Vous êtes sur la page 1sur 12

MINISTÈRE DE L’INTÉRIEUR

ET DE LA DÉCENTRALISATION

------- o0o -------

INSTITUT NATIONAL

DE LA DÉCENTRALISATION

ET DU DÉVELOPPEMENT LOCAL

-----------------------

NY LALANA MIFEHY NY FANANAN-


TANY ETO MADAGASIKARA

Natokana ho an’ny mpiasan’ny Birao ifotony fananan-tany

1
Fizahan-takelaka

FIZARANA 1- Mahafantatra ny votoanton’ireo lalàna fototra mifehy ny


fananan-tany talohan’ny fanavaozana 2005
Lalàna fototra mifehy ny fananan-tany talohan’ny fanavaozana 2005…………….. 3
Fanoratana tany………………………………………………………………………………….. 3
Haifiteny manokana ampiasaina amin’ny sehatra fananan-tany
FIZARANA 2 – Fandalinana ny fanavaozana ny fitantanana ny fananan-tany 4
Fanavaozana ny fitantanana ny fananan-tany : antony, tanjona, ireo tondro zotra
lehibe ……………………………………………………………………………………………….. 5
Famaritana ny sata-tany sy ny lalàna mifehy azy ………………………………………. 6-7
Famaritana ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra…………………………………………….. 8
Famaritana ankapobe ny andraikitry ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany……………. 9
Fanolorana tany maimaimpoana amin’ny Vondrom-bahoaka Itsijaram-pahefana :
tanjona, paika, fepetra………………………………………………………………………….. 10
Fepetra tetezamita mikasika ny fitantanana ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra:
tanjona, paika …………………………………………………………………………………….. 11

2
FIZARANA VOALOHANY
MAHAFANTATRA NY VOTOANTON’IREO LALANA FOTOTRA
MIFEHY NY FANANAN-TANY TALOHAN ‘NY FANAVAOZANA 2005
LALANA FOTOTRA NORAISINA TAO ANATIN’NY FE-POTOANA
MIALOHA NY FANJANAHANTANY
Dimy venty sy telonjato tamin’ny Foto-kevi-dehibe :
alakabaro 1881 (Code des 305 articles - Heriny
du 29 mars 1881) - Miandry teza ho lavo

LALANA FOTOTRA NORAISINA TAO ANATIN’NY FANJANAHANTANY


Lalàna tamin’ny 9 martsa 1896 (loi du Foto-kevi-dehibe :
9 mars 1896) - Fanamaintisamolaly, fototry ny fananan-
Didim-panjakana tamin’ny 4 febroary tany
2011 - Fiheverana ny fahefan’ny Fanjakana
amin’ny fananan-tany (presomption de
domanialité)
- Ny fametrahana ny firafitra Act Torrens
LALANA FOTOTRA NORAISINA TAORIAN’NY FAHAZAHOANA NY FAHALEOVAN-TENA
- Lalàna laharana faha 60-004 tamin’ny Foto-kevi-dehibe :
15 febroary 1960 mifehy ny - Fanamafisana ny fanamaintisamolaly,
menakelin’ny Firenena (domaine privé fototry ny fananan-tany
national - Fanamafisana ny fahefan’ny Fanjakana
- Hitsivolana laharana faha 60-099 amin’ny fananan-tany (presomption de
tamin’ny 21 septambra 1960 mifehy ny domanialité)
menabe-mpanjakana (domaine public) - - Fanamafisana ny fametrahana ny firafitra
- Hitsivolana laharana faha 60-146 Act Torrens amin’ny fanoratana tany
tamin’ny 3 oktobra 1960 mifehy ny (immatriculation foncière)
fitondrana ireo tany voasoratra (régime
foncier de l’immatriculation)
- Hitsivolana laharana faha 62-110
tamin’ny 1 oktobra 1962 amaizana ny
fanamparana ny zo fizakam-pananana
sy andidiana ny hamindrana amin’ny
Fanjakana ny tany tsy
nomaintsisamolaly (sanctionnant l’abus
de droit de propriété et prononçant le
transfert à l’Etat des propriétés non
exploitées)

