Académique Documents
Professionnel Documents
Culture Documents
Antananarivo
06 Juillet 2015
UNIVERSITE D’ANTANANARIVO
ECOLE NORMALE SUPERIEURE
Département de la formation initiale Littéraire
CER Langue et Lettres malgaches
Antananarivo
06 Juillet 2015
Teny fisaorana
Ny taotrano, hono, tsy efan‟ny irery; izao asa fikarohana izao no tanteraka dia
noho ny fifanomezan-tanana nataon‟ny sokajin‟olona samihafa niara-nifarimbona
taminay. Noho izany, fifaliana ho anay ny manao izao teny fisaorana izao.
Isaoranay ireo tomponandraikitra rehetra ao amin‟ny “Ecole Normale
Supérieure”, mampandeha an-tsakany sy an-davany ny fiainan‟ny sekoly, ka
nahafahanay mpianatra nanatontosa ny fianarana.
Tsy hainay ihany koa ny tsy hankasitraka ny Talen‟ity sekoly ambony ity sy
ianareo mpampianatra eto anivon‟ny sekoly fa indrindra ianareo mpampianatra ato
amin‟ny sampana malagasy. Ny fahalalana avy aminareo no fototra nampisy izao asa
fikarohana izao.
Toloranay fisaorana feno Ramatoa RAMANAMBELINA Henriette nanaiky ho
filoha mpitarika ny fanohanana ampahibemaso ny asa fikarohana. Raha tsy teo ny
fandavan-tenany dia ho zava-poana izao asa izao.
Omem-pankasitrahana ihany koa Ramatoa RASOLOARIVONY Theis
Voahangy nanaiky am-pitiavana hitsara izao asanay izao.
Tsy hadinoinay indrindra Ramatoa SOLO-RAHARINJANAHARY
RAHARIMALALA Anatolie, mpampianatra ny taranja Antrôpôlôjia, izay nanaiky
am-pitiavana nitantana anay tamin‟ity asa ity. Ankasitrahanay tanteraka ny
fahafoizan-tenany, nitarika sy nanoro anay ny lalan-kizorana nandritra ny asa
fikarohana, na dia maro aza ny andraikitra sahaniny.
I
Mankasitraka sy mankatelina indrindra tompoko. Ny andon‟ny lanitra sy ny
tsiron‟ny tany anie ho amintsika rehetra.
II
FANALAVAN-TENY
- AFA: AFovoany Adrefana
- AMGE : Association Mondiale des Guides et des Eclaireuses
- AMTD: Asa Misiona an-Tanan-Dehibe
- BiPi: Baden Powell
- BP: Boite Postal
- DDK: Departemantan‟ny DiaKona
- DFA: Departemantan‟ny Fitandremam-pananana sy fAmpitaovana
- DFF: Departemanta ho Fanasoavana sy Fampandrosoana
DFI: Departemantan‟ny Fitaizam-panahy ho amin‟ny fIombonana
masina
- DFK: Departemantan‟ny Fanabeazana Kristiana
- DFM: Departemantan‟ny Fitoriana filazantsara sy asa Misiona
- DFS: Departemantan‟ny Firaketana sy Serasera
- DHM: Departemantan‟ny Hira sy Mozika
- EUF : Eclaireurs Unionistes de France
- FBL: Fikambanam-Behivavy Loterana
- FDL: Fikambanan-Dehilahy Loterana
- FFE: Fédération Française des Eclaireuses
- FFKM : Fiombonan‟ny Fikambanana Kristiana Malagasy
- FIFIL: Fikambanan‟ny Fifohazana Loterana
- FJKM: Fiangonan‟I Jesoa Kristy eto Madagasikara
- FLM : Fiangonana Loterana Malagasy
- FMT2S: Firaisan‟ny Mpanazava sy Tily Tranainy
- FSFLM: Fikambanana Skotisma eo amin‟ny FLM
- FSM: Firaisan‟ny Skotisma Malagasy
- HA : hekitara
- JA : Jeunesse Advantista
- KL: Kômity Lehibe
- Km: Kilômetatra
- KMSL: Kômity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe
- KSL: Kômitin‟ny Synoda Lehibe
III
- KTLM: Kristiana Tanora Loterana Malagasy
- LMS: London Missionary society
- Logt: logement
- LS: Lohan-tSokajy
- M²: metatra tora-droa
- MEM: Mpanazava Eto Madagasikara
- MTEM : Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara
- MV : Mpanompo Vonona
- NMS: Norwegian Missionary Society
- SCOUT : Service Croire Obéir Union Travail
- SZL : Skotisma ZazaLahy
- SLS: Solon-dohan-tSokajy
- SSA: Sampana Sekoly Alahady
- SZM : Skotisma Zazavavy eto Madagasikara.
- TEM: Tily Eto Madagasikara
- VLM: Vokovokomanga Loterana Malagasy
IV
LISITRY NY FAFANA
LISITRY NY SARY
Laharana Karazana Takila
01 MALINOWSKI Bronislaw 8
02 Baden Powell 39
03 Ny zatovolahy mpampita hafatra nandritra ny ady tao 39
Mafeking
04 Olave Saint Claire 52
05 Ny Mpiandraikitra sy ny Voronkely ao amin‟ny FLM 67ha 58
06 Ny Mpiandraikitra sy ny Mpanazava ao amin‟ny FLM 67ha 59
07 Ireo sampana Mena ao amin‟ny FLM 67ha 60
08 Ireo mpikambana ao amin‟ny Klioban‟ny Mpisantatra 91
09 Ireo mpikambana ao amin‟ny klioban‟ny Mpisavalalana 93
V
10 Ireo karazana vona fampiasan‟ny skoto 101
LISITRY NY KISARY
Laharana Karazana Takila
01 Ny rafi-pitantanana ao amin‟ny fokontany 67ha Afovoany 15
Andrefana
02 Ny firafitry ny FLM 23
03 Ireo fomba fanabeazana fito 47
04 Ny firafitry ny FSM maneran-tany 53
05 Ny firafitry ny fikambanana MTEM 54
06 Ny rafi-pandaminan‟ny Voronkely 62
07 Ny rafi-pandaminan‟ny sampana Maitso 63
08 Ny rafi-pandaminan‟ny sampana Mena 64
09 Ny firafitry ny JA maneran-tany 88
10 Ny firafitry ny sampana Tanora Advantista 89
11 Ny firafitry ny klioban‟ny Mpisantatra 90
12 Ny firafitry ny klioban‟ny Mpisavalalana 92
13 Ireo fomba fiasa fiton‟ny Ambasadaoro 94
LISITRY NY SARINTANY
Laharana Karazana Takila
01 Ireo Faritra 22 Eto Madagasikara. Faritra Analamanga misy 13
ny fokontany 67 ha Afovoany Andrefana
02 Boriborintany voalohany 14
03 Ny fizarazaran‟ny synoda eran‟i Madagasikara 31
VI
FANONDROAN-TAKILA
DRAFITRY NY ASA
0. TENY
FAMPIDIRANA……………...……...…………………...…………………………1
0.1. Petrakolana…………………………...………………………...………..……1
0.2. Ny anton‟ny safidy …………………………………………...………………1
0.2.1. Teo amin‟ny sehatra irotsahana…………………………...…..………1
0.2.2. Teo amin‟ny lohahevitra……………...……………………...……….2
0.2.3. Teo amin‟ny toerana…………………………………………………..2
0.3. Petrakevitra………………………………………..……….……..…………..3
0.4. Famaritana ireo teny fototra…………………………..………………………3
0.4.1. Ny fanabeazana………………………………………..……………...3
0.4.2. Ny fanabeazana an-tsekoly……………………..…….…….…………3
0.4.3. Ny fanabeazana ivelan‟ny sekoly………………...……………….…..4
0.5. Ny lalàna mifehy ny fanabeazana……………………………..…….…..……5
0.5.1. Ny lalàna mifehy ny fanabeazana amin‟ny ankapobeny………….….5
0.5.2. Ny lalàna mifehy ny fanabeazana an-tsekoly……………….………..5
0.5.3. Ny lalàna mifehy ny fanabeazana ivelan‟ny sekoly………………….6
0.6. Ny haitsikera ………………………………….….…………………………..7
0.6.1. Ny fonctionnalisme…………………………………………….……………7
0.6.2. Ny anthropologie dynamique………………………………...………9
0.7. Ny fomba nanatanterahana ny asa…………………..………………………..9
0.8. Ny fetran‟ny asa……………………………………………………….…….10
0.9. Ny zava-kendrena…………………………………………………………...10
0.10. Olana sy vahaolana ………………………………………………….10
0.11. Drafitra ………………………………………..…………………….11
Fizarana voalohany
VII
1.1. FITO AMBY ENIMPOLO HEKITARA AFOVOANY
ANDREFANA…………………………………………………………….…….12
1.1.1. Ny toerana misy azy……………………………………………..…12
1.1.2. Ny rafi-pitantanana………………………………………………....14
1.1.3. Ny isan‟ny mponina……………………………….………………..16
1.1.4. Ny sekoly…………………………………………………………....17
1.1.5. Ny finoana eo an-toerana……………………………...…………….18
Famintinana ny toko voalohany………………………………….……………….…19
1.2. FAMPAHAFANTARANA NY FIANGONANA LOTERANA 67HA…….20
1.2.1. Ny niandohan‟ny Fiangonana Loterana tany ivelany………… ……20
1.2.2. Ny tantaran‟ny FLM teto Madagasikara………………..…………...21
1.2.3. Ny tantaran‟ny FLM 67HA…………………….……………….…...22
1.2.4. Ny firafitry ny FLM…………………………………………….…..22
1.2.5. Ny sampana………………………………….……………….……...24
1.2.5.1. Fikambanan‟ny Fifohazana Loterana (FIFIL)……..…...........24
1.2.5.2. Fikambanam-Behivavy Loterana (FBL)……………….........24
1.2.5.3. Fikambanan-Dehilahy Loterana (FDL)……………….……..25
1.2.5.4. Kristiana Tanora Loterana Malagasy (KTLM)……….……..25
1.2.5.5. Sampana Sekoly Alahady (SSA)……………………...…….25
1.2.5.6. Vokovokomanga Loterana Malagasy (VLM)………..……...25
1.2.5.7. Firaisan‟ny Skotisma eo amin‟ny Fiangonana Loterana
Malagasy (FSFLM)………………………………………........................26
1.2.6. Ny departemanta…………………………………..……………...…26
1.2.6.1. Departemantan‟ny DiaKona (DDK)…………………………26
1.2.6.2. Departemantan‟ny Fanabeazana Kristiana (DFK)…………..26
1.2.6.3. Departemanta ho Fanasoavana sy Fampandrosoana
(DFF)……………………………………………………………………....26
1.2.6.4. Departemantan‟ny Firaketana sy Serasera (DFS)…………...27
1.2.6.5. Departemantan‟ny Fitaizam-panahy ho amin‟ny fIombonana
masina (DFI)……………………………………………………………….27
1.2.6.6. Departemantan‟ny Fitandremam-pananana sy fAmpitaovana
(DFA)………………………………………………………………………27
VIII
1.2.6.7. Departemantan‟ny Fitoriana filazantsara sy asa
Misiona(DFM)…………………………………………………………….27
1.2.6.8. Departemantan‟ny Hira sy Mozika (DHM)…………………28
1.2.7. Ny faritra……………………………………………………………28
1.2.8. Ny synodam-paritany mandrafitra ny FLM…………………………29
1.2.9. Ny mpino ……………………………………….…………………...31
1.2.9.1. Ny isany ……………………………………………………..32
1.2.9.2. Ny fiavian‟ny mpino ………………………………………...33
1.2.9.3. Ny nahatonga ny mpino hivavaka ao amin‟ny FLM
67ha………………………………………………………………………...33
Famintinana ny toko faharoa………………………………...……………………...34
Famintinana ny fizarana voalohany……………………………………………..…..35
Fizarana faharoa
2. FAMPAHAFANTARANA NY FANABEAZANA SKOTISMA
MPANAZAVA ETO MADAGASIKARA …………………………………...…36
2.1. NY SKOTISMA ……………………………………………………………36
2.1.1. Famaritana……………………………………………..…………….36
2.1.1.1. Ara-piforonan-teny……………………………………..……36
2.1.1.2. Ara-kevitra………………………………………………..….37
2.1.2. Ny tantaran‟ny skotisma……………………..………………………37
2.1.2.1. Baden Powell………………………………...………………38
2.1.2.2. Ny nisian‟ny skotisma teto Madagasikara……...……………39
2.1.3. Ireo antony mampisy ny fikambanana…………..…………..………41
2.1.3.1. Ny fototra ijoroan‟ny skotisma………………………………41
a) Ny tanjon‟ny skotisma……………………………………….…...…41
b) Ny fototra ……………………………………………………..….…41
c) Ny fomba skoto…………………………………………….………..42
2.1.3.2. Ny karazana skotisma misy eto
Madagasikara…………………………………………………..……..……47
Famintinana ny toko voalohany …………………………………………….………49
IX
2.2. NY SKOTISMA ZAZAVAVY: MPANAZAVA ETO MADAGASIKARA
(MEM)……………………………………………………….…………………..50
2.2.1. Fampahafantarana ny MEM…………………..………………….…50
2.2.1.1. Ny mombamomba azy……………….………………………50
a) Ny kara-panondrony…………………………………………………50
b) Ny zava-kendreny………………………...…………………………51
2.2.1.2. Ny tantaran‟ny skoto zazavavy…….….…………………….51
2.2.1.2.1. Ny tantaran‟ny MEM eran-tany………………..……………51
2.2.1.2.2. Ny tantaran‟ny MEM teto Madagasikara…………..…….…52
2.2.2. Ny firafitry ny fikambanana MTEM………………….……….……54
2.2.2.1. Ny mpikambana mpanabe……………….…..………………55
2.2.2.1.1. Ny Mpiandraikitra………………………..…………….……55
2.2.2.1.2. Ny Tonia…………………………………………..…………56
2.2.2.2. Ny mpikambana fototra………………...……………………58
2.2.2.2.1. Ny sampana Mavo “petites ailes”…………………..………58
2.2.2.2.2. Ny sampana Maitso “éclaireuses”……………………..……59
2.2.2.2.3. Ny Mpanazava zokiny « éclaireuses aînées »………………59
2.2.2.3. Ny rafi-pandaminana…………………...……………………61
2.2.2.3.1. Andiany sy ny Tarika……………………………...………...61
2.2.2.3.2. Ny Antoko sy ny Sokajy……………………………...…..…62
2.2.2.3.3. Ny Fileovana sy ny Fokonolona………………………….….63
2.2.3. Ny Mpanazava ao amin‟ny FLM 67HA…………………….………65
2.2.3.1. Ny isan‟ny mpikambana………………………..……………65
2.2.3.2. Ny antony nidirany skoto………………………….……...…66
2.2.3.3. Ny fiavian‟ny mpikambana………………………….………66
X
2.3.1.3. Ny voka-dratsin‟ny firaisana ara-nofo aloha
loatra……………………………………………………………….………74
2.3.2. Fanabeazana amin‟ny alalan‟ny lalàna sy ny fampiharana
azy…………………………………………………………………….………77
2.3.2.1. Ny lalànan‟ny Voronkely ……………………………...……77
2.3.2.2. Ny lalànan‟ny Mpanazava………………………...…………78
2.3.2.3. Ny lalànan‟ny Afo…………………………………………...79
2.3.3. Ny fahavitrihan‟ireo mpikambana………………….……………….80
2.3.3.1. Famonjena fivoriana…………………………………………80
2.3.3.2. Hetsika samihafa……………………………..………...……82
a) Hetsika ao am-piangonana…………………………….…….………82
b) Hetsika ivelan‟ny fiangonana……………………….……………….83
Famintinana ny toko fahatelo…………………………………….…….……………84
Famintinana ny fizarana faharoa …………………………………...…………….…84
Fizarana fahatelo
3. FANABEAZANA ZAZAVAVY AO AMIN’NY MPANAZAVA
MANOLOANA NY FANABEAZANA SKOTISMA TANORA
ADVANTISTA…………………….………………………………….……………85
3.1. NY TANORA ADVANTISTA…………………………………………85
3.1.1. Ny anton‟ny safidy…………………………………..………………85
3.1.2. Ny tantaran‟ny Tanora Advantista…………………………………..86
3.1.3. Ny Tanora advantista ao Androndra
Ampamantanana……………………………………...……………………….86
3.1.4. Ny antom-pisiany……………………...………………………..…..87
3.1.5. Ny firafitry ny fikambanana Tanora Advantista…………………….87
3.1.4.1. Ny rafitra ankapobeny iarahana amin‟ny
fiangonana…………………………………………...………….……….…87
3.1.4.2. Ny rafitra anatin‟ny sampana JA………….…………………89
3.1.4.2.1. Ny tanora zandriny…………………………………......……89
3.1.4.2.2. Ny “Aînés”……………………………………… …....… …93
3.1.4.3. Ny voady sy lalàna………………………….…...…………..95
XI
Famintinana ny toko voalohany……………………..………………………………97
XII
3.3.3. Ny anjara asan‟ny skotisma……………………………...…………113
3.3.3.1. Ara-batana…………...……………………………..………113
3.3.3.2. Ara-tsaina……………..……………………………………113
3.3.3.3. Ara-panahy……………..………………………..…………113
3.3.3.4. Ara-piarahamonina…………………………………………114
Famintinana ny toko fahatelo………………………….……..……………………114
Famintinana ny fizarana fahatelo………………………….………………………115
TENY FAMARANANA………………..…………………………………………116
BOKY SY TAHIRIN-KEVITRA………………………………………………….119
TOVANA
FAMINTINANA
RESUME
SUMMARY
XIII
TENY FAMPIDIRANA
0. TENY FAMPIDIRANA
0.1. Ny petrakolana
Sarotra ny fitaizana ny ankizy sy ny tanora manoloana ny zava-misy
ankehitriny, tsindrina manokana amin‟izany ireo zazavavy. Mety manampy amin‟ny
fitaizana ireo tanora zazavavy àry ve ny fanabeazana skotisma Mpanazava Eto
Madagasikara izay miha mahazo vahana ankehitriny? Hatraiza no mahomby io
fanabeazana skotisma io?
1
fahalalana rehetra azo tao anatin‟io efa-taona io. Tamin‟izany no nitsirian‟ny hevitra
fa io sehatra io no hirotsahana rehefa tonga ao amin‟ny taona fahadimy.
2
Fianarantsoa. Ny fanampiana ireo vehivavy tsy mahay mamaky teny sy manoratra
mpikambana ao amin‟ny Asa Misiona an-Tanan-Dehibe (AMTD) ao amin‟ny FLM
67HA Antananarivo no niompanany.
0.3. Petrakevitra
Fitaovana iray entina mitaiza ny tanora zazalahy sy zazavavy ny skotisma.
Misongadina ny lafiny fanabeazana kristiana ao aminy. Izy ihany koa dia miharo
volo amin‟ny fiarahamonina malagasy. Ohatra: ny firaisan-kina amin‟ny voina
samihafa ary mitondra fanabeazana mahomby noho ny hetsika samihafa tanterahany.
Tsy hay ny tsy hampahafantatra antsika mialoha ny famaritana ireo teny fototra
telo ireto : ny fanabeazana, ny fanabeazana an-tsekoly ary ny fanabeazana ivelan‟ny
sekoly.
0.4.1. Ny fanabeazana
Ny fanabeazana izay nadika avy amin‟ny teny frantsay hoe “éducation” dia
midika ho famolavolana olona ho lasa olom-banona. Izany hoe, raha tamin‟ny
toerana iray heverina ho ratsy ilay olona dia esorina amin‟izany mba ho amin‟ny hafa
heverina fa tsara kokoa. Ahitana taratra izany ny famaritana ao amin‟ny Rakibolana
malagasy nosoratan-dRAJEMISA RAOLISON: “ny fanabeazana dia fanolokoloana
ny zaza mba hanomezana azy toetra tsara ka hahatonga azy ho lehibe, ho olom-
banona”.1
3
fepetra tsy maintsy arahina toy ireto manaraka ireto: “fianarana any an-tsekoly,
manaraka fandaharam-pianarana, sokajin-taona voafaritra, manaraka taom-
pianarana, manaraka rafitra, fanadinana an-tsoratra,…”2 tsy ny olona rehetra no
afaka manao azy. Matetika aza atao amin‟ny alalana fifaninana ny fidirana ho
amin‟izany ary misy sarany.
