Vous êtes sur la page 1sur 18

Cours de base trading

III- FIZARANA FAHATELO : FOMBA FANAOVANA ANALYSE


Rehefa hisehatra amin’ny trading en ligne dia misy analyse atao alohan’ny hanapahana
hevitra na hividy na hivarotra marché iray, ka izany analyse izany dia misy karazany roa ihany
koa dia ny « analyse technique » sy ny « analyse fondamentale » ka ho jerevatsika tsirairay
izy ireo.

1- ANALYSE TECHNIQUE :
Rehefa misy tsena iray misokatra, dia afaka miatrika izany isika n’aiza n’aiza misy
antsika, izany dia nohon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny broker, ka ny broker no mapiseho izany
amin-tsika avy amin’ny alalan’ny fapiasana ilay platforme de trading toy ny metatrader,
tradingview, ninjatrader sy ny maro samy hafa. Ireo platforme ireo izany dia maneho ny
fizotran’ny marché iray izay avadiny miendrika « graphe » ary iny « graphe » iny no
analysén’ny trader, ka ny fanaovana an’izay analyse graphe izay no atao amin’ny analyse
technique.
Mba ahafahana manao analyse graphique izay ary dia misy ny technique ampiasaina
ka izay indray no atao hoe stratégie. Misy karazany maro be ireo strategie ampiasain’ny trader
maneran-tany fa karazany efatra (04) ihany no ho hitantsika mandritra ity fampianarana ny
base ity, izay hojerevatsika tsirairay manaraka eto.
Marihina ihany eto am-piandohana fa ny stratégie dia tsy misy marina 100% izany
akory satria faminaniana no atao, fa resultat azo tamin’ny fampiharana izay efa natao naharitra
no nahitàna fa amin’ny ankapobeany dia mahomby ny stratégie iray ary izany no antony
ampiasaina azy.

1-1- Stratégie 1 : Moving Average + Relative Strength Index (MA+RSI) :


Ny stratégie antsika voalohany dia ny fampiasana ireo indicateur roa MA sy RSI. Ny
indicateur moa dia singa entina mamantatra zavatra iray mba hahafahana manapakevitra.
Ohatra amin’ny tableau de bord na fiara na moto, misy indicateur maneho fa ho lany ny solika,
maneho ny hafangainam-pandeha, natao izy ireny mba hanairana anao pitondra fa misy zavtra
tokony hataonao.
Tahaka izany ihany koa ny asan’ny indicateur rehetra hita ao amin’ny platforme de
trading (metatrader ohatra), izay maneho famantarana mba hanapahanan’ny mpisehatra
(trader) hevitra fa tokony hividy (BUY) na hivarotra (SELL) action iray na ny marché. Maro
karazana ireo indicateur hita sy fampiasan’ny trader, saingy tsy hotanisaintsika daholo izany
fa hojerevatsika manokana ny momba ny MA sy ny RSI izay ilaitsika amin’ny fampiharana ny
stratégie voalohany.

MOVING AVERAGE NA MOYENNE MOBILE :


Ny Moving Average afohezina hoe MA na moyenne mobile dia azo avy amin’ny
fikajiana ny valeur moyenne an’ireo prix an’ny marché iray mandritra ny fotoana iray. Miovaova
arak’izany io moyenne io arakaraky ny fiovaovan’ny prix ka na miakatra na midina. Noho izany

1
Cours de base trading
ny asan’ny MA dia mapahafantatra ny lalan’ny marché na haussière na baissière ny tendance
iray.
Misy karazany efatra (04) ny MA dia :
- Ny MA Simple (SMA)
- Ny MA Exponentielle (EMA)
- Ny MA Lissée (SMMA)
- Ny MA Linéaire Pondéré (LWMA)
Tsy hanazava ireo tsirairay isika fa ny maha samy hafa azy ireo dia ny fomba
nanaovana ny fikajiana ny valeur moyenne izay apifandraisana ny prix d’ouverture na prix de
clôture na ny prix farany ambony na ny prix farany ambany na ny habetsahan’ny mpisehatra
(trader) anatin’ny fotoana iray. Ny SMA zao ohatra dia azo avy amin’ny fitambaran’ny prix de
clôture anatin’ny fotoana iray ary zaraina an’iny fotoana iray iny.
Ny fomba fanaovana « interprétation » ny MA dia jerena ny fioharan’ny prix ny marché
ny MA, raha ohatra mihoatra ny MA ny marché dia manome signal d’achat izy izay ary raha
latsaka ambanin’ny MA ny marché dia manome signal de vente.

