Vous êtes sur la page 1sur 10

Passer au contenu principal

Français (fr)
Vous êtes connecté anonymement (Connexion)

e-learning
Primaires
Collèges
Terminales

1. Accueil
2. Cours
3. Terminale
4. Terminale A
5. MALAGASY
6. Literatiora Malagasy
7. Ny Mombamomba ny Literatiora
8. Literatiora amin'ny Ankapobeny

Aperçu des sections


 Généralités

o Announcements Forum
o NY LITERATIORA MALAGASY

1. Famaritana
1.1 Famaritana Ankapobeny

Teny entina maneho hevitra sy na fihetseham-po atao amin’ny fomba


kanto (manaitra, manintona, mahasoa), am-bava na an-tsoratra ny literatiora;
maneho haren-tsaina azo kirakiraina sy tahirizina.

1.2 Famaritana ara-piforonan-teny

Ny Literatiora dia avy amin’ny teny latina hoe « Literae » manana hevitra
hoe « soratra » ; avy amin’izany no nahazoan’ny Frantsay ny hoe
« Littérature », izay nadikan’ny Malagasy kosa indray ho « Literatiora ».

1.3 Hevitry ny mpandinika sy na ny mpanoratra


malagasy
Siméon RAJAONA: “Ny literatiora dia zava-kanto vita amin’ny teny.”

Charles RAVOAJANAHARY : “Ny literatiora dia tsy inona akory fa


famoahan’ny olona amin’ny alalan’ny teny voasoratra na tsia ny fihetseham-
pony, ny fiheviny ny mahaolona ny olona, ny fifandraisany amin’ny
manodidina azy.”

RANJATOHERY Harilala: “Famoronana mifototra amin’ny fahaizan’ny


mpanoratra manome aina sy hevitra ary sary miteny ny teny ampiasainy
mihoatra noho ny fahatsapana azy andavanandro ny literatiora.”

RAVELOJAONA : “Avy amin’ny teny latina hoe litterae ary litera na


soratra no dikany . Ny heviny raha lazaina tsotra dia fandaharana an-tsoratra
na am-bava ny zavatra nitranga ao an-tsain’olombelona.”

RADO : “Ny literatiora dia teny sy soratra voaangona, tao amin’ny faritra,
na firenena iray, ary nijanona ho lovasoa sy haren-tsaina, ho an’izany faritra
na firenena izany, fa maneho ny maha-izy azy manokana eo anivon’izao
tontolo izao.”

RANDJAVOLA : “Ny literatiora dia fitambaran’ny asa soratra sy ny


lahabolaŋa ao anatin’ny vanim-potoana iray”

Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA: “Famantarana avaratra tsy diso ny


literatiora eo amin’ny tantaram-pirenena.”

lLAY : “Ny haisoratra dia tsy fialam-boly fotsiny fa fanarian-dia na


fampidinana ny olona anaty nofinofy tsy misy ifaharany na fiainana mahagaga
fa fanehoana koa ny zava-misy iainan’ny olona ary fampisainana azy ny
momba izany zava-misy izany.”

SOLOFO José: “Ny haisoratra izay andrin’ny zava-kanto, dia samy taratry ny
fiainam-pirenena no anisan’ny hery manentana azy koa.
Lila RATSIFANDRIHAMANANA: “Fitambaran’ny asa famoronana
ilofosan’ny mpanoratra, ny vokatr’izany miako any amin’ny mpamaky sy
mpihaino ny literatiora.”

Charles RAJOELISOLO: “Ny literatiora dia vokatry ny zava-misy fa tsy


tongatonga ho azy.”

Esther RANDRIAMAMONJY:

 “Tsy ny soratra rehetra anefa no literatiora; ny mahakanto ny asa


soratra anankiray dia noho izy mampita hevitra ombam-pihetseham-
pon’ny mpanoratra amin’ny fomba kanto mahaliana sy mahasarika avy
hatrany.”
 “Samy manana ny literatiorany ny firenena tsirairay avy,samy manana
ny maha- izy azy avy ireny literatioram-pirenena ireny.tena azo lazaina
aza fa ny fananana literatiora amin’ny tenin-drazana dia anisan’ny
maha –firenena ny firenena iray.”
 “Ny literatiora dia manjary fitaratra azo itarafana ny haren-tsaina
amam-pahendrena izay mazàna mira-dalana na mifandray na
mifaningotra amin’izay zava-miseho eo ami’ny tantaran’ilay
firenena.”