Teny frantsay roa no azo andikana izany fanabeazana ivelan‟ny sekoly izany,
ny “éducation informelle” sy ny “éducation non formelle”. Amin‟ny mpandinika
sasany, dia samy manana ny heviny ireo teny frantsay roa ireo. Toy izao ny
fisehon‟izany:
2
RAKOTOMAVO Hanta, Libérer l’école malgache: « institution scolaire, programme, groupe
d’âge homogène, scolaire, système de validation : examen de contrôle » p85-86
3
MUSA ALOKPO Dieudonné, Education Non Formelle Dans Les Contextes Educatif Et Socio-
Economique De La Republique Democratique Du Congo. Etude Exploratoire Sur Le Statut
Légal Et Les Attitudes Des Habitants De Kinshas : « C'est un processus de toute la vie par
lequel chaque individu acquiert attitudes, valeurs aptitudes et connaissances à partir des
expériences quotidiennes, des influences et ressources de son environnement », tak8
4
Op.cit : «toute activité organisée et durable qui ne correspond pas exactement à la
définition de l'enseignement formel »
5
Op.cit : « L’éducation non formelle peut s'adresser à des personnes de tous âges »
4
Ity farany izany no dikan-teny raisintsika mahakasika ny fanabeazana
ivelan‟ny sekoly satria mifanandrify amin‟io ny zavatra hambara mikasika ny
lohahevitra.
5
kevitra ary koa ny fanajana ny fahaiza-miaina sy ny fitsipiky ny fitondran-tena
mendrika. Ankoatra izany, dia tokony:
- ny fanabeazana fototra ;
- ny fampianarana ambaratonga faharoa ;
- ny fanofanana ara-teknika sy amin'ny asa aman-draharaha;
- ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fanofanana eny amin'ny
oniversite.
6
Manomboka eo amin‟ny fianakaviana izany ary mitohy hatrany amin‟ny
vondrombahoaka fototra ary any amin‟ireo rafitra sahaza amin‟ny zava-misy
tsirairay any amin'ny vondrombahoakam-paritra.
- ny sekolin-jaza ;
- ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ho fampandrosoana ;
- ny fanabeazana ho olom-pirenena sy hahay miaina.
0.6. Ny haitsikera
Zava-dehibe tsy azo adinoina eo amin‟ny asa fikarohana ny lalan-tsaina, satria,
izany dia anisan‟ny arofanina miaro ny asa fikarohana tsy hivaona. Lalan-tsaina roa
no ampiharina eto amin‟ity asa ity dia ny fonctionnalisme izay adika hoe haitsikera
araka anjara asa sy ny anthropologie dynamique na antrôpôlôjia baikoin‟ny hetsika.
0.6.1. Ny fonctionnalisme
Haitsikera iray nanana ny toerany teo amin‟ny antrôpôlôjia ny fonctionnalisme
na ny haitsikera araka anjara asa. I BRONISLAW MALINOWSKI antrôpôlôgy
Pôlôney mizaka ny zom-pirenena anglisy no isan‟ny nivoy izany voalohany.
Tamin‟ny fandinihany foko iray tany Ostralia (Trobriands) nandritra ny efatra taona
(1914-1918) no nampiharany ny fandinihana ombam-pandraisana anjara na ny
observation participante. Ny boky Les Argonautes du pacifique (1922) no
nitaterany io fomba fiasa antrôpôlôjika vaovao io.
7
Sary voalohany : I Bronislaw MALINOWSKI, raiben‟ny fonctionnalisme
Loharanon-kevitra :
https://en.wikipedia.org/wiki/Bronis%C5%82aw_Malinowski
6
LAPLANTINE (F), Clefs pour l’anthropologie, Seghers, Paris, 1987, p.77: «Avec Malinowski,
l’anthropologie devient une science de l’altérité qui tourne le dos à l’entreprise
évolutionniste, de reconstitution des origines de la civilisation et se consacre à l’étude
logique, particulière, caractéristiques de chaque culture.»
8
ny zavatra miseho eo anivon‟ny fiaraha-monina dia vokatry ny fiaraha-
miasan‟ny singa tsirairay mandrafitra ilay fiarahamonina. Koa raha handinika ny
fiaraha-monina iray dia tsy maintsy jerena amin‟ny manontolo fa tsy misy singa
jerena manokana “analyse globalisante” na “holisme méthodologique”.
Raha izany àry dia mifampiankina sy mifameno ny rafitra tsirairay ao amin‟ny
fiarahamonina. Raha eo amin‟ny sehatry ny fanabeazana dia maro ireo singa
samihafa mandrafitra izany. Samy manana ny andraikiny sy ny anjara asany avy ireo
singa samihafa ireo. Izany indrindra no ilazana fa “ny antrôpôlôjia fonctionnaliste
dia manadihady ny antom-pisian’ny rafitra tsirairay ary ny anjara asany eo amin’ny
fiarahamonina.7” Ireo singa samihafa mandrafitra ny fanabeazana dia mety
hanatsara ny fanabeazana raha voafehy araka ny tokony ho izy. Mety hifanohitra
amin‟izany koa anefa ny zava-misy raha toa ka misy singa na dia iray aza tsy
mandeha amin‟ny laoniny.
7
http://chocdecultures.forumactif.com/t10-histoire-de-l-anthropologie-iv-le-fonctionnalisme:
« L’anthropologie fonctionnaliste recherche l’utilité de chaque institution, sa fonction dans
la société »
8
BALANDIER (G.) « Anthropologie dynamique » in Les notions clés de l’ethnologie, pp.150-156
«mettre en évidence l’histoire et le changement.»
9
- Rehefa nekena izany dia natomboka ny firotsahana an-tsehatra ka nirosoana
ny fangatahana alalana tamin‟ny tompon‟andraikitry ny fikambanana tao amin‟ny
FSFLM 67HA
- Fidirana ho mpikambana sy fanatonana tranom-boky samihafa teto an-
drenivohitra
- Famakiana boky izay hita fa mifanandrify amin‟ny lohavevitra nofidina
- Fandrafetana ny hevitra azo rehetra ary fananganana ny drafitry ny asa
fikarohana.
- Firotsahana an-tsehatra matetika
- Fandraketana an-tsoratra ny fanadihadiana vita.
10
Voalohany, teo amin‟ny fotoana, isaky ny sabotsy sy alahady ihany matetika
no tena ahitana ireo sokajin‟olona hadihadiana, na ny ao amin‟ny Mpanazava ao
amin‟ny FLM 67ha izany na ny Tanora Advantista ao Androndra; ary indraindray
samy manao hetsika amin‟ny fotoana mitovy izy ireo. Vokatr‟izany dia mety nisy ny
tranga tsy hitanay. Ny vahaolana noraisinay mahakasika izany dia, izay fikambanana
mbola tsy nananana tahirin-kevitra firy no nandehanana; niezaka kosa anefa nitady
vaovao momba ilay fikambanana iray tamin‟ny alalan‟ny vaovao amin‟ny
fahitalavitra, fijerena ny pejin‟ny fikambanana any amin‟ny “Facebook” ary koa ny
fanontaniana ireo mpikambana.
Faharoa, ny olana ara-pitaovana, toy ny tsy fanananay fakan-tsary sy ny
fahasimban‟ny solosaina izay nahavery ireo asanay sy tahirin-kevitra efa azo. Soa
ihany fa nisy ireo namana tsara sitrapo nampindrana fitaovana anay. Ho fisorohana
ny amin‟ny sisa dia natao tamin‟ny fitaovana samihafa toy ny “flash, CD, mail” ny
asa izay vita.
0.11. Drafitra
11
Fizarana voalohany
FAMPAHAFANTARANA IREO
TOERANA NANATANTERAHANA NY ASA
1. FIZARANA VOALOHANY: Ny toerana nanatanterahana ny asa
fikarohana
12
SARINTANY I : Ireo faritra 22 eto Madagasikara. Faritra Analamanga misy
ny fokontany 67 ha Afovoany Andrefana.
Loharanon-kevitra: STEWART Alson, Fifindra-monina sy fomba amam-
panao ary fampandrosoana. Tranga misy amin’ny fianakaviana, ao amin’ny 67 Ha
Avaratra Atsinanana. Faritra Analamanga, tak 21.
13
Sarintany faharoa : Boriborintany voalohany 2014
1.1.2. Ny rafi-pitantanana
14
Toy izao ny kisary mamintina izany:
Faritra Analamanga
Boriboritany voalohany
CITE AFA
SEKITERA9
Vavahady (6) RF2 (3)
9
sekitera: fizaram-paritra ao amin’ny fokontany
15
Mizara roa lehibe ny tanàna: voalohany, “CITE”, faharoa, ny AFA (AFovoany
Andrefana). Ity farany moa dia tsy mbola voazara ho sekitera, noho ny fahitana fa
izy ireo dia olona ambany fari-piainana ka tsy mahavita izay takin‟ny fokontany. Na
izany aza anefa dia efa eo andalam-pikarakarana io faritra io ny fokontany amin‟izao.
Iry voalohany kosa dia mizara ho sokajy roa: ny Vavahady10 (=fandriampahalemana)
izay misy sekitera 6 sy ny RF2 (= Rafitra Fahadiovana) izay misy sekitera 3
10
Ho fiarovana ny tanana dia nasiana vavahady tsirairay ny fidirana mankany amin’ny
elankelan-trano rehetra.
16
Amin‟ny ankapobeny dia hita fa maro an‟isa ny lehilahy ao amin‟ny CITE.
Mifanohitra amin‟izany kosa no hita ao amin‟ny AFA, izany hoe manatombo kokoa
ny vehivavy raha oharina amin‟ny lehilahy. Tranga tsy dia fahita firy moa izany
havitsian‟ny vehivavy izany. Araka ny hita teo amin‟ny fafana ihany, ny tanora 18
taona hatramin‟ny 29 taona no maro an‟isa raha oharina amin‟ireo sokajin-taona
hafa.
1.1.4. Ny sekoly
17
1.1.5. Ny finoana ao an-toerana
Ahitana ireo olona manaraka ireo fivavahana ireo eo an-toerana. Ao ireo mpino
silamo, porofon‟izany ny fahitana azy ireo rehefa zoma andro fivavahany miaraka
amin‟ny fitafiana miavaka mamonjy môsike. Maresaka aoka izany koa eo an-toerana
mandritra ny iray volan‟ny ramadany. Ny sabotsy kosa no korana aoka izany ny ao
amin‟ny fiangonana Advantista. Rehefa alahady indray dia saika feno hatrany ny
FLM 67ha, satria tokoa mantsy izy ihany no FLM ety amin‟ny faritra 67ha sy ny
manodidina, ka saika ao ireo manaraka io finoana io no miangona. Mora rahateo ny
fivezivezena. Ireo olona manana fahasembanana ihany koa dia manana ny
fiangonany manokana, izay loterana ihany, ary mbola ao anatin‟ny FLM 67ha.
18
Famintinana ny toko voalohany
Raha fintinina ny voalaza tao anatin‟ity toko voalohany ity dia, fokontany
miorina ao anatin‟ny faritra Analamanga ny fokontany 67 Afovoany Andrefana.
Manana ny rafi-pitantanany izy izay eo ambany fahefana sy fiahian‟ny boriborintany
voalohany sy ireo rafitra rehetra eo ambonin‟izay. Hita teo ihany koa ny
salan‟isan‟ireo mponina izay betsaka tokoa, ary tsy ny Malagasy ihany no mameno
io fokontany io fa efa ahitana vahiny isan-karazany. Manoloana izay dia maro ny
foto-drafitrasa mitsangana toy ny sekoly, tsy miankina amin‟ny fanjakana avokoa izy
ireo. Eo koa ny fiangonana izay ahitana ny karazam-pinoana samihafa izay arahin‟ny
sokajin‟olona ao an-toerana sy avy aty ivelany.
Toy izay ny mahakasika ny fokontany 67ha Afovoany Andrefana fa hojerena
kosa izao ny mahakasika ny fiangonana loterana 67ha.
19
1.2. Fampahafantarana ny Fiangonana Loterana 67HA
11
http://www.eglisesaintconstant.ca/q1-creation-eglise-protestante.html, « À quand remonte
la création de l’église protestante ? » :« La volonté de Luther n'était pas de quitter l'église
20
Aminy dia ny finoana irery ihany no ahazoana ny fiainana mandrakizay. Ny
baiboly no fahefana faran-tampony ambonin‟ny Papa. I Kristy irery ihany no
lehiben‟ny fiangonana.12
Tao Allemagne no niaingan‟ny finoana loterana ary nitety firenena maro izany
toy ireto: Hongrie, Bohème, Prusse, Suède, Danemark, Islande, France, Suisse,
Hollande, Norvege…. Ny taona 1866 izany no tonga teto Madagasikara.
I Pastora John Engh sy Nils Hilsen ireo no misionera Norveziane mpamaky lay
nitondra ny finoana loterana teto Madagasikara ny taona 1866. Fanekena roa sosona
no nandraisana azy ireo mialoha ny hanatanterahany ny iraka nampanaovina azy. Ny
voalohany dia ny avy amin‟ny mpitondra fanjakana malagasy nisy tamin‟izany
fotoana izany; ny faharoa kosa dia ny an‟ny mpitondra Fiangonana LMS “London
Missionary society” izay efa nisy teto nandritra ny 50 taona mialoha.
Nitoby sy nanorim-ponenana ary nanorina fiangonana tao Betafo izy ireo avy
eo. Ny taona 1875 vao nisy fiangonana loterana teto Antananarivo, dia tao
Ambatovinaky izany. Io fiangonana Ambatovinaky io no fiangonana loterana tokana
teto Antananarivo ka sady Fitandremana “Paroisse” izy io no Fileovana “District”.13
catholique, c'était qu’elle fasse un retour à la source : l'Écriture. Luther s'est plutôt fait
jeter hors de l'église. Le mouvement protestant est né. »
12
http://histoiredeschretiens.over-blog.com/article-la-reforme-lutherienne-
39028157.html« le salut par la foi seule, sans les œuvres. L'Ecriture est l'autorité suprême,
au-dessus du pape. Seul Christ est le chef de l'Eglise »
13
http://flm67ha.org/Toby/
21
1.2.3. Tantaran’ny FLM TOBY FANANTENANA 67HA
Rehefa nahazo tany mirefy 4900m² (toerana misy azy ankehitriny) dia
nanomboka ny asa fanorenana ny Sabotsy 04 Novambra 1978. Vita ny fiangonana ny
22 Novambra 1986 ary notokanana ny 26 Oktobra 1986. Tao anelanelan‟izany
fotoana izany dia tao amin‟ny tranon‟i Nenilava tao amin‟ny logt 238 ireo mpino no
nivavaka.
22
FIANGONANA: Fitambaran‟ny Kisary manambara ny firafitry ny FLM synodaly
Kristiana maromaro miray tanana na
fari-bohitra. Matetika Katekista no
mitondra azy ary manana kômitim-
piangonana.
FITANDREMANA: Fitambaran‟ny
Fiangonana maromaro. Pastora no
mitandrina azy ka antsoina hoe:
Fitandremam-Pastora ary manana
kômitim-pitandremana.
FILEOVANA: Fitambaran‟ny
Fitandremana maromaro. Pastora no
mitondra azy ka antsoina hoe: Pastora
mpitondra Fileovana ary manana
kômitim-pileovana.
SYNODAM-PARITANY:
Fitambaran‟ny Fileovana maromaro,
dimy fara-fahakeliny. Pastora no
mitondra azy, izay antsoina hoe :
Filohan‟ny Synodam-paritany. Manana
ny kômitin‟ny ny Synodam-Paritany
SYNODA LEHIBE: Fitambaran‟ny
Synodam-paritany rehetra, manana ny
kômitin‟ny Synoda lehibe (KSL).
Mivory isaky ny 4 taona ny KSL ary
mifidy ny Kômity Mpiandraikitra ny
Synoda Lehibe (KMSL) izay mivory
indroa isan-taona ka ny volana Mai sy
Novambra izany, ka ny volana May dia
fanaovana tatitra ara-bola ary ny
Novambra kosa dia tatitra môraly. Ny
KSL ihany koa no mifidy ny Birao
Foibe FLM izay mpanatanteraka ny
KSL sy ny KMSL
23
Loharanon-kevitra: FLM 67ha, 2014
Ny teny hoe Synoda dia avy amin‟ny teny grika anankiroa natambatra, dia ny
„Sun” miaraka, sy ny “Odos” lalana. Ny “sunodos” izany dia midika hoe “miara-
dalana”.
Efa hatramin‟ny nahatongavan‟i Mama Nenilava tao amin‟ny logt 238 tao 67ha
no efa nisy ny asam-pifohazana tao amin‟ny faritry ny 67ha. Ny sampana Fifohazana
dia mitantana sy mandrindra ny asam-pifohazana ao amin‟ny FLM Toby
Fanantenana 67ha sy ao amin‟ny Toby Fanantenana 238-67ha.
24
amin‟ny fivelomana hanana fahaizana sy fahalalana hahafahany mivoatra eo amin‟ny
fiainana. Tanterahina ny fampianarana asa tanana sy fampiofanana ireo vehivavy
sahirana mba hananany asa ary fanomezana azy ireo vola hoenti-mihetsika amin‟ny
tetikasa kasainy hatao.
25
1.2.5.7. Fikambanana skotisma eo amin’ny Fiangonana Loterana
Malagasy (FSFLM)
26
fanabeazana sy ny fampidirana azy hanana fivelarana ao anaty fiarahamonina. Miara-
miasa amin‟ny fikambanam-behivavy izy amin‟ny fanatanterahana izany.
Ny DFM dia mitaona ny tsy mino ho tonga mpanara-dia an‟i Kristy, ary
indrindra hamerina ireo rehetra nania ho ao am-bala indray. Ka manentana sy
manomana fiofanana ho amin‟ny fijoroana vavolombelona ataon‟ny tsirairay. Mitory
27
filazantsara amin‟ny haino aman-jery. Ity Departemanta ity dia miara-miasa akaiky
amin‟ny Sampana Fifohazana eo anivon‟ny fiangonana Toby Fanantenana 67ha.
1.2.7. Ny faritra
Fafana fahatelo: ireo faritra misy ny mpino ao amin‟ny FLM 67ha, ny taona
2014
28
Faritra 11 Besarety sy ny manodidina
Faritra 12 Isoraka sy ny manodidina
Faritra 13 Soanierana sy ny manodidina
Faritra 14 Mahamasina sy ny manodidina
Faritra 16 Ambanidia sy ny manodidina
Faritra 17 Ambohimanarina sy ny manodidina
29
- Synodam-Paritany Nosivolo (SPN).
- Synodam-Paritany Anala ((SPAn)
- Synodam-Paritany Horombe (SPH).
- Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta).
- Synodam-Paritany Melaky (SPMel).
- Synodam-Paritany Avaratra Atsinanana (SPAvA).
- Synodam-Paritany Alaotra (SPAI)
- Synodam-Paaritany Sofia (SPSofi)
- Synodam-Paritany Betroka (SPAB)
- Synodam-Paritany FLM Eoropa (SPFLME)
30
Loharanon-kevitra: FLM67ha, 2014
1.2.9. Ny mpino
31
jerena eto dia ny isany, ny fiaviany ary ny nahatonga azy ireo hivavaka ao amin‟ny
FLM 67HA.
1.2.9.1. Ny isany
14
Idem
32
1.2.9.2. Ny fiavian’ny mpino
15
Jereo : ny niandohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, tak 8
33
Famintinana ny toko faharoa
Raha fintinina ny voalaza tao amin‟ity toko faharoa ity dia, ny taon-jato faha
XVI no niandohan‟ny finoana prôtestanta “reformé” izay notarihin‟i Martin Luther.
