Vous êtes sur la page 1sur 32

FIOMPIANA GANA SY GISA FAKANA ATY

MATAVY

1.NY ATY MATAVY


2. KARAZANA GANA SY GISA FIOMPY
AHAZOANA ATY MATAVY
FANAVAHANA NY LAHY SY VAVY
AHOANA NO HANOMBOHANA NY FIOMPIANA
?
I/FITAOVAVA ILAINA
a) NY FITAOVAM-PIHINANANA
b) NY FISOTROANY RANO

d) NY FITAOVANA FANATODIZANA
e) TRANONY

II/ FANOMBOHANA(démarrage) :
(0 ka hatramin’ny 4 herinandro)
NY HAFANANA ILAIN’NY VORONA
III/FITOMBOANA(croissance) :
(4 ka hatramin’ny 8 herinandro)
SAKAFONY
NY RANO
NY ARETINA MPAHAZO NY VORONA
III/FAMAHANANA (gavage)
9 andro ka hatramin’ny 21 andro
FIOMPIANA GANA SY GISA FAKANA ATY
MATAVY

1.NY ATY MATAVY

Ny aty matavy na « foie gras »dia sakafo azo avy amin’ny


atin’ny gana na sarindokotra na gisa lahy
nofahanana katsaka mba ahazoana aty tena lehibe 0,4 –
1,3 kilao.
Anisan’ny sakafo tena ankafizin’ny olona tokoa izy io. Azo
hanina masaka, tsy dia masaka tsara na manta ny aty
matavy. Azo andrahoana amin’izao na miaraka amin’ny
zavatra hafa izy io, azo potehina atao“pâté” koa.

ATY TSOTRA ATY MATAVY


2. KARAZANA GANA SY GISA FIOMPY AHAZOANA
ATY MATAVY

Gana « BARBARIE » na dokotra milanja 5 kilao eo ho eo.


Gana « MULARD »: gana azo avy amin’ny
fampanarahana. dokotra lahy (barbarie) sy gana vavy (col
vert) na gana (lahy (col vert) sy dokotra vavy (barbarie)izay
antsoina hoe sarin-dokotra, gana manome aty matavy sy
hena tena tsara.
Io karazana io no matetika ompiana angalana aty matavy
eto
Madagasikara.
Gisa volon-davenina antsoina hoe :
« oie grise des Landes ».
FANAMARIHANA :

NY VORONA LAHY
IRERY IHANY NO
HAKANA ATY
MATAVY
( FOIE GRAS)

FANAVAHANA NY LAHY SY VAVY

Ny vorona lahy no mora mitombo ny vatany sy ny atiny ,


noho izany mba haha aingana ny vokatra izay katsahina
dia ny vorona lahy no natao hakana ny aty matavy (foie
gras)
Mba manana ny anjara toerany ihany anefa ny vorona vavy
na dia izany aza ka izy ireo dia napetraka ho natao sakafo
tsotra sy natao hakana taranaka
VAVY LAHY
AHOANA NO HANOMBOHANA NY FIOMPIANA
?

Misy dingana roa tokony arahina ny fiompiana :


Amin’ny fotoana voalohany izany hoe ny fiompiana
tsotra izay mandany ny 90% ny fotoana hiainany, ny
gana na ny gisa na ny sarindokotra dia avela
hirenireny eny an-kalamanjana manomboka ny 3 ka
hatramin’ny 4 herinandro Vokisana bozaka aloha ireo
hanamafy ny aranany, avy eo dia sakafo misy
“amidon” (vary, sns….) izay mampaha-lehibe ny atiny
tokony ho eo amin’ny antsasaky ny habeny

Ny fotoana faharoa dia ny fotoana famahanana azy


(gavage) izay maharitra 10-21 andro :

Ny gana na sarindokotra eo amin’ny 3 volana ary


milanja 3.75 – 4 kg dia velomina ao amin’ny trano
mitsitokatokana na “epinettes” dia fahanana in-dora
isan’andro, intelo iasan’andro kosa ho an’ny gisa .