Ilay tsipika manga tondroin’ny (1) ilay MA, ilay anaty ovale maintso ireo prix ambon’ny
MA midika fa miditra tendance haussière ilay marché, ary ilay anaty ovale mena ireo prix
ambanin’ny MA midika fa miditra tendance baissière ilay marché.
Raha izay ny momban’ny MA dia hojerevatsika manaraka indray ny atao hoe RSI.

RELATIVE STRENGTH INDEX (RSI) :


Ny RSI dia indicateur entina andrefesana ny fiovaovan’ny prix eo amin’ny marché iray
izay entina amantarana hoe « survente » na « surachat » izany marché izany. Voafetra eo
anelanelan’ny niveau 0 sy niveau 100 izany fiovaovan’ny prix izany izay mitsinjara toy izao
manaraka izao :
- Anelanelan’ny niveau 0 sy 30 misy ny « zone de survente »

2
Cours de base trading
- Anelanelan’ny niveau 30 sy 50 misy ny « zone de vente »
- Eo amin’ny niveau 50 misy ny « zone de neutralité »
- Anelanelan’ny niveau 50 sy 70 misy ny « zone d’achat »
- Anelanelan’ny niveau 70 sy 100 misy ny « zone de surachat »
Toy izao indray ny fomba fanaovana « interprétation » ny RSI :
- Rehefa tafiditra anatin’ny « zone de survente » ny marché iray dia midika izay fa nisy
fihazakazahana mafy ny fidinan’ny marché iray ary ambony kokoa ny « risque » mety
hiovan’ny lalan’ny marché mifanohitra amin’ilay fidinana teo, izany hoe hiakatra.
- Raha anaty « zone de vente » indray ny marché izany hoe midina ambanin’ny niveau
50 dia manamarika izay fa miditra « baissière » ilay « tendance » ary afaka mivarotra
ny pisehatra
- Raha miaka-midina manamorona ny « zone de neutralité » indray ny marché dia
midika izay fa vitsy ny mpisehatra no manao fifanakalozana na ny mpividy na ny
mpivarotra
- Raha anaty « zone d’achat » indray ny marché izany hoe miakatra ambonin’ny niveau
50 dia manamarika izay fa miditra « haussière » ilay « tendance » ary afaka mividy ny
pisehatra
- Rehefa tafiditra anatin’ny « zone de surachat » ny marché dia midika izay fa nisy
fihazakazahana mafy ny fiakaran’ilay marché ary ambony ny « risque » mety hiovan’ny
lalan’ny marché mifanohitra amin’ilay fiakarana teo, izany hoe hidina.

2
4 5

(2) courbe RSI maneho ny marché, (3) niveau 70, (4) niveau 50, (5) niveau 30. Nihoatra
ny niveau 70 ilay marché izany oe tafiditra anaty « zone de surachat » (anatin’ny boribory
miloko maintso) rehefa avy niakatra avy any ambany, ary avy eo nidina izany hoe niova
tendance baissière ilay marché rehefa avy nandalo « zone de surachat » ilay tendance
haussière.

3
Cours de base trading

Eto indray dia nilatsaka ambany ny niveau 30 ilay marché izany oe tafiditra anaty
« zone de survente » (anatin’ny boribory miloko mena) rehefa avy nidina avy any ambony, ary
avy eo niakatra izany hoe niova tendance haussière ilay marché rehefa avy nandalo « zone
de survente » ilay tendance baissière.

