Vous êtes sur la page 1sur 18

Fisy teknika sy

toro-lalana

Ny fiompiana kisoa
Centre de formation
agricole Toamasina
Ny fiompiana kisoa

1 - FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENY

Fiompiana atao ho fampidirambola amin’ny alalan’ny famokarana hena (élevage engraisseur) na/sy famo-
karana zana-kisoa hamidy (élevage naisseur) ny fiompiana kisoa.

Maro karazana ny kisoa fiompy eto amintsika :


• Kisoa zana-tany: Miloko mainty na fotsy na vanga, madinika,
zà-tany, tsy mba mora handairan’aretina nefa miadam-pitombo
sy vitsy anaka.
• Large White: Miloko fotsy, kely sy tsangana ny sofina, mahitsy
lamosina, lava vatana, avo dia, be nofo, mavesa-danja (maha-
tratra 400kg ny lahy), haingam-pitombo sy maro anaka (>16/
taona) nefa mila fikarakarana voatandrina sy sakafo voalanja
tsara.
• Land Race: Somary iva noho ny large White,mikopa-tsofina,
nofosana, lavalava vava, be nofo nefa kely tavy, maro anaka
(>16/taona) nefa tsy mavesa-danjà noho ny Large White ary
tsy mahatanty hafanana be loatra.

2 - NY TOERANA FIOMPIANA
Ireto avy no fepetra takiana amin’ny fametrahana ny toerana
hiompiana kisoa:
• Lavitra ny trano fonenana (noho ny fofona ratsy),
• Toerana malalaka, avoavo, tsy mando lava,
• Akaiky rano madio ho fisotro ny kisoa sy ahamora fahadiovana,
• Mifanapaka amin’ny fiavian’ny rivotra ny halavan’ny trano.

2
3- NY TRANO
Ny trano hiompiana ny kisoa dia tokony hanaja ireto fepetra manaraka ireto:
• Hiaro azy amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro (rivotra, orana,hafanana,hatsiaka) sy ny fahavalony
(biby mpanimba sy mpangalatra),
• Ho mora diovina,
• Hahazo rivotra tsara sy hazavana,
• Tokony hisy fitaovana fandrefesana maripana (thermomètre),
• Tokony hisy efitra misy varavarana hanasarahana ny kisoa isan-tsokajiny (lahy, renin-kisoa, vatotra
kisoa…),
• Tokony hisy lalantsara (0.7-1 m ny sakany) hivezivezena amin’ny fanomezana sakafo ny kisoa sy
ny fikarakarana.
Rindrina : Tsara raha atao vita amin’ny hazo
mba hivezivezen’ny rivotra

Tafo : Aty amin’ny faritra mafana, dia atao


3 m ny haavony; azo ampiasaina ny ravim-
posty, fanitso…

Fanambanany : Tokony ho mora diovina,


azo ampiasaina ny hazo, ny simenitra…
ary atao mihilana (1%) mba ahamora ny
fanarian-drano

Lafika : Bozaka na taim-bakona maina tsara,


soloina isan’andro.
Lavaka ranon-jezika : Mba tsy hiparitahan’ny rano maloto avy ao amin’ny trano-kisoa dia mila manao
lavaka mifanila amin’ny trano mba hivarinan’ny rano maloto. Tokony hisy tatatra vita simenitra avy any
amin’ny trano-kisoa mamarina ny rano any amin’ny lavaka ranon-jezika.

3
Ny fiompiana kisoa

3.1 Refin’ny efitra:

Sokajiny Refy (Lxl) /m Isany Hafanana °C


Lahikisoa 3x3 1
Renikisoa mitaiza 3 x 2.5 1 13 – 17 °C
Renikisoa bevohoka 3x4 4-5 16 -19 °C
20-30 (3-5 volana) 20 – 24 °C
Kisoa atavezina 3x5
8-10 <5 volana 15 – 19°C