Alentika amin’ny alalan’ny “entonnoir” hatrao amin’ny


tendany ( takorobabony) ny sakafony izay katsaka
hatrany

Fividianana ny fitaovana fanombohana


Misy karazany telo no azo atao åmin’izany

 Fividianana ny atody akotrika


 Fividianana ny ganakely iray andro na ny kisakely na
ny sarindokotra

 Fividianana lahy sy vavy mba ahazoana taranaka :


gana lahy sy vavy na gisa lahy sy vavy na dokotra lahy
sy gana vany (raha sarindokotra no tiana ho azo dia
ny fampivadiana ny dokotra lahy sy gana vavy na gana
lahy sy dokotra vavy no atao)

I/FITAOVAVA ILAINA

 Fitaovam-pihinanany (mangeoires)
 Fitaovam-isotroany rano (abreuvoirs)
 Fitaovam-panatodizany

a)NY FITAOVAM-PIHINANANA
b)NY FISOTROANY RANO
KARAZAN ALOHAN’NY 5 AORINAN’
Y 5 ANDRO ANDRO NY 28
– 28 ANDRO
ANDRO
Vilia 1 ho an’ny
fihinana voronkely
40x40cm 50
Vilia misy
aro eo
afovoany

1 ho 1 ho an’ny
an’ny voronkely
voronk 50 ( 5
ely 50 litrs)
(5
litrs)
Fisotroan 1 ho an’ny
y rano voronkely
50
( 3 litrs)
1 ho 1 ho an’ny
an’ny voronkely
voronk 50 ( 5litrs)
ely 50
( 5litrs)
Fihinanan
a lavalava

10cm 10cm ny
ny halavany
halava isaky ny
ny voronkely
isaky
ny
voronk
ely
Fisotroan 3m ho 3m ho
dranony an’ny an’ny
lavalava voronk voronkely
ely 250 250

d)NY FITAOVANA
FANATODIZANA

hazo narafitra hanana endrika toy ny kesoka no atao


fanatodizan’ny vorona ary asiana bozaka malemilemy ao
anatiny mba tsy hahavaky ny atody

e)TRANONY

Tsy tsara atao amin’ny toerana talaky masoandro be loatra


fa asina halokaloka
Amboarina amin’ny fitaovana hita eo antoerana ihany toy
ny hazo ,biriky , fanitso, ary atao azon’ny rivitra tsara fa
tsy mihiboka
Saropady ny fahasalaman’ny vorona eo amin’ny 5
herin’andro voalohany ka mila tandremana tsara ny resaka
fahadiovana

 Ny vorona dia tezaina amin’ny toerana maloka sy


mifefy

 Misy ny toerana fanatodizany

 Eto ny gana gasy dia mila dobo filomanossany

 Raha pekin na sarindokotra kosa dia tsy mila


dobo filomanosana izy

II/ FANOMBOHANA(démarrage) :
(0 ka hatramin’ny 4 herinandro)

Fandraisana ny vorona eto dia tena atao zav-dehibe


mihintsy satria dia miantoka ny fiainan’ny vorona
manontolo mihintsy :
Hafanaina mialoha ny trano izay handraisana ny
vorona 24 ora ka hatramin’ny 36 ora eo ho eo amin’ny
hafanana 28°C
Tandremana mihintsy mba tsy hangatsiaka ny tongotry ny
voronkely vao tonga ao amin’ny tranony ny tokony atao
amin’izany dia ny famanana ny lafika mialoha
Harahimaso tsara ny voronkely mba tsy ho tratran’ny
tsy fahampian-drano , noho izaany dia aleo ny
fitoeran-drano fisotro ho feno lalandava
Mandritra ny andro voalohany hahafoizan’ny vorona na
ny andro hahatongavany dia tsy omena afatsy rano ny
voronkely ny antony dia satria izy amin’io fotoana io
dia mbola mandevona ny tamenany
Ny andro faharoa dia fenoina ny fasiana sakafony ary
soloina isan’andro izany raha toa ka misy tsy lany
Ny herinandro voalohany dia asiana hazavana ao
antin’ny tranon’ny vorona 24ora amin’ny 24 ora , hy
herinandro manaraka dia hazavana 12ora amin’ny 24
ora amin’ny hazavana malefaka izany no atao dia mba
hihalana amin’ny fifampitsaingohan’ny vorona
Diovina farafahakeliny indray mandeha isan’andro ny
fasina ranon’ny vorona mba tsy hahatonga ny aretina
toy ny katsatsitra any anaty tsinainy
avela hisy rivotra hiditra miditra ao amin’ny tranon’ny
vorona mba tsy hihiboka sy hisy rivotra maloto
vokatry ny lafika mando
Raha vao foy ny vorona dia vary nandrahoina tsy dia
masaka tsara mifangaro anana no omena azy, mety ny
karazana anana rehetra fa ny fampiasa matetika dia ny
ravina ambiaty ,mety amin’ny voronkely ihany koa eto ny
demurrage natao ho an’ny akohokely fakana nofo ireny

 omena ny sakafo izay laniny izy


 Fihinana lehibe iray ho an’ny vorona 50 na 70
 Fisotroana lehibe iray ho an’ny vorona 100
 Hakitroka amin’ny toerana hipetrahan’ny
vorona dia 40 na 50 ao anatin’ny 1m² eo
Hitarina tsikelikely io hakitroka io mba
hahafahan’ny voronkely mitombo
NY HAFANANA ILAIN’NY VORONA