Raha fintinina izany dia toy izao ny fomba fiasan’ny MA sy RSI raha ohatra ka ny iray
amin’ireo ihany no hampiasaina hanaovana analyse :
- MA : Rehefa ambonin’ny MA ny marché dia manao BUY, raha ambany dia manao SELL
- RSI : Rehefa avy nanao « tendance haussière » ny marché ka tafiditra anatin’ny « zone de
surachat » avy eo tafidina manapaka ny niveau 70 dia manao SELL, ary raha avy nanao
« tendance baissière » ny marché ka tafiditra anatin’ny « zone de survente » avy eo
tafiakatra manapaka ny niveau 30 dia manao BUY

Azo atao ihany koa ny manambatra ireo indicateur roa ireo mba hanamafy kokoa ny
« prédiction » izay atao, ka hojerevatsika manaraka izao indray ny fomba fanaovana ny
analyse.
Analyse atao alohan’ny hividy na hanao BUY (MA + RSI) :
Ho an’ny MA, rehefa ambonin’ny MA ilay marché no manao BUY, ho an’ny RSI kosa
dia rehefa manapaka ilay « zone neutre » na ilay niveau 50 ny marché ka tafiditra anaty « zone
d’achat » dia manao BUY. Izany hoe rehefa ambonin’ny MA ary tafiditra anaty « zone d’achat »
avy nanapaka ny niveau 50 ilay courbe RSI dia mividy na manao BUY.

4
Cours de base trading

8
6

6 8

Nanapaka ny niveau 50 ilay marché (6), eo amin’ilay « bougie » (7) aorinan’ilay bougie
tandrify ny tsipika tapatapaka « verticale » izay manapaka ny MA no mividy na mametraka
position BUY ka rehefa manomboka manakaiky ilay niveau 70 ilay courbe RSI (8) dia afaka
manapaka.
Analyse atao alohan’ny hivarotra na hanao SELL (MA + RSI) :
Rehefa ambanin’ny MA ilay marché no manao SELL, ho an’ny RSI kosa dia rehefa
manapaka ilay « zone neutre » na ilay niveau 50 ny marché ka tafiditra anaty « zone de vente »
dia manao SELL. Izany hoe rehefa ambanin’ny MA ary tafiditra anaty « zone de vente » avy
nanapaka ny niveau 50 ilay courbe RSI dia mivarotra na manao SELL.

5
Cours de base trading

10

11

10

11

Nanapaka ny niveau 50 ilay marché (9), eo amin’ilay « bougie » (10) aorinan’ilay


bougie tandrify ny tsipika tapatapaka « verticale » izay manapaka ny MA no mivarotra na
mametraka position SELL ka rehefa manomboka manakaiky ilay niveau 30 ilay courbe RSI
(11) dia afaka manapaka.

Famintinana :
Raha avy nanao tendance haussière mbola anatin’ny « zone de vente » ilay marché
ka misy bougie manapaka ny MA ary manapaka ihany koa ilay niveau 50 ny courbe RSI
(marché) ary tafiditra ny « zone d’achat » dia manandrify ilay bougie taorian’ny bougie
nanapaka ny MA no mividy na manao BUY ary apirimina ny « gain » (manapaka position) azo
rehefa hita fa manomboka manakaiky ny niveau 70 ilay courbe RSI.
Mifanohitra amin’izay kosa ny an’ny SELL, izany hoe raha avy nanao tendance
baissière mbola anatin’ny « zone d’achat » ilay marché ka misy bougie manapaka ny MA ary
manapaka ihany koa ilay niveau 50 ny courbe RSI (marché) ary tafiditra ny « zone de vente »

6
Cours de base trading
dia manandrify ilay bougie taorian’ny bougie nanapaka ny MA no mivarotra na manao SELL
ary apirimina ny « gain » (manapaka position) azo rehefa hita fa manomboka manakaiky ny
niveau 30 ilay courbe RSI.

1-2- Stratégie 2 : Divergence RSI sy Convergence RSI :


Araka ny anarany dia mampiasa ihany koa ity « stratégie » ity ny indicateur RSI, ary
misy karazany roa dia ny « divergence » sy ny « convergence » izay hojerevatsika tsirairay
manaraka eto indray.
1-2-1- DIVERGENCE RSI :
Misy karazany roa ihany koa ny « divergence RSI » dia ny « divergence positive » sy
ny « divergence négative ».
a- Divergence positive : Miakatra ny « creux »’ny « courbe RSI » ary midina kosa ny
lalan’ny « creux »’ny marché. Rehefa izany signal izany no miseho dia afaka mividy avy
hatrany na manao BUY.

12

Mizara roa io sary io, ny tapany ambony maneho ny lalan’ny marché, ary ny tapany
ambany maneho ny lalan’ny courbe RSI. Mila hita mifanitsy tsara ny « creux marché » sy ny
« creux courbe RSI » vao manao ny traçage-n’ilay tsipika mena (12) « divergence positive »
izay maheno « signal d’achat » ary miala kely ilay « creux » faharoa (teboka mavo) vao mividy
na mametraka position BUY.

