Vous êtes sur la page 1sur 9

Page 1 sur 9

«Ny afo no fitaovana izay tsy tokony


hisaraka amin’ny tanora (J.A) n’aiza n’aiza
misy azy satria zava-dehibe eo amin’ny
fiainana izany (tsy irony afo entina hifohana
zava-mahadomelina akory no tiana resahana
eto). Ny afo efa voatokana (feu sacré) any
an-dasy no tiana asiana resaka eto. Tsy azo
atao ambanin-javatra na tsirambina ny
fananana sy ny fampiasana afo amin’ny
AFO AN- toerana rehetra izay aleha. Betsaka no ilàna
azy any an-dasy rehetra any, toy ny :
fiandrasana @ alina (à la garde de nuit),
DASY fandrahoana sakafo (à la cuisson des
aliments), fialam-boly fiaretan-tory kely,…
Maro ireo fihetseham-po tonga amin’ny tena
sy ny tsirairay rehefa manoloana azy! Ny
fifaliana, ny fanantenana, ny fisaintsainana,
manimanina ny any an-tanàna (la nostalgie),
ireo fahatsiarovana… »

b) Ireo karazana afo ambonin’ny tany (Sur le sol)

Ireo afo amin’ny tany no tena fampiasa matetika. Tsy maintsy mitandrina be amin’ny
fampiasana azy ity, satria ny VAINAFO sy ny foroana dia mikasoka na midona amin’ny tany.
Ireto avy ary ireo karazany:

Afo kintana (En étoile)      

Ity karazana afo ity dia mirehitra avy eo afovaoany ary ny


fidedadedany dia miankina amin’ny habetsahan’ny kitay
haroso.

Afo Didinina Vato (Entourré de pierre)      

Ny vato dia miaro ny afo na ny vainafo tsy hiparitaka.


Azo antoka kokoa ny karazana afo amin’ny tany rehefa
voadidina vato.

Afo mivoitra (Conique)      

Mampiakatra bebe kokoa ny lelafo sady manome


hazavana. Mora tsofin’ny rivotra. Mety ho rava anefa io
fipetrany io rehefa mihalevona ho lavenona ny kitay. 

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 2 sur 9

En dolmen (latabatra vato fampiasa taloha)  

Azo antoka amin’ny toerana ankalamanjana. Voafehy ny


rivotra miditra sy mivoaka ao anatiny.

Misary Piramida (Pyramidal ou bûcher)    

Betsaka kokoa ny hazavana sy hafanana avy aminy. Afo


maharitra kokoa. Azo noho ilay karazana afo mivoitra.
Tena tsara hoan’ny afon-dasy lehibe.

Afo vaky lalantsara (Couloir)  

Fampiasa amin’ny fandrahoana vetivety nefa kosa manome hafanana tsara vokatry ny
hafanan’ireo kitay roa na vato roa mifanjohy.

Amin’ny kitay roa tsy Amin’ny vato (Avec des


Amin’ny kitay roa mivaky
mivaky (Avec deux bûches) pierres)
(Avec une bûche fendue)

Afon’ny mpiandry ondry (De berger)  

Tahaka irony TOKO TELO efa fampiasa mahazatra

  
Sary fampiasa an-dakozia Hafanana Afon-dasy
famantarana:  (Cuisine) (Chaleur) (Veillée)

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 3 sur 9

c) Afo tsy akasoka na tsy avantana @ tany (Isolé du sol)

Ity karazana ity dia hiarovana ny afo amin’ny amandoana sy izay olana mety hiseho amin’ny
tany sy ny afo.

Eo ambony kitay roa Fampiasa any @ Pôle nord Eo ambony kitay


mivaky (Plancher avec (Nordique ou Naïda) mirafitra (Plate-forme
une bûche fendue) de branchage)

Kesika tany na vato Eo ambony vato mirafitra latabatra vato fampiasa


(Caisson de pierres ou de (Plate-forme de pierres) taloha (En dolmen)
terre)

Lafihana vato fisaka na vato kely mba tsy hipetaka amin’ny tany ny vainafo.

d) Milevina (Enterré)

Tsy azo atao raha tsy azo antoka tsara ny fahamainan’ny ati-tany ary tsy misy fakan-kazo.

Afo an-tatatra (En tranchée)  

Mora karakaraina nefa hatahorana amin’ny rivotra.


Tsy azo fenoana kitay fa mamono afo.

