isan-karazany dia ny mpanjanaka na ny solon-
tenany no tao an-damosin’izy ireny ka nitarika azy :
 Toe-karena tsy nahazoan’ny malagasy tombotsoa fa nentin’ny mpanjanaka hitsetsefana
ihany no tena nohezahiny hahazo vahana teto Madagasikara.

35 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


 Ny antony nanjanahana an’i Madagasikara moa dia ny hitsetsefana ny harenany atao fakana
akoram-bokatra vidina mora, ny tsena kosa mivarotra mivarotra izany amin’ny vidiny lafo.

2. Ny toe-karena noho ny azo ny fahaleovantena :


Niankin-doha amin’ny any ivelany hatrany ny toe-karena na dia azo aza ny fahaleovantena, ny
tombotsoan’ireo mpanjanaka no narovan’ny mpisolo tena azy teo amin’ny sehatra samihafa, ka
mbola tsy mifanaraka amin’ny tombotsoan’ny malagasy.

3. Vahaolana naroson’ny mpanoratra :


Ny vahaolana natolotry ny mpanoratra dia ny fanagasiana ny toe-karena. Hoy izy : « hampiasa
araka izay azo atao ny kely ananan’ny tena mba tsy hiankina amin’ny sasany ».
« Ny fanodinana izany fandehan-javatra izany, ka ny malagasy kosa no hahazo tombotsoa
amin’ny vokatry ny taniny sy izay nisasarany ».
Hatramin’ny 1975 dia maro ireo fanarenam-pirenena tamin’ny alalan’ny « fanagasiana ny toe-
karena ».
Anisan’izany ny fandraisan anjara ho fananam-pirenena ireo orinasa teo am-pelatanan’ny
vahiny.
Ohatra : CLM lasa COMADIS, CMM lasa ROSO.

III. NY FANAGASIANA NY TOE-TSAINA SY NY FOMBA FISAINANA :


1. Ny toe-tsaina sy ny fomba fisaina tamin’ny andron’ny fanjanahantany :
Vokatry ny fidiran’ny riba vahiny be loatra teto sy ny fakana tahaka izay rehetra avy any ivelany
dia zavatra roa lehibe no tsapa teo amin’ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao :
 Eo aloha ny fanambaniana ny an’ny tena ka noheverina ho ratsy, ambany, endriky ny
hahamaizinana izay rehetra momba ny malagasy : ratsy na teny izany na fomba amam-
panao na fisainana.
 Ao koa ny fanamboniana na fanindrahindrana izay rehetra avy any ivelany amin’ny
ankapobeany izy ireny fa tsy nojerena akory izay lafy ratsiny. Natao rapa-dango fa tsy
mba natao toy ny voankazo an’ala.
Nanjary toe-tsaina sy fomba amam-panao safiotra no nisy teto sady tsy gasy no tsy vazaha.

2. Ny toe-tsaina noho ny azo ny fahaleovantena :


Mbola tsy foana akory ny toe-tsaina mpanindrahindra ny avy any ivelany.
Mbola hasina sy voninahitra ny fandehanana any ivelany, indrindra ny fanambadiana vazaha
na dia nisy fiovana kely ihany aza izany.

3. Vahaolana atolotry ny mpanoratra :


Ho fanarenana izany dia ny fanagasiana ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao ihany koa no
arosony.
Ny ezaka amin’izany ary dia ny hanatsarana ny fomba amam-panaon’ny tena amin’ny alalan’ny
fomba nentin’ny vahiny.
Ezahina ihany koa ny hananana fahamasinana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fitondran-tena
mba hanjakan’ny fanahy maha-olona.

36 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


4. Fehiny :
Hoy i E. D. A. : « Ny fanagasiana dia ny fanandratana ny maha-malagasy ary ny fanandratana
dia tsy fanafohanana ny zavatra hafa fa fametrahana ny zavatra sasany eo anoloan’ny zavatra hafa
rehetra ».