Ny voronkely dia mila homena hafanana mandritra ny 3 ka


hatramin’ny 4 herinandro
Misy karazany ny fitaovam-pamanana
Mampiasa jiro mandeha amin’ny herin’aratra

Mampiasa zavatra hita amin’ny fiainana andavanandro


toy ny kitay na ny taimbakona

Ny fampiasana ny taimbakona dia mila fitaovana sy


fanamboarana manokana . Alaina ny daban-tsolitany iray ,
esorina tanteraka ny tampony ambony , lavahana tokony
ho omby tavoahangy manakaiky ny vodiny ambany

Maka hazo iray toy ny fanoto ( fandisa) ary tavoahangy


lehibe iray
Atsofoka amin’ilay lavaka ny tavoahangy ary atao izay
hifanenan’izy sy ilay hazo , hararaka amin’izay ny
taimbakona ary hafatratra tsara ( hitsahina mafy)amin’ny
tongotra mihintsy, rehefa feno ilay daba dia tsoahina
moramora ilay hazo sy ilay tavoahangy dia mahazo lavaka
roa tsy misy taimbakona ianao
Arehitra ny taimbakona mba hanome hafanana

FANAMARIHINA

Fefena karakara vy ny manodidina ny vata misy ny


taimbakona mirehitra mba tsy mandoro ny vorona
Asiana fantsona mivoaka any ivenany mba hivoahan’ny
setroka mba tsy hanempotra ny vorona
Taonany(andro) Hafanana°C
1à4 32
4à7 30
8 à 14 27
15 à 21 25
22 à 28 23

III/FITOMBOANA(croissance) :
(4 ka hatramin’ny 8 herinandro)

Rehefa feno 4 herinandro ny vorona dia afaka avoaka


hienjy tsy mila fefy eny antokotany fa tsy mila
hafanaina intsony mba hihinana bozaka sy kankana
eny rehetra eny ,ho an’ny gana gasy eto no tena mila
milalao rano izy ireo ny gana pekin sy ny sarindokotra
kosa dia tsy voatery , izany hoe raha misy ny rano
ahafahany milomano dia havela hilomano izy fa raha
toa kosa tsy misy izany dia tsy mampaninona azy
izany

 Afaka havoaka ny vorona ka tsy mila hafanaina


intsony

 Omena sakafo izay laniny


SAKAFONY

Ny vorona dia tsy mba mifidy sakafo fa haniny daholo toy


ny vary apango sy ny odina legume ao andakozia
Fa mba hahazoana ny vokatra tsara kosa dia ny
fanamboarana sakafo (provandy) manokana no tsara
indrindra

AKORA FANOMBO MAMPIT


HANA OMBO
Katsaka 20 33
Apombo malemy 53 46
Torto soja 19 15
Torto voanjo 4.5 3.5
Vovo-trondro 3.5 2.5
Sira 0.4 0.4
methionine 0.8 0.3

FIKAFIKA KELY
Ny fanomezana ny vorona
kankana mandritra ny 13
herinandro dia mampitombo azy
aingana sady mahatonga ny
vorona hahatohitra aretina
NY RANO
Ny vorona toy ny gana sy gisa ary ny dokotra dia vorona
tsy afaka misaraka amin’ny rano satria mora mitsihi-drano
(déshydrater), noho izany dia tsy azo atao tapaka rano
mihintsy ny tavy fisotroan-dranony ary soloina rehefa hita
fa maloto

NY ARETINA MPAHAZO NY VORONA :

NY GANA SY NY GISA ARY NY SARINDOKOTRA DIA


VORONA MAHAZAKA ARETINA KOKOA RAHA
AMPITAHAINA AMIN’NY VORONA HAFA TOY NY AKOHO
EFA TOETRA VOA-JANAHARY IZANY

IREO ARETINA METY MPAHAZO NY VORONA

ny coccidiose :