FANORATANA TANY
(IMMATRICULATION FONCIERE)
DIKANY : dingana ahafahana mamantatra ny tany amin’ny alalan’ny fanaovana
tsatobato sy ny fanomezana laharana ao amin’ny boky fananan-tany
VOKANY: Fanomezana titra raikitra sy tsy azo hozongozonina
KARAZAM-PAIKA:Fanoratana tany faobe (cadastre na immatriculation collective),
fanoratana tany an’olon-tokana (immatriculation individuelle)

3
HAIFITENY MANOKANA AMPIASAINA MATETIKA AMIN’NY SEHATRY NY
FANANAN-TANY

Tanin’olon-tsotra tsy vita titra (propriété privée non titrée), Tany vita soratra na tany
vita titra (propriété foncière titrée), Zo fitompoana (droit de propriété), Faritra
arovana (aires protégées)/Fampanofàna (bail)/Fampanofàna an-taona maro (na
fanekem-panofana maharitra taona maro 18 taona ka hatramin’ny 99 taona)) (bail
emphytéotique)/Fanaovana tsatobato (bornage)/Kara-tany (certificat foncier)/Tanim-
panjakana tsy azo amidy (domaine public immobilier)/FanananaTanim-panjakana
azo amidy (domaine privé immobilier)/Fanolorana tany maimaimpoana (dotation
foncière)/Planina eo an-toerana momba ny Fipetrahana amin’ny tany (Plan Local
d’Occupation foncière ou PLOF), Fipetrahana, fanamaintisamolaly, fisitrahana
(occupation, mise en valeur, jouissance), Antoka (hypothèque), Tsy fahazoa
manafoana (imprescriptible), Tsy fahazoa mivarotra (inaliénable), Tsy fahazoana
manao fanagiazana (insaisissable), Fivarotana (cession), Tany iadiana (terrain
litigieux), Famelana velaran-tany (servitude)

4
FIZARANA FAHAROA
FANDALINANA NY FANAVAOZANA NY FITANTANANA NY FANANAN-TANY
ANTON’NY FANAVAOZANA:

- Tsy fisian’ny fitoniana eo amin’ny fananan-tany

- Vitsy ireo tany voasoratra sady lafo ny saram-panoratana tany

- Tsy araky ny Fanjakana ny manome fahafaham-po ireo fangatahana fanoratana tany

TANJONA FOTOTRA NAPETRAKY NY TARATASY MIFEHY NY POLITIKAN’NY


FANANAN-TANY

Tanjona fototra napetraky ny taratasy mirakitra ny Politikan’ny Fananan-tany May


2005

“HAMALY NY HETAHETA HO AN’NY FANAMARINANA NY ZO FANANAN-TANY AO


ANATIN’NY FE-POTOANA FOHY SADY ZAKAN’NY FAHEFA-MIVIDY AMIN’NY
ALALAN’NY FANKATOAVANA ARA-DALANA IREO ZO FANANAN-TANY TSY MBOLA
VOASORATRA SY NY FIAROVANA IREO ZO FANANAN-TANY EFA VOASORATRA”

Tanjona fototra napetraky ny taratasy mirakitra ny Politikan’ny Fananan-tany


Aogositra 2005 (fanamafisana )

“HO KITRO HIFAHARAN’NY FAMPANDROSOANA NY FANANAN-TANY AMIN’NY


ALALAN’NY FANAMARINANA IREO KARAZAN-JO SAMIHAFA, NY FITANTANANA NY
FANANAN-TANY HIFANARAHANA SY NY FIFAMENOANA EO AMIN’IREO FILANA TANY
ANKEHITRINY SY IREO FILANA TANY HO AVY”