Raha tao Allemagne no nisian‟ny finoana loterana voalohany, ny taona 1866 izany
no tonga teto Madagasikara ka tany amin‟ny faritra Atsimo ireo misiônera NMS no
nanao ny asa fitoriana. Ny taona 1975 kosa no nisian‟ny FLM 67ha izay mbola tao
amin‟ny tokantranon-dRamatoa Mama Nenilava. Ny taona 1986 vao vita tanteraka
ny fiangonana izay mijoro ankehitriny. An-tanan-tohatra dimy no maneho ny firafitry
ny FLM dia ny fiangonana, ny fitandremana, ny fileovana, ny synodam-paritany ary
ny faran-tampony ny synoda lehibe. Ho fampandehanana ny asa sy ny fitaizana ao
amin‟ny fiangonana dia nisy ny sampana sy ny departemanta najoro; eo koa ny
faritra izay manamora ny fifandraisan‟ireo mpino mpiray faritra. Naseho tato ihany
koa ny momba ireo mpino izay maro dia maro tokoa ary avy foko samihafa na dia
mibahana aza ireo avy any amin‟ny faritra atsimon‟i Madagasikara. Samy manana ny
antony nahatonga azy hivavaka ao amin‟ny FLM 67ha avokoa ireo mpino.
34
Famintinana ny fizarana voalohany
35
Fizarana faharoa
FAMPAHAFANTARANA NY
FANABEAZANA SKOTISMA MPANAZAVA
ETO MADAGASIKARA
2. FIZARANA FAHAROA: Fampahafantarana fanabeazana
skotisma Mpanazava Eto Madagasikara.
Ato amin‟ny fizarana faharoa no hiresaka amin‟ny antsipiriany ny fikambanana
nirotsahana. Mitsinjara ho toko telo ny asa. Ao amin‟ny toko voalohany no
hiresadresahana ny ankapoben‟ny skotisma. Rehefa izany, dia hojerena manokana
ihany koa ny skotisma zazavavy Mpanazava Eto Madagasikara (MEM) ao amin‟ny
toko faharoa. Ny hamaranana azy ao amin‟ny toko fahatelo dia ny fampiharana ireo
fomba fanabeazana skoto araka ny ahitana azy amin‟ireo sahanasa sy ny lalàna izay
andrefesana ny elanelana amin‟ny fiheverana ny lalàna sy ny zava-misy iainana
amin‟ny fandalinana fiarahamonina.
2.1. Ny skotisma
Anarana ankapoben‟ny fikambanana nirotsahanay ny skotisma. Noho izany dia
tsy azo lalovam-potsiny fa tsy maintsy fantarina ny mahakasika azy. Lafin-javatra
telo momba azy no hojerena eto. Voalohany, ny famaritana; manaraka izany, ny
tantarany; faranana kosa amin‟ny ireo antony mampisy io fikambanana io.
2.1.1. Famaritana
Alohan‟ny tena hidirana amin‟ny vontoatiny dia tsara ny hamaritana ny
skotisma eto am-piandohana. Famaritana roa no hojerena eto: voalohany, ara-
piforonan-teny; faharoa; ara-kevitra.
2.1.1.1. Ara-piforonan-teny
Ny “scoutisme” dia anarana azo avy amin‟ny teny hoe “scout”, teny anglisy izy
io, izay midika hoe “éclaireur” na “miaramila, mialoha lalana” amin‟ny dikan-teny
malagasy.
Io teny anglisy hoe”scout” io dia nalaina tamin‟ny teny frantsay tranainy hoe
“escouter” (écouter), ary io teny io kosa indray dia nalaina tamin‟ny teny latina hoe
“auscultare”.
36
Ny skoto prôtestanta sy ny skoto laika tany Frantsa no namorona ny teny hoe
“éclaireur”. Ny skoto katôlika kosa no nisafidy ny hoe “scout”, ka toy izao ny
fanalavany izany “Service Croire Obéir Union Travail”. Nogasian‟ny Malagasy
fotsiny io teny io ka lasa hoe “skoto”
2.1.1.2. Ara-kevitra
Ny skotisma dia firohotam-panabeazana ho an‟ny tanora izay miorina amin‟ny
fanoloran-tenan‟ny tsirairay. Fikambanana tsy manao pôlitika, misokatra ho an‟ny
rehetra ka tsy misy fanavahana ara-piaviana, na ara-pirazanana, na ara-pinoana izay
mifanaraka amin‟ny tanjona, ny fototra ary ny fomba nanorenan‟ny mpanorina azy17.
16
http://www.lexilogos.com/scoutisme.htm
17
https://www.yumpu.com/id/document/view/25255289/ndao-hanao-skoto-petit-fichier :
« Le Mouvement scout est un mouvement éducatif pour les jeunes, fondé sur le
volontariat; c’est un mouvement à caractère non politique, ouvert à tous sans distinction
d’origine, de race ni de croyance, conformément aux but, principes et méthode tels qu’ils
ont été conçus par le Fondateur et formulés ci-dessous ».(Article 1.1 de la Constitution
mondiale)
37
2.1.2.1. Baden Powell
Hoy ny fitenenana hoe « ny isavasavana ny raviny no ahitana ny fotony» i
ROBERT STEPHENSON SMYTH BADEN POWELL (BiPi) Jeneraly anglisy no
fototra niorenan‟ny fanabeazana skotisma, teraka tao Paddington tao Londres
tamin‟ny 22 febroary 1857, zanak‟i Rev BADEN POWELL (mpampianatra
matematika) sy HENRIETTE GRACE SMYTH (mpanao sary hosodoko). Folo
mianadahy ry zareo no iray tampo ary i BiPi no farany, raha vao 3 taona monja izy
dia maty ny rainy ka ny reniny no nitaiza azy. Toro marika narahin-dreniny teo
amin‟ny fitaizana ireo zanany ny hoe “hanana fahazarana sy hakingana amin’ny
zavatra rehetra fa tsy mila fahalalana fotsiny avy amin’ny fianarana am-boky”.
Noho izany dia nentiny nivoaka sy nitsangantsangana matetika teny an-tsaha mba
handray fahalalana mivantana tamin‟ny zava-boahary manodidina azy.
Ny antony nahatonga azy hamorona ny skotisma dia:
- Ny ady faharoan‟ny Boers (1899-1902) ka nahafahany nanavotra ny tanànan‟i
Mafeking izay nataon‟ireo Holandey fahirano nandritry ny 217 andro.
- Ny fifandraisany tamin‟ireo tanora tao amin‟io tanana io izay nataony
mpampita hafatra. Nanoratany boky kely izany “Aids to scouting”, izay
mampahafantatra fa afaka manatanteraka ny adidy sy ny andraikitra ampanaovina
azy ny tanora.
- Io boky io ihany koa dia isan‟ny nanampy ireo tovolahy britanika (any
amin‟ny fireneny) ary tsy mitsahatra mangataka toro hevitra any aminy. Ireo tanora
britanika nifanerasera taminy ireo no nentiny nanao lasy andrana tany amin‟ny Nosy
Browsea ny taona 1907 ary namoahany boky mitondra ny lohateny hoe “scouting for
boys”.
- Teo koa ny fampirisihan‟ireo namany mba hikaroka hevitra amin‟ny hitaizana
ny tanora tamin‟ny alalan‟ny skotisma.
Izany hoe ny taona 1907 no nisian‟ny skoto voalohany fa ny taona 1909 no
najoro tamin‟ny fomba ôfisialy ka niorenan‟ny antoko skoto voalohany tany
Angletera.18
18
- RAJOELISOLO (J L), Ny skotisma sy ny Tily Eto Madagasikara : faha 70 taona 1924-1991.
- SALOHIHARINAIVO Notahiny, Organisation volontaire : un volontariat préparé par
l’éducation. Cas du scoutisme de la zone 4 de la région Antananarivo Afovoany de la MTEM,
tak 32-33
38
Sary faharoa: Baden Powell Sary fahatelo : tahaka izao ny zatovolahy
mpampita hafatra nandritra izany ady tao Mafeking
izany, araka ny voalaza tao amin‟ny tak 38
Loharanon-kevitra:
http://www.lexilogos.com/scoutisme.htm
Loharanon-kevitra :
https://www.yumpu.com/id/document/view/25255289/n
dao-hanao-skoto-petit-fichier , tak 47
39
RATSIVALAKA Alban ary Albert Rakoto RATSIMAMANGA izay notarihin‟ny
chef RADLEY tamin‟ny taona 1922.
19
Pasitora Ramino Paul sy Ramatoa Fara Andriamanjato, fantatra amin’ny anarana skoto hoe
Railovy, Toe-tsaina skoto, Tak 1
40
Ny firaisan‟ireo skoto ireo tamin‟izany dia mbola tao anatin‟ny « Fédération du
Scoutisme Français ». Fa niova ho FIRAISAN‟NY SKOTISMA MALAGASY
(FSM) izany rehefa nanomboka nisokatra eo amin‟ny sehatra iraisam-pirenena tany
New Delhi (Inde) ny taona 1959.
d) Ny tanjon’ny skotisma
Araka ny voalazan‟ny lalàm-panorenan‟ny skotisma eran-tany, ny fanabeazana
skotisma dia miezaka ny hanampy ny tanora amin‟ny fivelarany ara-batana, ara-
tsaina, ara-panahy, ara-piaraha-monina ary ara-pihetseham-po20. Izany hoe, beazina
amin‟ny lafiny rehetra ny tanora mba hahalala ny maha izy azy ary hisokatra
amin‟ny manodidina azy.
e) Ny fototra
Ny fikambanana skotisma dia miorina amin‟ireto zavatra telo ireto:
- Adidy amin‟Andriamanitra
- Adidy amin‟ny hafa
- Adidy amin‟ny tena
20
Op.cit, « Le Mouvement scout a pour but de contribuer au développement de jeunes en les
aidant à réaliser pleinement leurs possibilités physiques, intellectuelles, sociales et
spirituelles, en tant que personnes, que citoyens responsables et que membres des
communautés locales, nationales et internationales ».(Article 1.2 de la Constitution
mondiale), tak 6
41
Adidy amin’Andriamanitra: manamafy hatrany ny firaisam-po
amin‟Andriamanitra.
Adidy amin’ny tena: mitaiza vatana mba hananana toe-batana tomady, (mahay
mifantina ny sakafo hohanina, mba miala vonkina na mandeha an-tongotra rehefa tsy
maika…), mampitombo ny fahaizana amam-pahalalana, mba hibanjinana io
fanampiana ny hafa io. Vatana tsy farofy sy saina feno hakingana no afaka manampy
ny hafa fa tsy ny skoto indray no enta-mavesatra ho an‟ny hafa.
f) Ny fomba skoto
Anisan‟ny mampiavaka ny fikambanana skotisma raha miohatra amin‟ny
fikambanana hafa ny fananany fomba fanabeazana manokana dia ny “fibeazan-
tenan‟ny tsirairay” izay ampiharina amin‟ny alalan‟ireto singa fito tsy afa-misaraka
ireto izany:
Fanabeazana amin‟ny asa tonga dia vavany (Education par l‟action)
Fifandraisan‟ny olon-dehibe sy ny tanora (Relation adulte jeune)
Fiainana ankalamanjana (vie dans la nature)
Fomba sy tarazo (cadre symbolique)
Lalàna sy fanekena (loi et promesse)
Fiainam-bondrona kely (vie en petits groupes)
21
Op.cit : « Elle n’y entre pas du tout, elle est déjà là. C’est un des facteurs fondamentaux à la
base du scoutisme et du guidisme.» (Allocution à la Conférence mixte des Commissaires,
High Leigh, 1926), tak 5
42
Fisondrotana isam-batan‟olona na ny fibeazan-tena eo am-
panatanterahana asa (système de progression personnelle).
Fiainana ankalamanjana
Ny fiainana ankalamanjana dia tsy afa-misaraka amin‟ny skotisma. Ny
ankalamanjana no manamora ny fampiharana ny fomba skoto. Tsy ny vatana fotsiny
no volavolain‟ny ankalamanjana fa ny toe-tsaina, toe-panahy, ny toe-po. Ny
ankalamanjana no mahatonga ny olona hanana toe-tsaina tia mamorona. Eo amin‟ny
fiaraha-monina, ny ankalamanjana no mahatonga ny olona hiombona bebe kokoa.
Lalàna sy fanekena
Ny firotsahana ho isan‟ny mpikambana skoto maneran-tany dia midika ho
firosoana amin‟ny fanaovana fanekena22. Ao anatin‟izany dia misy fitsipika môraly
izay antsoina hoe lalàna skoto. Na inona na inona fombafomba sy teny enti-
22
Fanekena : fanaovana voady fa hanao ny andraikitra maha skoto. Ho an’ny mpiandraikitra
dia ao am-piangonana no anatanterahana izany. Ho an’ny beazina kosa dia na amin’ny
fotoam-pivoriana aza dia mety.
43
manonona ny fanekena dia zavatra telo no tena ifotorany dia ny adidy
amin‟Andriamanitra, adidy amin‟ny hafa, adidy amin‟ny tena, izany hoe ireo fototra
telon‟ny skotisma. Voalaza fa tsy misy fanerena ny olona hanao fanekena na amin‟ny
fomba ankolaka na mivantana. Tahaka ny tsy fisian‟ny fanerena ny olona hiditra ho
skoto, ary ny lalàna skoto dia tsy misy endrika fandrarana na fanasaziana. Rehefa
misy anefa lalàna apetraka dia efa midika sahady fa misy fanerena. Ny lalàna sy
fanekena dia miova araka ny sampana sy fikambanana.
Ny antony anaovana fanekena:
Ampatsiahivina fa nanoratra boky maro i Bipi, ny tena misongadina sy ny
hanehoany ny tena heviny mahakasika ny fiainana dia izay hita ao amin‟ny Eclaireur
sy La route du Succès. Toy izao no voalaza ao raha fintinina: te hitaona, te hiantso ny
tsirairay isam-batan‟olona izy mba hanana an‟Andriamanitra atahorana (adidy
amin‟Andriamanitra), hanasoa ny mpiara-belona (adidy amin‟ny hafa) ary hikolo ny
vatana nomen‟ilay Mpahary (adidy amin‟ny tena). Ireo no antoka hahatonga ity tany
iainantsika ity handroso ka ho lavitra ady sy feno fandriampahalemana, ho lavitry ny
aretina ary misy fifampitsimbinana23.
Ny antony anaovana fanekena skoto, dia famaliana an-tsitrapo io antso ho
amin‟ny fandriampahalemana sy ho fanasoavana ny mpiara-belona ka ilaina ny
lalàna skoto hifehy ny tena amin‟ny fiainana andavanandro. Tena misy fanerena
tokoa ny lalàna skoto raha izany.
Fiainam-bondrona
Raha jerena amin‟ny fiainana andavanandro, ny ankizy sy tanora mitovitovy
taona dia mora miaraka avy hatrany, miara-milalao, miara-miresaka. Izay fironana
ara-boa-janahary izay no hararaotin‟ny skotisma ho lasa fomba enti-manabe ireo
tanora. Ny ankizy mpiray vondrona amin‟ny ankapobeny dia 6-12taona sy ny 12-
16taona ary ny 16-18taona. Izy no miara-mamolavola sy manatanteraka tetikasa
iombonana ka hahazoana vokatra tsaratsara kokoa. Afaka maneho hevitra malalaka
ny rehetra.
23
Op.cit
44
Fisondrotana isam-batan’olona na ny fibeazan-tena eo am-
panatanterahana asa
Ny skotisma dia manome lanja ny ezaka vitan‟ny tsirairay. Ary manome
sehatra hahafahan‟ny tanora mamaritra ny zava-kendreny. Ny tanora tsirairay dia
samy tompon‟andraikitra amin‟ny fampivoarany ny tenany. Ny ezaka vita dia
marihina amin‟ny fanomezana ilay tanora ny talenta na ambaratonga 24 mifanaraka
amin‟izany. Hoy i Fety MICHEL: “Isan´ny fitaovana lehibe eo am-pelatanan´ny
olona ny herim-po na ny finiavana hanao zavatra. Fa miankina amin´ny fananan´ny
olona izany herim-po na finiavana izany no ahitany fahombiazana amin´izay
ataony”25
- Ny dingana
Ambaratongam-pitaizana ny dingana eo amin‟ny skotisma. Arakaraka ny
fivoaran‟ny ankizy beazina no hanaovana ny dingana eo aminy. Na izany aza dia
misy fepetra takina ihany.
Ny antony anaovana ny dingana dia mba hanaraha-maso sy handrefesana ny
fivoaran‟ny tsirairay. Ny sampana tsirairay ao amin‟ny Mpanazava dia samy
manana ny dingany.
- Ny talenta
Ny talenta indray dia fanomezam-pahasoavana ananan‟ny tsirairay. Tokony
hohatsaraina izany ary tokony hotrandrahana ihany koa. Noho izany, tsara raha
zaraina amin‟ny namana.
Ny fepetra takina hahazoana talenta:
1- Tokony hifidy ny talentany ny ankizy
2- Tokony hanao fifanarahana amin‟izay talenta nofidiny
Ny hataoko Daty Ny nataoko Zava-bita
Zaitra May 2015 Zipo Zipo didy enina ny Mpanazava.
24
Tovana
25
FETY Michel, Nahoana no avondrona ho fokonolona isika? Tak 63
45
3- Tokony hotapahin‟ny tarika/andiany, sokajy/antoko,
fileovana/fokonolana ny talentany ; zaraina amin‟ireo ny zava-bita mba tsy
hahatonga azy hitsanga-menatra eo amin‟ny sehatra samihafa.
Fomba aman-tarazo
Ny tarazo dia fomba fisainana na fihevitra na fanao nolovaina tamin‟ny tany
aloha. Ny fomba niampitany dia am-bava, na an-tsoratra, na tamin‟ny fomba fanao
niverimberina. Ireny tarazo ireny no miteraka ny kolontsaim-pikambanana.
Mifanandrify amin‟izany ny voalaza ao amin‟ny Rakibolana Malagasy: “ny tarazo
dia anarana ilazana zavatra efa lasa fahazarana ka mety ho tonga fomba mihitsy”26.
Mety ho tsara na ho ratsy ihany koa ny tarazo. Noho izany ny tarazo dia mety miova
ary azo ovaina, ka tsy azo atao ny mitompo teny fantatra ka hilaza fa tena tsara ny
tarazo iray na tena ratsy. Nefa azo ambara fa anisan‟ny zava-dehibe ny tarazo ato
amin‟ny skotisma.
Marihina fa tsy voatery ho hita ao anaty sahanasa iray akory ireo fomba
fanabeazana 7 ireo. Amin‟ny maha fomba azy dia ny mpiandraikitra no misafidy izay
mety aminy sy amin‟ny beaziny mba hahatrarany ny tanjona tiany hokendrena. Fa ny
zava-dehibe dia mamaly ny filàn‟ny beazina ny fanabeazana atao.
indro ny kisary mamintina ny fomba fanabeazana 7:
26
RAJEMISA RAOLISON, op.cit, tak 930
46
Kisary fahatelo: ireo fomba fanabeazana 7
Fibeazan-tena eo am-
panatanterahana asa
Fianam-bondrona
Fomba aman-tarazo
Lalàna sy fanekena
Asa firotsahana
47
Ny FANILON‟I MADAGASIKARA : iantsoana ny fikambanana
skotisma zazavavy katôlika malagasy. Ny fikambanana dia manabe zazavavy ho
matotra, kristiana, ilain‟ny firenena, afaka mandray an-tanana ny hoaviny ho
fampivoarana ny fiainany sy ny manodidina azy, ka andrin‟ny fianakaviany. Telo
amby fitopolo taona izao no niorenany, izany hoe tamin‟ny taona 1942. “Guides de
France » no anarana nentiny taloha.