Aretina vokatry ny fisian’ny bibikely tsy hita maso


mivelona ao amin’ny tsinain’ny vorona

FISEHONY :

misy ra ny tain’ny vorona

FITSABOANA :

omena anticocidiens ny vorona ka atao amin’ ny sakafony


na ny rano sotroiny
Dersy

MAHATONGA NY ARETINA :

tsy ampy ny rano sotroiny na maloto

FISEHONY :

 malemy ny vorona
 mihintsana ny volony
 tsy mitombo ary mitarika amin’ny fahafatesany

FITSABOANA :
omena antibiotique sy vitamine B ,ary omena rano madio
sy ampy

Mivilana ny elany

MAHATONGA AZY :

tsy fifandanjan’ny sakafo hanin’ny vorona na ihany koa


aretina manaranaka
FITSABOANA ; isy mbola kely dia fatorana ilay elatra
mivilana mna hahazo ny toerany mahitsy izany hoe tsy
avela hivilana mandritra ny fotoana maharitra

Areti-maso

MAHATONGA NY ARETINA

Ny loto sy ny bibikely tsy hita maso tafiditra amon’ny


mason’ny vorona
FISEHONY

Mitsonika ranomaso ny mason’ny vorona

FITSABOANA

Pahina ny tahin’ny akondro dia miteraka ranony dia iny


ranony iny no atete amin’ny mason’ny vorona(ilay rano izay
raha mahavoa ny lamba na ny akanjo dia tsy afaka intsony)

FAHAFOIZANY

Ny fotoana fahafoizany
 ny gana dia 28 andro
 ny gisa 28 – 35 andro ( raha hakotika ny andro
nahalatsahany ny atodim-borona dia mihafoy ny
fotoana faha-foizana ka mety ho lasa 28- 30andro)

III/FAMAHANANA (gavage)
9 andro ka hatramin’ny 21 andro

Misy karazany roa no ahatongavana eto amin’ny


famahanana ny gana :
 hompiana mbola kely ny vorona
mandrapahatonga azy eto amin’ny fotoana
famahanana
 mividy gana efa lehibe eny amin’ny mpiompy ka
avy hatrany dia miroso amin’ny famahanana

IREO TSARA HO FANTATRA

 Ny vorona lahy irery ihany no hakana aty matavy


 Faharetany raha ela indrindra dia 12 na 13 herinandro
 Lanjan’ny vorona manomboka ho fahanana 3.8kg ka
hatramin’ny 4.5kg
 Famahanana mandritra ny 12 andro ka hatramin’ny 21
andro raha ela indrindra arakaraka ny vorona ka ny
gana sy ny sarindokotra dia fahanana indroa
isan’andro ary ny gisa dia fahanana intelo isan’andro
 Lanjany amin’ny fahavitan’ny famahanana : 5.2kg ka
hatramin’ny 5.5kg
 Lanjan’ny atiny farafahakeliny dia 300g fa ny tanjona
dia ny hahazo 560g ka hatramin’ny 600g
 Lanjan’ny katsaka lain’ny vorona iray mandritra ny
famahanana 10kg ka hatramin’ny 14kg eo ho eo

Ny famahana dia eo amin’ny :


 16-21 andro ho an’ny sarin-dokotra

 23 andro ho an’ny dokotra amin’ny maraina sy hariva.

 Ny gisa dia fahanana farafahakeliny


20 andro, in-3 isan’andro.

Fahanana amin’ny voan- katsaka iray manontolo tsy misy


fangarony.( katsaka tsy voatoto)

1. NY FIKARAKARANA NY SAKAFONY

Ny gana sy ny gisa ary ny sarindokotra dia fahanana


amin’ny voan-katsaka tsy mivaky, nomasahana tamin’ny
rano;

 hofaina ny katsaka analana ny vovoka

 ny herinandro voalohany
ampangotrahana mandritry ny 2-3 minitra ny
katsaka
 herinandro faharoa 5 ka hatramin’ny 15 minitra
ny

 tsihifina ka avela ho matimaty

 arotsaka avy eo ny sira (10 - 15 g isaky ny


katsaka iray kilao)

 menaka 25g isaky ny katsaka iray kilao)

 karibonetra iray tsongo mba hanamorana


nyfandevenan-kanina.

Ho an’ny gana sy ny sarindokotra ny habetsahan’ny


katsaka isaky ny mihinana dia 200g amin’ny
fiantombohany ary 400g amin’ny faramparany. Ny gana 4
kilao dia mila rano 4 litatra isan’andro.