Tranchée en sifflet  

Afo an-tatatra misy hazo mitsivalana eo amboniny.


Manamora ny firehetan’ny afo.

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 4 sur 9

An-tatatra roa mifanapaka (En croix ou


tranchée double)  

Asiana vato 4 hipetrahan’ny vilany.

Afo antsoina hoe : « Polynésien »  (Feu dit « Polynésien »)  

Tsy azo ampiasaina amin’ny tany mifakafaka hazo toy ny kesika,sns...

Fomba tsara andaharana ny kitay satria Fomba ratsy, tsy misy elanelany ny kitay dia
hahafahan’ny rivotra miasa tsara any tsy misy rivotra mampirehitra ny afo.
anelanelan’ny kitay.

IREO KARAZANA AFO FANDRAHOANA

a) Afo an-databatra (Table à feu)

Tsy azo avela tsy hisy hanara-maso ny afo! Vonona isaky ny avy mampiasa ny afo, na alefa
ao anaty lavaka (polynésien) izay misy lavenona hitehirizana ny afo nefa tsy hatahorana
hiparitaka.

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 5 sur 9

b) Feu sur lit de terre

Manamboatra fangaro amin’ny VATO sy TANY , afatratra tsara tahaka ny kisary eto ambany,
avy eo asiana tsatoka maromaro sady fatorana kofehy manodidina azy. : piquets entrelacés de
clayonnages formant un pot qu'on remplit de terre et de pierres. Asiana lavaka eo afovoany,
ary eo no anaovana ny afo andrahoana. Mitovy amin’ny « feu polynésien » ihany rehefa vita.

En nid de cigogne (polynésien surélevé)

c) Lafaoro ambanin’ny tany (Four souterrain)

Ny lafaoro eto dia vita amin’ny vy fotsy (vy manify, daba kely,…) milevina anaty tany misy
afo an-tatatra (feu tranchée) ao ambaniny, ary atodika any amin’izay misy rivotra ny vavan’ny
fatana. Jereo ny kisary dia mazava tsara:

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 6 sur 9

Eto izao dia alevina ao anaty afo an- Igloo


tatatra ilay vy fotsy (Ici la boîte est Mitovy amin’ny teo aloha fa misy tapaka
enterrée dans la tranchée) fanitso na daba manelanelana ny tany sy ny vy
fotsy misy ilay sakafo na mofo andrahoana.
Tapaka fanitso na daba

d) Lafaoro « polynésien » (Four polynésien)


Modely iray

Apetraka eo ambonin’ny tsivalan’afo ny fisaka fandrahoana (Le plat).


saronana siny vy efa tsy miasa na vilany manify manodidina ny afo, ary asiana lalan-tsetroka
(seminer) kely amin’ny sisin’ny tany.

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 7 sur 9

f) Four pliant
Aluminium ny fitaovana ampiasaina eto :

Azo ampiasaina mandritra ny fotoana maharitra

Toy izao ny refiny sy paoziny

- 1 plaque A de 47 X 31 cm
- 1 plaque B de 47 X 30 cm
- 1 plaque C de 47 X 26 cm
- 2 triangles équilatéraux de 30 X 30 X30 cm

Plier les bords de la plaque A, B et C comme


sur le croquis, à angle droit sur 1 cm.

Percer des trous avec un poinçon sur chaque


point et assembler avec des petites vis à écrous.

Pour une rôtissoire : 2 fours


réflecteurs placés en vis-à-vis

Le four « Alu »

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 8 sur 9

FITEHIRIZANA SAKAFO

Tena ilaina amin’ny fiainana an-dasy ny fahaiza-manao amin’ny fitehirizana sakafo


satria anisan’ny mampiteraka olana izy io eo amin’ny ara-pahasalamana, sns…

Modèle 1 Modèle 2

Salazana ahantona (étagère) Miendrika kesika fitoeram-boankazo toy ny


voasary, sns…ahantona ambony.

Modèle 5 Modèle 6

Lavaka alaina avy eo amin’ny Kitapo ahantona


dongon-tany. Asiana hazo mirafitra amin’ny hazo, atao ao
sy voadidina ny lavaka ary asiana anaty labasy ny
sarony. sakafo raha misy
orana na herika. (on le
couvre d'une bâche
quand il pleut).

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra


Page 9 sur 9

Badge Feux et cuisine de camp – Pasteur RAVELONARIVO Fenosoa Harifetra

Vous aimerez peut-être aussi