Randza ZANAMIHOATRA: “Na toy inona na toy inona fiezinezin’ny


talentan’ny “Poeta” dia tapany ihany; ny mpamaky no manovona azy ho
erany”
RANOE: “Ny mpamaky no sehatra nivelaran’ny soratra, izy no mamelona ny
soratra amin’ny alalan’ny fanakarana ny hevitra raketiny. Mifanjohy ny
mpanoratra sy ny mpamaky. Saozanina ny voalohany raha mitoriteny
an’efitra; mandeha an-jambany ny faharoa raha tsy voatantana sy tsy voatari-
dalana.”
Nalisoa RAVALITERA: “Ny mpanoratra no renin’ny soratra, ny mpamaky
no rainy, zazasary ny asasoratra raha tsy eken’ny rainy.”
RAMIANDRASOA Irenée : ”Ohatra ny zavatra tsy misy ny asa soratra
nitsembohanareo manoratra satria mila mpamaky ianareo ka hamoha ny
vetsovetso sy ny hafatra ao anaty boky”
Rado RAMAHERISON: “Andry mampijoro ny Literatiora ankoatra ny
mpanoratra sy ny asa soratra ihany koa ny mpamaky”

1.4 Araka ny mpanoratra vahiny

RAKIBOLANA FRANTSAY : « La littérature est l’ensemble de production des


écrivains, cette littérature est influencée par le caractère national, par les
idées et les mœurs, par le tempérament particulier de l’auteur, de sorte qu’il
existe autant de Littérature diverse qu’il y a de société différente
CHARLES BOSS : « La littérature, ce sont des idées accèdent à une beauté
dans la lumière de l’expression. »

2. Loharano nipoirany:

a) Avy amin’ny zava-misy sy ny manodidina

RADO:

“Ny vetsovetso sy ny eritreritra taminao kanefa

Tsy teraky ny saina sy safidinao ireny


Fa fihararetran’onja mitopa sy miantefa

Voarain’ny alonao dia afodiny ho feo”

Charles RAJOELISOLO: “Ny literatiora dia vokatry ny zava-misy fa tsy


tongatonga ho azy.”

Charles RAVOAJANAHARY: “Tsy mitsontsorika avy any an-danitra ny


haisoratra sy ny mpanoratra azy. Olombelona miara-miaina amin’ny mpiray
tanindrazana aminy ny mpanoratra, taratry ny fiainana niainana no avoakany;
ny vetsovetsom-pony, ny hetahetam-panahiny, ny fisaintsainany izay tsy
maintsy iraisan’ny mpiara-belona aminy na dia manana ny tena maha izy azy
manokana aza izy.”

b) Avy amin’ny aingam-panahy:

Hery manosika ny olona hamokatra ny kanto mora foana eo amin’ny asa


famoronana ataony.

ILAY:

 “ Ny aingam-panahy amin’ny haisoratra dia ilay tsy toy inona akory


manainga foana teo ny fanahy, fo sy sain’ny mpanoratra sy poeta, ka
manosika azy hamorona izay zavatra tsapany na hitany, miaraka
amin’ny teny sy sary ary rindra maneho izany.”
 “Ny aingam-panahy amin’ny haisoratra dia ilay mahatonga ny
loharano hiboiboika tampoka tsy hay tohaina amin’ny sary ary rafitra
mirindra, ao an-tsain’ny mpanoratra sy Poeta”
 “ Ny aingam-panahy no miteraka kanto”

RANÖE: “ Ny aingam-panahy dia tsy inona fa TROMBA mambabo ny fon’ny


Poeta, ka mahatonga azy hiteny kanto izay mambabo fo hafa.”

“Mahazo faka ao an-tsain’ny olona ny hevitra iray, raha manaitra ny aingam-


panahin’ny mpanao zava-kanto, ka manosika azy hankasitraka hanaparitaka
azy hiaro ilay hevitra ary farany moa dia hitahiry azy amin’ny fomba kanto.”