Hoan’ny kisoa mitamba-be dia azo ho raisina ho 0.8 – 1.2m² ny velarana isaky ny kisoa iray.
Asiana efitra kely (nid à porcelet) mirefy 1.5 x 1 x 0.8 sy aro tsindrin-drenikisoa ao anatin’ny efitra misy
ny renikisoa mitaiza mba hiarovana ny zanany tsy ho voatsindry sy tsy hangatsiaka.
3.2 Ny tavy fihinanana sy ny tavy fisoatroan-drano
• Apetraka eo amin’ny toerana mahamora ny fizarana sakafo
• Vita amin’ny fitaovana azo sasàna isan’andro (hazo fisaka narafitra,
simenitra, barika…)
• Atao tsara toerana mba tsy ahongan’ny kisoa ka mahavery
ny sakafo.
• Kendrena tsara ny haavony sy ny halalin’ny fitaovana mba
hifanaraka amin’ny haben’ny kisoa sy ny isany.
• Kendrena ny tsy hifanosehan’ny kisoa.
Ny refin’ny fitaovana hoan’ny kisoa iray isan-tsokajiny
Sokajy Halavany (sm) Velarany (sm) Halaliny (sm)
> 3 volana 20 20 10
3 – 5 volana 25 20 10
< 5 volana 30-40 30 20

4
4 - NY FILÀNA
4.1 Ny rano
Anisan’ny biby tena misotro rano ny kisoa ka tandremana mandrakariva mba ho rano tsara sy madio no
omena azy. Mandritra ny fanomezana rano azy dia tsara raha ny rano no harotsaka mialoha mba hisoroahana
ny fifanosehany.

Ny fatra ny rano lanin’ny kisoa isan-tsokajiny anaty andro iray


Sokajy Lanjany (kg) Rano (litatra)
Zana-kisoa 30 2-3
Kisoa matavy 100 4-5
Reninkisoa bevohoka 150 - 250 15-20
Reninkisoa mampinono 150 -250 15-30
Lahikisoa > 120 15
4.2 Ny hery
Ilain’ny kisoa ny hery mba :
• Hanomezany hafanana ny tenany, Ireo sakafo be hery :
• Ahafahany mihetsika, • Voamaina : katsaka, vary, varim-bazaha
• Ahafahany mampitombo ny nofo sy ny tavy, • Vodin-javatra : mangahazo, vomanga,
ovy, soanambo
• Ahafahan’ny renikisoa mamokatra ronono.
• Apombo

4.3 Ny protida
Ny asany :
• Mampitombo sy manatevina ny nofo
• Manatsara ny famokarana ronono Akora betsaka protida :
Ferana ihany anefa ny fatra-tsakafo misy protida satria raha diso voanjo, sozaha, faika isan-karazany, trondro
tafahoatra dia miteraka fikorontanana eo amin’ny fandevonan- maina, vovo-trondro, vovo-kena, vovo-drà.
kanina ary mety hifarana amin’ny aretin-kibo mihitsy.

5
Ny fiompiana kisoa

4.4 Ny mineraly
Misy karazany maro ny mineraly. Fa lehibe indrindra
amin’ny izany ny: sokay (Ca), fôsfôra (Ph), sira (NaCl)… Akora betsaka mineraly :
Ny asany : Vovo-toalana, akorandrika, sokay
• Manamboatra sy manamafy ny taolana, fandokoana, sira.
• Miasa amin’ny fampitomboana ny nofo sy ny
famokarana hafa (ronono),
• Mamelona ny zanakisoa ao an-kibo,
• Manampy ny hery fiarovana.
Tsy tokony atao ambanin-javatra ny fitondrana azy eo amin’ny sakafo omena ny kisoa satria ny tsy
fahampiany dia mitarika fikorontana toy ny fijanonan’ny fitomboana, aretin-taolana, fahafahan-janany….

