Vous êtes sur la page 1sur 13

Tel : 034 23 191 16

034 14 110 24

032 15 247 31

Taona : 2022-2023 EMAIL : fermagrimikolo@gmail.com


1
Fb : Fermagri MIKOLO

Adresse : Antsirabe, 110


TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

JANVIER

Fruits : Citron, Clémentine, Kiwi, Mandarine, Noix, Orange, Poire, Pomme.

Légumes : Arachide, Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou-fleur, Courgette, Haricot,

Haricots verts, Navet, Oignon, Petit pois, Poireau, Pois chiche, Pomme de terre, Tomate.

TORO-HEVITRA

Ireo zava-maniry ireo dia mety amin’ny fotoana misy rano, fa na izany ary dia tsy azo

atao amin’ny tany miangon-drano satria lasa miteraka aretina ho azy indray raha vao

tany be rano no misy azy. Noho izany indrindra dia safidio ny teknika hampiasaina mba

hampirindra ny fambolena. Izany hoe dongona ny tany hambolena azy fa tsy atao

mahitsy tahaka ny mahazatra izany.

2
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

FEVRIER

Fruits : Citron, Kiwi, Mandarine, Orange, Poire, Pomme

Légumes : Arachide Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou, Chou de Bruxelles, Chou-fleur,

Endive, Fenouil, Haricot, Haricots verts, Navet, Oignon, Petit pois, Poireau, Pois chiche,

Pomme de terre.

TORO-HEVITRA

Efa manomboka tsy dia misy orana intsony manomboka eto, noho izany indrindra dia

tsara raha ireo zava-maniry ireo no hambolena satria ireo no mazaka izany. Fa na

izany ary nefa dia mila mitandrina hatrany satria eto no vanim-potoanan’ny cyclone na

ny rivo-doza. Noho izany, aza adino hatrany ny manao tatatra mba hatonga ny rano

tsy hiangona amin’ny fotoana fiavin’izany. Tsara kokoa raha toa ka tsy zavatra lava no

maniry eto izany hoe ireny petit pois ireny. Fa raha toa ka tsy maintsy mamboly ireny

isika dia aza adino ny manao tsatoka na tuteur mba ho fiarovana ny voly izay

hambolena izany.

3
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

MARS

Fruits : Citron niçois, Kiwi, Orange, Poire, Pomme.

Légumes : Asperge, Betterave, Brocoli, Carotte, Chou, Chou-fleur, Fraise, Haricot, Haricots

verts, Laitue, Navet, Oignon, Poireau, Pomme de terre.

TORO-HEVITRA

Manomboka hiditra amin’ny vanim-potoana mangatsika isika manomboka eto, noho

izany dia tsara raha manampy tosika amin’ny rano raha sendra ka tsy misy orana

intsony. Ny antony dia satria ny rano dia manampy ny zava-maniry mba hatanjaka

kokoa mandritra ny fotoana mangatsika. Mila mitandrina nefa na izany mba tany tsy

mitazona rano no hambolena voly, satria mamarana ny orana eto ka mety hisesisesy

be ka mety hiteraka fahisambana ho an’ny zava-maniry indray raha toa ka tany

mitazona rano no hambolena azy.

4
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

AVRIL

Fruits : Kiwi, Poire, Pomme.

Légumes : Asperge, Betterave, Brocoli, Carotte, Chou-fleur, Endive, Épinard, Fraise, Laitue

pommée, Navet, Oignon, Petit pois, Pomme de terre, Radis.

TORO-HEVITRA

Mamarana tanteraka ny orana eto, noho izany dia maintsy manondraka isika mba

hampahomby ny voly rehetra. Efa mieritreritra sahady ny vanim-potoana mangatsika

ihany koa isika. Noho izany dia tsy azo hambolena ny zava-maniry matahotra fanala

ho an’ny toerana misy izany. Raha toa ka toerana tsy misy fanala fa mangatsika

fotsiny, dia azo atao tsara ny mamboly tsaramaso sy haricot vert amin’ity volana ity.

5
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

MAI

Fruits : Fraise

Légumes : Asperge, Aubergine, Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou-fleur, Concombre,

Courgette, Épinard, Laitue Navet, Oignon, Petit pois, Pomme de terre, Radis.

TORO-HEVITRA

Azo lazaina fa erika sisa no misy amin’ity fotoana ity, noho izany indrindra ny tsara

hambolena dia ireo zava-maniry mazaka hain’andro sy hatsiaka, kanefa na izany aza

dia ilaina ny mitondra zezika ampy satria mila an’izany avokoa ny ankamaroan’ireo,

ary tafiditra tanteraka ao anatin’ny sokajy ho légumes gourmands. Izany hoe zava-

maniry mila tsiron-tany be mba afahany mitombo ara-dalana. Raha manaja ny

fifandimbiasam-boly isika dia ireo zava-maniry ireo no hambolena farany amin’ny

taona anaky efatra misesy.