7
Cours de base trading

13
14

13

14

Rehefa mahita « divergence positive » dia amin’ny ouverturen’ny « bougie » faharoa


(13) taorian’ny « creux » faharoa vao mividy na manao BUY, ny fanapahana position kosa dia
rehefa manakaiky na mi-touché ny niveau 70 (14) ny courbe RSI izany hoe alohan’ny hidirana
ny « zone de surachat ».

b- Divergence négative : Midina ny « pic »’ny « courbe RSI » ary miakatra kosa ny
lalan’ny « pic »’ny marché. Rehefa izany signal izany no miseho dia afaka mivarotra avy
hatrany na manao SELL.

8
Cours de base trading

15

Tahaka ny teo ambony ihany, ny tapany ambony maneho ny lalan’ny marché, ary ny
tapany ambany maneho ny lalan’ny courbe RSI. Mila mifanitsy tsara ny « pic marché » sy ny
« pic courbe RSI » vao manao ny traçage-n’ilay tsipika mena (13) « divergence négative » izay
maheno « signal de vente » ary miala kely ilay « pic » faharoa (teboka mavo) vao mivarotra
na mametraka position SELL.

16

17

9
Cours de base trading

16

17

Rehefa mahita « divergence negative » dia amin’ny ouverturen’ny « bougie » faharoa


(16) taorian’ny « pic » faharoa vao mivarotra na manao SELL, ny fanapahana position kosa
dia rehefa manakaiky na mi-touché ny niveau 30 (17) ny courbe RSI izany hoe alohan’ny
hidirana ny « zone de survente ».

1-2-2- CONVERGENCE RSI :


Tahaka ny divergence dia misy karazany roa ihany koa ny « convergence RSI » dia ny
« convergence positive » sy ny « convergence négative ».
a- Convergence positive : Midina ny « creux »’ny « courbe RSI » ary miakatra kosa ny
lalan’ny « creux »’ny marché. Rehefa izany signal izany no miseho dia afaka mividy avy
hatrany na manao BUY.

18

10
Cours de base trading
Mila hita mifanitsy tsara ny « creux marché » sy ny « creux courbe RSI » vao manao
ny traçage-n’ilay tsipika mena (18) « convergence positive » izay maheno « signal d’achat »
ary miala kely ilay « creux » faharoa (teboka mavo) vao mividy na mametraka position BUY.

19

20

19

20

Rehefa mahita « convergence positive » dia amin’ny ouverturen’ny « bougie »


voalohany (19) taorian’ny « creux » faharoa vao mividy na manao BUY, ny fanapahana
position kosa dia rehefa manakaiky na mi-touché ny niveau 70 (20) ny courbe RSI izany hoe
alohan’ny hidirana ny « zone de surachat ».

b- Convergence négative : Miakatra ny « pic »’ny « courbe RSI » ary midina kosa ny
lalan’ny « pic »’ny marché. Rehefa izany signal izany no miseho dia afaka mivarotra avy

11
hatrany na manao SELL.
Cours de base trading

21

Mila mifanitsy tsara ny « pic marché » sy ny « pic courbe RSI » vao manao ny traçage-
n’ilay tsipika mena (21) « convergence négative » izay maheno « signal de vente » ary miala
kely ilay « pic » faharoa (teboka mavo) vao mivarotra na mametraka position SELL.

22

23

12
Cours de base trading

22

23

Rehefa mahita « convergence négative » dia amin’ny ouverturen’ny « bougie »


voalohany (22) taorian’ny « pic » faharoa vao mivarotra na manao SELL, ny fanapahana
position kosa dia rehefa manakaiky na mi-touché ny niveau 30 (23) ny courbe RSI izany hoe
alohan’ny hidirana ny « zone de survente ».