IV. FAMINTINANA NY BOKY :


Ilaina ny fanagasiana mba hanandratana ny maha-malagasy.
Maro ny lesoka nateraky ny fampianarana sy ny fitantanana ary ny fitondrana tamin’ny
fanjanahantany sy ny sarintsarin’ny fahaleovantena, ka nanimba sy nampikorosy ny malagasy eo
amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-panahy ary ara-toe-karena, ara-piaraha-monina.
Araka izany, tsy maintsy hajoro ny fampianarana antonona ny zaza malagasy tsy ankanavaka ka
mba hampitovy sy hampivelatra azy rehetra, tsy maintsy ahodina ny fitantanana ny toe-karena mba
ahazoan’ny malagasy tombotsoa ary tsy maintsy amboarina sy harenina ny toe-tsaina, ny fomba
fisainana amin’ny alalan’ny fialàna ny fanjanahana ara-tsaina sy amin’ny fiverenana amin’ny rafi-
pisainana malagasy.

37 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


Ny Avana RAMANANTOANINA

Ny tena anarany dia Michel RAMANANTOANINA. Ny solon’anarana kosa dia Ny Avana R. na


Gasy kely, teraka tamin’ny 26 febroary 1891 tao Ambatofotsy avaradrano izy.

I. Ireo toerana nianarany :


 FFMA Ambohijatovo sy tao amin’ny Le Myre de Vilers.
 Niomana ho mpitsabo kanefa na dia havanana tamin’izany aza izy dia tsy afaka fanadinana
fidirana tao Ankadinandriana (sekoly fiofanana ho mpitsabo).
 Ny mari-pahaizana nananany dia CESD.

II. Ny asa aman-draharaha nataony :


 Niasa tao amin’ny raharaha momba ny lalam-by sy tao amin’ny fivarotam-boky.
 Nampalahelo azy ny tsy nanomezana ireo zaza malagasy izay fari-pahaizana sahaza azy.
 Niaina tao Antananarivo izy nandritry ny nahatovolahy azy, na dia tsy afaka tao an-tsainy aza
avaradrano toerana nahaterahany.
 Nandalo fisedrana maro izy, anisan’izany ny nahafaty ny Rainy sy ny anabaviny tamin’ny
1902. Ny 1932 no nahafaty ny zanany antsoina hoe Benjamina tamin’ny, 1939 no nahafaty ny
zanany antsoina hoe Solofoniaina.
 In-droa rava tokantrano izy.
 Niasa tao amin’ny fivarotam-boky Imarivolanitra.
 Maty tamin’ny 5 Marsa 1940.

III. Zava-niseho nisongadina teo amin’ny fiainany :


 Mpikambana tao amin’ny V.V.S izy, niandraikitra ny fampielezan-kevitra.
 Nosamborina izy tamin’ny 1915 voarohirohy amin’ny maha-pitarika azy ao amin’ny V.V.S ary
notoriana ho mpamohafoha ny maha-malagasy ary na dia notsaraina aza izy dia mbola
nahateny toy izao : « Any aoriana any na dia toy ny nofinofy aza izany dia manantena ny
fahaleovantenan’i Madagasikara aho ».
 Natao sesi-tany 10 taona tany Comore izy ary anisan’ny niaraka taminy tamin’izany ny
mpanoratra Jasmina RATSIMISETA. Tafaverina teto madagasikara izy tamin’ny 1920 rehefa
nahazo famotsoran-keloka faobe.
 Diso fanantenana anefa izy noho izy tsy notsenain’ny olon-tiany izay lasa nanambady olon-
kafa. Teo koa ny tsy nanohizan’ireo namany ny tolona intsony.
Na izany aza dia tsy mora kivy izy fa nahay nankahery tena.

38 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


IV. Ny asa sorany :
1. Ny mpanoratra :
Tamin’ny 1907 izy no nanomboka nanoratra tao amin’ny gazety basivava, anisan’ny nanoratra
tononkalo maneho : « alahelo tsy fantam-pihaviana » izay nosoniaviny amin’ny solon’anarana hoe
« Gasy kely » saika notazominy hatrany ny « figadona » sy « firindra » teo amin’ny fanoratana ny
poezia.
Ny asa soratra tena nataony dia ny tononkalo sy ny sombin-tantara ; ny nahafantarana azy
tamin’izany dia ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe : « vazon’ny lavitra », « asakasakao », « izay
sambo izay », « ny anay… » (…)

2. Ireo tara-kevitra novoiziny tao anaty asa soratra :


 Ny fankafizana ny zava-boaary.
 Ny fitandroana ny fanahy maha-olona.
 Ny fitiavan-tanindrazana.
 Ny fikatsahana ny tonga lafatra.
 Ny fahafatesana.
 Ny fitiavana.
 Fitodihana amin’ny ambanivohitra.