4.5 Ny vitaminina
Ny vilona maintso maro karazana no tena ahitana azy ary tsara ny fanomezana azy tsy tapaka.
Misy karazany maro ny vitaminina ary samy manana ny asany avokoa
• Vit A : Miasa amin’ny fampitomboana.
• Vit D : Miaro amin’ny fahalemena sy ny aretin’ny taolana.
• Vit E : Miasa amin’ny fampitomboana taranaka.
Raha maro anefa ny biby ompiana sady sarotra ny mitondra vilona maintso dia azo atao ny mampiasa ireto
fanampin-tsakafo vitaminina manaraka ireto izay hita eny amin’ny fivarotana sakafom-biby :
• Super M4 : 150g afangaro sakafo maina 100kg
• Sarbapig : 200g afangaro aminny sakafo maina 100kg

4.6 Sakafo feno na praovandy


Fomba tonga lafatra sy ahazoana vokatra be ny fampiasana Provandy eo amin’ny famahanana kisoa, satria
voakajy ho amin’ny ilain’ny kisoa isan-tsokajiny avy ireo otrikaina samy hafa.
Azo atao ny mividy provandy vita na manamboatra araka ny fatran’ ny akora ilaina voatondro eo amin’ny
tabilao/pejy faha-7.

6
Zanakisoa Kisoa atavezina Renikisoa
Sakafo
1-6 sem 7-8 sem 25-30 kg < 60 kg Lahikisoa
(kg) Bevohoka Mampinono
1er âge 2ème âge 9-12 sem 12-32 sem
Katsaka 40.38 50 53.1 68 40 50 43.8
Mangahazo - - - - 18 14 15
Ampombo - - - - - 13 -
saosao
Ampombo 22 22 22 16 24.9 - 17
malemy
Faikam- 15 16 15 6 7 11 9
boanjo
Trondro 10 10 8 3.5 8 6 10
maina
Ran-kena - - - 4.5 - 4 4
maina
Taolana 1 1 - - - 1.5 -
voadoro
Akoran- 0.5 - 1 1.5 1.3 - 0.5
driaka
Sira 0.2 0.3 0.5 0.5 0.5 0.5 0.5
Siramamy 0.3 0.2 - - - - -

Fanamarihana : raha toa ka maina ny katsaka na ny mangahazo omena ny kisoa dia mila totoina madinika
hitovy amin’ny haben’ny loham-bary voafotsy.

Tandremana mba ho maina tsara, tsy lo ny akora ampiasaina hanamboarana provandy. Mila fitandremana
amin’ny hamandoana ny sakafo efa voaomana ary tsy mihoatra ny 20 andro ny fitehirizana azy.

7
Ny fiompiana kisoa

Ankoatra ireo izay voatondro eo amin’ny tabilao teo aloha, dia misy vokatra avy amin’ny fambolena eo an-
toerana izay azo ampiasaina hamahanana ny kisoa. Matetika dia sakafo be hery izy ireo kanefa tsy misy
mandava-taona toy ny : saonjo, soanambo, vomanga, mangahazo, akondro, sns. Marihina fa tsara
handrahoina anefa ireo akora ireo vao azo omena ny kisoa.

Fomba fampiasana ireo :


Ny sakafo be hery (na foto-tsakafo) toy ny katsaka na mangahazo izay voalaza eo amin’ny tabilao amin’ny
pejy faha-7, no soloina ireo sakafo voalaza teo aloha, fa ny fangaro sisa (na fameno) kosa (raha misy eo
an-toerana) dia tsy maintsy homanina mba ho tomombana ny otrikaina amin’ny sakafo omena ny kisoa.

Ahoana ny fatra omena ny kisoa ?


Ohatra: Amin’ny famahanana ny kisoa hatavezina, manomboka eo amin’ny 60 kg hatramin’ny 110 kg; ho
sokajian-tsika roa ireo taharo eo amin’ny tabilao amin’ny pejy faha-7 :
• Katsaka : 68 kg (%), foto-tsakafo mitondra hery,
• Apombo malemy sy ny sisa : 32 kg (%): sakafo fameno vidiana na hamboarina manokana.
• Fitambarany: 100 kg (%).
Raha toa ka nosoloina ireo hani-kotrana nandrahoina ny katsaka dia tsy voatery hajaina io fatra io, izany
hoe izay lanin’ny kisoa no omena azy satria tsy mitovy ny otrikaina entin’ny katsaka maina voatoto sy ny
hani-kotrana masaka.