ARNI: “ Ny aingam-panahy dia tsy inona fa TROMBA manetsika ny Poeta


hivolana zavatra tsy fantany amin’ny fotoana tsy ampoizina sy fotoana tsy
voafetra”

d) Avy amin’ny talenta:


RANÖE: “Ny talenta dia fahaiza-manao voajanahary ao amin’ny olona iray
ka mahatonga azy hanatanteraka tsy misy fahasoratana ilay zavatra ananany
talenta.”

A.R.Ni: “Ny talenta dia fahaiza-manao ao anatin’ny tsirairay hatrany am-


pahariana, ka arakaraka ny fahaizana mitrandraka azy no hiroboroboany sy
hisandratany amin’ny toetra mendrika na hahafatesany.”

e) Avy amin’ny teny:

Siméon RAJAONA: “Ny literatiora dia zava-kanto vita amin’ny teny”

3. Ny anjara asany

Mampifandray ny literatiora:
- Mampifandray ny mpamorona amin’ny mpihaino na ny mpanoratra
amin’ny ny mpamaky.
- Mampifandray ny mpamorona samy mpamorona na ny mpanoratra
samy mpanoratra
- Mampifandray ny mpamaky samy mpamaky na ny mpihaino samy
mpihaino.

Manabe ny literatiora:
- Mamolavola ny isam-batan’olona ho olom-banona sy vonona
- Manokatra ny saina
- Manitatra ny saina
- Mandranitra ny saina
- Manoro lalana
- Mitsabo ny saina
- Manefy ny saina hitovy fijery

Mampivelatra ny firenena
- Mampiaina ny olona amin’ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy
- Mampivoatra ny zava-kanto noho izy asa famoronana
- Manosika ny olona hitondra ny fivoarana malagasy
- Maneho ny maha taratry ny firenena ny fiaranahamonina
- Manondrotra avo ny haren-tsain’ny firenena iray

Mitaona ny olona hitolona ny literatiora:


- Manondrotra avo ny haren-tsain’ny firenena iray
- Mamolavola ny olona ho tia tanindrazana
- Mampiseho ny zavatra tsy mety ka mila fanarenana eo anivon’ny
fiarahamonina.
- Mitaona ny olona hanohitra ny tsy rariny.
- Manentana ny olona handray andraikitra.
- Mametraka ny olona hiatrika ny zava-misy, ny haisora-pitolomana

Mampiala voly ny literatiora:


- Mampiala amin’ny geja ny Literatiora
- Manala ny sorisorin-tsaina.
- Mitaona ny saina ho any amin’ny tontolon’ny nofinofy sy ny eritreritra.

4. Ny singa mandrafitra azy

- Ny mpamorona, ny mpanoratra, ny pôeta, araka ny ambaran’ireto


mpanoratra ireto:

Azo lazaina ho loharano fototry ny Literatiora ny mpanoratra sy ny


mpamorona. Tsy misy zava-kanto raha tsy misy azy ireo. Mandefa hafatra io
mpamorona io ho an’ny mpamaky sy ny mpihaino izay mahatonga ny mpiara-
belona hiova amin’ny zavatra tsy nety nataony: fanabeazana, fanentanana,
fankaherezana, sns. Izany rehetra izany no nahatonga antsika hilaza fa :
andraikitry ny mpanoratra ny mikolokolo ny toe-tsaina tia fandrosoana ho
an’ny mpiray tanindrazana.
Ny anjara toeran’ny mpanoratra dia ny hamohafoha ny mpiara-belona aminy
mba tsy ho domelina, tsy ho donto, tsy ataon’ny olona soavaly.

RANÖE: “Ny pôeta dia ilay olona maneho ny heviny amin’ny alalan’ny sary,
sary izay miseho amin’ny alalan’ny teny.”

J. Nalisoa RAVALITERA: “Ilay mahita ny tsy hitan’ny sarambaben’ny


olona / Ilay mahatsapa ny tsy tsapan’ireo mihevitra ho mpitolona ny
mpanoratra.”

Claude ANDRIANANTENAINA : “Izy ilay variana somary toa sondriana


mandinika mijery ny fiainanao tsy tsapanao akory tsy misy iray miery.”

Zo MAMINIRINA : “Tsy hikombona ny molotro tsy ho foana koa ny feoko.


Raha mbola misy ny tsy rariny.”