Ho an’ny gisa kosa ny habetsaky ny katsaka dia 300g


amin’ny fiatombohany ary 600g amin’ny faramparany

3. NY FITAOVANA FAMAHANANA

Tsy andrasana hihinana izay laniny ankory ny vorona fa


asesika amin’ireto fitaovana voatokana ireto mba ho tonga
any amin’ny takorobabon’ny vorona ny sakafony
Misy ny fitaovana toy ny milina izay ampiasaina amin’ireny
fiompiana vaventy ireny ary misy kosa ny fitaovana azo
amboarina tsara na dia ao antrano aza:

Moulinette : fitaovam-pamahanana ahodina zany hoe


ampidirina ao anatiny ny katsaka dia ahodina ary midina
manaraka ny tendan’ny vorona ny katsaka
Entonnoir sy hazo : atsofoka ao ambavan’ny vorona ny
fitaovana atao lasa lalina tsara dia hararaka ny katsaka
ary atosika moramora amin’ilay hazo hidina hahazo ny
takorobaon’ny vorona
Ny entonnoir somary lehibe eny antsena ireny ka antonona
hivoahany katsaka ny lavaka dia mety efa fa somary
tohizana fantsona plastique ( tuyau ) mba ho lavalava
kokoa hahatonga tsara ny katsaka any amin’ny
takorobabon’ny vorona

3.FOMBA FAMAHANANA

Ny famahanana dia fametrahana am-pitandremana ao


amin’ny takorobabon’ny gana lahy sy ny gisa ny katsaka
mifangaro rano
. Alentika 20 – 30 santimetatra any ny fantson’ilay
fitaovana
. Azo ampiasàna amin’izany ny lantonara entonnoir »
sy ny hazo.
moulinette » famahana ara-indostria
Somary horina ny tendan’ny vorona eo ampamahanana azy
mba ho tafiditra tsara any amin’ny takorobabony ny
katsaka izay efa nolazaina antsika teo ambony ny fatra
tokony ho lanin’ny vorona tsirairay
Tandremana tsara ny famahanana ary tsy azo asiana
fanafody ampazoto homana azy.
Fahanana in-2 isan’andro ny gana ary ny gisa in-4
isan’andro. Mba ahazoana aty matavy 400-600 grama, ny
gana dia fahanana 2 -3 herinandro (maraina sy hariva). Mba
ahazoana aty matavy 700 grama hatramin’ny 1 kilao, ny
gisa dia fahanana 3 – 4 herinandro (4 isan’andro
in-2 maraina, in-2 hariva, mielanelana eo amin’ny adiny
iray).
MISY SARY MAROMARO IRETO MBA HAHAFAHANTSIKA
MAHITA TSARA NY FOMBA FAMAHANANA AZY
Araka ny hitantsika amin’ny sary dia terana eo
anelanelan’ny tongotra roan y vorona fahanana ka hatraka
ambony ny lohany ary tsy terena ny faritry ny tendany sy
ny takorobabony mba hahafahan’ny sakafo ampidirina ao
aminy hiditra tsara any amin’ny takorobabony

4. NY TRANONY

Ny tranon’ny gana dia tokony ho voasimenitra, somary


mitongilana mba ikorian’ny rano maloto, misy rivotra
saingy tsy rivotra be loatra na mifamaly, tsy mando lava,
tsy mangatsika,
sasàna isan’andro ka ny rano
maloto dia atoby anaty lavaka any
ivelany.
Tsy mipetraka amin’ny tany
mivantana ny vorona fa ao anaty fefy
“épinette” miefitrefitra eo
amin’ny 3,5 metatra tora-droa
« m2 »ary ny ahavony 1 metatra.
Azon’ny gana 10 – 12 itobiana
isaky ny efitra. Izany dia vita
amin’ny volotsangana na hazo
mifanetinety. Kendrena mba tsy
ho tafatsofoka ao anelanelan’ny
hazo ny tongotry ny biby.

FEHINY
Ny fiopiana vorona hakana aty matavy dia fiompiana mbola
tsy dia maro mpanao nefa dia tsy dia manahirana nefa
ahazoana vokatra tsara :
 ny aty matavy izay ssakafo tena ankafizin’ny olona
maro indrindra amin’ireny hotely lehibe ireny
 ny vatany izay tena matavy tokoa dia sady matsiro no
be mpankafia
ny GASY FARMER dia manentana antsika tsy hisalasala
hiroso amin’ny fiompiana fa tena hampandroso ny
fiainantsika izy ity sady tena bioojuka fa tsy mampiasa
produit simika

NY GASY FARMER DIA MIRAFY ANAO


HAHOMBY SY HAMOKATRA BE

Vous aimerez peut-être aussi