Famintinana :
Rehefa hampiasa ilay stratégie « divergence na convergence RSI » dia manao tsipika
mampifandray « pic » na « creux » roa eo amin’ny courbe RSI ary manao tsipika
mampifandray « pic » na « creux » roa ihany koa eo amin’ny courben’ny marché, ary tsy
maintsy mifanitsy izay « pic » na « creux » eo amin’ny courbe RSI sy courben’ny marché izay,
izany hoe ny « pic » na « creux » voalohany eo amin’ny courben’ny RSI dia mifanitsy amin’ny
« pic » na « creux » voalohany eo amin’ny marché dia mifanitsy toy izany ihany koa ny faharoa.
Rehefa mifanipaka ny lalan’ny tsipika eo amin’ny courbe RSI sy courben’ny marché izay dia
zavatra efatra (04) no miseho :
- Divergence positive : miakatra ny lalan’ny « creux » eo amin’ny courbe RSI ary
midina ny lalan’ny « creux » eo amin’ny courben’ny marché ; midika signal d’achat izany ary
eo amin’ny ouverturen’ny bougie faharoa taorian’ny « creux » faharoa eo amin’ny courben’ny
marché no mividy na manao BUY.
- Divergence négative : midina ny lalan’ny « pic » eo amin’ny courbe RSI ary miakatra
ny lalan’ny « pic » eo amin’nu courben’ny marché ; midika signal de vente izany ary eo amin’ny
ouverturen’ny bougie faharoa taorian’ny « pic » faharoa eo amin’ny courben’ny marché no
mivarotra na manao SELL.
- Convergence positive : midina ny lalan’ny « creux » eo amin’ny courbe RSI ary
miakatra ny lalan’ny « creux » eo amin’ny courben’ny marché ; midika signal d’achat izany ary

13
Cours de base trading
eo amin’ny ouverturen’ny bougie voalohany taorian’ny « creux » faharoa eo amin’ny
courben’ny marché no mividy na manao BUY.
- Convergence négative : miakatra ny lalan’ny « pic » eo amin’ny courbe RSI ary
midina ny lalan’ny « pic » eo amin’nu courben’ny marché ; midika signal de vente izany ary eo
amin’ny ouverturen’ny bougie voalohany taorian’ny « pic » faharoa eo amin’ny courben’ny
marché no mivarotra na manao SELL.
Ny « divergence positive » sy ny « convergence positive » dia samy maneho signal
d’achat fa ny fomba fametrahana position no tsy mitovy, ny « divergence » eo amin’ny
ouverturen’ny bougie faharoa taorian’ny « creux » faharoa eo amin’ny courben’ny marché vao
mividy (manao BUY) fa ny « convergence » kosa eo amin’ny ouverturen’ny bougie voalohany
taorian’ny « creux » faharoa no mividy. Ny fomba fanapahana position kosa dia mitovy, rehefa
manakaiky na mi-touché ny niveau 70.
Ny « divergence négative » sy ny « convergence négative » indray dia samy maneho
signal de vente fa ny fomba fametrahana position no tsy mitovy, ny « divergence » eo amin’ny
ouverturen’ny bougie faharoa taorian’ny « pic » faharoa eo amin’ny courben’ny marché vao
mivarotra (manao SELL) fa ny « convergence » kosa eo amin’ny ouverturen’ny bougie
voalohany taorian’ny « pic » faharoa no mivarotra. Ny fomba fanapahana position kosa dia
mitovy, rehefa manakaiky na mi-touché ny niveau 30.

1-3- Stratégie 3 : Traçage de ligne ou canal de tendance :


Ny lalan’ny marché iray dia miovaova manaraka ny fotoana ary arakaraka ny
habetsahan’ny mpisehatra (trader) mifanakalo no mampiakatra na mampidina azy. Izany
fidinana sy fiakarana izany no atao hoe « tendance ». Rehefa miakatra ny marché dia
« tendance haussière » ary rehefa midina dia « tendance baissière ». Raha miaka-midina
anelanelan’ny prix roa anaty fotoana maharitra dia lazaina fa « en range » ilay marché. Zavatra
roa no atao rehefa hanaraka ny lalan’ny marché :
- na manao « traçage ligne de tendance » rehefa miakatra (traçage support) na rehefa
midina (traçage résistance),
- na manao « traçage canal de tendance » rehefa mihevaheva (en range)
Ny fahatapahan’ny « ligne de tendance » na fahavakisan’ny « canal de tendance » no
signal ho an’ny mpisehatra fa mety hiova « tendance » ilay marché aoriana kely ka andrasana
aloha ny fiverenany amin’ilay prix de tendance na « retesting de prix » (pullback) ary ny
fisian’izay no anapahana hevitra na hividy na hivarotra.