- Ny asa soratra sy ny vokatra am-bava:


Tsy misy ny fifandraisan’ny mpamorona sy ny mpandray raha tsy eo ny asa
soratra. Io no karazana fotokevitra ijoroan’ny maha literatiora ny literatiora.

RANOE: “Mifanjohy ny mpanoratra sy ny mpamaky. Saozanina ny voalohany


raha mitoriteny an’efitra; mandeha an-jambany ny faharoa raha tsy
voatantana sy tsy voatari-dalana.”

“Ny sora-kanto dia ilay soratra velona avy hatrany izay toy ny ateraky ny
lanitra.”

DOX: “Izaho vahiny an’eritreritra, mpamangivangy anao matetika”,

“Ny hira dia famborahana ny fihetseham-po aman-tsaina sy fientanam-


panahy, eo anatrehan’ny hatsaran-tarehy.”

- Ny mpihaino, ny mpamaky ny literatiora:

Nokendrena ho an’ny mpandray ny literatiora indrindra izay rehetra


entin’ny literatiora. Midika izany fa manana ny maha izy azy ihany koa ny
mpamaky na ny mpihaino manoloana ny fahalavorarian’ny literatiora.

RANÖE: “Ny mpankafy no sehatra ivelaran’ny soratra, izy no mamelona ny


soratra amin’ny alalan’ny fanakarana ny hevitra raketiny.”

Randza ZANAMIHOATRA: “Na toy inona na toy inona heverina ho


fiezinezin’ny talentan’ny mpanoratra dia tapany ihany izany, ny talentan’ny
mpamaky no manovona azy ho erany.”

Nalisoa RAVALITERA: “Ny mpanoratra no renin’ny soratra, ny mpamaky


no rainy, zazasary ny asa soratra raha tsy eken’ny rainy.”

5. Ny karazana literatiora

Araka ny voalaza tao amin’ny famaritana ankapobeny, ny Literatiora dia


teny entina maneho hevitra sy na fihetseham-po atao amin’ny fomba kanto, dia
azo lazaina fa efa nanana ny Literatiorany ny Malagasy hatramin’izay, izay
natsoin’ny mpandinika sy ny mpikaroka taty aoriana hoe Literatiora am-bava.
Nanomboka tamin’ny taona 1820 vao nanana ny Literatiora an-tsoratra izy.

Misy karazany roa izy araka izany:


 Literatiora am-bava na literatiora nentim-paharazana na lahabolana na
na lahatenim-bahoaka
 Literatiora an-tsoratra

Ireo karazan’ny literatiora am-bava

 Angano
 Kabary
 Ankamantatra
 Ankifidy
 Ohabolana
 Oha-pitenenana
 Lahabolam-paritra :
o Hainteny (Merina
o Sôva (Betsimisaraka, Tsimihety, Merina,
o Tôkatôka (Betsimisaraka,
o Jijy (Tsimihety, Antakarana
o Antsa (Sakalava
o Rija (Betsileo
o Beko (Tandroy
o Baheza (Tandroy
o Marakely (Betsileo
o Kalizy (Sakalava
o Sarandra (Faradofay
o Kolondoy (Toliara
o Talily (Tandroy
o Osiky (Sakalava
o Isa (Betsileo
o Fampanononana (Merina
o Tapatono (Merina
o Rasavôlana (Betsimisaraka
o Sokela (Betsileo

Ireo karazan’ny literatiora an-tsoratra

- Tononkalo
- Sombin-tantara
- Tantara foronina
- Tantara tsangana
- Lahatsoratra famotopotoran-kevitra

o Lahatsoratra manoritsoritra

o Lahatsoratra manazava hevitra

o Lahatsoratra mandresy lahatra

- Tantara fandre amin’ny onjam-peo

Literatiora amin'ny Ankapobeny

Généralités

Accueil

Calendrier

Liste des matières

Mathématiques

Physique / Chimie

Science de la vie et de la terre

Histoire / Géographie

Philosophie

Malagasy

Français

Anglais

EPS
Liste des cycles

 Collège
 Lycée
Liste des cycles

 PDF
 Vidéos
 Images

Partenaires

design by DSI / MEN - V18.0

Obtenir l'app mobile

Vous aimerez peut-être aussi