Fatra famahanana isan’andro :


Ohatra : Hoan’ny kisoa hatavezina milanja 60 kg izay tokony omena sakafo provandy 2,5 kg, izany hoe ny
fameno 32% amin’io dia 2,5 kg x 32 % = 0,8 kg . Io izany no lanjan’ny fameno homena ny kisoa isan’andro
(izay zaraina roa satria in-2 isan’andro no manome sakafo= 0,4 kg x 2), miampy ny katsaka 68 % na hani-
kotrana masaka izay laniny. Ny provandy fameno no omena voalohany ary manaraka ny hani-masaka.

Mila fitandremana ihany anefa ny fanomezana hani-masaka ny kisoa, ary araka ny fahita dia tsy mifanandrify
loatra amin’ny fepetra ara-tsakafo izy ity satria ny sakafo andrahoina dia mibahan-toerana be ao an-
kibon’ny kisoa noho izy ela vao levona, ary tsy voarefy sy miovaova matetika ny otrikaina voarain’ny biby
san’andro, ankoatry ny mety ho tsy fahampiany dia tsy misy firindrana loatra ny sakafon’ny kisoa.
8
Marihana fa isaky ny miova sakafo amin’ny sokajin-biby dia mila manao tetezamita mandritry ny 5 andro,
ka toy izao manaraka izao no hanaovana azy :
Andro Sakafo taloha (%) Sakafo vaovao (%)
1 80 20
2 60 40
3 40 60
4 20 80
5 - 100

5 - NY FITANTANANA NY FIOMPIANA
5.1 Ny famokarana zanakisoa
5.1.1 Ny kisoa hampiterahana
• Lahikisoa : feno 9-12 volana,tokony hilanja 120-150 kg eo ho eo, nofosana fa tsy matavy.
• Kisoa vavy (cochette): feno 7-8 volana, milanja 110-120 kg eo ho eo, nofosana fa tsy matavy.
• Renikisoa efa niteraka (truie): 2-7 andro aorian’ny fisarahanono raha ohatra ka tsy mahia izy.

Marihana fa :
• Kisoa lahy iray hoan’ny vavy miisa 20, ary afaka miasa mandritra ny 4 taona izy.
• Tsy azo hampivadiana ny biby mpihavana eo amin’ny famokarana zanakisoa.
• Azo ampiterahina hatramin’ny in’enina ny kisoa vavy iray.
• Tsy tokony ampamokarana intsony ny kisoa antitra (>5 taona).

5.1.2 Ny fampanarahana
Mandritra ny fotoana mahataitra ny kisoa vavy ihany no hanekeny ny firaisana amin’ny lahikisoa.
Ireto fiseho ireto no ahafantarana izany :
• Malain-komana.
• Mivonto sady mihamena ny fivaviany ary misy tsiloly fotsy mihamadity amin’ny farany.
• Mihetsiketsika fatratra no sady tsy mahatombina mihitsy.

9
Ny fiompiana kisoa

• Mitaingina ny namany eo am-piandohana.


• Tsy mihetsika rehefa tsindrina avy eo an-damosina. Io no fotoana tsara hanaovana ny fampanarahana.
Tsy maintsy averina indroa ny fampanarahana ary mielanelana 12-14 ora.

5.1.3 Ny fitantanana ny renikisoa bevohoka

Mizara telo ny fomba famahanana ny renikisoa bevohoka, miova manaraka izany ny fatra-tsakafo omena
azy. Hitantsika amin’ny tabilao manaraka ny lanjan’ny sakafo (kg) omena ny renikisoa bevohoka isan’andro :
Lanjan’ny renikisoa / Fotoana P1: mandritra ny 3 P2: mandritra ny 3 P3: mandritry ny 3
maha-bevohoka (P) volana voalohany herinandro manaraka andro farany
150 kg 2,3 kg 2,5 kg 2,7 kg
200 kg 3,4 kg 3,6 kg 3,8 kg
250 kg 2,8 kg 3 kg 3,2 kg
P1 : 3 volana, P2 : 3 herinandro sy P3 : 3 andro