TONDRO ZOTRA LEHIBE NORAISINA HO FANAVAOZANA NY FANANAN-TANY

 FANAVAOZANA, FANATSARANA ARY FAMPITAOVANA NY


SAMPANDRAHARAHAN’NY FIKAJIANA NY TARATASY FANANAN-TANY SY NY
SARY TANY (DOMAINE/TOPO)
 FANAPARIAHAM-PAHEFANA AMIN’NY FITANTANANA NY FANANAN-TANY
(BIF)
 FANAVAOZANA NY LALANA MIFEHY NY FANANAN-TANY
 FAMPIOFANANA MIKASIKA NY ASAN’NY FANANAN-TANY

5
FAMARITANA NY SATA TANY ETO MADAGASIKARA
SY IREO LALANA MIFEHY AVY AZY

LALANA FOTOTRA : Lalàna laharana faha 2005-019 tamin’ny 17 oktobra 2005 anaovana
ny Fehi-kevitra Ankapobe mifehy ny satan’ny tany
SATA TANY FITSINJARANA LALANA MIFEHY FAMARITANA FANAMARIHANA
SATA
TANIM- Lalàna laharana- Natao ho Miankina amin’ny
PANJAKANA faha 2008-013 ampiasain’ny Fanjakana (Etat)
TSY AZO tamin’ny 23 jolay rehetra, daholo ny tanim-
AMIDY 2008 mifehy ny hisitrahan’ny panjakana tsy azo
tanim-panjakana tsy rehetra, hiarovana amidy ara-
azo amidy sy ny ny rehetra boajanahary
didim-panjakana - Tanim-panjakana (domaine public
laharana faha 2008- tsy azo amidy ara naturel) (seham-
1141 tamin’ny 1 boajanahary pampiharana araka
desambra 2008 (naturel), tanim- ny andininy faha 3
fampiharana azy panjakana tsy azo lalàna laharana
amdidy nataon- faha 2008-013
tanana (artificiel), tamin’ny 23 jolay
tanim-panjakana 2008)
TANIM- tsy azo amidy araka
ny lalàna
PANJAKANA
(règlementaire)

TANIM- Lalàna laharana- Tany misoratra-


PANJAKANA faha 2008-014 amin’ny Fanjakana
AZO AMIDY tamin’ny 23 jolay- Tany tsy mbola nisy
2008 mifehy ny nipetraka mihitsy
fananana azo amidy na nanao zo
an’ny Fanjakana, ny fitompoana
Vondrombahoaka - Tany azo avy
itsinjaram-pahefana amin’ny zo
ary ny Fikambanana fiandrianana
hafa fehezin’ny- Tanim-panjakana
lalàna tsy azo amidy
ifampitondran’ny novàna sokajy
daholobe sy ny- Tany novidiana na
didim-panjakana natakalon’ny
laharana faha 2010- Fanjakana
233 tamin’ny 20- Tany nesorina
aprily 2010 tamin’ny tompony
fampiharana azy noho ny
tombotsoan’ny
besinimaro na noho
ny tsy fanajàna ny
adidy momba ny
fanamaintisamolaly
Ny tanin’ireo
Vondrom-bahoaka
Itsijaram-pahefana
dia ireo tany izay
misoratra amin’ny
anarany.
TANIN’OLON- Hitsivolana laharana- Tany misotra-
6
TSOTRA VITA faha 60-146 amin’olona/vondro
TITRA tamin’ny 3 oktobra na fikambanana...
1960 mifehy ny ao amin’ny boky
fitondrana ireo tany tany ary voafaritra
voasoratra sy ny mazava amin’ny
didim-panjakana tsato-bato araka ny
laharana faha 60- paika fanoratana
529 tamin’ny tany an’olo-tokana
tamin’ny 28 na itambarana
desambra 1960
fampiharana azy
TANIN’OLON- Lalàna laharana- Tany hananana zo Ity sata tany ity
TSOTRA TSY faha 2006-031 fitompoana tsy ihany no tandrifim-
VITA TITRA tamin’ny 24 voasoratra izay azo pahefan’ny Birao
novambra 2006 ekena amin’ny Ifotony ny Fananan-
amerana ny paika manokana ka tany amin’ny
fitondrana araka ny mety hanomezana fanomezana kara-
TANIN’OLON- lalàna ny azy kara-tany tany
TSOTRA fitompoan’olon-
tsotra ny tany tsy
vita titra sy ny
didim-panjakana
laharana faha 2007-
1109 tamin’ny 24
novambra 2006
fampiharana azy
TANY Andininy faha 38- Tany natokana ho-
MANANA amin’ny lalàna faritra ho an’ny
SATA laharana faha 2005- tetikasa
MANOKANA 019 tamin’ny 17 fampiasam-bola
oktobra 2005 - Tany ao anatin’ny
Faritra arovana
(Aires protégées)
- Tany voafaritra ho
tantanina momba
ny loharanom-
karena voajanahary
(gestion des
resources
naturelles)
- Tany ampiharana ny
lalàna fitantanana
ny ala (droit
forestier)
- Tany ao anatin’ny
velaran-tany
arovana (espaces
protégées)

