Académique Documents
Professionnel Documents
Culture Documents
Alors d’un côté il y a la famille du défunt : vangiana, et de l’autre, les visiteurs : mpamangy.
D’un côté comme de l’autre, c’est toujours l’ainé, si possible l’ainé des hommes, ou le
zokiolona qui prend la parole, car comme dit le proverbe malgache : Ny manan-joky, afaka
olan-teny; ny manan-jandry, afaka olan' entana (celui qui a un aîné est dispensé de parole,
celui qui a un cadet est dispensé de fardeau). Il est préférable que celui qui prend la parole soit
habile aux jeux de mots, dictons et proverbes. La famille endeuillée, tous assis, se rassemble à
un endroit spacieux capable de bien recevoir la famille visiteuse. Cette dernière reste debout
face à l’assistance bien installée. Si la visite a lieu avant l’enterrement, dès qu’elle entre dans
la pièce, la famille visiteuse se tient respectueusement devant le défunt d’abord avant de se
tourner vers la famille. Ce sont les visiteurs qui parlent en premier. Pour des raisons
compréhensibles par tous, le modèle que nous donnons ici ne sera pas traduit.
Vangiana : Indreto izahay eto ihany, tompoko (miara-miteny ihany koa ny vangiana)
Vangiana : Misaotra indrindra, tompoko, ary hotahian'Andriamanitra anie ianareo (mbola miara-
miteny ihany koa ny vangiana )
Azafady indrindra, ry izy mianakavy, fa amin'izao fahoriana midona sy mihatra aminareo izao dia
tonga eto izahay (lazaina eo izay fifandraisan'ny mpamangy amin'ny vangiana, ohatra mpiara-miasa na
mpinamana...) izay tsy hafa fa mpiara-miasa, iray vatsy, iray aina, iray trano, iray donak'afo, iray
petsapetsa amin'Itompokolahy na Itompokovavy.
Tsy tonga hamendrofendro na hanetsika alahelo anefa na hanampy trotraka ny ratram-po izay efa
mianjady aminareo, fa tonga hanao tongotra miara-mamindra, soroka miara-milanja ary hanao maso
sy orona ka iray alahelo aminareo. Ny varavarana nivoahana mantsy, tompoko, no anareo, fa ny
fahoriana sy ny alahelo dia iarahantsika mianakavy mizaka. Ary tsy maintsy misy moa ny mpampangy
sy vangiana dia izany no antony itsangananay eto, satria tsy maintsy mifankahery isika fa raha tsy
izany dia mipetraka ho vangiana koa izahay, amin'ny maha iray antsika. Vitsivitsy ihany izahay no
indreto tonga midodododo manoloana anareo,noho ny adidy amanandraikitra samihafa sy ny tokatrano
samy manana,dia solon-tena havana sy tapaka ary fianakaviana iray ihany isika no mifamangy sy mitondra
ny teny fampiononana.
Atao ahoana moa, tompoko, fa tsy maintsy mionona isika fa izay nositrapon'Andriamanitra. Izy no
nanome ary Izy koa no naka, ka isaorana eto ny anarany. Ary fantatsika tsara koa fa fandalovana ihany
ny eto an-tany, ary vahiny sy mpivahiny isika, ka rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy handehanana dia
mbola handalo amin'izany ihany isika. Tombon-dalana ny azy fa isika rehetra mbola ho any avokoa.
Noho izany dia mionona ary mahaiza mionona, tompoko, fa izy tsy hiverina intsony ary isika mbola
ho any. Mahaiza mionona ary mahereza , tompoko.
Vangiana : Misaotra anareo (lazaina eo ilay mpamangy raha tadidy), tompoko, izahay amin'izao
fahatongavanareo izao sy fijoroanareo mampionona anay izao.
Mafy sy mavesatra tokoa ny fahoriana noho ny fisarahana, satria andry lehiben'ny fianakaviana tokoa
no lasa. Kanefa noho izao ataonareo izao, tsy namela anay hitomany irery, fa avy midodododo,
maneho ny fiaraha-miory sy miara-mizaka ny mafy aminay. Tsy misy mampionona aza, tompoko,
mionona, mainka fa misy anareo marobe tsy manadino, mampahery anay toy izao! Ka dia misaotra,
tompoko, ary enga anie mba ho fifaliana indray no hihaonantsika fa tsy fahoriana intsony.
Eny, tompoko, araka ny fomban-drazantsika moa izay mbola tohizintsika mandraka ankehitriny, dia
indreto izahay tsy tonga hampifendrofendro fa kosa mitondra ny varavaintikely voatsirambin'ny
tanana izahay ho fao-dranomaso (na solon-dranom-bary tsy masaka nasolon-drambon-damba) ho
an'ny maty, mba ho mariky ny firaisantsika sy ny fifankatiavantsika (raha hanatitra lamba na
voninkazo, dia omena amin'io koa). (Manolotra vola anaty valopy misy ny anaran’ireo fianakaviana
rehetra tonga mamangy. Io tolotra io dia omen’izay olona efa voatondro hatramin’ny voalohany
an’izay olona iray vangiana mipetraka eo anoloana eo).
Dia ho tsara levenana anie ny maty ary ho henikaja amam-boninahitra koa anie ny velona ! Ho
lasan’izay ny ratsy sy ny loza mahazo antsika izao fa dia mba ho tsara sy ny soa ary ny mahafinaritra
amin’izay no aoka hifanodiavantsika mianakavy !
Vangiana : Mbola mamerina ny fisaorana sy fahatelemana anareo ihany izahay, tompoko, amin'izao
ataonareo izao. Tsy vitan'ny fahatongavanareo fotsiny sy fitondranareo ny teny mamy, fa mbola
nampiarahanareo vola aman-karena indray. Mionera be ny lany. Ka tsy ny maty akory no mahafaly fa
izao ataonareo izao no tena mahavelom-pisaorana. Misaotra tompoko.
Mpamangy : Raha amin'ny tokony ho izy dia tokony hiara-mipetrapetraka eto isika, nefa noho ny adidy tsy
azo ialana sy zarazarain'ny tokantrano samy manana ny azy, dia mangata-dalana aminareo izahay, ka
hilaozanay hitsaitsaika aloha ianareo.
(raha handeha ny mpamangy no miteny izany, fa raha mbola hijanona izy dia toy izao ny tenenina )
Izahay moa, ry izy mianakavy, mbola hiara-kipetrapetraka aminareo eto ihany ka mbola tsy hifanao
veloma aloha isika fa dia mahaiza mionona daholo.
Vangiana : Eny, tompoko, tsy misy tsiny mihitsy raha handeha ianareo, satria mipetraka eto ianareo
hanao adidy, handeha any ianareo mbola hanao adidy, ary izahay moa mbola eto ihany, ka dia omen-
dalana ianareo ary mbola memerina ny fisaorana farany, tompoko.