6
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

JUIN

Fruits : Abricot, Cerise, Fraise, Framboise, Melon, Prune.

Légumes : Artichaut, Asperge, Aubergine, Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou-fleur,

Concombre, Courgette, Épinard, Fenouil, Laitue feuille de chêne, Laitue, Oignon, Poireau,

Radis.

TORO-HEVITRA

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana mangatsika isika eto, noho izany dia

ilaina hatrany ny manao tsara tondraka ny zava-maniry mba hampitombo tsara azy.

Ahitana fahatarana ny fitombon’ny zava-maniry eto, satria stressé izy ireo ka miteraka

izany fahatarana izany. Tsy azo atao ny mamboly zavatra matahotra fanala eto toy ny

voatabia, ny tsaramaso, ny haricot vert sy ny maro hafa. Azo atao kosa ny mamboly

ireo zavatra mandravina ka tsy matahotra fanala, dia ireo izay voalaza eo ambony ireo

izany.

7
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

JUILLET

Fruits : Abricot, Cerise, Figue, Fraise, Framboise, Melon, Nectarine, Pastèque, Pêche, Prune.

Légumes : Artichaut, Asperge, Aubergine, Betterave, Carotte, Céleri, Chou-fleur, Concombre,

Courgette, Épinard, Fenouil, Haricot vert, Laitue, Navet, Oignon, Poireau, Petit pois, Poivron,

Pomme de terre, Radis.

TORO-HEVITRA

Afaka tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoana mangatsika isika eto, ary hiditra ao

anatin’ny vanim-potoana mafana. Azo atao tsara noho izany ny mamboly zava-maniry

heritreretina ho tia mafana, toy ny melon na ny voatango. Tsy adino hatrany ny

manondraka mba afahan-tsika mahazo vokatra tsara. Efa azo atao manomboka eto

ny mampiasa ny rakotra na ny paille eny am-pototry ny zava-maniry mba hahatonga

ny tany hitazon-drano ka manena ny fotoana hanondrahana izany.

8
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

AOUT

Fruits : Abricot, Cerise, Figue, Fraise, Framboise, Melon, Nectarine, Pêche, Poire, Prune

Légumes : Artichaut, Aubergine, Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou-fleur, Concombre,

Courgette, Épinard, Fenouil, Haricot, Haricot vert, Laitue, Navet, Oignon, Poireau, Poivron,

Pomme de terre, Potiron, Radis, Salade, Tomate.

TORO-HEVITRA

Raha ny tena izy dia efa afaka ny vanim-potoana ririna eto, ary miditra tanteraka

amin’ny vanim-potoana mafana isika. Na izany aza nefa dia mila mitandrina ihany sao

dia hisy fanala mifarana ka mety hanimba voly. Atao tsara tondraka fotsiny ny voly,

maraina sy hariva dia afaka miady amin’izany isika. Mafana ny andro, noho izany dia

rano no tena ilaina mba hampangatsika ny tany sy ny zava-maniry. Tsy afa-misaraka

eto izany ny manondraka farafakely 1 andro ao anatin’ny 2 andro mba hampitombo

tsara ny fambolena. Azo atao ny mampiasa ireny teknika goutte à gouttes ireny izay

hitantsika ao anatin’ny pejin’ny Fermagri MIKOLO. Mba afahana mitazona ireo rano

dia ilaina hatrany ny manao rakotra mba hanamora ny fanondrahana.

Ho antsika mamboly ireo fruits toy ny pomme, pêche sy ny maro hafa dia eto ny fotoana

tsara indrindra hanaovana taillage satria eto ireo zava-maniry ireo no maka aina ka

manintsana ravina, ary eto no tsara hanaovana ny fikarakarana momba azy, na ny

fitondrana zezika ihany koa dia eto no tsara indrindra amin’izany.

9
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

SEPTEMBRE

Fruits : Figue, Framboise, Melon, Pêche, Poire, Pomme, Raisin

Légumes : Artichaut, Aubergine, Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou, Chou de Bruxelles,

Chou-fleur, Courgette, Épinard, Fenouil, Haricot vert, Laitue Maïs, Oignon, Panais, Poireau,

Poivron, Pomme de terre, Radis, Tomate.