7
FAMARITANA ARAKA NY FITSIPIKA AMAN-DALANA
NY TANIN’OLON-TSOTRA TSY VITA TITRA IZAY AZON’NY BIRAO
IFOTON’NY FANANAN-TANY HANOMEZANA KARA-TANY
Fepetra napetraky ny Andininy faha 33 lalàna faha 2005-019 tamin’ny 17
oktobra 2005:
- Tany an-tànan-dehibe na eny ambanivohitra
- Tany ahitana soritra ny fikarakarana ataon’ny olon-tsamirery na itambarana
- Tany misy fampiasana misongadina ary maharitra
- Tany misy fampiasana araka ny fomba fanao eo an-toerana amin’io
fotoana io ary arakaraka ny tokony ho fampiasana ny tany
Fepetra napetraky ny Andininy faha voalohany sy faha 2 lalàna laharana faha
2006-031 tamin’ny 24 novambra 2006
- Tany ipetrahana nefa mbola tsy voasoratra ao amin’ny rejisitry ny fananan-
tany na tsy vita kadasitra ;
- Tany tsy ao anatin’ny tanim-panjakana tsy azo amidy sady tsy ao amin’ny
tanim-panjakana ;
- Tany tsy ao amin’ny faritra fehezinà sata manokana ;
- Tany nanaovana fitompoana araka ny fomban-drazana sy araka ny fanao
amin’ny fotoana sy fomban-tany.
FEHINY: Tsy azon’ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany atao ny manome kara-tany
amin’ireo tany tsy tafiditra ao anatin’ny andraikim-pahefana toy ny tany tsy
misy fisitrihana (sans occupation ou occupation insuffisante), ny tanim-
panjakana tsy azo amidy sy ny tanim-panjakana azo amidy na tany efa
misoratra na amin’ny Fanjakana na amin’olon-tsotra, tany efa manana sata
manokana, tany efa nanokafan’ny Fanjakana paika fanoratana manokana
(ohatra: kadasitra). Noho izany, misy dikany tanteraka ny fahafantarana
mialoha ny sata tany mba ahafahana manaja ny fepetra napetraky ny fitsipika
aman-dalàna mikasika ny tandrifim-pahefan’ny Sampandraharaha tsirairay avy.

8
FAMARITANA ANKAPOBE IREO ANDRAIKITRY NY BIRAO IFOTON’NY
FANANAN-TANY

Didim-panjakana laharana faha 2007-1109 tamin’ny 18 desambra 2007 ho


fampiharana ny lalàna laharana faha 2006-031 tamin’ny 24 novambra 2006
amerana ny fitondrana araka ny lalàna ny fitompoan’olon-tsotra ny tany tsy
vita titra (andininy faha 8 sy ny manaraka)

- Fitantanana ny paika fangatahana kara-tany sy ny antontan-taratasy


mikasika ny tany vita kara-tany

- Fitantanana ny fananan’ny Vondrom-bahoaka Itsijaram-pahefana

- Fifanakalozam-baovao sy fifandraisana amin’ny Sampandraharaha napariaka


ny Fananan-tany (service déconcentré de l’Etat)