V. Ny gazety sy ny revio :
Basivava, masoandro, ny mpandinika, trompetra volamena, ny lakolosy volamena, ny
sampan’oliva, kalokalo tatsinanana.

Ireo ora mangidy.

Mangidy daholo ny tany tontolo


Ny sentoko foana no mifanolosolo,
Fa natelin’ny tany ny raozin’ny lolo !
Raha mbola mivelatra, maitso vololona !
Maizina tamiko ny tany aman-danitra
Tsy misy niseho ho niadam-pinaritra !
Izay rehetra hita, tsinjo, tsikaritra
Niara-niory sy niara-niaritra
Ny kintan’ny lavitra nipitrapitra !
Ny rivotry ny alina niriadriatra !
Ny ain’ny havako madiva ho ritra
Ny foko amin’izany mila hitriatra
Tsy misy maneno ny fody ao an’ala
Nitoloko mazàna ny omby ao am-bala !
Fa lasa nandao ka nenti-niala
Lay raozy tokana tena malala !

39 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


Ny masoandron’ny tany mety nanjombona
Ny vonin’ny saha hita nikombona,
Nanjary nilofika ny hazo nirobona
F’alahelo sy fo no tonga mpiombona !
Nanjary nalazo ny dorobok’aponga
Nalemy fikiaka ny andian’akanga
Nitoloko faneno ireo voromanga,
Ary ny ilan’ny foko toerana banga !
Indrisy ! indrisy ! tsy maintsy tadidy
Ireo ora ireo fa ora mangidy ;
Fa lasa nindaosiny tsy tamin-tsafidy
Lay raozy tokana soa, sarobidy

Ny Avana
In Lakolosy Volamena, n°01, Zoma 01 Aprily 1910.

40 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


Fidelis Justin RABETSIMANDRANTO

I. NY TANTARAM-PIAINANY :
Teraka tao Antananarivo tamin’ny oktobra 1907 tao mananjara, vohitra
naorin’Andrianampoinimerina tao ambany atsimon’Ambohijanahary no akany nahitany masoandro.
Ny razambeny dia valopololahy sy valopolovavy nafindran’ny ombalahibemaso fonenana tao.
Maty tamin’ny Aogositra 1966 izy.

II. NY FIANARANA NATAONY :


 Nampianarin-drenibeny namaky teny tsotsotra.
 Nianatra tao amin’ny sekolim-panjakana tao fiadanana izy ary nifindra tao amin’ny Ecole
Superieur Indigène tao Ampasandratsarahoby.
 Kilasy mandry tao amin’ny « Kolejy Saint Michel » nandritra ny 4 taona. Nahazo ny fari-
pahaizana ambony tamin’izany dia ny fahazoana mampianatra.
 Zazalahy tia fanatanjahantena koa izy.

III. NY ASA NATAONY :


 Nampianatra tao amin’ny Kolejy Saint Michel izy.
 Rédacteur en chef tao amin’ny gazety Feon’ny Maraina ary tao amin’io gazety io no
nanomboka nahalalan’ny maro ny hakanton’ny diam-peniny tamin’ny 1926.
 Ny asa soratra anisany nanavanana azy sy nankafiziny fatratra dia ny « Poezia »
isan’karazany. Ny asa soratra nosoratany dia lahatsoratra tsotra, tantara, tononkalo,
tononkira…
 Nanoratra tamin’ny teny gasy sy teny frantsay ko aizy. Boky maromaro no vitany ary
tamin’ireny no nahazoany loka.
Azo zaraina toy izao ny asa soratra nataony :

1. Tantara fampiseho an-tsehatra :


Enina, Soribaton’ilay jamba, Sahy sedra, Mizana tsindrian’ila, Fo idealy, Antananarivo sy
ambanivohitra.