Mila fitandremana fatratra ny famahanana ny renikisoa bevohoka :


• P1- Tsy atao tafahoatra ny fatra-tsakafo, satria raha diso matavy ny renikisoa dia mahatonga azy
hamotsotra anaka izany; vilona maitso na legioma no atao famenon’ny sakafony izay sady mitondra
vitamina sy mineraly no mitondra faika ho famafa-tsinay tsy hampitohana azy;
• P2- Mila sakafo amboniny ny renikisoa, satria efa mitombo ny zanany ao an-kibony; mbola homena
vilona ihany koa;
• P3- Efa manomboka ny famokaran-dronono, ka ny fahavokisana tafahoatra dia hanakorontana izany
10
(fitohanan’ny ronono), ka hitera-pahavoazana ho an’ireo zanakisoa vao teraka ; noho izany dia ilaina
ahena ny fatra-tsakafo;
Tena manampy eo amin’ny fanomanana ny famokaran-dronono ny fanomezana vilona. Hita koa fa tsy dia
mandray sakafo loatra intsony ny renikisoa amin’io fotoana io.

Famahanana ny Renikisoa mampinono :


Ny andro voalohany hiterahany dia fantatra fa mbola malain-kanina izy; rano no fahita fa sotroiny tsikelikely.
Ka noho izany dia tsy tokony ho maika isika handrotsaka (hanome) ny sakafo araka ny fatra voatondro:
hatao miandalana ny fampitomboana ny fatra ao anatin’ny herinandro.
Ny fahavokisana tafahoatra ny andro 2 voalohany aorian’ny fotoana niterahany koa dia mitera-pahavoazana
eo amin’ny famokaran-dronono: mitohana ny ronono;
Miteraka fanaintainana ho an’ny renikisoa izany ka tsy mety mampinono izy, mikonainaina ny kisoakely,
mihamahia tsy ampy sakafo, tonga dia maty raha tsy misy mihitsy ny ronono; raha tsy izany dia mora
tratran’ilay aretim-pivalanana mavo ary mety ho faty koa.

Mifanaraka amin’ny lanjan’ny renikisoa sy ny isan’ny zanany ny fatra famahanana. Hitantsika amin’ny
tabilao manaraka ny lanjan’ny sakafo (kg) omena ny renikisoa mampinono isan’andro :
Lanjan’ny renikisoa / Isan’ny zana-
kisoa
6 8 10 12

150 kg 5,9 kg 6,5 kg 7,1 kg 7,7 kg


200 kg 6,2 kg 6,8 kg 7,4 kg 8 kg
250 kg 6,6 kg 7,2 kg 7,8 kg 8,4 kg

5.1.4 Ny fikarakarana ny zanakisoa


Mila fikarakarana ara-potoana ny zanakisoa ary tsy maintsy omena sakafo mifandanja amin’ny ilainy izy
vao teraka ka hatramin’ny fisaraha-nono. Ny tabilao amin’ny pejy manaraka no mampiseho an’izany :

11
Ny fiompiana kisoa

Sakafo/andro/zanakisoa 1
Taona Tokony atao
Karazany Lanjany
- Andro voalohany : Fanapaha-nify sy tadim-poitra.
- Andro faha-telo : Omena fanafody mitondra vy.
Sakafo
Fitondrana tanimena ao an-tranonkisoa no mety
1 herinandro vovo-dronono 1 tanana
mahasolo izany.
- Fahanana amin’ny tanana ny sakafo.
Eo ho eo amin’ny 0.9-1.5kg ny lanjan’ny zanakisoa.
2 herinandro - Andro faha-15 : Vosirana ny lahy atokana atavezina. 30g
3- 4
- Andro faha-30 : Omena ody kankana. 60g
herinandro
- Andro faha-45 : Atao vaksiny fanefitry ny pesta & Sakafo 1er âge
5-6 ramoletaka.
100-150g
herinandro - Fisarahanono.
Tokony ho 7-10kg ny lanjan’ny zanakisoa.
- Tohizana 10 andro ny sakafo voalohany. - 400g
Sakafo
7-8 - Andro faha-60 : Atao ny vaksiny faharoa fanefitry
tetezamita
herinandro ny ramoletaka.
+ 800g
- 5 andro ny fanomezana sakafo tetezamita.
Sakafo 2e âge
Tokony ho 15kg ny lanjan’ny zanakisoa.