Ny KIADIN‟I MADAGASIKARA : fikambanana skotisma mitaiza
zazalahy sy zazavavy, tsy manao pôlitika, laika izany hoe tsy miankina amina
finoana ary tsy manavaka fa misokatra amina finoana rehetra27. Valopolo taona eo ho
eo izao no niforonany. « Eclaireurs de France » no anarana nentiny taloha.
Ny TILY ETO MADAGASIKARA (TEM): skotisma zazalahy ao
amin‟ny finoana prôtestanta eto Madagasikara. Mpikambana feno ao amin‟ny
Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara na ny MTEM. Tany Frantsa no niorenany
voalohany tamin‟ny 1910, tamin‟izany ny anarany mbola « Eclaireurs Unionistes de
France »(EUF)
Ny MPANAZAVA ETO MADAGASIKARA: skotisma zazavavy
prôtestanta malagasy. Telo amby fitopolo taona izay no nijoroany, izany hoe
tamin‟ny taona 1942. “Eclaireuses Unionistes” no anarany taloha.
27
www.kiadin’imadagasikara « Elle a toujours été une association apolitique, laïque (ne
dépend d’aucune religion), et pluraliste (accepte toutes les religions) »
48
Famintinana ny toko voalohany:
Ny teny latina hoe “auscultare” no niavian‟ny teny hoe “scoutisme”, izay
nogasiana ho skotisma tsotra izao. Izy io dia fikambanana naorin‟ i Baden Powell
natao hanabeazana tanora. Hita manerana izao tontolo izao ity fikambanana ity ary
tsy mitsaha-mitombo sy mivoatra ny fisiany eto Madagasikara. Mikendry indrindra
ny hanabe ireo tanora amin‟ny lafiny rehetra izy ity mba hananana tanora vanona,
mandray andraikitra sy matahotra an‟Andriamanitra. Amin‟ny alalan‟ireo fomba
fanabeazana skoto no anatanterahana izany. Efa maro karazana ankehitriny ireo
fikambanana skoto mijoro, indrindra ireo eo anivon‟ny FSM.
49
2.4. Ny skotisma zazavavy: Mpanazava Eto Madagasikara (MEM)
Fikambanana manabe tanora zazavavy ny MEM. Araka izany dia maro ny
zavatra azo resahina momba io fikambanana io. Ireto no hojerena ato amin‟ity toko
faharoa: fampahafantarana ny fikambanana MEM, ny firafitry ny fikambanana ary
ny Mpanazava ao amin‟ny FLM 67ha.
a) Ny kara-panondrony
Ny MEM dia fikambanana skotisma prôtestanta mandray anjara amin‟ny
fitaizana ny ankizivavy sy ny zatovovavy. Miorina ao amin‟ny:
MTEM izay halavaina hoe Mpanazava Sy Tily Eto Madagasikara,
fikambanana skotisma prôtestanta, izay ivondronan‟ireto synodam-piangonana 4
ireto:
- Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) amin‟ny alalan‟ny KOmity FOiben‟ny
SKOtisma eo amin‟ny Anglikana (KOFOSKOA)
- Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) amin‟ny alalan‟ny Fikambanana
Skotisma eo amin‟ny FLM (FSFLM)
- Fiangonan‟i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) amin‟ny alalan‟ny
SAmpana MPAnazava sy TIly (SAMPATI)
- Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara (METM) amin‟ny alalan‟ny
Sampana Fanabeazana Tily sy MPAnazana (SFTIMPA)
sy ny synodam-piangonana hafa na sekolim-piangonana manaiky ny fiorenany
ary neken‟ny fivoriamben‟ny MTEM
50
Mpikambana feno ao amin‟ny Firaisan‟ny Skotisma Malagasy (FSM),
amin‟ny alalan‟ny MTEM.
Mpikambana feno ao amin‟ny AMGE “Association Mondiale des
Guides et des Eclaireuses” amin‟ny alalan‟ny SZM na ny Skoto Zazavavy eto
Madagasikara (SZM).
Ny toerana misy ny foibem-pikambanana dia ao amin‟ny Akany Zazavavy
Behoririka Antananarivo III, BP 1360 ANTANANARIVO
a) Ny zava-kendrena
Ny MEM dia mikendry ny hanabe sy hanolokolo ary handray anjara amin‟ny
fampivelarana ny maha olona feno ny ankizivavy sy ny zatovovavy ao aminy ho:
vavolombelon‟i Jesoa Kristy, ho olom-pirenena vanona ary ho andrin‟ny
fianakaviana. Amin‟ny alalan‟ny fibeazan-tenan‟ny tsirairay no anatanterahany izany
fanabeazana feno ny maha olona izany.
Raha jerena dia mifanandrify tanteraka amin‟ilay fironan-tsaina momba ny
vehivavy nantsoina hoe welfare na “bien être” ny hoe “andrin‟ny fianakaviana”.
Tany amin‟ny taona 1950 no nisehoan‟izy ity, taorian‟ny ady lehibe faharoa. Rehefa
vita moa ny ady dia be ny zavatra simba; ka ny notakina tamin‟ireo vehivavy dia ny
hijanonan‟izy ireo ao an-tokantrano ary hikarakara izany sy hanatontosa ny fitaizana,
hiteraka ihany koa satria betsaka ny maty.
51
eran-tany na ny “Association Mondiale des Guides et des Eclaireuses” izay afohezina
hoe AMGE.
Sary fahefatra: Olave Saint Claire
Loharanon-kevitra:
http://www.npg.org.uk/collections/search/person/mp70488/olave-st-clair-baden-powell-nee-
soames-lady-baden-powell
52
tao amin‟ny Lycée Jules Ferry Faravohitra sady zanaky ny mpiangona no niditra
voalohany ho « Eclaireuses » tamin‟zany.
Niezaka ireo namorona ny fikambanana mba hanaparitaka ny fitaizana tany
amin‟ny fiangonana sy ny sekoly ary kilasimandry zazavavy Anglikana sy
Prôtestanta manerana ny nosy.
Toy izao aseho amin‟ny kisary izao ary ny rafitry ny skotisma eto
Madagasikara sy ny foibe ifaharany any ivelany.
OMMS AMGE
MTEM
53
FSM: Firaisan‟ny Skotisma Malagasy
MTEM: Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara
SZM: Skotisma Zazavavy eto Madagasikara
Rafitra Faritany
28
FMT2S: Firaisan’ny Mpanazava sy Tily Tranainy
54
-Tari-panofanana -Biraon‟ny
-Vondrom-panofanana kômitim-paritany
Rafitra Fivondronana
a) Ny Mpiandraikitra
Izy ireo no antsoina hoe “chef” ho an‟ny TEM ary “cheftaine” ho an‟ny MEM.
Tovovavy efa nandalo na tsia tao amin‟ny fikambanana izy ireo; ary manaiky ny
antson‟ny Tompo ka vonona hiandraikitra ny sampana ary manaraka ireto fepetra
ireto:
55
- 18 taona na mihoatra
- Mpandray ny fanasan‟ny Tompo na efa mpivavaka ao amin‟ilay fiangonana
misy ilay fivondronana raha azo ato.
- Natolotry ny kômitim-pivondronana sy nahavita fangatahana andraikitra
- Mahalala sy miaina ny lalànan‟ny MEM
- Manaiky hanaraka an-tsakany sy an-davany ary ara-potoana ny fanofanana
rehetra omen‟ny foibem-pikambanana
- Mahazo sy manaiky ny fitsipika sy ny fepetran‟ny MTEM
- Nahavita fanekena Mpanazava na miroso ho amin‟izany raha zazavao
- Miroso amin‟ny fanekena maha mpiandraikitra MEM ary manaraka ny
fepetra takina amin‟izany.
Miisa 9 ny ireo mpiandraikitra Mpanazava ao amin‟ny FLM 67ha. Eo amin‟ny
lafiny fiaviana dia saika mandray roa ny firazanan‟izy ireo amin‟ny ankapobeny, ka
ny Merina sy Betsileo izany. Misy ihany iray manana ila Betsimisaraka ankoatra ny
maha Betsileo azy. Mbola mifamatotra hatrany amin‟ny tantaran‟ny finoana loterana
moa ny maha betsaka kokoa ny Betsileo, ary tsy io foko io ihany fa izay avy any
amin‟ny tapany atsimon‟I Madagasikara. Ny antony iresahana ny firazanana amin‟ny
fandalinana antrôpôlôjika dia ahitana hoe misy fanavakavahana ve eo amin‟ireo
mpiandraikitra ireo. Raha ny fandinihana natao dia tsy nahitana taratra
fanavakavaham-pirazanana eo amin‟izy ireo. Toa miara-miaina tsara ihany ny fijery
azy ireo amin‟ny ankapobeny.
Mpitovo sy mbola mianatra avokoa ary avy amin‟ny fianakaviana manana fari-
piainana antonony ihany koa izy ireo. Noho izany mbola miankin-doha tanteraka
amin‟ny ray aman-dreny izy ireo eo amin‟ny ara-bola. Izay indrindra no antony
anampian‟ny fivondronana azy satria ilana vola ny fandehanana miofana izay atao
in-droa isan-taona.
b) Ny Tonia
Raha vao misy sampana roa mitsangana ao amin‟ny MEM ao amin‟ny
fivondronana iray (ohatra: sampana Mavo sy sampana Maitso) dia tsy maintsy
manolotra izay ho Tonian‟ny MEM ny kômitim-pivondronana araka ireto fepetra
ireto:
56
- Vehivavy 21 taona raha kely indrindra
- Efa mpiandraikitra sampana nandritra ny roa taona
- Nahavita ny fanekena mpiandraikitra29
- Mahafantatra tsara ny andraikitry ny Toniam-pivondronana
- Manaiky hanaraka an-tsakany sy an-davany ary ara-potoana ny fanofanana
Toniam-pivondronana
- Nankatoavina ary natolotry ny kômitim-pivondronana ka nahazo fahazoan-
dalana avy amin‟ny faritany ary tendren‟ny filoha ho Tonia
- Manavao isan-taona ny andraikitra
- Mahay mifandray amin‟ny hafa.
Mandrindra ny fifandraisan‟ny sampana sy ny kômitim-pivondronana ary ny
faritany no tena andraikiny.
Vehivavy manana ra Betsileo sy Merina ny Tonian‟ny Mpanazava am-
perin‟asa. Miezaka izy ny hisokatra amin‟ny ireo mpiandraikitra rehetra. Efa manana
ny antom-pivelomany izy sady mbola manohy ny fianarany ary avy amin‟ny
fianakaviana manana fari-piainana antonony. Ny sampana Mavo no niandraiketany
talohan‟ny naha Tonia azy.
Tokony hahay mifandray amin‟ny manodidina azy rehefa mety ho mpanabe.
Ny zavatra hita nefa dia tsy mahay miara-miasa ny Tonia sy ny Mpiandraikitra
sasany. Ny antony dia, tsy iray andiany izy ireo, ny Tonia zoky kokoa. Noho izany
misy ihany ny tsy fifankahazoana satria mety nisy ny fiovana teo amin‟ny
fanabeazana azy ireo fony mbola beazina. Marihina koa fa miara-miasa akaiky kokoa
ny mpiandraikitra sampana Maitso sy Mena. Ny antony dia mifanakaiky kokoa ny
fanabeazana na fahalalana atolony ho an‟ny beazina. I TOCHON nefa dia milaza fa
“Manamora ny fifandraisana ny fahaizan’ny mpanabe mifandray sy mifankazatra
ary miserasera sy mifanaraka amin’ny manodidina azy”30. Ilaina araka izany ny
manadihady ny toetran‟ny olona iaraha-miasa ho fisorohana ny mety tsy
29
Fanekena mpiandraikitra : karazana voady atao ao am-piangonana rehefa nahavita ny
fiofanana mifanaraka amin’izay ilay mpiandraikitra.
30
TOCHON, 1992, L’enseignant expert, édition Nathan, Paris. « La capacité de relation socio-
affective et l’adaptabilité sont en corrélation avec l’éfficacité de l’enseignant(e) ». p. 144
57
fifankahazoan-kevitra, “tokony hamantatra ny mombamomba ny rehetra ny mpanabe
mba hahafahany mandrindra ny fihetsika aseho”31.
31
GUILHEM (M.) et MAGUERES (R.), 1966, Eduquer et enseigner, Pédagogie Pratique,
Imprimé en France, LIGEL Paris VIè. « L’éducateur se doit donc de prendre conscience de la
diversité afin d’adapter au mieux son action sur eux ». P.156
58
b) Ny sampana Maitso “éclaireuses”
Ny teny “éclaireuses” no nadika hoe “Mpanazava”. Ny sampana Maitso dia
ireo tovovavy 12 ka hatramin‟ny 16 taona izay antsoina ihany koa izy ireo hoe
“Mpanazava”. Fanohizana ny fitaizana natao tany amin‟ny Voronkely no atao ao.
Hiditra eo amin‟ny fahatanorana ny ankizy eo amin‟io sokajin-taona io. Manana
toetra te hahavita zavatra tsaratsara kokoa noho ny namana ary tia mifaninana ny
tanora amin‟io sokajin-taona io. Manomboka amin‟io taona io ihany koa no
isehoan‟ny fahasamihafana eo amin‟ny rafi-batan‟ny zazalahy sy ny zazavavy.
59
tonga dia mirotsaka sampana Mena na tsy nandalo ireo sampana roa ireo aza. Ny
Mpanazava Zokiny dia mandray roa:
- Eo amin‟ny lafiny fitaizana dia beazina ny mpikambana ao. Fifampizarana
anefa no tena misongadina ao fa ny “loholona” no zoky mpitantana.
- Eo amin‟ny lafiny fiandraiketana dia taniketsan‟ny mpiandraikitra ny Afo,
noho izany, manaraka ny sahanasan‟ny mpiandraikitra izy ireo (tafasiry, lasy,
fiofanana…).
Sary fahafito: ireo sampana Mena ao amin‟ny FLM 67ha
60
- Ho mpanentana ny manodidina azy mba hanjakan‟ny rariny sy ny hitsiny.
Mampihatra tanteraka ilay fironan-tsaina “bien être” ry zareo Mpanazava
Zokiny eto.
2.4.2.3. Ny rafi-pandaminana
a) Andiany sy ny Tarika
Rafi-pandaminana ao amin‟ny sampana Mavo ny Andiany sy ny Tarika. Ny
fitambaran‟ny Voronkely ao amin‟ny fivondronana iray no antsoina hoe ANDIANY.
Vorona iray hita eo amin‟ny manodidina no atao anaran‟ny andiany. Ny toetra
ananan‟ilay vorona no akana ny tarigetran‟andiany.
Ny vorona atao hoe Jerika no nosafidian‟ny sampana Mavo ao amin‟ny FLM
67ha, izay manana anarana siantifika Zoestropos maderastapana. Vorona mavitrika,
somary masiaka ary tsy mba miaraka amin‟ny vorona hafa fa ry zareo iray vondrona
ihany no miaraka32. Raha ny tarigetran‟ny andiany Jerika kosa no jerena dia
manohana tanteraka ny toetran‟ilay vorona; “mavitrika no andianay, tsy mba
misitrika fa miaraka sy sahy”. Raha ny toetra sy ny fihetsik‟ireo Voronkely
Mpikambana kosa no jerena dia hita ho mavitrika amin‟ny ampahany. Izany hoe,
arakaraky ny zavatra atao, ohatra, rehefa lalao no atao dia vonona hatrany; raha
asaina mitarika fotoam-pivavahana kosa dia somary menamenatra.
Ny andiany indray dia mbola mizara ho tarika maromaro izay samy manana ny
tarigetrany. Arakaraka ny loko hita ao amin‟ilay vorona no anaran‟ilay tarika. Ny
tarika iray dia misy Voronkely 4 ka hatramin‟ny 7 izay iandraiketan‟ny zokin‟ny
tarika sy ny mpanampy azy, dia ny “solon-dohany” izany. Eto izany dia efa omena
andraikitra ny ankizy. Manana andraikitra sahady izy hitondra ny tarika keliny.
Famolavolana azy sahady ho tonga mpitarika izany no hita eto.
32
LANCRAND (O), Guides des oiseaux de Madagascar : « espèce active et peu farouche, que
l’on rencontre le plus suvent en groupe monospécifique assez lâche », tak 336
61
Manana ny hirany sy ny hiakany ny andiany ka kendrena izany hifanaraka
amin‟ny tarigetran‟ny Voronkely “Tia fanampiana”. Toy izany koa ny tarika
tsirairay. Tsy mifanalavitra amin‟izay ny famaritan‟i Régis Rajemisa RAOLISON ny
antsoina hoe tarika: “Ny tarika moa dia antokon’olona miaraka milalao sy mihira na
mandihy, eo ambany fifehezan’ny olona iray na vondron’olona miara-mientana
amin’ny fanatontosana lalao iraisana”33.
Ny Jerika dia ahitana loko mavo, maitso,mainty, fotsy. Ireo loko ireo no
anaran‟ny tarika ao amin‟ny andiany Jerika.
Toy izao raha atao kisary izay voalaza izay:
Kisary fahenina : ny rafi-pandamin‟ny Voronkely
Voronkely
Andiany Jerika
Tarika
b) Ny Antoko sy ny Sokajy
Rafi-pandaminana ao amin‟ny sampana Maitso ny Antoko sy ny Sokajy. Ny
mpiandraikitra sy ny ankizy rehetra beazina ao amin‟ny sampana Maitso no
mitambatra ho Antoko. Zava-boary hita eny amin‟ny manodidina ny toerana no atao
anaran‟ny Antoko; arahina tarigetra sy hira izany. Tsy maintsy atao mifanaraka
amin‟ilay zava-boary ny foto-kevitra. Izany hoe, ny toetra tsara ananany no tarafina
sy alaina.
Ohatra: “Rano” ny lokony: manga sy fotsy
Tarigetrany: mitondra soa
Ny “Farihy” no anaran‟ny antoko nofidian‟ny sampana Maitso ao amin‟ny
FLM67ha. Toy izao no tarigetrany: “Antoko farihy no antokonay, antoko farihy tena
miray, vonona hatrany hiara-dia sy hanara-dia an’i Kristy”. Izany hoe
33
Régis Rajemisa RAOLISON, Rakibolana Malagasy, tak 931.
62
manasongadina ny firaisan-kina, amin‟ny ampahany ihany koa anefa izany satria eo
amin‟ny asa ampanaovin‟ny mpiandraikitra ihany no ahitana izany fa samy manao
izay mahafinaritra azy avy eo.
Ny sokajy roa no mihoatra no mitambatra ho antoko. Fitambaran‟ny Lohan-
tSokajy (LS) sy ny Solon-dohan-tSokajy (SLS) ary ankizy 4 na 5 kosa no antsoina ho
sokajy. Izany hoe, ny LS no mitarika ny sokajiny, tahaka ny hita tany amin‟ny
sampana Mavo.
Ny anaran‟ny sokajy dia zava-boary hita ao amin‟ny anaran‟ny antoko.
Manana ny hirany sy ny tarigetrany koa izy. Ny Zozoro “Cyperus
madagascariensis”, Tsiriry “Leersia hexandra”, Herana “Cyperus latifolius”, Vary
“Oryza sativa”; izay zava-maniry hita eny an-tanimboly eny, ireo no anaran‟ny
sokajy ato amin‟ny antoko Farihy. Raha ny toetran‟ireo zava-maniry ireo no dinihina
dia samy miara-maniry eny an-tanimboly izy ireo. Ny zozoro sy ny herana ohatra dia
samy azo anaovana rary, anafoana trano. Izany hoe ahitana taratra ny firaisan-kina,
fiarovana, fitaovana ampiasaina andavanandro.
Toy izao raha atao kisary ny rafi-pandaminan‟ny sampana Maitso:
Antoko Farihy
Sokajy
c) Ny Fileovana sy ny Fokonolona
Rafi-pandaminana ao amin‟ny sampana Mena ny Fileovana sy ny Fokonolona.
Ny Fileovana dia fitambaran‟ny Afo 2 ka hatramin‟ny 6, ary ny loholon‟ny fileovana
no mitantana azy.