2. Tantara foronina :
Iangivola, Hady folo sosona, Vatolahy, Ranokombe, Soaniary, …

3. Amboaran-tononkalo sy tantara poezia :


Aman-jatony no nosoratany, anisan’izany : ny fehezam-boninkazo, ny voninkazon-dohataona,
ventsoventso takariva, Adidy nandresy fitiavana, Tritriva, Andraikiba, Avonavona resim-pitia,
trimifoloalina, …

41 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


4. Fomba amam-panao :
Ny kabary taloha sy ankehitriny, Kabary news, fomba amam-panao malagasy 1897 – 1962.

5. Siansa samihafa :
Ny hypnotisme, Auto-suggestion, Magnétique, Ny tsiambaratelon’ny fanambadiana, ny
fanandroana malagasy.

6. Ny nosoratana tamin’ny teny frantsay :


Les amants de tritriva, La nymphe dorée, Bouquets des rêves, Les mpilalao, …

7. Boky politika nosoratany :


Front populaire, Aretina politika ve ny pesta (nahorin’ny mpanjanantany, satria milaza ny
marina).

8. Ny gazety niadidiany :
Ny feon’ny Maraina, Isan’andro, Ny tanindrazana (gazety politika).
Nanoratra tao amin’ny Revus Ecrivains et Poêtes de Madagascar sy tao amin’ny Fampitaha koa
izy.

IV. NY BOKY TRIMOFOLOALINA :


1. Ny momba ny boky :
Boky kely navoakan’ny Librairie Mixte Analakely Antananarivo tamin’ny 1998 ny Boky
Trimifoloalina izay hofantarina ankapobeny eto.
Ahitana tari-dresaka ny boky ary mizara roa :
 Fizarana 1 : Trimifoloalina.
 Fizarana 2 : Fitiavan-tanindrazana.
Ireo fizarana roa ireo no azo anasokajiana ny firafitry ny boky amin’ny ankapobeny.

2. Ny tena tantara :
 Fizarana 1 : sikidy mila voatsiary.
 Fizarana 2 : ilay kabary mampidi-doza.
 Fizarana 3 : ilay tovolahy be herim-po.
 Fizarana 4 : vonona hanefa ny ady.
 Fizarana 5 : ny ora farany hanapitra ny aina.
 Fizarana 6 : voaporofo ilay fitia volamena.
 Fizarana 7 : valisoa hafakely.

3. Famintinana ny boky :
Nanolo-tena atao sorona araka ny notakian-janahary ho fanatanterahana ny fanorenana ny
lampan’ny mpanjaka i Trimo, noraisiny ho adidy izany ka tamim-pahavononana tanteraka no
nanantonany ny Rova mba hovonoina rehefa avy notsofin’ny vadiny rano ; na dia nalahelo fatratra
aza io. Noho ny tena efa hotapahina kosa anefa ny lohany dia nosakanan’ny mpanjaka fa ny sofiny
an’ila ihany no nasaina notapahana mba hisy rà raraka amin’ny tany, izany dia noho ny fangorahany
sy ny fahatsapany ny ahalehibean’ny fitiavany. Raha nasain’ny mpanjaka nifidy tmain’ny harena isan-

42 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


karazany ho valisoa izy dia ny hitsimbinana ny zanany mandrapahafatiny no nasain’ny Vadin-
dRatrimo nofidiny. Sady nanome toky ny taranany mandrapahafatiny ny mpanjaka no hanao azy ireo
ho tsy maty manota ary nanome fitafiana ho azy mivady koa.

43 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


44 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72
I. TOROLALANA :
 Fanadihadiana
Famakafakana Lahatsoratra
Famoaboasana
Asa iray no andrasana. Noho izany, fomba fiteny ihany ny hoe fanadihadiana lahatsoratra fa
na Angano na tononkalo na famotopotoran-kevitra na hain-teny na lahatsoratra tsotra dia azo
hadihadiana daholo.

 Toy izao ny endrim-panontaniana :


Hadihadio
Fakafakao Lahatsotratra
Voaboasy

1. Ny karazany :
Misy karazany telo.
 Ny fanadihadiana lahatsoratra arahana fanontaniana misy lohahevitra roa na telo (ho an’ny
kilasy faharoa)
Ohatra : hadihadio ny lahatsoratra ka asongadino amin’izany ny antsoina hoe :
fandrosoana, ny mety ho vokany, ny lanjany.
Fanamarihana : Tsy ilaina intsony ny mitady renihevitra fa ireo lohahevitra roa na telo ao amin’ny
fanontaniana no raisina ho renihevitra.