5.1.5 Ny fanatavezana
Atao mandritry ny 154 andro ny fanatavezana (na fampitomboana sy famaranana) ny kisoa. Manomboka
eo amin’ny fisaraha-nono (8 herinandro - 15 kg) ka hatramin’ny famaranana (30 herinandro - 100-110 kg)
izany hoe mandritra ny 22 herinandro na 5,5 volana ny hanaovana ny fanatavezana. Ny fanatavezana dia

12
mikendry ny hahazaona lanja na fitombon’ny biby be indrindra ao anatin’ny fotoana fohy. Noho izany, mila
arahina maso akaiky ny fitombon’ny kisoa.

Taona Sakafo/andro/kisoa
Lanjan’ny kisoa
(Herinandro) Karazany Lanjan’ny sakafo
8 15 kg 800 g
12 25 kg 1.25 kg
Fitomboana
16 40 kg 1.9 kg
22 60 kg 2.5 kg
27 80 kg 2.9 kg
Famaranana
<30 100 – 110 kg 3.1 kg

• Indroa isan’andro ny fanomezana ny sakafo ary amin’ny ora mitovy. Ohatra : amin’ny 6 ora maraina
sy 2 ora tolankandro.
• Tsy omena vilona betsaka loatra intsony manomboka eo amin’ny 60-70 kg.
• Tokony hisy rano madio lalandava ny tavy fisotroana.
• Eo amin’ny 375 kg ny lanjan’ny sakafo lanin’ny kisoa iray manomboka ny herinandro faha-8 ka
hatramin’ny faha-30.

6 - NY FITANDREMAM-PAHASALAMANA
6.1 Fiarovana ara-pahasalamana
Ireto ny fepetra amin’ny fitaizam-pahasalamana :
• Fanadiovana ny trano (anatiny sy ivelany) sy fitaovana ao anatiny amin’ny Cresyl na Eau de Javel
(désinfection).
• Sakafo mahavelona sy mitondra otrik’aina araky ny sokajin’ny biby, fanampiana hery ny kisoa re-
raka amin’ny alalan’ny fanafody mitondra vitaminina toy ny Stress Vitaminé, Polymicrine, Vit AD3E….5
andro no fanomezana izany.

13
Ny fiompiana kisoa

• Fifandraisan’ny samy biby (ambiance) : tsy atao iray efitra ny biby tsy mitovy halehibe.
• Fanokanan-toerana ireo biby marary na avy any ivelany ny fiompiana (mise en quarantaine).
• Fanaovana ny fanadiovana isaky ny misy efitra foana (vide sanitaire).
• Fandraraham-panafody amin’ny fitaovana avy nampiasaina.
• Fampiasana fanafody fandomana tongotra «pédiluve» eo am-baravarana fidirana.

6.2 Fiarovana amin’ny aretina


• Fampandroana ny biby isaky ny 1-2 herinandro mba isorohana amin’ny bibikely toy ny : hao, kongona, …
(déparasitage externe)
• Fanalana kankana (déparasitage interne) toy ny Ascaris, Sakoitra, Strongles na Cysticercose. Atao indroa
isan-taona ho an’ny lahikisoa
• Fanaovana vaksiny ara-potoana, ka mila manontany tsara ny fampiasana azy amin’ny toeram-pivarotana
azy ireny.