TORO-HEVITRA

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika raha ny tena izy, noho

izany ny tsara hambolena dia ireo zava-maniry mazaka izany hafanana izany, ireny

melon ireny dia mazaka hafanana, izany hoe ilay melon nambolena tany aloha izany

eto efa ngeza eto. Azo atao tsara ny mamboly katsaka eto ary anisan’ny fisorahana

ireny chenille légionnaire ireny ny fambolena azy amin’ity vanim-potoana ity, fa izany

hoe tsy maintsy manondraka isika, satria ny katsaka dia zava-maniry tena mila rano

ka raha tsy maharaka ny rano dia tsy azo atao ny mamboly izany fa fandanim-potoana

fotsiny izany. Eto ihany koa dia azo atao ny mbola manao ny resaka taillage ho an’ireo

hazo lehibe mila izany. Tsara sy mety aminy ny hanaovana izany satria anisan’ny

miantoka ny fahavokarany.

10
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

OCTOBRE

Fruits : Figue, Framboise, Pêche, Poire, Pomme, Prune, Raisin.

Légumes : Artichaut, Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou, Chou-fleur, Courge, Épinard,

Fenouil, Haricot, Haricot vert, Maïs, Oignon, Panais, Poireau, Pomme de terre, Radis, Tomate.

TORO-HEVITRA

Manomboka eto dia manomana ny fiavian’ny orana indray isika, na izany aza nefa de

azo sokajiana mbola ao anatin’ny vanim-potoana main’andro ihany. Noho izany

indrindra dia ilaina fitandremana ny zavatra hambolena mba ho zava-maniry tia rano

satria raha ny tokony ho izy dia volana iray sisa ny endrasina dia ho avy ny orana.

Raha ho an’ireo izay mamela ny tany haka aina dia eto ny fotoana tsara indrindra

hanaovana izany. Hampakana aina 1 volana izy mba hanomanany ny famokarana

mandritra ny fotoana ny orana. Izany hoe manao asa tany isika eto ary manao ny

antsoina hoe fumur d’entretien, izany hoe mitondra zezika, entina hamerenana ny

tsiron-tany izay lasa nandritra ny herintaona niasana. Raha toa ka tsy mahavita izany

isika dia ireo voly eo ambony ireo dia azo volena amin’ity volana ity.

11
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

NOVEMBRE

Fruits : Mandarine, Poire, Pomme, Raisin.

Légumes : Betterave, Brocoli, Carotte, Céleri, Chou, Chou-fleur, Courge, Courgette, Épinard,

Fenouil, Haricot, Haricot vert, Laitue, Navet, Oignon, Poireau, Pomme de terre, Tomate.

TORO-HEVITRA

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana isika manomboka eto, noho izany amin’ny

ankapobeny dia azo volena avokoa eto ny hankamaroan’ny legiomina raha toa ka tsy

mitazona rano ny taninao. Azonao atao ihany koa ny manao tatatra manodidina ny

taninao mba hatonga ny volinao tsy ho simban’ny rano be, satria raha tsy manao izany

ianao dia mety dibo-drano ny fambolena ka tsy hisy ho raisina. Tsara hatrany ny

misoroka mialoha ny loza mety hitranga mba hampiasy vokatra ho an’ny fambolenao.

Satria hoy ny ohabolana Malagasy izay hoe « izay tsara fiomanana tsy ho tapohan’ny

loza ». Manomboka eto isika dia miditra ihany koa main’ny fambolena vary an-tanety

sy vary anaty rano izany.

12
TOROHEVITRA MOMBAN’NY TETIANDROM-PAMOKARANA

DECEMBRE

Fruits : Clémentine, Kiwi, Mandarine, Orange, Poire, Pomme

Légumes : Betterave, Cardon, Carotte, Céleri, Chou, Chou de Bruxelles, Chou-fleur, Courge,

Courgette, Épinard, Haricot, Haricot vert Navet, Oignon, Panais, Poireau, Pomme de terre.

TORO-HEVITRA

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana hatrany isika eto, ary mafy hatrany izany, tsy

adino ny manao tatatra, tsy adino ihany koa ny manao fambolena ho dongona mba tsy

hampitazona rano an’izany. Raha ho an’ny tany mitazona rano dia tsy azo atao ny

mamboly ny pomme de terre, tomate, haricot, haricot vert satria ireo tsy mazaka rano

be ka mety hiteraka haretina hafa ho an’ny voly indray ny fambolena ireo amin’ity

vanim-potoana ity. Tsy tsara ny mamboly azo fihinam-boa amin’ity vanim-potoana ity

satria mety tsy ho velona izany raha be loatra ny rano tonga eo aminy. Fa raha tsy

maintsy mamboly isika dia ny tsara indrindra dia ireo voalaza eo ambony ireo.

13

Vous aimerez peut-être aussi