63
Fileovana 2 no ho mihoatra kosa no atao hoe Fokonolona, ary ny loholon‟ny
fokonolona no mitantana azy.
Marihina fa tsy azo atao loholona raha tsy efa vita “donak‟afo” (dingana
faharoa ao amin‟ny Mpanazava Zokiny)34. Raha tsy ampy kosa ny mpikambana dia
tsy mizara ho Fileovana akory.
Ny Fokonolona moa dia misafidy vehivavy nahavita be teo amin‟ny firenena
na fiangonana hataony anarany. Maka ny toetran‟io olona io tena nisongadina ny
fokonolona ataony tarigetra. Ary toetran‟io olona io hafa no ataon‟ny fileovana
anarany sady tarigetrany.
Ohatra: Anaran‟ny Fokonolona: RASALAMA
Tarigetran‟ny Fokonolona: Be herim-po
Anaran‟ny Fileovana: - RASALAMA MIVAVAKA
-RASALAMA MAHARITRA
Ny an‟ny sampana Mena ao amin‟ny FLM 67ha dia izany atao hoe Ranivo
izany no nofidiany. Izy io dia vehivavy nivavaka tao amin‟ny FLM 67ha izay nazoto
tokoa teo amin‟ny fanatanterahana ny asan‟ny Tompo. Izay toetran‟izay no
nofidian‟ny Fokonolona Ranivo ho tarigetrany manao hoe: “Ranivo vehivavy
mazoto, vonona hatrany hanompo an’ny Tompo”. Ny toetrany hafa izay nakan‟ny
Fokonolona Ranivo ny anaran‟ny Fileovana dia ireto: - Ranivo be fitiavana
- Ranivo be finoana
Raha ny toetra amam-pihetsik‟ireo zatovovavy kosa no jerena dia misy ny tena
mazoto ary misy kosa antonontonony.
Toy izao raha atao kisary ny rafi-pandaminan‟ny Mpanazava Zokiny:
Kisary fahavalo : ny rafi-pandaminan‟ny sampana Mena
Sampana Mena
Fokonolona Ranivo
Fileovana
34
Tovana
64
Loharanon-kevitra : Randriamanantsoa S Lifà, 2015
Mpiandraikitra Beazina
Sampana Mavo 5 32
Sampana Maitso 5 20
Sampana Mena 3 12
65
Marihina fa rehefa hampakatra ankizy dia tsy lazaina aminy mialoha. Azo atao
kosa anefa ny milaza mialoha amin‟ny ray aman-dreny izany mba hahafahany
miomana (ohatra: fanomanana fanamiana).
66
Famintinana ny toko faharoa
Skotisma zazavavy miorina eo anivon‟ny synodam-piangonana 4 ny
Mpanazava Eto Madagasikara. Ny tanjony izay iarahany amin‟ny Tily Eto
Madagasikara momba ireo tanora taizana ao aminy dia ny mba ho vavolombelon‟i
Jesoa Kristy, ho olom-pirenena vanona sy ho andrin‟ny fianakaviana. Ny vadin‟i
Bipi no vehivavy nitondra ny skotisma zazavavy voalohany raha i Melle Denise
DORIAN kosa no isan‟ny nisahana voalohany ny Mpanazava teto Madagasikara.
Mba hahatrarana ny zava-kendrena dia misy ny lamina najoro, toy ny rafitry ny
mpikambana mpanabe izay ahitana ireo Mpiandraikitra sy Tonia; eo koa ny rafitry
ny mpikambana fototra izay ivondronan‟ny Voronkely sy ny Mpanazava ary ny Afo.
Ankoatra izay dia misy koa lamina natao hanaraha-maso akaiky ny beazina toy ny
andiany sy ny tarika, ny antoko sy ny sokajy ary ny fileovana sy ny fokonolona.
Nojerena manokana teo koa ireo mpikambana ao amin‟ny Mpanazava ao amin‟ny
FLM 67ha. Ka ny salanisany sy ny lafiny fiaviany ary ny antony nahatonga azy ireo
nirotsaka tao anaty fikambanana no nohalalininay tamin‟izany. Izany dia tafiditra ao
anatin‟ny asan‟ny mpandalina fiarahamonina.
67
2.5. Fampiharana ireo fomba fanabeazana skoto sy ny fahavitrihan’ny
mpikambana
Ny sahanasa ary ny lalàna mifehy ny mpikambana isan-tsampana no handeha
hijerena ny fampiharana ny fomba fanabeazana skoto. Mety amin‟ny alalan‟ireo no
ahitana ny fahavitrihan‟ireo mpikambana.
35
J.M. BESSE, “Vers une pédagogie par objectif ”, Bulletin Sté et Th. Simon n° 556-III, 1977 :
« L’objectif est le but precis d’une action éducative d’un enseignement ».
68
pahasalamana sy ny mba hahaizany manadio voankazo ary koa mahafantatra ny hery
entin‟ny voankazo. Toy izao ny fisehon‟ny takela-panomanan-desona « fiche
technique » ataon‟ny mpiandraikitra.
Daty: 15-03-14
Mpitarika: Berthine
Sahan’asa:SAKAFO ARA-PAHASALAMANA
Zava-kendrena:
d) Voronkely mahafantatra ny atao hoe sakafo madio
e) Voronkely mahay manadio voankazo
f) Voronkely mahafantatra ireo hery entin‟ny voankazo
Toerana ivoriana: eo an-tokotanim-piangonan‟ny FLM 67HA
Isany mpandray anjara: 32
Faharetany: 01 ora
Fitaovana: kahie, penina, koveta, rano, voankazo, epaonja, fanadiovana rano “sûr‟eau”, savony,
boatina ronono, antsy, sotro, sotrokely
Fizotrany:
Faha Fizarana Vontoatiny Fitao Fanamarihana
reta vana
ny
5mn Fampaha Sahanasa: ny sakafo ara-pahasalamana. Izaho mpandinika
fantarana Anontaniana ny ankizy hoe: dia manao
ny lohahe F: Inona ny atao hoe sakafo ara- fanamarihana fa ny
vitra pahasalamana? sakafo ara-
Valiny andrasana: sakafo madio pahasalamana koa
69
dia sakafo
voalanjalanja,
ampy fatra ary
ahitana ireo sokajy
3 ao anatin‟ny iray
andro.
10mn Ny sakafo F: inona kosa indray ny atao hoe sakafo Atambatra ny
madio madio? hevitra mitovy ary
Valiny andrasana: ny mpiandraikitra
- sakafo voasasa mameno izay tsy
- voavaofy tsara voalaza.
- masaka tsara Hazavaina tsirairay
- rano avy nampangotrahana na voadio ny hevitra. Tsara
tamin‟ny fanadiovana rano “sûr‟eau” raha ny ankizy
- madio tsara ny tanana rehefa mihinana ihany no asaina
sakafo manazava azy.
- sakafo mifono tsara na anaty “vitrine”
raha eny amin‟ny mpivarotra
- amidy eny amin‟ny toerana azo antoka
- sakafo tsy nialin‟andro
-fitaovana fikarakarana madio tsara
10mn Fomba F: ahoana ny fomba fanadiovana Koveta, Ny ankizy ihany
fanadiovana voankazo fantatrareo? rano, no manao azy fa
voankazo Valiny andrasana: alaina ny koveta misy epaonja, ny mpiandraikitra
rano, epaonja, savony. Alaina ny savony, manara-maso.
voankazo (manga, akondro, mananasy, sur‟eau
voatango). Sasana ohatry ny manasa
lovia. Ary atao tsara kobana tsara
amin‟ny rano misy su‟eau fahefany ny
sarony (arakaraky ny fatran‟ny rano).
10mn Fampaha . F: inona avy ny hery entin‟ny Tokony hisy
fantarana voankazo? fanazavana ny
70
ny hery Valiny andrasana: voka-tsoa entin‟ny
entin‟ny - ireo voankazo mitondra ny vitamine A: voankazo na ny
voankazo papay, manga sakafo manana ireo
- ireo voankazo mitondra ny vitamine C: hery A sy B ireo.
voasary , mananasy
Ary marihina fa ny voankazo rehetra dia
mahasalama rehefa masaka sy madio
tsara ary hohanina amin‟ny antonony.
25mn Fanaovana Atao « salade de fruit » ilay vonkazo avy “Saladier”,
“salade nosasana. voankazo,
de fruit” Ny sasany mamaofy, mitetika. Ny antsy,
mpiandraikitra manao azy anaty boatina
« saladier ». ronono.
Zaraina amin‟ny beazina rehefa vita.
36
http://isikavehivavy.blogspot.com/2012/09/ny-asanny-vitamines.html, « Ny asan’ny
vitamines »
71
skoto maneran-tany ato amin‟ny sampana Maitso no hojerena. Natao karazana lalao
ny fanatanterahana azy, toy izao àry ny fisehon‟izany.
Daty: 03/05/14
Mpitarika: Nizah
Sahan’asa:TANTARAN’NY SKOTO MANERAN-TANY
Zava-kendrena:
- Mpanazava mahafantatra mombamomba ny olona namorona ny skotisma
- Mpanazava mahafantatra ireo daty manan-tantara
Toerana ivoriana: eo an-tokotanim-piangonan‟ny FLM 67HA
Isany mpandray anjara: 19
Faharetany: 01 ora
Fitaovana: taratasy, balaomina
Fizotrany:
Faha Fizarana Vontoatiny Fitao Fanama
Retany vana rihana
5mn Fanazavana Misy dingana maromaro hataon‟ny ankizy
ny fande ka isaky ny mahavita dingana iray ny
han‟ny ankizy dia mahazo fanontaniana izay
lalao hanampy azy ireo amin‟ny fahalalana ny
tantaran‟ny skotisma.
10mn Dingana 1 Samy mitondra taratasy iray avy ny ankizy Taratasy Ny isan-
ao anatin‟ny sokajy. Hiampita rano izy ireo tsokajy no
ka iny taratasy iny no ahafahany miampita. mitady ny
Mirefy 10m ny halavan‟ny rano hiampitany fomba
72
ka tokony hovitaina ao anatin‟ny 2mn. hiampitana
Rehefa vitan‟ny sokajy tao anatin‟ny ny rano
fotoana notakiana ny dingana dia omena ny amin‟ny
fanontaniana voalohany. alalan‟ny
F1: iza no namorona ny fitaizana skotisma? taratasy.
(anarana ,daty nahaterahana sy
nahafatesana)
10mn Dingana 2 Milahatra mahitsy ny isan-tsokajy ary
soratan‟ny mpiandraikitra ao amin‟ny
lamosin‟ilay ankizy any amin‟ny farany ny
hoe VONONA. Iny ankizy iny no mampita
izany amin‟ny eo alohany, toy izay hatrany;
ka ny any amin‟ny farany aloha no
miteny amin‟ny mpiandraikitra izany
hafatra izany.
Raha marina ny hafatra dia omena ny
fanontaniana faharoa.
F2: Iza no anaran‟ireo olona namorona ny
skoto zazavavy voalohany?
10mn Dingana 3 Mandefa solontena roa avy ny isan-tsokajy. Balaomina
Omena balaomina 1 misy rano. Asaina
manao tsipy balaomina mandritra ny 2mn.
Raha tsy vaky ilay balaomina dia mahazo
ny fanontaniana fahatelo.
F3: Taiza ny lasy voalohany nataon‟ny
skoto?
10mn Dingana 4 Afenina eo amin‟ny manodidina ny daty Daty
izay efa voasoratra ao anatin‟ny taratasy
kely ka amin‟ny alalan‟ny mari-dalana na
“signe de piste” no hanoroana azy (taona:
1857, 1889, 1903, 1907, 1908, 1910, 1912,
1979, 1926, 1941, 1977). Samy milaza ny
73
valin‟ny daty izay hitany ny isan-tsokajy.
10mn Dingana 5 Fanomezana ny valim-panontaniana.
Mandray an-tsoratra ny tsirairay.
Daty: 24/01/2015
Mpitarika: ZOHORA
Sahan’asa: horonan-tsarimihetsika: NY VOKA-DRATSIN’NY FIRAISANA ARA-NOFO
37
MACAIRE et RAYMOND, 1975, Notre beau métier, manuel pédagogique : « L’émulation
encourage, facilite la tâche, rend attentif, pousse à l’effort habitue l’enfant à compter sur
son travail personnel, tout en tenant compte de celui des autres ». p. 34
74
ALOHA LOATRA
Zava-kendrena:
Afo mahafantatra ny voka-dratsin‟ny firaisana ara-nofo aloha loatra
Afo mahay manatsoaka lesona avy amin‟ny tantara
Afo mahay mamintina tantara iray
Toerana ivoriana: Mahamasina
Isany mpandray anjara: 12
Faharetany: 01 ora sasany
Fitaovana: horonan-tsarimihetsika mikasika ny voka-dratsin‟ny firaisana ara-nofo, hira
mahakasika ny fitandrovana ny fiainana amin‟ny maha vehivavy ny tena mba tsy hiharan‟ny
herisetra, solosaina na “lecteur” sy fahitalavitra, taratasy fotsy, penina
Fizotrany:
Faha Fiza Vontoatiny Fitaovana
Retany rana
5mn Filazana ny Mialoha ny hijerena ny horonan-tsary dia
fepetra lazaina ny zavatra tokony hatao:
rehetra - Jerena ny horonan-tsary ary tsy misy
mahazo mitabataba
- Alefa ny hira ary ampahafantarina azy ireo
ny dikany (satria amin‟ny teny anglisy)
- Manao ny tatitra ny zavatra izay voarainy
amin‟ny taratasy fotsy misy anarana ny
tsirairay
1ora Fijerena Alefa ny horonan-tsary rehefa samy mahazo Horonan-tsary
horonan- toerana tsara daholo ny rehetra. mahakasika ny voka-
tsarimihe Tsy misy mahazo mitabataba na manao dratsin‟ny firaisana
tsika fanamarihana fa mijery tsara daholo ara-nofo sy hira
3mn Fijerena Rehefa vita ny horonan-tsary dia miala voly mikasika ny
ny kely amin‟ny fijerena raki-ttsary, hira fitandrovana ny
raki-tsary mitondra hafatra ho an‟ny vehivavy ihany fiainana amin‟ny
“clip” koa izy ity. maha vehivavy ny
tena
75
10mn Fanaovana Rehefa avy mijery hira dia samy maka Taratasy fotsy,
tatitra taratasy fotsy iray avy ary asiana anarana. Ao penina
anatin‟iny no anoratana izay lesona azo
tsoahina tamin‟ilay tantara teo. Atao ao
anatin‟izany ny olana, ny vahaolana ary ny
fihetseham-po
12mn Fizarana Rehefa vita ny tatitra dia angonina ny
taratasy ary manomboka ny fampizarana izay
zavatra voaray, ny olana nisy, ny vahaolana,
ny lesona azo notsoahina.
76
Ny vohoka tsy niriana sy ny aretina azo avy amin‟ny firaisana ara-
nofo dia efa tsy lazaina intsony38.
Ilaina tokoa ny firesahana an‟ity lohahevitra ity satria rivotra mitsokan‟ny
tanora ankehitriny izany. Manamafy izany ny voalaza ao amin‟ny « Ecoles des
Parents » manao hoe : «Amin’ireo resaka mikasika ny fahafinaretan’ny nofo rehetra
ireo(…) : miainga amin’ny fiterahana, mankany amin’ny fivarotan-tena ka
hatramin’ny fanalan-jaza, dia misy anankiray izay ilaina ny iresahana azy, amin’ny
zaza na manontany izy na tsia : dia ny fialana sakana. (…)»39
38
http://jejooweb.com/pages/modules.php?id=6903&idcat=15, « tsy mahasambatra ny
manao firaisana ara-nofo aloha loatra »
39
« Ecoles des Parents », Les difficultés de votre enfant, na « Ny olana mety ho tojo ny
toa
zanakao » Dikan-teny nataon’A Randriamasinoroarimanana Jacques Baingan
‘Ambozontany-Fianarantsoa 1996 ; tak 245
40
« Ecoles des Parents », op.cit, tak 11
77
Araka ny nambaran‟ny mpiandraikitra dia tsy tanteraka zato isan-jato akory io
lalàna io na dia atao filamatra aza. Amin‟ny maha ankizy ireo dia tsy maintsy misy
ny adiady; adin‟ankizy ihany anefa izany ka vetivety dia miombona. Miezaka kosa
nefa ny mpiandraikitra mba iainan‟izy ireo izany amin‟ny alalan‟ny sahanasa atao.
Lohahevitra saro-pady ny firazanana sy ny an-tanan-tohatra nefa zava-misy eo
amin‟ny fiarahamonina ka atrehina amin‟ny fandalinana antrôpôlôjika. Nahitana
firazanana samihafa izay manome ny sokajin‟ny fotsy sy ny mainty mantsy ato
amin‟ny Voronkely. Eto anefa tsy ahitana olana izany, izany hoe, tsy nahitana taratra
fanavakavahana; fa ny an-tanan-tohatra no misy manahirana. Hita ho miavaka tokoa
mantsy ny fiarahan‟ireo ankizy lehibebe (10-12taona) ka rehefa misy asa iarahany
amin‟ny tarika misy azy vao miaraka amin‟ny rehetra izy. Izy ireo izay vitsy an‟isa
raha oharina amin‟ireo kelikely (-10taona). Ireo kelikely kosa indray dia somary tsy
dia be teny, miova izany toetra izany rehefa lehibe sy maharitra ao amin‟ny
fikambanana izy hoy ny mpiandraikitra azy.
Tefena sy volavolaina dieny mbola zaza ihany koa izy ireo mba hanana tanjona
sy tarigetra eo amin‟ny fiainana, ka ny tarigetra napetraka iainan‟ireo Voronkely ireo
dia hoe “Tia fanampiana” ny hafa. Miainga amin‟ny zavatra kely indrindra no
ampiharana izany. Ohatra: raha manadino penina ny namana dia ampindramina.
78
10- Madio eritreritra, madio fiteny ary madio fitondran-tena ny
Mpanazava
Io lalàna io moa dia nalaina avy amin‟ny lalàna iombonan‟ny skoto eran-tany,
ary koa mifandray amin‟ny lalàna nomen‟Andriamanitra hoentina mitia Azy sy ny
namana. Ny tarigetra iainan‟ireo Mpanazava ireo dia ny hoe “VONONA”. “Fitsipika
sy fepetra tsy natao hangeja nefa hiezahana ny iainana isan’andro”41 araka ny
ambara ao amin’ny Taratra. Iaraha-mahalala nefa fa tena mangeja ny lalàna satria
mitaky fifehezan-tena hentitra.
Nandritry ny fotoana nirotsahana an-tsehatra anefa dia hita ho tsy voahaja ny
ampahany amin‟ny lalàna. Araka ny sokajin-taonan‟izy ireo dia taona eo amin‟ny
fahamenaran‟ny ankizy tokoa ka tsy mahatoky tena firy izy rehefa manao zavatra.
Tsapa ho misy fanavakavahana eo amin‟ireo beazina, satria, ohatra, misy
mpikambana iray toa mitokantokana. Izy ve no manava-tena sa ny ankizy no
manilika azy? Mety ny maha vaovao azy ao anaty fikambanana ihany koa satria vao
haingana no nidirany tao ka tsy mbola niara-niaina tsara tamin‟ireo mpikambana, izy
rahateo tsy dia miteny firy. Mety ho noho ny fihodirany ihany koa angamba. Ny
skoto anefa malaza ho mandray ny olona rehetra.
Ity sampana Maitso ity no tena manahirana ny fitaizana ny ankizy satria
taonan‟ny fialana sakana, izay ifohazan‟ny fitiavana. Noho izay fifohazam-pitiavana
izay indrindra no lazain‟ny mpiandraikitra fa mahasarotra ny fanabeazana.