Karazan’aretina fahita matetika amin’ny fiompiana kisoa sy fisehony


Aretina Fisehony eo amin’ny kisoa Ohatra na vaksiny Fomba Taona
fanefitra
- Mangovitra, Zanakisoa feno 45
- Mampiady nify ary misy faroratra, Néoteschen, andro. Atao indroa
Ramoletaka - Mivoaka amin’ny vavany, Teshen nasal, Tsindrona mielanelana 15
- Mihenjana ny tenda, Teschen Vax… andro. Averina isaky
- Mihetsika fatratra ny tongony. ny 6 volana.
- Misy lelo fotsifotsy, Zanakisoa feno 45
- Malain-komana, andro.
Tevika Pneumoporc,
- Mikohaka matetika, Tsindrona Atao amin’ny
(pasteurellose) antibiôtika
- Mahia vetivety, fotoana mialoha ny
- Sempotsempotra. ririnina.

14
- Misy tasy na pentina manerana ny Zanakisoa feno 45
hoditra, andro
Pesta kisoa - Tsy misakafo mihitsy, Averina isan-taona
(PPC na Sui- - Bongo be ny masony, Ramjivax, *Tsy azo atao ny
Tsindrona
pest) - Mikohaka sy sempotsempotra, Pestoser renikisoa bevohoka
- Mivalana be,
- Mivilambilana ny famindrany, mety
tsy afa-mitsangana mihitsy.
Ny Pesta kisoa Afrikana dia mbola tsy misy vaksiny fanefitra hatramin’izao.

7. FITANANA AN-TSORATRA
Mba hatomombana ny fitantanana ny ara-bola sy ny fiompiana, dia tsy maintsy manana taratasy na kahie fano-
ratana ny :

7.1. Mikasika ny renikisoa sy zanany


Daty Zana-kisoa
N° Laharan’ny Isan’ ny Isan’ny
Fampanarahana Fiterahana Lanjany Lanjany Maty
renikisoa niterahana teraka nisara-nono

7.2. Mikasika ny kisoa misara-nono sy atavezina


Post-sevrage Manatavy
Daty nidirana Isany Lanjany Tombam-bidiny Isany Lanjany Tombam-bidiny

15
Ny fiompiana kisoa

7.3. Mikasika ny sakafo lany


Zanakisoa
Renikisoa Kisoa atavezina
Daty Minono Misara-nono
Isany Sakafo Isany Sakafo Isany Sakafo Isany Sakafo

Totaliny
Totaliny : isan-kerinandro na isam-bolana

7.4. Kaontim-pitananana
Hahafan’ny mpiompy manara-maso ny fitantanana ny fiompiana, sy mba ahamora ny fandraisana fanapahan-
kevitra raha ilaina izany.

VIDIN’NY IRAY ISANY FITAMBARANY


A - VOLA LANY
Sakafo
Vaksiny
Vidin’ny kisoa
Totalin’ny vola lany
B - VOLA MIDITRA
Vidin’ny kisoa lafo
Zezika
Totalin’ny vola miditra
TOMBOM-BAROTRA
Vola miditra - vola mivoaka (B-A)

16
FANOROAM-PEJY
1 - Fampahafantarana ankapobeny...................................................................... 2
2 - Ny toerana fiompiana.................................................................................... 2
3 - Ny trano..................................................................................................... 3
4 - Ny filàna..................................................................................................... 5
5 - Ny Fitantanana ny fiompiana......................................................................... 9
6 - Ny fitandremam-pahasalamana.....................................................................13
7 - Fitanana an-tsoratra....................................................................................15

Ity boky toro-lalana ity dia natao tao anatin’ny «Centre de formation agricole» tontosain’ny Centre Technique Horticole de
Tamatave (CTHT) miaraka amin’ny Projet AMBATOVY sy ny PGRM.

Centre de formation agricole - Toamasina - CTHT


Bâtiment ex-opération café - Bd Joffre - Tamatave 501 - Madagascar
Tél: 020 53 311 37 - Fax: 020 53 322 04
Mobile : 032 07 668 58 - 033 15 011 86
E-mail : ctht@moov.mg - Site web : www.ctht.org

Vous aimerez peut-être aussi