9
FANOLORANA TANY MAIMAIMPOANA (DOTATION FONCIERE)
HO AN’NY VONDROM-BAHOAKA ITSIJARAM-PAHEFANA

Didim-panjakana laharana 2010-233 tamin’ny 20 aprily 2010 ho fampiharana


ny lalàna laharana faha 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008 (andininy faha 43 sy
ny manaraka)

SATA TANY VOAKASIKA:

Tanim-panjakana azo amidy

TANJONA:

- Fametrahana fotodrafitr’asa ho fanasoavam-bahoaka

- Fizarana maimaimpoana ny tany amin’ireo mponina nisitraka ny tany

PAIKA:

- Fangatahana tanim-panjakana apetrakin’ny Vondrom-bahoaka Itsijaram-


pahefana ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany

Raha toa ka ho zaraina maimaimpoana ny tany:

- Fangatahana fifanarahana apetrak’ilay olona mpisitraka ny tany ao amin’ny


Kaominina (Birao Ifoton’ny Fananan-tany)

- Fanoratana ny zon’ny mpisitraka ao anatin’ny bokin’ny fananan-tany eo


anivon’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany (Domaine:Topo)

FEPETRA FAMERANA

TSY AZO AMIDY NY TANY NOMENA NY KAOMININA TAMIN’NY ALALAN’NY


FANOLORANA TANY MAIMAIMPOANA (DOTATION FONCIERE) ARY
TRATRAN’NY FANAFOANANA TANTERAKA AVY HATRANY (NULLITE ABSOLUE)
NY TARATASY FAMPIVAROTANA METY HAHAKASIKA IZANY

10
FEPETRA TETEZAMITA MIKASIKA NY FITANTANANA
NY TANIN’OLON-TSOTRA TSY VITA TITRA
Didim-panjakana laharana 2010-233 tamin’ny 20 aprily 2010 ho fampiharana
ny lalàna laharana faha2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008 (andininy faha 73 )

Didim-panjakana laharana faha 2007-1109 tamin’ny 18 desambra 2007 2010 ho


fampiharana ny lalàna laharana faha 2006-031 tamin’ny 24 novambra 2006
amerana ny fitondrana araka ny lalàna ny fitompoan’olon-tsotra ny tany tsy
vita titra (andininy faha 59)

SATA TANY VOAKASIKA

Tanin’olon-tsotra tsy vita titra

TANJONA:

- Hitantanana ny fomba hitondrana ireo fangatahana tany efa napetraka tany


amin’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany (Domaine:Topo) mbola tsy
tontosa hatramin’ny farany kanefa tafiditra ao anatin’ny sata tanin’olon-tsotra
tsy vita titra

- Hitantanana ny fomba hitondrana ireo fangatahana kara-tany eo amin’ireo


Kaominina tsy nametraka Birao Ifoton’ny Fananan-tany

PAIKA:

- Fanavahana ireo fangatahana tanim-panjakana efa napetraka ao amin’ny


Sampandraharahan’ny Fananan-tany

- Fitsinjarana ny antontan-taratasy araka ny fizotra ny paika (avancement de la


procédure) sy ny sata-tany (tafiditra ao anatin’ny tanim-panjakana na tafiditra
ao anatin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra...)

- Fanohizana ny paika araka ny sata tany sy ny fizotran’ny paika (na tohizina eo


anivon’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany na tohizana eny anivon’ny
Vondrom-bahoaka Itsijaram-pahefana mahefa)

FOMBA FIASA:

Fiaraha-miasa eo amin’ny Sampandraharaham-panjakana napariaka (Service


déconcentré de l’Etat : Domaine/Topo) sy ny Vondrom-bahoaka Itsijaram-pahefana
(BIF na ny Ben’ny Tanana)

11
12

Vous aimerez peut-être aussi