Nanambara tokoa mantsy i Daniel GAONAC‟H sy i Caroline GOLDER fa “Amin’ny
sakanjazan’ny tovolahy sy ny tovovavy no tena mivelatra ny fifankatiavana eo
amin’ny olona”42
79
3- Mahay mandini-tena ny Mpanazava Zokiny
4- Misedra ny zava-manahirana ny Mpanazava Zokiny
5- Tia ny natiora ny Mpanazava Zokiny
Mpanazava Zokiny manoloana ny hafa
6- Miaina sy manome aina ny Mpanazava Zokiny
7- Matoky sy mendrika ny Mpanazava Zokiny
8- Mizara ny ezaky ny rehetra ny Mpanazava Zokiny
9- Mpanampy olona ny Mpanazava Zokiny
Mpanazava Zokiny manoloana ny finoana an’Andriamanitra
10- Miara-miaina amin‟Andriamanitra ny Mpanazava Zokiny
80
Fafana fahavalo: ny fahavitrihan‟ireo mpikambana tonga mivory.
Ny isan‟ny beazina sy ny Ny tonga mivory
mpiandraikitra
Sampana Beazina Mpiandraikitra Beazina Mpiandraikitra
Mavo 32 5 20 2 na 1
Maitso 20 5 8 2 na 1
Mena 12 3 5 2 na 1
Loharanon-kevitra : FSFLM 67ha
81
tafika (ohatra: miaramila, zandary, pôlisy) ny fombafombany. Amin‟ireny rahateo
dia ny lehilahy no maro an‟isa.
c) Hetsika ao am-piangonana
Amin‟ny maha sampana velona ny skotisma ao amin‟ny fiangonana dia tsy
afa-miala amin‟ny adidy aman‟andraikitra ao am-piangonana izy. Ny krismasy, ny
vokatra isan-tsampana sy ny hetsika maro hafa. Amin‟ireny hetsika ireny dia efa
voazara ny andraikitra.
Eo amin‟ny vokatra ohatra, manomana sakafo ny skoto ary hamidy eo an-
tokotanim-piangonana izany. Misy ihany koa ny valopy zaraina amin‟ny mpiangona.
Ny vola azo amin‟ireny dia misy mankany amin‟ny fiangonana ary misy ny ho
an‟ny fikambanana. Samy manana ny sakafo hamidiny ny isan-tsampana ary samy
mandamina ny fikarakarana azy.
Sampana Mena: “lasopy”. Amin‟ny maha zokiny azy sy efa azo atokisana azy
dia zaraina ny andraikitra (“pate”, totonkena sy ny hanitra samihafa, atody…) samy
maka izay hataony ny tsirairay.
Fampianarana azy sahady izany rehetra izany hiatrika ny fiainana ary
hifankahalalany misimisy kokoa.
82
d) Hetsika ivelan’ny fiangonana
Ireto rantsana efatra ireto no andraisan‟ny MEM anjara amin‟ny hetsika
ivelan‟ny fiangonana
- Eo ny faritra misy azy: faritra I
- Eo amin‟ny faritany: faritany Analamanga Afovoany
- Eo amin‟ny faritanin‟Analamanga
- Eo amin‟ny FSFLM, MTEM, FSM, SZM, AMGE
Ireto ny santionany amin‟ireo handraisana anjara ao: fifaninana ara-teknika
“concours technique”, ny noely, ny fiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona
vaovao…
Any am-piandohan‟ny taom-panabeazana dia efa tokony ho fantatry ny
fivondronana izay hetsika misy amin‟ireo ka manao izany ao anaty fandaharam-
potoanany ny isan-tsampana. Raha sanatria misy tsy fahafahan‟ny fivondronana na
ny sampana dia mandefa solontena vitsivitsy avy amin‟ny Tily sy ny Mpanazava ny
fivondronana.
83
Famintinana ny toko fahatelo
Toy izao ny raha fintinina ny voalaza tao amin‟ny fizarana faharoa. I Baden
Powell no niandohan‟ny fikambanana skotisma izay tsy mitsahatra mirobororobo
ankehitriny. Mikendry indrindra ny hanabe ireo tanora amin‟ny lafiny rehetra izy ity
mba hananany tanora vanona, mandray andraikitra sy matahotra an‟Andriamanitra.
Amin‟ny alalan‟ireo fomba fanabeazana skoto no anatanterahana izany. Ny
Mpanazava Eto Madagasikara ao amin‟ny FLM 67ha no nijerena ny fampiharana
izany. Izy io dia fikambanana skotisma zazavavy eo anivon‟ny finoana Prôtestanta.
Ny rafi-pandaminana sy ny sahanasa ary ny lalàna no isan‟ny fomba skoto
ampiasaina entiny hanabeazana ireo tanora zazavavy ao aminy. Ankoatra izay anefa
dia nampahafantarina tao koa ireo mpikambana zazavavy ao amin‟ny FSFLM 67ha
sy ny fahavitrihan‟izy ireo tarafina eo amin‟ny hetsika ataony.
84
Fizarana fahatelo
- Fikambanana efa ela nijoroana nefa azo lazaina fa mbola vitsy mpahafantatra;
- Noho izy tsy ao anatin‟ny Firaisan‟ny Skotisma Malagasy (FSM);
- Skoto amin‟ny fiangonana zandriny izy
- Manambatra ny fitaizana ny zazalahy sy ny zazavavy izy.
85
3.1.7. Ny tantaran’ny Tanora Advantista
Tamin‟ny taona 1878 dia niezaka nanangana fikambanan‟ny tanora tao
amin‟ny fiangonan‟ny Hazelton any Michigan Etats-Unis i Luther WARREN
(14taona) sy i Hary Fenner (17taona). Nanam-paniriana ny hanangana izany
fikambanan‟ny tanora izany koa ry zareo advantista tany Australie ny taona 1892. Ny
taona 1893 izany vao tafatsangana tao amin‟ny Lincoln College (Nebraska).
Nanomboka teo dia maro ny fikambanana tanora advantista niorina tamin‟ny
firenena maro.
Ny taona 1901 vao notoavina tao amin‟ny “Conférence générale” (rafitra faran-
tampony) ny handrindrana ny asan‟ny fikambanan‟ny tanora ka ny Departemanta
iray ao amin‟ny fiangonana antsoina hoe sekoly sabata no niandraikitra izany.
Ny taona 1907 kosa vao nahaleo tena tanteraka ny departemantan‟ny tanora.
Mpanompo Vonona (MV) na “Missionnaire Volontaire” no niantsoana azy
tamin‟izany. Taty aoriana vao novana ho “Jeunesse Adventiste” (JA) na Tanora
Advantista. Tamin‟izany mbola nitambatra ny ankizy sy tanora fa ny taona 1909 vao
nosarahina izany.
Raha ireo daty ireo no jerena dia efa ela no nijoroan‟ny JA raha oharina
amin‟ny skotisma naorin‟i BiPi tamin‟ny 1907. Ny taona 1909 kosa nefa vao
natsangana ny antoko voalohany ary nanaovana ny lasy andrana tany amin‟ny Nosy
Brownsea. Ny taona 1922 kosa ny JA vao nanao ny lasy lehibe voalohany tany
Michigan. Ny lasy izay isan‟ny kolontsaina skoto.
Izany hoe, mbola fikambanana tsotra fotsiny ny JA tamin‟izany. Taty aoriana
vao hita fa mifanakaiky amin‟ny fomban‟ny skoto ny zavatra ataony ; ka ilazana azy
fa skotisma izy.
86
ôfisialy ny fikambanana. Mahatratra hatrany amin‟ny 75% ny mpiangona ao dia JA
avokoa. Saika ny 66% dia vehivavy avokoa.
3.1.9. Ny antom-pisiany
Isan‟ny fikambanana mandray anjara amin‟ny fampivelarana ny tanora
amin‟ny ara-tsaina, ara-batana, ara-piarahamonina, ary ara-panahy ny JA. Ireto
teboka telo ireto ny fototra ijoroany:
- Ny teny baiko: “ny fitiavan‟i Kristy no manery anay”
- Ny tarigetra: “ny hafatry ny fiverenan‟i Kristy ho maneran-tany
amin‟izao taranaka misy izao”
- Ny tanjona: “hamonjy ny olona ho afaka amin‟ny fahotana, hitarika ho
amin‟ny fanompoana”
Ireo teboka telo ireo no iainana ary dia voizina isaky ny manao fifamoriana
amin‟ny fomba skoto. Raha dinihina dia hita fa mitovy amin‟ny fototra telon‟ny
skotisman‟i Bipi hoe ny adidy amin‟ny tena, ny adidy amin‟ny hafa ary ny adidy
amin‟Andriamanitra. Fa mifototra kokoa amin‟ny ara-panahy ny JA.
87
Kisary fahasivy: ny firafitry ny JA maneran-tany
Conférence générale
Division
Union
Fédération
Région
District
Eglise
Loharanon-kevitra: JA Androndra
88
Raha izay àry ny rafitra ankapoben‟ny JA izay isolony tena amin‟ny alalan‟ny
fiangonana. Izao kosa isika dia hiditra amin‟ny rafitra anatin‟ny JA.
SAMPANA TANORA
ADVANTISTA
TANORA
AINE
ZANDRINY
a) Ny tanora zandriny
Araka ny teo amin‟ny kisary dia hita fa mizara roa ny tanora zandriny, ny
Mpisantatra sy ny Mpisavalalana.
89
Ny Mpisantatra
“Aventurier” no fiantso azy amin‟ny teny frantsay. Dingana voalohany ho
an‟ireo ankizy beazina ao amin‟ny JA ny klioban‟ny Mpisantatra. Natao ho an'ireo
ankizy 6 ka hatramin'ny 9 taona. Manana ny fanamiany, ny mari-pandrosoany, ny
voady sy ny lalànany, ny marika famantarana ary fampianarana mampiavaka azy
manokana ny fikambanana. Ao anatin‟ity klioba ity dia ahitana kilasy 4, araky ny
taona moa ny fandaminana nanaovana izany, ireto avy izany:
Kisary faharaikambinifolo: ny firafitry ny klioba ny Mpisantatra
KLIOBAN'NY
MPISANTATRA
90
Sary fahavalo: ireo mpikambana ao amin‟ny Klioban‟ny Mpisantatra.
Ny Mpisavalalana
“Explorateur” no iantsoana azy amin‟ny teny frantsay. Ny fikambanan'ny
Mpisavalalana dia natokana ho an'ny ankizy 10 ka hatramin'ny 15 taona, ka natao
indrindra mba hahamora ny fandrosoana ara-panahy, ara-batana ary ara-piaraha-
monina. Manana ny mari-pandrosoana, fanamiana sy marika mampiavaka azy, ny
voady sy ny lalànany. Misy kilasy 6 mitsinjara araka ny taona ao amin‟ny klioban‟ny
Mpisavalalana, ireto avy izany:
91
Kisary faharoambinifolo: ny firafitry ny klioban‟ny Mpisavalalana
KLIOBAN'NY
MPISAVALALANA
MPISAVALALANA
MPISAVALALANA ZOKINY
ZANDRINY
13 TAONA 14 TAONA
10 TAONA 11 TAONA 12 TAONA 15 TAONA
MPAMAKY MPANDEHA
SAKAIZA NAMANA MPANAZAVA MPITARIKA
LAY LAVITRA
92
Sary fahasivy: ireo mpikambana ao amin‟ny klioban‟ny Mpisavalalana
b) AINES
Misokajy ho roa ny klioban‟ny “AINE”, ny Ambasadaoro sy ny Tanora
Zokiny.
Ny Ambasadaoro
Ny Ambasadaoro dia ireo miofana hanao asa fitoriana fotsiny, ary misahana ny
raharaha ao am-piangonana. Manana fomba fiasa voarafitra sy voalamina tsara ny
Ambasadaoro mba hahatonga azy ireo handray anjara mavitrika ao amin‟ny
fiangonana misy azy eo an-toerana sy maneran-tany. Toy izao hita amin‟ny kisary
izao izany.
93
Kisary fahateloambinifolo: ireo fomba fiasa fito ny Ambasadaoro
KLIOBAN'NY
AMBASADAORO
Loharanon-kevitra: JA Androndra
Ny Tanora zokiny
Ity klioba dia natao ho an‟ireo izay maniry ho tonga Filoha Mpitarika ka
mandray anjara mavitrika ao amin‟ny sampana tanoran‟ny fiangonana eo an-toerana
ary miomana ho mpitarika ireo ankizy ao amin‟ny tanora zandriny. Ireto taranja fito
ireto no imasoany amin‟izany:
- Fandaminana “organization”
- Fitarihana “leadership”
- Fanoloran-tena “commitment”
- Ny maha mpianatra “discipleship”
- Fanompoam-pivavahana “worship”
- Fijoroana vavolombelona “witnessing”
94
- Fisakaizana am-pirahalahiana na fifandraisam-po “fellowship »
Voady Lalàna
Satria tia ahy Jesosy dia 1. Mankatoa
sitrako ny hanao ny 2. Madio am-po
tsara indrindra 3. Marina
mandrakariva. 4. Maha te ho tia Ny Mpisantatra
5. Malina « Aventurier »
6. Mahalala fomba
7. Tia manampy
8. Faly mandrakariva
9. Miahy
10. Mahay manaja
Noho ny 1. Mandinika fiambenana maraina
fahasoavan‟Andriamani isan‟andro
tra, dia sitrako ny 2. Manao izay anjara asako am- Ny
toetrako : ho madio, pahatokiana Mpisavalalana
marina, maha-te ho tia, 3. Mitandrina sy mikarakara tsara ny « Explorateur »
mahatoky. Sitrako ny vatana
hitandrina ny 4. Manaja olona sy Mankato
lalànan‟ny 5. Mijery olona manatrika tsara
mpisavalalana. Sitrako 6. Mamindra moramora ao am-
ny ho piangonana
mpanompon‟Andriama 7. Mihira mandrakariva ao am-po
nitra sy hihavana 8. Mikarakara ny
95
amin‟ny olona rehetra. raharahan‟Andriamanitra
Loharanon-kevitra: JA Androndra
43
Op.cit, tak 1032
96
Famintinana ny toko voalohany
Maro ny antony nanosika anay nisafidy ny skotisma Tanora Advantista. Teo
ohatra ny fisian‟io fikambanana io izay efa ela tokoa raha ny hita teo amin‟ny
tantarany. Nahalalana ny momba an‟io fikambanana io bebe kokoa ny fanaovanay
firotsahana an-tsehatra tao amin‟ny Tanora Advantista tao amin‟ny fiangonana
mitandrina ny andro fahafito ao Androndra Ampamantanana. Ka fantatra
tamin‟izany ny antom-pisian‟ny fikambanana sy ny fananany rafitra miavaka, na eo
anivon‟ny fiangonana izany na eo anivon‟ny sampana Tanora.
97
3.2. Fampitahana ny fanabeazana ny Tanora Advantista sy ny
fanabeazana ao amin’ny Mpanazava
Maro ny fikambanana skotisma ankehitriny, izay tsy mitsaha-mitombo na ny
fikambanana na ny mpikambana. Izany indrindra no tokony hanaovana fampitahana
amina fikambanana skotisma hafa. Eto dia ny Mpanazava Eto Madagasikara sy ny
Tanora Advantista no ampiharana izay. Lafin-javatra roa no dinihina amin‟izany dia
ny fitoviany sy ny fahasamihafany.
a) Ny fibeazan-tenan’ny tsirairay
Hanamarihana ny fivoaran‟ny ankizy tsirairay sy ho fandraisany anjara
amin‟ny fampivoarany ny tenany dia misy ny fanomezana azy mari-pankasitrahana.
Ny ao amin‟ny MEM dia amin‟ny alalan‟ny dingana sy talenta izany.
Raha ny ato amin‟ny JA indray dia amin‟ny alalan‟ny fanomezana mari-
pankasitrahana amin‟ny alalan‟ireo asa manavanana sy ny kilasim-pandrosoana.
Samy ho hitantsika ao amin‟ny tovana ny andinindinin‟izany.
b) Ny ankalamanjana
Raha vao miresaka hoe fanabeazana skoto, dia teny tsy azo ialana mihitsy ny
hoe « ankalamanjana ». Fomba iombonan‟ny skoto maneran-tany io ary toerana tsy
maintsy lalovan‟izay rehetra milaza fa nanao skoto.
98
Eny ankalamanjana no ifandraisana bebe kokoa amin‟ny natiora, maro ny
voka-tsoa entiny eo amin‟ny vatana:
- Ny Vokatra ara-tsaina.
Mitarika ny beazina hanana toe-tsaina matanjaka, tia karokaroka, tsy
mihemotra ary manana faharetana.
- Ny Vokatra ara-batana
Matanjaka ara-batana ny ankizy zatra miaina ankalamanjana, izany hoe zaza
manana taova salama vokatry ny fihenjena sy fifohana rivotra madio eny an-tsaha
rehetra eny.
- Ny vokany ara-panahy
Manampy tsara ny fahatsapan‟ny ankizy ny fisian‟Andriamanitra ny
fahafantarana ny zavatra hitany eny ankalamanjana. Mila ampahitana ny karazan-
javaboary sy ny fiainan‟ireo biby samihafa ny ankizy. Ireny no manamafy ny zavatra
efa nampahafantarina azy mikasika an‟Andriamanitra. Izany hoe hitan‟ny ankizy
amin‟ny alalan‟ny asa tanany ilay Andriamanitra.
c) Ny teknika skoto
Ny teknika skoto no isan‟ny mahaliana ny ankizy sy ny tanora hirotsaka
amin‟ity fikambanana ity, ireto misy santionany telo izay isany mampalaza ny
skotisma.
Môrsa
I Samuel Finley Breese no niandohan‟ny môrsa na “morse”. Ny taona 1837 no
namoronany ny ABD môrsa, izay niarahany tamin‟i VAIL ka nampalaza azy
maneran-tany. Ity môrsa ity dia kaodina telegraphy amin‟ny alalana marika lava sy
fohy. Navadiky ny skoto ho azo ampiasaina amin‟ny alalan‟ny teboka sy tsipika izy
io ka toy izao no fivaokany.
A: . - J: . - - - S: . . .
B: - . . . K: - . - T: -
C: - . - . L: . - . . U: .
D: - . . M: - - V: . .
E: . N: - . W: . - -
99
F: . . - . O: - - - X: - . . -
G: - - . P: . - - . Y: - . - -
H: . . . . Q: - - . - Z: - - . .
I: . . R: . - .
Ataon‟ireo skoto fomba fampitana hafatra izy ity, izany hoe karazana lalao.
Amin‟ny ankapobeny dia sarotra ny miezaka mitadidy azy ity ary tsy mbola nahita
izahay olona nahafehy izany.
Ny mari-dalana
Ny mari-dalana na « signe de piste » dia kaody fanaon‟ny skoto eny amin‟ny
lalana. Amin‟ny alalan‟ny mari-dalana no amantarana ny toerana aleha sy ny fomba
tokony hatao. Ireto misy ohatra vitsivitsy:
# × →
Manomboka ny lalana Lalana mitohana Lalana haleha
Vona
100
Sary fahafolo: ireo karazana vona fampiasan‟ny skoto
Vona fisaka: natao hampifandraisana tady roa, azo atao fitaovana fametrahana
zavatra toy ny borosy nify.
Loharanon-kevitra:
https://www.google.com/search?q=noeud+vona&tbm=isch&tbo=u&source=un
iv&sa=X&ei=aUqRVdaDFsKsU6XahcgF&ved=0CE4Q7Ak&biw=1280&bih=
91
d) Ny tarazo
Ireto ny tarazo iombonan‟ny MEM sy ny JA: fifandraisana amin‟ny tanana
havia sy ny fanamiana.
101
fifandraisan-tanana ankavia. Hoy i BiPi hoe: « raha misy vahiny mampiseho ny
marika skoto, dia atolory azy avy hatrany ny fiarahabany ka mifandraisa amin‟ny
tànana havia »44.
Fanamiana :
Ny fanamiana dia anisan‟ny tarazo skoto tranainy sy lehibe indrindra. Saika ny
fikambanana skoto maneran-tany dia manao fanamiana daholo fa ny lokony sy ny
bikany no misy fiavahany kely indraindray.