1-3-1- Traçage ligne de tendance :


a- Traçage support : Rehefa manao « tendance haussière » ny marché dia « support »
no tracé-na, izany hoe mampifandray « creux »’ny marché roa na maromaro ka raha misy
« creux » iray milatsaka ny prix-ny mitaha amin’ny prix-n’ny creux teo alohany, midika izany fa
vaky ilay « ligne de tendance » (support) izay maneho « signal de retournement de tendance »

14
Cours de base trading
ary andrasana ny fiverenan’ny marché eo amin’ilay support ka raha tsy vakiny miakatra ilay
izy, izany hoe nanao « retesting de prix » na « pullback » fotsiny ilay marché dia afaka
mivarotra na manao SELL avy hatrany aorian’ny « pullback ».

28
24 26 27

25

Rehefa avy niakatra avy any ambany any (tendance haussière) ny marché (24) dia ni-
créé creux maromaro (25), dia ireny no ampifandraisina amin’ny tsipika (26), iny tsipika iny ilay
atao hoe « ligne de tendance » na « support », avy eo nisy « creux » vaovao (point jaune) izay
nilatsaka nohon’ny prix’ny « creux » teo alohany (point vert) ny prix’ny, izay no midika fa
« cassé » ny « ligne de tendance » izay maneho « signal » ho an’ny mpisehatra fa hisy
« retournement de tendance » ary mivarotra na manao SELL aorian’ny « pullback » (28).

30

29

15
Cours de base trading

29

30

Sary voalohany misy creux dimy (05) talohan’ny « cassure » (29) ary nisy creux vaovao
(numero 6) izay nilatsaka prix noho ilay prix creux farany (numero 5), sary faharoa ndray misy
creux enina (06) talohan’ny « cassure » (29) ary nisy creux vaovao (numero 7) izay nilatsaka
prix noho ilay prix ny creux farany (numero 6) izay maneho signal retournement de tendance,
nanao « pullback » (point rouge) izay mi-teste farany ilay tendance teo, mivarotra eo amin’ny
ouverturen’ny bougie faharoa (30) manaraka ilay bougie nanao « pullback ».

b- Traçage résistance : Rehefa manao « tendance baissière » ny marché dia


« résistance » indray no tracé-na, « pic » roa na maromaro indray no apifandraisina ka raha
misy « pic » iray miakatra ny prix-ny mitaha amin’ny prix-n’ny « pic » teo alohany, midika izany
fa vaky ilay « ligne de tendance » (résistance) izay maneho « signal de retournement de
tendance » ary andrasana ny fiverenan’ny marché eo amin’ilay « résistance » ka raha tsy
vakiny midina ilay izy, izany hoe nanao « retesting de prix » na « pullback » fotsiny ilay marché
dia afaka mividy na manao BUY.

32

31

33 34
35

16
Cours de base trading
Rehefa avy nidina avy any ambony any (tendance baissière) ny marché (31) dia ni-
créé « pic » maromaro (32), dia ireny no ampifandraisina amin’ny tsipika (33) (résistance),
vaky teo amin’ny (34) ilay « ligne de tendance » ary niakatra ny prix an’ilay « pic » vaovao
(point jaune) mitaha amin’ilay prix’ny « pic » teo alohany (point vert), izay no midika fa « signal
de retournement de tendance » ary andrasana ny hanaovan’ny marché « pullback » (point
bleu) (35) amin’ilay « résistance » ka raha tsy vakiny intsony ilay « résistance » dia eo ambony
kelin’ny « pullback » no mividy na manao BUY.

36

37

36
37

Amin’ireo sary roa (02) ireo dia misy pic roa (02) talohan’ny « cassure » (36) ary nisy
pic vaovao (numero 3) izay niakatra ny prix’ny noho ilay prix an’ny pic farany (numero 2), izay
maneho signal retournement de tendance, nanao « pullback » (point rouge) izay mi-teste
farany ilay tendance teo, mividy eo amin’ny ouverturen’ny bougie faharoa (37) manaraka ilay
bougie nanao « pullback ».

17
Cours de base trading
1-4- Strategie 4 : MBK System : (A SUIVRE)

18

Vous aimerez peut-être aussi