 Ny fanadihadiana lahatsoratra arahina lohahevitra tokana, izay hita aty amin’ny kilasy
faharoa.
Ohatra : hadihadio ny lahatsoratra ka asongadino amin’izany fa nisy fiantraikany teo
amin’ny firenena malagasy ny fihenan-danjan’ny hasina.
Fanamarihana : Tsy ilaina intsony ny mitady foto-kevitra fa ny lohahevitra ao amin’ny fanontaniana
no raisina ho foto-kevitra. Ny sisa atao dia ny mitady ireo renihevitra reoa na telo itondrana ny
famelabelarana.

 Fanadihadiana malalaka : any amin’ny kilasy famaranana.


Ohatra : hadihadio ny lahatsoratra, hadihadio ny tononkalo.

2. Ny tsy azo atao :


 Ny manadihady ilay lahatsoratra fotsiny fa tsy mijery akory ilay lahatsoratra. Raha izany no
miseho dia lasa fanadihadiana malalaka ilay asa.
 Ny manadihady ilay lohahevitra fa tsy miompana akory amin’ilay lahatsoratra ny
fanadihadiana natao. Raha izany no miseho dia lasa famakafakan-kevitra ilay asa.

45 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


II. NY FAMANTARANA IREO KARAZANA VOAMBOLANA FANDRE NA FAMPIASA AMIN’NY
ASA FANADIHADIANA :
1. NY LOHAHEVITRA (LH)
Ny LH dia lohaten-dehibe ny lesona izay hita taratra ao amin’ny lahatsoratra ary ao amin’ny
fandaharam-pianarana mandritra ny taona.
Mamaly ny fanontaniana hoe : inona no lohahevitry ny lesona ao amin’ny fandaharam-
pianarana kilasy voalohany hita taratra eto amin’ny lahatsoratra ?
Ohatra : Ny hasina.
Ny marina, ny rariny, ny hitsiny.

2. NY FOTO-DRESAKA (FD)
Ny FD dia teny na andian-teny miresaka ankapobeny ny lahatsoratra mahakasika io LH io.
Mamaly ny fanontaniana hoe ; inona no resahina ankapobeny ao amin’ny lahatsoratra
mahakasika io LH io ?
Ohatra : LH : Ny hasina.
FD : Ny fahapotehan’ny hasina.

3. NY FOTO-KEVITRA (FK)
Hevi-dehibe tokana iompanan’ny lahatsoratra manontolo na hevi-dehibe azo avy amin’ny
fampifandraisana ny RH roa na telo. Raha azo atao dia tokony ho fehezanteny ny FK.
Ohatra : lahatsoratra : Ny fahapotehan’ny Hasina teo amin’ny fiaraha-monina.
FK : Potika ny hasina teo amin’ny fiaraha-monina.

4. NY RENIHEVITRA (RH)
Ny reni-hevitra dia azo avy amin’ny fampifandraisana ny zana-kevitra roa na telo na efatra.
Ho an’ny fanadihadiana manaraka ny onjan’ny lahatsoratra dia ireo hevi-dehibe notsoahina
tao amin’ny fizarana tsirairay.

5. NY ZANA-KEVITRA (ZK)
6. NY POROFON-KEVITRA (PK)
Ny PK dia teny manandanja na andian-teny na ampaham-pehezanteny na fehezanteny
manontolo nentina nanamarinana na nanohanana ny fanazavana natao mikasika ilay zana-kevitra.
Tenin’olona nindramina izy io ka tsy maintsy atao anatin’ny farango sosona (« … »).

7. NY FAMENON-KEVITRA (FmK)
Hevitra tsy noraisina ho zana-kevitra fa natao hanamafisana ny fanazavana mikasika ilay zana-
kevitra.

8. NY FANEHOANA NY KANTO (FnK)


Filazan-javatra hafa ampiasain’ny mpanoratra entiny hanehoana ny heviny mba hahakanto ny
lahatsoratra, mety ho rafitry ny fehezanteny (fehezanteny mivadi-drafitra ohatra), mety ho
voambolana (ohatra : filaza masaka), mety ho mari-piatohana ( ? , ! …).