Manana anjara asa telo ny fanamiana, ireto avy izany:
1- Mariky ny fiombonana: Ny fanamiana no marika hifankahafantaran‟ny
skoto samy skoto; ny fivondronana misy azy, ny fikambanana misy azy Mpanazava,
Tily, Antily, Kiady, Fanilo, JA sns …Ny fanamiana no manala ny tsy fitovian-
tsaranga, ny fihodirana sy ny firazanana. Ny fanamiana no marika mampiray sy
mampiseho ny firahalahian‟ny skoto eran-tany.
2- Seho ivelany eo imasom-bahoaka: Ny fanamiana no hahafantaran‟ny
vahoaka mpiray monina ny skoto.
3- Fampiasa amin‟ny andavanandrom-piainana: Ny fanamiana dia azo
ampiasaina amin‟ny zava-mitranga rehetra fa tsy akanjo fitondra mianjaika fotsiny
akory. Ka tsy maintsy tsara zaitra tsara, azo hiatrehana tsara ireo sahanasa rehetra sy
voina mety mitranga. Ny folara ohatra dia azo anaovana bandy “bandage” sy tohatra,
ny lobaka kosa azo anaovana fitondrana marary “brancard”.
Ny loharano niavian’ny fanamiana:
Tany am-piandohan‟ny lasy natao tany amin‟ny nosy Brownsea tamin‟ny taona
1907, dia tsy nisy nitondra fanamiana ireo zatovo nanatrika ny lasy. Mba hanavahana
ireo sokajy kosa dia nasian‟i Baden Powell vona teo amin‟ny sorok‟ireo zatovo ireo,
ary “fleur de lys” vita tamin‟ny varahina teo amin‟ny tratra ankavia. I Baden Powell
kosa nanao lobaka, ary miforitra ny tanan‟akanjony, Kravaty ary satroka bory sofina,
Pataloa hatreo ambony lohalika, ba kiraro lava sy kiraro maity. Taona vitsivitsy taty
aoriana dia nanome toro marika amin‟izay i Baden Powell ny amin‟izay tokony ho
endriky ny fanamiana, izay nalainy tahaka tamin‟ny pôlisy miaramila“police
44
Ndao hanao skoto : «Si un étranger vous fait le signe scout, rendez-lui tout de suite son
salut et tendez-lui la main gauche.», tak 45
102
militaire” afrikana tatsimo tamin‟ny fiandohan‟ny taon-jato faha XX. Ireto kosa ny
loko izay natolotr‟i BiPi azo hisafidianana: kaki, volon-davenona, manga, maitso. Ny
fanamiana dia afaka miaro amin‟ny hafanana sy ny hatsiaka.
3.3.4.2. Ny “totémisme”
Raha vao miresaka hoe “totémisation” dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny
foko Indiana izay nipetraka any Amerika sy ny “mât-totem” na tsato-kazo misy
sarim-biby vita sokitra.
Voasokajy ao anatin‟ireo teôria diso momba ny fivoaran‟ny fivavahana ny
« totémisme », izay nahazo vahana tamin‟ny tapany faharoa ny taon-jato faha XVII,
mifanandrify indrindra amin‟ny toe-tsaina evôlisiônisma. Taterin‟i PANOFF (M) sy i
PERRIN (M) ao amin‟ny bokiny mantsy fa : « misy ifandraisany amin’ny tarika
amam-poko mitsitokotoko ny biby na zava-maniry. Ka io biby na zava-maniry io no
antsoina hoe « totem », mety hivavahana sy hatahorana izy io na heverina ho razam-
ben’ilay vondrona »45.
Aty amin‟ny skotisma dia fanomezana solon‟anarana olona iray na
vondron‟olona iray ny “totémisme”.
Ara-tantara, tamin‟ny taona 1896 nandritra ny fanafahana ny Matabélés (foko
iray ao afrika) dia nomen‟ireo anaram-bositra hoe “Impeesa” na “Ambodia tsy mba
matory” (Le loup qui ne dort jamais) i Baden Powell. Izany hoe, anaram-biby ny
solon‟anarana omena. Amin‟izany dia tokony ho hain‟ilay tompona anararana ny
toetra sy fihetsik‟ilay biby. Izany hoe raha misy toetra ratsy nataonao dia tokony tsy
hatao intsony fa soloina ny toetran‟ilay biby izay heverina ho mety. Toa manamafy
ilay famaritana nataon‟i Lévi-Strauss izany fanazavana izany. Izy izay nanambara fa
hevi-dravina (illusion) ny antsoina hoe “totemisme”. Aminy “ny totemisme dia
fomba fijery ivelan’ny fiarahamonina ka miendrika fanalana fanahy ratsy, izay tsy
afa-miaraka amin’ny fiheverana fa tsy maintsy misaraka ny olona sy ny zava-boary,
45
PANOFF (M) & PERRIN (M), Dictionnaire de l’ethnologie : « Ce systèma repose sur la
relation existant, dans une société segmentée, entre un ensemble d’animaux ou plus
rarement de végétaux ou de phénomènee naturels et un ensemble de groupes humains. ( )
L’animal ou le végétal associé à chaque groupe est appelé « totem ». Souvent, mais pas
toujours, le totem est l’object d’un culte, d’une vénération. ( ) Soit considéré comme
l’ancêtre du groupe. », tak 257.
103
fiheverana izay takian’ny fisainana kristiana.”46 Iraha-mahalala fa manankina ny
fitaizana amina fivavahana ny skotisma, ary misy amin‟izy ireny manaraka ny
finoana kristiana. Ny skotisma nefa dia miezaka mifandray akaiky amin‟ny zava-
boary rehetra.
Nanolo-kevitra i BiPi mba tsy hanaovana ny anarana ho rajako satria ny rajako
dia tsy manana fandanian‟andro afa-tsy ny mibitabitaka fotsiny47. Ny ao amin‟ny JA
indray dia ny liona no tsy azo atao solon‟anarana, satria misy ilay teny hoe “le lion
est le roi”. Noraisiny amin‟ny finoana izany ka i Jesoa Kristy irery ihany no
mpanjaka. Iaraha-mahalala fa isan‟ny fady ny finoana advantista ny kisoa. Io biby io
anefa dia azo atao “totem” ao aminy. Lazainy moa fa ireo kisoa namindran‟i Jesoa ny
fanahy ratsy namatotra ny olombelona dia efa maty nivarina any an-kady. Araka ny
voka-pikarohana vao haingana dia azo hitsaboana ny hoditry ny olombelona ny
hoditra kisoa. Azo heverina fa isan‟ny toetra tsara ananany izany fiarovana ny olona
izany.
Ity resaka “totémisme”, dia azo heverina ho kolontsaina nindramina tamin-dry
zareo Indiana izany.
3.3.5. Ny fahasamihafany
Maro ny zavatra tsy hitovian‟ny fikambanana JA sy ny MEM. Lafiny enina no
aseho eto, ireto avy izany: eo amin‟ny fotoana, ny fanasokajiana araka ny taona, ny
46
Op.cit : « le totemisme est d’abord la projection hors de notre univers, et comme par un
exorcisme, d’attitudes mentales incompatibles avec l’exxigence de discontinuité entre
l’homme et la nature, que la penséé chrétienne tenait pour essentiel.» tak 258
47
Ndao hanao skoto, tak 47
104
fanasokajiana ny maha lahy sy ny maha vavy, ny taranja ampianarina, ny fiainana
an-dasy, ary ny sedra.
105
pananahana aminy no hitondrana ny fanabeazana fa ny taona dia efa mety ho ampy
amin‟izany.
3.3.5.6. Ny sedra
Maro ny tanora amin‟izao no matahotra hirotsaka ho skoto, sao hono
hosedraina. Anisan‟ny endrika mahaliana ny maro koa anefa io resaka io, antsoin‟izy
ireo hoe “sedra”. Noho ny tsy fahafantarana nefa dia maro ny manely tsaho momba
azy ka lasa miteraka laza ratsy amin‟ny skotisma. Tsy inona io antsoin‟ny olon-tsotra
io hoe sedra io fa lalao ihany. Saingy lalao mijanona ho tsiambaratelo ka tsy iarahana
na tantaraina amin‟ny daholobe. Matetika ity lalao iray ity dia atao any an-dasy ary
amin‟ny andro alina, indrindra koa rehefa hampiakatra ankizy ho amin‟ny
ambaratonga manaraka.
Tamin‟ny fanabeazana nentin‟i BiPi anefa dia nisy ny tsy nankatoavin‟ny JA,
isan‟izany ny sedra. Amin-dry zareo JA dia tsy ny fampitahorana ny ankizy no entina
hanalana ny fahatahorany fa amin‟ny alalan‟ny fampianarana azy soratra masina.
106
Misy ihany anefa sedra ataon‟izy ireo fa ireo filoha mpitarika izay hotolorana
solon‟anarana ihany no miroso ho amin‟izany sedra izany.
Amin‟ny MEM kosa, isaky ny misy lasy dia misy sedra. Ny rehetra dia tsy
maintsy sedraina fa arakaraky ny taonan‟ny ankizy sy ny tanora ny sedra
ampanaovina azy.
Maro koa ny fiavahana fa ny tena nanamarika anay dia ireto lafiny enina ireto:
teo amin‟ny fotoam-pivoriana, ny fanasokajiana araka ny maha lahy sy vavy, ny
zavatra ampianarina ireo tanora, ny fiainana an-dasy ary ny sedra skoto.
107
3.4. Ny olana sy vahaolana ary ny soso-kevitra entina manatsara ny
fanabeazana skotisma
Ny Mpanazava Eto Madagasikara tao amin‟ny FLM67HA sy ny Tanora
Advantista tao amin‟ny fiangonana advantista tao Androndra Ampamantanana no
fikambanana nofidiana nanaovana ity asa fikarohana ity, izay nijerena ny mikasika
ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora, indrindra fa ny zazavavy. Toy ny
fikambanana rehetra dia misedra olana izy ireo. Manoloana izany anefa dia tsy
miraviravy tanana izy ireo fa miezaka ny mitady vahaolana maharitra. Eo
anatrehan‟izany koa dia tsy niraviravy tanana izahay ka dia niezaka ihany koa
nitondra tolo-kevitra entina hanatsarana ny lafiny fanabeazana ireo tanora zazalahy
sy zazavavy ao amin‟ny fikambanana hoentina hampandrosoana ihany koa ny
fikambanana skotisma.
108
Indraindray tonga mivory ny ankizy fa ny mpiandraikitra no tsy tonga ka
miverina mody izy ireo. Isan‟ny miantoka azy ho lasa kamo mivory ihany koa izany.
Mahatonga fahasorenana ho an‟ny ray aman-dreny koa izany satria miteraka
fahadisoam-panantenana eo aminy sy ho an‟ny zanany.
Ho fisorohana izany tranga izany dia nohamafisina ny serasera eo amin‟ny
samy mpanabe. Ka mpanabe roa hatrany no tokony hampivory, ary izy ireo no
mifandamina raha misy ny tsy fahafahan‟ny iray. Raha sanatria ka tsy afaka
mampivory ny mpiandraikitra rehetra ao amin‟ny sampana dia izay vao mampilaza
amin‟ny beazina ny amin‟ny fiatoan‟ny fivoriana.
109
fivondronana an-tanana. Raha misy ankizy mbola tsy mahaloa ny 25% ambiny
kanefa hitan‟ny fivondronana fa tena mazoto dia ampiany manokana.
48
R.BUICK, … et mes parents, « Parent et éducateurs, n’oublient pas votre rôle.… » 1972
110
Ahitana fahasahiranana ara-bola koa eo amin‟ny ray aman-dreny. Misy
mantsy ray aman-dreny manana zanaka roa sy telo manao skoto. Ankoatra ny vola
aloa amin‟ny fianarana sy ny sisa dia adidy iray lehibe ihany koa ny skoto.
Indraindray misy ireny fitadiavam-bolan‟ny fikambanana ireny ka matetika tapakila
iray an‟ankizy iray.
Isan‟ny jeren‟ny fivondronana manokana ihany koa ireny ray aman-dreny
manan-janaka maro manao skoto ireny. Ka rehefa misy ireny fitadiavam-bola ireny
dia atonina manokana izy ireny ka raha mahazaka ilay tapakila iray isan‟ankizy izy
dia tsara, raha tsy vitany kosa dia asaina manao izay zakany izy.
111
mpiandraikitra aza moa tsy mahafehy koa vao mainka fa ny beazina. Ny fianarana ny
tantaran‟ny fikambanana rahateo tsy ao anaty fandaharan‟asa.
Ny tiana tsindrina dia izao: ny zavatra rehetra dia tsy maintsy miainga avy any
amin‟ny fototra avokoa. Izany hoe tokony ho any am-piandohan‟ny taom-pibeazana
dia ny fianarana ny tantaran‟ny fikambanana no voalohan-daharana. Tsy voatery atao
amin‟ny alalana sora-tononina hatrany izany; fa azo atao ihany koa ny manao azy
amin‟ny alalana tantara kely, lalao, tsara ihany koa raha ny ankizy mihitsy no asaina
mikaroka azy ka ataony karazana famelabelarana.
112
nitarika azy hiala ao anaty fikambanana. Ny tiana ambara dia izao, tsy foanana akory
io kolontsaina io fa asiana fiheverana, izany hoe, tokony ireo zava-manan‟aina hita fa
tsara ary mitondra soa eo amin‟ny fiarahamonina no atao solon‟anarana, toy ny
tantely, omby…
3.4.3.1. Ara-batana
Manabe ny ankizy mba ho tompon‟andraikitra amin‟ny fikoloana sy ny
fanabeazana ny vatany ny skotisma. Tsy ny hanana bika tsara fotsiny anefa fa ny
hanana vatana salama mba hiatrehana ny asa andavanandro. Ka ampianarina ao
anatin‟izany ny fomba sy fihetsika atao manoloana ny tranga mety hiseho. Ohatra, ny
fianarana ireo vonjy taitra amin‟ny loza isan-karazany.
3.4.3.2. Ara-tsaina
Beazina ny ankizy mba hanana toe-tsaina tia karokaroka, afa-mamaha olana,
miala amin‟ny mety ho sakantsakana rehetra. Mahay maka fanapahan-kevitra
samirery, tanterahiny amin‟ny fahaiza-manao izay ananany. Ohatra, asaina
manomana seho na lalao ao anatin‟ny 15minitra.
3.2.1.1. Ara-panahy
Manampy ny olona amin‟ny fahalalana bebe kokoa an‟Andriamanitra ny
skotisma. Amin‟ny alalan‟ny zava-misy manodidina toy ny zava-boary no
ampiainana izany. Izany no atao dia mba hahafantaran‟ny tanora izay inoany ka
hikatsaka an‟Andriamanitra hatrany ary hiaina izany amin‟ny fiainana andavanandro
amin‟ny alalan‟ny fanokanana fotoana iresahana Aminy sy ny fanampiana ny hafa.
113
3.2.1.2. Ara-piarahamonina
Mampandray anjara mivantana ireo tanora skoto amin‟ny hetsika ao amin‟ny
fiarahamonina ny skotisma. Tamin‟ny rivo-doza tamin‟ny fiandohan‟ny taona 2015
teo ohatra izay nisehoan‟ny tondra-dranobe teto Antananarivo dia tsy niraviravy
tanana ireo skotisma fa nanolo-tanana mba ho fanampiana ireo traboina. Tsy voatery
ho nanolotra zavatra izy fa nampihatra izay fahaiza-manaony, ohatra : fananganana
trano lay, fampianarana manasa tanana sy ny fomba fanadiovana rano.
114
Famintinana ny fizarana fahatelo
Toy izao raha fintinina ny voalaza tao amin‟ny fizarana fahatelo. Noraisinay ho
ato anatin‟ity asa fikarohana ny Tanora Advantista satria izy io dia fikambanana
skotisma efa ela niorenana nefa mbola vitsy mpahafantatra. Tao amin‟ny fiangonana
mitandrina ny andro fahafito ao Androndra Ampamantanana no nanaovana ny
firotsahana an-tsehatra ka nanadihadiana ny firafitry ny fikambanana ary
nahafantarana fa ny hanabe ireo tanora amin‟ny ara-panahy no tena imasoany. Ny
antony nandraisana ity fikambanana iray ity koa dia ny hanaovana fampitahana azy
amin‟ny MEM eo amin‟ny fanabeazana ny zazavavy. Hita nandritra izany fa samy
fanabeazana skoto, mampiasa ny “totémisme”, ny fiainana ara-pinoana. Ny
mampiavaka azy ireo kosa ny eo amin‟ny fandaharam-potoana, ny fanasokajiana
araka ny maha lahy na vavy, ny zavatra ampianarina ireo tanora, ny fiainana an-dasy
ary ny sedra skoto. Samy misedra olana ireo fikambanana ireo eo amin‟ny fitaizana
ireo tanora ireo. Notaterina tao ireo olana misy eo amin‟ny mpanabe, ny beazina ary
ny ray aman-dreny ary ny vahaolana nentin‟izy ireo. Nanolotra soso-kevitra koa
izahay mba hanatsarana izany fanabeazana izany. Misahana anjara asa lehibe ny
fikambanana skotisma satria manabe ireo tanora amin‟ny lafiny rehetra.
115
TENY FAMARANANA
Teny famaranana
Eto am-pamaranana no anaovana jery todika ary amintinana izay rehetra
voalaza. Tsiahivina fa ny fanabeazana ny zazavavy ao amin‟ny fikambanana
skotisma Mpanazava Eto Madagasikara izay rafitra ivelan‟ny sekoly no
niompanan‟ity asa fikarohana ity, izay misy fizarana telo mandrafitra azy, ary ahitana
toko maromaro avy. Tao amin‟ny fizarana voalohany no nampahafantarana ireo
toerana nanatanterahana ny asa fikarohana dia ny fokontany 67ha Afovoany
Andrefana sy ny Fiangonana Loterana Malagasy Toby Fanantenana 67ha.
Nolazaina tamin‟izany fa ny fokontany 67ha Afovoany Andrefana dia
fokontany ao anatin‟ny faritra Analamanga, Boriborintany Antananarivo I, hita eo
amin‟ny lemak‟i Betsimitatatra, mirefy eo amin‟ny 90000m². Ahitana mponina miisa
4775 sy foto-drafitrasa maro toy ny sekoly sy ny fiangonana. Ka ao anatin‟izany ny
FLM 67HA. Ny finoana loterana dia niseho tamin‟ny taon-jato faha XVI izay
notarihin‟i Martin Luther tany Allemagne. Ny taona 1866 izany no nentin‟ireo
misionera “Norwegian Missionary Society” na NMS teto Madagasikara izany. Ny
taona 1975 kosa no nisian‟ny FLM 67ha izay mbola tao amin‟ny tokantranon-
dRamatoa Mama Nenilava tao amin‟ny logt 238. Ho fampandehanana ny asa sy ny
fitaizana ao amin‟ny fiangonana dia nisy ny sampana sy ny departemanta najoro; eo
koa ny faritra izay manamora ny fifandraisan‟ireo mpino mpiray faritra. Miisa
10.245 ny mpino misoratra anarana ara-dalàna ao izay avy amin‟ny foko sy faritra
samihafa fa ny tena betsaka dia ireo avy any amin‟ny faritra Vakinankaratra
mianatsimo.
Tao amin‟ny fizarana faharoa kosa no nandalinana ny fanabeazana skotisma
Mpanazava Eto Madagasikara. Fantatra àry fa i Baden Powell no niandohan‟ny
fikambanana skotisma. Mikendry indrindra ny hanabe ireo tanora amin‟ny lafiny
rehetra izy ity mba hananany tanora vanona, mandray andraikitra sy matahotra
an‟Andriamanitra. Amin‟ny alalan‟ireo fomba fanabeazana skoto no anatanterahana
izany. Ny Mpanazava ao amin‟ny FLM 67ha no nijerena ny fampiharana izany. Izy
io dia fikambanana skotisma zazavavy eo anivon‟ny finoana Prôtestanta. Ny rafi-
pandaminana sy ny sahanasa ary ny lalàna no isan‟ny fomba skoto ampiasaina entina
manabe ireo tanora zazavavy ao aminy. Samy manana ny lalànany ny isan-tsampana
ary tsapa fa tsy voahaja tanteraka ilay lalàna fa amin‟ny ampahany fotsiny ihany.
116
Raha 171 ny isan‟ny skotisma ao amin‟ny FSFLM 67ha dia ny 66 amin‟ireo no
Mpanazava. Ny ankamaroan‟izy ireo dia avy amin‟ny faritra manodidina ny 67ha.
Antony maro ny nahatonga azy ireo hiditra skoto, toy ny: fitarihan‟ny namana na
fianakaviana, fanalana tahotra sy fahasarotan-kenatra, fitiavana te hahalala hoe
ahoana izany manao skoto izany.
117
Izay ny masaka azonay naroso. Heverinay anefa fa tsy ireo voalaza ireo fotsiny
no tokony ho noresahina tato amin‟ity asa ity fa mbola maro ny zavatra azo
trandrahina ao, ohatra, ireo hira sy lalao sy ny « totem »… koa manantena izahay fa
tsy hitsahatra hatreto ity lohahevitra ity fa ao ianareo zandry hanohy izany.
118
BOKY SY TAHIRIN-
KEVITRA
Boky sy tahirin-kevitra
A) Boky
BESSE (J.M) «Vers une pédagogie par objectif ?» in Bulletin Sté A Binet
1977 et th Simon n° 556.III
Encyclopédie Universalis
2010
119
2007
MACAIRE & RAYMOND Notre beau métier, manuel pédagogique, édition saint
1970 Paul, Issy les Moulineaux, France, 55p
Microsoft Encarta
2007
120
FANABEAZAM- jolay 2008 manova ny fepetra sasantsasany ao amin'ny
PIRENENA Lalàna laharana faha-2004-004 tamin'ny 26 jolay 2004
2008 mamaritra ny sori-dàlana ankapoben'ny Rafitra
Fanabeazana sy Fampianarana ary Fanofanana eto
Madagasikara
121
2009
http://chocdecultures.forumactif.com/t10-histoire-de-l-anthropologie-iv-le-
fonctionnalisme, « Histoire de l'anthropologie : IV - Le fonctionnalisme »,
2014
http://histoiredeschretiens.over-blog.com/article-la-reforme-lutherienne-
39028157.html, « Histoire des chretienne, La Réforme Luthérienne », 2014
122
http://jejooweb.com/pages/modules.php?id=6903&idcat=15, “Tsy mahasambatra ny
manao firaisana ara-nofo aloha loatra”, 23 janvier 2013, 2015
https://www.yumpu.com/id/document/view/25255289/ndao-hanao-skoto-petit-
fichier, « Ndao hanao skoto”, 2014
http://tomima.unblog.fr/2008/09/05/ny-tantaranny-scoutisme-malagasy/, « Ny
tantaran’ny scoutisme malagasy, ny tantaran ny scoutisme eto madagasikara », 5
septembre 2008, 2014
https://sites.google.com/site/fanilonimadagasikara/
https://sites.google.com/a/antily.org/antilin-i-madagasikara/home
http://tilyetomadagasikara.blogspot.com/p/blog-page.html
http://www.toujourspret.com/techniques/jeux/observation/signes_de_piste/, « Signes
de piste, Les signes usuels pour indiquer le chemin », 2014
123
TOVANA
TOVANA I
1. Ireo karazana famantarana “Insigne”
Maro karazana ny marika ahafantarana ny Mpanazava fa ny tena malaza dia
ireto: ny “isigne” Mpanazava sy ny AMGE.
Ito “insigne” ito dia apetaka eo amin‟ny paosin‟ny lobaka havia. Ireo kisarisary
sy loko eo aminy dia misy dikany avokoa.
3 4
1
5
2
Loharanon-kevitra: http://fr.scoutwiki.org/Mpanazava_sy_Tily_Eto_Madagasikara
i
- Loko mavo: masoandro= fahazavana
- Loko manga: lanitra= firaisan‟izao tontolo izao
- Loko mavo maitso mena: sampana telo ao amin‟ny Mpanazava
- “Trèfle 3”: fanekena sy fiarahabana
- Ny tongony: fifankatiavana sy firahalahiana ary fahavononana
Loharanon-kevitra: http://fr.scoutwiki.org/Symboles_des_mouvements_scouts
TOVANA II
Ireto misy karazana teknika entina hanamafisana ireo tany aloha na dia efa
nolazaina aza ny ampahany sasany
ii
Ny beazina
Ny
mpiandraikitra
Ny lohan-tsokajy
Loharanon-kevitra:
http://www.toujourspret.com/techniques/jeux/observation/signes_de_piste/
2.2. Ny mari-dalana
Efa nanome santionany amin‟ny mari-dalana ihany izahay tany amin‟ny
fizarana fahatelo. Ireto kosa ny fanampin‟izany izay mahaliana tokoa satria tsy
voatery hampiasa fitaovam-panoratana foana akory rehefa hanao mari-dalana fa na
ny vato sy ny bozaka ary nykakazo aza dia mety amin‟izany avokoa.
iii
Loharanon-kevitra: op.cit
2.3. Ny vona
Na dia efa nisy santionan‟izy ity aza tany amin‟ny asa dia mbola atolotray eto
izay mba hitanay tany ho any.
iv
Vona sy ny anjara asany Ny fanaovana azy
« Noeud d‟arrêt » na « nœud
simple » na koa vona tsotra : natao
hamaranana tady, miaro ny tady tsy
hivaha
v
Loharanon-kevitra: op.cit
Mbola maro izy ireo fa ireo aloha ny masaka azo natolotra.
TOVANA III
3. Ny hira
Ireto hira rehetra ireto dia nalaina avy tao amin‟ny boky Taratra izay
navoakan‟ny foibe am-perinasa tamin‟ny 1994-1998.
“Manaparasaka” hira filamatry ny MEM, atao rehefa manokatra ny
fotoana amin‟ny fomba skoto.
vi
“Afo mamelona” hira filamatry ny Mpanazava Zokiny. Aorian‟ny
manaparasaka no ataon‟izy ireo ity. Marihina fa samy Mpanazava Zokiny ihany no
fanaovana an‟io.
vii
No ekeko izao No ekeko izao No toviko
Ny antsony dia reko Na ory na ny manana Izao no hijoro
Miantso izao Mitovy izao Tsy laviko
TOVANA IV
1. NY FANAMIANA
Ny fanamiana dia mariky ny fitoviana, firaisana, fahatsorana ary fahavononana.
Koa ireo rehetra manelingelina izany dia tsy azo anaovana rehefa manao fanamiana:
kavina, peratra (afa-tsy ny peratra mariazy), kiraro sy fatoram-bolo marevaka, lokomena
sy manjamaso. Samy manana ny didin‟ny fanamiany ny sampana tsirairay fa ireto kosa
no iraisany.
- Ny lokon’ny fanamiana
Volombatolalaka “gris”: maneho ny endriky ny vato mafy.
Fotsy: mitory ny fahadiovana sy fahazavana
viii
- Vaky anoloana, mihidy bokotra chemisier”
- Misy “col Claudine” fotsy (mety miala fa Misy paosy havia tsy misarona,
apetaka amin‟ny “presse”) tsokoloha (eo no ametahana ny
- Misy “epaulette” asiana bokotra marika maha Mpanazava)
- Misy paosy havia misarona, asiana Misy “epaulette” misy bokotra
bokotra hametahana marika “insigne” Misy didy mananjara ao an-
Mpanazava. damosina, tsokoloha
Ny ambany
- Didy enina Ny ambany: zipo
- Misy paosy roa misarona sy mihidy volombatolalaka
bokotra - Didy enina tsotra (tsy tery
- Misy fitoerana hetra 6 “porte ceinture” loatra (serré) na malalaka be
manaraka ny didiny (cloche)
- Ny halavany hatreo amin‟ny lohalika - “Fermeture” eo amin‟ny
(tsara raha be ny miforitra ahazoana havia
manalava azy any aoriana). - Paosy misitrika eo amin‟ny
ankavanana
Fanamarihana: ny bokotra rehetra dia “gris” - Misy “porte ceinture”
avokoa, tsy misy fotsy afatsy ny vozon‟akanjo. manaraka ny didiny
- Ny halavany: ambany
Fehikibo: lamba tenany (lamba toy ny lohalika
akanjo=gris) mihidy amin‟ny bokotra iray - Fehikibo: 3cm raha lehibe
(tsara raha asiana bokotra miafina iray ao indrindra, hoditra mainty na
anatiny). “marron”
- Kiraro petaka tsy marevaka
Fehitenda « Noeud de rosette » Cravate: 1m ny Cravate mena
Refy: 80cm*4cm; vanditra: 0,5cm, halavany 1m ny halavany
tazonina amin‟ny « elastique » Vanditra: 0,5cm; Miala rantsana
Loko 2: arakaraka ny lokon‟ny lokony: arakaraka ny telo avy eo
fivondronana lokon‟ny amin‟ny zipo
Apetaka rehefa mahavita Vikina I fivondronana Famatorana azy:
(Mavo vava) Miala rantsana telo “cravate simple”
ix
avy eo amin‟ny zipo
Famatorana azy:
cravate simple
TOVANA V
4.1. VIKINA
x
- Mitady hira
- Tsiambaratelon‟ny Voronkely
- Hiran‟ny Voronkely sy ny Andiany
- Miarahaba ara-dalàna (fomba skoto, olona samihafa)
- Mahay manazava ny fiarahabana
- Mamono fanomezana “cadeau”
- Ny adiresiny
- Ny lalànan‟ny Voronkely
Mivory in-6 misesy
Tsy diso fidirana amin‟ny fivoriana
Manao asa soa
Mamola-tena mianatra adin‟iray isan‟andro
Vikina I “kingakinga, Mahay: “barette
Manitsan‟ milaza ny - Mitarika fotoam-pivavahana fohy orange”
elatra marina” - Manazava ny lalànan‟ny Voronkely apetraka
- Hira telo manomboka ny andininy iray farany amin‟ny
- Mitsambikina amin‟ny tady “epaulet
- Mamatotra entana Te”
- Manao “couvert” havanana
- Mametaka bokotra mirefy
- Mijery famataranandro 0,5 cm
- Manao sarin‟ny andiany
- Mitsabo ratra kely
- Manadio trano
- Mifoha maraina
- Mikarakara ny fianarany
- Tantaran‟ny Voronkely
- Mitantara sombin-tantara
- Mahafantatra anaram-boninkazo dimy sy vorona dimy
Vikina III “mihevitra ny Mahay: “barette
Hary hafa” - Fanekem-pinoana marron”
elatra - Mampianatra hiram-pivavahana ivelan‟ny ao amin‟ny
xi
fihirana
- Mitantara tantara ao amin‟ny baiboly
- Manao angano sy ankamantatra
- Mahay vonjy taitra: kaikitry ny biby, ditsoka,
ran‟orona, may
- Manasa fanamiana
- Mampilalao
- Mampianatra hira skoto
- Koja madinika
- Mipasoka
- Manazava ny atao hoe Voronkely
- Misoron‟afo
- Manjaitra kitapo kely asina fitaovana
- Manao lasopy sy “confiture”
Mahafantatra ny fetim-piangonana
Loharanon-kevitra: op.cit
xii
Ahitana dingana telo ato amin‟ny sampana Maitso:
Dingana I: TSIRY
Dingana II: FANJA
Dingana III: VOA
xiii
fahasa amin‟ny “boîte à Mahay mitarika ala vonkina Mahafantatra fomba
lamana pharmacie” Vonjy taitra: may “2 ème fiarovana amin‟ny
Vonjy taitra: ratra degré” MST/SIDA
madinika sy may “1er Mahalala ireo sokajin- Mahafantatra ny aretina
degré” tsakafo ara-pahasalamana azo avy amin‟ny tsy
Mahafantatra ravina Dia an-tongotra 5km fahampian-tsakafo
dimy fanao fanafody
Toetra Miaina ny lalàna eo Miaina ny lalàna eo Miaina ny tarigetra sy
anivon‟ny antoko anivon‟ny fianakaviana ny lalàna ary fanekena
Mahay mitarika ny Mitana bokim-bolan‟ny
fivorian‟ny sokajy sokajy
Fampias Kitapo mofo Mahay manamboatra Mandidy akanjo,
ana ny Lava-bokotra “trousse de toilette” *, fanamiana
tanana mahay peta-kofehy Manao “couvert” sy
Mamalona « serviette de mandahatra ny
table » amin‟ny fomba toeran‟ny vahiny
maro amin‟ny fanasana ao
an-trano
Fanamp Manadio fiangonana Mandefa taratasy Manao asa mivaingana
iana ny Manao zaridaina Mamboly hazo iray
hafa Mahay mandefa taratasy Manao asa soa Manaja ny tontolo
Mahita toeram- Mahay ny tantaram- iainana
pitsaboana sy biraom- pirenena Mahay fitaovam-
panjakana pifaneraserana
Mahay miarahaba olona
Teknika Mahay mari-dalana Mahay “morse” sy mamaly Mahay « sémaphore »
Vona 5 farafahakeliny hafatra sy hafatra hafa
Manavaka ny karazana « Orientation, estimation » Mahay « topographie »,
teknika skoto (tombana: lanja, refy…) tsongodia, « cuisine
Vona tsy latsaky ny 10 trappeur », vonjy taitra
Marika “Cravate” “Barette rose” “Barette verte”
Loharanon-kevitra: op.cit
xiv
4.3. Rehitra, Donak’afo, Redareda
Toy izao kosa ny endriky ny dingana ao amin‟ny sampana Mena.
xv
Izay no azonay ambara mikasika ireo izay mbola tsara ho fantatra tao amin‟ny
Mpanazava Eto Madagasikara. Mbola maro no azo lazaina fa ampahany ihany ireo
voalaza ireo.
TOVANA VI
5. Asa manavanana
Ampahany fotsiny ihany aloha ireto aseho ireto satria mbola mahatratra
hatrany amin‟ny 80 mahery izy ireo.
xvi
boaary
« Nature »
xvii
Loharanon-kevitra: op.cit
xviii
2 – natiora - Saka (félidés) / alika (canidés)
- Vorona fiompy / insectes
- Voninkazo / voan-javatra
- Toetrandro / mineralogie
- Geologie / oceanographie
- Ecologie / environnement
- Astronomie
3 – siansa sy - Reanimation cardiopulm.
fahasalamana - Premiers secours
- Sécourisme 1 & 2
- Digestion
- Hozatra sy taolana
- Atidoha & fahaiza-miaina
xix
7 – fialamboly - Securite de camp
(recreation) - Camping 1 / 2 / 3 / 4
- Drill et manœuvres
- Fooball / basketball
- Nœuds
- Orientation
TOVANA VII
7.1. Ny endriky ny taratasy fangatahana andraikitra
Ireo Mpiandraikitra sy ny Tonia dia tsy maintsy manao taratasy fangatahana
andraikitra mba hanamarinana fa tsy noterena izy hanao ny asa maha mpanabe fa
xx
tena vokatry ny fanoloran-tenany. Atao dika 3 izy ity ka alefa any amin‟ny
filohan‟ny faritra (faritra 1), faritany (Analamanga Afovoany) ary ny fivondronana.
FIOFANANA NARAHINA:
DINGANA DATY SY FILOHAN’NY VOKATRA FANAMARIHA
TOERANA FIOFANANA NA
xxi
TSIMOKA
MAMONTSI
NA
MAMONY I
MAMONY II
MAMELANA
FANAMARIHAN’NY FARITANY:
xxii
MPANAZAVA ETO MADAGASIKARA
FARITANY ANALAMANGA AFOVOANY “Mifikira amin‟ny tsara”
FARITRA VOALOHANY Rom 12:9d
FIVONDRONANA FLM 67 HA
xxiii
ANARANA VONDRO SAMPANA
NA
GROUPE SANGUIN :
SAKAFO TSY ZAKA :
FANAFODY TSY ZAKA :
ZAVATRA TSY ZAKA :
V- MIKASIKA NY FIANARANA :
xxiv
VI- MIKASIKA NY FIKAMBANANA :
TAONA NIDIRANA SKOTO
SAMPANA MAVO SAMPANA MAITSO SAMPANA MENA
NIDITRA : NIDITRA/NIAKATRA : NIDITRA/ NIAKATRA :
TALENTA :
SAMPANA MAVO
ANARANA DATY
xxv
SAMPANA MAITSO
ANARANA FAMPIHARANA DATY NANKATOAVANA
NATAO
TOERANA
ANARAN’N
Y LASY
SOKAJIN-
DASY
SOKAJY
Loharanon-kevitra: op.cit
xxvi
FAMINTINANA
FAMINTINANA
RESUME
SUMMARY
FAMINTINANA : Ity asa fikarohana ity dia fandalinana antrôpôlôjika natao mikasika ny fanabeazana ny
zazavavy ao anatin‟ny fikambanana skotisma Mpanazava Eto Madagasikara izay eo anivon‟ny finoana prôtestanta.
Ireo Mpanazava tao amin‟ny FLM67ha ao amin‟ny fokontanin‟ny 67ha Afovoany Andrefana no nijerena akaiky
izany. Fantatra àry fa i Baden Powell no namorona sy ny nitondra an‟io fomba miavaka entina hamolavolana ny
tanora io. Maro ny zavatra natao hampihodina sy hanaraha-maso akaiky an‟io fikambanana io sy ireo beazina ao,
teo ohatra ny rafi-pandaminana samihafa, ny fanaovana sahanasa, ny lalàna. Nisy koa ny fampitahana izany
tamin‟ny fikambanana skotisma miorina eo anivon‟ny finoana zandriny, dia ny Tanora Advantista ao amin‟ny
fiangonana mitandrina ny andro fahafito ao Androndra Ampamantanana izany. Maro ny fitoviana sy ny fiavahana
hita tao. Na dia eo aza ny olana samihafa dia voaporofo fa manana anjara asa lehibe teo amin‟ny fanabeazana ny
tanora ny skotisma, indrindra ireo zazavavy.
TENY FOTOTRA : fanabeazana, fanabeazana ivelan‟ny sekoly, skotisma, zazavavy, Mpanazava Eto
Madagasikara, Mpanazava, finoana, Tanora Advantista. Fiangonana loterana malagasy 67HA.
ISAN’NY TAKILA : 123 ISAN’NY FAFANA : 09 ISAN’NY
KISARY : 13 ISAN’NY SARINTANY : 03 ISAN’NY SARY : 10
RESUME : Cette recherche est une analyse anthropologique concernant l‟éducation des filles chez le Scoutisme
« Mpanazava » dansa la religion protestante à Madagascar. Pour mieux contrôler la situation, une enquête a été
menée chez les Mpanazava du FLM 67ha dans la commune de 67ha Centre-Ouest. C‟est Baden Powell qui a
fondé et a apporté cette méthode spécifique pour éduquer et élever ces jeunes scouts. Pour faire fonctionner cette
communauté et contrôler de plus prés les élèves qui s‟y trouvent, nombreuses étaient les procédures à suivre ainsi
que les conditions requises à l‟instar des différentes hiérarchies, les différents travaux pratiques ainsi que les lois et
les disciplines à respecter. On a aussi recours à la comparaison de cette communauté avec le scoutisme de l‟Eglise
du septième jour à Androndra Ampamantanana. De ce fait, nombreuses sont leurs ressemblances voire leurs
différences. Malgré les différentes péripéties, il est prouvé que le scoutisme tient une place importante dans
l‟éducation des jeunes surtouts les jeunes filles.
MOTS CLES : éducation, éducation non formelle, scoutisme, jeune fille, Mpanazava Eto Madagasikara,
Mpanazava, croyance, Jeunesse Adventiste. Eglise Luthérienne Malgache 67HA.
NOMBRE DE PAGES : 123 NOMBRE DE TABLEAUX : 09 NOMBRE DE
CARTES : 03 NOMBRE DE FIGURES : 13 NOMBRE DE PHOTOS : 10