46 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


III. NY FIZOTRY NY ASA AMIN’IZANY :
1. Fandrinihina ny LAZA ADINA :
 Fandinihana ny lahatsoratra : vakiana in-droa na in-telo ny lahatsoratra mba ahazoana azy,
izany no natao dia mba ahazoana mamoaka an’eritreritra ny mety ho LH, ny FD, ny FK, …
 Fandinihana ny fanontaniana : dinihina tsara ny fanontaniana eo ambanin’ny lahatsoratra :
fanadihadiana voatarika amina LH tokana ve sa fanadihadiana malalaka ?

2. Fikarohan-kevitra :
 Ny fanadihadihana manaraka ny onjan’ny lahatsoratra :
Raha ohatra ka manaraka ny onjan’ny lahatsoratra ilay fanadihadiana dia zaraina avy
hatrany ny lahatsoratra.
Ny fizarana tsirairay amoahana lohateny.
Ny lohateny tsirairay no raisina RH.
Ampifandraisina ny RH roa na telo dia avoaka ny FK izay tokony ho fehezanteny.
Tsipihina ny teny na andian-teny na fehezanteny na ampaham-pehezanteny
manandanja izay mamaly ny renihevitra voalohany ao amin’ny fizarana.
Avoaka ny ZK ao amin’ny teny na andian-teny voatsipika.
 Fanadihadiana tsy manaraka ny onjan’ny lahatsoratra : tsy manaraka ny onjan’ny ahatsoratra
ny fanadihadiana raha toa ka tsy mirindra ny hevitra ao anatiny, izany hoe tsy ahitana hevitra
mifampitohy na mifameno na mifandray ny lahatsoratra. Raha izany no miseho dia :
Tsipihina avy hatrnay ny teny na andian-teny na ampaham-pehezanteny na ny
fehezanteny manontolo.
Marihina ireo ZK mitovitovy.
Asokajy ho fizarana iray ireo ZK manana hevitra mitovitovy.
Ampifandraisina ny ZK isakin’ny sokajy dia avoaka ny lohateny ary ireny lohateny ina
HD isakin’ny sokajy ireny no raisina ho RH.
Araka izany dia arakaraky ny isan’ny sokajy no isan’ny RH.
Ampifandraisina ny RH roa na telo dia tsoahina ny HD mba ahazoana ny FK.

IV. NY TETEZAMITA :
Misy karazany roa.
 Tetezamita lehibe : Fehezanteny mampifandray ny fizarana roa mifanarakaraka. Iznay hoe
famintinana ny RH teo aloha ary fandrosoana ny RH manaraka.
Ohatra : RH1 : Ny antsoina hoe hasina.
RH2 : Ny vokatr ny hasina.
TSY EKENA : raha izany ary no antsoina hoe Hasina dia mba manahoana kosa
ny vokany?
NY TOKONY HO IZY : Hita teo fa ny Hasina dia toetra na famendrehana
ananan’ny tsiirairay, raha izany ary dia andeha hojerena
indray ny mety ho vokany.
 Tetezamita kely : teny na andianteny enti-mampifandray ireo ZK samihafa ao anaty fizarana
iray.
Ohatra : Eto am-panombohana ary …
Manaraka izany …
Araka izany …

47 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


V. NY TENY FAMPIDIRANA :
Tokony andininy iray tsy miova andalana. Ny tokony ho hita ao :
 Ahitana tari-dresaka izay mampifandray ny FD amin’ny zava-misy, na amin’ny mpanoratra, na
amin’ny tantara, na boky nakana azy raha fantatra.
 Ny tontolon’ny lahatsoratra, ny karapanondron’ny lahatsoratra : lohateny, ny mpanoratra, ny
boky nakana azy na gazety, ny laharana, ny takila, ny vanim-potoana…
 Fandrosoana ny FK azo atomboka amin’ireto andian-teny na teny ireto : manasongadina fa…,
manantitrantitra fa…, manoritsoritra fa…, manazava fa…
 Fanolorana ny drafitra : izany hoe fanolorana ankolaka ny HD hovelabelarina ao amin’ny
vontoatiny.

VI. NY TENY FAMARANANA :


Andininy iray tsy miova andalana. Ny tokony ho hita ao :
 Famintinana ny vontoatiny.
 Fanaovana tsoan-kevitra.
 Fanitarana : fametrahana ny FD amin’ny sehatra hafa na fampitodihana azy amin’ny vanim-
potoana ankehitriny.
 Azo faranana amin’ny fanontaniana na fehezanteny mampieritreritra.
 Azo faranana amin’ny ohabolana na tenina mpanoratra.

48 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


TSIPELIN-TENY

1. Teny mitovitovy fanonona fa samy hafa fanoratra ary tsy mitovy hevitra :
Samy hafa : milaza tsy fitoviana Samihafa : milaza karazana
Ohatra : samy hafa ny lahy sy ny vavy. Ohatra : ahitana voankazo samihafa eny an-tsaha

Manatona : manakaiky Manantona : mametraka ny zavatra amin’ny


toerana ambony.
Ohatra : manatona ny solaitrabe ny Ohatra : manantona lamba amin’ny tady izy.
mpampianatra.

Lalàna : fitsipika mifehy Làlana : faritra andehanana


Ohatra : Manamafy ny lalàna ao an-tsekoly ny Ohatra : iny no làlana makany aminay.
tale.

Havana : fianakaviana Avana : antsiben-danitra


Ohatra : namangy ny havany izy. Ohatra : miseho ny avanafa nijanona ny orana.

Ity : mpisolo manondro Inty : mpisolo toerana


Ohatra : ity ilay olona noteneniko. Ohatra : inty ny mofonao.

Taoriana : milaza fotoana lasa Tao aoriana / ao aoriana : milaza toerana


Aoriana : milaza fotoana ankehitriny
Ohatra : taorian’ny zoma no nahatongavany. Ohatra : Tao aorian’i Koto no nipetraka izy.

Mba : mpampiankina fehezankevitra milaza Mbà : fampirisihana hanao zavatra na hanana


tanjona. toetra voamarika.
Ohatra : mianatra mafy izy mba ho afa- Ohatra : Mbà mailo fa ny ratsy tsy kely lalana.
panadinana.

Nony : mpampiankina fehezankevitra milaza Noho ny : milaza anton-javatra.


fotoana. Milaza fampitahana.
Ohatra : Tonga izy nony maraina ny andro. Ohatra : tezitra noho ny fihetsiko izy.
Lehibe noho ny teo ny kahieny.

Maha : milaza toetra mbola tsy ananana dia Maha- : milaza toetra izao na izatsy.
soratana mikambana
Ohatra : mahatsara azy ny matory. Ohatra : ny vola no maha-rangahy.

2. Ny fiovan’ny hevi-teny noho ny fisian’ny faingo miantona :


Famangiana olona : fitsidihana olona Famangian’olona : fitsidihana ataon’ny olona
anao
Ohatra : Amin’ny 8ora ka hatramin’ny 9ora ihany Ohatra : Mila fotoana maharitra ny
ny famangiana olona ao amin’ny famangian’olona antsika kilasy 1er.
Hopitaly

49 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72


Varotra olona : fivarotana olona Varotr’olona : entan’olona atao varotra
Ohatra : Nalaza fahiny ny varotra olona. Ohatra : Aza itsahina ny varotr’olona fa
mampiady

Zanaka adala : ilay zanaka no adala Zanak’adala : ilay Ray aman-dReny no adala
Ohatra : mafy ny mahazo ny Ray aman-dReny Ohatra : Tafita ihany ilay zanak’adala
sendra ny zanaka adala. notezain’olona.

3. Ireo teny mifampiankina tsy miova fanoratra mihitsy :


Teny Ohatra
Afa-tsy Mahazo mirava ny rehetra afa-tsy ny voasazy
ihany
Ankoatra Ankoatra ny kilasy faharoa dia afaka mody
daholo
Araka Araka ny voalaza teo dia…
Momba Momba ny fifidianana solombavam-bahoaka no
horesahina.
Manaraka Manaraka ny voalaza teo dia…
Noho Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy
azo atao ny mivorivory.

50 Contact : 033 08 186 31 ou 034 40 942 72

Vous aimerez peut-être aussi